CCC 8

Fotoan-dehibe koa ho an’ny katesezy ny fotoam-pihavaozana teo amin’ny Fiangonana. Hita izany tamin’ny vaninandro lehibe faha-Aban’ny Fiangonana, fa nanokanan’ireo Eveka masina ampahany betsaka izany tamin’ny andraiki-panompoana nosahanin’izy ireo. Tahaka an-dry Md Cyrille de Jérusalem sy Md Jean Chrysostome, ry Md Ambroise sy Md Augustin, sy ny Aba maro hafa, izay maharitra ho môdelin’ny asa soratra momba ny katesezy nataon’izy ireo.

Vakio ny toko manontolo Teny mialoha ¶1–25