3. Ny valin-tenin’ny olombelona amin’Andriamanitra

Amin’ny alalan’ny Fanambaràny, izay “avy amin’ny haben’ny fitiavany, no miteny amin’ny olombelona toy ny sakaizany Andriamanitra tsy hita maso, sy miresaka amin’izy ireo mba hanasa azy ireo hiditra ao amin’ny fiombonana miaraka Aminy, ary mandray azy ireo ao amin’io fiombonana io” FA 2.. Ny finoana no valin-teny sahaza izany fanasana izany.

Amin’ny alalan’ny finoana ny olombelona no mampanaiky tanteraka ny sainy sy ny sitrapony amin’Andriamanitra. Amin’ny tenany manontolo no anehoan’ny olombelona ny fankasitrahany an’Andriamanitra Mpanambara jer. FA 5.. “Fanekem-pinoana” no iantsoan’ny Soratra Masina izany valin-tenin’ny olombelona amin’Andriamanitra manambara izany jer. Rôm 1,5; 16,26..

1.Izaho mino

I.Ny fanekena amim-pinoana

Ny manaiky (ob-audire) amin’ny finoana, dia ny mankato an-kalalahana ny teny nohenoina, satria ny fahamarinany dia iantohan’Andriamanitra, ilay Fahamarinana rahateo ihany. I Abrahama no môdely asehon’ny Soratra Masina antsika amin’izany fanekena izany, ary i Maria Virjiny no nahatanteraka izany tamin’ny fomba lavorary indrindra.

Abrahama – “ilay rain’ny mpino rehetra”

Ny Taratasy ho an’ny Hebrio, ao amin’ny fiderana lehibe ny finoan’ireo razana, dia manantitrantitra indrindra ny amin’ny finoan’i Abrahama : “Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany” (Heb 11,8) jer. Jen 12,1-4.. Noho ny finoana, dia niaina toy ny vahiny sy mpivahiny tao amin’ny Tany nampanantenaina izy jer. Jen 23,4.. Noho ny finoana, dia nitoe-jaza i Sara ka niteraka ny zanaky ny fampanantenana. Farany, noho ny finoana no nanoloran’i Abrahama ny zanany lahitokana ho sorona jer. Heb 11,17..

Tanterak’i Abrahama araka izany ny famaritana ny atao hoe finoana lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio : “Ny finoana no antoky ny soa izay antenaina, porofon’ny zava-misy izay tsy hita maso” (Heb 11,1). “Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinany” (Rôm 4,3) jer. Jen 15,6.. Noho izany “finoana mahery” izany (Rôm 4,20), dia tonga “rain’ireo rehetra izay hino” i Abrahama (Rôm 4,11.18) jer. Jen 15,5..

Maro tsy tambo isaina ny porofo ao amin’ny Testamenta Taloha, ny amin’ izany finoana izany. Ny Taratasy ho an’ny Hebrio dia manao antso avo ny fiderana ny finoana soa fianatra niveloman’ny Ntaolo, “izay nahatsara laza azy ireo” (Heb 11,2.39). Kanefa “anjara tsaratsara kokoa no notsinjovin’ Andriamanitra ho antsika” : ny fahasoavana ahafahana mino an’i Jesoa Zanany, “filohan’ny finoantsika, izay mitondra izany finoana izany ho amin’ ny fahalavorariana” (Heb 11,40 ; 12,2).

Maria – “Sambatra ilay nino”

I Maria Virjiny no nanatanteraka tamin’ny fomba lavorary indrindra ny fanekem-pinoana. Tamim-pinoana no nandraisany ny filazana sy ny fampanantenana nolazain’ny anjely Gabriely, sy nitokiany fa “tsy misy ny tsy hain’Andriamanitra atao” (Lk 1,37) jer. Jen 18,14., ka nanomezany ny fankatoavana hoe : “Inty aho mpanompovavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1,38). Niarahaba azy i Elizabeta hoe : “Sambatra ilay nino, fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy” (Lk 1,45). Noho io finoana io no mahatonga ny taranaka rehetra hanambara azy hoe sambatra jer. Lk 1,48..

Nandritra ny androm-piainany manontolo, ka hatramin’ny fisedrana azy farany jer. Lk 2,35., fony maty teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa Zanany, tsy nivembena ny finoany. Tsy nitsahatra nino ny “fahatanterahan’ny” Tenin’Andriamanitra taminy i Maria. Koa izany indrindra no anajan’ny Fiangonana ao amin’i Maria ny fanatanterahana mangarangarana indrindra ny finoana.

II.“Fantatro ilay izay inoako” (2 Tim 1,12)

Mino an’Andriamanitra tokana

Ny finoana aloha dia firaiketan’ny olona tsirairay amin’Andriamanitra ; sady miaraka no tsy azo sarahina amin’ny fankatoavana an-kalalahana ny marina rehetra izay nambaran’Andriamanitra izany. Noho ny maha-firaiketan’ny olona tsirairay amin’Andriamanitra sy fankatoavana ny marina izay nambarany ny finoana, dia tsy mitovy amin’ny finoana tsangan’olona iray ny finoana kristianina. Mendrika sy rariny ny manankina ny tena manontolo amin’Andriamanitra sy ny mino tanteraka izay nolazainy. Tsinontsinona sady diso ny mametraka ny finoana toy izany amin-javaboary jer. Jer 17,5-6; Sal 40,5; 146,3-4..

Mino an’i Jesoa-Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra

Ho an’ny kristianina, ny mino an’Andriamanitra dia tsy azo sarahina amin’ ny mino an’Ilay izay nirahiny, dia “ny Zanany malalany” izay ankasitrahany indrindra jer. Mk 1,11. ; nilazan’Andriamanitra isika hihaino Azy jer. Mk 9,7.. Ny Tenan’Izy Tompo rahateo ihany no nilaza tamin’ny mpianany hoe : “Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa” (Jo 14,1). Afaka mino an’i Jesoa-Kristy isika satria Andriamanitra rahateo ihany Izy, ilay Teny tonga nofo : “Tsy nisy nahita maso an’Andriamanitra na oviana na oviana ; ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy” (Jo 1,18). Satria Izy no “nahita maso ny Ray” (Jo 6,46), Izy irery no mahalala Azy sy afaka manambara Azy jer. Mt 11,27..

Mino ny Fanahy Masina

Tsy afaka mino an’i Jesoa-Kristy raha tsy manana anjara amin’ny Fanahiny. Ny Fanahy Masina no manambara amin’ny olombelona hoe iza moa i Jesoa ? Satria “tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy avy amin’ny asan’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). “Mamantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, hatramin’izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra (…) Tsy misy mahalala izay momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany” (1 Kôr 2,10-11). Andriamanitra irery no mahalala an’ Andriamanitra manontolo. Mino ny Fanahy Masina isika satria Andriamanitra Izy. Tsy mitsahatra manambara ny finoany an’Andriamanitra tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina ny Fiangonana.

III.Ny toetra mampiavaka ny finoana

Fahasoavana ny finoana

Rahefa niaiky i Md Piera fa i Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona, dia nambaran’i Jesoa azy fa izany fanambaràna izany dia tsy tonga tao aminy “avy amin’ny nofo aman-dra, fa avy amin’ny Rainy izay any an-danitra” (Mt 16,17) jer. Gal 1,15-16; Mt 11,25.. Fanomezan’Andriamanitra ny finoana, herim-panahy mihoatra ny natoraly nampitain’Andriamanitra. Mba ho voaraikitra izany finoana izany, ilain’ny olombelona ny fahasoavana mahakolokolo sy mitahy avy amin’ Andriamanitra, ary koa ny vonjy anaty avy amin’ny Fanahy Masina. Izy io no manohina ny fo sy mampitodika izany any amin’Andriamanitra, manokatra ny masom-panahy ary manome “ho an’ny rehetra ny hamamiana eo am-panekena sy eo am-pinoana ny fahamarinana” FA 5..

Asan’olombelona ny finoana

Tsy mety ho tanteraka ny hoe mino raha tsy amin’ny alalan’ny fahasoavana sy ny vonjy anaty avy amin’ny Fanahy Masina. Izany anefa tsy mandiso velively ny hoe ny mino dia tena asan’olombelona tokoa. Tsy mifanohitra na amin’ny fahafahana na amin’ny fisainan’ny olombelona ny matoky an’ Andriamanitra sy ny mifikitra amin’ny fahamarinana nambarany. Na amin’ny fifandraisan’ny samy olombelona aza moa, tsy mifanohitra amin’ny fahamendrehan’ny tenantsika ny mino izay ambaran’ny olon-kafa amintsika momba ny tenan’izy ireo sy momba ny fikasany aman’eritreritr’izy ireo, sy ny matoky ny fampanantenan’izy ireo (ohatra : rahefa hivady ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray), mba hidirana araka izany ao amin’ny fifampiombonana. Koa noho izany, vao mainka tsy mifanohitra amin’ny fahamendrehantsika ny “maneho amin’ny finoana ny fankatoavana feno sy manontolo avy amin’ny saina amam-pahalalantsika sy ny sitrapontsika takìn’Andriamanitra izay manambara” Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., ka hidirana araka izany amin’ny fiombonana lalina miaraka Aminy.

Amin’ny finoana, ny saina amam-pahalalana sy ny sitrapon’olombelona dia miara-miasa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra : “Ny mino dia asan’ny saina mifikitra amin’ny fahamarinan’Andriamanitra, eo ambany fibaikoan’ ny sitrapo hetsehin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahasoavana” Md Thomas d’A., s. th. 2-2, 2, 9; jer. koa Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..

Ny finoana sy ny fahatakaran’ny saina

Ny antony inoana dia tsy hoe noho ny marina nambara, izay hita fa marina sy mora azo an-tsaina eo ambany fahazavan’ny saintsika voa-Janahary. Fa mino isika “noho ny hery mampino avy amin’Andriamanitra ihany izay manambara, sady tsy mety ho diso no tsy mamitaka antsika” Ibid., DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. “Kanefa, mba hifanaraka amin’ny saina ny marina ambara amin’ny finoantsika, dia sitrak’ Andriamanitra ho arahin’ny porofo ety ivelany amin’ny Fanambaràny, ny vonjy ao anaty avy amin’ny Fanahy Masina” Ibid., DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Araka izany, ny zava-mahagaga nataon’i Kristy sy ny olomasina jer. Mk 16,20; Heb 2,4., ny faminaniana, ny fielezan’ny Fiangonana sy ny fahamasinany, ny fahavokarany sy ny tsy fiovaovàny, “dia famantarana azo antoky ny Fanambaràna, mifanaraka amin’ny fahatakarana rehetra ananan’ny saina” jer. Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., “antony ahafahana mino” izay mampiseho fa ny fankatoavana ny finoana dia “tsy fihetsehana an-jamban’ny saina velively” Ibid., DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..

Azo antoka ny finoana, azo antoka kokoa noho izay rehetra mety ho fahalalan’olombelona, satria miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra rahateo ihany, izay tsy mahavita mandainga. Marina, fa mety ho maizina amin’ny saina sy amin’ny fahalalana azo tamim-pahazaran’ny olombelona ny marina nambara, kanefa “ny fahazoana antoka ny marina, izay avy amin’ny fitsilovan’Andriamanitra, dia lehibe kokoa noho izay avy amin’ny fahalalan’ ny saina voa-Janahary fotsiny izao” Md Thomas d’A., s. th. 2-2, 171, 5, obj. 3.. “Tsy ny zava-tsarotra tsy tambo isaina no mahatonga singam-pisalasalana” Newman, apol..

“Miezaka hahazo an-tsaina, ny finoana” Md Aselme, prosl. prooem. : Tsy afa-misaraka amin’ny finoana ny fanirian’ny mpino hahalala tsaratsara kokoa an’Ilay izay nametrahany ny finoany, sy hahazo an-tsaina tsaratsara kokoa an’Ilay izay nambarany ; avy eo ny fahalalana lalim-paka kokoa hiantso finoana lehibe kokoa sy hiredaredan’ny fitiavana misimisy kokoa. Ny fahasoavana amin’ny finoana no manokatra “ny masom-panahy” (Efez 1,18) ho amin’ny fahatakaran’ny saina kinga ny zava-boarakitry ny Fanambaràna, izany hoe ny fitambaran’ny fandaharan’Andriamanitra sy ny misterin’ny finoana, ny fifamotaran’izy ireo amin’ny samy izy ireo sy amin’i Kristy, foiben’ny mistery nambara. Ary mba ho “lalindalina kokoa hatrany ny fahatakaran’ny saina ny Fanambaràna, dia tsy mitsahatra ny Fanahy Masina mandavorary bebe kokoa ny finoana, amin’ny alalan’ny fanomezany” FA 5.. Araka izany, hoy ny ohabolam-pahendren’i Md Augustin manao hoe : “Mino aho mba hahazo an-tsaina ary mahazo an-tsaina aho mba hino tsaratsara kokoa” Serm. 43, 7, 9..

Finoana sy siansa. “Na dia ambonin’ny saina aza ny finoana, tsy mety hisy na oviana na oviana ny tena tsy fifanarahana tokoa eo amin’izy ireo. Satria ilay Andriamanitra izay manambara ny mistery sy mampita ny finoana, dia Izy ihany no mandrotsaka ao an-tsain’ny olombelona ny fahazavan-tsaina, ka tsy afaka handà Azy Tenany Andriamanitra, ary ny marina tsy afaka hanohitra na oviana na oviana ny marina” Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. “Noho izany, ny fikarohana amin’ny fomba voarindra, eo amin’ny sehatry ny fahaizana amam-pahalalana rehetra, raha toa izany ka entina amin’ny fomba tena ara-tsiansa tokoa sy raha manaraka ny fitsipika ara-moraly, dia tsy hifanohitra na oviana na oviana marina mihitsy amin’ny finoana : ny zava-misy tsy mikasika ny fivavahana sy ny zava-misy momba ny finoana dia ahita ny fiandohan’izy ireo ao amin’ Andriamanitra iray ihany. Fanampin’izany, ny olona izay miezaka amim-pitozoana sy amim-panetren-tena, hahafantatra ireo tsiambaratelon’ny zavatra maro samihafa, dia toy ny tarihin’ny tanan’Andriamanitra, izay manohana ny zavatra rehetra misy sy manao azy ireo ho araka ny toetrany avy, na dia tsy ao an’eritreriny aza izany” FAA 36, § 2..

Ny fahafahana amin’ny finoana

Mba ho araka ny maha-olombelona, “tokony ho an-tsitrapo ny valim-pinoana omeny an’Andriamanitra ; noho izany, tsy misy azo terena hanaraka ny finoana tsy sitrany. Satria, ny asam-pinoana dia manana izay toetra tsy terena, tsy vozonana izay, araka ny tena fombany” DH 10; jer. koa CIC, can. 748, § 2.. “Marina fa miantso ny olombelona Andriamanitra hanompo Azy amin’ny fanahy sy fahamarinana ; ka na dia mandidy ny olona amin’ny kônsiansy aza io antso io, tsy manery azy akory. (...) Tao amin’i Kristy Jesoa no niseho mazava dia mazava izany” DH 11.. Satria nitaona ny olona ho amin’ny finoana sy ny fibebahana i Kristy, fa tsy nanery ny amin’izany mihitsy Izy. “Nanambara ny marina Izy, kanefa tsy sitrany ny nanao amboletra izany tamin-kery tamin’ireo mpanohitra Azy. Ny fanjakany (…) dia miitatra noho ny fitiavana izay itarihan’i Kristy voasandratra teo amin’ny Hazofijaliana, ny olombelona rehetra ho eo Aminy” DH 11..

Ny ilana ny finoana

Ny mino an’i Jesoa-Kristy sy an’Ilay izay naniraka Azy ho famonjena antsika, dia ilaina mba hahazoana io famonjena io jer. Mk 16,16; Jo 3,36; 6,40 snm.. “Satria “raha tsy misy ny finoana (…), dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra” (Heb 11,6), ary tsy afaka mahazo anjara amin’ny toetra maha-zanany ; tsy misy olona hahita fanamarinana na oviana na oviana raha tsy misy finoana, ary tsy misy olona hahazo ny fiainana mandrakizay raha “tsy maharitra amin’ny finoana hatramin’ny farany” (Mt 10,22; 24,13)” Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. koa Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..

Ny fitozoana amin’ny finoana

Fanomezana maimaim-poana nataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona ny finoana. Afaka manary io fanomezana sarobidy io isika ; nampitandrina an’i Timôte ny amin’izany i Md Paoly hoe : “Miadia amin’ny ady tsara, hananana finoana sy kônsiansy tsara ; niala tamin’izany ny sasany ka rendrika tamin’ny finoana” (1 Tim 1,18-19). Mba hivelona, hitombo, sy hitozo hatramin’ny farany amin’ny finoana, dia tsy maintsy velomintsika amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra izany ; tsy maintsy mangataka amin’ ny Tompo isika, mba hampitombo an’izany jer. Mk 9,24; Lk 17,5; 22,32. ; tsy maintsy “ny fitiavana no hery manetsika” io finoana io (Gal 5,6) jer. Jak 2,14-26., tsy maintsy ny fanantenana no mitondra azy jer. Rôm 15,13., ary tsy maintsy miorim-paka ao amin’ny finoan’ny Fiangonana izy.

Ny finoana – fanombohan’ny fiainana mandrakizay

Ny finoana no mahatonga antsika manandrana dieny mialoha ny hafaliana sy ny hazavan’ny fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra, tanjon’ny diantsika ety an-tany. Rahatrizay, hahita an’Andriamanitra “mifanatrika” isika (1 Kôr 13,12), “araka ny tena toetrany” (1 Jo 3,2). Efa fanombohan’ny fiainana mandrakizay sahady izany ny finoana :

Raha mbola amin’izao fiainana izao, dia mibanjina ny soa avy amin’ny finoana isika, toy ny taratra ao amin’ny fitaratra, tahaka ny hoe efa manana sahady ny zava-mahatalanjona, izay ny finoantsika no miantoka antsika fa ho finaritra amin’izany isika indray andro any Md Basile, Spir. 15,36; jer. koa Md Thomas d’A., s. th. 2-2, 4, 1..

Ankehitriny anefa, “mizotra ao amin’ny finoana isika, fa tsy amin’ny fahitana” (2 Kôr 5,7), ary “toy ny ao amin’ny fitaratra, ka tsy hita mazava, (…), tsy lavorary” (1 Kôr 13,12) no ahalalantsika an’Andriamanitra. Na mibaribary avy ao amin’Ilay izay inoana aza ny finoana, dia matetika ao anatin’ny maizina no iainana izany. Mety mandalo fitsapan-toetra izany. Ny tontolo izay iainantsika matetika no toa lavitra tokoa an’izay iantohan’ny finoana antsika ; ny fahalalana azo tamim-pahazarana momba ny ratsy sy ny fijaliana amam-pahoriana, ny tsy fahamarinana sy ny fahafatesana, dia toa manohitra ny Vaovao Mahafaly ; mety hanozongozona ny finoana izy ireny, ary manjary fakam-panahy ho an’ny finoana.

Amin’izany isika no tsy maintsy mitodika mankamin’ireo vavolombelon’ny finoana : I Abrahama, izay nino “ary nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenana aza” (Rôm 4,18) ; i Maria Virjiny, “nandroso tamin’ny lalan’ny finoana” FF 58., ka tafapaka hatramin’ny “haizin’ny finoana” Joany Paoly II, RM 17. raha niombona fijaliana tamin’ny Zanany sy ny haizina mikitroky ny fasany Ibid., RM 18. ; ary ny hafa maro vavolombelon’ny finoana : “Noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany, dia aoka isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra sy ny fahotana izay mangeja antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, mibanjina an’ilay filohan’ny finoantsika, izay mitondra ny finoana amin’ny fahalavorariana, dia i Jesoa” (Heb 12,1-2).

2.Mino isika

Asan’ny tsirairay ny finoana : valin-teny an-kalalahan’ny olombelona avy amin’ny fanombohan’Andriamanitra manambara ny Tenany. Kanefa tsy asa mandeha singany ny finoana. Tsy misy afaka mino irery, tahaka ny tsy hahafahana miaina irery. Tsy misy afaka manome ny finoana amin’ny tenany ihany tahaka ny tsy hahafahana manome ny aina amin’ny tenany ihany. Nandray ny finoana tamin’ny hafa ny mpino, ka tsy maintsy mampita izany amin’ny hafa. Ny fitiavantsika an’i Jesoa sy ny olombelona no manosika antsika hiteny ny finoantsika amin’ny hafa. Araka izany, ny mpino tsirairay dia sahala amin’ny mason-drojo iray ao anatin’ny rojo ben’ny mpino. Tsy afaka hino aho raha tsy tohanan’ny finoan’ny hafa, ary amin’ny alalan’ny finoako no andraisako anjara hanohana ny finoan’ny hafa.

“Izaho mino” Sembolin’ny Apôstôly.: izany no finoan’ny Fiangonana ambaran’ny mpino tsirairay, indrindra amin’ny fotoana andraisana ny Batemy. “Mino izahay” Sembolin’i Nicée-Constantinople, amin’ny teny grika. : izany no finoan’ny Fiangonana ambaran’ny Eveka tafavory amin’ny Kônsily, na matetika amin’ny fiaraha-miangona ataon’ny mpino amin’ny litorzia. “Izaho mino” : hoy koa ny Fiangonana, Renintsika, izay manoina an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoany, sy mampianatra antsika hanambara hoe : “Izaho mino”, “Mino izahay”.

I.“Jereo, ry Tompo, ny finoan’ny Fiangonanao”

Ny Fiangonana aloha no mino, ary amin’izany no itondrany sy amelomany ary anohanany ny finoako. Ny Fiangonana aloha, hatraiza hatraiza, no manambara ny Tompo (“Ianao, amin’ny alalan’izao tontolo rehetra izao, no ambaran’ny Fiangonana Masina ho Tompony”, hiraintsika izany ao amin’ny “Te Deum”), ary miaraka aminy sy ao aminy, taominy sy entiny isika hanambara ihany koa hoe : “Izaho mino”, “Mino izahay”. Amin’ny alalan’ny Fiangonana isika no mandray amin’ny Batemy ny finoana sy ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy. Ao amin’ny “Bokin-damesa Rômanina” (Rituale Romanum), dia anontanian’ny mpandraharahan’ny Batemy ny katekomena hoe : “Inona no angatahinao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra ? Ny valin-teny dia hoe : - Ny finoana. – Mampahazo anao inona ny finoana ? – Ny fiainana mandrakizay” OICA 75 sy 247..

Avy amin’Andriamanitra irery ihany ny famonjena ; kanefa noho isika mandray ny fiainam-pinoana amin’ny alalan’ny Fiangonana, dia izy izany no renintsika : “Mino ny Fiangonana ho Reny miteraka antsika amin’ny fahateraham-baovao isika, fa tsy amin’ny Fiangonana tahaka ny hoe izy no tompon’antoky ny famonjena antsika” Faustus de Riez, Spir. 1, 2.. Satria izy no renintsika, dia izy koa izany no mpanabe ny finoantsika.

II.Ny fiteny ilazana ny finoana

Tsy amin’ny rijan-teny no inoantsika, fa amin’ny zavatra tena izy izay ambarany, ary ny finoana no ahafahantsika “mahatsapa” izany. “Tsy mijanona fotsiny amin’ny filazana, ny asan’(ny finoan’)ny mpino, fa mipaka hatrany amin’ny zavatra tena izy (lazaina)” Md Thomas d’A., s. th. 2-2, 1, 2, ad 2.. Kanefa, ireny zavatra tena izy ireny dia atonintsika amin’ny alalan’ireo rijan-teny namintinana ny finoana. Ireo rijan-teny ireo kosa no ahafahana maneho sy mampita ny finoana, mankalaza azy eo amin’ny ankohonam-piangonana, mitsakotsako azy sy mivelona aminy bebe kokoa.

Ny Fiangonana, izay “andry sy tohan’ny fahamarinana” (1 Tim 3,15), dia mitahiry araka ny tena izy ny finoana nampitaina indray mandeha ihany tamin’ny olomasina jer. Joda 1,3.. Izy no mitahiry ny fahatsiarovana ny Tenin’i Kristy, izy no mampita amin’ny taranaka mifandimby ny fiekem-pinoan’ny apôstôly. Tahaka ny ampianaran’ny reny ny zanany hiteny, ary amin’izany koa no ampianarany hahazo izay lazainy sy hampita izany, no ampianaran’ny Fiangonana Renintsika antsika ny fiteny ilazana ny finoana mba hampiditra antsika ao amin’ny fahalalana ny finoana sy ny fiainana izany.

III.Iray ihany ny finoana

Ny Fiangonana, hatramin’izay taonjato nifandimby izay, amin’ny alalan’ny fiteny maro, kolontsaina maro, vahoaka ary firenena maro, dia tsy mitsahatra manambara ampahibemaso ny finoany tokana, noraisina tamin’ny Tompo iray, nampitaina tamin’ny Batemy iray, mifaka ao anatin’ny fiekena tanteraka fa ny olombelona rehetra dia tsy manana afa-tsy Andriamanitra iray sady Ray jer. Efez 4, 4-6.. I Md Irénée de Lyon, vavolombelon’izany finoana izany, dia manambara hoe :

“Satria, ny Fiangonana, na dia miely amin’ny tany tontolo ka tonga hatrany amin’ny fara vazan-tany aza, noho izy nandray ny finoana avy amin’ny apôstôly sy avy amin’ny mpianatr’izy ireo (…), dia mitahiry izany fitoriana izany sy izany finoana izany amim-pitandremana, toy ny hoe tsy mipetraka afa-tsy amin’ny trano iray ihany, mino izany amin’ny fomba mitovy, toy ny hoe tsy manana afa-tsy fanahy iray ihany sy fo iray ihany, ary dia mitory izany, mampianatra izany, miombom-peo amin’ny fampitana izany, toy ny hoe tsy manana afa-tsy vava iray ihany” Haer. 1, 10, 1-2..

“Satria, na samy hafa aza ny fiteny manerana ny tany, ny zava-boarakitry ny Lovam-pampianarana dia iray ihany ary mitovy tsy misy valaka. “Ary na ny Fiangonana miorina any Germanie, na ireo izay any amin-dry zareo Ibères, na ireo izay any amin-dry zareo Celtes, na ireo any Atsinanana, any Ejipta, any Libia, na ireo izay miorina eo afovoan’izao tontolo izao, dia tsy manana finoana hafa na Lovam-pampianarana hafa …” Ibid., 1, 10, 2. “Marina sy mafy orina àry ny hafatry ny Fiangonana, satria ao aminy no isehoan’ny lalam-pamonjena tokana manenika an’izao tontolo izao” Ibid., 5, 20, 1..

“Tandremantsika fatratra io finoana izay noraisintsika tamin’ny Fiangonana io, satria noho ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra, tahaka ny tahiry sarobidy voahidy ao anatin’ny tavoara tsara, dia tsara ny manavao sy manatanora tsy an-kijanona an’ilay tavoara mirakitra izany” Ibid., 3, 24, 1..

Ny finoana dia firaiketan’ny olombelona tsirairay amin’Andriamanitra izay manambara ny Tenany. Izany dia miaraka amin’ny firaiketan’ny saina aman-tsitrapo amin’ny Fanambaràna nataon’ny Tenan’Izy Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo asany sy ireo teniny.

Misy roa àry ny endrika isehoan’ny “mino” : amin’ny olona sy amin’ny fahamarinana ; amin’ny fahamarinana noho ny fitokiana an’ilay olona izay milaza marina an’izany.

Tsy tokony hino hafa afa-tsy Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina isika.

Fanomezana mihoatra ny natoraly avy amin’Andriamanitra ny finoana. Mila ny fanampiana anaty avy amin’ny Fanahy Masina ny olona, mba hino.

Ny “mino” dia asan’ny olombelona, mahatsiaro tena sy afaka, izay mifanaraka amin’ny fahamendrehan’ny maha-olombelona.

Ny “mino” dia asan’ny Fiangonana. Ny finoan’ny Fiangonana no mialoha, miteraka, mitondra ary mamelona ny finoantsika. Ny Fiangonana no renin’ny mpino rehetra. “Tsy misy afaka manana an’ Andriamanitra ho Ray raha tsy manana ny Fiangonana ho reny” Md Cyprien, unit. eccl..

“Mino izay rehetra raketin’ny Tenin’Andriamanitra isika, dia izay noraketina an-tsoratra na nampitaina am-bava, ary izay atolotry ny Fiangonana hinoana fa nambaran’Andriamanitra” SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..

Ilaina ho amin’ny famonjena ny finoana. Ny Tenan’Izy Tompo rahateo ihany no manamafy izany fa : “Izay hino ka hatao batemy, dia ho voavonjy ; izay tsy hino, dia hohelohina” (Mk 16,16).

“Ny finoana dia santatry ny fahalalana izay hahatonga antsika ho sambatra any amin’ny fiainan-ko avy” Md Thomas d’A., comp. 1, 2..