3. Ny fiainana ao amin’i Kristy

“Ry kristianina, fantaro ny fahamendrehanao. Satria mandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra ianao ankehitriny, ka aza miverina mikororosy fahana indray amin’ny fiainanao taloha. Tsarovinao hoe : amin’ny Filoha iza no misy anao ary amin’ny Vatana inona no misy anao rantsambatana. Tadidionao fa nalàna tamin’ny fahefan’ny maizina ianao mba hafindra ao amin’ny fahazavana sy ny Fanjakan’ Andriamanitra” Md Léon le Grand, serm. 21,3..

Ny Sembolin’ny finoana dia manambara ampahibemaso ny halehiben’ny fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona eo amin’ny tsanganasa fahariany, fa indrindra koa amin’ny fanavotana sy ny fanamasinana. Izay ambaran’ny finoana, dia ampitain’ny sakramenta : amin’ny alalan’ “ny sakramenta izay niterahana an’ireo kristianina” no nahatonga azy ireo ho “zanak’Andriamanitra” (Jo 1,12 ; 1 Jo 3,1), “mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra” (2 Pi 1,4). Ny faneken’ireo kristianina amim-pinoana ny fahamendrehany vaovao, dia miantso azy ireo, manomboka izao, hanana “fiainana mendrika ny Evanjelin’i Kristy” (Filip 1,27). Amin’ny alalan’ny sakramenta sy ny fivavahana izy ireo no no mandray ny fahasoavan’i Kristy sy ny fanomezan’ny Fanahiny izay mahatonga azy ireo ho afaka hiaina izany.

Nanao izay nahafaly lalandava ny Ray i Kristy Jesoa jer. Jo 8,29.. Niaina lalandava tamin’ny fiombonana lavorary niaraka Taminy Izy. Toy izany koa, asaina hiaina eo ambany mason’ny Ray “izay mahita ao amin’ny mangingina” (Mt 6,6) ireo mpianany, mba ho “lavorary tahaka ny fahalavorarian’ny Ray any an-danitra” (Mt 5,48).

Noho ireo kristianina voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy jer. Rôm 6,5., dia “maty amin’ny fahotana fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa” (Rôm 6,11) izy ireo, ka mandray anjara araka izany amin’ny fiainan’ilay Nitsangan-ko velona jer. Kôl 2,12.. Amin’ny fanarahan’izy ireo an’i Kristy sy amin’ny firaisana Aminy jer. Jo 15,5., no ahafahan’izy ireo manahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanaka malala sy manaraka ny lalam-pitiavana jer. Efez 5,1-2., amin’ny fampanarahana ny eritreritr’izy ireo, ny tenin’izy ireo ary ny asan’izy ireo “amin’ny saina amam-panahy izay ao amin’i Kristy Jesoa” (Filip 2,5) sy amin’ny fanarahana ny oha-piainany jer. Jo 13,12-16..

“Nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’ny Andriamanitsika” (1 Kôr 6,11), sy nohamasinina ary nantsoina ho masina jer. 1 Kôr 1,2. ny kristianina rehetra ka manjary “Tempolin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 6,19). Io “Fanahin’ny Zanaka” io no mampianatra azy ireo hivavaka amin’ny Ray jer. Gal 4,6., ka mampanjary izany ho fiainan’izy ireo, ary mampiasa azy ireo jer. Gal 5,25. mba “hitondra ny vokatry ny Fanahy” jer. Gal 5,22. amin’ny alalan’ny fitiavana aseho an’asa. Ny Fanahy Masina, amin’ny fanasitranana ny ratra noho ny fahotana, no manavao antsika ao anaty amin’ny alalan’ny fanovàna ara-panahy jer. Efez 4,23., manazava antsika ary mampahery antsika mba hiaina ny maha-“zanaky ny fahazavana” (Efez 5,8) amin’ny alalan’ny “hatsaram-panahy, ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana” amin’ny zavatra rehetra (Efez 5,9).

“ Ny lalan’i Kristy no mahatonga any amin’ny fiainana” (Mt 7,14)) ; ny lalana mifanohitra amin’izany kosa, “mahatonga any amin’ny fahaverezana” (Mt 7,13) jer. Det 30,15-20.. Hita lalandava ao amin’ny katesezin’ny Fiangonana ny fanoharan’ny Evanjely momba ny lalana anankiroa. Mampahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fanapahan-kevitra ara-môraly ho amin’ny famonjena antsika izany. “Misy anankiroa ny lalana, ny iray mankany amin’ny fiainana, ny iray hafa mankany amin’ny fahafatesana ; koa samy hafa tanteraka izy anankiroa ireo” Didaché 1,1..

Amin’ny katesezy, zava-dehibe ny mampiseho mazava tsara ny hafaliana sy ny adidy takìna amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy jer. CT 29.. Ho toy izao ao Aminy ny katesezin’ny “fiainam-baovao” (Rôm 6,4) : - katesezin’ny Fanahy Masina, Mpampianatra ao anaty ny amin’ny fiainana araka an’i Kristy, tompon-trano malemy fanahy sy namana izay manoro hevitra, mitarika, manitsy ary manamafy io fiainana io ; - katesezin’ny fahasoavana, satria amin’ny alalan’ny fahasoavana no voavonjy isika, ary mbola amin’ny alalan’ny fahasoavana no ahafahan’ny tsanganasantsika mamokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay ; - katesezin’ny hasambarana, satria ny lalan’i Kristy no voafintina ao amin’ny hasambarana, hany lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana mandrakizay izay irìn’ny fon’ny olombelona ; - katesezin’ny fahotana sy ny famelana izany, satria raha tsy miaiky ho mpanota ny olona, dia tsy afaka hahalala ny marina momba ny tenany izy, izay antoky ny fanaovana ny rariny, ary raha tsy omena azy ny famelana ny fahotana, dia tsy afaka hahazaka izany marina izany izy ; - katesezin’ny herim-panahy maha-olombelona izay mahatonga ho babon’ny hatsarana sy ny fanintonana ny toe-panahy mahitsy ho amin’ny tsara ; - katesezin’ny herim-panahy maha-kristianina amin’ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, izay nanovo hevitra tamin-kalemem-panahy avy amin’ny oha-piainan’ny olomasina ; - katesezin’ny didim-pitiavana roa sosona voavelabelatra ao amin’ny Didy folo ; - katesezin’ny Fiangonana, satria amin’ny hamaroan’ny fifanakalozana “harem-panahy” ao amin’ny “fiombonan’ny olomasina” no mety hitomboan’ny fiainana kristianina, hivelarany ary hifampitany.

Ny Tenan’i Jesoa-Kristy lalandava, izay “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jo 14,6), no ho fanovozam-pahalalana voalohany sy farany amin’ity katesezy ity. Ny fibanjinana amim-pinoana an’i Kristy no ahafahan’ireo mpinony manantena fa ny Vatan-tenan’i Kristy mihitsy no manatanteraka ao amin’izy ireo ny fampanantenany, ary ny fitiavana Azy amim-pitiavana izay itiavany azy ireo, no anaovan’izy ireo tsanganasa izay mifanaraka amin’ny fahamendrehan’izy ireo :

Miangavy anareo aho mba handinika fa i Jesoa-Kristy Tompontsika no Filohanareo marina tokoa, ary ianareo dia iray amin’ireo rantsambatany. Anareo Izy tahaka ny filoha izay an’ireo mpikambana aminy ; izay rehetra Azy dia anareo avokoa : ny sainy, ny Fony, ny vatany, ny fanahiny, ary ny talentany rehetra, ary tsy maintsy mampiasa izany ianareo toy ny hoe zavatra anareo ery, mba hanompoana, hiderana, hitiavana ary hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Azy ianareo, tahaka ny maha-an’ny filohan’izy ireo ny mpikambana. Araka izany, irìny fatratra ny hampiasa izay rehetra ao aminareo, mba ho fanompoana sy ho voninahitry ny Rainy, tahaka ny hoe zavatra Azy ery Md Jean Eudes, cord. 1,5.. Raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako (Filip 1,21).

Ny fiainana ao amin’ny Fanahy Masina no manatanteraka ny fiantsoana ny olombelona (toko voalohany). Fiainana natao ho amin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny firaisan-kinan’ny olombelona (toko faharoa). Fiainana nomena tamim-pitiavana sy maimaim-poana ho Famonjena (toko fahatelo).

Ny nahariana ny olombelona hitovy endrika sy hifanahaka amin’ Andriamanitra no fototry ny fahamendrehany (andalana 1) ; tanteraka izany amin’ny fiantsoana azy ho amin’ny hasambaran’Andriamanitra (andalana 2). Anjarany ny mirotsaka amin-kalalahana hanatratra izany tanjona izany (andalana 3). Amin’ny alalan’ny asa ataony amim-piniavana (andalana 4) no anarahany, na tsia, ny soa nampanantenain’Andriamanitra sy anamarinan’ny kônsiansy môraly izany (andalana 5). Ny tenan’ny olombelona ihany no manabe ny maha-olona azy sy mampitombo izany avy ao anaty : amin’ny fiainan’izy ireo manontolo ara-nofo sy ara-panahy no ampitomboan’izy ireo izany (andalana 6). Ny fanampian’ny fahasoavana no itomboan’izy ireo amin’ny herim-panahy (andalana 7), andosiran’izy ireo ny fahotana, ary raha tafalatsaka tamin’izany ireo, iverenan’izy ireo toy ilay zaza mpandany jer. Lk 15,11-31. handray ny famindram-pon’ny Raintsika any an-danitra (andalana 8). Amin’izany izy ireo no miditra amin’ny fahalavorariam-pitiavana.

1.Ny olombelona endrik’Andriamanitra

“I Kristy, amin’ny fanambaràna ny misterin’ny Ray sy ny Fitiavany, dia mampiseho miharihary ny olombelona amin’ny tenan’ny olombelona ihany sy mampahafantatra mazava aminy ny fahambonian’ny fiantsoana azy” FAA 22.. Ao amin’i Kristy, “endrik’Andriamanitra tsy hita maso” (Kôl 1,15) jer. 2 Kôr 4,4. izany, no nahariana ny olombelona “mitovy endrika sy mifanahaka” amin’ny Mpahary. Ao amin’i Kristy, mpanavotra sy mpamonjy izany, ny endrik’ Andriamanitra, simban’ny fahotana voalohany tao amin’ny olombelona, no navaozina amin’ny hatsarany tany am-piandohana sy nasandratra ho mendrika amin’ny fahasoavan’Andriamanitra jer. FAA 22..

Hita ao amin’ny olona tsirairay ny endrik’Andriamanitra. Mamirapiratra ao amin’ny fiombonan’ny olona izany, amin’ny fifanahafana amin’ny firaisan’ireo Olona-Andriamanitra amin’izy samy izy (jer. toko faharoa).

Ny olombelona, noho izy nomena fanahy “maha-olona sy tsy mety maty” FAA 14., no “hany voary eto ambonin’ny tany izay sitrak’Andriamanitra ho olombelona mihitsy” FAA 24, § 3.. Vao notorontoronina izy, dia natokana ho amin’ny hasambarana mandrakizay.

Mandray anjara amin’ny fahazavana sy amin’ny herin’ny Fanahin’ Andriamanitra ny olombelona. Amin’ny alalan’ny saina, afaka mahatakatra ny filaminan’ny zavatra naorìn’ny Mpahary izy. Amin’ny alalan’ny sitrapony, afaka mitondra ny tenany ihany mankamin’ny tena hasoany tokoa izy. Mahita ny fahalavorariany amin’ny “fikatsahana sy ny fitiavana ny marina sy ny tsara” FAA 15, § 2. izy.

Ny olombelona, noho ny herin’ny fanahiny sy ny herin’ny sainy mahiratra ary ny herin’ny sitrapony, dia nomena fahafahana, izay “famantarana manokana ny maha-endrik’Andriamanitra azy” FAA 17..

Ny olombelona, amin’ny alalan’ny sainy, dia mahalala ny feon’ Andriamanitra izay manery azy “hanao ny tsara sy handositra ny ratsy” FAA 16.. Voatery ny tsirairay hanaraka io lalàna io izay manako ao amin’ny kônsiansy, sy hanatanteraka izany amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Ny fampiasana ny fiainana ara-môraly no manamarina ny fahamendrehan’ny olombelona.

“Ny olombelona, noho izy voasodokan’ilay Ratsy, hatrany am-piandohan’ny tantara, dia nanararaotra ny fahafahany” FAA 13, § 1.. Resin’ny fakam-panahy izy ka nanao ratsy. Voatahiriny ny faniriana ny tsara, nefa ny fomba aman-toetrany dia mitondra ny ratran’ny fahotana tamin’ny fototra. Nanjary mirona amin’ny ratsy sy mora azon’ny fahadisoana izy :

Koa ao amin’ny tenany ihany ny olombelona no voasaratsaraka. Indro fa ny fiainana ny olombelona manontolo, ny an’ny tsirairay sy ny itambarana, no hita fa tolona, mahatsiravina tokoa, eo anelanelan’ny tsara sy ny ratsy, eo anelanelan’ny mazava sy ny maizina FAA — Gaudium et spes, 13,§ 2..

Tamin’ny alalan’ny fijaliany i Kristy no nanafaka antsika tamin’i Satàna sy ny fahotana. Nanao antsika ho mendrika ahazo ny fiainam-baovao ao amin’ny Fanahy Masina Izy. Ny fahasoavany no manavao an’izay nosimbain’ny fahotana tao amintsika.

Ilay izay mino an’i Kristy dia tonga zanak’Andriamanitra. Io fananganan-janaka io no manova azy amin’ny fanarahany ny oha-piainan’i Kristy. Io no mahatonga azy ho afaka miasa amim-pahamarinana sy hanatanteraka ny tsara. Amin’ny firaisana amin’ny Mpamonjy azy ny mpianatra no mahatratra ny fahalavorarian’ny fitiavana, ny fahamasinana. Ny fiainana ara-môraly, noho izy mihamatotra ao amin’ny fahasoavana, dia mivelatra ho amin’ny fiainana mandrakizay, ao amin’ny voninahitry ny lanitra.

“ Amin’ny tenan’ny olombelona ihany no ampisehoan’i Kristy miharihary ny olombelona, sy ampahafantarany mazava ny fahambonian’ny fiantsoana azy” FAA 22, § 1..

Ny olombelona, noho izy nomena fanahy maha-olona, saina ary sitrapo, dia voalahatra ho an’Andriamanitra hatramin’ny niforonany tao am-bohoka ary voatendry ho amin’ny hasambarana mandrakizay. Manohy ny fahalavorariany izy amin’ny “fikatsahana sy fitiavana ny marina sy ny tsara” FAA 15, § 2..

Ny fahafahana tena izy no “famantarana manokana ny fitoviana endrika amin’Andriamanitra” FAA 17. ao amin’ny olombelona.

Voadidy ny olombelona hanaraka ny lalàna môraly izay manery azy “hanatanteraka ny tsara sy handositra ny ratsy” FAA 16.. Manako ao amin’ny kônsiansiny io lalàna io.

Ny olombelona, noho ny fomba aman-toetrany voaratran’ny fahotana tamin’ny fototra, dia mora andairan’ny fahadisoana sy mirona amin’ny ratsy amin’ny fampiasana ny fahafahany.

Ilay izay mino an’i Kristy no manana ny fiainam-baovao ao amin’ny Fanahy Masina. Ny fiainana ara-môraly, mitombo sy mihamatotra amin’ny fahasoavana, dia tsy maintsy ho tomombana any amin’ny voninahitry ny lanitra.

2.Ny fiantsoana antsika ho amin’ny hasambarana

I.Ny hasambarana

Ny hasambarana no foiben’ny fitorian-tenin’i Jesoa. Ny fanambaràny an’ ireny dia mamerina ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka voafidy nanomboka tamin’i Abrahama. Izany fanambaràny izany no manatanteraka ireo fampanantenana amin’ny fandaminana azy ireo tsy amin’ny hafinaretana eto an-tany intsony fotsiny, fa any amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra :

Sambatra ireo mahantra am-panahy, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ireo malemy fanahy, fa izy ireo no handova ny tany. Sambatra ireo mitomany, fa halàna alahelo izy ireo. Sambatra ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy ireo. Sambatra ireo mamindra fo, fa hamindrana fo izy ireo. Sambatra ireo madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy ireo. Sambatra ireo tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy ireo. Sambatra ireo miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina, raha enjehina, ary raha ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko. Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra.

(Mt 5,3-12)

Ireo hasambarana ireo no manoritra ny endrik’i Jesoa-Kristy sy mamelabelatra amin’izany ny fitiavana ; ireo no manambara ny fiantsoan’ Andriamanitra ny mpino voakambana amin’ny voninahitry ny fijaliany sy ny Fitsanganany ho velona ; ireo no manazava ny asa sy ny fihetsika aseho mampiavaka ny fiainana kristianina ; ireo no fampanantenana mifanohitra amin’ny hevitry ny maro izay manohana ny fanantenana ao anatin’ny fahoriana ; ireo no milaza ny tsodrano sy ny valisoa efa azon’ireo mpianatra amin’ny fomba manjavozavo ; ireo no santarina tao amin’ny fiainan’i Maria Virjiny sy ny olomasina rehetra.

II.Ny faniriana ho sambatra

Ny hasambarana notorìn’i Jesoa no mamaly amin’ny faniriana voa-Janahary ho sambatra. Avy amin’Andriamanitra izany faniriana izany ; napetrak’Andriamanitra tao am-pon’ny olombelona izany, mba hanintona azy ho Aminy ilay hany afaka mahampoka azy amin’izany :

Samy te hiaina ao anatin’ny hasambarana isika rehetra, ary eo amin’ny zanak’olombelona, tsy misy olona izay tsy mankasitraka izany tolo-kevitra izany na dia tsy voalaza mazava mialoha aza Md Augustin, mor. Eccl. 1,3,4.. Andriamanitra irery no maha-afa-diana Md Thomas d’A., symb. 15..

Ny hasambarana no mampiseho mazava ny zava-kendrena amin’ny fisian’ny olombelona sy ny tanjom-piafaràn’ny asany : Miantso antsika amin’ny hasambarany manokana Andriamanitra. Miantefa amin’ny olona tsirairay izany antso izany, nefa amin’ny fitambaran’ny Fiangonana koa, ilay vahoaka vaovaon’ireo izay mandray ny fampanantenana sy miaina izany amin’ny finoana.

III.Ny hasambarana kristianina

Mampiasa fiteny maro ny Testamenta Vaovao, mba hamaritana mazava ny hasambarana izay iantsoan’Andriamanitra ny olombelona : ny faha-tongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra jer. Mt 4,17.; ny fahitana an’Andriamanitra : “Sambatra ireo madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy ireo” (Mt 5,8) jer. 1 Jo 3,2; 1 Kôr 13,12. ; ny fidirana ao anatin’ny hafalian’ny Tompo jer. Mt 25,21.23. ; ny fidirana ao amin’ny Fialan-tsasatr’Andriamanitra jer. Heb 4,7-11. :

Ao no hiala sasatra sy hifankahita isika ; hifankahita sy hifankatia isika ; hifankatia sy hidera an’Andriamanitra isika. Izany no ho izy any amin’ny farany tsy manam-piafarana. Fa tanjona hafa inona no ananantsika, raha tsy ny ho tonga any amin’ny fanjakana izay tsy hanam-piafarana Md Augustin, civ. 22,30.?

Satria napetrak’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao isika mba hahalala Azy, hanompo Azy sy ho tia Azy ary koa ho tonga any am-Paradisa. Ny hasambarana no mampandray anjara antsika amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra (2 Pi 1,4) sy amin’ny Fiainana mandrakizay jer. Jo 17,3.. Miaraka amin’ny hasambarana ny olombelona no miditra ao amin’ny voninahitr’i Kristy jer. Rôm 8,18. sy ao amin’ny hafinaretam-piainan’ny Trinite Masina.

Ny hasambarana toy izany dia mihoatra ny fahatakaran-tsaina sy ny herin’ny maha-olombelona irery. Hasambarana vokatry ny fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra. Izany no antony ilazana azy hoe mihoatra ny natoraly, tahaka izany koa ny fahasoavana izay mandrisika ny olona hiditra ao amin’ny hafinaretan’Andriamanitra.

“Sambatra ireo madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy ireo.” Marina, fa araka ny halehibe sy ny voninahiny tsy hay lazaina, “tsy misy hahita an’Andriamanitra ka ho velona”, satria tsy takatry ny saina ny Ray ; nefa araka ny fitiavan’Andriamanitra, sy ny hatsaram-pony amin’ny olombelona ary ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy, dia nataony koa ny manome tombon-tsoa manokana hahita Azy, ho an’ireo izay tia Azy (…) “satria izay tsy vitan’ny olombelona vitan’Andriamanitra” Md Irénée, haer. 4,20,5..

Ny hasambarana nampanantenaina no mametraka antsika eo anoloan’ny safidy hentitra ara-môraly. Izy no mandrisika antsika handio ny fontsika manana tosi-kerim-panentana ratsy ao anaty, sy hikatsaka ny fitiavan’ Andriamanitra ambonin’ny zavatra rehetra. Izy no mampianatra antsika fa ny tena fahasambarana marina dia tsy miorina amin’ny harena na ny fahafinaretana, na amin’ny voninahitr’ olombelona na ny fahefana, na amin’ny tsanganasan’olombelona na dia iray akory aza, na mahasoa tokoa aza izany, toy ny siansa, ny teknika sy ny haikanto, na amin’ny zavaboary iray akory aza, fa ao amin’Andriamanitra irery, loharanon’ny soa rehetra sy ny fitiavana rehetra :

Ny harena no andriamani-dehibe tompoin’ny olona amin’ny andro ankehitriny ; aminy ny vahoaka be, ny sarambaben’ny olona rehetra, no manolotra haja tsy amim-pisainana. Araka ny fananan-karena no andrefesan’izy ireo ny fahasambarana, ary araka ny fananan-karena koa no andrefesany ny fahamendrehan-kaja. (…) Izany rehetra izany dia avy amin’ny fiekena hoe rahefa manankarena, mahavita ny zavatra rehetra. Ny harena àry izany no iray amin’ireo sampin’ny andro ankehitriny ary ny laza no iray hafa amin’izany. (…) Ny laza, ny ho fanta-bahoaka sy ny hanakoako eo amin’izao tontolo izao (izay azo antsoina hoe laza an-gazety), dia manjary heverina fa zava-tsoa amin’ny maha-laza ny laza, zavatra ambony dia ambony, foto-javatra fanaja marina koa Newman, mix.5, momba ny fahamasinana..

Ny Didy folo, ny toriteny teo an-Tendrombohitra ary ny katesezy avy amin’ny apôstôly no mamelabelatra amintsika ny lalana izay mitondra any amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Mirotsaka tsikelikely amin’izany isika, amin’ny alalan’ny asa andavanandro, tohanan’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina. Noho isika ampamokarin’ny Tenin’i Kristy, dia mamokatra miadana ao amin’ny Fiangonana ho Voninahitr’ Andriamanitra jer. ny fanoharana ny amin’ny mpamafy: Mt 13,3-23..

Manavao sy manatanteraka ny fampanantenana nataon’ Andriamanitra nanomboka hatramin’i Abrahama ireo hasambarana torin’i Kristy, tamin’ ny fandrindrany azy ireo amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Mamaly ny hetahetam-pahasambarana izay napetrak’ Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona izy ireo.

Mampianatra antsika ny tanjom-piafaràna izay iantsoan’ Andriamanitra antsika ireo hasambarana ireo : ny Fanjakan’ny lanitra, ny fahitana an’ Andriamanitra, ny fandraisana anjara amin’ny fomba aman-toetran’ Andriamanitra, ny fiainana mandrakizay, ny maha-zanak’Andriamanitra, ny fialan-tsasatra ao amin’Andriamanitra.

Fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra ny hasambaram-piainana mandrakizay ; mihoatra ny natoraly izany, tahaka ny fahasoavana mitondra mankany ihany.

Mametraka antsika eo anoloan’ny safidy hentitra momba ny haren’ny tany ireo hasambarana notorin’i Kristy ; mandio ny fontsika ireo mba hianarantsika mitia an’Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra.

Mamaritra ireo mari-pitsaràna ahaizana manavaka amin’ny fampiasana ny haren’ny tany mifanaraka amin’ny Lalànan’Andriamanitra, ny hasambaran’ny lanitra.

3.Ny fahafahan’ny olombelona

Noarìn’Andriamanitra ho manan-tsaina amam-pahendrena ny olombelona sady nomeny fahamendrehana amin’ny fahaizana manapa-kevitra hanao zavatra sy mifehy ny ataony. “"Mamela ny olombelona hanaraka ny fisainany" (Ekl 15,14) Andriamanitra, mba hahafahany mitady ny Mpahary azy, ka hiafara amin’ny fahalavorariana feno sy mahasambatra, amin’ny firaiketam-po an-kalalahana Aminy” FAA 17. :

Manan-tsaina amam-pahendrena ny olombelona, izay izany no nahariana azy hitovy amin’Andriamanitra, sy hanana fahafahana ary ho tompon’ny asa ataony Md Irénée, haer. 4,4,3..

I.Fahafahana sy andraikitra

Ny fahafahana, noho izy miorim-paka ao amin’ny saina sy ny sitrapo, dia fahazoana manao na tsy manao, mamorona an’izao na izao, manankina amin’izany koa amin’ny alalan’ny tena ihany ny fanaovana ny asa amin’ ny nahim-po. Afaka mampiasa ny tenany ny tsirairay, amin’ny alalan’ny safidy malalaka. Ny fahafahana no herin’ny fitomboana sy fahamatorana ara-pahamarinana sy hatsaram-panahy, ao amin’ny olombelona. Mahatratra ny fahalavorariany ny fahafahana raha voalamina ao amin’Andriamanitra, hasambarantsika.

Ny fahafahana, raha mbola tsy miompana tanteraka amin’ny hasoany farany, izay tsy iza fa Andriamanitra, dia mitarika fahazoana misafidy ny tsara sy ny ratsy, ka noho izany, na izy mitombo amin’ny fahalavorariana, na izy mihareraka sy manota. Izy no mampiseho mazava ny toetran’ny asan’olombelona. Izy no manjary loharano ipoiran’ny fiderana na ny faniniana, ny mahamendri-balisoa na ny tsy mahamendri-balisoa.

Arakaraka ny anaovan’ny olona ny tsara no mahatonga ho olona afaka. Tsy misy ny tena fahafahana tokoa raha tsy amin’ny fanaovana ny tsara sy ny marina. Ny misafidy hanao di-doha sy ratsy dia fanararaotam-pahafahana ary mitondra amin’ny “fanandevozan’ny fahotana” Rôm 6,17..

Ny fahafahana no mahatonga ny olona ho tompon’andraikitra amin’izay ataony, arakaraka ny finiavany hanao izany. Ny fandrosoana amin’ny hatsaram-panahy, ny fahalalana ny tsara ary ny famolahan-tena no mampitombo ny fahaiza-mifehy ny sitrapo amin’izay ataon’ny tena.

Ny mahadiso sy ny maha-tompon’andraikitra amin’ny atao dia mety hihena na ho foana noho ny tsy fahalalana, ny tsy fitandremana, ny fanerena, ny tahotra, ny fahazarana, ny firaiketam-pitia mihoa-pampana ary noho ny antony hafa ara-toe-tsaina na ara-piaraha-monina.

Ny atao rehetra an-tsitrapo mivantana no mety hahadiso an’ilay mpanao izany : Hoy ny Tompo nanontany an’i Eva avy nanota, tao an-jaridaina : “Inona no nataonao tao ?” (Jen 3,13). Toy izany koa tamin’i Kaina jer. Jen 4,10.. Dia mbola toy izany koa no nolazain’i Natàna mpaminany tamin’i Davida mpanjaka izay nijangajanga niaraka tamin’ny vadin’i Oria sy nampamono azy io jer. 2 Sam 12,7-15.. Mety tsy an-tsitrapo mivantana no nanaovana ny asa iray raha vokatry ny an-tsirambina ny amin’izay tokony ho fantatra na izay tokony ho atao no nahatonga izany. Ohatra : loza avy amin’ny tsy fahaizana ny fitsipika momba ny fifamoivoizana eny amin’ny arabe.

Azo leferina ny vokatry ny natao iray tsy an-tsitrapo ; ohatra : ny harerahan’ny reny iray tsy niala teo akaikin’ny zanany marary eo am-pandriana. Tsy mahadiso ny olona ny voka-dratsin’ny nataony raha tsy niniana natao ho tanjona na ho fomba amam-pitaovana ilay asa ; ohatra : ny fahafatesana nihatra tamin’ny olona iray namonjy olona tra-doza. Mba hahadiso ny olona amin’ny voka-dratsin’ny nataony, dia tsy maintsy efa nampoiziny mialoha izany, ary afaka nisoroka izany mialoha koa izy ; ohatra : ny fahafatesana nihatra tamin’ny olona iray, noho ny hamamoan’ny mpamily fiarakodia iray.

Amin’ny fifandraisan’ny olombelona samy olombelona no isehoan’ny fahafahana. Ny olombelona tsirairay avy, noarìna hitovy endrika amin’ Andriamanitra, dia manana zo voa-Janahary ho ankatoavina amin’ny maha-olona afaka sy maha-tompon’andraikitra azy. Tsy maintsy manefa izany adidim-panajana ny tsirairay izany, ny olona rehetra. Ny zo amin’ ny fampiasana ny fahafahana dia adidy tsy azo sarahina amin’ny fahamendrehan’ny olombelona, indrindra amin’ny lafiny ara-môraly sy ara-pivavahana jer. FVA 2.. Tokony hankatoavina sy harovana ara-dalàna io zo io, ao anatin’ny fototry iorenan’ny soa iombonana sy ny filaminam-bahoaka jer. FVA 7..

II.Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena

Fahafahana sy fahotana. Misy fetra sy mety ho diso ny fahafahan’ny olombelona. Araka ny zava-misy, diso tokoa ny olombelona. Nanota izy, nefa tsy noterena hanao izany. Tamin’ny nandavany ny fandaharam-pitiavan’Andriamanitra no namitahany ny tenany ihany ; nanjary andevon’ ny fahotana izy. Io hadalàna voalohany io no niteraka hadalàna maro be hafa. Ny tantaran’ny zanak’olombelona, hatrany am-piandohany, dia mampiseho ireo loza sy ireo tsindry hazo lena nipoitra avy ao am-pon’ny olombelona noho ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny fahafahana.

Ireo loza mitatao amin’ny fahafahana. Tsy mitarika ny zo hilaza izay rehetra tiana ho lazaina sy hanao izay rehetra tiana atao ny fampiasana ny fahafahana. Diso ny mihevitra fa “ny olombelona, natao ho an’ny fahafahana, dia mahaleo tena tanteraka ka tsy hikendry afa-tsy ny ho afa-po amin’ny fahazoana tombon-tsoa manokana, amin’ny fananan-jo hampiasa ny haren’ny tany” CDF, instr. “Libertatis conscientia” 13.. Ankoatra izany, matetika loatra no tsy fantatra na dikaina tsotr’izao ny fepetram-pandaminana ara-piharian-karena, ara-piaraha-monina, ara-pôlitika ary ara-kolontsaina, izay ilaina amin’ny fampiasana ara-drariny ny fahafahana. Ireny toe-javatra avy amin’ny fahajamban-tsaina sy tsy araka ny rariny sy ny hitsiny ireny no mampihena be ny fiainana ara-môraly ary koa maka fanahy na ny matanjaka na ny osa hanota amin’ny fitiavana. Rahefa tsy manaraka ny lalàna môraly ny olona, dia ny tenany ihany no manimba ny fahafahany, izy ihany no mamatotra ny tenany, mandrava ny fihavanana amin’ny olombelona mitovy amin’ny tenany ary mikomy amin’ny fahamarinan’Andriamanitra.

Fanafahana sy famonjena. Tamin’ny Hazofijaliany be voninahitra i Kristy no nampahazo ny famonjena ny olombelona rehetra. Izy no nanavotra azy ireo tamin’ny fahotana izay nanandevo azy ireo. “Fa ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika” (Gal 5,1). Ao Aminy isika no miombona amin’ny marina izay mahatonga antsika ho olona afaka jer. Jo 8,32.. Nomena antsika ny Fanahy Masina, araka ny nampianarin’ny apôstôly fa “izay itoeran’ny Fanahy no misy ny fahafahana” (2 Kôr 3,17). Hatramin’izao, mirehareha amin’ny fahafahan’ny zanak’Andriamanitra isika jer. Rôm 8,21..

Fahafahana sy fahasoavana. Tsy maka toerana ho mpifaninana velively amin’ny fahafahantsika ny fahasoavan’i Kristy, rahefa mifanaraka amin’ ny lalan’ny marina sy ny tsara izay napetrak’ Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona ny fahafahantsika. Ny mifanohitra amin’izany aza, satria tsapa miharihary eo amin’ny fiainana kristianina, indrindra amin’ny fivavahana, fa arakaraka ny fanekentsika ny tosi-kerim-pamporisikin’ny fahasoavana no hitomboan’ny fahafahantsika ao anaty lalina ao sy ny fahavononantsika hiatrika ny fisedrana, ohatra, manoloana ny fanerena sy ny famozonan’ny tontolo ety ivelany. Amin’ny alalan’ny asan’ny fahasoavana no anabeazan’ny Fanahy Masina antsika amin’ny fahafahana ara-panahy mba hahatonga antsika ho mpiara-miasa malalaka amin’ny tsanganasany ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’izao tontolo izao :

“Ry Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay” MR Alahady faha-32 mandavantaona..

“Mamela ny olombelona hanaraka ny fisainany” (Ekl 15,14) Andriamanitra, mba hahafahany miraiki-po an-kalalahana amin’ilay Mpahary azy sy mba hahatongavany araka izany amin’ny fahalavorariana mahasambatra jer. FAA 17, § 1..

Ny fahafahana dia fahazoana manao na tsy manao, sy manankina amin’ izany koa ny fanaovana ny asa amin’ny nahim-po, amin’ny alalan’ny tena ihany. Mahatratra ny fahalavorarian’ny asany ny fahafahana rahefa alamina araka an’Andriamanitra, ilay Soa fanaperana.

Ny fahafahana no mampiavaka ny asa tena an’olombelona tokoa. Izy no mahatonga ny olombelona ho tompon’andraikitra amin’izay asa ataony an-tsitrapo. An’ny tenany ihany ny asa amam-pihetsika ataony amin’ny nahim-po.

Ny mahadiso na ny maha-tompon’andraikitra amin’ny atao dia mety hihena na ho foana noho ny tsy fahalalana, ny fanerena, ny tahotra ary ny antony hafa ara-toe-tsaina na ara-piaraha-monina.

Ny zo hampiasa ny fahafahana dia mitaky adidy tsy azo sarahina amin’ny fahamendrehan’ny olombelona, indrindra ny ara-pivavahana sy ny ara-môraly. Kanefa tsy mitarika ny zo hilaza izay rehetra tiana lazaina na hanao izay rehetra tiana atao, ny fampiasana ny fahafahana.

“Fa ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika” (Gal 5,1).

4.Ny toetram-pitondran-tena amin’ny asan’olombelona

Ny fahafahana no mahatonga ny olombelona ho fototry ny fitondran-tena. Rahefa manao asa amin’ny nahim-pony ny olombelona dia azo lazaina fa mpamorona ny asany izy. Ny asan’olombelona, izay nofidiny tamin-kalalahana narahin’ny fitsaràn’ny kônsiansiny, dia azo faritan-toetra ara-pitsipi-pitondran-tena : tsara na ratsy.

I.Ny loharano ipoiran’ny toetram-pitondran-tena

Ny toetram-pitondran-tena amin’ny asan’olombelona dia miankina : - amin’ny zavatra nofidìna atao ; - amin’ny tanjona nokendrena na amin’ny fikasana ; - amin’ny toe-javatra isehoan’ny asa. Ny zavatra nofidìna atao, ny fikasana ary ny toe-java-miseho no mamorona ireo “loharano”, na singafototra iorenan’ny toetram-pitondran-tena amin’ ny asan’olombelona.

Ny zavatra nofidìna atao dia soa izay katsahin’ny sitrapo amim-pitokiana. Izy no fototry ny asan’olombelona. Ny zavatra nofidìna atao no mamaritra ara-pitsipi-pitondran-tena ny asan’ny finiavana, araka izay aneken’ny saina azy sy hitsaràny azy na mifanaraka na tsia amin’ny soa tena izy. Ny fitsipika misy momba ny toetram-pitondran-tena no milaza ny filaminan-tsaina amin’ny tsara sy ny ratsy, nohamarinin’ny kônsiansy.

Eo anatrehan’ny zavatra nofidìna atao, dia ny fikasana no manampy ny olona hanao ny asa. Satria mifandray amin’ny fototry ny finiavana hanao ny asa sy mamaritra izany amin’ny tanjona nokendrena ny fikasana, ka noho izany, singafototra iray ilaina izy, amin’ny famaritan-toetra ara-môraly ny asa atao. Ny tanjona nokendrena no fetra voalohany amin’ny fikasana sy manondro ny tarigetra katsahina amin’ny asa atao. Ny fikasana kosa dia fihetsiky ny sitrapo mankamin’ny tanjona nokendrena ; izy no ikendrena ny soa antenaina amin’ny fanaovana ny asa. Tsy voafetra amin’ny fitantanana ny asa tokana ataontsika izy, fa azo andaminana asa maro amin’ny zava-kendrena iray ihany ; azo itarihana ny fiainana manontolo mankamin’ny tanjom-piafaràna izy. Ohatra, ny nokendrena tamin’ny asa iray natao dia ny mba hanampiana ny namana, nefa koa sady mety ho fahazavan-tsaina avy amin’ny fitiavana an’Andriamanitra izay tanjom-piafaràna amin’ny asa rehetra ataontsika. Ny asa toy izany dia mety koa ho tsirin-kevitra avy amin’ny fikasana maromaro ; ohatra, ny asa fanampiana dia mety hatao mba hahazoana tombon-tsoa ho an’ny tena na ieboeboana amin’izany.

Ny fikasana tsara (ohatra : manampy ny namana) dia tsy mahatonga ho tsara na ho marina ny fihetsika amam-pitondran-tena efa ratsy rahateo (toy ny lainga sy ny fanaratsiana). Tsy manamarina ny fomba amam-pitaovana ampiasaina ny tanjona nokendrena. Araka izany, tsy azo atao ny manamarina ny fanamelohana ny tsy manan-tsiny ho fomba amam-pitaovana ara-dalàna hamonjena ny vahoaka. Kanefa, ny fikasana ratsy ampiana ratsy (ohatra, ny fieboeboana) dia mahatonga ho ratsy ny asa izay tokony ho tsara, amin’ny maha-asa azy (toy ny asa fiantrana) Mt 6,24..

Ireo toe-java-miseho, ao anatin’izany ny vokany, dia singafototra fanampiny amin’ny asa ara-môraly. Manampy amin’ny fampitomboana na fampihenana ny hatsarana na ny haratsiana ara-môraly amin’ny asan’ olombelona ireny toe-java-miseho ireny (ohatra, ny lanjam-bidin’ny zavatra nangalarina). Mety koa mampihena na mampitombo ny andraikitry ny mpanao ny asa ireny (tahaka izany ny asa amam-pihetsika noho ny tahotra ny fahafatesana). Ireo toe-java-miseho dia tsy afaka manova avy amin’ny tenany ihany, ny toetra ara-môraly ny asa amin’ny maha-asa azy ; tsy afaka ny hahatonga ho tsara na ho marina ny asa iray efa ratsy rahateo izy ireny.

II.Ny asa tsara sy ny asa ratsy

Ny asa tsara ara-pitsipi-pitondran-tena dia mitaky indray miaraka ny hatsaran’ny zavatra nofidìna atao, ny tanjona nokendrena ary ny toe-java-miseho. Ny tanjona ratsy nokendrena hanaovana asa tsara, dia manimba ilay asa, na dia tsara rahateo koa aza ny antony nifidianana azy (toy ny mivavaka sy ny mifady hanina “mba ho hitan’ny olona”). Ny zavatra nofidìna atao dia mety hanimba ny asa manontolo, na dia ny nifidianana azy fotsiny aza. Misy ireo fihetsika amam-pitondran-tena hita miharihary – toy ny fahavetavetana – izay mahadiso lalandava ny mifidy azy, satria ny fisafidianana azy dia mahatonga ny faharatsian’ny asan’ny sitrapo, izany hoe ny ratsy ara-môraly.

Noho izany, diso ny mitsara ny toetram-pitondran-tena amin’ny asan’ olombelona raha ny fikasana fotsiny izay ipoiran’izany, na ny toe-java-miseho fotsiny (toerana, fanerena ara-piaraha-monina, fanaovana an-terivozona na filana hanao ny asa amam-pihetsika, sns.) izay mamaritra izany, no iheverana azy. Misy ny asa izay na dia amin’ny alalan’ny maha-asa azy ihany aza sy na dia ao amin’ny maha-asa azy ihany aza, tsy miankina akory amin’ny toe-java-miseho sy ny fikasana, dia voarara mafy lalandava ny manao azy noho ny maha-ratsy ny fototry ny safidy ; ohatra, ny faniratsirana sy ny fivadiham-pianianana, ny famonoan’olona sy ny fijangajangana. Tsy azo atao ny manao ratsy mba hahazoan-tsoa.

“Loharano” telo miaraka no amaritana ny toetram-pitondran-tena amin’ ny asan’olombelona : ny zavatra nofidìna atao, ny fikasana ary ny toe-java-miseho.

Ny zavatra nofidìna atao no mamaritra ara-pitsipi-pitondran-tena ny asan’ny sitrapo arakaraka ny aneken’ny saina izany sy hitsaràny izany ho tsara na ho ratsy.

“Tsy azo hamarinina ho tsara amin’ny fikasana tsara ny asa ratsy iray atao” Md Thomas d' A., dec. praec. 6.. Tsy manamarina ho tsara ny fomba amam-pitaovana ampiasaina ny tanjona nokendrena.

Mitaky indray miaraka ny hatsaran’ny zavatra nofidìna atao sy ny tanjona nokendrena ary ny toe-java-miseho, ny asa tsara ara-pitsipi-pitondran-tena.

Misy ireo fihetsika amam-pitondran-tena hita miharihary, izay mahadiso lalandava ny mifidy azy, satria ny fifidianana azy dia mahatonga ny faharatsian’ny asan’ny sitrapo, izany hoe ratsy ara-pitsipi-pitondran-tena. Tsy azo atao ny manao ratsy mba hahazoan-tsoa.

5.Ny toetram-pitondran-tena amin’ny firehetam-po

Mamboatra ny tenany ho amin’ny hasambarana ny olombelona, amin’ny alalan’ny asa ataony amin’ny nahim-po : mety handrisika azy amin’izany sy hanampy azy amin’izany ny firehetam-po na ny fihetseham-po izay sedrainy.

I.Ny firehetam-po

Anisan’ny lovasoa kristianina ny teny hoe “firehetam-po”. Anondroana ny fiontanam-po na ny fihetsi-pahatohinana ny hoe fihetseham-po na ny firehetam-po, izay mampirona hanao na tsy hanao eo anatrehan’izay tsapa na eritreretina ho tsara na ho ratsy.

Ireo firehetam-po no singafototry ny toetra maha-izy ny fiasan’ny sain’ olombelona ; ireo no mamolavola ny foto-piovàna sy manamafy orina ny fifamatoran’ny fiainam-pahatohinana sy ny fiasan’ny saina. Ny Tompontsika dia manondro ny fon’ny olombelona ho toy ny loharano izay avy ao no ipoiran’ny fihetsik’ireo firehetam-po jer. Mk 7,21..

Maro ny firehetam-po. Ny fitiavana izay mampirisika ho amin’ny tsara no firehetam-po lehibe indrindra. Ny fitiavana no miteraka ny faniriana ny tsara izay tsy ananana sy ny fanantenana hahazo izany. Tanteraka ao anatin’ny fahafinaretana sy ny hafaliana amin’ny tsara azo izany fihetsika izany. Ny ahiahy amin’ny ratsy no miteraka fankahalana, tsy fitiavana ary fahatahorana ny ratsy ho tonga. Miafara amin’ny alahelo noho ny ratsy tsaroana na ny fahatezerana izay manohitra izany io fihetsika io.

“Ny tia dia ny maniry ny soa sy ny tsara hoan’ny hafa” Md Thomas d’A., s. th. 1-2, 26,4.. Ny fitiavana hafa rehetra dia manana ny loharanon’izy ireo ao amin’izany fihetsika fototra an’ny fon’ny olombelona ho amin’izany soa sy ny tsara izany. Tokony ho ny soa sy ny tsara ihany no hotiavina jer. Md Augustin, Trin. 8,3,4.. “Ratsy ny firehetam-po raha ratsy ny fitiavana, tsara ny firehetam-po raha tsara ny fitiavana” Md Augustin, civ. 14,7..

II.Firehetam-po sy fiainana ara-môraly

Raha ny maha-firehetam-po ny firehetam-po fotsiny dia sady tsy tsara no tsy ratsy izy. Tsy omena ny filazan-toetra ara-môraly izy afa-tsy izay ankininy tokoa amin’ny saina sy ny sitrapo. Antsoina hoe an-tsitrapo ny firehetam-po “na, satria nobaikoin’ny sitrapo izy, na, satria ny sitrapo no tsy nahasakana azy” Md Thomas d’A., s. th. 1-2, 24,1.. Anjaran’ny fahalavorarian’ny tsara ara-môraly na hatsaran’ny maha-olombelona no manao izay hanitsiana ny firehetam-po amin’ny alalan’ny saina jer. Md Thomas d’A., s. th. 1-2, 24,3..

Ireo fihetseham-po lehibe dia tsy manapa-kevitra na amin’ny toetram-pitondran-tena na amin’ny fahamasinan’ny olona ; izy ireny no ilay toeram-pitahirizana tsy mety ritra ireo fahatsiarovana sy ireo firaiketam-pitia izay isehoan’ny fiainana ara-môraly. Ny firehetam-po dia tsara ara-môraly rahefa mandray anjara amin’ny asa tsara izy, ary ratsy raha ny mifanohitra amin’izany. Ny sitrapo mahitsy dia mibaiko ho amin’ny soa sy ho amin’ny hasambarana, an’ireo fihetsika mahatohina izay zakainy ; ny sitrapo ratsy kosa dia resin’ny firehetam-po mikorontana sady mampisondrotra ny fikitokitonany. Ny fiontanam-po sy ny fihetseham-po dia mety ho zakaina amin’ny hatsaram-panahy, na mety ho simbàna amin’ny haratsiam-panahy.

Amin’ny fiainana kristianina, ny Tenan’ny Fanahy Masina no manatontosa ny tsanganasany amin’ny fampihetsehana ny olona manontolo, ao anatin’izany ny fijaliany, ny tahotra mahazo azy ary ny alahelony, tahaka izay niseho tamin’ny Fiadian’ain’ny Tompo sy ny fijaliany. Ao amin’i Kristy, ireo fihetseham-po maha-olombelona dia mety hahazo ny fahalavorarian’izy ireny amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny hasambarany.

Ny fahalavorariana ara-môraly dia tsy ny mba handrisika ny olona hanao ny tsara amin’ny alalan’ny finiavany ihany, fa koa amin’ny alalan’ny fahalianan’ny nofony, araka ity tenin’ny salamo ity hoe : “Mientan-kafaliana amin’Andriamanitra velona ny foko sy ny nofoko” (Sal 84,3).

Manambara ny firaiketam-pitia na ny fihetseham-po ny teny hoe “firehetam-po”. Amin’ireny fiontanam-pony ireny ny olona no mahatsinjo mialoha ny tsara sy manahy sahady koa ny ratsy.

Ireto no firehetam-po lehibe indrindra : ny fitiavana sy ny fankahalana, ny faniriana sy ny fahatahorana, ny hafaliana, ny alahelo ary ny fahatezerana.

Amin’ireo firehetam-po, toy ireo fihetsi-pahatohinana, dia tsy misy hoe tsara na ratsy ara-môraly. Kanefa arakaraka ny iankinan’ireny na tsia amin’ny saina sy ny sitrapo no maha-tsara azy na maha-ratsy azy ara-môraly.

Ny fiontanam-po sy ny fihetseham-po dia mety ho zakaina amin’ny hatsaram-panahy na mety ho simbàna amin’ny haratsiam-panahy.

Ny fahalavorarian’ny tsara ara-môraly, dia ny mandrisika ny olona ho amin’ny tsara tsy avy amin’ny finiavany ihany, fa avy amin’ny “fony” koa.

6.Ny kônsiansy môraly

“Tsapan’ny olombelona ao amin’ny kônsiansiny lalina ao ny fisiana lalàna iray izay tsy avy amin’ny tenany, nefa manery azy hanaiky izany. Io feo io izay tsy mitsahatra ny manery azy ho tia sy hanatanteraka ny tsara ary handositra ny ratsy, amin’ny fotoana sahaza izany, dia manako ao anatin’ ny fony lalina ao. (…) Lalàna nosoratan’Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona izany. Ny kônsiansy no foibe lalina indrindra sy miafina indrindra ao amin’ny olombelona, toerana masina izay izy irery miaraka amin’Andriamanitra no ao, ary ao no andrenesana ny feony” FAA 16..

I.Ny fitsaràn’ny kônsiansy

Ny kônsiansy môraly izay voasoratra ao am-pon’ny olona jer. Rôm 2,14-16., no mandidy azy hanatanteraka ny tsara sy handositra ny ratsy, amin’ny fotoana sahaza izany. Izy koa no mitsara ny safidy azo tsapain-tanana, amin’ny fankatoavana ireo izay tsara sy amin’ny fiampangana ireo izay ratsy jer. Rôm 1,32.. Izy no manaporofo ny fahefan’ny marina amin’ny fanondroana ilay Tsara fara tampony (Andriamanitra) izay andraisan’ny olona ny fanintonany sy andraisana ny didiny. Rahefa mihaino ny kônsiansy môraly ny olona malina, dia afaka mihaino an’Andriamanitra miteny.

Ny kônsiansy môraly dia fitsaràn’ny saina izay ahalalan’ny olombelona ny toetra ara-môraly amin’ny asa iray azo tsapain-tanana izay hapetrany, ka mbola eo am-panatanterahana izany na efa notanterahina. Ny olona, amin’izay rehetra lazainy sy ataony, dia voadidy hanaraka amim-pitokiana izay fantany fa marina sy mahitsy. Amin’ny alalan’ny fitsaràn’ny kônsiansiny izany no ahatsapan’ny olona sy ahafantarany ireo baiko araka ny lalànan’Andriamanitra :

Ny kônsiansy dia lalànan’ny saintsika, nefa mihoatra ny saintsika, manome baiko antsika, midika ho andraikitra sy adidy, tahotra sy fanantenana. (…) Izy no mpitondra hafatr’Ilay izay miteny amintsika fa tsy mivantana, mampianatra antsika ary mitantana antsika, eo amin’ny tontolon’ny zavaboary toy ny eo amin’ny tontolon’ny fahasoavana koa. Ny kônsiansy no voalohany amin’ireo rehetra vikeran’i Kristy Newman, taratasy ho an’i duc de Norfolk 5..

Zava-dehibe ilaina amin’ny tsirairay ny ampy fahatsiarovan-tena mba hihaino sy hanaraka ny feon’ny kônsiansiny. Izany fangatahana hahatsapa ao anaty izany dia ilaina tokoa noho ny fiainana, izay matetika mitarika antsika tsy hisaintsaina, tsy handinika na tsy hitsikera ny tena, amin’izay rehetra atao :

Diniho ny kônsiansinao, anontanio izy. (…) Miverena ry rahalahy, ao anaty sy amin’izay rehetra ataonao, jereo Andriamanitra, ilay Vavolombelona Md Augustin, ep. Jo 8,9..

Milaza tsy mivantana sy mitaky ny fahitsian’ny kônsiansy môraly ny fahamendrehan’ny olombelona. Ny kônsiansy môraly no mampahazo an-tsaina ny fototry ny toetram-pitondran-tena (fahalalam-pitsipika voa-Janahary), ny fampiharana azy ireny amin’ny fisehoan-javatra avy amin’ny fandanjalanjana mifantoka amin’ny fahendrena sy ny tsara, ka raha fehezina, fandanjalanjana miompana amin’ny asa mivaingana hapetraka na efa tafapetraka. Ny marina momba ny tsara ara-môraly, ambara ao amin’ny lalànan’ny saina, dia ekena ho izy tokoa amin’ny asa sy amin’ny fomba azo tsapain-tanana, amin’ny alalan’ny fahaizan’ny kônsiansy mandanjalanja amim-pahamalinana. Antsoina hoe malina ny olona izay misafidy araka io fahaiza-mandanjalanja io.

Ny kônsiansy no ahafahana miantsoroka ny andraikitra amin’ny asa nankinina. Raha manao ratsy ny olona, ny marina amin’ny fitsaràn’ny kônsiansiny kosa dia mety haharitra ao aminy ho vavolombelon’ny marina mahahenika ny tontolon’ny tsara, miaraka amin’izany koa ho vavolombelon’ny hasomparan’ny safidiny hafahafa. Maharitra ho antoky ny fanantenana sy ny famindram-po ny didim-pitsaràn’ny fitsaràn’ny kônsiansy. Amin’ny fanamarinana ny hadisoana natao izy no mampahatsiahy ny famelan-keloka hangatahina, ny tsara mbola hotanterahina ary ny hatsaram-panahy hokarakaraina tsy an-kijanona miaraka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra :

Mahazo mampatoky ny fontsika eo anatrehany isika, satria, raha ny fontsika aza manameloka antsika, mainka fa Andriamanitra izay lehibe noho ny fontsika, sady mahalala ny zavatra rehetra (1 Jo 3,19-20).

Manana zo handeha araka ny kônsiansy sy an-kalalahana ny olona mba hahafahan’ny tenany mandray fanapahan-kevitra ara-môraly. “Tsy azo terena hanao asa amam-pihetsika mifanohitra amin’ny kônsiansiny ny olona. Kanefa tsy azo sakanana tsy hanao asa amam-pihetsika araka ny kônsiansiny koa izy, indrindra ny amin’ny fivavahana” FVA 3..

II.Ny fanabeazana ny kônsiansy

Mila ampahafantarina ny kônsiansy ary mila azavaina ny fitsaràna ara-môraly. Mahitsy sady marina ny kônsiansy nobeazina tsara. Lazainy mazava tsara araka ny fahamarinana ny fitsaràny, sy araka ny soa tena izy takìn’ny fahendren’ilay Mpahary. Tena ilaina ny fanabeazana ny kônsiansy ho an’ireo olona manaiky ny fanintonan’ny hery ratsy sy taomin’ny fahotana hifidy ny fitsaràn’izy ireo manokana, sy hitsipaka ny fampianarana nahazo lalana ara-dalàna.

Lahasa mandritra ny fiainana manontolo ny fanabeazana ny kônsiansy. Manomboka amin’ireo taona voalohandohany iainan’ny zaza, io fanabeazana io no ampahiratana ny sainy amin’ny fahalalana sy amin’ny fanatanterahana ny lalàna anaty eken’ny kônsiansy môraly. Ny fanabeazana amim-pahamalinana no mampianatra ny hatsaram-panahy ; izy no miaro na manafaka amin’ny tahotra, amin’ny fitiavan-tena tafahoatra sy ny fiavonavonana, amin’ny lonjonim-pahadisoana sy amin’ ny fihetsika mila doka, teraka avy amin’ny fahalemen’ny olombelona sy ny fahadisoany. Ny fanabeazana ny kônsiansy no miantoka ny fahafahana sy miteraka ny fiadanam-po.

Ny Tenin’Andriamanitra no fahazavana mitsilo ny diantsika, amin’ny fanabeazana ny kônsiansy ; ilaintsika ny mitsakotsako azy amin’ny finoana sy amin’ny fivavahana, sy ny mampihatra azy amin’ny fiainana. Mbola ilaintsika koa ny mandinika ny kônsiansintsika araka ny Hazofijalian’ny Tompo. Amin’izany, ny fanomezan’ny Fanahy Masina no mankahery antsika, ny fijoroan’ny hafa ho vavolombelona na ny torohevitra avy aminy no manampy antsika, ary ny fampianarana nahazo lalana tamin’ny Fiangonana no mitantana antsika jer. FVA 14..

III.Misafidy araka ny kônsiansy

Ny kônsiansy, eo anatrehan’ny safidy ara-môraly, dia mety hanao fitsaràna mahitsy mifanaraka amin’ny saina sy amin’ny lalànan’ Andriamanitra, na mety koa hanao fitsaràna diso ka tsy mifanaraka amin’ izany.

Indraindray ny olona, mifanandrina amin’ny toe-javatra izay mahatonga ny fitsaràna ara-môraly ho tsy azo antoka loatra sy ny fanapahan-kevitra ho sarotra. Kanefa tsy maintsy mikaroka izay marina sy tsara izy, sy mandanjalanja ny sitrapon’Andriamanitra voambara ao amin’ny lalànan’ Andriamanitra.

Araka izany, miezaka ny olombelona hanazava ny dikan’ireo hevitra avy amin’ny fandinihana azo tamim-pahazarana sy ireo fambara miseho ankehitriny noho ny herin’ny fahamalinana, noho ny torohevitry ny olona kinga saina ary noho ny fanampian’ny Fanahy Masina sy ny fanomezany.

Fitsipika vitsivitsy sahaza ny sehon-javatra rehetra : - Tsy azo atao na oviana na oviana ny manao ny ratsy mba hahazoan-tsoa. - Ny “fitsipika volamena” : “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany” (Mt 7,12) jer. Lk 6,31; Tobia 4,15.. - Ny fitiavana dia miseho lalandava amin’ny alalan’ny fanajana ny namana sy ny kônsiansiny: “Amin’ny fitenenana manohitra ny mpiray tam-po ara-pinoana, sy amin’ny fandratrana ny kônsiansin’izy ireo (…), dia amin’i Kristy no anotanareo” (1 Kôr 8,12). “Ny tsara, dia ny mifady (…) izay rehetra manafintohina na mandavo na mandemy ny mpiray finoana aminao” (Rôm 14,21).

IV.Ny fitsaràna diso

Tokony hanaiky lalandava ny fitsaràna marina tsy misy mampisalasala ny kônsiansiny ny olombelona. Raha tamin’ny nahim-po no nanoherany ny kônsiansy, dia manameloka ny tenany ihany ny olombelona. Kanefa mety ho azon’ny tsy fahalalana ny kônsiansy môraly ka mitondra ho amin’ny fitsaràna diso amin’ny asa atao na efa natao.

Izany tsy fahalalana izany matetika dia azo lazaina ho avy amin’ny andraikitry ny tena ihany. Mety ho tonga amin’izany, “raha toa ny olona tsy rototra hitady ny marina sy ny tsara, ary raha toa ny fahazarana amin’ ny fahotana no mahatonga tsikelikely ny kônsiansiny madiva ho jamba” FAA 16.. Amin’ny sehon-javatra toy ireny, ny ratsy ataon’ny olombelona ihany no mahameloka azy.

Ny tsy fahalalana an’i Kristy sy ny Evanjeliny, ny oha-dratsy omen’ny hafa, ny fanandevozan’ny firehetam-po, ny fihamboana hahavita tena amin’ny fihainoana vilana ny kônsiansy, ny fandavana ny manam-pahefan’ny Fiangonana sy ny fampianarany, ny tsy fahampian’ny fibebahana sy ny fitiavana, dia mety ho fototry ny fivaonan’ny fitsaràna ara-môraly eo amin’ny atao.

Ny mifanohitra amin’izany, raha tsy mety resy ny tsy fahalalana, na tsy misy andraikitra momba ny môraly ny fitsaràna diso, dia mety tsy hahadiso ny olona ny ratsy nataony. Saingy, tsy manala ny ratsy akory izany, ary tsy miaro ny fahavoazana sy ny fikorontanana aterany. Koa ilaina àry ny miezaka manitsy ny kônsiansy môraly amin’ny fahadisoany.

Ny finoana marina no manazava ny kônsiansy tsara sy madio. Satria avy amin’ny fitiavana avokoa no iandohan’ny “fo madio, kônsiansy tsara ary finoana tsy miolakolaka” (1 Tim 1,5) jer. 1 Tim 3,9; 2 Tim 1,3; 1 Pi 3,21; Asa 24,16..

Arakaraka ny handresen’ny kônsiansy mahitsy, no hanalaviran’ny olona sy ny antokon’olona amin’ny fanapahan-kevitra an-jamba sy hiezahan’izy ireo hanaraka ny fitsipika misy amin’ny toetram-pitondran-tena FAA 16..

“Ny kônsiansy no foibe lalina indrindra sy miafina indrindra ao amin’ny olombelona, toera-masina izay ao izy irery no miaraka amin’ Andriamanitra sy maheno ny feon’Izy Andriamanitra” FAA 16..

Ny kônsiansy môraly dia fitsaràn’ny saina izay ahalalan’ny olombelona ny toetra ara-môraly amin’ny asa iray azo tsapain-tanana.

Ho an’ny olona izay nanao ratsy, ny valim-pitsaràn’ny kônsiansiny no mipetraka ho antoky ny fibebahany sy ny fanantenany.

Mahitsy sady marina ny kônsiansy nobeazina tsara. Lazainy mazava tsara araka ny fahamarinana ny fitsaràny, sy araka ny soa tena izy takìn’ny fahendren’ilay Mpahary. Samy tokony handray izay fomba hanabeazany ny kônsiansiny ny tsirairay.

Ny kônsiansy, eo anatrehan’ny safidy ara-môraly, dia mety hanao fitsaràna mahitsy mifanaraka amin’ny saina sy amin’ny Lalànan’ Andriamanitra, na mety koa hanao fitsaràna diso ka tsy mifanaraka amin’ izany.

Tokony hanaiky lalandava ny fitsaràna marina tsy misy mampisalasala ny kônsiansiny ny olombelona.

Mety hijanona ao anatin’ny tsy fahalalana na hitondra ho amin’ny fitsaràna diso ny kônsiansy môraly. Tsy hoe manafaka lalandava amin’ny maha-meloka akory ireny tsy fahalalana mbamin’ny fahadisoana ireny.

Ny Tenin’Andriamanitra no fahazavana mitsilo ny diantsika. Ilaintsika ny mitsakotsako azy amin’ny finoana sy amin’ny fivavahana, sy ny mampihatra azy amin’ny fiainana. Ary amin’izany no hibeazan’ny kônsiansy.

7.Ny herim-panahy

“Izay rehetra marina, izay rehetra manan-kaja, izay rehetra rariny, izay rehetra madio, izay rehetra mahatehotia, izay rehetra tsara laza, sy izay rehetra misy herim-panahy sy misy dera, no aoka hoheverinareo” (Filip 4,8). Ny herim-panahy dia toe-panahy mahazatra sy mafy orina, izay mampirona hanao ny tsara. Izy no ahazoan’ny olona, tsy ny manatanteraka fotsiny ny asa soa, fa ny manome ny tsara indrindra avy amin’ny tenany mihitsy. Ny olona tsara toe-panahy dia mikendry ny tsara, amin’ny heriny rehetra ara-nofo sy ara-panahy; izany no katsahiny sy fidìny amin’ny asa azo tsapain-tanana.

Ny tarigetra amin’ny fiainana feno hatsaran-toe-panahy dia ny hanjary hifanahaka amin’Andriamanitra Md Grégoire de Nysse, beat.1..

I.Ny herim-panahy maha-olombelona

Ny herim-panahy maha-olombelona dia toetran’ny saina sy ny sitrapo, izay miseho amin’ny fihetsika tsy miovaova, amin’ny fahavononana tsy mivadibadika, amin’ny fahatsarana mahazatra, izay manitsy ny ataontsika, mandrindra ny firehetam-pontsika ary manoro ny fitondran-tenantsika araka ny saina sy ny finoana. Izy no mahatonga fanamoràna, fifehezana ary hafaliana mba hitondrana ny fiainana ho tsara ara-pitsipi-pitondran-tena. Ny olombelona tsara toe-panahy, dia izay manao ny tsara amin-kalalahana. Ireo herim-panahy enti-mitondra tena dia azo amin’ny fo tsara. Izy ireo no vokatra sy tsirin’ny asa tsara ara-pitsipi-pitondran-tena ; izy ireo no mandamina ny hery rehetra ao amin’ny olombelona hiombona amin’ny fitiavan’Andriamanitra.

Fiavahan’ireo herim-panahy savily (fototra)

Misy efatra ny herim-panahy manana anjara asan’ny savily. Avy amin’ izany no antony iantsoana azy ireo hoe “savily”, izany hoe “fototra” ; ny herim-panahy hafa rehetra kosa dia mivondrona manodidina azy ireo. Ireto avy ireo herim-panahy savily (fototra) : ny fahamalinana, ny fahamarinana, ny faherezana ary ny fahalalana onony. “Tia fahamarinana ve ny olona ?” Ny asan’ny Fahendrena no mahavokatra ireo herim-panahy, satria Izy no mampianatra ny fahalalana onony amam-pahamalinana, ary ny fahamarinana amam-paherezana” (Fah 8,7). Amin’ny anarana hafa kosa no hiderana ireo herim-panahy ireo, ao amin’ny andalan-tSoratra Masina maro.

Ny fahamalinana dia herim-panahy enti-mitondra tena, izay mandrisika ny saina hahay manavaka amin’ny toe-java-miseho rehetra, ny soa sy ny tsara tena izy ho antsika, sy hahay mifidy ny fomba na fitaovana sahaza hanatanterahana izany. “Ny olona malina, mitandrina ny diany” (Ohab 14,15). “Aoka ho hendry sy hahono-tena ianareo, mba ho afa-mivavaka” (1 Pi 4,7). Ny fahamalinana no “fitsipika mahitsy amin’ny atao” hoy i Md Tomà S. th. 2-2,47,2., taorian’i Aristote. Tsy mifangaro amin’ny henatra aman-tahotra, na amin’ny fitaka amam-pihatsarambelatsihy, ny fahamalinana. Lazaina hoe auriga virtutum izy, izany hoe : mitarika ny herim-panahy hafa rehetra amin’ny fanoroana azy ireo ny fitsipika sy ny fepetra arahina. Ny fahamalinana no mitarika eo no eo avy hatrany ny fitsaràn’ny kônsiansy. Ny olona malina dia manapa-kevitra sy mandamina ny fitondran-tenany manaraka io fitsaràna io. Noho io herim-panahy io, mampihatra tsy misy hadisoana ny fitsipika fototra ara-môraly amin’ny sehon-javatra manokana isika sy mandresy ny fisalasalana rehetra ny amin’ny tsara ho tanterahina sy ny amin’ny ratsy ho fadìna.

Ny fahamarinana dia herim-panahy enti-mitondra tena, izay ifotoran’ny sitrapo, amin’ny toetra tsy miovaova sy mafy orina, hanome amin’ Andriamanitra sy amin’ny namana izay tokony hefaina amin’izy ireo. Ny fahamarinana atao amin’Andriamanitra dia antsoina hoe “herim-panahy enti-mivavaka”. Ny fahamarinana atao amin’ny olombelona kosa no mandrisika hanaja ny zon’ny tsirairay sy hanorina eo amin’ny fifandraisan’ ny olombelona, ny firindra izay mampandroso ny rariny sy ny hitsiny amin’ny olona sy amin’ny soa iombonana. Ny olona mandala ny fahamarinana, voatsiahy matetika ao amin’ny Boky masina, dia miavaka amin’ny fahamarinan-toetra mahazatra ny eritreriny sy ny fahitsian’ny fitondran-tenany amin’ny namana. “Ny mahantra aza anananao tombom-pitia, ny manankarena aza anananao fankasitrahana, fa ny rariny ihany no hitsarànao ny namanao (Lev 19,15). “Ianareo tompo, manaova ny marina mbamin’ny rariny sy ny tsy fiangarana amin’ny mpanomponareo ; satria fantatrareo fa manan-Tompo any an-danitra koa ianareo (Kôl 4,1).

Ny faherezana dia herim-panahy enti-mitondra tena, izay miantoka, ao anatin’ny sarotra, ny fahasahiana sy ny fikirizana amin’ny fikatsahana ny tsara. Izy no manamafy ny fikasana hanohitra ny fakam-panahy sy handresy ny sakana eo amin’ny fiainana ara-môraly. Ny herim-panahy faherezana no ahafahana mandresy ny tahotra, eny fa na ny fahafatesana aza, miatrika ny fitsapan-toetra sy ny fanenjehana. Izy no mandrisika ho tonga hatramin’ny fandavan-tena sy ny fahafoizana ny aina, mba hiarovana ny marina. “Ny Tompo no heriko sy hirako” (Sal 118,14). “Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao ; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho” (Jo 16,33).

Ny fahalalana onony dia herim-panahy enti-mitondra tena, izay mampitony ny fanintonan’ny fahafinaretana sy mampifandanja ny fampiasana ny haren’ny zavaboary. Izy no manamafy orina ny fifehezana ny sitrapo amin’ny tosi-kerim-panentana ao anaty sy mitana ny faniriana ao anatin’ny fetran’ny fahamaotonana. Ny olona mahalala onony dia mampirona ireo fahalianany ara-batana ho amin’ny tsara, mahatam-bava tokoa ary tsy mamela ny tenany ho voatarika hanaraka ny fitsiriritan’ny fony jer. Ekl 5,2; 37,27-31.. Matetika, deraina ao amin’ny Testamenta Taloha ny fahalalana onony : “Aza mamela ny tenanao handeha amin’ny fitsiriritanao, folahy ny fahaliananao” (Ekl 18,30). Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia antsoina hoe “fahalalana onony” na “fahalalana fetra” izy. Tokony “hivelona amin’ny fahalalana onony, ny fahamarinana ary ny fitiavam-bavaka eto amin’izao tontolo ankehitriny izao” isika (Tito 2,12).

Ny miaina tsara dia tsy zavatra hafa fa ny mitia an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo, amin’ny fanahiny manontolo ary amin’ny ataony manontolo. Fitiavana manontolo no tahirizina ho Azy (amin’ny alalan’ny fahalalana onony) ka tsy hisy na iray aza loza ho afaka hanozongozona (miankina amin’ny faherezana izany), izay tsy manaiky afa-tsy Izy irery (fa izany no fahamarinana), izay mitandrina mba handanjalanja ny zavatra rehetra fandrao mamela ny tena ho tampohin’ny hafetsena sy ny lainga (fa izany no fahamalinana) Md Augustin, mor. Eccl. 1,25,46..

Ny herim-panahy sy ny fahasoavana

Ireo herim-panahy maha-olombelona azo tamin’ny fanabeazana, tamin’ny asa natao amin’ny nahim-po ary tamin’ny faharetana niezaka lalandava, dia voadio sy voasandratra ho ambony tamin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra izy ireny no mamolavola ny toetra sy manamora amin’ny fanaovana ny tsara. Ny olombelona tsara toe-panahy dia sambatra manatanteraka izany.

Tsy mora ho an’ny olona voaratran’ny fahotana ny mitana ny filaminan-tsaina. Ny fanomezam-pamonjena avy amin’i Kristy no manome antsika ny fahasoavana ilaina mba hitozoana amin’ny fikatsahana ny herim-panahy. Tokony hangataka lalandava izany fahasoavam-pahazavana sy hery izany ny tsirairay, hidodododo handray ny sakramenta, hiara-miasa amin’ny Fanahy Masina, hanaraka ny antsony mba ho tia ny tsara sy hiaro tena amin’ny ratsy.

II.Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra

Ireo herim-panahy maha-olombelona dia miorim-paka ao amin’ireo herim-panahy avy amin’Andriamanitra izay mampifanaraka ny fahaizan’ olombelona mahataka-javatra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra jer. 2 Pi 1,4.. Satria ireo herim-panahy avy amin’ Andriamanitra dia miankina mivantana amin’Andriamanitra. Ireo no manampy ny kristianina hiaina ao anatin’ny fifandraisana amin’ny Trinite Masina. Andriamanitra Tokana Olona Telo no fiandohan’ireo, anton’ireo ary fototr’ireo.

Ireo herim-panahy avy amin’Andriamanitra dia manorina, mandrisika ary mamaritra mazava ny asa amam-pihetsika ara-môraly kristianina. Ireo no mampahalala sy mamelombelon’aina ny herim-panahy rehetra enti-mitondra tena. Ireo no ampitain’Andriamanitra ao amin’ny fanahin’ireo mpino mba hahatonga azy ireo ho mahay mitondra tena tahaka ny zanany sy ho mendrika ny fiainana mandrakizay. Ireo no antoky ny fisiana maha-eo ny Fanahy Masina sy ny asany, amin’ny fahaizana amam-pahazoan’ny olombelona mahataka-javatra. Misy telo ny herim-panahy avy amin’ Andriamanitra : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana jer. 1 Kôr 13,13..

Ny finoana

Ny finoana dia herim-panahy avy amin’Andriamanitra, izay inoantsika an’ Andriamanitra sy izay rehetra nolazainy sy nambarany tamintsika, ary atolotry ny Fiangonana Masina antsika mba hinoana, satria Izy Andriamanitra ihany no fahamarinana. Amin’ny alalan’ny finoana “ny olombelona no manolotra amin-kalalahana ny tenany manontolo amin’ Andriamanitra” FA 5.. Izany no antony hiezahan’ny mpino mamantatra sy manao ny sitrapon’Andriamanitra. “Ho velona noho ny finoana ny olo-marina” (Rôm 1,17). “Miasa amin’ny alalan’ny fitiavana” ny finoana velona (Gal 5,6).

Mitoetra ao amin’izay tsy manota amin’ny finoana ny fanomezam-pinoana jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Kanefa “maty ny finoana tsy arahin’asa” (Jak 2,26) : ny finoana tsy miaraka amin’ny fanantenana sy ny fitiavana, dia tsy mampiray manontolo ny mpino amin’i Kristy ary tsy hahatonga azy ho rantsambatana velon’ny Vatany.

Tsy ny mitana ny finoana sy ny miaina izany ihany no tokony hataon’ny mpianatr’i Kristy, fa koa ny manambara izany ampahibemaso, ny mirotsaka ho vavolombelon’izany amin-toky, ary ny mampiely izany : “Tsy maintsy vonona isika rehetra hanambara an’i Kristy eo anatrehan’ny olona rehetra, ary hanaraka Azy eny an-dalan’ny Hazofijaliana sy eo anivon’ny fanenjehana izay tsy hahafaty na oviana na oviana ny Fiangonana” FF 42; jer. FVA 14.. Ilaina ho amin’ny famonjena ny fanompoana sy ny fijoroana ho vavolombelon’ny finoana : “Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra ; fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra” (Mt 10,32-33).

Ny fanantenana

Herim-panahy avy amin’Andriamanitra ny fanantenana, izay aniriantsika ny Fanjakan’ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay ho hasambarantsika, ka hametrahantsika fitokiana ny fampanantenan’i Kristy sy fiankinana amin’ ny fanampian’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, fa tsy amin’ny herin’ny tenantsika. “Aoka hotanantsika mafy tsy ho voahozongozona ny fiekem-panantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana” (Heb 10,23). “Io Fanahy io, Ilay narotsany be dia be tamintsika, tamin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Mpamonjintsika, mba ho tonga mpandova amim-panantenana ny fiainana mandrakizay isika, amin’ny fanamarinan’ny fahasoavan’i Kristy” (Tito 3,6-7).

Ny herim-panahy fanantenana no mamaly ny faniriam-pahasambarana napetrak’Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona rehetra ; izy no mizaka ireo fanantenana izay mampafana fo amin’ireo asa mbamin’ny fihetsiketsehana rehetra ataon’ny olombelona ; izy no mandio an’ireny mba handaminana an’ireny ho amin’ny Fanjakan’ny lanitra ; izy no miaro amin’ ny hakiviana ; izy no manohana amin’izay fandaozana rehetra ; izy no mamalifaly eo am-piandrasana ny hasambarana mandrakizay. Ny hetsi-panahy manentana ny fanantenana no miaro tsy ho amin’ny fitiavan-tena tafahoatra sy mitondra ho amin’ny hasambaram-pitiavana.

Ny fanantenana kristianina no mandray sy manatanteraka ny fanantenan’ ny vahoaka voafidy, izay ny fiandohany sy ny môdeliny dia ny fanantenan’i Abrahama ampoky ny fampanantenan’Andriamanitra tao amin’i Isaaka sy voadion’ilay fitsapan-toetra tamin’ny sorona jer. Jen 17,4-8; 22,1-18.. “Nino izy, fa nanantena na dia tsy misy tokony hanantenany aza, ka nanjary rain’ny firenena maro” (Rôm 4,18).

Ny fanantenana kristianina dia mivelatra hatrany am-panombohan’ny toritenin’i Jesoa tamin’ny fanambaràna an’ireo hasambarana. Ireo Hasambarana ireo no manondrotra ny fanantenantsika mankany an-Danitra toy ny mankany amin’ny Tany vaovao nampanantenaina ; ireo no manoritra amin’izany ny lalana mamakivaky ny fitsapan-toetra izay miandry ny mpianatr’i Jesoa. Kanefa noho ny soa nataon’i Jesoa-Kristy sy ny fijaliany no iarovan’Andriamanitra antsika ao anatin’ “ny fanantenana izay tsy mba manodoka” (Rôm 5,5). Ny fanantenana no “vatofantsiky ny aina”, azo antoka sy tsy voahozongozona, izay mitsofoka “any amin’izay efa nidiran’i Jesoa ho mpialoha lalana antsika” (Heb 6,19-20). Ny fanantenana koa no fitaovam-piadiana izay miaro antsika amin’ny adim-pamonjena : “Aoka isika hitafy ny finoana amam-pitiavana ho fiarovan-tratra, sy ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha” (1 Tes 5,8). Ny fanantenana no mampahazo hafaliana antsika na dia ao anatin’ny fitsapan-toetra aza : “Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana” (Rôm 12,12). Maneho ny aminy sy mivelona amin’ny fivavahana ny fanantenana, fa indrindra amin’ny vavaka Rainay, famintinana an’izay rehetra asain’ny fanantenana ho irintsika.

Noho izany, afaka manantena ny voninahitry ny lanitra nampanantenain’ Andriamanitra an’ireo izay tia Azy jer. Rôm 8,28-30. sy nanao ny sitrapony jer. Mt 7,21. isika. Amin’ny toe-java-miseho rehetra, ny tsirairay no tokony hanantena izany, ombàn’ny fahasoavan’Andriamanitra, sy “haharitra hatramin’ny farany” jer. Mt 10,22; jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. ka hahazo ny hafalian’ny lanitra, ho valisoa mandrakizay avy amin’Andriamanitra noho ny asa fitiava-namana tanteraka niaraka tamin’ny fahasoavan’i Kristy. Amim-panantenana no ivavahan’ny Fiangonana mba “hahavoavonjy ny olon-drehetra” (1 Tim 2,4). Irìny ny ho tafaray amin’i Kristy Vadiny any amin’ny voninahitry ny lanitra :

Manantenà, ry fanahiko, manantenà. Tsy mahalala ny andro sy ny ora ianao. Miambena amim-pitandremana, fa mandalo miserana haingana ny zavatra rehetra, na dia mahatonga ny azo antoka ho mampisalasala aza ny fahamaimaizanao, ary mahatonga ny fotoana ho lava ny fohy tokoa. Eritrereto fa arakaraka ny hiadianao no hanaporofoanao ny fitiavana izay asehonao amin’ny Andriamanitrao, sy hifalianao miaraka amin’ny Malalanao indray andro any, ao anatin’ny hasambarana sy ny firavoravoana izay tsy hanam-pahataperana na oviana na oviana Mb Terezin’i Jesoa, excl. 15,3..

Ny fitiavana

Ny fitiavana dia herim-panahy avy amin’Andriamanitra, izay itiavantsika an’Andriamanitra ambonin’ny zavatra rehetra amin’ny maha-Izy Azy, ary itiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika ihany mba ho fitiavana an’ Andriamanitra.

Nataon’i Jesoa ho didy vaovao ny fitiavana jer. Jo 13,34.. Tamin’ny nitiavany ny azy “hatramin’ny farany” (Jo 13,1), no naneho ny fitiavan’ny Ray izay noraisiny Izy. Amin’ny fifankatiavan’ireo samy mpianatra no akan’izy ireo tahaka ny fitiavan’i Jesoa, izay noraisin’izy ireo koa tao amin’izy ireo. Izany no nilazan’ i Jesoa hoe : “Tahaka ny itiavan’ny Ray Ahy no itiavako anareo koa, ka mitomoera ao amin’ny fitiavako ianareo” (Jo 15,9). Ary koa hoe : “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny itiavako anareo” (Jo 15,12).

Ny fitiavana, noho izy vokatry ny Fanahy sy fahatanterahan’ny Lalàna, no itandremana ny didin’Andriamanitra sy ny an’i Kristy: “Mitomoera ao amin’ ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra ao amin’ny fitiavako” (Jo 15,9-10) jer. Mt 22,40; Rôm 13,8.10..

Maty noho ny fitiavana antsika i Kristy, na dia mbola “fahavalo” (Rôm 5,10) aza isika. Mangataka antsika ny Tompo ho tia ny fahavalontsika jer. Mt 5,44., tahaka ny nataony, hanao ho namana na dia izay lavitra indrindra aza jer. Lk 10,27-37., ho tia ny zaza jer. Mk 9,37. sy ny mahantra toy ny Tenany ihany jer. Mt 25,40.45..

Nanome amboaram-pampianarana tapitr’ohatra momba ny fitiavana i Md Paoly apôstôly : “Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po ; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany ; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra” (1 Kôr 13,4-7).

“Raha tsy manana ny fitiavana aho, hoy ihany i Md Paoly apôstôly, dia tsinontsinona aho…” Ary na inona na inona fahamboniana, fanompoana, na hatsaram-panahy aza… “raha tsy manana ny fitiavana, dia tsy mahasoa ahy akory izany” (1 Kôr 13,1-3). Ny fitiavana no ambony amin’ny herim-panahy rehetra. Izy no voalohany amin’ny herim-panahy avy amin’ Andriamanitra : Ireto telo ireto no mitoetra : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Fa ny fitiavana no lehibe indrindra jer. 1 Kôr 13,13..

Ny fitiavana no manentana sy mampafana fo amin’ny fampiasana ny herim-panahy rehetra. Izy no fehin’ny “hatsaram-panahy rehetra” (Kôl 3,14); izy no manendrika ny herim-panahy rehetra ; izy no mampifandray azy ireny sy mampirindra azy ireny amin’ny samy izy ireny ; izy no fiandohana sy fiafaran’ny fampiasan’ny kristianina azy ireny. Ny fitiavana no manamafy sy mandio ny herintsika olombelona ho tia. Izy no manandratra io herintsika io ho amin’ny fahalavorariana mihoatra ny natoraly amin’ny fitiavan’Andriamanitra.

Ny fampiharana ny fiainana ara-môraly entanin’ny fitiavana no manome ho an’ny kristianina ny fahafahana ara-panahin’ny zanak’Andriamanitra. Eo anoloan’Andriamanitra, tsy mijanona intsony ho andevo izy, ao anatin’ny tahotry ny mpanompo, na ho mpikarama adalam-bola eo am-pitadiavana karama, fa ho zanaka mamaly ny fitiavan’Ilay izay “tia antsika voalohany” (1 Jo 4,19) :

Na isika manalavitra ny ratsy noho ny tahotra ny famaizana mafy, ka manjary manana toe-panahin’ny andevo. Na isika mikatsaka amin’ny fitsiriritana valisoa fotsiny ka manjary mitovy amin’ny mpikaramam-bola. Na amin’ny farany, mba ho amin’ilay Soa ihany sy ny fitiavana an’ilay izay mibaiko no anekentsika (…) ka amin’izay isika manjary ao anatin’ny toe-panahin’ny zanaka Md Basile, reg. fus. prol. 3..

Hafaliana, fiadanana ary famindram-po no vokatry ny fitiavana ; mitaky fanasoavana sy fanitsiana ny hadisoan’ny mpiray tam-po ara-pinoana izy; fahalemem-panahy izy ; mahatonga fitia mifamaly izy, maharitra ho tsy miangatra sy malala-tsaina izy ; fisakaizana sy fiombonana izy :

Ny fahavitan’ny tsanganasantsika rehetra, dia ny fitiavana feno hatsaram-panahy ; izy io no tanjona kendrena ; ny mba hahazoana azy io no katsahintsika, ny hankany amin’izy io no ihazakazahantsika ; raha vao tonga, dia ao amin’izy io isika no hiadam-pinaritra Md Augustin, ep. Jo 10,4..

III.Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina

Ny fiainana ara-môraly kristianina dia tohanan’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina. Ireo no toe-panahy maharitra izay mahatonga ny olona ho mora manaiky hanaraka ny tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina.

Ireo fanomezana fito avy amin’ny Fanahy Masina dia ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fifidianana, ny faherezana, ny fahalalana, ny fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy, Zanak’i Davida ireo no manana ny hafenoany jer. Iz 11,1-2.. Ireo no mameno sy mandavorary ny herim-panahin’izay mandray an’ireo; ireo no mahatonga ny mpino ho mora mankato amim-pahakingana ny hetsi-panahy ataon’ Andriamanitra.

Ny Fanahinao tsara anie hitarika ahy eo amin’ny tany mitovy tantana (Sal 143,10). Izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’ Andriamanitra (…). Ary raha zanaka dia mpandova ; sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy (Rôm 8,14.17).

Ireo vokatry ny Fanahy dia fahalavorarian-toetra izay anabeazan’ny Fanahy Masina ao amintsika ho santatry ny voninahitra mandrakizay. Roa ambin’ny folo ireo vokatry ny Fanahy tanisain’ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana : “fitiavana, hafaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onony, fahadiovam-pitiavana” (Gal 5,22-23 volg.).

Ny herim-panahy dia toe-panahy mahazatra sy mafy orina, izay mampirona hanao ny tsara.

Ny herim-panahy maha-olombelona dia toetran’ny saina sy ny sitrapo, tsy mivadibadika, izay manitsy ny ataontsika, mandrindra ny firehetam-pontsika ary manoro ny fitondran-tenantsika araka ny saina sy ny finoana. Azo avondrona ao amin’ny herim-panahy fototra (savily) efatra izany, dia ny fahamalinana, ny fahamarinana, ny faherezana ary ny fahalalana onony.

Ny fahamalinana no mandrisika ny saina hahay manavaka amin’ny toe-java-miseho rehetra, ny soa sy ny tsara tena izy ho antsika, sy hahay mifidy ny fomba na fitaovana sahaza hanatanterahana izany.

Ny fahamarinana no ifotoran’ny sitrapo, amin’ny toetra tsy miovaova sy mafy orina, hanome amin’Andriamanitra sy amin’ny namana izay tokony hefaina amin’izy ireo.

Ny faherezana no miantoka, ao anatin’ny sarotra, ny fahasahiana sy ny fikirizana amin’ny fikatsahana ny tsara.

Ny fahalalana onony no mampitony ny fanintonan’ny zava-mahafinaritra sy mahatonga ny fampifandanjana amin’ny fampiasana ny haren’ny zavaboary.

Ireo herim-panahy enti-mitondra tena dia mitombo amin’ny fanabeazana, amin’ny asa atao an-tsitrapo ary amin’ny faharetana miezaka. Ny fahasoavan’Andriamanitra no mandio azy ireny sy manandratra azy ireny.

Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra no manampy ny kristianina hiaina ao anatin’ny fifandraisana amin’ny Trinite Masina. Ny fiandohany sy ny antony ary ny fotony dia Andriamanitra, Ilay fantatra amin’ny alalan’ny finoana, antenaina sy tiavina amin’ny maha-Izy Azy.

Misy telo ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana 1 Kôr 13,13.. Ireo no mampahalala sy mamelombelon’ aina ny herim-panahy rehetra enti-mitondra tena.

Amin’ny alalan’ny finoana no inoantsika an’Andriamanitra sy inoantsika an’izay rehetra nambarany tamintsika, ary izay atolotry ny Fiangonana Masina antsika hinoana.

Amin’ny alalan’ny fanantenana no aniriantsika sy iandrasantsika amim-pitokiana mafy avy amin’Andriamanitra, ny fiainana mandrakizay sy ny fahasoavana hahamendrika izany.

Amin’ny alalan’ny fitiavana no itiavantsika an’Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra, sy itiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika, noho ny fitiavana an’Andriamanitra. Ny fitiavana no “fehin’ny hatsaram-panahy rehetra” (Kôl 3,14) sy endriky ny herim-panahy rehetra.

Ny fanomezana fito avy amin’ny Fanahy Masina omena ny kristianina, dia ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fifidianana, ny faherezana, ny fahalalana, ny fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra.

8.Ny fahotana

I.Ny famindram-po sy ny fahotana

Ny Evanjely no fanambaràna, ao amin’i Jesoa-Kristy, ny famindram-pon’ Andriamanitra ho an’ny mpanota jer. Lk 15.. Nilaza izany tamin’i Josefa ny anjely hoe : “Hataonao hoe Jesoa no anarany : fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo” (Mt 1,21). Toy izany koa no nataony tamin’ny Eokaristia, sakramentan’ny Fanavotana : “Rako ity, Ra iorenan’ ny fanekem-pihavanana vaovao, halatsaka ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana” (Mt 26,28).

“Tsy nisy isika no noarìn’Andriamanitra, ary tsy nilainy ny mamonjy antsika raha tsy nisy isika” Md Augustin, serm. 169,11,13.. Ny fandraisana ny famindram-pony dia mitaky amintsika ny fiekena ny fahadisoantsika : “Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina. Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jo 1,8-9).

Nanamafy izany koa i Md Paoly hoe : “ Tao amin’izay naha-betsaka ny fahadisoana no naha-betsaka lavitra ny fahasoavana” (Rôm 5,20). Kanefa mba hanaovan’ny fahasoavana ny tsanganasany, dia tokony mampiharihary ny fahotana izy mba hampibebaka ny fontsika sy hanome antsika “ny fahamarinana ho amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Tompontsika” (Rôm 5,21). Tahaka ny dokotera izay mizaha ny ratra alohan’ny hitsaboana azy, no anazavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny sy amin’ny alalan’ny Fanahiny, ny momba ny hoe fahotana :

Takìn’ny fibebahana ny manambara mazava ny fahotana ; ao amin’ny fibebahana ao ihany no misy ny fitsaràna ao anaty ataon’ny kônsiansy. Mety ho hita ao ny porofon’ny asan’ny Fanahin’ny fahamarinana ao am-po lalin’ny olombelona ao, sady manjary fanombohan’ny fanomezana indray ny fahasoavana sy ny fitiavana koa izany : “Raiso ny Fanahy Masina”. Araka izany, ahitantsika fanomezana roa sosona, ity “fanambaràna ny fahotana” ity : ny fanomezana ny marina avy amin’ny kônsiansy sy ny fanomezana ny fitokiana marina ny fanavotana. Ny Fanahin’ny fahamarinana no ilay Mpanafaka alahelo DeV 31..

II.Ny famaritana ny fahotana

Ny fahotana dia fahadisoana manohitra ny saina, ny marina, ny kônsiansy mahitsy ; tsy fahampian’ny tena fitiavana tokoa an’Andriamanitra sy ny namana izany, noho ny firaiketam-po ratsy amin’ny fananana sasany. Mandratra ny toetra maha-olombelona ny fahotana ary manimba ny firaisan-kinan’ny olombelona. Nofaritana hoe: “teny, asa na faniriana manohitra ny lalàna mandrakizay” Md Augustin, Faust. 22; Md Thomas d’A., s.th. 1-2, 71,6. ny fahotana.

Fanalam-baraka an’Andriamanitra ny fahotana : “Taminao dia Taminao irery no nanotako. Izay ratsy eo imasonao no nataoko” (Sal 51,6). Ny fahotana no mitsangan-kanohitra ny fitiavan’Andriamanitra antsika sy mamily ny fontsika tsy ho amin’izany. Ny hoe fahotana, toy ny tamin’ny voalohany ihany, dia tsy fanekena sy fikomiana amin’Andriamanitra, amin’ny faniriana te hanjary “tahaka an’ireo andriamanitra”, hahalala sy hametra ny tsara sy ny ratsy (Jen 3,5). Araka izany, ny fahotana “dia fitiavan-tena mitarika ho amin’ny fanaovana tsinontsinona an’ Andriamanitra” Md Augustin, civ. 14,28.. Amin’izany fideran-tena feno avonavona izany ny fahotana no manohitra tanteraka ny faneken’i Jesoa izay nanatanteraka ny famonjena jer. Filip 2,6-9..

Ao anatin’ny fijaliana indrindra, izay andresen’ny famindram-pon’i Kristy ny fahotana, no hanehoan’ny fahotana bebe kokoa ny heriny sy ny hamaroany : tsy finoana, fankahalana mahatonga famonoan’olona, fandavana sy fanesoana nataon’ireo filoha sy ny vahoaka, fahakanosan’i Pilaty sy ny halozàn’ny miaramila, famadihan’i Jodasy izay tena mafy tamin’i Jesoa, fandavan’i Piera sy fandaozan’ny mpianatra. Kanefa, tamin’ny oran’ny maizina sy ny Mpanapaka an’izao tontolo izao indrindra jer. Jo 14,30., ny soron’i Kristy no nanjary sorona mangingina izay ho loharano miboiboika tsy mety ritra amin’ny famelana ny fahotantsika.

III.Ny fahamaroan-karazam-pahotana

Betsaka ny karazana fahotana. Maro ny anarana tanisain’ny Soratra Masina amin’izany. Ny Taratasy ho an’ny mpino tao Galata dia mampifanohitra ny tsanganasan’ny nofo amin’ny vokatry ny Fanahy : “Miharihary tokoa ny asan’ny nofo, dia : fijangajangana, fahalotoana, fanaranam-batana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, fisaraham-bazana, fialonana, fiafonafonana, fifandirana, fifandrafiana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fibobohana, filerana, sy ny zavatra toy izany - ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao ireo fahotana ireo dia tsy mba handova ny Fanjakan’Andriamanitra” (Gal 5,19-21) jer. Rôm 1,28-32; 1 Kôr 6,9-10; Efez 5,3-5; Kôl 3,5-9; 1 Tim 1,9-10; 2 Tim 3,2-5..

Azo avahana araka ny votoatiny ny fahotana, tahaka ny asa rehetra ataon’ny olombelona, na araka ny herim-panahy izay mifanohitra aminy, tafahoatra na tsy ampy, na araka ny didy izay toheriny. Azo alahatra koa ny fahotana arak’izay ifandraisany amin’Andriamanitra, amin’ny namana na amin’ny tena ihany ; azo tsinjaraina ho fahotana ara-panahy sy ara-nofo izy, na koa ho fahotana amin’ny hevitra, amin’ny teny, amin’ny atao na amin’ny adidy tsy vita. Ao am-pon’ny olombelona ny fototry ny fahotana, avy amin’ny finiavany malalaka, araka ny fampianaran’ny Tompo hoe : “Satria, ny fo no iavian’ny hevitra ratsy, ny famonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny fiampangana lainga, ny vava ratsy. Izany no mahaloto ny olona” (Mt 15,19-20). Ao amin’ny fo koa no itoeran’ny fitiavana, fototry ny tsanganasa tsara sy madio, izay noratrain’ny fahotana.

IV.Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika

Araka ny halehibeny no tokony hitsaràna ny fahotana. Izay hita sy tsapa momba ny fiavahan’ny fahotana mahafaty sy ny fahotana madinika araka ny Soratra Masina ihany jer. 1 Jo 5,16-17., no napetraky ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana ho raikitra. Manamafy izany ny fahalalana azo tamim-pahazaran’ny olombelona.

Ny fahotana mahafaty no mandrava ny fitiavana ao am-pon’ny olombelona amin’ny fandikana mafy tokoa ny Lalànan’Andriamanitra ; izy no mampihodina ny olombelona hanalavitra an’Andriamanitra, izay tanjom-piafaràny sy hasambarany, amin’ny safidy ho tia bebe kokoa ny soa ambany noho Izy. Ny fahotana madinika kosa, na mampaharitra ihany ny fitiavana aza, dia manala baraka azy sy mandratra azy.

Noho ny famelezan’ny fahotana mahafaty ao amintsika ny foto-pahavelomana izay tsy inona fa ny fitiavana, dia mitaky fanomboham-piainam-baovao avy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra sy fibebahan’ ny fo ao amintsika izany, ka ny fandraisana ny sakramentan’ny Fampihavanana no mahatanteraka izany ara-dalàna :

Ny fitiavana no nandaharana ny olona ho amin’ny tanjom-piafaràna, koa raha voatariky ny zavatra izay mifanohitra amin’izany ny sitrapony, dia mahatonga ny fahotana ho fahotana mahafaty ny fanaovana izany (…) noho izy manohitra ny fitiavana an’Andriamanitra, toy ny fitenenan-dratsy Azy, ny fianianan-tsy to, sns…, na manohitra ny fitiavana ny namana, toy ny famonoan’olona ho faty, ny fijangajangana, sns. (…) Ankoatra izany, indraindray voatariky ny zavatra izay mampisy korontana ao aminy ny sitrapon’ny mpanota, nefa tsy mifanohitra amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana, toy ny miteniteny foana, ny mivazivazy tafahoatra, sns…; mahatonga ny fahotana ho fahotana madinika ny fanaovana izany Md Thomas d’A., s.th. 1-2, 88,2..

Mba ilazana ny fahotana hoe mahafaty dia misy fepetra telo tsy misaraka takìna : “Fahotana mahafaty ny fahotana rehetra izay zava-dehibe ny votoatin’ny ratsy atao, ary atao amim-pieritreretana tanteraka sy amim-panahy iniana” RP 17.

Ny zava-dehibe maha-fahotana mahafaty ny ratsy atao dia voalaza mazava amin’ny didy folo araka ny valin-tenin’i Jesoa tamin’ilay tovolahy mpanankarena hoe : “Tsy hamono olona ianao, tsy hijangajanga ianao, tsy hangalatra ianao, tsy hitsangan-ko vavolombelona tsy marina ianao, tsy hanambaka ianao, ary hanaja ny rainao sy ny reninao ianao” (Mk 10,19). Mety ho kely na ho lehibe ny halehiben’ny fahotana : ny famonoan’olona dia lehibe kokoa noho ny halatra. Tafiditra amin’izany famariparitana izany koa ny haja ananan’ny olona nasian-dratsy : ny herisetra atao amin’ny ray aman-dreny amin’ny maha-ray aman-dreny dia lehibe kokoa noho ny atao amin’ny vahiny.

Ny maha-fahotana mahafaty ny ratsy atao dia mila fahalalana feno sy fanekena tanteraka izany. Ilain’ny maha-fahotana mahafaty koa ny mahafantatra mialoha ny maha-ratsy ilay ho atao, sy ny fanoherany ny Lalànan’Andriamanitra. Mbola ilainy koa ny fanekena hanao ilay ratsy amin’ny nahim-po tanteraka, mba hanjary ho safidin’ny tena manokana izany. Ny fihamboana ho tsy mahalala sy ny hamafin’ny fo jer. Mk 3,5-6; Lk 16,19-31. dia tsy mampihena fa mampitombo ny toetran’ny finiavana hanao ilay ratsy.

Ny tsy fahalalana tsy fidiny hoe fahotana ilay natao dia mety hampihena, na raha tsy izany, mety hanafaka ny mahameloka tamin’ilay fahadisoana lehibe natao. Kanefa na iza na iza dia tsy misy azo heverina fa tsy mahalala ny fototry ny lalàna ara-môraly izay voasoratra ao amin’ny kônsiansin’ny olombelona rehetra. Ny tosi-kery miteraka fahatairan’ny nofo sy ny firehetam-po dia mety hampihena koa ny mahavokatry ny finiavana sy ny fahalalahana nanaovana ilay fahadisoana, toy izany koa ny fanerena avy ety ivelany na ny fikorontanana ao anaty vokatry ny aretina. Ny tena fahotana lehibe indrindra, dia ny fahotana atao isomparana sy ny nifidianana amin’ny nahim-po an’ilay ratsy atao.

Ny hoe fahotana mahafaty dia ny fahazoana manao tanteraka izay tiana atao araka ny fahafahana maha-olombelona, toy ny fahazoana mampiasa ny fitiavana ihany. Mitarika fanimbàna ny fitiava-namana sy fisakanana ny fahasoavana mahamasina, izany hoe ny toe-panahy voavela heloka, ny fahotana mahafaty. Raha tsy voaonitry ny fanenenana sy ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ny fahotana mahafaty, dia mahatonga fandroahana tsy ho ao amin’ny Fanjakan’i Kristy, sy fahafatesana mandrakizay ao amin’ny afobe, satria ny fahafahantsika dia manam-pahefana hisafidy izay tiantsika hiafarana mandrakizay, tsy miovaova intsony. Kanefa raha azontsika tsaraina fa fahadisoana lehibe ny asa iray natao amin’ny maha-asa azy, dia tokony hankinintsika amin’ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny famindram-pony, ny fitsaràna ny olona.

Manao fahotana madinika ny olona, rahefa tsy manatanteraka amin’ny zavatra madinika ny didy andidian’ny lalàna môraly, na rahefa tsy mankato ny lalàna môraly amin’ny zavatra lehibe saingy tsy natao tamim-pahalalana feno na tamim-panekena tanteraka.

Mampihena ny herin’ny fitiava-namana ny fahotana madinika ; midika ho firaiketam-pitia mikorontana amin’ny haren’ny zavaboary izy ; misakana ny fandrosoan’ny fanahy amin’ny fampiasana ireo hatsaram-panahy sy amin’ny fanaovana ny tsara ara-môraly izy ; mendrika sazy misy fetra izy. Mandrisika antsika tsikelikely hanao fahotana mahafaty ny manao fahotana madinika amin’ny nahim-po sy tsy asiam-panenenana. Kanefa tsy mandrava ny fihavanana amin’Andriamanitra tsy akory ny fahotana madinika. Azo onerana amin’ny fo antra ombàn’ny fahasoavan’ Andriamanitra izy. “Tsy manafoana ny fahasoavana mahamasina na ny fahasoavana manandratra ho Andriamanitra sy ny fifankatiavana izy, ka noho izany tsy manakana ny hahazoana ny hasambarana mandrakizay” RP 17. :

Ny olombelona, raha mbola mitafy nofo koa, dia tsy hahavita hisoroka avokoa ny fahotana rehetra, na dia ny fahotana madinika aza. Kanefa aza mihevitra an’ireny fahotana izay lazaintsika hoe madinika ireny, ho tsy manimba : raha mihevitra azy ireny ho tsy manimba ianao dia lanjao izy ireny, ka mangovita rahefa manisa azy ireny. Zavatra maivana maromaro no mahatonga ny vongana iray lehibe ; rano mitete be dia be no mameno ny ony ; voan-javatra madinika betsaka no mahatonga ho antontany iray. Inona àry izany no fanantenantsika ? Alohan’ny zavatra rehetra, ny fikônfesena Md Augustin, ep. Jo 1,6. …

”Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fahotana rehetra sy amin’ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina” jer. Mk 3,29; Lk 12,10. (Mt 12,31). Tsy misy fetra ny famindram-pon’Andriamanitra, nefa izay mandà amim-panahy iniana tsy handray ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanenenana dia mitsipaka ny famelàna ny fahotany sy ny famonjena atolotry ny Fanahy Masina jer. DeV 46.. Mety hitondra amin’ny tsy fibebahana farany sy amin’ny fahaverezana mandrakizay ny fiziriziriana toy izany.

V.Ny fihanaky ny fahotana

Miteraka fitarihana amin’ny fahotana ny fahotana ; miteraka fahazaran-dratsy izy amin’ny fiverimberenan’ny asa iray. Mahatonga fitongilanana amin’ny faharatsiam-panahy izay manamaizina ny kônsiansy izy, ary manimba ny fitsara marina momba ny tsara sy ny ratsy. Amin’izany izy no mikendry hiteraka sy hitombo hery, saingy tsy afaka manafongana hatramin’ny fakany ny lafiny ara-môraly.

Ireo haratsiam-panahy dia azo alahatra amin’ny hatsaram-panahy izay mifanohitra aminy, na koa ampifandraisina amin’ireo fahotana fototry ny hafa izay navahan’ny fahalalam-piainana kristianina azo tamim-pahazarana, amin’ny fanarahana ny fampianaran’i Md Jean Cassien Md Jean Cassien, coll. 5,2. sy Md Grégoire le Grand Md Grégoire in Mor. 31,45.. Antsoina hoe fototry ny hafa ireo fahotana ireo, satria mpiteraka fahotana maro hafa sy faharatsian-toetra maro hafa. Ireto avy izany : fiavonavonana, fahidiana, fialonana, fahatezerana, fahalotoana, fahasarotana an-kanina, fahakamoana na fahalainana.

Mampahatsiahy koa ny lovam-pampianarana momba ny katesezy fa misy ireo “fahotana izay miantsoantso valiny mankany an-danitra”. Mitaraina amin’ ny lanitra : ny ran’i Abela jer. Jen 4,10. ; ny fahotan’ny mponina tao Sôdôma jer. Jen 18,20; 19,13. ; ny hiakiakan’ny vahoaka voan’ny tsindry hazo lena tao Ejipta jer. Eks 3,7-10. ; ny fitarainan’ ny vahiny sy ny mananotena ary ny kamboty jer. Eks 22,20-22. ; ny tsy fahamarinana ampiharina amin’ny mpikarama jer. Det 24,14-15; Jak 5,4..

Asan’ny isam-batan’olona ny fahotana. Ankoatra izany, manana andraikitra amin’ny fahotana ataon’ny hafa isika, raha mifarimbona amin’ izany : - amin’ny fandraisana anjara amin’izany mivantana sy an-tsitrapo ; - amin’ny fibaikoana azy, amin’ny fanoroana hevitra azy, amin’ny fandokafana azy na amin’ny fankatoavana azy ; - amin’ny tsy famborahana aminy na tsy fisakanana azy, raha toa voakasika amin’izany ny tena ; - amin’ny fiarovana ireo izay manao ratsy.

Araka izany, ny fahotana no mahatonga ny olona hiray tsikombakomba amin’ny ratsy, mampanjaka amin’izy samy izy ny fanirian-dratsy, ny herisetra ary ny tsy fahamarinana. Ny fahotana, eo amin’ny fiaraha-monina, no mahatonga ireo toe-javatra hita sy ireo zava-misy miorina, izay manohitra ny Hatsaram-panahin’Andriamanitra. Ireo “zava-mampaharitra (rafitry) ny fahotana” no fanehoana sy vokatry ny fahotan’ny isam-batan’ olona. Izy ireo no mitarika izay maratran’izy ireo hanao ratsy koa avy eo. Amin’ny hevitra ara-pifanahafahana, ireo “zava-mampaharitra ny fahotana” no mitambatra ho “fahotan’ny mpiara-belona” jer. RP 16..

“Nohidian’Andriamanitra tao anatin’ny tsy fanekena ny olombelona rehetra, mba hamindrany fo avokoa izy rehetra” (Rôm 11,32).

Ny atao hoe fahotana dia : “teny, asa na faniriana manohitra ny lalàna mandrakizay” Md Augustin, Faust. 22,27.; fanalam-baraka an’Andriamanitra ; fitsanganan-kanohitra an’Andriamanitra amin’ny tsy fanekena, manohitra ny faneken’i Kristy.

Asa manohitra ny saina ny fahotana. Mandratra ny toetra maha- olombelona izy, ary manimba ny firaisan-kinan’ny olombelona.

Ny fototra ipoiran’ny fahotana rehetra dia ao am-pon’ny olombelona. Arakaraka ny votoatin’ny anaovana azy no amerana indrindra ny karazany sy ny halehibeny.

Izay mifidy amin’ny nahim-po zavatra iray, izany hoe amim-pahalalana izany sy amim-panekena izany, izay manohitra mafy tokoa ny lalànan’ Andriamanitra sy ny tanjona fiafaran’ny olombelona, dia manao fahotana mahafaty. Mandrava ny fitiavana ao amintsika ny fahotana mahafaty, nefa raha tsy amin’ny fitiavana, tsy ho azo mihitsy ny hasambarana mandrakizay. Mitarika fahafatesana mandrakizay ny fahotana mahafaty raha tsy anenenana.

Ny fahotana madinika dia mampisy fikorontanam-panahy azo onerana amin’ny alalan’ny fitiavana izay avelany haharitra ao amintsika.

Ny famerimberenana ny fahotana, na madinika aza, dia miteraka fahazaran-dratsy, izay anisan’ny misongadina amin’izany ireo fahotana fototry ny hafa.

Ny fiantsoana ny olombelona rehetra dia ny hampiseho ny endrik’ Andriamanitra sy ny ho voaova amin’ny endriky ny Zanaka Lahitokan’ny Ray. Maneho ny endrik’olona manokana io fiantsoana io, satria ny tsirairay no antsoina hiditra ao amin’ny hasambaran’Andriamanitra ; mahakasika koa ny fitambaran’ny fiombonamben’ny olombelona izany.

1.Ny olona sy ny fiaraha-monina

I.Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona

Ny olombelona rehetra dia voantso ho amin’ny fiafarana iray ihany, dia Andriamanitra izany. Misy fifanahafana marina amin’ny firaisan’ireo Olona Telo-Andriamanitra ny fihavanan’ny olombelona izay tsy maintsy hajoron’izy ireo eo amin’ny samy ireo, ao anatin’ny fahamarinana sy ny fitiavana jer. FAA 24, § 3.. Tsy azo sarahina amin’ny fitiavana ny namana ny fitiavana an’Andriamanitra.

Mila ny fiainam-piaraha-monina ny olombelona. Tsy noforonina ho an’ny olombelona toy ny hoe zavatra nampiana ny fiainam-piaraha-monina, fa zavatra takìn’ny toetrany voa-Janahary. Ny fifampizaràna amin’ny hafa, ny fifanampiana amin’ny asa, ary ny fifanakalozan-kevitra amin’ny havana aman-tsakaizany, no ampivelaran’ny olombelona ny talentany ; amin’izany izy no mamaly ny fiantsoana azy jer. FAA 25, § 1..

Ny fiaraha-monina dia fitambaran’ny olona mifandray ao anatin’ny rafitra voarindra amin’ny alalan’ny fitsipika fototra mampiray, izay ambonin’ny olona tsirairay. Maharitra lalandava eo amin’ny fotoana ny fiaraha-monina, noho izy fivondronana sady hita maso no ara-panahy : manangona ny vokatry ny lasa izy sy manomana ny hoavy. Amin’ny alalany ny olona tsirairay no anisan’ny “mpandova”, mandray “talenta” izay mampivelatra ny maha-izy ny tsirairay, ka tsy maintsy ampitomboina ny vokatr’izany jer. Lk 19,13.15.. Ara-drariny ny ananan’ny tsirairay adidy hahafoy tena ho an’ny fikambanana misy azy, sy hanaja an’ireo manam-pahefana miandraikitra ny fananana iombonana.

Ny fikambanana tsirairay no mamaritra ny momba azy amin’ny alalan’ny zava-kendreny, ary manaiky araka izany izay fitsipika manokana misy, nefa “ny olombelona” no, sady tsy maintsy, ho foto-piandohana sy antom-panaovana ary tanjom-piafaran’ny rafitra rehetra ajoro momba ny fiaraha-monina” FAA 25, §1..

Misy ireo endri-piaraha-monina sasantsasany, toy ny fianakaviana sy ny mpiray tanàna, no mifanandrify kokoa avy hatrany amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona. Mila azy ireny tokoa ny fiaraha-monina. Mba hanampiana ny fandraisan’ny maro an’isa anjara amin’ny fiainam-piaraha-monina, dia ilaina ny mampirisika ny olona hanorina fikambanana sy rafitra nofidìna ajoro “amin’ny zava-kendrena ara-piharian-karena, ara-kolontsaina, ara-tsôsialy, ara-panatanjahan-tena, ara-pialam-boly, arak’asa, ara-pôlitika, sady ao anatin’ny firenena no eo amin’ny sehatra eran-tany” MM — Mater et magistra.. Izany “fampifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina ny tsirairay sy ny fikambanana isan-tokony” izany, dia mampiseho ihany koa ny fironana voa-Janahary izay manosika ny olombelona hitambatra ho fikambanana, mba hahatratrarana ireo zava-kendrena izay ambony lavitra noho ny herim-pahaizan’ny olona tsirairay. Izany no mampitombo ny hatsaran-toetran’ny olona, singanina manokana, ny toe-tsaina manombo-javatra sy mandray andraikitra. Izany no manampy amin’ny fiarovana ny zony jer. FAA 25, § 2; CA 16..

Mety hampidi-doza koa anefa ny fampifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina ny tsirairay sy ny fikambanana isan-tokony. Raha be loatra ny firotsahan’ny Fanjakana an-tsehatra amin’izany dia mety handrahona ny fahafahan’ny tsirairay sy ny faharisihany hanao zavatra. Ny fitambaram-pampianaran’ny Fiangonana dia namolavola fitsipika fototra antsoina hoe fifamenoana amam-pifanampiana. Araka azy io, “ny sokajin’ny olona lehibe, mpitondra, dia tsy tokony hitsabaka amin’ny aty fiainan’ny sokajin’olona madinika, entina, amin’ny fanesorana aminy ny fahefany manapaka amin’ny ataony, fa tokony hanohana azy aza rahefa latsaka an-katerena sy hanampy azy handrindra ny asany miaraka amin’ny an’ireo singafototra hafa izay mandrafitra ny fiaraha-monina, ho an’ny soa iombonana” CA 48; jer. Pie XI, enc. "Quadragesimo anno"..

Tsy sitrak’Andriamanitra ny mitazona ho Azy irery ny fampiasana ny fahefana rehetra. Nomeny ny voary tsirairay ireo anjara raharaha izay mety ho vitany araka ny herim-pahaizana amam-pahazoany manao avy amin’ny toetrany manokana nahariana azy. Tsara alain-tahaka eo amin’ny fiainam-piaraha-monina io fomba fitondrana io. Ny fomba fihetsik’Andriamanitra amin’ny fitondrany an’izao tontolo izao, izay mampiseho fanajana lehibe tokoa ny fahafahan’ny olombelona, no tokony harahin’ny fahendren’ireo izay mitondra fikambanan’olona. Tokony hitondra tena sahaza ny maha-mpandraharahan’ny fitahian’Andriamanitra izy ireo.

Ny fitsipika fototry ny fifamenoana amam-pifanampiana dia manohitra ny endrika rehetra fitantanana ny vokatra sy ny harena manontolo ao amin’ny kitapo tokan’ny fanjakana. Izy no manoritra ny fetra azon’ny Fanjakana irotsahana. Ny kendreny dia ny handrindra ny fifandraisana eo amin’ny tsirairay sy ny fikambanana misy. Ny ezahiny dia ny hiorenan’ny fandaminana tena izy iraisam-pirenena.

II.Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina

Tena ilaina ny fiaraha-monina mba hanatanterahan’ny olombelona ny fiantsoan’Andriamanitra azy. Mba hahatratrarana io tanjona kendrena io, dia tsy maintsy hajaina ireo ambaratongan-tsoatoavina marina izay “mamehy ny lafiny ara-batana sy ara-pironan’ny nofo amin’ny lafiny ao anaty sy ara-panahy” CA 36. :

Ny fiainam-piaraha-monina dia tokony hoheverina alohan’ny zavatra rehetra ho zava-misy momba ny ara-panahy. Satria, io fiainana io dia fifanakalozam-pahalalana ao anatin’ny fahazavam-pahamarinana, fampiasan-jo sy fanatanterahana adidy, fifaninanana mitady ny tsara ara-môraly, fiombonam-pahafinaretana mendrika, manoloana ny tsara, amin’ny fomba rehetra fanehoana izany ara-dalàna, fahavononana tsy tapaka hampita amin’ny hafa ny tsara indrindra ao amin’ny tena ary faniriam-piombonana amin’ny fampitomboan-karena ara-panahy maharitra. Toy ireo rehetra ireo no soatoavina tokony hanentana sy hitari-dalana ny asa ara-kolontsaina, ny fiainana ara-piharian-karena, ny fandaminana ara-tsôsialy, ny fikambanana sy ny lasi-pitondrana ara-pôlitika, ny didy aman-dalàna ary ny fanehoana hafa rehetra mikasika ny fiainam-piaraha-monina ao anatin’ny fivoarany tsy tapaka PT — Pacem in terris..

Ny fampifoterana ny fomba amam-pitaovana amin’ny tanjona kendrena jer. CA 41., izay miafara amin’ny fanomezan-danja ho tanjom-piafaràna an’izay fomba amam-pitaovana fotsiny ahatongavana amin’izany, na amin’ny fiheverana ny olona ho toy ny fitaovana tsotr’izao hahatratrarana ny zava-kendrena, dia miteraka rafitra tsy ara-drariny, “mahatonga ny fitondran-tena kristianina ho mafy sy sarotra tanterahina an’asa, amin’ny fampifanarahana izany amin’ny didin’ilay Andriamanitra Mpanao lalàna” Pie XII, lahateny tamin’ny 1 jona 1941..

Noho izany, ilaina ny mangata-bonjy amin’ny fampiasan’ny olona ireo herim-pahaizany ara-tsaina sy ara-môraly, sy ny mitaky lalandava ny fibebahany anaty, mba hahazoam-bokatra amin’ny fanovàna ny fiaraha-monina izay tokony hanampy azy tokoa. Ny fanekena ho lohalaharana ny fibebahan’ny fo dia tsy manesotra velively, fa vao mainka aza mametraka, ny andraikitra hitondra fanatsarana sahaza ireo fikambanana misy sy ireo fomba amam-panao eo amin’ny fiainana, raha toa ka mitarika ho amin’ny fahotana izy ireo, ary fanatsarana mba hanitsiana azy ireo hanaraka ny fitsipi-pahamarinana, sy hampandroso ny tsara toy izay ho vato misakana izany jer. FF 36..

Ny olombelona, raha tsy misy ny fanampian’ny fahasoavana, dia tsy hahay “hamantatra ny sakelidalana, matetika tery, eo anelanelan’ny tsy fahasiana miady izay mamela ho amin’ny ratsy sy ny fanaovana an-keriny izay noheverina fa iadiana aminy, kanjo manamafy azy” CA 25.. Ny tena izy dia ny lalam-pifankatiavana, izany hoe : ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Mampiseho ny didy lehibe indrindra ara-tsôsialy ny fitiavana. Manaja ny hafa sy ny zony izy. Mitaky ny fampanjakana ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny izy, ary izy ihany no hany hahafahantsika mampanjaka izany. Mahatarika ho amin'ny fiainam-pahafoizan-tena izy : “Izay hitady hamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy azy no hamonjy azy” (Lk 17,33).

Misy fifanafahana marina amin’ny firaisan’ireo Olona Telo-Andriamanitra ny fihavanan’ny olombelona izay tsy maintsy haorin’izy ireo amin’ny samy izy ireo.

Mba hampivelatra ny olombelona araka ny toetrany voa-Janahary, dia mila ny fiainam-piaraha-monina izy. Misy ireo endri-piaraha-monina sasantsasany, toy ny fianakaviana sy ny mpiray tanàna, no mifanandrify kokoa avy hatrany amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona.

“Ny olombelona no, sady tsy maintsy, ho foto-piandohana sy antom-panaovana ary tanjom-piafaran’ny rafitra rehetra ajoro momba ny fiaraha-monina” FAA 25, § 1..

Ilaina ny mampirisika ny olona handray anjara malalaka amin’ireny fikambanana miorina sy rafitra nofidìna ajoro ireny.

Araka ny fitsipika fototry ny fifamenoana amam-pifanampiana, na ny Fanjakana na ny iray amin’izay seha-pikambanana midadasika bebe kokoa, dia tsy misy mahazo misolo toerana ny olona tsirairay sy ny vondrona mpanelanelana, amin’ny fahafahany manapa-kevitra hanao zavatra sy amin’ny andraikitra sahaniny.

Manana adidy hampandroso ny fampiasana ny hatsaram-panahy ny fiaraha-monina, fa tsy ho vato misakana izany. Ireo ambaratongan-tsoatoavina marina no tokony hitsilo ny saina amin’izany.

Amin’ny toerana izay hanimban’ny fahotana ny toe-javatra iainan’ny fiaraha-monina, dia ilaina ny mangata-bonjy ho amin’ny fibebahan’ny fo sy ho amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny fitiavana no manosika ho amin’ ny fanavaozan-toetra tena izy. Tsy misy vahaolana ivelan’ny Vaovao Mahafaly amin’ny olana ara-piaraha-monina jer. CA 5..

2.Ny fandraisana anjara amin’ny fiainam-piaraha-monina

I.Ny fahefana mifehy

“Tsy hilamina sy tsy hahavokatra ny fiainan’ny mpiara-monina raha tsy misy olona omena fahefana ara-dalàna ka hiantoka ny fiarovana ny lalàna fototra ary hiahy, amin’ny fepetra ampy, ny soa iombonana” PT — Pacem in terris.. Ny antsoina hoe “fahefana mifehy” dia anjara raharaha izay amin’ny alalan’izany ireo olona na ireo fikambanana mijoro ara-dalàna te hitondra olona, no hamoaka lalàna sy rafi-pandaminana ho azy ireo, ka iandrasany ny fankatoavana izany avy amin’izy ireo.

Ny fikambanan’olona rehetra dia mila fahefana mifehy azy jer. Léon XIII, enc. "Diuturnum illud"; enc. "Immortale Dei".. Ao amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona no misy ny fototry ny fahefana mifehy. Ilaina amin’ny fampiraisana ny mpiray tanàna izy. Ny anjara asany dia ny miantoka araka izay azo atao ny soa iombonana ho an’ny mpiara-monina.

Avy amin’Andriamanitra no ipoiran’ny fahefana mifehy takìn’ny lalàm-pitondran-tena : “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana ara-dalàna mampiasa fahefana, satria tsy misy fahefana tsy avy amin’ Andriamanitra, ary ny fahefana rehetra izay misy dia voatendriny avokoa. Koa izay manohitra ny fahefana dia mikomy amin’ny fandaharana nataon’ Andriamanitra, ary izay mikomy dia mihantsy fanamelohana ho an’ny tenany ihany” (Rôm 13,1-2) jer. 1 Pi 2,13-17..

Ny adidim-panekena no manery ny rehetra hanome voninahitra ny manam-pahefana araka izay tokony hatao aminy, hanome haja, ary araka ny mahamendri-balisoa azy ireo, hanome fankasitrahana sy haneho fitiavana ny olona izay miandraiki-draharaha amin’izany.

“Ry Tompo ô, omeo azy ireo ny fahasalamana, ny fiadanana, ny fihavanana, ny tsy fiovaovàna, mba hampiasan’izy ireo tsy misy fifandirana ny fahefana mandidy manapaka izay napetrakao tamin’izy ireo. Ianao no Tompo, any an-danitra, mpanjakan’ny taona rehetra, izay manome amin’ny zanak’olombelona, ny voninahitra, ny haja ary ny fahefana eo amin’ny zavatry ny tany. Tompo ô, tariho ny fikasan’izy ireo, araka izay tsara, araka izay mahafinaritra eo imasonao, ka amin’ny fampiasana ombam-pitiavana ny fahefana izay nomenao azy ireo, ao anatin’ny filaminana sy ny fahalemem-panahy, no ahitan’izy ireo ny fitahianao” Clément de Rome, Cor. 61,1-2..

Raha avy amin’ny fandaharana naraikitr’Andriamanitra ny fahefana mifehy, “ny mametra amin’izay ho lasi-pitondram-panjakana kosa, toy izany koa ny manendry izay ho mpitondra azy ireo, dia tokony havela hiankina amin’ny sitrapo malalaky ny olom-pirenena” FAA 74, §3.. Ny faha-samihafa ireo lasi-pitondram-panjakana dia azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena, raha toa ireo ka manampy amin’ny soa ara-drariny ho an’ ny vahoaka izay nifidy azy. Ny lasi-pitondrana izay manana fomba aman-toetra mifanohitra amin’ny lalàna voa-Janahary, amin’ny filaminam-bahoaka ary amin’ny zo fototra maha-olona, dia tsy afaka hahatanteraka ny soa iombonan’ny firenena izay nampaneken’izy ireo.

Tsy avy amin’ny tenany no hahatonga ny fahefana mifehy ho ara-dalàna ara-môraly. Tsy tokony hanao teniko fe lehibe sy didy boraingona izy, fa hiasa ho an’ny soa iombonana, ka mova tsy “hery môraly miorina amin’ny fahafahana sy ny fahatsapan-tena ho tompon’andraikitra” FAA 74, §2. :

Ny didy aman-dalànan’ny olombelona dia tsy mifono toetran-dalàna, raha tsy manaraka ny saina marina izy ; na avy aiza na avy aiza ipoirany, dia avy amin’ny lalàna mandrakizay no haharetan’ny heriny. Arakaraka izay ihatahany amin’ny saina, no tsy maintsy hanambaràna fa tsy ara-dalàna izy, satria tsy nanamarina ny fiheverana momba ny lalàna izy ; raha ny marina, endrika fisehoan’ny herisetra izy Md Thomas d’A., s.th. 1-2, 93,3,ad 2..

Tsy miasa ara-dalàna ny fahefana mifehy raha tsy ny soa iombonan’ny vondron’olona noheverina ho amin’izany no katsahiny, ary mba hahatratrarany izany, dia ny fomba ara-pitsipi-pitondran-tena eken’ny lalàna no ampiasainy. Raha sendra mamoaka lalàna tsy rariny na mandray fepetra mifanohitra amin’ny lalàm-pitondran-tena ny mpitondra, dia tsy hahavita handidy ny kônsiansy akory ireny fepetra ireny. “Amin’ny toe-javatra toy izany, mitsahatra eo ny maha-fahefana mifehy azy fa mivadika ho famoretana izy” PT — Pacem in terris..

“Tsaratsara kokoa ny fahefana rehetra, raha ampifandanjana amin’ny fahefana hafa sy amin’ny fahefana manapaka hafa izay mampaharitra azy ao anaty fetra ara-drariny. Izany no fitsipika fototry "ny Fanjakana tan-dalàna" izay ny lalàna amin’izany no tompon’ny fahefana mandidy manapaka, fa tsy ny sitrapo jadon’ny olombelona” CA 44..

II.Ny soa iombonana

Araka ny toetra voa-Janahary ny fiaraha-monin’ny olombelona, dia tsy maintsy ampifandraisana amin’ny soa iombonana ny soa ho an’ny tsirairay. Tsy mety ho voafaritra mazava ny hoe soa iombonana raha tsy ampifandraisina amin’ny maha-olombelona ny olombelona :

Aza miolonolona mihitsy ianareo, na manavaka ny tenanareo, tahaka ny hoe efa nohamarinina ery, fa miangòna ianareo mba hiara-mikatsaka izay mikasika ny tombon-tsoa iombonana Barnabe, ep. 4,10..

Ny hoe soa iombonana, dia “ny fitambaran’ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan’ny fikambanana rehetra na ny mpikambana tsirairay ao aminy mahatratra ny fahalavorarian’izy ireo, amin’ny fomba fenofeno kokoa sy moramora kokoa” FAA 26, §1; jer. FAA 74, §1.. Mahasoa ny fiainan’ny rehetra ny soa iombonana. Mitaky fahamalinana avy amin’ny tsirairay izy, fa indrindra avy amin’ireo izay misahana fahefana mifehy. Misy singafototra telo tsy azo avela aminy :

Ny ilainy voalohany dia ny fanajana ny olona amin’ny maha-olona azy. Amin’ny anaran’ny soa iombonana, dia tsy maintsy manaja ny zo fototra sy tsy azo foanana ananan’ny olona ny Fanjakana. Tsy maintsy avelan’ny fiaraha-monina ny isam-batan’olona ao aminy hanatanteraka ny fiantsoan’ Andriamanitra azy. Amin’ny fomba manokana, ny soa iombonana dia miorina amin’ny fepetra fampiasana ny fahafahana voa-Janahary izay ilaina ho an’ny fivelaran’ny fiantsoana ny olombelona : “Anisan’izany : ny zo hanao asa amam-pihetsika araka ny fitsipika mahitsy ny kônsiansiny, ny zo amin’ny fiarovana ny fiainana manokana sy amin’ny fahalalahana ara-drariny, ao anatin’izany ny fahalalana ara-pivavahana” FAA 26, §2..

Faharoa manaraka izany, ilain’ny ny soa iombonana ny fiadanan’ny mpiara-monina sy ny fampandrosoana ny vondrona amin’ny maha-izy azy. Ny fampandrosoana no famintinana ny adidy rehetra ara-piaraha-monina. Marina fa anjaran’ny fahefana mifehy ny manelanelana, amin’ny anaran’ny soa iombonana, eo amin’ny tombon-tsoa samihafa an’ny tsirairay. Kanefa tokony hataony izay hahafahan’ny isam-batan’olona mahazo ny ilaina mba hananany fiainana mendrika ny maha-olona marina tokoa : sakafo, fitafiana, fahasalamana, asa, fanabeazana sy fampivoarana ara-tsaina, fahalalam-baovao mendrika, zo hanorina tokantrano, sns jer. FAA 26, §2..

Farany, ilain’ny soa iombonana ny fandriampahalemana, izany hoe ny faharetana sy ny filaminan-tsaina avy amin’ny filaminana marina. Koa ilainy àry ny hiantohan’ny fahefana mifehy, amin’ny fomba mendrika, ny filaminan-tsain’ny mpiara-monina sy ny an’ireo mpikambana ao aminy. Ny soa iombonana no manamarim-pototra ny zom-piarovan-tena eken’ny lalàna ataon’ny tsirairay sy ny rehetra mitambatra.

Isaky ny fikambanan’ny olona dia samy manana soa iombonana izay ahafahany mahalala ny tenany amin’ny maha-izy azy, fa ao amin’ny vondrom-bahoaka kosa no ahitana ny fahatanterahany feno indrindra. Anjaran’ny Fanjakana ny miaro sy ny mampandroso ny soa iombonan’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena, ny olom-pirenena ary ny fikambanana mpanelanelana.

Mihamitombo ny fifampiankinan’ny olombelona. Miitatra tsikelikely manerana ny tany tontolo izany. Ny mahairay ny fianakavian’olombelona, amin’ny famondronana ny olona mizaka ny fahamendrehana voa-Janahary mitovy, dia mahatonga ny soa iombonana ho an’ny daholobe. Io soa iombonana io dia mitaky fandaminana avy amin’ny fikambanan’ny firenena rehetra, ahavitana “miahy ny zavatra samihafa ilain’ny olona, eo amin’ny lafim-piainana ara-tsôsialy (sakafo, fahasalamana, fanabeazana …), tahaka izany koa ny hiatrehana ireo toe-javatra tsirairay maro izay mety hiseho etsy na eroa (ohatra : manampy ara-bola amin’ny fahantran’ireo mpialokaloka any an-tanin’olona, ny fanampiana an’ireo mpifindra monina sy ny fianakavian’izy ireo …)” FAA 84, §2..

Tantanina lalandava ho amin’ny fivoaran’ny olona ny soa iombonana : “Tokony hofehezin’ny rafi-pandaminan’ny olona ny rafi-pandaminana ny zavatra samihafa, fa tsy ny mifanohitra amin’izany tsy akory” FAA 26, §3.. Ny fahamarinana no fototr’io rafi-pandaminana io, ao anatin’ny rariny sy ny hitsiny no iorenany, ny fitiavana no mamelombelon’aina azy.

III.Andraikitra sy fandraisana anjara

Ny fandraisana anjara no firotsahan’ny olona an-tsitrapo sy malala-tanana eo amin’ny fifanampiana ara-piaraha-monina. Ilaina ny andraisan’ny rehetra anjara, samy araka ny toerana misy azy sy ny anjara asa sahaniny, hampandrosoana ny soa iombonana. Adidy tsy afa-misaraka amin’ny fahamendrehan’ny olombelona izany.

Ny fandraisana anjara aloha dia tanteraka amin’ny fandraisana ho andraikitra eo amin’ny sehatra izay izakana ny adidin’ny olona tsirairay : amin’ny fikarakarana atao amin’ny fanabeazana ny fianakaviany sy amin’ny fahatsiarovan-tena amin’ny asany, no andraisan’ny olombelona anjara amin’ny soa avy amin’ny hafa sy avy amin’ny fiaraha-monina jer. CA 43..

Ny olom-pirenena dia tokony handray anjara amim-pahavitrihana araka izay azo atao amin’ny fiainam-bahoaka. Ny fombafomba amin’io fandraisana anjara io dia mety miovaova arakaraka ny tany onenana sy ny kolontsain’ny mponina. “Tokony hoderaina ny fomba fiasa amam-pihetsiky ny firenena izay misy olom-pirenena faran’izay betsaka indrindra mandray anjara amin-kalalahana amin’ny raharaham-pirenena” FAA 31, §3..

Ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny fampiasana ny soa iombonana, toy ny adidy rehetra araka ny lalàm-pitondran-tena, dia mitarika fibebahan’ ireo mpiombon’antoka ara-piaraha-monina, izay fibebahana avaozin’izy ireo tsy an-kijanona. Ny fitaka sy ny hafetsifetsena samihafa izay amin’ny alalan’ireny no andosiran’ny sasany amin’ny faneren’ny lalàna sy amin’ny fandidian’ny adidy ara-piaraha-monina dia tsy maintsy helohina mafy tokoa, satria tsy mifanaraka amin’ny takìn’ny rariny. Tokony ho karohina ny hampandroso ireo fikambanana mijoro, izay hanatsara ny toe-piveloman’ny olona jer. FAA 30, §1..

Anjaran’ireo mizaka ny fahefana mifehy ny manamafy ny soatoavina izay hahasarika ny fitokian’ny mpikambana rehetra ao anatin’ireny fikambanana ireny sy hamporisika azy ireo hirotsaka hanasoa ny naman’ izy ireo. Manomboka amin’ny fanabeazana sy ny fampivoarana ara-tsaina ny fandraisana anjara. “Azo lazaina marina fa ny hoavy dia eo am-pelatanan’ireo izay hahay hanome ho an’ny fara aman-dimby rahampitso ny anton’ny ahavelomana sy anantenana” FAA 31, §3..

“Tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana rehetra izay misy dia voatendriny avokoa” (Rôm 13,1).

Ny fikambanan’olona rehetra dia mila fahefana mifehy mba haharetany sy hiitarany.

“Ao amin’ny toetra maha-olombelona ny olombelona no fototra iorenan’ ny fiainam-bahoaka sy ny fahefan’ny Fanjakana, ary ao amin’izany no iankinan’izy ireo avy amin’ny fandaharana naraikitr’Andriamanitra” FAA 74, § 3.

Miasa amin’ny fomba ara-drariny ny fahefana mifehy raha milofo amin’ ny fikatsahana ny soa iombonan’ny fiaraha-monina izy. Mba hahatratrarany izany, dia tsy maintsy mampiasa ny fomba azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izy.

Ara-dalàna ny faha-samihafa ireo lasi-pitondram-panjakana, raha toa ka manampy ho amin’ny soa iombonan’ny vahoaka izy ireny.

Ny mpifehy fanjakana dia tsy maintsy manaraka ny fetran’ny lalàm-pitondran-tena sy miantoka ny fepetra amin’ny fampiasana ny fahafahana.

Ny hoe soa iombonana dia “ny fitambaran’ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan’ny fikambanana rehetra sy ny olona tsirairay mahatratra ny fahalavorarian’izy ireo, amin’ny fomba fenofeno kokoa sy moramora kokoa” FAA 26, § 1..

Misy singafototra telo tsy azo avela ny soa iombonana : ny fanajana sy ny fampahalalana ny zo fototra maha-olona ; ny fitomboana na fandrosoan’ ny soa aman-karena ara-panahy sy ny soa aman-karena ara-batana ho an’ny fiaraha-monina ; ny fandriampahalemana sy ny filaminan-tsain’ny vondron’olona sy ny mpikambana ao aminy.

Ny fahamendrehan’ny olombelona no mampikatsaka ny soa iombonana. Ny tsirairay no tokony hisaintsaina hanangana sy hanohana ireo fikambanana izay manatsara ny toe-piveloman’ny olombelona.

Anjaran’ny Fanjakana ny miaro sy ny mampandroso ny soa iombonan’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena. Ny soa iombonan’ny fianakaviam-ben’ny olombelona manontolo dia mitaky fandaminana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena.

3.Ny fahamarinana ara-piaraha-monina

Ny mpiara-belona no miantoka ny fahamarinana ara-piaraha-monina amin’ny fanatanterahany ny fepetra ahafahan’ny fikambanana sy ny isam-batan’olona mahazo ny zon’izy ireo araka ny fomba aman-toetran’izy ireo sy ny fiantsoana azy ireo. Mifamatotra amin’ny soa iombonana sy amin’ny fampiasana ny fahefana ny fahamarinana ara-piaraha-monina.

I.Ny fanajana ny olombelona

Tsy ho azo ny fahamarinana ara-piaraha-monina, raha tsy hajaina ny fahamendrehan’ny olombelona. Ny olona no iafaran’ny tanjon’ny fiaraha-monina, izay narindra ho azy :

Nankinin’ny Mpahary amintsika ny fiarovana sy ny fampandrosoana ny fahamendrehan’ny olombelona. Amin’ny fisehon-javatra rehetra eo amin’ny tantara, ny lehilahy sy ny vehivavy no tompon’andraikitra sy mizaka an’izany tanteraka SRS 47..

Mitaky fanajana ireo zo izay avy amin’ny fahamendrehan’ny maha-zavaboary azy, ny fanajana ny olombelona. Talohan’ny fiaraha-monina sy tsy maintsy ekeny, ireny zo ireny. Manorina ny maha-ara-dalàna amin’ny lafiny môraly ny fahefana rehetra ireny : ny fiaraha-monina maniratsira ireny, na manda ny hankato azy ireny ao amin’ny didy aman-dalànany manan-kery, dia manimba tsikelikely ny maha-ara-dalàna azy amin’ny lafiny môraly jer. PT — Pacem in terris.. Raha tsy misy fanajana toy izany, dia tsy afaka miantehitra afa-tsy amin’ny fanerena na ny herisetra mba hahazoana ny faneken’ny olona entiny, ny fahefana iray. Anjaran’ny Fiangonana ny mampahatsiahy ireny zo ireny ao an-tsain’ny olona tsara sitrapo, sy ny manavaka azy ireny amin’ny fitakiana tafahoatra na tsy marina.

Ny fanajana ny olombelona dia miainga amin’ny fanajana ny fitsipika fototra hoe : “Aoka ny tsirairay hihevitra ny namany ho toy ny "tenany", tsy asiana fanavahana, ka hatao voaloham-piheverana ny fiainany sy ny zavatra ilainy hoenti-manana fiainana mendrika” FAA 27, §1.. Tsy misy didy aman-dalàna na iray aza mahavita manafoana amin’ny alalan’ny tenany ihany ny tahotra, ny fitsaràna an-tendrony, ny fihetsika maneho avonavona sy fitiavan-tena tafahoatra izay mahatonga vato misakana amin’ny fananganana fiaraha-monina ao anatin’ny fihavanana marina tokoa. Ireny fihetsika amam-pitondran-tena ireny dia tsy hitsahatra afa-tsy amin’ny fifankatiavana ka mihevitra ny olona tsirairay ho “namana”, ho mpiray tam-po mbamin’ny havana.

Ny adidy hahatonga ho namana ny hafa sy ny hanompo azy amim-pahavitrihana dia manjary maika kokoa indray rahefa ianjadiam-pahasahiranana izy io, na inona na inona izany fahasahiranana izany. “Isaky ny manao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko” (Mt 25,40).

Mahakasika izany adidy izany koa, ireo tsy mitovy amintsika na amin’ny hevitra na amin’ny atao. Tonga hatramin’ny fitakiana ny famelana ny fahotana ny fampianaran’i Kristy. Mampivelatra ny didim-pitiavana izany, izay tsy inona fa ny an’ny Lalàna vaovao, dia ny fitiavana ny fahavalo rehetra jer. Mt 5,43-44.. Ny fanafahana araka ny toe-panahin’ny Evanjely dia tsy azo ampiarahana amin’ny fankahalana ny fahavalo amin’ny maha-olona azy, fa amin’ny fankahalana ny ratsy izay ataony amin’ny maha-fahavalo azy.

II.Fitoviana sy faha-samy hafa eo amin’ny olombelona

Noho ny olombelona rehetra noarìna mitovy endrika amin’Andriamanitra, nomena fanahy manan-tsaina iray ihany, dia manana fomba aman-toetra iray ihany sy fiandohana iray ihany izy ireo. Noho izy ireo navotana tamin’ny soron’i Kristy, dia voantso handray anjara amin’ny hasambaran’ Andriamanitra iray ihany izy rehetra : mifaly amin’ny fahamendrehana mitovy izany ny olona rehetra.

Ny fitoviana eo amin’ny samy olombelona rehetra dia mifototra indrindra amin’ny fahamendrehan’izy ireo tsirairay sy ny zo avy amin’izany :

Na inona na inona endri-panavakavahana mahakasika ny zo fototra maha-olona, na miorina amin’ny maha-lahy sy maha-vavy izany, na amin’ny firazanana, amin’ny volon-koditra, amin’ny toe-piainana ara-tsôsialy, amin’ny fiteny na amin’ny finoana amam-pivavahana, dia tsy maintsy ialana, satria manohitra ny fandaharan’Andriamanitra FAA 29, §2..

Raha vao tonga teto an-tany ny olombelona, dia tsy hoe ananany avokoa izay rehetra mety ilainy amin’ny fivoaran’ny fiainany, ara-batana sy ara-panahy. Mila ny hafa izy. Maro ny faha-samy hafa miseho amin’ny taona, amin’ny hery aman-toe-batana, amin’ny fironana ara-tsaina na ara-môraly, amin’ny fifanakalozana izay tokony hahazoan’ny tsirairay tombon-tsoa, amin’ny fitsinjarana ny harena jer. FAA 29, §2.. Tsy nozaraina mitovy koa ny “talenta” jer. Mt 25,14-30; Lk 19,11-27..

Anisan’ny drafitr’asan’Andriamanitra ireo faha-samy hafa ireo, satria tiany ny handraisan’ny tsirairay izay ilainy avy amin’ny hafa, ary ireo izay manana “talenta” manokana, dia hampita ny soa avy amin’izany amin’ireo izay mila izany. Mamporisika ary matetika manery ny olona ho amin’ny herim-po, amin’ny fahalemem-panahy ary ny fifampizaràna, ny faha-samy hafa ; mitaona ny kolontsaina koa ny faha-samy hafa mba hampitombo raki-tsoan’ny andaniny sy ny ankilany :

Tsy hanome mitovy ny herim-panahy rehetra amin’ny tsirairay aho. (…) Maro izay nozaraiko tamin’ny fomba toy izany, mbetika amin’ny anankiray, mbetika amin’ny hafa. (…) Amin’ny iray, ny fitiavana ; amin’ny hafa, ny fahamarinana ; amin’ity farany ity indray, ny fanetren-tena, amin’iry voalohany iry kosa, ny finoana velona. (…) Raha ny amin’ny soa aman-karena ara-batana, izay zavatra ilaina amin’ny fiainana maha-olombelona, dia nizara izany tao anatin’ny tsy fitoviana tanteraka aho, ary tsy sitrako ny hananan’ny tsirairay izay rehetra ilainy, mba hahatonga ny olona rehetra, ao anatin’ny fahaporetana, hanao asam-pifankatiavana eo amin’izy ireo samy izy ireo. (…) Sitrako raha izy ireo samy izy ireo no mifampila ary izy ireo no ho mpandraharahako amin’ny fizarazarana ny fahasoavana sy ny fanomezana izay noraisin’ izy ireo tamiko Mb Cathérine de Sienne, dial.7..

Misy koa ny tsy fitoviana tsy ara-drariny izay mahavoa ny lehilahy sy ny vehivavy an-tapitrisany. Tena fanoherana an-kitsirano ny Evanjely izany :

Ny fitovian’ny fahamendrehan’ny maha-olona dia mitaky ny ahatongavan’ ny olona amin’ny toe-piainana ara-drariny kokoa sy mendrika ny maha-olona kokoa. Mahatonga fanafintohinana ny tsy fitoviana mihoa-pampana ara-toe-karena sy ara-tsôsialy eo amin’ny mpikambana na eo amin’ny firenena ao anatin’ny fianakaviana tokan’ny olombelona. Mahatonga vato misakana izany amin’ny rariny ara-tsôsialy, amin’ny fahitsiana, amin’ny fahamendrehan’ny maha-olombelona, tahaka izany koa amin’ny fandriampahaleman’ny mpiara-monina sy ny firenena rehetra FAA 29, §3..

III.Ny firaisan-kinan’ny olombelona

Ny firaisan-kina, antsoina koa hoe “fihavanana” na “fifankatiavan’ny mpiara-monina”, dia takìn’ny fifankatiavana mivantana toy ny mpiray tam-po amin’ny maha-olombelona sy maha-kristianina jer. SRS 38-40; CA 10. :

Ny hadisoana, “izay mihanaka tokoa amin’izao andro izao”, dia ny fanadinoana io lalànan’ny firaisan-kinan’ny olombelona sy ny fifankatiavana io, izay atoro sy didian’ny fototra iray niandohana sy ny toetra maha-olona misaina ny olombelona rehetra, na inona na inona firenena misy azy ireo, ary koa atoro sy didian’ny sorom-panavotana natolotr’i Jesoa-Kristy teo amin’ny ôtelin’ny Hazofijaliana tamin’ny Rainy any an-danitra, ho soa hoan’ny olombelona mpanota” Pie XII, enc. "Summi pontificatus"..

Ny voalohany isehoan’ny firaisan-kina dia eo amin’ny fitsinjarana ny soa sy ny karama amin’ny asa. Mitaky ezaka koa izany, ho amin’ny fandaminana ny fiaraha-monina ara-drariny kokoa, izay hampihena tsikelikely kokoa ireo fifanolanana, sy hahitan’ireo fifanoherana moramora kokoa ny lalan’ny fifanarahan’izy ireo.

Tsy mety ho voavaha afa-tsy amin’ny fanampiana rehetra miendrika firaisan-kina ny olana ara-tsôsialy sy ara-toe-karena : firaisan-kinan’ny mahantra amin’izy samy izy, ny mpanankarena sy ny mahantra, ny mpiasa samy mpiasa, ny mpampiasa sy ny mpiasa eo amin’ny orinasa, firaisan-kina eo amin’ny samy firenena sy ny samy vahoaka. Takìn’ny lalàm-pitondran-tena ny firaisan-kina iraisam-pirenena. Anisan’ny iainkinan’ny fandriampahaleman’izao tontolo izao izany.

Ny hasin’ny firaisan-kina dia ambony lavitra noho ny harena ara-pitaovana. Ny Fiangonana, amin’ny fampielezana ny harem-panahy avy amin’ny finoana, dia mamampy avy amin’izany koa ny fampandrosoana ny harena ara-batana, izay amin’izany izy no matetika manokatra lalam-pandrosoana vaovao. Amin’izany no voamarina, eo amin’ny taonjato mifandimby, ny tenin’ny Tompo hoe : “Katsaho àry aloha ny Fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny” (Mt 6,3) :

Hatramin’ny roa arivo taona no niainana sy nitozoana tao anatin’ny fanahin’ny Fiangonana io fahalalana marina io izay nanosika sy mbola manosika ny olona ho amin’ny herim-po be fitiavan’ireo mpitoka-monina mpamboly, ireo mpanafaka ny andevo, ireo mpitsabo ny marary, ireo iraka mpampita ny finoana, ny sivilizasiônina, ny siansa amin’ny taranaka rehetra mifandimby sy amin’ny vahoaka rehetra mba hamoronana fomba fiainam-piaraha-monina afaka hahatonga ny fiainan’ny rehetra ho fiainana mendrika ny olombelona sy ny kristianina Pie XII, lahateny tamin’ny 1 jona 1941..

Ny mpiara-belona no miantoka ny fahamarinana ara-piaraha-monina amin’ny fanatanterahany ny fepetra ahafahan’ny fikambanana sy ny isam-batan’olona mahazo ny zon’izy ireo.

Ny fanajana olona dia ny mihevitra ny hafa ho “toy ny tena mihitsy”. Mitaky ny fanajana ny zo fototra izay avy amin’ny fahamendrehana anaty eo amin’ny olona izany.

Ny fitoviana eo amin’ny samy olombelona rehetra dia mifototra amin’ny fahamendrehan’izy ireo tsirairay sy ny zo avy amin’izany.

Ny faha-samy hafa eo amin’ny samy olombelona rehetra dia anisan’ny fandaharan’Andriamanitra izay mila antsika hifanampy sy hifanohana. Tokony hanentana ny fifankatiavana ny faha-samy hafa.

Ny fitovian’ny fahamendrehan’ny olombelona dia mitaky ezaka mba hampihena ny tsy fitoviana mihoa-pampana ara-piaraha-monina sy ara-toe-karena. Manosika ho amin’ny fanafoanana ny tsy fitoviana vokatry ny tsy an-drariny izany fitoviam-pahamendrehana izany.

Ny firaisan-kina dia herim-panahy ambony tokoa maha-kristianina. Izy no manatanteraka ny fifampizaràna ny harena ara-panahy mihoatra kokoa noho ny harena ara-pitaovana.

Ny olombelona, noho izy voantso ho amin’ny hasambarana, saingy voaratran’ny fahotana, dia mila ny famonjen’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy no andraisany an’io famonjen’Andriamanitra io, amin’ny alalan’ny lalàna izay mitari-dalana azy sy amin’ny fahasoavana izay manohana azy :

Miasà ianareo amin-tahotra sy hovitra, mba hahatomombana ny famonjena anareo : fa eo rahateo Andriamanitra izay manao indray miaraka, ny hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka koa izay mifanaraka amin’ny fandaharam-pitiavany (Filip 2,12-13).

1.Ny lalàna môraly

Tsanganasan’ny Fahendren’Andriamanitra ny lalàna môraly. Amin’ny hevitra ara-baiboly, dia azo faritana hoe : fampianaran’ny ray, fahaizan’ Andriamanitra manabe, ny lalàna môraly. Mibaiko ny olona izy, hanaraka ny lalana sy ny fitsipiky ny fitondran-tena izay mitondra mankamin’ny hasambarana nampanantenaina ; mandrara izy, tsy hanaraka ny lalan’ny faharatsiana izay mampihodina tsy ho amin’Andriamanitra sy ny fitiavany. Sady mafy tsy voahozongozona izy amin’ny fitsipiny, no mahatehotia amin’ny fampanantenany.

Ny lalàna dia fitsipika momba ny fitondran-tena avoakan’ny manam-pahefana manapaka, ka ho ampiharina mba hitsinjovana ny soa iombonana. Ny lalàna môraly dia mitaky fandaminana tsara fototra eo amin’ny samy zavaboary, mba hahazoan’izy ireo ny soa ho an’ny tenan’izy ireo sy mba hahatongavan’izy ireo amin’ny tanjona fiafaran’izy ireo ; ny fahefan’ny Mpahary sy ny fahendreny ary ny hatsaram-pony no nanorina io fandaminana io. Ao amin’ny lalàna mandrakizay no ahitan’ny lalàna rehetra ny fahamarinany voalohany sy farany. Ambaran’ny saina sy raiketiny fa ny lalàna dia fandraisana anjara amin’ny fitahian’ Andriamanitra velona, Mpahary sy Mpanavotra ny olona rehetra. “Izany fandaminan’ny saina izany no antsoina hoe lalàna” Léon XIII, ans. "Libertas praestantissimum"; mamerina ny voalazan’i Thomas d’A., s. th. 1-2, 90,1. :

Ny olombelona, noho ny maha-tokana azy eo anivon’ny zavamananaina rehetra, dia afaka mirehareha fa natao ho mendrika handray ny lalàna avy amin’Andriamanitra : amin’ny maha-biby manan-tsaina azy, afaka mahatakatra an-tsaina sy mandanjalanja, dia izy no hanitsy ny fitondran-tenany amin’ny fahazoa-mampiasa ny fahafahany sy ny sainy, amin’ny fankatoavana an’Ilay izay nanome azy ny zavatra rehetra Tertullien, Marc. 2,4,5..

Maro samihafa ny fomba fiteny momba ny lalàna môraly, ary mifandray avokoa izy rehetra : ny lalàna mandrakizay, ao amin’Andriamanitra sy loharanon’ny lalàna rehetra ; ny lalàna voa-Janahary ; ny lalàna nambara izay misy ny Lalàna taloha sy ny Lalàna vaovao na araka ny Evanjely ; farany, ny lalàm-panjakana sy ny lalàm-piangonana.

Ao amin’i Kristy no ahitan’ny lalàna môraly ny fahatanterahany sy ny maha-iray azy. Ny Tenan’i Jesoa-Kristy mihitsy no lalan’ny fahalavorariana. Izy no anton’ny lalàna, satria Izy irery no mampianatra sy manome ny fahamarinan’Andriamanitra : “I Kristy ihany no anton’ny lalàna, mba ho fanamarinana an’izay rehetra mino” (Rôm 10,4).

I.Ny lalàna môraly voa-Janahary

Ny olombelona dia mandray anjara amin’ny fahendrena sy ny hatsaram-pon’ny Mpahary izay manome azy ny fahaiza-mifehy ny asany sy ny herim-pahazoany mitondra ny tenany ho amin’ny marina sy ny soa. Ny lalàna voa-Janahary no manambara ny hevitra ara-môraly hatrany am-piandohana izay ahafahan’ny olombelona manavaka amin’ny alalan’ny saina ny atao hoe : tsara sy ratsy, marina sy lainga :

Ny lalàna voa-Janahary dia voasoratra sy voasokitra ao amin’ny fanahin’ny olona rehetra sy ny isam-batan’olona, satria izy no sain’ olombelona mandidy hanao ny tsara sy mandrara tsy hanota. (…) Kanefa tsy afaka hanan-kery ho lalàna io didin’ny sain’olombelona io, raha tsy manjary ho ilay feo sy mpitondra tenin’ny fahendrena ambonimbony kokoa izay tsy maintsy ankatoavin’ny saintsika sy ny fahafahantsika Léon XIII, ans. "Libertas praestantissimum"..

Mampiseho amin’ny olombelona ny lalan-kombàna mba hanaovana ny tsara sy hahatratrarana ny zava-kinendriny, ny “lalànan’Andriamanitra sy ny lalàna voa-Janahary” FAA — Gaudium et spes, 89,§1.. Milaza ny didy voalohany sy tsy azo avela izay mitantana ny fiainana ara-môraly, ny lalàna voa-Janahary. Ny faniriana sy ny fankatoavana an’Andriamanitra, fototra iandohana sy mpanelanelana ny soa rehetra, tahaka izany koa ny fiheverana ny hafa ho mitovy amin’ny tena ihany, no foiben’ny lalàna voa-Janahary. Voavelabelatra araka ny votoatin’ ny fampianarany ao amin’ny Didy folo, io lalàna voa-Janahary io. Antsoina hoe voa-Janahary io lalàna io, tsy hoe noho izy anondroana ny toetran’ny zavaboary tsy manan-tsaina, fa satria ny saina izay mandidy azy dia an’ny maha-olombelona manokana :

Aiza àry izany no voasoratra ireny fitsipika ireny, raha tsy ao amin’ny bokin’ilay fahazavana izay antsoina hoe ny Fahamarinana ? Ao no voasoratra ny lalàna marina rehetra, avy ao no iampitan’ny lalàna marina rehetra ao am-pon’ny olombelona izay manatanteraka ny marina sy ny rariny, tsy hoe mifindra monina ao amin’ny olombelona izy, fa mametaka marika ao, amin’ny fomban’ny fitomboka izay toy ny ampandalovana ny peratra amin’ny savoka, nefa tsy miala ny peratra Md Augustin, Trin. 14,15,21.. Tsy hafa tsy akory ny lalàna voa-Janahary fa fahazavan-tsaina napetrak’Andriamanitra ao amintsika ; amin’ny alalan’izany no ahafantarantsika izay tokony hatao sy izay tokony hofadìna. Izany fahazavana na lalàna izany, dia nomen’Andriamanitra tamin’ny fahariana Md Thomas d’A., dec. praec.1..

Ny lalàna voa-Janahary, noho izy mitoetra ao am-pon’ny olombelona tsirairay sy porofoin’ny saina, dia manerana ny tontolo amin’ny didiny ary mivelatra amin’ny olon-drehetra ny fahefany mandidy. Maneho ny fahamendrehan’ny olona sy mamaritra ny fototry ny zony mbamin’ny votoatin’ adidiny izy :

Misy tokoa ny lalàna marina, dia ny saina mahitsy ; mifanaraka amin’ny toetra voa-Janahary izy ary miely eo amin’ny olombelona rehetra ; tsy miovaova sy maharitra mandrakizay izy ; mitaky adidy ny baiko omeny; mampivily tsy ho amin’ny fahadisoana ny fandraràna ataony. (…) Sakrilezy ny manolo izany amin’ny lalàna mifanohitra aminy ; voarara ny tsy mampihatra na dia ny fepetra iray monja voalaza ao amin’izany aza ; raha ny amin’ny hoe hanafoana azy tanteraka kosa, tsy misy olona afaka manao izany Cicéron, rép. 3,22,33..

Miovaova be ihany ny fampiharana ny lalàna voa-Janahary ; mety hitaky fandinihana mifanaraka amin’ny hamaroan’ny fomba iainana, arakaraka ny toerana, ny fotoana ary ny fisehon-javatra izy. Ny lalàna voa-Janahary anefa, ao anatin’ny hamaroan’ny kolontsaina, dia maharitra ho fitsipika mampifandray ny samy olombelona, sy mampanao azy ireo fitsipika fototra iombonana, ankoatra ny tsy fitoviana tsy azo ialana.

Tsy miovaova jer. FAA 10. ny lalàna voa-Janahary, ary maharitra eny am-pamakivakiana ny fiovaovan’ny tantara eny ; velona maharitra ihany izy ao anaty habetsahan’ny fombam-pisainana sy ny fombam-piainana amam-pitondran-tena, sy manampy amin’ny fivoaran’izany. Mijanona ho manan-kery amin’ny maha-fitsipika azy, ireo fitsipika izay mampiseho ny lalàna voa-Janahary. Na dia hoe holavina hatramin’ny fitsipika fotony aza, dia tsy misy afaka handrava izany na hanesotra izany ao am-pon’ny olombelona. Fa mitranga mandrakariva eny ihany izy, amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny vahoaka :

Sazìn’ny lalànanao marina tokoa ny halatra, ry Tompo, sy sazìn’ny lalàna izay voasoratra ao am-pon’ny olombelona ary tsy voakosoky ny tsy fahamarinana mihitsy Md Augustin, conf. 2,4,9..

Ny lalàna voa-Janahary, noho izy tsanganasa tsara tokoa an’ny Mpahary, no miantoka ireo fototra mafy orina, izay eo ambonin’izany no ahafahan’ ny olombelona manorina vondrom-pitsipika ara-môraly izay hitari-dalana ny safidiny. Izy koa no mametraka ny fototra ara-môraly ilaina ho fanorenana ny fiombonamben’ny olombelona. Farany, izy no mampahazo ny fototra ilaina amin’ny lalàm-panjakana izay mifandray aminy, ka amin’ny alalan’ny fandinihana mba amoahana ny fehin-kevitry ny fitsipika fototra avy aminy no anaovana izany, na amin’ny alalan’ny fanampiana araka ny fomba azo antoka sy ara-dalàna.

Tsy ny rehetra dia hahatsapa avokoa amin’ny fomba mazava sy eo no eo ny didy avy amin’ny lalàna voa-Janahary. Amin’ny toe-javatra ankehitriny, ilaina ho an’ny olombelona mpanota ny fahasoavana sy ny fanambaràna, mba ho fantatry “ny rehetra ary tsy misy fahasarotana, omban’ny fitokiana mafy orina sy tsy mifangaro fahadisoana” jer. Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Pie XII, enc. "Humani generis": DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. ny fahamarinana ara-pivavahana sy ara-môraly. Ny lalàna voa-Janahary no ahazoan’ny lalàna nambara sy ny fahasoavana, ny foto-piorenana nomanin’Andriamanitra sy nampifanarahina tamin’ny tsanganasan’ny Fanahy.

II . Ny Lalàna taloha

Andriamanitra, ilay Mpahary antsika sy Mpanavotra antsika, dia nifidy an’i Israely ho vahoakany sy nanambara taminy ny Lalànany, sady nanomana tamin’izany ny fahatongavan’i Kristy. Fahamarinana maro takatry ny saina amin’izao fotsiny no nasehon’ny Lalànan’i Môizy. Tao anatin’ny fanekem-Pamonjena no nanambaràna sy nanamarinana azy ireny.

Ny Lalàna taloha no toetra voalohany ny lalàna nambara. Voafintina ao amin’ny didy folo ireo baikony ara-môraly. Ireo baikon’ny Didy folo no mametraka ny fototry ny fiantsoana ny olombelona, natao mitovy endrika amin’Andriamanitra ; mandrara izay mifanohitra amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namana izy ireo, ary mandidy izay takìn’io fitiavana io. Ny Didy folo no fahazavana nomena ny kônsiansin’ny olombelona rehetra, mba hampiseho aminy ny antso sy ny lalan’Andriamanitra, sy hiaro azy amin’ny ratsy. Izay tsy voavakin’ny olombelona ao am-pon’izy ireo no nosoratan’ Andriamanitra tamin’ny takelaky ny Lalàna Md Augustin, Psal. 57,1..

Araka ny lovam-panahy kristianina, ny Lalàna masina jer. Rôm 7,12., ara-panahy jer. Rôm 7,14. sy tsara jer. Rôm 7,16. dia tsy mbola lavorary. Toy ny mpanabe ny lalàna jer. Gal 3,24., izay mampiseho ny tsy maintsy hatao, fa tsy manome avy amin’ny tenany ny hery sy ny fahasoavan’ny Fanahy Masina mba hanatanterahana azy. Noho ny fahotana izay tsy azony esorina, dia mijanona ho lalàm-panandevozana izy. Araka an’i Md Paoly, ny miampanga sy ny mampibaribary ny fahotana izay mamorona ny “lalànan’ny fanirian-dratsin’ny nofo” jer. Rôm 7. ao am-pon’ny olombelona, no tena anjara asany. Kanefa, mijanona ho dingana voalohany amin’ny lalan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Lalàna. Manomana sy mandamina ny vahoaka voafidy sy ny kristianina tsirairay izy, ho amin’ny fibebahana sy ho amin’ny finoana an’Andriamanitra Mpamonjy. Mampahazo ny fampianarana izay maharitra mandrakizay izy, tahaka ny Tenin’Andriamanitra.

Fanomanana ny Evanjely ny Lalàna taloha. “Faminaniana sy fampianarana ny zava-misy hoavy ny Lalàna” Md Irénée, haer. 4,15,1.. Maminany sy manambara mialoha ny tsanganasam-panafahana amin’ny fahotana izy, izay hotanteraka amin’ny alalan’i Kristy ; manome ao amin’ny Testamenta Vaovao ny sary, ny “tandindona”, ny fanehoana an’ohatra izy, mba hanehoana ny fiainana araka ny Fanahy. Farany, mihafeno ny Lalàna amin’ny alalan’ny fampianaran’ireo boky momba ny fahendrena sy ny mpaminany izay mitari-dalana azy mankamin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao sy ny Fanjakan’ny lanitra.

Nisy (....), faha-fitondran’ny Fanekem-pihavanana Taloha, olona izay nanana ny fitiavana sy ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, ary naniry indrindra ny fampanantenana ara-panahy sy mandrakizay, ka tamin’ izany no nifandraisan’izy ireo tamin’ny Lalàna vaovao. Mifamadika amin’izany, faha-Fanekem-pihavanana Vaovao, misy ny olona ara-nofo, mbola lavitry ny fahalavorarian’ny Lalàna vaovao : mba handrisihana azy ireo amin’ny tsanganasa feno hatsaram-panahy, dia nilaina ny fahatahorana ny sazy mafy sy ny fampanantenana ara-nofo sasany, hatramin’ny faha-Fanekem-pihavanana Vaovao. Na izany na tsy izany, na nandidy ny fitiavana aza ny Lalàna taloha, tsy nanome ny Fanahy Masina izy, izay amin’ny alalany “no androtsahana ny fitiavana ao am-pontsika” (Rôm 5,5) Md Thomas d’A., s.th. 1-2, 107,1,ad 2..

III.Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely

Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely no fahalavorariana ety an-tany ny Lalànan’Andriamanitra, voa-Janahary sy nambara. Tsanganasan’i Kristy sy voambara manokana tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra izy. Tsanganasan’ny Fanahy Masina koa izy, ary, amin’ny alalany, manjary lalàna anaty mifehy ny fitiavana izy : “Hanao fanekem-pihavanana vaovao amin’ny fianakavian’i Israely Aho ( …). Halatsako ao an-tsain’izy ireo ny lalàko, hosoratako ao am-pon’izy ireo ireny, ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho, ary ho vahoakako izy ireo” (Heb 8.8.10) jer. Jer 31,31-34..

Ny Lalàna vaovao no fahasoavan’ny Fanahy Masina noraisin’ny mpino tamin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy. Miasa amin’ny alalan’ny fitiavana ny Lalàna vaovao ; mampiasa ny toritenin’ny Tompo izy mba hampianarana antsika izay tsy maintsy hatao, sy mampiasa ireo sakramenta mba hampita amintsika ny fahasoavana hanaovana izany :

Ilay izay te-handinika amim-pitiavam-bavaka sy amim-pahiratan-tsaina ny toriteny izay nambaran’ny Tompontsika teo an-tendrombohitra, tahaka ny amakiantsika izany ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio, no hahita ao, tsy misy isalasalana na kely aza, ny lalàna fototra lavorary amin’ny fiainana kristianina. (…) Io toriteny io no mirakitra ny fitsipika rehetra sahaza itantanana ny fiainana kristianina Md Augustin, serm. Dom. 1,1,1..

Ny Lalàn’ny Evanjely no “manatanteraka” jer. Mt 5,17-19., manadio, mihoatra ary mitondra ho amin’ny fahalavorariany ny Lalàna taloha. Ao amin’ireo hasambarana no tanterahiny ireo fampanantenan’Andriamanitra, amin’ny fanandratana an’ireo sy amin’ny fandrindrana an’ireo amin’ny “Fanjakan’ny lanitra”. Avantany amin’ireo izay vonon-kandray amim-pinoana io fanantenana vaovao io : ny mahantra, ny manetry tena, ny mitomany, ny madio fo, ny enjehina noho ny amin’i Kristy, amin’ny fanoritana araka izany ny lalana mahagaga mankany amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Ny Lalàn’ny Evanjely no manatanteraka ny baikon’ny Lalàna. Ny toritenin’ny Tompo, lavitra ny hanafoana na hanamaivan-danja ny fitsipika ara-môraly avy amin’ny Lalàna taloha, no mamoaka avy amin’izany ny fisiana an’eritreritra miafina sy mampitranga avy amin’izany ny zava-baovao takìna : ny toritenin’ny Tompo no mampiseho amin’izany ny fahamarinana manontolo avy amin’Andriamanitra sy avy amin’ny olombelona. Tsy manampy didy ety ivelan’ny vaovao izy, fa mandeha hatramin’ny fanavaozana ny fototry ny asa, izany hoe ny fo, izay ao ny olombelona no mifidy ny madio na ny tsy madio jer. Mt 15,18-19., izay ao no ipoiran’ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, sy, miaraka amin’ireo, ny herim-panahy hafa. Tahaka izany no itondran’ny Evanjely ny Lalàna ho amin’ny hafenoany amin’ny alalan’ny fakana tahaka ny fahalavorarian’ny Ray any an-danitra jer. Mt 5,48., amin’ny alalan’ny famelana ny hadisoan’ny fahavalo sy ny fivavahana ho an’ireo mpanenjika, sahala amin’ny fahalalam-pon’ Andriamanitra jer. Mt 5,44..

Manao asam-pivavahana ny Lalàna vaovao : ny fiantrana, ny fivavahana ary ny fifadian-kanina, amin’ny fandrindrana an’ireo amin’ny “Ray izay mahita ao amin’ny miafina”, mifanohitra amin’ny faniriana “ho hitan’ny olona” jer. Mt 6,1-6.16-18.. Ny “Rainay” no fivavahany Mt 6,9-13..

Ny Lalàn’ny Evanjely dia misy safidy hentitra eo amin’ny “lalana roa” jer. Mt 7,13-14. sy ny fampiharana ny tenin’ny Tompo jer. Mt 7,21-27. ; fintininy amin’ny fitsipika volamena izany : “Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany” (Mt 7,12) jer. Lk 6,31.. Ny “didy vaovao ” an’i Jesoa jer. Jo 13,34. no ifaharan’ny Lalàn’ny Evanjely manontolo, dia ny ifankatiavantsika tahaka ny itiavany antsika jer Jo 15,12..

Mety ny mampifandray ny katesezy môraly ao amin’ny fampianaran’ny apôstôly, tahaka ny ao amin’ny Rôm 12-15; 1 Kôr 12-13; Kôl 3-4; Efez 4-6; sns., amin’ny toritenin’ny Tompo. Izany fitambaram-pampianarana izany no mampita ny fampianaran’ny Tompo miaraka amin’ny fahefan’ny apôstôly, indrindra amin’ny alalan’ny fanehoana ny hatsaram-panahy izay avy amin’ny finoana an’i Kristy sy entanin’ny fitiavana, ilay fanomezana voalohany indrindra avy amin’ny Fanahy Masina. “Aoka tsy asiana fihatsarambelatsihy ny fitiavanareo namana. (...) Aoka ny fitiavan’ny mpiray tam-po no hamatotra anareo amin’ny fitiavana (...) omban’ny hafaliana amin’ny fanantenana, fiaretana amin’ny fahoriana, fitozoana amin’ny fivavahana, fanampiana ny olomasina araka izay ilaina, fahazotoana mampiantrano vahiny” (Rôm 12,9-13). Izany katesezy izany no mampianatra antsika koa handinika ny adin-tsaina amin’ny fahazavan’ ny fifandraisantsika amin’i Kristy sy amin’ny Fiangonana jer. Rôm 14; 1 Kôr 5-10..

Ny Lalàna vaovao dia antsoina hoe lalàm-pitiavana, satria izy no mampiasa amin’ny alalan’ny fitiavana izay arotsaky ny Fanahy Masina fa tsy amin’ny alalan’ny tahotra ; lalàm-pahasoavana, satria izy no manome ny herin’ny fahasoavana mba hiasana amin’ny alalan’ny finoana sy ny sakramenta ; lalàm-pahafahana jer. Jak. 1,25; 2,12., satria izy no manafaka antsika amin’ny fitandremana ara-pombam-pivavahana sy ara-pitsaràn’ny Lalàna taloha, mampirona antsika hiasa an-tsitrapo amin’ny tosi-kerim-pamporisikin’ny fitiavana, ary farany mampita antsika amin’ny toetran’ny mpanompo “izay tsy mahalala ny ataon’ny Tompony”, ho amin’ny toetran’ny sakaizan’i Kristy, “satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko, dia efa nambarako taminareo” (Jo 15,15), hoy izy, na koa ho amin’ny toetran’ny zanaka mpandova jer. Gal 4,1-7.21-31; Rôm 8,15-17..

Ankoatra ireo didy amin’ny Lalàna vaovao, dia misy koa ireo torohevitry ny Evanjely avy aminy. Ny fanavahan’ny lovam-pampianarana ireo didin’ Andriamanitra amin’ireo torohevitry ny Evanjely, dia miorina amin’ny fitiavana, izay fahalavorarian’ny fiainana kristianina. Ireo didy dia natokana hanesorana izay tsy mifanaraka amin’ny fitiavana. Ireo torohevitry ny Evanjely kosa dia mikendry ny hanala izay mety mahatonga ny sakana amin’ ny fivelaran’ny fitiavana, na dia tsy mifanohitra aminy aza jer. Md Thomas d’A., s. th., 2-2; 184,3..

Ireo torohevitry ny Evanjely dia maneho ny fahatanterahana amin-kery ny fitiavana tsy mety afa-po na oviana na oviana raha tsy mahafoy bebe kokoa lalandava. Izy ireo no manamarina ny ezaka ataony sy mitarika ho amin’ny faharisihan’ny fanahintsika. Ny fahalavorarian’ny Lalàna vaovao dia mifototra indrindra amin’ny didim-pitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Ireo torohevitry ny Evanjely kosa no manoro ireo lalana mivantana kokoa sy ireo fomba moramora kokoa hiainana ny didim-pitiavana, sy mampiasa an’ireo araka ny antson’ny tsirairay :

[Andriamanitra] tsy mitady ny hitandreman’ny tsirairay ny torohevitra rehetra an’ny Evanjely, fa ireo izay hany sahaza ny faha-samy hafa ny olona, ny fotoana, ny toe-java-miseho ary ny hery, tahaka izany koa izay takìn’ny fitiavana ; satria, noho ny fitiavana izay mpanjakavavin’ ny hatsaram-panahy rehetra, ny didy rehetra, ny torohevitra rehetra, ary raha atao bango tokana ny lalàna rehetra sy ny asa kristianina rehetra, dia izy no manome ireo ho an’ny olona rehetra na lehilahy na vehivavy, ny laharana, ny filaminana, ny fotoana ary ny hasarobidy Md François de Sales, amour 8,6..

Araka ny Soratra Masina, ny Lalàna no fampianaran’ny maha-ray an’ Andriamanitra izay mandidy ny olombelona hanaraka ny lalana mitondra amin’ny hasambarana nampanantenaina sy mandrara tsy hizotra amin’ny lalan’ny faharatsiana.

“Ny lalàna no fandaminan’ny saina ho amin’ny soa iombonana, avoakan’ ilay izay miadidy fikambanana” jer. Md Thomas d' A., s.th. 1-2, 90,4..

I Kristy no anton’ny lalàna jer. Rôm 10,4., Izy irery no mampianatra sy manome ny fahamarinan’Andriamanitra.

Ny lalàna voa-Janahary dia fandraisan’ny olombelona anjara amin’ny fahendrena sy ny hatsaram-pon’Andriamanitra, noho izy natao mitovy endrika amin’ilay Mpahary azy. Ny lalàna voa-Janahary no maneho ny fahamendrehan’ny olombelona, ary manorina ny fototry ny zony sy ny adidiny lehibe indrindra.

Tsy miovaova ny lalàna voa-Janahary, ary maharitra eny am-pamakivakiana ny tantara. Mijanona ho manan-kery amin’ny maha-fitsipika azy, ireo fitsipika izay mampiseho ny lalàna voa-Janahary. Fototra ilaina amin’ny fanorenana ny fitsipika ara-môraly sy ny lalàm-panjakana ny lalàna voa-Janahary.

Ny Lalàna taloha no toetra voalohany ny lalàna nambara. Voafintina ao amin’ny didy folo ny baikony ara-môraly.

Mirakitra fahamarinana maro takatry ny saina amin’izao fotsiny ny Lalànan’i Môizy. Nambaran’Andriamanitra izy ireny satria tsy voavakin’ ny olombelona ao am-pony.

Fanomanana ny Vaovao Mahafaly ny Lalàna taloha.

Ny Lalàna vaovao no fahasoavan’ny Fanahy Masina noraisina tamin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy, tanterahina amin’ny alalan’ny fitiavana. Amin’ny toritenin’ny Tompo teo an-Tendrombohitra no isehoany manokana, ary ireo sakramenta no ampiasainy mba hampitana amintsika ny fahasoavana.

Ny Lalàn’ny Evanjely no manatanteraka, mihoatra ary mitondra ho amin’ ny fahalavorariany ny Lalàna taloha : ireo fampanantenany amin’ny alalan’ireo hasambaran’ny Fanjakan’ny lanitra, ireo didiny amin’ny fanavaozana ny fototry ny asa, dia ny fo izany.

Ny Lalàna vaovao dia lalàm-pitiavana, lalàm-pahasoavana, lalàm-pahafahana.

Ankoatra ireo didy amin’ny Lalàna vaovao, dia misy koa ireo torohevitry ny Evanjely avy aminy. “Ny fahamasinan’ny Fiangonana dia voatsimbina indrindra amin’ny alalan’ireo torohevitra maro be izay natolotry ny Tompo ao amin’ny Evanjely mba hotandreman’ny mpianany” FF 42..

2.Fahasoavana sy fanamarinana

I.Ny fanamarinana

Manana fahefana hanamarina antsika ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, izany hoe mandio antsika noho ny fahotantsika sy mampita amintsika “ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa-Kristy” (Rôm 3,22) sy amin’ny alalan’ny Batemy jer. Rôm 6,3-4. :

Raha miara-maty amin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona Aminy koa ; sady fantatsika fa i Kristy rahefa nitsangana velona avy amin’ny maty, dia tsy maty intsony, tsy manan-kery Aminy intsony ny fahafatesana. Satria ny fahafatesany moa dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana, fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra. Ary ianareo koa, aoka ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana, fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa (Rôm 6,8-11).

Noho ny herin’ny Fanahy Masina, dia sady mandray anjara amin’ny fijalian’i Kristy isika maty amin’ny fahotana, no mandray anjara koa amin’ ny Fitsanganany ho velona ka ateraka amin’ny fiainam-baovao ; sady rantsambatan’i Kristy isika ao amin’ ny Fiangonana Vatany jer. 1 Kôr 12., no sampam-boaloboka vita grefy amin’ny Tenany Voaloboka jer. Jo 15,1-4. :

Amin’ny alalan’ny Fanahy no ananantsika anjara amin’ Andriamanitra. Ary amin’ny alalan’ny fandraisana anjaran’ny Fanahy, no manjary mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra isika (...). Noho izany, ireo izay onenan’ny Fanahy dia voasandratra ho Andriamanitra Md Athanase, ep. Serap. 1,24..

Ny tsanganasa voalohany amin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina dia ny fibebahana, izay mahatonga fanamarinana araka ny nolazain’i Jesoa amin’ny fiantombohan’ny Evanjely hoe : “Mibebaha ianareo, fa akaiky tokoa ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 4,17). Ny fanentanan’ny fahasoavana no mampiverina ny olombelona amin’Andriamanitra, sy mampiala azy amin’ ny fahotana, sady koa andraisany ny famelan-keloka sy ny fanamarinana avy any ambony. “Noho izany, ny fanamarinana dia mirakitra famelana ny fahotana, fanamasinana ary fanavaozana ny olona anaty” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..

Ny fanamarinana no manala ny olona amin’ny fatotry ny fahotana izay fitsipahana ny fitiavan’Andriamanitra, sy mandio ny fony amin’izany. Tanteraka ny fanamarinana, aorian’ny fahazoana ny famindram-pon’ Andriamanitra izay anomezana ny famelan-keloka. Izy no mampihavana ny olona amin’Andriamanitra. Izy no manafaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy manasitrana izany.

Ny fanamarinana koa no fandraisana ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa-Kristy. Ny hoe fahamarinana eto izany, dia ilazana ny fahitsian’ny fitiavan’Andriamanitra. Miaraka amin’ny fanamarinana, dia voarotsaka ao am-pontsika ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, ary nomena antsika ny fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra.

Ny fanamarinana no nahatonga antsika ho mendri-balisoa tamin’ny alalan’ny fijalian’i Kristy izay nanolo-tena teo amin’ny Hazofijaliana ho sorona velona, masina sy ankasitrahan’Andriamanitra, izay nampanjary ny ra ho fitaovam-piarovan’Andriamanitra amin’ny fahotan’ny olombelona rehetra. Tamin’ny Batemy, sakramentan’ny finoana, no nanomezana ny fanamarinana. Mampitovy antsika amin’ny fahamarinan’Andriamanitra izay mahatonga antsika ho marina ao anaty noho ny herin’ny famindram-pony ny fanamarinana. Ny Voninahitr’ Andriamanitra sy Kristy, sy ny fanomezana ny fiainana mandrakizay no zavatra kendreny jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. :

Ankehitriny, tsy amin’ny Lalàna, dia naseho ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, izay nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana an’i Jesoa-Kristy, natao ho an’izay rehetra mino, - satria tsy misy avaka, fa samy nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr’ Andriamanitra - fa hamarininy maimaim-poana amin’ny fahasoavany izy ireo, noho ny fanavotana izay tanteraka ao amin’i Kristy Jesoa : Izy no natsangan’ Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny rany noho ny finoana ; sitrany ny mampiharihary ny fahamarinany, noho Izy tsy dia nanameloka loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany ; sitrany ny mampiharihary ny fahamarinany amin’ny andro ankehitriny, mba ho hita ho marina sady manamarina ilay izay manam-pinoana an’i Jesoa (Rôm 3,21-26).

Ny fanamarinana dia manorina ny fiaraha-miasan’ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fahafahan’ny olombelona. Miseho eo amin’ny olona ny fanamarinana, rahefa mankato ny finoana amin’ny Tenin’Andriamanitra izay mitaona azy hibebaka izy, sy rahefa miara-miasa amim-pifankatiavana eo ambany tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina izay mampahalala azy mialoha sy miaro azy :

Rahefa manohina ny fon’ny olombelona amin’ny alalan’ny fitsilovan’ ny Fanahy Masina Andriamanitra, dia tsy hoe tsy mahazo manao na inona na inona izy amin’ny fandraisana io fitsilovan-tsaina io, fa azony atao koa ny manary izany ; saingy tsy azony atao kosa ny manao izay tiany atao amin’ny fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra, raha tsy omban’ny fahasoavany jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..

Ny fanamarinana no tsanganasa tsara indrindra amin’ny fitiavan’ Andriamanitra naharihary tao amin’i Kristy Jesoa sy nomena tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Heverin’i Md Augustin fa “ny fanamarinana ny olona ratsy fanahy mpankahala fivavahana no tsanganasa lehibe kokoa noho ny fahariana ny lanitra sy ny tany”, satria “hihelina ihany ny lanitra sy ny tany fa haharitra kosa ny famonjena sy ny fanamarinana ny olom-pinidy” Md Augustin in Ev. Jo 72,3.. Heveriny koa aza fa ny fanamarinana ny mpanota no mahery kokoa noho ny fahariana ny anjely ho amin’ny fahamarinana, satria ny fanamarinana ny mpanota dia manaporofo famindram-po faran’izay lehibe.

Ny Fanahy Masina no mpampianatra ao anatin’ny olona. Rahefa aterany ho “olona anaty” (Rôm 7,22 ; Efez 3,16) kosa ny olona, dia ny fanamarinana no mahatonga ho masina ny maha-olona manontolo :

Raha nanolotra ny rantsambatanareo ho mpanompon’ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna ianareo fahiny, ka naharatsy ny toetranareo, dia atolory toy izany koa izy ireo ankehitriny ho mpanompon’ny fahamarinana mba hahamasin-toetra anareo. (...) Ary ankehitriny, rahefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, ka tonga mpanompon’Andriamanitra, dia ny fahamasinana no vokatra azonareo, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny farany (Rôm 6,19.22).

II.Ny fahasoavana

Avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny fanamarinana antsika. Ny fahasoavana no tombon-tsoa sy vonjy maimaim-poana izay omen’ Andriamanitra antsika mba hamaliana ny antsony : manjary zanak’ Andriamanitra jer. Jo 1,12-18., zanaka natsangana jer. Rôm 8,14-17., mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra jer. 2 Pi 1,3-4., amin’ny fiainana mandrakizay jer. Jo 17,3..

Ny fahasoavana dia fiombonana anjara amin’ny fiainan’ Andriamanitra, izy no mampiditra antsika ao anatin’ny fiainam-pifankatiavan’ny Trinite Masina : amin’ny Batemy no andraisan’ny kristianina anjara amin’ny fahasoavan’i Kristy, Lohan’ny Vatany. Amin’ny maha-“zanaka natsangana” ny kristianina, dia azony atao amin’izay ny miantso an’ Andriamanitra hoe “Ray”, amin’ny fiombonany amin’ny Zanaka Lahitokana. Ny ain’ny Fanahy izay mitsoka rivo-pitiavana ao aminy sy manabe ny Fiangonana no raisiny.

Ilay fiantsoana ho amin’ny fiainana mandrakizay dia mihoatra ny natoraly. Miankina manontolo amin’ny fanomezana maimaim-poana ataon’Andriamanitra mialoha izany, satria Izy irery no afaka manambara tena sy manolo-tena ny Tenany ihany. Mihoatra ny herim-pahaizan’ny sain’olombelona sy ny herin’ny sitrapony izany, toy ny an’ny zavaboary rehetra jer. 1 Kôr 2,7-9..

Ny fahasoavan’i Kristy no fanomezana maimaim-poana izay atolotr’ Andriamanitra antsika avy amin’ny fiainany, ary arotsaky ny Fanahy Masina ao amin’ny fanahintsika, mba hanasitrana azy amin’ny fahotana sy hanamasina azy : Izany no hoe fahasoavana mahamasina na fahasoavana manandratra ho Andriamanitra, noraisina tamin’ny Batemy. Izany no loharanon’ny tsanganasam-panamasinana ao amintsika jer. Jo 4,14; 7,38-39. :

Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zavaboary vaovao izy; lasa ny zavatra taloha, fa indro zavatra vaovao no eo. Ary izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra izay nampihavana antsika Aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy (2 Kôr 5,17-18).

Ny fahasoavana mahamasina dia fanomezana maharitra, toe-panahy mahazatra tsy miovaova sy mihoatra ny natoraly mandavorary ny fanahy tokoa mba hahatonga azy ho afaka miaina miaraka amin’Andriamanitra, sy hanao asa amam-pitondran-tena amin’ny alalan’ny fitiavany. Havahana eto ny fahasoavana mampaharitra amin’ny hatsaran-toetra, izay fironan’ny fanahy tsy tapaka ny mivelona sy miasa araka ny antson’Andriamanitra, sy ireo fahasoavana mitahy izay manondro ny firotsahan’Andriamanitra an-tsehatra na amin’ny fiandohan’ny fibebahana izany na mandritra ny tsanganasa fanamasinana.

Ny fanomanana ny olona handray ny fahasoavana dia efa tsanganasan’ny fahasoavana. Ilaina izany mba handrisihana sy hanohanana ny fiarahantsika miasa amin’ny fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana sy ny fiarahantsika miasa amin’ny fanamasinana amin’ny alalan’ny fitiavana. Tontosain’ Andriamanitra ao amintsika izay natombony, “satria Izy no manomboka ny asa izay mahatonga antsika hikasa, ary Izy no manatontosa, amin’ny fiarahany miasa amintsika, ny finiavantsika efa nibebaka” Md Augustin, grat. 17,33. :

Marina fa miasa koa isika, nefa isika tsy manao afa-tsy ny miasa miaraka amin’Andriamanitra izay manao ny asa. Satria ny famindram-pony no mialoha antsika mba ho sitrana isika, ary mbola manaraka ato afarantsika izany mba hamelombelon’aina antsika, raha vao sitrana isika; ny famindram-pony no mialoha antsika mba ho voantso isika, ary mbola manaraka ato afarantsika izany, mba homem-boninahitra isika ; ny famindram-pony no mialoha antsika mba hivelona araka ny fitiavam-bavaka isika, ary mbola manaraka ato afarantsika izany, mba hahavelona antsika mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra, satria raha tsy misy Azy tsy mahefa na inona na inona isika Md Augustin, nat. et grat. 31,35..

Ny fialohavan’Andriamanitra manao ny asa amin-kalalahana dia mitaky valiny amin-kalalahana avy amin’ny olombelona, satria tamin’ny naharian’ Andriamanitra ny olombelona hitovy endrika Aminy no nanomezany azy, miaraka amin’ny fahafahana, ny fahazoana mahalala Azy sy mitia Azy. Koa, tsy ho tafiditra ao amin’ny fiombonam-pitiavana ny fanahy, raha tsy amin-kalalahana ihany. Fa Andriamanitra kosa no manohina eo no eo avy hatrany sy manetsika mivantana ny fon’ny olombelona. Napetrany ao amin’ny olombelona ny faniriana ny marina sy ny tsara izay Izy irery no afaka mahaampoka izany. Ny fampanantenana ny “fiainana mandrakizay” no mamaly, mihoatra ny fanantenana rehetra, an’io faniriana io :

Nony vita ny tsanganasanao tsara indrindra (...), ka nitsahatra Ianao tamin’ny andro fahafito, dia ny mba hilazana aminay mialoha amin’ny alalan’ny feon’ny bokinao, fa amin’ny fiafaran’ny tsanganasanay “izay tsara indrindra”, izay Ianao ihany no nanome anay izany, dia hitsahatra ao Aminao koa izahay amin’ny sabatan’ny fiainana mandrakizay Md Augustin, conf. 13, 36. 38..

Ny fahasoavana no voalohany sy ambonin’ny rehetra amin’ny fanomezan’ ny Fanahy izay manamarina antsika sy manamasina antsika. Kanefa ny fahasoavana koa no misy ny fanomezana izay omen’ny Fanahy ho antsika mba handraisantsika anjara amin’ny tsanganasany, mba hahatonga antsika ho afaka miara-miasa amin’ny famonjena ny hafa sy amin’ny fitomboan’ ny Vatan’i Kristy, dia ny Fiangonana izany. Ireo no fahasoavana ara-tsakramenta, fanomezana manokana amin’ny sakramenta samy hafa. Ireo koa, ankoatra izany, no fahasoavana manokana antsoina koa hoe fanomezam-pahasoavana araka ny teny grika nampiasain’i Md Paoly, izay midika hoe fanambinana, fanomezana maimaim-poana, tombon-tsoa jer. FF 12.. Ny fanomezam-pahasoavana, na manahoana na manahoana ny toetran’izy ireny, indraindray mampitolagaga, tahaka ny fanomezana hanao zava-mahagaga na hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia nalahatra ho amin’ny fahasoavana mahamasina, ary mikendry ny soa iombonan’ny Fiangonana. Natao ho amin’ny asa fitiava-namana izay mandrafitra ny Fiangonana izy ireny jer. 1 Kôr 12..

Amin’ireo fahasoavana manokana, dia tsara ny mampahalala fa anisany ireo fahasoavana mitahy izay manampy amin’ny fanaovana ny adidy aman’andraikitra amin’ny fiainana kristianina sy ny andraiki-panompoana eo anivon’ny Fiangonana :

Samy manana ny anjara fanomezana isika, araka ny fahasoavana nomena antsika, ka raha fanomezana haminany izany, ampiasao araka ny finoantsika izany ; raha fanomezana hanompo, dia aoka hanompo ; ny mpampianatra, aoka hampianatra ; ny mpananatra, aoka hananatra. Izay mizara, aoka izy hanao izany amim-pahatsorana ; izay mitondra, aoka izy hanao izany amim-pahazotoana ; izay manao asa fiantrana, aoka izy hanao izany amin-kafaliana. (Rôm 12,6-8).

Ny fahasoavana, noho izy mihoatra ny natoraly, dia tsy mety ho takatry ny fahalalantsika azo tamim-pahazarana, sy tsy mety ho fantatra raha tsy amin’ny finoana. Noho izany, tsy azontsika atao ny manamarim-pototra amin’ny fihetseham-pontsika na amin’ny tsanganasantsika, mba hamoahana fehin-kevitra amin’izany fa voamarina sy voavonjy isika jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Kanefa, araka ny tenin’ny Tompo hoe : “Ny voany no hahafantaranareo azy” (Mt 7,20), ny fiheverana ny soa avy amin’Andriamanitra, eo amin’ ny fiainantsika sy eo amin’ny fiainan’ireo olomasina, no manome antoka antsika fa ny fahasoavana dia miasa ao amintsika sy mandrisika antsika ho amin’ny finoana lehibebe kokoa hatrany sy amin’ny fihetsika maneho fahantrana feno fitokiana.

Ahitana ny iray amin’ireo malaza tsara tokoa amin’io fihetsika io ny valin-tenin’i Mb Jeanne d’Arc tamin’ny fanontaniana fandrika napetraky ny mpitsaràn’ny Fiangonana azy : “Nanontaniana izy, raha toa ka fantany fa ao anatin’ny fahasoavan’Andriamanitra izy ; dia novaliany hoe : "Raha tsy ao anatiny aho, dia ho ankasitrahan’ Andriamanitra ny hametraka ahy ao ; raha ao anatiny aho, dia ho ankasitrahan’Andriamanitra ny hitahiry ahy ao"” Jeanne d’Arc, proc..

III . Ny mahamendri-balisoa

Ny teny hoe “mahamendri-balisoa”, dia ilazana, amin’ny ankapobeny, ny karama tsy maintsy aloan’ny ankohonana na ny fikambanana amin’ny asa nataon’ny iray amin’ireo mpikambana ao aminy, asa izay tsapa ho soa natao na ratsy natao, mendri-balisoa na mendri-tsazy. Ny mahamendri-balisoa dia iandraiketan’ny herim-panahy fahamarinana araka ny fototry ny fitovian-jo izay mitantana azy.

Eo anatrehan’Andriamanitra, raha jerena amin’ny hevitra hentitra momba ny zo, dia tsy misy ny mahamendri-balisoa ny olombelona. Satria, tsy misy fetra ny tsy fitovian-jo eo Aminy sy amintsika, sady avy Aminy, ilay Mpahary antsika, no andraisantsika ny zavatra rehetra.

Ny mahamendri-balisoa ny olombelona eo akaikin’Andriamanitra amin’ny fiainana kristianina, dia avy amin’izay nomanin’ Andriamanitra tamin-kalalahana hampandray anjara ny olombelona amin’ny tsanganasan’ny fahasoavany. Koa ny asa voalohany amin’izany, dia ny asan’ny maha-Ray an’Andriamanitra amin’ny herim-pahasoavany, izay vao ny faharoa, dia ny asa amam-pihetsika ataon’ny olombelona amin-kalalahana amin’ny fiarahana miasa Aminy ; araka izany, ny fahasoavan’ Andriamanitra aloha no tsy maintsy heverina fa mendri-balisoa amin’ny tsanganasa tsara rehetra, izay vao ny mpino. Ankoatra izany, ny mahamendri-balisoa ny olona dia miverina amin’Izy Andriamanitra ihany, satria ny asany tsara no mahatonga, ao amin’i Kristy, ny famalifaliana sy ny vonjy avy amin’ny Fanahy Masina.

Ny fananganana ho zanaka, izay mahatonga antsika, amin’ny alalan’ny fahasoavana, ho mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’ Andriamanitra, dia mety hanome antsika, araka ny fahamarinana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra, ny tena mahamendri-balisoa tokoa. Ao amin’izany ny zo avy amin’ny fahasoavana, ny zo feno amin’ny fitiavana, no mahatonga antsika ho “mpiray lova” amin’i Kristy sy mendrika hahazo ny “lova nampanantenaina ho amin’ny fiainana mandrakizay” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny mahamendri-balisoa amin’ny tsanganasa tsara ataontsika dia fanomezan’ny hatsaram-pon’Andriamanitra” jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. “Ny fahasoavana no mialoha ; ankehitriny omena izay tsy maintsy efaina. (…) Koa, ny mahamendri-balisoa dia fanomezan’Andriamanitra” Md Augustin, serm. 298, 4-5..

Ny fialohavana manao ny asa, amin’ny raharaham-pahasoavana, dia an’ Andriamanitra, ka tsy misy olona mety ho mendri-balisoa amin’ilay fahasoavana voalohany, izay iandohan’ny fibebahana, ny famelan-keloka ary ny fanamarinana. Aorian’izany, noho ny fahasoavam-panentanan’ny Fanahy Masina sy ny fitiavana, dia mety ho mendri-balisoa isika na ho an’ny tenantsika na ho an’ny hafa, hahazoana ireo fahasoavana ilaina amin’ny fanamasinana antsika, amin’ny fitomboan’ny fahasoavana sy ny fitiavana, toy ny fahazoana ny fiainana mandrakizay. Ireo soa aman-karena ara-batana eto an-tany koa, toy ny fahasalamana, ny fisakaizana, dia mety ho valisoa mendrika ho azo araka ny fahendren’Andriamanitra. Ireny fahasoavana sy harena ireny no fototry ny fivavahana kristianina. Koa ny fivavahana kristianina dia miantoka ny filantsika ny fahasoavana amin’ireo asa mendri-balisoa.

Ny fitiavan’i Kristy no loharano ao amintsika izay ipoiran’ny mahamendri-balisoa antsika eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fahasoavana, izay mampiray antsika amin’i Kristy amin’ny fitiavana mahery, no miantoka ny hatsaran’ireo asantsika ho mihoatra ny natoraly, ary avy eo, miantoka ny mahamendri-balisoa azy eo anatrehan’ Andriamanitra toy ny eo anatrehan’olombelona. Nahatsiaro tena lalandava ny olomasina fa tena fahasoavana tokoa no mahamendri-balisoa azy ireo.

Aorian’ny sesitany eto amin’ity tany ity, dia manantena aho fa handeha hifaly Aminao any an-Tanindrazana, nefa tsy te-hanangona ny mahamendri-balisoa any an-danitra aho, fa te hiasa ho an’ny Fitiavanao irery ihany (…). Amin’ny faran’ity fiainana eto ity, dia hiseho eo anatrehanao mitondra tanampolo aho, satria tsy nangataka taminao aho, ry Tompo, hanisa ny tsanganasako. Misy pentina ny fahamarinanay rehetra eo imasonao. Te hitafy ny Fahamarinanao àry aho sy te handray avy amin’ny Fitiavanao ny fahazoana Anao ihany mandrakizay Mb Therezin’i Jesoa Zazakely, offr.…

IV.Ny fahamasinana kristianina

“Fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy. (…) Satria ireo izay fantany rahateo no notendreny mialoha koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro izy. Ireo izay notendreny no nantsoiny koa. Ireo izay nantsoiny no nohamarininy koa. Ireo izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa” (Rôm 8,28-30).

“Ny antso ho amin’ny hafenoam-piainana kristianina sy ho amin’ny fahalavorariam-pitiavana dia miantefa amin’izay rehetra mino an’i Kristy, na inona na inona laharana misy azy ireo sy lalam-piainana arahin’izy ireo” FF 40.. Ny olona rehetra no antsoina ho amin’ny fahamasinana : “Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo any an-danitra” (Mt 5,48).

Ny mpino dia tokony hampiasa ireo hery izay noraisin’izy ireo arakaraka ny fatran’ny fanomezan’i Kristy, hahazoana izany fahalavorariana izany, mba (…) ho voatokana ho amin’ny Voninahitr’ Andriamanitra sy ny fanompoana ny namana ny tenan’izy ireo sy ny fanahin’izy ireo manontolo, amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray, amin’ny zavatra rehetra. Amin’izany no hitombo vokatra be dia be ny fahamasinan’ny Vahoakan’Andriamanitra, toy ireo porofo mazava tsara asehon’ny tantaran’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fiainan’ireo olomasina be dia be FF 40..

Ny kendren’ny fandrosoam-panahy dia ny firaisana lalina bebe kokoa hatrany amin’i Kristy. Antsoina hoe “místika” io firaisana io, satria izy io no mampiombona amin’ny misterin’i Kristy amin’ny alalan’ny sakramenta – “mistery masina” –, ary, ao amin’i Kristy kosa izy no mampiombona amin’ny misterin’ny Trinite Masina. Isika rehetra no antsoin’ Andriamanitra ho amin’io firaisana lalina miaraka Aminy io, na dia natao ho an’ny sasany ihany aza ny fahasoavana manokana na ny famantarana mampitolagaga momba io fiainana mistika io, mba hanehoana ny fanomezana maimaim-poana natao ho an’ny rehetra.

Ny lalan’ny fahalavorariana dia mandalo amin’ny Hazofijaliana. Tsy misy fahamasinana raha tsy misy fahafoizan-tena sy adim-panahy jer. 2 Tim 4.. Mila famolahan-tena sy fampijalian-tena ny fandrosoam-panahy, fa izany no mitarika tsikelikely hiaina ao anatin’ny fiadanana sy ny hafaliana araka ireo hasambarana notorìn’i Jesoa :

Izay miakatra dia tsy hijanona na oviana na oviana ny hanomboka hatrany eo amin’ny fiatombohana, amin’ny alalan’ireo fanombohana tsy manam-piafarana. Izay misondrotra dia tsy hijanona na oviana na oviana ny maniry izay efa fantany Md Grégoire de Nysse, hom. in Cant.8..

Ireo zanaky ny Fiangonana Masina renintsika dia manantena tokoa ny fahasoavan’ny fitozoana hatramin’ny farany sy ny valisoa avy amin’ Andriamanitra Rain’izy ireo, noho ny asa soa nataon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Ray, sy tamin’ny fiombonana amin’i Jesoa jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny mpino, amin’ny fitandremana ny fitsipi-piainana iray ihany, dia mizara “ny fanantenam-pahasambarana” amin’ireo izay avondron’ny famindram-pon’ Andriamanitra ao an-“Tanàna masina, dia i Jerosalema vaovao izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana ho an’ny Mpampakatra azy” (Apôk 21,2).

Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina no manome antsika ny fahamarinan’ Andriamanitra. Tamin’ny nampiraisan’ny Fanahy Masina antsika amin’ny fijaliana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona amin’ny alalan’ny finoana sy ny Batemy, no nampandraisany anjara antsika amin’ny fiainan’ Andriamanitra.

Ny fanamarinana, tahaka ny fibebahana, dia manana lafin’asa roa. Noho ny fanentanan’ny fahasoavana, dia sady miverina amin’ Andriamanitra ny olombelona, no miala amin’ny fahotana, ary koa mandray ny famelan-keloka sy ny fanamarinana avy any ambony.

Ny fanamarinana dia mirakitra famelana ny fahotana, fanamasinana ary fanavaozana ny olona anaty.

Tamin’ny alalan’ny fijalian’i Kristy no nahamendrika antsika ahazo ny fanamarinana. Tamin’ny Batemy no nahazoantsika azy. Mampitovy antsika amin’ny fahamarinan’Andriamanitra izay mahatonga antsika ho marina izy. Ny Voninahitr’Andriamanitra sy i Kristy ary ny fanomezana ny fiainana mandrakizay no zava-kendreny. Tsanganasa tsara indrindra amin’ny famindram-pon’Andriamanitra izy.

Ny fahasoavana no vonjy izay omen’Andriamanitra antsika mba hamaliana ny fiantsoana antsika ho tonga zanaka atsangany. Izy no mampiditra antsika ao anatin’ny fiainam-pifankatiavan’ny Trinite Masina.

Ny fialohavana ataon’Andriamanitra amin’ny tsanganasan’ny fahasoavana dia ny mampahita, ny manamboatra ary ny mamoaka ny valin-teny amin-kalalahana ataon’ny olombelona. Ny fahasoavana no mamaly ny faniriana lalina momba ny fahafahan’ny olombelona ; izy no miantso ny fahafahan’ny olombelona hiara-miasa aminy, sy mandavorary azy.

Ny fahasoavana mahamasina dia fanomezana maimaim-poana izay atolotr’Andriamanitra antsika avy amin’ny fiainany, ary arotsaky ny Fanahy Masina ao amin’ny fanahintsika, mba hanasitrana azy amin’ny fahotana sy hanamasina azy.

Ny fahasoavana mahamasina no mahatonga antsika “ho ankasitrahan’ Andriamanitra”. Nalahatra ho isan’ny fahasoavana mahamasina koa ireo fanomezam–pahasoavana, izay fahasoavana manokana avy amin’ny Fanahy Masina, fa ny zava-kendreny kosa dia ny soa iombonan’ny Fiangonana. Miasa amin’ny alalan’ny fahasoavana mitahy maro samihafa koa Andriamanitra, izay avahana amin’ny fahasoavana mampaharitra amin’ny hatsaran-toetra, miasa lalandava ao amintsika.

Tsy misy ny mahamendri-balisoa antsika eo anatrehan’Andriamanitra raha tsy araka ny fandaharany amin-kalalahana mampiray ny olombelona amin’ny tsanganasan’ny fahasoavany. An’ny fahasoavan’Andriamanitra aloha ny mahamendri-balisoa, izay vao an’ny fiaraha-miasan’ny olombelona Aminy. Miverina amin’Andriamanitra ny mahamendri-balisoa ny olombelona.

Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, noho ny fananganana antsika ho zanaka, dia mety hanome antsika ny tena mahamendri-balisoa tokoa, araka ny fahamarinana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra. Ny fitiavana no loharano lehibe indrindra ao amintsika, izay ipoiran’ny mahamendri-balisoa eo anoloan’Andriamanitra.

Tsy misy olona mety ho mendri-balisoa amin’ilay fahasoavana voalohany izay iandohan’ny fibebahana. Noho ny fahasoavam-panentanan’ny Fanahy Masina, dia mety ho mendri-balisoa isika, na ho an’ny tenantsika na ho an’ny hafa, amin’ny fahazoana ireo fahasoavana rehetra ilaina ahatongavana any amin’ny fiainana mandrakizay, ary koa amin’ny fahazoana ireo soa aman-karena ara-batana ilaina amin’ny fiainana eto an-tany.

“Ny antso ho amin’ny hafenoam-piainana kristianina sy ho amin’ny fahalavorariam-pitiavana dia miantefa amin’izay rehetra mino an’i Kristy” FF 40.. “Tsy misy afa-tsy iray ny fetran’ny fahalavorariana kristianina, dia ny tsy fananany fetra na dia iray aza” Md Grégoire de Nysse, v. Mos..

“Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny Hazofijaliany, ka hanaraka Ahy” (Mt 16,24).

3.Ny Fiangonana, reny sady mpanabe

Ao amin’ny Fiangonana, amin’ny fiombonana miaraka amin’ny vita batemy rehetra, no anatanterahan’ny kristianina ny fiantsoana azy. Avy amin’ny Fiangonana no andraisany ny Tenin’Andriamanitra izay mirakitra ny fampianaran’ny “Lalànan’i Kristy” (Gal 6,2). Avy amin’ny Fiangonana no andraisany ny fahasoavana amin’ny sakramenta izay manohana azy eny “an-dalana”. Avy amin’ny Fiangonana no ianarany ny oha-pahamasinana ; ao amin’i Maria Virjiny Masina Indrindra no ahalalany ny endrika sy ny fototry izany oha-pahamasinana izany ; amin’ny fijoroana ho vavolombe-lona marina asehon’ireo izay mivelona ny fahamasinany no andanjalanjany izany; amin’ny lovam-piainana ara-panahy sy ny tantara lava momba ireo olomasina izay nialoha lalana azy, ka ankalazain’ny litorzia amin’ny fankalazana ny Olomasina, no ahitany izany.

Fanompoam-pivavahana ara-panahy, ny fiainana ara-môraly. “Manolotra ny tenantsika ho sorona velona, masina sy ankasitrahan’Andriamanitra” jer. Rôm 12,1. isika, ao amin’ny Vatan’i Kristy izay irafetantsika, sy amin’ny fiombonana miaraka amin’ny fanatitry ny Eokaristiany. Amin’ny litorzia sy ny fankalazana ny sakramenta, ny vavaka sy ny fampianarana no mampiray amin’ny fahasoavan’i Kristy, mba hanazava sy hamelona ny asa amam-pitondran-tena kristianina. Ao amin’ny soron’ny Eokaristia no misy ny fototra sy ny tampon’ny fiainana ara-môraly, tahaka ny an’ny fitambaran’ ny fiainana kristianina.

I.Fiainana ara-môraly sy Toniam-pampianaran’ny Fiangonana

Ny Fiangonana, “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” (1 Tim 3,15), dia “nandray avy amin’ny apôstôly ny didy malaza navelan’i Kristy ny amin’ny hanambaràna ny marina mahavonjy” FF 17.. “Adidin’ny Fiangonana ny manambara amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra ny fitsipika fototra ara-môraly, na dia izay mahakasika ny fitsipi-pifehezan’ny fiaraha-monina aza, ary koa ny mamoaka didim-pitsaràna eo amin’ny zavatra rehetra momba ny olombelona, arakaraka izay takìn’ny zo fototry ny olombelona sy ny famonjena ny fanahy” CIC, can. 747,2..

Ny Fahefan’ny mpitondra Fiangonana mampianatra momba ny môraly, dia mazàna ampiasaina amin’ny katesezy sy amin’ny toriteny, omban’ny fanampian’ny asa soratry ny teôlôjianina sy ny mpanoratra boky masina. Toy izany ny fomba nampitampitana tamin’ny taranaka mifandimby, teo ambany fiarovana sy fitandreman’ireo mpitondra, ny “tahirin’ny” môraly kristianina, izay fitambaran’ny maha-izy manokana ny fitsipi-pifehezana, ny didy sy ny herim-panahy avy amin’ny finoana an’i Kristy sy velomin’ ny fitiavana. Izany katesezy izany dia mandray ho fototra araka ny fomba ifandovàna, eo an-kilan’ny Fiekem-pinoana sy ny Rainay, ny Didy folo izay manambara ny fototry ny fiainana ara-môraly sahaza ny olona rehetra.

Ny Evekan’i Rôma sy ny Eveka rehetra, amin’ny maha- “mpampianatra marina azy ireo, nomena ny fahefan’i Kristy, dia mitory amin’ireo vahoaka nankinina amin’izy ireo ny finoana izay tsy maintsy ekena sy ampiharina eo amin’ny fomba fiainana amam-pitondran-tena” FF 25.. Ny Fahefa-mampianatra andavanandro sy manerana ny tany tontolo ataon’ny Papa sy ireo Eveka miombona aminy no mampianatra amin’ny mpino ny marina inoana, ny fitiavana tanterahina, ny hasambarana antenaina.

Ny ambaratonga fara tampony fandraisana anjara amin’ny fahefan’i Kristy dia iantohan’ny fanomezam-pahasoavana tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana. Manenika faran’izay lavitra tahaka ny tahirim-Panambaràn’Andriamanitra koa io tsy feteza-mandiso io jer. FF 25.; ary mbola manenika ny singafototra rehetra amin’ny fitambaram-pampianarana, ao anatin’izany ny môraly, izay raha tsy misy an’ireny ny fahamarinana mahavonjy momba ny finoana, dia tsy mety ho voatahiry, voazava na voatandrina CDF, décl. "Mysterium Ecclesiae" 3..

Manenika ireo didy amam-pitsipika manokana amin’ny lalàna voa-Janahary koa ny fahefan’ny Toniam-pampianarana, satria ny fitandremana azy ireny, izay takìn’ilay Mpahary, dia ilaina amin’ny famonjena. Ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, amin’ny fampahatsiahivana ireo didy amin’ny lalàna voa-Janahary, dia mampiasa ny anjara tsy azo avela amin’ny raharaha maha-mpaminany azy hitory ny marina amin’ny olona rehetra amin’ny maha-olona azy ireo sy hampahatsiahy azy ireo izay tokony ho toetran’izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra jer. FVA 14..

Ampianarina ny mpino fa ny Lalànan’Andriamanitra, nankinina amin’ny Fiangonana, no lalan’ny fiainana sy ny fahamarinana. Noho izany, manana zo ireo mpino jer. CIC, can. 213. ho ampianarina ny didin’Andriamanitra mahavonjy, izay manadio ny fisainana mandanjalanja, ary, miaraka amin’ny fahasoavana, manasitrana ny sain’olombelona voaratra. Manana adidy koa anefa izy ireo hitandrina ny lalàm-panorenana sy ny didy hitsivolana avoakan’ny manam-pahefana ara-dalàna ao amin’ny Fiangonana. Na dia ireo fanapahan-kevitra momba ny fitsipi-pifehezana aza, dia mitaky fanekena ao anatin’ny fitiavana.

Amin’ny tsanganasa fampianarana sy fampiharana ny môraly kristianina, dia ilain’ny Fiangonana ny fahafoizan-tenan’ireo mpitondra azy, ny fahaizana amam-pahalalan’ireo teôlôjianina, ny anjara fanampian’ireo kristianina rehetra sy ireo olona tsara sitrapo. Ny finoana sy ny fanatanterahana an’asa ny Vaovao Mahafaly no mampahazo ho an’ny tsirairay ny fahalalana azo tamim-pahazarana momba ny fiainana “ao amin’i Kristy”, izay manazava azy sy mahatonga azy ho afaka mamantatra ny zava-misy marina momba an’Andriamanitra sy momba ny olombelona araka ny Fanahin’Andriamanitra jer. 1 Kôr 2,10-15.. Araka izany, afaka hampiasa an’ireo tsotra sy madinika indrindra ny Fanahy Masina, mba hanazava ny sain’ireo manam-pahaizana sy ireo ambony indrindra amin’ny fahamendrehan-kaja.

Toe-tsaim-panompoana ara-pirahalahiana sy fahafoizan-tena ho an’ny Fiangonana, amin’ny anaran’ny Tompo jer. Rôm 12,8.11., no tokony hanaovana ny andraiki-panompoana rehetra. Toy izany koa, kônsiansy mahay mitsara ara-môraly ny asan’ny tena manokana, no tokony hisorohan’ny tsirairay ny fikombonany amin’ny fiheverany irery. Noho izany, ny kônsiansin’ny tsirairay, araka izay azony atao, dia tokony hisokatra amin’ny fiheverana ny soa ho an’ny rehetra, araka izay voalaza ao amin’ny lalàna môraly sy voa-Janahary ary nambara, noho izany, voalaza koa ao amin’ny lalànan’ny Fiangonana sy ao amin’ny fampianarana nahazo lalana avy amin’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana mikasika ny môraly. Tsy mety ny mampifanohitra ny kônsiansin’ny tena sy ny saina amin’ny lalàna môraly na amin’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana.

Amin’izany no afaka hivelatra eo amin’ireo kristianina ny tena toe-tsaina maha-zanaka eo amin’ny Fiangonana. Izany no fomba tsara ivelaran’ny fahasoavan’ny Batemy izay niterahana antsika teo anivon’ny Fiangonana sy nahatonga antsika ho rantsambatan’ny Vatan’i Kristy. Ny Fiangonana, amin’ny fiahiany maha-reny azy, dia nanome antsika ny famindram-pon’ Andriamanitra izay mandresy ny fahotantsika rehetra sy miasa manokana ao amin’ny sakramentan’ny Fampihavanana. Reny mahakarakara tokoa izy, ka tsy sasatra manome sakafo antsika ao amin’ny litorziany, isan’andro isan’andro, dia ny Tenin’Andriamanitra sy ny Eokaristian’ny Tompo izany.

II.Ny didin’ny Fiangonana

Ny didin’ny Fiangonana dia nalahatra eo amin’ny soridalana momba ny fiainana ara-môraly mifamatotra amin’ny fiainana ara-litorzia, ary mivelona amin’izany izy. Ny toetra manokana tsy maintsy atao avy amin’ ireo lalàna manan-kery didian’ny manam-pahefana ara-pastôraly hotandremana ireo, dia mikendry ny hiantohana ny mpino amin’ny faran’ izay kely ilaina amin’ny toe-tsaina enti-mivavaka sy amin’ny ezaka ara-môraly, hampitombo ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana :

Ny didy voalohany (“Ny Alahady sy ny andro fety hafa voadidy hohamasinina, tsy maintsy mandray anjara amin’ny Lamesa Masina sy hifady ny asam-panompoana ny mpino”) dia mitaky ny mpino hankamasina ny andro izay ankalazana ny fahatsiarovana ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona, tahaka izany koa ny fety lehibe litorzika izay anajana ny misterin’ny Tompo sy i Maria Virjiny Sambatra ary ny Olomasina rehetra, ka ny voalohany indrindra, dia ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana ny Eokaristia izay mamory ny Ankohonana kristianina, sy hanafa-tena amin’ireny asa sy raharaha izay manampontsampona tsotr’izao ny fankamasinana ireo andro ireo jer. CIC, can. 1246-1248; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 880, 3; can. 881, 1.2.4.. Ny didy faharoa (“Ny mpino rehetra dia tsy maintsy mikônfesy ny fahotany fara fahakeliny indray maka isan-taona”) no miantoka ny fiomanana amin’ny Eokaristia amin’ny alalan’ny fandraisana ny sakramentan’ny Fampihavanana, izay manohy ny asam-pibebahana sy famelan-keloky ny Batemy jer. CIC, can.989; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can.719.. Ny didy fahatelo (“Ny mpino rehetra dia tsy maintsy mandray ny Kômonio Masina fara fahakeliny isan-taona amin’ny Paka”) no miantoka ny faran’izay kely amin’ny fandraisana ny Vatana aman-dRan’ny Tompo mifandray amin’ireo fetin’ny Paka, fototra sy foiben’ny litorzia kristianina jer. CIC, can. 920; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 708; 881,3..

Ny didy fahefatra (“Amin’ireo andro fivalozana naraikitry ny Fiangonana, ny mpino dia tsy maintsy mifady hena sy mifehy tena amin’ny fifadian-kanina”) no miantoka ny fotoanan’ny famolahan-tena sy fivalozana izay manomana antsika amin’ny fety litorzika sy mandrisika antsika hahay mifehy ny tosi-kerim-panentana ao anatintsika sy ny fahafahan’ny fo jer. CIC, can. 1249-1251; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 882.. Ny didy fahadimy (“Ny mpino dia tsy maintsy miantoka ny fanampiana amin’izay ilain’ny Fiangonana”) no milaza fa ny mpino rehetra dia tsy maintsy miantoka ny fanampiana amin’izay ilain’ny Fiangonana na ara-bola na ara-pitaovana, ny tsirairay araka izay herim-pahazoany manao izany jer. CIC, can. 222; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 25; azon’ny Fivondronan’ny Eveka atao ny mandraikitra didy hafa ao amin’ny Fiangonana ho an’ny fari-piadidian’izy ireo; jer. CIC, can. 455..

III.Fiainana ara-môraly sy fijoroana ho misiônera

Ny tsy fivadihan’ny vita batemy no toe-piainana fototra amin’ny fitoriana ny Evanjely sy amin’ny fanirahana ny Fiangonana ho amin’izao tontolo izao. Mba hampiharihary eo anatrehan’ny olona ny herim-pahamarinan’ ny hafa-pamonjena sy ny fipariahany, dia adidin’ny kristianina ny manamarina an’izany amin’ny fijoroany ho vavolombelona. “Ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fiainana kristianina sy ny tsanganasa tontosaina amin’ny toe-panahy mihoatra ny natoraly dia tena manan-kery amin’ny fanintonana ny olona rehetra ho amin’ny finoana sy ho amin’ Andriamanitra” APL 6..

Satria ireo kristianina no rantsambatan’ny Vatana, izay i Kristy no Loha jer. Efez 1,22., dia mandray anjara amin’ny fandrafetana ny Fiangonana izy ireo, amin’ny alalan’ny faharetan’ny finoan’izy ireo sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tenan’izy ireo. Mihalehibe ny Fiangonana, mitombo sy miitatra amin’ny alalan’ny fahamasinan’ny mpinony jer. FF 39., mandra-pahatonga “ho olon-dehibe, mahatratra ny halehiben’i Kristy sy heniky ny hafenoany” (Efez 4,13).

Amin’ny alalan’ny fiainan’izy ireo araka an’i Kristy ny kristianina no manafaingana ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ny “Fanjakan’ny rariny, ny marina ary ny fiadanana” MR, Prefasy amin’ny fetin’i Kristy Mpanjaka.. Tsy mandao ny asa eto an-tany anefa izy ireo ; noho izy ireo matoky ny Mpampianany, dia amim-pahitsiana, faharetana sy fitiavana no anatontosany izany.

Ny fiainana ara-môraly dia fanompoam-pivavahana ara-panahy. Amin’ ny litorzia sy amin’ny fankalazana ny sakramenta no ahitan’ny asa amam-pitondran-tena kristianina ny sakafony.

Ny didin’ny Fiangonana dia mikasika ny fiainana ara-môraly sy ny maha-kristianina, miray amin’ny litorzia, ary amin’izany no ivelomany.

Ny Fahefan’ny mpitondra Fiangonana mampianatra momba ny môraly dia mazàna ampiasaina amin’ny katesezy sy amin’ny toriteny, miorina amin’ny Didy folo izay manambara ny fototry ny fiainana ara-môraly sahaza ny olona rehetra.

Ny Papa sy ny Eveka rehetra, amin’ny maha-mpampianatra marina azy ireo, no mitory amin’ny Vahoakan’Andriamanitra ny finoana izay tsy maintsy ekena sy ampiharina eo amin’ny fomba fiainana amam-pitondran-tena. Anjaran’izy ireo koa ny manambara ny hevitr’izy ireo mikasika ny môraly izay andraikitry ny lalàna voa-Janahary sy ny fisainana.

Ny fanomezam-pahasoavana momba ny tsy feteza-mandiso amin’ny Fahefa-mampianatra ananan’ny mpitondra Fiangonana dia manenika ireo singafototra rehetra amin’ny fitambaram-pampianarana, ao anatin’izany ny môraly, izay raha tsy misy an’ireny ny fahamarinana mahavonjy momba ny finoana, dia tsy mety ho voatahiry, voazava na voatandrina.

“Ry Mpampianatra ô, inona no tokony hataoko…?”

“Ry Mpampianatra ô, inona no tsara tokony hataoko hahazoana ny fiainana mandrakizay ?” Ny navalin’i Jesoa an’ilay tovolahy izay nametraka io fanontaniana io Taminy aloha, dia ny fanaingàna fa ilaina ny mankato an’Andriamanitra ho “hany Tsara”, ho Soa indrindra sy ho loharanon’ny soa rehetra. Avy eo, izao no nambaran’i Jesoa taminy : “Raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.” Dia notanisainy tamin’ity olona nifampiresaka Taminy ny didy mikasika ny fitiava-namana : “Tsy hamono olona ianao, tsy hijangajanga ianao, tsy hangalatra ianao, tsy hijoro ho vavolombelona tsy marina ianao, hajao ny rainao sy ny reninao.” Lafiny manentana ny tokony hanatanterahana azy no amintinan’i Jesoa ireo didy ireo amin’ny farany : “Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao” (Mt 19.16-19).

Ny valy faharoa fanampin’io valy voalohany io, dia hoe : “Raha te ho lavorary ianao, mandehana, amidio izay anananao ka omeo ny mahantra ny vidiny, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao ; rahefa izany, avia, araho Aho” (Mt 19,21). Tsy manafoana ny valy voalohany tsy akory ny valy faharoa. Ny fanatanterahana ny didy no fanarahana an’i Jesoa-Kristy. Tsy nofoanana ny Lalàna jer. Mt 5,17., fa ny olona no asaina mitady azy ao amin’ny Tenan’ilay Mpampianany, izay ao Aminy no lavorary ny fahatanterahan’ ny Lalàna. Ao amin’ny Evanjely telo sinôptika, ny antson’i Jesoa miantefa amin’ilay tovolahy mpanankarena mba hanaraka Azy araka ny fanekena maha-mpianatra sy amin’ny fitandremana ny didy, dia mifandray tendro amin’ny antso ho amin’ny fahantrana sy ny fahadiovam-pitiavana jer. Mt 19,6-12.21.23-29.. Ireo torohevitry ny Evanjely dia tsy azo sarahina amin’ny didin’Andriamanitra.

Noraisin’i Jesoa indray ny didy folo, saingy naharihariny ny herin’ny Fanahy miasa ao amin’ny teny tsirairay. Notorìny ny fahamarinana izay mihoatra noho ny an’ny mpahay lalàna sy ny Farisianina jer. Mt 5,20. mbamin’ny an’ireo jentily jer. Mt 5,46-47.. Novelabelariny izay rehetra takìn’ny didy : “Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Tsy hamono olona ianao… Fa izaho kosa milaza aminareo hoe : Na iza na iza mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny tribonaly” (Mt 5.21-22).

Raha nametrahana fanontaniana i Jesoa hoe : “Inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna ?” (Mt 22,36), dia izao no navaliny : “Ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo ; izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao : Ho tia ny namanao ianao tahaka ny tenanao. Ao amin’ ireo didy roa ireo no iankinan’ny Lalàna manontolo ary koa ny voalazan’ny Mpaminany” (Mt 22,37-40) jer. Det 6,5; Lev 19,18.. Amin’ny fitsilovan’io didim-pitiavana roa fa tokana ihany, izay hafenoan’ny Lalàna io, no tsy maintsy anazavana ny Didy folo :

Ny didy hoe : Tsy hijangajanga ianao ; tsy hamono olona ianao ; tsy hangalatra ianao ; tsy hitsiriritra ianao, mbamin’ny hafa rehetra, dia voafintina amin’ireto teny ireto hoe : Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao. Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana. Noho izany, ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany (Rôm 13,9-10).

Ny Didy folo ao amin’ny Soratra Masina

Ny teny hoe “Didy folo” dia midika ara-bakiteny hoe “teny folo” (Eks 34,28; Det 4,13; 10,4). Andriamanitra no nanambara tamin’ny vahoakany teo an-tendrombohitra masina, ireo “teny folo” ireo. Tamin’ny Rantsantanany no nanoratany an’ireo jer. Eks 31,18; Det 5,22., izay tsy mitovy amin’ireo didy hafa nosoratan’i Môizy jer. Det 31,9.24.. Ireo no mitambatra ho tenin’Andriamanitra amin’ny anarana ambony indrindra. Ao amin’ny bokin’ny Eksaody jer. Eks 20,1-17. sy ao amin’ny an’ny Deterônômy jer. Det 5,6-22. no nampitàna an’ireo amintsika. Nanomboka hatramin’ny Testamenta Taloha no nahatonga ireo “teny folo” jer. ohatra Ôs 4,2; Jer 7,9; Ezek 18,5-9. ireo ho fanovozan-kevitry ny boky masina, nefa ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao ao amin’i Jesoa-Kristy no voambara ny hevitra feno raketin’izy ireo.

Ny Didy folo aloha dia fantatra ao amin’ny tontolon’ny Eksaody izay fisehoam-panafahana lehibe nataon’Andriamanitra ho foiben’ny Fanekem-pihavanana Taloha. Na nosoratana ho didy milaza fandavana, fandraràna, na didy milaza fanekena (toy ny hoe : “Manajà ny rainao aman-dreninao”) aza ireo “teny folo” ireo, dia samy milaza ny fepetra amin’ny fiainana noafahana tamin’ny fanandevozan’ny fahotana. Lalam-piainana ny Didy folo :

Izany herim-panafahan’ny Didy folo izany, dia miseho, ohatra, ao amin’ ny didy momba ny fialan-tsasatra amin’ny sabata, natokana ihany koa ho an’ny vahiny sy ny andevo : “Tsarovinao : efa andevo ianao tany an-tany hafa. Ny Tompo Andriamanitrao no namoaka anao avy any, tamin’ny tanana mahery sy sandry nahinjitra” (Det 5,15).

Ny “teny folo” no mamintina sy milaza ampahibemaso ny Lalànan’ Andriamanitra : “Ireo no teny nolazain’ny Tompo taminareo, fony ianareo rehetra niangona teo an-tendrombohitra. Teo afovoan’ny afo, tao anatin’ny rahona sy ny haizina Izy no niteny taminareo tamin’ny feo mahery. Tsy nampiany na inona na inona izany ary nosoratany ireo tamin’ny takela-bato roa izay nomeny ahy.” (Det 5,19). Izany no niantsoana an’ireo takela-bato roa ireo hoe “ny Vavolombelona“ (Eks 25,16). Satria, ao no mirakitra ny fepetran’ny fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra sy ny vahoakany. Ireo “takela-bato Vavolombelona” ireo (Eks 31,18; 32,15; 34,29) dia tokony hapetraka ao anatin’ny “fiara” ( Eks 25,16; 40,1-3).

Ireo “teny folo” no notononin’Andriamanitra teo anivon’ny fisehoany (“Teo an-tendrombohitra, tao afovoan’ny afo, no niteny nifanatrika taminareo ny Tompo” : Det 5,4). Anisan’ny fanambaràna izay nataon’ny Tenan’Izy Andriamanitra sy avy amin’ny voninahiny ireo. Fanomezan’ny Tenan’Izy Andriamanitra sy ny sitrapony masina, ny fanomezana ny didy. Amin’ny fampahalalana ny sitrapony no anambaràn’Andriamanitra ny Tenany amin’ny vahoakany.

Anisan’ny fanekem-pihavanana namafisin’Andriamanitra tamin’ireo izay azy ny fanomezana ny didy sy ny lalàna. Araka ny bokin’ny Eksaody, ny fanambaràna ny “teny folo” dia nekena teo anelanelan’ny fanolorana ny fanekem-pihavanana jer. Eks 19. sy ny famaranana azy jer. Eks 24. – rahefa nampanantena ny vahoaka fa “hanao” izay rehetra voalazan’ny Tompo, ary hanaiky izany jer. Eks 24,7.. Tsy nampitaina na oviana na oviana ny Didy folo raha tsy taorian’ny fampahatsiarovana ny Fanekem-pihavanana (“Nanao fanekem-pihavanana tamintsika tao Hôreba ny Tompo Andriamanitsika” : Det 5,2).

Tao anatin’ny fanekem-pihavanana no nahazoan’ireo didy folo ny tena heviny feno. Araka ny Soratra Masina, ao amin’ny fanekem-pihavanana sy amin’ny alalany no ahazoan’ny asa amam-pihetsika ara-môraly ataon’ny olombelona ny heviny feno. Ny voalohany amin’ireo “teny folo” ireo dia mampahatsiaro fa ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany no voalohany :

Sazìm-pahotana no nisian’ny fialana tao am-paradisan’ny fahafahana ka nahatonga tao amin’ny fanandevozan’izao tontolo izao ; izany no nahatonga ny fehezan-teny voalohany amin’ny Didy folo, izay teny voalohany amin’ny didin’Andriamanitra, iompana amin’ny fahafahana : “Izaho no Tompo Andriamanitrao, izay namoaka anao avy tao amin’ny tany Ejipta, avy tao amin’ny trano fanandevozana” (Eks 20,2; Det 5,6) Origène, hom. in Ex. 8,1..

Ireo didy amin’ny maha-didy azy ireo no manaraka ato aoriana ; milaza tsy mivantana ny maha-an’Andriamanitra naorin’ny fanekem-pihavanana ireo didy ireo. Ny fiainana ara-môraly no valy amin’ny fialohavam-pitiavan’ny Tompo. Io fiainana ara-môraly io no fankasitrahana sy mari-panajana an’ Andriamanitra ary vavaka fisaorana Azy. Io no fiaraha-miasa amin’ny fandaharam-pamonjena izay tohizin’Andriamanitra eo amin’ny tantara.

Ny fanekem-pihavanana sy ny resaka ifanaovan’Andriamanitra sy ny olombelona dia mbola voamarina fa ny zavatra rehetra tsy maintsy atao dia voalaza amin’ny mpanao ny asa voalohany (“Izaho no Tompo…”) ary ampitaina amin’ny mpanao ny asa hafa (“Ianao …”). Ao amin’ireo didy rehetra an’Andriamanitra, ny mpisolo anarana manondro olona tokana no milaza ny andefasana. Niaraka tamin’izany koa, teo anivon’ny vahoaka rehetra Andriamanitra no nampahafantatra ny sitrapony tamin’ny tsirairay manokana :

Nandidy ny fitiavana an’Andriamanitra sy nampianatra ny rariny atao amin’ny namana ny Tompo, mba ho marina, na ho mendrika an’ Andriamanitra ny olombelona. Araka izany, nanomana ny olombelona tamin’ny alalan’ny Didy folo Andriamanitra mba ho tonga sakaizany sy tsy hanana afa-tsy fo tokana hiarahana amin’ny namany. (…) Ireo tenin’ny Didy folo dia mipetraka torak’izany koa eo amintsika (kristianina). Tsy foana velively ireo, fa mandray fanamafisana sy fivelarana noho ny fahatongavan’ny Tompo ao amin’ny nofo Md Irénée, haer. 4,16, 3-4..

Ny Didy folo ao amin’ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana

Ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana, amin’ny fitokiana ny Soratra Masina sy manaraka ny oha-piainan’i Jesoa, dia manaiky marina fa manan-danja sy dikany lehibe tokoa ny Didy folo.

Nanomboka tamin’ny andron’i Md Augustin, dia nitana toerana lehibe tokoa “ny didy folo”amin’ny katesezy ho an’ireo hatao batemy sy ny mpino. Tamin’ny taonjato faha-15, natao fahazarana ny milaza ny fampianaran’ny Didy folo narafitra ho rijan-teny miady rima, mora tadidina, ary azo antoka. Mbola ampiasaina izany ankehitriny. Matetika ny katesizin’ny Fiangonana no manazava ny môraly kristianina amin’ny fanarahana ny filaharan’ny “didy folo”.

Ny fitsinjarana sy ny fanisian-daharana ny didy folo dia niovaova teny am-pamakivakiana ny tantara. Ity katesizy ity no manaraka ny fizaràn’ny didy naraikitr’i Md Augustin sy tonga lovam-pampianarana ao amin’ny Fiangonana katôlika. Mitovy amin’izany koa ny an’ny foto-pinoana loterana. Hafa kely kosa ny fitsinjarana nataon’ny Aban’ny Fiangonana grika, izay hita ao amin’ny Fiangonana ôrtôdôksa sy ao amin’ireo ankohonam-piangonana prôtestanta.

Lazain’ireo didy folo ny fiambezoana ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Miompana bebe kokoa amin’ny fitiavana an’Andriamanitra ny telo voalohany, ary amin’ny fitiavana ny namana ny fito hafa. Tahaka ny fitiavana, misy didy roa izay ampifandraisan’ny Tompo amin’ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany (…), no nitsinjarana koa ireo didy folo amin’izy ireo samy izy ireo ho amin’ny takela-bato anankiroa. Ny telo voasoratra amin’ny takela-bato iray, ary ny fito amin’ny iray hafa Md Augustin, serm. 33,2..

Mampianatra ny Kônsily tao Trente fa mandidy ny kristianina ireo didy folo ary mbola voadidy hitandrina an’ireo ny olona nohamarinina jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ary manantitrantitra izany ny Kônsily Vatikana II hoe : “Ny Eveka, dimbin’ny apôstôly, dia nandray tamin’ny Tompo (…) ny fanirahana hampianatra ny firenena rehetra sy hitory ny Evanjely amin’ny voary manontolo, mba hahazoan’ny olona rehetra ny famonjena, amin’ny alalan’ny finoana, ny Batemy ary ny fantanterahana ireo didy” FF 24..

Ny maha-iray ny Didy folo

Iray tsy mivaky ny Didy folo. Ny “teny” (“didy”) tsirairay ao amin’ireo didy folo dia mifandray hevitra amin’ny didy tsirairay hafa sy amin’ny didy manontolo ; mifampiankina izy ireo. Mifanazava ny Takela-bato roa mirakitra ny Didy folo ; mirafitra ho amboaram-pitsipika iray izy ireo. Ny mandika didy iray, dia mandika ny hafa rehetra jer. Jak 2,10-11.. Tsy afaka hanaja ny hafa ny olona raha tsy midera an’Andriamanitra Mpahary azy. Tsy hahay hitsaoka an’Andriamanitra ny olona raha tsy tia ny olombelona rehetra zavaboariny. Ny Didy folo no mampiray ny fiainana araka an’ Andriamanitra sy ny fiainam-piaraha-monin’ny olombelona.

Ny Didy folo sy ny lalàna voa-Janahary

Anisan’ny fanambaràn’Andriamanitra ireo didy folo, sady mampianatra antsika koa ny tena maha-olombelona marina ny olombelona. Manazava ireo adidy fototra izy ireo, izay raha tsy nolazaina mivantana aza, dia tsy inona fa ireo zo fototra, avy amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona. Mirakitra fombam-piteny misy soa manokana avy amin’ny lalàna voa-Janahary ny Didy folo. Hatrany am-piandohana Andriamanitra no nampiorim-paka ireo didin’ny lalàna voa-Janahary tao am-pon’ny olombelona. Nianina tamin’ny fampahatsiarovana ireo taminy Izy aloha. Izay no Didy folo Md Irénée, haer. 4, 15, 1..

Nambaran’Andriamanitra ny baikon’ny Didy folo na dia takatry ny saina fotsiny izao aza. Nila izany fanambaràna izany ny olombelona mpanota, mba hahazoana ny fahalalana feno sy azo antoka momba ireo toetra takìn’ny lalàna voa-Janahary :

Nanjary nilaina ny fanazavana feno momba ny baikon’ny Didy folo, noho ny toe-pahotana nahatonga ny fahamaizinan’ny fahazavan-tsaina sy ny fivilian’ny sitrapo Md Bonaventure, sent. 3, 37, 1, 3..

Mahalala ny didin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanambaràny izay atolony antsika ao amin’ny Fiangonana, sy amin’ny alalan’ny feon’ny kônsiansy môraly.

Ny adidy takìn’ny Didy folo

Noho ireo didy folo milaza ny votoatin’ny adidin’ny olombelona amin’ Andriamanitra sy amin’ny namany, dia ambaran’izy ireo, ao amin’ny ventin-kevitra raketiny, ireo adidy lehibe takìny. Tsy miovaova mihitsy ireo didy folo ary manan-kery lalandava sy hatraiza hatraiza ireo adidy takìny. Tsy misy na iza na iza mety ho afaka miala amin’izany, satria didy naraikitr’ Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona ny didy folo.

Ny fanekena ny didy dia mitaky adidy, izay raha ny votoatin’ny maha-adidy azy, dia antonony ihany. Ohatra, raràn’ny didy fahadimy ny fanevatevana amin’ny fitenenana, nefa mety ho fahadisoana lehibe na tsia izany, arakaraka ny fisehon-javatra na ny eritreritr’ilay izay manevateva.

“Raha tsy Izaho, tsy mahefa na inona na inona ianareo”

Hoy i Jesoa : “Izaho no Voaloboka ; ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy, izy io no mamoa be ; satria raha tsy Izaho, tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Jo 15,5). Ny voa antsoina amin’izany teny izany dia ny fahamasinan’ny fiainana ampamokarin’ny firaisana amin’i Kristy. Raha mino an’i Jesoa-Kristy isika, miombona amin’ny misteriny ary mitandrina ny didiny, dia Izy Mpamonjy mihitsy no tonga hitia ao amintsika ny Rainy sy ny havana aman-tsakaizany, ny Raintsika sy ny havana aman-tsakaizantsika. Noho ny Fanahy Masina, manjary fitsipika velona sy ao anaty amin’ny asa amam-pihetsitsika ny Tenan’i Jesoa. “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny itiavako anareo” (Jo 15,12).

“Inona no tsara hataoko, mba hahazoako ny fiainana mandrakizay ? - Raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy” (Mt 19,16-17).

Tamin’ny asany sy tamin’ny toriteniny no nanamarinan’i Jesoa fa maharitra lalandava ny Didy folo.

Tao anatin’ny fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny vahoakany no nanomezany ny Didy folo. Ao amin’io fanekem-pihavanana io sy amin’ny alalany no ahazoan’ireo didin’ Andriamanitra ny heviny tena izy.

Ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana, amin’ny fitokiana ny Soratra Masina sy manaraka ny oha-piainan’i Jesoa, dia manaiky marina fa manan- danja sy dikany lehibe tokoa ny Didy folo.

Ny Didy folo dia mirafitra ho amboaram-pitsipika iray izay ny “teny” na “didy” tsirairay ao amin’izany dia mifandray amin’ny fitambaran’ny didy manontolo. “Ny mandika ny didy iray, dia mandika ny Lalàna manontolo” jer. Jak 2,10-11..

Mirakitra fombam-piteny misy soa manokana avy amin’ny lalàna voa-Janahary ny Didy folo. Tamin’ny alalan’ny fanambaràn’Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny sain’olombelona no nahalalantsika ny Didy folo.

Ny Didy folo dia manambara ireo adidy lehibe takìny, ao amin’ny ventin-kevitra raketiny. Kanefa, ny fanekena an’ireo didy ireo dia mitaky koa adidy izay raha ny votoatin’ny maha-adidy azy, dia antonony ihany.

Izay andidian’Andriamanitra, dia ataony azo tanterahina amin’ny alalan’ ny fahasoavany.

Nofintinin’i Jesoa amin’ity teny ity ireo adidin’ny olombelona amin’ Andriamanitra : “Ho tia ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo ianao” (Mt 22,37) jer. Lk 10,27: " …ny herinao rehetra ».. Io teny io moa dia mamerina izao dia izao avy hatrany ilay antso manetriketrika hoe : “Mihainoa, ry Israely : ny Tompo Andriamanitsika no ilay tokana” (Det 6,4). Andriamanitra no tia voalohany. Tsahivina ao amin’ny voalohany amin’ireo “teny folo” ny fitiavan’ilay Andriamanitra Tokana. Avy eo ireo didy no mampibaribary ny valim-pitiavana fa voantso hanome izany amin’ilay Andriamaniny ny olombelona.

1.Ny didy voalohany

I.“Hitsaoka ny Tompo Andriamanitrao ianao, ary hanompo Azy”

Mampahalala ny Tenany Andriamanitra amin’ny fampahatsiahivana ny asany manan-kery tsy misy fetra, feno fahalemem-panahy ary manafaka eo amin’ny tantaran’ilay izay itenenany hoe : “Izaho no nampivoaka anao avy any amin’ny tany Ejipta, toerana nanandevozana anao” (Det 5,6). Mirakitra ny didy voalohany amin’ny Lalàna ny teny voalohany : “Hitsaoka ny Tompo Andriamanitrao ianao, ary hanompo Azy ianao. (…) Tsy hanaraka andriamanitra hafa ianareo” (Det 6,13-14). Ny antso voalohany sy ny fitakiana araka ny rariny sy ny hitsiny ataon’ Andriamanitra dia ny handraisan’ny olombelona Azy sy ny hitsaohana Azy.

Manambara ny voninahiny amin’i Israely aloha ilay Andriamanitra tokana sady marina jer. Eks 19,16-25; 24,15-18.. Mifamatotra amin’ny fanambaràn’Andriamanitra ny fanambaràna ny fiantsoana ny olombelona sy ny fahamarinany. Ny olombelona dia manana ny fiantsoana haneho an’Andriamanitra amin’ny asa amam-pihetsiny mifanaraka amin’ny nahariana azy “mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra” (Jen 1,26) :

Tsy hisy na oviana na oviana Andriamanitra hafa, Tryphon, ary tsy nisy hafa, hatramin’ny taonjato mifandimby (…) afa-tsy ilay izay nanao sy nandamina an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao. Tsy mihevitra izahay fa samy hafa amin’ny anareo ny Andriamanitray. Izy io ihany no namoaka ny rainareo avy tao Ejipta “tamin’ny tanany mahery sy ny sandriny nahinjitra”. Tsy mametraka ny fanantenanay amin’ny hafa izahay, izay tsy misy izany akory, fa ao amin’ilay mitovy amin’ny anareo ihany, dia ilay Andriamanitr’i Abrahama, i Isaaka ary i Jakôba Md Justin, dial. 11, 1..

"Mirakitra ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana ny voalohany amin’ireo didy. Satria, izay miteny hoe Andriamanitra, dia miteny fisiana maharitra, tsy miovaova, mitovy lalandava, tsy mivadika, marina tanteraka tokoa. Koa izany indrindra no tsy maintsy anekentsika ny Teniny sy ananantsika finoana sy fitokiana tanteraka ao Aminy. Mahefa ny zavatra rehetra Izy, mamindra fo, mahavokatra soa tsy misy fetra. Iza no tsy hametraka ny fanantenany rehetra ao Aminy ? Ary iza no tsy ho tia Azy amin’ny fandinihana ny rakitry ny hatsaram-po sy fahalemem-panahy izay narotsany tao amintsika ? Avy amin’izany no ampiasan’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina, na eo am-panombohana izany, na eo am-pamaranana ireo didiny, ity rijan-teny ity hoe : Izaho no Tompo” Catech. R. 3, 2, 4..

Ny finoana

Amin’ny finoana an’Andriamanitra izay manambara ny fitiavany tamintsika no ahitan’ny fiainantsika ara-môraly ny loharano ipoirany. Lazain’i Md Paoly fa ny “fanekena ny finoana” (Rôm l,5; l6,26) no adidy aman’andraikitra voalohany. Ampahafantariny fa ny “tsy fahalalana an’Andriamanitra” no fototra sy anton’ny faharatsiam-pitondran-tena rehetra jer. Rôm 1,18-32.. Ny adidintsika amin’Andriamanitra dia ny mino Azy sy ny mijoro ho vavolombelony.

Ny didy voalohany dia mitaky amintsika ny hamelona sy hiaro amim-pahamalinana sy amim-piambenana ny finoantsika ary hanary izay rehetra mifanohitra amin’izany. Misy karazany samihafa ny fahotana manohitra ny finoana : Ny fisalasalana an-tsitrapo momba ny finoana, izay fanaovana an-tsirambina na fandavana ho marina izay nambaran’Andriamanitra sy izay atolotry ny Fiangonana hinoana. Ny fisalasalana tsy an-tsitrapo, izay mampiseho ny fihambahambana hino, ny fahasahiranana handresy ny sakana momba ny finoana na koa ny tebiteby ateraky ny fahamaizinan’ny finoana. Raha iniana itaizana ny saina ny fisalasalana, dia mety hitarika amin’ny fahajamban’ny fanahy.

Ny tsy fetezana hino, izay fanaovana an-tsirambina ny marina nambara na fandavana an-tsitrapo ny hankato izany. “Ny fampianaran-diso momba ny finoana, izay fandavana arahina di-doha, aorian’ny nandraisana ny Batemy, ny fahamarinana izay tokony itokiana amin’ny finoana an’ Andriamanitra sy ny finoana katôlika, na ny fisalasalana arahina di-doha ny amin’izany fahamarinana izany. Ny fivadiham-pinoana, izay fanariana manontolo ny finoana kristianina. Ny fisaraham-pinoana, izay fandavana hankato ny Papa na tsy hiombona amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana izay manaiky azy” CIC, can. 751..

Ny fanantenana

Raha nanambara ny Tenany sy niantso ny olombelona aza Andriamanitra, dia tsy afaka hanome valiny manontolo ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny herin’ny tenany ihany ny olombelona. Koa tsy maintsy manantena izy fa Andriamanitra no hanome azy ny herim-pahazoany mamaly fitia Azy amin’ izany, sy ny hery hanaovany ny asa amam-pihetsika mifanaraka amin’ny didim-pitiavany. Ny fanantenana dia fiandrasana amim-pitokiana ny fanambinan’ Andriamanitra sy ny fahitana Azy amim-pahasambarana ; ny fanantenana koa dia tahotra ny haniratsira ny fitiavan’Andriamanitra sy ny sazy mafy aterany.

Mahakasika koa ny fahotana manohitra ny fanantenana, ny didy voalohany, dia ny fanarian-toky sy ny fitokian-tena mihoa-pampana : Ny fanarian-toky no mahatonga ny olona tsy manantena intsony ny famonjen’Andriamanitra ny tenany, sy ny fitahiany mba hahazoana izany na ny famelany ny fahotana. Manohitra ny Hatsaram-pon’Andriamanitra sy ny Fahamarinany - satria tsy mivadika amin’ny fampanantenany ny Tompo - ary ny Famindram-pony izany.

Ny fitokian-tena mihoa-pampana, izay misy karazany roa : Na ny olona miantehitra irery amin’ny herim-pahaizany (amin’ny fanantenana fa ho afaka mamonjy tena tsy misy fanampiana avy any ambony), na izy diso miantehitra amin’ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an’Andriamanitra na ny famindram-pony (amin’ny fanantenana fa hahazo ny famindram-pony tsy mila fibebahana sy ny voninahitra tsy mila fahamendrehana ahazoam-balisoa).

Ny fitiavana

Ny finoana ao anatin’ny fitiavana an’Andriamanitra no ifonosan’ny antso sy ny adidy hamaly fitia an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana amin’ny fo madio. Ny didy voalohany no mandidy antsika ho tia an’ Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra sy ho tia ny zavaboary rehetra ho Azy sy noho Izy jer. Det 6,4-5..

Afaka manota amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, amin’ny fomba maro samihafa, ny olona. Toy izao avy izany : Ny tsy firaharahana, izany hoe ny manao tsinontsinona ny fitiavan’Andriamanitra na manamaivan-danja izany, hany ka tsy hahazoany hafaliana ny fitiavan’Andriamanitra sy toy ny tsy misy hery aminy. Ny tsy fankasitrahana, izany hoe ny manadino na ny mandà hankato ny fitiavan’Andriamanitra sy ny mandà hamaly fitia Azy. Ny fangatsiaham-po, izany hoe ny fisalasalana na ny fanaovana an-tsirambina amin’ny famaliana fitia an’Andriamanitra; mety hitarika ny fandavana hanolo-tena hoentanim-pitiavana izany. Ny rikorikom-panahy na hakamoam-panahy, izany hoe fandavana ny hafaliana avy amin’ Andriamanitra sy fandraisana ho zava-mahatsiravina ny soa avy Aminy. Ny fankahalana an’Andriamanitra avy amin’ny fiavonavonana. Manohitra ny fitiavan’Andriamanitra io fankahalana io, mandà ny hatsaram-panahy ary mitetika ny hanozona Azy noho Izy mandrara ny fahotana sy manafay amin’ny sazy.

II.“Aminy irery no hivavahanao”

Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, no mampahalala sy mamelona ny herim-panahy enti-mitondra tena. Araka izany, ny fitiavana no mahatonga antsika hanolotra amin’Andriamanitra izay tsy maintsy hataontsika Aminy araka ny rariny amin’ny maha-zavaboary antsika. Ny herim-panahy enti-mivavaka no mandrisika antsika amin’izany fihetsika atao izany.

Ny fitsaohana

Amin’ny herim-panahy enti-mivavaka, ny fitsaohana no asa atao voalohany. Ny mitsaoka an’Andriamanitra dia ny manaiky Azy ho Andriamanitra, ho Mpahary sy Mpamonjy, ho Tompo sy Mpandidy an’ izay rehetra misy, ho Fitiavana tsy misy fetra sy be indrafo. “Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao” (Lk 4,8 ), hoy i Jesoa, namerina ny tenin’ny Deterônômy (Det 6,13).

Ny mitsaoka an’Andriamanitra dia ny mahalala, ao anatin’ny fanajana sy ny fankatoavana tanteraka, “ny maha-tsinontsinona ny zavaboary” izay tsy misy raha tsy avy amin’Izy Andriamanitra. Ny mitsaoka an’Andriamanitra, dia ny manao tahaka an’i Maria, amin’ny Tonon-kirany (Magnificat), midera Azy, mankalaza Azy, sy manetry tena amin’ny fiekena sy fankasitrahana fa nanao zava-dehibe Izy ary masina ny anarany jer. Lk 1,46-49.. Ny fitsaohana an’ Andriamanitra tokana no manafaka ny olombelona amin’ny fiforetana amin’ny tenany ihany, amin’ny fanandevozan’ny fahotana ary amin’ny fanompoan-tsampin’izao tontolo izao.

Ny fivavahana

Tanteraka amin’ny fivavahana ny asan’ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana izay baikoin’ny didy voalohany. Ny fanandratana ny fanahy ho amin’Andriamanitra dia fomba iray amin’ny fitsaohantsika an’ Andriamanitra : vavaka fiderana sy fisaorana, fifonana sy fangatahana. Fomba fiainana tsy azo avela ny fivavahana mba hahafahana manaiky ny didin’Andriamanitra. “Tsy maintsy mivavaka lalandava, ary tsy tokony ho valaka sy tofoka na oviana na oviana” (Lk 18,1).

Ny sorona

Rariny sy hitsiny ny manolotra sorona amin’Andriamanitra ho famantaram-pitsaohana sy fankasitrahana, fitalahoana sy fiombonana : “Sorona marina tokoa ny asa rehetra atao mba hiraiketana amin’ Andriamanitra ao anatin’ny fiombonana masina sy mba ho sambatra” Md Augustin, civ. 10, 6..

Mba ho tena izy ny sorona hita maso, dia tsy maintsy ho fanehoana ny sorona ara-panahy : “Fanahy torotoro no sorona atolotro....” (Sal 51,19). Ny mpaminanin’ny Fanekem-pihavanana Taloha dia matetika nanome tsiny ny sorona natao tsy misy fandraisana anjara ao anaty jer. Am 5,21-25. na tsy misy fifamatorana amin’ny fitiavana ny namana jer. Iz 1,10-20.. Nampahatsiahy ny tenin’i Ôsea mpaminany i Jesoa hoe : “Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona” (Mt 9,13 ; 12,7) jer. Ôs 6,6.. Ny hany sorona lavorary dia izay natolotr’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana ho fanolorana manontolo amin’ny fitiavana ny Ray sy ho famonjena antsika jer. Heb 9,13-14.. Ny firaisantsika amin’ny sorona natolony no hahafahantsika manao ny fiainantsika ho sorona ho an’Andriamanitra.

Fanomezan-toky sy voady

Ny kristianina, amin’ny fisehon-javatra maro, dia voantso hanao fanomezan-toky amin’Andriamanitra. Ny Batemy sy ny Fankaherezana, ny Fanambadiana sy ny Filaharana masina dia misy izany lalandava. Amin’ny fitiavam-bavaka manokana, afaka manome toky an’Andriamanitra koa ny kristianina, na amin’ny asa izany, na amin’ny fivavahana, na amin’ny fiantrana, na amin’ny fivahiniana masina, sns. Ny tsy fivadihana amin’ny fanomezan-toky natao tamin’Andriamanitra no fanehoam-panajana tsy maintsy atao amin’ny Fiandrianan’ Andriamanitra sy amin’ny fitiavana Azy tsy mivadika.

“Ny voady, izany hoe ny fanomezan-toky amin’ny nahim-po sy amin-kalalahana atao amin’Andriamanitra amin’ny tsara azo atao sy tsaratsara kokoa dia tsy maintsy tanterahina amin’ny anaran’ny herim-panahy enti-mivavaka” CIC, can. 1191, §1.. Ny voady dia asa fitiavam-bavaka izay anokanan’ny kristianina ny tenany amin’Andriamanitra na ampanantenany Azy hanao asa soa iray. Noho izany, ny fanatanterahan’ ny kristianina ny voadiny no amerenany amin’Andriamanitra izay nampanantenainy Azy sy natokany ho Azy. Ny Asan’ny Apôstôly dia mampiseho amintsika an’i Md Paoly miahy ny fanatanterahana ny voady izay nataony jer. Asa 18,18; 21,23-24..

Eken’ny Fiangonana ny soatoavina fakan-tahaka amin’ny voady hampiharana ireo torohevitry ny Evanjely jer. CIC, can. 654. :

Mifaly ny Fiangonana Renintsika eo am-pahitana fa ao aminy dia betsaka ny lehilahy sy ny vehivavy te-hanara-dia akaikikaiky kokoa ny Mpamonjy, sy te-haneho mazavazava kokoa ny fanetren-tenan’ny Mpamonjy, amin’ny fiainana ny fahantrana ao anatin’ny fahafahan’ny zanak’Andriamanitra, sy amin’ny fandavana ny sitrapon’ny tena ; tsy iza izany fa ireo lehilahy sy ireo vehivavy manaiky hofehezin’olona araka an’Andriamanitra, eo am-pikatsahana ny fahalavorariana mihoatra noho izay takìn’ny didy, mba hanahaka tanteraka tokoa an’i Kristy fatra-panaiky FF 42..

Amin’ny toe-javatra sasany, azon’ny Fiangonana atao, amin’ny antony voalanjalanja, ny manafaka ny voady sy ny fanomezan-toky jer. CIC, can. 692; 1196-1197..

Adidin’ny fiaraha-monina momba ny fivavahana sy ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana

“Ny olombelona rehetra dia tsy maintsy mikatsaka ny fahamarinana, indrindra amin’izay mahakasika an’Andriamanitra sy ny Fiangonany ; ary rahefa mahafantatra izany izy ireo, dia hisafidy izany ka tsy hivadika aminy” FVA 1.. Avy “amin’ny toetra voa-Janahary maha-olona ny olona mihitsy” FVA 2. io adidy io. Tsy manohitra ny “fanajana amin-kitsim-po” ho an’ireo antokom-pivavahana samihafa anefa izany, “izay matetika mitondra tsiri-pahamarinana manazava ny olona rehetra” FFTK 2. ;tsy manohitra koa ny takìn’ny fitiavana izay manery ny kristianina “hanao asa amam-pihetsika ombàn’ny fitiavana, ny fahamalinana ary ny faharetana, eo anatrehan’ireo izay tafalatsaka ao anatin’ny hevi-diso na ao anatin’ny tsy fahalalana ny finoana” FVA 14..

Ny adidy amin’ny fanompoana marina an’Andriamanitra dia mahakasika ny olombelona amin’ny tenany manokana sy ao anatin’ny fiaraha-monina. Izany no “fitambaram-pampianarana katôlika nampitain’ny lovantsofina, momba ny adidy ara-môraly ho efain’ny olona sy ny fiaraha-monina ny amin’ny fivavahana marina sy ny Fiangonana tokan’i Kristy” FVA 1.. Amin’ny fitoriana tsy an-kijanona ny Evanjely amin’ny olombelona, dia miasa ny Fiangonana mba hahafahan’izy ireo “mampiditra hevitra kristianina amin’ ny toe-tsaina sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena, ny lalàna sy ny rafitry ny fiaraha-monina izay iainan’izy ireo” APL 13.. Ny adidy ara-piaraha-monin’ny kristianina dia ny manaja sy ny mitandrina ao amin’ny olona tsirairay ny fitiavana ny marina sy ny tsara. Takìna amin’izy ireo ny hampahalala ny fanompoam-pivavahana tokana sy marina izay misy ao amin’ny Fiangonana katôlika sy apôstôlika jer. FVA 1.. Voantso ho fahazavan’izao tontolo izao ny kristianina jer. APL 13.. Amin’izany ny Fiangonana no maneho ny fanjakan’i Kristy amin’ny voary manontolo, ary singanina manokana ny eo amin’ny fiaraha-monin’ny olombelona jer. Léon XIII, enc. "Immortale Dei"; Pie XI, enc. "Quas primas"..

“Raha ny amin’ny fivavahana, na iza na iza tsy azo terena hanao asa amam-pihetsika manohitra ny kônsiansiny, na sakanana tsy hiasa, ao anatin’ny fetra ara-drariny, hanaraka ny kônsiansiny amin’ny fiainana manokana na amin’ny fiainana ampahibemaso, irery na miaraka amin’ny hafa” FVA 2; FAA 26.. Zo miorina amin’ny toetra voa-Janahary maha-olona ny olona mihitsy izany, ka ny fahamendrehana no mampifikitra azy amin-kalalahana amin’ny fahamarinan’Andriamanitra izay mihoatra ambony dia ambony noho ny rafitra mora levona. Noho izany, io zo io dia “maharitra na dia eo amin’ireo izay tsy manefa ny adidy hikatsaka ny fahamarinana sy hifikitra amin’izany aza” FVA 2..

“Raha toa misy anton-javatra manokana miseho eo amin’ny vahoaka, ka nahazo fankatoavana manokana ara-panjakana,tamin’ny alalan’ny didim-pitsaràna eo an-toerana, ny fiorenan’ny antokom-pinoana iray, dia ilaina indrindra amin’ izay fotoana izay, ho an’ny olom-pirenena sy ny fikambanana rehetra ara-pinoana, ny mba hanekena sy hanajana ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana” FVA 6..

Ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana dia tsy hoe fahazoan-dalana ara-môraly hanaraka hevi-diso jer. Léon XIII, ans. "Libertas praestantissimum"., na zo hamorona hevi-diso jer. Pie XII, lahateny 6 desambra 1953., fa zo voa-Janahary maha-olona ny olona ho amin’ny fahafahan’olon-tsotra, izany hoe ho amin’ny fiarovan’ny lalàna avy amin’ny fahefam-pitondram-panjakana eo anatrehan’ny fanerena avy ety ivelany, ao anaty fetra ara-drariny, ny amin’ny fivavahana. Tsy maintsy ekena ho anisan’ny lalàm-panjakana eo amin’ny tany ama-monina io zo voa-Janahary io, araka ny zo ara-dalàna ananan’ny mpiara-monina jer. FVA 2..

Azo asiana fetra ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana jer. Pie VI, bref "quod aliquantum"., saingy tsy ferana amin’ny “didim-panjakana” novolavolaina tamin’ny fandinihana ara-java-misy fotsiny na ara-javaboary fotsiny jer. Piex IX, ans. "quanta cura".. Ny “fetra ara-drariny” izay tsy misaraka aminy dia tokony ho voafaritry ny fahendrena pôlitika amin’ny fipetraky ny toe-javatra tsirairay eo amin’ny fiaraha-monina, araka izay takìn’ny soa iombonana, sy eken’ny mpitondra firenena araka ny “lalàna mitandro ny zon’olombelona sy ny lalàm-pitondran-tena marina” FVA 7..

III.“Tsy hanana andriamanitra hafa eo anatrehako ianao”

Ny didy voalohany dia mandrara ny fanajana andriamanitra hafa afa-tsy ny Tompo Tokana izay nanambara ny Tenany tamin’ny vahoakany. Mandrara ny finoanoam-poana sy ny faniratsiram-pivavahana izy. Ny finoanoam-poana dia mampiseho amin’ny fomba ratsy mihoa-pampana mikasika ny fivavahana ; ny faniratsiram-pivavahana dia haratsiam-panahy mifanohitra amin’ny hatsaram-panahin’ny fivavahana.

Ny finoanoam-poana

Ny finoanoam-poana dia fivaonan’ny fiheverana momba ny fivavahana sy ny fahazotoa-mivavaka didiany hatao. Mety hahavoa koa ny fanompoam-pivavahana ataontsika amin’ilay Andriamanitra marina izany, ohatra, rahefa heverin’ny olona ho toy ny hery mazika ireny fomba amam-pihetsika sasany mikasika ny fivavahana ireny, ankoatra ny maha-ara-dalàna sy ny maha-tsy azo avela azy ireny. Ny mampifandray ny hery mahefa ananan’ny vavaka amin’ny fanaovana azy fotsiny na amin’ny famantarana ara-tsakramenta, ivelan’ny toe-panahy anaty takìn’izy ireny, dia mianjera ao anatin’ny finoanoam-poana jer. Mt 23,16-22..

Ny fanompoan-tsampy

Melohin’ny didy voalohany ny finoana an’andriamanitra maro. Takìny mba tsy hino andriamanitra hafa afa-tsy Andriamanitra ny olona, mba tsy hanasina andriamanitra tsy izy hafa afa-tsy ilay Tokana. Ny Soratra Masina dia mampahatsiahy lalandava io fandavana ny “sampy, volamena sy volafotsy, asan-tanan’olombelona” io, izy ireny izay “manam-bava nefa tsy miteny, mana-maso nefa tsy mahita”... Tsy mahasoa kely akory ireny sampy tsinontsinona ireny : “Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin’izay rehetra mitoky aminy !” (Sal 115,4-5.8) jer. Iz 44,9-20; Jer 10,1-16; Dan 14,1-30; Bar 6; Fah 13,1-15,19.. Andriamanitra, hafa lavitra noho izany kosa, no ilay “Andriamanitra velona” (Jôs 3,10) jer. Sal 42,3; sns., izay mamelona sy mirotsaka eo amin’ny tantara.

Tsy mikasika fotsiny ny fanompoam-pivavahana diso ataon’ny mpanompo sampy ny fanompoan-tsampy. Mijanona ho fakam-panahy lalandava amin’ ny finoana izy. Mifototra amin’ny fanaovana ho Andriamanitra an’izay tsy Andriamanitra izy. Misy ny fanompoan-tsampy manomboka amin’ny fotoana anomezan’ny olona voninahitra sy anajany fatratra ny zavaboary iray ho solon’Andriamanitra, ka mety ho andriamanitra kely izany na mety ho demony (ohatra : ny fanompoana an’i Satana sy ny ratsy), mety ho fahefana, mety ho fahafinaretana, mety ho firazanana, mety ho razana, mety ho Fitondram-panjakana, mety ho vola, sns... “Tsy afaka hanompo an’Andriamanitra sy i Mammon ianareo”, hoy i Jesoa (Mt 6,24). Martiry maro be no maty noho izy ireo tsy niankohoka tamin’ “ilay Biby” jer. Apôk 13-14., na dia ny haneho amin’ny sarim-panompoana azy ihany aza. Mitsipaka ny maha-Tompo tokana an’Andriamanitra ny fanompoan-tsampy, noho izany, tsy mety mifanaraka amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra jer. Gal 5,20; Efez 5,5..

Mikambana amin’ny fitsaohana an’ilay Tokana ny fiainan’ny olombelona. Ny didy mba hitsaoka ny Tompo tokana dia mahatsotra ny olona sy miaro azy amin’ny fiparitahana tsy misy farany. Faharatsiana manimba ny filan’ ny olona hivavaka izay efa tao aminy hatrany am-bohoka, ny fanompoan-tsampy. Ny mpanompo sampy dia ilay izay “mampirona ny fahalalany amin’izao zavatra rehetra tsy misy dikany izao, toy izay amin’ny fahalalana tsy mety levona momba an’Andriamanitra” Origène, Cels. 2,40..

Sikidy amam-panandroana sy mazia

Afaka manambara ny hoavy amin’ny mpaminaniny na amin’ny olomasina hafa Andriamanitra. Kanefa ny toetra kristianina marina dia ny mametraka ny fitokiana ny ho avy eo ambany Fitahian’ Andriamanitra, ka miala amin’ ny fahalianan-kahalala rehetra manimba momba izany. Saingy ny tsy fitsinjovana ny hoavy kosa dia mety ho anisan’ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra.

Tsy azo ekena avokoa ny sikidy amam-panandroana sy izay fomba rehetra miendrika izany : fangataham-bonjy amin’i Satàna na amin’ireo demony, fiantsoana ny maty na ireo fomba amam-pihetsika hafa misandoka ho “mahalala” ny hoavy jer. Det 18,10; Jer 29,8.. Ny fizahana vintana (horoscope), ny fanandroana atao amin’ny fandinihana ny antokon-kintana (astrologie), ny fanandroana amin’ny fijerena bika aman-tsipitsipika eo amin’ny felatanana (chiromancie), ny fanazavana ny fambara miseho, ny fanazavana ny vintana, anjara, lahatra, mosavy, ny faminaniana amin’ny fisehon-javatra mahazendana, ny fitadiavam-bonjy amin’ny mpamoha angatra ; ireo rehetra ireo dia mirakitra hery mangeja eo amin’ny fotoana, eo amin’ny tantara ary farany eo amin’ny olombelona, sady koa mirakitra faniriana hihavana amin’ireo hery miafina. Ireo rehetra ireo dia zava-manohitra ny fitokiana an’Andriamanitra sy ny voninahiny ary ny fanajana Azy, izay tokony hotanterahintsika Aminy irery ao anatin’ny fahatahorana Azy amim-pitiavana.

Ny fomba amam-pihetsika rehetra fanaovana mazia na famosaviana, izay amin’ny alalan’ireny no hihamboan’ny olona hamolahany ny hery miafina mba hampiasany azy ireny sy hahazoany fahefana mihoatra ny herin’ olombelona eo amin’ny namana – mba hanomezana azy fahasalamana hono –, dia manohitra mafy ny herim-panahy enti-mivavaka. Mbola azo melohina mafimafy kokoa ireo fomba amam-pihetsika ireo rahefa ombàm-pikasana hanimbàna ny hafa na hangataham-pitahiana amin’ny fanampian’ ny demony. Ny fitondrana ody atao fiaro koa dia mahadiso. Ny famohazana angatra dia matetika mitarika fanaovana sikidy amam-panandroana na mazia. Koa mampitandrina ny mpino ny Fiangonana hiaro tena tsy ho azon’ireny. Ny fanatonana any amin’ny fitsaboana antsoina hoe nentim-paharazana dia tsy mahadiso raha tsy misy fiantsoana ny herin’ny ratsy, na fanararaotana ny mahamora mino ny hafa.

Ny faniratsiram-pivavahana

Manameloka ny fahotana fototry ny faniratsiram-pivavahana ny didy voalohany : ny fakàna fanahy an’Andriamanitra, amin’ny teny na amin’ny atao, ny sakrilezy ary ny simônia.

Ny fakàna fanahy an’Andriamanitra, dia ny fitsapan-toetra ny hatsaram-pony sy ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy, amin’ny teny na amin’ ny atao. Tahaka izany no nirìn’i Satàna ho azo avy amin’i Jesoa hitsambikina avy eny an-Tempoly, sy hanery an’Andriamanitra hiasa amin’io fihetsika io jer. Lk 4,9.. Notoherin’i Jesoa izy tamin’ny Tenin’Andriamanitra hoe : “Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao” (Det 6,16). Ny fihantsiana raketin’ny fakàna fanahy an’Andriamanitra toy izany no manimba ny fanajana sy ny fitokiana tokony ataontsika amin’ny Mpahary antsika sy Tompontsika. Mampiditra lalandava ny fisalasalana ny amin’ny fitiavany, ny fitahiany ary ny heriny izany jer. 1 Kôr 10,9; Eks 17,2-7; Sal 95,9..

Ny sakrilezy dia ny mametaveta na ny mandray tsy amim-pahamendrehana ny sakramenta sy ny asa litorzika hafa rehetra, tahaka izany koa ny olona, ny zavatra ary ny toerana natokana ho an’ Andriamanitra. Fahotana lehibe ny sakrilezy, indrindra rahefa atao amin’ny Eokaristia, satria amin’io sakramenta io, ny Tenan’i Kristy mihitsy no eo amintsika ara-pisia-maha-izy jer. CIC, can. 1367; 1376..

Ny hoe simônia jer. Asa 8,9-24. dia fivarotana na fividianana zavatra ara-panahy. Tamin’ i Simôna mpanao mazia, izay naniry hividy ny fahefana ara-panahy hitany tamin’ny asa nataon’ireo apôstôly, dia novalian’i Piera hoe : “Vereza miaraka aminao ny volanao, fa sahy atakalonao vola ny fanomezan’ Andriamanitra” (Asa 8,20). Izany dia nampifanarahany tamin’ny tenin’i Jesoa hoe: “Nomena maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana” (Mt 10,8) jer. efa hita ao amin’i Iz 55,1.. Tsy azo atao ny mihambo ho tompon’ny soa aman-karena ara-panahy sy ny mitondra tena ho mpanana an’ireny na tompony, satria ao amin’Andriamanitra ny loharano ipoiran’ireny. Ny azon'ny olona atao dia ny mandray maimaim-poana an’ireny avy Aminy.

“Ivelan’ny tolotra nofaritan’ny mpitondra manapaka izany, ny mpandraharaha masina dia tsy hangataka na inona na inona ho amin’ny fitantanan-draharaha momba ny sakramenta, amin’ny fiahiana lalandava mba tsy noho ny tsy fananan’ireo olo-mahantra no hanakana azy ireo amin’ny famonjen’ny sakramenta” CIC, can. 848.. Ny mpitondra manapaka izany no mametra ireny “tolotra” ireny araka ny fitsipika fototra, mba ny vahoaka kristianina no tokony hiantoka ny famelomana ireo mpandraharaha masin’ny Fiangonana. Fa “mendrika ny karamany ny mpiasa” (Mt 10,10) jer. Lk 10,7; 1 Kôr 9,4-18; 1 Tim 5,17-18..

Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra

“Betsaka amin’ny mpiara-belona amintsika no tsy mahatsapa velively na manohitra an-kitsirano tsotr’izao ny fifandraisana am-po lalina sy lehibe indrindra izay mampiray ny olombelona amin’Andriamanitra, hany ka ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra no anisan’ireo zava-misy tena mamohehatra tokoa amin’izao androntsika izao” FAA 19,§1..

Maro samihafa tokoa ny fisehon’ny endri-javatra mikasika ny antsoina hoe tsy finoana ny fisian’Andriamanitra. Ny endrika miseho matetika amin’izany dia ny firehan-kevitry ny mpifikitra amin’ny ara-batana izay mametra ny filany sy ny firehetam-paniriany amin’ny fitoerana sy amin’ny fotoana. Ny fampianarana mandala ny maha-olombelona mpandà ny fisian’Andriamanitra dia mifikitra amin’ny hevi-diso fa “ho an’ny tenan’ny olombelona ihany ny tanjom-piainany, hany fototra mpanao sy zanahary kelin’ny tantarany” FAA 20,§1.. Ny endrika iray hafa miseho amin’ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra ankehitriny dia ny miandry fanafahana ny olombelona amin’ny fanafahana ara-piharian-karena sy ara-tsôsialy izay “toherin’ny fivavahana, hono, satria raha mampanantena ny fiainan-ko avy ho an’ny olombelona ny fivavahana, dia sady mampanantena azy ny tsy misy no mamily azy tsy hanorim-ponenana eto an-tany” FAA 20,§2..

Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra, noho izy manohitra na mandà ny fisian’Andriamanitra, dia fahotana manohitra ny herim-panahy enti-mivavaka jer. Rôm 1,18.. Mety hihena be dia be arakaraka ny fikasana sy ny fisehon-javatra ny maha-meloka avy amin’io fahadisoana io. Amin’ny fiforonan’ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra sy ny fielezany, “mety hanana anjara fahadisoana amin’izany ireo mpino, izay tsy azo atao hoe bitika, arakaraka, noho ny fanaovana an-tsirambina ny fanabeazana ara-pinoana, noho ny foto-pampianarana tsy ambara araka ny tena izy, ary koa noho ny fihenan’ ny herin’izy ireo amin’ny fiainana ara-pivavahana, ara-môraly ary ara-tsôsialy, izay azo lazaina fa anakonan’izy ireo ny tena endrik’ Andriamanitra marina sy ny finoana, fa tsy hampisehoan’izy ireo izany akory” FAA 19,§3..

Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra dia matetika miorina amin’ny fisainana diso momba ny fahazakan-tenan’ny olombelona irery, izay tonga hatramin’ny fandavana ny fiankinana rehetra amin’ Andriamanitra jer. FAA 20,§1.. Kanefa, “tsy manohitra velively ny fahamendrehan’ny olombelona ny fanekena an’Andriamanitra, satria ao amin’ Andriamanitra rahateo no misy an’io fahamendrehana io, ary Izy no manorina izany sy manatanteraka izany” FAA 21,§3.. Fantatry ny Fiangonana “fa mifanaraka amin’ny tsiambaratelo miafina ao am-pon’ny olombelona ny hafatra entiny” FAA 21,§7..

Ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra

Endrika maro no isehoan’ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra. Amin’ny sehon-javatra sasany, tsy mandà an’Andriamanitra ny mpandà ny fahalalana an’Andriamanitra ; mifanohitra amin’izany aza ny tadiaviny, dia ny fisian’ny olona iray mihoatra ny tsapa sy ny hita izay tsy afaka hampahafantatra ny tenany, ary tsy misy na iza na iza hahay hilaza izany. Amin’ny sehon-javatra hafa, ny mpandà ny fahalalana an’Andriamanitra dia tsy manambara ny heviny momba ny fisian’Andriamanitra, amin’ny filazana fa tsy vita ny manaporofo izany, ary tsy vita koa na ny manamarina na ny mandà izany.

Indraindray ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra dia mety hirakitra fikatsahana an’Andriamanitra ihany, nefa koa mety hampiseho ny tsy firaharahana Azy, ny fihodivirana manoloana ny fanontaniana saro-baliana momba ny fisiany, ary ny fahalainan’ny kônsiansy môraly. Matetika tokoa ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra no mitovy amin’ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra, amin’ny fomba amam-pihetsika.

IV.“Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”

Mandrara ny fanehoana rehetra an-tsary an’Andriamanitra ataon’ny tanan’ olombelona, ny didy avy Aminy. Manazava ny Deterônômy hoe: “Satria tsy nahita endrika velively ianareo, tamin’ny andro nitenenan’ny Tompo taminareo, tany Hôreba, teo afovoan’ny afo, dia tandremo sao miharatsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra mampiseho Azy na inona na inona ...” (Det 4,15-16). Ilay Andriamanitra Ambony tsy taka-polopolorina tanteraka no nanambara ny Tenany tamin’i Israely. “Izy no zavatra rehetra”, nefa koa “ambony noho ny asany rehetra Izy” (Ekl 43,27-28). “Izy rahateo no loharanon’ny hatsara rehetra amin’ny zavaboary” (Fah 13,3).

Kanefa, hatramin’ny Testamenta Taloha Andriamanitra no nandidy na nanome lalana ny famoronana sary izay hitarika amim-panehoana an’ ohatra ho amin’ny famonjen’ny Teny tonga nofo : tahaka izany ny bibilava varahina jer. Fan 21,4-9; Fah 16,5-14; Jo 3,14-15., ny fiaran’ny fanekena ary ny kerôbima jer. Eks 25,10-22; 1 Mpanj 6,23-28; 7,23-26..

Miorina amin’ny misterin’ny Teny tonga nofo no nanamarinan’ny Kônsily ekiomenika fahafito tao Nicée (taona 787) ny fanajana am-bavaka ny sarimasina, hanoherana ny mpanohitra izany : ny sarimasin’i Kristy, nefa koa ny an’ny Renin’Andriamanitra, ny anjely ary ny olomasina rehetra. Tamin’ny fahatongavana ho nofo, no nisantaran’ny Zanak’Andriamanitra ny “fitantanam-pamonjena” vaovao momba ny sary.

Tsy manohitra ny didy voalohany izay mandrara ny sampy, ny fanajana am-bavaka ataon’ny kristianina amin’ny sary. Satria, “ny fanajana atao amin’ny sary dia fanajana ilay olona voaseho amin’izany” Md Basile, Spir. 18, 45., ary, “na iza na iza manaja ny sary dia manaja ny olona izay voaseho ao amin’izany” Kôns. Nisea II: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. Kôns. Vatikana II: L 125; FF 67.. Ny fanajana atao amin’ny sary masina dia “fanajana mendri-kaja” fa tsy fitsaohana izay tsy sahaza afa-tsy amin’Andriamanitra irery :

Ny mari-panajana ara-pivavahana atao dia tsy mivantana amin’ny sary amin’ny tena maha-sary tokoa azy, fa mijery azy amin’ny endrika asehon’ny sary izay mitarika antsika mankany amin’Andriamanitra tonga nofo. Ary amin’izany ny fihetsika izay avantana amin’ny sary amin’ny maha-sary azy, dia tsy miantefa sy mijanona aminy, fa mankamin’ilay tena izy asehon’ilay sary Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 81, 3, ad 3..

“Ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao, amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny herinao manontolo” (Det 6,5).

Ny didy voalohany dia miantso ny olombelona hino an’Andriamanitra sy hanantena Azy ary ho tia Azy mihoatra noho ny zavatra rehetra.

“Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao” (Mt 4,10). Ny mitsaoka an’ Andriamanitra, ny mivavaka Aminy, ny manome haja izay Azy, ny manatanteraka ny fampanantenana sy ny voady natao taminy, dia asan’ny herim-panahy enti-mivavaka izay mifandraika amin’ny fankatoavana ny didy voalohany.

Mahakasika ny olombelona amin’ny tenany manokana sy ao anatin’ny fiaraha-monina, ny adidy amin’ny fanompoana marina an’Andriamanitra.

Ny olona dia “tokony ho afaka haneho amin-kalalahana ny finoana amam-pivavahana, na ampahibemaso na tsy ampahibemaso” FVA 15..

Fiviliam-panompoana izay ataontsika amin’ilay Andriamanitra marina ny finoanoam-poana. Miseho amin’ny fanompoan-tsampy izany, ary koa amin’ny endrika samihafa miseho amin’ny sikidy amam-panandroana sy ny mazia.

Ny fakàna fanahy an’Andriamanitra amin’ny teny na amin’ny atao, ny sakrilezy, ny simônia, dia fahotana avy amin’ny faniratsiram-pivavahana voararan’ny didy voalohany.

Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra, noho izy manohitra na mandà ny fisian’Andriamanitra, dia fahotana manohitra ny didy voalohany.

Ny fanajana am-bavaka ny sary masina, dia miorina amin’ny misterin’ny Fahatongavan’ny Tenin’Andriamanitra ho Nofo. Tsy mifanohitra velively amin’ny didy voalohany izany.

2.Ny didy faharoa

I.Masina ny Anaran’ny Tompo

Mandidy hanaja ny Anaran’ny Tompo ny didy faharoa.Toy ny didy voalohany, miankina amin’ny herim-panahy enti-mivavaka ny didy faharoa sy manitsy amin’ny fomba manokana ny fampiasantsika ny fiteny momba ny zava-masina.

Amin’ireo teny rehetra momba ny Fanambaràn’Andriamanitra, misy anankiray miavaka dia ny fanambaràna ny Anarany. Ankinin’ Andriamanitra amin’ireo izay mino Azy ny Anarany ; manambara ny Tenany amin’izy ireo ao amin’ny misteriny manokana Izy. Anisan’ny didy momba ny tsiambaratelo sy ny fiainana manokana ny fanomezana anarana. “Masina ny Anaran’ny Tompo.” Izany no antony tsy hahazoan’ny olombelona manonom-poana Azy. Manana adidy izy hitadidy izany ao anatin’ny fanginam-pitsaohana amam-pitiavana jer. Zak 2,17.. Tsy azony ampiasaina amin’ny fiteniny io Anarana io, raha tsy hoe hisaotra Azy, hidera Azy ary hankalaza Azy jer. Sal 29,2; 96, 2; 113,1-2..

Ny fanajana atao amin’ny Anaran’Andriamanitra dia maneho ny fanajana izay tokony hatao amin’ny misterin’ny Tenany sy amin’ny zava-masina rehetra izay ampahatsiahivin’izany mistery izany. Miankina amin’ny herim-panahy enti-mivavaka ny fieritreretana zava-masina :

Fihetseham-po kristianina ve sa tsia ny fihetseham-po amin’ny fahatahorana sy amin’ny zava-masina ? Tsy misy olona mety hisalasala amin’izany raha misaina tsara izy. Ireo no fihetseham-po mety hananantsika, ary amin’ny heriny mafimafy kokoa, raha mahazo fahitana an’Andriamanitra avo indrindra isika. Ireo no fihetseham-po mety hananantsika raha “mahazo an-tsaina mazava” ny maha-eo Azy isika. Arakaraka ny inoantsika fa eo Izy no tokony hananantsika ireny fihetseham-po ireny. Ny tsy manana azy ireny, dia tsy mahazo an-tsaina velively, tsy mino velively fa eo Izy Newman, par. 5, 2..

Tsy maintsy mijoro vavolombelon’ny Anaran’ny Tompo ny mpino, amin’ ny fanambaràny ampahibemaso ny finoany tsy hanaiky ho resin-tahotra jer. Mt 10,32; 1 Tim 6,12.. Ny asan’ny fitorian-teny sy ny asan’ny katesezy dia tokony ho heniky ny fitsaohana sy ny fanajana ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Mandrara ny fanaranam-po amin’ny Anaran’Andriamanitra ny didy faharoa, izany hoe ny fampiasana rehetra tsy mendrika ny Anaran’ Andriamanitra, ny Anaran’i Jesoa-Kristy, ny anaran’i Maria Virjiny ary ny anaran’ny olomasina rehetra :

Ireo fampanantenana atao amin’ny hafa amin’ny Anaran’ Andriamanitra dia mametraka ho antoka ny hajan’Andriamanitra, ny tsy fivadihany, ny hamarinany ary ny fahefany amin’ny fanatanterahana izany. Tokony hajaina amim-pahamarinana ireny. Ny mivadika amin’izany, dia manararao-dratsy ny fampiasana ny Anaran’ Andriamanitra, izany hoe manao an’Andriamanitra ho mpandainga jer. 1 Jo 1,10..

Manohitra mivantana ny didy faharoa ny faniratsirana. Fanononan-teny manohitra an’Andriamanitra izany – ao an-tsaina, ao am-po na ety ivelany – teny fankahalana, teny fanomezan-tsiny, teny fihantsiana, hitenenan-dratsy an’Andriamanitra, tsy hanajana Azy amin’ny teny aloaky ny vavan’ ny tena, hanararaotana ny fampiasana ny Anaran’Andriamanitra. Manome tsiny “ireo izay miteny ratsy ny Anarana tsaran’i Jesoa izay niantsoana azy ireo” i Md Jakôba (Jak 2,7). Miitatra hatramin’ny teny enti-manohitra ny Fiangonan’i Kristy, ny olomasina, ny zavatra masina, ny fandraràna ny fitenenan-dratsy an’Andriamanitra. Mbola faniratsirana koa ny mampiasa ny Anaran’Andriamanitra mba hanarontsaronana ny fomba amam-pihetsika mahameloka, hampanekena ny vahoaka ho amin’ny fanandevozana, hampijalijaliana na hamonoana ho faty. Mahatonga fandavana ny fivavahana ny fanararaotana amin’ny fampiasana ny Anaran’ Andriamanitra mba hanaovana heloka iray. Manohitra ny fanajana tokony hatao amin’Andriamanitra sy amin’ny Anarany masina ny faniratsirana. Koa fahotana lehibe ny faniratsirana amin’ny maha-faniratsirana azy jer. CIC, can. 1369..

Ny fiozonana, izay mampiditra ny Anaran’Andriamanitra, na dia tsy manana eritreritra haniratsira aza, dia tsy fanajana ny Tompo. Raràn’ny didy faharoa koa ny fampiasana ny Anaran’Andriamanitra ho toy ny mazia. Lehibe ny Anaran’Andriamanitra eo amin’izay manonona Azy amin’ny fanajana sahaza ny halehibeny sy ny Fahamboniany. Masina ny Anaran’ Andriamanitra eo amin’izay manonona Azy amim-panajana sy tahotra ny hanevateva Azy Md Augustin, serm. Dom. 2, 5, 19..

II.Ny Anaran’ny Tompo tonontononim-poana

Mandrara ny fianianana tsy marina ny didy faharoa. Ny mianiana na miozona, dia ny maka an’Andriamanitra ho vavolombelon’izay lazain’ny tena fa marina tokoa. Izay ilay antsoina hoe miantso porofo ny hamarinan’ Andriamanitra ho antoky ny hamarinan’ny tena. Mametraka ny anaran’ny Tompo ho antoka ny fianianana. “Ny Andriamanitrao no hatahoranao, Izy no hotompoinao ; amin’ny anarany no hianiananao” (Det 6,13).

Adidy amin’Andriamanitra ny mandà ny fianianana tsy marina. Amin’ny maha-Mpahary sy Tompo an’Andriamanitra, dia Izy no fitsipiky ny fahamarinana rehetra. Mifanaraka na mifanohitra amin’Andriamanitra izay Fahamarinana rahateo ny tenin’olombelona. Manazava ny fifandraisan’ny tenin’olombelona amin’ny fahamarinan’Andriamanitra ny fianianana raha toa ka marina sy araka ny hitsiny. Miantso an’Andriamanitra hanaporofo lainga ny fianianana tsy marina.

Antsoina hoe mianian-tsy to ilay izay manao fampanantenana amim-pianianana, nefa tsy eritreretiny hotanterahina akory, na izay avy nampanantena nombam-pianianana, nefa tsy nanatanteraka izany velively. Anisan’ny tsy fahampiam-panajana lehibe an’ilay Tompon’ny teny rehetra ny fianianan-tsy to. Manohitra ny fahamasinan’ny Anaran’ Andriamanitra ny mampanantena arahim-pianianana hanao asa ratsy iray.

Namelabelatra ny didy faharoa tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra i Jesoa : “Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: "Tsy hianiana tsy to ianao, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao." Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory (...). Aoka ny teninareo ho : "Eny, dia eny", "Tsia, dia tsia" : izay lazaina mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy” (Mt 5,33-34.37) jer. Jak 5,12.. Ampianarin’i Jesoa fa ny fianianana rehetra dia ao anatin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ka tokony hohajaina amin’ny teny rehetra ny fisian’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Ny mahatam-bava amin’ny fangataham-bonjy amin’Andriamanitra eo amin’ny fiteny dia mitovy amin’ny fitandremana amim-panajana ny fisiany, manamarina na manevateva, amin’ny filazam-pahamarinana tsirairay ataontsika.

Ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana, manaraka ny nataon’i Md Paoly jer. 2 Kôr 1,23; Gal 1,20., dia mahatakatra an-tsaina fa tsy manohitra ny tenin’i Jesoa ny manao fianianana, rahefa atao noho ny antony lehibe sy rariny (ohatra : eo anatrehan’ny tribonaly). “Ny fianianana, izany hoe ny filazana ny Anaran’ Andriamanitra ho vavolombelon’ny fahamarinana, dia tsy mety haseho afa-tsy amin’ny fahamarinana, omban’ny fahaiza-mandanjalanja ary araka ny rariny sy ny hitsiny” CIC, can. 1199, §1..

Ny fahamasinan’ny Anaran’Andriamanitra dia mitaky ny tsy hangataham-bonjy Aminy amin’ny zavatra tsinontsinona, sy ny tsy hianianana amin’ny fisehon-javatra mety hampahatonga hilaza Azy ho toy ny fankasitrahana ny fahefana izay mety hitaky izany amin’ny fomba tsy ara-drariny. Raha mpitondra tsy ara-dalàna eo amin’ny firenena no mitaky fianianana, dia azo lavina. Tsy maintsy lavina ny manao fianianana, raha toa ka angatahina ho amin’ny tanjona manohitra ny fahamendrehan’ny olona na ny fiombonan’ ny Fiangonana.

III . Ny anarana kristianina

Omena “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28,19) ny sakramentan’ny Batemy. Amin’ny Batemy, ny Anaran’ny Tompo no manamasina ny olona ary ao amin’ny Fiangonana no mandray ny anarany ny kristianina. Izany dia mety ho anaran’olomasina, izany hoe mpianatra iray izay niaina ny fiainana tsy mivadika nalaina tahaka tamin’ny Tompony. Ny fitondrany ny anaran’ny olomasina no manome môdelim-pitiavana sy miantoka amin’ny fanelanelanany. Ny “anarana amin’ny Batemy” dia mety maneho koa ny mistery kristianina na ny hatsaram-panahy kristianina. “Ny ray aman-dreny niteraka, ny mpiantoka ary ny Pretra mpiandraikitra voalohany ny paroasy dia hitandrina mba tsy hanome fanampin’anarana hafahafa ny maha-kristianina” CIC, can.855..

Atomboky ny kristianina amin’ny famantarana ny Hazofijaliana, “amin’ ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen”, ny androny, ny fivavahany ary ny ataony. Manokana ny andro ho voninahitr’ Andriamanitra ny vita batemy, sy miantso ny fahasoavan’ny Mpamonjy, izay ahafahany manao asa amam-pihetsika ao amin’ny Fanahy amin’ny maha-zanaky ny Ray azy. Ny famantarana ny Hazofijaliana no mampahery antsika handresy ny fakam-panahy sy ny zava-manahirana.

Antsoin’Andriamanitra amin’ny anarany avy ny olona tsirairay jer. Iz 43,1; Jo 10,3.. Masina ny anaran’ny olona rehetra. Ny anarana no sarimasin’ny maha-olona. Mila fanajana izany, ho mariky ny fahamendrehan’ilay izay mitondra azy.

Anarana ho amin’ny mandrakizay ny anarana nomena ny olona. Any amin’ny fanjakan’Andriamanitra, ny toetra mistery sy tokana ao amin’ny olona tsirairay voamariky ny Anaran’Andriamanitra no hamirapiratra amin’ny fahazavana feno. “Amin’izay mandresy, (...) homeko vatofotsy, misy anarana vaovao voasoratra izay tsy misy mahalala afa-tsy izay mandray azy ihany” ( Apôk 2,17). “Nijery indray aho, ka indro nitsangana teo an-tendrombohitr’i Siôna ny Zanak’Ondry ; olona efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy no nanaraka Azy, samy mitondra ny Anaran’ny Zanak’ Ondry sy ny Anaran-dRainy, voasoratra eo an-kandrin’izy ireo” (Apôk 14,1).

“Ry Tompo Andriamanitray ô, mba lehibe re ny Anaranao, manerana ny tontolon’ny zava-drehetra” (Sal 8,2).

Ny didy faharoa dia mandidy hanaja ny Anaran’ny Tompo. Masina ny Anaran’ny Tompo.

Ny didy faharoa dia mandrara ny fampiasana tsy mendrika rehetra ny Anaran’Andriamanitra. Ny faniratsirana dia mifototra amin’ny fampiasana ny Anaran’Andriamanitra, ny Anaran’i Jesoa-Kristy, ny anaran’i Maria Virjiny ary ny anaran’ny olomasina amin’ny fomba manevateva.

Ny fianianana tsy marina dia ny miantso an’Andriamanitra ho vavolombelona amin’ny lainga. Ny fianianana tsy to dia fahadisoana lehibe amin’ny Tompo izay tsy mivadika lalandava amin’ny fampanantenany.

“Aza mianiana na amin’ny Mpahary, na amin’ny zavaboary, raha tsy amin’ny zavatra marina, ilaina ary atao amim-panajana” Md Ignace, ex. spir. 38..

Amin’ny Batemy ny kristianina no mandray ny anarany ao amin’ny Fiangonana. Ny ray aman-dreny niteraka, ny mpiantoka ary ny Pretra mpiandraikitra voalohany ny paroasy dia hitandrina mba tsy hanome fanampin’anarana hafahafa ny maha-kristianina. Ny fitondrany ny anaran’olomasina iray no manome môdelim-pitiavana sy miantoka ny fivavahany.

Ny famantarana ny Hazofijaliana “amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen”, no anombohan’ny kristianina ny fivavahany sy ny ataony rehetra.

Miantso ny tsirairay amin’ny anarany avy Andriamanitra jer. Iz 43,1..

3.Ny didy fahatelo

I.Ny andro sabata

Ny didy fahatelo amin’ny Didy folo no mampahatsiahy ny fahamasinan’ ny sabata : “Ny andro fahafito dia sabata ; fitsaharana tanteraka natokana ho an’ny Tompo” (Eks 31,15).

Ny Soratra masina, amin’io teny io dia mampahatsiaro ny fahariana : “Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, fa nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito. Koa izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro sabata, sy nanamasinany azy” (Eks 20,11).

Ny Soratra masina dia maneho koa amin’ny andron’ny Tompo, ny fahatsiarovana ny fanafahana an’i Israely tamin’ny fanandevozana tao Ejipta : “Ho tsaroanao fa efa andevo tao amin’ny tany Ejipta ianao, ary ny Tompo Andriamanitrao no namoaka anao avy tany, tamin’ny tanana mahery sy sandry nahinjitra. Koa izany no nandidian’ny Tompo Andriamanitrao anao hitandrina ny andro sabata” (Det 5,15).

Nankinin’Andriamanitra tamin’i Israely ny sabata mba hotandremany amin’ny maha famantarana ny fanekem-pihavanana tsy azo ravana azy jer. Eks 31,16.. Natao ho an’ny Tompo ny sabata, natokana amim-pahamendrehana amin’ny fiderana an’Andriamanitra, amin’ny tsanganasan’ny fahariany ary amin’ny asam-pamonjeny ho tombon-tsoan’i Israely.

Ny asa amam-pihetsik’Andriamanitra no môdelin’ny asa amam-pihetsik’ olombelona. Raha “niala sasatra” Andriamanitra tamin’ny andro fahafito (Eks 31,17), dia tokony “tsy hiasa” koa ny olombelona sy hamela ny hafa, indrindra ny mahantra hiala sasatra jer. Eks 23,12.. Ny sabata no mampitsahatra ny asa andavanandro sy manome fialan-tsasatra. Andro fandavana mafy ny fanandevozan’ny asa sy ny fitiavam-bola tafahoatra ny sabata jer. Neh 13,15-22; 2 Tant 36,21..

Ny Evanjely dia mitatitra zavatra maro tsy ampoizina izay niampangana an’i Jesoa ho mandika ny lalànan’ny sabata. Kanefa, na oviana na oviana, tsy banga tamin’ny fankamasinana io andro io i Jesoa jer. Mk 1,21; Jo 9,16.. Izy no nanome izany tamim-pahefana ny fanazavana ny dikany marina : “Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no ho an’ny sabata” (Mk 2,27). Tamim-pangorahana ny Tenany i Kristy no nanome fahefana tamin’ny andro sabata, hanao ny tsara fa tsy ny ratsy, hamonjy aina fa tsy hamono jer. Mk 3,4.. Andron’ny Tompon’ny famindram-po sy ny haja amam-boninahitr’ Andriamanitra ny sabata jer. Mt 12,5; Jo 7,23.. “Ny Zanak’olona no Tompon’ny sabata” (Mk 2,28).

II.Ny andron’ny Tompo

Ny andron’ny Fitsanganan-ko velona : fahariana vaovao

Nitsangan-ko velona avy amin’ny maty i Jesoa, “ny andro voalohany amin’ny herinandro” (Mk 16,2) jer. Mt 28,1; Lk 24,1; Jo 20,1.. Amin’ny maha- “andro voalohany” azy, ny andron’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia mampahatsiahy ny fahariana voalohany. Amin’ny maha- “andro fahavalo” azy izay manaraka ny sabata jer. Mk 16,1; Mt 28,1., dia midika ho fahariam-baovao nosantarina tamin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona izany. Ho an’ny kristianina dia nanjary voalohany amin’ny andro rehetra, voalohany amin’ny fety rehetra, ny andron’ny Tompo (Hè kuriakè hèmèra, dies dominica), ny “alahady” :

Miara-miangona izahay rehetra isaky ny andron’ny masoandro satria izany no andro voalohany [aorian’ny sabata jody, nefa koa andro voalohany] izay tamin’izany Andriamanitra, tamin’ny nanalany ny fototry ny maizina, no nahary an’izao tontolo izao, ary tamin’io andro io ihany koa, i Jesoa Kristy Mpamonjintsika no nitsangan-ko velona avy amin’ny maty Md Justin, apol. 1, 67..

Ny alahady – fahatanterahan’ny sabata

Ny alahady dia miavaka mazava tsara amin’ny sabata izay dimbiasany amin’ny ara-potoana, isan-kerinandro, ary ho an’ny kristianina, dia fanoloana ny didy momba ny fankalazana lanonana. Izy no nanatanteraka, ao amin’ny Pakan’i Kristy, ny fahamarinana ara-panahy amin’ny sabata jody sy manambara ny fialan-tsasatra mandrakizay iainan’ny olombelona ao amin’ Andriamanitra. Satria ny fanajana lalina ny lalàna no nanomana ny misterin’i Kristy, ary izay natao tamin’izany no nampiseho an-tsary ny toetr’endrika sasany momba an’i Kristy jer. 1 Kôr 10,11. :

Ireo izay niaina araka ny didy tranainy momba ny zavatra maro dia tonga amin’ny fanantenana vaovao, tsy amin’ny fitandremana intsony ny sabata, fa amin’ny Andron’ny Tompo, izay amin’izany ny fiainantsika no voatsodrano amin’ny Alalany sy amin’ny fahafatesany Md Ignace d’Antioche, Magn. 9, 1..

Ny fankalazana amin’ny andro alahady dia mitandrina ny didy ara-môraly nosoratan’ny Mpahary ao am-pon’ny olombelona “hanompo Azy amin’ny fomba miharihary, hita maso, ampahibemaso sy ara-potoana amin’ny famantarana ny soa ataony manenika an’izao tontolo izao ho an’ny olombelona” Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 122, 4.. Ny fanompoam-pivavahana amin’ny andro alahady dia manatanteraka ny didy ara-môraly ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha izay anohizany ny famerimberenana ara-potoana sy ny foto-pisainana amin’ ny fankalazana isan-kerinandro ny Mpahary sy ny Mpanavotra ny vahoakany.

Ny Eokaristia amin’ny andro alahady

Ny fankalazana ny maha-andron’ny Tompo ny Alahady sy ny Eokaristiany no votoatin’ny fiainan’ny Fiangonana. “Ny alahady izay ankalazana ny misterin’ny Paka, araka ny lovam-pampianaran’ny apôstôly, dia tsy maintsy tandremana ao amin’ny Fiangonana manontolo ho andro voalohany indrindra amin’ny andro fety voadidy hohamasinina” CIC, can. 1246, §1.. “Toy izany, tsy maintsytandremana ny andro Nahaterahan’i Jesoa Kristy Tompontsika, ny Epifania, ny Fiakarana any an-danitra sy ny Vatana aman-dRa Masina Indrindra an’i Kristy, ny andron’i Masina Maria Renin’Andriamanitra, ny Nahatorontoronina tsy azon-keloka azy sy ny Nampiakarana azy any an-danitra, ny andron’i Md Josefa, ry Md Piera sy i Paoly apôstôly ary ny Olomasina rehetra” CIC, can. 1246, §1..

Izany fomban’ny kristianina miara-miangona izany dia nanomboka tamin’ ny fiandohan’ny vanin-potoanan’ny apôstôly jer. Asa 2,42-46; 1 Kôr 11,17.. Mampahatsiahy ny Taratasy ho an’ny Hebrio hoe : “Aza mandao ny fiarahantsika miangona toy ny fanaon’ny sasany tsy manao izany ; fa mifamporisiha ianareo” (Heb 10,25). Ny lovam-pampianarana dia mitahiry ny fahatsiarovana momba ny famporisihana tsy mbola miova mandraka ankehitriny : “Tonga mialoha ao am-Piangonana, manatona ny Tompo ary mibaboka ny fahotana nataon’ny tena, manenina amin’izany eo am-panaovana vavaka (...). Manatrika ny litorzia masina sady mahatalanjona, mamita ny fivavahan’ny tena ary tsy miala ao mihitsy alohan’ny fanirahana (...).Matetika izahay no milaza izany fa : nomena ho anareo io andro io mba hivavahana sy hialan-tsasatra. Io no Andro izay nataon’ny Tompo. Mifalia sy miravoravoa isika, amin’io andro io” Pseudo-Eusèbe d’Alexandrie, serm. dom..

“Ny paroasy no ankohonam-piangonana voafaritra mazava ho an’ny mpino, izay narafitra hijoro amin’ny fomba mafy orina amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ka ny fiadidiana pastôraly dia nankinina amin’ny Pretra mpiandraikitra voalohany ny paroasy, amin’ny maha-mpiandry ondry ny tenany, eo ambany fahefan’ny Eveka mitondra diôsezy” CIC, can. 515, §1.. Io no toerana izay mety hiangonan’ny mpino rehetra amin’ny fankalazana ny Eokaristia amin’ny andro alahady. Ny paroasy no mampisantatra ny vahoaka kristianina amin’ny fanehoana andavanandro ny fiainana ara-litorzia sy mamory azy amin’ny fankalazana izany ; ny paroasy no mampianatra ny fitambaram-pampianarana momba ny famonjen’i Kristy ; ny paroasy no manatontosa ny fitiavan’ny Tompo ao anatin’ny asa tsara sy ara-pirahalahiana Jer. Joany Paoly II, CL 26. :

Raha any an-trano ianao dia tsy afaka hivavaka tahaka ny ao am-Piangonana, izay ao no misy ny maro an’isa, izay ao no andefasana ny antso amin’Andriamanitra amin’ny fo miara-mitempo. Misy zavatra sasany fanampin’izany ao, dia ny firaisan-tsaina, ny fifanarahan’ny fanahy, ny fifamatoram-pitiavana, ny fivavahan’ny Pretra Md Jean Chrysostome, incomprehens. 3, 6..

Ny adidy amin’ny andro alahady

Ny didin’ny Fiangonana dia mametra sy manoritra mazava ny Lalànan’ny Tompo : “Ny alahady sy ny andro fety hafa voadidy hohamasinina, dia voadidy handray anjara amin’ny Lamesa ny mpino” CIC, can. 1247.. “Mahatanteraka ny didy amin’ny fandraisana anjara amin’ny Lamesa, izay manatrika ny Lamesa ankalazaina araka ny fombam-pivavahana katôlika amin’ilay andro fety mihitsy na ny harivan’ny andro mialoha” CIC, can. 1248, §1..

Ny fankalazana ny Eokaristia amin’ny alahady no manorina sy mampanan-kery izay rehetra ataon’ny kristianina. Izany no mahatonga ny mpino ho voatery handray anjara amin’ny Eokaristia amin’ny andro voadidy hohamasinina, raha tsy fahafahana amin’ny antony marina tokoa (ohatra : ny aretina, ny fikarakarana ny zaza menavava) na nahazo lalana avy amin’ny mpitondra azy ireo jer. CIC, can. 1245.. Ireo izay minia tsy hanatanteraka izany adidy izany dia manao fahotana lehibe.

Ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana iombonana amin’ny Eokaristian’ny andro alahady no porofo ny maha-an’i Kristy sy ny maha-an’ny Fiangonany ny tenan’ny mpino, ary koa ny tsy fivadihana amin’Izy ireo. Amin’izany ny mpino no manamarina ny fiombonan’izy ireo ao anatin’ ny finoana sy ny fitiavana, miara-mampiseho ny fahamasinan’ Andriamanitra sy ny fanantenan’izy ireo ny Famonjena, mifankahery eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.

“Raha tsy azo tanterahina ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana ny Eokaristia, noho ny tsy fisian’ny mpandraharaha voahosotra, na noho ny antony lehibe hafa rehetra, dia hafatrafarana mafy tokoa ny mpino handray anjara amin’ny litorzian’ny Tenin’Andriamanitra, ao amin’ny fiangonan’ny paroasy na amin’ny toerana masina hafa, raha misy izany fankalazana izany, araka ny fepetra noraisin’ny Eveka mitondra diôsezy, na koa mila milozoka amin’ny vavaka mandritra ny fotoana mety izy ireo, irery na miaraka amin’ny fianakaviana, na, araka ny fifanojoan-javatra, ao anatin’ny vondrom-pianakaviana” CIC, can. 1248, §2..

Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa

Noho Andriamanitra “nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony, tamin’ny andro fahafito” (Jen 2,2), dia ny asa sy ny fialan-tsasatra no mifandimbindimby mandrindra ny fiainan’ny olombelona. Ny fanorenana ny Andron’ny Tompo no manampy mba hifalian’ny rehetra amin’ny fotoam-pialan-tsasatra sy amin’ny fotoam-pialam-boly ampy izay ahafahan’ izy ireo mikarakara ny fiainan’izy ireo ara-pianakaviana, ara-kolontsaina, ara-piaraha-monina ary ara-pivavahana jer. FAA 67, §3..

Ny mpino, mandritra ny alahady sy ny andro fety hafa voadidy hohamasinina, dia hifady ny filozohana amin’ny asa aman-draharaha na amin’ny fihetsiketsehana izay manampontsampona ny fanompoam-pivavahana tsy maintsy atao amin’Andriamanitra, ny hafaliana sahaza ny Andron’ny Tompo, ny fanaovana asa fiantrana ary ny fialam-boly antonona ny saina sy ny vatana jer. CIC, can. 1247.. Ny fahantran’ny fianakaviana na ny filana lehibe ara-tsôsialy dia mahatonga fialan-tsiny eken’ny lalàna eo anatrehan’ny didy momba ny fialan-tsasatra amin’ny andro alahady. Hitandrina ny mpino mba tsy hampiditra fahazarana manimba eo amin’ny fivavahana, eo amin’ny fiainam-pianakaviana ary eo amin’ny fahasalamana, ny fialan-tsiny eken’ ny lalàna.

Mikatsaka ny fialam-boly marina ny fitiavana ny fahamarinana, ary mandray ny asa araka ny rariny ny filan’ny fitiavana Md Augustin, civ. 19, 19..

Aoka ny kristianina izay afaka miala voly mba hahatsiaro ny havana aman-tsakaizan’izy ireo izay manana izany filana sy zo izany koa, saingy tsy afaka miala sasatra noho ny fahantrana sy ny fahoriana. Ny alahady, araka ny nampitain’ny lovam-pampianarana, no natokan’ny kristianina tia vavaka ho amin’ny fanaovana asa soa sy ho amin’ny fanampiana tsotsotra ny marary, ny kilemaina, ny antitra. Mbola fankamasinan’ny kristianina ny andro alahady koa ny fanomezana fotoana sy fikarakarana ho an’ny fianakavian’izy ireo sy ho an’ny tapaka sy naman’izy ireo akaiky, izay sarotra omena amin’ny andro hafa ao anatin’ny herinandro. Ny alahady no fotoam-pieritreretana, fotoam-panginana, fotoam-pampivoarana ny saina ary fotoam-pandinihana izay mampandroso ny fitomboan’ny fiainana anaty sady kristianina.

Mitaky ezaka iombonana ny fankamasinana ny alahady sy ny andro fety. Ny kristianina tsirairay dia tokony hisoroka ny fanerena ny hafa tsy amin’antony izay mety hanakana azy tsy hitandrina ny andron’ny Tompo. Raha mitaky ny kristianina sasantsasany hiasa alahady ny fanao mahazatra (fanatanjahan-tena, toeram-pisakafoana, sns.) sy ny fanerena ara-tsôsialy (asa fanompoam-bahoaka, sns.), dia ny tsirairay no tompon’andraikitra ny amin’ny fotoana ampy hialam-boly. Hitandrina amim-pahalalana onony sy amim-pitiavana ny mpino mba hisoroka ny fihoaram-pefy sy ny herisetra, matetika ateraky ny fialam-bolin’ny sarambaben’olona. Na dia eo aza ny fanerena ara-piharian-karena, hitandrina ny fanjakana hiantoka fotoana natokana hialan-tsasatra sy hanompoana an’ Andriamanitra, ho an’ny olom-pirenena. Manana adidy aman’andraikitra mitovy amin’izany ny mpampiasa eo anatrehan’ny mpiasan’izy ireo.

Amin’ny fanajana ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana sy ny soa iombonan’ny rehetra, dia tokony hampahafantarin’ireo kristianina ny maha-andro tsy fiasana ara-dalàna ny alahady sy ny andro fetin’ny Fiangonana. Hanome oha-piainana fakan-tahaka mibaribary ho an’ny rehetra amin’ny vavaka sy ny fanajana ary ny hafaliana amin’izany izy ireo, sy hiaro ny lovam-panahin’izy ireo ho fandraisana anjara sarobidy amin’ny fiainana ara-panahin’ny fikambanan’ny olombelona. Raha toa manery hiasa alahady ny didy aman-dalànan’ny firenena na noho ny antony hafa, aoka io andro io, na dia izany aza, hiainana ho toy ny androm-panafahana antsika izay mampandray anjara antsika amin’ilay “fivorian-danonana”, ilay “fiangonan’ireo zoky, izay voasoratra any an-danitra” (Heb 12,22-23).

“Mitandrema ny andro sabata mba hankamasina Azy” (Det 5,12) . “Ho andro fialan-tsasatra tanteraka ny andro fahafito, voatokana ho an’ny Tompo” (Eks 31,15).

Ny sabata izay nanamarika ny fahavitan’ny fahariana voalohany dia nosoloana ny alahady izay mampahatsiaro ny fahariana vaovao, nosantarana tamin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona.

Mankalaza ny andron’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ny Fiangonana amin’ny andro fahavalo, ka marina tokoa ny iantsoana an’izany hoe andron’ny Tompo, na alahady jer. L 106..

“Ny alahady (…) dia tsy maintsy tandremana eo amin’ny Fiangonana manontolo ho andro fety lehibe indrindra voadidy hohamasinina” CIC, can. 1246, § 1.. “Voadidy handray anjara amin’ny Lamesa ny mpino, amin’ny alahady sy amin’ny andro fety hafa voadidy hohamasinina” CIC, can.1247..

“Amin’ny alahady na amin’ny andro hafa voadidy hohamasinina, ny mpino dia hifady ireo asa aman-draharaha samihafa, izay misakana ny fanompoam-pivavahana tsy maintsy hatao amin’Andriamanitra, ny hafaliana sahaza ny andron’ny Tompo na ny fialam-boly mety ho an’ny saina sy ny vatana” CIC, can.1247..

Ny nanaovana ny alahady dia ny hanampy ny “rehetra hanana fotoam-pialan-tsasatra sy fotoam-pialam-boly ampy, izay ahafahany mikarakara ny fiainany ara-pianakaviana, ara-kolontsaina, ara-tsôsialy ary ara-pivavahana” FAA 67, § 3..

Ny kristianina tsirairay dia tokony hisoroka ny fanerena ny hafa tsy amin’antony izay mety hanakana azy tsy hitandrina ny andron’ny Tompo.

Ho valin’ny fanontaniana napetraka tamin’i Jesoa ny amin’izay voalohany amin’ireo didy, dia hoy Izy : “Ny voalohany, dia izao : "Mihainoa, ry Israely ! Ny Tompo Andriamanintsika no hany Tompo Tokana ; ary ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao, amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo, amin’ny sainao manontolo ary amin’ny herinao manontolo !" Ny faharoa, dia izao : "Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao." Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo” (Mk 12,29-31). Mampahatsiahy izany i Md Paoly : “Izay tia ny hafa dia efa nahatanteraka ny lalàna. Satria ny didy hoe : Tsy hijangajanga ianao ; tsy hamono olona ianao ; tsy hangalatra ianao ; tsy hitsiriritra ianao, mbamin’ny didy hafa rehetra, dia voafintin’ireto teny ireto hoe : Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao. Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana. Koa ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany” (Rôm 13,8-10).

4.Ny didy fahefatra

Ny didy fahefatra no manokatra ny takela-bato faharoa. Izy no manondro ny didin’ny fifankatiavana. Sitrak’Andriamanitra, manarakaraka ny Tenany, ny hanajantsika ny ray aman-drenintsika izay nahazoantsika ny fiainana sy nampita tamintsika ny fahalalana an’Andriamanitra. Voadidy isika hanome voninahitra sy hanaja izay rehetra nomen’Andriamanitra ny fahefany, noho ny soa ho antsika.

Manazava amin’ny fomba azo antoky ny adidy hotanterahina io didy io. Milaza ny didy manaraka rehetra izay mahakasika ny fanajana manokana ny aina, ny fanambadiana, ny soa amam-pananana eto an-tany, ny fiteny, io didy io. Anisan’ny iray amin’ireo fototry ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy izy.

Mivantana mazava amin’ny zanaka eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ ny ray sy ny renin’izy ireo ny didy fahefatra, satria io fifandraisana io no mahakasika ny daholobe indrindra. Mahakasika koa ny fifandraisam-pihavanana amin’ny tsirairay ao amin’ny vondrom-pianakaviana izy. Takìny ny hanomezana voninahitra, fanehoam-pitiavana ary fankasitrahana ireo dadabe sy nenibe ary ireo razana. Farany, mivelatra koa amin’ny adidin’ny mpianatra amin’ny mpampianatra izy, ny mpiasa amin’ny mpampiasa, ny olom-pehezina amin’ny lehiben’izy ireo, ny olom-pirenena amin’ny tanindrazan’izy ireo, amin’ireo izay mifehy azy na mitondra azy. Io didy io dia mitaky, na tsy milaza mivantana aza, ny adidin’ny ray aman-dreny, mpiahy, mpampianatra, lehibe, mpitsara, mpitondra fanjakana, ireo rehetra izay mampiasa fahefana mifehy ny hafa na amin’ny fikambanan’olona.

Misy valisoany ny fitandremana ny didy fahefatra : “Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho lava andro iainana ianao any amin’ny tany izay omen’ ny Tompo Andriamanitrao anao” (Eks 20,12) jer. Det 5,16.. Ny fanajana io didy io dia mampahazo, miaraka amin’ny vokatra ara-panahy, ny vokatra ara-nofo eto an-tany momba ny fiadanana sy ny fanambinana. Mifanohitra amin’izany kosa, ny tsy fitandremana io didy io dia mahatonga fahavoazana lehibe ho an’ny fiombonamben’ny olombelona sy ho an’ny tenan’ny olombelona.

I.Ny fianakaviana ao amin’ny drafitr’asan’Andriamanitra

Toetran’ny fianakaviana

Miorina amin’ny fifaneken’ny mpivady ny tokantrano. Nalahatra ho amin’ ny soa ho an’ny mpivady sy ho amin’ny fiterahana ary ho amin’ny fanabeazana ny zanaka, ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Ny fifankatiavan’ny mpivady sy ny fiterahana ny zanaka no mamorona ny fifandraisana sy ny andraikitry ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana.

Ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray akamban’ny fanambadiana no mamorona miaraka amin’ny zanak’izy ireo ny fianakaviana iray. Izany fandaharana izany dia mialohan’ny fankatoavana manontolo avy amin’ny Fanjakana ; tsy maintsy ekeny izany. Hoheverina ho fanovozan-kevitra ara-pitsipika izany, izay avy amin’ny alalany no tokony handanjalanjana ny endrika samihafa eo amin’ny rohim-pihavanana.

Tamin’ny naharian’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy no nanorenany ny fianakavian’olombelona sy nanomezany azy ny lalàna fototra iorenany. Mitovy fahamendrehana ny olona tsirairay ao amin’izany fianakaviana izany. Noho ny soa iombonana ho an’ny olona tsirairay ao aminy sy ho an’ny fiaraha-monina, no mahatonga ny faha-samihafa ny andraikitra, ny zo ary ny adidy ao amin’ny fianakaviana.

Ny fianakaviana kristianina

“Ny fianakaviana kristianina dia sady manambara no manatanteraka amin’ ny fomba manokana ny fiombonan’ny Fiangonana ; noho izany antony izany, (…) tokony antsoina hoe fiangonana kely ao an-tokantrano ny fianakaviana kristianina” FM 21; jer. FF 11.. Manjary fiombonam-pinoana, fanantenana ary fitiavana izy ; manana lanjany manokana izy ao amin’ny Fiangonana, araka ny hita ao amin’ny Testamenta Vaovao jer. Efez 5,21-6,4; Kôl 3,18-21; 1 Pi 3,1-7..

Fiombonan’ny olona ny fianakaviana kristianina, marika sy endriky ny fiombonan’ny Ray sy ny Zanaka ao amin’ny Fanahy Masina. Taratry ny tsanganasa faharian’ny Ray ny asany amin’ny ara-piterahana sy ny ara-panabeazana. Voantso hiombona anjara amin’ny vavaka sy ny soron’i Kristy ny fianakaviana kristianina. Ny fivavahana andavanandro sy ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra no mampahery ao aminy ny fitiavana. Mpitory ny Evanjely sy misiônera ny fianakaviana kristianina.

Ny fifandraisana eo anivon’ny fianakaviana no mitarika ny fitovian’ny fihetseham-po, ny fankamamiana ary ny tombon-tsoa, fa indrindra vokatry ny fifanajan’ny olona. Ankohonana nahazo tombon-tsoa manokana ny fianakaviana, voantso hanatanteraka “ny hevitra iombonan’ny mpivady ary koa ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ny zanaka” FAA 52, §1..

II.Ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina

Ny fianakaviana no singafototra fiandohan’ny fiainam-piaraha-monina. Izy no fiaraha-monina voa-Janahary izay iantsoana ny lehilahy sy ny vehivavy hifanolotra ny tenany ao anatin’ny fitiavana sy ao anatin’ny fanomezana ny aina. Ny fahefana, ny fahamafisana orina ary ny fiainam-pifandraisana eo anivon’ny fianakaviana no iorenan’ny fototry ny fahafahana, ny fandriampahalemana, ny fihavanana eo anivon’ny fiaraha-monina. Ny fianakaviana no ankohonana, izay manomboka hatramin’ny fahazazana, no hampianarana ny soatoavina ara-môraly, hanombohana ny fanajana an’Andriamanitra ary hampiasana tsara ny fahafahana. Ny fiainan’ny fianakaviana no fanombohana ny fiainana eo amin’ny fiaraha-monina.

Ny fianakaviana dia tokony hanana toe-piainana hianaran’ny tsirairay ao aminy ny fiahiana sy ny fandraisana ho andraikitra ny tanora, ny zokiolona, ny marary na ny sembana, ary ny mahantra. Betsaka anefa ny fianakaviana, amin’ny fotoana sasantsasany, no mahatsiaro tena fa tsy afaka hiantoka izany fanampiana izany. Noho izany, anjaran’ny olona hafa ao amin’ny fianakavian’izy ireo, ary amin’ny alalan’ny fifamenoana amam-pifanampiana, anjaran’ny fiaraha-monina, no mamatsy ny zavatra ilain’izy ireo : “Izao no fitiavam-bavaka madio tsy misy pentina sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika : ny manampy ny kamboty sy ny mananotena amin’ny fahorian’izy ireo, sy ny miaro tena tsy ho voaloton’ izao tontolo izao” (Jak 1,27).

Tokony ho ampiana sy arovana ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fepetra ara-piaraha-monina sahaza azy. Ao amin’ireo fianakaviana mba tsy afaka manatontosa ny anjara adidiny, dia manana adidy ny fikambanana momba ny sôsialy hanampy azy ireo sy hanohana ny fanorenana ny fianakaviana. Araka ny fitsipika fototry ny fifamenoana amam-pifanampiana, dia hitandrina ny fikambanana goavana kokoa mba tsy hisazoka ny fahefan’ny olona sahirana ampiany na hitsabaka amin’ny fiainany.

Ny fanomezan-danja ny fianakaviana ho amin’ny fiainana sy hafinaretan’ ny mpiara-monina jer. FAA 47, §1. no mahatonga ny mpiara-monina anana andraikitra manokana hanohana sy hanamafy orina ny fanambadiana mbamin’ny fianakaviana. Aoka ho ataon’ny mpitondra fanjakana ho adidy lehibe ny “mankato sy ny miaro ny tena toetra voa-Janahary marina ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ny miaro ny hatsaram-pitondran-tenan’ny vahoaka ary ny manampy amin’ny fampandrosoana ny tokantrano” FAA 52, §2..

Manana adidy ny vondrona mpitondra fanjakana hanaja ny fianakaviana, manampy azy, ary indrindra miantoka azy : - amin’ny fahafahana hanorina tokantrano, hanan-janaka sy hanabe azy ireo hifanaraka amin’ny zavatra azony antoka fa marina ara-môraly sy ara-pivavahana ; - amin’ny fiarovana ny faharetam-pifamatoran’ny mpivady sy ny fijoroan’ny fianakaviana ; - amin’ny fahafahana haneho ampahibemaso ny finoany, hampita izany, hanabe ny zanany amin’izany, miaraka amin’ny fomba sy ny rafi-panabeazana ilaina ; - amin’ny zo hanam-pananana manokana, fahafahana hanorina anton’asa, hanana asa, trano fonenana, zo hifindra monina ; - araka ny rafi-pitondran’ny firenena, amin’ny zo ho tsaboina, amin’ny fitsimbinana ny zokiolona, amin’ny volan-jaza ; - amin’ny fiarovana ny fandriampahalemana sy ny fahasalamana, indrindra amin’ny loza toy ny zava-mahadomelina, ny fampisehoam-betaveta, ny fidorohana zava-pisotro mahamamo, sns; - amin’ny fahafahana hanorina fikambanana miaraka amin’ny fianakaviana hafa ary fahafahana ho voasolo tena amin’izany eo anatrehan’ireo mpitondra firenena jer. FM 46..

Manazava ny fifandraisana hafa eo amin’ny mpiara-belona ny didy fahefatra. Eo amin’ny rahalahintsika sy anabavintsika no ahitantsika ny zanaky ny ray aman-drenintsika ; eo amin’ny zanak’olo-mpirahalahy, mpirahavavy, mpianadahy amintsika no ahitantsika ny taranaky ny razambentsika ; eo amin’ny mpiray tanindrazana amintsika no ahitantsika ny zanaky ny firenentsika ; eo amin’ny vita batemy no ahitantsika ny zanaky ny Renintsika, dia ny Fiangonana izany ; eo amin’ny olombelona rehetra no ahitantsika ny zanaka lahy na zanaka vavin’Ilay izay mankasitraka ny iantsoana Azy hoe “Rainay”. Amin’izany, ny fifandraisantsika amin’ny namantsika dia ankatoavina ho rafitra ifandraisan’ny olona tsirairay. Tsy ”olona fe olona” eo amin’ny mpiara-monina ny namana, fa “ tena olona”, ka noho ny fahalalana ny fiaviany dia mendrika fikarakarana sy fanajana manokana.

Ny olona no mamorona ny fikambanan’olona. Ny fitantanana tsara ataon’ izy ireo dia tsy voafaritra amin’ny fiantohana ny zo sy ny fanatanterahana ny adidy, ary koa amin’ny tsy fivadiham-pifanekena. Amin’ny fifandraisana ara-dalàna eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa, eo amin’ny mpitondra sy ny olom-pirenena, no itakiana ny fahalemem-panahy voa-Janahary mifanaraka amin’ny fahamendrehan’ny olombelona, miahy ny fahamarinana sy ny fihavanana.

III.Adidin’ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana

Adidin’ny zanaka

Ny maha-Ray an’Andriamanitra no loharanon’ny maha-ray aman-dreny ny olombelona jer. Efez 3,15. ; amin’izany no iorenan’ny haja amam-boninahitry ny ray aman-dreny. Ny fanajan’ny zanaka na kely izy na lehibe, ny rain’izy ireo sy renin’izy ireo jer. Ohab 1,8; Tob 4,3-4., no itaizany ny tenany amin’ny firaiketam-pitia voa-Janahary nateraky ny rohim-pihavanana izay mampiray azy ireo. Takìn’ny didin’ Andriamanitra izany jer. Eks 20,12..

Ny fanajana ny ray aman-dreny (fitiavan’ny zanaka manaja ray aman-dreny) dia miseho amin’ny fankasitrahana an’ireo izay niteraka azy ireo sy nahafahan’izy ireo nitombo vatana, fahendrena ary fahasoavana, tamin’ny alalan’ny fanomezan’izy ireo ny aina, ny fitiavan’izy ireo ary ny asan’izy ireo. “Amin’ny fonao manontolo, manomeza voninahitra ny rainao ary aza manadino ny fijalian’ny reninao. Tsarovinao fa izy ireo no nahitanao masoandro, ka inona no hamalianao azy ireo, amin’izay nataon’izy ireo ho anao?” (Ekl 7,27-28).

Miseho amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanekena tena izy ny fanajan’ ny zanaka ny ray aman-dreny. “Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza ariana ny fampianaran-dreninao (...). Hitarika anao amin’izay halehanao ireny ; hiambina anao amin’ny torimasonao ireny ; hiresaka aminao amin’ ny fifohazanao ireny” (Ohab 6,20.22). “Ny zanaka hendry vavolombelon’ ny fampianaran-drainy, fa ny mpamazivazy tsy mihaino ny fananarana” (Ohab 13,1).

Raha mbola miaina ao an-tokantranon’ny ray aman-dreniny ny zanaka, dia adidiny ny manaiky ny fangatahana rehetra avy amin’ny ray aman-dreniny entanin’ny soa ho an’ny zanaka sy ho an’ny fianakaviana. “Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra, fa ankasitrahan’ny Tompo izany” (Kôl 3,20) jer. Efez 6,1.. Mbola adidin’ny zanaka ny manaiky ny didy marina avy amin’ny mpanabe azy ireo sy ireo rehetra izay nanankinan’ny ray aman-dreny azy ireo. Kanefa raha tsapan’ny zanaka ao amin’ny kônsiansiny, fa ratsy ara-pitsipi-pitondran-tena ny manaiky ny didy atao aminy, dia aoka izy tsy hanaraka izany. Na efa lehibe aza ny zanaka, dia mbola manana adidy hanaja ny ray aman-dreniny. Hanome fahafaham-po amin’ny fanirian’ny ray aman-dreniny izy ireo, hangataka an-tsitrapo tokoa ny toroheviny, ary handray tsara ny fananarana marina ataony. Mampiato ny fanekena ny ray aman-dreny ny fananan’ny zanaka ny fahaleovan-tenany, saingy ny fanajana azy ireo kosa mbola mitohy lalandava. Satria, ny fanajana dia mifototra amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, iray amin’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina.

Ny didy fahefatra dia mampahatsiaro ny zanaka efa lehibe, ny adidy aman’andraikiny amin’ny ray aman-dreniny. Manana adidy izy, araka izay azony atao, hanome fanampiana ara-batana sy ara-tsaina an’ireo ray aman-dreniny, amin’ny androm-pahanteran’izy ireo, amin’ny fotoana mamparary azy ireo, amin’ny fotoana maha-manirery azy ireo na maha-sahirana azy ireo. Mampahatsiahy an’io adidim-pankasitrahana io i Jesoa jer. Mk 7,10-12.. Manome voninahitra ny ray eo anatrehan’ny zanaka ny Tompo, sy manamafy ny fahefan’ny reny eo amin’ny naterany. Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany, ary izay manome voninahitra ny reniny manangona harena. Izay manaja ny rainy hampifalian’ny zanaka, ary amin’ny andron’ny fivavahany ho henoim-bavaka izy. Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana, ary izay manaiky ny Tompo hanome fialan-tsasatra ny reniny (Ekl 3,2-6). Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao, ary aza mampalahelo azy amin’ny andro iainany. Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy, ary aza manao tsinontsinona azy, rahefa ao anatin’ny hery sy ny tanjakao ianao (...). Izay mahafoy ny rainy, manahaka ny mpanevateva an’Andriamanitra, ary izay mampahatezitra ny reniny, manahaka ny olom-boaozon’ny Tompo (Ekl 3,12-13.16).

Manampy ny firindran’ny fiainam-pianakaviana manontolo ny fanajan’ny zanaka ny ray aman-dreny, mahakasika koa ny fifandraisana eo amin’ny samy mpiray tam-po izany. Misandrahaka eo amin’ny seha-pianakaviana manontolo ny fanajana ny ray aman-dreny. “Satro-boninahitry ny antitra, ny zanaky ny zanak’izy ireo” (Ohab 17,6). “Mifandefera ianareo ao anatin’ny fifankatiavana amim-panetren-tena tanteraka, amin-kalemem-panahy ary amim-paharetana” (Efez 4,2).

Ho an’ny kristianina, misy fankasitrahana manokana tokony hefaina amin’ ireo izay nandraisany ny fanomezana ny finoana, ny fahasoavan’ny Batemy ary ny fiainana ao amin’ny Fiangonana. Mety ho ny ray aman-dreny izany, na olona hafa ao amin’ny fianakaviana, raibe sy renibe, mpitondra Fiangonana, Katesista, mpampianatra hafa na namana aman-tsakaiza. “Tsaroako ny finoana tsy misy fitaka izay ao anatinao, izay mitoetra ao amin’i Loisa renibenao aloha, sy ao amin’i Eonisa reninao, ary matoky marina aho fa ao aminao koa izany” (2 Tim 1,5).

Adidin’ny ray aman-dreny

Tsy mifintina fotsiny amin’ny fiterahan-janaka ny fahavokaram-pifankatiavan’ny mpivady, fa tsy maintsy miitatra amin’ny fanabeazana azy ireo ara-môraly sy amin’ny famolavolana azy ireo ara-panahy. “Zava-dehibe tokoa ny anjara asan’ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana, hany ka sarotra ny misolo toerana azy ireo” FK 3.. Ho an’ny ray aman-dreny, lehibe dia lehibe sy tsy azo afindra, ny zo sy ny adidim-panabeazana jer. FM 36..

Tsy maintsy mihevitra ny zanany ho zanak’Andriamanitra sy manaja azy ireo amin’ny maha-olona azy ireo ny ray aman-dreny. Manabe ny zanany hanatanteraka ny Lalànan’Andriamanitra ny ray aman-dreny, amin’ny fisehoan’ny tenan’izy ireo mankato ny sitrapon’ny Ray any an-danitra.

Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany. Mampiseho izany fiandraiketana izany aloha izy ireo amin’ny fanorenana tokantrano, izay ny fanehoam-pitiavana, ny famelan-keloka, ny fanajana, ny tsy fivadihana ary ny fanompoana tsy mitady tombon-tsoa ho an’ny tena, no fitsipi-pifehezana amin’izany. Ny tokantrano no toerana sahaza ny fanabeazana ny hatsaram-panahy. Ny fanabeazana ny hatsaram-panahy dia mila fianarana mahafoy tena ho an’ny tombon-tsoan’ny hafa, ny fisainana mahitsy, ny fifehezan-tena, fepetra antoky ny fahafahana rehetra tena izy. Hampianaran’ny ray aman-dreny ny zanany ny mampifanaraka “ny lafiny ara-batana sy ara-tosi-kerim-panentana ao anaty, amin’ny lafiny ao anaty sy ara-panahy” CA 36.. Andraikitra lehibe ho an’ny ray aman-dreny ny manome ohatra tsara ho an’ny zanany. Amin’ny fahaizana miaiky eo anatrehan’izy ireny ny fahadisoan’ny tena, no hahaizany tsaratsara kokoa manoro azy ireny sy manitsy azy ireny :

“Izay tia ny zanany tsy mitsitsy tsora-kazo aminy, izay manafay ny zanany hahazo tombon-tsoa avy amin’izany” (Ekl 30,1-2). “Ianareo ray aman-dreny, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo kosa izy ireo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo” (Efez 6,4).

Ny tokantrano no anisan’ny toerana voa-Janahary anoroan-dalana ny olona ho amin’ny firaisan-kina sy ny fandraisana andraikitra iombonana. Hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany ny hitandrin-tena tsy hanala baraka sy tsy hikororosy fahana, izay atahorana hampidi-doza ny fiaraha-monin’ny olombelona.

Tamin’ny fahasoavan’ny sakramentan’ny fanambadiana no nandraisan’ny ray aman-dreny ny fiandraiketana mbamin’ny tombon-tsoa manokana hitory ny Evanjely amin’ny zanak’izy ireo. Ho ampianarin’izy ireo ny misterin’ny finoana ny zanak’izy ireo, dieny mbola kely, ary izy ireo no “iraka mpitory voalohany” FF 11; jer. CIC, can. 1136. amin’ny zanany. Ho ampandraisin’izy ireo anjara amin’ny fiainan’ny Fiangonana izy, dieny hatramin’ny fahazazany. Ny fomba fiainan’ny fianakaviana dia afaka mitaiza ny fientanam-pitiavana izay haharitra ho fambara marina mialoha sy tohan’ny finoana velona, mandritra ny fiainana manontolo.

Ny fanabeazana amin’ny finoana ataon’ny ray aman-dreny amin’ny zanany, dia tokony hatomboka hatramin’izy mbola zaza menavava. Efa omena sahady izany, raha ny mpianakavy rehetra no mifanampy hitombo amin’ny finoana amin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelon’ny fiainana kristianina mifanaraka amin’ny Vaovao Mahafaly. Mialoha sy manaraka ary mampitombo ny endri-pampianarana hafa momba ny finoana ny katesezin’ny fianakaviana. Manana fahefana hampianatra ny zanany hivavaka sy hamantatra ny fiantsoana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy ireo ny ray aman-dreny jer. FF 11.. Ny paroasy no fiombonana amin’ny Eokaristia sy votoatin’ny fiainana ara-litorzia ho an’ny fianakaviana kristianina ; toerana nomena tombon-tsoa manokana izany ho an’ny katesezin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny.

Manana anjara koa ny zanaka hanampy ny ray aman-dreniny hitombo fahamasinana jer. FAA 48, §4.. Hifanaraka amin-kahalalam-po ny rehetra sy ny tsirairay ary tsy ho sasatry ny hifamela heloka, izay ilaina amin’ny fahadisoana, ny fifandirana, ny tsy fahamarinana ary ny fandaozana. Ny fifankamamiana no manoro hevitra ny amin’izany. Ny fitiavan’i Kristy no mitaky izany jer. Mt 18,21-22; Lk 17,4..

Mandritra ny fahazazana, ny fanajana sy ny fankamamian’ny ray aman-dreny no miseho aloha amin’ny fikarakarana sy ny fitandremana izay atokan’izy ireo itaizana ny zanany, iahiana ny filan’izy ireny ara-batana sy ara-panahy. Eny an-dalam-pitomboana eny, mbola izany fanajana izany ihany sy izany fahafoizan-tena izany ihany no mitarika ny ray aman-dreny hanabe ny zanany hampiasa amim-pahitsiana ny sainy sy ny fahafahany.

Noho ireo ray aman-dreny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany, dia manana zo izy ireo hisafidy ho an-janany ny sekoly izay mifanaraka amin’ny finoana arahin’izy ireo. Zo fototra izany. Manana adidy ny ray aman-dreny, araka izay azo atao, hisafidy ny sekoly izay hanampy azy ireo tsaratsara kokoa amin’ny lahasa maha-mpanabe kristianina azy ireo jer. FK 6.. Manana adidy hiantoka izany zon’ny ray aman-dreny izany sy hanamafy orina ny fepetra marina hampiasana izany, ny fanjakana.

Ny zanaka, rahefa tonga olon-dehibe, dia manana adidy sy zo hisafidy ny asa ivelomany sy ny lalam-piainana arahiny. Hiantsoroka izany andraikitra vaovao izany izy ao anatin’ny fifandraisana feno fitokiana amin’ny ray aman-dreniny, ka angatahany sy andraisany an-tsitrapo ny hevitra sy ny torohevitra. Hitandrina ny ray aman-dreny tsy hanery ny zanany na amin’ ny fisafidianana izay ho asa ivelomana, na amin’izay ho vady. Izany adidim-pahamalinana izany dia tsy misakana azy, fa vao mainka manery azy, hanampy ny zanany amin’ny alalan’ny hevitra voalanjalanja, singanina manokana raha mikasa hanorin-tokantrano izy.

Misy ireo zanaka tsy manambady mba hikarakara ny ray aman-dreniny, na ny iray tam-po aminy, mba hilozoka manokana amin’ny asa na noho ny antony hafa maha-te-hidera. Afaka manampy be tokoa amin’ny soa ho an’ ny fianakavian’olombelona izy ireo.

IV.Ny fianakaviana sy ny Fanjakan’Andriamanitra

Ny fifamatoran’ny mpianakavy, na manao ahoana na manao ahoana ny havesa-danjany, dia tsy ambonin’ny zava-drehetra tanteraka. Arakaraka ny fitomboam-pahamatoran’ny zanaka sy ny fahazakan-tenany amin’ny maha-izy azy sy amin’ny ara-panahy, no mihamazava sy mihamafy kokoa ny fiantsoan’Andriamanitra azy manokana. Hanaja izany antso izany ny ray aman-dreny sy hanampy ny valin-tenin’ny zanany hanaraka izany. Tsy maintsy miaiky fa ny fiantsoana voalohany amin’ny kristianina dia ny manara-dia an’i Jesoa jer. Mt 16,25. : “Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy, ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy” (Mt 10.37).

Ny manjary mpianatr’i Jesoa, dia ny manaiky ny fiantsoana ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra, ny miaina araka ny fombam-piainany : “Na zovy na zovy hanao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko” (Mt 12,50). Horaisin’ny ray aman-dreny sy hohajainy amin-kafaliana sy fisaorana ny antson’ny Tompo amin’ny iray amin’ireo zanany hanaraka izany ao anatin’ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra, ao anatin’ny fanokanam-piainana na ao anatin’ny andraiki-panompoana maha-mpisorona.

V.Ny fahefana mifehy eo amin’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena

Mandidy antsika koa ny didy fahefatra avy amin’Andriamanitra hanaja izay rehetra nandray tamin’Andriamanitra, mba hanasoa antsika, ny fahefana mifehy ny vahoaka. Hazavain’ny didy fahefatra avokoa na ny ny adidin’izay mampiasa ny fahefana, na ny an’izay mahazo tombon-tsoa amin’ny fahefana.

Adidin’ireo mpitondra eo amin’ny firenena

Adidin’izay rehetra nomena fahefana ny mampiasa izany ho amin’ny fanompoana. “Izay te ho lehibe aminareo, no aoka ho mpanomponareo” (Mt 20,26). Ny fampiasana fahefana iray dia ampifandanjana ara-pitsipi-pitondran-tena amin’ny maha-avy amin’Andriamanitra azy, amin’ny toetran’ny fahendreny ary amin’ny kendreny manokana. Tsy misy afaka mibaiko na mamorona lalàna izay mifanohitra amin’ny fahamendrehan’ny olona sy amin’ny lalàna voa-Janahary.

Ny kendrena amin’ny fampiasana fahefana dia ny hampiharihary ireo ambaratongan-tsoatoavina marina, mba hanamora ny fampiasan’ny rehetra ny fahafahany sy ny andraikiny. Anjaran’ireo mpifehy ny mampiasa ny fahamarinana ara-pizaràna amim-pahendrena, ka hihevitra ny zavatra ilaina sy ny fandraisana anjaran’ny tsirairay, mba ho amin’ny fihavanana sy ny fandriampahalemana. Ho tandreman’izy ireo ny fitsipika sy ny fepetra raisin’izy ireo, mba tsy hahatonga fakam-panahy hampifanohitra ny tombon-tsoan’ny tsirairay amin’ny an’ny fiombonambe jer. CA 25..

Ny fahefam-pitondram-panjakana dia tsy maintsy manaja ny zo fototra maha-olona ny olona. Ho ampanjakain’izy ireo amin’ny fo tsara ny fahamarinana ao anatin’ny fanajana ny zon’ny tsirairay, indrindra ny fianakaviana sy ireo atao an-kilabao. Ireo zo ara-pôlitika tsy misaraka amin’ny maha-olom-pirenena dia azo ary tsy maintsy omena araka ny takìn’ny soa iombonana. Tsy azon’ny fanjakana ahatona tsy amin’antony ara-dalàna sy voalanjalanja izany zo izany. Ny fampiasana ny zo ara-pôlitika dia natokana ho an’ny soa iombonan’ny firenena sy ny fiombonamben’ny olombelona.

Adidin’ny olom-pirenena

Ny olona eo ambany fahefana dia hihevitra ny lehiben’izy ireo ho solontenan’Andriamanitra izay natsangany ho mpandraharahan’ny fanomezany jer. Rôm 13,1-2. : “Noho ny Tompo, aoka ianareo hanaiky ny lehibe rehetra natsangan’ny olona. (…) Mijoroa ianareo ho olona afaka, aoka anefa tsy ho olona mampiasa ny fahafahany mba hanaronany ny faharatsiana, fa mampiasa izany ho mpanompon’Andriamanitra” (1 Pi 2,13.16). Ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny saina mahitsy dia misy zo, indraindray adidy hanao fananarana marina ny amin’izay hitan’izy ireo fa manimba ny fahamendrehan’ny olona sy ny soa ho an’ny fiombonambe.

Ny adidin’ny olom-pirenena dia ny mandray anjara miaraka amin’ny mpitondra fanjakana, amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona, amin’ny toe-tsaina mandala ny marina, ny rariny, ny firaisan-kina ary ny fahafahana. Ny fitiavana sy ny fanompoana ny tanindrazana dia avy amin’ny adidim-pankasitrahana sy ny didim-pitiava-namana. Ny fankatoavana ny manam-pahefana ara-dalàna sy ny asa ho an’ny soa iombonana dia mitaky amin’ny olom-pirenena ny tokony hanatanterahan’izy ireo ny anjara asany eo amin’ vondrona mpitondra fanjakana.

Ny manaiky ny manam-pahefana sy ny miara-miandraikitra ny soa iombonana dia mitaky ara-pitsipi-pitondran-tena handoa hetra, hampiasa ny zo handatsa-bato amin’ny fifidianana, hiaro ny tanindrazana :

Efao amin’ny olona rehetra izay tokony hefaina amin’izy ireo avy : hetra, amin’izay tokony handoavan-ketra ; fadin-tseranana, amin’izay tokony handoavana fadin-tseranana ; tahotra, amin’izay tokony hahatahorana ; haja, amin’izay tokony hohajaina (Rôm 13,7). Mitoetra eo amin’ny tanindrazany ny kristianina, kanefa ohatran’ny vahiny monina ihany. Manefa ny adidy rehetra maha-olom-pirenena azy izy ary mizaka manontolo ny andraikiny amin’ny maha-vahiny azy (…). Manaiky ny lalàna misy izy, fa ny fomba fiainany dia mihoatra ny lalàna (…). Ambony sady mihaja tokoa ny toerana izay natokan’ Andriamanitra ho anjarany ka tsy foiny ilaozana Taratasy ho an’i Diognète 5,5; 5,10; 6,10..

Mamporisika antsika ny apôstôly hanao fivavahana sy fisaorana ho an’ny mpanjaka sy ho an’izay rehetra mampiasa fahefana, “mba hahafahantsika miaina amim-piadanana sy fandriampahalemana ao anatin’ny fitiavam-bavaka sy fahamendrehana tanteraka” (1 Tim 2,2).

Manana adidy ny firenena manan-katao kokoa handray, araka izay azo atao, ireo vahiny mitady filaminan-tsaina sy fivelomana izay tsy mety hitany any amin’ny tany niaviany. Tsy hanao an-tsirambina ny fanjakana amin’ny fanajana ny zo voa-Janahary izay mametraka ny vahiny eo ambany fiarovan’ireo izay mandray azy. Ny mpifehy fanjakana, mba hiarovana ny soa iombonana iandraiketany, dia afaka mampifanaraka ny fampiasana ny zon’ny fifindra-monina amin’ny fepetra samihafa araka ny lalàna, indrindra ny fanajan’ny mpifindra monina ny adidiny eo amin’ny firenena mandray azy. Adidin’ny mpifindra monina kosa ny manaja amim-pankasitrahana ny vakoka hita maso sy ara-panahy izay an’ny firenena mandray azy, hanaiky ny lalànany ary handray anjara amin’ny adidy aman’ andraikiny.

Ny olom-pirenena dia voadidin’ny kônsiansy tsy hanaraka ny didin’ireo mpitondra firenena raha toa izany didy izany mifanohitra amin’izay takìn’ny lalàm-pitondran-tena, amin’ny zo fototra maha-olona na amin’ny fampianaran’ny Evanjely. Ny fandavam-panekena ny mpitondra firenena, raha mifanohitra amin’ny an’ny kônsiansy mahitsy ny fitakian’izy ireo, dia mahita ny fanamarinany amin’ny fanavahana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fanompoana ny vondrona mpitondra fanjakana. “Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’Andriamanitra” (Mt 22,21). “Aleo manaiky an’ Andriamanitra toy izay ny olombelona” (Asa 5,29) : Raha toa ny Fanjakana manao tsindry hazo lena ireo olom-pirenena amin’ny fihoaran’ny zon’ny fahefany manapaka, dia aoka ireo olom-pirenena tsy handà izay takìn’ny soa iombonana amin’ny fomba tsy mitanila. Kanefa azon’izy ireo atao ny miaro ny zony sy ny an’ireo mpiray tanindrazana aminy amin’ny fanoherana ny fanararaotam-pahefana, ao anatin’ny fanajana ny fetra voafaritry ny lalàna voa-Janahary sy ny Lalànan’ny Evanjely FAA 74, §5..

Ny fanoherana ny tsindry hazo lena ataon’ny fahefam-pitondram-panjakana dia tsy tokony hampiasana araka ny rariny ny fitaovam-piadiana, afa-tsy raha feno ireto fepetra manaraka ireto : 1- amin’ny fandikan-dalàna marina, mamohehatra ary miitatra amin’ny zo fototra ; 2- rahefa afa-nenina tamin’ny fangataham-bonjy hafa rehetra ; 3- tsy mahatonga korontana ratsy kokoa ; 4- tsapa ny fanantenana hahomby ; 5- raha tsy vita ny maminavina vahaolana tsaratsara kokoa amim-pahendrena.

Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana

Ny rafi-panorenana rehetra dia maka hevitra, na tsy mivantana aza, amin’ ny fijery lavitra ny olombelona sy ny fiafaram-piainany, izay amin’izany izy no misintona ny fanamafisan’antoky ny fandanjalanjany, ny ambaratongan-tsoatoaviny, ny sori-dalam-pitondran-tenany. Ny anka-maroan’ ny fikambanana dia mampitodika ny rafi-panorenany amin’ny fahamboniana marina ny olombelona miohatra amin’ny zavatra. Ny Fivavahana nambaran’Andriamanitra irery no miaiky mazava an’ Andriamanitra, Mpahary sy Mpanavotra, fiandohana sy fiafaram-piainan’ ny olombelona. Ny Fiangonana dia mitaona ireo fahefam-pitondram-panjakana hampitodika ny fiheveran’izy ireo sy ny fanapahan-kevitr’izy ireo amin’izany tolo-kevitra ara-Pahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny olombelona izany :

Ny fikambanana izay tsy mahalala izany tolo-kevitra izany, na mandà izany amin’ny anaran’ny fahaleovan-tenan’izy ireo tsy mifandray amin’ Andriamanitra, dia voatarika hitady ao amin’ny tenan’izy ireo ihany na hindrana amin’ny firehan-kevitra iray, ny fanamafisan’izy ireo ny antoka sy ny tanjom-piainan’izy ireo, ary, amin’ny tsy faneken’izy ireo hiaro ny tena mari-pitsaràna marina ny tsara sy ny ratsy, dia mahatonga azy hiseho eo amin’ny olona sy ny tanjom-piainany, ho fanjakana mpanao bodo ngerona, miharihary mazava na amin-kafetsen-dratsy, araka ireny asehon’ny tantara ireny jer. CA 45; 46..

“Ny Fiangonana, noho ny fiadidiany sy ny fahefany manapaka, izay tsy mifangaro na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana amin’ny vondrona mpitondra fanjakana, dia sady famantarana no fiarovana ny toetra ambony tsy taka-polopolorina maha-olona ny olona” FAA 76,§2.. “Hajain’ny Fiangonana sy asandrany ny fahafahana ara-pôlitika sy ny andraikitry ny olom-pirenena” FAA 76, §3..

Anisan’ny fanirahana ny Fiangonana ny “mitondra ny heviny ara-môraly, na dia amin’ny lafiny mahakasika ny pôlitika aza, rahefa mitaky izany ny zo fototra maha-olona na ny famonjena ny olona, amin’ny fampiasana ny fomba rehetra, izay hany mifanaraka amin’ny Evanjely sy mirindra amin’ ny soa iombonan’ny rehetra, arakaraka ny vaninandro sy ny toe-javatra samihafa” FAA 76, §5..

“Hajao ny rainao sy ny reninao” (Det 5,16 ; Mk 7,10).

Araka ny didy fahefatra, dia sitrak’Andriamanitra ny hanajantsika, manarakaraka Azy, ny ray aman-drenintsika sy ireo izay nomeny fahefana mba hanasoa antsika.

Miorina amin’ny fikambanan’ny mpivady sy ny fifanekeny, ny tokantrano. Nalahatra ho amin’ny soa ho an’ny mpivady, ho amin’ny fiterahana ary ho amin’ny fanabeazana ny zanaka, ny fanambadiana sy ny fianakaviana.

“Mifamatotra mafy amin’ny firindra tsara ny fiainana ao an-tokantrano sy ny fianakaviana, ny soa ho an’ny olona sy ho an’ny mpiara-monina, na amin’ny maha-olona tsotra azy na amin’ny maha-kristianina azy” FAA 47, § 1..

Ny adidin’ny zanaka amin’ireo ray aman-dreniny dia ny manaja, ny mankasitraka, ny manaiky ara-drariny ary ny manampy azy ireo. Mampandroso ny firindran’ny fiainam-pianakaviana manontolo, ny fanajan’ny zanaka ny ray aman-dreny.

Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany amin’ny finoana, amin’ny fivavahana ary amin’ny hatsaram-panahy rehetra. Manana adidy izy ireo hiantoka izay rehetra ilain’ny zanany amin’ny ara-batana sy ara-panahy, araka izay vitany.

Tsy maintsy manaja sy mampandroso ny fiantsoan’Andriamanitra ny zanak’izy ireo ny ray aman-dreny. Hotsarovan’izy ireo sy hampianariny fa ny antso voalohany ho an’ny kristianina, dia ny manara-dia an’i Jesoa.

Tsy maintsy hajain’ny Fanjakana ny zo fototra maha-olona ny olona sy ny fepetra hampiasana ny fahafahany.

Ny adidin’ny olom-pirenena dia ny miasa miaraka amin’ireo mpitondra fanjakana amin’ny fanorenana fiaraha-monina tsara ao anatin’ny toe-tsaina mandala ny fahamarinana, ny rariny sy hitsiny, ny firaisan-kina ary ny fahafahana.

Ny olom-pirenena dia voadidin’ny kônsiansy tsy hanaraka ny didin’ireo mpitondra firenena raha toa mifanohitra amin’izay takìn’ny lalàm-pitondran-tena izany didy izany. “Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona” (Asa 5,29).

Ny tsara akan’ny fiaraha-monina rehetra hevitra amin’ny fiheviny sy ny fitondran-tenany, dia ny fijery lavitra ny olombelona sy ny fiafaram-piainany. Manjary mora ho an’ny fiaraha-monina ny manao didy jadona sy manao bodo ngerona raha tsy arahiny ny fahazavan’ny Vaovao Mahafaly momba an’Andriamanitra sy momba ny olombelona.

5.Ny didy fahadimy

“Masina ny ain’olombelona, satria hatrany am-piandohany no ao aminy ny asam-paharian’Andriamanitra ary maharitra mandrakizay amin’ny fifandraisana manokana amin’ny Mpahary, izay hany tanjom-piafarany. Andriamanitra irery ihany no tompon’ny aina hatrany am-piandohany ka hatrany am-piafarany : na iza na iza, na amin’ny toe-javatra inona na amin’ny toe-javatra inona, tsy misy afaka mitaky ho an’ny tenany ny zo handringana mivantana olombelona tsy manan-tsiny” CDF, instr. "Donum vitae" intr. 5..

I.Ny fanajana ny ain’olombelona

Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina

Ny Soratra Masina, ao amin’ny tantaran’ny namonoan’i Kaina an’i Abela rahalahiny jer. Jen 4,8-12., dia mampiseho, hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, ny fisian’ny fahatezerana sy ny fitsiriritana ao amin’ny olombelona, vokatry ny fahotana tamin’ny fototra. Manjary fahavalon’ny olombelona mitovy aminy ihany ny olombelona. Hoy Andriamanitra nilaza ny haratsiam-panahin’io famonoana rahalahy io : “Inona no nataonao ? Fa mitaraina aty Amiko ny feon’ny ran-drahalahinao. Koa ankehitriny dia voaozon’ny tany ianao, izay misokatra hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tananao” (Jen 4,10-11).

Ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra sy ny olombelona dia mirakitra fampahatsiarovana maro ny amin’ny fanomezan’Andriamanitra ny ain’ olombelona sy ny herisetra mahafaty ataon’ny olona :

Hampamoahako ny ran’ny tsirairay ianareo (…). Ka na zovy na zovy handatsaka ny ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany. Satria nataon’Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olombelona (Jen 9,5-6). Mihevitra lalandava ny Testamenta Taloha, fa ny ra dia famantarana masina ny aina jer. Lev 17,14.. Ilaina amin’ny fotoana rehetra izany fampianarana izany.

Mamaritra mazava ny zavatra andraràna ao amin’ny didy fahadimy ny Soratra Masina : “Tsy hamono olona tsy manan-tsiny na olo-marina ianao” (Eks 23,7). Ny minia mamono olona tsy manan-tsiny dia manohitra mafy ny hasina maha-olona, ny fitsipika volamena ary ny fahamasinan’ny Mpahary. Ny lalàna mandrara izany dia manan-kery manerana ny tany tontolo : mandidy ny rehetra sy ny tsirairay, lalandava sy hatraiza hatraiza izany.

Nampahatsiahivin’ny Tompo tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra ny didy hoe : “Tsy hamono olona ianao” (Mt 5,21), sady nampiany fandraràna koa tsy ho tezitra, tsy hankahala ary tsy hamaly faty. Mbola mihoatra noho izany aza no angatahin’i Kristy amin’ny mpianany : hanolotra ny takolaka ilany jer. Mt 5,22-26.38-39. sy hitia ny fahavalo jer. Mt 5,44.. Na Izy aza tsy niaro tena akory, ary nilaza tamin’i Piera hampiditra ny sabatra ao amin’ny fitoerany jer. Mt 26,52..

Ny fiarovan-tena eken’ny lalàna

Tsy maningana amin’ny fandraràna ny famonoan’olona tsy manan-tsiny, izay anisan’ny famonoan’olona an-tsitrapo, ny fiarovan-tena eken’ny lalàna ho an’ny olona sy ho an’ny fiaraha-monina. “Vokatra anankiroa no ateraky ny asa fiarovan-tena : fitsimbinana ny ain’ny tena ny iray, fahafatesan’ilay mpamely ny iray hafa Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 64, 7.. (…) Ny iray voalohany ihany no azo iniana hatao, fa ny anankiray faharoa kosa tsy azo iniana hatao” Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 64, 7..

Maharitra ho fitsipika fototry ny toetram-pitondran-tena ny fitiavana ny tena. Noho izany, araka ny rariny sy ny hitsiny ny mahatonga hanaja ny zon’ny tena mba ho velona. Tsy helohina ho mpamono olona izay miaro ny ainy, na dia voatery aza izy hamono mahafaty ilay mpamely azy :

Raha hiarovan-tena no ampiasana herisetra mafy kokoa tsy araka ny tokony ho izy, dia tsy ara-dalàna. Fa raha anoherana ny fampiasan-kery amin’ny fomba voalanjalanja tsara, dia ara-dalàna (…). Ary tsy ilaina ho amin’ny famonjena raha hadinon’ny olona io asa fiarovana voalanjalanja tsara io mba hisorohana ny famonoana ny hafa ; satria voatery bebe kokoa ny olona hitandrina ny ain’ny tenany noho ny an’ny hafa Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 64, 7..

Ankoatra ny maha-zo azy, tsy mety ho zo fotsiny ny fiarovan-tena eken’ny lalàna, fa adidy lehibe ho an’izay tompon’andraikitry ny ain’ny hafa. Takìn’ny fiarovana ny soa iombonana ny hanaovana ny mpamely tsy ara-drariny tsy ho tonga amin’ny fomba mamohehatra. Noho izany, ireo izay manana fahefana ara-dalàna dia manana zo hampiasa na dia fitaovam-piadiana aza, mba hanoherana ireo tonga hamely ny vahoaka nankinina eo ambany fiandraiketan’izy ireo.

Ny ezaka ataon’ny Fanjakana hisakanana ny fielezan’ny fihetsika amam-pitondran-tena mandika ny zon’olombelona sy ny fitsipika fototry ny fiaraha-miainan’ny olom-pirenena, dia ilaina ampifandraisina amin’izay takìn’ny fiarovana ny soa iombonana. Manana zo sy adidy ny Fanjakana ara-dalàna, hampihatra ny sazy famaizana mifandanja amin’ny halehiben’ ny fahadisoana. Ny zava-kendrena voalohany amin’ny sazy famaizana dia ny hanonitra ny korontana nateraky ny fahadisoana. Raha manaiky an-tsitrapo izany famaizana izany ilay meloka, dia manjary soatoavina amin’ ny fanonerana ilay sazy famaizana. Mbola zava-kendrena amin’ny sazy famaizana, ny fiarovana ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahaleman’ ny olona, ary ankoatra izany ny fampiasana azy ho toy ny fitsaboana : araka izay azo atao, tokony hanampy hanatsara ny toetra sy ny fiainan’ilay meloka ny sazy famaizana.

Nandritra ny fotoana maro dia nampiharin’ny fitondrana mahefa isan-karazany ny fanamelohana ho faty mba ho setrin’ny heloka be vava, sady noheverina ihany koa hoe sazy azo ekena, na dia toa tafahoatra ihany aza, mba hijerena manokana ny soa iombonana. Vao maika mihamafy ankehitriny ny fahatsapana fa tsy voafafan’ny heloka be vava natao velively ny maha-olona. Mivoatra rahateo ny fanadraisan’ny fanjakana tsirairay ny hevitry ny fanasaziana noho ny heloka. Mahomby kokoa ny rafitra fampidirana am-ponja amin’izao noho izy novolavolaina hiaro ny olom-pirenena, fa noho izy mijery manokana ihany koa ilay voafonja mba ho tafarina eo anivon’ny fiaraha-monina any aoriana. Noho izany indrindra, ny Fiangonana, eo am-panarahana ny torolalan’ny Evanjely, dia mampianatra fa “ny fanamelohana ho faty dia tsy azo ekena satria midika ho herisetra sy fandavana ny maha-olona”. Discorso ai partecipanti all’incontro promosso dal Pontificio Consiglio per la Promozione della Nuova Evangelizzazione (11 ottobre 2017): L’Osservatore Romano (13 ottobre 2017), 5.

Ny famonoan’olona an-tsitrapo

Raràn’ny didy fahadimy ny famonoan’olona mivantana sy an-tsitrapo, noho ny maha-fahotana lehibe azy. Ny mpamono olona sy ireo izay miara-miasa an-tsitrapo amin’ny vono olona dia manao fahotana izay miantso valifaty any an-danitra jer. Jen 4,10.. Ny famonoan-jaza jer. FAA 51, §3., ny famonoana mpiray tam-po, ny famonoana ray na reny ary ny famonoana vady dia heloka lehibe indrindra noho ny rohim-pihavanana voa-Janahary izay tapahin’izy ireny. Ny fiahiana momba ny fanatsarana ny taranak’ olombelona na ny fahasalamam-bahoaka dia tsy afaka manamarina famonoan’ olona na iray aza, na dia ny fanjakana aza no mandidy izany.

Raràn’ny didy fahadimy ny tsy hanao fikasana na inona na inona hamono olona ankolaka. Raràn’ny lalàna môraly ny mamela olona iray, tsy misy antony lehibe, hisetra loza mahafaty, tahaka izany koa ny mandà tsy hamonjy olona iray tra-doza. Tsy rariny manafintohina sy fahadisoana lehibe ny aneken’ny fiaraha-monin’ny olombelona ny mosary mandripaka ain’olona, nefa tsy miezaka mitady fanafodin’ izany. Mahatonga famonoan’olona ankolaka ny mpanao varo-maizina, satria ny fanaon’izy ireny mampanjana-bola tsy ara-dalàna sy matimatim-bola no mahatonga ny mosary sy ny fahafatesan’ny olona izay tsy iza fa toy ny mpiray tam-po aminy ihany. Mahameloka azy ireo izany famonoan’olona izany jer. Am 8,4-10.. Tsy mahadiso ara-pitsipi-pitondran-tena ny famonoan’olona tsy fidiny. Kanefa tsy afa-tsiny amin’ny fahadisoana lehibe ny tena, raha nanao asa na fihetsika nahatonga fahafatesana, tsy misy antony mifandanja amin’izany, na dia tsy nieritreritra ny hahatonga izany aza.

Ny fanalan-jaza

Tsy maintsy hajaina sy arovana amin’ny fomba rehetra ny ain’ olombelona, manomboka amin’ny fotoanan’ny fiforonany ao am-bohoka. Manomboka amin’ny fotoana voalohan’ny fisiana ho olona, dia tokony haseho eo aminy ny fanekena ny zo maha-olona azy, anisan’izany ilay zo tsy azo dikaina eo amin’ny tsy manan-tsiny rehetra, dia ny zo ho velona jer. CDF, instr. "Donum vitae" 1,1.. Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohoka ianao. Raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko (Jer 1,5). Tsy niafina taminao ny tenako tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, notenomina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany (Sal 139,15).

Nantitranterin’ny Fiangonana, nanomboka tamin’ny taonjato voalohany, ny maha-ratsy ara-môraly ny fanalan-jaza rehetra iniana atao. Tsy azo soloina ary tsy miovaova izany fampianarana izany. Ny fanalan-jaza mivantana, izany hoe iniana atao ho tanjona na ho fomba, dia manohitra mafy ny lalàna môraly :

Tsy hamono ny “embryon” amin’ny alalan’ny fanalan-jaza ianao ary tsy hamono ny zaza tera-bao Didaché 2,2; jer. Barnabé, ep. 19,5; Epître à Diognète 5,6; Tertullien, apol. 9,8.. Andriamanitra, Tompon’ny aina, dia nanankina amin’ny olombelona ny fandraharahana ambony momba ny aina, ary tsy maintsy manefa izany amin’ny fomba mendrika Azy Tompo ny olona. Koa tsy maintsy arovana amim-pitandremana tanteraka ny aina, manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka : heloka faran’izay ratsy ny fanalan-jaza sy ny famonoan-jaza FAA 51, §3..

Fahotana lehibe ny fiarahana manala zaza amin’ny fomba mazava. Ny fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana no sazy araka ny lalàna famaizana ampiharin’ny Fiangonana amin’io fandikan-dalàna manohitra ny ain’olombelona io. “Izay mahatonga fanalan-jaza, raha tanteraka ny vokany, dia sazìna amin’ny fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana amin’ny sazy mihatra ho azy (latae sententiae)” CIC, can. 1398., “eo no eo ihany amim-panatanterahana ity heloka bevava ity” CIC, can. 1314. sy amin’ny fepetra voatondron’ny Lalàna CIC, can. 1323-1324.. Tsy ny mampihena ny fahalalahan’ny famindram-po no heverin’ny Fiangonana amin’izany, fa ny mampiseho ny halehiben’ ny heloka bevava natao sy ny fahavoazana tsy hay onerana mihatra amin’ ilay tsy manan-tsiny novonoina, amin’ny ray aman-dreniny ary amin’ny fiaraha-monina manontolo.

Anisan’ny singafototra mamorona ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena sy ny fehezan-dalànany, ny zo ho velona izay tsy azo foanana amin’ny olona rehetra tsirairay tsy manan-tsiny : “Tsy maintsy hankatoavina sy hajain’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena sy ny mpifehy fanjakana, ny zo tsy azo foanana amin’ny olona. Tsy miankina na amin’ny olona tsirairay, na amin’ny ray aman-dreny, ny zon’olombelona, ary tsy mahasolo na dia amin’ny fifaneken’ny fiaraha-monina sy ny Fanjakana aza ; anisan’ny toetra voa-Janahary ny olona izany ary tsy azo sarahina amin’ny olona noho ny asan’ny mpahary izay namoahany azy tany am-piandohany. Tsy maintsy asongadina, amin’ireny zo fototra ireny, ny zo ho velona sy ny zo tsy hanimbàna ny tenan’ny olombelona manontolo manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka ka mandra-pahafaty” CDF, instr. "Donum vitae" 3.. “Amin’ny fotoana izay misy lalàm-panjakana iray manan-kery manesotra sokajin’olona amin’ny fiarovana, kanefa tsy miaro azy ireo amin’izany ny fehezan-dalàna mifehy ny olom-pirenena, dia amin’izany ilay Fanjakana no tonga mandà ny fitovian’ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Rahefa ny Fanjakana no tsy mampiasa ny heriny amin’ny fikarakarana ny zon’ny olom-pirenena rehetra, singanina manokana ny an’ireo osa indrindra, dia ny fototra maha-fanjakana tan-dalàna mihitsy no tandindomin-doza (…). Noho ny halehiben’ny fanajana sy ny fiarovana izay tsy maintsy hiantohana ny zaza, manomboka amin’ny fotoana fiforonany ao am-bohoka, dia tokony hitsinjo mialoha ny sazy momba ny fandikan-dalàna sahaza ny fanazimbàna amim-piniavana rehetra ny zony, ny lalàna” CDF, instr. "Donum vitae" 3..

Noho ny “embryon” tsy maintsy karakaraina toy ny olona, manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka, dia tsy maintsy arovana amin’ny maha-izy azy manontolo, tsaboina sy sitranina, araka izay azo atao, toy ny olona hafa rehetra izy. Eken’ny lalàna ara-pitsipi-pitondran-tena ny famantarana toetr’aretina mialoha ny fahaterahana, “raha manaja ny aina sy ny maha-izy manontolo ny “embryon” sy ilay efa zaza ao am-bohoka izany, sy raha atodika amin’ny fiarovana azy na amin’ny fanasitranana ny tenany (…). Mifanohitra mafy amin’ny lalàna môraly kosa izany, rahefa mitsinjo mialoha, araka ny vokatra, ny zavatra mety hiseho mahatonga ny fanalan-jaza. Tsy tokony hampitoviana amin’ny teny ara-pitsaràna momba ny famonoana, ny famantarana toetr’aretina” CDF, instr. "Donum vitae", 1,2..

“Azo heverina ho ara-dalàna ny fitsaboana amin’ny fandidiana ny “embryon”-n’ olombelona, raha toa izany ka manaja ny aina sy ny maha-izy manontolo an’ilay “embryon”, ary tsy mamela azy amin’ny loza mety hitranga tsy araka ny tokony ho izy, fa mikendry ny fahasitranany, ny fanatsarana ny toe-pahasalamany, na ny fitohizam-piainan’ny tenany” CDF, instr. "Donum vitae" 1,3.. “Faharatsiam-pitondran-tena ny mamokatra “embryon”- n’olombelona, trandrahana ho fitaovana biôlôzika azo ampiasaina” CDF, instr. "Donum vitae" 1,5.. “Ny fanandramana sasantsasany amin’ny fandidiana ny singafoto-tselam-pandovàna ara-poto-toetran’ny ray aman-dreny na ara-poto-tarazo dia tsy fitsaboana, fa mikendry ho amin’ny famokarana olombelona nofantenana araka ny maha-lahy na maha-vavy, na araka ny toetra hafa efa namboarina mialoha. Ireny fampiasana ireny dia mifanohitra amin’ny hasina maha-olona ny olona tsirairay, amin’ny maha-izy azy manontolo ary amin’ny maha-izy azy manokana” tokana aman-tany, tsy azo averina intsony CDF, instr. "Donum vitae" 1,6..

Ny etanazia

Mila fanajana manokana ireo izay mihena na mihaosa ny ainy. Tokony hotohanana ny olona marary na sembana mba ho afaka mivelona ara-dalàna, sady araka ny tokony ho izy no araka izay azo atao.

Ny etanazia, na inona na inona antony sy fomba amam-pitaovana ampiasana azy, dia mifototra amin’ny fanaperan’ain’olona sembana, marary na miala aina. Tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izany. Tahaka izany, ny asa atao na tsy natao, avy amin’ny tena na amin’ny fikasana, hamonoana ho faty mba hanafoanana ny fangirifiriana, dia anisan’ny famonoan’olona manohitra tanteraka ny fahamendrehan’ny olombelona sy amin’ny fanajana an’Andriamanitra velona, Mpahary azy. Ny fahadisoam-piheverana izay mety ho tamim-pahatsorana no nanaovana izany, dia tsy manova ny toetra maha-asa famonoan’olona azy, izay raràna sy alavirina lalandava CDF, décl. "Iura et bona"..

Ny fampijanonana ny fomba fitsaboana lafo vidy, mampidi-doza, tsy araka ny fanao na tsy mifanandrify amin’ny vokatra antenaina ho azo, dia mety ho ara-dalàna. Izany no fandavana “ny ala nenim-pitsaboana”. Tsy ny fitadiavana ny hamono no hokatsahina amin’izany, fa ny manaiky ny tsy fahavitana manakana ny fahafatesana. Tokony horaisin’ny marary ny fanapahan-kevitra, raha manana fahefa-manapaka sy herim-pahazoana manao izany izy, na raha tsy izany izay manam-pahefana ara-dalàna, amin’ny fanajana lalandava ny finiavana marina hanao izany, sy ny fanajana lalandava ny tombon-tsoa ara-drariny an’ny marary.

Na dia heverina ho mananontanona aza ny fahafatesana, tsy mety hifanaraka amin’ny rariny ny mampitsahatra ny fitsaboana tsy maintsy atao mandrakariva amin’ny olona marary. Ny fampiasana ny fanafody mahadonto mba hanamaivanana ny fanaintainan’ilay miala aina, na dia mety hanafohy ny androny aza, dia mety hifanaraka ara-pitsipi-pitondran-tena amin’ny fahamendrehan’ny olombelona raha tsy irìna ho tanjona na ho fitaovana ny fahafatesana, fa tsinjo mialoha sy ekena fotsiny ho tsy azo ihodivirana. Ny fitsaboana mampitonintony ny aretina dia anisan’ny endrika iray fanehoana manokana ny fitiava-namana tsy mikendry tombon-tsoan’ny tena. Noho izany, tokony amporisihina ny fanaovana io fitsaboana io.

Ny famonoan-tena

Tompon’andraikitra amin’ny ainy ny tsirairay, eo anatrehan’ Andriamanitra izay nanome azy izany. Kanefa, Izy Andriamanitra irery no Tompo tsy refesi-mandidy amin’izany. Manana adidy isika handray izany amim-pankasitrahana sy hiaro izany ho voninahiny sy ho famonjena ny fanahintsika. “Mpiandry omby volavita isika tsy tompony fa mpamerin-doha” amin’ny aina izay nankinin’Andriamanitra amintsika. Tsy isika no mandahatra izany.

Fironana voa-Janahary ao amin’ny olombelona ny mitsimbina sy mampaharitra ny ainy, koa manohitra izany ny famonoan-tena, sady manohitra mafy ny fitiavana marina ny tena. Manafintohina ny fitiava-namana koa ny famonoan-tena, satria manapaka tsy ara-drariny ny fitohizan’ny fifandraisana eo amin’ny fiaraha-miainan’ny fianakaviana, ny firenena ary ny olombelona, izay adidintsika ny miara-miaina amin’izy ireo. Manohitra ny fitiavan’Andriamanitra velona ny famonoan-tena.

Raha mikendry ny hotahafin’ny hafa, indrindra ho an’ny tanora ny famonoan-tena, dia mampitombo kokoa ny halehiben’ny fanafintohinana. Manohitra ny lalàna môraly ny fiaraha-miasa an-tsitrapo amin’ny famonoan-tena. Ny mety hampihena ny haben’ny fahadisoana amin’ny mamono tena dia ny fikorontanan-tsaina mafy, ny tebiteby na ny fahatahorana mafy avy amin’ny fitsapan-toetra, avy amin’ny fijaliana na avy amin’ny fampijaliana.

Tsy tokony hanary toky amin’ny famonjena mandrakizay ireo olona mamono tena. Azon’Andriamanitra atao ny mamorona ho azy ireny, amin’ ny lalana izay Izy irery no mahalala, ny fitahiam-pibebahana ho amin’ny famonjena. Mivavaka ho an’ireo olona izay mamono ny ain’izy ireo ny Fiangonana.

II.Ny fanajana ny hasina maha-olona

Ny fanajana ny vatana sy ny fanahin’ny hafa : ny fanafintohinana

Ny fanafintohinana dia fihetsika aseho na fitondran-tena izay mitarika ny hafa hanao ratsy. Mahatonga ny tenany ho mpaka fanahy ny namany, ny olona manafintohina. Manimba ny hatsaram-panahy sy ny hitsim-po izy ; mety hahatonga ny rahalahiny ho amin’ny fahafatesana ara-panahy izy. Anisan’ny fahotana lehibe ny fanafintohinana raha mitarika an-tsitrapo ny hafa hanao fahotana lehibe, noho ny asa atao na tsy natao.

Manana halehibe manokana ny fanafintohinana, arakaraka ny fahefan’ireo izay mahatonga izany na amin’ny fahosan’ireo izay iharan’izany. Fahazavan-kevitra avy amin’ity teny milaza loza nolazain’ny Tompontsika ity izany : “Izay manafintohina ny anankiray amin’ireny madinika ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanatonana vato fikosehan-dafarinina amin’ny vozony, ka halentika any anaty ranomasina izy” (Mt 18,6) jer. 1 Kôr 8,10-13. Lehibe ny fanafintohinana rahefa mahakasika ireo izay, noho ny toetra na noho ny anjara raharaha, manana adidy hampianatra na hanabe ny hafa. Manome tsiny ireo mpahay lalàna sy ireo Farisianina i Jesoa : Ohariny amin’ny amboadia mitafy hodi-janak’ondry izy ireny jer. Mt 7,15..

Ny fanafintohinana dia mety ho avy amin’ny lalàna na avy amin’ny rafi-panorenana, avy amin’ny fomba fiaina na avy amin’ny hevitry ny olona. Araka izany, melohina ho mpanafintohina ireo izay mamorona lalàna na rafi-piaraha-monina mitarika ho amin’ny fanimbana ny fomba fiainana amam-pitondran-tena sy ho amin’ny fahalovan’ny fiainana ara-pivavahana, na ireo “izay manao fepetra ara-piaraha-monina, an-tsitrapo na tsia, ka mahatonga ny fitondran-tena kristianina araka ny didin’Andriamanitra ho sarotra sy tsy azo tanterahina mihitsy aza” Pie XII, lahateny tamin’ny 1 jona 1941.. Torak’izany koa, melohina ho mpanafintohina ireo lehiben’ny orinasa manao fitsipika mahatonga ho amin’ny fitaka, ireo mpampianatra “mampisafoaka” ny mpianany jer. Efez 6,4; Kôl 3,21. na ireo izay mpandrebireby vahoaka amin’ny fanodinana ny sain’izy ireo tsy ho amin’ny soatoavina ara-môraly.

Ilay izay mampiasa ny fahefana ananany, amin’ny fomba mahatarika hanao ratsy, dia manamelo-tena amin’ny fanafintohinana sy tompon’ andraikitra ny ratsy izay ankasitrahany mivantana na tsy mivantana. “Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza no hanjo an’izay iaviany” (Lk17,1).

Ny fanajana ny fahasalamana

Harena sarobidy avy amin’Andriamanitra ny aina sy ny fahasalamam-batana. Tokony hokarakaraintsika amim-pahendrena izany, amin’ny fiheverana ny zavatra tena ilain’ny hafa sy ny soa iombonana. Ny fikarakarana ny fahasalaman’ny olom-pirenena dia mitaky ny fanampian’ny mpiara-monina mba hananana toe-piainana ahafahana mitombo sy mahatratra ny fahamatorana : sakafo sy fitafiana, trano fonenana, fikarakarana ara-pahasalamana, fampianarana fototra, anton’asa, fanampiana ara-tsôsialy.

Raha mitaky ny fanajana ny fiainana ara-batana ny môraly dia tsy manao ny fiainana ara-batana ho ambony indrindra tsy akory izany. Ny môraly dia manohitra ny fomba fisainan’ny mpanompo sampy amin’ny fomba vaovao izay mikendry hampandroso ny fanompoam-batana, hahafoy ny zavatra rehetra ho azy, ho tia tafahoatra ny fahatsarany sy ny fahombiazana ara-panatanjahan-tena. Fomba fisainana manavaka ny matanjaka sy ny osa izany, amin’ny alalan’ny safidim-pifantenana, ka mety hitarika amin’ny fiharatsian’ny fifandraisan’ny olona.

Ny herim-panahy fahalalana onony no mandrisika hisoroka ny karazan’ ny fanao tafahoatra ny mety rehetra, amin’ny filerana sakafo, amin’ny zava-pisotro misy alikaola, amin’ny paraky mbamin’ny sigara ary ny fanafody. Ireo izay mamo na tia ny mandeha mirimorimo mihoatra ny mety dia mampidi-doza ny filaminan-tsain’ny hafa sy ny an’ny tenan’izy ireo, eny an-dalana, eny an-dranomasina, eny an’habakabaka, ary mahatonga azy ireo ho meloka mafy tokoa.

Ny fampiasana zava-mahadomelina dia manafay amin’ny fanimbana lehibe dia lehibe ny fahasalamana sy ny fiainan’ny olombelona. Ivelan’ny toromarika hentitra momba ny fitsaboana, dia fahadisoana lehibe izany. Ny famokarana an-tsokosoko sy ny varo-maizina amin’ny zava-mahadomelina dia fanao manafintohina ; midika ho fiaraha-miasa mivantana ireny, satria mandrisika izany ho amin’ny fomba fanao mifanipaka mafy amin’ny lalàna môraly.

Ny fanajana ny olona sy ny fikarohana ara-tsiansa

Ny fanandramana ara-tsiansa, ara-pitsaboana na ara-pisikôlôzia, eo amin’ ny olona na vondron’olona, dia mety hanampy amin’ny fanasitranana ny marary sy amin’ny fandrosoan’ny fahasalamam-bahoaka.

Ny fikarohana ara-tsiansa fototra, tahaka ny fikarohana ampiharina avy hatrany koa, dia samy anisan’ny fanehoana mampibaribary ny maha-mpanjakan’ny zavaboary ny olombelona. Harena sarobidy ny siansa sy ny teknika rahefa ampiasaina hanampiana ny olona sy anandratana avy amin’izany ny fivelarana manontolo ho amin’ny tombon-tsoan’ny rehetra ; kanefa ireo, raha izy ireo fotsiny, tsy ahafahana milaza ny anton’ny fisiana sy ny fivoaran’ny olombelona. Miankina amin’ny olombelona ny siansa sy ny teknika, satria ny olombelona no iandohan’ ireo sy itomboan’ireo ; noho izany, ao amin’ny olona sy ny soatoavina ara-môraly no ahitan’ny siansa sy ny teknika ny fanondroana ny tanjom-piafarany sy ny fahalalany ny fetrany.

Fijery mamitaka ny mitaky ny tsy ampidirana môraly amin’ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fampiharana azy. Ankoatra izany, ny fepetra arahina amin’ny fanorenana izany dia tsy tokony hosintonina avy amin’ny fahombiazana tsotra ara-teknika na avy amin’ny tombon-tsoa izay mety ho azon’ny sasany, amin’ny fahavoazan’ny hafa, na, mbola ratsiratsy kokoa, avy amin’ny firehan-kevitra arahin’ny daholobe. Takìna amin’ny siansa sy ny teknika, amin’ny alalan’ny hevitr’izy ireo tena izy, ny fanajana tsy misy fepetra ny foto-piorenan’ny toetram-pitondran-tena ; ny siansa sy ny teknika dia tokony hanampiana ny olombelona, ny zony tsy azo foanana, ny soany tena izy sy tsy misy tomika, mifanaraka amin’ny tetik’asan’Andriamanitra sy ny sitrapony.

Ny fikarohana na ny fanandramana atao amin’ny olombelona dia tsy afaka manamarina ny asa amin’ny maha-asa azy ihany, raha mifanohitra amin’ny hasina maha-olona sy amin’ny lalàna môraly. Tsy manamarina ny asa toy izany ny fanekena mety hisy eo amin’ireo olona anaovana ny fikarohana na ny fanandramana. Tsy ara-dalàna ara-pitsipi-pitondran-tena ny fanandramana atao amin’ny olombelona raha toa ka mampidi-doza tsy mifanaraka na azo sorohina eo amin’ny aina na eo amin’ny maha-izy manontolo ny ara-batana sy ny ara-tsain’ilay olona. Tsy mifanaraka amin’ ny hasina maha-olona ny fanandramana atao amin’ny olombelona, indrindra raha tsy misy fanekena mazava avy amin’ilay olona anaovana fanandramana na avy amin’ireo manan-jo misolo tena azy.

Mifanaraka amin’ny finoana ara-môraly ny fanaovana grefy taova raha mifandanja amin’ny soa irin’ilay mpandray, ny loza sy ny fanaovana vy very ara-batana sy ara-tsaina setrain’ilay mpanome. Asa ambony sy mendrika hoderaina ny fanomezana taova aorian’ny fahafatesana ka tokony hamporisihana fa fanehoana firaisan-kina atao amin-kalalaham-po izany. Tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izany raha tsy nanome ny fanekeny mazava ilay mpanome na ireo havany manan-jo amin’izany. Ankoatra izany, tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena ny mahatonga mivantana fanesoran-drantsambatana mahakilemaina na fahafatesan’ olona iray mihitsy aza, mba hampihemorana ny fahafatesan’ny olona hafa.

Ny fanajana ny maha-izy manontolo ny vatana

Ireo fakana an-keriny sy ireo fanaovana sambo-belona atao antoka na takalon’aina dia mampanjaka ny asa fampihorohoroana, ary noho ny fandrahonana, dia mahatonga fanerena tsy tanty eo amin’ireo ianjadiam-boina. Tsy ekena ara-pitsipi-pitondran-tena ho ara-dalàna ireny. Ny asa fampihorohoroana rehetra na inona na inona dia mampatahotra, mandratra ary mamono ; manohitra mafy tokoa ny rariny sy ny fitiavana izany. Manohitra ny fanajana sy ny hasina maha-olona ny fampijalijaliana izay mampiasa herisetra ara-batana na ara-tsaina mba hampiaikena, mba hanafaizana ny olo-meloka, mba hampitahorana ny mpanohitra, mba hanatanterahana ny fankahalana. Ivelan’ny filazan’ny mpitsabo amin’ny lafiny hentitra momba ny fitsaboana, dia manohitra ny lalàna môraly ny fanapahan-drantsambatana, ny fanesoran-drantsambatana, na ny fampamombàna an-tsitrapo mivantana atao amin’ ny olona tsy manan-tsiny jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..

Tamin’ny andro taloha, dia mazàna nampiasa fomba amam-pihetsika tsy mifaditrovana ny fitondram-panjakana ara-dalàna mba hitandroana ny lalàna sy ny filaminana, matetika tsy nisy fanoheran’ireo mpitondra Fiangonana, izay izy ireo koa aza no nandany era tao amin’ny tribonalin’izy ireo ny baikon’ny didy rômanina ny amin’ny fampijalijaliana. Tao ambadik’ireny toe-javatra mampalahelo ireny, dia nampianatra lalandava ny adidy momba ny fahalemem-panahy sy ny famindram-po ny Fiangonana ; noraràny ny mpandraharaha voahosotra tsy handatsa-dra. Tamin’ny fotoana tsy ela akory izay, niharihary fa tsy nilaina ho amin’ny filaminam-bahoaka na tsy mifanaraka koa amin’ny zo ara-dalàna ny olombelona ireny fomba amam-pihetsika tsy mifaditrovana ireny. Ny mifanohitra amin’izany aza, mitondra ho amin’ny fikororosy fahana ratsy indrindra ireny fomba amam-pihetsika ireny. Ilaina ny miasa ho fanafoanana ireny. Ilaina ny mivavaka ho an’ny olona niharan-doza sy ny mpampijaly azy ireo.

Ny fanajana ny maty

Tandremana sy karakaraina ireo olona madiva ho faty mba hanampy azy ireo hiaina ny fotoana farany ahaveloman’izy ireo amin’ny fahamendrehana sy fiadanana. Ny vavak’ireo havana aman-tsakaizany no hanampy azy ireo. Hezahin’izy ireo ny handraisan’ny marary amin’ny fotoana mety ny sakramenta izay manomana ny fihaonana amin’ilay Andriamanitra velona.

Tokony hokarakaraina amim-panajana sy amim-pitiavana ao anaty finoana sy fanantenana ny fitsanganan-ko velona ny nofo mangatsiaka an’ireo nodimandry. Tsanganasa fiantrana momba ny vatana ny fandevenana ny maty jer. Tob 1,16-18. ; manaja sy manome voninahitra ny zanak’Andriamanitra, tempolin’ ny Fanahy Masina izany.

Mety ho azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena ny fandidiam-paty noho ny antony famotopotorana araka ny lalàna, hizahana ny antony nahafatesany, na noho ny antony fikarohana ara-tsiansa. Ara-dalàna ary mety ho mendri-piderana ny fanomezana maimaim-poana ny taova aorian’ny fahafatesana. Manaiky ny fandoram-paty hanjary lavenona ny Fiangonana raha tsy miteraka voka-dratsy amin’ny finoana ny fitsanganan’ny vatana ho velona izany jer. CIC, can. 1176, §3..

III.Ny fiarovana ny fandriampahalemana

Ny fandriampahalemana

Amin’ny fampahatsiarovana ny didy hoe : “Tsy hamono olona ianao” (Mt 5,21), dia mila ny fiadanan’ny fo ny Tompontsika ary miampanga ny faharatsian’ny fahatezerana mahafaty sy ny fankahalana : Faniriana hamaly faty ny fahatezerana. “Raràna ny mikasa hamaly faty mba hampisy fahavoazana an’ilay nanao ratsy ho sazy ampiharina aminy” ; saingy tsara ny mampanao fanonerana “mba ho fanitsiana ny faharatsian-toetra sy ho fampanjakana ny fahamarinana” Md Thomas d’A., s. th. 2-2,158, 1, ad 3.. Ny fahatezerana, raha tonga hatramin’ny fikasana amim-piniavana hamono ny namana na handratra azy mafy mihitsy, dia lasa manohitra tanteraka ny fitiava-namana ; fahotana mahafaty izany. Hoy ny Tompo : “Na iza na iza mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsaràna” (Mt 5,22).

Manohitra ny fitiava-namana ny fankahalana an-tsitrapo. Fahotana ny fankahalana ny namana, rahefa minia mikasa hanisy ratsy azy. Fahotana lehibe ny fankahalana ny namana, rahefa minia maniry azy hiharam-pahavoazana lehibe. “Fa Izaho kosa milaza aminareo : Tiava ny fahavalonareo, mivavaha ho an’izay manenjika anareo ; mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo …” (Mt 5,44-45).

Mila fandriampahalemana ny fanajana sy ny fandrosoan’ny fiainan’ny olombelona. Ny fandriampahalemana dia tsy midika hoe tsy fisian’ny ady fotsiny, ary tsy voafetra amin’ny hoe fiorenan’ny fifandanjan-kerin’ny mpifanohitra. Tsy hanjaka ny fandriampahalemana eto ambonin’ny tany raha tsy misy ny fiarovana ny fananan’olona, ny fifandraisana malalaka eo amin’ny samy olombelona, ny fanajana ny fahamendrehan’ny olona sy ny firenena, ny fiainana mitandro hatrany ny fihavanana. “Fahatonian’ny filaminana” Md Augustin, civ. 19,13. izy ; tsanganasan’ny fahamarinana (Iz 32,17) ary vokatry ny fitiavana jer. FAA 78, §§1-2..

Endrika sy vokatra ny fiadanan’i Kristy, ilay Mesia “Andrian’ny fiadanana” (Iz 9,5) ny fandriampahalemana eto ambonin’ny tany. Tamin’ ny alalan’ny ra nalatsany teo amin’ny Hazofijaliany no nandevonany ny fifandrafesana tao amin’ny Tenany nofo jer. Efez 2,16; Kôl 1,20-22., nampihavanany ny olombelona tamin’Andriamanitra, ary nanaovany ny Fiangonany ho famantarana ny firaisan’ny olombelona rehetra sy ny fiombonany amin’Andriamanitra jer. FF 1.. “Izy no fiadanantsika” (Efez 2,14). Ambarany fa “sambatra ny tia fihavanana” (Mt 5,9).

Ireo izay mandà ny asa mahery setra, mandatsa-dra, fa mampiasa ny fitaovam-piarovana takatry ny osa kokoa, ho fiarovana ny zon’olombelona, no mijoro vavolombelon’ny fitiavana araka ny Evanjely, raha toa ka tsy manimba ny zo sy ny adidy aman’andraikitry ny olon-kafa sy ny fikambanana ny fanaovana izany. Izy ireo no manamarina ara-dalàna ny halehiben’ny loza ara-batana sy ara-tsaina amin’ny fampiasana herisetra, sy manamarina koa ny vokany, dia ny faharavana sy ny fahafatesana jer. FAA 78, §5..

Misoroka ny ady

Mandrara ny famotehana an-tsitrapo ny fiainan’olombelona ny didy fahadimy. Noho ireo fahavoazana amam-pahoriana sy tsy rariny ateraky ny ady rehetra, dia mamporisika mafy ny tsirairay hivavaka sy hiasa ny Fiangonana, mba hanafahan’ny Hatsaram-pon’Andriamanitra antsika amin’ny fanandevozana fahiny tamin’ny ady jer. FAA 81, §4..

Tsy maintsy manao izay hisorohana ny ady ny olom-pirenena tsirairay sy ny mpitondra. Rahefa ela ny ela, na dia izany aza, “ka haharitra ny loza ateraky ny ady, nefa tsy misy ny fahefa-manapaka iraisam-pirenena manan-kery ampy handaminana ny toe-draharaha, dia tsy azo lavina fa manana zo hiaro tena ara-dalàna ny fitondram-panjakana, rahefa lany haika tamin’ny fampiraharahana rehetra azo natao isorohana ny ady” FAA 79, §4..

Tsy maintsy dinihana mazava tsara ny fepetra mafy amin’ny fiarovan-tena eken’ny lalàna amin’ny alalan’ny hery ara-tafika. Ny halehiben’ny fanapahan-kevitra toy izany dia mampanaiky izany amin’ny fepetra henjana amin’ny fahamarinana ara-môraly. Tsy maintsy ho toy izao avy izany - maharitra, lehibe ary tsy misy isalasalana ny fahavoazana nanafaizan’ny mpamely ny firenena na ny firaisambem-pirenena ; - miharihary fa tsy mety vita na tsy mahomby ny fomba amam-pitaovana hafa rehetra nampitsaharana izany ; - voangona ny fepetra matotra azo antoka fa hahomby ; - tsy hiteraka fahavoazana sy korontana mety hamohehatra kokoa noho ilay ratsy tiana ho foanana ny fampiasana fitaovam-piadiana. Mitambesatra tokoa amin’ny fankasitrahana izany fepetra izany ny herin’ny fitaovana môderina famotehana. Ireo no singafototra fanao fahizay notanisaina tamin’ny fitambaram-pampianarana antsoina hoe : “ady ara-drariny”. Anjaran’izay miandraikitra ny soa iombonana no mandanjalanja amim-pahendrena ny fankasitrahana ireo fepetran’ny fahamarinana ara-môraly ireo.

Manana zo sy adidy ny fanjakana amin’io toe-javatra io, hanery ny olom-pirenena amin’ny adidy aman’andraikitra ilaina amin’ny fiarovam-pirenena. Ireo izay manolo-tena hanompo ny tanindrazana ao amin’ny fiaina-miaramila, dia mpanompon’ny filaminana sy ny fahafahan’ny firenena. Mandray anjara marina amin’ny soa iombonan’ny firenena sy amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana izy ireo, raha efainy tsara ny lahasan’izy ireo jer. FAA 79, §5..

Anjaran’ny fanjakana ny miantoka ara-drariny ireo izay manaraka ny könsiansiny, ka sady mandà tsy hampiasa fitaovam-piadiana, no maharitra hanompo ny firenena amin’ny fomba hafa jer. FAA 79, §3..

Ambaran’ny Fiangonana sy ny sain’olombelona fa manan-kery lalandava ny lalàna môraly mandritra ny ady ampiasana fitaovam-piadiana. Rahefa tonga amin’ny tsontsori-mamba hisarahana ka velona ny ady, tsy izany akory no hahatonga ho ara-dalàna ny zavatra rehetra ataon’ny mpifanandrina” FAA 79, §4..

Tsy maintsy hajaina sy karakaraina amin-kalemem-panahy ireo tsy nandray anjara tamin’ny ady, ireo miaramila naratra ary ireo sambo-belona. Heloka bevava ny asa amam-pihetsika rehetra iniana atao manohitra ny zon’ny olona sy ny fitsipi-pitondran-tena amin’izany zo izany izay mahafehy ny daholobe, toy izany koa ny mandidy hanatanteraka ireny. Tsy ampy hanala tsiny an’ireo izay manaiky izany ny fanekena an-jambany. Tahaka izany ny fandringanana vahoaka, firenena na foko vitsy an’isa, dia azo helohina ho fahotana mahafaty. Voatery ara-pitsipi-pitondran-tena ny olona hanohitra ny baiko izay mandidy handringana olona.

“Ny ady rehetra izay mikendry tsy misy fanavahana handravana tanàna manontolo na faritra midadasika miaraka amin’ny mponina ao aminy, dia heloka bevava manohitra an’Andriamanitra sy ny olombelona mihitsy, ka tsy maintsy helohina mafy tokoa sy tsy amim-pihambahambana” FAA 80, §4.. Ny loza ateraky ny ady môderina dia ny mamorona antony mba hanaovan’ireo mpitana fitaovam-piadiana siantifika, indrindra atômika, biôlôzika na simika, heloka bevava amin’izany.

Maro ny mihevitra fa ny fanangonana fitaovam-piadiana dia fomba azo hifanoherana ara-kevitra hamiliana ny ady mety ho ataon’ny mpanohitra. Heverin’izy ireo fa izany no fomba tena mahomby mety hiantohana ny fandriampahalemana eo amin’ny samy firenena. Mila fahamalinana ara-môraly hentitra anefa izany fomba fampihemoram-pahavalo izany. Satria, tsy tena afaka miantoka ny fandriampahalemana ny fifaninanana mampiasa fitaovam-piadiana. Tsy manafoana velively ny raharahan’ady izany, fa vao mainka aza manampy trotraka azy. Ny fandanian-karena mihoa-pampana amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana vaovao lalandava dia misakana ny fanatsarana ny fiainan’ireo vahoaka mahantra tsy ampy fivelomana PP — Populorum progressio., sady misakana koa ny fampandrosoana ny firenena. Mampitombo ny anton’ny fifanoherana sy mampitombo ny loza mety hitranga amin’ny fiitaran’ny ady, ny fitaovam-piadiana tafahoatra.

Ny famokarana sy ny fivarotana fitaovam-piadiana dia mahakasika ny soa iombonan’ny firenena rehetra sy ny fikambanana iraisam-pirenena. Koa noho izany, zo sy adidin’ny Fanjakana ny mandamina fitsipi-pifehezana an’ireny. Ny fitadiavana tombon-tsoa manokana na iombonana ao anatin’ ny fotoana fohy dia tsy azo anekena ho ara-dalàna an’ireo orinasa izay mampirehitra herisetra sy fifanoherana eo amin’ny samy firenena, sy izay manimba ny fandaminana araka ny lalàna iraisam-pirenena.

Ny tsy rariny, ny tsy fitoviana mihoa-pampana amin’ny lafiny ara-toe-karena na ara-tsôsialy, ny fitsiriritana, ny fiahiahiana ary ny fiavonavonana izay mamely mafy eo amin’ny samy olombelona sy ny firenena, no loza mitatao tsy an-kijanona amin’ny fandriampahalemana sy miteraka ny ady. Fandraisana anjara hampanjakana ny fandriampahalemana sy hisorohana ny ady, izay rehetra atao handresena ireny korontana ireny : Arakaraka ny maha-mpanota ny olombelona, no itataovan’ny lozan’ny ady, ary ho toy izany ihany mandra-piverin’i Kristy. Kanefa, arakaraka ny iraisan’ny olombelona ao anatin’ny fitiavana, no handreseny ny fahotana, ary koa handreseny ny herisetra mandra-pahatanteraka ity teny ity hoe : “Ny sabatr’izy ireo ho tefeny ho lelan’angadinomby, ary ny lefony ho antsy fijinjàna. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona” (Iz 2,4) FAA 78, §6..

“Andriamanitra no mitana eo ambany fahefany ny fanahin’ny velona rehetra, sy ny fofon’ain’ny tenan’olombelona rehetra” (Jôba 12,10).

Masina ny ain’olombelona rehetra, manomboka amin’ny fotoana iforonany ao am-bohoka ka mandra-pahafatiny, satria ny olombelona amin’ny maha-olombelona azy dia natao mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra velona sady masina.

Mifanohitra tanteraka amin’ny hasin’ny maha-olona ny olona sy ny fahamasinan’ny Mpahary azy ny famonoan’olona.

Ny fandraràna ny famonoan’olona dia tsy manafoana ny zo hiaro tena amin’ny fisakanana ny mpamely tsy ho tonga amin’ny fomba mamohehatra. Ny fiarovan-tena eken’ny lalàna dia adidy lehibe ho an’izay miandraikitra ny ain’ny hafa na ny fananana iombonana.

Efa manan-jo ho velona ny zaza, manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka. Ny fanalan-jaza mivantana, izany hoe iniana atao ho toy ny tanjona na ho toy ny fomba, dia “fanao ratsy” FAA 27, !3., tena manohitra ny lalàna môraly. Ny fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana no sazy araka ny lalàna famaizana ampiharin’ny Fiangonana amin’io fandikan-dalàna manohitra ny ain’olombelona io.

Noho ny “embryon” tsy maintsy karakaraina toy ny olona, manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka, dia tsy maintsy arovana amin’ny maha-izy azy manontolo, tsaboina sy sitranina toy ny olona hafa rehetra izy.

Ny etanazia atao an-tsitrapo, na ahoana na ahoana ny fomba ampiasaina ary na inona na inona antony, dia famonoan’olona tsotr’izao. Manohitra tanteraka ny hasina maha-olona sy ny fanajana an’Andriamanitra velona Mpahary azy izany.

Ny famonoan-tena dia manohitra tanteraka ny fahamarinana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Voararan’ny didy fahadimy izany.

Anisan’ny fahotana lehibe ny fanafintohinana, raha mitarika an-tsitrapo hanao fahotana lehibe, noho ny asa atao na tsy natao.

Noho ireo fahavoazana amam-pahoriana sy tsy rariny ateraky ny ady rehetra, tsy maintsy ataontsika izay rehetra azo atao amim-pahendrena hisorohana izany. Hoy ny vavaky ny Fiangonana : “Amin’ny mosary sy ny pesta ary ny ady, afaho izahay, ry Tompo ! ”

Ambaran’ny Fiangonana sy ny sain’ny olombelona fa manan-kery lalandava ny lalàna môraly mandritra ny ady ampiasana fitaovam-piadiana. Heloka bevava ny asa amam-pihetsika rehetra iniana atao manohitra ny zon’ny olona sy ny fitsipi-pitondran-tena amin’izany zo izany izay mahafehy ny daholobe.

“Ny fifaninanana mampiasa fitaovam-piadiana dia loza faran’izay mampitebiteby ny olombelona rehetra sy mamohehatra ny mahantra amin’ ny fomba tsy azo leferina” FAA 81, § 3..

“Sambatra ireo mpampihavana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy ireo” (Mt 5,9).

6.Ny didy fahenina

I.“Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy ireo…”

“Andriamanitra dia fitiavana, ka ao amin’ny Tenany ihany Izy no miaina ny misterin’ny fiombonana sy ny fitiavana. Tamin’ny nahariany ny maha-olombelona ny lehilahy sy ny vehivavy hitovy endrika Aminy (...) no nandraiketany ao amin’io maha-olombelona io ny fiantsoana azy, izany hoe ny herim-pahazoana amam-pahaizana mitia sy miombona, sy ny adidy aman’andraikitra mifanandrify amin’izany” FM 11.. “Ary Andriamanitra nahary ny olombelona mitovy endrika Aminy (...) ka lehilahy sy vehivavy no nahariany azy ireo” (Jen 1,27) ; “Miteraha maro ary mitomboa ianareo” (Jen 1,28) ; “Tamin’ny andro izay naharian’ Andriamanitra ny olombelona, dia nataony mifanahaka Aminy izy ireo, lehilahy sy vehivavy no nahariany azy ireo : notsofiny rano izy ireo, ary nomeny anarana hoe olombelona, tamin’ny andro nahariany azy ireo” (Jen 5,1-2).

Miseho amin’ny lafiny rehetra momba ny olombelona ny maha-lahy na maha-vavy, ao amin’ny firaisan’ny vatany sy ny fanahiny. Mahakasika manokana ny fihetseham-po, ny herim-pahazoana amam-pahaizana mitia sy miteraka, ary, amin’ny ankapobeny, ny fahaiza-manorina fifandraisam-piombonana amin’ny hafa.

Anjaran’ny tsirairay, lehilahy sy vehivavy, ny mamantatra sy ny manaiky ny maha-izy azy ho lehilahy na ho vehivavy. Ny faha-samy hafa sy ny fifamenoana ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy, dia atodika any amin’ny soa ho an’ny fanambadiana sy ny fivelaran’ny fiainam-pianakaviana. Ny fomba iainan’ny olona ny maha-lahy azy na ny maha-vavy azy eo amin’ny lafiny fifamenoana, filana ary fifanohanana, dia anisan’ny iankinan’ny firindram-piainan’ny mpivady sy ny fiaraha-monina.

“Raha vao nahary ny olombelona ho lehilahy sy ho vehivavy Andriamanitra, dia efa nomeny fahamendrehana mitovy izy tsirairay avy na ny lehilahy na ny vehivavy” FM 22; jer. FAA 49, §2.. “Olona ny olombelona ary mitovy ny hasin’ny maha-olona azy na ny an’ny lehilahy na ny an’ny vehivavy, satria noarìna mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra-Olona izy roa” MD 6..

Ny olona tsirairay na ny lehilahy na ny vehivavy, izay mitovy fahamendrehana, na dia samy hafa fomba aza, dia endriky ny herin’ Andriamanitra sy ny hamamim-pitiavany. Ny firaisan’ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin’ny fanambadiana no fomba hanahafana ao amin’ny nofo ny fahalalam-pon’ny Mpahary sy ny fampisiany olona : “Mandao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy mba hiraiki-po amin’ny vadiny ; ho nofo iray ihany izy roa” (Jen 2,24). Avy amin’io firaisana io no iandohan’ny fiterahana ny taranak’olombelona rehetra jer. Jen 4,1-2.25-26; 5,1..

Tonga hampody ny zavaboary amin’ny toe-pahadiovany tany am-piandohana i Jesoa. Tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra Izy no nanazava tamin’ny fomba mazava sy hentitra ny fandaharan’ Andriamanitra: “Efa renareo fa voalaza hoe : "Tsy hijangajanga ianao." Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : "Na iza na iza mijery vehivavy mba haniry azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady"” (Mt 5,27-28). Tsy mahazo manasaraka izay nakamban’Andriamanitra ny olombelona jer. Mt 19,6.. Ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana dia nahazo an-tsaina fa ny didy fahenina no anatambarana ankapobeny momba ny maha-lahy sy maha-vavy eo amin’ny olombelona.

II.Ny fiantsoan’Andriamanitra ho amin’ny fahadiovam-pitiavana

Ny dikan’ny hoe fahadiovam-pitiavana dia fampiraisana manontolo sy lavorary ny maha-lahy na ny maha-vavy ny olona ao amin’ny tenany, ary avy amin’izany no miray tanteraka ao aminy ny vatana sy ny fanahy maha-olona azy. Ny maha-lahy na maha-vavy, izay isehoan’ny maha-anisan’ny tontolon’ny ara-batana sy ny ara-biôlôzia ny olombelona, dia manjary an’ny olona tsirairay sy momba ny olombelona tokoa rahefa ampidirana manontolo ao anatin’ny fifandraisan’ny olona samy olona, amin’ny fifanoloran-tenan’ny lehilahy sy ny vehivavy, izay fifanoloran-tena manontolo sy tsy voafetran’izao fiainana izao. Noho izany, ny herim-panahy fahadiovam-pitiavana no isian’ny fahadiovan’ny maha-olona manontolo sy ny fanoloran-tena tsy misy tomika.

Ny fahadiovan-toetra tsy misy tomika ny olona

Ny olona madio fitiavana dia mampaharitra ny fahadiovan-toetra tsy misy tomika ny herin’aina sy ny herim-pitiavana napetraka ao aminy. Io fahadiovan-toetra tsy misy tomika io no miantoka ny maha-iray tsy mivaky ny olona, sy manohitra ny fihetsika amam-pitondran-tena rehetra izay mety hanafintohina azy. Tsy zakan’ny fahadiovan-toetra tsy misy tomika, ny fihatsarambelatsihy na amin’ny fiainana na amin’ny fiteny jer. Mt 5,37..

Misy fianarana mifehy tena ny fahadiovam-pitiavana, izay fampianarana amam-panabeazana momba ny fahafahan’ny olombelona. Mazava ny safidy atao : na ny olona mifehy ny firehetam-pony ka mahazo ny fiadanana, na izy mety handevozin’izany ka manjary fadiranovana jer. Ekl 1,22.. “Ny fahamendrehan’ ny olona dia mitaky aminy ny hanaovany zavatra araka ny safidy an-tsitra-po sy malalaka, ka avy amin’ny fisainan’ny tenany no handrisika sy hametra izany, fa tsy ho avy amin’ny tosi-kerim-panentana ao anaty na ny fanerena ety ivelany fotsiny. Tonga amin’izany fahamendrehana izany ny olombelona rahefa manafaka ny tenany tsy ho andevozin’ny firehetam-po, amin’ny fisafidianana malalaka ny soa sy ny tsara, ka mizotra ho amin’ny anjara soany, sy mitandrina fatratra amin’ny fampiasana ny fahakingan-tsaina mba hahitana ny tena fomba tsara hahazoana izany” FAA 17..

Ilay izay te haharitra tsy hivadika amin’ny fanomezan-toky tamin’ny Bateminy sy hanohitra ny fakam-panahy, dia hitandrina amin’ny fampiasana ny fomba sahaza izany : ny fahalalana ny tena, ny fizàrana mamola-tena araka ny toe-javatra atrehina, ny fanekena ny didin’ Andriamanitra, ny fampiasana ny herim-panahy enti-mitondra tena ary ny fitokiana amin’ny fivavahana. “Mamorona indray ny maha-isika antsika manontolo ny fahadiovam-pitiavana, ary mampody antsika amin’ilay firaisana izay nariantsika tamin’ny fiparitahantsika” Md Augustin, conf. 10, 29, 40..

Ny herim-panahy fahadiovam-pitiavana dia miara-miasa ao anatin’ny tontolon’ny herim-panahy fahalalana onony, izay mikendry ny hamonto fahendrena ireo firehetam-po sy ireo fahalianan’ny nofon’ny olombelona.

Tsanganasa lavitr’ezaka ny fifehezan-tena. Tsy azo heverina na oviana na oviana fa ho azo indray maka ihany izy. Mitaky ezaka miverimberina eo amin’ny fotoana rehetra iainana izy jer. Tito 2,1-6.. Mety ho mafimafy kokoa ny ezaka takìny amin’ny vanim-potoana sasany, toy izany rahefa tonga ny fotoana iforonan’ny toetra maha-izy ny tsirairay mandritra ny fahazazana sy ny fahatanorana.

Fantatry ny fahadiovam-pitiavana ny lalànan’ny fandrosoana, izay misy fotoana andalavony amin’ny tsy fahalavorariana, ary matetika tokoa amin’ny fahotana. “Isan’andro isan’andro ny olona tsara toe-panahy sy madio fitiavana no mampivoatra ny tenany amin’ny alalan’ny safidy maro sy malalaka. Amin’izany izy no mahalala, mitia ary manatanteraka ny tsara ara-môraly amin’ny fanarahana ny dingam-pandrosoana” FM 34..

Ny fahadiovam-pitiavana no mampiseho ny lahasa ambony dia ambony an’ny tsirairay, sady mitarika ho amin’ny ezaka ara-kolontsaina koa, satria “mifampiankina ny fandrosoan’ny olona tsirairay sy ny fampandrosoana ny fiaraha-monina amin’ny maha-fiaraha-monina azy” FAA 25, §1.. Mitaky fanajana ny zon’ny olona ny fahadiovam-pitiavana, indrindra ny zo hahazo fampahalalam-baovao sy fanabeazana, izay manaja ny ara-môraly sy ny ara-panahy amin’ny fiainan’ny olombelona.

Herim-panahy enti-mitondra tena ny fahadiovam-pitiavana. Fanomezana avy amin’Andriamanitra, fahasoavana, vokatry ny tsanganasan’ny Fanahy koa izy jer. Gal 5,22-23.. Ny Fanahy Masina no mahatonga ilay izay nateraka indray tamin’ ny ranon’ny Batemy hanahaka ny fahadiovan’i Kristy tsy misy pentina jer. 1 Jo 3,3..

Ny fahadiovana tsy misy tomika ny fanoloran-tena

Ny fitiavana no manendrika ny hatsaram-panahy rehetra. Eo ambany fitarihany ny fahadiovam-pitiavana no hita fa fianaran’ny olona manolotra ny tenany. Ampiarahana amin’ny fanoloran-tena ny fahaiza-mifehy tena. Ny fahadiovam-pitiavana no mitarika an’ilay izay manao izany ho tonga vavolombelon’ny tsy fivadihan’Andriamanitra sy ny fanehoam-pitiavany, eo amin’ny namana.

Ny herim-panahy fahadiovam-pitiavana dia mivelatra eo amin’ny fisakaizana. Izy no manoro ny mpianatra ny fomba fanarahan-dia sy fakana tahaka an’Ilay izay nifidy antsika ho sakaizany manokana jer. Jo 15,15., nanolo-tena manontolo ho antsika sy nampandray anjara antsika amin’ny toetra maha-Andriamanitra Azy. Fampanantenana ny tsy fahafatesana ny fahadiovam-pitiavana. Amin’ny fisakaizana amin’ny namana no mampazava indrindra ny dikan’ny fahadiovam-pitiavana. Rahefa mivelatra eo amin’ny fifandraisan’ ny samy lehilahy, na samy vehivavy, na lehilahy sy vehivavy ny fisakaizana, dia mampiseho soa lehibe ho an’ny rehetra. Izy no mitondra ho amin’ny fiombonana ara-panahy.

Ny faha-samihafa ny fitsipi-pifehezana ny fahadiovam-pitiavana

Voantso ho amin’ny fahadiovam-pitiavana ny vita batemy rehetra. Ny kristianina dia “mitafy an’i Kristy” (Gal 3,27), môdelin’ny fahadiovam-pitiavana rehetra. Ny mpino rehetra an’i Kristy no voantso hadio fitiavana eo amin’ny fiainana araka ny lalam-piainana arahin’izy ireo avy. Tamin’ny fotoanan’ny Bateminy no nanombohan’ny kristianina hitondra ny fihetseham-pony ao anatin’ny fahadiovam-pitiavana.

“Ny fahadiovam-pitiavana no tokony hamaritra ny toetran’ny olona araka ny faha-samihafa ny lalam-piainana arahin’izy ireo : ny sasany manokan-tena ho virjiny na manokan-tena ho mpitovo, izay fomba ambony sy tsotra tokoa amin’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra amin’ny fo tsy voazarazara ; ny hafa, araka izay faritan’ny lalàna môraly ho an’ny rehetra sy ny toerana misy azy ireo na manambady na mpitovo” CDF, décl. "Persona humana".. Voantso hiaina ny fahadiovam-pitiavana ara-panambadiana ny olona manambady ; voantso hiaina ny fahadiovam-pitiavana amin’ny fifadiam-pahafinaretan’ ny nofo kosa ny tsy manambady :

Misy endrika telo ny herim-panahy fahadiovam-pitiavana : ny an’ny mpivady, ny an’ny maty vady, ary ny an’ny manokan-tena ho virjiny. Izahay tsy midera ny iray amin’ireo amin’ny fanilihana ny hafa. Amin’izany ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana no manankarena Md Ambroise, vid. 23..

Antsoina hiaina ny fahadiovam-pitiavana ao anatin’ny fifadiam-pahafinaretan’ny nofo ny mpifamofo. Ho tsapan’izy ireo ao amin’izany fisedrana izany ny hasoa amin’ny fifanajana, ny fahaizana mifampatoky ary ny fanantenana fa fanomezana azo avy amin’Andriamanitra ny vady. Hatokan’izy ireo amin’ny fotoanan’ny fanambadiana ny fampisehoana ny porofom-pitiavana manokana amin’ny fifankatiavan’ny mpivady. Hifanampy izy ireo hitombo fitiavana ao anatin’ny fahadiovam-pitiavana.

Ny fahotana amin’ny fahadiovam-pitiavana

Ny fitondran-tena vetaveta. Izany dia faniriana ratsy na fahafinaretana manimba amin’ny hafaliam-piraisana ara-nofo. Filibàna manohitra ny môraly ny mampiasa taovam-pananahana ho fitadiavam-pahafinaretana fotsiny amin’ny firaisana ara-nofo, ka sarahina amin’ny fikendrena hiteraka sy hiray.

Ny asam-pijangajangana atao amin’ny tena ihany. Izany dia fampiasana ny taovam-pananahan’ny tena amin’ny fanaovana firaisana an-tsitrapo amin’ny tena irery ihany, mba hahazoana fahafinaretan’ny nofon’ny tena amin’izany. “Ao anatin’ny sori-dalan’ny lovam-pampianarana tsy miova, na ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana izany na ny fahalalana ara-môraly avy amin’ny mpino, dia samy manantitrantitra tsy amim-pihambahambana fa asam-pilibàna avy ao anaty sy lehibe, ny asam-pijangajangana atao amin’ny tena ihany.” “Na inona na inona antony, ny fampiasana amin’ny nahim-po ny taovam-pananahana maha-lahy na maha-vavy anaovana firaisana ara-nofo ivelan’ny an’ny mpivady ara-dalàna dia manohitra tanteraka ny tanjona ampiasana azy.” Satria, ny fahafinaretam-piraisana ara-nofo tadiavina amin’izany dia fahafinaretana ivelan’ny “firaisana ara-nofo takìn’ny didy ara-môraly, izay manatanteraka tsy misy tomika ny anton’ny fifanoloran-tena sy ny fiterahan’ny olombelona, ao amin’ny tontolon’ny fitiavana marina” CDF, décl. "Persona humana" 9.. Mba hanaovana fitsaràna marina ny amin’ny andraikitra mahadiso ireo olona voakasika izany sy mba hanoritana ny asa pastôraly ho azy ireo, dia tsy maintsy dinihana amin’izany ny tsy fahamatorana ara-pihetseham-po, ny herim-pahazarana raiki-tampisaka, ny toetran’ny tebiteby na anton-javatra hafa ara-tsaina na ara-piaraha-monina mahatonga izany, izay mety hanakely, na hampihena faran’izay kely ny fahadisoana ara-môraly.

Ny fijanganjangana. Izany dia firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana ataon’ny lehilahy sy ny vehivavy tsy mpivady sady atao amin-kalalahana. Manohitra mafy tokoa ny hasina maha-olona sy ny maha-lahy na maha-vavy azy ny fijanganjangana, satria ireo dia toetra voa-Janahary nalahatra ho amin’ny soa ho an’ny mpivady ary koa ho amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana ny zanaka. Ankoatra izany, fanafitohinana lehibe izy raha misy fanimbàna ny tanora.

Ny fampisehoam-betaveta. Izany dia mifototra amin’ny fampisehoana olona manao firaisana ara-nofo tena hita mivantana, na an-tsary, na amin’ ny horonan-tsary, atao amin’ny nahim-po, mba hojeren’ny olon-kafa. Manala baraka ny fahadiovam-pitiavana izany satria manimba ny maha-voa-Janahary ny firaisan’ny mpivady, izay fifanoloran-tena lalina indrindra eo amin’izy roa. Manimba tanteraka ny hasina maha-olona an’ireo izay voakasik’izany koa ny fampisehoam-betaveta (mpilalao, mpivarotra, mpijery, mpamaky), satria manjary fitaovam-pitadiavam-pahafinaretana sy tombon-tsoa tsy ara-dalàna ho an’ny hafa izy ireo. Mandentika ny andaniny sy ny ankilany amin’ny hevi-dravina momba ny fahasambarana manodoka izany. Fahadisoana lehibe izany. Tokony hosakanan’ny mpitondra firenena ny famokarana sy ny fampielezana ny fitaovana fampisehoam-betaveta.

Ny fivarotan-tena. Izany dia mandoto ny hasina maha-olona an’izay mivaro-tena, aetrin’ny fahafinaretam-piraisana ara-nofo tadiavina avy amin’izany. Manao fahotana lehibe amin’ny tenany koa ilay mividy : manosihosy ny fahadiovam-pitiavana izay narotsaky ny Batemy taminy izy, sy mametaveta ny vatany izay tempolin’ny Fanahy Masina jer. 1 Kôr 6,15-20. Anisan’ ny loza aman’antambo eo amin’ny fiaraha-monina ny fivarotan-tena. Mazàna mahakasika ny vehivavy izany, nefa koa ny lehilahy, ny ankizy na ny tanora (miampy ny fanafintohinana, amin’ireo sokajy roa farany ireo). Fahotana lehibe lalandava ny mitolo-batana amin’ny fivarotan-tena, saingy ny fahasahiranana, ny fandrahonana ary ny fanerena ara-tsôsialy kosa no mety hampihena ny mahameloka amin’izany.

Ny fanolanana. Izany dia enti-milaza ny fanatsofohana an-keriny, miampy herisetra, ny taovam-pananahana ao amin’ny an’ny olona iray. Manimba ny rariny sy ny fitiavana izany, sady manosihosy tanteraka ny zon’ny tsirairay ho hajaina, ho afaka, ho madio manontolo ara-batana sy ara-tsaina. Mitera-pahavoazana an’ilay naolana izany, izay mety hampitondra takaitra azy mandritra ny fiainany manontolo. Asa ratsy tena lalim-paka lalandava izany. Mbola ratsiratsy kokoa aza ny fanolanana, raha natao tamin’ny havana (jer. fanambadiana olon-tsy heny) na nataon’ny mpanabe amin’ny ankizy izay nankinina tamin’izy ireo.

Fahadiovam-pitiavana sy firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy

Ny hoe firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy dia ilazana ny fifandraisana eo amin’ny samy lehilahy na samy vehivavy, izay avy amin’ny fanintonan’ny maha-lahy na ny maha-vavy, manokana na mahery vaika, hiaraka toy ny mpivady amin’ny olona mitovy tena aminy ihany. Endrika maro miovaova tokoa no nisehoan’izany teny am-pamakivakiana ny taonjato mifandimby sy ny kolontsaina teny. Tsy mbola hita mazava ny tena fiandohany ara-tsaina. Avy amin’ny Soratra Masina, izay mampahafantatra ny maha-faharatsiana lehibe izany jer. Jen 19,1-29; Rôm 1,24-27; 1 Kôr 6,9-10; 1 Tim 1,10., no iankinan’ny Lovam-pampianarana amin’ny fanambaràny hatrany fa “ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy dia tena filibàna mifamotitra tanteraka” CDF, décl. "Persona humana" 8.. Mifanohitra amin’ny lalàna voa-Janahary izany, sady mamongotra ny firaisan’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fiterahana. Tsy avy amin’ny tena fifamenoan’ny fitiavana sy ny fifamenoan’ny maha-lahy sy ny maha-vavy marina izany, ka tsy misy ahazoana mankato izany na inona na inona antony.

Tsy azo atao tsinontsinona ny hamaroan’ireo lehilahy sy vehivavy mampiseho ny fisian-toetram-pironana amin’ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Anisan’ny fitsapan-toetra ho an’ny ankamaroan’izy ireo, ny fananany izany fisian-toetra ratsy mikorontana tsy miankina na amin’iza na amin’iza izany, satria fisian-toetra tsy nofidian’izy ireo hananana. Tokony ho raisina amim-panajana, amim-pangorahana ary amin-kalemem-panahy izy ireo ; tokony hofadìna ny karazam-panavakavahana rehetra miendrika fanesoana azy ireo. Voantso koa izy ireo, hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany, ary izay kristianina amin’izy ireo dia amporisihana mba hanakambana amin’ny soron’ny Tompo teo amin’ny Hazofijaliana, ny fahasahiranana izay mety ho tojo azy ireo amin’ny toe-piainany.

Voantso ho amin’ny fahadiovam-pitiavana koa ny olona manao firaisan’ ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Afaka ary tokony hiroso tsikelikely sy amin-kerim-po ho amin’ny fahalavorariana kristianina izy ireo, amin’ny alalan’ny herim-panahy fahaiza-mifehy tena, izay manabe ny fahafahana anaty, ary indraindray amin’ny alalan’ny fanohanan’ny tapaka sy namana tsy mitady tombon-tsoa manokana, amin’ny alalan’ny fivavahana sy ny fahasoavana ara-tsakramenta.

III.Ny fifankatiavan’ny mpivady

Nalahatra ho amin’ny fifankatiavan’ny mpivady lehilahy sy vehivavy ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Manjary famantarana sy antoky ny fiombonam-panahy amin’ny fanambadiana ny firaisana ara-nofon’ny mpivady. Eo amin’ny samy vita batemy, ny fifamatoram-panambadiana dia nohamasinina tamin’ny alalan’ny sakramenta.

“Ny maha-lahy sy maha-vavy, izay ifanoloran’ny lehilahy sy ny vehivavy ny tenany amin’ny asa manokana sy miavaka ataon’ny mpivady, dia tsy zavatra biôlôzika fotsiny, fa mahakasika ny maha-olombelona amin’izay ananany lalina indrindra. Tsy ho tanteraka amin’ny fomba tena maha-olombelona tokoa izany, raha tsy ao anatin’ny fitiavana tsy misy tomika izay ifaneken’ny lehilahy sy ny vehivavy tanteraka eo anatrehan’ny andaniny sy ny ankilany mandra-pahafaty” FM 11. :

Niarina avy eo am-pandriana i Tobia, ary niteny tamin’i Sarà hoe : “Mitsangàna ranabaviko, aoka isika roa hivavaka sy hangata-bonjy amin’ny Tompontsika, mba hahazo ny fahasoavany sy ny fiarovany.” Dia niarina i Sarà ary niaraka nivavaka izy ireo, mba hahazo fiarovana, ary nanomboka niteny toy izao i Tobia : “Hisaorana Ianao, ry Andriamanitry ny razanay (...). Ianao no nahary an’i Adama, Ianao no nahary an’i Eva vadiny, ho mpanampy sy mpanohana azy, ary ny taranak’olombelona dia teraka avy amin’izy roa ireo. Ianao no nilaza hoe : "Tsy tsara raha irery ny lehilahy, andeha isika hanao mpanampy mitovy aminy." Ary ankehitriny, tsy ny faniriam-pahafinaretana no tadiaviko tamin’ny nakana ity anabaviko ity, fa amin’ny fo tsotra no anaovako izany. Mamindrà fo aminy sy amiko ary enga Ianao hitondra anay miaraka ho any amin’ny fahanterana !” Ary izy ireo niara-niteny hoe : “Amen, Amen.” Ary dia nandry izy ireo tamin’io alina io (Tob 8,4-9).

“Ireo asa izay anatanterahan’ny mpivady ny firaisany lalina sy madio dia asa mety sy mendrika. Raha iainany amin’ny fomba tena maha-olombelona tokoa ireny asa ireny dia mampisy dikany sy manamora ny fifanoloran-tena izay mampitombo ny firaisan’izy mivady ao anatin’ny hafaliana sy fankasitrahana” FAA 49, §2.. Loharanon-kafaliana sy fahafinaretana ny maha-lahy sy ny maha-vavy :

Izy Mpahary ihany (...) no nanorina fa amin’izany asa [fiterahana] izany ny mpivady dia hahatsapa hafinaretana sy fahafaham-pon’ny vatana sy ny fanahy. Noho izany, tsy manao ratsy velively ny mpivady amin’ny fitadiavana izany hafinaretana izany sy amin’ny fifaliana amin’izany. Eken’izy ireo izany nandaharan’ny Mpahary azy ireo izany. Kanefa, tokony hahay mifehy tena amin’ny fetran’ny fahalalana onony marina ny mpivady Pie XII, lahateny tamin’ny 29 ôktôbra 1951..

Amin’ny alalan’ny firaisan’ny mpivady no tanteraka ny zavatra roa kendren’ny fanambadiana : ny soa ho an’ny tenan’izy mivady sy ny fampitana ny aina. Tsy azo sarahina ireo antony roa na soatoavina amin’ny fanambadiana ireo, nefa tsy manimba ny fiainam-panahin’ny mpivady na manakorontana ny soa ho an’ny fanambadiana sy ny hoavin’ny fianakaviana. Araka izany, ny fifankatiavana ara-panambadian’ny lehilahy sy vehivavy dia nalahatra ho amin’ny fitakiana roa sosona : ny tsy fivadihana sy ny fiterahana.

Ny tsy fivadihan’ny mpivady

Ny mpivady no mamorona “ny fiombonam-piainana amam-pifankatiavan’ ny mpianakavy izay naorin’ny Mpahary sy nomeny ny lalànany manokana. Ny fifaneken’ny mpivady no iorenan’io fiombonana io, izany hoe : amin’ ny fifanekena ifanaovan’izy roa manokana sy raikitra tsy azo ravana” FAA 48, §1.. Mifanolo-tena mandra-maty sy manontolo izy roa. Tsy roa intsony izy ireo, fa manomboka hatreo dia manjary nofo iray ihany. Ny dinam-panekena nifanaovan’ny mpivady tamin-kalalahana no manery azy ireo hitana izany ho tokana sy tsy azo ravana jer. CIC, can. 1056.. “Izay nakamban’Andriamanitra, tsy azon’ olombelona sarahina mihitsy” (Mk 10,9) jer. Mt 19,1-12; 1 Kôr 7,10-11..

Ny tsy fivadihana dia manambara ny faharetana amin’ny fitanana ny teny nomena. Tsy mivadika Andriamanitra. Mampiditra ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin’ny tsy fivadihan’i Kristy amin’ny Fiangonany ny sakramentan’ny Fanambadiana. Amin’ny alalan’ny fahadiovam-pitiavan’ ny mpivady no ijoroan’izy ireo ho vavolombelon’io mistery io eo anatrehan’izao tontolo izao. Manoro hevitra ireo tovolahy manambady i Md Jean Chrysostome mba hanao izao resaka izao amin’ny vadin’izy ireo : “Nandray anao teo an-tsandriko aho, sy tia anao, ary tia anao kokoa amin’ny aiko mihitsy. Fa tsinontsinona izao fiainana izao, ka ny nofinofiko faran’izay mivaivay dia ny hamakivaky izany miaraka aminao, sy ny mba hahazo antoka fa tsy hisaraka isika any amin’ilay fiainana natokana ho antsika (...). Ataoko ho ambonin’ny zavatra rehetra ny fitiavako anao, ary tsy misy na inona na inona mety handreraka ahy intsony afa-tsy ny tsy manana eritreritra mitovy amin’ny anao” Md Jean Chrysostome in Hom. in Eph. 20,8..

Ny fiterahana amin’ny fanambadiana

Ny fiterahana dia sady fifanoloran-tena no tanjon’ny fanambadiana, satria ny fitiavan’ny mpivady dia mikendry, araka ny toetra voa-Janahary, ny hiteraka. Tsy hoe avy any ivelany tsy akory ny zanaka, nampiana tamin’ny fifankatiavan’ny mpivady ; mipoitra avy ao anivon’io fifanoloran-tena io mihitsy izy, izay izy no vokatra sy fahatanterahana. Koa, ny Fiangonana izay “mandala ny aina” FM 30., dia mampianatra fa “ny asa rehetra momba ny fanambadiana dia tokony haharitra hisokatra ho amin’ny fampitàna ny aina” HV 11.. “Izany fitambaram-pampianarana izany, nohazavain’ny Toniam-pampianarana imbetsaka, dia miorina amin’ny fatotra tsy azo sarahina izay sitrak’Andriamanitra ary tsy azon’ny olombelona sarahina amin’ny eritreritry ny tenany fotsiny ny amin’ireto hevitra roa fonosin’ny asam-panambadiana ireto : firaisana sy fiterahana” HV 12; jer. Pie XI, enc. "Casti connubii"; DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..

Noho ny mpivady voantso hiteraka, dia mandray anjara amin’ny fahefan’ny mpahary sy amin’ny maha-Raiamandreny an’ Andriamanitra izy ireo jer. Efez 3,14-15; Mt 23,9.. “Amin’ny adidy izay iantsorohan’izy ireo hampita ny aina sy ho mpanabe (izay anton-draharahany manokana mihitsy), dia tokony ho fantatry ny mpivady fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra Mpahary izy ireo sy toy ny mpitondra ny teniny. Koa tsy maintsy manefa ny adidiny àry izy ireo amin’ny fiandraiketana tanteraka ny maha-olona sy ny maha-kristianina” FAA 50, §2..

Endrika iray manokana amin’izany fiandraiketana izany, ny mikasika ny fandrindram-piterahana. Noho ny antony ara-drariny jer. FAA 50., azon’ny mpivady atao ny maniry hanao be no aizana amin’ny fiterahana ny zanak’izy ireo. Kanefa, anjaran’izy ireo ny manamarina fa tsy noho ny antony avy amin’ ny fitiavan-tena manokana ny fanirian’izy ireo, fa mifanaraka amin’ny fahalalaham-po marina maha-ray sy maha-reny tompon’andraikitra. Afa-tsy izany, hahitsin’izy ireo hanaraka ny tena mari-pitsaràna marina amin’ ny fitsipi-pitondran-tena ny fitondran-tenan’izy ireo :

Raha ny mahatsara ara-pitondran-tena ny amin’ny fandrindrana ny fifankatiavan’ny mpivady sy ny maha-tompon’andraikitra azy ireo amin’ny fiterahana no resahina, dia tsy miankina fotsiny amin’ny fikasana tsara, sy amin’ny fandanjalanjana ny antony araka ny saim-pantany izany, fa tsy maintsy dinihina amin’ny mari-pitsaràna tsy mitanila, raha mifanaraka amin’ny hasin’ny maha-olombelona ny fanirian’izy ireo sy ny ataony, raha fifankatiavana marina no mitarika azy ireo amin’izany, raha voahaja tsara ny hevitra manontolo momba ny fifanoloran-tena sy ny fiterahan’ny olombelona ; tsy ho vita anefa izany raha tsy ny fifehezan-tenan’ny mpivady no beazina amin-kitsim-po FAA 51, §3..

“Ny fiarovana ireo toetra roa maha-izy ny fanambadiana ireo, dia ny firaisana sy ny fiterahana izany, amin’ny asan’ny mpivady, no itahirizany manontolo ny dikan’ny fifankatiavana marina tokoa, sy ny fanamasinana azy ho amin’ny fiantsoana ambony tokoa ny olombelona ho ray aman-dreny” HV 12..

Ny fifadiam-pahafinaretan’ny nofo averimberina ara-potoana, ny mandrindra ny fiterahana aorina amin’ny fandinihana ny toe-batana, ary ny mampiasa ny fotoana tsy mampitoe-jaza jer. HV 16., no mifanaraka amin’ny tena mari-pitsaràna marina amin’ny toetram-pitondran-tena. Manaja ny tenan’ ny mpivady ireo fomba ireo, mampahery azy roa hifaneho fitiavana, ary mampandroso ny fifanabeazana ho olona tena afaka tokoa. Ho setriny, tena ratsy tanteraka “ny asa rehetra atao ho tanjona na ho fitaovana fanakanam-piforonan-jaza, na amin’ny fitsinjovana ny firaisan’ny mpivady, na mandritra ny firaisana, na amin’ny fivoaran’ny vokany voa-Janahary” HV 14. :

Raha araka ny fiteny izay ilazana mazava hoe fifanoloran-tena manontolo ataon’ny mpivady ny firaisany, dia mifanohitra amin’izany kosa ny fiteny hoe fanakanam-piforonan-jaza, izay milaza mazava fa tsy ny fifanoloran-tena tanteraka eo amin’izy roa intsony no anaovany firaisana. Tsy hoe fandavana an-kitsirano ny fisokafana ho amin’ny fiterahana fotsiny no vokatr’izany, fa koa fisandohana amin’ny fahamarinana ao anaty amin’ny fifankatiavan’ny mpivady, izay natao hifanoloran-tena amin’ny maha-olona manontolo. Izany tsy fitoviam-pijerin’ny haiolombelona sy ny môraly eo amin’ny fanakanam-piforonan-jaza sy ny fampiasana ny fotoana tsy mampitoe-jaza izany, dia mampisy fomba fisainana roa mifanohitra momba ny olona sy momba ny maha-lahy sy maha-vavy ny olona, izay samy tsy azo foanana fotsiny FM 32..

“Ankoatra izany, aoka ho fantatry ny rehetra tsara fa ny ain’olombelona sy ny adidy hiteraka dia tsy voafetran’ny sehatra eto amin’ity tontolo ity ; satria raha eo amin’io sehatra io fotsiny ireo, dia tsy ahita na ny fivelarany manontolo, na ny dikany feno, fa aoka ireo ho ampifandraisana lalandava amin’ny anjara mandrakizay ho an’ny olombelona” FAA 51, §4..

Ny Fanjakana no tompon’andraikitra amin’ny fiadanana amam-pahafinaretan’ny olom-pirenena. Noho izany, rariny sy hitsiny ny hirotsahany mba hanoritra ny lalan-kaleha momba ny fitomboan’ny mponina. Azony atao izany amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao tsy mitanila sy manaja, fa tsy amin’ny sori-dalana jadona sy maneritery. Raha amin’ny rariny sy ny hitsiny anefa, dia tsy azon’ny Fanjakana atao ny misolo ny fahafahana manapa-kevitry ny mpivady, izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiterahana sy amin’ny fanabeazana ny zanak’izy ireo jer. PP — Populorum progressio; HV 23.. Amin’io sehatra io, tsy manana fahefana hitsabaka amin’ny alalan’ny fomba mifanohitra amin’ny lalàna môraly izy.

Ny fanomezana zanaka

Ny Soratra Masina sy ny fomba fanao nampitain’ny lovam-panahin’ny Fiangonana dia mahita ao amin’ireo fianakaviana maro anaka, ny famantarana ny tsodranon’Andriamanitra sy ny fahalalaham-pon’ny ray aman-dreny jer. FAA 50, §2..

Mafy tokoa ny fahorian’ireo mpivady izay mahalala fa tsy miteraka. “Inona no azonao omena ahy ?”, hoy i Abrama tamin’Andriamanitra. “Handeha aho nefa tsy manana zanaka akory ...” (Jen 15,2). “Ataovy amiko koa izay hananako zanaka, raha tsy izany, maty aho !”, hoy i Rasela tamin’i Jakôba vadiny (Jen 30,1).

Amporisihina ireo fikarohana izay mikendry hampihena ny fahamombàn’ ny olona, raha toa ireny ka apetraka “ho fanampiana ny olombelona, ny zony tsy azo foanana, ny soany tena izy sy manontolo, mifanaraka amin’ny tetik’asan’Andriamanitra sy ny sitrapony” CDF, instr. "Donum vitae" intr. 2..

Fahavetavetana mahatsiravina ireo teknika izay mahatonga fampisarahana ny rohim-pihavanana eo amin’ny mpivady, amin’ny fitsabahan’ny olon-kafa ny amin’ny fiterahany (fanomezana atodinaina lahy na atodinaina vavy, findramana tranon-jaza). Ireny teknika ireny (fampananahana sy fampandonahana artifisialy avy amin’ny atodinaina tsy an-drainy), dia manimba ny zon’ny zaza ho ateraky ny ray sy ny reny fantany, sy ny zony hifamatotra amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanambadiana. Mamadika “ny zo manokana hahatonga ho ray sy ho reny hifampiteraka amin’ny alalan’ny vadiny ihany ireny” CDF, instr. "Donum vitae" 2,1..

Raha ampiharina eo amin’ny mpivady ireny teknika ireny (fampananahana sy fandonahana artifisaly avy amin’ny atodinain’izy mivady), dia mety manimba kely ihany, nefa mijanona ho tsy azo ekena ara-môraly ireny. Mampisaraka ny asam-piraisan’ny maha-lahy sy maha-vavy amin’ny asam-piterahana ireny. Ny asa famoronana ny fisian’ny zaza amin’ireny dia asa izay tsy amin’ny alalan’ny olon-droa mifanolo-tena intsony, fa “mametraka ny aina sy ny maha-izy ny “embryon” amin’ny fahefan’ny mpitsabo sy ny mpahay biôlôzia, ary manangana fahefa-mandidy amin’ny teknika ny amin’ny fiandohana sy ny anjara nandaharana ny olombelona. Ny fifandraisana amin’ny fahefa-mandidy toy izany dia manohitra ny toetra voa-Janahary momba ny fahamendrehana sy ny fitoviana izay tokony hiombonan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka” jer. CDF, instr. "Donum vitae" 2,5.. “Nesorina amin’ny fahalavorariany manokana ara-môraly ny fiterahana, rahefa tsy kasaina ho vokatra avy amin’ny firaisan’ny mpivady, izany hoe avy amin’ny fihetsika manokana ny firaisan’ny mpivady. (…). Ny fanajana ny fifamatorana irery izay misy eo amin’ny dikan’ny firaisan’ny mpivady sy ny fanajana ny mahairay ny olombelona, no mamela ny fiterahana hifanaraka amin’ny hasina maha-olona” CDF, instr. "Donum vitae" 2,4..

Tsy zo takìna ny zanaka fa fanomezana. Ny “fanomezana tsara indrindra amin’ny fanambadiana” dia ny olombelona. Tsy azo heverina ho toy ny fananan-javatra manokana ny zanaka, sao amin’izany no hitarika fanamarinam-pihamboana fa “zo ny hanan-janaka”. Amin’io lafiny io, ny zanaka no hany tena manan-jo marina, dia ny “ho vokatra manokana avy amin’ny fifankatiavan’ny mpivady ray aman-dreniny, ary koa ny zo hohajaina amin’ny maha-olona, manomboka amin’ny fotoana fiforonany ao am-bohoka” CDF, instr. "Donum vitae" 2,8..

Asehon’ny Evanjely fa tsy aretina tsy misy fanafana tanteraka ny fahamombàna ara-batana. Ny mpivady izay mijaly amin’ny tsy fiterahana, rahefa afa-nenina nitady vonjy ara-drariny tamin’ny fitsaboana, dia tokony hiombona amin’ny Hazofijalian’ny Tompo, loharanon’ny fahaterahana rehetra ara-panahy. Azon’izy ireo haseho ny fahalalahan-pon’izy ireo amin’ny fananganana ho zanaka ireo ankizy tsy misy mpiahy na amin’ny fanaovana asa fanampiana ilain’ny hafa.

IV.Ny fahotana amin’ny hasin’ny fanambadiana

Ny fanitsakitsaham-bady. Enti-milaza ny famitahana eo amin’ny fanambadiana io teny io. Rahefa olon-droa miaraka, na ny anankiray ihany aza no manam-bady, ka manao firaisana ara-nofo izy ireo, na indray mandeha ihany aza, dia manitsakitsa-bady izy ireo. Manameloka ny fanitsakitsaham-bady i Kristy na dia amin’ny faniriana fotsiny aza jer. Mt 5,27-28.. Mandrara tanteraka ny fanitsakitsaham-bady ny didy fahenina sy ny Testamenta Vaovao jer. Mt 5,32; 19,6; Mk 10,12; 1 Kôr 6,9-10.. Miampanga ny halehiben’izany ny mpaminany. Hitan’izy ireo amin’ny fanitsakitsaham-bady ny endriky ny fahotana amin’ ny fanompoan-tsampy jer. Ôs 2,7; Jer 5,7; 13,27..

Tsy fahamarinana ny fanitsakitsaham-bady. Mivadika amin’ny fanekeny ilay izay manao izany. Ny fanitsakitsaham-bady dia manohitra ny famantaram-pifanekena izay tsy inona fa ny fifamatoram-panambadiana, manimba ny zon’ny ankilany ary mitera-pahavoazana amin’ny fiorenan’ny fanambadiana, amin’ny fandikana ny fifanekena izay iorenany. Mamohehatra ny soa ho an’ny taranak’olombelona sy ny zanaka izay mila ny firaisana mafy orina eo amin’ny ray aman-dreny, ny fanitsakitsaham-bady.

Ny fisaraham-panambadiana

Nantitranterin’i Jesoa Tompo ny sitrapon’ny Mpahary hatrany am-piandohana izay nanao ny fanambadiana ho tsy azo ravana jer. Mt 5,31-32; 19,3-9; Mk 10,9; Lk 16,18; 1 Kôr 7,10-11.. Nofoanany ny famelana hanao izany izay nisisika tao amin’ny Lalàna taloha jer. Mt 19,7-9.. Eo amin’ny samy vita Batemy, “ny fanambadiana vita sy efa nisy firaisana ara-nofo dia tsy azo ravana amin’ny alalan’ny fahefan’olombelona na dia iray aza na inona na inona antony, afa-tsy ny fahafatesana” CIC, can.1141..

Ny fisarahan-toeran’ny mpivady mbola ampiraisin’ny fifamatoram-panambadiana dia mety ho ara-drariny, amin’ny anton-javatra sasantsasany tondroin’ny Lalànan’ny Fiangonana jer. CIC, can. 1151-1155.. Raha ny fisaraham-panambadiana ara-panjakana no hany sisa azo atao iantohana ny zo sasantsasany ara-drariny, toy ny fikarakarana ny zanaka na ny fiarovana ny fananana, dia mety ho azo leferina izany, tsy atao ho anisan’ny fahadisoana ara-môraly.

Fahotana lehibe amin’ny lalàna voa-Janahary ny fisaraham-panambadiana. Satria, mihambo handrava ny fifanekena tamin-kalalahana nankatoavin’ny mpivady hiara-miaina mandra-pahafaty izany. Mahatonga faniratsirana ny fanekem-pamonjena ny fisaraham-panambadiana, izay ny fanambadiana ara-tsakramenta no famantarana an’io fanekena io. Ny fakàn’izay nisara-bady vady hafa vaovao, na dia ankatoavin’ny lalàm-panjakana aza, dia manampy trotraka ny hamafisan’ny fisarahana : Noho izany, ilay vady manam-bady indray dia tafalatsaka ao anatin’ny fijangajangana ampahibemaso sy maharitra:

Raha ilay lehilahy, taorian’ny nisarahany tamin’ny vadiny, no miaraka amin’ny vehivavy hafa, dia manitsakitsa-bady ny tenany, satria mijangajanga amin’io vehivavy io izy ; ary ilay vehivavy izay miara-mitoetra aminy dia mpijangajanga, satria misarika ho an’ny tenany an-dralehilahy vadin’olon-kafa izy Md Basile, moral. règle 73..

Ny fisaraham-panambadiana dia manana toetra ratsy ara-môraly mampikorontana ny tokantranon’ny mpianakavy sy ny fiaraha-monina. Miteraka fahavoazana lehibe izany korontana izany : ho an’ny vady, izay mahatsiaro tena fa nariana ; ho an’ny zanaka, izay naratra fo noho ny fisarahan’ny ray aman-dreniny, ary matetika voarirodrirotra eo amin’ny samy izy ireo ; ho an’ny voka-dratsy afindrany, izay mitera-doza marina tokoa eo amin’ny fiaraha-monina.

Mety hianjadiam-pahoriana, kanefa tsy manan-tsiny, ny iray amin’ny mpivady, noho ny fisaraham-panambadiana neken’ny lalàm-panjakana ; tsy mandika ny didy ara-môraly io vady io amin’izany. Satria, misy tsy fitoviana lehibe eo amin’ny vady manao izay tratry ny ainy amim-pahamarinana mba tsy hivadika amin’ny sakramentan’ny Fanambadiana, nefa dia nariana tsy an-drariny, sy eo amin’ny vady nandrava ny fanambadiana vanona araka ny lalàm-piangonana, tamin’ny alalan’ny fahadisoana lehibe avy aminy jer. FM 84..

Fahotana hafa manimba ny hasin’ny fanambadiana

Azo an-tsaina ny loza aman’antambo manjo an’ilay izay maniry ny hibebaka araka ny Evanjely, ka voatery hisaotra ny vadiny iray na maromaro izay niarahany niaina nandritra ny taona maro. Satria, tsy mifanaraka amin’ny lalàna môraly ny fampirafesana. “Mifanohitra tanteraka amin’ny fiombonan’ny mpivady izany : satria, mitsipaka amin’ny fomba mivantana ny fandaharan’Andriamanitra araka ny nanambaràna izany tamintsika tany am-boalohany ; mifanohitra amin’ny fitoviam-pahamendrehan’ny tsirairay eo amin’ny vehivavy sy ny lehilahy izany, izay amin’ny fanambadiana no ifanoloran’izy ireo ny tenany ao anatin’ny fitiavana manontolo, ary noho izany antony izany, dia fitiavana tsy manam-paharoa sy manokana mihitsy” FM 19; jer. FAA 47, §2.. Ny kristianina izay nampirafy teo aloha dia voadidy ny lalàna mafy hanaja ny adidy nekena tamin’ireo vadiny taloha sy ireo zanany.

Ny fanambadiana olon-tsy heny. Izany dia enti-milaza ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny samy mpianakavy na havana, amin’ny ambaratongam-pihavanana izay mandrara tsy hivady eo amin’izy ireo samy izy ireo jer. Lev 18,7-20.. I Md Paoly dia manameloka ampahibemaso izany faharatsian-toetra lehibe izany : “Re laza hatraiza hatraiza, fa misy fahalotoana aty aminareo (…). Dia olona anankiray eo aminareo manambady ny vadin-drainy ! (…) Koa amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy (…) aoka izany olona izany hatolotra an’i Satàna, mba ho simba ny vatany…” (1 Kôr 5,1.3-5). Manimba ny fifandraisan’ny mpianakavy ny fanambadiana olon-tsy heny ary mampikororosy fahana itovy amin’ny biby.

Azo akambana ho anisan’ny fanambadiana olon-tsy heny ny fanararaotan’ ireo olon-dehibe manao firaisana amin’ny ankizy na tanora napetraka ho tezain’izy ireo. Mitombo avo roa heny ny fahadisoana amin’izany noho ny fiantraikany manafintohina ny maha-madio manontolo ara-batana sy ara-tsain’ny tanora, izay hamela takaitra amin’ny fiainany manontolo, sy amin’ny fandikan-dalànan’ny fiandraiketam-panabeazana.

Ao anatin’ny tokantranoimaso ny mpivady, rahefa mandà tsy hanao ny fomba ara-dalàna sy ara-pomban-tany ny firaisam-pifankatiavana manokana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mamitaka ny fomba fiteny : ahoana moa no ahafahana miteny hoe : firaisana, nefa tsy mirotsaka amin’izany akory na ny an-daniny na ny an-kilany, sady mampiseho tsy fahampiam-pitokiana koa, na amin’ilay ilany, na amin’ny tenany ihany, na amin’ny ampitso ? Manarona toe-javatra samihafa ilay fomba fiteny : tokantranoimaso, fandavana an-kitsirano ny fanambadiana amin’ny maha-fanambadiana azy, tsy fahafahana hifamatotra amin’ny alalan’ny fifanekena ao anatin’ny fotoana maharitra jer. FM 81.. Manimba ny hasin’ny fanambadiana ireo toe-javatra rehetra ireo ; mamotika ny dikan’ny fianakaviana mihitsy ; mampihena ny hevitry ny fitokiana. Mifanohitra amin’ny lalàna môraly ireo : ao amin’ny fanambadiana ihany no tokony hanana ny toerany manokana ny firaisana ara-nofo ; ivelan’ny fanambadiana, anisan’ny fahotana lehibe lalandava ny firaisana ara-nofo ary manesotra tsy ho anatin’ny fiombonana ara-tsakramenta.

Betsaka ankehitriny no mitaky karazana “zo amin’ny fizahan-toetra” eo amin’izay manam-pikasana hivady. Na ahoana na ahoana ny hamafin’ny fikasan’izy ireo izay mifanaiky ao anatin’ny firaisana ara-nofo alohan’ny fotoana, “dia tsy afaka hiantoka ao anatin’ny fahitsian-toetra sy ny tsy fivadihana eo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy izany fikasan’izy ireo izany, ary indrindra tsy afaka hiaro izany amin’ny haitraitra sy ny aingintraingitra” CDF, décl. "Persona humana" 7.. Tsy ara-dalàna ara-pitsipi-pitondran-tena ny firaisana ara-nofo raha tsy voatsangana ny fiombonam-piainana mandra-maty eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy mahatanty “fanandramana” ny fifankatiavan’ny olombelona amin’ny firaisana ara-nofo. Satria, fifanoloran-tena manontolo sy mandra-maty eo amin’izy ireo no takìn’io fifankatiavana io jer. FM 80..

“Ny fitiavana no fiantsoana fototra sy hatrany am-bohoka ny olombelona rehetra” FM 11..

Raha vao nahary ny olombelona ho lehilahy sy ho vehivavy Andriamanitra, dia efa nataony mitovy ny hasin’ny maha-olona ny tsirairay avy na ny andaniny na ny ankilany. Anjaran’ny tsirairay kosa, lehilahy sy vehivavy, ny mamantatra sy ny manaiky ny maha-izy azy lehilahy na maha-izy azy vehivavy.

I Kristy no môdelin’ny fahadiovam-pitiavana. Ny vita batemy rehetra dia voantso hadio fitiavana eo amin’ny fiainana, ny tsirairay araka ny lalam-piainana arahin’izy ireo avy.

Ny hoe fahadiovam-pitiavana dia midika fampiraisana tsy misy tomika ny maha-lahy na ny maha-vavy ao amin’ny maha-olona azy. Mila fianarana mifehy tena ho an’ny tsirairay ny fahadiovam-pitiavana.

Amin’ireo fahotana manohitra mafy ny fahadiovam-pitiavana, dia tsy maintsy lazaina ireto : ny asam-pijanganjangana atao amin’ny tena ihany, ny fijangajangana, ny fampisehoam-betaveta ary ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy.

Ny fanekem-panambadiana nifanaovan’ny mpivady an-kalalahana dia mitaky fitiavana tsy mivadika. Mahatonga azy ireo hitandro ny maha-tsy azo ravana ny fanambadiany izany.

Ny fiterahana dia soa, fanomezana, ary tanjon’ny fanambadiana. Amin’ny fampitana ny aina, mandray anjara amin’ny maha-Raiamandreny an’ Andriamanitra ny mpivady.

Iray amin’ireo endrika maha-ray sy maha-reny tompon’andraikitra, ny fandrindram-piterahana. Na ara-drariny aza ny eritreritra amam-pikasan’ ny mpivady hanao izany, dia tsy manamarina ny fampiasana ny fomba amam-pitaovana tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izany (ohatra : ny fampamombàna ny tena an-tsitrapo mivantana na ny fanakanam-piforonan-jaza).

Ny fanitsakitsaham-bady, ny fisaraham-panambadiana, ny fampirafesana ary ny tokantranoimaso, dia fahotana lehibe manimba ny fahamendrehan’ ny fanambadiana.

7.Ny didy fahafito

Raràn’ny didy fahafito ny maka na ny mitana tsy an-drariny ny fananan’ ny namana sy ny mihetraketraka ny fananany na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Didian’ny didy fahafito ny hanaovana ny marina sy ny fitiava-namana eo amin’ny fitantanana ny haren’ny tany sy ny vokatry ny asan’ny olombelona. Takìny noho ny soa iombonana ny fanajana ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana sy ny zo hanam-pananana manokana. Ny fiainana kristianina dia miezaka handamina araka an’Andriamanitra sy araka ny fitiava-namana, ny fananana eto amin’ity tany ity.

I.Ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana sy ny anjara fananana ho an’ny tena manokana

Efa hatrany am-piandohana Andriamanitra no nanankina ny tany sy ireo harena manontolo ao aminy amin’ny fitantanana iombonan’ny olombelona, mba hokarakarainy, hanjakany amin’ny alalan’ny asany ary hifaliany amin’ny vokatra avy aminy jer. Jen 1,26-29.. Natao ho an’ny taranak’olombelona rehetra ny soa aman-karena amin’ny zavaboary. Nozarazaraina ho an’ny olombelona anefa ny tany mba hiantohana ny fiadanam-piainan’izy ireo, iatrehana ny tsy fisiana sy ny fanaovana herisetra. Ara-dalàna ny fakana fananana ho an’ny tena mba hiarovana ny fahafahana sy ny fahamendrehan’ny olona, mba hanampiana ny tsirairay hisahana an’izay tena ilainy indrindra sy amin’ny ilain’ireo izay ananany adidy. Tokony havelan’io fakana fananana ho an’ny tena io hiseho ny firaisan-kina voa-Janahary eo amin’ny olombelona.

Ny zo hanam-pananana manokana, azo na voaray tamin’ny fomba ara-drariny, dia tsy manafoana ny fanomezana hatrany am-piandohany ny tany ho an’ny fitambaran’ny olombelona rehetra. Ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana, dia mijanona ho fototra, na dia takìn’ny fampandrosoana ny soa iombonana aza ny fanajana ny fananana manokana sy ny zony ary ny fampiasana azy.

“Ny olombelona, amin’ny fampiasany ny zavatra izay azy ara-dalàna, dia tsy mahazo mihevitra na oviana na oviana an’izany ho toy ny an’ny tenany irery ihany, fa hihevitra azy koa ho toy ny iombonana, izany hoe : azo anasoavana ny hafa koa, fa tsy ho an’ny tenany irery” FAA 69, §1.. Ny maha-tompom-pananana dia mahatonga ny mpanana azy ho mpitantan-draharahan’ Andriamanitra Mpiahy mba hampamokatra izany sy hampita ny voka-tsoa ho an’ny hafa, ka amin’ny havany akaiky aloha.

Ny fananana vokatry ny asa –mivaingana na tsy mivaingana – toy ny tany na ny orinasa-taozavatra, ny fahaizana manokana na ny haikanto, dia mitaky ny fiahian’ny tompon’izy ireny mba hahasoa olona faran’izay betsaka ny vokatra azo avy amin’izy ireny. Ny mpanana ny fananana ampiasaina sy ny fananana holanìna dia tsy maintsy mampiasa izany amim-pahalalana onony, amin’ny fanokanana ny anjara tsaratsara kokoa ho an’ny vahiny, ny marary, ny mahantra.

Zo sy adidin’ny mpifehy fanjakana ny mampifanitsy amin’ny soa iombonana, ny fampiasana ara-dalàna ny fahefana amin’ny zo ho tompom-pananana jer. FAA 71, §4; SRS 42; CA 40; 48..

II.Ny fanajana ny olona sy ny fananan’izy ireo

Amin’ny lafiny fiharian-karena, ny fanajana ny fahamendrehan’ny olona dia mitaky ny fanatanterahana ny herim-panahy fahalalana onony, mba hampihenana ny firaiketam-po amin’ny haren’izao tontolo izao; ny herim-panahy fahamarinana, mba hiarovana ny zon’ny namana sy hanomezana azy izay tokony hefaina aminy ; ary ny firaisan-kina, araka ny fitsipika volamena sy araka ny fahalalahan-tanan’ny Tompo izay na dia manankarena aza, dia nanaiky ho mahantra mba hampanankarena antsika avy amin’ny fahantrany jer. 2 Kôr 8,9..

Ny fanajana ny fananan’ny hafa

Mandrara ny halatra ny didy fahafito, izany hoe ny fandrobàna sy ny fibodoana ny fananan’ny hafa manohitra ny sitrapo marin’ny tompon’ny fananana. Tsy halatra ny maka zavatr’olona raha toa ka marim-pototra ny fiheverana fa eken’ny tompony izany, na raha toa ka mifanohitra amin’ny saina mahitsy sy amin’ny anjara nanokanana ny fananana ho an’ny daholobe ny fandavan’ilay tompony. Ohatra, raha misy fahaporetana mafy sy miharihary, ka ny hany fomba hamonjena izany eo no eo mivantana amin’izay tena ilaina (hanin-kohanina, trano fialofana, fitafiana...), dia ny mampiasa sy ny mandany ny fananan’ny hafa jer. FFA 69, §1..

Na inona na inona fomba akàna sy itanana tsy ara-drariny ny fananan’ny hafa, dia manohitra ny didy fahafito, na dia tsy mifanohitra amin’ny fepetra momba ny didy aman-dalàn’ny fanjakana aza. Tahaka ireto : ny mitana amim-panahy iniana ny fananan’olona nindramina na zavatra very ; ny mamitaka na manambaka amin’ny varotra jer. Det 25,13-16. ; ny manome karama tsy ara-drariny jer. Det 24,14-15; Jak 5,4. ; ny manondrotra vidin-javatra amin’ny fanararaotana noho ny tsy fahalalana na noho ny fahasahiranan’ny hafa jer. Am 8,4-6.. Mbola voarara ara-pitsipi-pitondran-tena koa ireto : ny fiantoham-barotra izay amin’izany no ihetsehana mba hampiovaovàna amin’ny fomba amboamboarina ny tombam-bidin-javatra mba hahazoana tombon-tsoa avy amin’ny fahavoazan’ny hafa; ny kolikoly izay amin’izany no anodinkondinana ny sain’ireo izay tokony handray fanapahan-kevitra araka ny lalàna ; ny fibodoana sy ny fampiasan’ny tena manokana ny fananam-pikambanan’ny orinasa ; ny asa zara fa vita, ny fangalarana amin’ny hetra aloa, ny hala-tahaka eo amin’ny taratasy solovola (seky) sy eo amin’ny taratasim-dazam-bidy (faktiora), ny fandaniana mihoa-pampana, ny fandanilaniam-poana. Ny mitera-pahavoazana iniana atao amin’ny fananan’olona manokana na amin’ny fananam-bahoaka dia mifanohitra amin’ny lalàna môraly ka mitaky fanonerana.

Tsy maintsy efaina ny fampanantenana natao, ary tsy maintsy tandremana amin’ny fomba hentitra ny fifanekena raha rariny ara-pitsipi-pitondran-tena ny antoka hanatanterahana azy. Miankina amin’ny soatoavin’ny fifanekena ifanaovan’ny olona tsirairay na ny fikambanan’olona ny ampahany lehibe amin’ny fiainana ara-piharian-karena sy ara-tsôsialy. Ohatra, ny fifanekena ara-barotra eo amin’ny fivarotana na ny fividianana, ny fifanekena eo amin’ny fampanofàna na eo amin’ny asa. Na inona na inona fifanekena dia tsy maintsy ifanarahana sy tanterahina amin-kitsim-po izany.

Ny fifanekena dia ankatoavin’ny fahamarinana ara-pifanakalozana izay mandamina ny fifanakalozana eo amin’ny olona sy eo amin’ny fikambanana, ao anatin’ny fanajana marina ny zon’izy ireo. Manery amin’ ny fomba hentitra ny fahamarinana ara-pifanakalozana ; takìny ny fiarovana ny zo ho tompom-pananana, ny fampandoavan-trosa ary ny fampanefana ny adidy nekena tamin-kalalahana. Raha tsy misy ny fahamarinana ara-pifanakalozana, tsy misy fahamarinana hafa mety ho azo atao intsony. Ny fahamarinana ara-pifanakalozana dia miavaka amin’ny fahamarinana araka ny lalàna, izay mikasika ny adidy tokony hefain’ny olom-pirenena amin’ny firenena, amin’ny fomba ara-drariny, sy amin’ny fahamarinana ara-pizaràna, izay mandamina ny anjara tokony hefain’ny firenena amin’ireo olom-pirenena, mifandanja amin’ny ataon’izy ireo sy amin’ny filan’izy ireo.

Noho ny fahamarinana ara-pifanakalozana, ny fanonerana ny tsy fahamarinana natao dia mitaky ny famerenana amin’ny tompony ny fananany nangalarina na nafenina : Noderain’i Jesoa i Zake noho ny antoka nolazainy : “Ny zavatr’olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny” (Lk 19,8). Na amin’ny fomba mivantana na tsy mivantana, izay rehetra nandroba ny fananan’ny hafa dia tsy maintsy mamerina izany ; raha tsy hita intsony ilay zavatra, dia onerana zavatra mitovy aminy na vola mifandanja amin’ny vidiny, ary onerana koa ny vokatra sy ny tombon-tsoa tokony ho azon’ny tompony ara-dalàna. Tsy maintsy mamerina na manonitra koa, araka ny andraikitr’izy ireo sy ny tombon-tsoa azon’izy ireo, izay rehetra nandray anjara tamin’ny halatra sy niray tsikombakomba tamin’izany, na nanararaotra izany nefa mahalala tsara ny ataony ; ohatra : ireo izay nanome baiko na nanampy, na nanafina olon-dratsy na nanafina entana halatra.

Ireo lalao an-tsapaka (lalao karatra, sns.) na ireo loka, raha amin’ny maha-lalao azy ireny fotsiny, dia tsy mifanohitra amin’ny fahamarinana. Manjary tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izy ireny raha manesotra eo amin’ny olona izay ilainy mba hiantohana ny filany sy ny an’ny hafa. Ny hadalàna amin’ny loka dia mety hanjary fanandevozana mamohehatra. Ny miloka amin’ny fomba tsy ara-drariny na ny mifetsifetsy amin’ny loka dia anisan’ny zava-doza, raha tsy hoe maivana ny fahavoazana nahatonga famaizana, ka ilay izay niharany dia tsy afaka mihevitra izany tamim-pandinihana ho zava-dehibe mibaribary sy misy dikany.

Raràn’ny didy fahafito ny asa na ny fiantohan-draharaha izay mitarika hanandevo olona, tsy hahatsapa ny hasina maha-olona azy ireo, hividy azy ireo, hivarotra azy ireo ary hanakalo azy ireo ho toy ny entam-barotra, na inona na inona antony, na fitiavan-tena tafahoatra izany na firehan-kevitra, na matimatim-bola na fibodoana manontolo. Fahotana manohitra ny hasina maha-olona sy ny zo fototra ananan’izy ireo izany, izay hanaovana herisetra azy ireo ho fitaovam-pamokarana na ho loharanon-tombon-tsoa. I Md Paoly dia nandidy ny tompo kristianina, hitondra ny mpanompony kristianina “tsy toy ny mpanompo intsony, fa toy ny mpiray tam-po ara-pinoana (...), toy ny olona, ao amin’ny Tompo” (Filem 16).

Ny fanajana ny maha-izy manontolo ny zavaboary

Mitaky fanajana ny maha-izy manontolo ny zavaboary ny didy fahafito. Ny biby, ary koa ny zavamaniry sy ny zavatra tsy mananaina, dia natokana araka ny toetra voa-Janahary ho an’ny soa iombonan’ny olombelona taloha, ankehitriny ary hoavy jer. Jen 1,28-31.. Ny fampiasana ny harena an-kibon’ny tany, ny zavamaniry ary ny biby manerana an’izao tontolo izao, dia tsy azo sarahina amin’ny fanajana ny adidy ara-môraly. Tsy hoe fahefana manontolo ny fahefana hanjaka nomen’ny Mpahary ny olombelona amin’ ny zavatra tsy mananaina sy amin’ny mananaina hafa ; ny andrefesana izany dia amin’ny alalan’ny fiahiana ny hatsaram-piainan’ny namana, anisan’izany ny taranaka hoavy ; mitaky fanajana amim-pahamalinana ny maha-izy manontolo ny zavaboary izany jer. CA 37-38..

Zavaboarin’Andriamanitra ny biby. Arovany amin’ny fiahiam-pitondrany izy ireny jer. Mt 6,26.. Amin’ny alalan’ny fisian’izy ireny fotsiny, dia misaotra Azy sy manome voninahitra Azy izy ireny jer. Dan 3,79-81.. Koa, tokony halemy fanahy amin’izy ireny ny olombelona. Ho tsaroana amin’izany ireo olomasina toa an’i Md François d’Assise na i Md Philippe de Néri nikarakara ny biby tamim-pitandremana fatratra.

Nankinin’Andriamanitra amin’ny fiandraiketam-pitantanan’ilay izay nataony mitovy endrika Aminy ny biby jer. Jen 2,19-20; 9,1-4.. Noho izany, ara-drariny ny ampiasana ny biby ho amin’ny fivelomana sy ny fanamboarana fitafiana. Mety ny mamolaka sy manatamana azy ireny mba hanampy ny olombelona amin’ny asany sy amin’ny fialam-boliny. Ireo fanandramana ara-pitsaboana sy ara-tsiansa amin’ny biby dia fomba amam-pihetsika azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena, raha toa izy ireny ka mijanona amin’ny fetra ara-pahendrena sy manampy hitsaboana na hamonjena ny ain’ olombelona.

Mifanohitra amin’ny hasina maha-olona ny mampijaly tsy amin’antony ny biby sy ny mamonomono foana azy ireny. Toy izany koa, tsy mety ny mandany vola be amin’izy ireny, izay ny tokony hampiasana azy voalohany dia ny hanamaivanana ny vesatry ny fahantran’ny olona. Azo atao ny mitia biby, saingy tsy mety ny mamadika ho azy ireny ny fanehoam-pitiavana izay tokony hatao irery amin’ny olombelona.

III.Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy

“Ny fanambaràna kristianina dia mitarika ny saina hahiratra kokoa amin’ ny lalàm-piainana ara-piaraha-monina” FAA 23, §1.. Raisin’ny Fiangonana avy amin’ ny Evanjely ny fahafenoam-panambaràna ny fahamarinan’ny olombelona. Rahefa manatontosa ny fanirahana azy hitory ny Evanjely ny Fiangonana, dia manamarina, amin’ny anaran’i Kristy, ny fahamendrehan’ny olombelona manokana sy ny fiantsoana azy ho amin’ny fiombonan’ny olombelona ; izy no mampianatra ny olona ny adidy takìn’ny fahamarinana sy ny fiadanana, mifanaraka amin’ny fahendren’Andriamanitra.

Maneho ny heviny ara-môraly momba ny fiharian-karena sy ny fiaraha-monina ny Fiangonana, “rahefa mitaky izany ny zo fototra maha-olona na ny famonjena ny olona” FAA 76, §5.. Eo amin’ny lafin’ny ara-toetram-pitondran-tena, dia fahefana miavaka amin’ny an’ny mpifehy fanjakana no nanirahana azy: miahy ireo soa samihafa iombonan’ny olona amin’izao fiainana eto an-tany izao izy, noho ny fanokanana an’ireo ho an’Ilay Soa ambony indrindra, tanjom-piafarantsika. Miezaka izy hitsilo hevitra amin’ny toe-pihetsika atao ara-drariny eo amin’ny vokatry ny haren’ny tany sy eo amin’ny fifandraisana ara-piaraha-monina sy ara-piharian-karena.

Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy dia nivelatra tamin’ny taonjato faha-19, tamin’ny fifandonan’ny Evanjely sy ny orinasa-taozava-baventy môderina, ny firafiny vaovao ho amin’ny famokarana ny zavatra natao holanìna, ny hevi-baovaony amin’ny orinasa, amin’ny Fanjakana ary amin’ny fahefana mifehy, ny endriny vaovao amin’ny asa sy ny fananana. Ny famelabelarana ny fitambaram-pampianaran’ny Fiangonana, momba ny fiharian-karena sy ny fiaraha-monina, dia manamarina ny soatoavina maharitra an’ny fampianaran’ny Fiangonana, miaraka koa amin’ny hevitra marin’ny Lovam-pampianarany velona sy miasa lalandava jer. CA 3..

Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy dia misy ventim-pampianarana mifampitohy arakaraka izay hanazavan’ny Fiangonana ny zava-miseho eny am-pamakivakiana ny tantara, amin’ny fahazavan’ny fitambaran’ny teny nambaran’i Jesoa-Kristy miaraka amin’ ny fanampian’ny Fanahy Masina jer. SRS 1; 41.. Izany fampianarana izany dia vao mainka manjary azo ekena ho an’ny olona tsara sitrapo izay tsiloviny bebe kokoa amin’ny fitondran-tenan’ny mpino.

Manolotra fitsipika fototra hodinihana ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy ; mamoaka mari-pitsaràna izy ary manome torolalana amin’ny asa : Na inona na inona rafi-pandaharana mametraka ny fifandraisana ara-tsôsialy ho ferana tanteraka amin’ny lafiny ara-piharian-karena dia mifanohitra amin’ny fomba aman-toetran’ny olombelona sy amin’ny asany jer. CA 24..

Ny foto-piheverana izay manao ny tombon-tsoa ho fitsipika manokana sy tanjom-piafaran’ny raharaha ara-piharian-karena dia tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena. Ny fahalianam-bola mihoa-pampana dia tsy ilaozan’ny voka-dratsy aterany. Izany ny anankiray amin’ireo anton’ny fifanoherana maro be manakorontana ny filaminam-bahoaka jer. FAA 63, §3; LE 7; CA 35.. Ny rafi-pandaharana izay “manitsakitsaka ny zo fototra an’ny tsirairay sy an’ny vondron’olona amin’ny fampiasana fikambanana mpamokatra” dia mifanohitra amin’ny hasina maha-olona FAA 65.. Ny fampiasana rehetra izay manetry ny olona ho toy ny fitaovana ahazoana tombon-tsoa fotsiny, dia manandevo ny olona, mitondra mankamin’ny fanompoana ny vola ho sampy ary manampy amin’ny fampielezana ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra. “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy i Mammon ianareo” (Mt 6,24 ; Lk 16,13).

Ny Fiangonana dia nitsipaka ny firehan-kevitry ny mpanao bodo ngerona sy ny tsy mpino ny fisian’Andriamanitra, ary amin’ny vanim-potoana ankehitriny, miaraka amin’ny “kômonisma” na amin’ny “sôsialisma”. Ankoatra izany, laviny ny fomba amam-panaon’ny “kapitalisma” amin’ny firehan-kevitry ny samy maka ho azy sy ny fanaovana ho laharam-boalohany tsy refesi-mandidy ny lalànan’ny tsena eo amin’ny asan’olombelona jer. CA 10; 13; 44.. Ny fandrindrana ny fiharian-karena alamina amin ny rafitr’asa avangongo amin’ny foibe tokana fotsiny dia manimba ifotony ny fifandraisana ara-piaraha-monina ; ny fandrindrana izany amin’ny alalan’ny lalànan’ny tsena irery ihany dia mandiso ny fahamarinana ara-piaraha-monina “satria misy filana be dia be takìn’ny olombelona izany, izay tsy mety mahafa-po amin’ny alalan’ny tsena” CA 34.. Tokony hohafatrafarana ny fandrindrana marina ny amin’ny tsena sy ny vinavinam-piharian-karena, araka ny ambaratongam-bidy marina sy ho amin’ny soa iombonana.

IV.Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina

Ny fampandrosoana ireo raharaham-piharian-karena sy ny fampitomboana ny vokatra dia natokana hanampy ny filan’ny olombelona. Ny fiainana ara-piharian-karena dia tsy mikendry fotsiny hampitombo ny zavatra vokarina sy hampitombo ny tombon-tsoa na ny tanjaka ; ny votoatin’ny kendrena aminy dia ny hanampiana ny olona, ny tontolon’ny olona sy ny fiombonam-ben’ny olona rehetra. Noho ny fitantanana ny raharaham-piharian-karena amin’ny fomba aman-dalànany manokana, dia ilaina ny hampiasana azy ao anatin’ny fetran’ny lalàm-pitondran-tena mifanaraka amin’ny fahamarinana ara-piaraha-monina, mba hamaly ny fandaharan’ Andriamanitra momba ny olombelona jer. FAA 64..

Miaraka avy hatrany tamin’ny nahariana ny olombelona mitovy endrika amin’Andriamanitra ny asan’ny olombelona, ary voantso izy ireo hanohy ny tsanganasa fahariana amin’ny fizakana ny tany, ny tsirairay miaraka amin’ny hafa sy ho an’ny hafa jer. Jen 1,28; FAA 34; CA 31.. Noho izany adidy ny asa : “Raha misy tsy mety hiasa, aoka izy tsy hihinana koa” (2 Tes 3,10) jer. 1 Tes 4,11.. Manome voninahitra ny fanomezan’ny Mpahary sy ny talenta nomena ny asa. Mety ho mpanavotra koa ny asa. Ny olombelona miaritra fijaliana jer. Jen 3,14-19. amin’ny asa ombàm-piombonana amin’i Jesoa, ilay mpanao asa tanana tao Nazareta sy nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana teo Kalvery, dia miara-miasa amin’ny Zanak’ Andriamanitra amin’ny fomba manokana eo amin’ny Tsanganasam-panavotany. Ny fanehoany fa mpianatr’i Kristy izy, dia ny fitondrana ny Hazofijaliana isan’andro, eo amin’ny asa izay asaina ho tanterahiny jer. LE 27.. Mety ho fitaovam-panamasinana ny asa, sy fanetsiketsehana ny zava-misy eto an-tany ao amin’ny Fanahin’i Kristy.

Amin’ny asa ny olona no mampiasa sy manatanteraka ny anjara herim-pahazoana amam-pahaizana voa-Janahary naraikitra ao aminy. Ny fototry ny hasarobidin’ny asa dia ny tenan’ny olona ihany, fa izy no mpanao sy iantefany. Ny asa no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no ho an’ny asa jer. LE 6.. Tokony hahita fomba hanampy ny fiainany sy ny an’ny ankohonany amin’ ny asany ny tsirairay, sy hanasoavany ny fiombonamben’ny olombelona.

Samy manana zo hamorona fiharian-karena, sy hampiasa ara-dalàna ny talentany ny tsirairay, mba handraisany anjara amin’ny habetsahan’ny tombon-tsoa ho an’ny rehetra, sy mba hiotazany ny vokatra ara-drariny ny ezaka nataony. Hitandrina izy amin’ny fanarahana ny fandaminana ara-pitsipi-pifehezana apetraky ny manam-pahefana hitondra ara-dalàna ho amin’ny soa iombonana jer. CA 32; 34..

Ny fiainana ara-piharian-karena dia miampanga ny tombon-tsoa samihafa tadiaviny, izay matetika mifanohitra izy ireo samy izy ireo. Mazava amin’izany ny fipoitran’ny fifanoherana izay mampibaribary ny fiainana ara-piharian-karena jer. LE 11.. Hezahina ny hampihena ireo fifanoherana ireo amin’ny alalan’ny fifampiraharahana izay manaja ny zo sy adidin’ny solontena isam-pikambanana : ny tompon’andraikitra ny orinasa, ny solontenan’ny mpiasa, ohatra ny fivondronana ara-tsendikaly, ary, amin’ny fotoana ilàna azy, ny fanjakana.

Ny andraikitry ny Fanjakana. “Ny raharaham-piharian-karena, indrindra ny fifanakalozana ara-barotra, dia tsy afaka hivelatra ao anatin’ny fahabangana amin’ny lalàna sy fitsaràna ary fitondrana. Takìn’izany ny hahamafy orina ny fiantohana ny fahafahan’ny tsirairay sy ny fananany, ao anatin’ny fisian’ny sandam-bola tsy miovaova sy ny asam-bahoaka mahomby. Koa ny adidy tsy azon’ny Fanjakana avela dia ny manamafy orina ireny fiantohana ireny, mba ho afaka hifaly amin’ny vokatry ny asany izay miasa, ary izany no handrisika azy hanatanteraka ny asany amin’ny fomba tsara sy marina (…). Adidin’ny Fanjakana koa ny manara-maso sy mitarika ny fampiasana ny zo maha-olona eo amin’ny sehatra fiharian-karena ; na izany aza tsy anjaran’ny Fanjakana ny miandraikitra voalohany an’io sehatra io, fa an’ireo sampan-draharaha sy ireo vondrona samihafa ary fikambanana mampivoatra ny fiaraha-monina” CA 48..

Ireo tompon’andraikitra ny orinasa no mampiseho eo anatrehan’ny fiaraha-monina ny andraikiny ara-toe-karena sy ara-tontolo iainana amin’ ny vokatry ny asan’izy ireo jer. CA 37.. Tsy maintsy mandinika ny soa hoan’ny olona izy ireo fa tsy ny fampitomboana fotsiny ny tombon-tsoa. Na izany aza, ilaina ny tombon-tsoa. Izy no hahafahana mampiasa petra-bola iantohana ny hoavin’ny orinasa. Izy no miantoka ny fananana asa.

Ny fananana anton’asa sy antom-pivelomana dia tokony hisokatra ho an’ ny rehetra tsy asiana fanavakavahana tsy ara-drariny, lehilahy sy vehivavy, tomady sy kilemaina, tompon-tany sy vahiny jer. LE 19; 22-23.. Arakaraka ny toe-java- miseho, anjaran’ny orinasa ny manampy ny olom-pirenena mba hananany asa sy antom-pivelomana jer. CA 48..

Ny karama ara-drariny no vokatry ny asa ara-dalàna. Ny mandà izany na ny mitana izany dia mety ho anisan’ny tsy fahamarinana lehibe jer. Lev 19,13; Det 24,14-15; Jak 5,4.. Mba hanombanana ny karama marina, tsy maintsy heverina miaraka ny filana sy ny anjara asa vitan’ny tsirairay. “Rahefa voadinika lalina avokoa ny asa sy ny zava-bokatra, ny toe-bolan’ny orinasa sy ny soa iombonana, dia tokony ho afaka miantoka ny olona sy ny ankohonany amin’ny fivelomany sy ny ilainy ho amin’ny fiainana mendrika eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsôsialy, ara-tsaina ary ara-panahy, ny karama avy amin’ny asa” FAA 67, §2.. Ny fifanarahana ifanaovan’ny roa tonta, dia tsy ampy hanamarinana ara-pitsipi-pitondran-tena ny fitambaran-karama.

Rariny sy hitsiny ara-pitsipi-pitondran-tena ny fitokonana raha toa ka io no fangataham-bonjy tsy azo ialana, raha tsy hoe ilaina mihitsy aza, ho amin’ny tombon-tsoa mifandanja. Manjary tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izy rahefa arahina herisetra na koa ampidirana tanjona tsy misy ifandraisany mivantana amin’ny fepetran’asa na mifanohitra amin’ny soa iombonana.

Tsy rariny ny tsy mandoa ny latsakemboka naraikitry ny manam-pahefana ara-dalàna haloa amin’ny sampan-draharaha misahana ny fanampiana ara-tsôsialy. Ny fanesorana amin’ny asa noho ny tsy fisian’asa dia saika mandrakariva, ho an’izay iharan’izany, fanazimbàna ny haja amam-boninahiny sy loza mitatao ho an’ny filaminam-piainana. Ankoatra ny fahavoazana miantraika amin’ny tenany, dia maro be ny loza mety hitranga vokatr’izany ho an’ny tokantranony jer. LE 18..

V.Fahamarinana sy firaisan-kina eo amin’ny samy firenena

Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny tsy fitovian’ny loharanon-karena sy ny fitaovam-pihariana dia mampisy “hantsana” marina tokoa eo amin’ ny samy firenena SRS 14.. Etsy an-daniny, misy ireo manam-be sy manitatra ny fomba fampitomboana izany, ary etsy an-kilany ireo ihandronan’ny trosa.

Ankehitriny, antony maro samihafa ara-pivavahana, ara-pôlitika, ara-piharian-karena ary ara-bola, no mahatonga “ny olana ara-piaraha-monina mahahenika ny tany tontolo” SRS 9.. Koa ilaina ny firaisan-kina eo amin’ny samy firenena izay efa manana pôlitika mifampiankina. Vao mainka tena ilaina izy rahefa mahakasika ny fampitsaharana ny “fomba fiasa ratsy” izay vato misakana ny fandrosoan’ny firenena tsy mbola mandroso firy jer. SRS 17; 45.. Ny rafi-pitantanam-bola tsy ara-drariny na ny fakana zana-bola mihoatra ny ara-dalàna jer. CA 35., ny fifandraisana ara-barotra tsy ara-pahamarinana eo amin’ny samy firenena, ny fifaninanana mampiasa fitaovam-piadiana, dia mila soloina ezaka iombonana mba hamahana ireo sakana amin’ny loharanon-karena ho amin’ny tanjom-pandrosoana ara-môraly, ara-kolontsaina ary ara-toe-karena “amin’ny famaritana indray ireo laharam-pahamehana sy ireo ambaratongan’ny soatoavina” CA 28..

Ireo firenena manankarena dia manana andraikitra lehibe ara-môraly amin’ireo izay tsy afaka miantoka, raha amin’ny herin’ny tenan’izy ireo ihany, ny fitaovana hampandroso azy ireo, na voasakan’ny toe-javatra mahatsiravina teo amin’ny tantara. Adidim-piraisan-kina sy fifankatiavana izany ; ary andraiki-pahamarinana raha toa ka avy amin’ireo loharanon-karena izay tsy naloa ara-drariny no nahatonga ny fiadanana amam-pahafinaretan’ny firenena manankarena.

Ny fanampiana mivantana no anisan’ny valy sahaza ny filana eo no ho eo avy hatrany, tsy araka ny fanao mahazatra, ohatra, vokatry ny loza voa-Janahary, ny valanaretina, sns.. Kanefa tsy ampy izany hanonerana ny fahavoazan-dehibe vokatry ny toe-javatra nampahantra, na hiahiana amin’ ny fomba maharitra ny filana. Tokony hohatsaraina koa ireo fikambanana iraisam-pirenena momba ny toe-karena sy ny vola mba hanondrotan’izy ireo tsaratsara kokoa ny fifandraisana ara-dalàna amin’ireo firenena tsy mbola mandroso firy jer. SRS 16.. Tokony hotohanana ny ezaka ataon’ireo tany mahantra miasa ho amin’ny fitomboan’ny haren’izy ireo sy ho amin’ny fanarenan-dohan’ny toe-karenan’izy ireo jer. CA 26.. Izany fitambaram-pampianarana izany dia mila hotanterahina amin’ny fomba tena manokana eo amin’ny sehatr’asam-pambolena. Ny tantsaha, indrindra any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, no mamorona ny ankapobem-bahoaka izay ahitana mahantra betsaka.

Ny mampitombo ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fahalalana ny tena ihany no tena fototr’izay rehetra fampandrosoana feno ny fitambaran’ny olombelona rehetra. Io fampandrosoana io no mampitombo ireo harena ara-pitaovana sy ny fampiasana an’ireny ho an’ny olona sy ho an’ny fahafahany. Io no mampihena ny fahantrana sy ny fitsentsefana ara-piharian-karena. Io no mampitombo ny fanajana ny kolontsaina samihafa sy ny fisokafana amin’ny toe-pahamboniana tsy taka-polopolorina jer. SRS 32; CA 51..

Tsy anjaran’ny mpitondra Fiangonana ny mirotsaka mivantana amin’ny fananganana fitondram-panjakana sy amin’ny fandaminana ny fiainam-piaraha-monina. Anjara lahasa amin’ny fiantsoana ny mpino lahika izany, amin’ny fampiasany ny toe-tsaina manombo-javatra avy aminy, iarahany amin’ny mpiray tanindrazana aminy. Mety hitaky fahamaroana soridalana azo tsapain-tanana ny asa fanasoavana ny fiaraha-monina. Ho amin’ny soa iombonana sy araka ny hafatry ny Evanjely mbamin’ny fampianaran’ny Fiangonana anefa no anaovana lalandava izany. Anjaran’ny mpino lahika “ny manetsiketsika ny zava-misy ara-nofo eto an-tany, amin-jotom-po kristianina, sy ny mitondra tena amin’izany ho mpampanjaka ny fiadanana sy ny fahamarinana” SRS 47; jer. SRS 42..

VI.Ny fitiavana ny mahantra

Midera ireo izay manampy ny mahantra Andriamanitra ary manome tsiny ireo izay mihodina tsy hanao izany : “Omeo izay mangataka aminao ; aza omena lamosina izay te hisambotra aminao” (Mt 5,42). “Nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana” (Mt 10,8). Amin’izay hataon’izy ireo ho an’ny mahantra no hahalalan’i Jesoa-Kristy ny olom-pinidìny jer. Mt 25,31-36.. Rahefa “torìna amin’ny malahelo ny Vaovao Mahafaly” (Mt 11,5) jer. Lk 4,18., izay no famantarana ny maha-eo an’i Kristy.

“Anisan’ny lovam-panahy tsy miova ny fitiavan’ny Fiangonana ny mahantra (…)” CA 57.. Avy amin’ny Evanjelin’ny hasambarana jer. Lk 6,20-22., avy amin’ny fahantran’i Jesoa jer. Mt 8,20. ary avy amin’ny fikarakarany ny mahantra no nanovozana an’izany jer. Mk 12,41-44.. Ny fitiavana ny mahantra rahateo no iray amin’ireo antony tsy maintsy hiasana, mba “hahafahana manao ny tsara amin’ny fanampiana ny sahirana” (Efez 4,28). Tsy miitatra fotsiny amin’ny fahantrana ara-pitaovana izany, fa amin’ireo endrika maro be isehoan’ny fahantrana ara-tsaina sy ara-pivavahana koa jer. CA 57..

Tsy afa-miaraka amin’ny fitiavan-karena tafahoatra na fampiasana azy ireny amin’ny fitiavan-tena tafahoatra, ny fitiavana ny mahantra :

Anareo mpanankarena kosa indray izao ! Mitomanìa ianareo, migogogogoa amin’ny loza izay hidona aminareo. Ny harenareo efa lò, ny fitafianareo efa nokikisan’ny kalalao. Ny volamenanareo sy ny volafotsinareo efa voaloto, ary ny harafesiny no hiampanga anareo : handevona ny nofonareo izany; dia ny afo izay hitahirizana anareo amin’ny farandro. Eritrereto, fa mikiakiaka ny karama izay nanambakanareo ny mpiasa nijinja ny tanim-bolinareo, ary mby eo an-tsofin’ny Tompon’ny Tafika ny horakoraky ny mpijinja. Ianareo nivelona teto an-tany, tao anatin’ny hamoràna sy ny habetsahana, ianareo voky tamin’ny andron’ny fandripahan’ olona. Ianareo nanameloka ny marina, fa izy tsy nanohitra anareo (Jak 5,1-6).

Nampahatsiaro mafy izany i Md Jean Chrysostome : “Ny tsy mampandray anjara ny mahantra amin’ny fananany manokana, dia mangalatra amin’izy ireo sy manala amin’izy ireo ny aina. Tsy ny fananantsika no tazonintsika fa ny azy ireo” Md Jean Chrysostome in Laz. 2,6.. “Tsy maintsy honerana aloha ny takìn’ny fahamarinana, fandrao tsy afa-manolotra ho fanomezam-pitiavana afa-tsy izay efa tsy maintsy hefaina araka ny rariny” APL 8. :

Rahefa manome ny mahantra ny zavatra ilainy isika, tsy manao asa fanasoavana manokana ho azy ireo akory isika, fa mamerina amin’izy ireo izay azy ireo. Manatontosa adidim-pahamarinana tokoa isika fa tsy manatanteraka asa fitiava-namana Md Grégoire le Grand, past. 3,21,45..

Ny tsanganasa fiantrana dia asa fitiava-namana izay amin’izany isika no manampy ny namantsika amin’ny zavatra ilainy ara-batana sy ara-panahy jer. Iz 58,6-7; Heb 13,3.. Ny mampianatra, ny manoro hevitra, ny mampionona, ny mampahery, dia tsanganasa fiantrana ara-panahy, tahaka ny mamela heloka sy ny mizaka fijaliana amim-paharetana. Ny tsanganasa fiantrana ara-batana indrindra dia ny manome hanina ny noana, mampiantrano ny tsy manan-kialofana, ny manafy ny tsy manan-kotafiana, ny mamangy ny marary sy ny migadra, ny mandevina ny maty jer. Mt 25,31-46.. Amin’ireny fihetsika ireny, dia ny fiantrana atao amin’ny malahelo jer. Tob 4,5-11; Ekl 17,18. no iray amin’ireo porofo fototra amin’ny fifankatiavana maha-mpiray tam-po : fanaovana ny marina koa izany, izay sitrak’ Andriamanitra jer. Mt 6,2-4. :

Aoka izay manana akanjo roa hizara amin’izay tsy manana izany, ary aoka izay manan-kohanina hanao torak’izany koa (Lk 3,11). Izao ihany e : manaova fiantrana araka izay rehetra anananareo, dia hadio ny zavatra rehetra ho anareo (Lk 11,41). Raha misy rahalahy na anadahy, na rahavavy na anabavy mitanjaka, raha tsy ampy ny sakafon’izy ireo isan’andro, ka ny iray aminareo miteny amin’izy ireo hoe : “Mandehana amim-piadanana, manaova mafana tsara, manaova voky tsara”, nefa tsy omenareo azy ireo izay ilain’ny tenan’izy ireo, inona no soa azony amin’izany ? (Jak 2,15-16) jer. 1 Jo 3,17..

“Amin’ireo endrim-pahoriana maro be : tsy fananana fitaovana, fampahoriana tsy an-drariny, kilema ara-batana sy ara-tsaina, ary farany ny fahafatesana, dia ny fahantran’ny olombelona no famantarana miharihary ny toetram-pahosana hatrany am-bohoka izay ao amin’ny olombelona nanomboka tamin’ny fahotana voalohany, sy ny filana famonjena. Izany no nahatonga ny fahantran’ny olombelona hanintona ny fangorahan’i Kristy Mpamonjy izay nankasitraka handray izany teo Aminy sy Hitoviany endrika amin’ "ireo havany madinika indrindra" (Mt 25,40). Izany no nahatonga ireo izay vesaran’ny fahoriana ho anton’ny tombom-pitiavan’ny Fiangonana izay, hatrany am-piandohana, na reraka aza ny ankamaroan’ny mpikambana ao aminy, dia tsy mitsahatra miasa hanamaivana azy ireo, hiaro azy ireo ary hanafaka azy ireo izy. Ny anaovan’ny Fiangonana izany, dia amin’ny alalan’ny tsanganasa fanasoavana maro tsy tambo isaina izay maharitra lalandava sy ilaina hatraiza hatraiza” CDF, instr. "Libertatis conscientia" 68..

Nanomboka tamin’ny Testamenta Taloha, ny karazana famerana rehetra momba ny lalàna (taonan’ny famelan-keloka, fandraràna ny fampisamborana misy zana-bola sy ny fitanana ny antoka, ny didy fandoavana ny ampahafolom-pananana, ny fanefana isan’andro ny karaman’ny mpiasa isan’andro, ny zo hioty ny sisam-boa an-tsalohy sy ny fitsimponana salohim-bary) dia manoina ny famporisihan’ny Deterônômy hoe : “Marina tokoa, fa tsy ho foana mihitsy eto amin’ity tany ity ny mahantra ; izany no anomezako anao izao didy izao : tsy maintsy manokatra ny tananao amin’ny rahalahinao ianao, amin’izay ambaniana sy mahantra eo amin’ny firenenao” (Det 15,11). Noraisin’i Jesoa ho Azy io teny io : “Satria, ny mahantra dia hisy lalandava eo aminareo : fa Izaho, tsy mba ho eto aminareo lalandava” (Jo 12,8). Amin’io, tsy nataony ho lany andro ny firehidrehitry ny teny faminaniana taloha hoe : “Satria vidin’izy ireo vola ny olo-marina ary ny mahantra amin’ny kapa iray aman’olona …” (Am 8,6), fa mitaona antsika izy hamantatra ny fisiany ao amin’ny mahantra izay rahalahiny jer. Mt 25,40. :

Tamin’ilay andro nitezeran-dreniny an’i Mb Rose de Lima Vita.nikarakara tao an-trano ny mahantra sy ny kilemaina, dia hoy ny navaliny an-dreniny : “Rahefa manampy ny mahantra sy ny marary isika, dia manompo an’i Jesoa. Tsy tokony ho sasatra isika manampy ny namantsika, satria ao amin’izy ireny dia i Jesoa no tompointsika.”

“Tsy hangalatra ianao” (Det 5,19). “Tsy handova ny Fanjakan’ Andriamanitra, na ny mpangalatra, na ny kahihitra (…), na ny mpanao an-keriny” (1 Kôr 6,10).

Ny didy fahafito dia mandidy hanao ny fahamarinana sy ny fitiava-namana eo amin’ny fitantanana ny haren’ny tany sy ny vokatry ny asan’ny olombelona.

Natao ho an’ny taranak’olombelona rehetra ny soa aman-karena amin’ny zavaboary. Tsy manafoana ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana, ny zo hanam-pananana manokana.

Ny didy fahafito dia mandrara ny halatra. Fakana an-keriny ny fananan’ ny hafa, tsy araka ny sitrapo marina heverin’ny tompony, ny halatra.

Mifanohitra amin’ny didy fahafito ny fomba rehetra akàna sy ampiasana tsy an-drariny ny fananan’ny hafa. Ny tsy fahamarinana natao dia mitaky fanonerana. Ny fahamarinana ara-pifanakalozana dia mitaky ny famerenana amin’ny tompony ny zavatra nangalarina na nafenina.

Raràn’ny lalàna môraly ny asa rehetra izay mitarika hanandevo olona, hividy azy ireo, hivarotra azy ireo ary hanakalo azy ireo ho toy ny entam-barotra, noho ny toetra matimatim-bola na mpanao bodo ngerona.

Ny fahefana hanjaka nomen’ny Mpahary amin’ny harena an-kibon’ny tany, harena avy amin’ny zavamaniry, harena avy amin’ny biby manerana an’izao tontolo izao, dia tsy azo sarahina amin’ny fanajana ny fepetra ara-môraly, tafiditra amin’izany ny an’ireo taranaka ho avy.

Ny biby dia nankinina amin’ny fiandraiketam-pitantanan’ny olombelona, izay tokony haneho fitiavana sy fahalemem-panahy amin’izy ireny. Afaka manampy amin’ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’ny olombelona ny biby.

Maneho ny heviny momba ny fiharian-karena sy ny fiaraha-monina ny Fiangonana rahefa mitaky izany ny zo fototra maha-olona na ny famonjena ny olona. Miahy ireo soa iombonan’ny olona amin’izao fiainana eto an-tany izao ny Fiangonana, noho ny fanokanana an’ireo ho an’Ilay Soa ambony indrindra, tanjom-piafarantsika.

Ny tenan’ny olombelona ihany no mpanao, foibe ary tanjon’ny fiainana rehetra ara-piharian-karena sy ara-piaraha-monina. Izao no vaholana tena izy momba ny fiaraha-monina : ny haren’ny zavaboary nataon’ Andriamanitra ho an’ny rehetra, raha ny tena marina, dia tokony hipaka amin’ny rehetra, araka ny fahamarinana, sy ny fanampian’ny fitiava-nanana.

Ny fototry ny hasarobidin’ny asa dia ny tenan’ny olombelona ihany, fa izy no mpanao sy iantefany. Amin’ny asany ny olombelona no mandray anjara amin’ny tsanganasa fahariana. Raha ampiraisina amin’i Kristy ny asa, dia mety ho mpanavotra.

Ny fampivoarana tena izy, dia izay mahakasika ny olona manontolo. Atao izay hampitombo ny herim-pahazoan’ny isam-batan’olona mamaly ny fiantsoana azy, dia ny antson’Andriamanitra izany jer. CA 29..

Ny asa fiantrana atao amin’ny mahantra dia vavolombelon’ny fifankatiavana toy ny mpiray tam-po : fampiharana ny fahamarinana izay ankasitrahan’Andriamanitra rahateo izany.

Ao amin’ireo olona tsy tambo isaina tsy manan-kanin-kohanina, tsy manan-kialofana, tsy manam-ponenana, ahoana no tsy ahatsiahivana an’i Lazara, ilay mpangataka mitofezaky ny hanoanana voalazan’ny fanoharana jer. Lk 16,19-31.? Ahoana no tsy ahenoina an’i Jesoa miteny hoe : “Tsy nanao izany tamiko koa ianareo” (Mt 25,45) ?

8.Ny didy fahavalo

Raràn’ny didy fahavalo ny manova ho diso ny marina eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Io didy ara-môraly io no mahatonga ny fiantsoana ny vahoaka masina ho vavolombelon’ilay Andriamaniny izay marina sy tia ny fahamarinana. Ny fahotana manohitra ny marina dia mampiseho, amin’ny alalan’ny teny na ny atao, ny fandavana hiandany amin’ny fahitsiana ara-môraly : fivadihan-toky lehibe indrindra amin’ Andriamanitra izany, ary, amin’io hevitra io, mandrava ny fototry ny fanekem-pihavanana.

I.Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana

Manamarina izany ny Testamenta Taloha : Loharanon’ny fahamarinana rehetra Andriamanitra. Fahamarinana ny Teniny jer. Ohab 8,7; 2 Sam 7,28.. Fahamarinana ny Lalànany jer. Sal 119,142.. “Maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinany” (Sal 119,90) jer. Lk 1,50.. Satria Andriamanitra no Ilay “Marina” (Rôm 3,4), ny mpikambana ao amin’ny vahoakany dia voantso hiaina koa ao anatin’ny fahamarinana jer. Sal 119,30..

Ao amin’i Jesoa-Kristy no miseho manontolo ny fahamarinan’ Andriamanitra. Noho i Jesoa-Kristy “feno fahasoavana sy fahamarinana” (Jo 1,14), dia Izy no “fahazavan’izao tontolo izao” (Jo 8,12), Izy no Fahamarinana jer. Jo 14,6.. Na iza na iza mino Azy, tsy mitoetra ao anatin’ny maizina jer. Jo 12,46.. Ny mpianatr’i Jesoa dia mitoetra ao amin’ny teniny mba hahalala ny marina izay mahatonga ho afaka jer. Jo 8,31-32. sy manamasina jer. Jo 17,17.. Ny manaraka an’i Jesoa, dia ny miaina ny “Fanahin’ny fahamarinana” (Jo 14,17) izay irahin’ ny Ray amin’ny anarany jer. Jo 14,26. sy izay mitari-dalana “amin’ny marina rehetra” (Jo 16,13). Tamin’ny mpianany i Jesoa no nampianatra ny fitiavana mankato tanteraka ny marina : “Aoka ny teninareo : "Eny ? eny" , "Tsia ? tsia"” (Mt 5,37).

Toetra voa-Janahary no mahatonga ny olombelona mandeha amin’ny fahamarinana. Adidiny ny manaja izany sy ny manaporofo izany : “Noho ny fahamendrehan’ny olombelona rehetra, amin’ny maha-olona azy ireo (…) dia teren’ny toetran’izy ireo voa-Janahary mihitsy sy voatery, noho ny adidy aman’andraikitra ara-môraly, hikatsaka ny marina izy ireo, ka ny voalohany indrindra dia ny an’izay mikasika ny fivavahana. Adidin’izy ireo koa ny miraiki-po amin’ny marina raha vao mahalala izany izy ireo sy manitsy ny fiainan’izy ireo manontolo araka izay takìn’ny fahamarinana” FVA 2..

Ny fahamarinana, amin’ny maha-fahitsian’ny asa amam-pihetsika sy ny tenin’olombelona azy, dia antsoina hoe firaiketana amin’ny marina, hitsin-toetra na hitsim-po. Ny hoe fahamarinana na firaiketana amin’ny marina dia herim-panahy izay mampiseho fa marina amin’ny asany izy sy milaza fa marina amin’ny teniny, amin’ny fiarovan-tena tsy hamitaka, tsy hisandoka ary tsy hihatsaravelatsihy.

“Tsy ho afa-miaina miaraka ny olombelona, raha tsy misy ny fifampitokiana, izany hoe raha tsy mifampilaza ny marina izy ireo” Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 109, 3, ad 1.. Ny herim-panahy fahamarinana no mamerina ara-drariny amin’ny hafa izay tokony hefaina aminy. Ny firaiketana amin’ny marina no manatanteraka ny fahaiza-mandanjalanja izay tokony hambara sy ny tsiambaratelo izay tokony ho tanana : mitaky fanajana ny rariny sy fahatanam-bava izany. Amin’ny rariny sy ny hitsiny, “ny olona dia tokony hanao amim-pahamarinana amin’ny hafa ny fanehoana ny marina” Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 109, 3..

Manaiky “hivelona amin’ny fahamarinana” ny mpianatr’i Kristy, izany hoe amin’ny fahatsoram-piainana mifanaraka amin’ny ohatra nomen’ny Tompo sy mitoetra ao anatin’ny fahamarinany. “Raha milaza fa manana fiombonana Aminy isika, nefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika, ary tsy manao ny marina” (1 Jo 1,6).

II.“Mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana”

Teo anatrehan’i Pilaty, dia nilaza ampahibemaso i Kristy fa tonga teto amin’izao tontolo izao Izy mba hijoro ho vavolombelona hanambara ny marina jer. Jo 18,37.. “Tsy ho menatra ny hijoro ho vavolombelon’ny Tompo” ny kristianina (2 Tim 1,8). Ao anatin’ny toe-javatra izay mitaky ny fanamarinam-pinoana, ny kristianina dia tokony hanambara izany tsy amim-pisalasalana, tahaka ny nataon’i Md Paoly teo anatrehan’ny mpitsara azy. Tsy maintsy nikely aina izy mba “tsy homelohin’ny kônsiansy eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny olombelona” (Asa 24,16).

Ny adidin’ireo kristianina mandray anjara amin’ny fiainan’ny Fiangonana no manosika azy ireo hiasa ho vavolombelon’ny Evanjely sy ny adidy izay takìn’izany. Izany fijoroana ho vavolombelona izany no fampitana ny finoana amin’ny teny sy amin’ny asa : Asan’ny fahamarinana ny fijoroana ho vavolombelona izay manorina na mampahalala ny marina jer. Mt 18,16.:

Ny kristianina rehetra, na aiza na aiza iainan’izy ireo, dia tsy maintsy maneho (...) amin’ny alalan’ny oha-piainan’izy ireo sy ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny tenin’izy ireo, ny olom-baovao, izay notafian’ izy ireo tamin’ny Batemy, sy ny herin’ny Fanahy Masina izay nankahery azy ireo tamin’ny Fankaherezana AFF 11..

Ny maty martiry no fara tampon’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny finoana ; izany dia ilazana ny fijoroana ho vavolombelona izay tonga hatrany amin’ny fahafatesana. Ny olona atao martiry no maneho ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy, maty sy nitsangan-ko velona, izay iraisany amin’ny alalan’ny fitiavana. Mijoro ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny finoana sy ny fitambaram-pampianarana kristianina izy. Miaritra ny fahafatesana amin’ny alalan’ny asa ampiasan-kery izy. “Avelao aho ho tonga tanim-bilona ho an’ny biby. Amin’ny alalan’ireny no hahatongavako any amin’Andriamanitra” Ignace d’Antioche, Rom. 4,1..

Amim-pitandremana fatratra tokoa no nanangonan’ny Fiangonana ny fahatsiarovana an’ireo izay nandeha hatramin’ny farany mba hanamarinana ny finoan’izy ireo. Ireny no asan’ny Martiry. Ireny no tahirin-tsoratry ny Fahamarinana voasoratra amin’ny ra :

Tsy misy na inona na inona hanolotra ho ahy ny fahafinaretan’izao tontolo izao na ny fanjakan’ity taonjato ity. Tsaratsara kokoa ho ahy ny maty [hiombona] amin’i Kristy Jesoa, toy izay hanjaka hatrany amin’ny fara vazan-tany. Izy no tadiaviko, Izy izay maty ho antsika ; Izy no ilaiko, Izy ilay nitsangan-ko velona ho antsika. Manakaiky ny fiterahako Md Ignace d’Antioche, Rom. 6,1.... Misaotra Anao aho nihevitra ahy ho mendrika an’ity andro ity sy izao ora izao, mendrika ho anisan’ireo martirinao (...). Notanterahinao ny fampanantenanao, ry Andriamanitry ny tsy fivadihana sy ny fahamarinana. Noho izany fahasoavana izany sy noho ny zava-drehetra, midera Anao aho, misaotra Anao aho, mankalaza Anao aho amin’ny alalan’Ilay Mpisorombe mandrakizay sy any an-danitra, Jesoa-Kristy, Zanaka malalanao. Voninahitra anie ho Anao, amin’ny Alalany, izay miaraka Aminao sy ny Fanahy,ankehitriny sy amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen Md Polycarpe, mart. 14,2-3..

III.Ny fahotana manohitra ny fahamarinana

Ny mpianatr’i Kristy dia “nitafy ny olom-baovao izay noarìna araka an’ Andriamanitra amin’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamasinana izay avy amin’ny marina” (Efez 4,24). “Ario ny lainga” (Efez 4,25), dia “esory avokoa ny faharatsiana rehetra sy ny fitaka rehetra, ny fomba rehetra mifono fihatsarambelatsihy, fialonana ary fanaratsiana” (1 Pi 2,1).

Fiampangana lainga sy fianianan-tsy to. Rahefa naely ampahibemaso ny teny manohitra ny fahamarinana, dia mifono halehibeazana mangingina. Eo anatrehan’ny tribonaly, dia manjary fiampangana lainga izany jer. Ohab 19,9.. Rahefa natao tamim-pianianana izany, dia manjary fianianan-tsy to. Ireny fomba fiasa amam-pihetsika ireny dia mandray anjara, na hanameloka ny tsy manan-tsiny, na hanala tsiny ny meloka, na hampitombo ny sazy famaizana an’ilay voampanga jer. Ohab 18,5.. Mety hanala baraka tokoa ireny fomba amam-pihetsika ireny, amin’ny fampiasana ny marina, sy ny rariny mbamin’ny hitsin’ny didim-pitsaràna avoakan’ny mpitsara.

Ny fanajana ny lazan’ny olona dia mandrara ny fihetsika rehetra sy ny teny rehetra mahatonga fahavoazana tsy ara-drariny ho azy ireo jer. CIC, can. 220.. Araka izany : - mahameloka ny olona ny fitsaratsarana foana, na dia amin’ny fomba miafina aza, amin’ny fanekena ny kilemam-pitondran-tenan’ny namana ho marina, nefa tsy misy porofo ; - mahameloka ny olona ny fanaratsiana, amin’ny famoahana ny kileman’ ny hafa na ny fahadisoany, amin’ny olona maro tsy mahalala izany, nefa tsy misy antony marim-pototra jer. Ekl 21,28. ; - mahameloka ny olona ny fanendrikendrehana amin’ny alalan’ny teny manohitra ny marina, izay entina hanimbàna ny lazan’ny hafa ka mahatonga azy ho ratsy eo imason’ny olona.

Mba hisorohana ny fitsaratsarana foana, tsy misy porofo, aoka ny tsirairay hitandrina, araka izay azo atao, mba hitsikera amin’ny lafiny tsara, ny eritreritry namany sy ny teniny ary ny asany :

Ny kristianina tsara rehetra dia tokony ho mailaka amin’ny fiarovana ny soso-kevitry ny namana toy izay hanameloka izany. Raha tsy afaka hiaro izany moa ny tena, tokony hanontaniana izy hoe : ahoana no fahazoany izany ; ary raha tsy dia azony loatra izany, tokony hahitsy amim-pitiavana izy ; ary raha tsy ampy izany, tokony hotadiavina ny fomba rehetra sahaza, ka amin’ny fahazoany tsara izany, no hiavotany tena Md Ignace, ex. spir. 22..

Manimba ny laza amam-boninahitry ny namana ny fanaratsiana sy ny fanendrikendrehana. Ny voninahitra anefa no fanaporofoana eo amin’ny fiaraha-monina, ny fahamendrehan’ny olombelona, ary ny tsirairay dia manana zo voa-Janahary itandrovana ny voninahitry ny anarany, ny lazany ary ny fanajana. Noho izany, manimba ny herim-panahy fahamarinana sy ny fitiava-namana ny fanaratsiana sy ny fanendrikendrehana.

Raràna ny teny na ny fihetsika rehetra atao amin’ny alalan’ny fandokafana, fanindrahindrana na famalifaliana ny namana, mba hamporisihana sy hanamarinana ny faharatsian’ny asany sy ny havetavetam-pitondran-tenany. Fahadisoana lehibe ny fanindrahindrana raha toa ka hanaovana tsikombakomba amin’ny faharatsian-toetra na fahotana lehibe. Tsy manala tsiny ny fihatsarambelatsihim-pitenenana ny faniriana hanampy na haneho mari-pisakaizana. Fahotana madinika ny fanindrahindrana raha toa izany ka irìny fotsiny mba hahafinaritra, hialana ny ratsy, hisorohana ny mahaporitra, hahazoana tombon-tsoa ara-drariny.

Ny fireharehana na fieboeboana dia anisan’ny fahadisoana manohitra ny fahamarinana. Toraka izany koa ny fanesoana izay mikendry hanambany olona amin’ny fanaovana kisarisary mampihomehy na manebaka, amin’ny fomba feno hasomparana, ny endriky ny fihetsika amam-pitondran-tenany toy izao na toy izao.

“Ny hoe lainga dia filazana zavatra tsy marina kendrena hamitahana” Md Augustin, mend. 4,5.. Ampahafantarin’ny Tompo fa tsanganasan-devoly ny lainga : “Ny devoly no ray niavinareo (...) tsy misy marina ao aminy : rahefa milaza ny laingany izy, dia miteny izany araka ny toetrany, satria mpandainga sy rain’ny lainga izy” (Jo 8,44).

Ny lainga no fahotana mivantana indrindra amin’ny fahamarinana. Ny mandainga dia ny miteny na ny manao asa amam-pihetsika manohitra ny marina mba hamitahana. Amin’ny fanimbàn’ny lainga ny fifandraisan’ny olona amin’ny marina sy amin’ny namana, no analany baraka ny foto-pifandraisan’ny olombelona sy ny teniny amin’ny Tompo.

Ny amaritana ny halehiben’ny lainga dia arakaraka ireto : ny toetran’ny fahamarinana nosimbàny, ny toe-java-miseho, ny fikasan’ilay nandainga, ny fahavoazan’ilay nianjadiam-boina tamin’ny lainga. Raha fahotana madinika ny lainga tsotra amin’ny maha-lainga azy, dia manjary fahotana mahafaty kosa izy rahefa lehibe ny fahavoazana aterany amin’ny herim-panahy fahamarinana sy fitiavana.

Mahameloka ny lainga amin’ny maha-lainga azy. Fametavetana ny teny izay ilaina hampahafantarana ny hafa ny marina fantatra, ny lainga. Ny minia mamitaka ny namana amin’ny alalan’ny resaka manohitra ny marina dia fahadisoana amin’ny fahamarinana sy amin’ny fitiavana. Lehibe kokoa ny fahadisoana amin’ny fikasana hamitaka, raha mampidi-doza mihatra amin’ny ain’ireo izay tafahodina miala amin’ny marina izany.

Ny lainga (satria fanazimbàna ny hasin’ny firaiketana amin’ny marina) dia tena herisetra tokoa atao amin’ny hafa. Ny herim-pahazoan’ny olona mamantatra, izay fototry ny fahaiza-mandanjalanja rehetra sy ny fahaiza-manapa-kevitra rehetra, no simbàny. Ao amin’ny lainga no misy ny tsirin’ny fisarahan-tsaina sy ny ratsy rehetra aterany. Mampidi-doza ny fiaraha-monina manontolo ny lainga ; mandrava ny fifampitokiana eo amin’ny olombelona samy olombelona izy, ary manakorontana ny rindram-pifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina.

Mitaky adidim-panonerana ny fahadisoana rehetra natao momba ny rariny sy ny marina, na dia efa voavela heloka aza ilay nanao izany. Raha sarotra atao ny manonitra hadisoana iray ampahibemaso, dia tsy maintsy hatao miafina izany ; raha sarotra ny anonerana mivantana izay natao tamin’ilay niharam-pahavoazana, dia tsy maintsy arenina ny sainy, amin’ny alalan’ny fitiava-namana. Izany adidim-panonerana izany dia mahakasika indrindra koa ny fahadisoana natao tamin’ny lazan’ny hafa. Izany fanonerana izany, ara-tsaina ary indraindray ara-pitaovana, dia tokony hifandanja amin’ny haben’ny fahavoazana nihatra. Ny kônsiansy no manery izany.

IV.Ny fanajana ny marina

Misy fepetra ny zo hampahafantatra ny marina. Tokony hampifanarahan’ ny tsirairay amin’ny fitsipiky ny fitiavana maha-mpiray tam-po araka ny Evanjely, ny fiainany. Takìn’io fitiavana maha-mpiray tam-po io, eo amin’ ny fisehoana toe-javatra lehibe, ny mandanjalanja raha mety na tsia ny hanambaràna ny marina amin’ilay izay mangataka izany.

Ny fitiavana sy ny fanajana ny marina no tokony hibaiko ny valy amin’ny fangataham-baovao na fampitam-baovao rehetra. Ny soa sy ny filaminan-tsainan’ny hafa, ny fanajana ny fiainana manokana, ny soa iombonana, dia antony ampy mba tsy hilazana izay tokony tsy ho fantatra, na mba hampiasana fitenenana manaja. Ny adidy hisorohana ny fanafintohinana dia matetika mitaky fahatanam-bava mafy. Na iza na iza dia tsy mahazo manambara ny marina amin’izay tsy manana zo hahalala izany jer. Ekl 27,17; Ohab 25,9-10..

Masina ny tsiambaratelon’ny sakramentan’ny fampihavanana, ary tsy azo havoaka na inona inona lazaina ho antony. “Tsy azo ivadihana ny tsiambaratelo ara-tsakramenta ; noho izany, voarara tanteraka ny mpampikônfesy tsy hamoaka izay lazain’ny mpikônfesy na inona na inona izany, amin’ny alalan’ny teny na amin’ny fomba hafa, sy na inona na inona mety ho antony” CIC, can. 983, §1..

Ny tsiambaratelon’asa – ohatra : izay tazonin’ny mpitondra fanjakana, tazonin’ny miaramila, ny mpitsabo, ny mpitsara – na ny filazan-javatra amin’ny olona, nefa zavatra notanana ho tsiambaratelo, dia tsy maintsy harovana, afa-tsy amin’ny toe-javatra manokana izay ny fitazonana ny tsiambaratelo dia mety hitera-pahavoazana lehibe tokoa amin’ilay izay nanambara azy tamim-pitokiana, amin’ilay izay nandray azy na amin’ny olon-kafa, ka ny hany isorohana izany dia ny famoahana ny marina. Na dia tsy nambara mangingina tamim-pitokiana ho tsiambaratelo aza ny filazana ny vaovao manokana manimba ny hafa, dia tsy azo havoaka raha tsy misy antony lehibe sy voalanjalanja izany.

Adidin’ny tsirairay ny mitana ny tsiambaratelo marina momba ny fiainan’ ny olona manokana. Adidin’ny mpiandraikitra ny fampitam-baovao ny mandrindra sy mandanjalanja ara-drariny an’izany, eo amin’ny takìn’ny soa iombonana sy ny fanajana ny zon’ny isam-batan’olona. Ny fitsabahana amin’ny filazam-baovao momba ny fiainan’olona manokana mirotsaka amin’ny raharaha pôlitika na raharaham-bahoaka dia azo melohina arakaraka ny fahavoazana aterany eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana sy amin’ny fahafahan’izy ireo.

V.Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona

Ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona, eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny androm-piainana ankehitriny, dia manana anjara toerana lehibe dia lehibe amin’ny fampahalalam-baovao, amin’ny fampandrosoana ara-kolontsaina ary ny fampianarana amam-panabeazana. Mihalehibe io anjara toerana io, noho ny fandrosoana ara-teknika, noho ny fidadasika sy ny fahamaroan’ny vaovao ampitaina, ary ny fihatran’ny heriny eo amin’ny toe-tsaim-bahoaka.

Ho an’ny soa iombonana no ampiasana ny fampahalalam-baovao amin’ny fitaovam-pifandraisana jer. FMM 11.. Zon’ny mpiara-belona ny hahazo vaovao miorina amin’ny fahamarinana, ny fahafahana, ny rariny sy ny hitsiny, ary ny firaisan-kina amam-piombonana :

Ny fampiasana tsara an’io zo io dia mitaky ny fampitam-baovao, ka raha ny amin’ilay vaovao, dia mba ho marina azo antoka lalandava sy feno izany, ao anatin’ny fanajana ny takìn’ny fahamarinana sy ny fitiavana ; ary raha ny amin’ny fomba fampitàna, dia mba ho mendrika sy mifanentana amin’ilay vaovao, izany hoe amin’ny fahazoana sy ny fampielezana ny vaovao, dia tokony hotandremana tanteraka amin’ny fampitam-baovao, ny lalàna môraly, ny zo ary ny fahamendrehan’ny olombelona FMM 5..

“Ilaina raha ny tsirairay rehetra eo amin’ny fiaraha-monina no manatanteraka ao anatin’io sehatra io koa, ny adidin’izy ireo amin’ny rariny sy ny fahamarinana. Hampiasa ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona izy ireo, mba hiara-miasa amin’ny famolavolana sy ny fampielezana ny hevitra mahasoa avy amin’ny olona maro” FMM 8.. Ny firaisan-kina amam-piombonana dia hita fa vokatry ny fampitam-baovao marina sy mahitsy, sy ny fifamoivoizana malalaka ara-kevitra, izay mampandroso ny fahalalana sy ny fanajana ny hafa.

Ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona (singanina manokana ny fitaovam-pampitam-baovao ho an’ny daholobe) dia mety hiteraka fanarahana am-bokony ihany ao amin’ireo mpampiasa, ka hahatonga azy ireo tsy ho malina amin’ny hafatra ampitaina aminy na amin’ny fampisehoana jereny. Ny mpampiasa dia tsy maintsy mahalala onony sy manaraka fitsipi-pifehezana eo anatrehan’ny fitaovam-pampitam-baovao ho an’ny daholobe. Ilain’izy ireo ny manabe ny kônsiansiny ho mazava sy mahitsy mba hanoherana moramora kokoa ny fihatran’ny hery mitarika ho amin’ny tsy fahamendrehan-toetra loatra.

Noho ny asa fanaovana gazety, dia manana adidy amin’izany ireo mpanao gazety, amin’ny fampielezana ny vaovao, hanome ny marina sy tsy hanafintohina ny fitiavana. Hiezaka izy ireo hanaja, amin’ny fiahiana mitovy, ny toetra-java-miseho sy ny fetran’ny fitsikerana mety hamohehatra ny olona. Tsy maintsy sorohin’izy ireo ny milefitra amin’ny fanalam-baraka.

“Manana adidy manokana ny mpitondra firenena hitsimbina ny soa iombonana. Adidin’ny fanjakana ny miaro sy miahy ny fahafahana tena izy sy ara-drariny amin’ny fampahalalam-baovao” FMM 12.. Amin’ny famoahana lalàna sy amin’ny fitandremana ny fampiharana azy, dia tokony arovan’ny fanjakana sy iantohany, mba tsy “hitera-pahavoazana lehibe eo amin’ny fomba fiainana sy ny fitondran-tenan’ny vahoaka ary ny fandrosoan’ny fiaraha-monina” FMM 12., ny fampiasana mamohetra ny fitaovam-pampitam-baovao. Hosazìn’izy ireo ny fandikan-dalàna mikasika ny zon’ny tsirairay amin’ny laza sy ny tsiambaratelon’ny fiainany manokana. Homen’izy ireo ara-potoana sy ara-drariny ny vaovao izay mahakasika ny soa ankapobeny na mamaly ny ahiahy tsy hihavanana eo amin’ny mponina. Na inona na inona, dia tsy azo anamarinana ny fampiasana vaovao diso ny fitaovam-pampitam-baovao, mba hanamboamboarana ny toe-tsain’ny vahoaka. Tsy tokony hanohintohina ny fahafahan’ny tsirairay sy ny vondron’olona anefa ireny fanelanelanana ireny.

Ny môraly no mamoaka ireo loza afitsoky ny firenena mpanao bodo ngerona, izay manao hosoka ny fahamarinana amim-pomba voarindra, mampiasa ny jadona pôlitika ara-panehoan-kevitra amin’ny alalan’ny fitaovana fampitam-baovao, “manamboamboatra” ny voampanga sy ny vavolombelona eo amin’ny fitsaràna ary mihevitra hampiorina mafy amin’ny fitondram-pangejan’izy ireo, amin’ny fanakanana sy amin’ny fanasaziana izay rehetra heverin’izy ireo ho “fandikan-dalàna ara-panehoan-kevitra”.

VI.Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina

Tsy misaraka amin’ny fahafinaretan’ny fanahy azo maimaim-poana sy ny hatsara ara-môraly, ny fanaovana ny tsara. Toy izany koa, misy hafaliana amin’ny hatsaran’ny fanahy sy ny famirapiratany, ny fahamarinana. Tsara amin’ny maha-fahamarinana azy ny fahamarinana. Ilain’ny olona manan-tsaina ny teny marina, anehoany ara-tsaina ny fahalalany ny voary sy ny Mpahary ; mety koa anefa hisy fomba hafa fanehoan’ny maha-olombelona ny fahamarinana, mifameno aminy, indrindra raha mampiseho ao an-tsaina an’izay zavatra tsy hay ambara izany, ohatra ny halalin’ny fon’ olombelona, ny fisondrotan’ny fanahy, ny Misterin’Andriamanitra. Na talohan’ny nanambaràn’Andriamanitra ny Tenany tamin’ny olombelona tamin’ny tenin’ny fahamarinana aza, dia efa nanambara ny Tenany taminy Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fiteny mahahenika ny tontolo momba ny fahariana, izay tsanganasan’ny Teniny sy asan’ny fahendreny : ny filaminana sy ny firindran’ny zavaboary voalamina – izay hitan’ny ankizy sy ny olon’ny siansa –, “ny halehibe sy ny hatsaran’ny zavaboary, mahatonga, ara-pifanahafana, hibanjina an’Ilay Mpamorona an’ireny” (Fah 13,5), “satria ilay loharanon’ny hatsara ihany no namorona an’ireny” (Fah 13,3). Satria, ny fahendrena dia fofon’ny herin’Andriamanitra, fipoirana madio mangarangarana ny voninahitr’ilay Mahefa ny zavatra rehetra ; koa tsy misy na dia kely aza loto tafiditra ao aminy.Fa taratry ny Fahazavana Mandrakizay ny fahendrena, fitaratra tsy misy pentina amin’ny asan’Andriamanitra, endriky ny hatsarany (Fah 7,25-26).Araka izany, tsara noho ny masoandro ny fahendrena, mihoatra ny antokon-kintana rehetra, raha ampitahaina amin’ny fahazavana, izy no mahery ; satria ny mazava, dimbiasan’ny alina, fa ny ratsy kosa tsy mba maharesy ny fahendrena (Fah 7,29-30). Raiki-pitia ny hatsaran-tarehiny aho (Fah 8,2).

Ny olombelona, noho izy noarìna mitovy endrika amin’Andriamanitra jer. Jen 1,26, dia maneho koa ny fahamarinan’ny fifandraisany amin’Andriamanitra Mpahary, amin’ny alalan’ny hatsaran’ny tsanganasan-tanany. Satria, ny haikanto dia endri-panehoana manokana an’ny olombelona ; ao ambadiky ny fitadiavam-pivelomana iraisan’ny zavaboary mananaina rehetra, dia misy harena mihoa-pampana nomena maimaim-poana ao anatin’ny olombelona. Ny haikanto, noho izy mipoitra avy amin’ny talenta nomen’ny Mpahary sy ny ezaka ataon’ny tenan’ny olombelona rahateo, dia endriky ny fahendrena miseho an’asa, amin’ny fanakambanana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao jer. Fah 7,17. mba hampisehoana ny fahamarinan’ny zava-misy amin’ny fombam-panehoana mora azon’ny maso sy ny sofina. Araka izany, ny haikanto dia misy fifanahafana marina amin’ny asan’Andriamanitra eo amin’ny zavatra noforonina, araka izay nanovozany hevitra tamin’ny fahamarinana sy ny fitiavana ny voary. Tsy misy na iray aza asan’ olombelona, ananan’ny haikanto amin’ny maha-haikanto azy tanjom-piafarana tanteraka, fa nalahatra sy nasandratra ho amin’ny tanjom-piafaran’ny olombelona izy jer. Pie XII, lahateny tamin’ny 24 desambra 1955 sy lahateny tamin’ny 3 septambra 1950..

Ny zavakanto masina dia marina sy tsara, rahefa mifanahaka amin’ny fiantsoana azy manokana ny famoronana azy, dia ny mampahatsiahy sy ny mampiseho ny voninahitra, amin’ny finoana sy ny fitsaohana, ny mistery tsy taka-polopolorina momba an’Andriamanitra, izay : hatsara tsy hita maso ambony indrindra ny fahamarinana sy ny fitiavana, niseho tao amin’i Kristy, “famirapiratan’ny voninahiny, fitomboky ny fisiany maha-Izy Azy” (Heb 1,3), izay ao Aminy no “itoeran’ny maha-olombelona Azy ao amin’ny hafenoan’ny maha-Andriamanitra” (Kôl 2,9) ; hatsara ara-panahy tonga tana-panazavana tao amin’i Maria Virjiny Masina Indrindra Renin’ Andriamanitra, ny anjely sy ny Olomasina. Ny zavakanto masina tena izy dia mitondra ny olombelona amin’ny fitsaohana, amin’ny fivavahana ary amin’ny fitiavana an’Andriamanitra Mpahary sy Mpamonjy, Masina sy Mpanamasina.

Noho izany, ny Eveka, amin’ny alalan’ny tenan’izy ireo ihany na amin’ny alalan’ny fisoloan-toerana, dia tokony hanao izay hampandroso ny zavakanto masina, tranainy na vaovao, amin’ny endriny rehetra, ary manesotra izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fahamarinan’ny finoana sy amin’ny hatsarana maha-tena zavakanto masina azy tokoa, izay atao amin’ny fitandremana mitovy ara-pivavahana, amin’ny litorzia sy amin’ny tranon’Andriamanitra jer. L 122-127..

“Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao” (Eks 20,16). Ny mpianatr’i Kristy dia “mitafy ny olom-baovao noarìna araka an’Andriamanitra ao anatin’ny rariny sy ny hitsiny mbamin’ny fahamasinana izay avy amin’ny fahamarinana” (Efez 4,24).

Ny hoe fahamarinana na firaiketana amin’ny marina dia herim-panahy izay mampiseho fa marina amin’ny asany izy sy milaza fa marina amin’ny teniny, amin’ny fiarovan-tena tsy hamitaka, tsy hisandoka ary tsy hihatsaravelatsihy.

“Tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo” (2 Tim 1,8) amin’ny asa sy amin’ny teny, ny kristianina. Ny maty martiry no fara tampon’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny finoana.

Ny fanajana ny laza amam-boninahitr’olona dia mandrara ny fihetsika rehetra atao na ny fiteny rehetra manaratsy na manendrikendrika.

Ny hoe lainga dia filazana zavatra tsy marina kendrena hamitahana ny namana.

Mitaky fanonerana, ny fahadisoana natao manohitra ny marina.

Ny fitsipika volamena no manampy amin’ny fahaiza-mandanjalanja, eo amin’ny fisehoana toe-javatra lehibe, na mety na tsia ny manambara ny marina amin’izay mangataka izany.

“Tsy azo avoaka ny tsiambaratelo ara-tsakramenta” CIC, can. 983 § 1.. Tsy maintsy tanana ny tsiambaratelon’asa. Tsy azo aely eny imasom-bahoaka ny tsiambaratelo mety hanimba ny hafa.

Zon’ny mpiara-belona ny hahazo vaovao miorina amin’ny fahamarinana, ny fahafahana ary ny rariny sy ny hitsiny. Tsara ny mampisy fahalalam- petra sy fitsipi-pifehezana amin’ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ ny mpiara-belona.

Ny haikanto, fa indrindra ny zavakanto masina, “dia mikendry, amin’ny maha-zavakanto azy, ny hampiseho araka izay azo atao ao amin’ireo tsanganasan’olombelona, ny hatsarana tsy misy fetran’Andriamanitra, ary natao indrindra ireny mba hampitombo ny fiderana Azy sy ny voninahiny izay tsy misy fikasana hafa afa-tsy ny hanampy araka izay azo atao ny fanahin’ny olona hitodika any amin’Andriamanitra” L 122..

9.Ny didy fahasivy

Avahan’i Md Joany ho karazany telo ny fitsiriritana na fanirian-dratsy : ny fitsiriritan’ny nofo, ny fitsiriritan’ny maso ary ny fiavonavonana eo amin’ny fiainana jer. 1 Jo 2,16 (Volg.).. Araka ny lovam-pampianarana ara-katesezy katôlika, dia raràn’ny didy fahasivy ny fanirian-dratsin’ny nofo ; ny raràn’ny didy fahafolo kosa, dia ny fitsiriritana ny fananan’ny hafa.

Ny hoe “fanirian-dratsy”, araka ny dikan’ny fakan-teny nipoirany, dia azo anondroana ny endrika rehetra mirehidrehitry ny fanirian’ olombelona. Ny teôlôjia kristianina dia nanome hevitra manokana izany amin’ny fihetsiky ny fahalianan’ny nofo, izay manohitra ny tsanganasan’ny sain’olombelona. Ampitovian’i Md Paoly apôstôly amin’ny fikomiana izany, satria ny “nofo” manohitra ny “fanahy” jer. Gal 5,16.17.24; Efez 2,3.. Avy amin’ny tsy fanekena vokatry ny fahotana voalohany izany jer. Jen 3,11.. Miteraka fikorontanan’ny fironana voa-Janahary ara-môraly eo amin’ny olombelona izany, ary, na tsy fahotana aza ny fironana amin’ny maha-fironana azy, dia mampirona an’io fironana voa-Janahary io hanao fahotana ny fanirian-dratsy jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..

Noho ny olombelona voary natambatra ho fanahy sy vatana, dia efa misy fifanoherana ihany ao aminy, efa miseho ihany ny tolon’ny fironana eo amin’ny “fanahy” sy ny “nofo”. Ny tena marina, io tolona io dia anisan’ny lovam-pahotana, izay sady vokany no manamafy azy. Anisan’ny fahalalana azo tamim-pahazarana isan’andro momba ny ady ara-panahy io tolona io :

Ho an’ny apôstôly, tsy ny manambanty sy ny manameloka ny vatana akory no tiany holazaina, dia ny vatana mamorona miaraka amin’ny fanahy maha-olona, ny toetra maha-olombelona sy ny maha-izy ny olona tsirairay ; mamakafaka kosa anefa izy, ny amin’ny tsanganasany, na hoe ny amin’ny fironana tsy miovaova – hatsaran-toetra na haratsian-toetra – tsara na ratsy ara-pitsipi-pitondran-tena, izay vokatry ny fankatoavana (amin’ny sehon-javatra voalohany) na ny fanoherana (amin’ny sehon-javatra faharoa) ny asam-pamonjen’ny Fanahy Masina. Izany no nahatonga ny apôstôly nanoratra hoe : “Satria ny Fanahy no fiainantsika, dia ny Fanahy koa no aoka hampiasa antsika” (Gal 5,25) Joany Paoly II, DeV 55..

I.Ny fandiovana ny fo

Ny fo no foiben’ny toetran’ny tsirairay ara-môraly : “Avy amin’ny fo no iavian’ny hevi-dratsy, ny famonoan’olona, ny fakam-badin’olona sy ny fijangajangana” (Mt 15,19). Mandalo amin’ny alalan’ny fandiovana ny fo sy ny fahaizana mahalala onony, ny ady anoherana ny fitsiriritan’ny nofo :

Mahareta amin’ny hatsoram-po ianao, amin’ny tsy fananan-tsiny, dia ho toy ny zaza kely ianao, tsy mahalala ny ratsy manimba ny fiainan’ny olombelona Hermas, mand. 2, 1..

Ny hasambarana fahenina dia manao antso avo hoe : “Sambatra ireo madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy ireo” (Mt 5,8). Ny hoe “madio fo” dia enti-manondro ireo izay nampifanaraka ny sain’izy ireo sy ny sitrapon’izy ireo amin’izay takìn’ny fahamasinan’Andriamanitra, indrindra amin’ireto sehatra telo ireto : ny fitiava-namana jer. 1 Tes 4,3-9; 2 Tim 2,22., ny fahadiovam-pitiavana na hitsim-po araka ny maha-lahy na maha-vavy jer. 1 Tes 4,7; Kôl 3,5; Efez 4,19., ny fitiavana ny marina sy ny fahitsiam-poto-pampianarana momba ny inoana jer. Tito 1,15; 1 Tim 1,3-4; 2 Tim 2,23-26.. Misy fifamatoram-pifandraisana izany ny fahadiovan’ny fo sy ny vatana ary ny finoana :

Tokony hino ireo andalana ao amin’ny Semboly ny mpino, “ka eo am-pinoana, mba hanaiky an’Andriamanitra izy ireo ; eo am-panekena, mba ho velona tsara izy ireo ; eo am-pivelomana tsara, mba hanadio ny fony izy ireo, ary eo am-panadiovana ny fon’izy ireo, mba ho takatr’izy ireo an-tsaina izay inoan’izy ireo” Md Augustin, fid. et symb. 10,25..

Nampanantenaina an’ireo “madio fo” ny hahita an’Andriamanitra mifanatri-tava sy ny hifanahaka Aminy jer. 1 Kôr 13,12; 1 Jo 3,2.. Ny fahadiovan’ny fo no mialoha ny fahitana. Manomboka ankehitriny, izany no ahafahantsika mahita araka an’Andriamanitra sy mandray ny hafa ho “namana” ; izany no ahafahantsika mahita ny vatan’ny olombelona, ny antsika sy ny an’ny namantsika, ho tempolin’ny Fanahy Masina, ho fanehoana ny hatsaran-tarehin’Andriamanitra.

II.Ny ady ho amin’ny fahadiovana

Ny Batemy no manome an’izay mandray azy ny fahasoavana enti-manadio ny fahotana rehetra. Kanefa tsy maintsy manohy miady amin’ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fitsiriritan-dratsy ilay vita batemy. Ombàn’ ny fahasoavan’Andriamanitra, tonga amin’izany izy : - amin’ny alalan’ny herim-panahy sy ny fanomezam-pahadiovam-pitiavana, satria ny fahadiovam-pitiavana no ahafahana mitia amin’ny fo mahitsy sy tsy mizarazara ; - amin’ny alalan’ny fahadiovam-pikasana izay mifantoka amin’ny fikendrena ny tena tanjona marina fiafaran’ny olombelona : amin’ny maso tsotra no itadiavan’ny vita batemy hahita sy hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra jer. Rôm 12,2; Kôl 1,10. ; - amin’ny alalan’ny fahadiovam-pijery, eto ivelany sy ao anaty ; amin’ny alalan’ny fifehezana ny fihetseham-po sy ny fieritreretana ; amin’ny alalan’ny fandavana ny fitiava-mamalifaly rehetra ao anaty eritreritra maloto izay mampirona hivily amin’ny lalan’ny didin’Andriamanitra hoe: “Ny fijery no mamoha ny filan-dratsy ho an’ny tsy manan-tsaina” (Fah 15,5) ; - amin’ny alalan’ny fivavahana :

Nino aho fa avy amin’ny herin’ny tenako ihany ny fifadiam-pahafinaretan’ny nofo, (...) hery izay na ny tenako aza tsy nahafantatra. Ary toa adala ihany aho tsy nahalala fa tsy misy na iza na iza afaka hifady ny fahafinaretan’ny nofo, raha tsy Ianao no manome azy izany. Ary marina tokoa, ho nomenao izany aho, raha toa ka nandondòna teo amin’ny sofinao, tamin’ny fitarainako tao anaty, sy raha nanatosaka ny ahiahiko Taminao aho, tamin’ny finoana tsy voahozongozona Md Augustin, conf. 6,11,20..

Mitaky fahalalana menatra ny fahadiovana. Ampahany tsy azo esorina amin’ny fahalalana onony ny fahalalana menatra. Miaro ny fiainan’ny olona manokana ny fahalalana menatra. Enti-manondro ny fandavana hamboraka izay tokony hijanona ho miafina izy. Alahatra amin’ny fahadiovam-pitiavana izy, fa ny fahadiovam-pitiavana no manaporofo ny hatsarany. Mitarika ny fijery sy ny fihetsika mifanaraka amin’ny fahamendrehan’ny olona sy ny firaisan’ireo izy.

Miaro ny tsiambaratelon’ny olona sy ny fitiavan’izy ireo ny fahalalana menatra. Mitaona ho amin’ny faharetana sy ho amin’ny fahalalana onony eo amin’ny fifandraisam-pitiavana izy ; angatahiny mba ho feno ireo fepetran’ny fifanoloran-tena sy ny fifanekena varo-matin’ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny fanambadian’izy ireo. Fahamaotonana ny fahalalana menatra. Manolo-kevitra ny amin’ny fisafidianana ny fitafiana anaovana izy. Mitana ny fanginana na ny fahamalinana izy, eo amin’izay mety hampidi-doza avy amin’ny fahalianam-betaveta. Manjary fahaiza-mahatam-bava izy.

Misy koa ny fahalalana menatra amin’ny vatana tahaka ny amin’ny fisainana ihany. Toheriny, ohatra, ny fikarohana ataon’ireo “mpijery vetaveta” amin’ny vatan’olombelona any amin’ireny dokam-barotra sasany ireny, na ny fitambezoan’ ny fampitam-baovao sasany handeha lavitra loatra amin’ny fanambaràna ny tsiambaratelom-pitiavana lalina indrindra. Ny fahalalana menatra no manolo-kevitra amin’ny fomba fiaina izay ahafahana manohitra ny fanintonan’ny lamaody sy ny faneren’ny firehan-kevitra arahin’ny maro an’isa.

Ny endrika isaloran’ny fahalalana menatra dia miovaova eo amin’ny kolontsaina iray mankamin’ny kolontsaina hafa. Hatraiza hatraiza anefa, mijanona ho fanahiana ny fahamendrehana ara-panahy manokana ho an’ny olona ny fahalalana menatra. Mipoitra amin’ny alalan’ny fifohazan’ny kônsiansin’ny olona izy. Ny mampianatra ny fahalalana menatra amin’ny ankizy sy ny tanora, dia ny mamoha ny fanajana ny maha-olona ny olona.

Mila ny fanadiovana ny toe-javatra iainana eo amin’ny fiaraha-monina ny fahadiovana kristianina. Mitaky amin’ireo fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona izy mba hiahy ny fanajana sy ny fahalalana onony amin’ny fampahalalam-baovao. Ny fahadiovan’ny fo no manafaka amin’ny fampisehoam-pahafinaretam-pilan’ny nofo efa miely, sy mampanalavitra ireo fampisehoana izay mankasitraka ny fitiava-mijery vetaveta sy ny fanaovana hevi-dravina.

Ilay izay antsoina hoe fitaiza migoragora eo amin’ny fomba fiainana amam-pitondran-tena dia miorina amin’ny foto-pisainana diso momba ny fahafahan’ny olombelona ; mba hitarihana amin’ny soa sy ny tsara, ilain’ ny fahafahan’ny olombelona ny manaiky hobeazina mialoha amin’ny alalan’ny lalàna môraly. Mety ny mangataka amin’ny tompon’andraikitry ny fanabeazana, mba hanomezana fampianarana ho an’ny tanora, izay miompana amin’ny fanajana ny marina, fanajana ny hatsaran’ny fo, ary fanajana ny fahambonian’ny saina amam-panahin’ny olona.

“Manavao lalandava ny fiainana sy ny kolontsain’ny olona very hasina ny Vaovao Mahafalin’i Kristy : miady sy manala ny fahadisoana sy ny ratsy izay mipoitra avy amin’ny fanangolena maharitry ny fahotana izy. Tsy mitsahatra manadio sy manondrotra ny hatsaram-pitondran-tenan’ny firenen-drehetra izy. Amin’ny alalan’ny harem-pahasoavana avy any ambony izy no mampamokatra avy ao anaty ireo hatsaran-toe-panahy sy ireo fanomezana sahaza ny firenena tsirairay eo amin’ny vanim-potoana mifandimby. Mampatanjaka ireny, manatontosa ireny ary manavao ireny ao amin’i Kristy izy” FAA 58, §4..

“Na iza na izamijery vehivavy amin’ny fitsiriritana azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady” (Mt 5,28).

Mampitandrina momba ny fitsiriritana na fanirian-dratsin’ny nofo, ny didy fahasivy.

Ny ady atao hanoherana ny fitsiriritan’ny nofo, dia mandalo amin’ny alalan’ny fandiovana ny fo sy ny fahaizana mahalala onony.

Ny fahadiovan’ny fo no ahafahantsika hahita an’Andriamanitra : izy no ahafahantsika mahita amin’izao ankehitriny izao ny zavatra rehetra araka an’Andriamanitra.

Ny fandiovana ny fo dia mitaky fivavahana, fanarahana ny fahadiovam-pitiavana, fahadiovam-pikasana ary fahadiovam-pijery.

Ny fahadiovan’ny fo dia mitaky fahalalana menatra izay mila faharetana, fahamaotonana ary fahatanam-bava. Ny fahalalana menatra no miaro ny fiainan’ny olona manokana.

10.Ny didy fahafolo

Mampizara ho roa sy mameno ny fahasivy ny didy fahafolo, izay mifantoka amin’ny fanirian-dratsin’ny nofo. Raràny ny fitsiriritana ny fananan’ny hafa, izay fototry ny halatra, ny fandrobàna ary ny fitaka, izay raràn’ny didy fahafito. Ny “fitsiriritan’ny maso” (1 Jo 2,16) no mitarika amin’ny herisetra sy ny tsy fahamarinana raràn’ny didy fahadimy jer. Mik 2,2.. Ny fitsiriritan-karena, tahaka ny fijangajangana, dia manana ny fototra iaviany ao amin’ny fanompoan-tsampy voarara ao amin’ireo didy telo voalohan’ny lalàna jer. Fah 14,12.. Mifantoka amin’ny fikasan’ny fo ny didy fahafolo ; mamintina ny fitsipiky ny lalàna rehetra izy, miaraka amin’ny didy fahasivy.

I.Ny fanimbàn’ny fitsiriritana

Ny fahalianan’ny nofo no mandrisika antsika haniry ny zavatra mahafinaritra izay tsy ananantsika. Tahaka izany ny maniry hihinana rahefa noana, na hanafana tena rahefa mangatsiaka. Ireny faniriana ireny dia tsara amin’ny maha-faniriana azy ireny fotsiny ; matetika anefa tsy mitana ny fanapahan-kevitry ny saina izy ireny ary manosika antsika hitsiriritra tsy ara-drariny izay tsy antsika fa an’ny hafa na tsy maintsy hefaina amin’ny hafa.

Raràn’ny didy fahafolo ny fahalianana sy ny faniriana amin’ny fibodoana tsy misy fetrany ny haren’ny tany ; raràny ny fitsiriritan-karena tsy voafehy, ateraky ny firehetam-po tafahoatra amin’ny harena sy ny heriny. Mbola raràny ny faniriana hanao ny tsy rariny izay mety hanimba ny namana amin’ny soa aman-karena ara-nofo :

Rahefa milaza amintsika ny Lalàna hoe : “Tsy hitsiriritra mihitsy ianao”, dia milaza amintsika izy, amin’ny fombam-piteny hafa, hampihataka ny faniriantsika amin’izay rehetra tsy antsika. Satria ny fitsiriritana ny fananan’ny namana dia lehibe tokoa, tsy manam-petra ary tsy ahafa-diana na oviana na oviana, araka ny voasoratra hoe : “Ny kahihitra tsy ho vokim-bola na oviana na oviana” (Mpitor 5,9) Catech. R. 3,10,13..

Tsy mandika ity didy ity izay maniry hahazo ny zavatra izay ananan’ny namana, raha toa ka amin’ny fomba araka ny rariny no anaovany izany. Ny katesezy fanao hatrizay dia mampiseho miaraka amin’ny fahitana amam-piainana ny zava-misy an’ “ireo izay miady bebe kokoa amin’ny fitsiriritana mahameloka azy ireo” hany ka tsy maintsy “hamporisihina bebe kokoa hitandrina ity didy ity” :

Dia ireo (…) mpivarotra izay maniry ny mosary na ny halafosan’ny entam-barotra, izay mahita amin’alahelo fa tsy izy ireo irery no hany mba hividianana sy mba hivarotana izany, izay hahafahan’izy ireo mivarotra lafolafo kokoa sy mividy moramora kokoa ; dia ireo izay maniry hahatonga ireo mitovy aminy ho latsaka ao anatin’ny fahoriana, mba hahazoana tombom-barotra, na amin’ny fivarotan’izy ireo, na amin’ny fividianan’izy ireo (…). Dia ireo mpitsabo izay maniry ny marary ; ny olona mpanao lalàna izay mitaky ny raharaham-pifanolanana sy ny fitoriana mavesa-danja sy maro be Catech. R. 3,10,23. …

Takìn’ny didy fahafolo ny androahana ny fialonana ao am-pon’ny olombelona. Tamin’i Natàna mpaminany te handrisika ny fanenenan’i Davida mpanjaka, dia notantarainy taminy ny tantaran’ilay mahantra, tsy nanana afa-tsy ondrivavy iray, ka nokarakarainy toy ny zanany vavy, sy ilay mpanankarena efa manana andian’ondry be dia be, kanefa nialona ny an’ilay mahantra; ary dia nofaranany tamin’ny nangalaran’ilay mpanankarena ny ondrivavin’ilay mahantra ny tantara jer. 2 Sam 12,1-4.. Mety hitarika amin’ny asa ratsy dia ratsy tokoa ny fialonana jer. Jen 4,3-8; 1 Mpanj 21,1-29.. “Fa ny fialonan’i devoly no nidiran’ny fahafatesana teto amin’izao tontolo izao” (Fah 2,24) :

Miady isika samy isika, ary ny fialonana no manome fiadiana antsika hifanao an-kolafiny (…). Raha ny rehetra no milozoka tahaka izany hanozongozona ny vatan’i Kristy, aiza no iafarantsika ? Efa eo am-panorisorenana ny vatan’i Kristy isika (…). Milaza ho rantsambatan’ny vatana iray ihany isika, nefa mifampihinana toy ny hataon’ny bibidia Md Jean Chrysostome, hom. in 2 Kôr 27,3-4..

Fahotana fototry ny hafa ny fialonana. Izy no enti-milaza ny alahelo tsapa eo anoloan’ny fananan’ny hafa sy ny faniriana tsy voafehy hibodo izany, amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Raha maniry ratsy lehibe ho an’ny namana ny fialonana, dia manjary fahotana mahafaty :

I Md Augustin dia nahita tao amin’ny fialonana “ny fahotan-devoly tampony indrindra” Md Augustin in DIS. 7,7; ep. 108, 3, 8.. “Avy amin’ny fialonana no teraka ny fankahalana, ny fanaratsiana, ny fanendrikendrehana, ny hafaliana vokatry ny loza manjo ny namana sy ny hasosorana vokatry ny fahombiazany” Md Grégoire le Grand, mor. 31,45,88..

Ny fialonana no mampiseho ny iray amin’ireo endriky ny alahelo ratsy ka noho izany fandavana ny fitiava-namana ; hotoherin’ny vita batemy amin’ ny alalan’ny fahalemem-panahy izany. Ny fialonana, matetika, dia avy amin’ny avonavona ; hanazatra tena ny vita batemy hiaina ny fanetren-tena:

Amin’ny alalanareo ve no tianareo hahitana an’Andriamanitra omem-boninahitra ? Hay ve ! mifalia ianareo amin’ny fandrosoan’ny rahalahinareo, ary, amin’izany, dia amin’ny alalanareo Andriamanitra no homem-boninahitra. Ho deraina anie Andriamanitra, no holazain’ny olona, amin’izay mpanompony nahay nandresy ny fialonana tamin’ny fampiorenana ny hafaliany amin’ny fahamendrehana ahazoan’ny hafa valisoa Md Jean Chrysostome, hom. in. Rom 7,5..

II.Ny fanirian’ny Fanahy

Ny fitantanam-pamonjena momba ny lalàna sy ny fahasoavana no mampanalavitra ny fon’ny olombelona amin’ny fitsiriritan-karena sy ny fialonana ; izy no manoro lalana ny fon’ny olombelona haniry ilay Soa Ambony indrindra ; izy no mampianatra ny fon’ny olombelona amin’ny fanirian’ny Fanahy Masina izay maha-afa-diana ny fon’ny olombelona. Ny Andriamanitry ny fampanantenana, hatramin’izay, dia nampitandrina ny olombelona hanohitra ny fanangolena, hatrany am-piandohana, nataon’ilay izay niseho “ho tsara raha hanina, mahafinaritra raha jerena, mahafalifaly raha banjinina” (Jen 3,6).

Ny lalàna nankinina tamin’i Israely dia tsy ampy na oviana na oviana, hanamarina an’ireo izay nankato izany ; vao mainka aza nanjary fitaovam-piasan’ny “fitsiriritana” ny lalàna jer. Rôm 7,7.. Ny tsy fampirindràna eo amin’ny maniry sy ny manatanteraka jer. Rôm 7,15. dia mampiseho ny fifanoherana eo amin’ny Lalànan’Andriamanitra izay “lalànan’ny saina”, sy ny lalàna hafa “izay mamatotra ahy amin’ny lalànan’ny fahotana ao amin’ny rantsambatako” (Rôm 7,23).

“Ankehitriny, tsy amin’ny Lalàna, dia naseho ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, izay nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana an’i Jesoa-Kristy miantefa amin’izay rehetra mino” (Rôm 3,21-22). Koa noho izany, ny mpinon’i Kristy “dia namàntsika tamin’ny Hazofijaliana ny nofo mbamin’ny faniriana amam-pilan-dratsiny” (Gal 5,24) ; izy ireo no tarihin’ ny Fanahy jer. Rôm 8,14. sy manaraka ny fanirian’ny Fanahy jer. Rôm 8,27..

III.Ny fahantran’ny fo

Mandidy ireo mpianany i Jesoa ho tia Azy mihoatra noho ny zavatra rehetra sy ny olona rehetra, ary manome hevitra azy ireo hahafoy ny fananany rehetra jer. Lk 14,33. noho ny fitiavana Azy sy ny Evanjely jer. Mk 8,35.. Taloha kely ny fijaliany, nanome ohatra azy ireo mikasika izany Izy ny amin’ilay vehivavy mpitondratena tao Jerosalema, izay tamin’ny fahantrany indrindra no nanomezany manontolo izay nananany amin’ny fivelomany jer. Lk 21,4.. Ny didy momba ny tsy firaiketam-po amin’ny harena dia tsy maintsy tanterahina mba hidirana any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Ny mpino rehetra an’i Kristy dia “hanitsy araka ny mety ny fankamamian’ izy ireo ny fampiasana ny zavatr’izao tontolo izao sy ny firaiketam-po amin’ny harena mifanohitra amin’ny toe-tsaim-pahantrana araka ny Evanjely, mba tsy hampivily lalana azy ireo amin’ny fanarahana ny lalan’ ny fandavorariam-pitiavana” FF 42..

“Sambatra ireo mahantra am-panahy” (Mt 5,3). Ny hasambarana notorin’i Kristy dia mampiseho ny lafin’ny fahafinaretana sy fahasoavana, fahatsarana sy fiadanana. Mankalaza ny hafalian’ireo mahantra i Jesoa, izay efa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra jer. Lk 6,20. :

Ilay Teny dia miantso “ny fahantrana am-panahy” ho fanetren-tena an-tsitrapo avy amin’ny fanahin’ny olona sy ny fandavan-tenany ; ary ny apôstôly dia manome ohatra izany ho antsika ny amin’ny fahantran’ Andriamanitra rahefa miteny izy hoe : “Tonga mahantra ho antsika Izy” (2 Kôr 8,9) Md Grégoire de Nysse, beat. 1..

Nalahelo an’ireo mpanankarena ny Tompo, satria ao anatin’ny fahabetsahan’ny fananana no ahitan’izy ireo ny fiononana amam-pahafaham-pon’izy ireo (Lk 6,24). “Ny olona miavona dia mikatsaka ny fahefan’ny tany, fa ny mahantra am-panahy kosa mikatsaka ny Fanjakan’ ny Lanitra” Md Augustin, serm. Dom. 1, 1, 3.. Ny fanankinana ny zavatra rehetra eo ambany Fitahian’ny Ray any an-danitra no manafaka ny ahiahin’ny ampitso jer. Mt 6,25-34.. Ny fitokiana an’ Andriamanitra no manomana amin’ny hasambaran’ ireo mahantra. Hahita an’Andriamanitra izy ireo.

IV.“Te hahita an’Andriamanitra aho”

Ny faniriana ny fahasambarana tena izy no manafaka ny olombelona amin’ny firaiketam-po tafahoatra amin’ny haren’ity tany ity, mba ho tanteraka ao anatin’ny fahitana sy hasambaran’Andriamanitra izany. “Mihoatra ny hasambarana rehetra ny fampanantenana hahita an’ Andriamanitra. Ao amin’ny Soratra Masina, ny hoe mahita dia mahazo no heviny. Ilay izay mahita an’Andriamanitra dia nahazo ny soa rehetra izay azony nosaintsainina” Md Grégoire de Nysse, beat. 6..

Ny mitolona sisa no anjaran’ny vahoaka masina, omban’ny fahasoavana avy any ambony, mba hahazoana ny soa rehetra izay ampanantenain’ Andriamanitra. Mba hahazoana sy hibanjinana an’Andriamanitra, ireo mpinon’i Kristy dia mamolaka ny fitsiriritan’izy ireo, ka handresen’izy ireo izany, omban’ny fahasoavan’Andriamanitra, ny fitaka manodokan’ny fahafinaretana sy ny fahefana aman-kery.

Eny an-dalan’izany fahalavorariana izany, ny Fanahy sy ny Ampakarina dia miantso izay mandre azy ireo jer. Apôk 22,17. ho amin’ny fiombonana lavorary miaraka amin’Andriamanitra :

Any no hisy ny voninahitra tena izy ; tsy misy na iza na iza any hoderaina noho ny fahadisoana na noho ny fandokadokafana ; ny haja amam-boninahitra marina dia tsy ho lavin’ireo izay mendrika izany, na ho eken’izay tsy mendrika izany ; afa-tsy izany, na iza na iza tsy mendrika dia tsy hihambo izany, ary tsy ho voaray any raha tsy ireo izay mendrika. Hanjaka any ny fiadanana tena izy izay tsy hisy na dia iray aza hisedra fanoherana na avy amin’ny tenany ihany na avy amin’ny hafa. Avy amin’ny herim-panahy, ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy no ho valisoa, Izy izay nanome ny herim-panahy sy nampanantena ny Tenany ihany amin’ny herim-panahy ho ilay valisoa tsara indrindra sy lehibe indrindra izay hisy lanjany : “Izaho ho Andriamanitr’izy ireo ary izy ireo ho vahoakako” (Lev 26,12)... Izany koa no hevitry ny tenin’ny apôstôly hoe : “Mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra” (1 Kôr 15,28). Izy Tenany mihitsy no ho tanjona fiafaran’ny faniriantsika, Izay ilay hobanjinintsika tsy misy farany, hotiantsika tsy misy mahatofoka, hoderaintsika tsy misy fahasasarana. Ary izany fanomezana izany, izany fankamamiana izany, izany famenoana ao am-po sy ao an-tsaina izany, no iombonan’ny rehetra tokoa, tahaka ny fiainana mandrakizay Md Augustin, civ. 22,30..

“Izay misy ny harenao no hisy ny fonao” (Mt 6,21).

Ny fitsiriritan-karena tsy voafehy, ateraky ny firehetam-po tafahoatra amin’ny harena sy ny heriny, no raràn’ny didy fahafolo.

Ny fialonana dia alahelo mampijaly manoloana ny fananan’ny hafa sy faniriana tsy voafehy hakana izany ho an’ny tena. Kilema fototra izany.

Ny vita batemy dia miady hanohitra ny fialonana amin’ny alalan’ny fahalemem-panahy, ny fanetren-tena ary ny fifefena amin’ny fitahian Andriamanitra.

Ireo mpinon’i Kristy dia “namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriany amam-pilan-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana” (Gal 5,24) ; tarihin’ny Fanahy izy ireo ary manaraka ny fanirian’ny Fanahy.

Ilaina mba hidirana any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra ny tsy firaiketam-po amin’ny harena.“Sambatra ireo mahantra am-panahy”.

Hoy ny olon’ny faniriana hoe : “Te hahita an’Andriamanitra aho”. Ny ranon’ny fiainana mandrakizay no manafaka ny hetaheta an’ Andriamanitra jer. Jo 4,14.. * * * * * * * * * *