2. Ny fihaonan’Andriamanitra amin’ny olombelona

Ny olombelona, amin’ny alalan’ny saina voa-Janahary, dia afaka mahalala marina an’Andriamanitra, miainga avy amin’ireo tsanganasany. Kanefa misy fahalalana hafa izay tsy mety ho takatry ny olombelona mihitsy amin’ny herin’ny tenany ihany, dia ny Fanambaràn’Andriamanitra jer. Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Avy amin’ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra an-kalalahana tanteraka no anambaràny sy anolorany ny Tenany amin’ny olombelona. Manao izany Izy amin’ny fanambaràny ny misteriny, ny fandaharany feno fitiavana izay novolavolainy hatrizay hatrizay tao amin’i Kristy ho fanasoavana ny olombelona rehetra. Manambara manontolo ny fandaharany Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany malalany, dia i Jesoa-Kristy Tompontsika, sy ny Fanahy Masina.

1.Ny Fanambaràn’Andriamanitra

“Sitrak’Andriamanitra noho ny fahendreny sy ny hatsaram-pony, ny manambara ny Tenany sy ny mampahalala ny misterin’ny sitrapony, ka ahafahan’ny olombelona, amin’ny alalan’i Kristy Teny tonga Nofo, manatona ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina, sy ahatongavany ho mpiombona anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra” FA 2..

Tian’Andriamanitra izay “mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina” (1 Tim 6,16), ny mampifandray ny fiainana maha-Andriamanitra Azy amin’ ny olombelona noarìny an-kalalahana, mba hahatonga azy ireo ho zanaka natsangana jer. Efez 1,4-5., ao amin’ny Zanany Lahitokana. Sitrak’Andriamanitra amin’ny fanambaràny ny Tenany ihany, ny hahatonga ny olombelona rehetra ho afaka manoina Azy, mahalala Azy ary tia Azy mihoatra noho izay rehetra mety ho vitan’izy ireo amin’ny herin’ny tenan’izy ireo ihany.

Ny fandaharan’Andriamanitra momba ny Fanambaràna dia indray tanteraka “tamin’ny asa sy tamin’ny teny, mifamatotra anaty amin’izy samy izy” FA 2. sy mifanazava amin’izy samy izy. Misy “fanabeazan’Andriamanitra” manokana io fandaharany io : Nampahalalainy tsikelikely tamin’ny olombelona izany ; misy dingana ny nanomanany ny olombelona handray ny Fanambaràna mihoatra ny natoraly izay nataon’ny Tenany ihany ary tonga tamin’ny fara tampony tao amin’ny Tenan’ilay Teny tonga nofo, dia i Jesoa-Kristy, sy ny fanirahany Azy. Miteny imbetsaka i Md Irénée de Lyon, ny momba io fanabeazan’ Andriamanitra io amin’ny endrika fifankazarana eo amin’ Andriamanitra sy ny olombelona : “Nonina tao amin’ny olombelona ny Tenin’Andriamanitra ary tonga Zanak’olombelona mba hanazatra ny olombelona hahazo an-tsaina an’Andriamanitra sy hanazatra an’Andriamanitra honina ao amin’ny olombelona, araka ny nahim-pon’ny Ray” Haer. 3, 20, 2; jer. ohatra haer. 3, 17, 1; 4, 12, 4; 4, 21, 3..

II.Ny dingan’ny Fanambaràna

Hatrany am-piandohana no mampahalala ny Tenany Andriamanitra

“Andriamanitra izay nahary sy mitahiry ny zava-drehetra amin’ny Teniny, dia manolotra amin’ny olombelona ny fanehoana sesilany ny Tenany, ao amin’ny zavaboary ; noho izy te-hanokatra bebe kokoa ny lalam-pamonjena ambony dia ambony, dia naneho ny Tenany koa Izy, hatrany am-piandohana, tamin’ireo voalohan-dray aman-drenintsika” FA 3.. Nasainy izy ireo ho amin’ny fiombom-po lalina amin’ny Tenany, tamin’ny nanomezany azy ireo ny fahasoavana amam-pahamarinana mamirapiratra.

Tsy afaka nampitsahatra izany Fanambaràna izany ny fahotana nataon’ireo voalohan-dray aman-drenintsika. Koa, “taorian’ny fahalavoan’izy ireo, dia nampanantena fanavotana azy ireo Andriamanitra, nanome herim-po mba hananan’izy ireo fanantenam-pamonjena ; nasehony tsy tapaka ny fiahiany ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, mba hanomezana ny fiainana mandrakizay an’ireo rehetra mikatsaka ny famonjena amin’ny faharetana manao ny tsara” FA 3.. Nony very fihavanana taminao ny olombelona, tamin’ny fivadihany Taminao, dia tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy. (…) Imbetsaka no nanolotra fanekem-pihavanana tamin’izy ireo Ianao” MR, vavaka fisaorana faha-IV, 118..

Ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe

Vantany vao nosarahin’ny fahotana ny firaisan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, dia ny hamonjy ny olombelona miainga avy amin’ireo antokony tsirairay voasaratsaraka ireo no voalohany indrindra nokendren’ Andriamanitra. Ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe taorian’ny safo-drano jer. Jen 9,9. no maneho ny fototry ny Fitantanam-pamonjen’Andriamanitra ny “firenena” rehetra, izany hoe amin’ny olombelona voangona “ao amin’ny fireneny, araka ny fiteniny avy, sy araka ny fokom-pireneny avy” (Jen 10,5) jer. Jen 10,20-31..

Izany fandaminana izany, izay sady mahakasika an’izao tontolo izao voarindra no mahakasika ny fiaraha-monina sy ny fivavahan’ny ankamaroan’ ny firenena jer. Asa 17,26-27., dia natao hametra ny avonavon’ny olombelona lavo, izay miombon-kevitra ao anatin’ny faharatsiany jer. Fah 10,5., ka mitady ny firaisany noho ny herin’ny tenany ihany araka ny fomban’i Babela jer. Jen 11,4-6.. Noho ny fahotana jer. Rôm 1,18-25. anefa, ny fanompoana andriamanitra maro, ary koa ny fanompoan-tsampin’ny vahoaka sy ny filohany, dia mandrahona tsy an-kijanona an’io fitantanam-pamonjena vonjimaika io, amin’ny haratsiam-panahin’ny jentily.

Manan-kery ny fanekem-pihavanana natao tamin’i Nôe, raha mbola mandia ny fotoanan’ny jentily jer. Lk 21,24., ambara-pahatongan’ny fitoriana ny Evanjely manerana an’izao tontolo izao. Hajain’ny Baiboly ny sasany amin’ireo olomanga teo amin’ny “firenena”, tahaka an’i “Abela ilay marina”, i Melkisedeka jer. Jen 14,18. mpanjaka sady mpisorona izay tandindon’i Kristy jer. Heb 7,3. na ireo olo-marina tahaka an-dry “Nôe, Daniela ary Jôba” (Ezek 14,14). Araka izany, asehon’ny Soratra Masina ny fahambonian’ny fahamarinana mety ho tratran’ izay miaina araka ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe, eo am-piandrasana an’i Kristy “hanangona ho antokony iray ny zanak’Andriamanitra rehetra efa niparitaka” (Jo 11,52).

Nifidy an’i Abrahama Andriamanitra

Mba hanangonana ny olombelona rehetra niparitaka, dia nifidy an’i Abrama Andriamanitra ary niantso azy “handao ny tanindrazany, ny havany ary ny tranony” (Jen 12,1) mba hahatonga azy ho Abrahama, izany hoe “rain’ny firenena tsy hita isa” (Jen 17,5) : “Aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Jen 12,3 - dikan-tenin’ny Fitopololahy - LXX) jer. Gal 3,8..

Ny vahoaka taranak’i Abrahama no mpandova ny fampanantenana natao tamin’ireo patriarka ; izy ireo no ilay vahoaka voafidy jer. Rôm 11,28., nantsoina hanomana ny famondronana ny zanak’Andriamanitra rehetra ho iray ao anatin’ny Fiangonana, indray andro any jer. Jo 11,52; 10,16. ; izy no ho fototra anaovana grefy ny tsy mpino ho tonga mpino jer. Rôm 11,17-18.24..

Ny patriarka sy ny mpaminany ary ireo olona sasany ao amin’ny Testamenta Taloha, dia nohajaina ary hohajaina lalandava toy ny olomasina ao amin’ny lovam-pampianarana litorzika manontolo an’ny Fiangonana.

Nanabe an’i Israely vahoakany Andriamanitra

Taorian’ireo patriarka, namorona an’i Israely ho vahoakany Andriamanitra, tamin’ny namonjeny azy ho afaka tamin’ny fanandevozana tao Ejipta. Nanao fanekem-pihavanana taminy teo Sinaia Izy ary nanome azy ny lalànany tamin’ny alalan’i Môizy, mba hahalalany Azy sy hanompoany Azy ho hany Andriamanitra velona sy marina, Ray mpiahy sy mpitsara marina, ary mba hiandrasany an’ilay Mpamonjy nampanantenaina jer. FA 3..

I Israely no vahoaka mpisoron’Andriamanitra jer. Eks 19,6., ilay “mitondra ny anaran’ny Tompo” (Det 28,10). Izy no vahoaka amin’ireo “izay voalohany nitenenan’ Andriamanitra” MR, Zomà Masina 13: ranombavaky ny mpino VI., ilay “zoky lahimatoa” amin’ny finoan’i Abrahama jer. Joany Paoly II, « Allc. nella synagoga », 4..

Tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra no nanabe ny vahoakany tao anatin’ny fanantenam-pamonjena, teo am-piandrasana ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay natokana ho an’ny olombelona rehetra jer. Iz 2,2-4., ary hosoratana ao am-po jer. Jer 31,31-34; Heb 10,16.. Nolazain’ny mpaminany ny fanavotana tanteraka ny Vahoakan’Andriamanitra, ny fanadiovana ny fivadibadihany rehetra jer. Ezek 36., fanavotana izay hatao ho an’ny firenen-drehetra jer. Iz 49,5-6; 53,11.. Ny mahantra sy ny olon-tsotran’ny Tompo jer. Sôf 2,3. indrindra no hitondra izany fanantenana izany. Ireo vehivavy masina toa an’i Sarà, Rebekà, Rasely, Miriama, Debôrà, Ana, Jodita ary Estera no nitahiry tsy ho faty ny fanantenam-pamonjena an’i Israely. I Maria no endrika tsy misy pentina indrindra amin’izany jer. Lk 1,38.. III. I Kristy Jesoa - “Mpanelanelana sy Hafenoan’ny Fanambaràna manontolo” FA 2.

Voalazan’Andriamanitra avokoa ao amin’ny Teniny ny zavatra rehetra.

“Fahiny, tamin’ny fotoana sy fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany Andriamanitra ; fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika” (Heb 1,1-2). I Kristy, Zanak’Andriamanitra tonga olombelona, no Ilay Teny tokan’ny Ray, lavorary sy tsy misy mahasongona. Ao Aminy no ilazan’ny Ray ny zavatra rehetra, ary tsy hisy teny hafa afa-tsy ireo. I Md Jean de la Croix, taorian’ ireo hafa maro be, dia nilaza izany tamin’ny fomba mazava raha namelabelatra an’io taratasy ho an’ny Hebrio 1,1-2 io :

Hatramin’ny nanomezan’Andriamanitra antsika ny Zanany, izay Teniny, dia tsy manana teny hafa homena antsika Andriamanitra. Indray mandeha ihany no nilazany izany manontolo tamintsika ny amin’io Teniny tokana io ary tsy misy na inona na inona intsony holazainy ; satria izay nolazainy ampahany tamin’ireo mpaminany, dia nambarany manontolo tamin’ny Zanany, amin’ny nanomezany antsika ny maha-izy manontolo ny Zanany. Noho izany, izay te hanontany Azy amin’izao fotoana izao, na maniry fahitana na fanambaràna, dia tsy vitan’ny hoe manao hadalàna fotsiny, fa maniratsira an’Andriamanitra, satria tsy mampifantoka ny masony ao amin’i Kristy irery fa mitady zavatra hafa na zava-baovao Carm. 2,22..

Tsy hisy intsony Fanambaràna hafa

“Ny Fitantanam-pamonjena kristianina, amin’ny maha-Fanekem-pihavanana Vaovao sady mandrakizay izany, dia tsy ho levona na oviana na oviana, koa tsy hisy na iray aza fanambaràna vaovao ampahibemaso, andrasana alohan’ ny fisehoan’i Jesoa-Kristy Tompontsika amim-boninahitra” FA 4.. Kanefa, na tomombana aza ny Fanambaràna, dia tsy mbola miharihary tanteraka izany ; anjaran’ny finoana kristianina ny mandray tsikelikely amin’izany ny vokatra rehetra mandritra ny taonjato mifandimby.

Nanaraka ny fifandimbiasan’ny taonjato maro, dia nisy ny fanambaràna antsoina hoe “manokana”, izay ny sasantsasany tamin’ireny no nankatoavina ho marina tamin’ny alalan’ny fahefan’ny Fiangonana. Tsy anisan’ny raki-pinoana anefa izy ireny. Tsy ny “hanatsara” na “hameno” ny Fanambaràna raikitra notanterahin’i Kristy tsy akory no anjara asany, fa ny hanampy hiaina izany bebe kokoa tamin’ny fotoana sasantsasany teo amin’ny tantara. Tantanan’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana ny sain’ny mpino, ka mahay manavaka sy mandray izay antso marina an’i Kristy na ny olomasiny ao amin’ny Fiangonana, raketin’ireny fanambaràna ireny. Tsy azon’ny finoana kristianina ekena ny “fanambaràna” izay mihambo hisongona na hanitsy ny Fanambaràna izay i Kristy no fanaperana. Toe-javatra fahita izany any amin’ny antokom-pinoana tsy kristianina sasantsasany ary koa any amin’ny sekta sasantsasany izay miorina amin’ny “fanambaràna” toy izany.

Noho ny fitiavana, dia nanambara ny Tenany sy nanolotra ny Tenany tamin’ny olombelona Andriamanitra. Amin’izany Izy no manome ny valin-teny raikitra sy mihoatra lavitra noho izay fanontaniana apetraky ny olombelona momba ny hevitra sy ny tanjon’ny fiainany.

Nanambara ny Tenany tamin’ny olombelona Andriamanitra, amin’ny fampahalalana tsikelikely taminy ny misteriny manokana, tamin’ny alalan’ny asa sy tamin’ny alalan’ny teny.

Ankoatra ny porofo izay omen’ny Tenan’Izy Andriamanitra ao amin’ireo zavaboary, dia naneho ny Tenany ihany koa Izy tamin’ireo voalohan-dray aman-drenintsika. Niresaka tamin’izy ireo Izy,ary taorian’ny fahalavoana dia nampanantena famonjena jer. Jen 3,15. tamin’izy ireo sy nanolotra ny fanekem-pihavanany tamin’izy ireo.

Nanao fanekem-pihavanana mandrakizay teo Aminy sy ny zavamananaina rehetra niaraka tamin’i Nôe, Andriamanitra jer. Jen 9,16.. Haharitra izany, hatramin’ ny faran’izao tontolo izao.

Nifidy an’i Abrahama Andriamanitra ary nanao fanekem-pihavanana taminy sy tamin’ny taranany. Nanabe ny vahoakany tamin’izany Izy, izay nanambaràny ny lalànany tamin’ny alalan’i Môizy. Nanomana azy ireo tamin’ny alalan’ny mpaminany Izy, mba handray ny famonjena natokana ho an’ny olombelona rehetra.

Nanambara manontolo ny Tenany Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny tena Zanany, Ilay nanorenany ny Fanekem-pihavanana mandrakizay. Izy io no Tenin’ny Ray farany, ka tsy hisy Fanambaràna hafa intsony aoriany.

2.Ny fampitana ny Fanambaràn’Andriamanitra

“Tian’Andriamanitra ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina” (1 Tim 2,4), izany hoe i Kristy Jesoa jer. Jo 14,6.. Noho izany, tokony hotorìna amin’ny firenena rehetra sy amin’ny olombelona rehetra i Kristy, ka amin’izany no ho tonga manerana ny vazan-tany rehetra ny Fanambaràna :

Nalamin’Andriamanitra tamin-kamoram-po lehibe io Fanambaràna nomena ho famonjena ny firenena rehetra io, mba ho voatahiry lalandava amin’ny fahamarinany tsy misy tomika, ary mba hampitaina amin’ny taranaka rehetra mifandimby FA 7..

I.Ny Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly

“I Kristy Tompo izay ao Aminy no tomombana ny Fanambaràna manontolo nataon’Andriamanitra Avo Indrindra, ka ny Tenany ihany no nanatanteraka ary ny vavany mihitsy no nitory ny Evanjely nampanantenaina mialoha tamin’ny alalan’ny Mpaminany, dia nanome baiko ny Apôstôliny hitory izany amin’ny olona rehetra ho loharanon’ny fahamarinana mahavonjy rehetra sy ny fitsipika môraly rehetra, amin’ny fampitana amin’izy ireo ny fanomezan’Andriamanitra” FA 7..

Ny toritenin’ny apôstôly …

Ny fampitana ny Evanjely, araka ny baikon’ny Tompo, dia natao tamin’ny fomba anankiroa :

Am-bava : “avy amin’ireo apôstôly izay nampita tamin’ny fitoriana am-bava, tamin’ny oha-piainana mbamin’ny fandaminana naoriny ; izao no nampitain’izy ireo tamin’izany : na izay nianaran’izy ireo tamin’ny teny naloakan’ny vavan’i Kristy ka niainan’izy ireo niaraka Taminy, sy tamin’ny nahitan’izy ireo Azy nanao izany ; na izay noraisin’izy ireo avy tamin’ny torohevitry ny Fanahy Masina”; An-tsoratra : “avy amin’ireo apôstôly ireo sy ireo lehilahy nanodidina azy, izay nandrakitra an-tsoratra ny hafa-pamonjena, mbola teo ambany fitsilovan’ny Fanahy Masina ihany koa” FA 7..

… nitohy teo amin’ny fifandimbiasana maha-apôstôly

“Mba ho voatahiry lalandava tsy misy nanombinana sy mba ho velona ao amin’ny Fiangonana ny Evanjely, dia namela ny Eveka ho dimbin’izy ireo ny apôstôly, ka ireo no "namindrany ny adidim-pampianarana nosahaniny" FA 7.”. Noho izany, “ny toritenin’ny apôstôly izay voavelabelatra tamin’ny fomba manokana ao amin’ireo boky avy amin’ny fitsilovan’Andriamanitra, dia tsy maintsy tahirizina amin’ny alalan’ny fifandimbiasana tsy tapaka mandra-pahatapitry ny fotoana rehetra” FA 8..

Izany fampitam-pampianarana velona, tanteraka ao amin’ny Fanahy Masina izany, no antsoina hoe Lovam-pampianarana, noho izy miavaka amin’ny Soratra Masina, na dia mifamatotra mafy aminy aza. Amin’ny alalany “ny Fiangonana no mampaharitra tsy tapaka ny fitambaram-pampianarany, ny fiainany ary ny fanompoany ara-pivavahana, sy mampita amin’ny taranaka mifandimby izay rehetra maha-izy azy, izay rehetra inoany” FA 8.. “Manamarina ny fisiana manan-kerin’io Lovam-pampianarana io ny fampianaran’ny Aba masina, ka ny harena avy amin’izany dia miampita eo amin’ny fanaovana ny asa mbamin’ny fiainan’ny Fiangonana izay mino sy mivavaka” FA 8..

Araka izany, ny fifandraisana nataon’ny Tenan’Izy Ray ihany tamin’ny alalan’ny Teniny ao amin’ny Fanahy Masina, dia misy lalandava eo amin’ny Fiangonana sy miasa ao aminy : “Andriamanitra izay niteny fahiny dia tsy mitsahatra miresaka amin’ny Vadin’ny Zanany malalany, ary ny Fanahy Masina, izay mampanako ny feo velon’ny Evanjely ao amin’ny Fiangonana, ary amin’ny alalan’ny Fiangonana mampanako izany eo amin’izao tontolo izao, dia mampiditra ny mpino amin’ny marina rehetra sy mampitoetra be dia be ny tenin’i Kristy ao amin’izy ireo” FA 8..

II.Ny fifandraisan’ny Lovam-pampianarana sy ny Soratra Masina

Iray loharano nipoirana …

“Mifaningotra sy mifandray lalina izy roa tonta. Satria samy avy amin’ Andriamanitra iray ihany ny loharano ipoiran’izy ireo, ka azo lazaina hoe mitambatra ho iray ary miroso ho amin’ny zava-kinendry tokana” FA 9.. Samy maneho sy mampamokatra ao amin’ny Fiangonana ny misterin’i Kristy izay nampanantena fa eo amin’ny mpianany “mandrakariva, ambara-pahatongan’ ny faran’izao tontolo izao” (Mt 28,20), izy roa tonta.

… fomba fampitana roa miavaka tsara

“Tenin’Andriamanitra ny Soratra Masina, ka tamin’ny fitsilovan’ny Fanahin’ Andriamanitra no nahatonga azy ho voarakitra an-tsoratra”. “Ny Lovam-pampianarana Masina kosa, dia mirakitra ny Tenin’Andriamanitra nankinin’i Kristy Tompo sy ny Fanahy Masina tamin’ireo apôstôly, sy mampita izany manontolo amin’ny dimbin’izy ireo, mba hitahirizan’izy ireo izany, hanazavan’ izy ireo izany ary hampielezan’izy ireo izany tsy misy mivaona, noho ny fitsilovan’ ny Fanahin’ny fahamarinana amin’ny fitoriana izany” FA 9..

Vokatr’izany, ny Fiangonana izay nanankinana ny fampitana sy ny fanazavana ny Fanambaràna, dia “tsy mamoaka avy amin’ny Soratra Masina irery ihany ny zavatra azony antoka fa marina ny amin’ny lafiny rehetra raketin’ny Fanambaràna. Izany indrindra no tsy maintsy andraisana sy anajana azy roa tonta amin’ny fitiavana sy ny fanajana mitovy tsy misy valaka” Ibid..

Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly sy lovam-pampianarana avy amin’ny Fiangonana

Ny Lovam-pampianarana fototry ny resaka ataontsika eto dia ny avy amin’ireo apôstôly, ka mampita an’izay noraisin’izy ireo avy amin’ny fampianarana sy avy amin’ny oha-piainan’i Jesoa sy izay nianaran’izy ireo tamin’ny Fanahy Masina. Araka izany, tsy mbola nanana ny Testamenta Vaovao voasoratra ireo kristianina tany am-boalohany, fa ny Testamenta Vaovao ihany no manamarina ny fizotran’ny Lovam-pampianarana velona. Tsy maintsy avahana amin’izany anefa ireo “lovam-pampianarana” ara-teôlôjia, ara-pitsipi-pifehezana, ara-litorzia na ara-pitiavam-bavaka, izay nipoitra teny am-pamakivakiana ny taona nifandimby tao amin’ireo Fiangonana teo an-toerana. Ireny no anisan’ny endrika manokana izay nandraisan’ny Lovam-pampianarana fototra, ny fomba fiteny namboarina ho sahaza ny toeran-tsamihafa sy ny fotoan-tsamihafa. Avy amin’ny fitsilovan’io Lovam-pampianarana fototra io no mety itanana, anitsiana na anariana ireny lovam-pampianarana tany amin’ny Fiangonana teo an-toerana ireny, eo ambany fitarihan’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana.

III.Ny fivoasana ny lovam-pinoana

Ny lovam-pinoana nankinina amin’ny Fiangonana manontolo

“Ny lova masina” jer. 1 Tim 6,20; 2 Tim 1,12-14. momba ny finoana (depositum fidei) voarakitra ao amin’ ny Lovam-pampianarana Masina sy ao amin’ny Soratra Masina dia nankinin’ ireo apôstôly tamin’ny Fiangonana manontolo. “Eo am-pifikirana amin’izany lova izany ny vahoaka masina manontolo miray amin’ny mpitondra azy ireo, no maharitra tsy mivadika amin’ny fampianaran’ny apôstôly sy amin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, amin’ny famakiana ny mofo sy amin’ny fivavahana, hany ka eo am-pifikirana sy am-pampiharana ary am-panehoana ampahibemaso ny finoana nampitaina, no iorenan’ny fiombonan-tsaina amam-panahy manokana eo amin’ny mpitondra Fiangonana sy ny mpino” FA 10..

Ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana

“Ny adidy aman’andraikitra hivaofy amin’ny tena heviny marina ny Tenin’ Andriamanitra voasoratra na nampitaina am-bava, dia nankinina irery ihany amin’ny Toniam-pampianarana velon’ny Fiangonana, ka amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy no ampiasan’ny mpitondra mahefa izany” FA 10., izany hoe ireo Eveka miombona amin’ny dimbin’i Piera, Evekan’i Rôma.

“Saingy tsy ambony noho ny Tenin’Andriamanitra io Toniam-pampianarana io, fa manompo azy, ary tsy mampianatra afa-tsy izay nampitaina ihany, satria noho ny didin’Andriamanitra, ombàn’ny fanampian’ny Fanahy Masina, dia mihaino an’io Tenin’Andriamanitra io amim-pitiavana, mitandrina azy amim-pahamasinana, mamelabelatra azy amim-pahamarinana ny Toniam-pampianarana, ary manovo avy amin’io tahirim-pinoana tokana io izay rehetra natolotra inoana satria nambaran’Andriamanitra” FA 10..

Ny mpino, eo am-pahatsiarovana ny tenin’i Kristy tamin’ny apôstôliny hoe : “Izay mihaino anareo, mihaino Ahy” (Lk 10,16) jer. FF 20., dia mandray amim-pankatoavana ny fampianarana sy ny torolalana izay omen’ny mpitondra azy ireo amin’ny endrika samy hafa.

Ny teny finoana

Mampiasa manontolo ny fahefana noraisina tamin’i Kristy ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, rahefa mamaritra teny finoana, izany hoe rahefa manolotra ireo marina raketin’ny Fanambaràn’Andriamanitra, amin’ny fomba mandidy ny vahoaka kristianina hifikitra sy tsy hivadika amin’ny finoana, na rahefa manolotra ireo marina ilaina ambara izay mifamatotra amin’ny marina raketin’ny Fanambaràn’Andriamanitra.

Misy fifamatorana mafy ny fiainantsika ara-panahy sy ny teny finoana. Ny teny finoana no fahazavana eny an-dalan’ny finoantsika, izy no manazava izany sy mahatonga ny dia ho azo antoka. Raha ampifamadihana ny fomba filaza azy, dia hoe : raha mahitsy ny fiainantsika, dia hisokatra ny saintsika sy ny fontsika handray ny fahazavana avy amin’ny teny finoana jer. Jo 8,31-32..

Mety ho hita ao amin’ny fitambaran’ny Fanambaràna ny misterin’i Kristy, ny fifamatorana sy ny fifampitohizan’ny teny finoana jer. Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum: nexus mysteriorum; FF 25.. Koa, tsara tadidiana fa “ny maha-samihafa ny fifandraisan’izy ireny amin’ny fototry ny finoana kristianina dia manamarika laharana na "ambaratongam"-pahamarinan’ny fitambaram-pampianarana katôlika” EK 11..

Ny hevi-pinoana mihoatra ny fahatakaran-tsain’olombelona

Manana anjara amin’ny fahazoana an-tsaina sy amin’ny fampitana ny marina nambara, ny mpino rehetra. Nandray ny fanosoran’ny Fanahy Masina izy ireo, izay mampianatra azy ireo jer. 1 Jo 2,20.27. sy mitari-dalana azy ireo “amin’ny marina rehetra” (Jo 16,13).

“Tsy mety ho diso amin’ny finoana, ny fitambaramben’ny mpino (…), ary mampiseho izany sàtany izany amin’ny alalan’ny hevi-pinoana mihoatra ny fahatakaran-tsain’olombelona, izay an’ny vahoaka manontolo "manomboka amin’ny Eveka ka hatramin’izay farany amin’ireo mpino lahika", rahefa milaza ny faneken’ny daholobe ny marina momba ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena izy” jer. FF 12..

“Noho izany hevi-pinoana izany izay fohazin’ny Fanahin’ny fahamarinana sy tohanany, sy eo ambany fitarihan’ny Toniam-pampianarana masina, (…) dia miraiki-po amim-paharetana lalandava amin’ny finoana nampitaina indray mandeha ihany tamin’ny olomasina ny Vahoakan’Andriamanitra, sy mandalina izany bebe kokoa eo am-pivoasana tsara izany, ary mampihatra izany eo amin’ny fiainany amin’ny fomba lavorary kokoa” FF 12..

Ny fitomboana amin’ny fahalalana ny finoana

Noho ny fanampian’ny Fanahy Masina, dia afaka mitombo ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny fahalalana ny zava-misy toy ireo teny amin’ny lovam-pinoana :

- “amin’ny alalan’ny fibanjinan’ny mpino sy ny fianarany, ka ao am-pon’ izy ireo no andinihany izany” FA 8 ; singanina manokana “ny fikarohana ara-teôlôjia izay mandalina ny fahalalana ny marina nambara” FAA 62, § 7; jer. koa 44, § 2; FA 23; 24; EK 4. ; - “amin’ny alalan’ny fahazavan-tsaina ao anaty izay ahatsapan’ny mpino ny zavatra ara-panahy” FA 8. ; “miara-mitombo ny Tenin’Andriamanitra sy izay mamaky azy” Md Grégoire le Grand, hom. Ez. 1, 7, 8. ; - “amin’ny alalan’ny fitorian-tenin’ireo izay mandray ny fanomezam-pahasoavana azo antoka momba ny fahamarinana, miaraka amin’ny fifandimbiasan’ny maha-eveka” FA 8..

“Mazava àry fa ny Lovam-pampianarana Masina, ny Soratra Masina ary ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny fandaminana araka ny tena fahendren’Andriamanitra, dia mifamatotra sy mifampiankina tokoa amin’izy samy izy, hany ka tsy misy amin’ireo singam-pampianarana ireo maharitra raha tsy eo ny hafa, ary izy rehetra miaraka, samy araka ny fomban’ny tsirairay avy, noho ny asan’ny Fanahy Masina iray ihany, dia manampy amim-pomba mandaitra amin’ny famonjena ny fanahy” FA 10, § 3..

Izay nankinin’i Kristy tamin’ny apôstôly, dia nampitain’izy ireo tamin’ny toriteniny sy tamin’ny soratra, teo ambany fitsilovan’ny Fanahy Masina, ho an’ny taranaka rehetra mifandimby, mandra-piverin’i Kristy amim-boninahitra.

“Ny Lovam-pampianarana Masina sy ny Soratra Masina no manorina ny tahiry tokana masin’ny Tenin’Andriamanitra” FA 10., izay amin’izany, toy ny eo amin’ny fitaratra, no ibanjinan’ny Fiangonana mivahiny eto an-tany an’ Andriamanitra, loharanon-karen’ny teniny rehetra.

“Amin’ny fitambaram-pampianarany, amin’ny fiainany ary amin’ny fanompoany ara-pivavahana ny Fiangonana no mampaharitra lalandava sy mampita amin’ny taranaka tsirairay avy, izay rehetra maha-izy azy sy izay rehetra inoany” FA 8..

Noho ny hevi-pinoana mihoatra ny fahatakaran-tsain’olombelona, ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo dia tsy mitsahatra mandray ny fanomezan’ny Fanambaràn’Andriamanitra, miditra ao amin’izany lalindalina kokoa ary mivelona amin’izany manontolo.

Ny fiadidiana hivaofy amim-pahamarinana ny Tenin’Andriamanitra dia nankinina irery ihany amin’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, amin’ny Papa sy amin’ireo Eveka miombona aminy.

3.Ny Soratra Masina

I.I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina

Ao anatin’ny fahambonian’ny hatsaram-panahiny Andriamanitra no miteny amin’ny fitenin’olombelona, mba hanambaràny ny Tenany amin’ny olombelona : “Satria, ny Tenin’Andriamanitra voambara amin’ny fitenin’ olombelona dia lasa nisy fifanahafana amin’ny tenin’olombelona, tahaka ny nahatonga ho mitovy amin’ny olombelona ny Tenin’ny Ray mandrakizay, rahefa nitafy ny nofon’ny fahalementsika Izy” FA 13..

Tsy milaza afa-tsy Teny iray Andriamanitra, amin’ny teny rehetra ao amin’ ny Soratra Masina, dia ny Teniny tokana izay ao Aminy no ilazany ny Tenany manontolo jer. Heb 1,1-3. :

Tsarovinareo, fa iray ihany ny Tenin’Andriamanitra izay voavelabelatra ao anatin’ny Soratra Masina manontolo, satria iray ihany ny Teny izay manako ao am-bavan’ny mpanoratra masina rehetra, dia Ilay Andriamanitra ao amin’ Andriamanitra hatrany am-boalohany, tsy mila vaninteny satria tsy voafehin’ ny fotoana Md Augustin, Psal. 103, 4, 1..

Noho izany antony izany, hajain’ny Fiangonana lalandava ny Soratra Masin’Andriamanitra, tahaka ny hanajany koa ny Vatan’ny Tompo. Tsy mitsahatra izy manolotra ho an’ny mpino ny Mofon’aina raisiny eo amin’ny Latabatry ny Tenin’Andriamanitra sy ny Vatan’i Kristy jer. FA 21..

Ao amin’ny Soratra Masina no ahitan’ny Fiangonana tsy an-kijanona ny sakafony sy ny heriny jer. FA 24., satria amin’ny Fiangonana dia tsy raisiny ho tenin’ olombelona fotsiny ny Soratra Masina, fa izay tena maha-izy azy : Tenin’ Andriamanitra jer. 1 Tes 2,13.. “Noho izany, ao amin’ny Boky Masina no ahatongavan’ny Ray izay any an-danitra amim-pitiavana eo anoloan’ny zanany sy iresahany amin’izy ireo” FA 21..

II.Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina

Andriamanitra no Mpamorona ny Soratra Masina. “Ny fahamarinana nambaran’Andriamanitra, izay ao amin’ny bokin’ny Soratra Masina sy atolony, dia voarakitra an-tsoratra teo ambanin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina”. “Mihevitra ny Fiangonana Masina Renintsika, noho ny finoany avy amin’ny apôstôly, fa masina sy ara-pitsipi-pinoana ny boky rehetra na ny Testamenta Taloha na ny Testamenta Vaovao, miaraka amin’ny fizarazarana rehetra ao aminy, satria manana an’Andriamanitra ho tompon-tsoratra izy ireo, noho izy ireo voasoratra teo ambany fitsilovan’ny Fanahy Masina, ary toy izany hatrany no nampitàna azy ireo tao amin’ny Fiangonana” FA 11..

Andriamanitra no nitsilo ny sain’olombelona mpanoratra ny Boky Masina. “Mba hamoronana ireny boky masina ireny, dia nifidy olona afaka nampiasa feno sy manontolo ny fahaizana amam-pahalalan’izy ireo sy ny fahafahan’ izy ireo Andriamanitra, ka ny Tenany rahateo ihany no niasa tao amin’izy ireo sy tamin’ny alalan’izy ireo, mba hametrahan’izy ireo an-tsoratra, amin’ ny maha-mpanoratra marina tokoa azy ireo, izay rehetra nifanaraka tamin’ny fanirian’Izy Mpitsilo, ary dia izay ihany” FA 11..

Mampianatra ny marina ny boky avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina. “Satria ny filazana marina rehetra ataon’ny mpanoratra nahazo fitsilovana na koa hoe mpanoratra masina, dia tsy maintsy tànana fa filazana marina avy amin’ny Fanahy Masina, ka noho izany, tsy maintsy ambara fa ny bokin’ny Soratra Masina dia mampianatra amin’ny fomba hentitra, araka ny tena izy ary tsy misy diso, ny marina izay sitrak’Andriamanitra ho voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Taratasy masina momba ny famonjena antsika” FA 11..

Saingy “tsy fivavaham-Boky” ny finoana kristianina, fa fivavahan’ny “Tenin’”Andriamanitra, “tsy avy amin’ny teny voasoratra sy moana, fa avy amin’ny Teny tonga nofo sy velona” Md Bernard, hom. miss. 4, 11.. Mba tsy hijanona ho soratra maty ny Soratra Masina, dia tsy maintsy i Kristy, Teny mandrakizain’Andriamanitra velona, no “manokatra ny saina amam-pahalalantsika hahafantatra ny Soratra Masina” Lk 24,45., amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

III.Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina

Ao amin’ny Soratra Masina, miteny amin’ny olombelona araka ny fomban’ olombelona Andriamanitra. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina, tsy maintsy tandremana izany izay noheverin’ny olombelona mpanoratra hambara marina sy izay tena sitrak’Andriamanitra haseho antsika amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo jer. FA 12, § 1..

Mba hahatakarana ny hevitry ny mpanoratra masina, dia tsy maintsy dinihina ny fomba fiainana tamin’ny androny sy ny fomba fisainany, ny “karazan-dahatsoratra” fampiasa tamin’izany fotoana izany, ny fomba fahatsapana, fiteny ary fitantara nahazatra tamin’izany fotoana izany. “Satria tsy mitovy ny fomba fanehoana sy filazana ny marina amin’ny lahatsoratra samihafa momba ny tantara, amin’ny lahatsoratra momba ny faminaniana, na momba ny aingam-panahy, na koa amin’ny karazana fanehoan-kevitra hafa” FA 12, § 2..

Fa noho ny Soratra Masina avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina, dia misy fitsipika fototra hafa enti-mivaofy azy marina, izay tsy latsa-danja noho ilay tetsy aloha, ary raha tsy misy azy, hijanona ho taratasy maty ny Soratra Masina : “Tsy maintsy vakìna sy voasana eo ambany fahazavan’ilay Fanahy nampanoratra azy ny Soratra Masina” FA 12, § 3.. Foto-piheverana telo no atoron’ny Kônsily Vatikana II amin’ny fivoasana ny Soratra Masina mifanaraka amin’ny hevitry ny Fanahy izay nitsilo azy jer. FA 12, § 3. :

1. Tandremana fatratra aloha “ny zava-boarakitra sy ny maha-tokana ny Soratra Masina manontolo”. Satria, na samy hafa toy inona aza ny boky nanoratana azy, dia iray ny Soratra Masina noho ny maha-tokana ny fandaharan’Andriamanitra, izay i Kristy Jesoa no ivo sy fo, nisokatra nanomboka tamin’ny Pakany jer. Lk 24,25-27.44-46.. Ny fon’i jer. Sal 22,15. Kristy no mampiseho ny Soratra Masina ary ny Soratra Masina no mampahafantatra ny fon’i Kristy. Nikatona io fo io talohan’ny fijaliana satria maizina ny Soratra tamin’izany. Fa nisokatra ny Soratra taorian’ny fijaliana, satria hatramin’izao ireo izay manam-pahalalana dia mamakafaka sy mandanjalanja hoe : amin’ny fomba ahoana no tsy maintsy ivoasana ny teny faminaniana jer. Md Thomas d’A., Psal. 21,11..

2. Avy eo mamaky ny Soratra Masina ao amin’ “ny Lovam-pampianarana velon’ny Fiangonana manontolo”. Araka ny fombam-pitenenana iray nataon’ ny Aba, dia ao am-pon’ny Fiangonana no tsara kokoa amakiana ny Soratra Masina, toy izay amin’ny fitaovana fampitana ny heviny jer. Md Hilaire de Poitiers, Const. 9; Md Jérôme, ep. Gal. 1,1, 11-12.. Satria, entin’ny Fiangonana ao amin’ny Lovam-pampianarany ny fahatsiarovana velon’ny Tenin’Andriamanitra, ary dia ny Fanahy Masina no manome azy ny fivoasana ara-panahy ny Soratra Masina (“… araka ny hevitra ara-panahy izay atolotry ny Fanahy Masina ny Fiangonana” Origène, hom. in Lev. 5,5.).

3. Tandremana “ny fifanahafam-pinoana” jer. Rôm 12,6.. Ny antsoina hoe “fifanahafam-pinoana”, dia ny firaisan’ny marina rehetra momba ny finoana amin’izy samy izy sy amin’ny fikasana manontolo iompanan’ny Fanambaràna.

Ny hevi-tenin’ny Soratra Masina

Araka ny lovantsofina tranainy iray, azo avahana ho roa ny hevi-tenin’ny Soratra Masina : ny hevitra ara-bakiteny sy ny hevitra ara-panahy, ka ity farany ity indray moa mitsinjara ho heviny an’ohatra, heviny ara-môraly ary heviny ara-tandindona. Ny fifanarahana lalina eo amin’ireo heviny efatra ireo no miantoka ny haren-tsarobidiny manontolo amin’ny famakiana feno aina ny Soratra Masina ao amin’ny Fiangonana :

Ny hevitra ara-bakiteny. Dia ny hevitra ambaran’ny tenin’ny Soratra Masina sy ahariharin’ny haihevi-tsoratra izay manaraka ny fitsipiky ny fivoasana marina. “Ao amin’ny hevitra ara-bakiteny no iankinan’ny hevi-tenin’ny Soratra Masina rehetra” Md Thomas d’A., s. th. 1, 1, 10, ad 1..

Ny hevitra ara-panahy. Noho ny maha-iray ny fandaharan’Andriamanitra, tsy ny lahatsoratra ao amin’ny Soratra Masina ihany no mety ho famantarana, fa eo koa ny zava-misy sy ny fisehoan-javatra izay lazainy.

1. Ny hevitra an’ohatra. Mety ho azontsika ny fahatakarana lalindalina kokoa ny fisehoan-javatra amin’ny fahafantarana ny dikan’izy ireny ahatra ao amin’i Kristy ; araka izany, ny fitana ny ranomasina Mena dia famantarana ny fandresen’i Kristy, ary avy amin’izany ny Batemy jer. 1 Kôr 10,2. ; 2. Ny hevitra ara-môraly. Ny zava-miseho voalaza ao amin’ny Soratra Masina dia tsy maintsy mitarika antsika ho amin’ny asa amam-pitondran-tena marina. Voasoratra izy ireny “mba ho fampianarana ho antsika” (1 Kôr 10,11) jer. Heb 3 - 4,11. ; 3. Ny hevitra ara-tandindona. Azo atao koa ny mijery ny zava-misy sy ny zava-miseho araka ny dikany mifandray amin’ny mandrakizay, mitondra antsika (anagoge, amin’ny teny grika) mankany an-Tanindrazantsika. Araka izany, famantarana an’ilay Jerosalema any an-danitra ny Fiangonana eto an-tany jer. Apôk 21,1 - 22,5..

Misy andalana miaraka tsiroaroa amin’ny tononkalo iray tamin’ny taonjato antenatenany mamintina ireo hevitra efatra ireo : Ny hevitra ara-bakiteny no mampianatra ny zava-miseho, ny hevitra an’ohatra no manoro izay tsy maintsy inoana, ny hevitra ara-môraly no mampianatra izay tsy maintsy atao, ny hevitra ara-tandindona no manoro ny hoe mankamin’ny inona no tsy maintsy ezahina kendrena Augustin de Dace, rot. I..

“Anjaran’ny mpamakafaka ny Soratra Masina no miezaka hanakatra sy hanazava lalindalina kokoa ny hevi-tenin’ny Soratra Masina, araka ireo fitsipika ireo, mba hanamasaka ny fomba fitsaràn’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny famakafakana ataon’izy ireo izay toy ny fanomanana mialoha. Satria izay rehetra mahakasika ny fomba fivoasana ny Soratra Masina dia miafara eo ambany fitsaràna amam-panapahan-kevitry ny Fiangonana, izay misahana ny andraiki-panompoana sy mampiasa ny fahefana noraisiny tamin’Andriamanitra mba hitahirizana ny Tenin’Andriamanitra sy hivoasana izany” FA 12,3.. Tsy ho nino ny Evanjely aho, raha tsy ny fahefan’ny Fiangonana katôlika no nanosika ahy ho amin’izany Md Augustin, fund. 5, 6..

IV.Ny Lisitry ny boky mirakitra ny Soratra Masina

Ny Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly no nahatonga ny Fiangonana hahay manavaka hoe soratra toy inona no tsy maintsy noraisina ho ao anatin’ny lisitr’ireo Boky Masina jer. FA 8, 3.. Io lisitra manontolo io no antsoina hoe “Boky masina mirakitra” ny Soratra Masina. Misy boky 46 (45, raha isaina miaraka i Jer sy ny Fitom) ny Testamenta Taloha ary misy boky 27 ny Testamenta Vaovao jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1334-1336; 1501-1504. : Ny Testamenta Taloha : Jenezy, Eksaody, Levitika, Fanisana, Deterônômy, Jôsoe, Mpitsara, Rota, 1 sy 2 Samoela, 1 sy 2 Mpanjaka, 1 sy 2 Tantara, Esdrasa sy Nehemia, Tobia, Jodita, Estera, 1 sy 2 Makabeo, Jôba, ny Salamo, ny Ohabolana, ny Mpitoriteny, ny Tonon-kira dia Tonon-kira, ny Fahendrena, ny Ekleziastika, Izaia, Jeremia, ny Fitomaniana, Baròka, Ezekiela, Daniela, Ôsea, Joely, Amôsa, Abdiasa, Jônasa, Mikea, Nahoma, Habakoka, Sôfônia, Akjea, Zakaria, Malakia. Ny Testamenta Vaovao : Ny Evanjelin’i Matio, i Marka, i Lioka ary i Joany, ny Asan’ny Apôstôly, ny Taratasin’i Md Paoly ho an’ny Rômanina, ny 1 sy 2 ho an’ny Kôrintianina, ho an’ny Galata, ho an’ny Efezianina, ho an’ny Filipianina, ho an’ny Kôlôsianina, ny 1 sy 2 ho an’ny Tesalônisianina, ny Taratasy 1 sy 2 ho an’i Timôte, ny Taratasy ho an’i Tito, ho an’i Filemôna, ny Taratasy ho an’ny Hebrio, ny Taratasin’i Jakôba, ny Taratasy 1 sy 2 Piera, ny Taratasy 1 sy 2 ary 3 Joany, ny Taratasin’i Joda ary ny Apôkalipsa.

Ny Testamenta Taloha

Fizarana iray tsy azo esorina amin’ny Soratra Masina, ny Testamenta Taloha.Fitsilovana avy amin’Andriamanitra sy mitahiry soatoavina maharitra sady tsy miova ny boky rehetra ao jer. FA 14., satria tsy nofoanana na oviana na oviana ny Fanekem-pihavanana Taloha.

Noho izany, “mifototra indrindra amin’ny fanomanana ny fahatongavan’i Kristy Mpamonjy an’izao tontolo izao, ny fitantanam-pamonjena ao amin’ny Testamenta Taloha.” “Na dia mirakitra zavatra tsy lavorary sy vonjimaika aza” ireo bokin’ny Testamenta Taloha ireo, dia manaporofo ny fahaizan’ Andriamanitra manabe tanteraka amin’ny fitiavany mahavonjy : “Ao amin’ ireo no mirakitra ny fampianarana ambony momba an’Andriamanitra, ny fahendrena mahasoa amin’ny fiainan’ny olombelona, ny raki-bavaka mahatalanjona ; farany, ao amin’ireo no iafenan’ny misterin’ny famonjena antsika” FA 15..

Manaja ny Testamenta Taloha ho Tenin’Andriamanitra tokoa ny kristianina. Manohitra mafy lalandava ny hevitra hanary ny Testamenta Taloha ny Fiangonana, araka ny fivaonam-pampianarana hoe : ny Testamenta Vaovao no nahatonga azy ho lany andro (fampianaran’i Marcion).

Ny Testamenta Vaovao

“Miseho ao amin’ireo bokin’ny Testamenta Vaovao, ny Tenin’ Andriamanitra, izay heriny ho famonjena ny mpino rehetra, ary miharihary ao amin’ny fomba miavaka izany heriny izany” FA 17.. Ireo boky ireo no manolotra ny marina fanaperana amin’ny Fanambaràn’Andriamanitra ho antsika. Ny votoatin’ireo dia i Jesoa-Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo, ny asany, ny fampianarany, ny fijaliany sy ny fanomezam-boninahitra Azy ary koa ny fanombohan’ny Fiangonany noho ny asan’ny Fanahy Masina jer. FA 20..

Ny Evanjely no ivon’ny Soratra Masina rehetra “noho izy ireo manambatra ny porofo ambony indrindra momba ny fiainana sy momba ny fampianaran’ ny Teny tonga nofo, Mpamonjintsika” FA 18..

Azo avahana ho dingana telo ny niforonan’ireo Evanjely : 1. Ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa. Ny Fiangonana dia mitana mafy tsy azo hozongozonina fa ireo Evanjely efatra, “izay lazainy marina tsy amim-pihambahambana ny fisiany ara-tantara, dia mampita araka ny tena izy izay nataon’i Jesoa ilay Zanak’Andriamanitra sy nampianariny marina tokoa, nandritra ny fiainany teo anivon’ny olombelona, ka hatramin’ny andro izay nampakarana Azy any an-danitra, ho famonjena azy ireo mandrakizay”. 2. Ny lovam-panahy nampitaina am-bava. “Taorian’ny Fiakaran’ny Tompo any an-danitra, dia nampitain’ny apôstôly tamin’ny mpihaino azy ireo, izay nolazain’ny Tompo sy nataony, tamim-pahalalana lalindalina kokoa ny zavatra izay nahafaly ny tenan’izy ireo, dia izy ireo izay nahazo fianarana avy amin’ny zava-niseho malaza momba an’i Kristy sy nohazavain’ny Fanahin’ny fahamarinana”. 3. Ireo Evanjely vita an-tsoratra. “Ny mpanoratra masina àry no nandahatra an-tsoratra ny Evanjely efatra, nifantina ny sasantsasany tamin’ireo zavatra maro, na am-bava na efa vita an-tsoratra, namintina ny efa vitan’ny sasany, na nanazava izany araka ny toe-javatra nisy niainan’ny Fiangonana, ary farany, nitàna ny endriky ny toriteny, izay hampitana lalandava amintsika ireo zavatra marina sy mahitsy momba an’i Jesoa” FA 19..

Mitana toerana tsy manam-paharoa ao amin’ny Fiangonana ny Evanjely amin’ny endrika efatra, izay porofoin’ny fanajana omen’ny litorzia izany, sy ny hery manintona tsy manan-tsahala izay niasa tamin’ny fotoana rehetra teo amin’ny olomasina : Tsy misy fitambaram-pampianarana tsara kokoa, sarobidy kokoa, kanto kokoa noho ny lahatsoratry ny Evanjely. Jereo sy tadidio izay nampianarin’ny Tompontsika sady Mpampianatra, dia i Kristy, tamin’ny teniny sy notanterahiny tamin’ny asany Mb Césarie la Jeune, Rich.. Fa ambonin’ny zavatra rehetra, ny Evanjely no mampaharitra ahy amin’ny vavaka ataoko; ao aminy no ahitako izay rehetra ilain’ny fanahiko mahantra. Ao no ahitako lalandava ny fahazavana vaovao, ny hevi-miafina sy mifono mistery Mb Thérèse de l'Enfant-Jésus, ms. autob. A 83v..

Ny maha-tokana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao

Ny Fiangonana, efa hatramin’ny andron’ny apôstôly jer. 1 Kôr 10,6.11; Heb 10,1; 1 Pi 3,21., ary tsy miova tao amin’ny Lovam-pampianarany, dia nanazava ny maha-tokana ny drafitr’ asan’Andriamanitra ao amin’ireo Testamenta anankiroa noho ny tandindona raketiny (typologie). Izany tandindona raketiny izany no andanjalanjana ao amin’ny tsanganasan’Andriamanitra tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha ny fampisehoana mialoha izay notanterahin’Andriamanitra tao amin’ny Zanany tonga nofo, nony feno ny fotoana.

Noho izany, mamaky ny Testamenta Taloha araka ny fahazavan’i Kristy maty sy ny nitsangan-ko velona ny kristianina. Izany vakiteny ara-tandindona izany no maneho ny votoaty tovozin-tsy ritra ao amin’ny Testamenta Taloha. Io vakiteny io tsy tokony hanadinoana fa ny Testamenta Taloha dia mitana ny soatoaviny manokana amin’ny Fanambaràn’Andriamanitra nohamafisin’ny tenan’Izy Tompontsika rahateo ihany jer. Mk 12,29-31.. Ankoatra izany, ny Testamenta Vaovao dia mila vakìna koa amin’ny fahazavan’ny Testamenta Taloha. Hisy hampiasana azy lalandava amin’ny katesezy fototra kristianina izany jer. 1 Kôr 5,6-8; 10,1-11.. Araka ny fiteny tranainy iray, ny Testamenta Vaovao dia miafina ao amin’ny Taloha, nefa ny Taloha miseho ao amin’ny Vaovao : “Miafina ao amin’ny Taloha ny Vaovao ary miharihary ao amin’ny Vaovao ny Taloha” Md Augustin, Hept. 2,73; jer. koa FA 16..

Ny tandindona dia midika fahavitrihana ho amin’ny fahatanterahan’ny drafitr’asan’Andriamanitra, rahefa “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra” (1 Kôr 15,28). Tahaka izany, ny fiantsoana ny patriarka sy ny Fialana tao Ejipta, ohatra, dia tsy mahavery ny fahambonian’izy ireny manokana tao amin’ny drafitr’asan’Andriamanitra, noho ireny zavatra ireny tafiditra koa amin’ny dingana tsy maintsy nolalovana.

V.Ny Soratra Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana

“Lehibe tokoa ny hery sy ny tanjaka izay raketin’ny Tenin’Andriamanitra, ka mahatonga izany ho fiankinana sy hery ho an’ny Fiangonana, ary ho an’ny zanaky ny Fiangonana, mahatonga ho herin’ny finoan’izy ireo, ho sakafon’ny fanahin’izy ireo, ho loharano madio mangarangarana sy tsy mety ritra amin’ny fiainan’izy ireo ara-panahy” FA 21.. Tsy maintsy “sokafana midanadana ho an’ny kristianina ny varavaran-kidirana amin’ny Soratra Masina” FA 22..

“Noho izany, ho an’ny teôlôjia masina, aoka ny fianarana Soratra Masina no ho aina mamelona azy. Aoka koa mba hahita ny sakafo mahasalama sy ny hery mahasoa ao amin’io Tenin’ny Soratra Masina io ireto andraiki-panompoana amin’ny Teny ireto : ny fitoriana ara-pastôraly, ny katesezy, ary ny fampianarana manontolo ny kristianina, izay ao amin’izany ny toriteny ara-litorzia no tokony hanana anjara toerana sahaza azy” FA 24..

“Mampirisika mafy sy manokana ny kristianina rehetra ny Fiangonana (…), mba hahazo, amin’ny alalan’ny famakiana matetika ny Soratra masin’ Andriamanitra, “ny fahalalana ambony momba an’i Jesoa-Kristy” (Filip 3,8). "Satria, ny tsy mahalala ny Soratra Masina, dia tsy mahalala an’i Kristy." FA 25; jer. koa Md Jérôme, Is. prol..”

“Boky iray ihany ny Soratra Masina manontolo, ary i Kristy io boky iray ihany io, "satria miteny momba an’i Kristy avokoa ny Soratra Masina manontolo, ary tanteraka ao amin’i Kristy izy manontolo "” Hugues de Saint-Victor, Nôe 2, 8..

“Ny Soratra Masina no mirakitra ny Tenin’Andriamanitra, ary noho izy azo avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina, dia Tenin’Andriamanitra marina tokoa” FA 24..

Andriamanitra no Mpamorona ny Soratra Masina, tamin’ny fitsilovany ny sain’olombelona mpanoratra izany ; niasa tao amin’izy ireo sy tamin’ ny alalan’izy ireo Izy. Araka izany, Izy no manome antoka fa ny soratr’izy ireo dia mampianatra tsy misy diso ny fahamarinana mahavonjy FA 11..

Ny fivoasana ny Soratra avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy afantoka indrindra aloha, amin’izay tian’Andriamanitra hambara tamin’ny alalan’ny mpanoratra masina ny amin’ny famonjena antsika. “Izay avy amin’ny Fanahy, dia tsy ho azo tanteraka amin’ny heviny feno raha tsy amin’ny asan’ny Fanahy” jer. Origène, hom. in Ex. 4,5..

Ny Fiangonana dia mandray sy manaja ho avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina ny boky 46 ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny boky 27 ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Ny Evanjely efatra no mitàna ny ivo toerana, satria i Kristy Jesoa no foibeny.

Ny maha-tokana ireo Testamenta anankiroa dia avy amin’ny maha-tokana ny fandaharan’Andriamanitra sy ny Fanambaràny. Ny Testamenta Taloha no manomana ny Vaovao, ary ny Vaovao no manatanteraka ny Taloha; mifanazava izy roa, ary samy Tenin’Andriamanitra marina tokoa.

“Manaja lalandava ny Soratra Masin’Andriamanitra ny Fiangonana, tahaka ny ataony amin’ny fanajana ny Vatan’ny Tompo” FA 21. : samy mamelona sy mibaiko ny fiainana kristianina manontolo izy roa ireo. “Ny teninao no fanilon’ny diako, fahazavan’ny lalako”(Sal 119,105) jer. Iz 50,4..