CCC 9
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ao amin’ireo Kônsily no anovozan’ny andraiki-panompoana amin’ny katesezy ny hery vaovao lalandava. Anisan’ny ohatra anamafisana izany ny Kônsily tao Trente : nataony loha laharana tamin’ireo lalàm-panorenana sy sori-dalana navoakany ny katesezy ; izy no “vy nahitana sy angady nananana” ny Katesizy Rômanina izay nampitondraina koa ny anarany, sady sangan’asa zary famintinana ny fitambaram-pampianarana kristianina ; izy no nahatonga tao amin’ny Fiangonana ny fandaminan-drafitra mampitolagaga momba ny katesezy ; izy no nitarika ny famoaham-boky katesizy maro be, noho ny ezaka amam-piniavan’ireo Eveka masina sy teôlôjianina, toa an’i Md Pierre Canisius, i Md Charles Borromée, i Md Toribio de Mogrovejo na i Md Robert Bellarmin.