CCC 470
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Satria ao amin’ny firaisana misterin’ny Fahatongavana ho nofo, “ny fomba aman-toetra maha-olombelona dia nozakaina, fa tsy nolevonina” FAA 22, §2., ka nahatarika ny Fiangonana, nandritra ny taonjato nifandimby, hanambara ampahibemaso ny fisiana feno ny fanahy maha-olombelona, miaraka amin’ ny fiasan’ny sainy sy ny sitrapony, ary ny vatana maha-olombelona ao amin’i Kristy. Kanefa mitovy amin’izany koa, mampahatsiaro hatrany hatrany ny Fiangonana fa ny fomba aman-toetra maha-olombelona an’i Kristy dia azy manokana amin’ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra izay nizaka izany tao Aminy. Avy amin’ny maha-anisan’ny “Iray amin’ny Trinite” Azy izay rehetra maha-Izy Azy sy izay ataony ao amin’ny maha-olombelona Azy. Koa ny Zanak’Andriamanitra àry no mampita amin’ny maha-olombelona Azy ny fomba fisiany manokana ao amin’ny Trinite. Araka izany, na ao amin’ny fanahiny na ao amin’ny vatany, dia anehoan’i Kristy amin’ny fomban’olombelona, ny fomba amam-piainan’Andriamanitra Trinite jer. Jo 14,9-10. :
Ny Zanak’Andriamanitra dia niasa tamin’ny tanan’olombelona, nihevitra tamin’ny sain’olombelona, nihetsika tamin’ny sitrapon’olombelona, nitia tamin’ny fon’olombelona. Noho Izy naterak’i Maria Virjiny, dia tena tonga anisantsika tokoa, mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra, afa-tsy amin’ny fahotana FAA 22, §2..
Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682