CCC 553
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Nanankinan’i Jesoa fahefana manokana i Piera : “Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra : na inona na inona hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy any an-danitra, ary na inona na inona hovahanao ety an-tany dia ho voavaha any an-danitra” (Mt 16,19). Ilazana ny fanomezam-pahefana hitondra ny tranon’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny Fiangonana, ny hoe : “fahefan’ny fanalahidy”. Nanamafy izany fiadidiana izany i Jesoa, “ilay Mpiandry ondry Tsara” (Jo 10,11), taorian’ny Fitsanganany ho velona : “Fahano ny ondriko” (Jo 21,15-17). Ny fahazoam-pahefana “hamehy sy hamaha” dia midika fahefana hamela ny fahotana, hamoaka hevitra voalanjalanja amin’ny fitambaram-pampianarana momba ny finoana sy ny lalàna ary handray fanapahan-kevitra momba ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny Fiangonana. Nankinin’i Jesoa amin’ny Fiangonana io fahefana io, amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny apôstôly jer. Mt 18,18., ary indrindra ny an’i Piera manokana, ilay izay hany nanankinany miharihary ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra.
Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682