CCC 640
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
“Nahoana no aty amin’ny maty no itadiavanareo ny Velona ? Tsy eto intsony Izy fa efa nitsangan-ko velona” (Lk 24,5-6). Ao anatin’ny zava-miseho manodidina ny Paka, ny singafototra voalohany tojo dia ny fasana foana. Tsy azo heverina ho porofo mivantana anefa izany, raha amin’izany fotsiny. Ny tsy naha-tao am-pasana ny vatan’i Kristy dia azo hazavaina amin’ny fomba hafa jer. Jo 20,13; Mt 28,11-15.. Na izany aza, ny fasana foana, ho an’ny rehetra, dia famantarana ilaina. Ny fahitan’ireo mpianatra an’izany no dingana voalohany mankamin’ny fanekena ny zava-niseho ny amin’ny Fitsanganan-ko velona. Izany no toe-javatra hitan’ireo vehivavy masina aloha jer. Lk 24,3.22-23., avy eo i Piera jer. Lk 24,12.. “Ilay mpianatra tian’i Jesoa” (Jo 20,2) dia nilaza marina fa tamin’ny nidirany tao am-pasana foana sy tamin’ny nahitana ny “lambam-paty nipetraka tamin’ny tany” (Jo 20,6) dia “nahita izy ary nino” (Jo 20,8). Tsapa amin’izany, araka ny toetran’ny fasana foana jer. Jo 20,5-7., fa ny tsy naha-tao ny vatan’i Jesoa dia tsy mety ho tsanganasan’olombelona, ary i Jesoa tsy hoe niverina fotsiny tamin’ny fahavelomana teto an-tany toy ny an’i Lazara jer. Jo 11,44..
Vakio ny toko manontolo 2. Izaho mino an’i Jesoa-Kristy, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra ¶422–682
Notononina tao amin’ny 1
- ¶640 Questions(Who Jesus was)