CCC 457

Tonga nofo ny Teny mba hamonjy antsika, amin’ny fampihavanana antsika amin’Andriamanitra : “Fa Andriamanitra no tia antsika sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana amin’ny fahotantsika” (1 Jo 4,10). “Naniraka ny Zanany ny Ray, ho Mpamonjin’izao tontolo izao” (1 Jo 4,14). “Fa Izy io no niseho, dia mba hanala ny fahotana” (1 Jo 3,5) :

Marary ny tenantsika, ka mila sitranina ; lavo, ka mila harenina ; maty, ka mila hatsangana ho velona. Nariantsika ny fananana ny soa sy ny tsara, ka tsy maintsy honerantsika izany. Voahidy tao anatin’ny maizina isika, ka mila hitondrana fahazavana ; babo an’ady isika, ka miandry mpamonjy ; migadra isika, ka miandry vonjy ; andevo isika, ka miandry mpanafaka. Tsy nisy lanja ve ireo antony notanisaina ireo ? Tsy mendrika hampangoraka an’ Andriamanitra ve ireo, ka nampidina Azy ho tonga hatramin’ny toetra amam-pomba maha-olona antsika mba hamangy antsika, noho ny olombelona nihitsoka tanatin’ny toetra fadiranovana loatra sy mampahonena fatratra Md Grégoire de Nysse, or. Catech. 15. ?

Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682