Sembolin’ny Apôstôly

Izaho mino an’Andriamanitra, Ray Mahefa ny zavatra rehetra, Mpahary ny lanitra sy ny tany. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanany tokana Tompontsika. Noforonin’ny Fanahy Masina, naterak’i Maria Virjiny : nijaly faha-Pôntsy Pilaty, nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana, maty dia nalevina ; nidina tany ambanin’ny tany ; nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo ; niakatra any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Mahefa ny zavatra rehetra : avy any Izy mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty. Izaho mino ny Fanahy Masina, ny Fiangonana Masina, katôlika, ny fiombonan’ny olomasina, ny fanalana ny ota, ny fitsanganan’ny vatantsika ho velona, ary ny fiainana mandrakizay. Amen.

Jereo koa