3. Izaho mino ny Fanahy Masina
¶683–1065
Ao amin’ny Famintinana: F136–217
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
“Tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). “Nirahin’Andriamanitra ho ao anatin’ny fontsika ny Fanahin’ny Zanany izay miantso hoe : Aba, Ray!” (Gal 4,6). Tsy ho tanteraka izany fahalalana ara-pinoana izany raha tsy ao amin’ny Fanahy Masina. Mba hifandray amin’i Kristy, dia tsy maintsy notohinin’ny Fanahy Masina aloha. Izy no mialoha antsika ary mahatonga ny finoana ho ao amintsika. Tamin’ny alalan’ny Batemintsika, sakramenta voalohan’ny finoana, no nampitana tamintsika ny Aina ao anaty lalina ao sy ho an’ny isam-batan’olona tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ao amin’ny Fiangonana, ka ny Ray no loharanon’io Aina io, ary ao amin’ny Zanaka no anolorany azy ho antsika :
Ny Batemy no manome antsika ny fahasoavan’ny fahateraham-baovao ao amin’Andriamanitra Ray amin’ny alalan’ny Zanany ao amin’ny Fanahy Masina. Satria ireo izay mitondra ny Fanahin’Andriamanitra dia voatarika ao amin’ny Teny, izany hoe : ao amin’ny Zanaka ; fa ny Zanaka no manolotra azy ireo amin’ny Ray, ary ny Ray no mampahazo azy ireo ny tsy fahalòvana. Noho izany, raha tsy ny Fanahy, tsy ho azo atao ny mahita ny Zanak’ Andriamanitra, ary raha tsy ny Zanaka, tsy misy olona afa-manatona ny Ray, satria ny fahalalana ny Ray, dia ny Zanaka, ary ny fahalalana ny Zanak’ Andriamanitra dia manjary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Md Irénée, dem. 7..
Ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’ny fahasoavany, no mampahatsiaro voalohany ny finoantsika sy ny fiainam-baovao izay mifantoka amin’ ny fahalalana ny Ray sy Ilay izay nirahiny, dia i Jesoa-Kristy jer. Jo 17,3.. Izy anefa no farany amin’ny fanambaràna ireo Olon’ny Trinite Masina. Nazavain’i Md. Grégoire de Nazianze, “ilay Teôlôjianina”, izany fandrosoana amin’ny alalan’ny fanabeazan’ny “fiambonian-tenan’ ”Andriamanitra izany :
Nanambara miharihary ny Ray ny Testamenta Taloha, fa somambisamby ihany ny Zanaka. Nampiseho mazava ny Zanaka ny Testamenta Vaovao, fa tsikaritra koa ny maha-Andriamanitra ny Fanahy. Ankehitriny, zon’ny Fanahy ny miaraka amintsika sy mampahazo antsika ny fahitana mazavazava kokoa ny amin’ny Tenany. Noho izany, tsy mety raha tsy manaiky ny maha-Andriamanitra ny Ray, kanefa manambara ampahibemaso ny Zanaka, ary raha tsy manaiky ny maha-Andriamanitra ny Zanaka, hanampy ny Fanahy Masina ho enta-mavesatra famenony indray ve, raha lazaina amin’ny fiteny somary hafahafa … Amin’ny fandrosoana sy fivoaran’ny “laza amam-boninahitra” hatrany no hibaliaka bebe kokoa ny fahazavan’ny saina momba ny Trinite Md Grégoire de Naz., or. Theol. 5,26..
Ny mino ny Fanahy Masina àry dia ny miaiky fa anankiray amin’ny Olon’ ny Trinite Masina ny Fanahy Masina, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy ny Zanaka, “tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka” Sembolin’i Nicée-Constantinople, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Izany no antony nahatonga ny resaka momba ny mistery maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina ho ao amin’ny “teôlôjia” momba ny Trinite. Ny resaka Fanahy Masina eto àry, dia izay mikasika ihany ny “fitantanam-pamonjen’ ”Andriamanitra.
Ny Fanahy Masina dia miara-niasa amin’ny Ray sy ny Zanaka hatrany am-piandohana ka hatrany amin’ny fahatanterahan’ny fandaharam-pamonjena antsika. Kanefa tamin’ny “fotoana farany” nosantarina niaraka tamin’ny Fahatongavan’ny Zanaka Mpanavotra ho nofo, no voambara sy nomena, nekena sy noraisina ho Olona Izy. Noho izany, io fandaharan’Andriamanitra, tomombana tao amin’i Kristy, “Voalohan-Teraka” sy Lohan’ny voary vaovao io, dia ho tanteraka ao amin’ny maha-olombelona amin’ny alalan’ny Fanahy voarotsaka : ny Fiangonana, ny fiombonan’ny olomasina, ny fanalana ny ota, ny fitsanganan’ny vatana ho velona, ny fiainana mandrakizay.
8.“Izaho mino ny Fanahy Masina”
“Tsy misy mahalala ny momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra”(1 Kôr 2,11). Ary, ny Fanahiny izay manambara Azy no mampahafantatra antsika an’i Kristy, Teniny, Teniny velona, fa tsy milaza ny Tenany Izy. Ilay izay “niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany” Ibid. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum no ahafahantsika mandre ny Tenin’ny Ray. Fa isika tsy mandre Azy. Tsy mahalala Azy isika afa-tsy amin’ny fihetsika izay anambaràny amintsika an’ ilay Teny sy andrisihany antsika handray Azy amin’ny finoana. Ny Fanahin’ ny Fahamarinana izay “mampiharihary” an’i Kristy amintsika dia “tsy miteny avy amin’ny Tenany” jer. Jo 16,13.. Ny toetra mipetrapetraka toy izany, izay tena toetran’ Andriamanitra mihitsy, no manazava ny antony “tsy ahazoan’izao tontolo izao mandray Azy, satria tsy hitany Izy ka tsy fantany”, fa ireo izay mino an’i Kristy kosa dia mahafantatra Azy satria mitoetra ao amin’izy ireo Izy (Jo 14,17).
Ny Fiangonana, fiombonana velona ao amin’ny finoan’ny apôstôly izay nampitainy, no toeran’ny fahalalantsika ny Fanahy Masina : - ao amin’ny Soratra Masina izay avy amin’ny fitsilovany ; - ao amin’ny Lovam-pampianarana, izay ny Aban’ny Fiangonana no vavolombelona tsy tontan’ny ela ; - ao amin’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana izay ampiany ; - ao amin’ny litorzia ara-tsakramenta, izay amin’ny alalan’ireo teniny sy ireo fanehoany an’ohatra no ampiombonan’ny Fanahy Masina antsika amin’i Kristy ; - ao amin’ny fivavahana izay amin’izany Izy no manelanelana ho antsika ; - ao amin’ireo fanomezam-pahasoavana sy andraiki-panompoana izay amin’izany no andrafetana ny Fiangonana ; - ao amin’ireo famantarana ny fiainana maha-apôstôly sy maha-misiônera ; - ao amin’ny fijoroana vavolombelon’ireo olomasina izay amin’izany Izy no mampiseho ny fahamasinany sy manohy ny tsanganasam-pamonjena.
I.Ny iraka iraisan’ny Zanaka sy ny Fanahy
Ilay izay nirahin’ny Ray ao am-pontsika, ny Fanahin’ny Zanany jer. Gal 4,6., dia Andriamanitra marina tokoa. Noho Izy iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy amin’ny Zanaka, dia tsy azo sarahina amin’izany Izy, na ao amin’ny Fiainana lalin’ny Trinite izany na amin’ny fanomezam-pitiavany an’izao tontolo izao. Kanefa amin’ny fitsaohana ny Trinite Masina, mamelombelon’ aina, iray fombam-pisia-maha-izy sy iray tsy mivaky, dia manambara ampahibemaso ny fiavahan’ny Olona Telo koa ny finoan’ny Fiangonana Rahefa maniraka ny Teniny ny Ray, dia mandefa lalandava ny Fofon’ainy : iraka iraisana izay mampiavaka ny Zanaka sy ny Fanahy Masina kanefa tsy azo sarahina. Marina fa i Kristy no miseho, Izy, ilay Endrika hita maso maneho an’Andriamanitra tsy hita maso, nefa ny Fanahy Masina no manambara Azy.
I Jesoa no Kristy, “voahosotra”, satria ny Fanahy no nanosotra Azy, ary izay rehetra tonga nanomboka tamin’ny Fahatongavana ho nofo dia avy amin’io hafenoana io avokoa jer. Jo 3,34.. Rahefa nomem-boninahitra i Kristy tamin’ny farany jer. Jo 7,39., dia azony atao koa, avy eo anilan’ny Ray, ny maniraka ny Fanahy amin’ireo izay mino Azy : Izy no mampita amin’izy ireo ny Voninahiny jer. Jo 17,22., izany hoe ny Fanahy Masina izay manome Voninahitra Azy jer. Jo 16,14.. Amin’izany ny iraka iraisana dia hiseho ao amin’ireo zanaka natsangan’ny Ray ao amin’ny Vatan-tenan’ny Zanany : ny fanirahana ny Fanahim-pananganan-janaka, dia ny hampiray azy ireo amin’i Kristy sy hahavelona azy ireo ao Aminy. Ny fahalalana ny atao hoe fanosorana dia hahitana hevitra (…) fa tsy misy elanelana mihitsy eo amin’ny Zanaka sy ny Fanahy. Satria, toy ny eo amin’ny faritry ny vatana sy ny fanosorana menaka azy, izay samy tsy mahatsapa ny elanelana amin’izany na ny saina na ny fandrenesana, dia mivantana tahaka izany koa ny fifandraisan’ny Zanaka amin’ny Fanahy, hany ka ho an’ilay izay te hanatona ny Zanaka amin’ny alalan’ny finoana, dia ilaina aloha ny fanosorana amin’ny menaka. Satria, tsy misy faritra na kely aza izay mety tsy hisy ny Fanahy Masina. Izany no mahatonga ny fiekena ny maha-Tompo ny Zanaka, hatao ao amin’ny Fanahy Masina, ho an’ireo izay mandray fanosora-menaka, dia ny Fanahy tonga hatraiza hatraiza eo anoloan’ireo izay manatona amin’ny alalan’ny finoana Md Grégoire de Nysse, Spir. 16..
II.Ny anaran-tsamirery sy ny anaram-piantsoana ary ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina
Ny anaran-tsamirerin’ny Fanahy Masina
“Fanahy Masina”, izany no anaran-tsamirerin’Ilay tsaohintsika sy omentsika voninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. Noraisin’ny Fiangonana avy amin’ny Tompo io anarana io, ary ambarany ampahibemaso ao amin’ny Batemin’ ireo zanany vaovao jer. Mt 28,19.. Ny teny hoe “Fanahy” no andikana ny teny hebrio hoe : Ruah, izay araka ny heviny voalohany, dia midika hoe fofon’aina, rivotra, tsio-drivotra. Nampiasa indrindra ny sary an’ohatra azo tsapain-tanana momba ny rivotra i Jesoa, mba hanome hevitra an’i Nikôdema ny maha zava-baovao mihoatra ny tsapa sy ny hita an’Ilay izay tenan’ny Fofon’Ain’Andriamanitra mihitsy, dia ny Fanahin’Andriamanitra jer. Jo 3,5-8.. Etsy an-kilany ny hoe Fanahy sy Masina, dia toetran’Andriamanitra manokana iombonan’ireo Olona Telo-Andriamanitra. Kanefa amin’ny fanakambanana an’ireo teny roa ireo, ny Soratra Masina, ny litorzia ary ny fiteny ara-teôlôjia, dia manondro ny Olona tsy hay ambara amin’ny teny momba ny Fanahy Masina, tsy manana hevi-droa mety hitranga amin’ny fampiasana hafa ny teny hoe “fanahy” sy “masina”.
Ny anaram-piantsoana ny Fanahy Masina
I Jesoa, fony Izy nanambara sy nampanantena ny fahatongavan’ny Fanahy Masina, dia niantso Azy hoe “Parakleto”, ara-bakiteny dia hoe : “Ilay voantso ho eo akaiky”, ad-vocatus (Jo14,16.26 ; 15,26 ; 16,7). “Mpisolo vava” no mahazatra andikana ny “Parakleto”, ka i Jesoa no mpisolo vava voalohany jer. 1 Jo 2,1.. Ny Tenan’Izy Tompo koa dia miantso ny Fanahy Masina hoe “Fanahin’ny Fahamarinana” (Jo 16,13).
Afa-tsy ny anaran-tsamireriny, izay ampiasaina be indrindra ao amin’ny Asan’ny apôstôly sy ireo Taratasy, dia hita ao amin’i Md Paoly ny anaram-piantsoana hoe : Fanahin’ny fampanantenana (Gal 3,14 ; Efez 1,13), Fanahim-pananganan-janaka (Rôm 8,15 ; Gal 4,6), Fanahin’i Kristy (Rôm 8,11), Fanahin’ny Tompo (2 Kôr 3,17), Fanahin’Andriamanitra (Rôm 8,9.14 ; 15,19 ; 1 Kôr 6,11 ; 7,40), ary ao amin’i Md Piera, Fanahin’ny voninahitra (1 Pi 4,14).
Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina
Ny rano. Fanehoana an’ohatra mampibaribary ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny Batemy ny rano, satria, aorian’ny fitalahoana ny Fanahy Masina, dia manjary famantarana ara-tsakramenta mandaitra amin’ny fahateraham-baovao ny rano : toy ny naha-tao am-bohoka antsika tamin’ny fahaterahantsika voalohany izay tanteraka tao anaty rano, ny asan’ny rano fanaovana batemy izay midika marina tokoa fa ny fahaterahantsika amin’ny ain’Andriamanitra dia nomena antsika tamin’ny Fanahy Masina. Fa “natao batemy tao amin’ny Fanahy iray ihany” isika, ary “Fanahy iray ihany koa no nampisotroana” antsika (1 Kôr 12,13) : ny Tenan’ny Fanahy mihitsy koa àry no ilay Rano velona izay miboiboika avy ao amin’i Kristy nofantsihana jer. Jo 19,34; 1 Jo 5,8. satria loharano ipoirany, sy izay miboiboika ao amintsika ho Fiainana mandrakizay jer. Jo 4,10-14; 7,38; Eks 17,1-6; Iz 55,1; Zak 14,8; 1 Kôr 10,4; Apôk 21,6; 22,17..
Ny fanosora-menaka. Ny fanosora-menaka dia fanehoana an’ohatra mampibaribary koa ny Fanahy Masina, ka tonga hatramin’ny fitovian’ny hevitra raketiny Aminy mihitsy aza jer. 1 Jo 2,20.27; 2 Kôr 1,21.. Amin’ny firosoana ho kristianina, izany no famantarana ara-tsakramentan’ny Fankaherezana, antsoina ara-drariny any amin’ny Fiangonana Tatsinanana hoe “Fanosorana masina” (“Chrismation”). Kanefa mba hahatsapana ny heriny manontolo, tokony hiverenana ilay fanosorana voalohany notanterahin’ny Fanahy Masina : ny an’i Jesoa. Ny Kristy (“Mesia” amin’ny teny hebrio) dia midika hoe “voahosotry” ny Fanahin’Andriamanitra. Nisy ireo “voahosotry” ny Tompo ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha jer. Eks 30,22-32., ny ambony dia ambony amin’izany dia i Davida mpanjaka jer. 1 Sam 16,13.. Kanefa i Jesoa no Ilay voahosotr’Andriamanitra tamin’ny fomba tsy manam-paharoa : ny maha-olombelona izay zakain’ny Zanaka ao Aminy dia “voahosotry ny Fanahy Masina”manontolo. Natokan’ny Fanahy Masina ho “Kristy” i Jesoa jer. Lk 4,18-19; Iz 61,1.. Nanana anaka an’i Kristy tamin’ny Fanahy Masina i Maria Virjiny izay nolazain’ny anjely hoe i Kristy amin’ny fotoana hahaterahany jer. Lk 2,11. ary nanosika an’i Simeôna ho tonga tao an-Tempoly mba hahita ny Kristin’ny Tompo jer. Lk 2,26-27.; Izy no nameno an’i Kristy jer. Lk 4,1. ary ny heriny no nivoaka avy tao amin’i Kristy tamin’ny asam-panasitranany amam-pamonjeny jer. Lk 6,19; 8,46.. Farany, Izy no nanangan-ko velona an’i Jesoa tamin’ny maty jer. Rôm 1,4; 8,11.. Koa noho izany, noho i Jesoa voatokana tanteraka ho “Kristy” ao amin’ny maha-olombelona mpandresy ny fahafatesana Azy jer. Asa 2,36., dia mandefa ny Fanahy Masina Izy mandra-pahatongan’ny “olomasina” hitambatra ao anatin’ny firaisan’izy ireo amin’ny maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra, “ilay Olonalavorary ( …) izay manatanteraka ny hafenoan’i Kristy” (Efez 4,13) : “i Kristy manontolo ”, araka ny fomba fitenin’i Md Augustin Md Augustin, serm. 341,1,1; ibid. 9,11..
Ny afo. Raha midika ho fahaterahana sy fahavokaran’ny Aina nomena tao amin’ny Fanahy Masina ny rano, ny afo kosa dia maneho an’ohatra ny hery manovan’ny asan’ny Fanahy Masina. I Elia mpaminany, izay “nitsangana toy ny afo, ary nirehitra toy ny fanilo ny teniny” (Ekl 48,1), noho ny vavaka nataony, no nisintona afo avy any an-danitra handoro ny sorona teo an-tendrombohitr’i Karmela jer. 1 Mpanj 18,38-39., sarin’ny afon’ny Fanahy Masina manova izay kasihiny. I Joany-Batista, “izay nandeha teo anoloan’ny Tompo tamin’ny “fanahy” sy ny “herin’i Elia” (Lk 1,17), dia nanambara an’i Kristy ho ilay izay “hanao batemy amin’ny Fanahy Masina sy ny afo” (Lk 3,16), io Fanahy io izay holazain’i Jesoa hoe : “Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany Aho, ka akory ity faniriako mba hirehetan’izany sahady !” (Lk 12,49). Endrika lela “nolazaina hoe mitarehin’afo” no nisehoan’ny Fanahy Masina izay nipetraka teny ambonin’ny mpianatra tamin’ny marainan’ny Pantekôty ary nameno azy rehetra jer. Asa 2,3-4.. Ny lovantsofina ara-panahy dia hitàna io fanehoana an’ohatra momba ny afo io ho iray amin’ireo mampiseho mazava indrindra ny asan’ny Fanahy Masina jer. Md Jean de la Croix, Ilama. : “Aza mamono ny Fanahy” (1 Tes 5,19).
Ny rahona sy ny hazavana. Tsy azo sarahina ireo fanehoana an’ohatra roa ireo amin’ny fisehoan’ny Fanahy Masina. Hatramin’ny fisehoan’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha, ny Rahona, izay mbetika maizina, mbetika mazava, no nanehoana an’Andriamanitra velona sady mpamonjy, amin’ny fanaronana ny voninahiny ambony tsy taka-polopolorina : tamin’i Môizy tany an-tendrombohitr’i Sinaia jer. Eks 24,15-18., tao amin’ny Tranolay Fihaonana jer. Eks 33,9-10. ary nandritra ny dia tany an-tany efitra jer. Eks 40,36-38; 1 Kôr 10,1-2. ; niaraka tamin’i Salômônina nandritra ny fitokanana ny Tempoly jer. 1 Mpanj 8,10-12.. Ary dia notanterahin’i Kristy tao amin’ny Fanahy Masina ireny tandindona ireny. Ity farany ity izay tonga tao amin’i Maria Virjiny sy “nanaloka azy” mba hampitoe-jaza azy sy hiterahany an’i Jesoa jer. Lk 1,35.. Tany an-tendrombohitry ny Fiovàn-tarehy, Izy no “avy tampoka tao amin’ny rahona ka nanarona” an’i Jesoa, Môizy ary Elia, Piera, Jakôba ary Joany, ary “nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe : “Ity no Zanako malalako, henoy Izy” (Lk 9,34-35). Farany, dia mbola io Rahona io ihany no “nanakona an’i Jesoa, ka tsy hitan’ny mason’ny” mpianatra, tamin’ny andron’ny Fiakarana any an-danitra jer. Asa 1,9., sy haneho Azy ho Zanak’Olona ao amin’ny voninahiny, amin’ny Andron’ny Fahatongavany jer. Lk 21,27..
Ny fitomboka no fanehoana an’ohatra manakaiky ny an’ny fanosorana. Ary satria i Kristy no “nasian’Andriamanitra ny tombo-kaseny” (Jo 6,27) ka dia ao Aminy no anamarihan’ny Ray antsika koa amin’ny tombo-kaseny jer. 2 Kôr 1,22; Efez 1,13; 4,30.. Satria ny sarin’ny fitomboka (sphragis) no anondroana ny vokatra tsy maty vonoina avy amin’ny fanosoran’ny Fanahy Masina amin’ny sakramentan’ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Filaharana, dia nampiasaina tamin’ny lovantsofina ara-teôlôjia sasany izany mba hanehoana ny “marika” tsy maty vonoina naraikitr’ireo sakramenta telo ireo izay tsy azo averina intsony.
Ny tanana. Amin’ny fametrahan-tanana no anasitranan’i Jesoa ny marary jer. Mk 6,5; 8,23. sy itsofany rano ny ankizy madinika jer. Mk 10,16.. Amin’ny anarany, hanao toraka izany koa ny apôstôly jer. Mk 16,18; Asa 5,12; 14,3.. Mbola tsaratsara kokoa, fa tamin’ny fametrahan-tanan’ny apôstôly no nanomezana ny Fanahy Masina Asa 8,17-19; 13,3; 19,6.. Ny Taratasy ho an’ny Hebrio dia manao ny fametrahan-tanana ho anisan’ny “andalana fototry” ny fampianarany jer. Heb 6,2.. Izany famantaram-pandrotsahana ny Fanahy Masina manan-kery tsy hay tohaina izany dia mbola tanan’ny Fiangonana amin’ny epikilezin’ireo sakramenta.
Ny rantsantanana. “Amin’ny rantsantanan’Andriamanitra no androahan’ [ i Jesoa] ny demony” jer. Lk 11, 20.. Raha voasoratra tamin’ny takela-bato nosoratan’ny “rantsantanan’ Andriamanitra” (Eks 31,18) ny Lalànan’Andriamanitra, “ny taratasin’i Kristy”, napetraka teo ambany fiahian’ny apôstôly, “dia voasoratra tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra velona, tsy tamin’ny takela-bato, fa tamin’ny takela-nofo, tamin’ny fo” (2 Kôr 3,3). Ny antsa “Avia, ry Fanahy Mpahary” (“Veni, Creator Spiritus”)no italahoana ny Fanahy Masina ho “ny rantsantanan’ny tanan-kavanan’ny Ray” In Dominica Pentecostes, hymnus éd. I et II Vesperas..
Ny voromahailala. Tamin’ny fiafaran’ny safo-drano (izay fanehoana an’ohatra ny Batemy), dia niverina ny voromahailala nalefan’i Nôe, nitondra sampahon’ôliva maitso teny am-bavany, famantarana fa azo onenana indray ny tany jer. Jen 8,8-12.. Rahefa niakatra avy ao anaty rano nanaovana batemy Azy i Kristy, dia nidina teo amboniny sy nipetraka teo ny Fanahy Masina, niendri-batana toy ny an’ny voromahailala jer. Mt 3,16 //.. Midina sy miorina ao am-po voadio an’ny vita batemy ny Fanahy. Any amin’ny trano fiangonana sasany, tahirizina ao amin’ny toerana iray vita amin’ny metaly miendrika voromahailala (columbarium) mihantona eo ambonin’ny ôtely ny Tahirin’ny Eokaristia masina. Ny fanehoana an’ohatra ny voromahailala mba hoenti-manambara ny Fanahy Masina dia efa nampitain’ny lovam-panahy ao amin’ny haisarimasina kristianina.
III.Ny Fanahy sy ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny andron’ny fampanantenana
Hatrany am-piandohana ka hatramin’ny “Hafenoan’ny Andro” (Gal 4,4), ny iraka iraisan’ny Teny sy ny Fanahin’ny Ray dia mijanona ho niafina, nefa miasa. Tamin’izany no nanomanan’ny Fanahin’Andriamanitra ny fotoanan’ ny Mesia, ary na ny andaniny na ny ankilany, izay samy tsy mbola nambara manontolo, dia efa nampanantenaina tao amin’izany mba handrasana sy horaisina amin’ny fotoanan’ny fisehoan’izy ireo. Izany no antony mahatonga ny Fiangonana rahefa mamaky ny Testamenta Taloha jer. 2 Kôr 3,14., handinika lalina ao jer. Jo 5,39.46. ny tian’ny Fanahy, “izay niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany” Sembolin’i Nicée-Constantinople, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., holazaina amintsika ny amin’i Kristy. Ny hoe “mpaminany” eto, araka ny finoan’ny Fiangonana, dia ireo rehetra izay notsilovin’ny Fanahy Masina tamin’ny fitoriana velona sy tamin’ny fanoratana ny Boky Masina, na ny Testamenta Taloha izany na ny Testamenta Vaovao. Avahan’ny lovantsofina jody hoe ny Lalàna (ny boky dimy voalohany na Pentateoka), ny Mpaminany (ny antsointsika hoe bokin’ny tantara sy ny faminaniana) ary ny Soratra (indrindra ny ara-pahendrena, singanina manokana ny Salamo) jer. Lk 24,44..
Tamin’ny fahariana
Ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fofon’ainy no fiandohan’ny fisian-tena sy ny ain’ny voary manontolo jer. Sal 33,6; 104,30; Jen 1,2; 2,7; Mpitor 3,20-21; Ezek 37,10. :
“Sahaza ny Fanahy Masina ny manjaka, ny manamasina ary ny mamelon’aina ny voary, satria Andriamanitra iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy ny Zanaka Izy (…). Ananany ny fahefana momba ny aina, satria amin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia mitahiry ny asa fahariana ao amin’ny Ray amin’ny alalan’ny Zanaka Izy” Litorzia bizantinina, Tononkalom-pivavahana amin’ny vavaka marainan’ireo alahady amin’ny fomba faharoa..
“Fa ny amin’ny olombelona, dia tamin’ny tanan’Andriamanitra ihany [izany hoe ny Zanaka sy ny Fanahy Masina] no nanamboarany azy (…) ary ny endriny ihany no nosoritany teo amin’ilay nofo namboarin’ny tanany, ka na izay hita maso aza, dia mitondra ny endrik’Izy Andriamanitra” Md Irénée, dem.11..
Ny Fanahin’ny fampanantenana
Ny olombelona, simban’ny fahotana sy ny fahafatesana, dia mbola “mitovy endrika amin’Andriamanitra”, amin’ny endriky ny Zanaka, saingy tsy manana ny Voninahitr’Andriamanitra izy jer. Rôm 3,23., tsy manana ny “fifanahafana”. Ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama no misantatra ny fitantanam-pamonjena, ka amin’ny faran’izany, Izy Zanaka rahateo no hizaka ao Aminy ny “endrik’olombelona” jer. Jo 1,14; Filip 2,7., hamerina izany amin’ny “fifanahafana” amin’ny Ray ary hanome ho azy indray ny Voninahitra, dia ny Fanahy “loharanon’ Aina” izany.
Na tsy araka ny fanantenana maha-olombelona aza, dia nampanantena taranaka an’i Abrahama Andriamanitra, ho vokatry ny finoana sy ny herin’ ny Fanahy Masina jer. Jen 18,1-15; Lk 1,26-38.54-55; Jo 1,12-13; Rôm 4,16-21.. Amin’io taranany io no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany jer. Jen 12,3.. I Kristy io taranany io jer. Gal 3,16., izay ny fandrotsahana ny Fanahy Masina avy ao Aminy no “hamory ho antokony iray ny zanak’Andriamanitra izay efa niparitaka” jer. Jo 11,52.. Tamin’ny fampanantenana natao tamim-pianianana jer. Lk 1,73., no efa nampanantenan’Andriamanitra ny fanomezana ny Zanany malalany jer. Jen 22,17-18; Rôm 8,32; Jo 3,16. sy ny fanomezana ny “Fanahin’ny Fampanantenana (…) izay (…) manomana ny fanavotana ny Vahoaka nofidin’Andriamanitra ho Azy” (Efez 1,13-14) jer. Gal 3,14; Efez 1,13-14..
Tamin’ireo Teôfania sy Lalàna
Ireo Teôfania (fisehoan’Andriamanitra) no manazava ny lalan’ny fampanantenana, tamin’ireo patriarka hatramin’i Môizy ary tamin’i Jôsôe hatramin’ireo fahitana izay nisantatra ny fanirahana an’ireo mpaminany lehibe. Mankato lalandava ny lovam-panahy kristianina, fa ao amin’ireny Fisehoan’Andriamanitra ireny dia ny Tenin’Andriamanitra no namela ny Tenany ho hita sy ho heno, izay sady ambara no “alofana” ao amin’ny Rahon’ny Fanahy Masina.
Miseho manokana amin’ny fanomezana ny Lalàna, izany fomba fanabeazan’Andriamanitra izany jer. Eks 19-20; Det 1-11; 29-30.. Nomena ho “mpitaiza sy mpanabe”, mba hitarika ny Vahoaka mankany amin’i Kristy, ny Lalàna jer. Gal 3,24.. Kanefa noho ny tsy fahampian’ny herin’ny Lalàna hamonjy ny olombelona tsy manana intsony ny “fifanahafana” amin’Andriamanitra sy ny fampahalalany mazava tsara ny fahotana jer. Rôm 3,20., no nampitsiry ny faniriana ny Fanahy Masina. Ny toloko aman-toreo ao amin’ny Salamo no vavolombelona manamarina izany.
Tamin’ny Fanjakana sy ny Sesitany
Ny Lalàna, famantarana ny fampanantenana sy ny fanekem-pihavanana, no tokony hibaiko ny fo sy ny lalàna fototry ny Vahoaka teraka avy amin’ny finoan’i Abrahama. “Raha mihaino ny feoko ianareo, sy mitandrina ny fanekem-pihavanako, dia hataoko fanjakam-pisorona, firenena masina” (Eks 19,5-6) jer. 1 Pi 2,9.. Kanefa, taorian’i Davida, resin’ny fakam-panahy mba ho tonga fanjakana tahaka an’ireo firenen-kafa i Israely. Ary ilay Fanjakana, fototry ny fampanantenana natao tamin’i Davida jer. 2 Sam 7; Sal 89; Lk 1,32-33., dia ho tsanganasan’ny Fanahy Masina ; ho an’ny mahantra izay araka ny Fanahy izany.
Ny fanadinoana ny Lalàna sy ny fivadihana amin’ny fanekem-pihavanana dia miafara amin’ny fahafatesana : ny Sesitany izany, izay araka ny hita, dia tsy fahombiazan’ny fampanantenana, nefa ny tena marina, dia tsy fivadihana mifono misterin’ilay Andriamanitra mpamonjy sy fanombohan’ny fano-renana nampanantenaina, saingy araka ny Fanahy. Tsy maintsy mijaly ny Vahoakan’Andriamanitra amin’izany fanadiovana izany jer. Lk 24,26. ; ny Sesitany dia efa mitondra sahady ny aloky ny Hazofijaliana tao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra, ary ny Sisa kelin’ireo mahantra izay hiverina avy any no anisan’ny tandindona tena miharihary tokoa maneho ny Fiangonana.
Ny fiandrasana ny Mesia sy ny Fanahiny
“Fa indro Aho, hanao zava-baovao” (Iz 43,19) : andalan-tenim-pamina-niana anankiroa no ho voasoritra amin’izany, ka ny iray momba ny fiandrasana ny Mesia, ary ny iray momba ny filazana ny Fanahy vaovao ; samy hahakasika an’ilay Sisa kely, ilay vahoaka Mahantra jer. Sôf 2,3. izany, izay miandry amim-panantenana ny “fanalana alahelo an’i Israely” sy ny “fanafahana an’i Jerosalema”(Lk 2,25.38). Hita tetsy ambony ny hoe manao ahoana ny nanatanterahan’i Jesoa ny faminaniana momba Azy. Ny ho faritana eto, dia ny faminaniana izay mampiseho bebe kokoa ny fifandraisan’ny Mesia sy ny Fanahiny.
Ny toetran’ny endrik’ilay Mesia andrasana dia manomboka miseho ao amin’ny Bokin’i Emanoela jer. Iz 6-12. (“fony i Izaia nahazo fahitana ny Voninahitr’i” Kristy : Jo 12,41), indrindra ao amin’i Izaia 11,1-2 :
Misy rantsana hipoitra avy amin’ny fototr’i Jese, ary misy solofo haniry avy amin’ny fakany : hitoetra eo Aminy ny Fanahin’ny Tompo, dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana amam-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana ny Tompo.
Voambara indrindra ao amin’ireo hiran’ny Mpanompo jer. Iz 42,1-9; Mt 12,18-21; Jo 1,32-34; manaraka, Iz 49,1-6; jer. koa Mt 3,17; Lk 2,32; farany, Iz 50,4-10 sy Iz 52,13-15; 53,12., ny soritsoritry ny toetran’ilay Mesia. Ireo hira ireo no milaza ny hevitry ny fijalian’i Jesoa, sy manondro araka izany ny fomba handrotsahany ny Fanahy Masina hamelon’ aina ny be sy ny maro : tsy avy ety ivelany, fa amin’ny fiandaniana “ny fomban’ny maha-mpanompo” antsika (Filip 2,7). Amin’ny itondrany ao Aminy ny fahafatesantsika, no ahafahany mampita amintsika ny Fanahin’ny fiainan’ny tenany.
Izany no nahatonga an’i Kristy nisantatra ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin’ny nampiharany amin’ny Tenany ity andalan-tsoratr’i Izaia (Lk 4,18-19) jer. Iz 61,1-2. ity :
Ato Amiko ny Fanahin’ny Tompo,fa nanosotra Ahy ny Tompo. Nirahiny Aho hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra, hankahery ny torotoro fo ; hilaza famotsoran-keloka amin’ny voababo sy fahafahana amin’ny voafonja ; hitory ny taom-pahasoavana avy amin’ny Tompo.
Teny-marina avy amin’Andriamanitra, ireo lahatsora-paminaniana mikasika mivantana ny fanirahana ny Fanahy Masina; teny-marina izay itenenany ao am-pon’ny Vahoakany amin’ny teny fampanantenana, miaraka amin’ny fanantitranterana ny “fitiavana sy ny tsy fivadihana” jer. Ezek 11,19; 36,25-28; 37,1-14; Jer 31,31-34 sy Joely 3,1-5. , ka i Md Piera, amin’ ny marainan’ny Pantekôty, no hanambara ny fahatanterahany jer. Asa 2,17-21.. Araka ireny fampanantenana ireny, dia any amin’ny “fotoana farany” anyny Fanahin’ny Tompo no hanavao ny fon’ny olombelona amin’ny fandraiketana ao amin’izy ireo ny Lalàna vaovao ; Izy no hamory sy hampihavana ny vahoaka niparitaka sy nisara-bazana ; Izy no hanova endrika ny fahariana voalohany ary honina ao Andriamanitra miaraka amin’ny olombelona ao anatin’ny fiadanana.
Ny fanomanana an’ireo vahoaka “mahantra” jer. Sôf 2,3; Sal 22,27; 34,3; Iz 49,13; 61,1; sns., ireo manetry tena sy ireo malemy fanahy, tena nailikilika tamin’ny fandaharana mifono mistery an’ Andriamanitr’izy ireo, ireo izay miandry ny rariny, tsy avy amin’ny olombelona fa avy amin’ny Mesia, tamin’ny farany, no vain-dohan-draharahan’ny Fanahy Masina amin’ny iraka miafina nataony nandritra ny fotoanan’ny fampanantenana, mialohan’ny fahatongavan’i Kristy. Ny hatsaran’ny toe-pon’izy ireo, voadio sy voazavan’ny Fanahy, no voateny ao amin’ny Salamo. Ao amin’ireo mahantra ireo ny Fanahy no manomana “vahoaka voavonona tokoa” ho an’ny Tompo jer. Lk 1,17..
IV.Ny Fanahin’i Kristy ao amin’ny hafenoan’ny fotoana
Joany, Mpialoha làlana, Mpaminany sy Mpanao batemy
“Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra. Joany no anarany” (Jo 1,6). “ Fenon’ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny”i Joany (Lk 1, 15) jer. Lk 1,41., tamin’ny alalan’ny Tenan’i Kristy ihany izay vao noforonin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’i Maria Virjiny. Ny “famangian’ ” i Maria an’i Elizabeta araka izany no nanjary famangian’Andriamanitra ny vahoakany jer. Lk 1,68..
I Joany no Elia izay tsy maintsy ho avy jer. Mt 17,10-13. : ny Afon’ny Fanahy Masina no mitoetra ao aminy sy “mampandeha azy [“amin’ny maha-mpialoha làlana”] eo alohan’ny”Tompo izay tamy. Ao amin’i Joany Mpialoha làlana, dia ny Fanahy Masina no mamarana ny “fanomanana ny vahoaka voavonona tokoa ho an’ny Tompo” (Lk 1,17).
“Mihoatra noho ny mpaminany” i Joany (Lk 7,26). Ao aminy ny Fanahy Masina no manatanteraka ny “tenin’ny mpaminany”. I Joany no namarana ny vanim-potoanan’ny mpaminany nosantarin’i Elia jer. Mt 11,13-14.. Izy no manambara fa antomotra tokoa ny fanalana alahelo an’i Israely, izy no “feon’ ” ilay mpampionona izay tonga jer. Jo 1,23; Iz 40,1-3.. Tahaka izay ho ataon’ny Fanahin’ny Fahamarinana,dia “tonga izy ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana” (Jo 1,7) jer. Jo 15,26; 5,33.. Raha miohatra amin’i Joany, ny Fanahy no manatanteraka araka izany, “ny fikatsahan’ny mpaminany” sy ny “fanirian’” ny anjely jer. 1 Pi 1,10-12. : “Ilay izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina sy hitoerany eo amboniny, Izy no Ilay manao batemy amin’ny Fanahy (…). Eny, nahita aho ka milaza marina fa Izy no Zanak’Andriamanitra. (…) Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra” (Jo 1,33-36).
Farany, miaraka amin’i Joany mpanao batemy ny Fanahy Masina no misantatra, amin’ny fanambaràny izany mialoha, izay hotanterahiny miaraka amin’i Kristy sy ao amin’i Kristy : hamerina indray amin’ny olombelona, ny “fifanahafana” amin’Andriamanitra. Ny an’i Joany dia batemy ho amin’ny fibebahana, fa ny an’Ilay hanao batemy amin’ny rano sy ny Fanahy kosa no ho fahateraham-baovao jer. Jo 3,5..
“Mifalia ianao, ry ilay feno hasoavana”
I Maria, ilay Tena Reny Masin’Andriamanitra, Virjiny mandrakizay, no sangan’asa amin’ny fanirahana ny Zanaka sy ny Fanahy ao anatin’ny hafenoan’ny fotoana. Sambany ao anatin’ny fandaharam-pamonjena, satria ny Fanahiny no nanomana izany, no mahita Fonenana ahafahan’ny Zanany sy ny Fanahiny monina eo anivon’ny olombelona, ny Ray. Amin’izany hevitra izany ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana no mamaky matetika ny lahatsoratra kanto indrindra momba ny Fahendrena misy ifandraisana amin’i Maria jer. Ohab 8,1-9,6; Ekl 24. : I Maria dia hiraina sy aseho ao amin’ny litorzia ho toy ny “Fiketrahan’ny Fahendrena”. Ao amin’i Maria no manomboka miseho ny “zava-mahagaga ataon’ Andriamanitra”, izay hotanterahin’ny Fanahy ao amin’i Kristy sy ao amin’ ny Fiangonana :
Ny Fanahy Masina no nanomana an’i Maria tamin’ny fahasoavany. Mety ny maha-“feno hasoavana” ny Renin’Ilay izay “itoeran’ny Hafenoan’ny fomban’Andriamanitra ao amin’ny vatana” (Kôl 2,9). Tamin’ny fahasoavana tsy misy fahony Izy no notorontoronina tsy azon-keloka, ho ilay manetry tena indrindra amin’ny zavaboary, ho ilay afaka mandray indrindra ny Fanomezana tsy hay ambara avy amin’Ilay Mahefa ny zavatra rehetra. Rariny ny niarahaban’ny Anjely Gabriely azy ho toy “Ilay Zanakavavin’i Siôna” hoe: “Mifalia ianao” jer. Sôf 3,14; Zak 2,14.. Ny fisaoran’ny Fiangonana Vahoakan’Andriamanitra manontolo no asandrany any amin’ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina amin’ ny tonon-kirany jer. Lk 1,46-55., tamin’izy nitondra ao aminy ilay Zanaka mandrakizay.
Ao amin’i Maria no anatanterahan’ny Fanahy Masina ny fandaharana feno fitiavan’ny Ray. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ilay Virjiny no hitoe-jaza sy hiteraka ny Zanak’Andriamanitra. Manjary fahalonahana tokana aman-tany ny fahavirjiniany, noho ny herin’ny Fanahy sy ny finoana jer. Lk 1,26-38; Rôm 4,18-21; Gal 4,26-28..
Ao amin’i Maria no ampisehoan’ny Fanahy Masina ny Zanaky ny Ray manjary Zanaky ny Virjiny. Izy no ilay Kirihitra nirehitra manambara ny Fisehoan’Andriamanitra tanteraka : feno ny Fanahy Masina izy, dia nampiseho ilay Teny tao anatin’ny fanetren-tenan’ny nofony, sy nampahalala Azy tamin’ireo Mahantra jer. Lk 2,15-19. sy tamin’ireo santatry ny firenena jer. Mt 2,11..
Farany, amin’i Maria no anombohan’ny Fanahy Masina mampiombona amin’i Kristy ny olombelona rehetra “fototry ny fitiavana maneho ny hatsaram-pon’Andriamanitra” jer. Lk 2,14., aryireo manetry tena no loha laharana lalandava mandray izany : ireo mpiandry ondry, ireo majy, i Simeôna sy i Ana, izy mivady tao Kanà ary ireo mpianatra voalohany.
Amin’ny fiafaran’io fanirahana ny Fanahy io, manjary “Ravehivavy”, Eva vaovao “renin’ny velona rehetra”, Renin’i “Kristy manontolo” jer. Jo 19,25-27. i Maria. Tahaka ny maha-eo azy miaraka amin’ny Roa ambin’ny folo lahy, “niray fo, naharitra nivavaka” (Asa 1,14), amin’ny mazava atsinanan’ny “fotoana farany”, no hisantaran’ny Fanahy izany ny marainan’ny Pantekôty miaraka amin’ny fampisehoana ny Fiangonana.
I Kristy Jesoa
Ny fanirahana manontolo ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ao amin’ny hafenoan’ny fotoana dia mirakitra hevitra hoe ny Zanaka no ilay voahosotry ny Fanahin’ny Ray nanomboka tamin’ny Fahatongavany ho Nofo : i Jesoa no Kristy, ilay Mesia. Ny toko faharoa manontolo ny Sembolin’ny finoana dia hovakina amin’ izany fitsilovana izany. Ny tsanganasan’i Kristy manontolo dia fanirahana iraisan’ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Eto, ny homarihina fotsiny dia izay momba ny fampanantenan’i Jesoa ny Fanahy Masina sy ny fanomezany amin’ny alalan’ny Tompo henim-boninahitra.
Tsy nanambara manontolo ny Fanahy Masina i Jesoa raha tsy efa nomem-boninahitra tamin’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona Izy. Kanefa, nasiany tsipy teny tsikelikely izany, na dia tamin’ny fampianarany ny vahoaka aza, rahefa nanambara Izy fa ho fihinana ny Nofony ho fiainan’ izao tontolo izao jer. Jo 6,27.52.62-63.. Nasiany tsipy teny koa izany tamin’i Nikôdema jer. Jo 3,5-8., tamin’ ilay Vehivavy samaritanina jer. Jo 4,10.14.23-24. ary tamin’ireo izay nandray anjara tamin’ny fetin’ny Tranolay jer. Jo 7,37-39.. Tamin’ny mpianany Izy no niteny izany miharihary tamin’ny resaka momba ny fivavahana jer. Lk 11,13. sy ny fijoroana vavolombelona izay hataon’izy ireo jer. Mt 10,19-20..
Tamin’ny nahatongavan’ny Ora izay hanomezam-boninahitra Azy ihany i Jesoa no nampanantena ny fahatongavan’ny Fanahy Masina, satria ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona no ho fahatanterahan’ny fampanantenana natao tamin’ireo Razambe jer. Jo 14,16-17.26; 15,26; 16,7-15; 17,26. : ny Fanahin’ny Fahamarinana, ny Parakleto hafa, dia homen’ny Ray amin’ny vavak’i Jesoa ; hirahin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa Izy ; hirahin’i Jesoa avy amin’ny Ray Izy satria ny Ray no niaviany. Ho avy ny Fanahy Masina, ho fantatsika Izy, hiaraka amintsika mandrakizay Izy, honina hiaraka amintsika Izy ; hampianatra antsika ny zavatra rehetra Izy sy hampahatsiaro antsika izay rehetra nolazain’i Kristy antsika ary ho vavolombelona hanambara Azy ; hitondra antsika amin’ny marina rehetra Izy sady hanome voninahitra an’i Kristy. Raha ny amin’izao tontolo izao kosa, handresy lahatra ny amin’ny fahotana, ny amin’ny fahamarinana ary ny amin’ny fitsaràna Izy.
Farany, tonga ny Oran’i Jesoa jer. Jo 13,1; 17,1. : mametraka ny fanahiny eo am-pelatanan’ ny Ray jer. Lk 23,46; Jo 19,30. i Jesoa amin’ny fotoana izay mahatonga Azy ho mpandresy ny fahafatesana amin’ny Fahafatesany, hany ka “ny fitsanganany ho velona avy amin’ny maty, tamin’ny Voninahitry ny Ray” (Rôm 6,4), no anomezany avy hatrany ny Fanahy Masina amin’ny “fitsofana”eo amin’ireo mpianany jer. Jo 20,22.. Manomboka hatramin’io Ora io, tonga fanirahana ny Fiangonana ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy : “Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo koa” (Jo 20,21) jer. Mt 28,19; Lk 24,47-48; Asa 1,8..
V.Ny Fanahy sy ny Fiangonana amin’ny fotoana farany
Ny Pantekôty
Ny andro Pantekôty (faran’ny herinandro fito ny Paka) no tanteraka ny Pakan’i Kristy, tamin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina izay naseho, nomena, nampitaina amin’ny maha-Olona-Andriamanitra : avy amin’ny Hafenoany, i Kristy, Tompo, no mandrotsaka be dia be ny Fanahy jer. Asa 2,33-36..
Tamin’io andro io no nambara manontolo ny Trinite Masina. Hatramin’io andro io, ny Fanjakana nolazain’i Kristy dia misokatra ho an’ireo izay mino Azy : amin’ny fanetren-tenan’ny nofo sy amin’ny finoana no efa andraisan’ izy ireo anjara sahady amin’ny fiombonana amin’ny Trinite Masina. Amin’ ny fahatongavany, ary tsy mitsahatra izany, no ampidiran’ny Fanahy Masina an’izao tontolo izao ao amin’ny “fotoana farany”, ny fotoanan’ny Fiangonana, ilay Fanjakana efa nolovàna, nefa tsy mbola tomombana :
Nahita ny Fahazavana tena izy izahay, nandray ny Fanahy avy any an-danitra izahay, nahita ny finoana marina izahay : mitsaoka ny Trinite tsy azo sarahina izahay satria Izy no namonjy anay Litorzia bizantinina, Tononkalom-pivavahana fanao amin’ny vavaka harivan’ny Pantekôty: noraisina izy ity amin’ny fankalazana ny Eokaristia, aorian’ny kômonio..
Ny Fanahy Masina – Fanomezan’Andriamanitra
“Andriamanitra dia Fitiavana” (1 Jo 4,8.16), ary ny Fitiavana no fanomezana voalohany, ao aminy ny hafa rehetra. Io Fitiavana io no “narotsak’Andriamanitra ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina izay nomena antsika” (Rôm 5,5).
Satria maty isika, na, fara fahakeliny, naratran’ny fahotana, ny vokatra voalohany amin’ny fanomezana ny Fitiavana dia ny famelana ny fahotantsika. Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina (2 Kôr 13,13), ao amin’ny Fiangonana, no mamerina amin’ireo vita batemy ny fifanahafana amin’ Andriamanitra, very noho ny fahotana.
Nomeny tamin’izay ny “antoka” na “voaloham-bokatry” ny Lovantsika jer. Rôm 8,23; 2 Kôr 1,22. : ny Fiainana sahala amin’ny an’ny Trinite Masina izay mitia “tahaka ny itiavany antsika” jer. 1 Jo 4,11-12.. Io Fitiavana io (fitiavana araka ny 1 Kôr 13) no fototry ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy, azo tanterahina noho isika “nahazo hery, dia ny an’ny Fanahy Masina” (Asa 1,8).
Amin’izany herin’ny Fanahy Masina izany ny zanak’Andriamanitra no afaka mamokatra. Ilay izay nanao grefy antsika tamin’ny Voaloboka tena izy, no hampitondra antsika ny “vokatry ny Fanahy dia : fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, fitokiana ny hafa, fahalemem-panahy, fifehezan-tena” (Gal 5,22-23). “Ny Fanahy no Fiainantsika”; arakaraka ny ahafoizantsika ny tenantsika jer. Mt 16,24-26. no “ampiasan’ny Fanahy koa antsika jer. Gal 5,25. :
Amin’ny fiombonana Aminy isika no ataon’ny Fanahy Masina tonga ara-panahy, averiny ao am-Paradisa, ampodiany any amin’ny Fanjakan’ny lanitra sy amin’ny fananganan-janaka, omeny fitokiana hiantso an’Andriamanitra Ray sy handray anjara amin’ny fahasoavan’i Kristy, mba ho antsoina hoe zanaky ny fahazavana sy hanana anjara amin’ny voninahitra mandrakizay Md Basile, Spir. 15,36..
Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana
Ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy Masina dia tanteraka ao amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy sy Tempolin’ny Fanahy Masina. Manomboka hatreo io fanirahana miaraka io, dia mampikambana ny mpinon’i Kristy miray amin’ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina : ny Fanahy no manomana ny olona, mampahalala mialoha azy ireo amin’ny fahasoavany, mba hitaona azy ireo mankany amin’i Kristy. Izy no mampiseho amin’izy ireo ny Tompo nitsangan-ko velona, Izy no mampahatsiaro azy ireo ny teniny sy manokatra ny sain’izy ireo hahatakatra ny dikan’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona. Izy no mahatonga eo amin’izy ireo ny misterin’i Kristy, misongadina amin’ny Eokaristia, mba hampihavana azy ireo, hampiombona azy ireo amin’ Andriamanitra, mba hampamokatra azy ireo “vokatra be dia be” (Jo 15,5.8. 16).
Ny fanirahana ny Fiangonana akory tsy manampy ny an’i Kristy sy ny Fanahy Masina, fa izy no sakramenta amin’izany : amin’ny fisian-tenany manontolo sy ao amin’ireo rantsambatany rehetra no anirahany azy hitory sy hijoro vavolombelona, hampihatra amin’ny fiainana ankehitriny sy hampiely ny misterin’ny firaisan’ny Trinite Masina (izany no ho fototry ny andalana manaraka) :
Isika rehetra izay nahazo fanahy tokana sy mitovy, izany hoe : ny Fanahy Masina, dia voakambana ho iray miaraka amin’Andriamanitra isika samy isika. Satria na dia maro be misaratsaraka aza isika, ary hampitoetra ny Fanahin’ny Ray sy ny Azy ao amin’ny tsirairay amintsika i Kristy, dia io Fanahy tokana tsy azo zaraina io, amin’ny alalan’ny Tenany ihany, no mamerina an’ireo izay mampiavaka amin’izy ireo samy izy ireo amin’ny firaisana (…) ka amin’izany no hisehoan’ny rehetra ho zavatra iray ihany ao amin’ny Tenan’Izy Fanahy. Ary heveriko fa tahaka ny herin’ny fahamasinan’ ny maha-olombelona an’i Kristy izay ao Aminy no mahatonga azy rehetra ireny hiforona ho vatana iray, no itovian’ny fomba fonenan’ny Fanahin’ Andriamanitra ao amin’ny rehetra, tokana sy tsy azo sarahina, mitarika azy rehetra ho amin’ny firaisana ara-panahy Md Cyrille d’Alexandrie, Jo 11,11..
Satria ny Fanahy Masina no fanosorana an’i Kristy, dia i Kristy, Lohan’ny Vatana, no mandrotsaka Azy ao amin’ireo rantsambatany mba hamahana azy ireo, hanasitrana azy ireo, handamina azy ireo amin’ny anjara raharaha ifanampian’izy ireo, hamelona azy ireo, haniraka azy ireo hijoro ho vavolombelona, hanakambana azy ireo amin’ny fanatiny amin’ny Ray sy amin’ny fanelanelanany ho an’izao tontolo rehetra izao. Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fiangonana i Kristy no mampita amin’ireo rantsambatan’ny Vatany ny Fanahiny Masina sy Mpanamasina (izany no ho fototry ny fizarana faharoa amin’ity Katesizy ity).
Ireo “zava-mahagaga nataon’Andriamanitra”, atolotra ny mpino ao amin’ ireo sakramentan’ny Fiangonana, dia mitondra ny vokatr’izy ireo ao amin’ny fiainam-baovao, ao amin’i Kristy, araka ny Fanahy Masina (izany no ho fototry ny fizarana fahatelo amin’ity Katesizy ity).
”Ny Fanahy no manohana ny fahalementsika, satria na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika ; fa ny Tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay hambara amin-teny” (Rôm 8,26). Ny Fanahy Masina, mpanao ny tsanganasan’ Andriamanitra, no Tompon’ny fivavahana (izany no ho fototry ny fizarana fahefatra amin’ity Katesizy ity).
“Ny porofo fa zanaka ianareo, dia ny nanirahan’Andriamanitra ao am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany izay miantso hoe : Aba, Ray !”(Gal 4,6).
Hatramin’ny fanombohana ka hatramin’ny fahataperan’ny fotoana, rahefa maniraka ny Zanany Andriamanitra, dia maniraka lalandava ny Fanahiny koa : iraisana sy tsy azo sarahina ny fanirahana Azy ireo.
Tamin’ny hafenoan’ny fotoana, no notanterahin’ny Fanahy Masina tao amin’i Maria ny fanomanana rehetra amin’ny fahatongavan’i Kristy ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina tao aminy, no nanomezan’ny Ray ho an’izao tontolo izao an’i Emanoela, “Andriamanitra miaraka amintsika” (Mt 1,23).
Natokana ho Kristy (Mesia) tamin’ny fanosoran’ny Fanahy Masina tao amin’ny Fahatongavany ho Nofo, ny Zanak’Andriamanitra jer. Sal 2,6-7..
Tamin’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona i Jesoa no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy ao amin’ny voninahitra jer. Asa 2,36.. Avy amin’ny Hafenoany no androtsahany ny Fanahy Masina ao amin’ny Apôstôly sy ny Fiangonana.
Ny Fanahy Masina izay arotsak’i Kristy, Loha, ao amin’ny rantsambatany, no manorina, mamelon’aina ary manamasina ny Fiangonana. Ny Fiangonana no sakramentan’ny firaisan’ny Trinite Masina sy ny olombelona.
9.“Izaho mino ny Fiangonana Masina katôlika”
“I Kristy no fahazavan’ny firenena rehetra : ny Kônsily masina, mivory ao amin’ny Fanahy Masina izany, dia mirary fatratra, eo am-pitoriana ny Vaovao Mahafalin’ny Evanjely amin’ny voary manontolo, hanapariaka eo amin’ny olombelona rehetra ny hazavan’i Kristy izay mamirapiratra eo amin’ny endriky ny Fiangonana” FF 1.. Ireo teny ireo no nanokafan’ny Kônsily faharoa tao Vatikana ny “foto-pampianarana momba ny Fiangonana”. Amin’ izany ny Kônsily no mampiseho, fa ny andalan-tenim-pinoana momba ny Fiangonana dia miankina manontolo amin’ireo an-dalan-teny momba an’i Kristy Jesoa. Tsy manana fahazavana hafa ny Fiangonana, afa-tsy ny an’i Kristy ; izy, araka ny sary an’ohatra mamin’ireo Aban’ny Fiangonana, dia azo oharina amin’ny volana izay ny fahazavany rehetra dia avy amin’ny taratry ny masoandro.
Ny andalana momba ny Fiangonana dia miankina tanteraka koa amin’ny an’ny Fanahy Masina izay mialoha azy. “Satria, rahefa voaseho fa ny Fanahy Masina no loharano sy mpanome ny fahamasinana manontolo, dia ambaranay ampahibemaso izao fa Izy no manome fahamasinana ny Fiangonana” Kat. R. 1,10,1.. Ny Fiangonana, araka ny fomba fitenin’ireo Aban’ny Fiangonana, no toerana “izay iroboroboan’ny Fanahy” Md Hyppolyte, trad. ap. 35..
Ny mino fa ny Fiangonana dia “Masina” sy “Katôlika” ary izy dia “Iray” sy “Apôstôlika” (araka ny nanampian’ny Sembolin’i Nicée-Constantinople izany) dia tsy azo sarahina amin’ny finoana an’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina. Ao amin’ny Sembolin’ny Apôstôly no anaovantsika fiekena ampahibemaso ny finoana ny Fiangonana Masina (“Credo [ …] Ecclesiam”), fa tsy finoana amin’ny Fiangonana, mba tsy hampifangaro an’Andriamanitra sy ireo tsanganasany sy mba hanondroana mazava fa avy amin’ny hatsaran’Andriamanitra ny fanomezana rehetra izay napetrany ao amin’ny Fiangonany jer. Kat. R. 1,10,22..
Paragrafy 1. Ny Fiangonana ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra
I.Ny anarana sy ny sary an’ohatra ny Fiangonana
Ny teny hoe “Eglizy (Fiangonana)” [ ekklèsia, avy amin’ny teny grika hoe ek-kalein, “miantso ny any ivelany”], dia midika hoe “fiantsoana hivory”. Teny ilazana ny famoriam-bahoaka jer. Asa 19,39., izay ankapobeny amin’ny endrika ara-pivavahana. Io no fiteny nampiasaina matetika tao amin’ny Testamenta Taloha amin’ny teny grika amin’ny famoriana eo anatrehan’Andriamanitra ny vahoaka voafidy, indrindra ny famoriana teo Sinaia izay teo no nandraisan’i Israely ny Lalàna sy nanorenan’Andriamanitra azy ho vahoakany masina jer. Eks 19.. Amin’ny fiantsoana hoe “Fiangonana” ireo ankohonana mpino voalohany izay nino an’i Kristy dia mahatsiaro tena ho mpandova an’ io fiangonana io. Ao amin’izany, Andriamanitra no “miantso” ny Vahoakany avy amin’ny lafy valon’ny tany. Ny teny hoe Kyriakè izay church, Kirche no sampan-teniny, dia midika hoe “izay an’ny Tompo”.
Amin’ny fiteny kristianina, ny teny hoe “Fiangonana” dia ilazana ny fiaraha-miangon’ireo mpino amin’ny litorzia jer. 1 Kôr 11,18; 14,19.28.34-35., nefa ilazana koa ny ankohonam-piangonan’ireo mpino eo an-toerana jer. 1 Kôr 1,2; 16,1. na ny ankohonam-piangonan’ireo mpino manerana ny tany tontolo jer. 1 Kôr 15,9; Gal 1,13; Filip 3,6.. Ireo hevi-teny telo ireo, raha ny tena marina, dia tsy azo sarahina. Ny Vahoaka izay angonin’ Andriamanitra eo amin’ny tany tontolo, “ny Fiangonana”. Misy ao anatin’ ireny ankohonam-piangonana eo an-toerana ireny ny Fiangonana, ary tanteraka ho mpiangona izy amin’ny litorzia, indrindra amin’ny Eokaristia. Mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Vatan’i Kristy ny Fiangonana, ary izy mihitsy amin’izay no tonga Vatan’i Kristy.
Ny fanehoana an’ohatra ny Fiangonana
Ahitantsika sary an’ohatra sy tandindona maro be mifandray amin’izy samy izy, ao amin’ny Soratra Masina, izay amin’ny alalan’ireny ny fanambaràna no miteny ny mistery tovozin-tsy ritra momba ny Fiangonana. Ireo sary an’ohatra noraisin’ny Testamenta Taloha dia misy fiovaovàna amin’ny votoatin-kevitra iray, dia ny an’ny “Vahoakan’Andriamanitra”. Ao amin’ny Testamenta Vaovao jer. Efez 1,22; Kôl 1,18., mahita foiben-kevitra anankiray vaovao ireny sary an’ohatra rehetra ireny dia ny amin’i Kristy manjary “Lohan’ ”io vahoaka io jer. FF 9.ka noho izany dia Vatany. Manodidina izany foiben-kevitra izany no ivondronan’ireo sary an’ohatra “nalaina tamin’ny fiainan’ny mpiandry ondry, na tamin’ny fiainan’ny eny an-tsaha, na tamin’ny asa fanorenan-trano, na tamin’ny fiainan’ny fianakaviana sy ny fanambadiana” FF 6..
Ny Fiangonana, araka izany, dia valan’ondry, ka i Kristy no vavahady tokana sy tsy maintsy hidirana jer. Jo 10,1-10.. Ny Fiangonana koa dia andian’ondry izay Andriamanitra ihany no nanambara mialoha fa Izy no ho mpiandry jer. Iz 40,11; Ezek 34,11-31., ary ny ondry, na olombelona aza no ho filoha mpiandry azy ireo, dia ny Tenan’i Kristy ihany, Ilay Mpiandry ondry Tsara sy Mpanjakan’ny mpiandry ondry jer. Jo 10,11; 1 Pi 5,4. izay nahafoy ny ainy ho an’ny ondriny jer. FF 6. Jo 10,11-15., no hitarika sy hamahana azy ireo lalandava.
Ny Fiangonana dia tany fambolena, sahan’Andriamanitra (1 Kôr 3,9). Ao amin’io saha io no anirian’ny fototr’oliva tranainy izay ny patriarka no fakany masina ary amin’izany no miseho sy hiseho ny fampihavanana eo amin’ny Jody sy ny Jentily jer. Rôm 11,13-26.. Ny Mpamboly voaloboka avy any an-danitra no namboly izany tahaka ny tanim-boaloboka voafantina jer. Mt 21,33-43 //; Iz 5,1-7.. I Kristy no Voaloboka tena izy : Izy no manome aina sy mampamokatra ny sampana, izay tsy iza fa isika : amin’ny alalan’ny Fiangonana isika no mitoetra ao Aminy, izay raha Izy dia tsy mahefa na inona na inona isika FF 6. jer. Jo 15, 1-5..
Matetika ihany koa, ny Fiangonana dia lazaina hoe trano aorin’Andriamanitra jer. 1 Kôr 3,9.. Izy Tompo ihany no nampitaha ny Tenany tamin’ny vato narian’ny mpanorin-trano fa tonga vato fehizoro (Mt 21,42 // ; Asa 4,11 ; 1 Pi 2,7 ; Sal 118,22). Eo ambonin’io fototra io no nanorenan’ireo apôstôly ny Fiangonana jer. 1 Kôr 3,11. ary avy amin’io fototra io no ananany fahamafisana sy firaisan-kina. Noravahana anarana samihafa io fanorenana io : tranon’Andriamanitra jer. 1 Tim 3,15., izay ao amin’izany no onenan’ny fianakaviany, trano fonenan’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy jer. Efez 2,19-22., fonenan’Andriamanitra eo amin’ny olombelona jer. Apôk 21,3., ary indrindra ilay tempoly masina, aseho amin’ny toerana masina naorina tamin’ny vato, izay anton’ny fideran’ireo Ray masina, ary rariny, ao amin’ ny litorzia, raha ampitahaina amin’ny Tanàna masina, ilay Jerosalema vaovao izany. Satria, ao amin’izany isika ety an-tany no toy ny vato velona izay mirafitra eo amboniny jer. 1 Pi 2,5.. Banjinin’i Joany io Tanàna masina io izay midina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra amin’ny fotoana izay hihavaozan’izao tontolo izao, vonona tahaka ny vehivavy voahaingo ampakarina ho an’ny vadiny (Apôk 21, 1-2) FF 6..
Ny Fiangonana dia mbola antsoina hoe “ilay Jerosalema avy any ambony” sy “renintsika” (Gal 4,26) jer. Apôk 12,17. ; nosoritsoritana fa izy dia toy ny vady madio tsy misy pentina an’ny Zanak’Ondry madio tsy misy pentina jer. Apôk 19,7; 21,2.9; 22,17. izay “notiavin’i Kristy, ka nahafoizany ny Tenany mba hanamasina azy’’ (Efez 5,25-26), izay nakambany Taminy tamin’ny fifanekena tsy azo ravana, izay tsy mitsahatra "velominy sy karakarainy" (Efez 5,29)” FF 6..
II.Fiandohana, fanorenana ary fanirahana ny Fiangonana
Mba hamakafakana lalina ny misterin’ny Fiangonana, dia mety aloha ny mandinika ny fiandohany ao amin’ny fandaharan’ny Trinite Masina Indrindra sy ny fahatanterahany miandalana teo amin’ny tantara.
Fandaharana teraka tao am-pon’ny Ray
“Ny Ray Mandrakizay, tamin’ny alalan’ny fampiasana tanteraka an-kalalahana sy mifono mistery ny fahendreny sy ny hatsarany, dia nahary an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao ; nanapa-kevitra Izy ny hanandratra ny olombelona ho amin’ny fiombonana amin’ny fiainan’Izy Andriamanitra”, izay ho amin’izany no iantsoany ny olombelona rehetra ao amin’ny Zanany : “Izay rehetra mino an’i Kristy, dia sitraky ny Ray ny miantso azy ireo hamorona ny Fiangonana Masina”. Io “fianakavian’Andriamanitra” io dia miorina sy tanteraka tsikelikely eny am-pamakivakiana ny dingana maro amin’ny tantaran’ny olombelona, arakaraka ny fandaminan’ny Ray : satria, ny Fiangonana dia : "nambara an-tsary mialoha hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao ; nomanina tamin’ny fomba mampitolagaga tao amin’ny tantaran’ny vahoaka Israely sy tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha ; nony ela ny ela, voaorina tao amin’ireo fotoana izay antsoina hoe “farany” ; niseho miharihary tamin’ny firotsahan’ny Fanahy Masina, ary amin’ny faran’ny taonjato rehetra, ho fanaperana ao amin’ny voninahitra” FF 2..
Ny Fiangonana – nambara an-tsary mialoha hatramin’ny fiandohan’ izao tontolo izao
“Noarìna izao tontolo izao mba ho an’ny Fiangonana”, hoy ny kristianina tany am-boalohany Hermas, vis. 2,4,1; jer. Aristide, apol. 16,7; Justin, apol. 2,7.. Nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra mba ho amin’ny fiombonana amin’ny fiainan’Izy Andriamanitra, fiombonana izay tanteraka amin’ny alalan’ny “fiantsoana” ny olombelona ao amin’i Kristy, ary io “fiantsoana” io, dia ny Fiangonana. Ny Fiangonana no tanjona faran’ ny zavatra rehetra jer. Md Epiphane, haer. 1,1,5., ary ny fivadibadiky ny zava-miseho mampangirifiry, toy ny fahalavoan’ny anjely sy ny fahotan’ny olombelona, dia navelan’ Andriamanitra hisy mba ho toy ny fotoana tsara sy fitaovana hampiseho ny hery manontolo ny sandriny, ny fatra manontolo ny fitiavana izay sitrany homena an’izao tontolo izao :
Tahaka ny sitrapon’Andriamanitra izay asa, ary antsoina hoe izao tontolo izao, ny faniriany koa, izay famonjena ny olombelona, ary antsoina hoe Fiangonana Clément d’Alexandrie, paed. 1,6..
Ny Fiangonana – nomanina tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha
Ny fanangonana ny Vahoakan’Andriamanitra dia nanomboka tamin’ny fotoana izay nandravan’ny fahotana ny fiombonan’ny olombelona tamin’ Andriamanitra sy ny an’ny olombelona samy olombelona. Ny famoriana ny Fiangonana izany dia azo lazaina hoe valy ataon’Andriamanitra amin’ny fikorontanan’ny tontolo rehetra nateraky ny fahotana. Io fampiraisana indray io dia tanteraka mangingina eo anivon’ny vahoaka rehetra : “Amin’ny firenena rehetra, dia ankasitrahan’Andriamanitra na iza na iza matahotra Azy sy manao ny marina” (Asa 10, 35) jer. FF 9; 13; 16..
Ny fanomanana lavitr’ezaka amin’ny fanangonana ny Vahoakan’ Andriamanitra dia nanomboka tamin’ny fiantsoana an’i Abrahama izay nampanantenain’Andriamanitra fa ho tonga rain’ny firenena lehibe iray izy jer. Jen 12,2; 15,5-6.. Ny fanomanana antomotra dia nanomboka tamin’ny fifidianana an’i Israely ho Vahoakan’Andriamanitra jer. Eks 19,5-6; Det 7,6.. Tamin’ny fifidianana azy, i Israely no tokony ho famantarana ny fanangonana ny firenen-drehetra rahatrizay jer. Iz 2,2-5; Mi 4,1-4.. Kanefa dia efa nampangain’ireo mpaminany sahady i Israely fa nandrava ny fanekem-pihavanana sy nitondra tena toy ny vehivavy mpivaro-tena jer. Ôs 1; Iz 1,2-4; Jer 2; sns.. Nanambara Fanekem-pihavanana Vaovao sy Mandrakizay izy ireo jer. Jer 31,31-34; Iz 55,3.. “Io Fanekem-pihavanana Vaovao io, i Kristy no nanorina izany” FF 9..
Ny Fiangonana – naorin’i Kristy Jesoa
Anjaran’ny Zanaka, tamin’ny hafenoan’ny fotoana, no nanatanteraka ny drafi-pamonjena nosoritan’ny Rainy ; izay no anton’ny “fanirahana” jer. FF 3; FAA 3. Azy. “Ny Tompo Jesoa dia nanorina ny fanombohan’ny Fiangonany tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra nampanantenaina tao amin’ny Soratra hatramin’ny taonjato maro” FF 5.. Mba hahatanteraka ny sitrapon’ny Ray, dia hisantatra ny Fanjakan’ny lanitra eto an-tany i Kristy. Ny Fiangonana “no Fanjakan’i Kristy izay efa eo sahady amin’ny fomba mistery” FF 3..
“Mamirapiratra eo imason’ny olombelona amin’ny teny, ny tsanganasa ary ny maha-eo an’i Kristy, io Fanjakana io” FF 5.. Ny mandray ny tenin’i Jesoa dia “ny mandray ny Fanjakana mihitsy” Ibid.. Ny tsiry sy fanombohan’ny Fanjakana dia ireo “andian’ondry vitsy” (Lk 12,32) izay nantsoin’i Jesoa hanodidina Azy ary dia Izy Tenany ihany no mpiandry jer. Mt 10,16; 26,31; Jo 10,1-21.. Izy ireo no mamorona ny tena fianakavian’i Jesoa tokoa jer. Mt 12,49.. Ho an’ireo izay nantsoiny hiangona tahaka izany hanodidina Azy, dia nampianariny ny “fomba fiasa amam-pitondran-tena” vaovao, nefa koa fomba fivavaka sahaza izany jer. Mt 5-6..
Nasian’i Jesoa Tompo rafitra izay haharitra mandra-pahatanteraka manontolo ny Fanjakan’ny lanitra ny ankohonam-piangonany. Ny fifidianana ny Roa ambin’ny folo, izay i Piera no ho filohan’izy ireo, no voalohany amin’izany jer. Mk 3,14-15.. Noho izy ireo solontenan’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely jer. Mt 19,28; Lk 22,30.dia izy ireo no vato fototr’ilay Jerosalema vaovao jer. Apôk 21,12-14.. Ny Roa ambin’ny folo jer. Mk 6,7. sy ny mpianatra hafa jer. Lk 10,1-2. dia mandray anjara amin’ny fanirahana an’i Kristy, amin’ny fahefany, nefa koa amin’ny anjara hihatra aminy jer. Mt 10,25; Jo 15,20.. Amin’ny alalan’ ireny asa rehetra ireny no anomanan’i Kristy sy anorenany ny Fiangonany.
Ny Fiangonana anefa, dia teraka indrindra tamin’ny fanoloran-tenan’i Kristy manontolo ho amin’ny famonjena antsika, nataony mialoha tamin’ny fanorenana ny Eokaristia ary tanteraka teo amin’ny Hazofijaliana. “Ny fanombohana sy ny fitomboan’ny Fiangonana dia voambara amin’ny ra sy ny rano nivoaka avy tao amin’ny lanivoan’i Jesoa nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana” FF 3.. “Satria tao amin’ny lanivoan’i Kristy nodimandry teo amin’ ny Hazofijaliana no teraka ny sakramenta mahatalanjon’ny Fiangonana manontolo” L 5.. Tahaka ny namoronana an’i Eva tamin’ny taolan-tehezan’i Adama rendrika tao anatin’ny torimaso, no nahateraka koa ny Fiangonana tao amin’ny fon’i Kristy voalefona, fony Izy maty teo amin’ny Hazofijaliana jer. Md Ambroise, Luc. 2,85-89..
Ny Fiangonana – nahariharin’ny Fanahy Masina
“Vantany vao tontosa ny tsanganasa izay nankinin’ny Ray tamin’ny Zanany hotanterahina eto an-tany, ny andro Pantekôty, dia nirahina ny Fanahy Masina mba hanamasina maharitra tsy tapaka ny Fiangonana” FF 4.. Tamin’izany no “nisehoan’ny Fiangonana ampahibemaso teo anatrehan’ny vahoaka be dia be sy nanombohan’ny fampielezana ny Evanjely niaraka tamin’ny fitorian-teny” AFF 4.. Noho izy “fiantsoana” ny olombelona rehetra ho amin’ny famonjena, dia misiônera irahin’i Kristy ho any amin’ny firenena rehetra ny Fiangonana, amin’ny fomba aman-toetra maha-izy azy, mba hahatonga ny olona rehetra ho mpianatra jer. Mt 28,19-20; AFF 2; 5-6..
Mba hahatanteraka ny fanirahana ny Fiangonana, dia ny Fanahy Masina no “mampitao sy mitari-dalana azy amin’ny alalan’ny fanomezana samihafa na araka ny ambaratongam-pitondrana na ara-pahasoavana manokana” FF 4.. “Koa ny Fiangonana, voavatsy amin’ny fanomezan’ny mpanorina azy, sy mampihatra amim-pitokiana ny fitandremana ny didim-pifankatiavana, amin’ ny fanetren-tena sy amin’ny fandavan-tena, dia mahazo iraka hitory ny Fanjakan’i Kristy sy ny an’Andriamanitra ary hanangana izany eo amin’ny firenena rehetra ; izy no manjary tsiry sy fanombohana eto an-tany avy amin’io fanjakana io” FF 5..
Ny Fiangonana – fanaperana ao amin’ny voninahitra
“Ny Fiangonana (…) dia tsy hanana ny fahalavorariany raha tsy ao amin’ ny voninahitra any an-danitra” FF 48., amin’ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra. Mandra-pahatonga an’io andro io, “mizotra amin’ny fivahiniany eny am-pamakivakiana ny fanenjehan’izao tontolo izao sy ny fanalana alahelo avy amin’Andriamanitra, ny Fiangonana” Md Augustin, civ. 18,51; jer. koa FF 8.. Eto an-tany, dia fantany fa sesitany izy, lavitra ny Tompo jer. 2 Kôr 5,6; FF 6., “ka maniry ny fotoana hahatongavan’ny Fanjakana tena lavorary, izay amin’izany no hiangonany eo amin’ny Mpanjakany, ao amin’ny voninahitra” FF 5.. Ny fahalavorarian’ny Fiangonana, ary amin’ny alalany, ny an’izao tontolo izao, ao amin’ny voninahitra, dia tsy hanjary raha tsy misy fitsapan-toetra lehibe. Koa “ny olo-marina rehetra ihany hatramin’i Adama, hatramin’i Abela ilay marina ka hatramin’ny olom-pinidy farany no ho tafangona ao amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo eo anilan’ny Ray” FF 2..
III.Ny misterin’ny Fiangonana
Sady ao anatin’ny tantara no mihoatra ambony dia ambony ivelan’ny tantaran ny Fiangonana. Amin’ny “masom-pinoana” Kat. R. 1,10,20. irery no ahafahana mahita eo aminy ny fisiany hita maso sady amin’ny fisiana ara-panahy koa, mpitondra ny ain’Andriamanitra.
Ny Fiangonana – sady hita maso no ara-panahy
“I Kristy, hany Mpanelanelana, no manorina sy manohana tsy an-kijanona ny Fiangonany masina, izay fiombonam-pinoana, fanantenana ary fitiavana, eto an-tany, mova tsy zavatra hita maso ka amin’ny alalan’izany Izy no mampiely ho an’ny rehetra, ny fahamarinana sy ny fahasoavana”. Ny Fiangonana dia sady : - “fikambanana manana rafitra misy ambaratongam-pitondrana no Vatana-Mistikan’i Kristy ; - fivondronana hita maso no ankohonana ara-panahy ; - Fiangonana eto an-tany no Fiangonana miravaka ny fanomezana avy any an-danitra”. Ireo lafiny ireo dia mitambatra ho “fisiana iray ihany amin’ny zavatra maro loha, miforona avy amin’ny singafototra roa dia ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra” FF 8. :
“Ny toetra manokana an’ny Fiangonana, dia izy sady manana ny an’ olombelona no manana ny an’Andriamanitra, sady hita maso no mirakitra zavatra maro tsy hita maso, sady mafana fo amin’ny atrik’asa no revo amin’ny fibanjinana, sady eto amin’izao tontolo izao nefa koa vahiny. Amin’izany anefa, izay maha-olombelona ao aminy dia alaminy sy ankininy amin’ Andriamanitra; izay hita maso dia alaminy sy ankininy amin’ny tsy hita maso; izay momba ny atrik’asa dia alaminy sy ankininy amin’ny fibanjinana ; ary izay misy amin’ny ankehitriny dia alaminy sy ankininy amin’ilay fonenana ho avy izay katsahintsika L 2.. Fanetren-tena re izany ! Fahamboniana re izany ! Tranolain’i Sedara sy toera-masin’Andriamanitra ; fonenana eto an-tany sy lapan’ny lanitra ; trano tanimanga sy lapan’ny mpanjaka ; vatana mety maty sy tempolin’ny fahazavana ; farany, zavatra faneso ho an’ny mpiavonavona fa vadin’i Kristy ! Mainty izy nefa tsara tarehy, dia ilay zanakavavin’i Jerosalema, izay na hatsatry ny harerahana sy ny fahoriana tany an-tsesitany naharitra aza, dia manana ny ravaky ny lanitra ho haingony Md Bernard, Cant. 27,7,14..
Ny Fiangonana – misterin’ny firaisan’ny olombelona amin’ Andriamanitra
Ao amin’ny Fiangonana i Kristy no manatanteraka sy manambara ny misterin’ny Tenany ho tarigetran’ny fandaharan’Andriamanitra : “ny hamondrona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy” (Efez 1,10). Antsoin’i Md Paoly hoe: “mistery lehibe” (Efez 5,32) ny firaisana toy an’ny mpivady an’Izy Kristy sy ny Fiangonana. Satria miray amin’i Kristy Mpampakatra azy ny Fiangonana jer. Efez 5,25-27., ka manjary mistery torak’izany koa ny tenany jer. Efez 3,9-11.. Amin’ny fibanjinana ao aminy ny mistery, dia hoy i Md Paoly miantso hoe : “I Kristy ao aminareo, no fanantenana ny voninahitra” (Kôl 1,27).
Ao amin’ny Fiangonana, io fiombonan’ny olombelona amin’ Andriamanitra amin’ny “fitiavana izay tsy hanam-pahataperana” (1 Kôr 13,8) io no tanjom-piafaràna mibaiko an’izay rehetra fitaovana ara-tsakramenta ao aminy, mifandray amin’izao tontolo izao mora levona jer. FF 48.. “Narindra manontolo amin’ny fahamasinan’ireo rantsambatan’i Kristy ny firafiny. Ary ny fahamasinana no anombanana ny fiasan’ “ilay mistery lehibe” izay amalian’ ny Ampakarina amin’ny alalan’ny fanomezam-pitiavana ny fanomezan’ny Mpampakatra” MD 27.. Nialoha lalana antsika rehetra i Maria, amin’ny fahamasinana izay misterin’ny Fiangonana tahaka ilay Ampakarina tsy misy panda na ketrona jer. Efez 5,27.. Izany no mahatonga “ny halehiben’ny toerana momba an’i Maria ao amin’ny Fiangonana ho mialoha ny halehiben’ny toerana momba an’i Piera” jer. MD 27..
Ny Fiangonana – sakramentam-pamonjena ny daholobe
Ny teny grika hoe mysterion dia nadika ho teny latinina tamin’ireto teny anankiroa ireto : mysterium sy sacramentum. Amin’ny fanazavan-teny taty aoriana, ny teny hoe sacramentum dia ilazana bebe kokoa ny famantarana hita maso amin’ny zava-misy takona momba ny famonjena, tondroina amin’ny teny hoe mysterium. Amin’io hevitra io, dia ny Tenan’Izy Kristy ihany no misterim-pamonjena : Tsy misy mistery hafa afa-tsy i Kristy Md Augustin, ep. 187,11,34.. Ny tsanganasam-pamonjen’ny maha-olombelona masina sy manamasina Azy no sakramentam-pamonjena izay miseho sy miasa ao amin’ireo sakramentan’ny Fiangonana (izay antsoin’ireo Fiangonana Tatsinanana koa hoe : “ireo mistery masina”). Ny sakramenta fito no famantarana sy fitaovana izay amin’ny alalan’ireo ny Fanahy Masina no mandrotsaka ny fahasoavan’i Kristy, ilay Loha, ao amin’ny Fiangonana Vatany. Ny Fiangonana àry no mirakitra sy mampita ny fahasoavana tsy hita maso ambarany. Amin’izany fifanahafan-kevitra izany no iantsoana azy hoe “sakramenta”.
Ny Fiangonana, ao amin’i Kristy, dia toy ny sakramenta, izany hoe sady famantarana no fitaovan’ny firaisana lalina amin’Andriamanitra sy ny firaisan’ny taranak’olombelona rehetra” FF 1. : Ho sakramentan’ny firaisana lalin’ny olombelona amin’Andriamanitra : izany no tarigetra voalohany kendren’ny Fiangonana. Noho ny fiombonan’ny olombelona samy olombelona, miorim-paka ao amin’ny firaisana amin’Andriamanitra, dia sakramentan’ny firaisan’ny taranak’olombelona rehetra koa ny Fiangonana. Efa nanomboka sahady, ao aminy, io firaisana io, noho izy manangona ny olombelona “avy amin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena rehetra, ny vahoaka mbamin’ny samihafa fiteny rehetra” (Apôk 7,9) ; amin’izany koa, ny Fiangonana no “famantarana sy fitaovana” amin’ny fanatanterahana manontolo an’io firaisana izay tsy maintsy mbola ho avy io.
Fitaovan’i Kristy ny Fiangonana, amin’ny maha-sakramenta azy. “Izy no fitaovam-Panavotana ny olombelona rehetra, eo am-pelatanan’i Kristy” FF 9., “sakramentam-pamonjena ny daholobe” FF 48., izay amin’izany no “ampisehoan’i Kristy sy ampiharany amin’ny ankehitriny ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona” FAA 45, §1.. Izy “no tetik’asa hita maso amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona manontolo” Paul VI, lahateny tamin’ny 22 jona 1973., izay te “hahatonga ny taranak’olombelona manontolo hitambatra ho Vahoaka tokan’Andriamanitra, hiangona ao amin’ ny Vatana tokan’i Kristy, mba hirafitra ho tempoly tokan’ny Fanahy Masina” AFF 7; jer. koa FF 17..
Ny teny hoe “Eglizy” (Fiangonana) dia midika hoe “fiantsoana hivory”. Teny ilazana ny famoriana an’ireo izay antsoin’ny Tenin’Andriamanitra mba hanjary Vahoakan’Andriamanitra, sy velomin’ny Vatan’i Kristy ka manjary Vatan’i Kristy mihitsy.
Ny Fiangonana dia sady lalana no tanjon’ny fandaharan’ Andriamanitra : nambara an-tsary mialoha tamin’ny fahariana, nomanina tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, naorina tamin’ny teny sy ny asan’i Jesoa-Kristy, notanterahina tamin’ny Hazofijaliam-panavotany sy ny Fitsanganany ho velona, naseho miharihary ho misterim-pamonjena tamin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina. Ho fanaperana izy ao amin’ny voninahitra any an-danitra, amin’ny maha-famondronana ny olom-boavonjy rehetra eran-tany azy jer. Apôk 14,4..
Ny Fiangonana dia sady hita maso no ara-panahy, sady fikambanana mirafitra amin’ny ambaratongam-pitondrana no Vatana-Mistikan’i Kristy. Tokana izy, noforonina amin’ny singafototra roa, dia ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra. Izany no misteriny, izay ny finoana irery no ahafahana mandray izany.
Ny Fiangonana, eto amin’ity tontolo ity, no sakramentam-pamonjena, famantarana sy fitaovana amin’ny fiombonan’Andriamanitra sy ny olombelona.
Paragrafy 2. Ny Fiangonana – Vahoakan’Andriamanitra, Vatan’i Kristy, Tempolin’ny Fanahy Masina
I.Ny Fiangonana – Vahoakan’Andriamanitra
“Marina fa, amin’ny fotoana rehetra, sy amin’ny firenena rehetra, na iza na iza matahotra an’Andriamanitra sy manao ny marina dia ankasitrahany. Kanefa, tsy ny samy maka ho azy, ivelan’ny fifamatorana rehetra, no sitrak’ Andriamanitra andraisan’ny olombelona ny fanamasinana sy ny famonjena ; ny mifanohitra amin’izany aza, ny sitrany dia ny hahatonga ho Vahoaka tokana izay hahalala Azy araka ny marina sy hanompo Azy ao anatin’ny fahamasinana. Izany no antony nifidianany ny Vahoaka Israely mba ho tonga Vahoakany izay nanaovany fanekem-pihavanana ary nampianariny miandalana (…). Izany rehetra izany anefa, tsy inona fa mba hanomanana sy hampisehoana ny endriky ny Fanekem-pihavanana Vaovao sady lavorary izay horaiketina ao amin’i Kristy (…). Dia ilay Fanekem-pihavanana Vaovao tamin’ny rany, iantsoana ny Vahoaka avy amin’ny Jody sy ny jentily, mba hiangona ho iray, tsy araka ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy” FF 9..
Ny toetra mampiavaka ny Vahoakan’Andriamanitra
Ny Vahoakan’Andriamanitra dia manana toetra mampiavaka azy mazava tsara amin’ireo fikambanana rehetra ara-pivavahana, ara-poko, ara-pôlitika na ara-kolontsaina eo amin’ny tantara : - Vahoakan’Andriamanitra izy : tsy misy vahoaka na iray aza, manana an’ Andriamanitra ho azy manokana. Kanefa naka vahoaka ho Azy Andriamanitra, avy amin’ireo izay tsy vahoaka akory taloha : “ho taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina” (1 Pi 2,9). - Ny mahatonga ho mpikambana amin’io Vahoaka io dia tsy amin’ny alalan’ny fiterahana ara-batana, fa amin’ny alalan’ny “fahaterahana avy any ambony”, “amin’ny rano sy ny Fanahy” (Jo 3,3-5), izany hoe amin’ ny finoana an’i Kristy sy ny Batemy. - Io Vahoaka io dia manana an’i Jesoa ilay Kristy (voahosotra, Mesia) ho Filoha (Loha) : satria fanosorana mitovy, dia ny Fanahy Masina, no nararaka avy amin’ny Loha mankao amin’ny Vatana, ka tonga “Vahoakan’ny Mesia” izy. - “Ny toe-piainan’io Vahoaka io, dia ny fahamboniana amin’ny fahafahan’ ny zanak’Andriamanitra : ao am-pon’izy ireo, toy ny ao an-tempoly, no monina ny Fanahy Masina”. - Ny Lalànany, dia ny didy vaovao ho tia tahaka ny itiavan’ny Tenan’Izy Kristy mihitsy antsika FF 9; jer. koa Jo 13,34.”. Izany no lalàna “vaovao” ny Fanahy Masina jer. Rôm 8,2; Gal 5,25.. - Ny asa anirahana azy, dia ny ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao jer. Mt 5,13-16.. “Izy no manorina ho an’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ny fototra mafy indrindra amin’ny firaisana, ny fanantenana ary ny famonjena” FF 9.. - Farany, ny anjara iafaràny, dia ny “Fanjakan’Andriamanitra, natomboky ny Tenan’Izy Andriamanitra ihany, teto an-tany, Fanjakana izay tsy maintsy hiitatra hatrany hatrany, mandra-pahatongan’ny farandro, izay hahatanteraka azy amin’ny alalan’ny Tenan’Izy Andriamanitra ihany Ibid..
Vahoaka mpisorona, mpaminany ary mpanjaka.
I Jesoa-Kristy no Ilay nohosoran’ny Ray tamin’ny Fanahy Masina sy nataony ho “Mpisorona, Mpaminany ary Mpanjaka”. Mandray anjara amin’ ireo raharaha telo an’i Kristy ireo, ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo, ary mizaka ny fiandraiketana ny fanirahana sy ny fanompoana avy amin’ izany jer. RH 18-21..
Rahefa miditra ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana sy ny Batemy ny olona, dia mandray anjara amin’ny fiantsoana tokan’io Vahoaka io : amin’ny fiantsoana azy ho mpisorona : “I Kristy Tompo, Mpisorombe nalaina avy amin’ny olombelona, dia nanao an’ilay Vahoaka vaovao "ho fanjakana, mpisorona ho an’Andriamaniny sady Rainy". Satria, ireo vita batemy, amin’ny alalan’ny fahateraham-baovao sy ny fanosorana amin’ny Fanahy Masina, dia voatokana ho fonenana ara-panahy sy ho mpisorona masina” FF 10..
“Mandray anjara koa amin’ny asa maha-mpaminany an’i Kristy ny Vahoaka masin’Andriamanitra”. Manjary izany izy, indrindra amin’ny hevi-pinoana mihoatra ny fahalalan’ny sain’olombelona izay an’ny Vahoaka manontolo, lahika sy mpitondra isan’ambaratonga, rahefa “mifikitra maharitra amin’ny finoana nampitaina indray mandeha ihany tamin’ny olomasina” FF 12., sy mandalina fahalalana amin’izany ary mijoro vavolombelon’i Kristy eo anivon’izao tontolo izao.
Farany, mandray anjara amin’ny asa maha-mpanjaka an’i Kristy, ny Vahoakan’Andriamanitra. Mampiasa ny fiandrianana maha-mpanjaka Azy i Kristy amin’ny fanintonana ny olona rehetra ho ao Aminy amin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona jer. Jo 12,32.. I Kristy, Mpanjaka sy Tompon’ izao tontolon’ny zava-drehetra izao, dia nanolo-tena ho mpanompon’ny rehetra, “tsy tonga mba ho tompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro” (Mt 20,28). Ho an’ny kristianina, “ny hoe manjaka, dia ny manompo Azy” FF 36., indrindra “amin’ny mahantra sy ny mijaly, izay ao amin’izy ireo no ahitan’ny Fiangonana ny endrik’ilay Mpanorina azy mahantra sy mijaly” FF 8.. Manatanteraka ny “fahamboniana maha-mpanjaka” azy ny Vahoakan’Andriamanitra, amin’ny fiainana izany fiantsoana hanompo miaraka amin’i Kristy izany. Amin’ireo rehetra nohavaozina tao amin’i Kristy, ny famantaran’ny Hazofijaliana no mahatonga azy ireo ho mpanjaka, ny fanosorana amin’ny Fanahy Masina no manamasina azy ireo ho mpisorona, ka mba hiavaka amin’ny asa fanompoan’ny tsirairay amin’ny andraiki-panompoana sahanintsika, dia aoka ny kristianina rehetra manam-panahy sy mampiasa ny sainy, mba hahatsiaro tena ho mpikambana amin’io taranaka mpanjaka io sy mpandray anjara amin’ny asa maha-mpisorona. Koa inona moa, araka izany, no maha-mpanjaka ny olona iray afa-tsy ny mitondra ny tenany amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra ? Ary inona koa no maha-mpisorona afa-tsy ny manokana ny kônsiansy madio tsy misy pentina amin’ny Tompo sy manolotra eo ambony ôtelin’ny fony ny sorom-pitiavam-bavaka tsy misy pentina Md Léon le Grand, serm. 4.1. ?
II.Ny Fiangonana – Vatan’i Kristy
Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana
Efa hatrany am-boalohany i Jesoa no nampandray anjara an’ireo mpianany tamin’ny fiainany jer. Mk 1,16-20; 3,13-19. ; nambarany azy ireo ny misterin’ny Fanjakan’ny lanitra jer. Mt 13,10-17. ; nomeny anjara tamin’ny fanirahana Azy, tamin’ny hafaliany jer. Lk 10,17-20. ary tamin’ny fijaliany jer. Lk 22,28-30. izy ireo. Niresaka momba ny fiombonana mbola lalina kokoa ao Aminy sy ireo izay hanaraka Azy i Jesoa : “Mitomoera ao amiko, tahaka Ahy ao aminareo (…). Izaho no Voaloboka, ianareo no sampana” (Jo 15,4-5). Ary nanambara ny fiombonana mifono mistery sy tena izy eo amin’ny Tenany sy ny antsika Izy : “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia mitoetra ao anatiko ary Izaho ao anatiny” (Jo 6,57).
Nony nesorina teo amin’ireo mpianany ny fahitana maso an’i Jesoa, dia tsy namela azy ireo ho kamboty Izy jer. Jo 14,18.. Nampanantena azy ireo Izy fa hitoetra miaraka amin’izy ireo ambara-pahatonga ny farandro jer. Mt 28,20., ary naniraka ny Fanahiny ho ao amin’izy ireo jer. Jo 20,22; Asa 2,33.. Azo lazaina fa mihamafy kokoa amin’izay ny fiombonana amin’i Jesoa : “Amin’ny fampitàny ny Fanahiny tamin’ireo rahalahiny, mba hamoriany ny firenena rehetra, no nanatambarany azy ireo ho Vatany amim-pomba mistika” FF 7..
Ny fampitahana ny Fiangonana amin’ny vatana dia mamoaka hazavana ny amin’ny fifamatorana mafy misy eo amin’ny Fiangonana sy i Kristy. Tsy miangona fotsiny manodidina Azy ny Fiangonana ; nampiraisiny Aminy, ao amin’ny Vatany izy. Toy izao ireo endrika telo an’ny Fiangonana - Vatan’i Kristy, soritana manokana kokoa : ny firaisan’ny rantsambatana rehetra amin’ny samy izy ireo amin’ny alalan’ny fiombonan’izy ireo amin’i Kristy ; i Kristy Lohan’ny Vatana ; ny Fiangonana, Vadin’i Kristy.
“Vatana iray ihany”
Ny mpino izay manoina ny Tenin’Andriamanitra sy tonga rantsambatan’i Vatan’i Kristy, dia manjary miray tanteraka amin’i Kristy : “Ao amin’izany vatana izany ny ain’i Kristy no mikoriana ao amin’ny mpino izay ampiraisin’ny sakramenta amin’i Kristy nijaly sy nomem-boninahitra, amin’ ny fomba mistery sy tena izy” FF 7.. Marina indrindra izany amin’ny Batemy izay mampiray antsika amin’ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona jer. Rôm 6,4-5; 1 Kôr 12,13., sy amin’ny Eokaristia, izay “amin’ny fandraisana anjara marina tokoa ny Vatan’i Kristy”, no “anandratana antsika amin’ny fiombonana Aminy sy amintsika samy isika” FF 7..
Tsy manafoana ny maha-samihafa ny rantsambatana, ny maha-iray ny vatana : “Amin’ny fandrafetana ny Vatan’i Kristy dia misy ny maha-samihafa ny rantsambatana sy ny anjara raharahany. Tokana ny Fanahy izay mizarazara ny fanomezana samihafa ho fanasoavana ny Fiangonana, arakaraka ny hareny sy ny fitakian’ny fanompoana” Ibid.. Ny maha-iray ny Vatana-mistika dia miteraka sy mampirisika ny samy mpino amin’ny fifankatiavana : “Araka izany, raha mijaly ny rantsambatana iray, dia miara-mijaly aminy ny rantsambatana rehetra, ary raha mahazo voninahitra ny rantsambatana iray, dia miara-mifaly aminy ny rantsambatana rehetra” Ibid.. Farany, ny maha-iray ny Vatana-mistika no mpandresy ny fisaraham-bazana rehetra eo amin’ny olombelona : “Satria, ianareo rehetra natao batemy tao amin’i Kristy, dia mitafy an’i Kristy avokoa ; tsy misy Jody na Jentily, tsy misy mpanompo na olona afaka, tsy misy lehilahy na vehivavy intsony ; satria ianareo rehetra dia iray ihany ao amin’i Kristy Jesoa” (Gal 3,27-28).
“Amin’io Vatana io, iKristy no Loha”
I Kristy “no Lohan’ny Vatana izay ny Fiangonana” (Kôl 1,18). Izy no Fototry ny fahariana sy ny fanavotana. Nasandratra ao amin’ny Voninahitry ny Ray, “Izy no Loha amin’ny zavatra rehetra” (Kôl 1,18), indrindra eo amin’ny Fiangonana izay amin’ny alalany no anitarany ny fanjakany amin’ ny zavatra rehetra :
Izy no mampiray antsika amin’ny Pakany : tsy maintsy miezaka hanahaka Azy ny rantsambatana rehetra “mandra-pahary an’i Kristy” ao amin’izy ireo (Gal 4,19). “Amin’izany tarigetra izany no ahatafidirantsika ao amin’ny misterin’ny fiainany, (…) iombonantsika amin’ny fahoriany, tahaka ny iombonan’ny vatana sy ny loha, iraisantsika amin’ny fijaliany mba iraisantsika amin’ny voninahiny” FF 7..
Izy no mitsinjo ny fitomboantsika jer. Kôl 2,19.: Mba hampitombo antsika mankany Aminy, Lohantsika jer. Efez 4,11-16., dia nalamin’i Kristy ao amin’ny Fiangonana - Vatany, ireo fanomezana sy ireo fanompoana ifanampiantsika eny an-dàlam-pamonjena.
I Kristy sy ny Fiangonana àry no “Kristy manontolo” (Christus totus). Iray ny Fiangonana miaraka amin’i Kristy. Tena tsapan’ny olomasina ao an’ eritreriny ao tokoa io firaisana io :
Mifalia àry isika sy misaora noho ny nahatonga antsika, tsy hoe kristianina fotsiny, fa Tenan’Izy Kristy mihitsy. Azonareo ve, ry rahalahy, ny fahasoavana izay narotsak’Andriamanitra tamintsika tamin’ny nanomezana antsika an’i Kristy ho Loha ? Aoka ianareo hitolagaga ary mifalia ianareo, manjary i Kristy isika. Vokatr’izany, satria Izy no Loha ary isika no rantsambatana, ny olombelona manontolo izany, dia Izy sy isika (…). Ny Hafenoan’i Kristy, dia tsy inona fa ny Loha sy ny rantsambatana ; inona no tian-kolazaina amin’ny hoe : Loha sy rantsambatana ? I Kristy sy ny Fiangonana Md Augustin, ev. Jo. 21,8.. Ny Mpanavotra antsika dia nampiseho ny tenany ho olona iray sy mitovy ihany amin’ny Fiangonana izay zakainy ao Aminy Md Grégoire le Grand, mor. Praef. 6,14.. Teny indraim-bava nolazain’i Mb Jeanne d’Arc tamin’ny mpitsara azy no mamintina ny finoan’ireo Mpampianatra masina sy manambara ny hevitra mitombina ananan’ny mpino : “Amin’i Jesoa-Kristy sy ny Fiangonana, araka ny fiheverako, dia iray tokoa, ka tsy misy tokony hohasarotina izany” Jeanne d’Arc, proc..
Vady ampakarin’i Kristy ny Fiangonana
Ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana, Loha sy rantsambatan’ny Vatana, dia milaza tsy mivantana koa ny fiavahan’ny roa tonta eo amin’ny fifandraisan’ ny tsirairay. Izany endrika izany matetika dia aseho amin’ny sary an’ohatra momba ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny lohahevitra hoe Kristy Mpampakatra ny Fiangonana dia nomanin’ny mpaminany sy nolazain’i Joany-Batista jer. Jo 3,29.. Izy Tompo ihany no manondro ny Tenany ho “ilay Mpampakatra” (Mk 2,19) jer. Mt 22,1-14; 25,1-13.. Ny apôstôly dia mampiseho ny Fiangonana sy ny mpino tsirairay, rantsambatan’ny Vatany, ho ilay Ampakarina “nofofoin’i ” Kristy Tompo, mba tsy hisy hiaraka Aminy afa-tsy ny Fanahy iray ihany jer. 1 Kôr 6,15-17; 2 Kôr 11,2.. Izy no Vady madio tsy misy pentina an’ilay Zanak’Ondry madio tsy misy pentina jer. Apôk 22,17; Efez 1,4; 5,27. notiavin’i Kristy, izay ho an’izany no nanoloran’i Kristy ny Tenany “mba hanamasina azy” (Efez 5,26), ka nampiraisiny Taminy tamin’ny alalan’ ny fanekem-pihavanana mandrakizay, ary tsy mitsahatra mikarakara azy ho toy ny Tenany manokana Izy jer. Efez 5,29. :
Izany i Kristy manontolo, Loha sy Vatana, tokana mirafitra ho maro (…). Na ny Loha no miteny, na ny rantsambatana, dia i Kristy no miteny. Miteny Izy amin’ny anjara asan’ny Loha (ex persona capitis) na koa amin’ny anjara asan’ny Vatana (ex persona corporis). Araka ny voasoratra hoe : “Ho nofo iray ihany izy roroa”. Misy mistery lehibe amin’io, dia ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana no tiako ho lazaina” (Efez 5,31-32). Ary izao no nolazain’ny Tenan’Izy Tompo ao amin’ny Evanjely : “Tsy roa intsony izy ireo fa nofo iray ihany” (Mt 19,6). Araka ny hitanareo, dia misy olona roa miavaka tsara, nefa iray ihany izy ireo ao amin’ny firaisan’ny mpivady. ( …) Amin’ny maha-Loha dia mitonon-tena ho “Mpampakatra” Izy, ary amin’ny maha-Vatana dia mitonon-tena ho “Ampakarina” Izy Md Augustin, Psal. 74,4..
III.Ny Fiangonana – Tempolin’ny Fanahy Masina
“Toy ny maha-ao amin’ny rantsambatantsika ny fanahintsika, izany hoe ny aintsika no tiako hambara, no maha-ao amin’ny rantsambatan’i Kristy, ao amin’ny Vatan’i Kristy, izany hoe ny Fiangonana no tiako hambara, ny Fanahy Masina” Md Augustin, serm. 268,2.. “Ny Fanahin’i Kristy izany amin’ny maha-fototra miafina Azy no tsy maintsy hiheverana fa ny faritra rehetra ao amin’ny Vatana dia mifandray, na amin’izy samy izy na amin’ny fara tampon’ny Lohan’izy ireo, satria monina manontolo ao amin’ny Loha, manontolo ao amin’ny Vatana, manontolo ao amin’ny tsirairay amin’ny rantsambatany, Izy” Pie XII, enc. « Mystici Corporis »: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny Fanahy Masina no mahatonga ny Fiangonana ho “Tempolin’Andriamanitra velona” (2 Kôr 6,16) jer. 1 Kôr 3,16-17; Efez 2,21. :
Ao amin’ny tenan’ny Fiangonana ihany, araka izany, no nanankinana ny Fanomezan’Andriamanitra. (…) Ao aminy no nametrahana ny fiombonana amin’i Kristy, izany hoe ny Fanahy Masina, antoky ny tsy fahalòvana, fanamafisana ny finoantsika ary tohatra fiakarantsika mankany amin’ Andriamanitra (…). Satria izay misy ny Fiangonana, dia misy koa ny Fanahin’Andriamanitra ; ary izay misy ny Fanahin’Andriamanitra, dia misy ny Fiangonana sy ny fahasoavana rehetra Md Irénée, haer. 3,24,1..
Ny Fanahy Masina no “Fototry ny asa manontolo iankinan’ny aina sy tena mahavonjy tokoa ny tsirairay amin’ny faritra samihafa amin’ny Vatana” Pie XII, enc. « Mystici Corporis »: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Fomba maro no andrafetany ny Vatana manontolo ao anatin’ny fitiavana jer. Efez 4,16. : amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra “izay manana hery hanorina ny trano” (Asa 20,32), amin’ny alalan’ny Batemy izay andrafetany ny Vatan’i Kristy jer. 1 Kôr 12,13. ; amin’ny alalan’ny sakramenta izay mampitombo sy manasitrana ny rantsambatan’i Kristy ; amin’ny alalan’ny “fahasoavana nomena ny apôstôly ka mitana toerana voalohany amin’izany ireo fanomezany” FF 7., amin’ny herim-panahy izay mahatonga hanao ny tsara, ary farany, amin’ny alalan’ny fahasoavana manokana maro be (antsoina hoe “fanomezam-pahasoavana”) izay mahatonga ny mpino ho “afaka sy vonona hizaka ao Aminy ny fiadidiana sy ny raharaha samihafa, manampy hanavao sy hanorina bebe kokoa hatrany ny Fiangonana” FF 12; jer. koa APL 3..
Ireo fanomezam-pahasoavana
Na mampitolagaga na tsotsotra sy ambanimbany, ireo fanomezam-pahasoavana dia fahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina, ka na mivantana na tsy mivantana, dia natao hahasoa ny Fiangonana, sy narindra amin’ny fandrafetana ny Fiangonana, amin’ny fanasoavana ny olombelona ary amin’ izay ilain’izao tontolo izao.
Ireo fanomezam-pahasoavana dia raisina miaraka amin’ny faneken’izay mandray izany, nefa koa amin’ny rantsambatan’ny Fiangonana rehetra. Araka izany, harem-pahasoavana mahatalanjona tokoa izy ireny ho an’ny hery amam-paharisihina maha-apôstôly sy ho an’ny fahamasinan’ny Vatan’i Kristy manontolo, raha toa ka tena fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina tokoa izy ireny, sy ho ampiasaina amin’ny fomba mifanaraka manontolo amin’ny tosi-kerim-pamporisika marina avy amin’io Fanahy io ihany, izany hoe ho ampiasaina araka ny fitiavana, izay fandrefesana marina ny fanomezam-pahasoavana jer. 1 Kôr 13..
Asehon’izany lafin-kevitra izany fa ilaina lalandava ny fahaiza-mandanjalanja momba ny fanomezam-pahasoavana. Tsy misy fanomezam-pahasoavana na iray aza afaka tsy mandalo eo ambany filan-kevitry ny manam-pahefana sy ny fankatoavan’ny Mpitondra Fiangonana. “Izy ireo no manana anjara manokana, tsy hamono ny Fanahy, fa hizaha toetra ny zavatra rehetra ka hitana izay tsara” FF 12., mba hiara-miasa ny fanomezam-pahasoavana rehetra, amin’ny faha-samihafa azy ireo sy ny fifamenoan’izy ireo, mba “hahasoa ny be sy ny maro” (1 Kôr 12,7) jer. FF 30; CL 24..
“Nanolo-tena ho antsika i Jesoa-Kristy, mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra sy hanadio ny Vahoaka izay natao ho Azy tokoa” (Tito 2,14).
“Ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, Vahoaka navotana” (1 Pi 2,9).
Vatan’i Kristy ny Fiangonana. Noho ny Fanahy Masina sy ny asany ao amin’ny sakramenta, fa indrindra ny Eokaristia, dia manorina ny fiombonan’ny mpino ho Vatany i Kristy maty sy nitsangan-ko velona.
Ao amin’ny maha-iray io Vatana io, dia maro samihafa ny rantsambatana sy ny anjara asa. Mifamatotra amin’ny rantsambatana ny samy rantsambatana rehetra, indrindra amin’ireo izay mijaly, ireo mahantra ary ireo enjehina.
Ny Fiangonana io Vatana io, izay i Kristy no Loha : avy Aminy sy ao Aminy ary ho Azy no ahaveloman’ny Fiangonana ; Izy kosa miaina miaraka amin’ny Fiangonana sy ao amin’ny Fiangonana.
Vadin’i Kristy ny Fiangonana : tia azy Izy ary nanolo-tena mba ho azy. Nodioviny tamin’ny rany izy. Nataony Reny niteraka ny zanak’ Andriamanitra rehetra izy.
Tempolin’ny Fanahy Masina ny Fiangonana. Ny Fanahy Masina no toy ny fanahin’ny Vatana-Mistika, fototry ny ainy sy ny firaisany ao anatin’ny faha-samihafa ary fototry ny habetsahan’ny fanomezany mbamin’ny fanomezam-pahasoavany.
“Araka izany, ny Fiangonana manerana ny tany tontolo dia hita fa "ilay Vahoaka izay misintona ny maha-iray azy avy amin’ny maha-iray an’ Andriamanitra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina" FF 4, milaza ny tenin’i Md Cyprien..”
Paragrafy 3. Iray, masina, katôlika ary apôstôlika ny Fiangonana
“Izany no hany Fiangonan’i Kristy, izay ambarantsika ampahibemaso ao amin’ny semboly fa hoe iray, masina, katôlika ary apôstôlika” FF 8.. Manondro ny soritsoritry ny toetra lehibe indrindra maha-Fiangonana ny Fiangonana sy ny fanirahana azy, ireo marika efatra manokana ireo, izay mifamatotra tsy azo sarahina amin’izy ireo samy izy ireo jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Tsy avy amin’ny tenan’izy Fiangonana no ananany an’ireo ; i Kristy, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, no mahatonga ny Fiangonany, ho iray, masina, katôlika ary apôstôlika, ary mbola Izy ihany koa no miantso azy hanatanteraka ny tsirairay amin’ireo toetra ireo.
Ny finoana irery ihany no ahafahana mankato fa avy amin’Andriamanitra ny loharano nahazoan’ny Fiangonana an’ireo toetra manokana ireo. Kanefa ny fisehoan’ireo teo amin’ny tantara dia famantarana miharihary koa ho an’ny sain’olombelona. “Ny Fiangonana, tsiahivin’ny Kônsily voalohany tao Vatikana, noho ny fahamasinany, ny firaisany katôlika, ny faharetam-piorenany tsy hay arodana, dia ny tenan’izy Fiangonana ihany no antony lehibe sy maharitra ahazoana mino, sy porofo tsy hay toherina amin’ny fanirahan’Andriamanitra azy” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
I.Iray ny Fiangonana
Iray ny Fiangonana, avy amin’ny loharano iandohany : “Avy amin’io mistery io, ny môdely tapitr’ohatra sy fototra dia ny maha-tokana an’ Andriamanitra ao amin’ny firaisan’ireo Olona telo : Ray sy Zanaka, ao amin’ ny Fanahy Masina” EK 2.. Iray ny Fiangonana avy amin’ny Mpanorina azy : “Satria Izy Tenan’ny Zanaka tonga Nofo no nampihavana tamin’ny alalan’ ny Hazofijaliany, ny olombelona rehetra tamin’Andriamanitra, ka namerina ny firaisan’ny olona rehetra ho Vahoaka tokana sy ho Vatana tokana.” FAA 78, § 3. Iray ny Fiangonana avy amin’ny “fanahiny”: “Ny Fanahy Masina izay monina ao amin’ny mpino, izay mameno sy mitondra ny Fiangonana manontolo, no manatanteraka io fiombonan’ny mpino amin’ny fomba mampitolagaga io, sy mampiray azy rehetra amin’ny fomba lalina dia lalina ao amin’i Kristy, izay Izy no fototry ny Maha-iray ny Fiangonana” EK 2.. Avy amin’ny foto-pisiany ihany izany no maha-iray ny Fiangonana :
Mistery mampitolagaga re izany ! Iray ihany ny Rain’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, iray ihany ny Tenin’izao tontolon’ny zava-drehetra izao ary koa iray ihany ny Fanahy Masina, mitovy na aiza na aiza ; fa misy koa virjiny iray ihany tonga reny, ary tiako ny miantso azy hoe : Fiangonana Md Clément d’Alexandrie, paed. 1,6,42..
Hatrany am-piandohana anefa, io Fiangonana iray io dia miseho amin’ny faha-samihafa lehibe izay sady avy amin’ny fanomezana maro karazana avy amin’Andriamanitra no avy amin’ny hamaroan’ny olona izay mandray izany. Mikambana ao amin’ny maha-iray ny Vahoakan’Andriamanitra, ny faha-samihafa an’ireo firenena sy ny kolontsaina. Misy ny faha-samihafa amin’ny fanomezana, sy ny adidy aman’andraikitra, ary ny toetra amam-pomba fiainana, eo amin’ny samy rantsambatan’ny Fiangonana ; “ara-dalàna ny fisian’ny Fiangonana eo an-toerana, manana ny lovam-panahiny mampiavaka azy, eo anivon’ny fiombonan’ny Fiangonana” FF 13.. Tsy mifanohitra amin’ny maha-iray ny Fiangonana, ny harem-ben’io faha-samihafa io. Kanefa, loza mitatao lalandava ho an’ny fanomezana maha-iray ny Fiangonana, ny fahotana sy ny vesatry ny voka-dratsiny. Izany no mahatonga ny apôstôly mampirisika mba “hitana ny maha-iray ny Fanahy amin’ny alalan’ny fifamatoram-pihavanana” (Efez 4,3).
Inona avy ireo fifamatoram-piraisana ireo ? “Ambonin’ny zavatra rehetra [dia] ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy” (Kôl 3,14). Kanefa ny firaisan’ny Fiangonana mivahiny ety an-tany dia iantohan’ireo fifamatoram-piombonana hita maso koa : - ny fiekena ny finoana tokana noraisina avy amin’ny apôstôly; - ny fankalazana iombonana amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ Andriamanitra, indrindra amin’ireo sakramenta; - ny fifandimbiasana maha-apôstôly amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Filaharana, mitana ny fihavanana maha-mpiray tam-po ny fianakavian’ Andriamanitra jer. EK 2; FF 14; CIC, can. 205..
“Ny Fiangonana tokan’i Kristy, (…) dia izay napetraky ny Mpamonjintsika, taorian’ny Fitsanganany ho velona, tamin’i Piera, mba izy no ho mpiandry ondry ao aminy, izay nankininy taminy, dia taminy sy tamin’ireo apôstôly hafa, mba hampiely azy sy hitantana azy (…). Io Fiangonana toy ny fikambanana naorina sy narindra eto an-tany io, dia misy sady maharitra ao (subsistit in) amin’ny Fiangonana katôlika fehezin’ny dimbin’i Piera sy ireo Eveka miombona aminy” FF 8. :
Manazava miharihary ny sori-dalana momba ny Ekiomenisma navoakan’ny Kônsily faharoa tao Vatikana, fa : “Avy amin’ny Fiangonana katôlikan’i Kristy irery ihany, izay izy no “fitaovana ankapobeny ahazoana famonjena”, no ahafahana mahazo ny hafenoan’ny fitaovam-pamonjena rehetra. Avy amin’ny fiombonam-piadidian’ny apôstôly irery, izay i Piera no filoha, no nanankinan’ny Tompo, araka ny finoantsika, ny harem-pahasoavana rehetra tamin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, mba hanorenana eto an-tany ny Vatan’i Kristy tokana, izay Aminy no tsy maintsy ho voakambana manontolo, amin’ny endrika iray, izay rehetra efa anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra” EK 3..
Ny ratran’ny firaisana
Raha ny marina, “efa hatrany am-piandohana no nisy fisaratsarahana tao amin’io Fiangonana tokana tsy manam-paharoa an’Andriamanitra io, fisaratsarahana izay nolavin’ny apôstôly mafy tokoa sy nomelohiny ; teny am-pamakivakiana ny taona teny dia nipoitra ny fisarahan-kevitra lehibe kokoa, ka nampisy ireo vondrom-piangonana be dia be niendaka tanteraka tao amin’ny fiombonan’ny Fiangonana katôlika, izay indraindray nipoitra avy amin’ny fahadisoan’ny olon’ny an-daniny sy ny olon’ny an-kilany” EK 3.. Ny fisaraham-bazana izay mandratra ny firaisan’ny Vatan’i Kristy (avahana amin’izany ny hevi-diso momba ny foto-pinoana, ny fivadiham-pinoana sy ny fisaraham-pinoana jer. CIC, can. 751.) dia tsy nisy raha tsy noho ny fahotan’ny olombelona:
Izay ahitana ny fahotana, dia eo koa ny fitsitokotokoana maro be, eo ny fisaraham-pinoana, eo ny fampianaran-diso momba ny foto-pinoana, eo ny fifanoherana ; fa izay ahitana ny hatsaram-panahy, dia eo koa ny firaisana, ny fiombonana izay nahatonga ny mpino rehetra tsy hanana afa-tsy vatana iray sy fanahy iray Origène, hom. In Ezech. 9,1..
Ireo izay teraka amin’izao fotoana izao ao anatin’ireny vondrom-piangonana avy amin’ny fisarahana ireny “sy izay mivelona amin’ny finoana an’i Kristy, dia tsy azo anilihana ny fahotan’ny fisaraham-bazana, ary ny Fiangonana katôlika dia miaraka amin’izy ireo amim-panajana feno firahalahiana sy fifankatiavana (…). Nohamarinina tamin’ny finoana noraisina tamin’ny Batemy, voakambana amin’i Kristy, dia mitondra ara-drariny ny anarana hoe kristianina izy ireo, ary ny zanaky ny Fiangonana katôlika dia mahatsiaro azy ireo marina tokoa ho havana ao amin’ny Tompo” EK 3..
Fanampin’izany, “maro amin’ireo singafototry ny fahamasinana sy ny fahamarinana” FF 8. no misy ivelan’ny fetra hita maso ao amin’ny Fiangonana katôlika : “ny Tenin’Andriamanitra voarakitra an-tsoratra, ny fiainam-pahasoavana, ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, ny fanomezana anaty hafa avy amin’ny Fanahy Masina ary ny singafototra hita maso hafa koa” EK 3; jer. koa FF 15.. Mampiasa ireny Fiangonana sy ankohonam-piangonana ireny ho fitaovam-pamonjena ny Fanahin’i Kristy, ka ny heriny dia avy amin’ny hafenoan’ny fahasoavana sy ny fahamarinana nankinin’i Kristy tamin’ny Fiangonana katôlika. Ireny soa rehetra ireny dia avy amin’i Kristy sy mitondra mankany Aminy jer. EK 3., ary amin’ireny ihany no mitaky ny “firaisana katôlika” FF 8..
Miroso ho amin’ny firaisana
Ny firaisana, “izany no eken’i Kristy ho an’ny Fiangonany hatrany am-piandohana. Mino isika fa maharitra amin’ny fomba tsy mety very izany, ao amin’ny Fiangonana katôlika, ary manantena isika fa hitombo isan’andro isan’andro izany mandra-pahatapitry ny taona rehetra” EK 4.. Omen’i Kristy lalandava ny Fiangonany ny fanomezana ho amin’ny firaisana, nefa tsy maintsy mivavaka sy miasa lalandava ny Fiangonana mba hitazonana, hanamafisana ary handavorariana ny firaisana izay sitrak’i Kristy ho azy. Izany no nahatonga ny Tenan’i Jesoa nivavaka tamin’ny oran’ny fijaliany, ary tsy mitsahatra mitalaho amin’ny Ray Izy mba ho an’ny firaisan’ny mpianany : “… Mba ho iray izy rehetra, Tahaka Anao, Ray, ao Amiko, ary Izaho ao Aminao, izy ireo koa anie mba ho iray ao Amintsika, mba hinoan’ izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy” (Jo 17,21). Ny faniriana hahita indray ny firaisan’ny kristianina rehetra dia fanomezana avy amin’i Kristy sy antson’ny Fanahy Masina jer. EK 1..
Mba hamaliana izany araka ny sahaza azy, dia takìna : - ny fihavaozana tsy tapaka ao amin’ny Fiangonana, ao anatin’ny tsy fivadihana lehibe indrindra amin’ny fiantsoana azy. Izany fanavaozana izany no herin’ny hetsika mankamin’ny firaisana jer. EK 6.; - ny fibebahan’ny fo “mba hiaina ao anatin’ny fahadiovana kokoa araka ny Evanjely” jer. EK 7., satria ny fivadihan’ireo rantsambatana amin’ny fanomezan’i Kristy no miteraka ny fisaraham-bazana; - ny fiaraha-mivavaka, satria “ny fibebahan’ny fo sy ny fahamasinam-piainana, atambatra amin’ny vavaky ny daholobe sy ny an’ny tsirairay ho amin’ny firaisan’ny kristianina, dia tsy maintsy heverina ho aina mamelona ny ekiomenisma manontolo, ary azo antsoina ara-drariny hoe ekiomenisma ara-panahy” EK 8.; - ny fifankahalalana maha-mpiray tam-po ara-pinoana jer. EK 9.; - ny fanofanana momba ny ekiomenisma ho an’ny mpino, fa indrindra ho an’ny Pretra jer. EK 10.; - ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny samy teôlôjianina sy ny fihaonan’ny samy kristianina avy amin’ny Fiangonana samihafa sy ny fikambanana samy hafa jer. EK 4; 9;11.; - ny fiaraha-miasan’ny samy kristianina eo amin’ny sehatr’asa samihafa amin’ny asan’olombelona jer. EK 12..
“Mahakasika ny Fiangonana manontolo : ny mpino sy ny mpiandry ondry” EK 5.,ny mameno ny saina hahatanteraka ny firaisana. Kanefa koa tsy maintsy “mahatsiaro tena fa izany fikasana masina izany, izany hoe ny fampihavanana ny kristianina rehetra ho anatin’ny firaisana maha-tokana sy itambaran’ny Fiangonan’i Kristy, dia mihoatra ny tanjaky ny olombelona sy ny herim-pahaizany”. Izany indrindra no hametrahantsika ny fanantenantsika manontolo “amin’ny vavak’i Kristy ho an’ny Fiangonana, ao amin’ny fitiavan’ny Ray ny amintsika, ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina” EK 24..
II.Masina ny Fiangonana
“Ny Fiangonana (…) dia masina amin’ny fomba maharitra lalandava eo imason’ny finoana. Satria i Kristy, Zanak’Andriamanitra, izay ankalazaina, miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, ho “hany Masina”, dia tia ny Fiangonana ho vadiny, ka nanolo-tena ho azy mba hanamasina azy, sy nampiray azy ho Vatany, ary nameno soa azy tamin’ny fanomezana ny Fanahy Masina, ho Voninahitr’Andriamanitra” FF 39.. Noho izany, ny Fiangonana no “Vahoaka masin’Andriamanitra” FF 12., ary antsoina hoe “masina” jer. Asa 9,13; 1 Kôr 6,1; 16,1. ny mpikambana ao aminy.
Ny Fiangonana, miray amin’i Kristy, dia nohamasinin’ny Tenany ; amin’ny alalany sy ao Aminy dia manjary mahamasina koa izy. “Ny tanjona iafaran’ny tsanganasa rehetra ataon’ny Fiangonana dia ny fanamasinana ny olombelona ao amin’i Kristy sy ho amin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra” L 10.. Ao amin’ny Fiangonana no itahirizana ny “hafenoan’ny fitaovam-pamonjena rehetra” EK 3.. Ao aminy no “andraisantsika ny fahamasinana amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra” FF 48..
“ Efa miravaka fahamasinana tena izy, ny Fiangonana, eto an-tany, na mbola tsy lavorary aza” FF 48.. Mbola ezahina ho azo, ao amin’ireo rantsambatany, ny fahamasinana lavorary : “Manoloana ny habetsahana sy ny halehiben’ny fitaovam-pamonjena, izay rehetra mino an’i Kristy na manao ahoana na manao ahoana ny fomban’izy ireo sy ny lalam-piainana arahin’izy ireo, dia samy antsoin’Andriamanitra tsirairay amin’ izany lalam-piainany izany ho amin’ny fahamasinana, ka ny fahalavorarian’ny Ray ihany no fahalavorariany” FF 11..
Ny fifankatiavana no aina mamelona ny fahamasinana izay iantsoana ny olon-drehetra : “Izy no mitarika ny fitaovam-panamasinana rehetra, manome an’ireo ny ain’izy ireo sy mitondra an’ireo amin’ny tanjom-piafaràn’izy ireo” FF 42. : Azoko an-tsaina fa raha nanana vatana ny Fiangonana, itambaran’ny rantsambatana samy hafa, ny ilaina indrindra, ny mendrika indrindra amin’izy rehetra dia tsy maintsy ho tao, azoko an-tsaina fa manana Fo ny Fiangonana ary io Fo io dia MIREHI-PITIAVANA. Azoko an-tsaina fa ny Fitiavana irery no nampiasa ny rantsambatan’ny Fiangonana, fa raha ny Fitiavana no manjary maty, tsy ho nanambara ny Vaovao Mahafaly intsony ny apôstôly, ho nandà handatsaka ny rany ireo Martiry (…). Azoko an-tsaina fa NY FITIAVANA NO MIRAKITRA NY FIANTSOANA MANONTOLO, NY FITIAVANA NO ZAVA-DREHETRA, IZY NO MANENIKA NY FOTOANA REHETRA SY NY TOERANA REHETRA (…) RAHA ATAO INDRAY MILAZA, HO MANDRAKIZAY IZY Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, ms. Autob. B 3v.!
“Noho i Kristy masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, tsy tonga afa-tsy mba hanonitra ny fahotan’ny vahoaka, dia tsy nahalala ota; ny Fiangonana kosa, izay misy mpanota ao aminy, dia sady masina no antsoina hidio, ary manohy tsy an-kijanona ny ezaka ataony ho amin’ny fivalozana sy ny fanavaozana” FF 8; jer. koa EK 3; 6.. Ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana, ao anatin’izany ny mpandraharaha masiny, dia tsy maintsy miaiky ho mpanota jer. 1 Jo 1,8-10.. Ao amin’izy rehetra, ny ahi-dratsin’ny fahotana, dia mbola hita mifangaro amin’ny voa tsaran’ny Vaovao Mahafaly, mandra-pahatongan’ny farandro jer. Mt 13,24-30.. Ny Fiangonana àry no mamondrona ny mpanota nahazo ny famonjen’i Kristy, nefa mbola eo an-dalan’ny fanamasinan-tena lalandava :
Masina ny Fiangonana na dia misy mpanota aza ao anatiny, satria tsy manana aina hafa ny tenany afa-tsy ny an’ny fahasoavana : amin’ny fivelomana ny fiainany no hanamasinan’ny mpikambana ao aminy ny tenany; amin’ny tsy fivelomana ny fiainany no mahatonga azy ireo ho latsaka ao anatin’ny fahotana sy ny korontana izay misakana ny famirapiratry ny fahamasinany. Izany no mahatonga azy hijaly sy hanao asa fivalozana amin’ireny fahadisoana ireny, izay izy no manana ny fahafahana hanasitrana ny zanany amin’ny alalan’ny ran’i Kristy sy ny fanomezana ny Fanahy Masina SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
Amin’ny fananganana ho olomasina ireo mpino sasantsasany, izany hoe amin’ny fanambaràna manetriketrika fa ireny mpino ireny dia nampiasa ny hatsaram-panahy tamin-kerim-po sy niaina tamim-pitokiana ny fahasoavan’Andriamanitra, no ahatsapan’ny Fiangonana ny herin’ny Fanahin’ny fahamasinana ao aminy, ary manohana ny fanantenan’ny mpino izy amin’ny fanomezana azy ireo olomasina ho môdely sy mpitalaho jer. FF 40; 48-51.. “Loharano sy fiandoham-panavaozana lalandava tao anatin’ ny fotoana sarotra indrindra nodiavin’ny tantaran’ny Fiangonana, ny olomasina lehilahy sy vehivavy” CL 16,3.. Satria,“ny fahamasinana no loharano miafina sy fandrefesana tsy mety mandiso amin’ny raharaha maha-apôstôly azy sy amin’ny ezaka maha-misiônera azy” CL 17,3..
“Ao amin’ny tenan’ilay Virjiny sambatra ny Fiangonana no efa mahatratra sahady ny fahalavorariana izay mahatonga azy ho tsy misy panda na kentrona. Ireo mpinon’i Kristy, dia mbola mikely aina mba hitombo fahamasinana, amin’ny alalan’ny fandresena ny fahotana : izany no antony mahatonga azy ireo hiandrandra an’i Maria” FF 65. : efa masina tanteraka ny Fiangonana, ao aminy.
III.Katôlika ny Fiangonana
Inona no dikan’ny hoe “katôlika” ?
Ny teny hoe “katôlika dia midika hoe “manerana ny tany tontolo” amin’ny hevitra hoe “maha-fitambarana manontolo” na “maha-fahafenoana manontolo”. Katôlika ny Fiangonana amin’ireto hevitra anankiroa ireto : Katôlika izy satria ao aminy lalandava i Kristy : “Izay misy an’i Kristy Jesoa dia misy ny Fiangonana Katôlika” Md Ignace d’Antioche, Smyrn. 8,2.. Ao aminy no aharetan’ny hafenoan’ny Vatan’i Kristy miray amin’ny Lohany jer. Efez 1,22-23., izay milaza tsy mivantana fa raisin’ny Fiangonana avy amin’i Kristy “ny hafenoan’ny fitaovam-pamonjena” AFF 6 izay ankasitrahany : fiekem-pinoana mahitsy sy feno, fiainana ara-tsakramenta tsy misy tomika ary andraiki-panompoana masina avy amin’ny fifandimbiasana maha-apôstôly. Ny Fiangonana, amin’izany votoatin-kevitra izany, dia katôlika tamin’ny andron’ny Pantekôty jer. AFF 4., ary ho izany lalandava izy mandra-pahatongan’ny Andro hiverenan’ny Tompo amim-boninahitra.
Katôlika izy satria nirahin’i Kristy hampiely ny finoana manerana ny tontolom-piainan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka jer. Mt 28,19. :
Voantso ho anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra ny olombelona rehetra. Noho izany io Vahoaka io , izay maharitra ho iray sy itambarana hatrany, dia natao hiitatra amin’ny sehatra maro manerana ny tontolon’ny zavatra rehetra sy hanenika ny taonjato rehetra mifandimby, mba ho tanteraka izay nalahatry ny sitrapon’Andriamanitra nahary hatrany am-piandohana ny olombelona ho amin’ny firaisana, sy tamin’ny fanapahan-kevitra hanangona, nony farany, ireo zanany niparitaka mba ho anatin’ny firaisana (…). Io toetra manerana ny tontolom-piainana rehetra io, izay mamiratra eo amin’ny Vahoakan’ Andriamanitra, dia fanomezana avy amin’ny Tenan’Izy Tompo, ka mahatonga ny Fiangonana katôlika, amin’ny fomba mandaitra sy maharitra, hiezaka hamondrona ny olombelona manontolo miaraka amin’izay soa rehetra ananany eo ambany fahefan’i Kristy filoha, ao amin’ny firaisana amin’ny Fanahiny FF 13..
“Katôlika” ny Fiangonana tsirairay eo an-toerana
“Ny Fiangonan’i Kristy dia hita marina tokoa ao amin’ireo vondron’ny mpino rehetra ara-dalàna eo an-toerana, miray amin’ireo mpitondra azy, izay nandray ny anarana hoe Fiangonana, ao amin’ny Testamenta Vaovao (…). Ao amin’izy ireny : angonin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafalin’i Kristy ny mpino ; ankalazaina ny misterin’ny Sakafo farany nataon’ny Tompo (…). Ao amin’ireny ankohonam-piangonana ireny, na bitika sy mahantra toy inona aza izy ireny matetika na koa miparitaka, dia ao i Kristy amin’ny hery izay manambatra ny Fiangonana ho iray, masina, katôlika ary apôstôlika” FF 26..
Ny antsoina hoe Fiangonana eo an-toerana, izay tsy inona fa ny diôsezy (na faritanim-piangonana), dia ankohonan’ireo mpino kristianina miombona ao amin’ny finoana sy ny sakramenta miaraka amin’ny Evekan’izy ireo nohamasinina tao anatin’ny fifandimbiasana maha-apôstôly jer. AE 11; CIC, can. 368-369; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 177 § 1; 178; 311 § 1; 312.. Ireny Fiangonana eo an-toerana ireny “dia voaorina hitovy endrika amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo; ao amin’izy ireny sy miainga avy amin’izy ireny no isian’ny Fiangonana katôlika iray sy iraisana” FF 23..
Ny Fiangonana eo an-toerana dia katôlika manontolo amin’ny alalan’ny fiombonana amin’ilay anankiray amin’ny samy izy ireo, dia ny Fiangonan’i Rôma “ izay mitondra ho amin’ny fifankatiavana” Md Ignace d’Antioche, Rom. 1,1.. “Satria, miaraka amin’io Fiangonana io, noho ny fiandohany ambony tokoa, no tsy maintsy hifanarahan’ny Fiangonana manontolo, izany hoe ny mpino na avy aiza na avy aiza” Md Irénée, haer. 3,3,2: noraisin’ny Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. “Noho izany, raha vao nidina tety amintsika ny Teny tonga nofo, ny Fiangonana kristianina rehetra na aiza na aiza dia nitana sy mitana an’ilay Fiangonana lehibe izay eto (Rôma) ho fototra tokana sy fanorenana, satria, araka ny fampanantenana avy amin’ny Mpamonjy ihany, ny vavahadin’ny afobe dia tsy maharesy azy na oviana na oviana” Md Maxime le Confesseur, opusc..
“Ny Fiangonana manerana ny tany tontolo dia tsy tokony hoferana ho toy ny fitambarana tsotra na vondrom-Piangonana eo an-toerana. Fa ambonin’izany ny Fiangonana, manerana ny tany tontolo noho ny fiantsoana sy ny fanirahana, izay miorim-paka eo amin’ny sehatra samihafa ara-kolontsaina, ara-tsôsialy ary maha-olona, amin’ny fakana ny endrika sy ny fomba fanehoana isan-karazany eo amin’ny faritra tsirairay an’izao tontolo izao” EN 62.. Ny fahamaroan’ny sampam-pahalalana ao amin’ny Fiangonana, ny fombam-pivavahana ara-litorzia, ary ny lovam-pahalalana ara-teôlôjia sy ara-panahy manokana ho an’ny Fiangonana eo an-toerana, dia “ mampiseho miharihary, amin’ny alalan’ny fifanojoan’izy ireny ao anatin’ny firaisana, ny maha-katôlika ny Fiangonana iray tsy mivaky” FF 23..
Iza no anisan’ny Fiangonana katôlika ?
“Ho amin’ny firaisana katôlikan’ny Vahoakan’Andriamanitra (…) no iantsoana ny olombelona rehetra ; ao amin’io firaisana amin’ny endrika samihafa na andaminany azy io, ny mpino katôlika, sy ireo hafa izay manana finoana ao amin’i Kristy, ary farany ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, no antsoin’ny fahasoavan’ Andriamanitra ho amin’ny famonjena” FF 13. :
“Ny tafiditra ho mpikambana manontolo ao amin’ny fikambanana, izay tsy inona fa ny Fiangonana, dia ireo izay manana ny Fanahin’i Kristy, ka manaiky manontolo ny rafi-pandaminany sy ny fitaovam-pamonjena rehetra naorina ao aminy, ary ankoatra izany, noho ny fifamatorana naorin’ny fiekem-pinoana, ny sakramenta sy ny fitondram-piangonana ary ny fiombonana, dia tafaray, ao anatin’ny fitambaran’ny Fiangonana hita maso, amin’i Kristy izay mitarika azy amin’ny alalan’ny Papa Ray Masina sy ireo Eveka. Ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana anefa tsy miantoka ny famonjena, noho ny tsy fitozoana amin’ny fitiavana, ho an’izay mijanona ho ny “vatany” ihany no ao amin’ny Fiangonana, fa ny “fony” FF 14. tsy ao velively.
“Miaraka amin’ireo izay mitondra ny anarana mendrika hoe kristianina, amin’ny fahavitany batemy, kanefa tsy manaiky manontolo ny finoana na tsy mitandrina ny firaisam-piombonana amin’ny dimbin’i Piera, no ahaizan’ny Fiangonana miray amin’izy ireny amin’ny antony maro” FF 15.. “ Ireo izay mino an’i Kristy sy izay nandray ara-dalàna ny Batemy, dia manana fiombonana ihany amin’ny Fiangonana katôlika EK 3., na dia tsy lavorary aza izany.” Miaraka amin’ny Fiangonana ôrtôdôksa, io fiombonana io dia lalina tokoa “izay zavatra bitika sisa tsy ampy aminy mba hahatratrarany tanteraka amin’ny fanomezan-dalana azy hiara-mankalaza ny Eokaristian’ny Tompo” Paul VI, lahateny tamin’ny 14 desambra 1975; jer. koa EK 13-18..
Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina
“Ireo tsy mbola nandray ny Vaovao Mahafaly, amin’ny endriny maro samihafa, dia natao koa ho anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra” FF 16. : Ny fifandraisan’ny Fiangonana amin’ny Vahoaka Jody. Ny Fiangonana, Vahoakan’ Andriamanitra ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, dia mahatsapa, amin’ny fanadihadiana ny mistery momba azy, ny fifamatorany amin’ny Vahoaka Jody jer. FFTK 4., “izay taminy no voalohany nitenenan’Andriamanitra” MR, Zomà Masina 13: ranombavaky ny mpino VI.. Ny tsy itoviany amin’ny fivavahana hafa tsy kristianina, ny finoana jody dia efa valin-teny rahateo amin’ny fanambaràn’Andriamanitra ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha. Ny Vahoaka Jody “no nanana ny fananganan-janaka, ny voninahitra, ny fanekem-pihavanana, ny didy aman-dalàna, ny fanompoam-pivavahana, ny fampanantenana ary ireo patriarka, izy izay avy aminy no teraka, araka ny nofo, i Kristy” (Rôm 9,4-5) satria “tsy misy anenenana ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra” (Rôm 11,29).
Ankoatr’izany, rahefa dinihina ny hoavy, ny Vahoakan’Andriamanitra tao amin’ ny Fanekem-pihavanana Taloha sy ny Vahoaka vaovao an’Andriamanitra dia mikendry tanjona mitovy : ny fiandrasana ny fahatongavan’ny Mesia (na ny fiverenany indray). Ny andrasana anefa, etsy an-daniny, dia ny fiverenan’ny Mesia, maty sy nitsangan-ko velona, nekena ho Tompo sy Zanak’Andriamanitra, ary etsy an-kilany ny fahatongavan’ny Mesia, izay mbola takona ny ho endriny, amin’ny farandro, dia fiandrasana arahina fitaintainana amin’ny tsy fahalalana na tsy fahazoana an-tsaina an’i Kristy Jesoa.
Ny fifandraisan’ny Fiangonana amin’ny Silamo. “Ny fandaharam-pamonjena, dia natao hiarovana ihany koa ireo izay miaiky ny Mpahary, ka voalohany amin’izany ny silamo izay manambara ampahibemaso fa mitana ny finoan’i Abrahama, mitsaoka miaraka amintsika an’Ilay Andriamanitra tokana, mpamindra fo, mpitsara ny olombelona amin’ny farandro” FF 16; jer koa FFTK 3..
Ny fifamatoran’ny Fiangonana amin’ireo antokom-pinoana tsy kristianina dia voalohany, ny an’ny fiandohana sy ny fiafarana iombonan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka :
Satria, ny firenena rehetra dia mitambatra ho fiombonana tokana ihany ; fiandohana iray ihany ny azy ireo, satria nataon’Andriamanitra honina eto ambonin’ny tany ny taranak’olombelona rehetra ; manana tanjom-piafaràna tokana koa izy ireo, dia Andriamanitra, izay ny fitahiana, ny fanehoana hatsaram-panahy ary ny fandaharam-pamonjena, dia mivelatra amin’ny rehetra, mandra-pahatongan’ny olom-pinidy ho tafangona ao amin’ilay tanàna masina FFTK 1..
Fantatry ny Fiangonana ao amin’ireo antokom-pinoana hafa ny fikatsahana, “mbola manjavozavo sy amin’ny sary an’ohatra”, an’Andriamanitra tsy fantatra nefa akaiky noho Izy manome ho an’ny rehetra ny aina, ny fofon’ aina ary ny zavatra rehetra, sy noho Izy tia ny hahavoavonjy ny olombelona rehetra. Araka izany, asian’ny Fiangonana lanjany izay rehetra mety ho hita fa tsara sy marina ao amin’ny antokom-pinoana rehetra “ho toy ny fanomanana amin’ny evanjely sy ho toy ny fanomezana avy amin’Ilay izay manazava ny olombelona manontolo, mba hananany ny fiainana, amin’ny farany” FF 16; jer. koa FFTK 2; EN 53..
Kanefa amin’ny fihetsika amam-pitondran-tena ara-pivavahan’izy ireo, ny olombelona dia mampiseho koa ny fetra sy ny fahadisoana izay manimba ao amin’izy ireo ny endrik’Andriamanitra :
Matetika tokoa, noho izy voafitak’ilay mpisompatra, dia nivaona tamin’ny fisainany izy ireo, fa natakalon’izy ireo lainga ny fahamarinan’ Andriamanitra, tamin’ny fanompoana ny zavaboary toy izay ny Mpahary, na koa noho izy velona sy maty tsy misy Andriamanitra amin’ity tany ity, dia mitolo-tena eo amin’ny toeran’ny famoizam-po tanteraka izy ireo FF 16..
Mba hanangona indray ny zanany rehetra izay naparitaky ny fahotana sy naniasia no nahatonga ny Ray hiantso ny olombelona rehetra ho ao amin’ny Fiangonan’ny Zanany. Ny Fiangonana no toerana tokony hahitan’ny olombelona ny maha-iray azy sy ny famonjena azy. Izy no “izao tontolo izao tafahavana indray” Md Augustin, serm. 96,7,9.. Izy no ilay sambo izay “namakivaky tokoa an’izao tontolo izao amin’ny fitsofan’ny Fanahy Masina eo ambanin’ny lain’ny Hazofijalian’ny Tompo” Md Ambroise, virg. 18,119. araka ny sary an’ohatra hafa mamin’ny Aban’ny Fiangonana, izy no naseho an-tsarin’ny Sambofiaran’i Nôe izay hany mahavonjy amin’ny safo-drano jer. 1 Pi 3,20-21..
“Ivelan’ny Fiangonana, tsy misy famonjena”
Ahoana no tokony handraisana io filazana marina miverimberina matetika teo am-bavan’ny Aban’ny Fiangonana io ? Raha lazaina mazava amin’ny fomba tsy misy isalasalana, dia midika fa ny famonjena rehetra ataon’ny Fiangonana izay Vatan’i Kristy, dia avy amin’i Kristy-Loha avokoa :
Ny Kônsily, miankina amin’ny Soratra Masina sy ny Lovam-pampianarana, dia mampianatra fa ity Fiangonana mivahiny eto an-tany ity dia ilaina amin’ny famonjena. Satria, i Kristy irery ihany no mpanalalana sy lalam-pamonjena ; ary manjary tonga eo amintsika Izy ao amin’ny Vatany dia ny Fiangonana izany ; sady samy namafisiny tamintsika, raha nampianatra antsika tamin’ny fomba mazava Izy, fa izay ilana ny finoana sy ny Batemy, dia ilana ny Fiangonana ihany koa, izay ao aminy ny olombelona no miditra amin’ny alalan’ny varavaran’ny Batemy. Noho izany, ireo izay mandà na ny tsy hiditra ao amin’ny Fiangonana katôlika, na ny tsy haharitra ao, nefa mahalala fa naorin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa-Kristy ho tsy maintsy ilaina ny Fiangonana katôlika, dia mety tsy ho voavonjy izy ireny FF 14..
Io filazana marina io dia tsy mahakasika an’ireo izay tsy mahalala an’i Kristy sy ny Fiangonany, noho ny fahadisoana tsy avy amin’izy ireo :
Satria, ireo izay tsy mahalala ny Vaovao Mahafalin’i Kristy sy ny Fiangonany, izay tsy fahadisoana ho azy ireo ny tsy fahalalana izany, kanefa mitady an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy miezaka hiasa, eo ambany fanampian’ny fahasoavany, mba hanatanteraka ny sitrapony araka ny kônsiansin’izy ireo izay manambara izany amin’izy ireo sy manoro izany amin’izy ireo, dia mety hahatafita azy ireo any amin’ny famonjena mandrakizay FF 16; jer. koa DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
“Na dia afaka aza Andriamanitra, amin’ny lalana fantatr’Izy irery ihany, mitondra ireo olona tsy mahalala ny Vaovao Mahafaly, izay tsy fahadisoana ho azy ireo ny tsy fahalalana izany, ho amin’ny finoana izay raha tsy misy izany tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra jer. Heb 11,6., dia manana adidy sady zo masina ny Fiangonana, hitory ny Evanjely” AFF 7. amin’ny olombelona rehetra.
Ny fanirahana – adidy iray takìn’ny maha-katôlika ny Fiangonana
Ny fahefana maha-misiônera. “Ny Fiangonana, noho izy nirahin’ Andriamanitra ho amin’ny firenena rehetra mba ho sakramentam-pamonjena ny daholobe, sy noho ireo adidy manokana takìn’ny maha-katôlika azy sy amin’ny fanekena ny didin’ny mpanorina azy, dia miezaka amin’ny heriny manontolo ho amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny olombelona rehetra” AFF 1. : “Koa mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary ampianaro izy ireny hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo lalandava ambara-pahatongan’ny faran’ izao tontolo izao” (Mt 28,19-20).
Ny fiandohana sy ny tanjon’ny fanirahana. Ny fara loharanon’ny fahefana maha-misiôneran’ny Tompo dia ao amin’ny fitiavana mandrakizain’ny Trinite Masina Indrindra : “Amin’ny fomba aman-toetra maha-izy azy, ny Fiangonana, mandritra ny fivahiniany ety an-tany, dia misiônera, satria na ny fiandohan’ny tenany aza dia avy amin’ny fanirahana ny Zanaka sy ny fanirahana ny Fanahy Masina, araka ny fandaharan’Andriamanitra Ray” AFF 2.. Ary ny tanjona faran’ny fanirahana dia tsy hafa fa ny mampandray anjara ny olombelona amin’ny fiombonana izay misy eo amin’ny Ray sy ny Zanaka ao amin’ny Fanahim-pitiavan’izy ireo jer. Joany Paoly II, RM 23..
Ny anton’ny fanirahana. Avy amin’ny fitiavan’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra no nandraisan’ny Fiangonana lalandava ny adidy aman’ andraikitra sy ny herin’ny ezaka ataony amin’ny maha-misiônera : “Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay….”(2 Kôr 5,14) jer. APL 6; RM 11.. Satria, “tian’ Andriamanitra ny hahavoavonjy ny olombelona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina” (1 Tim 2,4). Sitrak’Andriamanitra ny famonjena ny olona rehetra amin’ny fahalalana ny fahamarinana. Ao amin’ ny marina no misy ny famonjena. Ireo izay mankato ny fanentanan’ny Fanahin’ny fahamarinana dia efa eny an-dalam-pamonjena sahady ; kanefa ny Fiangonana, izay taminy no nanankinana izany fahamarinana izany, dia tsy maintsy mihaona amin’ireo maniry izany mba hanomezany ho azy ireo izany. Satria noho izy mino ny fandaharam-pamonjena manenika an’izao tontolo izao, dia tsy maintsy ho misiônera izy.
Ny lalan-kizorana amin’ny fanirahana. “Ny Fanahy Masina no tompon-draharaha voalohany amin’ny fanirahana rehetra sahanin’ny Fiangonana” RM 21.. Izy no mitondra ny Fiangonana amin’ny lalan-kizorana amin’ny fanirahana. Ny Fiangonana “no manohy sy manitatra eny am-pamakivakiana ny tantara eny ny fanirahana ny Tenan’i Kristy, izay nirahina hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo ; koa ny lalana izay nizoran’ny Tenan’i Kristy ihany àry, eo ambany fandrisihan’ny Fanahin’i Kristy, no tsy maintsy hizoran’ny Fiangonana, izany hoe mandalo amin’ny lalan’ny fahantrana, ny fanekena, ny fanompoana ary ny fanoloran-tena ho sorona hatramin’ny fahafatesana, izay nivoahan’i Kristy ho mpandresy tamin’ny alalan’ny fitsanganany ho velona” AFF 5.. Izany no mahatonga “ny ran’ny martiry ho voa nafafy mahavokatra kristianina” Tertullien, apol. 50,13..
Kanefaamin’ny fivahiniany ny Fiangonana dia mahalala tamim-pahazarana koa ny “elanelana izay mampisaraka ny hafatra ambarany sy ny halemen’olombelona amin’ireo izay anankinana izany Vaovao Mahafaly izany” FAA 43, § 6.. Koa tsy misy afa-tsy ny firosoana amin’ny lalan’ “ny fivalozana sy ny fihavaozana” FF 8; jer koa 15. ary “amin’ny varavarana tery izakana ny Hazofijaliana” FAA 1. no ahafahan’ny Vahoakan’ Andriamanitra manitatra ny Fanjakan’i Kristy jer. RM 12-20.. Satria, “tahaka ny naha tao anatin’ny fahantrana sy ny fanenjehana izay nanatanterahan’i Kristy ny Fanavotana, no iantsoana koa ny Fiangonana hiditra ao amin’io lalana io ihany mba hampitana amin’ny olombelona ny vokatry ny famonjena” FF 8..
Amin’ny fanirahana azy ihany “ny Fiangonana no miara-dalana amin’ny olombelona manontolo sy miara-mizaka ny anjara fiainana ara-nofon’izao tontolo izao ; toy ny lalivay izy, ary mova tsy aina mamelona ny fikambanan’ny olombelona antsoina hihavao ao amin’i Kristy sy hiova ho fianakavian’Andriamanitra” FAA 40, § 2.. Ny ezaka amin’ny maha-misiônera izany, dia mitaky faharetana. Manomboka amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny vahoaka sy amin’ireo vondron’olona izay tsy mbola mino an’i Kristy izany jer. RM 42-47. ; avy eo mitohy amin’ny fananganana ankohonana kristianina, izay tokony ho “famantarana ny maha-eo amin’izao tontolo izao an’ Andriamanitra” FAA 15., sy amin’ny fanorenana ny Fiangonana eo an-toerana jer. RM 48-49. ; mampiditra ny fizotran’ny fampanaraham-bolon-tany ny kolontsaina, mba hahatonga nofo ny Vaovao Mahafaly ao amin’ireo kolontsaim-pirenena jer. RM 52-54. ; tsy tokony ho hadinoina ny mahatsapa koa ny tsy fahombiazana. “Ny amin’izay mikasika ny olombelona, ny vondron’olona ary ny vahoaka, dia miandalana no ahatratran’ny Fiangonana azy ireo sy ahatafidirany ao amin’izy ireo, ary izakany ao aminy azy ireo araka izany, ho katôlika tanteraka” FAA 6..
Ny fanirahana ny Fiangonana dia mila ezaka ho amin’ny firaisan’ny kristianina jer. RM 50.. Satria, “ny fisaraham-bazana eo amin’ny samy kristianina dia misakana ny Fiangonana tsy hahatanteraka ny hafenoan’ny maha-katôlika, izay toetrany manokana ao amin’ireo zanany, izay marina fa azy tamin’ny alalan’ny Batemy, nefa tafasaraka amin’ny fiombonana tanteraka aminy. Ary na ho an’ny tenan’ny Fiangonana ihany aza, manjary sarotra kokoa ny maneho amin’ny endriny rehetra ny hafenoan’ny maha-katôlika eo amin’ny tena fiainany marina” EK 4..
Ny lahasa maha-misiônera dia mila fifanakalozan-kevitra amim-panajana eo amin’ireo izay tsy mbola manaiky ny Vaovao Mahafaly jer. RM — Redemptoris Mater.. Ny mpino dia afaka maka tombon-tsoa ho an’ny tenan’izy ireo ihany avy amin’io fifanakalozan-kevitra io amin’ny fianarana hahalala tsaratsara kokoa “izay rehetra efa misy ny fahamarinana sy ny fahasoavana ao amin’ireo firenena ho porofon’ny maha-eo an’Andriamanitra amin’ny fomba miafina” FAA 9.. Raha mitory ny Vaovao Mahafaly amin’ireo izay tsy mahalala izany izy ireo, dia ny mba hanamafy, hameno ary hanandratra ny marina sy ny soa izay afafin’Andriamanitra eo anivon’ny olombelona sy ny vahoaka, ary mba handiovana azy ireo amin’ny fahadisoan-kevitra sy ny faharatsiana “ho voninahitr’ Andriamanitra, ho henatry ny demony ary ho fahasambaran’ny olombelona” FAA 9..
IV.Apôstôlika ny Fiangonana
Apôstôlika ny Fiangonana satria naorina eo ambonin’ny apôstôly, ary mirakitra hevitra telo izany : - naorina ary mbola miorina hatrany eo “ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly” izy (Efez 2,20) jer. Apôk 21,14., dia ireo vavolombelona nofidin’ny Tenan’i Kristy ihany sy nirahiny hanatanteraka ny iraka jer. Mt 28,16-20; Asa 1,8; 1 Kôr 9,1; 15,7-8; Gal 1,1; sns. ; - izy no mitahiry sy mampita, miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy izay monina ao aminy, ny fampianarana jer. Asa 2,42., ny tahiry tsara, ny teny marina heno tamin’ny apôstôly jer. 2 Tim 1,13-14. ; - tsy mitsahatra ampianarina, amasinina ary tantanan’ny apôstôly izy mandra-piverin’i Kristy, noho ireo izay mandimby azy ireo amin’ny fiadidiana pastôraly sahanin’izy ireo : ny fiombonam-piadidian’ireo Eveka “ampian’ireo Pretra, miombona amin’ny dimbin’i Piera, mpiandry ondry fara tampon’ny Fiangonana” FAA 5.: Ry Ray mandrakizay ô, tsy mandao ny andian’ondrinao Ianao fa miandry azy Ianao amin’ny alalan’ny apôstôlinao sambatra eo ambany fiarovanao maharitra. Mbola mitarika azy Ianao amin’ny alalan’ireo mpiandry ondry ireo ihany izay manohy ny asan’ny Zanakao ankehitriny MR, Prefasin’ny apôstôly..
Ny fanirahana ny apôstôly
Iraky ny Ray i Jesoa. Hatrany am-piandohan’ny raharaham-pamonjeny Izy no “niantso ireo izay tiany hantsoina hankeo Aminy, ary nanendry Roa ambin’ny folo lahy tamin’izany hiara-kitoetra Aminy sy hirahiny hitory teny” (Mk 3,13-14). Koa noho izany, izy ireo no “iraka” irahiny (izay dikan’ny teny grika hoe apostoloi). Ao amin’izy ireo no mitohy ny asa nanirahana ny Tenan’i Jesoa : “Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo koa” (Jo 20,21) jer. Jo 13,20; 17,18.. Koa ny andraiki-panompoan’izy ireo àry dia ny fanohizana ny asa nanirahana ny Tenan’i Jesoa : “Izay mandray anareo, mandray Ahy”, hoy Izy tamin’ny Roa ambin’ny folo lahy (Mt 10,40) jer. Lk 10,16..
Nampiraisin’i Jesoa amin’ny fanirahana Azy noraisiny avy amin’ny Ray izy ireo : satria “tsy mahazo manao na inona na inona ho an’ny Tenany ihany ny Zanaka” (Jo 5,19.30) fa mandray ny zavatra rehetra avy amin’ny Ray izay naniraka Azy, tahaka izany ireo izay irahin’i Jesoa dia tsy afa-manao na inona na inona raha tsy Izy jer. Jo 15,5. izay andraisan’izy ireo ny fahefana amin’ny fanirahana sy ny fahefana hanatanteraka izany. Koa fantatry ny apôstôlin’i Kristy àry fa izy ireo dia voahosotr’Andriamanitra ho “mpandraharaha masin’ny fanekem-pihavanana vaovao” (2 Kôr 3,6), “mpandraharaha masin’Andriamanitra”( 2 Kôr 6,4), “masoivohon’i Kristy” (2 Kôr 5,20) “mpanompon’i Kristy sy mpizara ny misterin’Andriamanitra” (1 Kôr 4,1).
Amin’ireo fiadidian’ny apôstôly, dia misy sehon-javatra iray tsy mety ampitaina : ny nifidianana azy ireo ho vavolombelon’ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona sy ho vato fototry ny Fiangonana. Kanefa misy koa ny sehon-javatra maharitra eo amin’ny fiadidian’izy ireo. Nampanantena azy ireo i Kristy fa ho eo amin’izy ireo ambara-pahatongan’ny farandro jer. Mt 28,20.. “Ny fanirahan’Andriamanitra nankinin’i Jesoa tamin’ny apôstôly dia natao haharitra hatramin’ny faran’ny taonjato rehetra, satria ny Evanjely izay tsy maintsy ampitain’izy ireo, ho an’ny Fiangonana, no fototry ny fiainany manontolo, mandritra ny faharetan’ny fotoana rehetra. Izany no nahatonga ny apôstôly nikarakara ny fananganana (…) mpandimby azy ireo” FF 20..
Ny Eveka dimbin’ny apôstôly
”Mba hitohizan’ny fanirahana nankinina tamin’ny apôstôly aorian’ny fahafatesan’ izy ireo, dia nanome fahefana toy ny fara hafatra tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky izy ireo, mba hamita ny lahasan’izy ireo sy hanamafy ny tsanganasa natombok’izy ireo, tamin’ny nanafarana azy ireo hiahy ny andian’ondry izay amin’izany no nanendren’ny Fanahy Masina azy ireo hamahana ny Fiangonan’ Andriamanitra. Koa noho izany nanangana olona ho amin’ity sokajy ity izy ireo, ary taty aoriana, nanapaka fa aorian’ny fahafatesan’izy ireo, dia olona hafa voazaha toetra no handray ny andraiki-panompoan’izy ireo” FF 20; jer. koa Md Clément de Rome, Cor. 42; 44..
”Tahaka ilay adidy aman’andraikitra nankinin’ny Tenan’ny Tompo tamin’i Piera, ilay voalohany amin’ny apôstôly, sy natokana hampitaina amin’ireo mpandimby azy, natao ho adidy aman’andraikitra maharitra, no mampaharitra toy izany koa ny adidy aman’andraikitra nankinina tamin’ny apôstôly ho mpitondra Fiangonana, adidy aman’andraikitra izay ny filaharana masin’ny Eveka no tsy maintsy miantoka ny faharetany lalandava.” Izany no antony ampianaran’ny Fiangonana fa “ny Eveka, noho ny lalàna fototra naorin’Andriamanitra, no mandimby ny apôstôly ho mpitondra Fiangonana, hany ka ireo izay mihaino azy ireo, mihaino an’i Kristy, izay mandà azy ireo, mandà an’i Kristy sy Ilay izay naniraka an’i Kristy” FF 20..
Ny apôstôlà
Apôstôlika ny Fiangonana manontolo noho izy maharitra ao anatin’ny fiombonam-pinoana amam-piainana hatramin’ny fiandohany, amin’ny alalan’ny dimbin’i Md Piera sy ny apôstôly. Apôstôlika ny Fiangonana manontolo noho izy “irahina” manerana an’izao tontolo izao ; ny rantsambatana rehetra ao amin’ny Fiangonana, na dia samihafa aza ny fomba, dia mandray anjara amin’izany fanirahana izany. “Ny fiantsoana kristianina dia midika koa amin’ny fomba aman-toetra maha-izy azy fa fiantsoana ho amin’ny apôstôlà.” Ny antsoina hoe “apôstôlà”, dia “ny raharaha rehetra ataon’ny Vatana mistika” izay miezaka “hanitatra ny fanjakan’i Kristy manerana ny tany” APL 2..
“I Kristy nirahin’ny Ray no loharano sy fiandohan’ny apôstôlà rehetra ataon’ny Fiangonana”, koa miharihary fa ny fahavokaran’ny apôstôlà, na ny an’ny mpandraharaha voahosotra na ny an’ny lahika, dia miankina amin’ny fiombonan’izy ireo aina amin’i Kristy jer. Jo 15,5; APL 4.. Arakaraka ny fiantsoana, ny antso takìn’ny vaninandro, ny fanomezan-tsamihafa avy amin’ny Fanahy Masina, no ahazoan’ny apôstôlà endrika samihafa indrindra. Kanefa ny fitiavana lalandava, tovozina indrindra ao amin’ny Eokaristia, no “toy ny ain’ny apôstôlà rehetra” APL 3..
Iray, masina, katôlika ary apôstôlika ny Fiangonana, ao amin’ny maha-izy azy lalina sy farany, satria ao aminy no efa misy rahateo sy ho tanteraka amin’ny farandro “ ny Fanjakan’ny lanitra”, “ny Fahefan’Andriamanitra manjaka” jer. Apôk 19,6., tonga ao amin’ny Tenan’i Kristy sy mitombo amin’ny fomba mistery ao am-pon’ireo izay voakambana Aminy, ambara-piharihariny tanteraka any am-parany any. Koa noho izany, ny olombelona rehetra navotany, voaverina ao Aminy ho “masina sy madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehan’Andriamanitra anatin’ny Fitiavana” jer. Efez 1,4., dia hangonina ho Vahoaka tokan’Andriamanitra, “ho Vadin’ny Zanak’Ondry” (Apôk 21,9) “ho Tanàna masina nidina avy any an-Danitra, avy amin’Andriamanitra, mitondra ao aminy ny Voninahitr’Andriamanitra” jer. Apôk 21,10-11.; ary “ny mandan’ny tanàna dia miorina eo ambonin’ny vato fanorenana roa ambin’ny folo samy mitondra ny anarana tsirairay an’ireo apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’Ondry” (Apôk 21,14).
Iray ny Fiangonana : tsy manana afa-tsy Tompo iray izy, tsy miaiky afa-tsy finoana iray izy, tsy nateraka afa-tsy tamin’ny Batemy iray izy, tsy mamorona afa-tsy Vatana iray izy, velomin’ny Fanahy iray, ho amin’ny fanantenana iray jer. Efez 4,3-5. ka amin’izany fiteny izany no ho resy ny fitsitokotokoana rehetra.
Masina ny Fiangonana : ilay Andriamanitra masina indrindra no mpamorona azy; i Kristy, Vadiny, no nanolo-tena ho azy mba hanamasina azy; ny Fanahin’ny fahamasinana no mamelon’aina azy. Na dia mbola misy mpanota aza ao aminy, dia izy no “ilay tsy misy fahotana natao ho an’ny mpanota”. Ao amin’ireo olomasina no mamirapiratra ny fahamasinany ; ao amin’i Maria izy no efa masina manontolo rahateo.
Katôlika ny Fiangonana : mitory ny finoana manontolo izy ; mitondra ao aminy sy mizarazara ny hafenoan’ny fitaovam-pamonjena izy ; irahina ho amin’ny firenena rehetra izy ; manatona ny olombelona rehetra izy ; manerana ny fotoana rehetra izy ; “misiônera AFF 2. no fomba aman-toetra tena maha-izy azy”.
Apôstôlika ny Fiangonana : naorina eo ambonin’ny fototra maharitra izy : “ny apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’Ondry” jer. Apôk 21,14. ; tsy mety rava izy jer. Mt 16,18.; maharitra amin’ny fahamarinana amin’ny tsy feteza-mandiso izy; i Kristy no mitondra azy amin’ny alalan’i Piera sy ireo apôstôly hafa, ary eo amin’ny dimbin’izy ireo, dia ny Papa sy ny fiombonam-piadidian’ireo Eveka.
“Ny Fiangonana tokan’i Kristy izay ambarantsika ampahibemaso ao amin’ny Semboly fa iray, masina, katôlika ary apôstôlika (…), dia ao amin’ny Fiangonana katôlika no misy azy, tantanan’ny dimbin’i Piera sy ireo Eveka miombona aminy, na dia maro be aza ireo singafototry ny fahamasinana sy ny fahamarinana mitoetra any ivelan’ny rafitra ijoroany” FF 8..
Paragrafy 4. Ny mpinon’i Kristy Ambaratongam-pitondrana, lahika, fanokanam-piainana
“Ny mpinon’i Kristy, noho izy ireo voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy, dia ireo izay mitambatra ho Vahoakan’Andriamanitra, ary noho io antony io, mandray anjara araka ny fomban’izy ireo amin’ny raharaha maha-mpisorona, maha-mpaminany ary maha-mpanjaka an’i Kristy, dia voantso, samy araka ny fomba fiainany manokana avy, hisahana ny fanirahana nankinin’Andriamanitra tamin’ny Fiangonana mba hanatontosany izany eo amin’izao tontolo izao” CIC, can. 204, § 1; jer. koa FF 31..
“Eo amin’ireo mpinon’i Kristy, noho ny fihavaozan’izy ireo ao amin’i Kristy, raha ny amin’ny fahamendrehana sy amin’ny asa fanao, dia misy fitoviana marina tokoa, izay amin’izany no ifarimbonan’izy rehetra amin’ny fandrafetana ny Vatan’i Kristy, araka ny fomba fiainana sy ny anjara raharahan’ny tsirairay manokana” CIC, can. 208; jer. koa FF 32..
Ny tsy fitoviana izay sitraky ny Tompo mihitsy ny nametraka izany teo amin’ny rantsambatan’ny Vatany dia manampy amin’ny firaisany sy ny fanirahana azy. Satria, “maro ny andraiki-panompoana misy ao amin’ny Fiangonana, nefa tokana ny fanirahana. Nankinin’i Kristy tamin’ny apôstôly sy amin’ny dimbin’izy ireo ny fiadidiana hampianatra sy hanamasina ary hitondra amin’ny anarany sy amin’ny alalan’ny fahefany. Fa ny lahika nomena anjara adidy aman’andraikitra amin’ny maha-mpisorona, maha-mpaminany ary maha-mpanjaka an’i Kristy, dia mizaka ao amin’ny tenany ny anjara tandrify azy amin’izay fanirahana ny Vahoakan’ Andriamanitra manontolo, ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’izao tontolo izao” APL 2.. Farany, misy “mpino izay ao amin’ny sokajin’ny an-daniny sy ny an-kilany [ambaratongam-pitondrana sy lahika], izay noho ny fanaovana voady hanaraka ny torohevitry ny Evanjely (…), dia manokam-piainana ho an’Andriamanitra sy miara-miasa amin’ny asam-pamonjena anirahana ny Fiangonana araka ny fomban’izy ireo manokana avy” CIC, can. 207, § 2..
I.Fanorenana ny ambaratongam-pitondrana ny Fiangonana
Inona no anton’ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana ?
Izy Kristy ihany no loharano ipoiran’ny andraiki-panompoana ao amin’ny Fiangonana. Izy no nanorina azy, nanome azy fahefana sy fanirahana, torolalana sy tanjom-piafaràna :
I Kristy Tompo, mba hiantoka ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny mpiandry ondry sy ny fomba fitomboany, dia nanorina ao amin’ny Fiangonany ny andraiki-panompoana samihafa izay mikendry ny soa ho an’ny vatana manontolo. Satria, ireo mpandraharaha masina izay afaka mampiasa ny fahefana masina, dia milatsa-tenany hanompo ny rahalahiny, ka izay rehetra anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra (…) dia mba ho tody any amin’ny famonjena FF 18..
“Atao ahoana no fino izay tsy mbola re aloha ? Atao ahoana no fandre raha tsy misy mpitoriteny ? Ary atao ahoana no fitory teny raha tsy misy irahina aloha ?” (Rôm 10,14-15). Tsy misy na iza na iza, na singan’olona na vondrom-piangonana, afaka hitory amin’ny tenany ihany ny Evanjely. “Avy amin’ny toriteny ny finoana” (Rôm 10,17). Tsy misy na iza na iza afaka manome ho an’ny tenany ihany ny fahefana sy ny fanirahana hitory ny Evanjely. Miteny sy miasa ny iraky ny Tompo, tsy avy amin’ny fahefan’ny tenany manokana, fa noho ny fahefana avy amin’i Kristy; tsy amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny vondrom-piangonana, fa amin’ny fitenenana azy amin’ny anaran’i Kristy. Tsy misy na iza na iza afaka manolotra ho an’ny tenany ihany ny fahasoavana, fa tsy maintsy ampahafantarina sy atolotra izany. Mila mpandraharahan’ny fahasoavana, nahazo lalana sy nahazo fahefana ara-dalàna avy amin’i Kristy izany. Avy Aminy no andraisan’ireo Eveka sy ireo Pretra ny fanirahana sy ny fahazoana (ny “fahefana masina”) miasa in persona Christi Capitis (ao amin’ny Tenan’i Kristy Loha), andraisan’ireo Diakra ny hery enti-manompo ny vahoakan’Andriamanitra ao amin’ny “fanompoana” amin’ny litorzia, ny teny sy ny fifankatiavana, miombona amin’ny Eveka sy ny fivondronan’ny Pretrany. Io andraiki-panompoana io izay anaovan’ny irak’i Kristy sy anomezany ny fanomezan’Andriamanitra izay tsy azon’izy ireo atao sy omena avy amin’ny tenan’izy ireo fotsiny, no antsoin’ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana hoe “sakramenta”. Ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana dia omena amin’ny alalan’ny sakramenta manokana.
Ny fifamatorana anaty amin’ny toetra maha-sakramenta ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana no endrika mampiavaka ny asa fanompoany. Satria, amin’ny fiankinana tanteraka amin’i Kristy izay manome iraka sy fahefana no tena mpanompon’i Kristy tokoa ny mpandraharaha masina jer. Rôm 1, 1., amin’ny endrik’i Kristy izay naka tamin-kalalahana ho antsika “ny fomban’ ny mpanompo” (Filip 2,7). Satria ny teny sy ny fahasoavana izay izy ireo no mpandraharaha masina amin’izany, dia tsy azy ireo, fa an’i Kristy izay nanankina izany tamin’izy ireo mba ho an’ny hafa, ka manjary mpanompon’ ny rehetra amin-kalalahana izy ireo jer. 1 Kôr 9,19..
Torak’izany, misy manana endrika fiombonam-piadidiana, ny toetra maha-sakramenta ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana. Satria, hatrany am-piandohan’ny raharaham-pamonjeny i Jesoa Tompo no nanendry ny Roa ambin’ny folo lahy, “tsirin’i Israely Vaovao sady koa fiandohan’ny ambaratongam-pitondrana masina” AFF 5.. Nofidìna miaraka izy ireo, ka nirahiny miaraka koa, ary ny firaisana maha-mpiray tam-po ara-pinoana azy ireo dia ho amin’ny asa fampiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana ny mpino rehetra; ho toy ny taratra sy porofon’ny fiombonan’ireo Olona-Andriamanitra izany firaisan’izy ireo izany jer. Jo 17,21-23.. Araka izany, ny Eveka rehetra dia manao ny andraiki-panompoany eo anivon’ny fiombonam-piadidiana maha-eveka, miombona amin’ny Evekan’i Rôma, dimbin’i Md Piera sy filohan’ny fiombonam-piadidiana ; ny Pretra dia manao ny andraiki-panompoan’izy ireo eo anivon’ny fivondronan’ny maha-pretra eo amin’ny diôsezy, eo ambany fitondran’ny Evekan’izy ireo.
Farany, misy manana endrika an’ny tsirairay, ny toetra maha-sakramenta ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana. Raha miasa amin’ny fiombonana ny mpandraharahan’i Kristy, dia miasa lalandava koa amin’ny tsirairay. Ny isam-batan’olona dia voantso tsirairay hoe : “Ianao, manaraha Ahy” (Jo 21, 22) jer. Mt 4,19.21; Jo 1,43., mba ho vavolombelona tsirairay, eo amin’ny asa fanirahana iombonana, amin’ny fiantsorohan’ny isam-batan’olona ny andraikitra eo anoloan’Ilay izay manome ny fanirahana, sy amin’ny fiasany “ao amin’ny tenany” sy ho an’ny olona : “Izaho manao batemy anao amin’ny anaran’ny Ray …”; “Izaho mamela ny fahotanao …”
Koa ny andraiki-panompoana ara-tsakramenta ao amin’ny Fiangonana àry dia raharaha atao amin’ny anaran’i Kristy. Manana toetra an’ny tsirairay izy sady manana endrika fiombonam-piadidiana. Voamarina izany amin’ny fifamatorana misy eo amin’ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny dimbin’i Md Piera, ary amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny andraikitra maha-mpiandry ondry ny Eveka ho an’ny Fiangonany eo an-toerana sy amin’ny fiahiana iombonana amin’ny fiombonam-piadidiana maha-eveka ho an’ny Fiangonana Manerana ny tany tontolo.
Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa
I Kristy, tamin’ny nanendreny ny Roa ambin’ny folo, dia “nanangana azy ireo ho fiombonam-piadidiana, izany hoe ho vondrona maharitra, ary nametraka an’i Piera izay nofidiny teo anivon’izy ireo ho filohan’izy ireo” FF 19.. “Tahaka ny nanendren’ny Tompo an’i Md Piera sy ireo Apôstôly sisa, hitambatra ho fiombonam-piadidiana maha-apôstôly tokana ihany, no ifampiraisan’ny Evekan’i Rôma, dimbin’i Md Piera, sy ny Eveka rehetra, dimbin’ny apôstôly, amin’izy ireo samy izy ireo” FF 22; jer. koa CIC, can. 330..
Ny Tompo no nanao an’i Simôna irery, izay nomeny anarana hoe Piera, ho vatolampin’ny Fiangonany. Tamin’izany no nanomezany azy ny fanalahidy jer. Mt 16,18-19.; Izy no nametraka azy ho mpiandry ny andian’ondry manontolo jer. Jo 21,15-17.. “Kanefa ilay adidy aman’andraikitra hamehy sy hamaha izay nomena an’i Piera, dia nomena koa, tsy misy isalasalana, ny fiombonam-piadidian’ireo apôstôly miray amin’ny filohan’izy ireo” FF 22.. Io adidy aman’andraikitra maha-mpiandry ondry an’i Piera sy ireo apôstôly hafa io, dia anisan’ny fototra iorenan’ny Fiangonana. Tohizin’ny Eveka izany eo ambany fahefan’ny Papa amin’ny Fiangonana manontolo.
Ny Papa, Evekan’i Rôma sy dimbin’i Md Piera, “no fototra maharitra sy hita maso ary fanorenana ny firaisana izay manakambana azy ireo amin’ny samy izy ireo, na Eveka, na ny mpino maro be” FF 23.. “Satria, ny Evekan’i Rôma, ao amin’ny Fiangonana, noho ny adidy aman’andraikitra ny maha-Vikeran’i Kristy sy ny maha-Mpitondra Fiangonana manontolo azy, dia manana fahefana feno, ambony indrindra ary manerana ny tany tontolo izay azony ampiasaina lalandava amin-kalalahana” FF 22; jer. koa AE 2; 9..
“Ny fiombonam-piadidiana na vondron’ny maha-eveka, dia tsy manana fahefana raha tsy fantatra fa tena mikambana amin’ny Evekan’i Rôma, amin’ny maha-filohany azy. Tahaka izany, io fiombonam-piadidiana io, no “fototry ny fahefana fara tampony sy feno koa eo amin’ny Fiangonana manontolo, fahefana izay tsy azo ampiasaina anefa, raha tsy miaraka amin’ny fankatoavan’ny Evekan’i Roma” FF 22; jer. koa CIC, can. 336..
“Ny Fiombonam-piadidian’ireo Eveka dia mampiasa ny fahefana eo amin’ny Fiangonana manontolo amin’ny fomba manetriketrika ao amin’ny Kônsily Ekiomenika” CIC, can. 337, § 1.. “Tsy misy ny Kônsily Ekiomenika raha toa ka tsy nohamafisin’ny dimbin’i Piera izany, na fara fahakeliny nekeny” FF 22..
“Amin’ny maha-fitambaran’olona maro karazana azy, io fiombonam-piadidiana io no mampiseho ny maha-samihafa sy ny maha-manerana ny tany tontolo ny Vahoakan’Andriamanitra ; izy no mampiseho, amin’ny alalan’ny famoriany ho eo ambanin’ny filoha iray ihany, ny maha-tokana ny andian’ondrin’i Kristy” FF 22..
“Ireo Eveka, araka ny anjara asany avy, no fototra sy fanorenana ny firaisana ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana iandraiketan’izy ireo” FF 23.. Araka izany no “ampiasan’izy ireo ny fahefana maha-mpiandry ondry azy eo amin’ny ampahan’ny Vahoakan’Andriamanitra izay ankinina amin’izy ireo” FF 23., ampian’ny Pretra sy ny Diakra. Kanefa, amin’ny maha-mpikambana azy ao anatin’ny fiombonam-piadidiana maha-eveka, ny tsirairay amin’izy ireo dia manana anjara fiahiana ny Fiangonana manontolo jer. AE 3., izay ampiasainy aloha “amin’ny fitondrana tsara ny Fiangonany manokana izay ampahany amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo”, amin’izany no andraisany anjara “amin’ny fanasoavana ny Vatana mistika manontolo izay Vatan’ny Fiangonana koa” FF 23.. Io fiahiana io dia hampitomboina manokana amin’ireo mahantra jer. Gal 2,10., amin’ireo enjehina noho ny finoana, ary koa amin’ireo misiônera izay miasa manerana ny tany.
Ny Fiangonana eo an-toerana mifanakaiky sy mitovy kolontsaina no mitambatra ho fari-piadidiam-piangonana na vondrom-paritra midadasika antsoina hoe patriarkà na faritany jer. Canon des apôtres 34.. Ny Eveka amin’ireo vondrom-paritra ireo dia afaka mivory amin’ny sinôda na amin’ny kônsilim-paritany. “Tahaka izany, ny Fivondronan’ny Eveka, ankehitriny, dia afaka manampy amin’ny fomba maro sy mahavokatra mba ho hita mivaingana ny toe-tsaina amam-panahin’ny fiombonam-piadidiana” FF 23..
Ny adidy aman’andraikitra hampianatra
Ny Eveka, miaraka amin’ny Pretra, mpiara-miasa aminy, “dia manana ho voalohan-dahasa hitory ny Evanjelin’Andriamanitra amin’ny olombelona rehetra” RFP 4., araka ny baikon’ny Tompo jer. Mk 16,15.. Izy ireo no “mpanao antso avo ny finoana, izay mitondra mpianatra vaovao eo amin’i Kristy, izy ireo no mpampianatra marina” ny finoana apôstôlika, “manana ny fahefan’i Kristy” FF 25..
Mba hitazonana ny Fiangonana ao anatin’ny finoana madio tsy misy fahony nampitain’ny apôstôly, dia sitrak’i Kristy ny nanome ny Fiangonany ny fandraisana anjara amin’ny tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana ananan’ny tenany, Izy ilay Fahamarinana. Amin’ny “hevi-pinoana mihoatra ny fahalalan’ny sain’ olombelona”, ny Vahoakan’Andriamanitra dia “miraiki-po maharitra amin’ny finoana”, eo ambany fitarihan’ny Toniam-pampianarana velon’ny Fiangonana jer. FF 12; FA 10..
Ny anton-draharaha ny Toniam-pampianarana dia mifamatotra amin’ny toetra raikitry ny fanekem-pihavanana naorin’Andriamanitra ao amin’i Kristy miaraka amin’ny Vahoakany ; izy no tsy maintsy miaro azy amin’ny fivaonan-kevitra sy amin’ny faharerahan-tsaina, ary miantoka azy amin’ny fahazoana, tsapa ety ivelany, manambara tsy misy diso ny finoana marina. Ny adidy aman’andraikitra pastôralin’ ny Toniam-pampianarana, araka izany, dia nalamina mba hitandremana amin’ny tsy hialan’ny Vahoakan’Andriamanitra ao anatin’ny fahamarinana izay manafaka. Mba hanatanterahana io asa io, dia nomen’i Kristy ny mpiandry ondry ny fanomezam-pahasoavana amin’ny tsy feteza-mandiso momba ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena. Ny fampiasana io fanomezam-pahasoavana io dia mety maka endrika amin’ny fombafomba maro :
“Izany tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana izany, dia ananan’ny Evekan’i Rôma, filohan’ny fiombonam-piadidian’ireo Eveka, ary ampiasainy rahefa manambara, amin’ny raki-tsoratra raikitra, lafim-pitambaram-pampianarana iray mahakasika ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena izy, noho ny fiadidiana maha-mpiandry ondry sy maha-mpampianatra fara tampony ny mpino rehetra azy, sy noho izy nampandraiketana ny fanamafisana ny rahalahiny amin’ny finoana (…). Ny tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana izay nampanantenaina ny Fiangonana dia miorina koa ao amin’ny vondron’ireo Eveka, rahefa ampiasainy ny Fahefana maha-mpampianatra fara tampony azy miombona amin’ny dimbin’i Piera”, indrindra amin’ny Kônsily Ekiomenika FF 25; jer. koa Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny Fiangonana, amin’ny Toniam-pampianarany fara tampony, rahefa manolotra zavatra “inoana ho nambaran’ Andriamanitra” FA 10. sy araka ny fampianaran’i Kristy, dia “tsy maintsy araikitra ao anatin’ny fanekem-pinoana amin’ny famaritana toy izany” FF 25.. Io tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana io dia miitatra lavitra toy ny tahirin’ny Fanambaràn’ Andriamanitra ihany koa jer. FF 25.
Ny fanampian’Andriamanitra dia mbola nomena koa an’ireo dimbin’ny apôstôly, miaraka amin’ny dimbin’i Piera, rahefa mampianatra izy ireo, sy, amin’ny fomba manokana ho an’ny Evekan’i Rôma, Mpitondra ny Fiangonana manontolo, raha manolotra fampianarana izay mitondra ho amin’ny fahalalana tsaratsara kokoa ny Fanambaràna ny amin’ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena izy ireo, amin’ny fampiasana ny Fahefa-mampiana-pinoana andavanandro, na dia tsy tonga amin’ny fanoritana ny tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana aza, sy tsy manapa-kevitra “amin’ny fomba raikitra”. Tokony “hanome ny fankatoavam-pivavahana avy amin’ny fisainany, amin’io fampianarana tsotra io ny mpino” FF 25., ka na miavaka amin’ny fankatoavam-pinoana aza izany, dia manohy azy kosa.
Ny adidy aman’andraikitra hanamasina
Ny Eveka dia miantsoroka koa “ny fiandraiketana hizara ny fahasoavana amin’ny maha-mpisorona fara tampony” FF 26., indrindra amin’ny Eokaristia izay atolotry ny tenany na izay iantohany amin’ny fanatitry ny Pretra, mpiara-miasa aminy. Satria ny Eokaristia no votoatin’ny fiainan’ny Fiangonana eo an-toerana. Ny Eveka sy ny Pretra dia manamasina ny Fiangonana amin’ny alalan’ny vavak’izy ireo sy ny asan’izy ireo, amin’ny alalan’ny andraiki-panompoana ny teny sy ny sakramenta. Manamasina azy izy ireo amin’ny oha-piainan’izy ireo, “tsy amim-pizakazakana amin’ny anjara fiandrasana, fa amim-pisehoana ho môdelin’ny andian’ondry” (1 Pi 5,3). Amin’izany “ izy ireo no ho tody, miaraka amin’ny andian’ondry nankinina tamin’izy ireo, any amin’ny fiainana mandrakizay” FF 26..
Ny adidy aman’andraikitra hitondra
“Ireo Eveka no mitantana ny Fiangonan’izy ireo eo an-toerana toy ny vikera sy masoivohon’i Kristy amin’ny alalan’ny torohevitr’izy ireo, ny fandrisihan’izy ireo, ny oha-piainan’izy ireo, nefa koa amin’ny alalan’ny fahefan’izy ireo sy amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahefana masin’izy ireo” FF 27., izay tokony ho ampiasain’izy ireo ho amin’ny hatsaram-pitondran-tena, ao anatin’ny toe-tsaim-panompoana izay an’ny Tompon’izy ireo jer. Lk 22,26-27..
“Io fahefana izay iantsorohan’ny tenan’izy ireo mihitsy amin’ny anaran’i Kristy io dia fahefana azy manokana, ara-dalàna ary eo no eo mivantana : na izany aza, ny fampiharany izany dia miankina amin’ny fandaminana faran’ny fahefana fara tampony ao amin’ny Fiangonana” FF 27.. Kanefa, tsy azo atao hoe vikeran’ny Papa ireo Eveka, satria ny fahefana ifehezan’ny Papa andavanandro sy eo no eo mivantana ny Fiangonana manontolo, dia tsy manafoana fa manamafy sy miaro ny fahefan’izy ireo. Io fahefana io dia tsy maintsy atao mivelatra ao anatin’ny fiombonana miaraka amin’ny Fiangonana manontolo eo ambany fitondran’ny Papa.
Ny Mpiandry ondry tsara no ho môdely sy “endriky” ny fiadidian’ny maha-mpiandry ondry ny Eveka. Amin’ny fahatsapany ny fahalemeny “ny Eveka no afaka miseho ho be indrafo manoloana ireo tsy mahalala sy mania. Aoka tsy hadikidiky azy ny mihaino ireo izay miankina aminy, amin’ny fambombàna azy ireo ho toy ny tena zanaka tokoa (…). Raha ny amin’ny mpino, dia tokony hiraiki-po amin’ny Evekany izy ireo tahaka ny Fiangonana amin’i Jesoa-Kristy ary tahaka an’i Jesoa-Kristy amin’ny Rainy” FF 27. :
Arahonareo rehetra ny Eveka, tahaka an’i Jesoa-Kristy [manaraka] ny Rainy, sy ny fivondronan’ny maha-pretra tahaka ny apôstôly; raha ny amin’ireo Diakra, hajaonareo izy toy ny lalànan’Andriamanitra. Aoka tsy hisy olona, raha tsy nahazo lalana avy amin’ny Eveka, hanao na inona na inona amin’izay mikasika ny Fiangonana Md Ignace d’Antioche, Smyrn. 8,1..
II.Ny mpino lahika
“Ny antsoina hoe lahika eto, dia ny kristianina ankapobeny afa-tsy ireo mpikambana ao amin’ny filaharana masina sy ny fiainan-drelijiozy ankatoavin’ny Fiangonana, izany hoe ny kristianina, izay voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy, tafiditra ho anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo, natao ho mpandray anjara araka ny fomban’izy ireo amin’ny raharaha maha-mpisorona, maha-mpaminany ary maha-mpanjaka an’i Kristy, ka misahana araka ny anjaran’izy ireo, ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’izao tontolo izao, ny fanirahana izay an’ny vahoaka kristianina manontolo” FF 31..
Ny fiantsoana ny lahika
“Ny fiantsoana manokana ny lahika dia mifototra amin’ny fikatsahana ny fanjakan’ Andriamanitra, indrindra amin’ny fiandraiketam-pitantanana ny zavatra ara-nofo eto tany izay alamin’izy ireo araka an’Andriamanitra (…). Anjaran’izy ireo, amin’ny fomba manokana, ny manazava sy ny mampitodika ireny zava-misy rehetra ara-nofo eto an-tany ireny izay ifandraisany lalina, hany ka hihatsara sy hiroborobo lalandava araka an’i Kristy izy ireny sy mba ho fiderana ny Mpahary sy Mpanavotra” FF 31..
Ny fahaiza-misanta-javatra eo amin’ny kristianina lahika dia ilaina manokana raha hahitana zava-baovao, hamoronana fomba hoenti-mamonto ny zava-misy ara-tsôsialy, ara-pôlitika, ara-piharian-karena, araka izay fitakian’ny fitambaram-pampianarana sy ny fiainana kristianina. Izany fahaiza-misanta-javatra izany dia singafototra ara-dalàna eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana :
Ny mpino lahika no eo amin’ny loha laharana kokoa amin’ny fiainan’ny Fiangonana ; amin’ny alalan’izy ireo, ny Fiangonana no foto-pahaveloman’ny fiaraha-monina. Noho izany, izy ireo indrindra no tsy maintsy manana kônsiansy mazava kokoa lalandava, tsy hoe amin’ny maha-anisan’ny Fiangonana fotsiny, fa tena Fiangonana mihitsy, izany hoe ny fiombonan’ireo mpino eto an-tany eo ambany fitondran’ny Filoha iombonana, dia ny Papa sy ny Eveka miombona aminy. Ireo no Fiangonana Pie XII, lahateny tamin’ny 20 febroary 1946: nolazain’i Joany Paoly II, CL 9..
Satria, toy ny mpino rehetra, ireo lahika nampiandraiketin’Andriamanitra apôstôlà noho ny Batemy sy ny Fankaherezana, dia manana adidy sy manana zo, mandeha tsirairay na mivondrona amin’ny fikambanana, hiasa mba ho fantatra sy ho voarain’ny olombelona rehetra sy ny tany tontolo ny hafa-pamonjen’Andriamanitra ; mbola maika kokoa izany adidy izany raha toa ka tsy misy afa-tsy amin’ny alalan’izy ireo no ahafahan’ny olona mahaheno ny Vaovao Mahafaly sy mahalala an’i Kristy. Ao amin’ny ankohonam-piangonana, ilaina tokoa ny asan’izy ireo, fa raha tsy misy izany, dia matetika tsy afaka hitondra vokatra feno ny apôstôlà ataon’ny mpiandry ondry jer. FF 33..
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpisorona an’i Kristy
“Ny lahika, noho ny fanokanana azy ireo amin’i Kristy sy noho ny fanosoran’ny Fanahy Masina, dia nandray ny antso mampitolagaga sy ny fomba izay mamela ny Fanahy hitera-bokatra bebe kokoa hatrany ao amin’izy ireo. Satria, izay rehetra raharahan’izy ireo, fivavahan’izy ireo sy asan’apôstôly ataon’izy ireo, fiainan’izy ireo ao an-tokantrano sy ao amin’ny fianakaviana, asa mafy ataon’izy ireo isan’ andro, fialam-bolin’izy ireo ara-tsaina sy ara-batana, raha iainan’izy ireo amin’ny Fanahin’Andriamanitra, ary na dia ireo sedra-piainana aza, raha toa ka zakaina amim-paharetana, dia manjary “fanati-panahy ankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy” (1 Pi 2,5) izany rehetra izany ; ary amin’ny fankalazana ny Eokaristia, ireny fanatitra ireny dia akambana amin’ny fanolorana ny Vatan’ny Tompo mba hatolotra amim-pitiavam-bavaka manontolo amin’ny Ray. Dia toy izany no anokanan’ny lahika an’izao tontolo izao ho an’Andriamanitra, amin’ny fanaovana vavaka fitsaohana an’Andriamanitra, na aiza na aiza, ao anatin’ny fahamasinam-piainan’izy ireo” FF 34; jer. koa FF 10..
Amin’ny fomba manokana, mandray anjara amin’ny adidy aman’andraikitra amin’ny fanamasinam-piainana ny ray aman-dreny “rahefa miaina ny maha-mpivady araka ny toe-tsaina amam-panahy kristianina sy manome ho an’ny zanany ny fanabeazana kristianina” CIC, can. 835, § 4..
Ny lahika, raha toa izy ireo ka manana ny toetra mendrika ilaina, dia mety azo raisina amin’ny fomba maharitra ho amin’ny andraiki-panompoan’ny mpamaky teny sy ny akôlita jer. CIC, can. 230, § 1.. “Eo amin’ny zavatra ilain’ny Fiangonana izay mitaky izany noho ny tsy fahampian’ireo mpandraharaha masina, ny lahika dia afaka koa, na tsy mpamaky teny sy tsy akôlita aza izy ireo, misolo toerana amin’ny anjara raharaha sasantsasany sahanin’iretsy, dia ireto avy izany : mampiasa ny andraiki-panompoana ny teny, mitarika ny fivavahana litorzika, manao batemy sy mizara ny kômonio masina, araka ny fandaminana voafaritry ny lalànan’ny Fiangonana” CIC, can. 230, § 3..
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpaminany an’i Kristy
“I Kristy (…) dia nanatontosa ny anjara raharaha maha-mpaminany Azy, tsy amin’ny alalan’ny ambaratongam-pitondrana irery ihany (…), fa koa amin’ny alalan’ny lahika izay ajorony ho vavolombelon’izany amin’ny namatsiana azy ireo ny fahalalana ny dikan’ny finoana sy ny fahasoavan’ny teny” FF 35.:
Ny mampianatra olona iray mba hitarika azy ho amin’ny finoana no lahasan’ny mpitory teny tsirairay ary na dia ny mpino tsirairay koa aza Md Thomas d’A., s.th. 3 71,4 ad 3..
Ny iraka maha-mpaminany ny lahika dia tanterahin’izy ireo koa amin’ny alalan’ny fitoriana ny Evanjely, “izany hoe ny fanambaràna an’i Kristy atao amin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelon’ny fiainana sy amin’ny alalan’ny teny”. Eo amin’ny lahika, “izany asam-pitoriana ny Evanjely izany (…) dia ahitana toetra miavaka sy fandairana manokana noho izy tontosaina amin’ny kojakojam-piainana iombonana mandavantaona” FF 35. :
Tsy mifototra amin’ny fijoroana vavolombelon’ny fiainana fotsiny, io apôstôlà io : ny tena apôstôly marina dia mitady ny fotoana azo araraotina hanambaràna an’i Kristy amin’ny alalan’ny teny, na amin’ny tsy mpino (…) na amin’ny mpino APL 6; jer. koa AFF 15..
Amin’ireo samy mpino lahika izay afaka mahavita izany sy mianatra an’izany, dia afaka mitondra ny anjara birikin’izy ireo koa amin’ny fampiofanana ara-katesezy jer. CIC, can. 774; 776; 780., amin’ny fampianarana taranjam-pahalalana masina jer. CIC, can. 229., amin’ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona jer. CIC, can. 822, § 3..
“Araka ny adidy, ny fahaizana manokana ary ny laza izay ananan’izy ireo, dia manana zo izy ireo ary indraindray aza manana adidy hanome ny hevitr’izy ireo amin’ny Mpiandry ondry voahosotra, ny amin’izay mahakasika ny soa ho an’ny Fiangonana sy ny mampahalala izany amin’ny mpino hafa, amin’ny faharetana miaro ny fahamarinana tsy misy tomika ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena ary ny fanajana tokony hatao amin’ireo mpiandry ondry, sy amin’ny fiheverana ny tombon-tsoa iombonana sy ny fahamendrehan’ny olona” CIC, can. 212, § 3..
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpanjaka an’i Kristy
Tamin’ny fanekeny hatramin’ny fahafatesana jer. Filip 2,8-9. i Kristy no nampita tamin’ ny mpianany ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fahafahana maha-mpanjaka, “mba hamongoran’izy ireo ny fahotana sy ny fanjakany ao amin’ ny tenan’izy ireo, amin’ny alalan’ny fahafoizan-tenan’izy ireo sy ny fahamasinam-piainan’izy ireo” FF 36. :
Izay mampanaiky ny vatan-tenany sy mitantana ny fanahiny, tsy mamela azy ho revon’ny firehetam-paniriana no tompon’ny tenany : azo antsoina hoe mpanjaka izy satria afaka mitondra ny tenany ihany ; sady afaka no mahaleo tena izy ary tsy manaiky ho baboin’ny fanandevozana mahameloka Md Ambroise, Psal. 118, 14, 30: PL — Patrologia latina (J.P. Migne)..
“Fanampin’izany, aoka ny lahika, amin’ny fanatambarana ny heriny, hitondra fanatsarana sahaza ireo rafi-pitondrana sy ireo fomba fiainana eto amin’izao tontolo izao, rahefa mandrisika ho amin’ny fahotana ireo, mba hahatongavan’ireo hifanaraka amin’ny fitsipi-pahamarinana sy hampandroso amin’ny fampiasana ny hatsaram-panahy toy izay ho vato misakana izany. Amin’ny fanaovana izany no amontosan’izy ireo amin’ny soatoavina ara-môraly ny kolontsaina sy ny tsanganasan’olombelona” FF 36..
“Ny lahika dia mety koa hahatsiaro tena fa voantso na tena voantso hiara-miasa amin’ireo mpiandry ondry amin’ny fanompoana ny ankohonam-piangonana tiana hitombo vahana sy aina, amin’ny fisahanana ny andraiki-panompoana maro karazana, araka ny fahasoavana sy ny fanomezam-pahasoavana tian’Izy Tompo hapetraka tsara ao amin’izy ireo” EN 73..
Ao amin’ny Fiangonana, “ny mpino lahika dia afaka mifarimbona araka ny lalàna manan-kery amin’ny fampiasana ny fahefam-pitondrana” CIC, can. 129, § 2.. Tahaka izany ny fisian’izy ireo ao amin’ny Filan-kevitra manokana jer. CIC, can. 443, § 4., ny Sinôdan’ny diôsezy jer. CIC, can. 463, §§ 1-2., ny Filan-kevitra pastôraly jer. CIC, can. 511-512; 536.; amin’ny fampiasana ny fiandraiketana pastôralin’ny paroasy jer. CIC, can. 517, § 2.; ny fiaraha-miasa amin’ny Filan-kevitra momba ny raharaha ara-piharian-karena jer. CIC, can. 492, § 1; 537.; ny fandraisana anjara amin’ny tribonalim-piangonana jer. CIC, can. 1421, § 2., sns.
Ny mpino dia tokony “hanavaka amim-pitandremana ny zo amin’ny adidy izay iantsorohan’izy ireo amin’ny maha-rantsambatan’ny Fiangonana azy ireo, sy izay tandrifin’izy ireo araka ny maha-olon’ny fiaraha-monina azy ireo. Aoka izy ireo hiezaka hampifandrindra an’ireny amin’ny samy izy ireny, amin’ny fahatsiarovan-tena fa ny kônsiansy kristianina no tokony ho mpitari-dalana azy ireo amin’ny sehatra rehetra misy amin’izao fiainana ara-nofo eto an-tany izao, satria tsy misy na iray aza asa fanaon’olombelona, amin’ny maha-ara-nofo izany, ho azo esorina amin’ny fahefan’ Andriamanitra” FF 36..
III.Ny fanokanam-piainana
“Ny lalam-piainana miorina amin’ny fanaovana voady araka ny torohevitry ny Evanjely, na tsy mikasika ny rafitr’ambaratongam-pitondrana ny Fiangonana aza, dia tsy azo lavina fa anisan’ny fiainany sy ny fahamasinany” FF 44..
Torohevitry ny Evanjely, fanokanam-piainana
Ny torohevitry ny Evanjely, amin’ny hamaroan’izy ireo, dia atolotra ho an’izay rehetra mpianatr’i Kristy. Ny fahalavorariana amin’ny fitiavana izay iantsoana ny mpino rehetra, no ananan’ireo izay manolo-tena an-kalalahana amin’ny famaliana ny antso ho amin’ny fanokanam-piainana, adidy mampihatra ny fahadiovam-pitiavana amin’ny fijanonana ho mpitovo noho ny Fanjakan’Andriamanitra, ny fahantrana ary ny fanekena. Ny fanaovana voady araka ireo torohevitra ireo, ao anatin’ny toe-piainana mafy orina ankatoavin’ny Fiangonana, no mampiavaka ny toeran’ny “fanokanam-piainana” jer. FF 42-43; FFR 1. ho an’Andriamanitra.
Amin’izany ny toetran’ny fanokanam-piainana no hita fa iray amin’ireo fomba ahalalana ny fanokanana “lalina indrindra”, izay miorim-paka amin’ ny Batemy sy atokana manontolo ho an’Andriamanitra jer. FFR 5.. Ny kendren’ny mpinon’i Kristy amin’ny fanokanam-piainana, eo ambany fanentanan’ny Fanahy Masina, dia ny hanaraka an’i Kristy akaikikaiky kokoa, ny hanolo-tena amin’Andriamanitra tiany mihoatra noho ny zavatra rehetra, ary eo am-pikatsahana ny fahalavorariam-pitiavana hanompo ny Fanjakan’ Andriamanitra, dia ny hampahafantatra sy hitory ao amin’ny Fiangonana ny voninahitry ny tontolo ho avy jer. CIC, can. 573..
Hazo lehibe iray, maro sampana
“Tahaka ny hazo iray izay misampantsampana amin’ny fomba mampitolagaga sy maro ao amin’ny sahan’ny Tompo, niainga avy amin’ny tsirin’ny voa nafafin’ Andriamanitra, dia tahaka izany no itomboan’ny endrika samihafa ny fiainana manirery na mivondrona, ny fianakaviana samihafa izay ny loharanon-karena ara-panahy dia sady mahasoa ny mpikambana amin’ireny fianakaviana ireny no mahasoa ny Vatan’i Kristy manontolo” FF 43..
“Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana, nisy lehilahy sy vehivavy izay naniry, amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Evanjely, hanaraka an-kalalahana an’i Kristy sy haka tahaka Azy araka ny tena izy kokoa ary, araka ny fombany avy, miaina ny fanokanam-piainana amin’Andriamanitra. Maro tamin’izy ireny, teo ambany tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina, no niaina tao anatin’ny fitoka-monina, na koa nanorina fianakavian-drelijiozy izay noraisin’ny Fiangonana tamim-pifaliana sy nankatoaviny tamin’ny fahefany” FFR 1..
Ny Eveka dia miezaka lalandava handanjalanja ny fanomezam-pahasoavana momba ny fanokanam-piainana vaovao nankinin’ny Fanahy Masina amin’ny Fiangonany ; ny fankatoavana ny endrika vaovao ny fanokanam-piainana dia natokana ho an’ny Foibem-pitondrana apôstôlika jer. CIC, can. 605..
Fiainan’ny mpitoka-monina irery
Na tsy manao voady ampahibemaso lalandava araka ny torohevitra telo ny Evanjely aza ny mpitoka-monina irery, dia “ao anatin’ny fiesorana mafimafy kokoa amin’izao tontolo izao, ao anatin’ny fahanginan’ny fitoka-monina, ao anatin’ny fahazotoana mivavaka sy ny fivalozana, no anokanany ny fiainany amin’ny fiderana an’Andriamanitra sy amin’ny famonjena an’izao tontolo izao” CIC, can. 603, § 1..
Asehon’izy ireo amin’ny tsirairay io endrika anatin’ny misterin’ny Fiangonana io, izay tsy inona fa fisakaizana lalin’ny tsirairay amin’i Kristy. Ny fiainan’ny mpitoka-monina irery, takona eo imason’ny olombelona, dia fitoriana mangina an’Ilay izay nanolorany ny fiainany, satria Izy no zavatra rehetra ho azy. Izany no antso manokana hahitana any an’efitra, ao anatin’ny adim-panahy ihany koa, ny voninahitr’Ilay Nofantsihana.
Ny virjiny sy ny maty vady manokan-tena
Hatramin’ny andron’ny apôstôly, nisy virjiny jer. 1 Kôr 7,34-35. kristianina sy maty vady Joany Paoly II, exh. ap « Vita consecrata », 7., nantsoin’ny Tompo hifikitra Aminy manontolo ao anatin’ny fahafahana tanteraky ny fo sy ny vatana ary ny fanahy, izay nandray fanapahan-kevitra, nankatoavin’ny Fiangonana, hiaina ao anatin’ny toe-piainan’ny virjiny mandra-pahafaty ireo nanokan-tena ho virjiny, ary hiaina ao anatin’ny fahadiovam-pitiavana mandra-pahafaty ireo maty vady manokan-tena, “noho ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 19,12).
“Amin’ny fanambaràna ny tenim-pikasana masina hanaraka an’i Kristy akaikikaiky kokoa, [ny virjiny] no manokan-tena ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Eveka mitondra diôsezy araka ny fombam-pivavahana litorzika ankatoavina, no manambady amin’ny fomba mistika an’i Kristy Zanak’ Andriamanitra, ary manolo-tena ho amin’ny fanompoana ny Fiangonana” CIC, can. 604, § 1.. Amin’ny alalan’io fombam-pivavahana manetriketrika io (Consecratio virginum) “ilay virjiny no tonga anisan’ny olona manokan-tena, famantarana mihoatra ny tsapa sy ny hita ny fitiavan’ny Fiangonana mankamin’i Kristy, sary eskatôlôzikan’io Vady io any an-Danitra sy ny ny fiainan-ko avy” OCV praenotanda 1..
Noho ny fikambanan’ny virjiny, “mitovitovy fomba amin’ireo fikambanan’ny manokam-piainana ho an’Andriamanitra” CIC, can. 604, § 1., dia mametraka ny vehivavy miaina eto amin’izao tontolo izao (na ny relijiozy vavy mihiboka) ho amin’ny fivavahana, fivalozana, fanompoana ny anadahiny ary asa maha-apôstôly, araka ny toetra sy ny fanomezam-pahasoavana mifanandrify amin’izany nomena ny tsirairay OCV praenotanda 2.. Ny manokan-tena ho virjiny dia afaka mivondrona mba hitandremana araka ny tena izy ny teny naloakan’ny vavan’izy ireo jer. CIC, can. 604, § 2..
Ny fiainan-drelijiozy
Ny fiainan-drelijiozy, teraka tany Atsinanana tamin’ny taonjato voalohandohan’ny fivavahana kristianina jer. EK 15. ary niainana tao anatin’ireo fikambanana natsangan’ny Fiangonana ara-dalàna jer. CIC, can. 573., dia miavaka amin’ireo fanokanam-piainana amin’ny endriny hafa araka ny fanompoam-pivavahana, araka ny fanononana voady ampahibemaso an’ireo torohevitry ny Evanjely, araka ny fiainana maha-mpiray tam-po ara-pinoana mitondra amin’ny fiombonana, araka ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana jer. CIC, can. 607..
Ny fiainan-drelijiozy dia miankina amin’ny misterin’ny Fiangonana. Fanomezana noraisin’ny Fiangonana tamin’ny Tompony izany, ary atolony ho toy ny lalam-piainana mafy orina eo amin’ny mpino nantsoin’Andriamanitra amin’ny fanaovana voady araka ny torohevitry ny Evanjely. Amin’izany, azon’ny Fiangonana atao ny sady maneho an’i Kristy no mahatsiaro tena ho Vadin’ny Mpamonjy. Ny fiainan-drelijiozy dia asaina mampahafantatra, amin’ireo endriny samihafa, ny fitiavana avy amin’Andriamanitra ihany, amin’ny fitenin’izao andro iainantsika izao.
Ny relijiozy rehetra, na afaka amin’ny fandidian’ny mpitondra eo an-toerana na tsy afaka jer. CIC, can. 591., dia mahazo toerana ho anisan’ny mpiara-miasa amin’ny Eveka mitondra diôsezy amin’ny fiadidiana maha-mpiandry ondry azy jer. AE 33-35.. Ny fampijoroana sy fanitarana ny maha-misiônera ny Fiangonana dia mila ny fisian’ny fiainan-drelijiozy amin’ny endriny rehetra, hatrany am-panombohana ny fitoriana ny Evanjely jer. AFF 18; 40.. “Ny tantara dia manamarina ny halehiben’ny fahamendrehan’ireo fianakavian-drelijiozy tamin’ny fampielezana ny finoana sy tamin’ny fanorenana Fiangonana vaovao, nanomboka tamin’ny Fikambanan’ny mpitoka-monina fahiny sy ny Fikambanan-drelijiozy tamin’ny taonjato antenatenany ka hatramin’ny Fikambanan-drelijiozy amin’ny androm-piainana ankehitriny” Joany Paoly II, RM — Redemptoris Mater..
Ny fikambanana tsy relijiozy
“Ny fikambanana tsy relijiozy dia fikambanan’ny fanokanam-piainana izay ao ny mpino miaina eo amin’izao tontolo izao no miezaka ho amin’ny fahalavorariam-pitiavana sy mikely aina handray anjara indrindra avy ao anaty amin’ny fanamasinana an’izao tontolo izao” CIC, can. 710..
Amin’ny alalan’ny “fanokanam-piainana tanteraka sy manontolo amin’[izany] fanamasinana [izany] ” Pie XII, const. ap. « Provida Mater »., ny mpikambana amin’ireny fikambanana ireny no mandray anjara amin’ny asam-pitoriana ny Evanjely sahanin’ny Fiangonana, “eo amin’izao tontolo izao sy miainga avy amin’izao tontolo izao” CIC, can. 713, § 2., izay ny fisian’izy ireo ao dia miasa “araka ny fomban’ny lalivay” FFR 11.. Ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelon’ny fiainana kristianina dia mikendry ny handaminana araka an’Andriamanitra izao zava-misy ara-nofo eto an-tany izao sy haninteraka an’izao tontolo izao amin’ny herin’ny Evanjely”. Zakain’izy ireo ao aminy amin’ny alalan’ny fifamatorana masina ny torohevitry ny Evanjely ary tandrovin’izy ireo amin’ny samy izy ireo ny fiombonana sy ny firahalahiana sahaza ny fombam-piainana tsy maha-relijiozy azy ireo jer. CIC, can. 713..
Ny fikambanam-piainana apôstôlika
Eo anilan’ny endrika samihafa ny fanokanam-piainana no “maka toerana ny fikambanam-piainana apôstôlika ka ny mpikambana ao aminy, na tsy manao voadin-drelijiozy aza, dia mikatsaka ny tanjona hotratrarina amin’ny maha-apôstôly sahaza ny fikambanany, ary amin’ny fiombonam-piainana maha-mpiray tam-po ara-pinoana no mikendry, araka ny fombam-piainany manokana, ny fahalavorariam-pitiavana amin’ny fitandremana ny lalàm-panorenana. Misy fikambanana ao amin’izy ireo izay ny mpikambana no mizaka ao aminy ny torohevitry ny Evanjely”, araka ny lalàm-panorenan’izy ireo CIC, can. 731, §§ 1.2..
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Noho izy nanolo-tena amin’Andriamanitra tiana indrindra, ilay izay efa natokan’ny Batemy ho Azy, dia mahatsiaro tena araka izany, ho voatokana lalindalina kokoa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, sy voatolotra ho amin’ny fanasoavana ny Fiangonana. Amin’ny lalan’ny fanokanam-piainana ho an’Andriamanitra no anehoan’ny Fiangonana an’i Kristy sy ampisehoany ny fiasan’ny Fanahy Masina ao aminy, amin’ny fomba mahatalanjona. Koa ireo izay manao voady araka ny torohevitry ny Evanjely àry dia manao ho vaindohan-draharaha hiaina ny fanokanam-piainan’izy ireo. “Fa satria izy ireo manokam-piainana hanompo ny Fiangonana, ka noho izany, voatery izy ireo hanao amin’ny fomba miavaka ny tsanganasa misiônera, araka ny fomba manokana an’ny Fikambanan’izy ireo” CIC, can. 783; jer. koa RM — Redemptoris Mater..
Ao amin’ny Fiangonana izay toy ny sakramenta, izany hoe famantarana sy fitaovan’ny ain’Andriamanitra, ny fanokanam-piainana no miseho ho famantarana manokana ny misterin’ny Fanavotana. Ny manara-dia sy ny maka tahaka an’i Kristy “akaikikaiky kokoa”, ny mampiseho “mazavazava kokoa” ny maha-tsinontsinona ny tena, dia ny miditra “lalindalina kokoa” ao am-pon’i Kristy, amin’ireo mpiara-belona amin’ny tena. Satria ireo izay ao amin’io lalana “teritery kokoa” io dia mandrisika ny rahalahiny amin’ny oha-piainan’izy ireo, ijoroan’izy ireo ho vavolombelona mampitolagaga fa hoe : “izao tontolo izao dia tsy mety ho voaova endrika sy ho voatolotra ho an’Andriamanitra, raha tsy misy ny toe-panahin’ny hasambarana” FF 31..
Na ampahibemaso io fijoroana ho vavolombelona io, toy ny amin’ny fiainan-drelijiozy, na tsy misehoseho firy, na miafina mihitsy, ny fahatongavan’i Kristy dia mitoetra ho fiandohana sy Kintana fitarik’andron’ny fiainan’ireo manokan-tena rehetra :
Satria ny Vahoakan’Andriamanitra tsy manana fonenana maharitra ety an-tany, [izany toetra izany] (…) no mampiseho amin’ny mpino rehetra ny fisiana, efa eto amin’ity fotoana iainana ity rahateo, ireo haren-tsoan’ny lanitra; izy no maneho ny fiainana vaovao sy mandrakizay azo tamin’ny Fanavotan’i Kristy, izy no mitory ny fitsanganan-ko velona ho avy sy ny voninahitry ny lanitra FF 44..
“Avy amin’ny fanorenan’Andriamanitra, dia misy amin’ireo mpino, ao amin’ny Fiangonana, no voatokana ho mpandraharaha masina, izay ara-dalàna ny iantsoana azy koa hoe olom-boahosotra ; ny an’ny hafa dia antsoina hoe lahika”. Farany, misy mpino ao amin’ny sokajin’ny andaniny sy ny ankilany izay manokam-piainana ho an’Andriamanitra, amin’ny fanaovana voady hanaraka ny torohevitry ny Evanjely, ary mampiasa izany amin’ny fanirahana ny Fiangonana CIC, can.207, § 1.2..
Mba hitory ny finoana sy hanorina ny Fanjakany, no nanirahan’i Kristy ny apôstôliny sy ny dimbin’izy ireo. Nomeny anjara amin’ny fanirahana Azy izy ireo. Avy Aminy no andraisan'izy ireo ny fahefana hiasa amin’ny anaran’ny Tenany.
Ny Tompo no nanao an’i Md Piera ho fanorenana hita maso ny Fiangonany. Nomeny azy tamin’izany ny fanalahidy. Ny Evekan’ny Fiangonan’i Rôma, dimbin’i Md Piera, no “filohan’ny Fiombonam-piadidian’ireo Eveka, Vikeran’i Kristy ary Mpitondra ny Fiangonana manontolo eto amin’ity tany ity” CIC, can.331..
Ny Papa, “araka ny fanorenan’Andriamanitra, no manana ny fahefana fara tampony, feno, eo no eo mivantana ary manerana ny tany tontolo ho amin’ny fiadidiana ny olona” AE 2..
Ny Eveka rehetra, napetraky ny Fanahy Masina, no mandimby ny apôstôly. Izy ireo “tsirairay araka ny anjara asany, no fototra hita maso sy fanorenana ny firaisana ao amin’ny Fiangonan’izy ireo eo an-toerana” FF 23..
Ampian’ny Pretra, mpiara-miasa aminy, sy ny Diakra, ny Eveka dia manana adidy aman’andraikitra hampianatra tsy misy diso ny finoana, hankalaza amin’ny fanompoam-pivavahana, indrindra ny Eokaristia, ary hitondra ny Fiangonany amin’ny tena maha-mpiandry ondry tokoa. Anisan’ny fiadidiany koa ny fiahiana ny Fiangonana manontolo, miaraka amin’ny Papa sy eo ambany fahefany.
“Ny maha-lahika ny lahika manokana, dia ny miaina eo anivon’izao tontolo izao sy ny manao ny raharahan’izao tontolo izao, antsoin’ Andriamanitra izy ireo hanao ny apôstôlàn’izy ireo eo amin’izao tontolo izao araka ny fiasan’ny lalivay, noho ny herin’ny fanahy maha-kristianina” APL 2..
Ny lahika dia mandray anjara amin’ny maha-Mpisorona an’i Kristy : arakaraka ny iraisany Aminy, no ampivelaran’izy ireo ny fahasoavan’ny Batemy sy ny Fankaherezana, eo amin’ny sehatra rehetra mikasika ny fiainan’ny olona manokana, ny fianakaviana, ny fiaraha-monina ary ny Fiangonana, sy anatanterahany tahaka izany ny antso ho amin’ny fahamasinana miantefa amin’ny vita batemy rehetra.
Noho ny iraka maha-mpaminany azy ireo, ny lahika “dia voantso koa hijoro ho vavolombelon’i Kristy, amin’ny fisehon-javatra rehetra sy eo anivon’ny fiombonam-ben’ny olombelona mihitsy” FAA 43, §4..
Noho ny iraka maha-mpanjaka azy ireo, ny lahika dia manana fahefana hamongotra ny fahotana sy ny fanjakany ao amin’ny tenan’izy ireo sy eo amin’izao tontolo izao, amin’ny alalan’ny fahafoizan-tenan’izy ireo sy ny fahamasinam-piainan’izy ireo jer. FF 36..
Ny fanokanam-piainana ho an’Andriamanitra dia hita miharihary amin’ ny fanaovana voady ampahibemaso araka ny torohevitry ny Evanjely momba ny fahantrana, ny fahadiovam-pitiavana ary ny fanekena ao anatin’ny toe-piainana mafy orina ankatoavin’ny Fiangonana.
Ilay efa natokan’ny Batemy ho an’Andriamanitra, noho izy nanolo-tena Aminy izay tiany indrindra, dia mahatsiaro tena, ao amin’ny lalan’ny fanokanam-piainana, fa tafiditra lalindalina kokoa amin’ny fanokanan-tena hanompo an’Andriamanitra sy amin’ny fanoloran-tena hanasoa ny Fiangonana manontolo.
Paragrafy 5. Ny fiombonan’ny olomasina
Ny Sembolin’ny apôstôly, rahefa avy niaiky ny finoana “ny Fiangonana Masina katôlika”, dia manampy hoe “ny fiombonan’ny olomasina”. Io andalana io, dia tsy misy isalasalana fa fanazavana miharihary ny teo aloha : “Inona moa ny Fiangonana fa tsy ny fitambaran’ny olomasina rehetra ve Nicétas, symb. 10. ?” Ny fiombonan’ny olomasina raha soritana mazava, dia ny Fiangonana.
“Satria mirafitra ho vatana iray ihany ny mpino rehetra, ka ampitaina amin’ny hafa ny haren-tsoan’ny tsirairay (…).Tsy maintsy hinoana, araka izany, fa misy fiombonana haren-tsoa ao amin’ny Fiangonana. Ny rantsambatana ambony indrindra anefa dia i Kristy, satria Izy no loha (…). Araka izany, ny haren-tsoan’i Kristy dia ampitaina amin’ny rantsambatana rehetra, ary izany fampitana izany dia atao amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fiangonana” Md Thomas d’A., symb.13.. “Noho io Fiangonana io entin’ny Fanahy tokana ihany, ny haren-tsoa rehetra izay noraisiny dia manjary ilaina ho tahiry iombonana” Catech. R. 1,10,24..
Ka noho izany ny teny hoe “fiombonan’ny olomasina”, dia manana dikany roa mifamatotra mafy : “fiombonana amin’ny zavatra masina, sancta” sy “fiombonana eo amin’ny samy olona masina, sancti”. “Sancta sanctis ! (Izay zava-masina ho an’ireo izay olomasina)”, no ambaran’ny mpitarika fankalazana amin’ny ankamaroan’ny litorzia tatsinanana, rahefa amin’ny fanandratana ny Tolotra masina mialoha ny fizarana kômonio. Ny mpino (sancti) dia velomin’ny Vatana aman-dRan’i Kristy (sancta) mba hitombo ao amin’ny fiombonana amin’ny Fanahy Masina (Koinônia) sy hampita izany amin’izao tontolo izao.
I.Ny fiombonana amin’ny harem-panahy
Tao amin’ny ankohonam-piangonana voalohany tao Jerosalema, dia “nazoto tamin’ny fampianaran’ny apôstôly, nahatoky tamin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, tamin’ny famakiana ny mofo ary tamin’ny fivavahana” (Asa 2,42) ny mpianatra : Ny fiombonana amin’ny finoana. Ny finoan’ny mpino no finoan’ny Fiangonana noraisina avy tamin’ny apôstôly, raki-piainana izay mitombo amin’ny fizarana izany.
Ny fiombonana amin’ny sakramenta. “Ny vokatry ny sakramenta rehetra dia ho an’ny rehetra. Satria ny sakramenta, fa indrindra ny Batemy izay toy ny varavarana ka aminy no idiran’ny olombelona ao amin’ny Fiangonana, no tahaka ny fatorana masina izay mampiray ny rehetra sy mamehy azy ireo amin’i Jesoa-Kristy. Ny fiombonan’ny olomasina, dia fiombonana amin’ireo sakramenta (…). Ny anarana hoe fiombonana dia azo iantsoana ny tsirairay amin’ireo, satria ny tsirairay amin’ireo dia mampiray antsika amin’ Andriamanitra (…). Kanefa io anarana io dia sahaza tsara ny Eokaristia raha miohatra amin’ny hafa rehetra, satria ny Eokaristia indrindra no mahatanteraka an’io fiombonana io” Catech. R. 1,10,24..
Ny fiombonana amin’ny fanomezam-pahasoavana : ao amin’ny fiombonan’ ny Fiangonana, ny Fanahy Masina “dia mizara koa amin’ireo mpino araka ny ambaratonga rehetra (…) ny fahasoavana manokana”, ho amin’ny fandrafetana ny Fiangonana FF 12.. Ary “samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro” (1 Kôr 12,7).
“Niombonan’izy ireo daholo ny zavatra rehetra” (Asa 4,32) : “Izay rehetra ananan’ny tena kristianina tokoa, dia tokony heveriny ho tahaka ny haren-tsoa izay iombonany amin’ny rehetra, ary lalandava, tokony ho vonona sy dodona izy hamonjy amin’ny fahantrana sy amin’ny fahorian’ny namana” Catech. R. 1,10,27.. Ny kristianina no mpitantana ireo haren-tsoan’ny Tompo. jer. Lk 16,1.3.
Ny fiombonana amin’ny fitiavana : ao amin’ny fiombonana masina (sanctorum communio) “tsy misy amintsika, velona ho an’ny tenany, ary tsy misy maty, ho an’ny tenany” (Rôm 14,7).“Mijaly ve ny rantsambatana iray ? miara-mijaly aminy daholo ny rantsambatana rehetra. Mahazo voninahitra ve ny rantsambatana iray ? miombona hafaliana aminy ny rantsambatana rehetra. Ary ianareo no Vatan’i Kristy, ka samy rantsambatany manaraka ny laharany tsirairay avy” (1 Kôr 12,26-27). “Ny fitiavana dia tsy mitady ny ho azy” (1 Kôr 13,5) jer. 10,24.. Ny kely indrindra amin’ny asantsika atao amim-pitiavana dia misy akony amin’ny tombon-tsoan’ny rehetra, ao anatin’izany firaisan-kina amin’ny olona rehetra izany, na velona na maty, izay miorina ao amin’ ny fiombonan’ny olomasina. Ny fahotana rehetra no manimba an’izany fiombonana izany.
II.Ny fiombonan’ny Fiangonan’ny lanitra sy ny tany
Ny toetra telo ny Fiangonana. “Amin’ny fiandrasana fa ho avy amin’ny fiandrianany ny Tompo arahin’ny anjely rehetra, sy amin’ny fiandrasana ny haharava ny fahafatesana, ka hanaiky ny Tompo ny zavatra rehetra, ny sasany amin’ireo mpianany dia manohy ny fivahinian’izy ireo ety an-tany ; ny hafa, rahefa tapitra ny fiainany tety, dia mbola midio ; farany, ny hafa dia ao anatin’ny voninahitra amin’ny fibanjinana “an’ilay Andriamanitra tokana Olona telo, amin’ny maha-Izy Azy, ao anatin’ny fahazavana tanteraka” FF 49.” :
Kanefa isika rehetra, amin’ny ambaratonga samihafa sy amin’ny endrika samihafa, dia miombona ao amin’ny fitiavana iray ihany, mankamin’ Andriamanitra sy mankamin’ny namana, amin’ny fihirana ny antsa fanomezam-boninahitra iray ihany an’ilay Andriamanitsika. Satria, izay rehetra an’i Kristy sy manana ny Fanahiny, no mitambatra ho Fiangonana iray ihany sy mifanohana amin’ny maha-iray tsy mivaky ao amin’i Kristy FF 49..
“Ny fiombonan’ireo izay mbola eny an-dalana miaraka amin’ny rahalahiny izay efa nodimandry ao amin’ny fiadanan’i Kristy, dia tsy mahita fahatapatapahana kely akory; ny mifanohitra amin’izany aza, fa araka ny finoana tsy miova sy maharitra ao amin’ny Fiangonana, dia hamafisin’ny fifanakalozana an’ireo harem-panahy izany fiombonana izany” FF 49..
Ny fanalalan’ireo olomasina. “Satria, noho ny firaisana lalindalina kokoa amin’i Kristy, ny mponin’ny lanitra dia mandray anjara mba hahamafy fototra kokoa ny Fiangonana amin’ny fahamasinana (…). Tsy mitsahatra izy ireo manalalana antsika eo anilan’ny Ray, amin’ny fanolorany ireo anjara valisoam-pahamendrehana azon’izy ireo tety an-tany tamin’ny alalan’Ilay hany Mpanalalana an’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa (…). Amin’izany ny fiahiam-pirahalahian’izy ireo no vonjy lehibe indrindra amin’ny kilemantsika” FF 49. :
Aza mitomany ianareo, fa ho ilainareo bebe kokoa aho aorian’ny fahafatesako ary hanampy anareo amin’ny fomba mandaitra kokoa noho izao mahavelona ahy izao Md Dominique, maty, ho an’ireo rahalahiny, jer. Jourdain de Saxe, lib. 93..
Ho laniako amin’ny fanaovana ny tsara eto an-tany ny lanitro Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, verba..
Ny fiombonana amin’ireo olomasina. “Tsy noho ny oha-piainan’izy ireo fotsiny no anajantsika amin’ny alalan’ny fahatsiarovana ny mponin’ny lanitra; ny katsahintsika bebe kokoa amin’izany dia ny hanamafisana ny firaisan’ny Fiangonana manontolo ao amin’ny Fanahy noho ny fampiasana ny fifankatiavana maha-mpiray tam-po ara-pinoana. Satria ny fiombonan’ ireo samy kristianina eto an-tany no mampanakaikikaiky antsika kokoa amin’i Kristy, dia tahaka izany koa ny fiombonana amin’ireo olomasina no mampiray antsika amin’i Kristy, izay avy Aminy, amin’ny maha-filohan’izy ireo Azy, no ipoiran’ny fahasoavana rehetra sy ny ain’ny tenan’izy Vahoakan’Andriamanitra” FF 50. :
I Kristy no itsaohantsika, satria Izy no Zanak’Andriamanitra ; fa ny amin’ ireo martiry, dia tiavintsika izy ireo amin’ny maha-mpianatra sy mpaka tahaka ny Tompo azy ireo, ary rariny izany, noho ny fanompoana tsy manan-tsahala ataon’izy ireo amin’ny mpanjaka sy tompon’izy ireo ; enga anie isika koa, ho naman’izy ireo sy ho mpiara-mianatra amin’izy ireo Md Polycarpe, mart. 17..
Ny fiombonana amin’ireo nodimandry. “Amin’ny fiekena izany avy hatrany an’io fiombonana izay misy ao anatin’ny vatana mistikan’i Jesoa-Kristy manontolo io, ny Fiangonana ao amin’ireo rantsambatany izay mizotra ety an-tany dia nanamarika tamin’ny fitiavam-bavaka betsaka ny fahatsiarovana an’ireo nodimandry hatramin’ny fotoana niandohan’ny fivavahana kristianina, amin’ny fanolorana koa ny vavaka ho azy ireo ; satria “ny mihevitra hivavaka ho an’ny maty, mba hahafahan’izy ireo amin’ny fahotany, dia hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka” (2 Mak 12,45)” FF 50.. Ny vavaka ataontsika ho azy ireo dia tsy natao fotsiny hanampy azy ireo, fa koa hampandaitra ny fanalalan’izy ireo amin’ny soa ho antsika.
Ao amin’ny fianakaviana tokan’Andriamanitra. “Raha ny fifankatiavana sy ny fiaraha-midera ny Trinite Masina Indrindra no mampiombona antsika samy isika, isika rehetra, zanak’Andriamanitra izay tsy hafa fa fianakaviana iray ihany ao amin’i Kristy, dia aoka isika hiara-manoina ny fiantsoana manako lalina ao amin’ny Fiangonana” FF 51..
“Fiombonan’ny Olomasina” ny Fiangonana : izany fombam-piteny izany dia manondro ny “zava-masina” (sancta) aloha, ka voalohany indrindra amin’izany ny Eokaristia, izay amin’izany “no anehoana sy anatontosana ny firaisan’ny mpino izay miforona ho Vatana iray ihany ao amin’i Kristy” FF3..
Io fombam-piteny io dia manondro koa ny fiombonan’ireo “olona masina”(sancti) ao amin’i Kristy izay “maty ho an’ny olona rehetra”, hany ka izay ataon’ny tsirairay na iaretany fijaliana ao amin’i Kristy sy ho an’i Kristy, dia mitondra vokatra ho an’ny rehetra.
“Inoantsika ny fiombonan’ny mpino rehetra an’i Kristy, dia ireo izay mpivahiny eto an-tany, ireo nodimandry izay manapitra ny fidiovany, ireo olontsambatra any an-danitra, ka ireo rehetra ireo mitambatra no mamorona ny Fiangonana iray ihany, ary inoantsika fa amin’io fiombonana io ny fitiavana be indrafon’Andriamanitra sy ny olomasiny dia mihaino lalandava ny fivavahantsika” SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
Paragrafy 6. I Maria – Renin’i Kristy, Renin’ny Fiangonana
Rahefa voaresaka ny anjara asan’i Maria Virjiny ao amin’ny misterin’i Kristy sy ny Fanahy, dia mety amin’izay ny mandinika ny toerany ao amin’ny misterin’ny Fiangonana. “Araka izany, i Maria Virjiny (…) dia ekena sy hajaina fa tena Renin’Andriamanitra sy Renin’ny Mpanavotra tokoa (…). Izy koa dia tena "Renin’ny rantsambatan’ [i Kristy] tokoa (…) noho izy niara-niasa tamin’ny fitiavany tamin’ny fiterahana tao amin’ny Fiangonana ny mpino izay rantsambatan’io Filoha io FF 53, lazain’i Md Augustin, virg. 6.".” “… I Maria Renin’i Kristy dia Renin’ny Fiangonana” Paoly VI, lahateny tamin’ny 21 nôvambra 1964..
I.Ny maha-Renin’ny Fiangonana an’i Maria
Miray fiainana tanteraka amin’ny Zanany…
Ny anjara asan’i Maria amin’ny Fiangonana dia tsy azo sarahina amin’ny firaisam-piainany amin’i Kristy, avy aminy mivantana izany. “Io firaisam-piainan’i Maria amin’ny Zanany ao amin’ny tsanganasam-pamonjena io dia niharihary nanomboka tamin’ny fotoana nahatorontoronina an’i Kristy tao an-kibo virjiny tsy voakasi-pahotana, hatramin’ny nahafatesany” FF 57.. Niharihary manokana izany tamin’ny oran’ny fijaliany:
Nandroso tamin’ny zotram-pinoana ilay Virjiny sambatra, tamin’ny nitandrovana marina ny firaisana amin’ny Zanany hatreo amin’ny Hazofijaliana izay nijoroany, araka ny fandaharan’Andriamanitra, tamin’ny niaretany fijaliana mangirifiry niaraka tamin’ny Zanany Lahitokana, tamin’ny nandraisany anjara tamin’ny fon-dreny ny sorony, tamin’ny nanomezany ny fanekem-pitiavany amin’ny fisoronana an’ilay sorona, teraka avy amin’ny nofony, ary amin’ny farany, tamin’ny alalan’io Kristy Jesoa maty teo amin’ny Hazofijaliana io ihany, nomena ho Renin’ilay mpianatra, tamin’ireto teny ireto : “Ravehivavy, indro ny zanakao” (Jo. 19,26) FF 58..
Taorian’ny Fiakaran’ny Zanany any an-danitra, i Maria dia “nanotrona tamin’ny fivavahany ny Fiangonana vao teraka” FF 69.. Nivory niaraka tamin’ny apôstôly sy vehivavy sasantsasany, “dia hita i Maria niantso koa tamin’ny fivavahany ny fanomezana ny Fanahy izay, tamin’ny Filazana, no efa azon’ny tenany teo ambany alony” FF 59..
… ary koa tamin’ny Fampiakarana azy any an-danitra.
“Farany, ilay Virjiny madio tsy voakasi-pahotana, narovan’Andriamanitra mialoha tsy ho voan’ny fahotana tamin’ny fototra mihitsy, nony tapitra ny fiainany teto an-tany, dia nakarina vatana sy fanahy any amin’ny voninahitry ny lanitra, ary nasandratry ny Tompo ho Mpanjakavavin’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, mba hitovy tanteraka araka izany amin’ny Zanany, Tompon’ny tompo, mpandresy ny fahotana sy ny fahafatesana” FF 59; jer. koa Fanambaràna nataon’ny Papa Pie XII, tamin’ny taona 1950, ny foto-pinoana momba ny Fampiakarana any an-danitra an’i Maria Virjiny Sambatra: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny Fampiakarana any an-danitra ny Virjiny Masina dia fandraisana anjara miavaka amin’ny Fitsanganan’ny Zanany ho velona sy fananganan-ko velona mialoha an’ireo kristianina hafa :
Tao amin’ny fiterahanao dia voatahirinao ny maha-virjiny, tao amin’ny torimasom-pahafatesanao, tsy nandao an’izao tontolo izao ianao, ry Renin’Andriamanitra : nikambana tamin’ilay loharanon’Aina ianao, ianao izay niteraka an’ilay Andriamanitra velona ary, tamin’ny vavaka nataonao, no hanafahanao ny fanahinay amin’ny fahafatesana Litorzia bizantinina, Tononkalom-pivavahana amin’ny fetin’ny Dormition (15 aogositra)..
… izy no Renintsika ao amin’ny fandaharam-pahasoavana.
Noho ny firaiketany tanteraka amin’ny sitrapon’ny Ray, amin’ny tsanganasam-panavotan’ny Zanany, amin’ny fanentanana manontolo ny Fanahy Masina, i Maria Virjiny ho an’ny Fiangonana no môdely amin’ny finoana sy ny fitiavana. Amin’izany, izy no “rantsambatana ambony indrindra sy tokana aman-tany tanteraka ao amin’ny Fiangonana” FF 53., izy mihitsy no nanorina “ny fanatanterahana môdelin’ny ”, typus, Fiangonana FF 63..
Kanefa ny anjara asany raha oharina amin’ny Fiangonana sy amin’ny olombelona manontolo, dia mbola lasa lavidavitra kokoa. “Izy no nitondra teo amin’ny tsanganasan’ny Mpamonjy, ny fiaraha-miasa tanteraka tsy manan-tsahala, tamin’ny alalan’ny fanekeny, ny finoany, ny fanantenany, ny fitiavany miredareda, mba himpody ao amin’ny olombelona ny aina mihoatra ny natoraly. Izany no antony mahatonga azy ho Renintsika, ao amin’ny fandaharam-pahasoavana” FF 61..
“Izany maha-reny an’i Maria ao anatin’ny fitantanam-pahasoavana izany, nanomboka tamin’ny fankatoavana izay nasehony tamin’ny alalan’ny finoany, ny andron’ny Filazana, ary mbola notanany tao anatin’ny herim-po teo am-pototry ny Hazofijaliana, dia mitohy tsy tapaka mandra-pahafeno tanteraka ny olom-pinidy rehetra. Satria, taorian’ny Fampiakarana azy any an-danitra, tsy nitsahatra ny anjara asany amin’ny famonjena : amin’ny alalan’ny fitalahoany miverimberina, ataony tsy tapaka ny hahazoantsika ny fanomezana izay miantoka ny famonjena antsika mandrakizay (…). Izany no antony iantsoana ao amin’ny Fiangonana ny Virjiny sambatra amin’ireto anarana ireto hoe : mpisolovava, mpanampy, mpanome vonjy, mpanelanelana” FF 62..
“Ny anjara asa maha-Reny an’iMaria eo anatrehan’ny olombelona anefa, tsy manakona ary tsy mampihena kely akory ny maha-mpanelanelana tokana an’i Kristy: vao mainka aza mampiseho ny heriny izany. Satria ny fihatran’ny hery rehetra mahavonjy avy amin’ny Virjiny sambatra (…), dia avy amin’ny soa mihoa-pampana nataon’i Kristy ; miankina amin’ny fanelanelanan’i Kristy izany ny herim-pamonjen’i Maria, fanelanelanana izay iankinany manontolo ary avy amin’izany no isintonany ny heriny rehetra” FF 60.. “Tsy misy zavaboary na dia iray aza araka izany na rahoviana na rahoviana azo apetraka hitovy laharana amin’ny Teny tonga nofo sy mpanavotra. Kanefa sahala amin’ny andraisana anjara amin’ny endrika samihafa ny maha-mpisorona an’i Kristy, na ho an’ny mpandraharaha masina na ho an’ny vahoaka mpino, sy sahala amin’ny tena irotsahan’ny hatsaram-po tokan’ Andriamanitra tokoa amin’ny endrika samihafa eo amin’ny zavaboary, dia tahaka izany ny fanelanelanana tokan’ilay Mpanavotra, tsy manafoana, fa vao mainka aza mahatonga fiaraha-miasa isan-karazany avy amin’ny zavaboary, miankina amin’ny loharano tokana” FF 62..
II.Ny fanajana am-bavaka an’i Virjiny Masina
“Antsoin’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho” (Lk 1,48) : “Ny fitiavan-kanaja am-bavaka ataon’ny Fiangonana amin’ny Virjiny Masina, dia tafiditra ao anatin’ny fanompoam-pivavahana kristianina” MC 56.. Ny Virjiny Masina dia “omen’ny Fiangonana voninahitra ara-drariny amin’ny alalan’ny fanajana am-bavaka manokana. Izany tokoa, fa efa hatramin’ny fahagolan-tany, ny Virjiny sambatra no nomem-boninahitra tamin’ny anarana hoe : “Renin’Andriamanitra” ; ny mpino dia mialoka eo ambany fiarovany, amin’ny fitalahoam-bonjy aminy amin’ny loza rehetra manjo azy ireo sy ny zavatra rehetra ilain’izy ireo (…). Io fanajana am-bavaka io (…) na dia mampiseho endrika tsy manam-paharoa tanteraka aza, (…) dia tsy misy itoviana mihitsy na kely aza amin’ny fivavahana fitsaohana atao amin’ny Teny tonga nofo ary koa amin’ny Ray sy amin’ny Fanahy Masina ; afaka manampy amin’ny fomba ambony dia ambony ny fitsaohana an’Andriamanitra ny fanajana am-bavaka an’i Maria” FF 66. ; hita ny fampisehoana an’io fanajana io, ao amin’ireo fety litorzika natokana ho an’ny Renin’Andriamanitra jer. L 103. sy ao amin’ny vavaka momba an’i Masina Maria toy ny Raozery Masina, izay “famintinana ny Evanjely manontolo” jer. MC 42..
III.Maria – sarimasina maneho ny Fiangonana any am-parany any
Rahefa avy niresaka ny amin’ny Fiangonana, ny amin’ny fiandohany, ny amin’ny fanirahana azy ary ny amin’ny anjara fiafarany, dia tsy ho haintsika ny tsy hamarana metimety kokoa raha tsy manopy maso any amin’i Maria, mba hibanjina ao aminy ny atao hoe Fiangonana ao amin’ny misteriny, ao amin’ny “fivahiniany ara-pinoana” sy izay ho toetrany any an-tanindrazana amin’ny faran’ny diany, izay iandrasana izany “ao amin’ny voninahitry ny Trinite Masina Indrindra sy tsy azo sarahina”, “ao amin’ny fiombonan’ny olomasina rehetra” FF 69., ilay izay hajain’ny Fiangonana ho Renin’ny Tompony sy ho Renin’ny tenany :
Ny Renin’i Jesoa, sahala amin’ny any an-danitra izay efa anomezam-boninahitra azy vatana sy fanahy, no mampiseho sy misantatra ny Fiangonana amin’ny fahatanterahany ao anatin’ny fotoan-ko avy, torak’ izany koa ety an-tany, eo am-piandrasana ny fahatongavan’ny andron’ny Tompo, dia efa mamirapiratra sahady toy ny famantaram-panantenana azo antoka izy, sy fiononana eo anatrehan’ny Vahoakan’Andriamanitra eny an-dalam-pivahiniana FF 68..
Teo am-panononana ny “Aoka anie ho tanteraka amiko” tamin’ny Filazana sy teo am-panolorana ny fanekeny ny misterin’ny Fahatongavana ho Nofo i Maria dia efa niara-niasa sahady tamin’ny tsanganasa manontolo izay tsy maintsy hotanterahin’ny Zanany. Reny izy ao amin’izay rehetra maha-Mpamonjy sy Lohan’ny Vatana mistikan’ny Zanany.
I Maria Virjiny Masina Indrindra, nony tapitra ny androm-piainany teto an-tany, dia nakarina vatana sy fanahy ao amin’ny voninahitra any an-danitra, izay any Izy no efa mandray anjara sahady amin’ny voninahitry ny Fitsanganan’ny Zanany ho velona, misantatra ny fitsanganan-ko velon’ny rantsambatana rehetra an’ny Vatany.
“Mino isika fa ny Reny Masin’Andriamanitra Indrindra, Eva vaovao, Renin’ny Fiangonana, dia manohy any an-danitra ny anjara asa maha-Reny azy eo anatrehan’ny rantsambatan’i Kristy” SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
10.“Izaho mino ny famelana ny fahotana”
Mampifamatotra ny finoana ny famelana ny fahotana amin’ny finoana ny Fanahy Masina ny Sembolin’ny apôstôly, ary koa amin’ny finoana ny Fiangonana sy amin’ny fiombonan’ny olomasina. Tamin’ny nanomezany ny Fanahy Masina ny apôstôliny i Kristy tafatsangan-ko velona no nanome azy ireo ny fahefana maha-Andriamanitra ny Tenany mamela ny fahotana : “Raiso ny Fanahy Masina. Ireo izay havelanareo ny fahotany dia ho voavela amin’izany izy ireo ; ireo izay hotananareo izany, dia ho voatana amin’izany izy ireo” (Jo 20, 22-23). (Ny fizarana faharoa amin’ny Katesizy no hamelabelatra mazava tsara ny amin’ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny Batemy, amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fivalozana ary amin’ny alalan’ny sakramenta hafa, indrindra ny Eokaristia. Ampy àry ny mampahatsiahy fohifohy eto, ny foto-kevitra vitsivitsy iaingana).
I.Batemy tokana ho amin’ny famelana ny fahotana
Ny Tompontsika dia mampifamatotra ny famelana ny fahotana amin’ny finoana sy amin’ny Batemy : “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Vaovao Mahafaly amin’ny voary manontolo. Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy” (Mk 16,15-16). Ny Batemy no voalohany sy lehibe indrindra amin’ny sakramentan’ny famelana ny fahotana, satria izy no mampiray antsika amin’i Kristy maty noho ny fahotantsika, nitsangan-ko velona ho fanamarinana antsika jer. Rôm 4,25., mba “hivelomantsika ihany koa amin’ny fiainam-baovao” (Rôm 6, 4).
“Tamin’ny fotoana nanaovantsika ny fiekem-pinoantsika voalohany, rahefa nandray ny Batemy masina izay nanadio antsika isika, dia feno sy manontolo tokoa ny famelana ny fahotantsika, hany ka tsy misy na inona na inona hofafana intsony ao amintsika, na ny avy amin’ny fahotana tamin’ny fototra, na ny avy amin’ny fahotana niniantsika natao, ary tsy misy sazy na iray aza hiaretana mba hanonerana izany (…). Kanefa na izany aza, tsy manafaka ny kileman’ny maha-olona ny fahasoavan’ny Batemy. Vao mainka aza isika mbola miady amin’ny fitaoman’ny fanirian-dratsy izay tsy mitsahatra mandrisika antsika ho amin’ny ratsy” Catech. R. 1,11,3..
Amin’izany adin’ny fironana amin’ny ratsy izany, iza no ampy herim-po sy fitandremana mba ho afaka amin’ny ratram-pahotana rehetra ? “Araka izany, raha ilaina ny hananan’ny Fiangonana ny fahefana hamela ny fahotana, dia tsy tokony ho ny Batemy koa ho azy no hany fitaovana ampiasaina amin’ireo fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra izay noraisiny tamin’i Jesoa-Kristy ; tokony ho afaka mamela ny fahadisoan’ireo mpibebaka rehetra izy, na dia hanota aza izy ireo hatramin’ny faran’ny androm-piainan’izy ireo” Catech. R. 1,11,4..
Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fivalozana no ahafahan’ny vita batemy mihavana indray amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana : Marina ny an’ireo Aba miantso ny fivalozana hoe “Batemy miasa mafy” Md Grégoire de Naz., or. 39,17.. Io sakramentan’ ny Fivalozana io, ho an’ireo izay lavo indray taorian’ny Batemy, dia ilaina ho amin’ny famonjena, tahaka ny ilana ny Batemy ho amin’izany koa, ho an’ireo izay tsy mbola nateraka indray Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
II.Ny fahefan’ny fanalahidy
I Kristy taorian’ny nitsanganany ho velona dia naniraka ny apôstôliny “hitory amin’ny firenena rehetra ny fibebahana amin’ny anarany ho famelana ny fahotana” (Lk 24,47). Tsy ny fanambaràna amin’ny olombelona ny famelan’Andriamanitra mendrika ho antsika amin’ny alalan’i Kristy, sy ny fiantsoana azy ireo hibebaka sy hino, no hany nanatanterahan’ny apôstôly sy ny dimbin’izy ireo izany “andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana” (2 Kôr 5,18) izany, fa koa ny fampitana amin’izy ireo ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny Batemy sy ny fampihavanana azy ireo amin’Andriamanitra sy ny Fiangonana, noho ny fahefan’ny fanalahidy noraisina avy amin’i Kristy :
Nandray ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra ny Fiangonana, mba ho ao aminy no hamelana ny fahotana amin’ny alalan’ny ran’i Kristy sy ny asan’ny Fanahy Masina. Ao amin’io Fiangonana io no hahaveloman’ny fanahy indray, izay matin’ny fahotana, mba ho velona miaraka amin’i Kristy, izay ny fahasoavany no nahavonjy antsika Md Augustin, serm. 214,11..
Tsy misy hadisoana na dia iray aza, na toy inona halehibeny, ka tsy ho azon’ny Fiangonana Masina havela. “Tsy misy olona, na dia ratsy fanahy sy meloka toy inona tokoa aza izy, izay tsy tokony hanantena intsony ny famelana azy, raha toa ka avy ao am-po tokoa ny fanenenany” Catech. R. 1,11, 5.. Sitrak’i Kristy izay maty ho an’ny olombelona rehetra, ny hisokafan’ny varavaran’ny famelana lalandava ao amin’ny Fiangonany, ho an’izay miala amin’ny fahotana na iza na iza jer. Mt 18,21-22..
Hiezaka ny katesezy hamohafoha sy hamelona ny finoan’ireo mpino, noho ny halehiben’ny fanomezana izay nataon’i Kristy nitsangan-ko velona ho an’ny Fiangonany : ny fanirahana sy ny fahefana hamela marina tokoa ny fahotana, amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny apôstôly sy ny dimbin’izy ireo :
Nandray ny fahefana izay tsy nomen’Andriamanitra na tamin’ny anjely na tamin’ny arkanjely ny Pretra. (…) Ataon’Andriamanitra any ambony any manan-kery izay rehetra ataon’ny Pretra eto an-tany Md Jean Chrysostome, sac. 3,5.. Raha tsy nisy ny famelana ny fahotana ao amin’ny Fiangonana, tsy hisy fanantenana na kely aza, ary tsinontsinona ny fanantenana ny fiainana mandrakizay sy ny fanafahana mandrakizay. Isaorantsika Andriamanitra izay nanome ho an’ny Fiangonany ny fanomezana toy izany Md Augustin, serm. 213,8..
Ny Izaho mino dia mampifandray “ny famelana ny fahotana” sy ny fiekem-pinoana momba ny Fanahy Masina. Satria, nankinin’i Kristy nitsangan-ko velona tamin’ny apôstôly ny fahefana hamela ny fahotana tamin’ny nanomezany azy ireo ny Fanahy Masina.
Ny Batemy no sakramenta voalohany sady fototra amin’ny famelana ny fahotana : mampiray antsika amin’i Kristy maty sy nitsangan-ko velona izany, ary manome antsika ny Fanahy Masina.
Avy amin’ny sitrapon’i Kristy no ananan’ny Fiangonana ny fahefana hamela ny fahotan’ny vita batemy, ary amin’ny alalan’ny Eveka sy ny Pretra no fomba mahazatra anatanterahany izany amin’ny sakramentan’ ny fivalozana.
“Ny Pretra sy ny sakramenta, amin’ny famelana ny fahotana, no fitaovana mangarangarana izay tena sitrak’i Jesoa-Kristy Tompontsika, ilay hany Tompon’antoka sy Mpizarazara ny famonjena ho antsika, ampiasaina mba hamafana ny tsy fahamarinantsika sy hanomezana antsika ny fahasoavam-panamarinana” Catech. R. 1,11,6..
11.“Izaho mino ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty”
Ny Izaho mino kristianina – fiekena ny finoantsika an’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, sy ny asany mahary, mamonjy ary manamasina – dia tonga amin’ny fara tampony amin’ny fanambaràna ny fitsanganan’ny maty ho velona amin’ny farandro, ary ny fiainana mandrakizay.
Mino mafy isika, ary manantena amin’izany, fa tahaka an’i Kristy nitsangan-ko velona marina tokoa avy amin’ny maty, ary velona mandrakizay, dia tahaka izany, ireo olo-marina aorian’ny fahafatesan’izy ireo dia ho velona mandrakizay miaraka amin’i Kristy nitsangan-ko velona ary Izy hanangana azy ireo ho velona amin’ny farandro jer. Jo 6,39-40.. Tahaka ny Azy, ny fitsanganantsika ho velona dia ho tsanganasan’ny Trinite Masina Indrindra :
Ary raha ny Fanahin’Ilay izay nanangana an’i Jesoa avy amin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Ilay izay nanangana an’i Kristy Jesoa avy amin’ny maty no hamelona koa ny vatanareo mety maty, amin’ny alalan’ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo” (Rôm 8,11) jer. 1 Tes 4,14; 1 Kôr 6,14; 2 Kôr 4,14; Filip 3,10-11..
Ny teny hoe “nofo” dia enti-milaza ny olombelona amin’ny toetra maha-osa sy mahamety maty azy jer. Jen 6,3; Sal 56,5; Iz 40,6.. Ny “fitsanganan’ny nofo ho velona”, dia midika fa, aorian’ny fahafatesana, tsy ny ain’ny fanahy tsy mety maty ihany no hisy, fa koa ny “vatantsika mety maty” (Rôm 8,11) dia ho velona indray.
Ny mino ny fitsanganan’ny maty ho velona dia singafototra iray tsy azo avela amin’ny finoana kristianina hatrany am-piandohany. “Finoam-pahamarinana kristianina ny fitsanganan’ny maty ho velona ; izany finoana izany no mamelona antsika” Tertullien res. 1,1. :
Ahoana ity ilazan’ny sasany aminareo hoe tsy misy ny fitsanganan’ny maty ho velona ? Raha tsy misy ny fitsanganan’ny maty ho velona, tsy nitsangan-ko velona tokoa i Kristy. Kanefa raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy, dia foana izany ny toriteninay, foana koa ny finoanareo (…). Tsy izany anefa, fa efa nitsangana-ko velona avy amin’ny maty i Kristy, ary Izy no santatr’ireo izay nodimandry (1 Kôr 15,12-14.20).
I.Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona sy ny antsika
Fanambaràna miandalana ny Fitsanganan-ko velona
Ny fitsanganan’ny maty ho velona dia nambaran’Andriamanitra miandalana tamin’ny Vahoakany. Ny fanantenana ny amin’ny fitsanganan’ ny vatan’ny maty ho velona, dia mampanaiky ho vokatry ny finoana avy ao anaty an’ilay Andriamanitra mpahary ny olombelona manontolo, fanahy sy vatana. Ilay mpahary ny lanitra sy ny tany no Ilay izay mitana marina ny fanekem-pihavanany tamin’i Abrahama sy ny taranany koa. Avy amin’izany fijery anankiroa izany no hanomboka hazava ny finoana ny amin’ny fitsanganan-ko velona. Tao anatin’ny fitsapan-toetra azy ireo, ry Makabeo martiry no nanambara ampahibemaso fa :
Ilay Mpanjakan’izao tontolo izao dia hanangana anay ho amin’ny fiainana mandrakizay, izahay izay maty amin’ny lalànany (2 Mak 7,9). Sambatra izay matin’ny tanan’olombelona amin’ny fifikirana ny fanantenana avy amin’Andriamanitra fa ho hatsangany amin’ny maty ! ( 2 Mak 7,14) jer. 2 Mak 7,29; Dan 12,1-13..
Ny Farisianina jer. Asa 23,6. sy ny olona betsaka niara-niaina tamin’ny Tompo jer. Jo 11,24. dia nanantena ny fitsanganan-ko velona. Nampianatra izany tamin’ny fomba hentitra i Jesoa. Izao no navaliny an’ireo Sadoseanina izay nandà izany : “Tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra, ka diso hevitra ianareo” (Mk 12,24). Ny finoana ny fitsanganan-ko velona dia miompana amin’ny finoana an’Andriamanitra izay “tsy Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona” (Mk 12,27).
Fa fanampin’izany : Ampiraisin’i Jesoa amin’ny Tenany mihitsy ny finoana ny fitsanganan-ko velona : “Izaho no Fananganan-ko velona sy fiainana” (Jo 11,25). Ny Tenan’i Jesoa ihany no hanangana ho velona amin’ny farandro an’ireo izay hino Azy jer. Jo 5,24-25; 6,40. sy izay hihinana ny nofony sy hisotro ny rany jer. Jo 6,54.. Nanomboka hatreo, nanome famantarana sy antoka amin’izany Izy tamin’ny famelomana ny maty sasantsasany jer. Mk 5,21-43; Lk 7,11-17; Jo 11., ilazana avy amin’izany ny Fitsanganan’ ny tenany ho velona izay ho amin’ny fomba hafa anefa. Ho amin’io zava-niseho tokana aman-tany io, no nitenenany ny famantarana ny amin’i Jônasa jer. Mt 12,39., ny famantarana ny amin’ny Tempoly jer. Jo 2,19-22. : Manambara ny Fitsanganany ho velona amin’ny andro fahatelo, aorian’ny famonoana Azy ho faty Izy jer. Mk 10,34..
Ny hoe vavolombelon’i Kristy, dia “vavolombelon’ny Fitsanganany ho velona” (Asa 1,22) jer. 4,33., “nihinana sy nisotro niaraka Taminy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty” (Asa 10,41). Ny fanantenana kristianina ny amin’ny fitsanganan-ko velona dia voamarika indrindra tamin’ireo fihaonana tamin’i Kristy nitsangan-ko velona. Hitsangan-ko velona toa Azy, miaraka Aminy, amin’ny Alalany, isika.
Hatrany am-piandohana, ny finoana kristianina ny amin’ny fitsanganan-ko velona dia tojon’ny tsy fahatakarana an-tsaina sy fanoherana jer. Asa 17,32; 1 Kôr 15,12-13.. “Tsy misy na iray aza eo amin’ny lafiny finoana kristianina tojon’ny fanoheran-kevitra afa-tsy ny amin’ny fitsanganan’ny nofo ho velona” Md Augustin, Psal. 88,2,5.. Ekena tokoa amin’ny ankapobeny fa aorian’ny fahafatesana, ny fiainan’ny olombelona dia mitohy amin’ny endrika ara-panahy. Kanefa ahoana no inoana fa ity vatana miharihary fa mety maty ity dia ho afaka hitsangan-ko velona ho amin’ny fiainana mandrakizay ?
Ahoana no hitsanganan’ny maty ho velona indray ?
Inona ny hoe “mitsangan-ko velona” ? Amin’ny fahafatesana, fisarahan’ny fanahy sy ny vatana, ny vatan’ny olombelona no tratran’ny fahalovana, fa ny fanahiny dia lasa mihaona amin’Andriamanitra, eo am-piandrasana ny iraisany indray amin’ny vatany nomem-boninahitra. Andriamanitra amin’ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy dia hamerina tanteraka ny aina tsy mety lo amin’ny vatantsika amin’ny fampiraisana azy amin’ny fanahintsika, noho ny herin’ny Fitsanganan’i Jesoa ho velona.
Amin’ny fomba ahoana ? I Kristy dia nitsangan-ko velona niaraka tamin’ny vatany mihitsy : “Zahao ny tanako sy ny tongotro : Izaho mihitsy ity” (Lk 24,39) ; kanefa tsy niverina tamin’ny fiainana teto an-tany Izy. Torak’izany koa, ao Aminy “ny olona rehetra no hatsangan-ko velona miaraka amin’ny vatan’izy ireo, izay ananan’izy ireo ankehitriny” Kôns. Latran IV: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., kanefa izany vatana izany dia hiova endrika ho vatana be voninahitra jer. Filip 3,21., “ho vatana mitoe-panahy” (1 Kôr 15,44) :
“Fa hisy hanao hoe : fomba ahoana no hitsanganan’ny maty ho velona ? Amin’ny vatana toy inona no hiverenany ? Ry adala ! Izay afafinao, tsy ho velona, raha tsy maty. Ary izay afafinao, tsy ny tenan’izay ho avy, fa ny voa ihany (…). Mety lo izy no afafy, fa tsy mety lo no atsangana ; (…) ny maty dia ho hatsangana amin’ny tsy fahalovana (…). Noho izany, ity mety lo ity hitafy ny tsy fahalovana, ary ity mety maty ity hitafy ny tsy fahafatesana” (1 Kôr 15,35-37. 42.52-53).
Io amin’ny “fomba ahoana” io dia mihoatra ny eritreritsika sy ny saintsika ; tsy mety ho azo afa-tsy amin’ny finoana izany. Kanefa ny fandraisantsika anjara amin’ny Eokaristia no isantarantsika sahady ny fanovàna endrika ny vatantsika amin’ny alalan’i Kristy :
Toy ny mofo izay avy amin’ny tany, rahefa avy nandray ny valim-pitalahoana avy amin’Andriamanitra, dia tsy mofo tsotra intsony, fa Eokaristia, izay itambaran-javatra roa : ny iray avy amin’ny tany ary ny iray avy amin’ny lanitra, dia toy izany koa ny vatantsika izay mandray anjara amin’ny Eokaristia, tsy mety lo intsony, satria manana ny fanantenana ny fitsanganan-ko velona Md Irénée, haer. 4,18,5..
Rahoviana ? Tsy miova intsony fa “amin’ny farandro” (Jo 6,39-40.44.55 ; 11,24) ; “amin’ny faran’izao tontolo izao” FF 48.. Noho izany, ny fitsanganan’ny maty ho velona dia mifamatotra lalina amin’ny Fahatongavan’i Kristy indray :
Satria ny Tenan’Izy Tompo ihany, amin’ny baiko homena amin’ny alalan’ny feon’arkanjely sy ny feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra, ka izay maty tao amin’i Kristy no hatsangana aloha (I Tes 4,16).
Mitsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy
Raha marina fa i Kristy no hanangana antsika ho velona “amin’ny farandro”, dia marina koa, amin’ny endrika iray, fa efa natsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy isika. Satria, noho ny Fanahy Masina, ny fiainana kristianina, amin’izao mbola eto an-tany izao, dia fandraisana anjara amin’ny fahafatesana sy amin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona :
Fa niara-nalevina tamin’i Kristy ianareo tamin’ny Batemy, ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin’Andriamanitra izay nanangan-ko velona Azy avy amin’ny maty ianareo (…). Koa raha niara-natsangan-ko velona tamin’i Kristy àry ianareo, ny zavatra any ambony any amin’ izay misy an’i Kristy, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, no katsaho (Kôl 2,12 ; 3,1).
Ny mpino, nampiraisina tamin’i Kristy tamin’ny Batemy, dia efa mandray anjara marina amin’ny fiainana any an-danitra misy an’i Kristy nitsangan-ko velona jer. Filip 3,20., kanefa io fiainana io dia mijanona ho “miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’ Andriamanitra” (Kôl 3,3). “Miaraka Aminy, natsangany ho velona sy napetrany any an-danitra, ao amin’i Kristy Jesoa, isika” (Efez 2,6). Mivelona amin’ny Vatany amin’ny Eokaristia isika, ka efa anisan’ny ao amin’ny Vatan’i Kristy sahady. Rahefa hatsangan-ko velona isika amin’ny farandro dia “haseho miaraka Aminy henim- boninahitra” koa (Kôl 3,4).
Eo am-piandrasana izany andro izany, ny vatana sy ny fanahin’ny mpino dia efa mandray anjara sahady amin’ny fahamendrehana ho “an’i Kristy” ; koa avy amin’izany no ilana ny fanajana ny vatan-tenantsika, ary koa ny an’ny hafa, indrindra raha mijaly izy :
Ny vatana ho an’ny Tompo, ary ny Tompo ho an’ny vatana. Ary Andriamanitra, izay nanangana ny Tompo ho velona, hanangana antsika koa, amin’ny heriny. Tsy fantatrareo va fa rantsambatan’i Kristy ny vatanareo ? (…) Tsy anareo ny vatanareo (…). Andriamanitra àry no omeo voninahitra ao amin’ny vatanareo (1 Kôr 6,13-15.19-20).
II.Maty ao amin’i Kristy Jesoa
Mba hitsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy, tsy maintsy maty miaraka amin’i Kristy, tsy maintsy “miala amin’ity vatana ity, mba handeha hitoetra eo akaikin’ny Tompo” (2 Kôr 5,8). Ao amin’io fialana jer. Filip 1,23. io, izay tsy inona fa ny fahafatesana, dia misaraka amin’ny vatana ny fanahy. Hakambana indray amin’ny vatany izy amin’ny andron’ny fitsanganan’ny maty ho velona jer. SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
Ny fahafatesana
“Eo anoloan’ny fahafatesana no tonga amin’ny fara tampony ny zavatra saro-pantarina momba ny toe-piainan’olombelona” FAA 18.. Amin’ny lafiny iray, dia ara-pomban’ny zavaboary ny fahafatesan’ny vatana, nefa ho an’ny finoana dia “tambin’ny ota” izany (Rôm 6,23) jer. Jen 2,17., raha ny tena marina. Fa ho an’ireo izay maty ao amin’ny fahasoavan’i Kristy, dia fandraisana anjara amin’ny fahafatesan’ny Tompo izany, mba hahafahana mandray anjara koa amin’ny Fitsanganany ho velona jer. Rôm 6,3-9; Filip 3,10-11..
Fiafaran’ny fiainana eto an-tany ny fahafatesana. Voarefin’ny fotoana ny fiainantsika, ary mandritra izany dia miova isika, mihaantitra, ary toy ny ao amin’ireo zavamananaina rehetra eto an-tany no itrangan’ny fahafatesana ho toy ny fiafaran’ny fiainana tsotra izao fotsiny. Io endriky ny fahafatesana io dia mampiseho fahamehana amin’ny fiainantsika : ny fieritreretana ny fahafatesantsika dia manampy koa hampahatsiaro antsika fa tsy manana afa-tsy fotoana voafetra ihany isika mba hanatanterahana ny fiainantsika :
Tsarovy ny Mpahary anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, (…) dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fofon’aina kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy (Mpitor 12,1.7).
Vokatry ny fahotana ny fahafatesana. Amin’ny maha-mpivaofy marina ny voalazan’ny Soratra Masina jer. Jen 2,17; 3,3; 3,19; Fah 1,13; Rôm 5,12; 6,23. sy ny Lovam-pampianarana ny Toniam-pampianaran’ ny Fiangonana, dia mampianatra izy fa tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny fahafatesana noho ny fahotan’ny olombelona jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Na dia manana toetra mety maty aza ny olombelona, Andriamanitra kosa nandahatra azy tsy ho faty. Koa noho izany, ny fahafatesana dia mifanohitra amin’ny fandaharan’Andriamanitra Mpahary, fa noho izy vokatry ny fahotana no nidirany teto amin’izao tontolo izao jer. Fah 2,23-24.. “Ny fahafatesan’ny vatana, izay tsy tokony nihatra tamin’ny olombelona raha tsy nanota izy” FAA 18., araka izany, no “fahavalo faran’ ” ny olombelona tsy maintsy resena (1 Kôr 15,26).
Novàn’i Kristy ny fahafatesana. I Jesoa, ilay Zanak’Andriamanitra, dia niaritra koa ny fahafatesana, izay tandra vadin-koditry ny toe-piainan’olombelona. Kanefa, na teo aza ny horohoro aman-tahotra nanjo Azy nanoloana izany jer. Mk 14,33-34; Heb 5,7-8., dia nozakainy tao anatin’ny asa fankatoavana tanteraka sy an-kalalahana ny sitrapon’ny Rainy izany. Ny faneken’i Jesoa no nanova ny ozon’ny fahafatesana ho tsodrano jer. Rôm 5,19-21..
Ny dikan’ny fahafatesana kristianina
Noho i Kristy, misy dikany marina ny fahafatesana kristianina. “Raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako ary ny fahafatesana no ahazoako tombony” (Filip 1,21). “ Teny mahatoky tokoa izao : raha miara-maty Aminy isika, hiara-belona Aminy koa” (2 Tim 2,11). Eo amin’izany ny zava-baovao ilaina amin’ny fahafatesana kristianina : amin’ny Batemy, ny kristianina dia efa “maty miaraka amin’i Kristy” ara-tsakramenta, mba hivelona amin’ny aim-baovao ; ary raha maty ao anatin’ny fahasoavan’i Kristy isika, ny fahafatesana ara-batana no manapitra io “maty miaraka amin’i Kristy” io sy mamarana, araka izany, ny fanakambanana antsika Aminy amin’ny asam-panavotany :
Tsara ho ahy ny maty ao amin’i (eis) Kristy Jesoa, mihoatra noho ny manjaka hatrany amin’ny faran’ny tany. Izy no katsahiko, izay maty ho antsika. Izy no ilaiko, izay nitsangan-ko velona ho antsika. Manakaiky ny fahaterahako (…). Avelao aho handray ny fahazavana madio mangarangarana ; rahefa ho tonga eo aho, dia izay aho no ho olona Md Ignace d’Antioche, Rom. 6,1-2..
Amin’ny fahafatesana no miantso ny olombelona hankany Aminy Andriamanitra. Izany no ahafahan’ny kristianina mahatsapa, manoloana ny fahafatesana, ny faniriana mitovy amin’ny an’i Md Paoly hoe : “Iriko ny handeha ho any amin’i Kristy sy hiaraka Aminy” (Filip 1,23) ; ary afaka hanova ny fahafatesan’ny tenany ho asam-panekena sy fitiavana ny Ray izy, amin’ny oha-piainan’i Kristy jer. Lk 23,46. :
Nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana ny faniriako teto an-tany ; (…) ato amiko ato misy rano velona izay mizozozozo malefaka sy miteny ao anatiko hoe : “Andao ho any amin’ny Ray” Md Ignace d’Antioche, Rom. 7,2.. Maniry hahita maso an’Andriamanitra aho, ary mba hahitana Azy dia tsy maintsy maty Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, poe 7.. Tsy maty aho akory, miditra any amin’ny fiainana aho Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, lettre..
Ny fahitan’ny kristianina ny fahafatesana jer. 1 Tes 4,13-14. dia voambara amin’ny fomba manan-tombo sy manokana ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana :
Ho an’ireo izay mino Anao ry Tompo, miofo ny aina fa tsy levona ; ary rahefa tapitra ny fonenan’izy ireo eto an-tany, dia efa manana fonenana mandrakizay any an-danitra sahady izy ireo MR, Prefasy ho an’ny nodimandry..
Ny fahafatesana no fiafaran’ny fivahinian’ny olombelona eto an-tany, fiafaran’ny fotoanan’ny fahasoavana sy ny famindram-po izay natolotr’Andriamanitra azy mba hanatontosany ny fiainany teto an-tany araka ny fandaharan’Andriamanitra sy mba hanapahany hevitra ny amin’ny anjarany farany. Rahefa nifarana “ilay hany zotram-piainantsika teto an-tany” FF 48., tsy hiverina intsony amin’ny fiainana hafa eto an-tany isika. “Tsy maty afa-tsy indray mandeha ihany ny olombelona”(Heb 9,27). Tsy misy “fiverenan-ko nofo indray” aorian’ny fahafatesana.
Mamporisika antsika ny Fiangonana mba hiomanantsika amin’ny andron’ny fahafatesantsika (“Afaho izahay, ry Tompo, amin’ny fahafatesana tampoka sy tsy ampoizina” : Litania tranain’ny olomasina), hangataka amin’ny Renin’ Andriamanitra hitalaho ho antsika “amin’ny fotoana hahafatesantsika” (Vavaka Arahaba, ry Maria), ary mba hanankinantsika izany amin’i masindahy Josefa, mpiaro ny tsara fahafatesana :
Amin’ny asanao amam-pihetsikao rehetra, amin’ny eritreritrao rehetra, tokony hahay hitondra tena ianao sahala amin’ny hoe tsy maintsy ho faty anio ihany ianao. Raha tsara toetra ny kônsiansinao, tsy hatahotra loatra ny fahafatesana ianao. Tsaratsara kokoa ny mitandrin-tena tsy hanota noho ny mandositra ny fahafatesana. Raha anio ianao tsy vonona, ahoana moa no hahavonona anao rahampitso Imitation du Christ, 1,23,5-8. ? Ho deraina anie Ianao ry Tompoko, noho ranabavy fahafatesanay ara-batana, izay tsy azon’ny olo-miaina na iza na iza andosirana. Loza ho an’ireo izay ho faty ao anatin’ny fahotana mahafaty, fa sambatra sy tretrika kosa ireo izay ho hitan-drafahafatesana ao anatin’ny sitrapony masina indrindra, satria tsy hanisy ratsy azy ireo ny fahafatesana faharoa Md François d’Assise, cant..
“Ny nofo no iompanan’ny famonjena” Tertullien, res. 8,2.. Mino an’Andriamanitra izay mpahary ny nofo isika; mino ny Teny tonga nofo mba hanavotra ny nofo isika ; mino ny fitsanganan’ny nofo ho velona, fahavitan’ny fahariana sy ny fanavotana ny nofo isika.
Amin’ny fahafatesana no misaraka amin’ny vatana ny fanahy, fa amin’ny fitsanganan-ko velona Andriamanitra no hamerina ny aina tsy mety levona ao amin’ny vatantsika voaova amin’ny fampiraisana azy amin’ny fanahintsika. Tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona sy mahavelona Azy mandrakizay, no hananganana antsika rehetra koa amin’ny farandro.
“Mino ny tena fitsanganan-ko velon’ity nofo ananantsika ankehitriny ity tokoa isika” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Kanefa, vatana mety lo no asitrika ao am-pasana, ary vatana tsy mety lo jer. 1 Kôr 15,42., “vatana mitoe-panahy”, no atsangana avy ao” (1 Kôr 15,44).
Vokatry ny fahotana tamin’ny fototra, tsy maintsy iharan’ny “fahafatesam-batana ny olombelona, izay tsy ho nihatra taminy izany raha tsy nanota izy ” FAA18..
I Jesoa, Zanak’Andriamanitra, dia niaritra an-tsitrapo ny fahafatesana ho antsika, tao anatin’ny fankatoavana tanteraka sy an-kalalahana ny sitrapon’Andriamanitra, Rainy. Tamin’ny fahafatesany no nandreseny ny fahafatesana, ka amin’izany no anokafany ho an’ny olombelona rehetra ny fahazoam-pamonjena.
12.“Izaho mino ny fiainana mandrakizay”
Ny kristianina izay mampiray ny fahafatesan’ny tenany amin’ny an’i Jesoa dia mahita ny fahafatesana ho fandehanana ho any Aminy sy fidirana any amin’ny fiainana mandrakizay. Ny Fiangonana, rahefa avy nilaza farany ny teny famelana sy famotsoran’i Kristy ny heloka tamin’ilay kristianina niala aina, nanosotra azy farany tamin’ny fanosorana mampatanjaka ary nanome azy an’i Kristy amin’ny sakramentan’ny Eokaristia ho vatsin-dalana, dia miteny aminy amim-pitokiana mahavelom-bolo hoe :
Ilaozy izao tontolo izao, ry fanahy kristianina, amin’ny anaran’ny Ray Mahefa ny zavatra rehetra izay nahary anao, amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy, Zanak’Andriamanitra velona, izay nijaly ho anao, amin’ny anaran’ny Fanahy Masina izay narotsaka tao aminao. Ankehitriny, raiso ny toeranao ao anatin’ny fiadanana, ary araiketo ny fonenanao miaraka amin’Andriamanitra ao Siôna masina, miaraka amin’i Maria Virjiny, Renin’Andriamanitra, miaraka amin’ny masindahy Josefa, ny anjely sy ny olomasina rehetra an’Andriamanitra (…). Miverena eo anilan’ny Mpahary anao izay namorona anao tamin’ny vovoky ny tany. Amin’ny ora izay hivoahan’ny fanahinao avy ao amin’ny vatanao, hidodododo hitsena anao anie i Maria, ny anjely sy ny olomasina rehetra (…). Enga anie hahita ny Mpanavotra anao mifanatri-tava aminao ianao OEx « Commendatio animae ».….
I.Ny fitsaràna ny tsirairay manokana
Ny fahafatesana no mamarana ny fiainan’ny olombelona izay ho fanomboham-potoana andraisana na andavana ny fahasoavan’ Andriamanitra naseho tao amin’i Kristy jer. 2 Tim 1,9-10.. Ny tena resahin’ny Testamenta Vaovao indrindra dia ny fitsaràna amin’ny endriky ny fihaonana farany amin’i Kristy amin’ny fiverenany fanindroany, nefa manantitrantitra imbetsaka koa izy ny amin’ny valin’ny natao omena eo no eo avy hatrany aorian’ny fahafatesan’ny tsirairay, arakaraka ny tsanganasany sy ny finoany. Ny fanoharana momba an’i Lazara mahantra jer. Lk 16,22. sy ny tenin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana tamin’ilay jiolahy nivalo jer. Lk 23,43., toy izany koa ny lahatsoratra maro hafa ao amin’ny Testamenta Vaovao jer. 2 Kôr 5,8; Filip 1,23; Heb 9,27; 12,23., dia miteny ny amin’ny anjara farany ho an’ny fanahy jer. Mt 16,26., izay mety tsy hitovy amin’ny an’ny sasany ny an’ny hafa.
Ny olombelona tsirairay, raha vantany vao maty izy, dia mandray ao amin’ny fanahiny tsy mety maty, ny valy mandrakizay amin’ny nataony, manoloana ny fitsaràna manokana izay hijerena ny fiainany araka an’i Kristy, na amin’ny alalan’ny fandiovana jer. Kôns. Lyon: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Kôns. Florence: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., na hiditra eo no eo avy hatrany any amin’ny fahasambaran’ny lanitra jer. Kôns. Lyon: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Jean XXII: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Benoît XII: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Kôns. Florence: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., na mamery ny tenany eo no eo avy hatrany any amin’ny fahoriana mandrakizay jer. Kôns. Lyon: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Benoît XII: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Kôns. Florence: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Amin’ny faran’ny fiainantsika, ny fitiavana no hitsaràna antsika Md Jean de la Croix, avisos 57..
II.Ny lanitra
Ireo izay maty ao anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, ary voadio tanteraka, no velona mandrakizay miaraka amin’i Kristy. Mifanahaka mandrakizay amin’Andriamanitra izy ireo, satria mahita Azy “araka ny tena maha-Izy Azy” (1 Jo 3,2), “mifanatri-tava Aminy” (1 Kôr 13,12) jer. Apôk 22,4. :
Avy amin’ny fahefana apôstôlika anananay no amariparitanay fa, araka ny fandaminan’Andriamanitra ankapobeny, ny fanahin’ny olomasina rehetra (…) sy ny mpino hafa rehetra maty taorian’ny nandraisany ny Batemy masin’i Kristy, ka tsy nisy na inona na inona hodiovina intsony ao aminy nony maty izy ireo, (…) na koa, raha nisy na misy zavatra sasany mila hodiovina, rahefa nofaranan’izy ireo ny fanaovana izany taorian’ny fahafatesany, (…) na dia mialoha ny fananganana ny vatan’izy ireo ho velona sy ny Fitsaràna mitamba-be aza, ary izany dia nanomboka hatramin’ny Fiakaran’ny Tompo sady Jesoa-Kristy Mpamonjy any an-danitra, dia efa tany an-danitra, any an-danitra ary ho any an-danitra, any amin’ny Fanjakan’ny lanitra sy any amin’ny Paradisan’ny lanitra miaraka amin’i Kristy, voaray ao amin’ny fikambanan’ny anjely masina izy ireo. Nanomboka hatramin’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa-Kristy Tompontsika, dia nahita ary mahita ny foto-pisian’Andriamanitra izy ireo, amin’ny fomba fahitana tonga fotsiny amin’izao sy mifanatrika mivantana mihitsy, tsy mila ny fanelanelanan’ny zavaboary na dia iray aza Benoît XII: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. koa FF 49..
Izany fiainana lavorary miaraka amin’ny Trinite Masina Indrindra izany, izany fiombonan’aina amam-pitiavana Aminy, miaraka amin’i Maria Virjiny sy ny anjely ary ny olon-tsambatra rehetra izany, no antsoina hoe “lanitra”. Ny lanitra no tanjom-piafaràna sady fahatanterahan’ny faniriana lalina indrindra ao am-pon’ny olombelona, toe-pahasambarana fara tampony sady mandrakizay.
Ny hoe miaina any an-danitra dia ny “mitoetra miaraka amin’i Kristy” jer. Jo 14,3; Filip 1,23; 1 Tes 4,17.. Mivelona “ao Aminy” ny olom-pinidy, fa ao izy ireo no mitahiry sy mahita tsara tokoa ny tena maha-izy Azy, sy ny anarany manokana avy jer. Apôk 2,17. :
Satria ny fiainana dia ny mitoetra miaraka amin’i Kristy : izay misy an’i Kristy, misy ny fiainana, misy ny fanjakan’ny lanitra Md Ambroise, Luc 10,121..
Tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona i Jesoa-Kristy no “nanokatra” ny lanitra ho antsika. Ny fiainan’ny olon-tsambatra dia mifototra amin’ny fananana ny hafenoan’ny vokatry ny fanavotana notontosain’i Kristy izay manakambana an’ireo izay nino Azy sy izay tsy nivadika mihitsy tamin’ny sitrapony, amin’ny fanomezam-boninahitra Azy any an-danitra. Ny lanitra no fiombonam-pahasambaran’izay rehetra voakambana tanteraka Aminy.
Izany misterin’ny fiombonam-pahasambarana miaraka amin’ Andriamanitra sy miaraka amin’izay rehetra ao amin’i Kristy izany, dia mihoatra noho izay rehetra azo heverina sy izay rehetra azo aseho. Sary an’ohatra maro no itenenan’ny Soratra an’izany amintsika : fiainana, fahazavana, fiadanana, fanasam-be amin’ny fampakaram-bady, divain’ny fanjakan’Andriamanitra, tranon’ny Ray, Jerosalema any an-danitra, paradisa : “Zavatra tsy mbola hitan’ny maso, tsy mbola ren’ny sofina, tsy mbola tafiditra ao am-pon’ny olona velively, no namboarin’Andriamanitra ho an’ireo izay tia Azy”(1 Kôr 2,9).
Noho ny fahamboniana tsy taka-polopolorina an’Andriamanitra, dia tsy mety ho hitan’ny maso amin’ny tena maha-Izy Azy Izy, raha tsy ny Tenany mihitsy no manokatra ny misteriny amin’ny fibanjinan’ny olombelona eo no eo mivantana, ary Izy no manome azy ny herim-pahazoana manao izany. Io fibanjinana an’Andriamanitra ao amin’ny voninahiny any an-danitra io no antsoin’ny Fiangonana hoe : “fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra” :
Hanao ahoana re izany voninahitrao sy hasambaranao ! : rahefa voaray ho anisan’ny mahita maso an’Andriamanitra, manana ny haja amam-boninahitra handray anjara amin’ny hafaliam-pamonjena sy ny fahazavana mandrakizay amin’ny fiarahana amin’i Kristy ilay Tompo Andriamanitrao, (…) miadam-pinaritra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra amin’ny fiarahana amin’ny olo-marina sy ny sakaizan’Andriamanitra, amin’ny hafaliam-pananana ny tsy fahafatesana Md Cyprien, ep. 58,10..
Ao amin’ny voninahitry ny lanitra, manohy manatanteraka amin-kafaliana ny sitrapon’Andriamanitra ny olon-tsambatra, raha ampitahaina amin’ny olombelona hafa sy amin’ny zavaboary manontolo. Efa manjaka miaraka amin’i Kristy izy ireo ; miaraka Aminy, “hanjaka mandrakizay mandrakizay izy ireo” (Apôk 22,5) jer. Mt 25,21.23..
III.Ny fandiovana farany na Afofandiovana
Ireo izay maty ao anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, kanefa tsy voadio tanteraka, na azo antoka aza ny famonjena mandrakizay ho azy ireo, dia mijaly amin’ny fandiovana aorian’ny fahafatesany izy ireo, mba hahazoana ny fahamasinana ilaina hidirana ao amin’ny hafalian’ny lanitra.
Antsoin’ny Fiangonana hoe Afofandiovana izany fandiovana farany ireo olom-pinidy izany, izay tsy mitovy velively amin’ny famaizana ny olom-bery any amin’ny afobe. Nandrafitra tamin’ny rijan-teny ny fitambaram-pampianaram-pinoana momba ny Afofandiovana ny Fiangonana, indrindra tamin’ny Kônsily tao Florence jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. sy tao Trente jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1580.. Ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana, izay manovo hevitra avy amin’ny lahatsoratra sasany ao amin’ ny Soratra Masina Ohatra 1 Kôr 3,15; 1 Pi 1,7., dia miteny afo mpandio :
Noho ny fisian’ny fahadisoana kely sasantsasany, tsy maintsy mino fa misy afo mpandio alohan’ny fitsaràna, araka ny nolazain’Ilay Fahamarinana, amin’ny fitenenana fa ny olona izay hanao teny faniratsirana ny Fanahy Masina, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy (Mt 12,32). Ao amin’ izany tenim-pitsaràna izany no ahafahantsika mahafantatra fa ny fahadisoana sasantsasany dia mety ho voavela eto amin’ity fiainana ity, fa ny hafa sasantsasany dia any amin’ny fiainana ho avy Md Grégoire le Grand, dial. 4,41,3..
Miankina koa amin’ny fanaovana vavaka ho an’ireo nodimandry izay efa nolazain’ny Soratra Masina, izany fampianarana izany : “Izany no nanaovany (i Jodasa Makabeo) an’izany sorona fanonerana izany ho an’ny maty, mba ho afaka amin’ny fahotany izy ireo” (2 Mak 12,46). Hatrany am-boalohany ny Fiangonana no nanaja ny fahatsiarovana ireo nodimandry sy nanolotra vavaka ho azy ireo, indrindra ny soron’ny Eokaristia jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., mba ho afaka ho tonga amin’ny fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra izy ireo, rahefa voadio. Ny Fiangonana dia manafatrafatra koa amin’ny fiantrana, ny endolzansy ary ny tsanganasa fivalozana ho an’ireo nodimandry :
Mitondrà isika vonjy ho azy ireo ary manaova isika fahatsiarovana azy ireo mandritra ny fivavahana. Raha ny zanak’i Jôba aza voadion’ny sorona nataon-drainy jer. Jôba 1,5., koa aza misalasala isika fa ny fanatitsika ho an’ireo nodimandry dia mitondra fiononana ho azy ireo ? Aza mihambahamba isika mitondra vonjy ho an’ireo izay nialoha lalana sy manolotra ny fivavahantsika ho azy ireo Md Jean Chrysostome, in 1 Cor, hom. 41,5..
IV.Ny afobe
Tsy afaka ho tafaray amin’Andriamanitra isika raha tsy misafidy amin-kalalahana ny ho tia Azy. Kanefa tsy afaka ho tia an’Andriamanitra isika raha manao fahotana lehibe Aminy, amin’ny namantsika na amin’ny tenantsika : “Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana. Na iza na iza mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona ; ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny” (1 Jo 3,14-15). Mampitandrina antsika ny Tompontsika fa ho tafasaraka Aminy isika raha tsy miraharaha hanampy amin’ny zavatra lehibe ilain’ny mahantra sy ny madinika izay rahalahiny jer. Mt 25,31-46.. Ny maty amin’ny fahotana mahafaty tsy nanenina tamin’izany sy tsy nandray ny fitiavana feno famindram-pon’ Andriamanitra, dia midika fa mijanona ho tafasaraka Aminy mandrakizay noho ny safidy malalaka nataon’ny tenantsika. Ary izany toetra fanesoran-tena raikitra ho any ivelan’ny fiombonana amin’Andriamanitra sy amin’ireo olon-tsambatra izany, no lazaina amin’ny teny hoe “afobe”.
Miteny matetika momba ny “gehen’afo tsy mety maty” i Jesoa jer. Mt 5,22.29; 13,42.50; Mk 9,43-48., natokana ho an’ireo izay mandà hatramin’ny fara fiainan’izy ireo tsy hino sy tsy hibebaka, ary izay no mety hahavery ny fanahy sy ny vatana miaraka jer. Mt 10,28.. Tamin’ny teny henjana no nambaran’i Jesoa fa “haniraka ny anjeliny Izy, izay hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra (…), sy hanipy azy ireo ao amin’ny memy mirehitra” (Mt 13,41-42), ary hamoaka ny teny fanamelohany Izy hoe : “Mialà Amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay ! “(Mt 25,41).
Ny fampianaran’ny Fiangonana dia manantitrantitra ny fisian’ny afobe sy ny maha-mandrakizay izany. Ny fanahin’ireo izay maty ao amin’ny toe-pahotana mahafaty dia midina eo no eo avy hatrany any amin’ny afobe aorian’ny fahafatesana, izay ao izy no mijaly amin’ny sazìn’ny afobe, “ilay afo mandrakizay” jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 409; 411; 801; 858; 1002; 1351; 1575; SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God).. Ny sazy lehibe indrindra ao amin’ny afobe dia ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra, satria ao amin’Andriamanitra irery ny olombelona no afaka mahazo ny fiainana sy ny fahasambarana izay ho amin’izany no nahariana azy ary izany rahateo no iriny.
Ny fanantitranteran’ny Soratra Masina sy ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny afobe, dia antso ho amin’ny adidy aman’andraikitra izay tsy maintsy ampiasan’ny olombelona ny fahafahany eo am-piatrehana ny anjara fiainany mandrakizay. Anisan’ny antso maika ho amin’ny fibebahana koa izany : “Midira amin’ny vavahady ety. Fa lehibe ary malalaka ny làlana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mizotra any ; fa tery ny vavahady ary ety ny làlana mankany amin’ny Fiainana, ka vitsy no mahita izany”(Mt 7, 13-14) :
Noho ny tsy fahalalana ny andro sy ny ora, araka ny fampitandreman’ny Tompo, dia tsy maintsy miambina lalandava isika, mba ho mendrika, rahefa hifarana ity fiainantsika tokana eto an-tany ity, ho voaray miaraka Aminy ao amin’ny fampakaram-bady sy horaisina ho anisan’ireo nosoavin’ Andriamanitra, fa tsy ho mpanompo ratsy sy kamo, nodidìn’Andriamanitra hihataka any amin’ny afo mandrakizay, any amin’ireo maizina any ivelany izay any izy ireo no hitomany sy hikitro-nify FF 48..
Andriamanitra tsy nandahatra mialoha na iza na iza ho any amin’ny afobe jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1567. ; ny fankahalana an’Andriamanitra iniana atao (fahotana mahafaty), sy ny mikiry tsy hiala amin’izany hatramin’ny farany no mahatonga izany. Ny Fiangonana, amin’ny litorzian’ny Eokaristia sy amin’ny vavaka isan’ andro ataon’ny mpinony, dia mitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra, izay tsy tia “ny hahavery na iza na iza, fa ny hahatonga ny olona rehetra hibebaka daholo” (2 Pi 3, 9) :
Indro atolotray Aminao ry Tompo ny fanatitra avy aminay mpanomponao sy ny fianakavianao manontolo , ka mba raiso amin’ny fo antra. Aoreno ao amin’ny fiadananao ny andro iainanay rehetra, afaho amin’ny fanamelohana mandrakizay izahay, ary raiso ho anisan’ny olom-pinidinao MR, Canon Romain 88..
V.Ny Fitsaràna farany
Ny fananganan-ko velona ny maty rehetra, “ny marina sy ny mpanota” (Asa 24,15), no hialoha ny Fitsaràna farany. Amin’izany no ho “fotoana handrenesan’izay rehetra ao am-pasana ny feon’ny Zanak’olona, ka hivoaka tao izy ireo ; ireo izay nanao soa dia hatsangan-ko velona ho amin’ny fiainana, fa ireo izay nanao ratsy dia hatsangan-ko velona ho amin’ny fahaverezana mandrakizay” (Jo 5,28-29). Amin’izay i Kristy “ho avy amim-boninahitra, hotronin’ny anjely rehetra (…). Ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary Izy hanavaka ny olona tsirairay avy sahala amin’ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Ny ondry moa hapetrany eo an-kavanany, ary ny osy kosa eo an-kaviany (…). Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireto, fa ny marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay” (Mt 25,31-33.46).
Eo anatrehan’i Kristy Fahamarinana no hibaribary tanteraka ny marina momba ny fifandraisan’ny olombelona tsirairay amin’Andriamanitra jer. Jo 12,48.. Ny Fitsaràna farany no hampiseho, hatrany amin’ny vokany farany indrindra, amin’izay tsara nataon’ny tsirairay na tsy noraharahainy ny nanao izany nandritra ny fiainany tety an-tany :
Voarakitra an-tsoratra daholo ny ratsy rehetra nataon’ny ratsy fanahy – ary tsy fantatr’izy ireo izany. Amin’ny Andro izay “tsy hanginan’ Andriamanitra” (Sal 50,3) (…) hitodika amin’ireo olon-dratsy Izy hiteny hoe : “Ho anareo no nametrahako ny mahantra keliko teny an-tany. Izaho, filohan’izy ireo, nisonanina tany an-danitra teo an-kavanan’ny Raiko – nefa tety an-tany kosa ny rantsambatako noana. Raha mba nanome ho an’ireny rantsambatako ireny ianareo, dia ho nipaka hatrany amin’ny Loha izay nomenareo. Raha nametraka tety ambonin’ny tany ireny mahantra keliko ireny Aho, dia izy ireny no notendreko ho irakirakareo hitondra ny asa soa vitanareo ho ao amin’ny vatan-drakitro : tsy nametraka na inona inona teo an-tanan’izy ireo ianareo, izany no antony tsy anananareo na inona na inona eto anilako” Md Augustin, serm. 18,4,4..
Amin’ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra no hiseho ny Fitsaràna farany. Ny Ray ihany no mahalala ny ora sy ny andron’izany, Izy irery ihany no manapa-kevitra ny amin’ny fahatongavany. Amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Zanany no hanononany amin’izay ny teniny farany momba ny tantara manontolo. Ho fantatsika ny hevitra farany raketin’ny tsanganasam-pahariana manontolo sy ny fitantanam-pamonjena manontolo, ary ho azontsika an-tsaina ny lalana mahagaga izay hitarihan’ny Fitahian’Andriamanitra ny zavatra rehetra ho amin’ny tanjom-piafaràny. Ny Fitsaràna farany no hampiseho fa ny fahamarinan’Andriamanitra no mandresy ny tsy fahamarinana rehetra nataon’ny zavaboariny ary ny fitiavany no mahery kokoa noho ny fahafatesana jer. Ton 8,6..
Miantso ho amin’ny fibebahana, ny hafatry ny Fitsaràna farany, dieny mbola omen’Andriamanitra ny olombelona “ny fotoana tsara, ny androm-pamonjena” (2 Kôr 6,2). Izany no miteraka tahotra masina an’Andriamanitra, sy mandrisika hanao ny fahamarinan’ny Fanjakany, ary manambara ny “fanantenana mahavelom-bolo” (Tito 2,13) amin’ny fiverenan’ny Tompo, izay “ho tonga mba homem-boninahitra ao amin’ireo olomasiny, sy higagana ao amin’izay rehetra hino” (2 Tes 1,10).
VI.Ny fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao
Amin’ny farandro, ho tonga amin’ny hafenoany ny Fanjakan’ Andriamanitra. Aorian’ny fitsaràna ny daholobe, hanjaka mandrakizay miaraka amin’i Kristy ny olo-marina, hohenim-boninahitra amin’ny vatana sy amin’ny fanahy, ary izao tontolon’ny zava-drehetra izao mihitsy koa hohavaozina :
Amin’izany ny Fiangonana no “ho fanaperana ao anatin’ny voninahitry ny lanitra, rahefa hahita ny fahalavorariany tanteraka ao amin’i Kristy izy, miaraka amin’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, izao tontolon’ny zava-drehetra izao mihitsy, tafaray lalina amin’ny olombelona ary mahatratra amin’ny alalany ny anjara fiainany” FF 48..
Izany fanavaozana amin’ny fomba mistery izany, izay hanova ny olombelona sy izao tontolo izao, no antsoin’ny Soratra Masina hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao” (2 Pi 3,13) jer. Apôk 21,1.. Izany no ho fanatontosana raikitra ny fandaharan’Andriamanitra “hamerenana ny zavatra rehetra ho eo ambany Filoha tokana, i Kristy, na ny any an-danitra na ny ety an-tany” (Efez 1,10).
Ao amin’io “tontolon’ny zava-drehetra vaovao” (Apôk 21,5), ilay Jerosalema any an-danitra io, dia hanana ny fonenany eo anivon’ny olombelona rehetra Andriamanitra. “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo ; ny fahafatesana, tsy hisy intsony izany ; ny tomany, ny kiakiaka sy ny fahoriana, tsy hisy intsony izany, satria efa lasa izao tontolo izao tranainy” (Apôk 21,4) jer. Apôk 21,27..
Ho an’ny olombelona, izany fanaperana izany no ho fanatontosana farany ny firaisan’ny taranak’olombelona rehetra, sitrak’Andriamanitra hatramin’ ny fahariana, ka ny Fiangonana mivahiny no “toy ny sakramentan’izany” FF 1.. Ireo izay tafaray amin’i Kristy no hamorona ny fiombonamben’ny olona voavotra, ilay Tanàna Masin’Andriamanitra (Apôk 21,2), “ilay Vadin’ny Zanak’ Ondry” (Apôk 21,9). Izy io dia tsy ho voaratra intsony amin’ny fahotana, ny loto jer. Apôk 21,27., ny fihamboana, izay mandrava na mandratra ny fiombonan’ny olombelona ety an-tany. Ny fahitana mivantana an’ Andriamanitra any an-danitra, izay amin’izany Izy no hiharihary amim-pomba tsy manam-petra amin’ny olom-pinidy, no ho loharano tsy mety ritra amin’ny fahasambarana, ny fiadanana ary ny fiombonana ifanomezana.
Raha ny amin’izao tontolo izao voarindra, dia milaza marina ny Fanambaràna fa misy fiombonana lalina eo amin’ny anjara fiainan’ny tontolon’ny manam-batana sy ny an’ny olombelona :
Fa indrakindrafana be ihany ny zavaboary maniry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra (…) miaraka amin’ny fanantenana fa ho ahafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana koa izy. (…) Satria, fantatsika izany fa ny zavaboary manontolo hatramin’izao andro izao dia mitaraina toy ny mihetsi-jaza. Ary tsy izy irery ihany, fa ny tenantsika koa izay manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy, dia mitaraina ao anaty amin’ny fiandrasana ny fanavotana ny vatantsika (Rôm 8,19-23).
Ny tontolon’ny zava-drehetra hita maso izany dia natokana hiova endrika ihany koa, “mba izao tontolo izao mihitsy, naverina amin’ny toetrany tany am-boalohany, no ho ampiasain’ireo olo-marina, tsy misy zava-misakana intsony na iray aza”, amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanomezam-boninahitra azy ireo ao amin’i Jesoa-Kristy nitsangan-ko velona Md Irénée, haer. 5,32,1..
“Tsy haintsika ny fotoana hahataperan’ny tany sy ny olombelona rehetra, tsy fantatsika ny fomba fanovàna ny endrik’izao tontolo izao voarindra. Marina fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao, nosimban’ny fahotana ; kanefa nampahafantarina antsika, fa Andriamanitra dia manomana ho antsika fonenana vaovao sy tany vaovao izay hanjakan’ny fahamarinana, ary ny fahasambarana no hameno sy hahasafononoka ny hetahetam-piadanana rehetra izay mipololotra avy ao am-pon’ny olombelona” FAA 39, § 1..
“Kanefa ny fiandrasana ny tany vaovao, tsy tokony hahaketraka antsika velively ny amin’ny fiahiana hanajary ity tany ity, fa vao mainka aza tokony hanaitaitra izany : ao no itomboan’ny vondrom-pianakavian’olombelona vaovao, izay manolotra sahady ny soritsoritra sasantsasany ny taonjato ho avy. Noho izany, raha tsy maintsy havahana amim-pitandremana ny fandrosoam-pitomboan’ny fanjakan’i Kristy eto an-tany, dia manan-danja lehibe ho an’ny fanjakan’Andriamanitra io fandrosoana io, raha toa izany ka afaka hanampy amin’ny fandrindrana tsaratsara kokoa ny fianakaviamben’ ny olombelona” FAA 39, § 2..
“Satria ny vokatra tsara rehetra avy amin’ny voarintsika sy ny orinasantska, izay aelintsika eran-tany araka ny baikon’ny Tompo sy ao amin’ny Fanahiny, dia ho hitantsika indray ireny any aoriana any, saingy voadio amin’ny loto rehetra, voazava, voaova endrika, rahefa hatolotr’i Kristy amin’ny Rainy ny fanjakana mandrakizay sy manenika an’izao tontolon’ny zavatra rehetra izao” FAA 39, § 3; jer. koa FF 2.. Amin’izay Andriamanitra dia “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” (1 Kôr 15,28) ao amin’ny fiainana mandrakizay :
Ny Ray no fiainana maharitra sy tena izy, ka amin’ny alalan’ny Zanaka sy ao amin’ny Fanahy Masina no androtsahany ny fanomezan’ny lanitra amin’ny rehetra tsy misy avahana. Isika olombelona koa,noho ny famindram-pony, dia nandray ny fampanantenana maharitra lalandava hahazo ny fiainana mandrakizay Md Cyrille de Jérusalem, catech. ill. 18,29..
Raha vao maty ny olombelona tsirairay, dia mandray ny valy mandrakizay amin’ny nataony, ao amin’ny fanahiny tsy mety maty, amin’ ny fitsaràna ny tsirairay manokana ataon’i Kristy, Mpitsara ny velona sy ny maty.
“Mino isika fa ny fanahin’izay rehetra maty ao amin’ny fahasoavan’i Kristy (…), no ilay Vahoakan’Andriamanitra any ankoatra ny fahafatesana, izay ho resy tanteraka amin’ny andron’ny fananganan-ko velona ka amin’izany ireo fanahy ireo no hakambana indray amin’ny vatan’izy ireo” SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
“Mino isika fa ny vahoaka maro be avy amin’ireo izay tafangona manodidina an’i Jesoa sy i Maria any am-Paradisa, no mamorona ny Fiangonan’ny lanitra, izay ao anatin’ny hasambarana mandrakizay no ahitan’izy ireo an’Andriamanitra araka ny tena maha-Izy Azy, ary ao amin’izany koa izy ireo, amin’ny ambaratonga samihafa, no voakambana amin’ny anjely masina ao amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra iandraiketan’i Kristy ao amin’ny voninahitra, amin’ny fanelanelanana ho antsika sy amin’ny fanampiana ny fahalementsika amin’ny alalan’ny fiahiana maha-mpiray tam-po azy ireo amin’ny finoana” SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
Ireo izay maty anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, kanefa tsy voadio tanteraka, na azo antoka aza ny famonjena mandrakizay ho azy ireo, dia mijaly amin’ny fandiovana izy ireo aorian’ny fahafatesany, mba hahazo ny fahamasinana ilaina hidirana ao amin’ny hafalian’Andriamanitra.
Noho ny “fiombonan’ny olomasina”, ankinin’ny Fiangonana amin’ny famindram-pon’Andriamanitra ireo nodimandry ary anolorany vavaka ho azy ireo, indrindra ny sorona masin’ny Eokaristia.
Amin’ny fanarahana ny oha-piainan’i Kristy ny Fiangonana no mampitandrina ny mpino ny amin’ny “fisian’ny fahafatesana mandrakizay DCG 69. izay sady mampalahelo no mampahonena”, antsoina koa hoe “afobe”.
Ny fahoriana voalohany indrindra any amin’ny afobe dia ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra izay ao Aminy irery no afahan’ny olombelona manana ny fiainana sy ny fahasambarana, ary ho amin’izany no nahariana azy sy iriny.
Mivavaka ny Fiangonana mba tsy hisy olombelona ho very : “Tompo ô, aza avela ho tafasaraka Aminao na oviana na oviana aho” Oratio ante communionem, 132.. Raha marina fa tsy afaka mahavonjy tena amin’ny herin’ny tenany ihany ny olombelona, dia marina koa fa “tian’Andriamanitra ny hahavoavonjy ny olona rehetra” (1 Tim 2,4) ary ho Azy “vitany avokoa ny zavatra rehetra” (Mt 19,26).
“Ny Fiangonana rômanina Masina Indrindra dia mino sy miaiky marina, fa amin’ny andron’ny Fitsaràna, hiseho vatana eo anoloan’ny tribonalin’i Kristy ny olombelona rehetra mba hanao tatitra ny asa rehetra nataony avy” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. koa DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Amin’ny farandro, ho tonga amin’ny hafenoany ny Fanjakan’ Andriamanitra. Amin’izay ny olo-marina hanjaka miaraka amin’i Kristy mandrakizay, henim-boninahitra vatana sy fanahy, ary ny tontolon’ny zava-drehetra manam-batana koa hovàna endrika. Amin’izay Andriamanitra “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra”( 1 Kôr 15,28) ao amin’ny fiainana mandrakizay.
“Amen”
Ny Izaho mino, tahaka ny boky faran’ny Soratra Masina jer. Apôk 22,21. koa, dia miafara amin’ny teny hebrio hoe Amen. Ahitana izany matetika amin’ny faran’ireo vavaka ao amin’ny Testamenta Vaovao. Toy izany koa, faranan’ny Fiangonana amin’ny “Amen” ny fivavahany rehetra.
Amin’ny fiteny hebrio, ny hoe Amen dia mifandray amin’ny fototeny iray ihany izay niavian’ny teny hoe “mino”. Io fototeny io dia manambara ny fahamafisana, ny fahazoana antoka, ny tsy fivadihana. Araka izany, fantatra ny antony mahatonga ny “Amen” ho azo ilazana ny tsy fivadihan’ Andriamanitra amintsika sy ny fitokiantsika Aminy.
Ao amin’i Izaia mpaminany dia ahitana ny fomba fiteny hoe “Andriamanitry ny fahamarinana”, ara-bakiteny dia hoe “Andriamanitry ny Amen”, izany hoe Andriamanitra tsy mivadika amin’ny fampanantenany : “Na iza na iza te hotahìna eto an-tany, dia te hotahìn’ny Andriamanitry ny Amen” (Iz 65,16). Mampiasa matetika ny teny hoe “Amen” jer. Mt 6,2.5.16. ny Tompontsika, indraindray amin’ny endrika averina indroa jer. Jo 5,19., mba hanamafisana ny maha-azo antoka ny fampianarany, ny Fahefany miorina amin’ny Fahamarinan’Andriamanitra.
Ny “Amen” famaranana ny Izaho mino izany dia mamerina sy manamafy ireo teniny anankiroa voalohany hoe : “Izaho mino”. Ny mino, dia ny milaza hoe “Amen” amin’ny teny, amin’ny fampanantenana, amin’ny didin’ Andriamanitra, dia ny matoky tanteraka an’Ilay izay “Amen’ ” ny fitiavana tsy manam-petra sy tsy fivadihana tanteraka. Ny fiainana kristianina isan’ andro izany dia ho “Amen” amin’ny “Izaho minon’ny” Fiekem-pinoana tamin’ny Batemintsika :
Aoka ny Sembolinao ho toy ny fitaratra ho anao. Jereo ao aminy ny tenanao : mba hahitana raha inoanao izay rehetra ambaranao fa inoana. Ary mifalia ianao isan’andro amin’ny finoanao Md Augustin, serm. 58, 11,13..
Ny Tenan’i Jesoa-Kristy mihitsy no “ilay Amen” (Apôk 3,14). Izy no “Amen” tsy miovan’ny fitiavan’ny Ray antsika ; Izy no mizaka ao Aminy sy manatomombana ny “Amen’ ” antsika amin’ny Ray : “Ny fampanantenana rehetra avy amin’Andriamanitra, araka izany, dia ny "eny" azy ireo tao Aminy ; ka moa tsy amin’ny Alalany rahateo no ilazantsika ny "Amen" antsika amin’ny Voninahitr’Andriamanitra !” (2 Kôr 1,20) :
Amin’ny alalany sy miaraka Aminy ary ao Aminy, ry Andriamanitra Ray Mahefa ny zavatra rehetra, dia Anao avokoa, ao amin’ny Fanahy Masina, ny haja amam-boninahitra, amin’ny taona rehetra mandrakizay. AMEN Doxologio post precem eucharisticam..
* * * * * * * * * *