CCC 575
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Betsaka tokoa izany ny asa sy ny tenin’i Jesoa no “famantarana hotoherina” jer. Lk 2,34., ho an’ireo mpitondra ara-pivavahana tao Jerosalema, izay antsoin’ny Evanjelin’i Md Joany matetika hoe “ny Jody” jer. Jo 1,19; 2,18; 5,10; 7,13; 9,22; 18,12; 19,38; 20,19., ary vao mainka ho an’ny fiombonamben’ny Vahoakan’Andriamanitra jer. Jo 7,48-49.. Marina fa ny fifandraisany tamin’ny Farisianina tsy dia hoe fifandiran-kevitra fotsiny akory. Fa Farisianina no nampandre Azy rahefa nisy loza nananontanona jer. Lk 13,31.. Derain’i Jesoa ny sasany tamin’izy ireo, toy ilay mpahay lalàna voalazan’i Mk 12,34, ary imbetsaka nisakafo tany amin’ny Farisianina Izy jer. Lk 7,36; 14,1.. Namarinin’i Jesoa ny tena hevitry ny fitambaram-pampianarana niombonan’ireo sangan’olona ara-pivavahana teo amin’ny Vahoakan’Andriamanitra : ny fitsanganan’ ny maty ho velona jer. Mt 22,23-34; Lk 20,39., ny endriky ny fitiavana aseho an’asa (fiantrana, fifadian-kanina ary fivavahana) jer. Mt 6,2-18. sy ny fahazarana miteny amin’Andriamanitra ho toy ny Ray, ny votoaty mampiavaka ny didim-pitiavana an’Andriamanitra sy ny namana jer. Mk 12,28-34..
Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682