Toko Voalohany
¶27–49
Ao amin’ny Famintinana: F2–5
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
I.Ny faniriana an’Andriamanitra
Voasokitra ao am-pon’ny olombelona ny faniriana an’Andriamanitra, satria noarìn’Andriamanitra sy nataony ho Azy ny olombelona ; tsy mitsahatra manintona ny olombelona mankany Aminy Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy ao amin’Andriamanitra no hahitan’ny olombelona ny fahamarinana sy ny fahasambarana izay katsahiny tsy an-kijanona :
Ny endrika ambony indrindra amin’ny fahamendrehan’ny olombelona, dia hita amin’izany fiantsoana azy hiray fo aman-tsaina amin’Andriamanitra izany. Manomboka amin’ny fisiany ny olombelona no antsoin’Andriamanitra hiresaka Aminy. Fa matoa misy ny olombelona, dia noho Andriamanitra nahary azy tamim-Pitiavana, ary amim-Pitiavana no ampisiany azy tsy an-kiato ; fa tsy miaina manontolo araka ny marina ny olombelona, raha tsy manaiky an-kalalahana izany Fitiavana izany sy manolo-tena amin’ny Mpahary azy FAA 19, § 1..
Amin’ny fomba maro samihafa, eo amin’ny tantaran’izy ireo, ary mandraka ankehitriny, no ampisehoan’ny olombelona ny fikatsahany an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoan’izy ireo sy ny fihetsika amam-pitondran-tenan’izy ireo ara-pivavahana (vavaka, sorona, fanompoana amam-panajana an’ Andriamanitra, fandinihana masina, sns). Na dia mety hisy zavozavon-kevitra aza ireny fomba fanehoana ireny, noho ny fisiany manerana ny tany tontolo, dia azo antsoina hoe zavamananaina mpivavaka ny olombelona :
Nataon’Andriamanitra honina eto ambonin’ny tany tontolo ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, avy tamin’ny olombelona iray ; Izy no nandraikitra ho an’ny mponina ny fotoana izay voatsinjara ho azy ireo sy ny faritry ny fonenan’izy ireo, mba hiezaka hitady an’Andriamanitra ny olombelona, mba hahatratra Azy, araka izay azony atao, raha sendra mahatsapa, ka hahita Azy ; fa tsy lavitra antsika tsirairay Izy. Satria, ao Aminy no ivelomantsika sy ihetsiketsehantsika ary isiantsika (Asa 17,26-28).
Kanefa, mety ho hadino, mety tsy ho fantatra ary mety holavin’ny olona an-kitsirano aza, izany “fifandraisana lalina ao anaty sy mahavelona izay mampiray ny olombelona amin’Andriamanitra izany” FAA 19, § 1.. Mety hanana antony maro samihafa ny fihetsika aseho toy ireto jer. FAA 19-21. : ny fikomiana noho ny ratsy eto amin’izao tontolo izao, ny tsy fahalalana na ny tsy firaharahana fivavahana, ny fiahiana izao fiainana izao sy ny harena jer. Mt 13,22., ny oha-dratsy asehon’ny mpino, ny fielezan’ny toe-tsaina manohitra fivavahana, ary farany ity fihetsiky asehon’ny olombelona mpanota, noho ny tahotra, izay miafina eo imason’Andriamanitra jer. Jen 3,8-10. sy mandositra eo anoloan’ny antsony jer. Jôn 1,3..
“Hiravoravo anie ny fon’izay mitady an’Andriamanitra” (Sal 105,3). Raha mety manadino na mandà an’Andriamanitra aza ny olombelona, Izy Andriamanitra kosa tsy mitsahatra miantso ny olombelona rehetra hitady Azy, mba ho velona izy ary hahita ny hasambarana. Kanefa izany fikatsahana izany dia mitaky amin’ny olombelona ny ezaka rehetra takatry ny sainy, ny fahitsian’ny sitrapony, “fo mahitsy”, ary koa ny fijoroan’ny hafa ho vavolombelona izay mampianatra azy hitady an’Andriamanitra.
Lehibe Ianao, ry Tompo, ary mendrika hoderaina tokoa : lehibe ny fahefanao ary tsy misy fatrany mihitsy ny fahendrenao. Fa ny olombelona, ampahany kely amin’ny zavaboarinao, dia mihambo hidera Anao, raha ny marina anefa, ny olombelona, manana toe-batana mety maty, dia mitondra ao aminy ny holatry ny fahotany sy ny porofo fa manohitra ny mpiavonavona Ianao. Na eo aza izany, ny olombelona, ampahany kely amin’ny zavaboarinao, dia te hidera Anao. Ianao ihany no mamporisika azy amin’izany, ka ataonao mahita hafinaretana izy eo am-piderana Anao, satria nataonao ho Anao izahay, ka tsy misy fialan-tsasatra ny fonay, raha tsy miorina ao Aminao Md Augustin, conf. 1, 1, 1..
II.Ny lalana mankamin’ny fahalalana an’Andriamanitra
Noho izy natao mitovy endrika amin’Andriamanitra, nantsoina hahalala sy ho tia an’Andriamanitra, ny olombelona izay mitady an’Andriamanitra dia mahita “lalana” sasantsasany mba hahafahana mankamin’ny fahalalana an’ Andriamanitra. “Porofon’ny fisian’Andriamanitra” no iantsoana izany koa, tsy dia amin’ny lafiny porofo izay karohin’ny siansa momba ny zavaboary tsy akory, fa amin’ny lafiny “porofo mifanojo sy mampiaiky”, izay ahazoana manatratra ny tena fitokiana marina tokoa.
Samy miainga avy amin’ny fahariana ireny “lalana” mba hanatonana an’ Andriamanitra ireny : ny tontolon’ny manam-batana sy ny olombelona.
Izao tontolo izao : miainga avy amin’ny fihetsehana sy ny fanjariana, ny kisendrasendra, ny filaminana sy ny hatsaran’izao tontolo izao, no ahafahana mahalala an’Andriamanitra ho fiandohana sy fiafaran’izao tontolon’ny zava-drehetra izao.
Hoy i Md Paoly manamafy ny amin’ny mpanompo sampy : “Miseho miharihary ao aminy izay mety ho fantatra momba an’Andriamanitra : satria nasehon’Andriamanitra taminy izany. Fa ny fombany tsy hita maso, toy ny hery amam-pahefany mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, nanomboka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao dia navelany ho takatry ny saina amin’ny tsanganasany” (Rôm 1,19-20) jer. Asa 14,15.17; 17,27-28; Fah 13,1-9.. Ary hoy i Md Augustin : “Anontanio ny hasoan’ny tany, anontanio ny hakanton’ny ranomasina, anontanio ny hatsaran’ny rivotra izay mihanaka sy manenika hatraiza hatraiza, anontanio ny hamevan’ny habakabaka (…), anontanio izao zava-misy rehetra izao. Samy hamaly anao izy rehetra hoe : Jereo fa tsara izahay. Ny hasoan’izy ireny dia efa fiekena marina (confessio). Ireo hatsarana mety miova ireo, iza moa no nanao izany raha tsy ilay Soa Indrindra, Soa Fanaperana (Pulcher), fototra tsy manam-piovàna ?” Serm. 241, 2.
Ny olombelona : amin’ny fanehoany ny marina sy ny kanto, amin’ny fahalalany ny tsara ara-môraly, amin’ny fahafahany sy ny feon’ny kônsiansiny, amin’ny faniriany ho amin’ny tsy manam-petra sy ho amin’ny fahasambarana, dia manontany tena ny olombelona ny amin’ny fisian’ Andriamanitra. Tsapany avy amin’izany rehetra izany ny famantarana ny fanahy maha-olona ao aminy. “Tsirin’ny mandrakizay no entiny ao amin’ny tenany ao, izay tsy mety ho vaingan-javatra tokana hita vatana” FAA 18, § 1; jer. koa 14, § 2., dia ny fanahiny tsy manam-piandohana afa-tsy ao amin’Andriamanitra irery ihany.
Manamarina izao tontolo izao sy ny olombelona fa tsy ananan’izy ireo ao amin’izy ireo ihany na ny foto-piandohany voalohany na ny tanjom-piafaràny farany, nefa izy ireo mandray anjara amin’ilay Misy ao amin’ny tenany ao, Ilay sady tsy manam-piandohana no tsy manam-piafaràna. Araka izany, amin’ny alalan’ireo “lalana” samihafa ireo ny olombelona no afaka mankamin’ny fahalalana ny fisian’ny fisian-javatra iray izay antom-pisiana sy tanjom-piafaràn’ny zava-drehetra, “ary antsoin’izy rehetra hoe Andriamanitra” Md Thomas d’A., s. th. 1, 1.2 ou 3..
Ny fahaizana amam-pahazoana mahataka-javatra ananan’ny olombelona no mahatonga azy ho afa-mahalala ny fisian’Andriamanitra manokana. Fa mba hahafahan’ny olombelona miditra amin’ny fiainany lalina ao anaty, dia sitrak’Andriamanitra ny manambara ny Tenany aminy, sy ny manome azy ny fahasoavana hahafahana mandray izany fanambaràna izany amim-pinoana. Na izany aza, ny porofon’ny fisian’Andriamanitra dia mety hitondra ho amin’ny finoana sy manampy hahafantatra fa ny finoana dia tsy mifanohitra amin’ny sain’olombelona.
III.Ny fahalalana an’Andriamanitra araka ny Fiangonana
“Mihevitra sy mampianatra ny Fiangonana Masina, renintsika, fa Andriamanitra, foto-piandohana sy fiafaran’ny zavatra rehetra, dia mety ho fantatra marina amin’ny alalan’ny fahalalana voa-Janahary ananan’ny sain’ olombelona, miainga avy amin’ny zavaboary” Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. koa 3026; FA 6.. Raha tsy misy izany herim-pahalalan’ny saina izany, tsy ho afa-mandray ny fanambaràn’Andriamanitra ny olombelona. Manana izany herim-pahalalana izany ny olombelona satria noarìna “mitovy endrika amin’Andriamanitra” izy (Jen 1,27).
Amin’ny toe-javatra iainan’ny olombelona eo amin’ny tantara anefa, dia misedra fahasahiranana be izy vao mahalala an’Andriamanitra raha toa ka araka ny fahaizan’ny sainy fotsiny :
Satria, raha lazaina amim-pahatsorana, ny sain’olombelona, amin’ny heriny sy ny fahaizany voa-Janahary, na dia mety ho tonga tokoa amin’ny fahalalana marina sy azo antoka ny Tenan’Andriamanitra aza, noho ny fiarovany sy ny fitantanany an’izao tontolo izao amin’ny Fitahiany, toraka izany koa, noho ny lalàna voa-Janahary napetrak’Izy Mpahary ao amin’ny fanahintsika, dia misy ihany ny vato misakana manampontsampona an’io saina io tsy hampiasa amim-pomba mandaitra sy mamokatra ny herim-pahaizany voa-Janahary. Satria ny fahamarinana izay momba an’Andriamanitra sy ny olombelona dia mihoatra tanteraka ny filaminan’ny voary ren’ny fandrenesana, ary raha tsy maintsy hiseho amin’ny asa sy hamolavola ny fiainana io fahamarinana io, dia mitaky fahafoizan-tena sy fandavan-tena. Mba hahazoana io fahamarinana io, dia mijaly sy mananosarotra ery ny sain’olombelona noho ny fieritreretana sy ny nofinofy, ary koa noho ny fanirian-dratsy ateraky ny fahotana tamin’ny fototra. Dia avy amin’ny foto-javatra toy ireny no mahatonga ny olombelona hiaiky mora foana ny tsy fahamarinana na koa ny fisalasalana manoloana ny zavatra izay tsy ekeny ho marina Pie XII, enc. Humani Generis: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Noho izany, mila hazavain’ny fanambaràn’Andriamanitra ny olombelona, tsy amin’izay mihoatra ny fahazoan’ny sainy ihany anefa, fa “amin’ny fahamarinana ara-pivavahana sy ara-môraly ihany koa, izay tsy saro-takarin’ ny saina, ao aminy, mba hahafahan’izy ireo mahafantatra izany mora foana, amim-pahamarinana tsy voahozongozona sy tsy misy fifangaroan-kadisoana, amin’ny toe-javatra misy ankehitriny iainan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka” Ibid.: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. koa Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; FA 6; Md Thomas d’A., s. th. 1,1,1,1..
IV.Fomba ahoana no hitenenana momba an’Andriamanitra?
Amin’ny fiarovana ny herim-pahaizan’ny sain’olombelona mahalala an’ Andriamanitra, dia maneho ny fahatokiany ny Fiangonana, ny amin’ny fahazoa-miteny momba an’Andriamanitra amin’ny olombelona rehetra sy miaraka amin’ny olombelona rehetra. Izany fiekena izany no fototra iaingan’ ny fifanakalozany hevitra amin’ny antokom-pinoana hafa, amin’ny filôzôfia sy ny siansa, ary koa amin’ny tsy mpino mbamin’ny mpandà ny fisian’ Andriamanitra.
Satria voafetra ny fahalalantsika an’Andriamanitra, dia voafetra toraka izany koa ny fitenenantsika momba an’Andriamanitra. Tsy afa-manome anarana an’Andriamanitra isika raha tsy miainga avy amin’ny zavaboary, sy araka ny fombantsika olombelona manam-petra amin’ny fahalalana sy fandinihana.
Misy fifanahafana amin’Andriamanitra ny zavaboary rehetra, indrindra ny olombelona izay noarìny mitovy endrika sy mifanahaka Aminy. Noho izany, ireo fahalavorariana amin’ny zavaboary (fahamarinany, hatsarany, hakantony) no mandefa ny taratry ny fahalavorariana tsy misy fetran’ Andriamanitra. Koa, afaka manome anarana an’Andriamanitra isika miainga avy amin’ny fahalavorarian’ny zavaboariny, “satria ny fahamboniana sy ny hatsaran’ny zavaboary, dia mampahafantatra Ilay Mpamorona azy noho ny fifanahafan’izy roa tonta” (Fah 13,5).
Mihoatra ambony dia ambony noho ny zavaboary rehetra ny fahambonian’ Andriamanitra. Koa tsy maintsy diovina tsy an-kijanona ny fitenintsika izay avy amin’ny manam-petra, avy amin’ny kisarisary, avy amin’ny tsy tena lavorary, mba tsy hampifangaroana an’Andriamanitra “tsy hay ambara, tsy takatry ny saina, tsy hitan’ny maso, tsy tsapan’ny tanana” Litorzian’i Md Jean Chrysostome, Anaphore. amin’ny fomba fanehoantsika olombelona Azy. Tsy hahatakatra na oviana na oviana ny misterin’Andriamanitra ny fitenintsika olombelona.
Amin’ny fitenenana momba an’Andriamanitra koa, dia ekena fa maneho amin’ny maha-olombelona antsika ny fitenintsika, nefa mahatratra marina Azy Andriamanitra ihany, na dia tsy afaka hilaza Azy amin’ny fahatsorany tsy manam-petra aza. Noho izany, tsy maintsy tsaroana fa “tsy afaka hanoritra ny tena fitoviana eo amin’ny Mpahary sy ny zavaboary ny olona, raha tsy misongadina bebe koa ny tsy fitoviana misy eo amin’izy roa tonta” Kôns. Latran IV: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. sady “tsy ny toetra maha-izy an’Andriamanitra no azontsika takarina ao an-tsaina, fa ny toetra tsy maha-izy Azy ihany, ary manao ahoana ny toeran’ny zavaboary hafa rehetra raha mitaha Aminy !” Md Thomas d’A., s. gent. 1, 30..
Zavamananaina natao ho mpivavaka ny olombelona, noho ny toetra voa-Janahary maha-olona ny olombelona sy noho ny fiantsoan’ Andriamanitra azy. Avy amin’Andriamanitra ny olombelona ary ho any amin’Andriamanitra, ka tsy afaka mivelona tanteraka ny maha-olona azy izy raha tsy miaina an-kalalahana ao anatin’ny fifandraisana amin’ Andriamanitra.
Natao mba hiaina ao anatin’ny fiombonana amin’Andriamanitra ny olombelona, ka ao Aminy izy no mahita ny hasambarany : “Rahefa ao Aminao ny tenako manontolo, tsy hisy intsony ny alahelo sy ny fitsapan-toetra ; rahefa henika Anao ny tenako manontolo, ho lavorary ny fiainako” Md Augustin, conf. 10, 28, 39.
Rahefa mihaino ny hafatry ny zavaboary sy ny kônsiansiny ny olona, dia afaka mahatakatra ny fahamarinan’ny fisian’Andriamanitra, fototra sy fiafaran’ny zavatra rehetra.
Mampianatra ny Fiangonana fa Ilay Andriamanitra tokana sy marina, Mpahary antsika sy Tompontsika, dia mety ho fantatra marina amin’ny alalan’ny asany, noho ny fahalalana voa-Janahary ananan’ny sain’ olombelona jer. Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Tena afaka miteny anarana marina momba an’Andriamanitra isika, miainga avy amin’ny fahalavorariana maro tsy tambo isaina amin’ny zavaboary, izay misy fifanahafana amin’Andriamanitra lavorary tsy misy fetra, na dia tsy hahalaza manontolo ny mistery aza ny fitenintsika voafetra.
“Levona ny zavaboary raha ilaozan’ny Mpahary” FAA 36.. Izany no ahalalan’ny mpino teren’ny fitiavan’i Kristy hitondra ny fahazavan’Andriamanitra velona amin’ireo izay tsy mahalala Azy na mandà Azy.