CCC 555
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Nasehon’i Jesoa tao anatin’ny fotoana fohy ny voninahitra maha-Andriamanitra Azy, izay nankaherezany ny fiekem-pinoan’i Piera. Nasehony koa fa mba “hidirana amin’ny voninahiny” (Lk 24,26), dia tsy maintsy mandalo amin’ny Hazofijaliana any Jerosalema Izy. Nahita maso ny Voninahitr’Andriamanitra teo an-Tendrombohitra, i Môizy sy i Elia ; nanambara ny fijalian’ny Mesia ny Lalàna sy ny Mpaminany jer. Lk 24,27.. Sitrapon’ny Ray tokoa ny fijalian’i Jesoa : nanao ny asan’ny Mpanompon’Andriamanitra ny Zanaka jer. Iz 42,1.. Manondro ny fisian’ny Fanahy Masina teo, ny rahona : “Niseho tamin’izany ny Trinite manontolo : ny Ray tamin’ny feo, ny Zanaka tamin’ny maha-Olombelona Azy, ny Fanahy Masina tamin’ny rahona mazava” Md Thomas d’A., s.th. 3,45, 4,ad 2. :
Ry Kristy Andriamanitra, niova tarehy teo an-tendrombohitra Ianao, ary nibanjina ny Voninahitrao araka izay azony natao ny mpianatrao, mba hahazoan’izy ireo an-tsaina, rahefa hahita Anao hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, fa an-tsitrapo no nijalianao, ary mba hitorian’izy ireo amin’izao tontolo izao fa Ianao marina no famirapiratan’ny Ray Litorzia bizantinina, « Kontakion »’ny fetin’ny Fiovan-tarehy..
Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682