CCC 596
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Tsy nitovy hevitra ireo mpitondra ara-pivavahana tao Jerosalema ny amin’ny fihetsika tokony hatao eo anatrehan’i Jesoa jer. Jo 9,16; 10,19.. Ireo Farisianina nandrahona fa horoahina hiala ao amin’ny sinagôga ireo izay manaraka Azy jer. Jo 9,22.. Tamin’ireo izay natahotra fa “hino an’i Jesoa ny olona rehetra ka ho avy ny Rômanina handrava ny Toerana Masintsika sy ny firenentsika” (Jo 11,48), no namoahan’i Kaifa mpisorombe hevitra tamin’ny faminaniana hoe : “Tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo” (Jo 11,50). Ny Sanedrìna dia nanambara fa “mendrika ho faty” i Jesoa jer.Mt 26,66. amin’ny maha-mpiteny ratsy an’ Andriamanitra Azy, saingy noho ny tsy fananan’izy ireo fahefana hanameloka ho faty jer. Jo 18,31., dia natolotr’izy ireo ny Rômanina i Jesoa tamin’ny niampangana Azy ho mpikomy ara-pôlitika jer. Lk 23,2., mba hitovy laharana amin’i Barabasy voampanga fa “nitarika fikomiana” (Lk 23,19). Fandrahonana ara-pôlitika ihany koa no nampiasain’ireo lohandohan’ny mpisorona hanerena an’i Pilaty mba hanamelohany an’i Jesoa ho faty jer. Jo 19,12.15.21..
Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682