CCC 635
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Nidina tany amin’ny hantsan’ny fahafatesana àry i Kristy jer. Mt 12,40; Rôm 10,7; Efez 4,9., mba “handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka ireo izay handre izany dia ho velona” (Jo 5,25). I Jesoa “ilay Tompon’ny aina” (Asa 3,15), dia “nahatonga ho tsy manan-kery tamin’ny fahafatesany, ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, izany hoe ny devoly, sy nanafaka an’izay rehetra niharan’ny fanandevozana, nandritra ny andro rehetra niainany, noho ny tahotra ny fahafatesana” (Heb 2,14-15). Nanomboka tamin’izay, i Kristy nitsangan-ko velona “no mitana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Hadesy” (Apôk 1,18) ary “handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, ny any an-danitra, ny ety an-tany, ary ny any ambanin’ny tany” (Filip 2,10). Fahanginana lehibe no manjaka eto an-tany anio, fahanginana lehibe sy toera-mangina lehibe. Fahanginana lehibe satria matory ny Mpanjaka. Nihorohoro ny tany ary nitony satria matory ao amin’ny nofo Andriamanitra sy nandeha namoha an’ireo izay natory hatramin’ny taonjato maro (…) Lasa nitady an’i Adama Izy, ilay voalohany Raintsika, ilay ondry very. Tiany ny handeha hamangy an’ireo izay nipetraka tao anatin’ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana. Lasa Izy mba hanafaka ny fahorian’i Adama amin’ny fatorana, sy ny fahorian’i Eva, babo miaraka aminy. Izy Ilay sady Andriamanitr’izy ireo no Zanak’izy ireo (…) “Izaho no Andriamanitrao, ary noho ianao, dia tonga Zanakao Aho. Mifohaza ianao, ianao izay natory, satria Izaho tsy nahary anao mba hitoeranao voafatotra aty amin’ny afobe. Mitsangàna amin’ny maty ianao, fa Izaho no Fiainan’ireo maty” Toriteny fahiny fanao tamin’ny Sabotsy Masina..
Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682