CCC 515
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ny Evanjely dia nosoratan’ireo olona izay anisan’ny voalohany nanam-pinoana jer. Mk 1,1; Jo 21,24., ka te hizara izany amin’ny hafa. Nahalala tamin’ny finoana izy ireo hoe iza moa i Jesoa, ka afaka nahita sy nampahita ny mariky ny misteriny nandritra ny fiainany manontolo teto an-tany. Famantarana ny misterin’i Jesoa avokoa ny lamban-jaza namonosana Azy tamin’ny nahaterahany jer. Lk 2,7. ka hatramin’ny vinaingitra natohoka teo am-bavany fony Izy nampijaliana jer. Mt 27,48., sy ny lambamena namonosana Azy, nivalona, nony nitsangan-ko velona Izy jer. Jo 20,7., ary ny zavatra rehetra teo amin’ny fiainany. Tamin’ny fihetsiny sy ny zava-mahagaga nataony ary ny teniny, no manambara fa “ao Aminy araka ny maha-olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan’ny maha-Andriamanitra” (Kôl 2,9). Araka izany, tsapa ho “sakramenta” ny maha-olombelona Azy, izany hoe famantarana amam-pitaovan’ny maha-Andriamanitra Azy sy ny famonjena atolony : izay hita maso tamin’ny fiainany teto an-tany dia mitarika ho amin’ny mistery tsy hita maso amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy sy amin’ny maha-iraka mpanavotra Azy.
Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682