CCC 467

Ny "monophysites" dia nanamarina fa levona tamin’ny nizakany tao amin’ ny maha-Olona-Andriamanitra amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, ny fomba aman-toetra maha-olombelona tao amin’i Kristy. Izao no nambaran’ny Kônsily ekiomenika fahefatra tao Chalcédoine tamin’ny taona 451, teo anatrehan’izany fampianaran-diso izany :

Eo am-panarahana an’ireo Ray masina, dia mampianatra amim-piombonan-kevitra izahay hanambara ampahibemaso ny Zanaka tokana sy Izy dia Izy ihany, i Jesoa-Kristy Tompontsika, iray fahalavorariana amin’ny maha-Andriamanitra sy fahalavorariana amin’ny maha-olombelona, ilay sady Andriamanitra marina tokoa no olombelona marina tokoa iray ihany, mitambatra ho fanahy manan-tsaina hendry sy vatana, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray araka ny maha-Andriamanitra, iray fombam-pisia-maha-izy amintsika araka ny maha-olombelona, “mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra, afa-tsy amin’ny fahotana” jer. Heb 4,15. ; teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra araka ny maha-Andriamanitra, ary amin’izao andro farany izao, ho antsika sy ny famonjena antsika, naterak’i Maria Virjiny, Renin’ Andriamanitra, araka ny maha-olombelona. Kristy tokana sy tsy miova, Tompo, Zanaka Lahitokana, no tsy maintsy ekentsika amin’ny fomba aman-toetra roa, tsy misy fifangaroana, tsy misy fiovàna, tsy misy fizarazarana, tsy misy fisaratsarahana. Tsy manafoana velively ny firaisan’izy ireo, ny faha-samy hafa ny fomba aman-toetra, fa vao mainka aza voaro sy voatambatra ho ao amin’ny olona tokana ihany sy ny fisia-maha-olona tokana ihany ny toetra manokana an’ny tsirairay DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..

Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682