CCC 440

Noraisin’i Jesoa ny fiekem-pinoan’i Piera izay nahafantatra Azy ho Mesia, tamin’ny nilazany ny fijaliana tsy ho ela hanjo ny Zanak’olona jer. Mt 16,16-23.. Naborany ny tena votoatin’ny fiandrianana maha-Mpanjaka ny Mesia, izay sady ao amin’ ny maha-Zanak’Olona Azy ambony tsy taka-polopolorina “izay nidina avy tany an-danitra” (Jo 3,13) jer. Jo 6,63; Dan 7,13., no ao amin’ny maha-iraka mpanavotra Azy isehoany ho Mpanompo mijaly : “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro” (Mt 20,28) jer. Iz 53,10-12.. Noho izany, ny tena hevitra fonosin’ny fiandrianana maha-Mpanjaka Azy, dia tsy niseho raha tsy teo amin’ny Hazofijaliana jer. Jo 19,19-22; Lk 23,39-43.. Koa aorian’ny Fitsanganany ho velona ihany vao ho afaka ambaran’i Piera eo anatrehan’ny Vahoakan’Andriamanitra ny fiandrianana maha-Mesia Mpanjaka Azy : “Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy” (Asa 2,36).

Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682