CCC 6
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ny katesezy, izay tsy mifangaro amin’ny pastôraly sy ny fanirahana ny Fiangonana, dia mifandray amin’ny singafototra vitsivitsy momba ny andraikitra pastôralin’ny Fiangonana, izay ananan’izy ireny endrika katesezy, izay anomanan’izy ireny katesezy, na izay vokatr’izany : fitoriana voalohany ny Evanjely na asam-pitoriana maha-misiônera mba hiteraka finoana ; fikarohana ny antony inoana ; fahalalana azo tamim-pahazarana momba ny fiainana kristianina ; fankalazana ny sakramenta ; fampidirana manontolo ho isan’ny ankohonam-piangonana ; fijoroana vavolombelona maha-apôstôly sy maha-misiônera jer. CT 18..