CCC 2839
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ao anatin’ny fitokiana amin-kasahiana no anombohantsika ny vavaka Rainay. Amin’ny fitalahoana Aminy mba hohamasinina anie ny Anarany, dia mangataka Aminy isika mba hohamasinina bebe kokoa lalandava ny tenantsika. Kanefa, na dia mitafy ny akanjon’ny maha-vita batemy aza isika, dia tsy mitsahatra manota, tsy mitsahatra mihodina amin’Andriamanitra. Ankehitriny, amin’ity fangatahana vaovao ity, miverina Aminy isika, toy ilay zaza mpandany . jer. Lk 15,11-32., sy miaiky fa mpanota, eo anatrehany, toy ilay poblikana . jer. Lk 18,13.. Ny fangatahantsika dia manomboka amin’ny “fibabohana” izay sady iekentsika ny fahantrana amam-pijaliantsika no iekentsika ny Famindram-pony. Mafy tsy voahozongozona ny fanantenantsika, satria ao amin’ny Zanany no “ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika” (Kôl 1,14) . jer. Efez 1,7.. Ny famantarana mandaitra sy tsy mampisalasala amin’ny famelany, dia hitantsika ao amin’ireo sakramentan’ny Fiangonany . jer. Mt 26,28; Jo 20,23..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865