1. Ny fivavahana eo amin’ny fiainana kristianina
¶2558–2758
Ao amin’ny Famintinana: F534–577
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
“Lehibe ny misterin’ny finoana”. Ambaran’ny Fiangonana ao amin’ny Sembolin’ny apôstôly izany (fizarana voalohany) ary ankalazainy amin’ny litorzian’ny sakramenta (fizarana faharoa), mba hifanaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanahy Masina, ho voninahitr’Andriamanitra Ray, ny fiainan’ny mpino (fizarana fahatelo). Io mistery io àry dia mitaky ny mba hinoan’ny mpino izany, hankalazany izany ary hiainany izany ao anatin’ny fifandraisana sady maharitra no an’ny tsirairay miaraka amin’Andriamanitra velona sy marina. Izany fifandraisana izany no atao hoe fivavahana. Ho ahy, ny fivavahana dia fientanam-po, fijery tsotra mankany an-danitra, hiakam-pankasitrahana sy fitiavana eo anivon’ny fisedrana toy ny eo anivon’ny hafaliana koa . Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, ms. autob. C 25r..
Fanomezan’Andriamanitra ny fivavahana
“Ny fivavahana dia fanandratana ny fanahy ho amin’Andriamanitra na fangatahana amin’Andriamanitra ny soa sy ny tsara sahaza” . Md Jean Damascène, f.o. 3,24.. Avy amin’ny inona no itenenantsika rahefa mivavaka ? Avy amin’ny haavon’ny fiavonavonantsika sy ny sitrapontsika manokana ve, sa avy amin’ny “halalin’ny” (Sal 130,1) fo manetry tena sy torotoro ? Izay manetry tena no asandratra . jer. Lk 18,9-14.. Ny fanetren-tena no toetra fototra iorenan’ny fivavahana. “Na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika” (Rôm 8,26). Ny fanetren-tena no toe-panahy ilaina handraisana maimaim-poana ny fanomezam-pivavahana : Mahantra mpangataka amin’ Andriamanitra ny olombelona . jer. Md Augustin, serm. 56,6,9..
“Raha mba fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra!” (Jo 4,10). Teo indrindra no niseho ny zava-mahagaga amin’ny fivavahana, teo amoron’ny fantsakana izay hahatongavantsika mba hitady ny ranontsika : eo i Kristy no mihaona amin’ny olombelona rehetra, Izy no voalohany mitady antsika ary Izy no mangataka rano hosotroina. Mangetaheta i Jesoa, avy amin’ny halalim-pitiavan’Andriamanitra izay maniry antsika ny fangatahany Md Grégoire de Naz., or.25, SC 358,261.. Ny fivavahana, na fantatsika izany na tsia, no fihaonan’ny hetahetan’ Andriamanitra sy ny antsika. Ny hananantsika hetaheta Azy no hetahetan’ Andriamanitra . jer. Md Augustin, quaest.64,4..
“Ianao indray aza no ho nangataka izany Taminy, ka homeny rano velona” (Jo 4,10). Valy ara-kevi-manohitra ny vavaka fangatahana ataontsika. Valy amin’ny fitarainan’Andriamanitra velona hoe : “Nafoin’izy ireo Aho, Izaho Loharanon’ny rano velona, fa lavaka no nohadìny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano!” (Jer 2,13), valim-pinoana amin’ny fampanantenana maimaim-poana ny famonjena . jer. Jo 7,37-39; Iz 12,3; 51,1., valim-pitiavana amin’ny hetahetan’ilay Zanaka Lahitokana . jer. Jo 19,28; Zak 12,10; 13,1..
Fifanekem-pihavanana ny fivavahana
Avy aiza ny vavaky ny olombelona ? Na inona na inona fomba filaza ny vavaka (fihetsika sy teny), ny olona manontolo no mivavaka. Kanefa mba hanondroana ny toerana izay ipoiran’ny vavaka, ny Soratra Masina indraindray dia miteny ny fanahy na ny saina, fa ny matetika indrindra dia ny fo (maherin’ny inarivo). Ny fo no mivavaka. Raha lavitra an’ Andriamanitra izy, foana ny fanehoam-bavaka.
Ny fo no fonenana izay misy ahy, izay onenako (araka ny fomba fiteny semitika na ara-baiboly : any amin’izay “idinako”). Izy no ivontsika miafina, tsy takatry ny saintsika na ny hafa ; ny Fanahin’Andriamanitra irery no afaka mitsapa sy mahalala azy. Ny fo no toeran’ny fanapahan-kevitra ao anatin’ny fironan-tsaina amam-panahintsika lalina indrindra. Izy no toeran’ny fahamarinana, ao no isafidianantsika ny fiainana na ny fahafatesana. Izy no toeram-pihaonana, satria amin’ny maha-endrik’Andriamanitra antsika, dia mivelona amin’ny fifandraisana isika : izy no toeran’ny fanekem-pihavanana.
Fifandraisam-pifanekena eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona ao amin’i Kristy ny fivavahana kristianina. Sady asan’Andriamanitra no asan’ olombelona izany ; avy amin’ny Fanahy Masina sy avy amintsika no ipoirany, mankany amin’ny Ray avokoa, amin’ny fampiraisana izany amin’ ny sitrapo maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona.
Fiombonana ny fivavahana
Amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, ny fivavahana no fifandraisana velon’ny zanak’Andriamanitra amin’ny Rain’izy ireo tsara tsy manam-petra, amin’i Jesoa-Kristy Zanany ary amin’ny Fanahy Masina. Ny fahasoavan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia “ny firaisan’ny Trinite Masina manontolo amin’ ny fanahy manontolo” . Md Grégoire de Naz., or. 16,9.. Ny fiainam-bavaka araka izany dia ny fanatrehana amim-pahazarana an’ilay Andriamanitra Masina indrindra sy ho fiombonana Aminy. Azo atao mandrakariva izany fiombonam-piainana izany, satria, tamin’ny alalan’ny Batemy isika no nanjary iray tena amin’i Kristy . jer. Rôm 6,5.. Zary kristianina ny fivavahana noho izy fiombonana amin’i Kristy sy noho izy miitatra ao amin’ny Fiangonana Vatan’i Kristy. Ny halehibeny dia ny halehiben’ny Fitiavan’i Kristy . jer. Efez 3,18-21..
Eo am-pitadiavana an’Andriamanitra ny olombelona. Tamin’ny fahariana no niantsoan’Andriamanitra ny zavatra rehetra avy amin’ny tsy misy ho amin’ny fisiana. Ny olombelona, manarakaraka ny anjely, noho izy nosatrohana voninahitra sy famirapiratana . jer. Sal 8,6., dia afaka miaiky fa lehibe ny anaran’ny Tompo eo amin’ny tany tontolo . jer. Sal 8,2.. Na dia taorian’ny nahavery ny fifanahafan’ny olombelona amin’Andriamanitra noho ny fahotany aza, dia mijanona ho endrik’ilay Mpahary azy ihany izy. Mitahiry ny fanirian’Ilay izay niantso azy ho amin’ny fisiana izy. Mampiseho izany fikatsahana ilain’ny olombelona izany ny antokom-pinoana rehetra . jer. Asa 17,27..
Andriamanitra no miantso voalohany ny olombelona. Ka na manadino ny Mpahary azy aza ny olombelona, na miafina lavitra ny Tavany, ary na manaraka ny sampiny aza ny olombelona, na miampanga an’Andriamanitra ho mandao azy, dia tsy mety sasatra miantso ny olona tsirairay ilay Andriamanitra velona sy marina, mba hihaona Aminy amin’ny fomba mistery amin’ny fivavahana. Izany dingana voalohany amin’ny fitiavan’ Andriamanitra tsy mivadika izany no voalohany lalandava amin’ny fivavahana, fa ny dingana ataon’ny olombelona kosa dia valiny lalandava. Arakaraka ny anambaràn’Andriamanitra ny Tenany sy anambaràny ny olombelona amin’ny tenan’izy olombelona ihany, no isehoan’ny vavaka ho antso mifamaly, ho fitaintainana amin’ny fanekem-pihavanana. Izany fitaintainana izany, amin’ny alalan’ny teny sy ny asa, no milatsaka ao am-po. Niseho izany teny am-pamakivakiana ny tantaram-pamonjena manontolo teny.
1.Ao amin’ny Testamenta Taloha
Ny fanambaràna ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha dia voasoratra eo anelanelan’ny fahalavoan’ny olombelona sy ny fanarenana azy, eo anelanelan’ny antson’alahelon’Andriamanitra tamin’ireo voalohan-janany hoe : “Aiza ianao ? (...) Inona no nataonao ?” (Jen 3,9.13) sy ny valin-tenin’ny Zanaka Lahitokana niditra teto amin’izao tontolo izao (“Inty Aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô !” : Heb 10,7) . jer. Heb 10,5-7.. Ny fivavahana, araka izany, dia mifamatotra amin’ny tantaran’ny olombelona, ary fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny zava-miseho eo amin’ny tantara.
Ny fahariana – loharanon’ny fivavahana
Voalohany indrindra, miainga avy amin’ny zava-misy momba ny fahariana no isehoan’ny fivavahana. Ny toko sivy voalohany amin’ny Jenezy no mamelabelatra izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany, toy ilay fanoloran’i Abela ny voalohan-teraky ny andian’ondry . jer. Jen 4,4., toy ilay fitalahoan’i Enôsy ny anaran’Andriamanitra . jer. Jen 4,26., toy ilay fizorana niaraka tamin’ Andriamanitra . jer. Jen 5,24.. Ny fanatitr’i Nöe dia “nahafinaritra” an’ Andriamanitra izay nitsodrano azy, sy nitsodrano ny voary manontolo tamin’ny alalany . jer. Jen 8,20-9,17., satria mahitsy sy marina ny fony : izy koa “nizotra niaraka tamin’Andriamanitra” (Jen 6,9). Niainan’ny olo-marina tsy tambo isaina teo amin’ny antokom-pinoana rehetra izany toetran’ny fivavahana izany. Andriamanitra, amin’ny fanekem-pihavanana tsy mety levona nataony tamin’ny zavamananaina rehetra, dia miantso lalandava ny olombelona hivavaka Aminy . jer. Jen 9,8-16.. Kanefa, nanomboka indrindra tamin’i Abrahama raintsika no nihariharian’ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha.
Ny fampanantenana sy ny fivavahana atao amim-pinoana
Raha vao nantsoin’Andriamanitra i Abrahama, dia niainga izy, “araka ny tenin’ny Tompo taminy” (Jen 12,4) : “nankatoaviny tanteraka tamin’ny fony ny Tenin’Andriamanitra”, ka nanaiky izy. Ny fihainoan’ny fo izay manapa-kevitra araka an’Andriamanitra no tsy azo avela amin’ny fivavahana, mifandray amin’izany ny teny lazaina. Kanefa ny vavak’i Abrahama dia niseho tamin’ny asa aloha : amin’ny maha-olon’ny fanginana azy, nanorina ôtely ho an’ny Tompo izy, isaky ny toeram-piatoana”. Taty aoriana izay vao niseho ny vavaka voalohany tamin-teny nataony : taraina farimparina mampahatsiahy an’Andriamanitra ny fampanantenany izay tahaka ny tsy ho tanteraka . jer. Jen 15,2-3.. Hatrany am-piandohana, araka izany, no efa nitranga ny anankiray amin’ireo endri-java-mahatahotra momba ny vavaka : ny sedram-pinoana amin’ny fitokiana an’Andriamanitra.
Tamin’ny finoany an’Andriamanitra . jer. Jen 15,6. sy ny fandehanany teo anatrehany ary ny fanekem-pihavanana Taminy . jer. Jen 17,1-2., no nandraisan’ny patriarka tao an-tranolainy an’ilay Vahininy saro-pantarina : ilay fandraisana vahiny tao "Mambré" tamin’ny fomba mampitolagaga izany, anambaràna mialoha ny Filazana momba ilay tena Zanaky ny Fampanantenana . jer. Jen 18,1-15; Lk 1,26-38.. Hatramin’io fotoana io, noho Andriamanitra nanankina taminy ny fandaharany, dia nifanaraka tamin’ny fangorahan’ny Tompony ny olombelona, ny fon’i Abrahama, ary sahy nitalaho ho azy ireo tamim-pitokiana feno herim-po izy . jer. Jen 18,16-33..
Ho fandiovana farany ny finoany, nangatahina izy “ilay nametrahana ny teny fampanantenana” (Heb 11,17) hanao sorona ny zanany izay nomen’ Andriamanitra azy. Tsy nalemy ny finoany : “Andriamanitra no hanao izay hahitana ny zanak’ondry hatao sorona dorana” (Jen 22,8), satria “ninoany fa hain’Andriamanitra ny manangana ho velona na dia maty aza” (Heb 11,19). Tamin’izany no nampitoviana an’ilay rain’ny mpino hifanahaka amin’ilay Ray izay tsy hitsitsy ny Zanany, fa hanolotra Azy ho antsika rehetra . jer. Rôm 8,32.. Mamerina ny olombelona amin’ny fifanahafana amin’Andriamanitra ny fivavahana, sy mampandray anjara azy amin’ny herin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay mamonjy ny be sy ny maro . jer. Rôm 4,16-21..
Navaozin’Andriamanitra tamin’i Jakôba, ilay razamben’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely ny fampanantenany . jer. Jen 28,10-22.. Talohan’ny niatrehany an’i Esao rahalahiny i Jakôba dia nitolona nandritra ny alina manontolo tamin’ny “olona iray” saro-pantarina, izay nandà ny hanambara ny anarany, nefa nitsodrano azy talohan’ny nandaozany azy nony mangiran-dratsy ny andro. Notanan’ny lovam-panahin’ny Fiangonana avy amin’io tantara io ny fanehoana an’ohatra ny fivavahana ho tolona amim-pinoana sy fandresena amim-pitozoana . jer. Jen 32,25-31; Lk 18,1-8..
I Môizy sy ny fivavahan’ny mpanelanelana
Nony nanomboka ho tanteraka ny fampanantenana (ny Paka, ny Eksaody, ny fanomezana ny Lalàna ary ny fandraiketana ny fanekem-pihavanana), dia ny fivavahan’i Môizy no endrika manaitra ny fo amin’ny fivavahana fanelanelanana izay ho tanteraka ao amin’ “ilay hany Mpanalalana eo amin’ Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa” (1 Tim 2,5).
Fa eto koa, Andriamanitra no tonga voalohany. Niantso an’i Môizy Izy, teo afovoan’ny Kirihitra nirehitra . jer. Eks 3,1-10.. Io fisehoan-javatra io dia haharitra ho iray amin’ireo endrika fototry ny fivavahana ao amin’ny lovam-panahy jody sy kristianina. Satria, raha niantso an’i Môizy mpanompony “ilay Andria-manitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba”, dia noho Izy Andriamanitra Velona izay mankasitraka ny hahavelona ny olombelona rehetra. Nanambara ny Tenany Izy mba hamonjy azy ireo, nefa tsy ho azy ireo irery ihany izany famonjena izany. Nantsoiny i Môizy mba hirahiny, mba hiombona amin’ny fangorahany, amin’ny tsanganasam-pamonjeny. Misy toy ny fitalahoan’ Andriamanitra ao amin’io iraka io, ary i Môizy, rahefa avy niady hevitra naharitra, dia hanitsy ny sitrapony hifanaraka amin’ny sitrapon’ilay Andriamanitra Mpamonjy. Kanefa tamin’io fifampiresahana io izay namborahan’ny Tompo ny Tenany, dia nianatra nivavaka koa i Môizy : nitady hilefa izy, nanohitra, indrindra nangataka, ary tamin’ny famaliana ny fangatahany no namborahan’Andriamanitra taminy ny Anarany tsy hay hambara izay hiharihary ao amin’ireo zava-dehibe ataony.
Ary, “niresaka mifanatrika tamin’i Môizy Andriamanitra, mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany” (Eks 33,11). Ny fivavahan’i Môizy no endrika manokana amin’ny vavaka fibanjinana, izay fivavahana ahazoana antoka ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny iraka ampanaovina azy. “Mitafa” matetika sy maharitra amin’ny Tompo i Môizy, miakatra any an-tendrombohitra mba hihaino Azy sy hitalaho Aminy, midina mankeo amin’ny vahoaka, mba hamerina aminy ny tenin’ny Andriamaniny sy hitari-dalana azy. “Olo-mahatoky amin’ny tranoko izy, miteny aminy mifanatrika Aho, amin’ny teny mazava fa tsy miafina” (Fan 12,7-8), satria “lehilahy malemy fanahy indrindra i Môizy, mihoatra noho ny olona rehetra ety ambonin’ny tany” (Fan 12,3).
Tamin’io fisakaizana lalina amin’Andriamanitra tsy mivadika, tsy malaky tezitra ary feno fitiavana io . jer. Eks 34,6. i Môizy no nanovo hery sy filofosana amin’ny fanelanelanany. Tsy nivavaka ho an’ny tenany izy, fa ho an’ny vahoaka nofidin’Andriamanitra ho Azy. Efa nandritra ny ady tamin’ny Amalesita . jer. Eks 17,8-13., na ny mba hahazoan’i Miriama fahasitranana . jer. Fan 12,13-14., no nanelanelana i Môizy. Fa indrindra taorian’ny fivadiham-pinoan’ny vahoaka dia “nitsangana teo anatrehan’Andriamanitra izy hisakana ny hatezerany tsy handringana” (Sal 106,23) mba hamonjena ny vahoaka . jer. Eks 32,1-34,9.. Ny porofon-kevitra amin’ny fivavahany (tolona mifono mistery koa ny fanelanelanana), dia hiteraka aingam-panahy amin’ny herim-pon’ireo mpivavaka malazan’ny vahoaka jody toy ny an’ny Fiangonana : Andriamanitra dia fitiavana, noho izany marina sy mahatoky Izy ; tsy afaka manohitra ny teniny Izy, fa tsy maintsy mahatsiaro ny asa mahagaga nataony, miantoka ny Voninahiny, ary tsy afaka handao ity vahoaka mitondra ny anarany Izy.
I Davida sy ny fivavahan’ny mpanjaka
Ny fivavahan’ny Vahoakan’Andriamanitra dia hivelatra eo ambany aloky ny fonenan’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny fiaran’ny fanekena, ary aty aoriana, ny Tempoly. Ireo mpitarika ny vahoaka aloha - ny mpiandry ondry sy ny mpaminany - no nampianatra azy ireo hivavaka. I Samoela, fony mbola zaza, dia nianatra tamin’i Anà reniny, ny fomba “ijoroana eo anoloan’ny Tompo” . jer. 1 Sam 1,9-18., sy tamin’i Helì mpisorona, ny fomba ihainoana ny Teniny : “Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao” (1 Sam 3,9-10). Taty aoriana, dia fantany koa ny hasarobidy sy ny lanjan’ny fanelanelanana: “Raha ny amiko, dia lavitra ahy izay hanota amin’ny Tompo ka hitsahatra tsy hivavaka ho anareo, sy hanoro anareo ny làlana tsara sy mahitsy” (1 Sam 12,23).
I Davida no mpanjaka tsara indrindra “araka ny fon’Andriamanitra”, ilay mpiandry ondry mivavaka ho an’ny vahoakany sy amin’ny anarany, ka ny fankatoavany ny sitrapon’Andriamanitra, ny fiderany sy ny fifonany no ho fakan-tahaka amin’ny fivavahan’ny vahoaka. Amin’ny maha-voahosotr’ Andriamanitra azy, ny fivavahany dia firaiketana tsy mivadika amin’ny teny fampanantenan’Andriamanitra . jer. 2 Sam 7,18-29., fitokiana amim-pitiavana sy amin-kafaliana an’Ilay izay hany Mpanjaka sy Tompo. Ao amin’ny Salamo, i Davida, notsilovin’ny Fanahy Masina, no mpaminany voalohany amin’ny fivavahana jody sy kristianina. Ny vavak’i Kristy, tena Mesia tokoa sy Zanak’i Davida, no hanambara sy hanatontosa ny hevitr’io fivavahana io.
Ny Tempolin’i Jerosalema, ilay tranom-pivavahana nokasain’i Davida haorina, dia tsanganasa ho tanterahin’ny zanany, i Salômônina. Miankina amin’ny fampanantenan’Andriamanitra sy ny fanekem-pihavanany, amin’ny fonenan’ny Anarany amin-kery eo anivon’ny Vahoakany ary amin’ny fahatsiarovana ny zava-dehibe natao tamin’ny Eksaody, ny vavaka atao amin’ny Fitokanana ny Tempoly . jer. 1 Mpanj 8,10-61.. Koa noho izany manandra-tanana mankamin’ny lanitra ny mpanjaka ary mitalaho amin’ny Tompo ho an’ny tenany, ho an’ny vahoaka tsy vaky volo, ho an’ny taranaka ho avy, ho famelana ny fahotan’izy ireo sy amin’ny zavatra ilain’izy ireo isan’andro, mba ho fantatry ny firenena rehetra fa Izy no hany Andriamanitra ary mba ho Azy manontolo ny fon’ny vahoakany.
Elia, ny mpaminany ary ny fibebahan’ny fo
Ny Tempoly, ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, no tokony ho toeran’ny fanabeazana azy amin’ny fivavahana : ny fivahiniana masina, ny fety, ny sorona, ny fanatitra takariva, ny emboka manitra, ny mofo “alahatra”, ireo famantarana ny Fahamasinana sy Voninahitr’Andriamanitra Avo Indrindra sy Akaiky dia akaiky tokoa ireo, no antso sy lalan’ny fivavahana. Kanefa matetika mitarika ny vahoaka amin’ny fanompoam-pivavahana ety ivelany loatra ny fanarahana fombam-pivavahana. Ilaina ao ny fanabeazana ny finoana sy ny fibebahan’ny fo. Izany no fanirahana ny mpaminany, taloha sy taorian’ny Sesitany.
Rain’ny mpaminany i Elia, avy amin’ny taranak’ireo izay mitady an’ Andriamanitra sy izay mikatsaka ny Endriny . jer. Sal 24,6.. Ny anarany hoe, “Ny Tompo no Andriamanitro”, no milaza ny hiakan’ny vahoaka ho valin’ny fivavahany teo an-tendrombohitr’i Karmely . jer. 1 Mpanj 18,39.. Tany aminy no nalehan’ny sain’i Md Jakôba raha nandrisika antsika amin’ny vavaka izy hoe : “Mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina amin-kafanam-po” (Jak 5,16) . jer. Jak 5,16-18..
Rahefa avy nahazo ny famindram-po tamin’ny laretiretiny teo amin’ny ranon-driakan’i Karita i Elia, dia nampianatra an’ilay vehivavy maty vady tao Sareftà ny finoana ny tenin’Andriamanitra, finoana izay nanamafisany tamin’ny alalan’ny fangatahana mafy : namerina ny ain’ny zanak’ilay vehivavy maty vady Andriamanitra . jer. 1 Mpanj 17,7-24.. Tamin’ny andro nanaovana sorona teo an-tendrombohitr’i Karmely, fisedrana azo tsapain-tanana ho an’ny finoan’ny vahoakan’Andriamanitra, dia tamin’ny fitalahoany no nandevonan’ny afon’ny Tompo ny sorona dorana, “tamin’ny ora izay nanolorana ny sorona takariva” : “Valio aho ry Tompo, valio aho!” izany tenin’i Elia izany ihany no averin’ny litorzia tatsinanana amin’ny epikilezin’ny vavaka eokaristika . jer. 1 Mpanj 18,20-39.. Farany, tamin’ny nanohizan’i Elia ny diany tany an’efitra ho any amin’ny toerana izay nanambaràn’Andriamanitra velona sy marina ny Tenany tamin’ ny vahoakany, dia nitampisaka tahaka an’i Môizy “tao anaty zohy” izy, mandra-“pandalon’”ny Fisehoam-pisian’Andriamanitra amin’ny fomba mistery . jer. 1 Mpanj 19,1-14; Eks 33,19-23.. Kanefa any an-tendrombohitry ny fiovàn-tarehy irery ihany no hiseho ny Endrik’Ilay tadiavin’izy ireo . jer. Lk 9,30-35. : ny fahalalana ny Voninahitr’ Andriamanitra dia eo amin’ny endrik’i Kristy ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana sy nitsangan-ko velona . jer. 2 Kôr 4,6..
Eo amin’ny “fanatrehana irery an’Andriamanitra” ireo mpaminany no manovo fahazavana sy hery ho an’ny fanirahana azy ireo. Tsy hoe fandosirana an’izao tontolo izao mivadi-pitokiana ny fivavahan’izy ireo fa fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, indraindray adihevitra na fitarainana, fitalahoana lalandava izay miandry sy manomana ny fanalalan’ Andriamanitra Mpamonjy, Tompon’ny tantara . jer. Am 7,2.5; Iz 6,5.8.11; Jer 1,6; 15,15-18; 20,7-18..
Ny Salamo, vavaky ny mpiangona
Nanomboka tamin’i Davida mandra-pahatongan’ny Mesia, ny boky masina dia mirakitra ireo lahatsora-pivavahana izay maneho ny fandalinana ny vavaka, ho an’ny tena ihany sy ho an’ny hafa . jer. Esd 9,6-15; Neh 1,4-11; Jôn 2,3-10; Tob 3,11-16; Jod 9,2-14.. Tsikelikely, natambatra ho boky dimy ny salamo : ireo Salamo (na “Fiderana”), sangan’asan’ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha.
Ny Salamo no mamelona sy maneho ny vavaky ny Vahoakan’ Andriamanitra miangona, amin’ny andro fety lehibe any Jerosalema ary isaky ny sabata ao amin’ny sinagôga. Misy lafiny roa tsy azo sarahina izany vavaka izany : an’ny tsirairay sy iombonana ; vavaka sady mahakasika an’ ireo izay mivavaka no mahakasika ny olona rehetra ; vavaka sady misondrotra avy any amin’ny Tany masina sy ny fiombonan’ny Zanaka am-pielezana, no avy amin’ny voary manontolo ; vavaka sady mampahatsiaro ny asam-pamonjena tamin’ireo zava-niseho fahiny no miitatra hatrany amin’ ny fahataperan’ny tantara ; vavaka sady mampahatsiaro ny fampanantenana efa notanterahin’ Andriamanitra no miandry koa ny Mesia izay hanatontosa ireny amin’ny farany. Noho ireo Salamo atao vavaka sy tanterahina ao amin’i Kristy, dia mijanona ho ilaina amin’ny vavaky ny Fiangonany izy ireny . jer. IGLH 100-109..
Ny amboaran-tSalamo no boky izay ao ny Tenin’Andriamanitra no tonga vavaky ny olombelona. Ao amin’ireo boky hafan’ny Testamenta Taloha ny teny no “manambara ny tsanganasan’(Andriamanitra ho an’ny olombelona) ary mampahita ny mistery izay voarakitra ao” . FA 2.. Ao amin’ny amboaran-tSalamo, ny tenin’ny mpanao salamo no manambara, amin’ny fihirana azy ireny ho an’Andriamanitra, ny tsanganasam-pamonjeny. Fanahy iray ihany kosa no mitsilo ao an-tsaina ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny valin-tenin’ny olombelona. I Kristy no hanambatra azy roa ireo. Ao Aminy, tsy mitsaha-mampianatra antsika hivavaka ny salamo.
Ny fanehoan’endrika maro amin’ny vavaka Salamo dia sady maka endrika ao amin’ny litorzian’ny Tempoly no ao am-pon’ny olombelona. Na antsa no atao, na vavaka noho ny fahoriana, na vavaka fisaorana, na fitalahoan’olon-drery na fitalahoana iombonana, na hira momba ny mpanjaka, na hira momba ny fivahiniana masina, na fandiniham-pahendrena, ny salamo no fitaratra ahitana ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra teo amin’ny tantaran’ny vahoakany sy ny toe-javatra mihatra eo amin’ny olombelona niainan’ny mpanao salamo. Ny salamo iray dia azo itarafana ny zava-niseho iray efa lasa, nefa noho izy natao tamim-pahatsorana dia azon’ny olona hanaovana vavaka marina tokoa amin’ny fomba rehetra sy amin’ny fotoana rehetra.
Toetra maharitra no maninteraka ny Salamo : ny fahatsoran’ny vavaka sy ny fanaovana izany, izay nipoitra ho azy avy ao am-po, ny faniriana an’ Andriamanitra rahateo amin’ny alalan’ny tsara rehetra amin’ny zavaboariny sy miaraka amin’izany, ny toe-javatra manahirana ny mpino, amin’ny fitiavany manokana ny Tompo, izay sakanan’ny fahavalo sy ny fakam-panahy zavon-tany, ary, eo am-piandrasana izay hataon’ilay Andriamanitra tsy mivadika, ny fitokiana ny fitiavany sy ny fiankinana amin’ny sitrapony. Ny fiderana no mitarika lalandava amin’ny vavaka salamo, ary izany no mahamety tsara ny lohatenin’io amboara io amin’izay atolony antsika: “ny Fiderana”. Noho izy nangonina ho an’ny fivavahan’ny Mpiangona, dia izy no mampandre ny antso amin’ny vavaka sy mihira izany amin’ny valin-teny hoe: “Hallelou-Ya!” (Aleloia!), “Derao ny Tompo!”. Inona no tsara kokoa noho ny salamo ? Izany no nahatonga an’i Davida nilaza tsara hoe : “Derao ny Tompo, satria zavatra tsara ny Salamo : amin’Andriamanitsika, fiderana tsara sy mamy !” Ary marina izany. Satria ny salamo dia fisaorana tononin’ ny vahoaka, fiderana an’Andriamanitra ataon’ny mpiangona, fihobian’ny rehetra, teny lazain’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, feon’ny Fiangonana, fiekem-pinoana mahaliana ny sofina . Md Ambroise, Psal 1,9..
“Ny fivavahana dia fanondrotana ny fanahy any amin’Andriamanitra na fangatahana amin’Andriamanitra ny soa rehetra sahaza” . Md Jean Damascène, f.o.3.24..
Tsy sasatra Andriamanitra miantso ny olona tsirairay mba hihaona Aminy amin’ny fomba mifono mistery. Mifanindran-dalana amin’ny tantaram-pamonjena manontolo ny fivavahana, tahaka ny antso ifamalian’ Andriamanitra sy ny olombelona.
Ny fivavahan’i Abrahama sy Jakôba dia miseho toy ny tolona atao amim-pinoana ao anatin’ny fitokiana ny tsy fivadihan’Andriamanitra sy ao anatin’ ny fahazoana antoka ny fandresena nampanantenaina vokatry ny fitozoana.
Mifanaraka amin’ny firotsahana mialoha ataon’ilay Andriamanitra velona ho amin’ny famonjena ny vahoaka ny fivavahan’i Môizy. Manambara mialoha ny vavaka fitalahoan’i Kristy Jesoa hany mpanalalana izany.
Ny fivavahan’ny Vahoakan’Andriamanitra dia nivelatra teo ambany fialofan’ny fonenan’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny fiaran’ny fanekena sy ny Tempoly, sy teo ambany fitarihan’ireo mpiandry ondry, indrindra i Davida mpanjaka sy ireo mpaminany.
Miantso ho amin’ny fibebahan’ny fo ireo mpaminany, ary amin’ny fitadiavana amin-kafanam-po ny endrik’Andriamanitra, tahaka ny nataon’i Elia, no italahoan’izy ireo ho an’ny vahoaka.
Ny Salamo no sangan’asan’ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha. Misy zava-droa loha tsy azo sarahina mandrafitra azy ireny : an’olon-drery sy iombonana. Manenika ny ambaiday manontolo ny tantara ny Salamo, amin’ny fankalazana ny fahatsiarovana ny fampanantenan’Andriamanitra efa tanteraka sy amin’ny fanantenana ny fahatongavan’ny Mesia.
Ny salamo, noho izy atao vavaka sy tanterahina ao amin’i Kristy, dia singafototra tena ilaina sy maharitra iankinan’ny fivavahan’ny Fiangonany. Natao ho sahaza ny sarangan’olona rehetra sy amin’ny fotoana rehetra izy ireny.
2.Ao amin’ny hafenoan’ny fotoana
Ny fitaintainana amin’ny fivavahana no nabaribary manontolo amintsika tao amin’ny Teny izay tonga nofo sy niara-monina amintsika. Ny miezaka hahatakatra an-tsaina ny fivavahany, amin’ny alalan’izay ambaran’ireo vavolombelony antsika ao amin’ny Evanjely, dia mampanantona antsika an’i Jesoa Tompo Masina ho toy ilay Kirihitra nirehitra : voalohany, mibanjina ny Tenany eo am-pivavahana ; manaraka izany mihaino hoe ahoana ny fomba ampianarany antsika mivavaka; ary farany, mba hahalalana hoe ahoana no anekeny ny fivavahantsika.
Mivavaka i Jesoa
Nianatra nivavaka araka ny fony maha-olombelona Azy ny Zanak’ Andriamanitra nanjary Zanak’ilay Virjiny. Tamin-dreniny izay nitahiry sy nandinika tao am-pony ny “zava-dehibe” rehetra nataon’ilay Mahefa ny zavatra rehetra no nianarany ny rijan-teny momba ny fivavahana . jer. Lk 1,49; 2,19; 2,51.. Tamin’ny teny sy ny fiverimberina ara-potoana ny fivavahan’ny vahoakany no nianarany izany, tao amin’ny sinagôgan’i Nazareta sy tao an-Tempoly. Kanefa, nipoitra avy amin’ny loharano miafina hafa noho izany ny fivavahany, tahaka izay nambarany an-tsindrimandry teo amin’ny faharoa ambin’ny folo taonany, hoe : “Tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho” (Lk 2,49). Eto no manomboka miseho ny zava-baovao momba ny fivavahana ao anatin’ny hafenoan’ny fotoana : ny vavaka maha-zanaka izay nandrasan’ny Ray avy amin’ny zanany no indro tamin’ny farany fa niainan’ny Tenan’ny Zanany Lahitokana mihitsy tao amin’ny maha-olombelona Azy, miaraka amin’ny olombelona sy ho an’ny olombelona.
Ny Evanjely araka an’i Md Lioka dia manantitrantitra ny asan’ny Fanahy Masina sy ny hevitra raketin’ny fivavahana teo amin’ny raharaham-pamonjen’i Kristy. Nivavaka i Jesoa talohan’ireo fotoan-dehibe nanamarika ny fanirahana Azy : talohan’ny nampisehoan’ny Ray Azy tamin’ny Bateminy . jer. Lk 3,21. sy ny Fiovàn-tarehiny . jer. Lk 9,28., ary talohan’ny hanatanterahana tamin’ny alalan’ny fijaliany ny fandaharam-pitiavan’ny Ray . jer. Lk 22,41-44.. Nivavaka koa Izy talohan’ireo fotoana raikitra izay hanombohana ny fanirahana ny apôstôliny : talohan’ny nifidianana sy ny niantsoana ny Roa ambin’ny folo . jer. Lk 6,12., talohan’ny nieken’i Piera Azy ampahibemaso ho “Kristin’Andriamanitra” . jer. Lk 9,18-20. sy mba tsy hangozohozo ao anatin’ny fakam-panahy ny finoan’ity filohan’ny apôstôly . jer. Lk 22,32.. Ny vavak’i Jesoa talohan’ilay zava-dehibe niseho momba ny famonjena izay nangatahin’ny Ray Taminy hotanterahina, dia fanolorana amim-panetren-tena sy amim-pitokiana ny sitrapony maha-olombelona Azy, amin’ny sitrapo be fitiavan’ny Ray.
“Indray andro, nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray i Jesoa. Nony nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray Taminy : Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay” (Lk 11,1). Moa ve tsy tamin’ny fibanjinana ny Mpampianany nivavaka aloha, no nahatonga ny mpianatr’i Kristy haniry hivavaka ? Koa noho izany, afaka mianatra vavaka amin’ilay Mpampianatra izany izy. Amin’ny fibanjinana sy amin’ny fihainoana ny Zanaka izany, no ianaran’ny zanaka mivavaka amin’ny Ray.
Matetika i Jesoa no nihataka tany amin’ny toera-mangina, tany an-tendrombohitra, indrindra indrindra tamin’ny alina, mba hivavaka . jer. Mk 1,35; 6,46; Lk 5,16.. Nitondra ny olombelona tamin’ny fivavahany Izy, satria Izy rahateo moa dia nizaka tao Aminy ny maha-olombelona tamin’ny Fahatongavany ho nofo, ary nanolotra azy ireo tamin’ny Ray, tamin’ny Nanolorany ny Tenany ihany. Izy, ilay Teny “tonga nofo”, no mandray anjara ao amin’ny vavaka maha-olombelona Azy amin’izay rehetra iainan’ny rahalahiny . jer. Heb 2,12. ; miombona alahelo amin’ny fahalemen’izy ireo Izy mba hanafaka azy ireo amin’izany . jer. Heb 2,15; 4,15.. Ho amin’izany no nanirahan’ny Ray Azy. Koa noho izany, ny teniny sy ny tsanganasany dia manjary fanehoana hita maso ny fivavahany “tao amin’ny miafina”.
Vavaka anankiroa miharihary tokoa, avy amin’i Kristy, nandritra ny raharaham-pamonjeny, no notanan’ireo mpanoratra ny evanjely. Ary samy manomboka amin’ny fisaorana avokoa izy ireo. Ao amin’ilay voalohany . jer. Mt 11,25-27 sy Lk 10,21-22., manambara ampahibemaso ny Ray i Jesoa, mankasitraka Azy ary misaotra Azy noho Izy nanafina ny misterin’ny Fanjakan’ny lanitra tamin’ireo izay mihevi-tena ho manam-pahaizana sy nanambara izany tamin’ny “zaza madinika” (ny mahantra araka ny voalaza ao amin’ny hasambarana). Ny fientanan-kafaliany hoe: “Eny, Ray ô!” dia maneho ny aty fony, ny firaiketany amin’ny “sitraky” ny Ray, akon’ilay teny hoe “Aoka anie ho tanteraka amiko” (“Fiat”) nolazain’ny Reniny fony Izy notorontoronina, sy fambara an’ilay izay holazainy amin’ny Ray mandritra ny fiadiany aina. Ny vavak’i Jesoa manontolo dia io firaiketam-pitiavan’ny fony maha-olombelona Azy amin’ny “misterin’ny sitrapon’ ” ny Ray io . jer. Efez 1,9..
Ny vavaka faharoa no notaterin’i Md Joany . jer. Jo 11,41-42. talohan’ny fananganana an’i Lazara ho velona. Mialoha ny zava-miseho ny fisaorana : “Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao”, izay midika hoe : mihaino lalandava ny fangatahany ny Ray ; teo no eo dia nampian’i Jesoa hoe : “Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao”, izay midika hoe : raha ny amin’i Jesoa, dia mangataka lalandava Izy. Amin’izany, ny vavak’i Jesoa izay ny fisaorana no mitondra azy, dia manambara amintsika hoe : ahoana no fomba fangataka : alohan’ny hanomezana ny fanomezana, mifantoka amin’Ilay izay manome sy manolo-tena ao amin’ny fanomezany i Jesoa. Ny Mpanome no sarobidy kokoa noho ny fanomezana omena. Izy no “Harena sarobidy”, ary ao Aminy no misy ny fon’ny Zanany ; ny fanomezana dia omena “ho fanampiny” . jer. Mt 6,21.33.. Ny vavaka “maha-mpisorona” an’i Jesoa . jer. Jo 17. dia mitana toerana tsy manam-paharoa eo amin’ny fitantanam-pamonjena. Hosaintsainina ny amin’io amin’ny famaranana ny sampana voalohany. Koa noho izany, io vavaka “maha-mpisorona” io no manambara ny vavaka tsy miova mandraka ankehitriny ataon’ny Mpisorom-bentsika, ary koa misy izay ampianariny antsika amin’ny vavaka ataontsika amin’ny Raintsika izay hovelabelarina ao amin’ny sampana faharoa.
Rahefa tonga ny Ora izay nanatanterahan’i Jesoa ny fandaharam-pitiavan’ny Ray, dia navelany ho azoazo vinany ny halalina tsy taka-polopolorin’ny fivavahan-janaka nataony, tsy talohan’ny nanolorany tena an-kalalahana fotsiny (“Aba... tsy sitrapoko, fa ny Anao” : Lk 22,42), fa hatramin’ny teniny farany teo amin’ny Hazofijaliana, izay teo no naha-iray ihany ny hoe mivavaka sy manolo-tena : “Raiko, avelao ny helok’izy ireo, fa tsy fantatr’izy ireo izay ataony” (Lk 23,34) ; “Lazaiko marina aminao, fa anio dia hihaona Amiko any am-paradisa ianao” (Lk 23,43) ; “Ravehivavy, indro ny zanakao (...). Indro ny reninao” (Jo 19,26-27) ; “Mangetaheta Aho!” (Jo 19,28) ; “Ry Andriamanitro ô! Nahoana no dia nilaozanao Aho ?” (Mk 15,34) . jer. Sal 22,2. ; “Tontosa ny zavatra rehetra” (Jo 19,30) ; “Raiko, apetrako eo an-tananao ny fanahiko” (Lk 23,46), hatramin’ilay “antso mafy” nialany aina tamin’ny nanolorany ny fanahiny . jer. Mk 15,37; Jo 19,30..
Ny fahoriana rehetra manjo ny olombelona amin’ny fotoana rehetra, izay andevon’ny fahotana sy ny fahafatesana, sy ny fangatahana rehetra mbamin’ ny fanelanelanana rehetra teo amin’ny tantaram-pamonjena, dia voangona ao amin’io Antson’ny Teny tonga nofo io. Indro fa ny Ray no mandray azy ireny ary, ankoatra ny fanantenana rehetra, nankato azy ireny tamin’ny nananganana ny Zanany ho velona. Tamin’izany no nanatanterahana sy nahataperan’ny fijaliana amin’ny vavaka teo amin’ny fitantanam-pahariana sy famonjena. Manolotra antsika ny fanalahidy ao amin’i Kristy ny amin’ izany ny amboaran-tSalamo. Ao amin’ny Ankehitrinin’ny Fitsanganan-ko velona no ilazan’ny Ray hoe : “Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany. Mangataha, dia homeko Anao ny firenena mba ho lova, ny vazan-tany efatra mba ho fananana!” (Sal 2,7-8) . jer. Asa 13,33.. Ny Taratasy ho an’ny Hebrio dia manambara amin’ny fiteny manaitra ny saina ny amin’ny hoe : ahoana ny vavak’i Jesoa no tonga fandresem-pamonjena : “Ilay izay tamin’ny andron’ny nofony, nanolotra fivavahana sy fifonana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay izay namonjy Azy tamin’ny fahafatesana, sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza ; ary nony tonga tamin’ny fanaperana Izy, dia nanjary fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy” (Heb 5,7-9).
Mampianatra mivavaka i Jesoa
Rahefa nivavaka i Jesoa, dia nampianatra antsika sahady hivavaka Izy. Ny lalana avy amin’Andriamanitra momba ny fivavahantsika dia fivavahany tamin’ny Rainy. Kanefa ny Evanjely dia manolotra antsika fampianarana mazava avy amin’i Jesoa momba ny fivavahana. Amin’ny maha-Mpampianatra kinga Azy dia raisiny eo amin’izay misy antsika isika, ary tarihiny tsikelikely mankany amin’ny Ray. Tamin’i Jesoa nampianatra mivantana an’ireo vahoaka nanaraka Azy, dia niainga avy amin’izay efa fantatr’izy ireo momba ny fivavahana araka ny Fanekem-pihavanana Taloha Izy, sy nampiditra azy ireo ho amin’ny zava-baovao ny Fanjakan’ny lanitra izay tonga. Manaraka izany, nambarany tamin’izy ireo tamim-panoharana izany zava-baovao izany. Farany, hiteny an-karihary ny momba ny Ray sy ny Fanahy Masina Izy, amin’ireo mpianany izay tokony hanjary ho mpampianatra fivavahana ao amin’ny Fiangonany.
Nanomboka tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra, nanantitrantitra ny amin’ny fibebahan’ny fo i Jesoa : ny famitranam-pihavanana amin’ny mpiray tam-po ara-pinoana alohan’ny hanolorana fanatitra eo amin’ny ôtely . jer. Mt 5,23-24., ny fitiavana ny fahavalo sy ny vavaka ho an’ny mpanenjika . jer. Mt 5,44-45., ny mivavaka amin’ny Ray “ao amin’ny mangingina” (Mt 6,6), ny tsy mamerimberina teny maro . jer. Mt 6,7., ny mamela ny hadisoan’ny olona amin’ny fo tokoa amin’ny fivavahana atao . jer. Mt 6,14-15., ny fahadiovam-po sy ny fikatsahana ny Fanjakan’ny Lanitra . jer. Mt 6,21.25.33.. Izany fibebahana izany dia mifantoka manontolo any amin’ny Ray, ary fibebahana amin’ny maha-zanaka.
Ny fo, tapa-kevitra hibebaka araka izany, dia mianatra mivavaka ao amin’ny finoana. Firaiketan-janaka amin’Andriamanitra ny finoana, mihoatra noho izay tsapantsika sy takatry ny saintsika. Manjary azo atao izany satria ny Zanaka malala no manokatra ho antsika ny fidirana eo akaikin’ny Ray. Afaka mangataka antsika Izy “hitady” sy “handondòna”, satria Izy Tenany mihitsy no varavarana sy lalana . jer. Mt 7,7-11.13-14..
Tahaka ny nivavahan’i Jesoa tamin’ny Ray sy nisaorany talohan’ny nandraisany ny fanomezany, no ampianarany antsika izao fahasahian-janaka izao : “Na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa efa azonareo izany” (Mk 11,24). Toy izao no herin’ny fivavahana : “Tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino” (Mk 9,22), amin’ny finoana izay tsy misalasala . jer. Mt 21,21.. Raha nalahelo i Jesoa noho ny “tsy fahampian’ny finoan’ ” ireo havany (Mk 6,6) sy ny “hakelin’ny finoan’ ” ireo mpianany . jer. Mt 8,26., nitolagaga kosa Izy teo anoloan’ny “finoana lehibe” nananan’ilay kapiteny rômanina . jer. Mt 8,10. sy ilay vehivavy Kananeanina . jer. Mt 15,28..
Ny fivavahana amim-pinoana dia tsy ny fitenenana fotsiny hoe : “Tompo, Tompo”, fa ny mampifanaraka ny fo hanao ny sitrapon’ny Ray . jer. Mt 7,21.. Izany fiahiana hiara-miasa amin’ny fandaharan’Andriamanitra izany, no iantsoan’ i Jesoa ireo mpianany hitondra izany am-bavaka . jer. Mt 9,38; Lk 10,2; Jo 4,34..
Ao amin’i Jesoa, dia “efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra” (Mk 1,15), miantso ho amin’ny fibebahana sy ny finoana Izy, nefa koa amin’ny fiambenana. Amin’ny fivavahana ny mpianatra no miandry amim-pitandremana an’Ilay izay Eo sy Ho avy, ao anatin’ny fahatsiarovana ny Fahatongavany voalohany tao anatin’ny fanetren-tenan’ny nofo, sy amin’ny fanantenana ny Fiaviany indray amim-Boninahitra . jer. Mk 13; Lk 21,34-36.. Amin’ny fiombonana amin’ny Mpampianatr’izy ireo, ny fivavahan’ny mpianatra dia ady, ary amin’ny fiaretan-tory amin’ny fivavahana no tsy mahalatsaka amin’ny fakam-panahy . jer. Lk 22,40.46..
Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain’i Lioka tamintsika : Ny voalohany, “ilay sakaiza manelingelina” . jer. Lk 11,5-13., mamporisika hanao lemozy amin’ny fivavahana : “Dondòny dia hovohaina ianareo.” Amin’izay mivavaka tahak’izany ny Ray any an-danitra no “hanome izay rehetra ilainy”, ary indrindra ny Fanahy Masina izay mirakitra ny fanomezana rehetra. Ny faharoa, “ ilay vehivavy mananotena manelingelina” . jer. Lk 18,1-8., dia mifantoka amin’ny iray amin’ireo toetra ilaina amin’ny fivavahana : tsy maintsy mivavaka lalandava tsy sasatra ombàn’ny faharetana amin’ny finoana. “Kanefa ny Zanak’olona, rahefa hiverina, moa mba hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy ?” Ny fanoharana fahatelo, “ilay Farisianina sy ilay poblikanina” . jer. Lk 18,9-14., mikasika ny fanetren-tenan’ny fo izay mivavaka. “Andriamanitro ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.” Tsy mitsahatra ny Fiangonana manao io vavaka io ho an’ny Tenany : “Kyrie eleison ! ” ( Tompo ô, mamindrà fo aminay!).
Raha namboraka an-karihary tamin’ireo mpianany ny misterin’ny fivavahana amin’ny Ray i Jesoa, dia nampiseho azy ireo ny tsy maintsy ho fivavahan’izy ireo, sy ny antsika, rahefa hiverina eo anilan’ny Ray Izy, amin’ny maha-Olombelona enim-boninahitra Azy. Ny zava-baovao amin’ izany ankehitriny dia ny mangataka amin’ny anarany . jer. Jo 14,13.. Ny finoana Azy no mampiditra ny mpianatra amin’ny fahalalana ny Ray, satria i Jesoa no “Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” (Jo 14,6). Amin’ny fitiavana no mamokatra ny finoana : mitandrina ny Teniny, ny didiny, mitoetra miaraka Aminy ao amin’ny Ray izay tia antsika ao Aminy hatramin’Izy monina ao amintsika. Ao amin’ity Fanekem-pihavanana Vaovao ity, ny fitokiana marimarina fa ho ekena ny fangatahantsika dia miorina amin’ny vavak’i Jesoa . jer. Jo 14,13-14..
Fa indrindra, “ilay Mpanafaka alahelo hafa, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay” (Jo 14,16-17) no omen’ny Ray antsika, rahefa miray amin’ny vavak’i Jesoa ny fivavahantsika. Io zava-baovao amin’ny fivavahana sy ny fepetra mikasika izany io dia hita nandritra ny lahateny Fanaovam-beloma . jer. Jo 14,23-26; 15,7.16; 16,13-15.23-27.. Ao amin’ny Fanahy Masina, ny fivavahana kristianina dia fiombonam-pitiavana amin’ny Ray, tsy amin’ny alalan’i Kristy ihany, fa koa ao Aminy : “Mandraka ankehitriny dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo. Mangataha dia hahazo ianareo, ka ho tanteraka ny hafalianareo” (Jo 16,24).
Mihaino vavaka i Jesoa
Ny fivavahana amin’i Jesoa dia efa nohenoiny nandritra ny raharaham-pamonjeny, tamin’ny alalan’ireo famantarana izay naneho mialoha ny herin’ ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona : I Jesoa dia mihaino ny vavaka atao amim-pinoana, ambara amin’ny teny ( ilay boka . jer. Mk 1,40-41.; i Jaira . jer. Mk 5,36.; ilay vehivavy kananeanina . jer. Mk 7,29.; ilay jiolahy nivalo . jer. Lk 23,39-43.) na amim-pahanginana (ireo mpilanja an’ilay malemy . jer. Mk 2,5.; ilay vehivavy nitsi-dra izay nikasika ny fitafiany . jer. Mk 5,28.; ny ranomaso sy ny ranomanitr’ilay vehivavy mpanota . jer. Lk 7,37-38.). Ny fangatahana manery dia manery nataon’ireo jamba hoe : “Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô !” (Mt 9,27), na hoe : “Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko” (Mk 10,47), dia averina ao amin’ny lovam-panahy momba ny Fivavahana amin’i Jesoa hoe : “Ry Jesoa, Kristy, Zanak’ Andriamanitra, Tompo ô, mamindrà fo amiko mpanota !”. I Jesoa, amin’ny fanasitranana ny aretina na ny famelana ny fahotana, dia mamaly lalandava ny vavak’izay mitalaho Aminy amim-pinoana hoe : “Mandehana amim-piadanana, ny finoanao no nahavonjy anao!”. Fintinin’i Md Augustin amin’ny fomba mampitolagaga ireo lafiny telo amin’ny vavak’i Jesoa : “Mivavaka ho antsika Izy amin’ny maha-mpisorontsika Azy, mivavaka ao amintsika izy amin’ny maha-Lohantsika Azy, ivavahantsika Izy amin’ny maha-Andriamanitsika Azy. Fantarontsika àry izany fa ao Aminy ny feontsika, ary ao amintsika ny feony” . Md Augustin in Sal 85,1; jer. IGLH 7..
Ny vavak’i Maria Virjiny
Ny vavak’i Maria dia nambara tamintsika teo am-piandohan’ny hafenoan’ ny fotoana. Talohan’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo sy talohan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina, ny fivavahany no niara-niasa tamin’ny fomba tokana aman-tany tamin’ny fandaharana feno fitiavan’ny Ray, tamin’ny andron’ny Filazana fa hotorontoronina i Kristy . jer. Lk 1,38., tamin’ny andron’ny Pantekôty ho fanorenana ny Fiangonana, Vatan’i Kristy . jer. Asa 1,14.. Tamin’ny finoan’ilay ankizivaviny manetry tena no nahitan’ny Fanomezan’ Andriamanitra ny fandraisana izany izay nandrasany hatramin’ny fanombohan’ny fotoana. Ilay izay nataon’ilay Mahefa ho tonga “feno hasoavana” dia namaly tamin’ny alalan’ny fanolorany ny tenany manontolo hoe : “Inty aho mpanompovavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao”. Ny “Fiat (Aoka anie ho tanteraka)” dia vavaka kristianina: ho an’ny Tompo manontolo, satria ny Tompo no manontolo amintsika.
Ny Evanjely dia manambara amintsika ny fomba fivavak’i Maria sy fanelanelanany amim-pinoana : tao Kanà . jer. Jo 2,1-12, niangavy tamin-Janany ny Renin’i Jesoa ho an’ny zavatra ilaina tao amin’ny sakafon’ny fampakaram-bady iray, famantarana ny Sakafo iray hafa, dia ny an’ny fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry amin’ny fanolorany ny Vatany sy ny Rany araka ny fangatahan’ny Fiangonana Vadiny. Ary tamin’ny oran’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, teo am-pototry ny Hazofijaliana . jer. Jo 19,25-27., no nanekena an’i Maria ilay Vehivavy, ilay Eva vaovao, tena “Renin’ny velona” tokoa.
Izany no mahatonga ny tonon-kiran’i Maria . jer. Lk 1,46-55., “Magnificat”(Mankalaza ny Tompo ny fanahiko) amin’ny teny latinina, “Mégalinaire” amin’ny teny bizantinina, ho sady tonon-kiran’ny Renin’Andriamanitra no tonon-kiran’ny Fiangonana, sady tonon-kiran’ny Zanakavavin’i Siôna no tonon-kiran’ny Vahoaka vaovao an’Andriamanitra, tonon-kira fisaorana noho ny hafenoan’ ny fahasoavana narotsaka tao amin’ny fitantanam-pamonjena, tonon-kiran’ ny “mahantra” ka ny fanantenana dia feno tamin’ny fahatanterahan’ny fampanantenana natao tamin’ireo razantsika “ho an’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay alaovalo”.
Ny môdely lavorary amin’ny fivavahana, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia miorina amin’ny vavaka maha-zanaka an’i Jesoa. Ny vavak’i Jesoa, natao matetika tany amin’ny toerana mitokana, tany amin’ny toerana mangina, dia manambara firaiketam-po feno fitiavana amin’ny sitrapon’ny Ray hatrany amin’ny Hazofijaliana sy fitokiana tanteraka fa hoekena.
Tamin’ny fampianarany i Jesoa no nampianatra ny mpianany hivavaka amim-po voadio, amim-pinoana velona sy maharitra, amim-pahasahian-janaka. Miantso azy ireo hiambina Izy ary mandrisika azy ireo hanolotra amin’Andriamanitra ny fangatahan’izy ireo amin’ny anarany. I Jesoa-Kristy rahateo koa dia manaiky ny vavaka izay atao Aminy mivantana.
Ny vavak’i Maria Virjiny, ao amin’ny “Aoka anie ho tanteraka amiko” (“Fiat”) sy ao amin’ny “Mankalaza ny Tompo ny fanahiko” (Magnificat) dia misongadina amin’ny fanolorana amin-kalalahana ny tenany manontolo tamim-pinoana.
3.Amin’ny andron’ny Fiangonana
Tamin’ny andro Pantekôty, ny Fanahin’ny fampanantenana dia nirotsaka tamin’ny mpianatra, “nivory tao amin’ny toerana iray” (Asa 2,1), ka teo am-piandrasana Azy, “dia niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka” (Asa 1,14). Ny Fanahy, izay mampianatra ny Fiangonana sy mampahatsiaro azy izay rehetra nolazain’i Jesoa . jer. Jo 14,26., no hamolavola azy koa amin’ny fiainam-bavaka.
Tao amin’ny ankohonam-piangonana voalohany tao Jerosalema, dia “nazoto tamin’ny fampianaran’ny apôstôly, tsy nivadika tamin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, tamin’ny fizarana ny mofo ary tamin’ny vavaka” (Asa 2,42) ny mpino. Mampiavaka ny fivavahan’ny Fiangonana ny fitohitohizany : noho ny fivavahan’ny Fiangonana miorina amin’ny finoan’ny apôstôly sy amarinin’ny fitiava-namana, dia mitombo hery ao amin’ny Eokaristia.
Ny fivavahan’ny Fiangonana aloha dia ireo izay henoin’ny mpino sy vakìny ao amin’ny Soratra Masina, kanefa ampihariny amin’ny fiainana ankehitriny ireny, singanina manokana ny vavaka Salamo, izay manomboka amin’ny fahatanterahan’izy ireny ao amin’i Kristy . jer. Lk 24,27.44.. Ny Fanahy Masina, izay mampahatsiahy tahaka izany ny momba an’i Kristy amin’ny Fiangonany mivavaka, dia mitarika azy koa amin’ny Fahamarinana tanteraka sy mahatonga rijan-teny vaovao izay haneho ny misterin’i Kristy tsy taka-polopolorina amin’ny tsanganasa eo amin’ny fiainana, eo amin’ireo sakramenta ary eo amin’ny fanirahana ny Fiangonany. Hitombo hatrany ireny rijan-teny ireny ao amin’ny lovam-pampianarana lehibe ara-litorzia sy ara-pivavahana. Ireo endriky ny fivavahana, tahaka ireo izay nasehon’ny Soratra avy amin’ny apôstôly ara-pitsipika, dia hijanona ho fitsipiky ny fivavahana kristianina.
I.Ny fisaorana sy ny fitsaohana
Ny fisaorana dia maneho ny fihetsiky ny halalin’ny fivavahana kristianina: izy no fihaonan’Andriamanitra sy ny olombelona ; ao aminy ny Fanomezan’Andriamanitra sy ny fandraisan’ny olombelona no mifampiantso sy miray. Ny vavaka fisaorana no valy ataon’ny olombelona amin’ny fanomezan’Andriamanitra : satria mitsodrano Andriamanitra, ka ho valin’ izany, afaka misaotra an’Ilay izay loharanon’ny tsodrano rehetra ny fon’ny olombelona.
Endrika fototra anankiroa no maneho izany fihetsika izany : indraindray amin’ny endrika miakatra, entin’ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’i Kristy, mankany amin’ny Ray (misaotra Azy isika noho ny nitsofany rano antsika . jer. Efez 1,3-14; 2 Kôr 1,3-7; 1 Pi 1,3-9.); indraindray amin’ny endrika mitalaho ny fahasoavan’ny Fanahy Masina izay, amin’ny alalan’i Kristy, mirotsaka avy ao amin’ny Ray (Izy no mitsodrano antsika . jer. 2 Kôr 13,13; Rôm 15,5-6.13; Efez 6,23-24.).
Ny fitsaohana dia fihetsika voalohany ataon’ny olombelona izay miaiky ho zavaboary eo anatrehan’ny Mpahary azy. Ny fitsaohana no midera ny halehiben’ny Tompo izay nanao antsika . jer. Sal 95,1-6. sy ny maha-Mahefa ny zava-drehetra ny Mpamonjy izay manafaka antsika amin’ny ratsy. Ny fitsaohana no fiankohofan’ny fanahy eo anatrehan’ilay “Mpanjakan’ny voninahitra” (Sal 24,9-10) sy fanginana feno fanajana eo anatrehan’Andriamanitra “lehibe lalandava” . Md Augustin, Psal.62,16.. Ny fitsaohana an’Andriamanitra masina indrindra sy mahatehotia fatratra tokoa dia mahatonga fanetren-tena sy mampahazo antoka ny fitalahoantsika.
II.Ny vavaka fangatahana
Betsaka ny fahasamy hafa kely ny voambolana momba ny fitalahoana, ao amin’ny Testamenta Vaovao : mangataka, mitalaho, manao lemozy, miantso, mikiaka, mitaraina, ary mitolona mihitsy amin’ny vavaka . jer. Rôm 15,30; Kôl 4,12.. Kanefa ny endriny mahazatra indrindra, satria mipoitra ho azy tokoa avy ao am-po, dia ny fangatahana. Amin’ny alalan’ny vavaka fangatahana no ampisehoantsika ny kônsiansin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra : amin’ny maha-zavaboary, tsy isika no niandohantsika, na tompon’ny fahoriana, na tanjom-piafarantsika, nefa koa, amin’ny maha-mpanota, fantantsika, noho isika kristianina, fa mihodina amin’ny Ray isika. Efa fiverenana Aminy ny fangatahana.
Tsy dia betsaka vavaka fitarainana mafy ao amin’ny Testamenta Vaovao, kanefa hita matetika kosa ao amin’ny Testamenta Taloha. Manomboka ao amin’i Kristy nitsangan-ko velona ny fangatahan’ny Fiangonana no entin’ny fanantenana, na mbola eo am-piandrasana aza isika, mba hahazoantsika isan’andro ny tokony hibebahantsika. Avy any amin’ny halalina hafa izany no ipoiran’ny fangatahana kristianina, ilay antsoin’i Md Paoly hoe : fitarainana : toy ny “mihetsi-jaza” (Rôm 8,22) ny an’ny zavaboary, ary toy izany koa ny antsika “eo ampiandrasana ny fanavotana ny tenantsika, satria ny famonjena antsika no fototry ny fanantenana” (Rôm 8,23-24), ary farany, “ny fitarainana tsy hay lazaina” avy amin’ny Fanahy Masina ihany koa no “hanohana ny fahalementsika, satria na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika” (Rôm 8,26).
Ny fangataham-pamelana no fihetsika voalohany amin’ny vavaka fangatahana (jereo ilay poblikanina : “Mamindrà fo amiko fa mpanota aho”, Lk 18,13). Izy no mialoha amin’ny vavaka marina sy madio tsy misy fahony. Ny fanetren-tena ombam-pitokiana no mamerina antsika ao amin’ny fahazavan’ny fiombonana amin’ny Ray sy i Jesoa-Kristy Zanany, ary amintsika samy isika . jer. 1 Jo 1,7-2,2. : koa, “na inona na inona angatahintsika Aminy dia ho azontsika avy Aminy izany” (1 Jo 3,22). Ny fangataham-pamelana no atao voalohany amin’ny litorzia eokaristika, ho toy ny vavaka irery.
Ny fangatahana kristianina dia miompana amin’ny faniriana sy ny fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra izay ho tonga, araka ny fampianaran’i Jesoa . jer. Mt 6,10.33; Lk 11,2.13.. Misy ambaratonga amin’ireo fangatahana : voalohany, ny Fanjakan’Andriamanitra, manaraka izany, izay ilaina mba handraisana azy sy mba hiarahana miasa amin’ny fahatongavany. Izany fiaraha-miasa amin’ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy Masina izany, izay fanirahana ny Fiangonana amin’izao fotoana izao, no fototry ny fivavahan’ny fiombonam-piangonana apôstôlika . jer. Asa 6,6; 13,3.. Ny vavak’i Paoly, ilay apôstôly ambony dia ambony, no mampiseho amintsika ny fomba tokony hanentanan’ny fiahian’Andriamanitra ny Fiangonana manontolo ny fivavahana kristianina . jer. Rôm 10,1; Efez 1,16-23; Filip 1,9-11; Kôl 1,3-6; 4,3-4.12. Ny vita batemy rehetra, amin’ny alalan’ny fivavahana, dia miasa avokoa ho amin’ny Fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Rahefa mandray anjara toy izany amin’ny fitiavana mahavonjy avy amin’ Andriamanitra, dia mahazo an-tsaina fa ny filana rehetra dia mety hanjary fototry ny fangatahana. I Kristy izay nizaka tao Aminy ny zavatra rehetra mba hanavotana ny zavatra rehetra no omem-boninahitra amin’ny alalan’ny fangatahana izay atolotsika ny Ray amin’ny Anarany . jer. Jo 14,13.. Amin’izany fahazoan-toky izany no amporisihan’i Jakôba . jer. Jak 1,5-8. sy Paoly antsika hivavaka amin’ny fotoana rehetra . jer. Efez 5,20; Filip 4,6-7; Kôl 3,16-17; 1 Tes 5,17-18..
III.Ny vavaka fitalahoana
Ny fitalahoana dia vavaka fangatahana izay mahatonga ny fivavahantsika hitovy akaiky amin’ny vavak’i Jesoa. Izy no Mpanalalana tokana eo akaikin’ ny Ray mba ho an’ny olombelona rehetra, singanina manokana ny mpanota . jer. Rôm 8,34; 1 Jo 2,1; 1 Tim 2,5-8.. Izy no afaka “mahavonjy tanteraka an’ireo izay manatona an’Andriamanitra amin’ny Alalany, satria velona lalandava hanao fifonana ho azy ireo” (Heb 7,25). Ny Fanahy Masina ihany koa dia “mangataka ho antsika (...) ary mifanaraka amin’ny hevitr’Andriamanitra ny fitalahoany ho an’ny olomasina” (Rôm 8,26-27).
Ny mitalaho, ny mangataka ho an’ny hafa, nanomboka tamin’i Abrahama, dia toetran’ny fo manokana mifanaraka amin’ny famindram-pon’ Andriamanitra. Ao anatin’ny fotoanan’ny Fiangonana, ny fitalahoana kristianina dia mandray anjara amin’ny an’i Kristy : fitalahoana maneho ny fiombonan’ny olomasina. Amin’ny fitalahoana, ilay izay mivavaka dia “tsy mitady ny tombon-tsoa manokana ho an’ny tenany, fa mihevitra kokoa ny an’ny hafa” (Filip 2,4), hatramin’ny mivavaka ho an’ireo izay manisy ratsy azy . jer. Md Etiena teo am-pivavahana ho an’ireo izay manomo azy,tahaka an’i Jesoa: jer. Asa 7,60; Lk 23,28.34..
Niaina fatratra izany endrika fifampizàrana izany ny ankohonam-piangonana kristianina voalohany . jer. Asa 12,5; 20,36; 21,5; 2 Kôr 9,14.. Nampandray anjara azy ireo toy izany i Paoly apôstôly tamin’ny andraiki-panompoany ny Evanjely . jer. Efez 6,18-20; Kôl 4,3-4; 1 Tes 5,25., nefa mitalaho koa ho azy ireo izy . jer. 2 Tes 1,11; Kôl 1,3; Filip 1,3-4.. Ny fitalahoana kristianina dia tsy misy fetrany manasaraka : “ho an’ny olombelona rehetra, ho an’izay rehetra nametrahana fahefana” (1 Tim 2,1), ho an’ireo manenjika .jer. Rôm 12,14., ho famonjena ireo izay manohitra ny Evanjely . jer. Rôm 10,1..
IV.Ny vavaka fisaorana
Ny fisaorana no mamaritra mazava ny vavaky ny Fiangonana, izay mampiseho sy mahatonga bebe kokoa ny maha-izy azy, amin’ny fankalazana ny Eokaristia. Satria, i Kristy, amin’ny tsanganasam-pamonjena, no manafaka ny zavaboary amin’ny fahotana sy amin’ny fahafatesana, ka sady manamasina no mamerina izany indray amin’ny Ray, mba ho Voninahiny. Ny fisaoran’ny rantsambatan’ny Vatana dia mandray anjara amin’ny an’ny Filohan’izy ireo.
Toy ny amin’ny vavaka fangatahana, mety hanjary fanati-pisaorana avokoa ny zava-miseho rehetra sy ny filana rehetra. Manomboka sy mifarana matetika amin’ny fisaorana ny taratasin’i Md Paoly, ary ao amin’izany lalandava i Jesoa Tompo. “Amin’ny zavatra rehetra, aoka ianareo hisaotra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra hataonareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa” (1 Tes 5,18). “Aoka ianareo hazoto amin’ny fivavahana ; aoka ho hataonareo amim-piambenana ao anatin’ny fisaorana izany” (Kôl 4,2).
V.Ny vavaka fiderana
Ny fiderana no endri-bavaka izay manaiky eo no eo mivantana fa Andriamanitra no Andriamanitra. Mihira Azy ho an’ny Tenany ihany ny fiderana, manome voninahitra Azy, any ambadik’izay ataon’Izy Andria-manitra, satria IZY NO IZY. Ny fiderana no mandray anjara amin’ny hasambaran’ny fo madio izay tia Azy amin’ny finoana, alohan’ny mahita Azy amin’ny Voninahitra. Amin’ny alalan’izany, mikambana amin’ny fanahintsika ny Fanahy mba haneho fa zanak’Andriamanitra isika . jer. Rôm 8,16., izy no manambara ny Zanaka Lahitokana, izay ao Aminy isika no atsangana ho zanaka, ary amin’ny alalany isika no manome voninahitra ny Ray. Ny fiderana no mampiditra manontolo ny endri-bavaka hafa rehetra sy mitondra azy ireny any amin’Ilay izay fototra iandohana sy fiafarana amin’izany : “Iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary natao ho Azy isika” (1 Kôr 8,6).
Nolazain’i Md Lioka matetika ao amin’ny Evanjeliny ny figagana sy ny fiderana manoloana ny zava-mahagaga nataon’i Kristy, ary nomarihiny koa ao amin’ny Asan’ny apôstôly fa asan’ny Fanahy Masina ireny : ny ankohonam-piangonana tao Jerosalema . jer. Asa 2,47., ilay lehilahy malemy tongotra nositranin’i Piera sy Joany . jer. Asa 3,9., ny vahoaka be dia be izay nanome voninahitra an’Andriamanitra ny amin’izany . jer. Asa 4,21., ny jentily tao Pisidia izay, “faly aok’izany, nankalaza ny Tenin’ny Tompo” (Asa 13,48).
“Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho ; ihirao sy ankalazao amin’ny fonareo manontolo ny Tompo” (Efez 5,19) . jer. Kôl 3,16.. Tahaka ireo mpanoratry ny Testamenta Vaovao notsilovin’Andriamanitra, mamerina mamaky ny bokin-tSalamo ny ankohonam-piangonana kristianina voalohany, amin’ny fihirana ao amin’izany ny misterin’i Kristy. Izy ireo dia namorona koa, tamin’ny zava-baovao nentin’ny Fanahy, antsa aman-tonon-kira miainga avy amin’ny Zava-miseho mahatalanjona izay notanterahin’Andriamanitra tao amin-Janany : ny Fahatongavany ho nofo, ny fahafatesany nandresy ny fahafatesana, ny Fitsanganany ho velona sy ny Fiakarany any an-danitra eo an-kavanan’ny Ray . jer. Filip 2,6-11; Kôl 1,15-20; Efez 5,14; 1 Tim 3,16; 6,15-16; 2 Tim 2,11-13.. Avy amin’izany “zava-mahagagan’ ”ny fitantanam-pamonjena manontolo izany no isondrotan’ny tenim-boninahitra, ny fiderana an’Andriamanitra . jer. Efez 1,3-14; Rôm 16,25-27; Efez 3,20-21; Joda 24-25..
Ny Fanambaràna “avy amin’izay tsy maintsy ho tonga ato ho ato”, ny Apôkalipsa, dia aseho amin’ny tonon-kiran’ny litorzian’ny lanitra . jer. Apôk 4,8-11; 5,9-14; 7,10-12., nefa koa amin’ny alalan’ny fitalahoan’ireo “vavolombelona” (martiry) . jer. Apôk 6,10.. Ny mpaminany sy ny olomasina, ireo rehetra izay novonoina tety an-tany noho ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa . jer. Apôk 18,24., vahoaka maro be, avy amin’ny fijaliana lehibe, izay nialoha antsika any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no mihira fiderana ny voninahitr’Ilay izay mipetraka eo amin’ny Seza fiandrianana sy ny Zanak’Ondry . jer. Apôk 19,1-8.. Amin’ny fiombonana amin’izy ireo, ny Fiangonana ety an-tany no mihira koa ireo tonon-kira ireo ao anatin’ny finoana sy ao anatin’ny fitsapan-toetra. Ny finoana, ao anatin’ny fangatahana sy ny fitalahoana, dia manantena ny tsy azo antenaina rehetra, sy misaotra ny Rain’ny fahazavana izay avy Aminy no irotsahan’ny fanomezana tsara rehetra . jer. Jak 1,17.. Araka izany, fiderana madio tsy misy fahony ny finoana.
Ny Eokaristia no mirakitra sy maneho ny endrika rehetra amin’ny vavaka : izy no “fanatitra madio tsy misy fahony ” ny Vatan’i Kristy manontolo ho voninahitry ny anarany . jer. Mal 1,11. ; izy no “ilay sorom-piderana”, araka ny lovam-pampianarana Tatsinanana sy Tandrefana.
Ny Fanahy Masina, izay mampianatra ny Fiangonana sy mampahatsiahy azy izay rehetra nolazain’i Jesoa, dia manabe azy koa amin’ny fiainam-bavaka, amin’ny famoahana fomba fiteny izay mihavao eo anivon’ny fomba fanao maharitra : tsodrano, fangatahana, fitalahoana, fisaorana ary fiderana.
Satria Andriamanitra no mitsodrano ny fon’ny olombelona, dia afaka misaotra Azy izay loharanon’ny tsodrano rehetra koa ny fon’ny olombelona.
Ny fototry ny vavaka fangatahana dia ny famelan-keloka sy ny fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra, tahaka izany koa izay rehetra tena ilaina.
Ny vavaka fitalahoana dia miompana amin’ny fangatahana ny soa ho an’ny hafa. Tsy misy fetrany manasaraka izany ary mipaka hatrany amin’ireo fahavalo.
Ny hafaliana rehetra mbamin’ny fijaliana rehetra, ny zava-miseho rehetra mbamin’ny zavatra rehetra ilaina, dia azo anaovana fisaorana avokoa izay tokony hanenika ny fiainana manontolo, amin’ny fandraisana anjara amin’ ny fisaoran’i Kristy. “Amin’ny zavatra rehetra, aoka ianareo hisaotra” (1 Tes 5,18).
Ny vavaka fiderana, tsy ikendrena tombon-tsoa ho an’ny tena avokoa, fa miantefa amin’Andriamanitra ; ihiràna Azy izany mba ho Azy, anomezana voninahitra Azy izany, mihoatra noho izay ataony, satria IZY NO IZY.
Ny vavaka dia tsy azo fintinina amin’ny fiboiboika mipoitra ho azy avy amin’ny tosi-kerim-pamporisika ao anaty : mba hivavaka, ilaina ny finiavana hanao izany. Tsy ampy fotsiny koa ny mahalala izay ambaran’ny Soratra Masina momba ny fivavahana : ilaina koa ny mianatra mivavaka. Ary amin’ny alalan’ny fampitana manan-kery (ny Lovam-pampianarana masina) no ampianaran’ny Fanahy Masina ny zanak’Andriamanitra hivavaka, ao amin’ny “Fiangonana mino sy mivavaka” . FA 8..
Ny lovam-panahy momba ny fivavahana kristianina dia iray amin’ireo endriky ny fitomboan’ny Lovam-pampianaram-pinoana, indrindra amin’ny alalan’ny fibanjinana sy ny fianaran’ny mpino izay mitahiry ao am-pon’izy ireo ny zava-miseho sy ny tenin’ny fitantanam-pamonjena, ary amin’ny alalan’ny fitsofohana lalina amin’ny zava-misy ara-panahy izay nahatsapan’ izy ireo izany . FA 8..
1.Ny loharanon’ny fivavahana
Ny Fanahy Masina no “ilay rano velona” izay miboiboika hatrany amin’ ny Fiainana mandrakizay . jer. Jo 4,14., ao anatin’ny fo mivavaka. Izy no mampianatra antsika handray Izany ao amin’ny Tenan’ilay Loharano, dia i Kristy. Ary, ao amin’ny fiainana kristianina dia misy fantsakàna izay iandrasan’i Kristy antsika mba hisotroantsika ny Fanahy Masina :
Ny Tenin’Andriamanitra
Ny Fiangonana dia “mamporisika mafy sy amin’ny fomba manokana ny kristianina rehetra (....) hanovo “fahalalana ambony dia ambony momba an’i Jesoa-Kristy”, amin’ny alalan’ny famakiana matetika ny Soratra masina. (...) Kanefa ny vavaka dia tokony hiaraka amin’ny famakiana ny Soratra masina mba hirindran’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona, satria "Aminy no ivantanantsika rahefa mivavaka isika, ary Izy no henointsika rahefa mamaky ny teny marin’ny Tompo isika" . Md Ambroise, off 1,88 izay hita koa ao amin’ny FA 25.”.
Ireo Ray am-panahy, amin’ny fivoasana ny Mt 7,7, dia mamintina toy izao ny fahavononan’ny fo velomin’ny Tenin’Andriamanitra rahefa mivavaka : “Mitadiava ianareo eo am-pamakian-teny, fa hahita ianareo eo am-pandinihana ; dondòny eo am-pivavahana, fa ho vohaina varavarana ianareo amin’ny alalan’ny fibanjinana” . jer. Guigne le Chartreux, scala 2,2..
Ny litorzian’ny Fiangonana
Ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy Masina, izay mitory, mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ary mampita ny misterim-pamonjena ao amin’ ny litorzia ara-tsakramentan’ny Fiangonana, dia mitohy ao am-pon’izay mivavaka. Indraindray ampitovian’ny Ray am-panahy amin’ny ôtely ny fo. Ny vavaka no mampiditra ao anaty sy mitsakotsako ny litorzia, mandritra sy aorian’ny fankalazana azy. Ny vavaka, na dia iainana “ao amin’ny mangingina” aza (Mt 6,6), dia vavaky ny Fiangonana lalandava, sady fiombonana amin’ny Trinite Masina . jer. IGLH, 9..
Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra
Toy ny idirana ao amin’ny litorzia no idirana ao amin’ny fivavahana : amin’ny varavarana ety ny finoana. Amin’ny alalan’ireo famantarana ny maha-Eo ny Tompo, dia ny Endriny no tadiavintsika sy irìntsika, ny Teniny no ilaintsika henoina sy tandremana.
Ny Fanahy Masina, izay mampianatra antsika hankalaza ny litorzia eo am-piandrasana ny fiverenan’i Kristy, no manabe antsika hivavaka ao anatin’ny fanantenana. Raha avadika ny filaza azy, ny vavaky ny Fiangonana sy ny vavaky ny tsirairay no mamelona ny fanantenana ao amintsika. Ny Salamo indrindra, amin’ireo fiteniny azo tsapain-tanana sy samy hafa, no mampianatra antsika hampifantoka ny fanantenantsika amin’ Andriamanitra : “Ny Tompo no nametrahako ny fanantenako rehetra ; niondrika tamiko Izy, nihaino ny fitarainako” (Sal 40,2). “Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny asam-pinoanareo, mba hitombo be dia be ao aminareo ny fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina !” (Rôm 15,13).
“Ny fanantenana tsy manodoka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra” (Rôm 5,5). Ny fivavahana, novolavolain’ny fiainana litorzika dia manovo manontolo ao amin’ny Fitiavana izay itiavana antsika ao amin’i Kristy ary mahatonga antsika hamaly izany amin’ny fitiavana tahaka ny nitiavany antsika. Ny Fitiavana no loharanon’ny fivavahana ; izay manovo ao, mahatratra ny fara tampon’ny fivavahana :
Andriamanitra ô, tia Anao aho, ary ny hany faniriako dia ny ho tia Anao hatramin’ny fara senton’ny fiainako. Ry Andriamanitra mahatehotia indrindra ô, tia Anao aho, ary aleoko maty amin’ny fitiavana Anao, toy izay ny ho velona tsy tia Anao. Tompo ô, tianao aho, ka ny hany fahasoavana angatahiko Aminao, dia ny ho tia Anao mandrakizay. (...) Andriamanitra ô, raha tsy afa-milaza Aminao ny vavako, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, fa tiako Ianao, dia ny foko no mba iriko hamerimberina izany Aminao raha mbola miaina koa aho . Md Jean-Marie Baptiste Vianney, vavaka..
“Anio”
Mianatra mivavaka isika amin’ny fotoana sasany amin’ny fihainoana ny Tenin’ny Tompo sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny misterin’ny Pakany, nefa amin’ny fotoana rehetra kosa, amin’ny zava-miseho isan’andro, no anolorany amintsika ny Fanahiny mba hampiboiboika ny vavaka. Ny fampianaran’i Jesoa momba ny fivavahana amin’ny Raintsika dia iray laharana amin’ny fampianarany momba ny Fitahian’Andriamanitra . jer. Mt 6,11.34. : eo am-pelantanan’ny Ray ny fotoana ; amin’izao fotoana izao no ihaonantsika aminy, tsy omaly na rahampitso, fa anio : “Afaka hihaino ny feony ve ianareo anio ; aza manamafy ny fonareo” (Sal 95,8).
Ny mivavaka araka ny zava-miseho isan’andro sy isan’ora no anisan’ny iray amin’ireo tsiambaratelon’ny Fanjakan’Andriamanitra ambara amin’ireo “madinika indrindra”, amin’ireo mpanompon’i Kristy, amin’ireo mahantra voalazan’ny hasambarana. Mendrika sy rariny ny mivavaka, mba ny fahatongavan’ny Fanjakan’ny fahamarinana sy ny fiadanana no hery mitarika ny fizotran’ny tantara, nefa zava-dehibe kokoa ny mamolavola ny koban’ny zavatra tsotra mpiseho andavanandro, amin’ny alalan’ny fivavahana. Ny endriky ny fivavahana rehetra dia mety ho io lalivay izay anoharan’ny Tompo ny Fanjakan’Andriamanitra io . jer. Lk 13,20-21..
Amin’ny alalan’ny fampitana manan-kery, dia ny Lovam-pampianarana izany, no ampianaran’ny Fanahy Masina ny zanak’Andriamanitra hivavaka, ao amin’ny Fiangonana.
Ny Tenin’Andriamanitra, ny litorzian’ny Fiangonana, ny hasin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, no loharanom-bavaka.
2.Ny lalan’ny fivavahana
Ao amin’ny lovam-pampianarana velona momba ny fivavahana, ny Fiangonana tsirairay dia samy manome hevitra ny mpinony, araka ny tontolom-piainana eo amin’ny tantara, fiaraha-monina ary kolontsaina, ny fombam-panehoana ny vavak’izy ireo : fiteny, feon-kira, fihetsika, sarimasina. Anjaran’ny Toniam-pampianarana . jer. FA 10. anefa ny mandanjalanja ny fahamarinan’ireo lalam-pivavahana ireo amin’ny lovam-pampianaram-pinoan’ny apôstôly, ary anjaran’ny mpiandry ondry sy ny katesety kosa ny manazava ny hevitr’izany, izay mifandray lalandava amin’i Jesoa-Kristy.
Ny fivavahana amin’ny Ray
Tsy misy lalan-kafan’ny fivavahana kristianina afa-tsy i Kristy. Izay fivavahantsika na iombonana na an’ny tsirairay, na atao am-bava na atao am-po, dia tsy ho tonga any amin’ny Ray raha tsy mivavaka “amin’ny Anaran’i” Jesoa isika. Ny maha-Olombelona masina an’i Jesoa àry no lalana izay ampianaran’ny Fanahy Masina antsika hivavaka amin’Andriamanitra Raintsika.
Ny fivavahana amin’i Jesoa
Ny vavaky ny Fiangonana, velomin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fankalazana amin’ny litorzia, no mampianatra antsika hivavaka amin’i Jesoa Tompo. Na dia avantana indrindra any amin’ny Ray azy izany, ao amin’ny lovam-pampianarana litorzika rehetra, dia misy endri-pivavahana avantana any amin’i Kristy. Ny Salamo sasany, araka ny fampiharana azy amin’ny fiainana ankehitriny amin’ny vavaky ny Fiangonana, sy ny Testamenta Vaovao, no mametraka eo amin’ny am-bavantsika sy misokitra ao am-pontsika ny fitalahoana amin’izany fivavahana amin’i Kristy izany hoe : Zanak’Andriamanitra, Tenin’Andriamanitra, Tompo, Mpamonjy, Zanak’ Ondrin’Andriamanitra, Mpanjaka, Zanaka malala, Zanaky ny Virjiny, Mpiandry ondry tsara, Fiainantsika, Fahazavantsika, Fanantenantsika, Fananganana antsika ho velona, Sakaizan’ny olombelona ...
Fa ny Anarana izay mahafaoka azy rehetra dia ilay izay noraisin’ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny Fahatongavany ho nofo hoe : JESOA. Tsy hain’ny vavan’olombelona tononina ny Anaran’Andriamanitra . jer. Eks 3,14; 33,19-23., nefa amin’ ny fizakan’ny Tenin’Andriamanitra ao Aminy ny maha-olombelona antsika, no anolorany izany amintsika ka ahafahantsika miantso azy hoe : “Jesoa”, “mamonjy IAVEH” . jer. Mt 1,21.. Misy ny rehetra ny Anaran’i Jesoa : Andriamanitra sy ny olombelona ary ny fitantanana manontolo ny fahariana sy ny famonjena. Ny mivavaka amin’i “Jesoa”, dia ny mitalaho Aminy sy ny miantso Azy ao amintsika. Ny Anarany no hany tokana mirakitra ny Fisiana izay manambara ny Tenany. Nitsangan-ko velona i Jesoa, ka na iza na iza miantso ny Anarany, dia mandray ny Zanak’Andriamanitra izay tia Azy sy nanolo-tena ho Azy . jer. Rôm 10,13; Asa 2,21; 3,15-16; Gal 2,20..
Izany fitalahoam-pinoana tena tsotra izany no velabelarin’ny lovam-pampianaran’ny fivavahana amin’ny endrika maro tany Atsinanana sy tany Andrefana. Ny fitenenana mahazatra indrindra, nampitain’ny mpampianatra ara-panahy tany Sinaia, tany Siria ary tany Athos, dia ny fiantsoana hoe : “Jesoa, Kristy, Zanak’Andriamanitra, Tompo ô, mamindrà fo aminay mpanota !”. Izany fiantsoana izany dia mampiray ny tonon-kiram-piderana an’i Kristy ao amin’ny Filip 2,6-11 amin’ny antson’ilay poblikanina sy ireo mpangataka fahiratana . jer. Lk 18,13; Mk 10,46-52.. Amin’ny alalan’izany fiantsoana izany ny fo no manaiky amin’ny fahorian’ny olombelona sy amin’ny Famindram-pon’ny Mpamonjy azy ireo.
Ny fiantsoana ny anara-masin’i Jesoa no lalana tsotra indrindra amin’ny vavaka tsy an-kijanona. Noho izy averimberin’ny fo mahatandrina amim-panetren-tena matetika, dia tsy miparitaka amin’ny hamaroan’ny teny (Mt 6,7) izy, fa “mitana ny Teny sy mamokatra amin’ny faharetana” . jer. Lk 8,15.. Azo atao amin’ny “fotoana rehetra” ny fiantsoana, satria tsy raharaha ivelan’ny hafa izany fa raharaha tokana, dia ny mitia an’Andriamanitra, izay manome aina sy manova endrika ny asa rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.
Ny vavaky ny Fiangonana dia manaja sy manome voninahitra ny Fon’i Jesoa, tahaka ny iantsoany ny Anarany masina indrindra. Ny vavaky ny Fiangonana dia mitsaoka ny Teny tonga nofo sy ny Fony izay nanaiky ho lefonina noho ny fahotantsika, noho ny fitiavana ny olombelona. Tia manaraka ny lalan’ny Hazofijaliana, amin’ny fanarahan-dia ny Mpamonjy, ny fivavahana kristianina. Ny fijanonana nanomboka teo amin’ny Fitsaràna ka hatrany Golgotà sy tao amin’ny Fasana dia nanjohy ny dian’i Jesoa izay nanavotra an’izao tontolo izao tamin’ny Hazofijaliany masina.
“Avia, ry Fanahy Masina”
“Tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy tarihin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). Isaky ny manomboka mivavaka amin’i Jesoa isika, dia ny Fanahy Masina no mitari-dalana antsika ho amin’ny lalan’ny fivavahana, amin’ny alalan’ny fahasoavany mitahy. Satria ny Fanahy Masina no mampianatra antsika hivavaka amin’ny fampahatsiarovany antsika an’i Kristy, ka ahoana moa no tsy hivavahana amin’ny Tenan’Izy Fanahy koa ? Izany no mahatonga ny Fiangonana handrisika antsika hitalaho isan’andro ny Fanahy Masina, indrindra amin’ny fanombohana sy amin’ny fiafaran’ny asa mavesa-danja rehetra. Raha tsy tokony hotsaohina ny Fanahy ahoana moa no hanandratany ahy ho Andriamanitra amin’ny alalan’ny Batemy ? Ary raha tsy maintsy tsaohina Izy, tsy Izy ve no tokony ho fototry ny fanompoana manokana . Md Grégoire de Naz., or. 30 (theol. 5),28. ?
Ny fomba fanao araka ny lovantsofina amin’ny fangatahana ny Fanahy, dia ny mitalaho amin’ny Ray amin’ny alalan’i Kristy Tompontsika mba hanomezany antsika ny Fanahy Mpanafaka alahelo . jer. Lk 11,13.. Nanantitrantitra ny momba izany fangatahana amin’ny Anarany izany i Jesoa tamin’ny fotoana izay nampanantenany indrindra koa ny fanomezana ny Fanahin’ny Fahamarinana . jer. Jo 14,17; 15,26; 16,13.. Kanefa, araka ny lovantsofina koa ity vavaka tsotra indrindra sy mivantana indrindra ity : “Avia, ry Fanahy Masina”, ary ny lovam-panahy ara-litorzia tsirairay no namelabelatra izany tao amin’ny sasin-kira sy ny antsa :
Avia, ry Fanahy Masina, fenoy ny fon’ny mpino Anao, ary areheto ao amin’izy ireo ny afom-pitiavanao . jer. "la Séquence de Pentecôte".. Ry Mpanjakan’ny lanitra, ry Fanahy Mpanafaka alahelo, ry Fanahin’ny Fahamarinana, manerana hatraiza hatraiza sy mameno ny tontolo, fitoeran-drakitry ny soa rehetra sy loharanon’ny Fiainana, avia Ianao, ry ilay Tsara, monena ato aminay, diovy izahay ary vonjeo izahay . Litorzia Bizantinina, Tononkalom-pivavahana amin’ny vavaka harivan’ny Pantekôty. !
Ny Fanahy Masina, izay fanosorana mamonto ny maha-olona antsika manontolo, no Mpampianatra ao anaty amin’ny fivavahana kristianina. Izy no tompon’antoky ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana. Marina fa samy maro ny fandrosoana amin’ny fivavahana sy ny mpivavaka, nefa Fanahy iray ihany no miasa ao amin’ny rehetra sy miaraka amin’ny rehetra. Ao anatin’ny fiombonana amin’ny Fanahy Masina izany ny vavaka kristianina dia vavaka ao anatin’ny Fiangonana.
Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra
Amin’ny vavaka, ny Fanahy Masina no mampiray antsika amin’ny Tenan’ ny Zanaka Lahitokana, amin’ny maha-Olombelona nomem-boninahitra Azy. Amin’ny alalan’io Tenany io sy ao Aminy ny fivavahana amin’ny maha-zanaka antsika no miombona ao amin’ny Fiangonana miaraka amin’ny Renin’i Jesoa . jer. Asa 1,14..
Ny maha-Reny an’i Maria, izay nanomboka tamin’ny fanekena amim-pinoana, ny andron’ny “Filazana”, ary voatanany tsy nisy fisalasalana hatreo am-pototry ny Hazofijaliana, dia miitatra tsy miato amin’ny rahalahy sy anabavin’ny Zanany “mbola ety am-pivahiniana ka tandindomin-doza sy ianjadiam-pahoriana” . FF 62.. I Jesoa, ilay Mpanalalana tokana, no lalan’ny fivavahantsika ; i Maria, Reniny sady Renintsika, dia mangarahara tanteraka ao amin’i Jesoa : izy no “manoro ny lalana” (Hodoghitria), izy no “Famantarana” amin’izany, araka ny haisarimasina avy amin’ny lovantsofina any Atsinanana sy any Andrefana.
Miainga avy amin’izany fiaraha-miasa manokana eo amin’i Maria sy ny asan’ny Fanahy Masina izany no nampiroboroboan’ireo Fiangonana ny fangatahana atao amin’ny Reny masin’Andriamanitra, amin’ny fampifantohana izany amin’ny Tenan’i Kristy naseho miharihary tao amin’ny misteriny. Amin’ny antsa sy sasin-kira tsy tambo isaina izay maneho izany fangatahana izany, dia fihetsika anankiroa no mifandimby araka ny mahazatra : ny iray “mankalaza” ny Tompo noho ny “zava-dehibe” izay nataony ho an’ny mpanompovaviny tsinontsinona, ary amin’ny alalan’izy io, ho an’ny olombelona rehetra . jer. Lk 1,46-55. ; ny iray hafa manankina amin’ny Renin’i Jesoa ny fitalahoana sy ny fideran’ireo zanak’ Andriamanitra, satria izy ankehitriny no mahalala ny olombelona izay ampakarin’ny Zanak’ Andriamanitra ho vady ao aminy.
Ao amin’ny vavaka hoe “Arahaba, ry Maria”, no ahitana amin’io fihetsika anankiroa amin’ny fangatahana amin’i Maria io ny fomba fiteny maneho tombon-tsoa manokana : “Arahaba ry Maria (Mifalia ianao, ry Maria).” Ny fiarahaban’ny Anjely Gabriely no manokatra ny vavaka Arahaba. Ny Tenan’Izy Andriamanitra ihany, amin’ny fanelanelanan’ny anjeliny, no miarahaba an’i Maria. Ny fivavahantsika dia sahy mamerina ny fiarahabana an’i Maria omban’ny fijery izay natopin’Andriamanitra tamin’ny mpanompovaviny tsinontsinona . jer. Lk 1,48., sy mifaly amin’ny hafaliana izay hitan’Izy Andriamanitra tao amin’i Maria . jer. Sôf 3,17.. “Feno hasoavana, ny Tompo ao aminao” : Mifanazava ny teny roa amin’ny fiarahaban’ny anjely. Feno hasoavana i Maria satria momba Azy ny Tompo. Ny fahasoavana izay mahenika azy, dia ny fisian’Ilay izay loharanon’ny fahasoavana rehetra. “Mifalia ianao (...) ry zanakavavin’i Jerosalema (...) eo afovoanao ny Tompo” (Sôf 3,14.17a). I Maria, izay ny Tenan’ny Tompo mihitsy no tonga monina ao aminy, no manjary vatan-tenan’ilay zanakavavin’i Siôna, ilay Sambofiaran’ny fanekem-pihavanana, ilay toerana izay onenan’ny voninahitry ny Tompo : izy no “fonenan’Andriamanitra eo anivon’ny olombelona” (Apôk 21,3). Ny tenany, “feno hasoavana”, no nomeny manontolo an’Ilay izay tonga mitoetra ao aminy, sy homeny an’izao tontolo izao. “Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina i Jesoa nateraky ny kibonao.” Aorian’ny fiarahaban’ny anjely, raisintsika ho antsika koa ny fiarahaban’i Elizabeta. “Noho i Elizabeta feno ny Fanahy Masina” (Lk 1,41), dia izy no voalohany amin’ny taranaka rehetra mifandimby izay nanambara an’i Maria ho sambatra . jer. Lk 1,48. : “Sambatra ilay nino ...” (Lk 1,45); “nosoavina noho ny vehivavy rehetra” i Maria satria nino ny fahatanterahan’ny tenin’ny Tompo izy. I Abrahama, noho ny finoany, dia nanjary fanasoavana ny “firenena rehetra eto ambonin’ny tany” (Jen 12,3). I Maria, noho ny finoany, dia nanjary renin’ny mpino izay amin’izany ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany no mandray an’Ilay izay fanasoavana avy amin’Andriamanitra rahateo : “I Jesoa ilay masina, nateraky ny kibonao.”
“Masina Maria, Renin’Andriamanitra, mivavaha ho anay ...” Miaraka amin’i Elizabeta isika no mitolagaga hoe :”Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho ?” (Lk 1,43). Sady Renin’Andriamanitra no renintsika i Maria, satria izy no manome antsika an’i Jesoa zanany ; afaka manankina aminy ny ahiahintsika sy ny fangatahantsika rehetra isika : mivavaka ho antsika izy toy ny nivavahany ho an’ny tenany : “Aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1,38). Rahefa matoky ny vavak’i Maria isika, dia manolo-tena miaraka aminy amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra : “Ho tanteraka anie ny sitraponao.” “Mivavaha ho anay mpanota, ankehitriny ary amin’ny andro hahafatesanay.” Ny fangatahana amin’i Maria mba hivavaka ho antsika dia fiekena ny maha-mpanota mahantra antsika ka manatona an’ilay “Renin’ny famindram-po”, ilay Masina Tanteraka. Izao “ankehitriny” izao isika no mitoky aminy, ny amin’ny anio ny fiainantsika. Ary miitatra io fitokiantsika io mba hanolorantsika aminy dieny ankehitriny “ny andro hahafatesantsika”. Mba ho eo anie izy amin’izay, tahaka ny tamin’ny nahafatesan’ny Zanany teo amin’ny Hazofijaliana, ka amin’ny ora hialantsika ety, dia handray antsika izy amin’ny maha-renintsika azy . jer. Jo 19,27., ary hitantana antsika ho any amin’i Jesoa Zanany, any am-Paradisa.
Ny fitiavam-bavaka tamin’ny taonjato antenatenany tany Andrefana dia nampandroso ny fivavahana Raozery, ho solon’ny Vavaka Isan’Andro, ho an’ny vahoaka. Tany Atsinanana, ny vavaka litania amin’ny “Acathiste” sy amin’ny “Paraclisis” no nijanona ho akaikikaiky kokoa ny fanompoam-pivavahana an-kira redom-be tao amin’ny Fiangonana bizantinina, fa ny lovantsofina armenianina, kôpta ary siriàka kosa dia nitia kokoa ny antsa sy ny hiram-pivavahana fanaon’ny vahoaka amin’ny Renin’Andriamanitra. Kanefa na ao amin’ny Arahaba ry Maria, na amin’ireo “théotokia”, na amin’ireo antsan’i Md Ephrem na i Md Grégoire de Narek, dia iray fototra ihany eto, ny lovam-panahy momba ny fivavahana.
I Maria no Mpivavaka lavorary, endriky ny Fiangonana. Rahefa mangataka aminy isika, dia mifikitra mafy miaraka aminy amin’ny fandaharan’ny Ray, izay naniraka ny Zanany mba hamonjy ny olombelona rehetra. Toy ilay mpianatra malala no andraisantsika ao amintsika . jer. Jo 19,27. ny Renin’i Jesoa, izay nanjary renin’ny velona rehetra. Afaka mivavaka miaraka aminy sy mangataka aminy isika. Ny vavak’i Maria izany no toy ny mitondra ny vavaky ny Fiangonana. Miray amin’i Maria ao amin’ny fanantenana, izany vavaky ny Fiangonana izany . jer. FF 68-69..
Amin’ny Ray indrindra no avantana ny fivavahana ; tahaka izany koa, mivantana amin’i Jesoa ny fivavahana, indrindra amin’ny fiantsoana ny Anarany masina hoe : “Jesoa, Kristy, Zanak’Andriamanitra, Tompo, mamindrà fo aminay, mpanota !”.
“Tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy noho ny asan’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). Manainga antsika ny Fiangonana hiantso ny Fanahy Masina amin’ny maha-Mpampianatra anaty Azy ny fivavahana kristianina.
Noho ny fiarahany miasa manokana amin’ny asan’ny Fanahy Masina, dia tian’ny Fiangonana ny miombom-bavaka amin’i Maria Virjiny, mba hankalaza miaraka aminy ny zava-dehibe notanterahin’Andriamanitra tao aminy, sy mba hanankina aminy ny fitalahoana sy ny fiderana.
3.Ireo Mpitarika amin’ny fivavahana
Ny vavolombelona zavon-tany
Ireo vavolombelona izay nialoha antsika any amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra . jer. Heb 12,1., indrindra ireo izay ankatoavin’ny Fiangonana ho “olomasina”, dia mandray anjara amin’ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana, amin’ny alalan’ny oha-piainan’izy ireo, amin’ny alalan’ny fampitana ny asa soratr’izy ireo ary amin’ny alalan’ny fivavahan’izy ireo ankehitriny. Mibanjina an’Andriamanitra izy ireo, midera Azy ary tsy mitsahatra mitahy an’ireo izay nilaozan’izy ireo tety an-tany. Tamin’ny nidirany “tao anatin’ny hafalian’ ”ny Tompon’izy ireo, dia “natsangana ho mpanapaka ny be” . jer. Mt 25,21. izy ireo. Ny fanelanelanan’izy ireo no fanompoana ambony indrindra ataon’izy ireo amin’ny fandaharan’Andriamanitra. Azontsika atao ary tokony hataontsika ny mangataka amin’izy ireo hivavaka ho antsika sy ho an’izao tontolo izao.
Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina no itomboan’ireo Fiangonana amin’ ny fiainam-panahy samihafa, eny am-pamakivakiana ny tantara eny. Ny fanomezam-pahasoavana ny tsirairay ho vavolombelon’ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ny olombelona dia azo ampitaina, toy ny “fanahin’ ” i Elia tamin’i Elisea . jer. 2 Mpanj 2,9. sy tamin’i Joany Batista . jer. Lk 1,17., mba hahazoan’ny mpianatra anjara amin’izany fanahy izany . jer. FFR 2.. Ny fiainam-panahy iray dia fihaonana koa amin’ny fomba mahazatra sasany, ara-litorzia sy ara-teôlôjia, sy mampiseho ny fampidirana ny kolontsaina ao amin’ny finoana, eo amin’ny tontolo iainan’olombelona sy ny tantarany. Ireo fiainam-panahy kristianina kosa dia mandray anjara amin’ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana, ary mpitari-dalana ilaina ho an’ny mpino. Ireo no mamerina tara-pahazavana madio mangarangarana sy tokana avy amin’ny Fanahy Masina, ao anatin’ny fahasamy hafa ny harem-pahasoavan’izy ireo. ”Ny Fanahy no tena toeran’ny olomasina tokoa, ary ny olomasina ho an’ny Fanahy no toerana madio, satria manolo-tena izy hiara-monina amin’Andriamanitra ary antsoina hoe Tempoliny” . Md Basile, Spir. 26,62..
Ny mpanompon’ny fivavahana
Ny fianakaviana kristianina no voalohan-toerana fanabeazana amin’ny fivavahana. Noho ny fianakaviana kristianina miorina amin’ny sakramentan’ ny Fanambadiana, dia manjary “Fiangonana ao an-tokantrano” izy, ka ao ny zanak’Andriamanitra no mianatra mivavaka “ao amin’ny Fiangonana” sy mitozo amin’ny fivavahana. Ho an’ny ankizy madinika manokana, ny vavaky ny mpianakavy isan’andro no vavolombelona voalohany amin’ny fahatsiarovana maharitra ny Fiangonana, izay ny Fanahy Masina no mamohafoha izany amim-paharetana.
Ireo mpandraharaha voahosotra koa dia tompon’andraikitra amin’ny fanabeazana ny rahalahin’izy ireo sy ny anabaviny ao amin’i Kristy, amin’ny fivavahana. Amin’ny maha-mpanompon’ilay Mpiandry ondry tsara azy ireo, dia nohamasinina izy ireo mba hitarika ny vahoakan’Andriamanitra ho an’ny amin’ny loharano velon’ny fivavahana: ny Tenin’Andriamanitra, ny litorzia, ny fiainana araka an’Andriamanitra, ny Ankehitrinin’Andriamanitra eo amin’ny toe-javatra mifanaraka amin’ny zava-misy . jer. RFP 4-6..
Betsaka amin’ireo relijiozy no manokana ny fiainan’izy ireo manontolo ho amin’ny fivavahana. Nanomboka tany an’efitr’i Ejipta, mpitoka-monina irery maro tany an’efitra sy relijiozy mpitoka-monina lehilahy sy vehivavy maro no nanolotra ny andron’izy ireo tamin’ny fiderana an’Andriamanitra sy tamin’ny fitalahoana ho an’ny vahoakany. Ny fanokanam-piainana dia tsy haharitra sy tsy hiely, raha tsy misy fivavahana ; io fanokanam-piainana io no anankiray amin’ireo loharano velona amin’ny fibanjinana an’ Andriamanitra sy ny fiainana ara-panahy ao amin’ny Fiangonana.
Ny katesezy ho an’ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe, dia mikendry mba ny Tenin’Andriamanitra no hodinihana amin’ny vavaka atao irery, hampiharina amin’ny fiainana ankehitriny amin’ny fivavahana litorzika, ary hotanana ao anaty mandrakariva, mba hiterahany voka-tsoa ao anatin’ny fiainam-baovao. Ny katesezy koa dia fotoana izay tokony handanjalanjana sy hanabeazana ny fitiavam-bavaky ny vahoaka . jer. CT 54.. Ny fanaovana tsianjery ny fivavahana fototra no manome tohana ilaina amin’ny fiainam-bavaka, kanefa zava-dehibe ny mampahazo tsirony amin’ny fahalalana izany . jer. CT 55..
Ny vondrona mpivavaka, mainka moa ny “sekolim-pivavahana”, ankehitriny no iray amin’ireo famantarana sy iray amin’ireo fanoitra amin’ ny fanavaozana ny fivavahana ao amin’ny Fiangonana, raha toa ka misotro ao amin’ny tena loharanon’ny fivavahana kristianina. Ny fiahiana ny fiombonana no famantarana ny fivavahana tena izy ao amin’ny Fiangonana.
Omen’ny Fanahy Masina ny mpino sasany ny fanomezana ny fahendrena, ny finoana ary ny fandanjalanjana, ho amin’ity soa iombonana ity, dia ny fivavahana izany (fitantanam-panahy). Ireo izay nomena izany na lehilahy na vehivavy, dia tena mpanompo tokoa ny Lovam-pampianarana velona momba ny fivavahana : Noho izany, ny olona izay te-handroso ho amin’ny fahalavorariana, araka ny torohevitry Md Jean de la Croix, dia tsy maintsy “mamakafaka tsara hoe eo am-pelatanan’iza no anankinany ny tenany, satria hanahaka an’izay ho mpampianatra azy ny mpianatra ; hanahaka an’izay ho rainy ny zanaka”. Ary koa : “Tsy hoe tsy maintsy ho olona mahay sy malina fotsiny ny mpitantana, fa koa tsy maintsy ho za-draharaha (...). Raha tsy manana fahalalana amam-pahazarana amin’ny fiainam-panahy ny mpitantana ara-panahy, dia tsy afaka hitantana ho amin’izany an’ireo olona izay iantsoan’Andriamanitra azy, ary tsy hahatakatra an-tsaina an’izany aza izy ireo” . Llama strophe 3.
Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana
Ny fiangonana, tranon’Andriamanitra, no toerana sahazan’ny fivavahana litorzika ho an’ny ankohonana kristianina eo amin’ny paroasy. Ny fiangonana koa no toerana manokana amin’ny fitsaohana ny fisiana marin’i Jesoa-Kristy amin’ny Sakramenta Masina. Ny fifidianana toerana mety sy tsara dia tsy azo atao tsinontsinona amin’ny fahitsian’ny fivavahana : - ho an’ny fivavahana irery, dia azo anaovana izany ny “efi-trano kely mangina”, miaraka amin’ny Soratra Masina sy ny sarimasina, mba ho “ao, amin’ny mangingina” eo anoloan’ny Raintsika izany . jer. Mt 6,6.. Ao an-tokantrano kristianina, io karazana efi-trano kely fivavahana io dia tsara anaovana vavaka iombonana ; - eo amin’ny faritany misy tranon-drelijiozy mpitoka-monina, ny fiantsoana ho amin’ireny fikambanana ireny dia ny mampandroso ny fifampizaràna amin’ny vavaka isan’Andro miaraka amin’ny mpino, ary ny mamela hitokana mangina ilaina amin’ny fivavahana irery mafimafy kokoa . jer. FFR 7.. - ireo fivahiniana masina no mamohafoha ao an-tsaina ny diantsika ety an-tany ho any an-danitra. Izy ireny araka ny lovam-panahy no fotoan-dehibe fihavaozana amin’ny vavaka. Ny trano fiangonam-pivahiniana masina, ho an’ny mpanao fivahiniana masina eo am-pitadiavana loharano velona ho azy ireo, no toerana manokana mba hiainana “ao amin’ny Fiangonana” an’ireo fomba amin’ny fivavahana kristianina.
Amin’ny fivavahany, ny Fiangonana mivahiny eto an-tany dia mikambana amin’ny Fiangonan’ireo olomasina izay italahoany fanelanelanana.
Ireo toe-panahy samihafa manentana ny kristianina dia mandray anjara amin’ny lovam-pampianarana velona momba ny fivavahana sy mpitarika tsara tokoa ho amin’ny fiainam-panahy.
Ny fianakaviana kristianina no voalohan-toerana fanabeazana amin’ny fivavahana.
Ireo mpandraharaha voahosotra, ny fanokanam-piainana ho an’ Andriamanitra, ny katesezy, ireo vondrona mpivavaka, ny “fitantanam-panahy”, no miantoka ao amin’ny Fiangonana ny fanampiana ho amin’ny fivavahana.
Ny toerana mety sy tsara indrindra amin’ny fivavahana, dia ny efi-trano kely fivavahana natokana ho an’olona tsirairay na ho an’ny fianakaviana, ny tranon-drelijiozy mpitoka-monina, ny trano fiangonam-pivahiniana masina, ary indrindra ny trano fiangonana, izay toerana manokana amin’ny fivavahana litorzika ho an’ny ankohonana kristianina eo amin’ny paroasy, sy toerana nomena tombon-tsoa manokana amin’ny fitsaohana ny Sakramenta masina.
Ny fivavahana no ain’ny fo vaovao. Afaka manentana antsika ny fivavahana na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona. Nefa hadinontsika Ilay izay Fiainantsika sy Manontolontsika. Noho izany, ireo Ray am-panahy, ao amin’ny lovam-panahin’ny Deterônômy sy ireo mpaminany, dia manamafy ny amin’ny fivavahana ho “fahatsiarovana an’ Andriamanitra”, famohazana matetitetika ny “fitadidian’ny fo” : “Ilaina ny mahatsiaro an’Andriamanitra matetitetika kokoa toy ny miaina” . Md Grégoire de Naz., oratio 27 (théol. 1) 4.. Kanefa tsy ho zatra hivavaka “lalandava” ny olona raha tsy mivavaka amin’ny fotoana sasantsasany, amin’ny finiavana hanao izany : ireny no fotoan-dehibe amin’ ny fivavahana kristianina, amin’ny hamafisana sy amin’ny faharetana.
Ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana dia manome hevitra ny mpino amin’ny fiverimberenan’ny vavaka natokana ho fanamafisana ny mivavaka lalandava. Fanao isan’andro ny sasany amin’ireny : ny vavaka maraina sy hariva, ny vavaka aloha sy aorian’ny sakafo, ny Vavaka Isan’Andro. Ny alahady, noho izy mifantoka amin’ny Eokaristia, dia hamasinina indrindra amin’ny alalan’ny vavaka. Ny fihodinan’ny taona litorzika sy ireo fety lehibe ao aminy no fiverimberenana ara-potoana lehibe indrindra eo amin’ny fiainam-bavaka kristianina.
Tarihin’ny Tompo amin’ny lalana sy ny fomba izay sitraky ny Tenany ny olona tsirairay. Mamaly Azy koa ny mpino tsirairay araka ny famaritan’ny fony sy ny fanehoany manokana ny fivavahany. Ny Lovam-pampianarana kristianina anefa dia mitazona fanehoana telo lehibe ny fiainam-bavaka : ny vavaka am-bava, ny fandinihana masina, ny vavaka am-po. Ny soritra fototra iombonan’ireo dia ny fanombenan-tsaina amam-po. Izany fiambenana hitandrina ny Teny izany sy ny hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra izany no mahatonga ireo fanehoana telo ireo ho fotoan-dehibe amin’ny fiainam-bavaka.
1.Ny fanehoam-bavaka
I.Ny vavaka am-bava
Amin’ny alalan’ny Teniny Andriamanitra no miteny amin’ny olombelona. Amin’ny alalan’ny teny izany, an-tsaina na am-bava, no iforonan’ny fivavahantsika. Kanefa ny zava-dehibe indrindra dia ny fanatrehan’ny fo an’ Ilay izay iresahantsika amin’ny vavaka. “Miankina amin’ny hafanam-pon’ny tenantsika, fa tsy amin’ny hamaroan’ny teny, no ihainoana ny vavaka ataontsika” . Md Jean Chrysostome, De Anna 2,2..
Foto-pisainana ilaina amin’ny fiainana kristianina ny vavaka am-bava. Ireo mpianatra, voasinton’ny vavaka amim-panginana fanaon’ny Mpampianatra azy ireo, dia nampianaran’ity Mpampianatra vavaka am-bava iray : ny Rainay izany. Tsy ny fivavahana litorzika fanao tao amin’ny sinagôga ihany no vavaka nataon’i Jesoa, fa asehon’ireo Evanjely amintsika Izy nanandram-peo mba hanehoany ny fivavahany manokana, nanomboka tamin’Izy nientan-kafaliana nisaotra ny Ray . jer. Mt 11,25-26. ka hatramin’ny fijaliana tao Getsemania . jer. Mk 14,36..
Izany filana amin’ny fanakambanana ny fandrenesana sy ny vavaka anaty izany dia mamaly izay takìn’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona antsika. Vatana sy fanahy isika, ka tsapantsika ao anaty ny filana maneho ety ivelany ny fihetseham-panahintsika. Ny tenantsika manontolo no ilaina mivavaka mba hanome ny hery rehetra azo ampiasaina amin’ny fitalahoantsika.
Mamaly ny fitakian’Andriamanitra koa izany filana izany. Mitady mpivavaka amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana Andriamanitra, ka noho izany ilainy ny vavaka miakatra amin-kery avy ao anaty fanahy lalina. Ankasitrahany koa ny fanehoana ety ivelany izay manakambana ny vatana amin’ny vavaka anaty, satria io fanehoana ety ivelany io no anolorana Aminy ny mari-panajana lavorary avy amin’izay rehetra ananany fahefana.
Satria hita miharihary sy tena araka ny maha-olombelona tanteraka ny vavaka am-bava, ka izany no maha-vavaka fanaon’ny vahoaka azy amin’ny fomba tsara indrindra. Sady na ny vavaka faran’izay ao anaty aza, tsy azo anamaivanana ny vavaka am-bava. Arakaraka ny fahatsiarovantsika ao an-tsaina an’Ilay “izay iresahantsika” . Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, cam.26. no mahatonga ny vavaka ho anaty. Amin’izay ny vavaka am-bava dia tonga endrika voalohan’ny vavaka fibanjinana.
II.Ny fandinihana masina
Ny fikatsahana indrindra no tena fandinihana masina. Katsahin’ny saina ny hahafantatra antony sy ny fomba fiainana kristianina, mba hiraiketana sy hamaliana amin’izay angatahin’ny Tompo. Ilaina amin’izany ny fifantohan-tsaina mafy amin’ny fifehezan-tena. Fomba mahazatra ny mampiasa boky, ary maro ny kristianina manana izany : ny Soratra Masina, indrindra ny Evanjely, ny sarimasina, ny vakiten’ny litorzian’ny andro na ny vaninandro, ny asa soratr’ireo Ray am-panahy, ny boky momba ny fiainam-panahy, ny boky lehibe momba ny fahariana sy ny an’ny tantara, ny pejin’ny “Anio”an’Andriamanitra.
Ny mandinika an-tsaina izay vakìna dia mahatonga haka izany ho an’ny tena amin’ny fampifanatrehana izany amin’ny tena ihany. Eto, boky hafa no mivelatra, dia ny bokin’ny fiainana. Mihelina ao an-tsaina ary mankany amin’ny zava-misy izany. Arakaraka ny fanetren-tena sy ny finoana, no ahitana ao amin’izany ny hetsika izay manaitra ny fo sy ahafahana mandanjalanja izany. Tokony hanao ny marina mba ho tonga amin’ny Fahazavana : “Tompo ô, inona no tianao hataoko?”.
Maro samihafa toy ireo mpanabe ara-panahy ny fomba fanaovana fandinihana masina. Manana adidy hanao fandinihana masina araka ny fotoana voalamina ny kristianina iray, raha tsy izany dia hitovy amin’ireo tany telo voalohany amin’ny fanoharana momba ny mpamafy izy . jer. Mk 4,4-7.15-19.. Mpitarika ihany anefa ny fomba ; ny zava-dehibe dia ny mandroso miaraka amin’ny Fanahy Masina, eo amin’ny lalana tokan’ny fivavahana, dia i Kristy Jesoa.
Ny fandinihana masina dia mampiasa ny fisainana, ny fiheverana, ny fiontanam-po ary ny faniriana. Ilaina io fampiasana io mba handalinana ny fankatoavana ny finoana, mba hahatonga ny fibebahan’ny fo ary mba hampahery ny sitrapo hanarahana an’i Kristy. Ny fivavahana kristianina dia mifantoka kokoa amin’ny fandinihana “ny misterin’i Kristy”, toy ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra (lectio divina) na ny Raozery. Manan-danja tokoa izany endri-pandinihana mampivavaka izany, kanefa tokony handroso amin’ny lalindalina kokoa hatrany ny fivavahana kristianina : ny fahalalana ombam-pitiavana an’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana Aminy.
III.Ny vavaka am-po
Inona no atao hoe vavaka am-po ? Izao no avalin’i Mb Terezy : “Ny vavaka am-po avy ao an-tsaina, dia tsy inona, araka ny hevitro, fa fifaneraserana lalina amim-pifankatiavana izay hiresahan’ny olona irery matetika amin’ilay Andriamanitra fantany fa tiany” . Mb Thérèse in Vida 8.. Ny vavaka am-po no mitady Ilay “malalan’ny foko” (Ton 1,7) . jer. Ton 3,1-4.. Dia i Jesoa izany, ary ao Aminy, ny Ray. Tadiavina Izy, satria ny maniry Azy no mandrakariva fanombohan’ny fitiavana, ary tadiavina amin’ny finoana madio tsy misy fahony Izy, ilay finoana izay mahatonga antsika ho teraka avy Aminy sy miaina ao Aminy. Mbola azo atao koa ny mandinika ao an-tsaina ny vavaka am-po, kanefa afantoka amin’ny Tompo ny fijery.
Ny fifidianana ny fotoana sy ny faharetan’ny vavaka am-po dia miankina amin’ny sitrapo tsy mihambahamba, afaka manambara ny tsiambaratelon’ny fo. Tsy hoe manao vavaka am-po rahefa manam-potoana : maka fotoana ho an’ny Tompo, omban’ny fanapahan-kevitra hentitra fa tsy hiala Aminy amin’izay fotoana izay eny an-dalana, na inona na inona fitsapan-toetra sy fahamainan’ny fihaonana. Mety tsy ho afaka hanao fandinihana masina matetika ny olona, fa afaka manao vavaka am-po lalandava kosa izy, izay tsy miankina amin’ny toe-pahasalamana, amin’ny asa na amin’ny fihetseham-po. Ny fo no toeram-pikatsahana sy toeram-pihaonana, ao anatin’ny fahantrana sy ny finoana.
Ny firosoana amin’ny vavaka am-po dia mifanahaka amin’ny an’ny litorzian’ny Eokaristia : “akambana” ny fo, vononina ny tenantsika manontolo ho eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, itoerana ny fonenan’ ny Tompo, dia ny tenantsika izany, velomina ny finoana mba hidirana Eo anatrehan’Ilay izay miandry antsika, ariana ny saron-tavantsika ary averina ny fontsika ho any amin’ny Tompo izay tia antsika mba hanolotra ny tenantsika Aminy ho fanatitra hodiovina sy hovàna.
Ny vavaka am-po dia vavaky ny zanak’Andriamanitra sy ny mpanota voavela heloka izay manaiky handray ny fitiavana nitiavana azy sy maniry hamaly izany amin’ny fitiavana bebe kokoa hatrany . jer. Lk 7,36-50; 19,1-10.. Kanefa fantany fa ny valin’ny fitiavany dia ilay izay arotsaky ny Fanahy ao am-pony, satria fahasoavana avy amin’Andriamanitra avokoa ny zava-drehetra. Ny vavaka am-po no fanomezana tsotra sy mahantra amin’ny sitrapo be fitiavan’ny Ray miombona lalindalina kokoa hatrany hatrany amin’ny Zanany malalany.
Ny vavaka am-po araka izany no fanehoana tsotra indrindra ny misterin’ ny fivavahana. Fanomezana sy fahasoavana ny vavaka am-po ; tsy azo raisina izy raha tsy ao anatin’ny fanetren-tena sy ny fahantrana. Fifandraisam-panekem-pihavanana naorin’Andriamanitra ao anatintsika lalina ao ny vavaka am-po . jer. Jer 31,33.. Fiombonana ny vavaka am-po : amin’izany ny Trinite Masina no mampitovy ny olombelona, endrik’Andriamanitra, “amin’ny fifanahafana Aminy”.
Ny vavaka am-po koa no fotoan-dehibe amin’ny fomba tsara dia tsara amin’ny fivavahana. Amin’ny vavaka am-po, ny Ray no mampitao hery antsika amin’ny alalan’ny Fanahiny, mba hatanjaka ao amintsika ny olona anaty, mba honina ao am-pontsika i Kristy amin’ny alalan’ny finoana, ary mba handatsa-paka sy hiorim-paka amin’ny fitiavana isika . jer. Efez 3,16-17..
Ny fibanjinana dia fijerena amim-pinoana, mifantoka amin’i Jesoa. “Mahatazana Azy aho ary Izy mahatazana ahy”, hoy ilay tantsaha tao “Ars” nivavaka teo anoloan’ny Tabernakla, tamin’ny fotoan’andron’ilay Pretrany masina mpiandraikitra voalohany ny paroasy . jer. F. Trochu, Le Curé d’Ars Saint Jean-Marie Vianney, pp.223-224.. Izany fiheverana an’i Jesoa izany no fandavana ny “maha-izaho ahy”. Manadio ny fo ny fijeriny. Manazava ny mason’ny fontsika ny fahazavam-pijerin’i Jesoa ; mampianatra antsika hahita ny zavatra rehetra ao amin’ny fahazavan’ny fahamarinany sy ny fangorahany ho an’ny olombelona rehetra izany. Mitondra koa ny fijeriny mikasika ny misterin’ny fiainan’i Kristy ny fibanjinana. Ny fibanjinana, araka izany, no mampianatra “ny fahalalana anaty momba ny Tompo” mba hitiavana Azy sy hanarahana azy bebe kokoa . jer. Md Ignace, ex. spir. 104..
Ny vavaka am-po dia fihainoana ny Tenin’Andriamanitra. Tsy fihainoana fe fihainoana fotsiny izany, fa koa fanekena ny finoana, fandraisana amim-pankatoavana tanteraka ny maha-mpanompo ary firaiketam-pitiavana ny maha-zanaka. Fihainoana andraisana anjara amin’ny “Eny” nataon’ny Zanaka tonga Mpanompo izany, sy amin’ny “Aoka anie ho tanteraka amiko” nataon’ny mpanompovaviny tsinontsinona.
Ny vavaka am-po dia fanginana, ilay “fanehoana an’ohatra an’izao tontolo izao hoavy” . Md Isaac de Ninive, tract. myst. 66. na “fitiavana amim-panginana” . Md Jean de la Croix, carta 6.. Tsy toy ny kabary ny teny amin’ny vavaka am-po, fa toy ny tapa-drantsankazo izay mampirehitra ny afom-pitiavana. Amin’izany fanginana izany, izay tsy zakan’ny olona “ivelany fotsiny”, no ilazan’ny Ray amintsika ny Teniny tonga nofo, nijaly, maty ary nitsangan-ko velona, sy ampandraisan’ny Fanahy maha-zanaka anjara antsika amin’ny vavak’i Jesoa.
Ny vavaka am-po dia firaisana amin’ny vavak’i Kristy, izay hampandraisany anjara amin’ny misterin’i Kristy. Ankalazain’ny Fiangonana amin’ny Eokaristia ny misterin’i Kristy, ary ataon’ny Fanahy Masina maharitra amin’ny vavaka am-po, mba hiseho amin’ny alalan’ny fitiavana arahin’asa io misterin’i Kristy io.
Ny vavaka am-po dia fiombonam-pitiavana mitondra Aina ho an’ny be sy ny maro, arakaraka ny maha-fanekena azy hitoetra ao anatin’ny alin’ny finoana. Ny Alin’ny Pakan’ny Fitsanganan-ko velona dia mandalo amin’ny an’ny fiadian’aina sy ny an’ny fasana. Ireo fotoan-dehibe telon’ny Oran’i Jesoa ireo izany no nampiaina ny Fanahiny (fa tsy ny “nofo osa”) tamin’ny vavaka am-po. Ilaina ny manaiky “hiari-tory ora iray miaraka Aminy” . jer. Mt 26,40-41..
Mamporisika ny mpino ny Fiangonana, hanao ireo vavaka nalaminy ara-potoana : vavaka samihafa fanao andavanandro, Vavaka Isan’Andro, Sorona Masin’ny Alahady ary ireo fety samihafa amin’ny taona litorzika.
Telo ny fomba lehibe fanehoana ny fiainam-pivavahana eo amin’ny lovam-pampianarana kristianina : ny vavaka am-bava, ny fandinihana masina ary ny vavaka am-po. Ny fanombenan-tsaina amam-po no iombonan’ireo.
Ny vavaka am-bava, miorina amin’ny firaisan’ny vatana sy ny fanahy amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona, dia mampikambana ny tenany amin’ny vavaka anatin’ny fo, toy ny nataon’i Kristy nivavaka tamin’ ny Rainy sy nampianatra ny Mpianany ny RAINAY.
Ny fandinihana masina dia fikarohana mampivavaka izay ampiasana ny fisainana, ny fiheverana, ny fiontanam-po, ny faniriana. Ny kendren’ny fandinihana masina, dia ny fakana ho an’ny tena amim-pinoana, izay foto-javatra nodinihina sy nampitahana tamin’ny zava-misy eo amin’ny fiainantsika.
Ny vavaka am-po avy amin’ny saina no fanehoana tsotra ny misterin’ny fivavahana. Ny vavaka am-po dia fijerena amim-pinoana mifantoka amin’i Jesoa, fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, fitiavana amim-panginana. Ny vavaka am-po no manatanteraka ny fiombonam-bavaka amin’i Kristy, arakaraka ny ampandraisany anjara antsika amin’ny misteriny.
2.Ny tolom-bavaka
Sady fanomezam-pahasoavana ny fivavahana no valin-teny raikitra avy amintsika. Mila ezaka lalandava ny mivavaka. Ireo mpivavaka malaza ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha teo alohan’i Kristy, ary koa i Maria Renin’Andriamanitra sy ireo olomasina miaraka Aminy, dia mampianatra antsika fa tolona ny vavaka. Tolona amin’iza ? Tolona amin’ny tenantsika ihany sy tolona amin’ny hafetsen’ny Mpaka fanahy izay manao izao rehetra izao hampivily lalana ny olona tsy ho amin’ny fivavahana, tsy ho amin’ny firaisana amin’Andriamaniny. Tahaka ny miaina ny mivavaka, satria tahaka ny mivavaka ny miaina. Raha tsy tian’ny olona ny hanao izany matetika araka ny Fanahin’i Kristy, dia tsy ho afaka velively koa izy hivavaka amim-pahazarana amin’ny anarany. Tsy azo sarahina amin’ny tolom-bavaka ny “adim-panahy” amin’ny fiainam-baovao ny kristianina.
I.Ireo hevitra manohitra fivavahana
Amin’ny tolom-bavaka isika no manohitra, ao amin’ny tenantsika ihany sy amin’ny manodidina antsika, an’ireo fihevitra diso momba ny fivavahana. Ny sasany dia mihevitra ny fivavahana ho asa ara-pisikôlôzia tsotra ihany, ny hafa kosa dia mihevitra izany ho ezaka famoriana herin-tsaina mba ho foana tsy misy na inona na inona ao an-tsaina. Ny sasany indray mandravona izany ho fehezan-dalàna eo amin’ny fihetsika aseho sy fiteny ara-pomba fotsiny. Amin’ny tsy fahatsiarovan-tsainan’ny maro amin’ny kristianina, ny mivavaka dia raharaha tsy afa-miaraka amin’izay rehetra tokony hataon’izy ireo, ka tsy manam-potoana hono izy ireo. Ireo izay mitady an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka dia malaky kivy satria tsy fantatr’izy ireo fa ny fivavahana dia avy amin’ny Fanahy Masina koa fa tsy avy amin’izy ireo ihany.
Isika koa tokony hanohitra ireo toe-tsain’ “ny olon’ity tany ity”; tafiditra ao amintsika ireny raha tsy malina isika ; ohatra : izay voamarin’ny saina sy ny siansa ihany no marina (nefa anie ny mivavaka dia mistery mihoatra ny kônsiansintsika sy ny tsy fahalalantsika e !) ; ny habetsahan’ny famokarana sy ny vokatra azo (tsy mamokatra ny fivavahana, noho izany, tsy ilaina) ; ny tsapan’ny fandrenesana sy ny fiadanam-piainana ihany no mari-pitsaràna ny marina, ny soa sy ny tsara (nefa anie ny fivavahana, “fitiavana ny Tsara” [filôkalia], dia firaiketam-pitiavana ny Voninahitr’Andriamanitra velona sy marina e!) ; ny fanoherana ny fitiava-miasa tafahoatra no indro hisehoan’ny fivavahana ho fandosirana an’izao tontolo izao (nefa anie ny fivavahana kristianina dia tsy fialana amin’ny tantara na fisarahana amin’ny fiainana e!).
Farany, ny tolona ataontsika dia tsy maintsy hanoherana an’izay tsapantsika ho tsy fahombiazantsika amin’ny fivavahana : fahakiviana manoloana ny fahamainan’ny fo, alahelo amin’ny tsy fahafoizana manontolo ho an’ny Tompo, satria “manankarem-be” . jer. Mt 10,22. isika, fahadisoam-panantenana noho isika tsy ankatoavim-bavaka araka ny sitrapontsika manokana, ratra avy amin’ny avonavontsika izay mihamafy eo amin’ny faharatsian-toetra maha-mpanota antsika, tsy fahazakana ny maha-marim-pototra ny fivavahana, sns. Mitovy hatrany ny fehin-kevitra : inona no soa azo amin’ny mivavaka ? Mba handresena ireny vato misakana ireny, tsy maintsy miady ho amin’ny fanetren-tena, ny fitokiana ary ny fitozoana.
II.Fo miambina amim-panetren-tena
Manoloana ny fahasarotan’ny fivavahana
Ny fahasarotana mahazatra amin’ny fivavahantsika dia ny fihakahakan-kevitra. Mety ho mifantoka amin’ny teny sy ny dikany izany, amin’ny vavaka am-bava ; mety hifantoka lalindalina kokoa amin’Ilay izay ivavahantsika izany, amin’ny vavaka am-bava (ara-litorzia na irery), amin’ ny fandinihana masina sy amin’ny vavaka am-po. Ny mieritreritra handositra ny fihakahakan-kevitra dia mety ho latsaka ao anatin’ny fandrik’izy ireny, nefa ampy ny miverina ao am-pontsika : ny fihakahakan-kevitra no maneho amintsika ny amin’izay iraiketantsika ary izany fahatongavan-tsaina manetry tena eo anatrehan’ny Tompo izany no tokony hamoha ny fitiavantsika Azy manokana, amin’ny fanapahan-kevitra hanolotra ny fontsika Aminy mba hanadiovany azy. Eo amin’izany no mipetraka ny tolona, ny fifidianana ny Tompo ho tompoina . jer. Mt 6,21.24..
Ny tena marina, ny tolona anoherana ny tenantsika mangeja sy mpanjakazaka, dia ny fiambenana sy ny fahatsoran’ny fo. Rahefa manantitrantitra momba ny fiambenana i Jesoa, dia mifandray lalandava Aminy izany, amin’ny Fahatongavany, amin’ny farandro sy isan’andro : “anio”. Ho tonga amin’ny sasak’alina ny Mpampakatra ; ny fahazavana izay tsy tokony ho faty, dia ny fahazavan’ny finoana : “Izao no lazain’ny foko Aminao : "Tadiavo ny Tavany" ” (Sal 27,8).
Ny fahasarotana hafa, indrindra ho an’ireo izay te-hivavaka amim-pahatsorana, dia ny fahamainan’ny fo. Tafiditra amin’ny vavaka am-po izany izay ny fo no voasakana, tsy mahazo tsirony amin’ny fieritreretana, amin’ny fahatsiarovana sy amin’ny fihetseham-po, ary na amin’ny ara-panahy aza. Izany no fotoana ilana ny finoana madio tsy misy fahony izay ifikirana amim-pitokiana amin’i Jesoa niady aina sy tao am-pasana. “Raha maty ny voam-bary no mahavokatra be” (Jo 12,24). Raha avy amin’ny tsy fahampian’ny faka ny fahamainana, dia satria nilatsaka teo ambony vato ny Teny, miankina amin’ny fibebahana ny tolona . jer. Lk 8,6.13..
Manoloana ny fakam-panahy amin’ny fivavahana
Ny fakam-panahy matetika indrindra, miafina indrindra, dia ny tsy fahampian’ny finoantsika. Malefadefaka kokoa ny fisehon’ny fakam-panahy amin’ny tsy finoana raha miohatra amin’ny fisafidianana ny atao. Rahefa manomboka hivavaka isika, dia indro fa asa na ahiahy maro tsy tambo isaina, heverina ho maika, no miseho ho laharam-pahamehana ; avy eo indray, ny fisehon’ny fahamarinan’ny fo sy ny fitiavany ny zavatra nosafidiana. Mbetika isika mitodika any amin’ny Tompo ho fangataham-bonjy farany : nefa inoana ho izany marina ve ? Mbetika isika mandray ny Tompo ho namana, nefa ny fo mbola ao anatin’ny hambo. Amin’ny toe-java-miseho rehetra anefa, ny tsy fahampian’ny finoantsika no manambara fa tsy mbola manana toe-po manetry tena isika : “Raha tsy Izaho, tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Jo 15,5).
Fakam-panahy hafa koa, izay anokafan’ny fihamboana ny varavarana mankao, dia ny fahalainana. Ny tian’ny Ray am-panahy ho lazaina amin’ izany dia ny endriky ny harerahan-tsaina avy amin’ny fahaketrahan’ny famolahan-tena, ny fihenan’ny fiambenana, ny an-tsirambin’ny fo. “Marisika ny fanahy, fa ny nofo no osa” (Mt 26,41). Arakaraka ny ianjerana avy any ambony no andrenesana maharary kokoa. Ny fahakiviana, mangirifiry no ao am-badiky ny fihamboana. Tsy ho gaga ny amin’ny fijaliany izay manetri-tena, fa izany no mitarika azy hanana fitokiana bebe kokoa hifikitra mafy ao anatin’ny faharetana.
III.Ny fitokiana maha-zanaka
Voasedra ny fitokiana maha-zanaka – voaporofo izany – ao anatin’ny fahoriana amam-pijaliana . jer. Rôm 5,3-5.. Ny manahirana indrindra dia ny mikasika ny vavaka fangatahana, na ho an’ny tena na ho an’ny hafa eo amin’ny fitalahoana. Mijanona tsy mivavaka mihitsy aza ny sasany satria heverin’izy ireo fa tsy nekena ny fangatahany. Fanontaniana roa no mipetraka eto : Nahoana isika no mihevitra fa tsy ekena ny fangatahantsika ? Ahoana no anekena ny vavaka ataontsika sy “andairany” ?
Nahoana isika no mitaraina fa tsy ekem-bavaka ?
Ny fanamarinana aloha no tokony hahagaga antsika. Rahefa midera an’Andriamanitra isika na misaotra Azy noho ny soa ankapobeny avy Aminy, tsy dia miahiahy loatra isika ny hahalala raha ankasitrahan’ Andriamanitra ny fivavahantsika. Ho setriny, mitaky hahita ny vokatry ny fangatahantsika isika. Endrik’Andriamanitra manahoana àry no heverintsika amin’ny fivavahantsika : fitaovana ampiasaina ve sa ny Rain’i Jesoa-Kristy Tompontsika ?
Miaiky ve isika fa “na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika” (Rôm 8,26). Moa ve “ny zavatra tena mahasoa” no angatahintsika amin’Andriamanitra ? Fantatry ny Raintsika tokoa izay ilaintsika, na tsy mbola mangataka Aminy akory aza isika . jer. Mt 6,8., nefa miandry ny fangatahantsika Izy, satria ny fahamendrehan’ny zanany dia ao anatin’ny fahafahan’izy ireo. Noho izany, ilaina ny mivavaka miaraka amin’ny Fanahiny maha-olona afaka, mba hahazoana mahalala marina ny faniriany . jer. Rôm 8,27..
“Ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo. Mangataka ianareo, fa tsy mahazo, satria ratsy fangataka ianareo, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filan-dratsinareo” (Jak 4,2-3) . jer. ny hevitra manodidina ny Jak 4,1-10; 1,5-8; 5,16.. Raha amin’ny fo voazarazara sy “mijangajanga” no angatahantsika . jer. Jak 4,4., dia tsy afaka hankato ny fivavahantsika Andriamanitra, satria ny soa ho antsika sy ho an’ny fiainantsika no sitrany. “Heverinareo ve fa miteniteny foana ny Soratra Masina milaza hoe : Maniry anareo ao anatin’ny fahasarotam-piaro ny Fanahy Masina izay nampitoeriny ao aminareo ?” (Jak 4,5). “Saro-piaro” antsika ny Andriamanitsika, ary izany no famantarana ny fahamarinan’ny fitiavany. Midira isika ao anatin’ny fanirian’ny Fanahiny, dia hankatoavim-bavaka isika :
Aza malahelo ianao, raha tsy mandray eo no eo avy hatrany amin’ Andriamanitra izay angatahinao Aminy ; ny sitrany dia ny mbola hanao soa betsaka ho anao ao anatin’ny fitozoanao miara-mitoetra Aminy amin’ny vavaka . Evagre, or. 34.. Tiany raha sedraina amin’ny vavaka ny faniriantsika. Noho izany, mandrisika antsika handray izay efa nomaniny homena antsika Izy . Md Augustin, ep. 130,8,17..
Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ?
Ny fanambaràna momba ny fivavahana ao amin’ny fitantanam-pamonjena no mampianatra antsika fa miankina amin’ny asan’Andriamanitra ao amin’ny tantara ny finoana. Ny fitokiana maha-zanaka dia avy amin’ny asany tsara indrindra : ny fijaliana sy ny Fitsanganan’ny Zanany ho velona. Ny vavaka kristianina no fiaraha-miasa amin’ny Fitahian’Andriamanitra sy amin’ny fandaharam-pitiavany ho an’ny olombelona rehetra.
Ao amin’i Md Paoly, tena fahasahiana tokoa izany fitokiana izany . jer. Rôm 10,12-13., miorina amin’ny vavaky ny Fanahy ao amintsika sy amin’ny fitiavan’ny Ray tsy mivadika izay nanomezany antsika ny Zanany Lahitokana . jer. Rôm 8,26-39.. Ny fanovàna ny fo izay mivavaka no valy voalohany amin’ny fangatahantsika.
Ny vavak’i Jesoa no mahatonga ny fivavahana kristianina ho fangatahana mahomby. Izy no môdelintsika amin’izany, Izy no mivavaka ao amintsika sy miaraka amintsika. Satria ny fon’ny Zanaka tsy mikatsaka afa-tsy izay mahafaly ny Ray, ka ahoana ny fon’ny zanaka natsangana no hiraikitra amin’ny fanomezana fa tsy amin’ny Mpanome ?
Mivavaka ho antsika koa i Jesoa, eo amin’ny toerantsika sy ho amin’ny tombon-tsoantsika. Voaravona indray maka tamin’ny Antsony mahery teo amin’ny Hazofijaliana sy neken’ny Ray tamin’ny Fitsanganany ho velona ny fangatahantsika rehetra, ka noho izany tsy mitsahatra ny mitalaho ho antsika amin’ny Ray Izy . jer. Heb 5,7; 7,25; 9,24.. Raha miray tanteraka amin’ny an’i Jesoa ny fivavahantsika, ao anatin’ny fitokiana sy ny fahasahiana maha-zanaka, dia ho azontsika izay rehetra angatahintsika amin’ny Anarany, mihoatra lavitra noho ity na itsy : ny Tenan’Izy Fanahy Masina izay manana ny fanomezana rehetra.
IV.Mitozoa amin’ny fitiavana
“Mivavaha lalandava” (1 Tes 5,17), “amin’ny fotoana rehetra sy isa-minitra, misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompontsika” (Efez 5,20), “mahareta ianareo amin’ny fivavahana sy ny fitalahoana ; mivavaha lalandava ianareo ao amin’ny Fanahy, aza mety ho sasatra miambina ho amin’izany ary mangataha ho an’ny olomasina rehetra” (Efez 6,18). “Izy tsy nandidy antsika hiasa, hiari-tory na hifady hanina mandrakariva, fa ny didy ho antsika dia ny mivavaka lalandava” . Evagre, cap. pract. 49.. Tsy mety ho azo izany hafanam-po tsy mahalala sasatra izany, raha tsy avy amin’ny fitiavana. Ny tolom-bavaka izay tolom-pitiavana manetry tena, matoky sy mitozo, no enti-manohitra ny fahadontoantsika sy ny fahalainantsika. Izany fitiavana izany no manokatra ny fontsika ho amin’ny fahamarinana telo amin’ny finoana, mazava sy mamelombelon’aina :
Azo atao lalandava ny mivavaka : ny fotoanan’ny kristianina dia ny an’i Kristy nitsangan-ko velona izay “miaraka amintsika, isan’andro” (Mt 28,20), na manao ahoana na manao ahoana ny fitsokan’ny tafiodrivotra . jer. Lk 8,24.. Eo am-pelatanan’Andriamanitra ny fotoanantsika :
Azo atao ny mivavaka matetika sy feno hafanam-po, na dia eny an-tsena aza, na eny am-pitsangatsanganana irery. Azo atao koa, na dia mipetraka ao an-trano fivarotanao aza, na eo am-pividianana na eo am-pivarotana, na koa eo am-pahandroana sakafo aza . Md Jean Chrysostome, De Anna, sermo 4,6..
Filana eo amin’ny fiainana ny mivavaka. Tsy ampy haharesy lahatra ny porofo mifanohitra amin’izany : raha tsy mety hotarihin’ny Fanahy isika, dia miverina eo ambany fanandevozan’ny fahotana . jer. Gal 5,16-25.. Ahoana moa no hahatonga ny Fanahy Masina ho “Fiainantsika” raha lavitra Azy ny fontsika ?
Tsy misy mahasoa noho ny fivavahana : izy no mahatonga izay tsy azo tanterahina ho azo tanterahina, izay sarotra ho mora. Koa tsy azo atao ny hoe olona mivavaka no hanota . Md Jean Chrysostome, De Anna 4,5.. Azo antoka fa mamonjy tena izay mivavaka ; tsy isalasalana fa mamery tena izay tsy mivavaka . Md Alphonse de Ligouri, mez..
Tsy azo sarahina ny fivavahana sy ny fiainana kristianina satria iray ihany ny fitiavana momba izany ary iray ihany ny fandavan-tena vokatr’io fitiavana io. Iray ihany ny fitoviana maha-zanaka sy feno fitiavana amin’ny fandaharam-pitiavan’ny Ray. Iray ihany ny fampiraisa-manova ao amin’ny Fanahy Masina izay mampitovy antsika bebe kokoa hatrany amin’i Kristy Jesoa. Iray ihany ny fitiavana itiavana ny olona rehetra, dia ny fitiavana izay itiavan’i Jesoa antsika. “Izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako, dia homeny anareo izany. Ny andidiako anareo, dia ny mba hifankatiavanareo” (Jo 15,16-17).
Ilay izay manakambana ny fivavahana amin’ny asa sy manakambana ny asa amin’ny fivavahana, no mivavaka lalandava. Amin’izany ihany no ahafahantsika mihevitra fa azo tanterahina ny fitsipika fototra momba ny mivavaka lalandava . Origène, or.12..
Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa
Nony tonga ny Oran’i Jesoa, dia nivavaka tamin’ny Ray Izy . jer. Jo 17.. Ny fivavahany, izay lava indrindra nampitain’ny Evanjely, dia mahafaoka ny fitantanana manontolo ny fahariana sy ny famonjena, toy ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona. Maharitra lalandava ho vavak’i Jesoa ny vavaka tamin’ny Orany, toy ny Pakany izay tonga “indray mandeha monja”, nefa maharitra lalandava ao amin’ny litorzian’ny Fiangonany.
Ara-drariny no iantsoan’ny lovam-panahy kristianina ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa hoe vavaka maha-“mpisorona” Azy. An’ny Mpisorombentsika izany, tsy azo sarahina amin’ny fanoloran-tenany ho Sorona, amin’ny “fandalovany mamakivavaky” (Paka) mankany amin’ny Ray izay tamin’ izany no “nanokanany tena” manontolo amin’ny Ray . jer. Jo 17,11.13.19..
Ao amin’io vavaka Paka sy ara-tSorona io, no “namondronana” ny zava-drehetra ao amin’i Jesoa . jer. Efez 1,10. : Andriamanitra sy izao tontolo izao, ny Teny sy ny nofo, ny fiainana mandrakizay sy ny fotoana, ny fitiavana izay anoloran-tena sy ny fahotana izay mamadika izany, ny mpianatra nanatrika teo sy ireo izay hino Azy amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo, ny fietrena sy ny voninahitra. Io no vavaka Mahairay.
Nahatontosa manontolo ny tsanganasan’ny Ray i Jesoa, hany ka mahahenika hatramin’ny fahataperan’ny fotoana ny fivavahany, tahaka ny Fanoloran-tenany ho sorona. Nameno ireo fotoana farany ny vavaka tamin’ny Ora ary nitondra ireo mankamin’ny fahataperan’izy ireo. I Jesoa, ilay Zanaka izay nomen’ny Ray ny zavatra rehetra, dia voatolotra manontolo amin’ny Ray, ary, miaraka amin’izany koa, miteny amin-kalalahana tsy refesi-mandidy Izy . jer. Jo 17,11.13.19.24., avy amin’ny fahefana nomen’ny Ray Azy eo amin’ny nofo rehetra. Ny Zanaka, izay tonga Mpanompo, no Tompo, ilay Tompo Mpandidy ny zavatra rehetra. Ny Mpisorombentsika izay mivavaka ho antsika koa no Ilay izay mivavaka ao amintsika sy ilay Andriamanitra izay mankato antsika.
Raha miditra amin’ny Anara-masin’i Jesoa Tompo isika no afaka mandray, avy ao anaty, ny vavaka nampianariny antsika hoe : “Rainay !” Ny vavaka maha-mpisorona Azy no nahazoana hevitra, avy ao anaty, an’ireo fangatahana lehibe amin’ny Rainay : ny fiahiana ny anaran’ny Ray . jer. Jo 17,6.11.12.26., ny firehetam-po amin’ny Fanjakany (ny voninahitra . jer. Jo 17,1.5.10.22.23-26.), ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray, ny fandaharam-pamonjeny . jer. Jo 17,2.4.6.9.11.12.24. ary ny fanafahana amin’ny ratsy . jer. Jo 17,15..
Mitaky ezaka sy tolona amin’ny tenantsika ihany sy amin’ny hafetsen’ny Mpaka fanahy ny vavaka. Ny tolom-bavaka dia tsy azo sarahina amin’ny “adim-panahy” ilaina hoenti-miasa andavanandro araka ny Fanahin’i Kristy: tahaka ny miaina ny mivavaka, satria tahaka ny mivavaka ny miaina.
Amin’ny tolom-bavaka, ny tsy maintsy toherintsika dia ny fihevitra diso, ny toe-tsaina mahazatra samihafa, ny fahatsapana ny tsy fahombiazantsika. Ny tsara anoherana ireo fakam-panahy mampisy fisalasalana ny amin’ny ilàna na ny amin’ny fahafahana mivavaka ireo, dia ny fanetren-tena, ny fitokiana ary ny fitozoana.
Ny fahasarotana misongadina indrindra amin’ny fampiasam-bavaka, dia ny fihakahakahan-kevitra sy ny hamainan’ny fo. Amin’ny finoana, amin’ny fibebahan’ny fo sy amin’ny fiambenany no misy ny fanafodin’izany.
Fakam-panahy roa mpitranga matetika no mandrahona ny fivavahana : ny tsy fahampian’ny finoana sy ny fahalainana izay endriky ny harerahan-tsaina avy amin’ny fihenan’ny famolahan-tena na fiketrahan’ny sitrapo, ka mitondra ho amin’ny fahakiviana.
Ny fitokiana maha-zanaka no mandalo fitsapan-toetra rahefa heverintsika sy tsapantsika fa tsy hoe hoekena lalandava akory ny fivavahantsika. Mitaona antsika hanontany tena ny Evanjely ny amin’ny fifanarahan’ny fivavahantsika amin’ny fanirian’ny Fanahy.
“Mivavaha lalandava” (1 Tes 5,17). Azo atao lalandava ny mivavaka. Filana eo amin’ny fiainana mihitsy izany. Tsy azo sarahina ny fivavahana sy ny fiainana kristianina.
Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa, antsoina indrindra koa hoe “vavaka maha-mpisorona” . jer. Jo 17., no mamondrona ny fitantanana manontolo ny fahariana sy ny famonjena. Avy amin’io vavaka maha-mpisorona io no nipoiran’ny tsirin-kevitra amin’ireo fangatahana lehibe ao amin’ny Rainay.