Fiekem-pinoana Nicée-Constantinople
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ny Fanekem-pinoan' i Nikea na Fanekem-pinoana nikeana na Fiekem-pinoan' i Nisea na Fiekem-pinoana niseana dia fanekem-pinoana na fanambaràm-pinoana kristiana tinapaka nandritra ny Kônsily natao tao amin' ny tananan' i Nikea (na Nisea, İznik ao Torkia ankehitriny) tamin' ny taona 325 izay notovanana
Izaho mino an’Andriamanitra tokana, Ray Mahefa ny zavatra rehetra, nanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra na ny hita maso na ny tsy hita. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Tompo tokana, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra: Andriamanitra avy amin’Andriamanitra, Fahazavana avy amin’ny fahazavana, Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina, nateraky Izy fa tsy natao, iray fomba amin’ny Ray, ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra. Isika olombelona sy ny famonjena antsika, no nidinany avy any an-danitra. Ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy noho ny herin’ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona ; nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana ho antsika indray koa tamin’ny andron’ ny Pôntsy Pilaty, nijaly ary nalevina ; nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan’ny Soratra Masina, niakatra any an-danitra dia mipetraka eo an-kavanan’ny Ray. Mbola ho avy amim-boninahitra indray, hitsara ny velona sy ny maty ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany. Izaho mino ny Fanahy Masina, Tompo loharanon’aina, avy amin’ny Ray sy ny Zanaka, tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka ary niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany. Izaho mino ny Fiangonana, iray, masina, katôlika, apôstôlika. Izaho mankato ny Batemy tokana, ho fanalana ny fahotana. Ary izaho miandry ny hitsanganan’ny maty sy ny fiainan-ko avy. Amen.
Jereo koa
- CCC 185–1065
- Compendium 33–217
- Enchiridion Indulgentiarum conc. 28 § 2, 3°