CCC 2795

Ny fanehoana an’ohatra ny lanitra dia mamerina antsika amin’ny misterin’ny fanekem-pihavanana izay iainantsika rahefa mivavaka amin’ny Raintsika isika. Any an-danitra Izy, izay Fonenany, koa ny Tranon-dRay izany no “tanindrazantsika”. Avy ao amin’ny tanin’ny fanekem-pihavanana no nandroahan’ny fahotana antsika . jer. Jen 3., ary mankany amin’ny Ray, mankany an-danitra no ampodian’ny fibebahan’ny fo antsika . jer. Jer 3,19-4,1a; Lk 15,18.21.. Nefa ao amin’i Kristy no ihavanan’ny lanitra sy ny tany . jer. Iz 45,8; Sal 85,12., satria ny Zanaka “no nidina avy any an-danitra”, Izy irery ihany, ary Izy no hampiakatra antsika any miaraka Aminy, amin’ny alalan’ny Hazofijaliany, ny Fitsanganany ho velona ary ny Fiakarany any an-danitra . jer. Jo 12,32; 14,2-3; 16,28; 20,17; Ef ez 4,9-10; Heb 1,3; 2,13..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865