CCC 536
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ny Batemin’i Jesoa, ho Azy, no fanekena sy fisantarana ny iraka maha-Mpanompo mijaly Azy. Nanaiky ho anisan’ny mpanota Izy jer. Iz 53,12. ; efa “ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao” Izy (Jo 1,29) ; nataony mialoha sahady ny “batemin’ny” fahafatesany handatsahany ny rany jer. Mk 10,38; Lk 12,50.. Tonga sahady Izy “hanatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Mt 3,15), izany hoe hankato manontolo ny sitrapon’ny Rainy : nekeny amim-pitiavana io batemim-pahafatesana io ho famelana ny fahotantsika jer. Mt 26,39.. Tamin’io fanekena io no namalian’ny feon’ny Ray izay nankasitraka manontolo ny Zanany jer. Lk 3,22; Iz 42,1.. Ny Fanahy, izay ananan’i Jesoa tanteraka hatramin’ny niforonany tao am-bohoka, no tonga “nitoetra” teo amboniny jer. Jo 1,32-33; Iz 11,2.. Izy no ho loharanon’izany ho an’ny olombelona rehetra. Tamin’ ny Bateminy no “nisokatra ny lanitra” (Mt 3,16) izay nohidian’ny fahotan’i Adama ; ary nohamasinin’ny fidinan’i Jesoa sy ny Fanahy ny rano, izay fambara ny fahariana vaovao.
Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682