CCC 494

I Maria, tamin’ny filazana fa Izy no hiteraka “ny Zanaky ny Avo indrindra” tsy amin’ny fahalalana lahy fa noho ny herin’ny Fanahy Masina jer. Lk 1,28-37., dia namaly tamin’ny “fanekem-pinoana” (Rôm 1,5) hoe : “Inty aho mpanompovavin’ny Tompo ; aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1,37-38), satria tsy nisalasala izy fa “tsy misy ny tsy hain’Andriamanitra atao”. Noho izany fankatoavany ny Tenin’Andriamanitra izany, dia nanjary Renin’i Jesoa i Maria, ary noho izy nanaraka tamin’ny fony manontolo, tsy voakasi-pahotana, ny sitrapon’Andriamanitra momba ny famonjena, dia nanolotra ny tenany manontolo tamin’ny Zanany sy ny tsanganasany, ka hanompo Azy sy hiankina Aminy ary hiaraka Aminy, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, mba hanatanteraka ny misterin’ny Fanavotana jer. FF 56. :

Araka ny voalazan’i Md Irénée, “noho ny faneken’i Maria, dia nanjary antony nahazoana famonjena izy, ho an’ny tenany sy ho an’ny taranak’olombelona rehetra” Haer. 3, 22, 4.. Tahaka izany, betsaka amin’ny Aban’ny Fiangonana tany aloha tany no niombon-kevitra taminy, nilaza hoe : “Ny olana vokatry ny tsy faneken’i Eva, dia voavaha tamin’ny faneken’i Maria ; izay namatotra an’i Eva virjiny tamin’ny tsy finoany, dia novahan’i Maria Virjiny tamin’ny finoany” jer. ibid. ; amin’ny fampitahana an’i Maria sy i Eva, dia antsoin’izy ireo hoe “ilay Renin’ny velona” i Maria, ary ambarany matetika hoe : “Avy amin’i Eva ny fahafatesana, fa avy amin’i Maria ny fiainana” FF 56..

Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682