2. Ny fiekem-pinoana kristianina
¶185–1065
Ao amin’ny Famintinana: F33–217
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ny Sembolin’ny finoana
Izay miteny hoe “Izaho mino”, dia milaza hoe “Izaho mifikitra amin’izay inoantsika”. Ny fiombonam-pinoana dia ilana fiteny iombonana ilazana ny finoana, mametra-pitsipika ho an’ny rehetra ary mampiray ao amin’ny fiekem-pinoana iray ihany.
Hatrany am-piandohana ny Fiangonana apôstôlika no efa nanambara sy nampita ny finoany tamin’ny rijan-teny fohy sy mametra-pitsipika ho an’ny rehetra jer. Rôm 10,9; 1 Kôr 15,3-5; sns.. Fa vetivety ihany dia efa tian’ny Fiangonana ny nanangona ny votoatim-pinoany tamin’ny famintinana voarindra sy voatohitohy, natokana indrindra ho an’ny mpangataka batemy :
Tsy araka ny hevitr’olombelona no nanaovana io famintinam-pinoana io, fa nangonina tamin’izay mavesa-danja indrindra avy amin’ny Soratra Masina manontolo, mba hanomezana feno ny fampianaram-pinoana tokana. Ary toy ny voatsinapy izay misy rantsankazo maro be ao amin'ny voany kely faran’ izay bitika ao io famintinam-pinoana io, izay mirakitra amin’ny teny vitsivitsy ny fahalalana manontolo ny tena fitiavam-bavaka marina raketin’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao Md Cyrille de Jérusalem, catech. ill. 5,12..
Izao avy no iantsoana io famintinam-pinoana io : “fiekem-pinoana”, noho izy famintinana ny finoana ambaran’ny kristianina ampahibemaso ; “Izaho mino”, noho ny fomba mahazatra noraisina tamin’ny teny fanombohana azy hoe : “Izaho mino”; ary : “Sembolin’ny finoana”.
Ny teny grika symbolon dia midika hoe antsasa-javatra iray novakìna (ohatra : fitomboka iray), izay aseho ho mari-pifamantarana. Atambatra ireo sila-javatra ireo mba hanamarinana ny maha-izy manokana an’ilay mitondra izany. Noho izany, ny sembolin’ny finoana no mari-pifamantarana amam-piombonan’ny samy mpino. Manaraka izany, ny symbolon dia enti-milaza fanangonana, fanatambarana na filazana ambangovangony. Noho izany, ny Sembolin’ny finoana no amboaran’ny votoatim-pahamarinan’ny finoana. Izany no mahatonga azy ho fanovozana voalohany sady fototry ny katesezy.
Amin’ny fandraisana ny Batemy no anaovana ny “fiekem-pinoana” voalohany. Ny “sembolin’ny finoana” aloha dia semboly fanao amin’ny Batemy. Noho ny Batemy omena “amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28,19), dia tononina tsirairay araka ny raki-keviny momba ireo Olona telon’ny Trinite Masina, ireo fahamarinam-pinoana nambara ampahibemaso tamin’ny Batemy.
Araka izany, mizara telo ny Semboly : Voalohany, ny “momba ny Olona voalohany-Andriamanitra sy ny tsanganasam-pahariany mahatalanjona ; avy eo, ny momba ny Olona faharoa-Andriamanitra sy ny misterim-panavotany ny olombelona ; farany, ny momba ny Olona fahatelo-Andriamanitra, loharano sy foto-piandohan’ny fanamasinana antsika” Kat. R. 1, 1, 4.. Ireo izany no “toko telon’ny fitomboka anamarihana antsika (amin’ny Batemy)” Md Irénée, dem. 100..
“Miavaka ireo fizarana telo ireo na dia mifamatotra amin’izy samy izy aza ny semboly. Araka ny fampitahana nampiasain’ny Aban’ny Fiangonana matetika, dia antsointsika hoe andalana izy ireo. Satria, toy ny amin’ny rantsambatantsika ihany, misy ny tonon-taolana sasany izay mampiavaka azy sy mampisaraka azy, dia toy izany, amin’io fiekem-pinoana io, rariny sy hitsiny ny nanomezana anarana hoe andalana amin’ny marina izay tsy maintsy inoantsika manokana sy amin’ny fomba miavaka” Kat. R. 1,1, 4.. Araka ny lovantsofina tranainy efa nohamarinin’i Md Ambroise, dia fomba fanao mahazatra koa ny manisa ho andalana roa ambin’ny folo ny Izaho mino, ho fanehoana an’ohatra ny fitambaram-pinoana apôstôlika amin’ny isan’ny apôstôly jer. symb. 8..
Maro ny fiekem-pinoana na sembolin’ny finoana teny am-pamakivakiana ny taonjato nifandimby teny, ho fanomezam-baliny ny filana tamin’ny fotoan-tsamihafa : ny sembolin’ny Fiangonana apôstôlika sy tranainy samihafa jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., ny Semboly “Quicumque”, antsoina hoe Sembolin’i Md Athanase jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., ny fiekem-pinoana avy amin’ny Kônsily sasantsasany (Tolède DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.; Latran DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.; Lyon DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.; Trente DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.) na avy amin’ny Papa sasantsasany, tahaka izany ny “Fides Damasi” jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. na ny “Fiekem-pinoan’ny Vahoakan’Andriamanitra” [SPF] nataon’i Paoly VI (1968) SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
Tsy misy na dia iray aza semboly, teo amin’ny dingam-piainana samihafa ny Fiangonana, azo heverina hoe lany andro sy tsy ilaina. Manampy antsika hahatratra sy handalina amin’izao fotoana izao ny finoana hatramin’izay ao amin’ny famintinana samihafa efa natao izy ireny. Amin’ireny sembolin’ny finoana rehetra ireny, anankiroa no mitana toerana manokana eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana :
Ny Sembolin’ny apôstôly, izay izany no iantsoana azy satria azo heverina ara-drariny ho famintinana azo antoka ny finoan’ny apôstôly. Izy no semboly tranainy fanao amin’ny Batemy tao amin’ny Fiangonan’i Rôma. Avy amin’ izao ny fahefana lehibe ananany : “Izy no semboly tazonin’ny Fiangonana rômanina, dia izay nanapahan’i Piera, ilay voalohany amin’ny apôstôly, sy izay namoahany didim-pitsaràna iombonana” Md Ambroise, symb. 7..
Ny Semboly antsoina hoe Nicée-Constantinople, izay manana ny fahefany lehibe noho izy navoaka avy tamin’ireo Kônsily ekiomenika roa voalohany (taona 325 sy 381). Mbola iombonana izany mandraka ankehitriny, ao amin’ireo Fiangonana lehibe rehetra any Atsinanana sy any Andrefana.
Ny famelabelarantsika ny finoana, dia hanaraka ny Sembolin’ny apôstôly, izay azo lazaina fa “katesizy rômanina tranainy indrindra”. Ny fanazavana anefa dia hofenoina amin’ny raki-kevitra tsy tontan’ny ela, tovozina avy ao amin’ny Sembolin’i Nicée-Constatinople, izay matetika mazavazava kokoa sy vita an-tsipiriany kokoa.
Toy ny tamin’ny andron’ny Batemintsika, fony nankinina tamin’ny “fitsipi-pampianarana” (Rôm 6,17) ny fiainantsika manontolo, dia raisontsika ny sembolin’ny finoantsika izay manome ny fiainana. Ny mamerimberina amim-pinoana ny Izaho mino, dia miditra amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, midika hoe miditra koa amin’ny fiombonana amin’ny Fiangonana manontolo izay mampita amintsika ny finoana ary ao anatin’izany no inoantsika fa :
Io Semboly io no fitomboka ara-panahy, izy no fandinindiniky ny fontsika sy fiarovana eo lalandava, izy marina tokoa no raki-tsarobidin’ny fanahintsika Md Ambroise, symb. 1..
Ny fiekem-pinoantsika dia manomboka amin’Andriamanitra, satria Andriamanitra no “ilay Voalohany sy ilay Farany” (Iz 44,6), ilay Fiandohana sy ilay Fiafaran’ny zavatra rehetra. Manomboka amin’Andriamanitra Ray, ny Izaho mino, satria ny Ray no Olona Voalohany-Andriamanitra ao amin’ ny Trinite Masina Indrindra ; manomboka amin’ny fahariana ny lanitra sy ny tany ny Sembolintsika, satria ny fahariana no fiandohana sy fototry ny tsanganasa rehetra an’Andriamanitra.
1.“Izaho mino an’Andriamanitra, Ray Mahefa ny zavatra rehetra, Mpahary ny lanitra sy ny tany”
Paragrafy 1. Izaho mino an’Andriamanitra
“Izaho mino an’Andriamanitra” : io teny fanamafisana voalohany amin’ny fiekem-pinoana io no lehibe indrindra koa. Ny Semboly manontolo dia miteny momba an’Andriamanitra, ary raha miteny momba ny olombelona sy izao tontolo izao koa izy, dia nataony mifandray amin’Andriamanitra izany. Ny andalana rehetra amin’ny Izaho mino dia miankina avokoa amin’ilay voalohany, sahala amin’ny didy rehetra izay manazava ny didy voalohany. Ireo andalana hafa, dia mampahalala tsaratsara kokoa antsika an’Andriamanitra araka ny nanambaràny ny Tenany miandalana tamin’ny olombelona. “Ny ataon’ny mpino aloha izany dia ny manambara ampahibemaso ny finoany an’Andriamanitra” Kat. R. 1, 2, 6..
I.“Izaho mino an’Andriamanitra tokana”
Ireo teny ireo no anombohana ny Sembolin’i Nicée-Constantinople. Ny fiekena ny maha-Tokana an’Andriamanitra, izay manana ny fakany amin’ny Fanambaràn’ Andriamanitra ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, dia tsy azo sarahina amin’ ny an’ny fisian’Andriamanitra sady fototra rahateo koa. Tokana Andriamanitra : tsy misy afa-tsy iray ihany Andriamanitra : “Ny finoana kristianina dia miaiky fa iray ihany Andriamanitra, amin’ny fomba aman-toetra, amin’ny fisia-maha-izy, ary amin’ny foto-pisiana” Ibid., 1, 2, 8..
Tamin’i Israely, ilay voafidiny, dia nanambara ny Tenany Andriamanitra fa Tokana Izy : “Mihainoa, ry Israely ! Ny Tompo Andriamanitsika no Tompo Tokana. Ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao, amin’ny fonao manontolo, amin’ny tenanao manontolo, amin’ny herinao manontolo” (Det 6,4-5). Tamin’ny alalan’ny mpaminany no niantsoan’Andriamanitra an’i Israely sy ny firenena rehetra hitodika any Aminy, ilay Tokana : “Mitodiha aty Amiko ianareo, dia ho voavonjy, ianareo rehetra mponin’ny tany, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa (…). Eny, ny lohalika rehetra hilefitra eo anoloako, ny lela rehetra hianiana Amiko hoe : ao amin’Andriamanitra irery no misy ny fahamarinana sy ny hery” (Iz 45,22-24) jer. Filip 2,10-11..
Ny Tenan’i Jesoa dia manamafy fa Andriamanitra no “hany Tompo tokana” ary tokony hotiavin’ny olona “amin’ny fony manontolo, amin’ny fanahiny manontolo, amin’ny sainy manontolo ary amin’ny heriny manontolo” jer. Mk 12,29-30. Izy. Notarihiny koa ny sain’ny olona, hahatakatra fa Izy Tenany dia “Tompo” jer. Mk 12,35-37.. Ny miaiky fa “i Jesoa no Tompo”, dia toetra mampiavaka ny finoana kristianina. Tsy mifanohitra amin’ny finoana an’Andriamanitra Tokana izany. Ny mino ny Fanahy Masina “ho Tompo sy manome ny Aina” dia tsy manisika fisaraham-bazana na dia kely akory aza ao amin’ilay Andriamanitra tokana :
Mino mafy isika ary manamafy amim-pahatsorana, fa tsy misy afa-tsy tokana Andriamanitra marina, tsy misy fetra sy tsy miova, tsy takatry ny saina, Mahefa ny zavatra rehetra sy tsy hay ambara, Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina : Olona Telo, fa Foto-pisiana iray, Fisia-maha-izy iray na Fomba aman-Toetra iray tsotra tanteraka Kôns. Latran IV: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
II.Manambara ny anarany Andriamanitra
Tamin’i Israely vahoakany Andriamanitra no nanambara ny Tenany tamin’ny fampahafantarana azy ireo ny anarany. Ny anarana dia milaza ny foto-pisiana, ny maha-izy manokana ny olona ary ny dikan’ny fiainany. Manana ny anarany Andriamanitra, fa tsy hoe hery tsy fantatra anarana. Ny milaza ny anarany, dia mampahalala ny Tenany amin’ny hafa ; izany hoe toy ny manolo-tena ihany ho azo atonina, ho afaka fantarina lalindalina kokoa sy ho azo antsoina, amin’izy tenany mihitsy.
Nanambara ny Tenany miandalana sy tamin’ny anarana samihafa tamin’ny vahoakany Andriamanitra, kanefa ny fanambaràn’Andriamanitra ny anarany tamin’i Môizy fony Izy niseho taminy teo amin’ny kirihitra nirehitra, fiandohan’ny Eksaody sy ny fanekem-pihavanana teo Sinaia, no nampiharihary ny fanambaràna fototra ho an’ny Fanekem-pihavanana Taloha sy Vaovao.
Ilay Andriamanitra velona
Nantsoin’Andriamanitra i Môizy avy eo afovoan’ny kirihitra nirehitra nefa tsy levona. Hoy Andriamanitra taminy : “Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba” (Eks 3,6). Andriamanitra dia Andriamanitr’ireo razambe, Izy no niantso sy nitari-dalana ny patriarka tao anatin’ny fivezivezen’izy ireo. Izy no ilay Andriamanitra tsy mivadika sy mangoraka, izay mahatsiaro azy ireo sy ny fampanantenany ; tonga Izy mba hanafaka amin’ny fanandevozana ny taranak’izy ireo. Izy no Ilay Andriamanitra tsy voafehin’ny elanelana sy ny fotoana, ka mahavita izay ataony sy izay tiany, sy hampiasa ny Fahefany tsy manam-petra ho fahatanterahan’io fandaharana io.
“Izaho no Ilay Misy”
Andriamanitra, tamin’ny nanambaràny ny Anarany mifono mistery hoe YHWH, izay mety hanana hevitra hoe : “Izaho no Ilay Izy” na : “Izaho no Ilay Misy” na koa “Izaho no Izaho”, dia nilaza hoe : Iza moa Izy ary Anarana toy inona no tsy maintsy hiantsoana Azy. Mifono mistery izany Anaran’ Andriamanitra izany, tahaka ny maha-mistery an’Andriamanitra. Sady Anarana nambara izy io, no tahaka ny Anarana nolavina tsy ho lazaina, ary amin’izany koa no anehoany tsaratsara kokoa an’Andriamanitra araka ny maha-Izy Azy, mihoatra lavitra noho izay rehetra mety ho takatry ny saintsika na lazaintsika : Izy no Ilay “Andriamanitra miafina” (Iz 45,15) tsy hay ambara ny Anarany jer. Mpits 13,18., ary Izy no Ilay Andriamanitra izay manakaiky ny olombelona :
Tamin’ny nanambaràn’Andriamanitra ny Anarany no nanambaràny niaraka tamin’izay koa ny tsy fivadihany lalandava sy mandrakizay, sady marim-pototra ho an’ny lasa (“Izaho no Andriamanitry ny rainao”, Eks 3,6) no marim-pototra ho an’ny hoavy (“Homba anao Aho”, Eks 3,12). Ilay Andriamanitra manambara ny Anarany ho “Ilay Misy” dia manambara ny Tenany ho ilay Andriamanitra eo lalandava, manatrika akaiky ny vahoakany, mba hamonjy azy.
Manoloana ny fisehoam-pisiana manintona sy mifono misterin’ Andriamanitra no ahatsapan’ny olona ny maha kely sy bitika azy. Manoloana ny kirihitra nirehitra, nanala ny kapany i Môizy ary nanarona ny tarehiny jer. Eks 3,5-6. teo anatrehan’ny Fahamasinan’Andriamanitra. Manoloana ny Voninahitr’ Andriamanitra masina tsy manam-petra, hoy i Izaia: “Loza ho ahy, very aho! Fa olona maloto molotra aho” (Iz 6,5). Manoloana ny famantaran’ Andriamanitra izay notanterahin’i Jesoa, hoy i Piera : “Mialà amiko Tompo, fa mpanota aho” (Lk 5,8). Masina Andriamanitra, ka afaka mamela heloka ny olombelona izay mahatsapa ny maha mpanota azy eo anoloany : “Tsy hanampatra ny firehetan’ny hatezerako Aho (…) fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona ; eo afovoanao Izaho no ilay Masina” (Ôs 11,9). Hilaza toy izany koa i Joany apôstôly : “Eo anoloany no hampitoniantsika ny fontsika, raha manameloka antsika ny fontsika, satria lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, ary mahalala ny zavatra rehetra Izy” (1 Jo 3,19-20).
Tsy manonona ny Anaran’Andriamanitra mihitsy ny vahoaka Israely, ho fanajany ny fahamasinan’Andriamanitra. Ny anarana nambara, amin’ny famakiana ny Soratra Masina, dia nosoloina ny anaram-piantsoana an’Andriamanitra hoe “Tompo” (Adonaï amin’ny teny hebrio, Kyrios amin’ny teny grika). Amin’izany fiantsoana izany no hankalazana ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa : “I Jesoa no Tompo”.
“Malemy fanahy sy mamindra fo, Andriamanitra”
Nihaino ny fanelanelanan’i Môizy Andriamanitra, taorian’ny fahotan’i Israely izay niodina Taminy tamin’ny fitsaohana ny zanak’omby volamena jer. Eks 32., ary nanaiky handeha eo afovoan’ilay vahoaka mpivadika : tamin’izany no nanehoany ny fitiavany jer. Eks 33,12-17.. Novaliany ny fangatahan’i Môizy te hahita maso ny Voninahiny : “Hampandaloviko eo anatrehanao ny hatsaram-poko manontolo [hatsarana], ary hotononiko eo anatrehanao ny Anaran’i YHWH” (Eks 33,18-19). Dia nandalo teo anatrehan’i Môizy ny Tompo sy nanonona hoe : “YHWH, YHWH, Andriamanitra malemy fanahy sy mamindra fo, tsy malaky tezitra, manankarem-pahasoavana ary tsy mivadika” (Eks 34,6). Tamin’izay i Môizy no niaiky fa Andriamanitra mamela heloka ny Tompo” jer. Eks 34,9..
Ny Anaran’Andriamanitra hoe : “Izaho Ilay Misy” na “Izy Ilay Misy” dia manambara ny tsy fivadihan’Andriamanitra izay “mitahiry ny fahasoavany hatramin’ny taranaka faharivo” (Eks 34,7), na eo aza ny fivadihan’ny olombelona noho ny fahotana sy ny sazy izay sahaza izany. Nanambara Andriamanitra fa “manankarena famindram-po” (Efez 2,4), ary tonga hatramin’ny nanomezany ny Zanany izany. Rahefa hanolotra ny ainy mba hanafaka antsika amin’ny fahotana i Jesoa, dia hanambara fa mitondra ny Anaran’Andriamanitra koa ny Tenany : “Rahefa voasandratrareo ny Zanak’ olona, vao ho fantatrareo fa “Izaho no Izy” (Jo 8,28).
Andriamanitra irery no MISY
Nandritra ny taonjato nifandimby, ny finoan’i Israely dia afaka namelatra sy nandalina ny harena voarakitra ao amin’ny fanambaràna ny Anaran’ Andriamanitra. Tokana Andriamanitra, tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy Izy jer. Iz 44,6.. Mihoatra ambony dia ambony noho izao tontolo izao sy ny tantara Izy. Izy no nanao ny lanitra sy ny tany : “Izy ireo levona, Ianao kosa maharitra ; izy rehetra mihatonta toy ny fitafiana (…) fa Ianao kosa maharitra tsy miova ary tsy manam-pahataperana ny taonanao” (Sal 102,27-28). Ao Aminy “tsy misy fiovàna na iray aza, na aloky ny fiovaovàna” (Jak 1,17). Izy no “Ilay Misy” hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay, ary amin’izany Izy no maharitra lalandava ho tsy mivadika amin’ny Tenany sy amin’ny fampanantenany.
Ny fanambaràna ny Anarana tsy hay ambara hoe “Izaho no Ilay Misy” àry no mirakitra ny fahamarinana fa Andriamanitra irery ihany no MISY. Tamin’izany lafin-kevitra izany, ny dika tenin’ny Fitopololahy sy ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana nanaraka izany taty aoriana, no efa nahatakatra an-tsaina ny hevitry ny Anaran’Andriamanitra : Andriamanitra no hafenoan’ ny Misy sy ny fahalavorariana rehetra, tsy misy fiandohana sy tsy misy fiafarana. Avy Aminy anefa no nandraisan’ny zavaboary rehetra ny fisian’izy ireo sy ny fananan’izy ireo, Izy irery no isian’ny tenany ihany ary Izy avy amin’ny Tenany ihany no isiany manontolo.
III.Andriamanitra, “Ilay Misy”, dia Fahamarinana sy Fitiavana
Andriamanitra, “Ilay Misy”, dia nanambara ny Tenany tamin’i Israely fa Ilay “manankarena famindram-po sy fahamarinana” (Eks 34,6). Samy manambara amin’ny fomba mifintina ny haren’ny anaran’Andriamanitra ireo fomba fiteny anankiroa ireo. Ao amin’ny tsanganasany rehetra Andriamanitra no mampiseho ny fahalemem-panahiny, ny hatsaram-pony, ny fahasoavany, ny fitiavany ; nefa koa ny fahatokiany, ny faharetany, ny tsy fivadihany, ny fahamarinany. “Misaotra ny anaranao aho, noho ny fitiavanao sy ny fahamarinanao” (Sal 138,2) jer. Sal 85,11.. Izy no Fahamarinana, satria “Andriamanitra dia Fahazavana, ary tsy misy haizina akory ao Aminy” (1 Jo 1,5) ; “Fitiavana” Izy, araka ny ampianaran’i Joany apôstôly izany (1 Jo 4,8).
Fahamarinana Andriamanitra
“Fahamarinana ny foto-piandohan’ny teninao ! Ho mandrakizay ny fahamarinan’ny hevitrao” (Sal 119,160). “Eny, ry Tompo Andriamanitra, Ianao no Andriamanitra, ny teninao no fahamarinana” (2 Sam 7,28) ; izany no mahatonga ny fampanantenan’Andriamanitra ho tontosa lalandava jer. Det 7,9.. Fahamarinana rahateo ihany Andriamanitra, tsy mety mamitaka ny teniny. Noho izany, azo atao ny manolo-tena amim-pianteherana tanteraka amin’ny fahamarinana sy amin’ny tsy fivadihan’ny teniny amin’ny zavatra rehetra. Ny fiandohan’ny fahotana sy ny fahalavoan’ny olombelona dia ny laingan’ny mpaka fanahy izay nitarika fisalasalana ny amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny amin’ny fahalemem-panahiny ary ny amin’ny tsy fivadihany.
Ny fahamarinan’Andriamanitra no fahendreny izay mibaiko ny filaminana manontolo eo amin’ny zavaboary sy eo amin’ny fitondrana an’izao tontolo izao jer. Fah 13,1-9.. Andriamanitra izay hany nahary ny lanitra sy ny tany jer. Sal 115,15., no hany afaka manome ny fahalalana marina ny zavatra rehetra noarìna, amin’ny fifandraisany Aminy jer. Fah 7,17-21..
Marina koa Andriamanitra rahefa manambara ny Tenany Izy : “fitambaram-pampianarana ny marina” (Mal 2,6) ny fampianarana avy Aminy. Rahefa haniraka ny Zanany eo amin’izao tontolo izao Izy, dia ny “mba hijoro ho vavolombelon’ny Fahamarinana” (Jo 18,37) : “Fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ary Izy no nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba hahalalantsika an’ilay Marina” (1 Jo 5,20) jer. Jo 17,3..
Fitiavana Andriamanitra
Teny am-pamakivakiana ny tantarany no nahafahan’i Israely nahita fa tsy nisy afa-tsy antony anankiray no nanambaràn’Andriamanitra ny Tenany taminy, sy nifidianany azy teo anivon’ny firenen-drehetra mba ho Azy : ny fitiavany maimaim-poana jer. Det 4,37; 7,8; 10,15.. Ary dia tsapan’i Israely tamin’ny alalan’ny mpaminaniny fa mbola noho ny fitiavana no tsy nitsaharan’Andriamanitra namonjy azy jer. Iz 43,1-7., sy ny namindrany fo taminy tamin’ny fivadihany mbamin’ny fahotany jer. Ôs 2..
Ny fitiavan’Andriamanitra an’i Israely dia oharina amin’ny fitiavan-dray ny zanany jer. ibid., 11. 1.. Mahery kokoa noho ny fitiavan-dreny ny zanany io fitiavana io jer. Iz 49,14-15.. Tia ny Vahoakany Andriamanitra, mihoatra noho ny itiavan’ny lehilahy ny malalany jer. Iz 62,4-5. ; handresy na dia hatramin’ny fivadihana faran’izay ratsy indrindra aza io fitiavana io jer. Ezek 16; Ôs 11. ; ho tonga hatrany amin’ny fanomezana sarobidy indrindra izany : “Tia an’izao tontolo izao Andriamanitra, ka nomeny ny Zanany tokana” (Jo 3,16).
Mbola lasa lavidavitra kokoa aza i Md Joany tamin’izy nanamarina hoe : “Andriamanitra dia Fitiavana” (1 Jo 4,8.16) : ny Tenan’Izy Andriamanitra rahateo ihany no Fitiavana. Tamin’ny nanirahan’Andriamanitra ny Zanany Lahitokana sy ny Fanahy Fitiavana, rahefa feno ny fotoana, no nanambaràny ny tsiambaratelony lalina indrindra jer. 1 Kôr 2,7-16; Efez 3,9-12. : Izy Tenany rahateo ihany dia fifanakalozam-pitiavana mandrakizay : Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, ary nanendry antsika Izy mba hiombona anjara amin’izany.
IV.Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana
Ny mino an’Andriamanitra Tokana sy ny tia Azy amin’ny maha-Izy Azy manontolo, dia mitera-bokatra tsy hita noanoa ho an’ny fiainantsika manontolo :
Dia ny mahalala ny halehiben’Andriamanitra sy ny fahamboniany : “Eny, lehibe tokoa Andriamanitra fa mihoatra ny fahalalantsika Izy” (Jôba 36,26). Izany indrindra no tsy maintsy “anompoana voalohany” Mb Jeanne d’Arc, dictum. an’Andriamanitra.
Dia ny miaina amin’ny fahaiza-misaotra sy mankasitraka : Amin’ny maha- Tokana an’Andriamanitra, dia avy Aminy avokoa izay rehetra maha-isika antsika sy izay rehetra ananantsika : “Inona no anananao ka tsy noraisinao ?” (1 Kôr 4,7). “Inona no havaliko ny Tompo noho ny soa rehetra nataony tamiko ?” (Sal 116,12).
Dia ny mahalala ny firaisan’ny olombelona rehetra sy ny fahamendrehany marina : natao “mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra” (Jen 1,26) izy rehetra.
Dia ny mampiasa tsara ny zavaboary : ny finoana an’Andriamanitra Tokana no mitondra antsika hampiasa ny zava-drehetra ankoatra Azy, raha toa izany mampanatona antsika Azy, sy mitaona antsika tsy hiraiki-po amin’ izany, raha toa izany mampanalavitra antsika Azy jer. Mt 5,29-30; 16,24; 19,23-24. :
Ry Tompoko sy Andriamanitro, esory amiko izay rehetra mampanalavitra ahy Aminao. Ry Tompoko sy Andriamanitro, omeo ahy izay rehetra mampanatona ahy Aminao. Ry Tompoko sy Andriamanitro, vahao amin’ny fatotra mamatotra ny tenako aho, mba hanolorako ny tenako manontolo Aminao Md Nicolas de Flüe, vavaka..
Dia ny matoky an’Andriamanitra amin’ny fisehon-javatra rehetra, na dia amin’ny fahoriana sy ny loza aza. Maneho izany amin’ny fomba mampitolagaga ny vavak’i Mb Terezin’i Jesoa hoe :
Aoka tsy hisy na inona na inona hampiahiahy sy hampitebiteby anao. Aoka tsy hisy na inona na inona hampatahotra sy hampivadi-po anao. Mihelina avokoa izao rehetra izao, fa tsy miova Andriamanitra Ahazoana ny zavatra rehetra ny faharetana. Izay manana an’Andriamanitra tsy ory na inona na inona. Andriamanitra irery ihany dia ampy Poes. 9..
Ny finoana an’Andriamanitra no mitarika antsika hitodika any Aminy irery, ho any amin’Ilay voaloham-piandohantsika sy fara-fiafaràntsika, ary tsy misy tiana kokoa noho Izy na asolo Azy.
Andriamanitra, tamin’ny nanambaràny ny Tenany, dia mijanona ho mistery tsy hay ambara : “Raha takatry ny sainao Andriamanitra, dia tsy Andriamanitra Izy” Md Augustin, serm. 52, 6, 16..
Ny Andriamanitry ny finoantsika dia manambara ny Tenany ho Ilay izay misy eo ; nampahafantariny fa Izy no “Ilay manankarena famindram-po sy fahamarinana” (Eks 34,6). Ny Tenany rahateo Fahamarinana sy Fitiavana.
Paragrafy 2. Ny Ray
I.“Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina”
Natao batemy “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28,19) ny kristianina. Talohan’izany, novalian’izy ireo hoe “Inoako tokoa” ny fanontaniana intelo izay nangatahana azy ireo hanambara ampahibemaso ny finoan’izy ireo ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina : “Miorina amin’ny Trinite ny finoan’ny kristianina rehetra” Md Césaire d’Arles, symb..
Natao batemy amin’ny “anaran’ ” ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ny kristianina, fa tsy amin’ny “anaran’ ” izy ireo jer. Fiekem-pinoan’i Papa Vigile tamin’ny 552: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. satria tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana, ny Ray Mahefa ny zavatra rehetra sy ny Zanany tokana ary ny Fanahy Masina, dia ny Trinite Masina Indrindra izany.
Ny misterin’ny Trinite Masina Indrindra no mistery foiben’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Io no misterin’Andriamanitra ao amin’ny Tenany ihany. Io izany no loharanon’ny mistery hafa rehetra momba ny finoana, fahazavana izay mitsilo azy ireo. Io no fampianarana fototra indrindra sy tsy azo avela indrindra amin’ny “ambaratongam-pahamarinan’ny finoana” jer. DCG 43.. “Ny tantaram-pamonjena manontolo dia tsy hafa, fa tantaran’ny fanabeazan’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fomba maro sy amin’ny alalan’ny sain’ny olombelona, momba ny Tenany marina sy tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, manambara tena sy mamerim-pihavanana ary miray amin’ny olombelona izay nibirioka noho ny fahotana” DCG 47..
Amin’ity paragrafy ity, hovelabelarina amin’ny teny fohy ny hoe : fomba ahoana no nanambaràna ny misterin’ny Trinite Sambatra (I) ? Fomba ahoana no nandrafetan’ny Fiangonana ny rijan-tenin’ny fitambaram-pampianaram-pinoana momba io mistery io (II) ? Ary farany, fomba ahoana no nanatanterahan’Andriamanitra Ray tamin’ny fanirahany ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ny “fandaharany feno fitiavana” momba ny fahariana, ny fanavotana ary ny fanamasinana (III) ?
Ny Aban’ny Fiangonana, dia manavaka ny hevitry ny teny hoe Theologia sy ny hoe Oikonomia, ka ny teny voalohany dia ilazana ny misterin’ny fiainana lalina iainan’Andriamanitra-Trinite ; ny faharoa no ilazana ny tsanganasa rehetra ataon’ Andriamanitra izay anambaràny ny Tenany sy ampitàny ny fiainany. Amin’ny alalan’ny Oikonomia no anambaràna amintsika ny Theologia ; raha avadika ny filaza azy, ny Theologia no manazava ny Oikonomia manontolo. Ny tsanganasan’ Andriamanitra dia manambara ny Fisiany ao amin’ny Tenany ihany ; raha avadika ny filaza azy, ny misterin’ny Fisian-tenany lalina no manazava ny fahatakarana ny tsanganasany rehetra. Misy ifanahafany amin’izany ny amin’ny olombelona samy olombelona. Asehon’ny asa amam-pitondran-tenany ny maha-olona ny olona ary arakaraka ny ahalalantsika tsara ny olona iray no ahatakarantsika tsara ny asa amam-pitondran-tenany.
Ny Trinite dia misterin’ny finoana amin’ny dikany ara-bakiteny, iray amin’ ireo “mistery miafina ao amin’Andriamanitra, izay tsy mety ho fantatra raha tsy nambara avy any ambony” Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Marina fa namela mariky ny fisiana maha-Trinite Azy Andriamanitra tamin’ny tsanganasam-pahariany sy tamin’ny Fanambaràny nandritra ny Testamenta Taloha. Kanefa ny halalin’ny Fisian’ny Tenany maha-Trinite Masina Azy dia anisan’ny mistery tsy takatra amin’ny fahalalan’ny saina fotsiny izao, ary na dia tamin’ny finoan’i Israely talohan’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo sy ny fanirahana ny Fanahy Masina aza.
II.Ny fanambaràna an’Andriamanitra ho Trinite
Ny Ray nambaran’ny Zanaka
Fantatra amin’ny antokom-pinoana maro ny fiantsoana an’Andriamanitra ho “Ray”. Matetika, heverina ho “rain’ireo andriamanitra sy ny olombelona” ny maha-Andriamanitra. Tany Israely, antsoina hoe Ray Andriamanitra amin’ ny maha-Mpahary an’izao tontolo izao Azy jer. Det 32,6; Mal 2,10.. Ray Andriamanitra, fa indrindra noho ny fanekem-pihavanana sy ny fanomezana ny Lalàna tamin’i Israely “zanany lahimatoa” (Eks 4,22). Antsoina koa hoe Rain’ny Mpanjakan’i Israely Izy jer. 2 Sam 7,14.. Izy indrindra koa no “Rain’ny mahantra”, ny kamboty sy ny mananotena, izay eo ambany fiarovany be fitiavana jer. Sal 68,6..
Amin’ny fanononanaan’Andriamanitra amin’ny anarana hoe “Ray”, dia ireto toetra roa ireto indrindra no ambaran’ny fiteny ara-pinoana : sady voaloham-piandohan’ny zava-drehetra sy tompom-pahefana ambony tsy taka-polopolorina Andriamanitra, no hatsaram-panahy sy fiahiana ombam-pitiavana amin’ny zanany rehetra. Izany fanehoam-pitiavana maha-Raiamandreny an’Andriamanitra izany dia mety haseho an-tsary koa amin’ny alalan’ny endrika an’ohatra ny reny jer. Iz 66,13; Sal 131,2. izay manondro bebe kokoa ny maha-ao anaty tanteraka an’Andriamanitra sy ny fifandraisana lalina misy eo Aminy sy ny zavaboariny. Ny fiteny ara-pinoana no manovo araka izany ao amin’ny fahalalana azo tamim-pahazarana maha-olombelona ny ray aman-dreny izay azo lazaina ho solontena voalohan’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Kanefa izany fahalalana azo tamim-pahazarana izany, dia milaza koa fa amin’ny maha-olombelona ny ray aman-dreny dia mety diso ary mety hanimba ny endrika maha-ray sy maha-reny azy izy ireo. Koa noho izany, mety ny mampahatsiahy fa Andriamanitra dia mihoatra ambony dia ambony noho ny fanavahan’ny olombelona ny amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Sady tsy lehilahy no tsy vehivavy Izy, fa Andriamanitra. Mihoatra ambony dia ambony koa noho ny maha-ray sy ny maha-reny jer. Sal 27,10. ny olombelona Izy, sady mijanona ho fiandohana sy ho fetra amin’izany jer. Efez 3,14-15; Iz 49,15. : tsy misy olona afaka hilaza hoe ray tahaka ny maha-Ray an’ Andriamanitra.
Tamin’ny teny tsy mbola fandre no nanambaràn’i Jesoa fa Andriamanitra dia “Ray” : Tsy izany fotsiny Izy amin’ny maha-Mpahary Azy, fa Ray mandrakizay Izy amin’ny fifandraisany amin’ny Zanany tokana, izay tsy Zanaka mandrakizay raha tsy mifandray amin’ny Ray : “Tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray ; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy” (Mt 11,27).
Eo am-panarahana azy ireo, araka ny lovam-pampianaran’ny apôstôly, dia niaiky ny Fiangonana, tamin’ny taona 325, tao amin’ny Kônsily ekiomenika voalohan’i Nicée, fa “iray fombam-pisia-maha-izy” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. amin’ny Ray ny Zanaka, izany hoe Andriamanitra iray ihany miaraka Aminy. Ny Kônsily ekiomenika faharoa, nivory tao Constantinople tamin’ny taona 381, dia mitazona io fomba fiteny io tamin’ny fandrafetana ny rijan-tenin’ny Fiekem-pinoan’i Nicée, ary niaiky “ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra, fahazavana avy amin’ny fahazavana, Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina, nateraka fa tsy natao, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina
Talohan’ny Pakany, nambaran’i Jesoa ny fanirahana ny “Parakleto hafa” (Mpiaro), dia ny Fanahy Masina izany. Efa niasa Izy hatramin’ny fahariana an’izao tontolo izao jer. Jen 1,2., “niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany” Sembolin’i Nicée-Constantinople, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. fahiny, ary izao Izy dia eo anilan’ny mpianatra sy ao amin’izy ireo jer. Jo 14,17., mba hampianatra azy ireo jer. Jo 14,26. sy hitarika azy ireo “ho amin’ny marina rehetra” (Jo 16,13). Ny Fanahy Masina izany no nambara ho ilay Olona iray hafa-Andriamanitra raha oharina amin’i Jesoa sy ny Ray.
Ny fiandohan’ny Fanahy Masina hatramin’ny mandrakizay, dia voaseho amin’ny fanirahana Azy teto an-tany. Ny Fanahy Masina izay nirahin’ny Ray tamin’ny anaran’ny Zanaka tao amin’ny apôstôly sy ny Fiangonana, dia nirahin’ny Tenan’Izy Zanaka koa, nony tafaverina teo amin’ny Ray Izy jer. Jo 14,26; 15,26; 16,14.. Ny fanirahana ny Tenan’Izy Fanahy Masina taorian’ny fanomezam-boninahitra an’i Jesoa jer. Jo 7,39., dia manambara feno ny misterin’ny Trinite Masina.
Ny finoana apôstôlika momba ny Fanahy Masina, dia nankatoavin’ny Kônsily ekiomenika faharoa tamin’ny taona 381, tao Constantinople : “Mino ny Fanahy Masina isika, izay Tompo sy manome ny aina; avy amin’ny Ray Izy” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Amin’izany no aneken’ny Fiangonana ny Ray ho “loharano ipoirana sy fiandohan’ny maha-Andriamanitra manontolo” Kôns. Tolède VI tamin’ny 638: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny fiandohan’ny Fanahy Masina hatramin’ny mandrakizay anefa tsy hoe tsy misy fifamatorany amin’ny an’ny Zanaka : “Ny Fanahy Masina izay Olona fahatelon’ny Trinite, dia Andriamanitra, tokana sy mitovy amin’ny Ray sy ny Zanaka, iray fisia-maha-izy ary koa iray fomba aman-toetra (…). Kanefa tsy azo lazaina hoe Fanahin’ny Ray ihany Izy, fa sady Fanahin’ny Ray Izy no Fanahin’ny Zanaka” Kôns. Tolède XI tamin’ny 675: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny Fiekem-pinoan’ny Fiangonana, tamin’ny Kônsily tao Constantinople, dia manambara hoe : “Tsaohina sy omem-boninahitra, miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka Izy” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Miaiky ny lovam-pampianarana latinina momba ny Izaho mino, fa “avy amin’ny Ray sy avy amin’ny Zanaka (filioque)” ny Fanahy Masina. Nabaribarin’ny Kônsily tao Florence, tamin’ny taona 1438, fa : “Ny Fanahy Masina dia manana ny foto-pisiany sy ny fisian-tenany, izay sady avy amin’ny Ray no avy amin’ny Zanaka, ary Izy dia avy amin’ny Ray sy avy amin’ny Zanaka mandrakizay, avy amin’ny Foto-piandohana iray ihany sy avy amin’ny foto-pisiam-panahy iray ihany ... Ary satria izay rehetra an’ny Ray, dia ny Tenan’Izy Ray rahateo ihany no nanome izany tamin’ny Zanany Lahitokana, tamin’ny niterahany Azy, afa-tsy ny fisian-tenany maha-Ray Azy, ary na io fiandohan’ny Fanahy Masina avy amin’ny Zanaka io aza, dia ananan’ny Zanaka mandrakizay avy amin’ny Rainy izay niteraka Azy hatramin’ny mandrakizay” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny fanamafisana marina ny hoe : “avy amin’ny Zanaka ny Fanahy Masina” (filioque), dia tsy hita ao amin’ny semboly nambara tamin’ny taona 381 tao Constantinople. Kanefa raha zohina ny lovam-pampianarana tranainy amin’ny teny latinina sy avy any Alexandrie, ilay semboly tamin’ny taona 381, dia efa nambaran’i Md Léon Papa ho foto-pinoana sahady tamin’ny taona 447 jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., talohan’ny nahalalan’i Rôma sy nandraisany izany tamin’ny taona 451 tao amin’ny Kônsilin’i Chalcédoine. Ny fampiasana an’io rijan-teny io tao amin’ny Izaho mino dia voaray tsikelikely tao amin’ny litorzia latinina (teo anelanelan’ny taonjato faha-8 sy faha-11). Ny fampidirana ny teny hoe filioque ao amin’ny Sembolin’i Nicée-Constantinople tamin’ny litorzia latinina anefa, dia nampisy fifanolanana mandraka ankehitriny tamin’ny Fiangonana Ôrtôdôksa.
Ny lovam-pampianarana tatsinanana dia maneho avy hatrany ny toetra manokana maha-voaloham-piandohana ny Ray raha oharina amin’ny Fanahy. Ny lovam-pampianarana tatsinanana, amin’ny fiekena hoe : “avy amin’ny Ray” (Jo 15,26) ny Fanahy Masina, dia manamafy fa ny Fanahy Masina dia avy amin’ny Ray amin’ny alalan’ny Zanaka jer. AFF 2.. Ny lovam-pampianarana tandrefana dia maneho avy hatrany ny fiombonan’ny maha-iray fombam-pisia-maha-izy eo amin’ny Ray sy ny Zanaka, amin’ny filazana fa ny Fanahy Masina dia avy amin’ny Ray sy ny Zanaka (filioque). Lazainy amin’ny “fomba ara-dalàna sy ara-pahamarinana” Kôns. Florence tamin’ny 1439: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. izany, satria ny filaharana mandrakizain’ireo Olona-Andriamanitra amin’ny fiombonan’ny maha-iray fombam-pisia-maha-izin’izy ireo dia mifono hevitra hoe ny Ray no voaloham-piandohan’ny Fanahy amin’ny maha-“foto-piandohana tsy misy fiandohana” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. Azy, nefa koa amin’ny maha-Rain’ny Zanaka Lahitokana ny Ray, dia miaraka Amin’Izy Ray “ilay fototra tokana izay iavian’ny Fanahy Masina” Kôns. Lyon II tamin’ny 1274: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. ny Zanaka. Izany fifamenoana araka ny marina sy ny hitsiny izany, raha tsy nororitina, dia tsy nanimba ny fitovian’ny finoana amin’ny fisian’io mistery iaraha-mankato ihany io”.
III.Ny Trinite Masina, araka ny fitambaram-pampianaram-pinoana
Ny fiforonan’ny teny finoana momba ny Trinite Masina
Ny marina nambara momba ny Trinite Masina dia hatrany am-piandohana no efa tao amin’ny fakan’ny finoana velon’ny Fiangonana, fa indrindra tamin’ny alalan’ny Batemy. Hita ao amin’ny fitsipi-pinoan’ny Batemy ny fitenim-panehoana izany, voarafitra amin’ny rijan-teny ao amin’ny toriteny, ny katesezy ary ny vavaky ny Fiangonana. Ny fandrafetana amin’ny rijan-teny toy izany dia efa hita ao amin’ny asa soratry ny apôstôly, izay porofon’ izany ity fiarahabana averina ao amin’ny litorzian’ny Eokaristia ity : “Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa-Kristy Tompo sy ny fitiavan’ Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina !” (2 Kôr 13,13) jer. 1 Kôr 12,4-6; Efez 4,4-6..
Nandritra ny taonjato voalohandohany, notadiavin’ny Fiangonana izay fomba filaza amin’ny rijan-teny mazavazava kokoa ny finoany mikasika ny Trinite, mba handalinana ny fahaizany manokana momba ny finoana sady mba hiarovana izany amin’ny hadisoan-kevitra izay mampivaona izany. Izany no tsanganasan’ny Kônsily fahiny, nampian’ny asa ara-teôlôjian’ny Aban’ny Fiangonana ary notohanan’ny fahalalam-pinoana teo amin’ny vahoaka kristianina.
Mba ho fandrafetana ny rijan-teny amin’ny teny finoana momba ny Trinite, dia tsy maintsy nanitatra fiteny azy manokana tamin’ny alalan’ny fahalalana avy amin’ny filôzôfia ny Fiangonana : “fisia-maha-izy”, “olona” na “ny fisia-maha-olona”, “fifandraisana”, sns… Izany no natao, tsy hoe nampanaiky ny finoana amin’ny fahendren’olombelona tsy akory ny Fiangonana, fa nanome hevi-baovao, mbola tsy fandre, an’ireo teny ireo, mba hampahafantatra koa hatramin’izao ny mistery tsy hay ambara, “tsy taka-polopolorina amin’izay azontsika foronina ao an-tsaina amin’ny fari-pahaizan’olombelona” SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
Ampiasain’ny Fiangonana ny teny hoe : “fisia-maha-izy” (antsoina indraindray koa hoe : “foto-pisiana”, na “fomba aman-toetra”), mba hilazana ny fisian-tenan’Andriamanitra amin’ny maha-tokana Azy ; ny teny hoe : “olona” na “fisia-maha-olona”, mba hilazana ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina amin’ny tena mampiavaka azy ireo ; ny teny hoe : “fifandraisana”, mba hilazana fa ny fiavahan’Izy ireo dia miorina indrindra amin’izay fifandraisan’ny andaniny sy ny ankilany izay.
Ny teny finoana momba ny Trinite Masina
Tokana ny Trinite. Tsy miaiky ny fisiana andriamanitra telo isika, fa Andriamanitra tokana ao amin’ny Olona telo : ny “Trinite Masina iray fombam-pisia-maha-izy” Kôns. Constantinople II tamin’ny 553: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Tsy ifampizaran’ireo Olona-Andriamanitra ny maha-Andriamanitra tokana, fa ny tsirairay amin’izy ireo dia Andriamanitra feno sy manontolo : “Ny Ray dia iray ihany amin’ny Zanaka, ny Zanaka dia iray ihany amin’ny Ray, ny Ray sy ny Zanaka dia iray ihany amin’ny Fanahy Masina, izany hoe Andriamanitra tokana ihany amin’ny fomba aman-toetra” Kôns. Tolède XI tamin’ny 675: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Izany fisiana izany no an’ny tsirairay amin’ny Olona telo, izany hoe ny fisia-maha-izy, ny foto-pisiana na ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra” Kôns. Latran IV tamin’ny 1215: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Tena miavaka tokoa amin’Izy ireo samy Izy ireo, ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra. “Tokana Andriamanitra nefa tsy manirery Fides Damasi: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..” “Ray”, “Zanaka”, “Fanahy Masina” : tsy anarana ilazana fotsiny ny fombafomban’ ny fisian-tenan’Andriamanitra izany, satria tena misy fiavahana mihitsy eo amin’Izy ireo samy Izy ireo : “Ilay izay Zanaka tsy Ray, ilay izay Ray tsy Zanaka, na ny Fanahy Masina tsy ilay izay Ray na Zanaka” Kôns. Tolède XI tamin’ny 675: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Miavaka amin’ Izy samy Izy Izy ireo eo amin’ny fifandraisam-pototr’izy ireo : “Ny Ray no niteraka, ny Zanaka no nateraka, ny Fanahy Masina no avy amin’ny Ray sy ny Zanaka” Kôns. Latran IV tamin’ny 1215: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Misy Olona Telo ny maha-Tokana an’Andriamanitra.
Mifandray amin’Izy ireo samy Izy ireo, ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra. Ny fiavahana misy amin’ireo Olona tsirairay eo amin’Izy ireo samy Izy ireo dia miorina irery ihany amin’ireo fifandraisana izay mampifandray ny tsirairay amin’izy ireo amin’ny samy izy ireo, satria tsy mampisaraka ny maha-tokana an’Andriamanitra izany fiavahana misy izany: “Raha ny amin’ireo anarana tsirairay momba ireo Olona tsirairay, dia ny Ray mifandray amin’ny Zanaka, ny Zanaka mifandray amin’ny Ray, ny Fanahy Masina mifandray amin’Izy anankiroa ; raha ireo Olona telo no lazaina, dia ny fifandraisany no heverina amin’izany, fa raha ny fomba aman-toetra tokana na ny fisia-maha-izy kosa, dia izay inoana” Kôns. Tolède XI tamin’ny 675: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Satria, “tokana ihany izy manontolo ao amin’Izy ireo ka tsy misy ahitana fifanoheram-pifandraisana ao aminy” Kôns. Florence tamin’ny 1442: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. “Noho izany maha-tokana izany, ny Ray dia ao amin’ny Zanaka manontolo, ao amin’ny Fanahy Masina manontolo ; ny Zanaka dia ao amin’ny Ray manontolo, ao amin’ny Fanahy Masina manontolo ; ny Fanahy Masina dia ao amin’ny Ray manontolo, ao amin’ny Zanaka manontolo” Kôns. Florence tamin’ny 1442: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
I Md Grégoire de Nazianze, izay antsoina koa hoe “ilay Teôlôjianina”, dia nanankina izao famintinana momba ny finoana ny Trinite Masina izao tamin’ireo katekomena tao Constantinople :
Alohan’ny zavatra rehetra, tahirizo tsara ho ahy io raki-tsoa napetraka io, fa ho an’izany no ahavelomako sy iadiako, miaraka amin’izany no tiako hahafatesana, izay mahatonga ahy hiaritra ny fahoriana rehetra sy hanao tsinontsinona ny fahafinaretana rehetra : ny tiako holazaina, dia ny fiekem-pinoana amin’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Ankiniko aminareo izany anio. Amin’ny alalan’izany no hanitrihako anareo ao anaty rano rahefa avy eo, sy hampiakarako anareo avy ao. Omeko anareo ho namana sy ho mpiaro ny androm-piainanareo manontolo izany fiekem-pinoana izany. Omeko anareo ilay Andriamanitra tokana sady Mahery, dia ilay Tokana misy ao amin’ireo Telo, ary ao anatin’ireo Telo amin’ny fomba miavaka. Andriamanitra tsy misy faha-samy hafa eo amin'ny fisia-maha-izy na fomba aman-toetra, tsy misy ambaratonga ambonimbony kokoa izay manandratra na ambaratonga ambanimbany kokoa izay manetry. (…) Telo tsy manam-petra ilay miray fomba aman-toetra tsy manam-petra. Andriamanitra manontolo ny tsirairay dinihina ao amin’ny Tenany ihany (…), Andriamanitra Izy telo dinihina miaraka (…). Tsy mbola nanomboka nieritreritra ny maha-Tokana Azy aho, dia efa maninteraka ahy ao anatin’ny famirapiratany ny Trinite. Tsy mbola nanomboka nisaintsaina ny Trinite aho, dia efa nanenika ahy ny maha-tokana azy Or. 40, 41.…
IV.Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina
“Ry Trinite fahazavana sambatra ! Ry Tokana hatrany am-boalohany” LH, antsan’ny vavaka hariva.. Hasambarana mandrakizay Andriamanitra, fiainana tsy manam-pahafatesana, fahazavana tsy mihena. Fitiavana Andriamanitra : Ray, Zanaka sy Fanahy Masina. An-kalalahana no itiavan’Andriamanitra hampitana ny voninahitry ny fiainany mahasambatra. Izany no “fandaharana lalin’ny safidim-pony” (Efez 1,9) izay nosaintsaininy talohan’ny fahariana an’izao tontolo izao tao amin’ny Zanany malala, ka “nanendreny antsika mialoha mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy” (Efez 1,5), izany hoe “hitovy endrika amin’ny Zanany” (Rôm 8,29) noho “ny Fanahim-pananganan-janaka” (Rôm 8,15). “Fahasoavana nomena talohan’ny taonjato rehetra” (2 Tim 1,9) izany fandaharana izany, ary teraka eo no eo avy amin’ny fitiavan’ ny Trinite. Miseho avokoa izany tamin’ny tsanganasa fahariana, tamin’ny tantaram-pamonjena manontolo taorian’ny fahalavoana, tamin’ny fanirahana ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary mitohy amin’ny fanirahana ny Fiangonana jer. AFF 2-9..
Tsanganasa iombonan’ireo Olona telo-Andriamanitra ny fitantanam-pamonjen’Andriamanitra manontolo. Satria tahaka ny tsy ananan’ny Trinite afa-tsy fomba aman-toetra tokana sy mitovy no tsy ananany afa-tsy asa tokana sy mitovy koa jer. Kôns. Constantinople II tamin’ny 553: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. “Tsy fototra telo fiandohan’ny zavaboary tsy akory ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, fa foto-piandohana tokana ihany” Kôns. Florence tamin’ny 1442: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Kanefa ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra dia manao ny tsanganasa iombonana araka ny toetra manokana an’ny tsirairay avy. Araka izany no anaovan’ny Fiangonana fiekem-pinoana, manaraka ny Testamenta Vaovao jer. 1 Kôr 8,6. hoe : “Andriamanitra iray sady Ray, izay avy Aminy no isian’ny zavatra rehetra, Jesoa-Kristy Tompo iray, izay Aminy no isian’ny zavatra rehetra, Fanahy Masina iray, izay ao Aminy no isian’ny zavatra rehetra” Kôns. Constantinople II: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny asan’ Andriamanitra momba ny Fahatongavan’ny Zanaka ho Nofo sy ny fanomezana ny Fanahy Masina indrindra no maneho ny toetra manokana an’ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra.
Ny fitantanam-pamonjen’Andriamanitra manontolo, amin’ny maha-asa iombonana sady maha-asan’ny tsirairay azy, no mampahalala ny maha-izy manokana an’ireo Olona-Andriamanitra sy ny fomba aman-toetra tokan’izy ireo. Koa, fiombonana amin’ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra ny fiainana manontolo kristianina, nefa tsy mampisaraka azy ireo velively. Ilay izay manome voninahitra ny Ray, manao izany amin’ny alalan’ny Zanaka ao amin’ny Fanahy Masina ; ilay izay manara-dia an’i Kristy, manao izany satria ny Ray no mitaona azy jer. Jo 6,44. ary ny Fanahy Masina no manetsika azy jer. Rôm 8,14..
Ny tanjom-piafaràn’ny fitantanam-pamonjen’Andriamanitra manontolo, dia ny fidiran’ny voary rehetra ao amin’ny firaisana lavorarin’ny Trinite Sambatra jer. Jo 17,21-23.. Kanefa manomboka izao ankehitriny izao isika no antsoina mba honenan’ny Trinite Masina Indrindra : “Raha misy tia Ahy, hoy ny Tompo, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tia azy ny Raiko, ary hankao aminy Izahay, ka hataonay fonenana ao aminy” (Jo 14,23) :
Ry Andriamanitra, Trinite izay tiako fatratra, ampio aho hanadino tanteraka ny tenako mba hiorenako ao Aminao, tsy mihontsina sy mandry ivohon’ny vato, toy ny hoe efa any amin’ny mandrakizay tokoa ny fanahiko ; aoka tsy hisy na inona na inona afaka hanakorontana ny fiadanako na mampiala ahy ao Aminao, ry ilay Tsimiovako, nefa aoka ny isa-minitra hitondra ahy lalindalina kokoa ao amin’ny misterinao ! Ampiadano ny fanahiko. Ataovy ao ny lanitrao, fonenana malalanao sy toeram-pialan-tsasatrao. Aoka aho tsy hamela Anao ao ho irery na oviana na oviana, fa aoka aho ho ao, manontolo, tsy ho rendremana amin’ny finoako, mitombin-tsaina tanteraka amin’ny vavaka ataoko, manolo-tena manontolo amin’ny asam-paharianao Vavaky ny Olontsambatra Elisabeth de la Trinité..
Ny misterin’ny Trinite Masina Indrindra no mistery foiben’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Andriamanitra irery ihany no afaka hanome antsika ny fahalalana ny amin’izany amin’ny nanambaràny ny Tenany ho Ray, Zanaka sy Fanahy Masina.
Ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo, no manambara fa Ray mandrakizay Andriamanitra, ary iray fombam-pisia-maha-izy amin’ ny Ray ny Zanaka, izany hoe : Andriamanitra tokana ihany Izy ao amin’ ny Ray sy miaraka Aminy.
Ny fanirahana ny Fanahy Masina, izay nirahin’ny Ray amin’ny anaran’ ny Zanaka jer. Jo 14,26., ary nalefan’ny Zanaka “avy amin’ny Ray” (Jo 15,26), no manambara fa Andriamanitra tokana ihany miaraka amin’izy ireo ny Fanahy Masina. “Tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka Izy” Sembolin’i Nicée-Constantinople, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
“Avy amin’ny Ray ny Fanahy Masina, amin’ny maha-foto-piandohana voalohany ny Ray, ary amin’ny alalan’ny fanomezana mandrakizay ataon’ny Ray ho an’ny Zanaka, dia avy amin’ny fiombonan’ny Ray sy ny Zanaka Izy” Md Augustin, Trin. 15, 26, 47..
Amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Batemy “amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28,19), no voantso isika handray anjara amin’ny fiainan’ny Trinite Sambatra, eto an-tany, ao anatin’ny haizim-pinoana, ary aorian’ny fahafatesana, ao anatin’ny fahazavana mandrakizay jer. SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
“Mifototra amin’izao ny finoana katôlika : mitsaoka an’Andriamanitra tokana ao amin’ny Trinite, ary mitsaoka ny Trinite ao amin’ Andriamanitra Tokana, tsy mampifangaro ireo Olona, tsy mampisaraka ny fisia-maha-izy : satria, miavaka ny maha-Olona ny Ray, miavaka ny maha-Olona ny Zanaka, miavaka ny maha-Olona ny Fanahy Masina ; kanefa amin’ny Ray, amin’ny Zanaka ary amin’ny Fanahy Masina dia tokana ny maha-Andriamanitra, mitovy ny voninahitra, miara-mandrakizay ny fiandrianana” Symbolum "Quicumque", DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Tsy azo sarahina amin’ny maha-izy azy, ireo Olona-Andriamanitra ; tsy azo sarahina toy izany koa izy ireo amin’izay ataony. Kanefa amin’ny asa tokana ataon’Andriamanitra, ny tsirairay dia samy maneho ny maha-izy azy avy ao amin’ny Trinite, indrindra eo amin’ny irak’Andriamanitra momba ny Fahatongavan’ny Zanaka ho nofo sy ny fanomezana ny Fanahy Masina.
Paragrafy 3. Ilay Mahefa ny zavatra rehetra
Amin’ny toetra rehetra maha-Andriamanitra, ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy ihany no voalaza ao amin’ny Semboly : ny miaiky izany dia mitera-bokatra lehibe ho amin’ny fiainantsika. Mino isika fa manenika an’izao tontolo rehetra izao izany, satria Andriamanitra izay nahary ny zavatra rehetra jer. Jen 1,1; Jo 1,3., dia mandidy sy manapaka ny zavatra rehetra sy mahavita ny zavatra rehetra ; heni-pitiavana izany, satria Raintsika Andriamanitra jer. Mt 6,9. ; mifono mistery izany, satria ny finoana irery ihany no ahafahana manavaka sy mandanjalanja izany rahefa “ao amin’ny fahalemena no isehon’ny heriny tanteraka” (2 Kôr 12,9) jer. 1 Kôr 1,18..
“Izay tiany hatao, vitany avokoa” (Sal 115,3)
Imbetsaka ny Soratra Masina no manambara ny herin’Andriamanitra manenika an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao. Fiantsoana Azy ny hoe “ilay Maherin’i Jakôba” (Jen 49,24; Iz 1,24 snm.), “ilay Tompon’ny tafika”, “ilay Matanjaka, ilay Mahery fo” (Sal 24,8-10). Raha Mahefa ny zavatra rehetra “any an-danitra sy ety an-tany” (Sal 135,6) Andriamanitra, dia satria Izy no nanao azy ireny. Na inona na inona izany tsy misy tsy vitany jer. Jer 32,17; Lk 1,37., ary Izy no mandamina ny tsanganasany araka ny sitrapony jer. Jer 27,5. ; Izy no Tompon’izao tontolo rehetra izao, izay nasiany fandaminana hanaiky Azy tanteraka sy ho azony ampiasaina malalaka. Izy no Tompon’ny tantara: Izy no mitondra ny fo sy ny fisehoan-javatra araka ny sitrapony jer. Est 4,17d; Ohab 21,1; Tobia 13,2. : “Hanompo Anao lalandava ny herinao lehibe, ary zovy no afaka manohitra ny herin’ny sandrinao?” (Fah 11,21).
“Mamindra fo amin’ny rehetra Ianao, satria mahefa ny zavatra rehetra” (Fah 11,23)
Ray Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra. Mifanazava ny maha-Ray Azy sy ny maha-Mahefa Azy. Araka izany, asehony ny maha-Ray Mahefa ny zavatra rehetra Azy, amin’ny fomba fikarakarany ny zavatra ilaintsika jer. Mt 6,32., amin’ny fananganany antsika ho zanany (“Izaho ho Rainareo, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo Mahefa ny zavatra rehetra” 2 Kôr 6,18), ary farany, amin’ny Famindram-pony tsy misy fetra, satria mampiseho ny fahefany fara tampony Izy amin’ny famelana an-kalalahana ny fahotana.
Tsy misy jadona velively ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra an’Andriamanitra : “Ao amin’Andriamanitra ny fahefana sy ny foto-pisiana, ny sitrapo sy ny saina, ny fahendrena sy ny fahamarinana dia tokana ihany sy zavatra mitovy, hany ka tsy mety hisy zavatra amin’ny fahefan’Andriamanitra ka tsy ho tafiditra ao amin’ny sitrapo mahitsy an’Andriamanitra na ao amin’ny sainy hendry” Md Thomas d’A., s. th. 1, 25, 5, ad 1..
Ny misterin’ny toa fahalemen’Andriamanitra
Mety mandalo fitsapan-toetra amin’ny alalan’ny fahalalana azo tamim-pahazarana ny amin’ny ratsy sy ny fijaliana amam-pahoriana, ny finoana an’Andriamanitra ilay Ray Mahefa ny zavatra rehetra. Indraindray Andriamanitra toa ohatran’ny tsy eo sy tsy mahavita misakana ny ratsy. Nefa, nasehon’Andriamanitra Ray tamin’ny fomba mistery indrindra ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy, tamin’ny fanetren-tenan’ny Zanany an-tsitrapo sy tamin’ny Fitsanganany ho velona, izay avy amin’ izany no nandreseny ny ratsy. Araka izany, i Kristy nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana no “herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra. Fa izay toa hadalàn’Andriamanitra dia hendry kokoa noho ny fahendren’olombelona, ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery kokoa noho ny herin’olombelona” (1 Kôr 1,25). Tamin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona sy tamin’ny fanandratana Azy no “nampihariharian’ny Ray ny fiasan’ny heriny tsitoha” sy nampisehoany “ny fahefany mihoa-pampana ho antsika mpino” (Efez 1,19).
Ny finoana irery no ahafahana mifikitra amin’ny lalana mifono misterin’ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra an’Andriamanitra. Io finoana io no mirehareha amin’ny fahalemeny mba hanintona ao aminy ny herin’i Kristy jer. 2 Kôr 12,9; Filip 4,13.. Amin’io finoana io, i Maria Virjiny no môdely tapitr’ohatra, izy izay nino fa “tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao” (Lk 1,37), ary afaka nankalaza ny Tompo hoe : “Nanao zava-dehibe tamiko Ilay Mahefa, ary masina ny anarany” (Lk 1,49).
“Koa tsy misy ny mety indrindra hanamafy orina ny finoantsika sy ny fanantenantsika, afa-tsy ny fiekena lalina voasokitra ao amin’ny fanahintsika fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao. Satria izay rehetra hatolotry [ny Izaho mino] antsika aty aoriana mba hinoana, na ireo zava-dehibe indrindra, na ireo zavatra tsy takatry ny saina indrindra, tahaka izany koa ireo zavatra ambony indrindra mihoatra noho ny lalàna mahazatra amin’ny voary, raha vantany vao mahazo fotsiny ny hevitra ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra an’Andriamanitra ny saintsika, dia mora aminy ny manaiky an’ireny ary tsy misy fisalasalana na kely aza” Kat. R. 1, 2, 13..
Miaraka amin’i Jôba, ilay olomarina, no iekentsika hoe : “Fantatro fa Mahefa ny zavatra rehetra Ianao : vitanao ny manatanteraka izay heverinao” (Jôba 42,2).
Matoky ny porofo velona hita ao amin’ny Soratra Masina ny Fiangonana, ka manandratra matetika ny vavaka ataony “amin’ Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay” (“ommipotens sempiterne Deus…”), amin’ny finoana mafy tsy voahozongozona fa “tsy misy tsy hain’Andriamanitra hatao” (Lk 1,37) jer. Jen 18,14; Mt 19,26..
Maneho ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy Andriamanitra amin’ ny fampibebahana antsika amin’ny fahotantsika sy amin’ny famerenana antsika ho ao amin’ny fitiavany amin’ny alalan’ny fahasoavana : “Andriamanitra ô, ny maharitra sy mamindra fo no ampisehoanao ny porofo fara tampon’ny herinao mahefa …” MR, vavaka fangatahana ny alahady faha-26..
Raha tsy mino fa Mahefa ny zavatra rehetra ny fitiavan’Andriamanitra, atao ahoana no fino fa ny Ray no afaka mampisy antsika, ny Zanaka no manavotra antsika, ny Fanahy Masina no manamasina antsika ?
Paragrafy 4. Ny Mpahary
“Tamin’ny voalohany, Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Jen 1,1). Ireo teny manetriketrika ireo no fiantombohan’ny Soratra Masina. Mamerina an’ireo teny ireo ny Sembolin’ny finoana amin’ny fiekena an’Andriamanitra Ray Mahefa ny zavatra rehetra ho “Mpahary ny lanitra sy ny tany” Sembolin’ny Apôstôly, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., “ny tontolon’ny zava-drehetra hita maso sy ny tsy hita maso” Sembolin’i Nicée-Constantinople, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Hiresaka momba ny Mpahary izany aloha isika, avy eo ny fahariany, farany ny fahalavoana noho ny fahotana, izay nahatonga an’i Jesoa-Kristy ilay Zanak’Andriamanitra, hanarina antsika.
Ny fahariana no fototry “ny fandaharana rehetra momba ny famonjen’ Andriamanitra”, “ny fiandohan’ny tantaram-pamonjena” DCG 51., izay ao amin’i Kristy no fara tampon’izany. Raha ampifamadihana ny fomba filaza azy, dia hoe : ny misterin’i Kristy no fahazavana tanteraka mitsilo ny misterin’ny fahariana ; ny misterin’i Kristy no manambara ny tanjona tian-kotratrarina amin’ny filazana hoe : “tamin’ny voalohany, Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Jen 1,1) : hatrany am-piandohana izany no nitsinjovan’ Andriamanitra ny voninahitry ny fahariam-baovao ao amin’i Kristy jer. Rôm 8,18-23..
Izany no mahatonga ny vakiteny rehetra amin’ny Alin’ny Paka, fankalazana ny fahariam-baovao ao amin’i Kristy, atomboka amin’ny tantaran’ny fahariana ; ao amin’ny litorzia bizantinina, io tantaran’ny fahariana io no anisan’ny vakiteny voalohany lalandava, mialoha ireo fety lehibe ankalazana ny Tompo. Araka ny filazan’ireo zokiolona, ny fampianarana katekomena ho amin’ny Batemy dia manaraka koa izany lalana izany jer. Ethérie, pereg. 46; Md Augustin, catech. 3, 5..
I.Ny katesezy momba ny fahariana
Manan-danja lehibe tokoa ny katesezy momba ny fahariana. Ny fototry ny fiainana maha-olona sy ny maha-kristianina mihitsy no voakasiny : satria izany no manazava ny valin’ny finoana kristianina amin’ny fanontaniana tsotra izay apetraky ny olona mandrakariva hoe : “Avy aiza isika ?” “Ho aiza isika ?” “Inona no fiandohantsika ?” “Inona no fiafarantsika ?” “Avy aiza ary ho aiza ny zavatra rehetra izay misy ?”. Tsy azo sarahina ireto fanontaniana roa ireto, dia ny an’ny fiandohana sy ny an’ny fiafarana. Ireo no manoritra tanteraka ny hevitra sy ny sori-dalan’ny fiainantsika mbamin’ny asa amam-pitondran-tenantsika.
Ny fanontaniana momba ny fiandohan’izao tontolo izao sy ny olombelona dia natao ho fototry ny fikarohana maro be ara-tsiansa izay mampitombo amin’ny fomba kanto dia kanto ny fahalalantsika momba ny taona sy ny halehiben’izao tontolo izao voarindra, ny fivoaran’ny zavamananaina, ny fipoiran’ny olombelona. Ireo fahitan-java-baovao ireo no mitaona antsika higaga bebe kokoa ny halehiben’ny Mpahary, hisaotra Azy noho ny tsanganasany rehetra sy noho ny fahaizana amam-pahendrena izay nomeny an’ireo manam-pahaizana sy ireo mpikaroka. Miaraka amin’i Salômônina, afaka milaza izy ireo hoe : “Izy no nanome ahy ny fahaizana amam-pahalalana marina an’izay misy; Izy no nampahalala ahy ny firafitr’izao tontolo izao sy ny toetra manokana ananan’ireo singan-javatra (…) satria ny mpanao ny zavatra rehetra no nampianatra ahy, dia ny Fahendrena izany” (Fah 7,17-22).
Ny tombon-tsoa lehibe voatokana amin’ireny fikarohana ireny no mandrisika mafy amin’ny alalan’ny fanontaniana ivelan’ny mahazatra, izay mihoatra ny sehatra manokana amin’ny siansa momba ny zavaboary. Tsy dia ny mahalala fotsiny hoe : oviana ary ahoana no nipoiran’ny amin’ny maha-vaingan-javatra an’izao tontolo izao voarindra, na oviana no nisehoan’ny olombelona, no tokony hoheverina, fa ny marimarina kokoa, dia ny mahatsapa hoe : inona no hevitra raketin’ny fiandohana toy izany, raha kisendrasendra no nitondra azy, na anjara sy lahatra ary vintana jamba, na filana tsy fantatra anarana, na koa ilay Misy mihoatra ny tsapa sy ny hita, marani-tsaina sy tsara fanahy, antsoina hoe Andriamanitra! Ary raha avy amin’ny fahendrena sy ny hatsaran’Andriamanitra izao tontolo izao, nahoana no misy ny ratsy ? Avy aiza izany ? Iza no tompon’andraikitra amin’izany ? Ary misy fanafahana ve amin’izany?
Hatrany am-panombohany, ny finoana kristianina dia nampifanatrehana tamin’ny valin-teny tsy mitovy amin’ny azy mikasika ny fanontaniana momba ny fiandohana. Araka izany, hita ao amin’ireny antokom-pivavahana mbamin’ny kolontsaina fahiny ireny, ny angano maro be momba ny fiandohana. Ny filôzôfy sasany, dia milaza fa ny zavatra rehetra no Andriamanitra, izao tontolo izao no Andriamanitra na ny fivoaran’izao tontolo izao no fivoaran’Andriamanitra (panthéisme) ; ny hafa milaza fa izao tontolo izao dia fipoiram-pisiana ilain’Andriamanitra, amin’ny fikorianana avy amin’io loharano io sy amin’ny fiverenana ao aminy ihany; ny hafa indray manamafy ny foto-pisian’ny fiandohana mandrakizay anankiroa, ny Tsara sy ny Ratsy, ny Hazavana sy ny Maizina, mifanohitra tsy tapaka (dualisme, manichéisme); araka ny sasantsasany amin’ireo foto-pisainana ireo, izao tontolo izao (fara fahakeliny ny tontolon’ny manam-batana), dia ratsy, vokatry ny fitotongana, ka noho izany hailika na hihoarana (gnose) ; ny hafa manaiky fa izao tontolo izao dia nataon’Andriamanitra, fa araka ny fomban’ny mpamboatra famantaranandro, izay nony vita dia nilaozany teo fotsiny (déisme) ; farany, ny hafa tsy manaiky mihitsy na dia kely aza ny maha-mihoatra ny tsapa sy ny hita ny fiandohan’izao tontolo izao, nefa izy ireo dia mahita ao amin’izany ny tena fiasa mazava ny tenan-javatra iray izay efa nisy lalandava (matérialisme). Ireo andranandram-pisainana ireo, dia mampiseho fa ny fanontaniana momba ny fiandohana dia mipetraka lalandava ary manerana ny tontolon’ny zavatra rehetra. Izany fikatsaham-pahalalana izany dia an’ny olombelona manokana.
Marina fa afa-mahita sahady ny valim-panontaniana momba ny fiandohana ny sain’olombelona. Satria, ny fisian’Andriamanitra Mpahary dia mety ho fantatra tsy amim-pisalasalana amin’ny alalan’ny tsanganasany noho ny fahaizan’ny sain’olombelona jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., na dia mety hamaizinin’ny fahadisoam-piheverana sy simbàny matetika aza izany fahalalana izany. Izany no antony mahatonga ny finoana hanamafy sy hanazava ny saina ao anatin’ny fahalalana marina an’ity fahamarinana ity : “Fantantsika amin’ny finoana fa ny Tenin’Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao, fa tsy mba zavatra hita maso no nanaovana izao zava-miseho izao” (Heb 11,3).
Ny fahamarinan’ny fahariana dia mavesa-danja tokoa ho an’ny fiainana manontolo ny olombelona, izay sitrak’Andriamanitra, ao anatin’ny halemem-panahiny, ny nanambara tamin’ny Vahoakany izay rehetra mahavonjy amin’ ny fahalalana momba an’io lafin-kevitra io. Ankoatra ny fahalalana voa-Janahary izay mety ho azon’ny sain’ny olona rehetra avy amin’ny Mpahary jer. Asa 17,24-29; Rôm 1,19-20., dia nambaran’Andriamanitra tsikelikely tamin’i Israely ny misterin’ny fahariana. Izy izay nifidy ny patriarka, izay namoaka an’i Israely avy tany Ejipta, ary izay nahary azy sy nanabe azy jer. Iz 43,1., tamin’ny nifidianany an’i Israely, dia nanambara ny Tenany ho ilay izay manana ny vahoaka rehetra eran-tany ho azy, sy ny tany tontolo, sy nanambara ny Tenany ho ilay izay hany “nanao ny lanitra sy ny tany” (Sal 115,15 ; 124,8 ; 134,3).
Araka izany, ny fanambaràna ny fahariana, dia tsy azo sarahina amin’ny fanambaràna sy ny fahatanterahan’ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra, ilay Tokana, tamin’ny Vahoakany. Ny fahariana dia nambara ho ilay dingana voalohany mankany amin’io fanekem-pihavanana io, ho porofo voalohany sy manerana an’izao tontolo izao, maneho ny fitiavana Mahefa ny zavatra rehetra an’Andriamanitra jer. Jen 15,5; Jer 33,19-26.. Koa ny fahamarinan’ny fahariana dia miseho tamin-kery mitombo hatrany tamin’ny hafatry ny mpaminany jer. Iz 44,24., tamin’ny vavaka Salamo jer. Sal 104. sy litorzia, tamin’ny fandinihana ny fahendren’ny jer. Ohab 8,22-31. Vahoaka voafidy.
Amin’ny tenin’ny Soratra Masina rehetra momba ny fahariana, dia manana toerana manokana ny toko telo voalohan’ny Jenezy. Raha amin’ny lafiny haisoratra, ireo lahatsoratra ireo dia mety hanana loharano fiaviana samihafa. Ny mpanoratra nahazo fitsilovana no nametraka ireny eo amin’ny fanombohan’ny Soratra, hany ka nasongadin’izy ireo tamin’ny fomba fiteny ny fahamarinan’ny fahariana, ny fiandohany sy ny fiafaràny ao amin’ Andriamanitra, ny filaminany sy ny hatsarany, ny fiantsoana ny olombelona, ary farany ny loza aman’antambo ateraky ny fahotana sy ny fanantenam-pamonjena. Noho ireo teny ireo vakìna amin’ny fahazavan’i Kristy, ao anatin’ny firaisan’ny Soratra Masina sy ny Lovam-pampianarana velon’ny Fiangonana, dia mijanona ho hany loharano voalohany indrindra ho an’ny katesezy momba ny misterin’ny “fiandohana” ireo : fahariana, fahalavoana, fampanantenam-pamonjena.
II.Ny fahariana – tsanganasan’ny Trinite Masina
“Tamin’ny voalohany, Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” : zavatra telo no antitranterina amin’ireo teny voalohan’ny Soratra Masina ireo: nasian’Andriamanitra mandrakizay fiandohana ny zavatra rehetra izay misy ivelan’ny Tenany. Izy irery no mpahary (ny matoanteny hoe: “mahary” - bara amin’ny fiteny hebrio - dia manana mandrakariva an’Andriamanitra ho mpanao ny asa). Ny fitambaran’ny zavatra rehetra izay misy (ambaran’ny rijan-teny hoe “ny lanitra sy ny tany”), dia miankina amin’Ilay nampisy azy.
“Tamin’ny voalohany ny Teny (…) ary Andriamanitra ny Teny. (…) Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy ny voary rehetra” (Jo 1,1-3). Ambaran’ny Testamenta Vaovao fa Andriamanitra no nahary ny zavatra rehetra tamin’ny alalan’ny Teny Mandrakizay, dia ny Zanany malalany. Tao Aminy “no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany (…) : Taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra. Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao Aminy no aharetan’ny zavatra rehetra (Kôl 1,16-17). Hamafisin’ny finoan’ny Fiangonana toy izany koa ny asa faharian’ny Fanahy Masina : Izy no “mpanome aina” Sembolin’i Nicée-Constantinople, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., “Fanahy Mpahary” (“Veni, Creator Spiritus”, “Avia, ry Fanahy Mpahary”), “Loharanon’ny soa rehetra” Litorzia bizantinina, Tononkalom-pivavahana amin’ny vavaka harivan’ny Pantekôty..
Ny asa faharian’ny Zanaka sy ny Fanahy, iray ihany amin’ny an’ny Ray sy tsy afa-misaraka, izay nisisika tsikelikely tao amin’ny Testamenta Taloha jer. Sal 33,6; 104,30; Jen 1,2-3., sy voambara ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, dia hamafisin’ny fitsipi-pinoan’ny Fiangonana mazava tsara : “Tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana (…) : Izy no Ray, Izy no Andriamanitra, Izy no Mpahary, Izy no Mpamorona, Izy no Mpandamina. Tamin’ny Tenany ihany no nanaovany ny zavatra rehetra, izany hoe tamin’ny Teniny sy tamin’ny Fahendreny” Md Irénée, haer. 2, 30, 9., “tamin’ny Zanaka sy ny Fanahy” izay toy ny “tanany” Ibid., 4, 20, 1.. Koa, tsanganasa iombonan’ny Trinite Masina ny fahariana.
III.“Noarìna ho Voninahitr’Andriamanitra izao tontolo izao”
Fahamarinana lehibe indrindra no tsy itsaharan’ny Soratra sy ny Lovam-pampianarana mampianatra sy mankalaza hoe : “Noarìna ho Voninahitr’ Andriamanitra izao tontolo izao” Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Nahary ny zavatra rehetra Andriamanitra, hoy i Md Bonaventure manazava, “tsy hoe mba hampitombo ny Voninahitra, fa mba haneho sy hampita izany Voninahitra izany” Sent. 1, 2, 2, 1.. Satria tsy manana antony hafa mba hahary Andriamanitra, afa-tsy ny fitiavany sy ny hatsaram-pony : “Izany no fanalahidin’ny fitiavana izay nanokatra ny tanany mba hamoronany ny voary” Md Thomas d’A., sent. 2, prol.. Ary hoy ny Kônsily voalohan’i Vatikana manazava :
Ao anatin’ny hatsaram-pony sy noho ny heriny mahefa ny zavatra rehetra, tsy hoe mba hampitombo ny hasambarany, na hoe mba hahazo ny fahalavorariany, fa mba haneho izany amin’ny alalan’ireo haren-tsoa izay omeny ny zavaboariny, io Andriamanitra marina tokana io, tao anatin’ny fandaharana malalaka tanteraka, hatrany am-piandohan’ ny fotoana, no nahary indray miaraka avy amin’ny tsy misy ny voary roa tonta, dia ny manam-panahy sy ny manam-batana izany DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny Voninahitr’Andriamanitra dia ny hahatanteraka io fanehoana sy fampitana ny hatsaram-pony io, izay ho amin’izany no nahariana an’izao tontolo izao. Ny hanao antsika ho “zanaka atsangana amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy : izany no fandaharana feno fitiavan’ny sitrapony ho famirapiratan’ny voninahitry ny fahasoavany” (Efez 1,5-6) : “Satria ny olona velona no Voninahitr’Andriamanitra, ary ny fahitana am-panahy an’Andriamanitra no fahaveloman’ny olona: raha ny fanambaràn’Andriamanitra ny Tenany tamin’ ny fahariana aza, efa nahazoan’ny zava-miaina rehetra eto an-tany ny fiainana, vao mainka mampahazo ny fiainana an’izay mahita an’ Andriamanitra ny fisehoan’ny Ray amin’ny alalan’ny Teny” Md Irénée, haer. 4, 20, 7.. Ny tanjom-piafaràn’ny fahariana dia Andriamanitra “izay Mpahary ny zavatra rehetra, hanjary ho “zavatra rehetra amin’izy rehetra” (1 Kôr 15,28), amin’ny fanomezana indray miaraka ny voninahiny sy ny fahasambarantsika” AFF 2..
IV.Ny misterin’ny fahariana
Mahary amim-pahendrena sy amim-pitiavana Andriamanitra
Mino isika fa noarìn’Andriamanitra araka ny fahendreny izao tontolo izao jer. Fah 9,9.. Tsy vokatry ny filana tsinontsinona izany, tsy vokatry ny anjara sy lahatra ary vintana jamba, na vokatry ny kisendrasendra. Mino isika fa avy amin’ny sitrapo malalak’Andriamanitra izay te hampandray anjara ny zavaboary amin’ny fisian-tenany, amin’ny fahendreny ary amin’ny hatsarany, izao tontolo izao : “Fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra ; sitrakao hisy izy ireny, dia nisy izy ireny” (Apôk 4,11). “Akory ity hamaroan’ny tsanganasanao, ry Tompo ! Nataonao tamim-pahendrena avokoa izy rehetra” (Sal 104,24). “Tsara fo amin’ny olona rehetra ny Tompo, miantefa amin’ny tsanganasany rehetra ny fanehoam-pitiavany” (Sal 145,9).
Mahary “avy amin’ny tsy misy” Andriamanitra
Mino isika fa tsy mila na inona na inona efa nisy mialoha na mila fanampiana Andriamanitra mba hahary jer. Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny fahariana koa tsy hoe fipoiram-pisiana ilain’ny fisia-maha-izy an’Andriamanitra tsy akory jer. Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Mahary an-kalalahana “avy amin’ny tsy misy” Andriamanitra DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 3025. :
Inona no tokony hampitolagaga raha zavatra efa nisy mialoha no nakan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ? Ny olona mpanao asa tanana, raha omena akora iray izy, dia afaka manao izay rehetra tiany hatao amin’izany. Fa ny herin’Andriamanitra kosa dia miseho indrindra rahefa miainga avy amin’ny tsy misy Izy mba hanao izay rehetra tiany hatao Md Théophile d’Antioche, Autol. 2, 4..
Ny finoana ny fahariana “avy amin’ny tsy misy” dia nohamarinin’ny Soratra Masina ho fahamarinana feno fampanantenana sy fanantenana. Araka izany no nankaherezin’ilay renim-pianakaviana ny zanany fito mirahalahy ho faty martiry :
Tsy fantatro hoe ahoana no nisehoanareo tao an-kiboko ; tsy izaho no nanome fanahy amam-piainana anareo ; tsy izaho no nanambatra ny foto-javatra iforonan’ny tenanareo tsirairay avy. Noho izany, ny Mpahary izao tontolo izao, izay namorona ny taranak’olombelona, sy niandohan’ny zavatra rehetra, dia mbola hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana, noho ny famindram-pony, satria noho ny fitiavanareo ny lalànany no anaovanareo tsy ho zavatra ny tenanareo ankehitriny (…). Anaka, jereo ny lanitra sy ny tany, diniho izay rehetra ao aminy, ary fantaro fa Andriamanitra no nanao ireny avy amin’ny tsy misy, ary fomba toy izany koa no namoronana ny taranak’olombelona (2 Mak 7,22-23.28).
Satria afaka mahary avy amin’ny tsy misy Andriamanitra, dia afaka koa Izy, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, manome aim-panahy ho an’ny mpanota, amin’ny fahariana fo madio tsy misy pentina ao aminy jer. Sal 51,12., sy manome aim-batana ho an’ny nodimandry, amin’ny alalan’ny Fananganan-ko velona, Izy “izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy ho amin’ny fisiana” (Rôm 4,17). Ary satria, amin’ny alalan’ny Teniny, afaka mampamirapiratra ny hazavana ao anatin’ny haizina jer. Jen 1,3. Izy, afaka koa manome ny fahazavan’ny finoana an’ireo izay tsy mahalala izany jer. 2 Kôr 4,6..
Tontolo mirindra sy tsara no noarìn’Andriamanitra
Noho Andriamanitra nahary tamim-pahendrena, dia mirindra ny voary manontolo : “Nalaminao am-patrany, an-drefiny, an’isany ary an-danjany ny zavatra rehetra” (Fah 11,20). Natokana sy miantefa amin’ny olombelona endrik’Andriamanitra jer. Jen 1,26. ny voary manontolo, dia ny olombelona izay voantso hifandray manokana amin’Andriamanitra, noho ireo voary manontolo noarìna tao amin’ny Teny mandrakizay sy tamin’ny alalany, dia ilay Teny “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” (Kôl 1,15). Ny saintsika, mifandray amin’ny fahaizan’ny Sain’Izy Andriamanitra, dia afaka mahazo an-tsaina izay ambaran’Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’ny voariny jer. Sal 19,2-5., na marina aza fa mitaky ezaka lehibe sy ao anaty toe-tsaina feno fanetren-tena sy fanajana manoloana ny Mpahary sy ny tsanganasany izany jer. Jôba 42,3.. Noho ny zavaboary avy amin’ny hatsaran’Andriamanitra, dia mandray anjara amin’ izany hatsarana izany izy (“Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany (…) tsara indrindra izany” : Jen 1,4.10.12.18.21.31). Satria sitrak’Andriamanitra ho fanomezana ho an’ny olombelona ny voary manontolo, ho lova izay natokana ho azy sy nankinina taminy. Imbetsaka ny Fiangonana no tsy maintsy niaro ny hatsaran’ny voary, anisan’izany ny tontolon’ny manam-batana, tontolo hita maso jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 455-463; 800; 1333; 3002..
Mihoatra ambony dia ambony noho ny zavaboary Andriamanitra, nefa eo aminy
Lehibe lavitra noho ny tsanganasany rehetra Andriamanitra jer. Ekl 43,30. : “Ambony lavitra noho ny lanitra ny fiandrianany” (Sal 8,2), “tsy misy fetra mihitsy ny fahalehibeazany” (Sal 145,3). Fa satria Izy no Mpahary tsy refesi-mandidy sy tsy voafatopatotra, foto-piandohan’izay rehetra misy, dia maninteraka hatrany amin’ny faran’izay lalina indrindra amin’ny zavaboariny rehetra Izy : “Ao Aminy no ananantsika ny fiainana, ny fahafaha-mihetsika ary ny fisiana” (Asa 17,28). Araka ny tenin’i Md Augustin : “Ambony noho ny amboniko indrindra Izy, ary lalina noho ny lalina indrindra” Md Augustin, Conf. 3, 6, 11..
Mampaharitra sy mitondra ny zavaboary Andriamanitra
Aorian’ny fahariana, tsy ilaozan’Andriamanitra ho amin’izao fotsiny ny zavaboariny. Tsy ny maha-izy sy ny maha-misy fotsiny no omeny ny zavaboariny, fa ny mampaharitra lalandava ny fisian-tenany, ny manome azy hery manetsika, ary ny mitondra azy hatramin’ny farany. Ny miaiky izany fiankinana tanteraka miolotra amin’ny Mpahary izany, no loharanom-pahendrena amam-pahafahana, loharanon-kafaliana amam-pitokiana :
Eny, tianao avokoa izay rehetra misy, ary tsy misy na inona na inona halanao izay nataonao ; fa raha misy zavatra halanao, dia tsy ho noforoninao izany. Ary ahoana no hisian’ny zavatra iray sy haharetany, raha tsy sitrakao izany ? Na ahoana no nitahirizanao an’izay tsy nantsoinao ? Kanefa mitsimbina ny zavatra rehetra Ianao, satria Anao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo sakaizan’ny fiainana (Fah 11,24-26).
V.Manatanteraka ny fandaharany Andriamanitra : ny fitahian’ Andriamanitra
Manana ny hatsarany sy ny fahalavorariany manokana ny zavaboary, kanefa tsy nataon’ny tanan’ny Mpahary ho tomombana avy hatrany izany. Noarìna amin’ny toetra mizotra tsikelikely (“in statu viae”) mankamin’ny fara fahalavorariana mbola hotratrarina araka izay nanendren’Andriamanitra azy ny zavaboary. Antsointsika hoe fitahian’Andriamanitra ny fandaminana izay itahiany ny zavaboariny mankany amin’io fahalavorariana io :
Miambina sy mitantana amin’ny alalan’ny fitahiany ny zavatra rehetra noarìny Andriamanitra, “mahatratra amin-kery ny fara vazan-tany hatramin’ ny ilany iray ka hatramin’ny ilany iray hafa, ary mandamina ny zavatra rehetra amim-kalemem-panahy” (Fah 8,1). Satria “mihanjahanja sy miharihary eo imasony ny zavatra rehetra” (Heb 4,13), na dia ireo izay hiforona avy amin’ny asa malalaka ataon’ny zavaboary aza Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Mitovy avokoa ny filazan’ny Soratra Masina : azo tsapain-tanana sy eo no eo avy hatrany ny fikolokoloan’ny fitahian’Andriamanitra, mikarakara ny zavatra rehetra, manomboka amin’ny zavatra faran’izay bitika ka hatramin’ ny zavatra lehibe miseho amin’izao tontolo izao sy amin’ny tantara. Amin-kery no ilazan’ny boky masina ny fahefan’Andriamanitra mandidy sy manapaka tanteraka amin’ny fizotran’ny zava-miseho: “Any an-danitra sy eto an-tany ny Andriamanitsika, ka ataony izay rehetra sitrany” (Sal 115,3) ; ary izao no voalaza momba an’i Kristy : “Raha mamoha Izy, tsy misy hahidy, ary raha manidy Izy, tsy misy hahavoha” (Apôk 3,7) ; “Misy fihevitra maro ao am-pon’ny olombelona, fa ny fandaharan’Andriamanitra ihany no ho tanteraka” (Ohab 19,21).
Hita toy izany koa ny Fanahy Masina, mpanoratra voalohany ny Soratra Masina, mazàna milaza an’Andriamanitra ho manao ny asa, fa tsy misy fototra faharoa. Tsy hoe “fomba fiteny” tany am-boalohany tany izany, fa fomba lalina enti-mampahatsiaro ny fahambonian’Andriamanitra sy ny maha-Tompo Azy tanteraka eo amin’ny tantara sy izao tontolo izao jer. Iz 10,5-15; 45,5-7; Det 32,39; Ekl 11,14., ary manabe araka izany amin’ny fitokiana Aminy. Ny vavaka ao amin’ny Salamo no sekoly ambony amin’izany fitokiana izany jer. Sal 22; 32; 35; 103; 138; sns..
I Jesoa dia mangataka ny fitokian-janaka amin’ny fitahian’ny Ray any an-danitra, izay mikarakara hatramin’ny zavatra kely ilain’ny zanany : “Noho izany, aza manahy ianareo manao hoe : inona no hohaninay ? inona no hosotroinay ? (…). Fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo avokoa izany. Koa katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny” (Mt 6,31-33) jer. Mt 10,29-31..
Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fototra faharoa
Andriamanitra no Tompo tsy refesi-mandidy amin’ny fandaharany. Amin’ ny fanatanterahany izany anefa, dia mampiasa koa ny fanampian’ny zavaboary Izy. Tsy midika ho famantaram-pahosana akory izany, fa famantarana ny halehibe sy ny hatsaram-pon’Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra. Satria tsy ny hampisy ny zavaboariny fotsiny no nataon’ Andriamanitra, fa koa ny hasina ahafahan’izy ireo manao asa amam-pihetsika amin’ny alalan’ny tenan’izy ireo ihany, ho antony sy fototra ifampiankinan’ izy ireo amin’ny samy izy ireo, ka iarahan’izy ireo miasa, araka izany, amin’ny fanatanterahana ny fandaharany.
Omen’Andriamanitra ho an’ny olombelona koa aza ny fahazoana mandray anjara an-kalalahana amin’ny fitahiany, amin’ny fanankinany tamin’izy ireo ny andraikitra “hizaka” ny tany sy hanjaka aminy jer. Jen 1,26-28.. Araka izany, omen’ Andriamanitra ny olombelona ny hahatonga azy ho manan-tsaina sy manam-pahafahana, mba hameno ny tsanganasa fahariana, handavorary avy amin’ izany ny firindran’ny soa ho azy ireo sy ho an’ny naman’izy ireo. Noho ny olombelona mpiara-miasa tsy mahazo an-tsaina matetika ny sitrapon’ Andriamanitra, dia afaka miditra amin’ny nahim-po amin’ny drafitr’ Andriamanitra izy ireo, amin’ny alalan’ny asan’izy ireo, ny vavak’izy ireo, nefa amin’ny alalan’ny fijalian’izy ireo koa jer. Kôl 1,24.. Amin’izany indrindra no hahatongavan’izy ireo ho “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” (1 Kôr 3,9) jer. 1 Tes 3,2. sy amin’ny Fanjakany jer. Kôl 4,11..
Fahamarinana tsy azo sarahina amin’ny finoana an’Andriamanitra Mpahary ny hoe : Miasa amin’ny fampiasana amam-panetsehana manontolo ny zavaboariny Andriamanitra. Izy no mpanao voalohany izay miasa ao sy amin’ny alalan’ny fototra faharoa : “Satria Andriamanitra izay miasa ao amintsika no mahatonga antsika sady hanam-piniavana no hiasa mihitsy ho amin’ny fandaharam-pitiavany” (Filip 2,13) jer. 1 Kôr 12,6.. Tsy mampihena velively ny hasin’ny zavaboary fa manandratra azy izany fahamarinana izany. Nalaina avy amin’ny tsy misy tamin’ny alalan’ny hery sy ny fahendrena ary ny hatsaran’Andriamanitra izy, ka tsy mahefa na inona na inona raha sarahina amin’ny foto-piandohany, satria “levona ny zavaboary tsy misy an’ilay Mpahary” FAA 36, § 3. ; vao mainka tsy afaka hahatratra ny tanjom-piafaràny izy, raha tsy misy ny fanampian’ny fahasoavana jer. Mt 19,26; Jo 15,5; Filip 4,13..
Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy
Raha Andriamanitra ilay Ray Mahefa ny zavatra rehetra, Mpahary an’izao tontolo izao milamina sy tsara, no mikarakara ny zavaboariny rehetra, nahoana no misy ny ratsy ? Amin’izany fanontaniana izany, izay sady manery no tsy azo ihodivirana, sady mampijaly no mifono mistery, dia tsy misy valin-teny maika, ampy amaliana azy. Ny fitambaram-pinoan’ny kristianina no mitambatra ho valin’io fanontaniana io : ny hatsaran’ny voary, ny antambon’ny fahotana, ny fitiavan’Andriamanitra mahari-pery izay tonga mialohan’ny olombelona amin’ny alalan’ny fanekem-pihavanany, amin’ny alalan’ny Fahatongavan’ny Zanany ho nofo mitondra fanavotana, amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’ny famoriana ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny herin’ny sakramenta, amin’ny alalan’ny antso ho amin’ny fiainana mahasambatra, izay amin’izany ny voary manam-pahafahana no asaina mialoha hankatò, nefa afaka mandà koa izy ireo, noho ny mistery mampihoron-koditra. Tsy misy tsirin-kevitra avy amin’ny hafatra kristianina izay tsy mitondra ampahana valin-teny amin’ny fanontaniana momba ny ratsy.
Nahoana Andriamanitra no tsy nahary an’izao tontolo izao sady tomombana no tsy misy ratsy ao aminy na dia iray aza ? Araka ny fahefany tsy manam-petra, dia afaka mahary lalandava ny zavatra tsara kokoa hatrany Andriamanitra jer. Md Thomas d’A., s. th. 1, 25, 6.. Kanefa ao anatin’ny fahendreny sy ny hatsarany tsy manam-petra no sitrak’Andriamanitra an-kalalahana nahary izao tontolo izao “amin’ ny toetra mivoatra miandalana” mankany amin’ny fara fahalavorariany. Izany fivoarana miandalana izany, ao anatin’ny fandaharan’Andriamanitra, dia misy miaraka amin’ny fisehoan’ny zavatra sasany ny fanjavonan’ny hafa, misy miaraka amin’ny lavorary indrindra ny tsy lavorary loatra koa, misy miaraka amin’ny fanorenana ny voary ny fandravana koa. Miaraka amin’ny tsara ara-batana dia misy koa izany ny ratsy ara-batana, raha tsy mbola mahatratra ny fahalavorariany koa ny zavaboary jer. Md Thomas d’A., s. gent. 3, 71..
Ny anjely sy ny olombelona, zavaboary manan-tsaina sy manam-pahafahana, dia tsy maintsy mizotra mankany amin’ny anjaran’izy ireo farany amin’ny alalan’ny safidy malalaka sy ny fitiavana manan-tombo. Noho izany, afaka maniasia izy ireo, kanefa, ny tena marina, manota izy ireo. Toy izany no nidiran’ny haratsian-tsaina amam-panahy teto amin’izao tontolo izao, izay ratsy lavitra kokoa, tsy misy azo ampitahana azy amin’ny haratsiam-batana. Na mivantana na tsy mivantana, tsy Andriamanitra velively no antony nahatonga ny haratsian-tsaina amam-panahy jer. Md Augustin, lib. 1, 1, 1; Md Thomas d’A., s. th. 1-2, 79, 1.. Mamela ny ratsy hisy anefa Izy, amin’ny fanajana ny fahafahan’ny zavaboariny, ary, amin’ny fomba mistery, hainy ny misintona ny tsara avy amin’izany :
Satria, ilay Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra (…), noho Izy tsara sy fatratra tokoa, tsy ho namela na oviana na oviana ny ratsy na inona na inona hisy ao anatin’ny tsanganasany raha tsy ampy hery sy tsara Izy mba hamoahana ny tsara avy amin’io ratsy io ihany Md Augustin, enchir. 3, 11..
Araka izany, rahefa ela ny ela, mety ho tsikaritra fa Andriamanitra, ao anatin’ny fitahian’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra, dia afaka misintona zava-tsoa avy amin’ny vokatry ny ratsy, na dia ara-panahy aza, nateraky ny zavaboariny : “Tsy ianareo, hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny, no nandefa ahy taty, fa Andriamanitra ; (…) ny ratsy izay nokasainareo hatao tamiko, dia navadiky ny fandaharan’Andriamanitra ho tsara mba hamonjena ny ain’ny vahoaka maro be” (Jen 45,8; 50,20) jer. Tobia 2,12-18 volg.. Avy amin’ny haratsiam-panahy faran’ny lehibe indrindra amin’izay natao hatr’izay, dia ny fandavana sy ny famonoana ny Zanak’Andriamanitra, vokatry ny fahotan’ny olombelona rehetra, no nisintonan’Andriamanitra, noho ny fahasoavany mihoa-pampana jer. Rôm 5,20., ny lehibe indrindra amin’ny soa : ny fanandratana amim-boninahitra an’i Kristy sy ny Fanavotana antsika. Kanefa, ny ratsy tsy mety ho tsara.
“Ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy” (Rôm 8,28). Tsy mitsaha-manamafy ny fahamarinan’izany ny fanambaràn’ny olomasina :
Araka izany, hoy i Mb Cathérine de Sienne tamin’ “ireo tafintohina sy mikomy amin’izay zava-manjo azy ireo” : “Avy amin’ny fitiavana ny zavatra rehetra, voalahatra ho amin’ny famonjena ny olombelona ny zavatra rehetra, tsy manao na inona na inona afa-tsy ho amin’izany tanjona izany Andriamanitra” Dial. 138.. Ary hoy i Md Thomas More, taloha kelin’ny namonoana azy ho martiry, nampionona ny zanany vavy : “Tsy misy zavatra na inona na inona tongatonga ho azy raha tsy sitrak’Andriamanitra izany. Noho izany, izay rehetra sitrany, na ratsy toy inona aza no fahitantsika an’izany, dia misy ny tsara kokoa ho antsika ao amin’izany” Margarita Roper, Epistula ad Aliciam Alington (mense augusti 1534).. Ary hoy i Lady Julian of Norwich : “Tamin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra no nianarako fa tsy maintsy mifikitra mafy amin’ny finoana aho, ary mino mafy fa ho tsara ny zavatra rehetra … Ary dia ho hitanao fa ho tsara avokoa ny zavatra rehetra.” (“Thou shalt see thyself that all MANNER of thing shall be well” Rev. 13,32..)
Mino mafy isika fa Andriamanitra no Tompon’izao tontolo izao sy ny tantara. Kanefa ny lalan’ny fitahian’Izy Tompo, matetika, no tsy fantatsika. Ary amin’ny farany, rahefa tapitra ny ampahan’ny fahalalantsika, rahefa hahita an’Andriamanitra “mifanatrika” isika (1 Kôr 13,12), no ho fantatsika manontolo ny lalana, izay amin’izany, na dia eo am-pamakivakiana ny antambon’ny ratsy sy ny fahotana aza, no hitondran’Andriamanitra ny zavaboariny hatramin’ny fialan-tsasatr’io Sabata jer. Jen 2,2. mandrakizay io, fa ho an’izany moa no nahariany ny lanitra sy ny tany.
Tamin’ny fahariana an’izao tontolo izao sy ny olombelona no nanehoan’ Andriamanitra ny porofo voalohany sy manenika an’izao tontolo rehetra izao ny fitiavany manan-kery mahefa ny zava-drehetra sy ny fahendreny, ny fanambaràna voalohan’ny “fandaharany feno fitiavana”, izay mahita ny zava-kinendriny amin’ny fahariana vaovao ao amin’i Kristy.
Na dia noheverina indrindra ho ny Ray aza no nisahana ny tsanganasa fahariana, dia fahamarinam-pinoana koa fa ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina no foto-piandohana tokana sy tsy azo sarahina amin’ny fahariana.
Andriamanitra irery no nahary an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, tamin-kalalahana sy mivantana, tsy nisy fanampiana na iray aza.
Tsy misy zavaboary na iray aza manana fahefana tsy manam-petra izay ilaina mba “hahary” araka ny hevi-teny fototry ny teny, izany hoe mahaforona sy mampisy izay tsy nananany mihitsy (miantso ho amin’ny fisiana “avy amin’ny tsy misy” jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.).
Nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra mba haneho sy hampita ny voninahiny. Aoka ny zavaboary handray anjara amin’ny fahamarinany, amin’ny hatsarany ary ny hakantony, izany no voninahitra izay nahatonga an’Andriamanitra ho nahary azy ireo.
Andriamanitra izay nahary an’izao tontolo izao no mampaharitra azy ao anatin’ny fisiana amin’ny alalan’ny Teniny, dia “ilay Zanany, izay manohana an’izao tontolo rehetra izao amin’ny teniny mahefa” (Heb 1,3), sy amin’ny alalan’ny Fanahy Mpahary izay manome ny aina.
Ny Fitahian’Andriamanitra, dia tsy inona fa ny fandaharana amam-pandaminana izay itondrany amim-pahendrena sy amim-pitiavana ny zavaboary rehetra hatrany amin’ny tanjom-piafaràn’izy ireo.
Taomin’i Kristy isika ho amin’ny fahatokian-janaka amin’ny fitahian’ ny Raintsika any an-danitra jer. Mt 6,26-34., ary averin’i Md Piera apôstôly izany : “Ankino Aminy ny tebitebinareo rehetra, fa Izy no miahy anareo” (1 Pi 5,7) jer. Sal 55,23..
Miasa amin’ny asa amam-pihetsiky ny zavaboary koa ny fitahian’ Andriamanitra. Omen’Andriamanitra fahazoana miara-miasa an-kalalahana amin’ny fandaharany ny olombelona.
Ny famelan’Andriamanitra hisian’ny haratsiam-batana sy ny haratsian-tsaina amam-panahy, dia mistery izay hazavainy amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy, Zanany, maty sy nitsangan-ko velona, mba handresy ny ratsy. Ny finoana no manome antsika ny fitokiana marina fa tsy mamela ny ratsy hihatra Andriamanitra raha tsy mahatonga ny soa hivoaka avy amin’io ratsy io ihany Izy, amin’ny lalana izay tsy ho fantatsika tanteraka raha tsy any amin’ny fiainana mandrakizay.
Paragrafy 5. Ny lanitra sy ny tany
Manambara ampahibemaso ny Sembolin’ny apôstôly fa Andriamanitra no “Mpahary ny lanitra sy ny tany” Sembolin’ny Apôstôly, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., ary milaza mazava ny Sembolin’i Nicée-Constantinople fa : “… ny tontolon’ny zava-drehetra na ny hita maso na ny tsy hita maso” Sembolin’i Nicée-Constantinople, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ao amin’ny Soratra Masina, ny fomba fiteny hoe : “lanitra sy tany” dia midika hoe izay rehetra misy, ny voary manontolo. Enti-manondro ny fifandraisana ao anatin’ny voary izay sady mampikambana no mampiavaka ny lanitra sy ny tany koa izany : “Ny tany” no tontolon’ny olombelona jer. Sal 115,16.. “Ny lanitra” na “ireo lanitra”, dia azo anondroana ny habakabaka jer. Sal 19,2., nefa koa ny “toerana” manokana an’Andriamanitra: “Rainay any an-danitra” (Mt 5,16) jer. Sal 115,16., ary noho izany koa, ny “lanitra” no voninahitra any am-parany any. Farany, ny teny hoe “lanitra” dia manondro ny “toeran’ “ny zavaboary ara-panahy - ny anjely – izay manotrona an’Andriamanitra .
Ny fiekem-pinoan’i Kônsily fahefatra tao Latran dia manamafy fa Andriamanitra, “hatrany am-piandohan’ny fotoana, no nahary indray miaraka ny samy voary, avy amin’ny tsy misy, na ny voary ara-panahy na ny voary ara-batana, izany hoe ny anjely sy ny tontolon’ny tany ; manaraka izany, ny olombelona izay zavaboary mandray roa, itambaran’ny fanahy sy ny vatana” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. koa DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum sy SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
I.Ny anjely
Ny fisian’ny anjely – fahamarinam-pinoana
Ny fisian’ny zavaboary fanahy, tsy manam-batana, izay antsoin’ny Soratra Masina amin’ny fiteny mahazatra hoe anjely, dia fahamarinam-pinoana. Sady mazava ny fanambaràn’ny Soratra Masina sy ny firaisan-kevitry ny Lovam-pampianarana momba izany.
Iza moa izy ireo ?
I Md Augustin dia milaza ny momba azy ireo : ny hoe “Anjely” dia enti-manondro ny asa fa tsy ny toetra maha-izy. Manontany ianao hoe ahoana no iantsoana io toetra maha-izy io ? – Fanahy. Manontany ny asany ianao ? – Anjely ; araka ny fisian-tenany, fanahy izy, araka izay ataony, anjely izy” Enarr. in Psal. 103, 1, 15.. Amin’ny maha-izy ny fisian’izy ireo manontolo, ny anjely no mpanompo sy mpitondra ny hafatr’Andriamanitra. Satria izy ireo mibanjina “tsy tapaka ny endriky ny Raiko izay any an-danitra” (Mt 18,10), izy ireo no “mpiasa mpampita ny teniny, sy mahavatra mihaino ny teniny” (Sal 103,20).
Amin’ny maha-voary fanahy fotsiny azy ireo, dia ananany ny saina aman-tsitrapo : zavaboary manana ny maha-izy azy manokana izy ireo jer. Pie XII: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. ary tsy mety maty jer. Lk 20,36.. Ihoaran’izy ireo amin’ny fahalavorariana ny voary rehetra hita maso. Ny famirapiratry ny voninahitr’izy ireo no manaporofo izany jer. Dan 10,9-12..
I Kristy “miaraka amin’ny anjeliny rehetra”
I Kristy no foiben’ny tontolon’ny anjely, izay Azy : “Rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona hotronin’ny anjeliny rehetra …” (Mt 25,31). Azy izy ireo satria noarìna tamin’ny alalany sy ho Azy : “Satria tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany, dia ny hita maso sy ny tsy hita maso : fiandrianana, fiamboniana, fanapahana, fahefana ; Taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra” (Kôl 1,16). Azy tanteraka tokoa izy ireo satria nataony ho mpitondra hafatra amin’ny fandaharam-pamonjeny : “Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra” nirahina hanao fanompoana ho an’ireo izay handova ny famonjena ?” (Heb 1,14).
Teo izy ireo, nanomboka tamin’ny fahariana jer. Joba 38,7, izay niantsoana ny anjely hoe « zanak’Andriamanitra ». sy tamin’ny tantaram-pamonjena manontolo, nanambara mialoha lavitra na akaiky io famonjena io sy nampiasa ny fandaharan’Andriamanitra tamin’ny fanatanterahana izany : nanidy ny varavaran’ny paradisa an-tany izy ireo jer. Jen 3,24., niaro an’i Lôta jer. Jen 19., namonjy an’i Agara sy ny zanany jer. Jen 21,17., nanakana ny tanan’i Abrahama jer. Jen 22,11. ; andraiki-panompoan’izy ireo ny nampita ny lalàna jer. Asa 7,53., nitari-dalana ny Vahoakan’ Andriamanitra jer. Eks 23,20-23., nanambara fahaterahana jer. Mpits 13. sy fiantsoan’Andriamanitra jer. Mpits 6,11-24; Iz 6,6., nanampy ny mpaminany jer. 1 Mpanj 19,5., raha tsy hitanisa afa-tsy ohatra vitsivitsy. Farany, ny Anjely Gabriely no nilaza ny fahaterahan’ilay Mpialoha lalana sy ny an’ny Tenan’i Jesoa jer. Lk 1,11.26..
Manomboka amin’ny Fahatongavana ho nofo ka hatramin’ny Fiakarana any an-danitra, mambomba ny fiainan’ny Teny tonga Nofo ny fitsaohan’ny anjely sy ny fanompoany. Nony “nampiditra ny Lahimatoany teo amin’izao tontolo izao Andriamanitra, dia hoy Izy : “Aoka hitsaoka Azy ny anjelin’ Andriamanitra rehetra” (Heb 1,6). Ny hira fiderana nataon’izy ireo tamin’ny fahaterahan’i Kristy dia tsy nitsahatra manako ao amin’ny hiram-pideran’ny Fiangonana : “Voninahitra ho an’Andriamanitra …” (Lk 2,14). Niaro ny fahazazan’i Jesoa izy ireo jer. Mt 1,20; 2,13.19., nanompo Azy tany an’efitra jer. Mk 1,13; Mt 4,11., nankahery Azy nandritra ny fiadian’aina jer. Lk 22,43., kanefa azon’izy ireo natao ny namonjy Azy teo an-tanan’ny fahavalo jer. Mt 26,53. toa an’i Israely fahiny jer. 2 Mak 10,29-30; 11,8.. Ary dia mbola ny anjely koa no “nitory ny Evanjely” (Lk 2,10) tamin’ny filazana ny Vaovao Mahafalin’ ny Fahatongavana ho nofo jer. Lk 2,8-14., sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona jer. Mk 16,5-7.. Ho eo izy ireo amin’ny fiverenan’i Kristy izay holazain’izy ireo jer. Asa 1,10-11., hiandraiki-draharaha amin’ny fitsaràny jer. Mt 13,41; 24,31; Lk 12,8-9..
Ny anjely eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana
Hatreto ka hatrany, ny fiainan’ny Fiangonana manontolo no mahazo tombon-tsoa avy amin’ny fanampiana mifono mistery sy mahery ataon’ny anjely jer. Asa 5,18-20; 8,26-29; 10,3-8; 12,6-11; 27,23-25..
Ny Fiangonana, amin’ny litorziany, dia miaraka amin’ny anjely mba hidera sy hankalaza an’Andriamanitra amin’ilay antsa manao hoe : Masina, masina, masina …(Vavaka Eokaristika) ; mitalaho ny fanampian’izy ireo izy (tahaka izany ao amin’ny In Paradisum deducant te angeli … fanao amin’ny litorzia ho an’ireo nodimandry OE x 50., na koa ao amin’ny “Antsan’ny Kerobima” raketin’ ny litorzia bizantinina Liturgia byzantina Sancti Ioannis Chrysostomi, Hymnus cherubinorum.), mankalaza manokana ny fahatsiarovana ny anjely sasany izy (Masina Misely, Masina Gabriely, Masina Rafaely, ny anjely mpiambina).
Amin’ny fanombohan’ (fisian’)ny fiainana jer. Mt 18,10. ka hatramin’ny fahafatesana jer. Lk 16,22., dia mambomba ny fiainan’ny olombelona ny fiambenan’izy ireo jer. Sal 34,8; 91,10-13. sy ny fanelanelanan’izy ireo jer. Jôba 33,23-24; Zak 1,12; Tobia 12,12.. “Samy manana anjely iray ho mpiaro sy ho mpiandry azy eo anilany ny mpino tsirairay, mba hitondra azy ho any amin’ny fiainana” Md Basile, Eun. 3,1.. Manomboka eto an-tany no mandray anjara, ao anatin’ ny finoana, amin’ny fiaraha-monina sambatry ny anjely sy ny olombelona, miray ao amin’Andriamanitra, ny fiainana kristianina.
II.Ny tontolo hita maso
Ny Tenan’Izy Andriamanitra rahateo ihany no nahary ny tontolo hita maso araka ny hareny manontolo, ny maha-samihafa azy ary ny filaminany. Asehon’ny Soratra an’ohatra ny tsanganasan’ny Mpahary ho toy ny fitohizan’ny andro enina mandravona ny “asan” ’Andriamanitra, izay mifarana amin’ny “fialan-tsasatra” amin’ny andro fahafito jer. Jen 1,1-2,4.. Ny lahatsoratra masina, amin’ny resaka momba ny fahariana, dia mampianatra ny marina nambaran’Andriamanitra momba ny famonjena antsika jer. FA 11., izay ahafahana “mahalala ny fomba aman-toetra lalin’ny fahariana, ny soatoaviny ary ny tanjony farany izay tsy inona fa ny Voninahitr’Andriamanitra” FF 36. :
Tsy misy na inona na inona raha tsy Andriamanitra Mpahary no mampisy azy. Nanomboka izao tontolo izao rahefa navoakan’ny Tenin’Andriamanitra avy amin’ny tsy misy ; ny zavatra rehetra misy, ny voary manontolo, ny tantara manontolo ny olombelona dia miorim-paka amin’io zava-niseho hatrany am-boalohany io : izany mihitsy no fiandohana izay niorenan’izao tontolo izao, sy nanombohan’ny fotoana jer. Md Augustin, Gen. Man. 1, 2, 4..
Samy manana ny hatsarany sy ny fahalavorariany manokana avy ny voary isanisany. Ho an’ireo tsanganasa tsirairay noarìna tao anatin’ny “henemana”, dia voalaza hoe : “Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.” “Amin’ny fahariana mihitsy no iorenan’ny zava-drehetra araka ny faharetan’izy ireo, ny fahamarinan’izy ireo, ny hatsaran’izy ireo manokana miaraka amin’ny fandaminana azy ireo sy ny lalàna mifehy azy ireo manokana avy” FAA 36, § 2.. Ny voary isan-karazany, ilaina amin’ny fisiany manokana avy, dia maneho, samy araka ny fombany avy, ny tara-pahendrena sy ny hatsarana tsy manam-petran’Andriamanitra. Koa izany indrindra no tsy maintsy anajan’ny olombelona ny hatsarana manokana an’ny zavaboary tsirairay mba hisorohana ny fampiasan-javatra tsy araka ny tokony ho izy, izay manazimba ny Mpahary ary mitarika voka-dratsy mampidi-doza ho an’ny olombelona sy ho an’ny tontolo iainany.
Sitrak’Andriamanitra ny fifampiankinan’ny zavaboary. Ny masoandro sy ny volana, ny sedera sy ny voninkazo kely, ny voromahery sy ny fody : ny fahitana ny hamaroan’ny karazana sy ny tsy fitovian’izy ireo no midika fa tsy misy zavaboary na iray aza mahavita tena. Tsy misy izy ireo raha tsy mifampiankina amin’ny samy izy ireo, mba samy hifameno, amin’ny fanampian’ny samy izy ireo.
Ny hatsaran’ny tontolon’ny zava-drehetra : Ny filaminana sy ny firindran’ ny tontolo noarìna dia vokatry ny faha-samihafa ny zavaboary sy ny fifandraisana misy amin’izy ireo samy izy ireo. Tsapan’ny olona miandalana amin’izany ny lalàna mifehy ny zavaboary. Mampitolagaga ny manam-pahaizana izany. Taratry ny hatsarana tsy manam-petran’ny Mpahary ny hatsaran’ny zavaboary. Tokony hitarika fanajana sy fankatoavan’ny sain’ny olombelona sy ny sitrapony izany.
Ny ambaratongan’ny zavaboary dia voambara araka ny filaharan’ny “andro enina”, izay miainga avy amin’ny kely fahalavorariana ary mipaka amin’ny be fahalavorariana. Tian’Andriamanitra ny zavaboariny rehetra jer. Sal 145,9., ary karakarainy fatratra ny tsirairay, na dia ny fody aza. Kanefa, hoy i Jesoa : “Sarobidy noho ny fody maro ianareo” (Lk 12,6-7), ary koa : “Ambony lavitra noho ny ondry ny olona” (Mt 12,12).
Ny olombelona no tampony amin’ny tsanganasa fahariana. Ny tantara avy amin’ny fitsilovan’Andriamanitra, dia mampiseho izany amin’ny fanavahana mazava tsara ny fahariana ny olombelona amin’ny an’ny zavaboary hafa rehetra jer. Jen 1,26..
Misy fifarimbonana eo amin’ny voary rehetra noho izy ireo manana Mpahary iray ihany, sy noho izy rehetra nalahatra ho amin’ny voninahiny :
Ho deraina anie Ianao, ry Tompo, amin’ny voarinao rehetra indrindra amin’ingahy Masoandro rahalahy, izay taminy no nanomezanao anay ny hazavana amin’ny antoandro tsara izy, mamoaka tara-pahazavana manjelanjelatra aok’izany, ary avy aminao, ilay Avo Indrindra, no anolorany anay izany amin’ny sary an’ohatra …. Ho deraina anie Ianao, ry Tompoko, noho i Rano anabavy, izay tena mahasoa sy tena manetry tena, sarobidy sy madio fitiavana… Ho deraina anie Ianao, ry Tompoko, noho i Tany anabavy sady reninay izay mitondra anay sy mamelona anay, izay mamokatra voankazo isan-karazany miaraka amin’ny voninkazo maro loko sy ny ahitra… Miderà sy mankalazà ny Tompoko ianareo isaory Izy ary manompoa Azy amim-panetren-tena tanteraka Md François d’Assise, cant..
Ny Sabata – fahavitan’ny tsanganasa tanatin’ny “henemana”. Lazain’ny lahatsoratra masina fa “ vitan’Andriamanitra tamin’ny andro fahafito ny asa nataony” ary toy izany “no nahavitan’ny lanitra sy ny tany”, ka tamin’ny andro fahafito Andriamanitra “nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony”, ary nanamasina sy nitsodrano io andro io Izy (Jen 2,1-3). Manankarena fampianarana mahavonjy ireo teny avy amin’ny fitsilovan’Andriamanitra ireo :
Tamin’ny fahariana Andriamanitra dia nametraka fototra sy lalàna izay maharitra ho mafy orina jer. Heb 4,3-4., ka eo ambonin’izany no hahafahan’ny mpino miankina amim-pitokiana, ary ho famantarana sy ho antoky ny fahamarinan’ ny fanekem-pihavanana tsy voahozongozona ataon’Andriamanitra jer. Jer 31,35-37; 33,19-26.. Etsy an-kilany, ny olombelona tokony haharitra tsy hivadika amin’io fototra io, ary hanaja ny lalàna izay nosoritan’ny Mpahary ao amin’izany.
Novitaina mba ho amin’ny Sabata ny fahariana, ka noho izany ho amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fitsaohana an’Andriamanitra. Voasoratra araka ny lalànan’ny fahariana jer. Jen 1,14. ny fanompoam-pivavahana. “Aoka tsy hisy na inona na inona ho tiana mihoatra noho ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny fivavahana ”, hoy ny fitsipik’i Md Benoît Md Benoît, reg. 43, 3., manoro araka izany ny fandaminana marina ny ahiahin’ny olombelona.
Votoatin’ny lalànan’i Israely ny Sabata. Ny mitandrina ny didy, dia tsy inona fa ny mifandray amin’ny fahendrena sy amin’ny sitrapon’Andriamanitra miseho amin’ny tsanganasa fahariany.
Ny andro fahavalo. Fa ho antsika, andro iray vaovao no niposaka : ilay andro Nitsanganan’i Kristy ho velona. Ny andro fahafito no mamarana ny fahariana voalohany. Ny andro fahavalo no anombohan’ny fahariana vaovao. Araka izany, ny tsanganasa fahariana dia tonga amin’ny fara tampony ao amin’ny tsanganasa lehibe indrindra amin’ny fanavotana. Ny ahitan’ny fahariana voalohany ny heviny sy ny tampony dia amin’ny fahariana vaovao ao amin’i Kristy, izay mihoatra noho ny an’ilay voalohany ny famirapirany jer. MR, Andro mialohan’ny Paka 24: vavaka aorian’ny vakiteny voalohany..
Ny anjely dia zavaboary fanahy izay manome voninahitra an’Andriamanitra tsy an-kijanona, ary manatanteraka ny fandaharany amin’ny zavaboary hafa : “Ny anjely dia mandray anjara amin’izay rehetra soa sy tsara ho antsika” Md Thomas d’A., s. th. 1, 114, 3, ad 3..
Manotrona an’i Kristy Tompony ny anjely. Manampy Azy manokana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny fanirahana maha-mpamonjy ny olombelona Azy.
Ny Fiangonana dia manaja ny anjely, izay manampy azy amin’ny fivahiniany ety an-tany, sy miaro ny olombelona rehetra.
Sitrak’Andriamanitra ny maha-samihafa ny zavaboariny sy ny fahatsaran’izy ireo manokana avy, ny fifampiankinan’izy ireo sy ny filaminan’izy ireo. Natokany ho fanasoavana ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ny zavaboary rehetra tsy manam-panahy. Ny olombelona, ary ny voary manontolo amin’ny alalany, dia voatokana ho Voninahitr’Andriamanitra.
Ny manaja ny lalàna voasoratra ao amin’ny fahariana sy ny fifandraisana izay avy amin'ny toetra voa-Janahary ny zavatra rehetra, no fiandoham-pahendrena sy fototry ny môraly.
Paragrafy 6. Ny olombelona
“Andriamanitra nahary ny olombelona mitovy endrika Aminy, mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lehilahy sy vehivavy izy ireo” (Jen 1,27). Mitana toerana manokana eo amin’ny fahariana, ny olombelona : “mitovy endrika amin’Andriamanitra” izy (I) ; amin’ny fomba aman-toetrany manokana dia manakambana ny tontolo ara-panahy sy ny tontolo ara-batana izy (II); noarìna ho “lehilahy sy vehivavy” izy (III) ; nametraka azy ao amin’ny fitiavany Andriamanitra (IV).
I.“Mitovy endrika amin’Andriamanitra”
Amin’ny zavaboary rehetra hita maso, ny olombelona irery no “afaka mahalala sy mitia ny Mpahary azy” FAA 12, § 3.; izy no “hany zavaboary eto an-tany izay sitrak’Andriamanitra ho azy tenany ihany” FAA 24, § 3.; izy irery no voantso hiombona anjara amin’ny fiainan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fahalalana sy ny fitiavana. Ho amin’izany tanjom-piafaràna izany no nahariana azy, ary ao amin’izany ny antony lehibe indrindra amin’ny fahamendrehany :
Inona moa ny antony nanokanana ny olombelona ho amin’izany fahamendrehana lehibe izany ? Ny fitiavana tsy voavidim-bola izay avy amin’izany no nijerenao ny zavaboarinao tao amin’ny Tenanao ihany, ary raiki-pitia taminy Ianao ; satria tamim-pitiavana no naharianao azy, tamim-pitiavana no nanomezanao azy fahafahana hankafy ny Soa mandrakizay avy Aminao Mb Cathérine de Sienne, dial. 13..
Noho ny olombelona tsirairay mitovy endrika amin’Andriamanitra, dia manana ny fahamendrehana maha-olona azy izy : tsy zavatra fotsiny izy fa olona. Afaka mahalala ny tenany izy, afaka mifehy ny tenany sy manolotra ny tenany ary miombona an-kalalahana amin’ny olona hafa ; ary noho ny fahasoavana, dia voantso izy ho amin’ny fanekem-pihavanana amin’ny Mpahary azy, sy hanome Azy valim-pinoana amam-pitiavana izay tsy misy hafa afaka misolo ny toerany amin’izany.
Noarìn’Andriamanitra ho an’ny olombelona jer. FAA 12, § 1; 24, § 3; 39, § 1. ny zavatra rehetra, kanefa ny olombelona noarìny mba hanompo sy ho tia Azy ary hanolotra Aminy ny voary manontolo :
Inona àry no zavaboary nampisianao ka henin-kaja toy izany ? Ny olombelona izany, endrika velona lehibe sady mahatalanjona, sarobidy kokoa eo imason’ Andriamanitra noho ny zavaboary rehetra : ny olombelona izany, ho azy no nisian’ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny fitambaramben’ny zavaboary, ary ho amin’ny famonjena azy no nanaovan’Andriamanitra ho zava-dehibe ho azy hatramin’ny tsy nandalany na dia ny Zanany Lahitokana aza. Satria Andriamanitra tsy mijanona miasa mba hanandratra ny olona hatrany Aminy sy hampipetraka azy eo an-kavanany Md Jean Chrysostome, serm. in Gen. 2, 1..
“Ny tena marina, ao amin’ny misterin’ny Teny tonga nofo ihany no mihamazava tokoa ny misterin’ny olombelona” FAA 22, § 1. :
Mampianatra antsika i Md Paoly fa olona roa no fiandohan’ny taranak’ olombelona rehetra tsy an-kanavaka, dia i Adama sy i Kristy… I Adama voalohany, hoy izy, dia noarìna ho olombelona izay nandray ny aina ; ilay farany dia olona fanahy izay manome ny aina. Ilay voalohany dia noarin’ilay farany izay nandraisany ny fanahy mamelona azy… Ilay Adama faharoa dia nandraikitra ny endriny tao amin’ilay Adama voalohany satria Izy no namolavola azy. Avy amin’izany no andraisany andraikitra sy andraisany ny anarana, mba tsy hamela ho very an’ilay izay nataony mitovy endrika aminy. Adama voalohany, Adama farany : ilay voalohany nanomboka, ilay farany tsy hanam-piafarana. Satria ilay farany no tena voalohany, araka izay voalazany ihany : “Izaho no ilay Voalohany sy ilay Farany” Md Pierre Chrysologue, serm. 117,1-2..
Noho ny fiombonana hatrany am-piandohana, dia miforona ho iray ny taranak’olombelona rehetra. Satria Andriamanitra “namoaka avy amin’ny fototra iray ny taranak’olombelona rehetra” (Asa 17,26) jer. Tobia 8,6. :
Fahitana mahatalanjona no mahatonga antsika hibanjina ny olombelona manontolo ao anatin’ny firaisan’ny fiandohany ao amin’Andriamanitra (…) ; ao anatin’ny firaisan’ny fomba aman-toetrany, itambaran’ny vatana sy ny fanahy maha-olona, izay mitovy ao amin’ny rehetra ; ao anatin’ny firaisan’ny zava-kendreny mivantana sy ny fanirahana azy eo amin’izao tontolo izao ; ao anatin’ny firaisam-ponenany : ny tany, ny harena rehetra avy aminy, izay ny olona rehetra, noho ny zo voa-Janahary, dia afaka mampiasa mba hanampy sy hampivelatra ny fiainany ; ao anatin’ny firaisan’ny tanjom-piafaràny mihoatra ny natoraly : Andriamanitra rahateo ihany, izay Aminy no tsy maintsy kendren’ny rehetra ; ao anatin’ny firaisan’ny fomba amam-pitaovana mba hahatratrarana io tanjom-piafaràna io ; (…) ao anatin’ny firaisan’ny fanavotana azy, nataon’i Kristy ho an’ny rehetra Pie XII, enc. « Summi pontificatus »; jer. koa FFTK 1..
“Izany lalànan’ny firaisan-kinan’ny olombelona sy ny fifankatiavana izany” Pie XII, enc. « Summi pontificatus »., tsy manavaka ny hamaroan-karazan’ny olona, ny kolontsaina ary ny firenena, no manome antoka antsika fa tena mpihavana marina ny olombelona rehetra.
II.“Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ny olombelona”
Ny olombelona, noarìna mitovy endrika amin’Andriamanitra, dia zavaboary sady manana vatana no manana fanahy. Maneho io zava-misy io amin’ny fiteny an’ohatra ny tantara ao amin’ny Baiboly, tamin’ny filazany marina fa “namboarin’Andriamanitra tamin’ny tanimanga ny olombelona ; nofofoiny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zavamananaina ny olombelona” (Jen 2,7). Koa ny olombelona manontolo àry no sitrak’ Andriamanitra .
Matetika, ny teny hoe fanahy ao amin’ny Soratra Masina dia milaza ny ain’olombelona jer. Mt 16,25-26; Jo 15,13. na ny maha-olombelona manontolo jer. Asa 2,41.. Nefa milaza koa, izay tena lalina indrindra ao amin’ny olombelona jer. Mt 26,38; Jo 12,27. sy izay tena sarobidy indrindra ao aminy jer. Mt 10,28; 2 Mak 6,30., ka avy amin’izany no maha-endrik’Andriamanitra azy manokana: “fanahy”, midika hoe: ny foto-pisiana maha-fanahy ao amin’ny olombelona.
Ny vatan’ny olombelona dia mandray anjara amin’ny fahamendrehan’ “ny endrik’Andriamanitra” : tena vatan’olombelona tokoa izy io satria velomin’ ny fanahy maha-olona, ary ny maha-olombelona manontolo no voatokana hanjary ho Tempolin’ny Fanahy jer. 1 Kôr 6,19-20; 15,44-45., ao amin’ny Vatan’i Kristy :
Ny olombelona, vatana amam-panahy, tena iray tsy mivaky tokoa, amin’ny toetran’ny vatany, dia mamory ao amin’ny tenany ihany, ireny singafototry ny tontolon’ny azo tsapain-tanana, izay ahitan’izy ireny araka izany, ao amin’ny olombelona, ny tampon’izy ireny ary ahafahan’izy ireny midera an-kalalahana ny Mpahary azy ireny. Koa fady amin’ny olombelona ny manao tsinontsinona ny fiainana ara-batana. Fa vao mainka aza izy tsy maintsy mihevitra sy manaja ny vatany izay noarìn’Andriamanitra sy tsy maintsy hatsangan-ko velona amin’ny farandro FAA 14, § 1..
Lalina tokoa ny firaisan’ny fanahy sy ny vatana, ka tokony hoheverina hoe “lasitra manome endrika” ny vatana ny fanahy jer. Kôns. Vienne tamin’ny 1312: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. ; izany hoe, noho ny fanahy maha-olona no mahatonga ny vatana izay avy amin’ny foto-javatra ho vatan’ olona sy velona ; ny fanahy sy ny foto-javatra, ao amin’ny olombelona, dia tsy zavaboary anankiroa natambatra tsy akory, fa ny firaisan’izy ireo no mirafitra ho zavaboary tokana ihany.
Ampianarin’ny Fiangonana fa noarìn’Andriamanitra teo no eo avy hatrany ny fanahy maha-olona tsirairay jer. Pie XII, enc. « Humani generis », 1950: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God). - tsy ny ray aman-dreny no “namorona” azy io - ; ampianariny antsika koa fa tsy mety maty izy io jer. Kôns. Latran V tamin’ny 1513: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. : tsy levona izy na misaraka amin’ny vatana aza izy amin’ny fahafatesana, ary hakambana indray amin’ny vatana izay hatsangan-ko velona amin’ny farandro.
Indraindray, hita fa avahana amin’ny aina ny fanahy. Araka izany no ivavahan’i Md Paoly mba ho voatahiry tsy hanan-tsiny ho amin’ny Fahatongavan’ny Tompo avokoa “ny fisian-tenantsika manontolo, ny fanahintsika, ny aintsika ary ny vatantsika” (1 Tes 5,23). Ampianarin’ny Fiangonana fa izany fiavahana izany dia tsy mampiditra fisian-java-droa mifanohitra ao amin’ny aina tsy akory Kôns. Constantinople IV tamin’ny 870: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny hoe “fanahy” dia midika fa ny olombelona dia voatokana hatrany am-pahariana azy ho amin’ny tanjom-piafaràny mihoatra ny natoraly Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. koa FAA 22, § 5., ary ny ainy dia afaka hisondrotra maimaim-poana ho amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra jer. Pie XII, Enc. « Humani generis », 1950: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Fitoviana sy faha-samy hafa sitrak’Andriamanitra
Noarìna ny lehilahy sy ny vehivavy, izany hoe sitrak’Andriamanitra izy ireo : etsy an-daniny, ao anatin’ny fitoviana tanteraka amin’ny maha-samy olombelona azy, ary etsy an-kilany amin’ny maha-samy hafa ny fisian-tenany maha-lehilahy azy sy ny fisian-tenany maha-vehivavy azy avy. Fisiana tsara sy ankasitrahan’Andriamanitra ny “ho lehilahy” na “ho vehivavy” : manana ny fahamendrehana tsy mety foanana ny lehilahy sy ny vehivavy, izay azon’ izy ireo teo no eo avy hatrany tamin’Andriamanitra mpahary azy ireo jer. Jen 2,7.22.. “Mitovy endrika amin’Andriamanitra” ny lehilahy sy ny vehivavy, ka mitovy hasina. Maneho tara-pahendrena amam-pahatsaran’ny Mpahary izy ireo ao amin’ny “fisian-tenany maha-lehilahy” azy ireo sy ao amin’ny “fisian-tenany maha-vehivavy” azy ireo.
Tsy mitovy velively amin’ny endrik’olombelona Andriamanitra. Sady tsy lehilahy Izy no tsy vehivavy. Fanahy madio mangarangarana Andriamanitra, ka tsy misy iavahan’ny maha-lahy sy maha-vavy ao Aminy. Nefa ny : “fahalavorarian’ ” ny lehilahy sy ny vehivavy dia mampiseho taratra ny zavatra tsy manam-petra amin’ny fahalavorarian’Andriamanitra : fahalavorarian’ny reny jer. Iz 49,14-15; 66,13; Sal 131,2-3. sy ny an’ny ray ary ny an’ny mpivady jer. Ôs 11,1-4; Jer 3,4-19..
“Ny iray ho an’ny iray hafa” – “firaisan’ny roa”
Tian’Andriamanitra hifameno sy hifanampy ny lehilahy sy ny vehivavy, noho izy ireo noarìna miaraka. Ny Tenin’Andriamanitra no ahenointsika izany amin’ny alalan’ny andalana samihafa ao amin’ny lahatsoratra masina : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy ; koa ilaina ny hanaovako mpanampy azy mitovy aminy” (Jen 2,18). Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo biby mety ho io “tandrify” ny lehilahy io jer. Jen 2,19-20.. Ny vehivavy izay “namboarin”’Andriamanitra avy tamin’ny taolan-tehezana nosintoniny tao amin’ny lehilahy sy nentiny teo amin’ny lehilahy, no nahatonga ny lehilahy ho nanao hiakam-pigagana, hiakam-pitiavana amam-piombonana hoe : “Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko” (Jen 2,23). Hitan’ny lehilahy ho “izaho” hafa ny vehivavy, amin’ny maha-samy olombelona mitovy ihany.
Natao “ho iray ho an’ny iray hafa” ny lehilahy sy ny vehivavy : tsy hoe “antsasany” sy “tsy feno” no nanaovan’Andriamanitra azy ireo ; noarìny izy ireo ho amin’ny fiombonan’olona, ka amin’izay ny tsirairay mety ho “mpanampy” ho an’ilay iray hafa, satria sady mitovy izy ireo amin’ny maha-olona azy (“taolana avy amin’ny taolako …”) no mifameno amin’ny maha-lahy azy sy maha-vavy azy MD 7.. Amin’ny fanambadiana no anakambanan’ Andriamanitra azy ireo mba hahafahan’izy ireo mampita ny ain’olombelona, amin’ny firaisana ho “nofo iray ihany” (Jen 2,24) : “Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany” (Jen 1,28). Amin’ny fampitan’ny lehilahy sy ny vehivavy izay mpivady sy ray aman-dreny ny ain’olombelona amin’ny taranany, no ifarimbonan’izy ireo amin’ny fomba tokana aman-tany amin’ny tsanganasan’ny Mpahary jer. FAA 50, § 1..
Ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra, dia voantso “hizaka” ny tany jer. Jen 1,28. ny lehilahy sy ny vehivavy, fa “mpitandrim-panan’ ” Andriamanitra. Tsy tokony hanaovana didy jadona sy handravana efa izany fahefana ambony indrindra izany. Noho ny lehilahy sy ny vehivavy mitovy endrika amin’ilay Mpahary “tia ny zavatra rehetra misy” (Fah 11,24), dia voantso izy ireo handray anjara amin’ny Fitahian’Andriamanitra ny zavaboary hafa rehetra. Avy amin’izany ny andraikitr’izy ireo hizaka izao tontolo izao, izay nankinin’Andriamanitra taminy.
IV.Ny olombelona tao am-Paradisa
Tsy hoe noarìna ho tsara fotsiny ny olombelona voalohany, fa natambatra ao anatin’ny fisakaizana amin’ny Mpahary azy sy ao anatin’ny firindra amin’ny tenany ihany sy amin’ny zavaboary manodidina azy, ka ny voninahitry ny fahariana vaovao ao amin’i Kristy no hany mahasongona izany.
Ny Fiangonana, amin’ny fanazavana marina ny fanehoana an’ohatra ny fiteny ara-baiboly araka ny Testamenta Vaovao sy ny Lovam-pampianarana, dia mampianatra fa tao anatin’ny toe-“pahamasinana amam-pahamarinana hatrany am-piandohana” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. no namoronana an’i Adama sy i Eva voalohan-dray aman-drenintsika. Fiombonana anjara amin’ny fiainan’Andriamanitra izany fahasoavam-pahamasinana hatrany am-piandohana izany jer. FF 2..
Amin’ny fisandrahak’io fahasoavana io no manamafy amin’ny lafiny manontolo ny fiainan’ny olombelona. Tsy voatery ho maty jer. Jen 2,17; 3,19. na mijaly sy ory jer. Jen 3,16. ny olombelona, raha mbola nitoetra tao anatin’ny fifandraisana am-po lalina tamin’Andriamanitra izy. Ny firindram-piainana anatin’ny olombelona, ny firindram-piainana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy jer. Jen 2,25., ary farany, ny firindram-piainana teo amin’ny mpivady voalohany sy ny zavaboary manontolo, no nitambatra ho toetra antsoina hoe “fahalavorariana hatrany am-piandohana”.
Ny “fizakana” an’izao tontolo izao izay nomen’Andriamanitra ny olombelona hatrany am-piandohana, dia tanteraka tokoa aloha, tao amin’ny tenan’ny olombelona ihany, ho fifehezany ny tenany. Nadio tsy nisy pentina sady nilamina tamin’ny fisian-tenany manontolo ny olombelona, satria tsy azon’ny fanirian-dratsy jer. 1 Jo 2,16. telo loha izay mitondra azy ho amin’ny hafinaretam-pilan’ny nofo, amin’ny fitsiriritan-karen’ny tany ary amin’ny fanamarinan-tena manohitra ny didim-pahendrena.
Famantarana ny fifankahazarana amin’Andriamanitra, ny nametrahany ny olombelona tao an-jaridaina jer. Jen 2,8.. Niaina tao ny olombelona “mba hiasa ny tany sy hiambina azy” (Jen 2,15) : tsy sazy ny asa jer. Jen 3,17-19., fa fiaraha-miasan’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’Andriamanitra amin’ny fandavorariana ny zavaboary hita maso.
Izany firindra manontolo ny fahalavorariana hatrany am-piandohana izany, izay notsinjovina ho an’ny olombelona araka ny fandaharan’Andriamanitra, no ho very amin’ny fahotan’ireo voalohan-dray aman-drenintsika.
“Andriamanitra ô, nataonao mitovy endrika Aminao ny olombelona, ary nankininao taminy ny fikarakarana an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, mba hanjakany amin’ny voary rehetra, eo am-panompoana Anao, Mpahary azy” MR, vavaka fisaorana IV, 118..
Voatendry mialoha ny olombelona, hanahaka ny endriky ny Zanak’ Andriamanitra tonga olombelona - “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso”(Kôl 1,15), mba ho Lahimatoa maro zandry i Kristy jer. Efez 1,3-6; Rôm 8,29..
“Vatana amam-panahy iray tsy mivaky” FAA 14, § 1. ny olombelona. Antitranterin’ ny fitambaram-pampianaram-pinoana fa ny fanahy maha-olona, izay fanahy tsy mety maty, dia noarìn’Andriamanitra teo no eo avy hatrany.
Ny Fanambaràna no mampahalala antsika ny toe-pahamasinana amam-pahamarinana hatrany am-piandohana nananan’ny lehilahy sy ny vehivavy talohan’ny fahotana : ny fisakaizany tamin’Andriamanitra no loharanom-pahasambarana tamin’ny fiainan’izy ireo tao am-paradisa.
Paragrafy 7. Ny fahalavoana
Soa tsy manam-petra Andriamanitra ary tsara avokoa ny tsanganasany rehetra. Kanefa, tsy misy olona na iza na iza afa-bela amin’ny fahatsapana fijaliana amam-pahoriana, ny ratsy maro be eo anivon’ny zavaboary – izay hita ho mifamatotra amin’ny fetra manokana an’ny zavaboary – ary indrindra amin’ny fanontaniana momba ny haratsian-tsaina amam-panahy. Avy aiza ny ratsy ? “Nikaroka ny amin’izay niavian’ny ratsy aho fa tsy nahita vahaolana”, hoy i Md Augustin Conf. 7, 7, 11., ary tsy hahita ny lalan-kivoahana izany fikatsahany mampahory izany raha tsy ao anatin’ny fibebahana amin’ilay Andriamanitra velona. Satria tsy hazava ny “hevi-miafim-paharatsiana” (2 Tes 2,7) afa-tsy amin’ny fahazavan’ny mistery momba ny fitiavam-bavaka jer. 1 Tim 3,16.. Ny fanambaràna ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy dia sady nampiharihary ny fahabetsahan’ny ratsy no nampiharihary ny fahabetsahana mihoa-pampana ny fahasoavana jer. Rôm 5,20.. Noho izany, tsy maintsy handinika ny fanontaniana momba ny fiandohan’ny ratsy isika eo am-pibanjinan’ny finoantsika an’Ilay izay hany Mpandresy izany jer. Lk 11,21-22; Jo 16,11; 1 Jo 3,8..
I.Ao amin’izay nahabe dia be ny fahotana no nihoa-pampana ny fahasoavana
Ny fisian’ny fahotana
Misy eo amin’ny tantaran’ny olombelona ny fahotana : aim-bery foana ny manandrana tsy te hahalala izany na hanome anaran-kafa an’izany zava-misy saro-pantarina izany. Mba hahatakaran’ny saina ny atao hoe fahotana, dia tsy maintsy manaiky ny fifandraisana lalina misy amin’ny olombelona sy Andriamanitra aloha, satria ivelan’io fifandraisana io, ny faharatsian’ny fahotana dia tsy hiseho miharihary fa tena fandavana sy fanoherana tokoa an’Andriamanitra, no sady mitambesatra eo amin’ny fiainan’ny olombelona sy eo amin’ny tantara.
Ny fisian’ny fahotana, fa indrindra ny fahotana tamin’ny fototra, dia tsy ho voazava afa-tsy amin’ny fitsilovan’ny Fanambaràn’Andriamanitra. Raha tsy misy ny fahalalana izay omen’Andriamanitra antsika, dia tsy afaka hiaiky amim-pahatsorana ny fahotana isika olombelona, ary alaim-panahy hanazava izany fotsiny ho tsy fisian’ny fitomboana, ho fahosana ara-pisikôlôzia, ho fahadisoan-kevitra, ho voka-dratsy tsy maintsy zakaina avy amin’ny tsy fetezan’ny rafi-piaraha-monina, sns. Amin’ny fahalalana ny fandaharan’ Andriamanitra momba ny olombelona, no hany hahatakaran’ny sain’ny olona fa ny fahotana dia fanararaotan-dratsy amin’ny fahafahana nomen’ Andriamanitra ny olombelona, izay nataony hahazoan’izy ireo mitia Azy sy mifankatia.
Ny fahotana tamin’ny fototra – votoatim-pahamarinana tsy azo avela amin’ny finoana
Niaraka tamin’ny fandrosoan’ny Fanambaràna no nihanazava koa ny fisian’ny fahotana. Ny Vahoakan’Andriamanitra tamin’ny Testamenta Taloha, na dia niteny momba ny fangirifiriana avy amin’ny toe-piainan’ny olombelona aza, araka ny tantaran’ny fahalavoana notantaraina ao amin’ny Jenezy, dia tsy afaka nahatakatra ny hevitra fara tampon’io tantara io, izay tamin’ny Fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Jesoa-Kristy ho velona irery vao niharihary jer. Rôm 5,12-21.. Ilaina ny mahalala an’i Kristy ho loharanom-pahasoavana mba hanekena an’i Adama ho loharanom-pahotana. Ny Fanahy-Parakleto, nirahin’i Kristy nitsangan-ko velona, no tonga “handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana” (Jo 16,8) amin’ny fanambaràna an’Ilay izay Mpanavotra amin’izany.
Ny fitambaram-pampianarana momba ny fahotana tamin’ny fototra, dia azo lazaina hoe “ambadiky” ny Vaovao Mahafaly, izay i Jesoa no Mpamonjy ny olona rehetra, ka ny olona rehetra no mila famonjena, ary ny famonjena dia atolotr’i Kristy ho an’ny olona rehetra. Ny Fiangonana izay manana ny fisainan’i Kristy jer. 1 Kôr 2,16., dia mahalala tsara fa tsy afaka hahatsapa ny fanambaràna momba ny fahotana tamin’ny fototra ny olona, raha tsy mahatakatra ny misterin’i Kristy.
Fomba hamakiana ny tantaran’ny fahalavoana
Mampiasa fiteny amin’ny sary an’ohatra ny tantaran’ny fahalavoana (Jen 3), kanefa milaza marina ny zava-nitranga lehibe dia lehibe, zava-nisy efa hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona jer. FAA 13, § 1.. Ny Fanambaràna no mampahafantatra antsika ny fahamarinam-pinoana, fa ny tantaran’ny olombelona manontolo dia voamariky ny fahotana tamin’ny fototra izay nataon’ireo voalohan-dray aman-drenintsika tamin-kalalahana jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Pie XII: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Paul VI, lahateny tamin’ny 11 jolay 1966..
II.Ny fahalavoan’ny anjely
Ao ambadiky ny safidy tsy hanaiky nataon’ireo voalohan-dray aman-drenintsika, dia nisy feo nanangoly, nanohitra an’Andriamanitra jer. Jen 3,1-5., izay nandavo azy ireo ho amin’ny fahafatesana, tamin’ny alalan’ny fitsiriritana jer. Fah 2,24.. Ny fahitan’ny Soratra Masina sy ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana ao amin’io fisiana feo io, dia anjely niongana, antsoina hoe Satana na devoly jer. Jo 8,44; Apôk 12,9.. Ampianarin’ny Fiangonana fa anjely tsara no nataon’Andriamanitra tamin’ ny voalohany. “Marina fa ilay devoly sy ny demony hafa rehetra dia noarìn’ Andriamanitra ho tsara araka ny toetra voa-Janahary, fa izy ireo ihany no namadika ny tenany ho ratsy” Kôns. Latran IV tamin’ny 1215: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Miresaka ny fahotan’ireo anjely ireo ny Soratra Masina jer. 2 Pi 2,4.. Izany “fahalavoana” izany, dia niompana indrindra tamin’ny safidy malalak’ireo zavaboary fanahy ireo, izay nandà tanteraka sy tsy azo nahodina intsony hankamin’Andriamanitra sy ny Fanjakany. Hitantsika ny taratr’izany fikomiana izany ao amin’ny tenin’ny mpaka fanahy tamin’ireo voalohan-dray aman-drenintsika : “Ho tonga tahaka an’Andriamanitra ianareo” (Jen 3,5). “Ny devoly dia mpanota hatrany am-piandohana” (1 Jo 3,8), “rain’ny lainga” (Jo 8,44).
Toetra raikitra tsy azo ovàna amin’ny safidin’ny anjely izany, fa tsy hoe ny tsy fahampian’ny maha-tsy misy fetra ny famindram-pon’Andriamanitra no mety nahatonga tsy hahavoavela ny helok’izy ireo. “Tsy nisy fanenenana ho azy ireo taorian’ny fahalavoana, tahaka ny tsy fisian’ny fanenenana ho an’ny olombelona aorian’ny fahafatesana” Md Jean Damascène, f. o. 2, 4..
Hamarinin’ny Soratra Masina ny fihatran’ny hery mampidi-doza avy amin’ ilay antsoin’i Jesoa hoe “mpamono olona hatramin’ny voalohany” (Jo 8,44), ary nataony hatramin’ny fakàna fanahy hampivily lalana an’i Jesoa amin’ny iraka noraisiny tamin’ny Ray jer. Mt 4,1-11.. “Ny handrava ny tsanganasan’ny devoly no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra” (1 Jo 3,8). Ny voka-dratsy lehibe indrindra aterak’izany tsanganasa izany dia ny fanangolena mamitaka izay nitarika ny olombelona tsy hankato an’Andriamanitra.
Misy fetra ny hery amam-pahefan’i Satana. Zavaboary ihany izy, mahery, noho izy fanahy fotsiny tsy misy fahony, nefa dia zavaboary lalandava : tsy afaka misakana ny fanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Na dia miasa amin’izao tontolo izao aza i Satana, amin’ny alalan’ny fankahalana an’ Andriamanitra sy ny Fanjakany ao amin’i Jesoa-Kristy, ary mitera-pahavoazana lehibe ny asany – amin’ny fomba aman-toetra ara-panahy, ary na dia tsy mivantana aza, amin’ny fomba aman-toetra ara-batana – eo amin’ ny olona tsirairay sy eo amin’ny fiaraha-monina, dia navelan’ny fitahian’ Andriamanitra izay mitantana amin-kery sy amin-kalemem-panahy ny tantaran’ny olombelona sy izao tontolo izao hanan-kery izany asa izany. Mistery lehibe ny famelan’Andriamanitra ny asa fanaon’ny devoly hanan-kery, nefa “fantantsika fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy” (Rôm 8,28).
III.Ny fahotana tamin’ny fototra
Ny sedram-pahafahana
Noarìn’Andriamanitra mitovy endrika Aminy ny olombelona ary nanokana azy ao amin’ny fisakaizany. Noho ny olombelona zavaboary manam-panahy, dia tsy afa-miaina io fisakaizana io izy raha tsy araka ny lamim-pankatoavana an’Andriamanitra amin-kalalahana. Izany no nahatonga ny fandraràna natao tamin’ny olombelona tsy hihinana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, “satria ho faty mihitsy ianao amin’ny andro hihinananao izany” (Jen 2,17). “Ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” (Jen 2,17) dia mampahatsiahy an’ohatra ny faritra tsy azo ihoarana izay tsy maintsy eken’ny olombelona amin-kalalahana sy hajainy amim-pitokiana, amin’ny maha-zavaboary azy. Miankina amin’ny Mpahary azy, ny olombelona ; ny lalànan’ny fahariana sy ny sori-dalana momba ny môraly, izay manitsy ny fampiasana ny fahafahana, no mifehy azy.
Ny voaloham-pahotan’ny olombelona
Namela ho faty tao am-pony ny fitokiana ny Mpahary azy, ny olombelona nalain’ny devoly fanahy jer. Jen 3,1-11., ka tsy nankato ny didin’Andriamanitra, tamin’ny fanararaotan-dratsy ny fahafahany. Avy amin’izany no niforonan’ny fahotana voalohan’ny olombelona jer. Rôm 5,19.. Ny fahotana rehetra aty aoriana, dia ho tsy fanekena an’Andriamanitra sy ho tsy fahampiam-pitokiana ny hatsaram-panahiny.
Tamin’io fahotana io, ny tenan’izy olombelona no tiany kokoa noho Andriamanitra, ka nanebaka an’Andriamanitra tamin’izany izy : avy amin’ ny tenany ihany no nahatonga azy hisafidy hanohitra an’Andriamanitra sy hanohitra ny adidin’ny maha-zavaboary azy, hany ka notoheriny hatramin’ny soa ho an’ny tenany. Natokan’Andriamanitra ho “tahaka Azy masina” tanteraka ao anatin’ny voninahiny ny olombelona, noho izy noforoniny tao anatin’ny toe-pahamasinana. Naniry “te hitovy amin’Andriamanitra” jer. Jen 3,5. anefa izy, tamin’ny alalan’ny fanangolen’ny devoly, saingy “tsy Andriamanitra, fa niseho ho Andriamanitra, ka tsy araka an’Andriamanitra” Md Maxime le Confesseur, ambig..
Nasehon’ny Soratra Masina ny voka-dratsy mahatsiravina avy amin’io tsy fanekena voalohany io. Verin’i Adama sy i Eva teo no eo avy hatrany ny fahasoavam-pahamasinana tao aminy hatrany am-piandohana jer. Rôm 3,23.. Koa natahotra an’ilay Andriamanitra jer. Jen 3,9-10. namoronan’izy ireo sary diso tao an’eritreriny izy ireo, izay sarin’Andriamanitra saro-piaro amin’ny fahefana aman-tombon-tsoany manokana jer. Jen 3,5..
Simba ilay fiainana mirindra nisy azy ireo, firindra izay niorina tamin’ny toe-pahalavorariana hatrany am-piandohana ; simba ilay fahazoana amam-pahafahan’ny saina amam-panahin’ny olombelona mifehy ny tenany jer. Jen 3,7.; gejain’ny fifanolanana ny firaisam-piainan’ny lehilahy sy ny vehivavy jer. Jen 3,11-13. ; manjary tandra vadin-koditry ny fifandraisan’izy ireo ny fitsiriritana sy ny fanjakazakana jer. Jen 3,16.. Tapaka ny rindram-pifandraisana amin’ny zavaboary : manjary tsy mifankahay sy mifahavalo amin’ny olombelona ny zavaboary hita maso jer. Jen 3,17.19.. Noho ny nataon’ny olombelona, manjary milefitra “amin’ny fanompoana ny fahalòvana” (Rôm 8,20) ny zavaboary. Farany, ho tanteraka ny voka-dratsy nambara tamin’ny fomba mazava tsara ny amin’ny tsy fanekena jer. Jen 2,17. : hiverina ho vovo-tany ny olombelona, izay avy amin’izany no namoronana azy jer. Jen 3,19.. Tafiditra eo amin’ny tantaran’ny olombelona manontolo ny fahafatesana jer. Rôm 5,12..
Nanomboka hatramin’io fahotana voalohany io, manafotra an’izao tontolo izao tokoa ny “firohotry” ny fahotana : ny famonoana mpiray tam-po nataon’i Kaina tamin’i Abela jer. Jen 4,3-15. ; ny fahalòvana manenika an’izao tontolo izao noho ny fahotana jer. Jen 6,5.12; Rôm 1,18-32. ; tahaka izany koa, teo amin’ny tantaran’i Israely, niseho matetika ny fahotana, indrindra ny fivadiham-pitokiana an’Andriamanitra tamin’ny fanekem-pihavanana sy ny fandikana ny Lalànan’i Môizy ; taorian’ny Fanavotan’i Kristy koa, niseho tamin’ny fomba maro be ny fahotana, teo anivon’ireo kristianina jer. 1 Kôr 1-6; Apôk 2-3.. Tsy mitsahatra mampahatsiaro momba ny fisehoam-pisiana sy ny fihanaky ny fahotana manerana ny tontolon’ny zavatra rehetra eo amin’ny tantaran’ny olombelona, ny Soratra Masina sy ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana :
Manamarina an’izay asehon’ny Fanambaràn’Andriamanitra amintsika, ny fahalalana azontsika tamim-pahazarana. Satria, rahefa mandinika ny am-pony ny olombelona, dia mahatsapa fa mirona amin’ny ratsy izy, ary safotry ny faharatsiana maro be izay tsy mety ho avy amin’ilay Mpahary azy, soa sy tsara. Matetika, mandà ny fankatoavana an’ Andriamanitra ho foto-piandohany ny olombelona, ka nosimbainy tamin’izany ny didy amam-pandaminana, izay manoro lalana azy any amin’ny faran’ny tanjom-piafaràny, ary noravàny niaraka tamin’izany koa ny firindràna rehetra, na ny ao amin’ny tenany, na ny eo amin’ny fifandraisany amin’ny olon-kafa sy amin’ny voary manontolo FAA 13, § 1..
Vokatry ny fahotan’i Adama amin’ny olombelona rehetra
Voasingotry ny fahotan’i Adama avokoa ny olombelona rehetra. Manamafy izany i Md Paoly : “Noho ny tsy faneken’ny olona iray monja, dia nanjary mpanota ny be sy ny maro (izany hoe ny olona rehetra)” (Rôm 5,19) : “Tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, no nifindran’ny fahafatesana koa tamin’ny olombelona rehetra, noho izy rehetra nanota avokoa…” (Rôm 5,12). Ampifanoherin’ny apôstôly amin’ny maha-manerana ny tontolon’ny zavatra rehetra ny fahotana sy ny fahafatesana, ny maha-manerana ny tontolon’ny zavatra rehetra ny famonjena ao amin’i Kristy : “Tahaka ny hadisoan’ny olona iray monja, izay nitarika fanamelohana ny olon-drehetra, ny tsanganasan’ny fahamarinan’ny olona iray ihany koa (ny an’i Kristy), izay mampahazo ny fanamarinana manome ny fiainana ho an’ny olon-drehetra” (Rôm 5,18).
Mampianatra lalandava ny Fiangonana, amin’ny fanarahany an’izay nolazain’i Md Paoly, fa ny fahoriana mafy izay mitambesatra amin’ny olombelona, sy ny fironan’izy ireo amin’ny ratsy sy amin’ny fahafatesana, dia tsy ho takatry ny saina, raha tsy amin’ny fampifandraisana an’ireny amin’ ny fahotan’i Adama sy ny amin’izay nahatonga azy namindra tamintsika ny fahotana, ka nahavoa antsika rehetra hatrany am-bohoka, sy nahatonga antsika ho “olona maty” jer. Kôns Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Noho izany fitokiana marina amin’ny finoana izany, dia manome ny Batemy ho famelana ny fahotana ny Fiangonana, na dia amin’ny zazakely izay tsy mbola nahavita fahotana inian’ny isam-batan’ olona atao aza jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Nahoana ny fahotan’i Adama no nanjary fahotan’ny taranany rehetra ? Ny taranak’olombelona rehetra ao amin’i Adama dia “toy ny vatana tokan’ny olon-tokana” Md Thomas d’A., mal. 4, 1.. Avy amin’izany maha-“tokana ny taranak’olombelona” izany, no nahatonga ny fahotan’i Adama hahavoa ny olombelona rehetra, dia toraka izany koa no mahatonga ny fahamarinan’i Kristy ho azy rehetra. Saingy, mistery tsy ho takatry ny saintsika tanteraka, ny fifindran’ny fahotana tamin’ ny fototra. Fantatsika tamin’ny alalan’ny Fanambaràna kosa anefa, fa ny toe-pahamasinana amam-pahalavorariana hatrany am-piandohana azon’i Adama, dia tsy hoe ho azy irery ihany, fa ho an’ny olombelona rehetra ; noho izany, na dia fahotan’ny tenany manokana aza no nataon’i Adama sy Eva tamin’ny naneken’izy ireo ny mpaka fanahy, dia ny taranak’olombelona rehetra no voan’io fahotana io, izay nafindran’izy ireo tamin’ny toetra maty hasina jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Fahotana izay hifindra amin’ny fielezana amin’ny olombelona rehetra amin’ny maha-olombelona azy manontolo, izany hoe amin’ny famindrana ny fomba aman-toetra maha-olona tsy manana intsony ilay toe-pahamasinana amam-pahalavorariana hatrany am-piandohana. Koa, izany indrindra no iantsoana ny fahotana tamin’ny fototra hoe “fahotana” avy amin’ny fomba mifanahaka : fahotana “nifindra” fa tsy “natao”, toetra fa tsy asa.
Na mahavoa ny tsirairay manokana aza ny fahotana tamin’ny fototra jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., dia tsy manana toetra manokana maha-fahadisoan’ny isam-batan’olona azy, na dia ny iray monja amin’ny taranak’i Adama aza. Tsy fananana ny toe-pahamasinana amam-pahalavorariana hatrany am-piandohana izany, kanefa tsy simba tanteraka tsy akory ny fomba aman-toetra maha-olombelona fa : maratra amin’ny herin’ny tenany ara-voa-Janahary, milefitra amin’ny tsy fahalalana, amin’ny fijaliana sy amin’ny fanjakan’ny fahafatesana, ary mirona amin’ny fahotana (izany fironana amin’ny ratsy izany no antsoina hoe “fanirian-dratsy”). Ny Batemy, amin’ny fanomezana ny aim-pahasoavan’i Kristy, no manala ny fahotana tamin’ny fototra sy mamerina ny olona amin’Andriamanitra ; saingy ny vokany amin’ny fomba aman-toetra manjary osa sy malemy ary mirona amin’ny ratsy, dia mitohy maharitra ao amin’ny olombelona sy mihantsy azy ho amin’ny adim-panahy.
Tamin’ny taonjato faha-5 indrindra no voafaritra mazava ny fitambaram-pampianaran’ny Fiangonana momba ny fifindran’ny fahotana tamin’ny fototra, ka singanina manokana amin’izany ny herin’ny foto-pandinihan’i Md Augustin nanoherana ny "pélagianisme", ary tamin’ny taonjato faha-16, izay nanoherana ny Fanavaozana prôtestanta. Nihevitra i Pélage, fa afaka hitondra ny fiainany ara-môraly tsara ny olombelona, noho ny hery voa-Janaharin’ny sitrapony malalaka, tsy mila ny fanampian’ny fahasoavan’Andriamanitra akory ; nampihena ny fihatran’ny herin’ny hadisoan’i Adama ho toy ny oha-dratsy fotsiny izy tamin’izany. Mifanohitra amin’izany kosa ny an’ireo mpitarika voalohany ny fanavaozana prôtestanta, izay nampianatra fa ny olombelona dia ratsy hatramin’ny fotony ary nofoanan’ny fahotana tany am-piandohana ny fahafahana amam-pahalalahany ; nampitovian’izy ireo amin’ny fironana amin’ny ratsy (concupiscentia), izay tsy hay resena, ny fahotana nolovàn’ny olombelona tsirairay. Namoaka fanapahan-kevitra manokana ny Fiangonana, tamin’ny Kônsily faharoa tao Orange tamin’ny 529 jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. sy tamin’ny Kônsilin’i Trente tamin’ny 1546 jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., ny amin’ny fahalalana vokatry ny fandinihana naseho momba ny fahotana tamin’ny fototra.
Ady mafy …
Ny fitambaram-pampianarana momba ny fahotana tamin’ny fototra – mifandray amin’ny an’ny Fanavotan’i Kristy – dia mampiseho fomba fijery mahay manavaka sy mandanjalanja mazava tsara ny amin’ny toeran’ny olombelona sy ny asa amam-pitondran-tenany eto amin’izao tontolo izao. Tamin’ny alalan’ny fahotan’ireo voalohan-dray aman-dreny no nahazoan’ny devoly ny fahefana manjaka ihany teo amin’ny olombelona, na dia manana ny fahalalahany aza ny olombelona. Ny fahotana tamin’ny fototra no mitarika “ny fanandevozana eo ambany fahefan’ilay izay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, izany hoe ny devoly” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. koa Heb 2,14.. Ny tsy mahalala ny fananan’ny olombelona fomba aman-toetra voaratra, mirona amin’ny ratsy, dia miteraka hadisoana lehibe eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny pôlitika, ny asa sôsialy jer. CA 25. ary ny fomba fiainana amam-pitondran-tena.
Ny vokatry ny fahotana tamin’ny fototra sy ny fahotana rehetra ataon’ny olombelona tsirairay dia mahatonga toe-piainana mpanota amin’ny fiainan’ izao tontolo izao ankapobeny, izay azo lazaina amin’ilay fomba fitenin’i Masindahy Joany manao hoe : “ny fahotan’izao tontolo izao” (Jo 1,29). Amin’izany fomba fiteny izany no ilazana koa ny hery ratsy manintona ny olona amin’ireo toe-javatra iaraha-miaina sy amin’ireo rafi-piaraha-monina izay vokatry ny fahotan’ny olombelona jer. RP 16..
Izany toe-javatra mahatsiravina misy an’izao tontolo izao izay “mitoetra daholo eo ambany fahefan’ilay ratsy”(1 Jo 5,19) jer. 1 Pi 5,8. izany, no mahatonga ny fiainan’ny olombelona ho ady :
Ady mafy hanoherana ny hery amam-pahefan’ny maizina no manenika ny tantaran’ny olombelona manontolo ; efa hatrany am-piandohana mihitsy no niantombohany, kanefa haharitra hatramin’ny farandro izany, hoy ny Tompo tamintsika. Tafalatsaka ao anatin’io ady io ny olombelona, ka tsy maintsy miady lalandava izy mba hiraiki-po amin’ny tsara ; ary raha tsy miezaka mafy dia mafy izy, omban’ny fahasoavan’Andriamanitra, tsy hahatanteraka ny filaminany ao anaty FAA 37, § 2..
IV.“Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”
Tsy nilaozan’Andriamanitra ny olombelona, taorian’ny fahalavoany. Ny mifanohitra amin’izany aza, fa nantsoin’Andriamanitra izy jer. Jen 3,9. ary nambarany taminy tamin’ny fomba mistery ny fandresena ny ratsy sy ny fanarenana amin’ny fahalavoany jer. Jen 3,15.. “Santatry ny Evanjely” no fiantsoana io andalan-tsoratry ny Jenezy io, noho izy filazana voalohany momba ny Mesia mpanavotra, amin’ny ady ifanaovan’ny bibilava sy Ravehivavy ary ny fandresena farany ho azon’ny tarana-dRavehivavy.
Hitan’ny lovam-pampianarana kristianina ao amin’io andalan-tSoratra Masina io, ny filazana an’i “Adama vaovao” jer. 1 Kôr 15,21-22.45. izay hanonitra be dia be, amin’ ny alalan’ny “fanekeny hatramin’ny fahafatesana eo amin’ny Hazofijaliana” (Filip 2,8), ny tsy faneken’i Adama jer. Rôm 5,19-20.. Ankoatra izany, betsaka ny Aba sy ny mpampianatry ny Fiangonana no manaiky an’ilay vehivavy voalazan’ny “santatry ny Evanjely” ho “Eva vaovao”, dia i Maria, Renin’i Kristy izany. Izy no voalohany, tamin’ny fomba tsy manam-paharoa, nahazo tombon-tsoa tamin’ny fandresen’i Kristy ny fahotana : narovana mialoha izy tsy ho voan’ ny loto rehetra vokatry ny fahotana tamin’ny fototra jer. Pie IX: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., ary tsy nanota na tamin’inona na tamin’inona, nandritra ny fiainany manontolo teto an-tany, noho ny fahasoavana manokana avy amin’Andriamanitra, jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Fa nahoana Andriamanitra no tsy nanakana ny olombelona voalohany tsy hanota ? Izao no avalin’i Md Léon le Grand : “Ny fahasoavana tsy hay ambara avy amin’i Kristy dia manome antsika ny soa tsaratsara kokoa noho izay nesorin’ny fialonan’ny demony tao amintsika” Serm. 73, 4.. Ary i Md Thomas d’Aquin indray nilaza hoe : “Na inona na inona tsy mahatohitra ny amin’ny nanokanana ny fomba aman-toetran’ny olombelona ho amin’ny zava-kinendry ambony kokoa, taorian’ny fahotana. Noho izany, navelan’ Andriamanitra hisy ny ratsy, mba hisintonana avy amin’izany, ny soa lehibe kokoa. Avy amin’izany ny tenin’i Md Paoly hoe : "Teo amin’izay nahabe dia be ny fahotana, no nihoa-pampana ny fahasoavana" (Rôm 5,20). Ary hoy ny hira "Mifalia" (Exultet) hoe : "Endre, nanambina ianao ry hadisoana, fa nahazoana Mpanavotra lehibe aok’izany" Md Thomas d'A., s. th. 3, 1, 3, ad 3.”.
Anjely niongana i Satana na ny devoly sy ny demony hafa rehetra, noho izy ireo nandà an-kitsirano ny hanompo an’Andriamanitra sy ny fandaharany. Fanapahan-kevitra tsy miova intsony izany safidin’izy ireo nanohitra an’Andriamanitra izany. Taominy hiray tsikombakomba aminy ny olombelona mba hikomy amin’Andriamanitra.
“Toe-pahamasinana no naharian’Andriamanitra ny olombelona, nefa voalangolangon’ilay Mpisompatra izy, hatrany am-piandohan’ny tantara, ka nanararaotra ny fahafahany, tamin’ny nitsanganany hanohitra an’ Andriamanitra sy tamin’ny naniriany ho tody amin’ny tanjona tiany hotratrarina ivelan’Andriamanitra” FAA 13, § 1..
Noho ny fahotan’i Adama, amin’ny maha-voalohan’olombelona azy, dia niala tao aminy ny toe-pahamasinana amam-pahalavorariana hatrany am-piandohana, izay noraisiny tamin’Andriamanitra, tsy ho an’ny tenany irery ihany, fa ho an’ny olombelona rehetra.
Fomba aman-toetra maha-olombelona ny olombelona voaratran’ny fahotana voalohany nataon’i Adama sy Eva, no nafindran’izy ireo tamin’ ny taranany, ka tsy nanana ny toe-pahamasinana amam-pahalavorariana hatrany am-piandohana. Ny tsy fananana io toetra io no antsoina hoe “fahotana tamin’ny fototra”.
Vokatry ny fahotana tamin’ny fototra, dia mihaosa sy malemy, manaiky ny tsy fahalalana, ny fijaliana sy ny fandidiam-drafahafatesana, ary mirona amin’ny fahotana (fironana antsoina hoe “fanirian-dratsin’ny nofo”), ny fomba aman-toetra maha-olombelona ny olombelona.
“Tanantsika àry, miaraka amin’ny Kônsilin’i Trente, fa nolovàna miaraka amin’ny fomba aman-toetra maha-olombelona ny olombelona ny fahotana tamin’ny fototra, “tsy tamin’ny fakàna tahaka”, fa “tamin’ny fielezana”, ka araka izany, “samy niharany ny isam-batan’olona”.” SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God).
Soa tsara kokoa noho izay nesorin’ny fahotana tamintsika no azontsika tamin’ny fandresen’i Kristy ny fahotana, fa : “Ao amin’izay nahabe dia be ny fahotana no nihoa-pampana ny fahasoavana”(Rôm 5,20).
“Ity izao tontolo izao ity, amin’ny finoana kristianina, dia naorina sy natao haharitra eo ambany fitahirizan’ny fitiavan’ny Mpahary ; marina, fa lavo teo ambany fanandevozan’ny fahotana izy, kanefa nomontsanin’i Kristy tamin’ny Hazofijaliany sy ny Fitsanganany ho velona, ny fahefan’ ilay Mpisompatra, ary nafahany tamin’izany izao tontolo izao” FAA 2, § 2..
Ny Vaovao Mahafaly : naniraka ny Zanany Andriamanitra
“Fa nony feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna, mba hanafaka izay teo ambanin’ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka” (Gal 4,4-5). Indro ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa-Kristy, Zanak’Andriamanitra jer. Mk 1,1. : Namangy ny vahoakany Andriamanitra jer. Lk 1,68. ; notanterahiny ny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama sy ny taranany jer. Lk 1,55., ary nataony mihoatra noho izay andrasana rehetra : nirahiny ny “Zanany malalany” (Mk 1,11).
Mino sy miaiky isika fa i Jesoa avy any Nazareta, Jody nateraky ny tovovavy taranak’i Israely, tao Betilehema, tamin’ny andron’i Herôda Lehibe mpanjaka sy ny amperora Sezara Aogosta I, mpandrafitra ny asany, maty nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana tao Jerosalema, faha-Pôntsy Pilaty masoivohom-panjakana, nandritra ny fanjakan’ny amperora Tibery, no ilay Zanaka mandrakizain’Andriamanitra tonga olombelona, izay “Andriamanitra no niaviany” (Jo 13,3), “nidina avy tany an-danitra” (Jo 3,13; 6,33), “tonga nofo” (1 Jo 4,2), satria “tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika Izy, ary nahita ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahitokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana (…) Eny, avy amin’ny hafenoany no nandraisantsika fahasoavana miampy fahasoavana” (Jo 1,14.16).
Entanin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina sy taomin’ny Ray isika, ka mino sy miaiky ny amin’i Jesoa hoe : “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Mt 16,16). Eo ambonin’ny vatolampin’izany finoana nambaran’i Md Piera ampahibemaso izany, no nanorenan’i Kristy ny Fiangonany jer. Mt 16,18; Md Léon le Grand, serm. 4,3; 51,1; 62,2; 83,3..
“Mitory ny haren’i Kristy tsy taka-polopolorina” (Efez 3,8)
Ny fampitana ny finoana kristianina, dia ny fitoriana an’i Jesoa-Kristy aloha, mba hitondra ho amin’ny finoana Azy. Hatrany am-piandohana no efa maimain’ny faniriana hitory an’i Kristy ny mpianatra voalohany : “Fa raha izahay, dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay” (Asa 4,20). Ary nitaona ny olona tamin’ny fotoana rehetra nifandimby izy ireo hiditra amin’ny hafaliam-piombonan’izy ireo miaraka amin’i Kristy :
Izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nobanjininay, izay notsapain’ny tananay, dia ny Tenin’ny fiainana ; - fa efa naseho ny fiainana : nahita azy izahay, ary vavolombelon’izany, ka manambara aminareo an’io Fiainana mandrakizay io, izay teo anilan’ny Ray sy naseho taminay - izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hanananareo fiombonana aminay koa ; ary ny fiombonanay, dia ny miaraka amin’ny Ray sy amin’i Jesoa-Kristy Zanany. Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo (1 Jo 1,1-4).
Ny votoatin’ny katesezy : i Kristy
“Zava-dehibe tsy azo avela amin’ny votoatin’ny katesezy ny ahitantsika Olona iray, dia i Jesoa avy any Nazareta, Zanaka Lahitokan’ny Ray (…), izay nijaly sy maty ho antsika, ary nitsangan-ko velona izao, ka miara-miaina amintsika mandrakizay (…). Ny hoe mampianatra katesizy (…) dia : ny mampibaribary ao amin’ny Tenan’i Kristy ny fandaharana rehetra mandrakizay tao amin’Andriamanitra, ny mikatsaka hahazo ny hevitra ambaran’ireo fihetsika sy tenin’i Kristy ary ireo famantarana nataony” CT 5.. Ny tarigetran’ny katesezy dia ny “mampiombona amin’i Jesoa-Kristy : Izy irery no afaka mitondra amin’ny fitiavan’ny Ray ao amin’ny Fanahy sy mampandray anjara antsika amin’ny fiainan’ny Trinite Masina” Ibid.5.
“I Kristy Teny tonga nofo sy Zanak’Andriamanitra, no ianarana amin’ny katesezy – miankina amin’ny fifandraisana Aminy ny sisa rehetra ; ary i Kristy irery ihany no mampianatra, fa ny hafa rehetra dia manao izany amin’ny maha-mpitondra ny teniny, ahazoan’i Kristy mampianatra amin’ny alalan’ny vavan’ilay mitondra teny (…). Ny Katesista rehetra dia tokony ho afaka mampihatra amin’ny tenany ny teny mifono mistery nolazain’i Jesoa hoe : “Tsy avy amiko ny fampianarako, fa avy amin’Ilay izay naniraka Ahy” (Jo 7,16)” Ibid., 6..
Noho izany, izay voantso “hampianatra ny amin’i Kristy” dia tsy maintsy “io tombon-tsoa ambony dia ambony io, izay tsy inona fa ny fahalalana an’i Kristy”, no kendreny aloha ; tsy maintsy “manaiky ho maty antoka amin’ny zavatra rehetra (…) mba hahazo an’i Kristy sy mba ho hita ao Aminy”, ary mba “hahalala Azy, dia Izy, miaraka amin’ny herin’ny fitsanganany ho velona sy ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka tonga tahaka Azy amin’ny fahafatesana, mba hahatratra ny fitsanganana amin’ny maty, raha azo atao” (Filip 3,8-11).
Avy amin’izany fahalalana amim-pitiavana an’i Kristy izany no ipoiran’ny faniriana hanambara Azy, sy “hitory ny evanjely”, ary hitarika ny hafa hanao “eny’” amin’ny finoana an’i Jesoa-Kristy. Nefa atao tsapa koa amin’izany fotoana izany ny filana hahalala tsaratsara kokoa lalandava io finoana io. Mba hahatrarana izany zava-kinendry izany, araka ny filaharan’ny Sembolin’ny finoana, dia haseho aloha ny lohateny lehibe momba an’i Jesoa: Kristy, Zanak’Andriamanitra, Tompo (andalana faha-2). Manaraka izany ny Semboly, izay manambara ny mistery lehibe ny amin’ny fiainan’i Kristy: misterin’ny Fahatongavana ho nofo (andalana faha-3), misterin’ny Pakany (andalana faha-4 sy faha-5), farany, ny misterin’ny fanomezam-boninahitra Azy (andalana faha-6 sy faha-7).
2.“Mino an’i Jesoa-Kristy, Zanany tokana,Tompontsika”
I.Jesoa
“Andriamanitra mamonjy” no dikan’ny hoe Jesoa, amin’ny teny hebrio. Tamin’ny andron’ny Filazana, ny Anjely Gabriely no nanome azy ho anaran-tsamirery ny anarana hoe Jesoa, izay sady milaza ny maha-izy Azy manokana no milaza ny fanirahana Azy jer. Lk 1,31.. Satria “Andriamanitra irery ihany no afaka mamela ny fahotana” (Mk 2,7), dia Izy, izay ao amin’i Jesoa Zanany mandrakizay tonga olombelona no “hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo” (Mt 1,21). Ao amin’i Jesoa-Kristy no amondronan’ Andriamanitra ny tantaram-pamonjena manontolo ho tombon-tsoan’ny olombelona.
Andriamanitra, ao amin’ny tantaram-pamonjena, dia tsy afa-po fotsiny tamin’ny nanafahany an’i Israely “tao an-toeram-panandevozana” (Det 5,6) izay namoahany azy avy tao Ejipta, fa mbola namonjy azy koa tamin’ny fahotan’izy ireo. Satria fanalam-baraka lalandava an’Andriamanitra, ny fahotana jer. Sal 51,6., ka Izy irery ihany no afaka mamela izany jer. Sal 51,11.. Izany no antony tsy nahafahan’i Israely nitady famonjena afa-tsy tamin’ny fitalahoana ny anaran’Andriamanitra Mpanavotra jer. Sal 79,9., teo am-pahatsapana fa mitombo hatrany hatrany ny fihanaky ny fahotana manerana ny tontolon’ny zavatra rehetra.
Ny anarana hoe Jesoa dia midika fa ny anaran’Andriamanitra ihany no ao amin’ny tenan’ny Zanany jer. Asa 5,41; 3 Jo 7. tonga olombelona, ho fanavotana an’izao tontolo izao amin’ny fahotana, sady ho fanavotana mandrakizay. Jesoa no anaran’ Andriamanitra izay hany mitondra famonjena jer. Jo 3,18; Asa 2,21., ka nanomboka tamin’izay dia azon’ny rehetra antsoina Izy, satria miombom-piainana amin’ny olombelona rehetra tamin’ny Fahatongavana ho nofo jer. Rôm 10,6-13., hany ka “tsy misy eto ambanin’ny lanitra anaran-kafa nomena ny olona, hahazoantsika famonjena” (Asa 4,12) jer. Asa 9,14; Jak 2,7..
Nantsoin’ny mpisorombe indray mandeha isan-taona ny anaran’ Andriamanitra Mpamonjy, mba ho fanonerana ny fahotan’i Israely, rahefa namafy ny ràn-tsorona teo amin’ny saron’ny Fiaran’ny fanekena ao amin’ny Masin’ny Masina izy jer. Lev 16,15-16; Ekl 50,22; Heb 9,7.. Ny saron’ny Fiaran’ny fanekena no toerana maneho ny maha-eo an’Andriamanitra jer. Eks 25,22; Lev 16,2; Fan 7,89; Heb 9,5.. Koa raha niteny ny amin’i Jesoa i Md Paoly, hoe : “Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-panonerana amin’ny rany” (Rôm 3,25), dia mampahafantatra izy, fa ao amin’ny maha-olombelona an’i Jesoa, dia “Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Kristy” (2 Kôr 5,19).
Manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra Mpamonjy jer. Jo 12,28. ny Fitsanganan’ i Jesoa ho velona, satria nanomboka tamin’izay, dia ny anaran’i Jesoa no maneho ny hafenoan’ny hery ambony indrindra amin’ “ny anarana mihoatra noho ny anarana rehetra” (Filip 2,9). Atahoran’ny fanahy ratsy ny anarany jer. Asa 16,16-18; 19,13-16. ary amin’ny anarany no anaovan’ny mpianatr’i Jesoa zava-mahagaga jer. Mk 16,17., satria izay rehetra angatahin’izy ireo amin’ny Ray amin’ny anarany, dia homen’ny Ray azy ireo izany jer. Jo 15,16..
Ny anaran’i Jesoa no ao amin’ny votoatin’ny fivavahana kristianina. Ny vavaka litorzika rehetra dia miafara amin’ny rijan-teny hoe “amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Tomponay”. Ao amin’ny hoe “ary nosoavina i Jesoa nateraky ny kibonao” no tonga amin’ny fara tampony indrindra ny fivavahana hoe “Arahaba, ry Maria”. Ny vavaky ny fo any amin’ny Fiangonana tatsinanana antsoina hoe “vavaka amin’i Jesoa”, dia milaza izao: “Jesoa-Kristy, Zanak’ Andriamanitra, Tompo, mamindrà fo amiko mpanota.” Ny teny tokana hoe “Jesoa” no tsy afaka teo am-bavan’ireo kristianina maro be niala aina, tahaka an’i Mb Jeanne d’Arc P. Doncoeur sy Y. Lanhers, La réhabilitation de Jeanne la Pucelle, p.39, 45, 56..
II.Kristy
Ny teny hoe Kristy, dia avy teny grika nandikàna ny teny hebrio hoe “Mesia”, ka “voahosotra” no dikany. Tsy tonga anaran-tsamirerin’i Jesoa io, raha tsy tontosany an-tsakany sy an-davany ny irak’Andriamanitra, izay ambaran’io anarany io rahateo. Satria, tany Israely, dia nohosorana tamin’ny anaran’Andriamanitra ireo izay natokana ho amin’ny iraka avy Aminy. Izany no fahita teo amin’ny mpanjaka jer. 1 Sam 9,16; 10,1; 16,1.12-13; 1 Mpanj 1,39., teo amin’ny mpisorona jer. Eks 29,7; Lev 8,12., ary indraindray tadiavina, teo amin’ny mpaminany jer. 1 Mpanj 19,16.. Ny ho ambony indrindra amin’izany dia ny zavatra manokana momba ny Mesia izay nirahin’Andriamanitra mba hanorina tanteraka ny Fanjakany jer. Sal 2,2; Asa 4,26-27.. Tsy maintsy ho ny Fanahin’ny Tompo jer. Iz 11,2. no hanosotra indray miaraka ny Mesia ho mpanjaka sy ho mpisorona jer. Zak 4,14; 6,13. ary koa ho mpaminany jer. Iz 61,1; Lk 4,16-21.. I Jesoa no nanatanteraka ny fampanantenana momba ny Mesia nandrasan’i Israely amin’ny anjara raharahany telo loha dia ny maha-mpisorona, ny maha-mpaminany ary ny maha-mpanjaka.
Tahaka ny ahaterahan’ilay Mesia nampanantenaina an’i Israely no nilazan’ ny Anjely tamin’ireo mpiandry ondry ny fahaterahan’i Jesoa : “Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo” (Lk 2,11). Hatrany am-piandohana Izy no “Ilay izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny teto amin’izao tontolo izao” (Jo 10,36), torontoronina ho masina jer. Lk 1,35. tao an-kibo virjin’i Maria. Nantsoin’Andriamanitra i Josefa “hampakatra an’i Maria ho vadiny”, izay “nitoe-jaza tamin’ny Fanahy Masina” (Mt 1,20), mba i Jesoa “ilay antsoina hoe Kristy” izay hateraky ny vadin’i Josefa, no ilay Mesia taranak’i Davida (Mt 1,16) jer. Rôm 1,3; 2 Tim 2,8; Apôk 22,16..
Ny fanokanana an’i Jesoa ho Mesia no maneho ny fanirahan’ Andriamanitra Azy. “Ny fanampin’izany dia izay tondroin’io anarany io rahateo ihany, satria ao amin’ny anaran’i Kristy dia tsy ambara amin’ny fomba mivantana Ilay izay manosotra, Ilay izay hosorana, ary ny fanosorana izay anosorana Azy rahateo ihany : Ilay izay manosotra dia ny Ray, Ilay izay hosorana dia ny Zanaka, ary ao amin’ny Fanahy izay fanosorana no anosorana Azy” Md Irénée, haer. 3,18, 3.. Ny fanokanana Azy ho Mesia mandrakizay dia nambara tamin’ny androm-piainany teto an-tany, fony i Joany nanao batemy Azy, rahefa “nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery Izy” (Asa 10,38) “mba hampisehoany Azy amin’i Israely” (Jo 1,31) ho Mesiany. Ny tsanganasany sy ny teniny no hampahafantatra Azy ho ilay masin’ Andriamanitra jer. Mk 1,24; Jo 6,70; Asa 3,14..
Betsaka ny Jody sy ny sasantsasany tamin’ny jentily, izay nizara ny fanantenan’izy ireo, no nahafantatra tao amin’i Jesoa ny toetra fototra an’ilay Mesia “zanak’i Davida”, nampanantenain’Andriamanitra an’i Israely jer. Mt 2,2; 9,27; 12,23; 15,22; 20,30; 21,9.15.. Neken’i Jesoa izany anaram-boninahitra hoe Mesia izany, izay ananany zo rahateo jer. Jo 4,25-26; 11,27., saingy nasiany fepetra ihany, satria mesia araka ny fisainana maha-olombelona loatra jer. Mt 22,41-46., sady ara-pôlitika tokoa jer. Jo 6,15; Lk 24,21. no niheveran’ireo olona sasantsasany niara-belona Taminy, ny maha-mesia Azy.
Noraisin’i Jesoa ny fiekem-pinoan’i Piera izay nahafantatra Azy ho Mesia, tamin’ny nilazany ny fijaliana tsy ho ela hanjo ny Zanak’olona jer. Mt 16,16-23.. Naborany ny tena votoatin’ny fiandrianana maha-Mpanjaka ny Mesia, izay sady ao amin’ ny maha-Zanak’Olona Azy ambony tsy taka-polopolorina “izay nidina avy tany an-danitra” (Jo 3,13) jer. Jo 6,63; Dan 7,13., no ao amin’ny maha-iraka mpanavotra Azy isehoany ho Mpanompo mijaly : “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro” (Mt 20,28) jer. Iz 53,10-12.. Noho izany, ny tena hevitra fonosin’ny fiandrianana maha-Mpanjaka Azy, dia tsy niseho raha tsy teo amin’ny Hazofijaliana jer. Jo 19,19-22; Lk 23,39-43.. Koa aorian’ny Fitsanganany ho velona ihany vao ho afaka ambaran’i Piera eo anatrehan’ny Vahoakan’Andriamanitra ny fiandrianana maha-Mesia Mpanjaka Azy : “Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy” (Asa 2,36).
III.Zanaka Lahitokan’Andriamanitra
Ny hoe Zanak’Andriamanitra, ao amin’ny Testamenta Taloha, dia anaram-boninahitra nomena ny anjely jer. Det (LXX) 32,8; Jôba 1,6., ny vahoaka Voafidy jer. Eks 4,22; Ôs 11,1; Jer 3,19; Ekl 36,14; Fah 18,13., ny zanak’i Israely jer. Det 14,1; Ôs 2,1. ary ny mpanjakan’izy ireo jer. 2 Sam 7,14; Sal 82,6.. Midika izany fa zanaka atsangana, izay miorina amin’ny fifandraisana ao anatin’ny fisakaizana lalina manokana eo amin’ Andriamanitra sy ny zavaboariny. Koa rahefa tenenina hoe “zanak’ Andriamanitra” jer. 1 Tan 17,13; Sal 2,7., ilay Mpanjaka-Mesia nampanantenaina, dia tsy voatery hidika fa mety mihoatra noho ny olombelona, araka ny hevitra ara-bakitenin’ io teny io. Ireo izay niteny an’i Jesoa toy izany araka ny maha-Mesian’i Israely jer. Mt 27,54. Azy, dia mety tsy te hilaza Azy ho olona ambony tokoa jer. Lk 23,47..
Tsy mitovy amin’izany ny an’i Piera raha niaiky izy fa i Jesoa no “Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Mt 16,16), satria novalian’i Jesoa tamin’ny fomba manetriketrika hoe : “Tsy avy amin’ny nofo aman-dra no nahatonga izany fanambaràna izany tao aminao, fa avy amin’ny Raiko izay any an-danitra” (Mt 16,17). Raha ampitoviana, izao no holazain’i Paoly ny amin’ny fibebahany teny an-dalana ho any Damasa : “Nony sitrak’Andriamanitra Ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany, ny hanambara ao anatiko ny Zanany, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily…” (Gal 1,15-16). “Teo no eo ihany dia nankao amin’ny sinagôga izy nitory an’i Jesoa, tamin’ny fanaovana antso avo fa Izy no Zanak’Andriamanitra” (Asa 9,20). Hatrany am-piandohana jer. 1 Tes 1,10., izany no ho votoatin’ny finoana apôstôlika jer. Jo 20,31. ambaran’i Piera ampahibemaso aloha, ho fototra iorenan’ny Fiangonana jer. Mt 16,18..
Matoa i Piera afaka nahalala ny toetra mihoatra ny tsapa sy ny hita maha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa Mesia, dia i Jesoa no namela azy hahazo an-tsaina izany amin’ny fomba mazava. Teo anatrehan’ny Sanedrina, tamin’ny fanontaniana napetrak’ireo mpiampanga Azy hoe : “Zanak’Andriamanitra izany Ianao ?”, dia novalian’i Jesoa hoe : “Voalazanareo tsara, Izaho no Izy” (Lk 22,70) jer. Mt 26,64; Mk 14,62.. Efa taloha lavitra izany no nilaza ny Tenany ho “ilay Zanaka” izay mahalala ny Ray Izy jer. Mt 11,27; 21,37-38., izay miavaka amin’ny “mpanompo” nirahin’ Andriamanitra fahiny ho eo amin’ny vahoakany jer. Mt 21,34-36., ambony noho ny anjely amin’ny maha-anjely ny anjely jer. Mt 24,36.. Navahany tamin’ny maha-zanaka ny mpianany ny maha-Zanaka Azy ka tsy niteny na oviana na oviana Izy hoe “Raintsika” jer. Mt 5,48; 6,8; 7,21; Lk 11,13., fa fony Izy nanome baiko azy ireo nanao hoe : “Mivavaha toy izao ianareo : Rainay” (Mt 6,9) ; ary dia nantitranteriny io fiavahana io : “Ny Raiko sy ny Rainareo” (Jo 20,17).
Taterin’ny Evanjely amin’ny fotoana roa manetriketrika, dia ny Batemy sy ny Fiovàn-tarehin’i Kristy, ny feon’ny Ray izay manondro Azy ho ilay “Zanany malalany” jer. Mt 3,17; 17,5.. Ny Tenany ihany no tondroin’i Jesoa ho “ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra” (Jo 3,16) ary hamafisiny amin’ny alalan’izany anaram-boninahitra izany ny fisiany mialoha hatramin’ny mandrakizay jer. Jo 10,36.. Nitaky ny finoana “amin’ny anaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra tokana” (Jo 3,18) Izy. Izany fiekena kristianina izany dia efa niseho tao amin’ny hiakam-pahatairana nataon’ilay kapiteny nitsangana nanandrify an’i Jesoa teo amin’ny Hazofijaliana : “Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io!” (Mk 15,39). Ao amin’ny misterin’ny Paka ihany ny mpino no afaka hanome ny hevitra fara tampony amin’ny anaram-boninahitra hoe “Zanak’ Andriamanitra”.
Taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa ho velona no niseho tao anatin’ny hery maha-Olombelona nomem-boninahitra Azy, ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy : “Araka ny Fanahin’ny fahamasinana, dia naharihary tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra Izy, tamin’ny Fitsanganany ho velona avy amin’ny maty” (Rôm 1,4) jer. Asa 13,33.. Ho afaka hiaiky ny apôstôly hoe : “Nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra izay ananany avy amin’ny Ray amin’ny maha-Zanaka Lahitokana Azy, izay sady feno fahasoavana sy fahamarinana” (Jo 1,14).
IV.Tompo
Ao amin’ny dikan-teny grikan’ny bokin’ny Testamenta Taloha, ny Anarana tsy hay ambara hoe YHWH, izay nanambaràn’Andriamanitra ny Tenany tamin’i Môizy jer. Eks 3,14., dia nadika hoe Kyrios (“Tompo”). Noho izany, ny hoe Tompo dia nanjary Anarana mahazatra indrindra mba hanondroana ny maha-Andriamanitra ny Andriamanitr’i Israely. Ny Testamenta Vaovao dia mampiasa ny hevi-baventy momba ny Anarana hoe “Tompo” sady ho an’ny Ray, nefa koa, ary izany no zava-baovao, ho an’i Jesoa izay ekena araka izany ho Andriamanitra rahateo ihany jer. 1 Kôr 2,8..
I Jesoa rahateo ihany no nametaka izany Anarana izany tamin’ny Tenany amin’ny fomba somary misarontsarona rahefa miady hevitra amin’ny Farisianina momba ny hevitry ny Salamo 110 Izy jer. Mt 22,41-46; jer. koa Asa 2,34-36; Heb 1,13., nefa kosa amin’ny fomba mibaribary rahefa miresaka amin’ny apôstôliny jer. Jo 13,13.. Nandritra ny fiainany manontolo ampahibemaso, ny fihetsiny maneho fahefana mandidy ny zavaboary, ny aretina maro, ny demony, ny fahafatesana ary ny fahotana, dia nampiseho ny fahefana ambony indrindra maha-Andriamanitra Azy.
Matetika tokoa, ao amin’ny Evanjely ao, misy olona manatona an’i Jesoa amin’ny fiantsoana Azy hoe “Tompo”. Io anaram-boninahitra io dia manaporofo ny fanajana sy ny fitokian’ireo izay manatona an’i Jesoa ary miandry vonjy sy fahasitranana avy Aminy jer. Mt 8,2; 14,30; 15,22; sns. Eo ambany fanentanan’ny Fanahy Masina, io anarana io dia maneho ny fiekena ny mistery maha-Andriamanitra an’i Jesoa jer. Lk 1,43; 2,11.. Amin’ny fihaonana amin’i Jesoa nitsangan-ko velona, dia tonga fitsaohana io anarana io : “Tompoko sy Andriamanitro !” (Jo 20,28). Noho izany, io anarana io dia mifono fiitaran-kevitra hoe fitiavana sy fankamamiana, izay hanjary ho lovam-panahy manokana an’ny kristianina: “Ny Tompo io !” (Jo 21,7).
Ny fiekem-pinoana voalohany an’ny Fiangonana, amin’ny fanomezana an’i Jesoa ny anaram-boninahitr’Andriamanitra hoe Tompo, dia manamafy, hatrany am-piandohana jer. Asa 2,34-36., fa ny fahefana, ny haja sy ny voninahitra omena an’ Andriamanitra Ray, dia omena an’i Jesoa jer. Rôm 9,5; Tito 2,13; Apôk 5,13. koa, satria avy amin’ny “fomban’ Andriamanitra” Izy (Filip 2,6) ary nasehon’ny Ray izany fahefana ambony indrindra an’i Jesoa izany tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty sy tamin’ny nanandratany Azy ao amin’ny voninahiny jer. Rôm 10,9; 1 Kôr 12,3; Filip 2,9-11..
Ny fankatoavana ny maha-Tompon’izao tontolo izao sy ny tantara an’i Jesoa jer. Apôk 11,15., hatrany am-piandohan’ny tantara kristianina, dia midika ho fanekena koa fa tsy tokony hampilefitra ny fahafahany manokana mihitsy ny olombelona, manoloana ny manam-pahefana eto an-tany na iray aza, afa-tsy amin’Andriamanitra Ray sy amin’i Jesoa-Kristy Tompo ihany : tsy i Sezara akory no “Tompo” jer. Mk 12,17; Asa 5,29.. “Mino ny Fiangonana (…) fa ny fanalahidy sy ny foibe ary ny fiafaran’ny tantara rehetra momba ny olombelona dia hita ao amin’ny Tompony sady Mpampianany” FAA 10, § 2; jer. koa 45, § 2..
Voamariky ny anaram-boninahitra hoe “Tompo”, ny fivavahana kristianina, na amin’ny fanaingana ny vavaka hoe : “Ho aminareo anie ny Tompo”, na amin’ny famaranana ny vavaka hoe : “Amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Tomponay”, na koa amin’ny antso mafy feno fitokiana sy fanantenana hoe : “Maran atha” (“Ho avy ny Tompo !”) na “Marana tha” (“Tongava, ry Tompo !”) (1 Kôr 16,22) ; “Amen, avia, ry Jesoa Tompo !” (Apôk 22,20).
Ny anarana hoe Zanak’Andriamanitra dia mampahafantatra ny fifandraisana tsy manam-paharoa sy mandrakizay eo amin’i Jesoa-Kristy sy Andriamanitra Rainy : Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray jer. Jo 1,14.18; 3,16.18. sady Andriamanitra rahateo ihany jer. Jo 1,1.. Ny mino fa i Jesoa-Kristy no Zanak’ Andriamanitra dia ilaina mba haha-kristianina jer. Asa 8,37; 1 Jo 2,23..
Manambara ny fahefana ambony indrindra an’Andriamanitra ny anarana hoe Tompo. Ny miaiky na ny miantso an’i Jesoa ho Tompo, dia ny mino ny maha-Andriamanitra Azy. “Tsy misy afa-milaza hoe " i Jesoa no Tompo", raha tsy amin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3).
3.“Noforonin’ny Fanahy Masina i Jesoa-Kristy, naterak’i Maria Virjiny”
Paragrafy 1. Tonga olombelona ny Zanak’Andriamanitra
I.Nahoana ny Teny no tonga nofo?
Miara-mamaly amin’ny Fiekem-pinoana tao "Nicée-Constantinople" isika, amin’ny fiekena hoe : “Ho antsika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra ; ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy noho ny herin’ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Tonga nofo ny Teny mba hamonjy antsika, amin’ny fampihavanana antsika amin’Andriamanitra : “Fa Andriamanitra no tia antsika sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana amin’ny fahotantsika” (1 Jo 4,10). “Naniraka ny Zanany ny Ray, ho Mpamonjin’izao tontolo izao” (1 Jo 4,14). “Fa Izy io no niseho, dia mba hanala ny fahotana” (1 Jo 3,5) :
Marary ny tenantsika, ka mila sitranina ; lavo, ka mila harenina ; maty, ka mila hatsangana ho velona. Nariantsika ny fananana ny soa sy ny tsara, ka tsy maintsy honerantsika izany. Voahidy tao anatin’ny maizina isika, ka mila hitondrana fahazavana ; babo an’ady isika, ka miandry mpamonjy ; migadra isika, ka miandry vonjy ; andevo isika, ka miandry mpanafaka. Tsy nisy lanja ve ireo antony notanisaina ireo ? Tsy mendrika hampangoraka an’ Andriamanitra ve ireo, ka nampidina Azy ho tonga hatramin’ny toetra amam-pomba maha-olona antsika mba hamangy antsika, noho ny olombelona nihitsoka tanatin’ny toetra fadiranovana loatra sy mampahonena fatratra Md Grégoire de Nysse, or. Catech. 15. ?
Tonga nofo ny Teny mba hahalalantsika amin’izany ny fitiavan’ Andriamanitra : “Izao no nisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra antsika : nirahiny ho eo amin’izao tontolo izao ny Zanany Lahitokana, mba hahavelona antsika amin’ny alalany” (1 Jo 4,9). “Fa notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very na iza na iza mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay” (Jo 3,16).
Tonga nofo ny Teny mba ho môdelintsika amin’ny fahamasinana : “Ento ny jiogako, ary mianara amiko…” (Mt 11,29). “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona tonga amin’ny Ray afa-tsy amin’ ny alalako” (Jo 14,6). Ary ny Ray, teo an-tendrombohitry ny Fiovàn-tarehy, nandidy hoe : “Henoy Izy” (Mk 9,7) jer. Det 6,4-5.. Izy izany no môdelin’ny hasambarana sy ny fitsipiky ny Lalàna vaovao : “Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” (Jo 15,12). Mifaningotra amin’ny fanoloran-tena tokoa amin’ny fanarahan-dia Azy izany fitiavana izany jer. Mk 8,34..
Tonga nofo ny Teny mba hahatonga antsika ho “mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra” (2 Pi 1,4) : “Fa toy izao ny antony nahatonga olombelona ny Teny, sy nahatonga ny Zanak’Andriamanitra, ho Zanak’olona : ny mba hahatonga ny olombelona ho zanak’Andriamanitra, amin’ny fiombonana amin’ny Teny sy amin’ny fandraisana avy amin’izany ny maha-zanak’Andriamanitra” Md Irénée, haer. 3, 19, 1.. “Satria tonga olombelona ny Zanak’ Andriamanitra mba hahatonga antsika ho Andriamanitra” Md Athanase, inc. 54, 3.. “Ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, mankasitraka ny handraisantsika anjara amin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia nizaka tao Aminy ny fomba aman-toetrantsika, mba hahatonga Azy ho olombelona, ka hanandratra ny olombelona ho andriamanitra,” Md Thomas d’A., opusc. 57 in festo Corp. Chr. 1..
II.Ny Fahatongavana ho nofo
Nandray ny fitenin’i Md Joany (hoe : “Tonga nofo ny Teny” : Jo 1,14) ny Fiangonana, ka miantso hoe “Fahatongavana ho nofo” tamin’ny nizakan’ny Zanak’Andriamanitra tao Aminy ny fomba aman-toetran’olombelona, mba hanatanterahana ao amin’izany ny famonjena antsika. Ao amin’ny antsa iray nambaran’i Md Paoly no ihiran’ny Fiangonana ny misterin’ny Fahatongavana ho nofo :
“Manàna eo aminareo samy ianareo izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao : na tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny. Fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona. Tamin’ny fisehoany rehetra ho olombelona, dia nilatsa-tenany ho ambany dia ambany Izy, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana !” (Filip 2,5-8) jer. LH, tonon-kira amin’ny Vavaka harivan’ny alahady..
Miteny izany mistery izany koa ny Taratasy ho an’ny Hebrio :
Noho izany indrindra, nony niditra teto amin’izao tontolo izao i Kristy, dia nilaza hoe : Tsy nilainao ny sorona na ny fanatitra ; fa namboatra vatana ho Ahy Ianao. Tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota. Ka hoy aho hoe : Inty aho tonga (…) hanao ny sitraponao (Heb 10,5-7, mitanisa ny Sal 40,7-9, dikan-tenin’ny Fitopololahy LXX).
Ny finoana ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo marina tokoa no famantarana mampiavaka ny finoana kristianina : “Izao no ahafantarana ny fanahy avy amin’Andriamanitra : Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga nofo i Jesoa-Kristy dia avy amin’Andriamanitra” (1 Jo 4,2). Toy izao ny hafaliam-pieken’ny Fiangonana hatrany am-piandohany, rahefa mihira “ny mistery lehibe momba ny fitiavam-bavaka” izy : “Niseho tao amin’ny nofo Izy” (1 Tim 3,16).
III.Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa
Ny fisehoan-javatra tokana aman-tany sy miavaka tanteraka amin’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo dia tsy midika fa i Jesoa-Kristy dia nisy ampahany Andriamanitra sy ampahany olombelona, na vokatry ny fifangaroana mifanjevon’ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona. Sady tonga olombelona marina tokoa Izy no mijanona ho Andriamanitra marina tokoa. I Jesoa-Kristy dia tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa. Tsy maintsy narovan’ny Fiangonana izany fahamarinam-pinoana izany, ary nazavainy nandritra ireo taonjato voalohany, teo anatrehan’ny fampianaran-diso nampivaona azy.
Tsy dia ny maha-Andriamanitra an’i Kristy loatra no tena nolavin’ireo fampianaran-diso voalohany, fa ny maha-olombelona Azy tokoa (docétisme gnostique). Nanomboka tamin’ny andron’ny apôstôly ny finoana kristianina no nanantitrantitra ny tena Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo tokoa hoe : “tonga tao amin’ny nofo” jer. 1 Jo 4,2-3; 2 Jo 7.. Kanefa tany amin’ny taonjato faha-3, voatery nanamafy ny Fiangonana hanoherana an’i Paul de Samosate, tamin’ny Kônsily novorina tao Antiokia, fa i Jesoa-Kristy dia Zanak’ Andriamanitra amin’ny fomba aman-toetra maha-Izy Azy fa tsy amin’ny fananganan-janaka tsy akory. Ny Kônsily ekiomenika voalohany tao Nicée, tamin’ny taona 325, dia nanambara ampahibemaso tao amin’ny Fiekem-pinoany fa ny Zanak’Andriamanitra dia “nateraka, fa tsy natao, iray fisia-maha-izy (homousios) DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. amin’ny Ray”, ary nanameloka an’i Arius izay nilaza ho marina fa “nivoaka avy amin’ny tsy misy, ny Zanak’Andriamanitra” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., ary “tamin’ny fisia-maha-izy hafa noho ny Ray” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny fampianaran-dison’i Nestorius dia nilaza fa olombelona iray no nikambana amin’ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra ao amin’i Kristy. Teo anatrehan’izany, nanambara ampahibemaso i Md Cyrille d’Alexandrie sy ny Kônsily ekiomenika fahatelo novorìna tao Efezy tamin’ ny taona 431, fa “ny maha-olona ny Teny, miray amin’ny nofo velomin’ny fanahy manan-tsaina hendry, dia tonga olombelona” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny maha-olombelona an’i Kristy dia tsy manana fototra hafa afa-tsy ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra, izay nozakainy tao Aminy sy nanjary Azy hatramin’ny niforonany tao am-bohoka. Araka izany, nanambara ny Kônsily tao Efezy tamin’ny taona 431 fa i Maria dia nanjary Renin’Andriamanitra marina tokoa tamin’ny nahatorontoronina ho olombelona ny Zanak’ Andriamanitra tao an-kibony : “Renin’Andriamanitra izy, saingy tsy amin’ny hoe ny Tenin’Andriamanitra no nisintona avy taminy ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra Azy, fa amin’ny hoe avy amin’i Maria no nahazoan’ny Tenin’Andriamanitra ny vatana masina nasiana fanahy manan-tsaina hendry, tafaray ao amin’ny maha-olona azy, ka izany no ilazana hoe : teraka araka ny nofo ny Teny” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny "monophysites" dia nanamarina fa levona tamin’ny nizakany tao amin’ ny maha-Olona-Andriamanitra amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, ny fomba aman-toetra maha-olombelona tao amin’i Kristy. Izao no nambaran’ny Kônsily ekiomenika fahefatra tao Chalcédoine tamin’ny taona 451, teo anatrehan’izany fampianaran-diso izany :
Eo am-panarahana an’ireo Ray masina, dia mampianatra amim-piombonan-kevitra izahay hanambara ampahibemaso ny Zanaka tokana sy Izy dia Izy ihany, i Jesoa-Kristy Tompontsika, iray fahalavorariana amin’ny maha-Andriamanitra sy fahalavorariana amin’ny maha-olombelona, ilay sady Andriamanitra marina tokoa no olombelona marina tokoa iray ihany, mitambatra ho fanahy manan-tsaina hendry sy vatana, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray araka ny maha-Andriamanitra, iray fombam-pisia-maha-izy amintsika araka ny maha-olombelona, “mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra, afa-tsy amin’ny fahotana” jer. Heb 4,15. ; teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra araka ny maha-Andriamanitra, ary amin’izao andro farany izao, ho antsika sy ny famonjena antsika, naterak’i Maria Virjiny, Renin’ Andriamanitra, araka ny maha-olombelona. Kristy tokana sy tsy miova, Tompo, Zanaka Lahitokana, no tsy maintsy ekentsika amin’ny fomba aman-toetra roa, tsy misy fifangaroana, tsy misy fiovàna, tsy misy fizarazarana, tsy misy fisaratsarahana. Tsy manafoana velively ny firaisan’izy ireo, ny faha-samy hafa ny fomba aman-toetra, fa vao mainka aza voaro sy voatambatra ho ao amin’ny olona tokana ihany sy ny fisia-maha-olona tokana ihany ny toetra manokana an’ny tsirairay DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Taorian’ny Kônsilin’i Chalcédoine, ny olona sasantsasany dia nihevitra ny fomba aman-toetra maha-olombelona an’i Kristy ho karazana foto-javatra momba ny olona manokana fotsiny. Ny Kônsily ekiomenika fahadimy tao Constantinople, tamin’ny taona 553, no nanambara ampahibemaso ho fanoherana azy ireo, hoe : “Tsy misy afa-tsy fisia-maha-olona tokana ihany [na olona] izany, izay i Jesoa-Kristy Tompontsika, iray amin’ny Trinite” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Koa ny rehetra ao amin’ny maha-olombelona an’i Kristy àry dia tokony hampifandraisina amin’ny maha-Olona-Andriamanitra Azy ho amin’ny foto-javatra momba Azy manokana jer. efa tamin’ny Kôns. Ephèse: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., ka tsy ny zava-mahagaga ihany fa ny fijaliana koa jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. sy ny fahafatesana; izany hoe : “i Jesoa-Kristy Tompontsika, Ilay nofantsihana tao amin’ny nofo, dia Andriamanitra marina tokoa, Tompon’ny Voninahitra, ary Iray amin’ny Trinite Masina” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Miaiky tahaka izany koa ny Fiangonana fa i Jesoa dia tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa tsy azo sarahina. Izy marina tokoa no ilay Zanak’Andriamanitra izay tonga olombelona, ka rahalahintsika, ary tsy mampitsahatra ny maha-Andriamanitra Azy izany, izay Tompontsika :
“Maharitra amin’izay fomba aman-toetra efa tao Aminy Izy, sy mizaka ao Aminy izay fomba aman-toetra tsy tao Aminy”, hoy ny hiran’ny litorzia rômanina In Solemnitate Sanctae Dei Genetricis Mariae; jer. Md Léon le Grand, serm. 21,2.. Ary ny litorzian’i Md Jean Chrysostome dia manambara sy mihira hoe: “Ry Zanaka tokana sy Tenin’Andriamanitra, ilay maharitra mandrakizay, nanaiky Ianao, noho ny famonjena anay, ho tonga nofo tao amin’i Maria, Reny masin’Andriamanitra sy Virjiny mandrakizay, Ianao izay tsy misy fiovaovàna, nefa tonga olombelona, sy nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana, ry Kristy Andriamanitra, Ianao izay nandrava ny fahafatesana tamin’ny nahafatesanao, Ianao izay Iray amin’ny Trinite Masina, omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, vonjeo izahay Tononkalom-pivavahana: « O monoghenis ». !”
IV.Ahoana no maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra ?
Satria ao amin’ny firaisana misterin’ny Fahatongavana ho nofo, “ny fomba aman-toetra maha-olombelona dia nozakaina, fa tsy nolevonina” FAA 22, §2., ka nahatarika ny Fiangonana, nandritra ny taonjato nifandimby, hanambara ampahibemaso ny fisiana feno ny fanahy maha-olombelona, miaraka amin’ ny fiasan’ny sainy sy ny sitrapony, ary ny vatana maha-olombelona ao amin’i Kristy. Kanefa mitovy amin’izany koa, mampahatsiaro hatrany hatrany ny Fiangonana fa ny fomba aman-toetra maha-olombelona an’i Kristy dia azy manokana amin’ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra izay nizaka izany tao Aminy. Avy amin’ny maha-anisan’ny “Iray amin’ny Trinite” Azy izay rehetra maha-Izy Azy sy izay ataony ao amin’ny maha-olombelona Azy. Koa ny Zanak’Andriamanitra àry no mampita amin’ny maha-olombelona Azy ny fomba fisiany manokana ao amin’ny Trinite. Araka izany, na ao amin’ny fanahiny na ao amin’ny vatany, dia anehoan’i Kristy amin’ny fomban’olombelona, ny fomba amam-piainan’Andriamanitra Trinite jer. Jo 14,9-10. :
Ny Zanak’Andriamanitra dia niasa tamin’ny tanan’olombelona, nihevitra tamin’ny sain’olombelona, nihetsika tamin’ny sitrapon’olombelona, nitia tamin’ny fon’olombelona. Noho Izy naterak’i Maria Virjiny, dia tena tonga anisantsika tokoa, mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra, afa-tsy amin’ny fahotana FAA 22, §2..
Ny fanahy sy ny fahalalana maha-olombelona tao amin’i Kristy
Nohamafisin’i Apollinaire de Laodicée fa ny Teny no nisolo ny fanahy na ny saina tao amin’i Kristy. Ho fanoherana io hevi-diso io, dia nanambara ampahibemaso ny Fiangonana fa ny Zanaka mandrakizay dia nizaka tao Aminy koa ny fanahy manan-tsainan’olombelona jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Manana ny tena fahalalana maha-olombelona tokoa, io fanahy maha-olombelona izay nozakain’ny Zanak’Andriamanitra tao Aminy io. Amin’ izany maha-izy azy izany, dia voafetra ihany araka ny toetra maha-olombelona, io fahalalana maha-olombelona io : niseho izany teo amin’ny zotram-piainany ara-tantara namakivaky ny elanelana sy ny fotoana. Araka izany, afaka nanaiky ny “hitombo fahendrena sy tena ary fahasoavana” (Lk 2,52) ilay Zanak’Andriamanitra, tamin’ny fahatongavany ho olombelona, ary koa ny hanana saina tia manadihady amin’ny fomban’olombelona, izay tsy maintsy ianarana amin’ny alalan’ny andram-piainana ahazoam-pahalalana jer. Mk 6,38; Mk 8,27; Jo 11,34; sns.. Nifanaraka tamin’ny fisian’ny fanetren-tenany an-tsitrapo tamin’ny “fomban’ ny mpanompo” (Filip 2,7), izany.
Io fahalalana maha-olombelona tokoa ny Zanak’Andriamanitra io koa anefa, dia naneho ny fiainana maha-Andriamanitra ny Tenany jer. Md Grégoire le Grand, ep. 10,39: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. “Ny fomba aman-toetra maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra, tsy noho ilay fomba aman-toetra, fa noho ilay firaisany amin’ny Teny, dia nahalala sy naneho tao aminy izay rehetra sahaza an’Andriamanitra” Md Maxime le Confesseur, qu. dub. 1,67.. Loha laharana amin’izany ny lafiny fahalalana lalina indrindra sy mivantana eo no eo izay ananan’ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona, momba ny Rainy jer. Mk 14,36; Mt 11,27; Jo 1,18; 8,55; sns.. Nasehon’ny Zanak’Andriamanitra koa teo amin’ny fahalalana maha-olombelona Azy ny halalin-tsain’Andriamanitra nananany ka nahafahany mamantatra ny hevi-miafina ao am-pon’ny olombelona jer. Mk 2,8; Jo 2,25; 6,61; sns..
Avy amin’ny firaisan’ny fahalalana maha-olombelona ananan’i Kristy amin’ny Fahendren’Andriamanitra ao amin’ny Tenan’ny Teny tonga nofo, no nananany tanteraka tao Aminy ny fahalalana amam-pahaizana ny fandaharan’ Andriamanitra mandrakizay, izay ny hanambara izany no nahatongavany jer. Mk 8,31; 9,30; 10,33-34; 14,18-20.26-30.. Izay nekeny fa tsy fantany tamin’izany jer. Mk 13,32., dia nolazainy fa tsy anjarany ny hanambara izany amin’ny iraka nampanaovina Azy jer. Asa 1,7..
Ny sitrapo maha-olombelona an’i Kristy
Toy izany koa, nanambara ampahibemaso ny Fiangonana, tao amin’ny Kônsily ekiomenika fahenina, fa manana sitrapo anankiroa sy fiasa anankiroa araka fombany avy i Kristy, dia ny an’ny maha-Andriamanitra sy ny an’ny maha-olombelona, izay tsy mifanohitra fa mifarimbona, hany ka sitrak’ilay Teny tonga Nofo tamin’ny sitrapo maha-olombelona Azy amin’ny fanekena an-dRainy, izay rehetra fanapahan-kevitry ny maha-Andriamanitra Azy miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, ny amin’ny famonjena antsika jer. Kôns. Constantinople III, taona 681: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny sitrapo maha-olombelona ananan’i Kristy dia “manaraka ny sitrapony maha-Andriamanitra, tsy manohitra izany na manakana izany amin’izay ataony, fa vao mainka aza miankina indrindra amin’izany sitrapo mahefa izany” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Vatan’olombelona tokoa, ny vatan’i Kristy
Satria tena nofon’olombelona tokoa no tao amin’ny Teny tonga nofo, ka voafetra ihany ny vatan’i Kristy jer. Kôns. Latran, taona 649: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Noho izany antony izany, azo atao ny manoritra ny endrika maha-olombelona an’i Jesoa jer. Gal 3,1.. Tamin’ny Kônsily ekiomenika fahafito jer. Kôns. Nicée II, taona 787: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. ny Fiangonana no nanaiky fa ara-dalàna raha aseho amin’ny sary masina izany endrika maha-olombelona an’i Jesoa izany.
Nanaiky lalandava ny Fiangonana, tamin’izany fotoana izany, fa manjary hitan’ny masontsika ao amin’ny Vatan’i Jesoa, “ilay Andriamanitra izay tsy hita maso araka ny fomba aman-toetrany” Vavaka Prefasy amin’ny Noely.. Satria, maneho ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra, ny toetra manokana an’ny vatan’i Kristy. Voaray ao amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy ny bika aman’ endriky ny vatany amin’ny maha-olombelona Azy, hany ka raha aseho an-tsary masina izany, dia azo atao tsara ny manaja azy ireny satria ny mpino izay manaja ny sariny, dia “manaja ao amin’izany sary izany ny olona izay voasoritra ao” Kôns. Nicée II: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny Fon’ny Teny tonga nofo
Nahalala sy nitia antsika rehetra sy ny isam-batan’olona i Jesoa nandritra ny fiainany sy ny fiadiany aina ary ny fijaliany, sy nanolo-tena ho antsika tsirairay : “Tia ahy ny Zanak’Andriamanitra ary nanolo-tena ho ahy” (Gal 2, 20). Tia antsika rehetra tamin’ny fon’olombelona Izy. Noho izany, ny Fo masin’i Jesoa notrobahin’ny fahotantsika sy ho famonjena antsika jer. Jo 19,34., “dia heverina fa famantarana sy fanehoana an’ohatra ambony tokoa … an’izany fitiavana izany, izay asehon’ilay Andriamanitra Mpanavotra lalandava amin’ ny Ray mandrakizay sy amin’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka” Pie XII, Enc. « Haurietis aquas »: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Tamin’ny fotoana voalahatr’Andriamanitra, ny Zanaka Lahitokan’ny Ray, ny Teny mandrakizay, izany hoe ny Teny sy ny Endrika maneho ara-pisia-maha-Izy ny Ray, dia tonga Nofo : tsy nahavery ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra Azy ny nizaka tao Aminy ny fomba aman-toetra maha-olombelona.
Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa i Jesoa-Kristy, ao amin’ny firaisan’ny maha-Olona-Andriamanitra Azy : noho izany, Izy no hany Mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona.
Manana fomba aman-toetra roa i Jesoa-Kristy, dia ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona, tsy mifangaro, fa miray ao amin’ ny maha-Olona tokan’ny Zanak’Andriamanitra.
I Kristy izay sady tena Andriamanitra tokoa no tena olombelona tokoa, dia manana saina aman-tsitrapon’olombelona, mifanaraka amim-pomba lavorary sy manaiky ny saina aman-tsitrapony maha-Andriamanitra Azy, izay ananany amin’ny firaisany amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina.
Noho izany, ny Fahatongavana ho nofo no misterin’ny firaisana amin’ ny fomba mampitolagaga ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra sy ny fomba aman-toetra maha-olombelona ao amin’ny Olona tokan’ny Teny.
Paragrafy 2. “… Noforonin’ny Fanahy Masina, naterak’i Maria Virjiny”
I.Noforonin’ny Fanahy Masina …
Ny Filazana tamin’i Maria no misantatra ny “hafenoan’ny fotoana” (Gal 4, 4), izany hoe ny fahatanterahan’ny fampanantenana sy ny fanomanana. Voasa i Maria hitondra vohoka an’Ilay izay hitoeran’ny “hafenoan’ny maha-Andriamanitra ao amin’ny maha-olombelona” (Kôl 2,9). Ny valin-Tenin’ Andriamanitra tamin’ny fanontaniany hoe : “Ahoana no hahatongavan’ izany, fa tsy mahalala lahy aho ?” (Lk 1,34), dia nomena tamin’ny herin’ny Fanahy : “Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao” (Lk 1,35).
Mifandray sy mifandrindra lalandava amin’ny fanirahana Zanaka, ny fanirahana ny Fanahy Masina jer. Jo 16,14-15.. Nirahina ny Fanahy Masina, Izy izay “Tompo loharanon’Aina”, mba hanamasina ny kibon’i Maria Virjiny sy hampitoe-jaza azy amin’ny fomba lavorary, ka hitondrany am-bohoka ny Zanaka mandrakizain’ny Ray, araka ny maha-olombelona nalaina avy amin’ny maha-olombelona an’i Maria.
Ny Zanaka Lahitokan’ny Ray izay noforonina ho olombelona tao an-kibon’i Maria Virjiny no “Kristy”, izany hoe voahosotry ny Fanahy Masina jer. Mt 1,20; Lk 1,35., nanomboka hatramin’ny fisian’ny maha-olombelona Azy, na dia miandalana aza ny fampisehoany izany : tamin’ireo mpiandry ondry jer. Lk 2,8-20., tamin’ireo majy jer. Mt 2,1-12., tamin’i Joany-Batista jer. Jo 1,31-34., tamin’ireo mpianatra jer. Jo 2,11.. Koa ny fiainan’i Jesoa-Kristy manontolo no hampiseho hoe “ahoana ny fomba nanosoran’Andriamanitra Azy tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ?” (Asa 10,38).
II.… naterak’i Maria Virjiny
Izay inoan’ny finoana katôlika momba an’i Maria, dia miorina eo ambonin’izay inoany momba an’i Kristy, nefa izay ampianariny ny amin’i Maria, dia manazava kosa indray avy eo ny finoany an’i Kristy.
Ny tendry mialoha ho an’i Maria
“Nirahin’Andriamanitra ny Zanany” (Gal 4,4), nefa mba “hamboarana vatana” jer. Heb 10,5. ho Azy, dia nila fiaraha-miasa amin-kalalahana tamin’ny zavaboary iray Izy. Noho izany, hatramin’ny mandrakizay, Andriamanitra nifidy, ho Renin’ny Zanany, zanakavavin’i Israely, tovovavy jody avy tao Nazareta any Galilea, “virjiny anankiray fofombadin’ny lehilahy atao hoe Josefa, avy amin’ny taranak’i Davida, ary ny anaran’ilay virjiny dia Maria” (Lk 1,27) :
Sitraky ny Rain’ny famindram-po hialoha ny Fahatongavana ho nofo ny faneken’ity Reny voatendry mialoha, satria vehivavy iray no nandray anjara tamin’ny tsanganasam-pahafatesana, ka vehivavy iray torak’izany koa, no nandray anjara tamin’ny fiainana FF 56; jer. koa 61..
Tamin’ny alalan’izay nataon’ireo vehivavy masina, ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha manontolo, no nanomanana ny ho ataon’i Maria. I Eva no tany am-piandohana : na teo aza ny tsy fanekeny, dia nahazo fampanantenana taranaka izay ho mpandresy an’ilay Mpisompatra izy jer. Jen 3,15., sy fampanantenana mba ho renin’ny velona rehetra jer. Jen 3,20.. Noho ny hasin’izany fampanantenana izany, dia nitoe-jaza i Sara na efa be taona aza jer. Jen 18,10-14; 21,1-2.. Tsy araka ny fanampoizan’ny olona, ny nifidianan’Andriamanitra an’izay noheverina ho tsy manan-kery sy osa jer. 1 Kôr 1,27., mba hampisehoana ny tsy fivadihany amin’ny fampanantenany : i Ana, renin’i Samoela jer. 1 Sam 1., i Debôrà, i Rota, i Jodita sy i Estera, ary vehivavy maro hafa. I Maria no “nitana toerana voalohany tamin’ireo manetry tena sy ireo mahantran’ny Tompo izay nanantena sy nandray ny famonjena avy Aminy tamim-pitokiana. Miaraka aminy, dia izy ilay zanakavavin’i Siôna ambony indrindra, no nahataperan’ny fetr’andro sy niorenan’ny fitantanam-pamonjena vaovao, taorian’ny fiandrasana ela ny fampanantenana” FF 55..
Ilay Notorontoronina tsy azon-keloka
I Maria, mba ho Renin’ny Mpamonjy, dia “nofenoin’Andriamanitra ny fanomezana mifanaraka amin’izany asa lehibe tokoa izany” FF 56.. Ny Anjely Gabriely, tamin’ny fotoanan’ny Filazana, dia niarahaba azy ho ilay “feno hasoavana” Lk 1,28.. Satria, mba hahafahana manome fankatoavana an-kalalahana amin’ny finoany, tamin’ny filazana ny fiantsoana azy, dia tsy maintsy nanaiky tanteraka ho tarihin’ny fahasoavan’Andriamanitra izy.
Nandritra ny taonjato maro ny Fiangonana no nahatsapa tao an-tsainy, fa i Maria “tototra soa” avy amin’Andriamanitra jer. Lk 1,28., dia voavotra nanomboka hatramin’ny nahatorontoronina azy. Izany no nanambaràna ampahibemaso ny teny finoana momba ilay Notorontoronina tsy azon-keloka, nataon’ny Papa Pie IX antso avo tamin’ny taona 1854 hoe :
I Maria Virjiny sambatra, hatramin’ny fotoana voalohany nahatorontoronina azy, noho ny fahasoavana sy ny tombon-tsoa manokana avy amin’ Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra, tsinjo amin’ny soa hataon’i Jesoa-Kristy Mpamonjy ho an’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, dia narovana hatrany am-boalohany tsy ho voan’ny loto rehetra avy amin’ny fahotana tamin’ny fototra DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Avy amin’i Kristy daholo izany “fahamasinana mamirapiratra tokana aman-tany”, izay “nampanankarem-pahasoavana azy hatramin’ny fotoana voalohany nahatorontoronina azy” FF 56. izany : “tamin’ny fomba ambony dia ambony no nanavotana azy, ho fitsinjovana ny soa hataon’ny Zanany” FF 53.. “Notsofin’ny Ray rano, amin’ny tsodrano rehetra ara-panahy any an-danitra, ao amin’i Kristy” (Efez 1,3) izy, mihoatra noho ny olombelona hafa rehetra nateraka. “Nofidin’ny Ray tao amin’i Kristy, talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany, ao anatin’ny fitiavana” (Efez 1,4) izy.
“Ilay Masina Tanteraka” (Panaghian) no fiantsoan’ny Aba amin’ny lovam-pampianarana tatsinanana, an’i Maria Renin’Andriamanitra ; ilay “tsy voan’ ny lotom-pahotana na kely aza, noforonin’ny Fanahy Masina, novolavolaina ho zavaboary vaovao” FF 56., no ankalazain’izy ireo azy. Noho ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia naharitra nadio tsy voapentim-pahotana i Maria, teo amin’ ny fiainany manontolo.
“Aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao …”
I Maria, tamin’ny filazana fa Izy no hiteraka “ny Zanaky ny Avo indrindra” tsy amin’ny fahalalana lahy fa noho ny herin’ny Fanahy Masina jer. Lk 1,28-37., dia namaly tamin’ny “fanekem-pinoana” (Rôm 1,5) hoe : “Inty aho mpanompovavin’ny Tompo ; aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1,37-38), satria tsy nisalasala izy fa “tsy misy ny tsy hain’Andriamanitra atao”. Noho izany fankatoavany ny Tenin’Andriamanitra izany, dia nanjary Renin’i Jesoa i Maria, ary noho izy nanaraka tamin’ny fony manontolo, tsy voakasi-pahotana, ny sitrapon’Andriamanitra momba ny famonjena, dia nanolotra ny tenany manontolo tamin’ny Zanany sy ny tsanganasany, ka hanompo Azy sy hiankina Aminy ary hiaraka Aminy, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, mba hanatanteraka ny misterin’ny Fanavotana jer. FF 56. :
Araka ny voalazan’i Md Irénée, “noho ny faneken’i Maria, dia nanjary antony nahazoana famonjena izy, ho an’ny tenany sy ho an’ny taranak’olombelona rehetra” Haer. 3, 22, 4.. Tahaka izany, betsaka amin’ny Aban’ny Fiangonana tany aloha tany no niombon-kevitra taminy, nilaza hoe : “Ny olana vokatry ny tsy faneken’i Eva, dia voavaha tamin’ny faneken’i Maria ; izay namatotra an’i Eva virjiny tamin’ny tsy finoany, dia novahan’i Maria Virjiny tamin’ny finoany” jer. ibid. ; amin’ny fampitahana an’i Maria sy i Eva, dia antsoin’izy ireo hoe “ilay Renin’ny velona” i Maria, ary ambarany matetika hoe : “Avy amin’i Eva ny fahafatesana, fa avy amin’i Maria ny fiainana” FF 56..
Ny maha-renin’Andriamanitra an’i Maria
I Maria, izay antsoina hoe “Renin’i Jesoa” (Jo 2,1; 19,25) jer. Mt 13,55., ao amin’ny Evanjely, dia nohobiana ho “Renin’ny Tompoko” (Lk 1,43), teo ambany tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina, talohan’ny nahaterahan’ny zanany. Araka izany, Ilay noforonina tao am-bohoka ho olombelona tamin’ny alalan’ ny Fanahy Masina ka tonga Zanany marina tokoa araka ny nofo, dia tsy iza fa ny Zanaka mandrakizain’ny Ray, ilay Olona faharoa amin’ny Trinite Masina. Manambara ampahibemaso ny Fiangonana fa tena Renin’Andriamanitra tokoa (Theotokos) i Maria jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny maha-virjiny an’i Maria
Nanomboka hatramin’ny fandrafetana an-tsoratra voalohany ny teny finoana jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. ny Fiangonana no niaiky fa i Jesoa dia noforonina tamin’ny herin’ ny Fanahy Masina irery ihany, tao an-kibon’i Maria Virjiny, amin’ny fanamafisana koa ny endrika ara-batana tamin’io fisehoan-javatra io : I Jesoa dia noforonin’ny “Fanahy Masina tsy nisy tsirinain-dehilahy” Kôns. Latran, taona 649: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny Aban’ny Fiangonana dia mahita famantarana ny amin’ny maha-virjiny mitoe-jaza, fa ilay Zanak’Andriamanitra tokoa no tonga olombelona tahaka antsika :
Araka izany, hoy i Md Ignace d’Antioche (fiandohan’ny taonjato faha-2) : “Miaiky tanteraka ianareo ny amin’ny Tompontsika, izay taranak’i Davida tokoa araka ny nofo jer. Rôm 1,3., fa Zanak’Andriamanitra araka ny sitrapo sy ny herin’Andriamanitra jer. Jo 1,13., nateraky ny virjiny tokoa, (…) Tena nofantsihana tokoa tao amin’ny nofony Izy, ho antsika, tamin’ny andron’i Pôntsy Pilaty (…) Tena nijaly tokoa Izy ary koa tena nitsangan-ko velona tokoa” Smyrn. 1-2..
Ny tantara ao amin’ny Evanjely jer. Mt 1,18-25; Lk 1,26-38. dia nahazo an-tsaina, ny amin’ny maha-virjiny mitoe-jaza, ho tsanganasan’Andriamanitra, mihoatra izay rehetra takatry ny saina sy izay rehetra azon’ny olombelona atao jer. Lk 1,34. : “Fa ny zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina”, hoy ny Anjely tamin’i Josefa, momba an’i Maria fofombadiny (Mt 1,20). Hitan’ny Fiangonana ao amin’ izany ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra nolazainy tamin’ ny alalan’i Izaia mpaminany hoe : “Indro ny Virjiny hitoe-jaza, ka hiteraka zazalahy” (Iz 7,14), araka ny dikan-teny grikan’i Mt 1,23.
Mahalasa eritreritra ihany indraindray ny tsy nitenenan’ny Evanjelin’i Md Marka sy ireo Taratasin’ny Testamenta Vaovao ny amin’ny maha-virjiny nitoe-jaza an’i Maria. Mety koa mampanontany tena hoe : izy ity ve eto tsy angano ihany na fanamboamboarana ara-teôlôjia tsy marim-pototra ara-tantara. Amin’ny inona no tokony havaly izany : ny finoana ny amin’ny niterahan’i virjiny an’i Jesoa dia nahatonga fifanoherana mahery vaika, fanesoana na tsy fifankahazoana avy amin’ny tsy mpino, jody ary jentily jer. Md Justin, dial. 66-67; Origène, Cels. 1,32; ibid., 1, 69; snm. : tsy avy amin’ny anganon’ny mpanompo sampy na avy amin’ny fanamboamboarana sasany amin’ny vinavinan-kevitra tamin’izany fotoana izany manko no anton’izy io. Ny hevitra fonosin’io zava-niseho io dia tsy ho azo afa-tsy amin’ny finoana izay mahita izany ao amin’ilay “fifamatorana manakambana ny mistery amin’ny samy mistery” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., ao amin’ny fitambaran’ny misterin’i Kristy manomboka amin’ny Fahatongavany ho nofo ka hatramin’ny Pakany. Efa nanambara io fifamatorana io i Md Ignace d’Antioche hoe : “Ny mpanapaka an’izao tontolo izao no tsy nahalala ny maha-virjiny nitoe-jaza an’i Maria, toy izany koa ny fahafatesan’ny Tompo : mistery telo manakoako, izay tanteraka tao amin’ny fanginan’Andriamanitra” Md Ignace d’Antioche, Eph. 19,1; jer. koa 1 Kôr 2,8..
I Maria – “virjiny mandrakizay”
Ny fandalinan’ny Fiangonana ny finoany ny amin’ny maha-reny virjiny no nitarika azy hanambara ampahibemaso ny tena maha-virjiny tokoa sady mandrakizay an’i Maria jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., na dia tamin’izy nïteraka ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona aza jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 294; 442; 503; 571; 1880.. Satria “tsy nampihena, fa vao mainka nanamasina ny tena maha-virjiny tsy misy tomika tokoa” an-dreniny FF 57., ny nahaterahan’i Kristy. Ilay Aeiparthenos, “virjiny mandrakizay” jer. FF 52. no ankalazan’ny litorzian’ ny Fiangonana, an’i Maria.
Indraindray toherin’ny olona izany, noho ny Soratra Masina milaza an’ireo rahalahy sy anabavin’i Jesoa jer. Mk 3,31-35; 6,3; 1 Kôr 9,5; Gal 1,19.. Mahazo an-tsaina lalandava ny Fiangonana, fa ireo tsongan-dahatsoratra ireo dia tsy manondro zanaka hafa naterak’i Maria Virjiny : satria, i Jakôba sy i Josefa, “rahalahin’i Jesoa” ( Mt 13,55), dia zanak’i Maria anankiray mpianatr’i Kristy jer. Mt 27,56., izay notondroina amin’ny filazana mazava hoe : “Maria anankiray”( Mt 28,1). Ny lazaina amin’izany, dia havana akaikin’i Jesoa, araka ny fomba fiteny fantatra ao amin’ny Testamenta Taloha jer. Jen 13,8; 14,16; 29,15; sns..
I Jesoa no Zanaka Lahitokan’i Maria. Kanefa ny maha-reny ara-panahy an’i Maria jer. Jo 19,26-27; Apôk 12,17. dia ho an’ny olombelona rehetra, izay hamonjy azy ireo no nahatongavan’i Jesoa : “Hiteraka ny Zanany izy, izay ataon’Andriamanitra ho “Lahimatoa maro zandry” (Rôm 8,29 ), izany hoe ireo mpino, ka amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana azy ireo izy no mitondra ny fiaraha-miasa amin’ny fitiavana maha-reny azy” FF 63..
Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra.
Ny fijery ara-pinoana no afaka mahita ao amin’ny fifandraisana miaraka amin’ny fitambaran’ny Fanambaràna, ny antony mifono mistery izay ho amin’izany no sitrak’Andriamanitra, araka ny fandaharam-pamonjeny, hiterahan’ny virjiny ny Zanany. Ireny antony ireny dia sady mahakasika ny tenan’i Kristy sy ny maha-iraka mpanavotra Azy, no mahakasika ny fandraisan’i Maria io fanirahana io ho an’ny olombelona rehetra.
Ny maha-virjiny an’i Maria no mampiseho ny fanombohana tsy miankina na amin’inona na amin’inona ataon’Andriamanitra amin’ny Fahatongavana ho nofo. Tsy manana ho Ray afa-tsy Andriamanitra i Jesoa jer. Lk 2,48-49.. “Ny fomba aman-toetra maha-olombelona izay noraisiny dia tsy nampanalavitra Azy na oviana na oviana tamin’ny Ray (…) ; mazava ho azy fa Zanaky ny Rainy Izy amin’ny maha-Andriamanitra Azy, ary mazava ho azy fa zanaky ny reniny amin’ny maha-olombelona Azy, nefa Zanak’Andriamanitra tokoa ao amin’ireo fomba aman-toetrany roa ireo” Kôns. Frioul, taona 796: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Noforonin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’i Maria Virjiny i Jesoa, satria Izy no Ilay Adama Vaovao jer. 1 Kôr 15,45. izay misantatra ny fahariana vaovao : “Ny olombelona voalohany, avy amin’nytany, ka tany ; ny olombelona faharoa kosa, avy amin’ny lanitra” (1 Kôr 15,47). Feno ny Fanahy Masina, hatramin’ny nahatorontoronina Azy, ny maha-olombelona an’i Kristy, satria “nanome Azy ny Fanahy tsy misy fetra” (Jo 3,34) Andriamanitra. Avy amin’ny “hafenoany”, Izy izay filohan’ny olombelona voavotra jer. Kôl 1,18., no “andraisantsika fahasoavana miampy fahasoavana” (Jo 1,16).
I Jesoa, ilay Adama Vaovao, no nisantatra tamin’ny fiterahan’i virjiny Azy ny fahateraham-baovaon’ireo zanaka atsangana ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny finoana.“Ahoana no hahatongavan’izany ?” ( Lk 1,34) jer. Jo 3,9.. Ny fiombonana anjara amin’ny fiainan’Andriamanitra dia tsy avy amin’ny “ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’olombelona, fa avy amin’Andriamanitra” ( Jo l,13 ). Ny fandraisana io aina io dia avy amin’ny virjiny tsy voakasim-pahotana, satria aina omena manontolo ho an’ny olombelona amin’ny alalan’ny Fanahy. Ny hevitra ara-panambadiana raketin’ny fiantsoan’Andriamanitra ny olombelona ho vadiny jer. 2 Kôr 11,2., dia tanteraka an-tsakany sy an-davany ao amin’ny maha-reny virjiny an’i Maria.
Virjiny i Maria satria ny maha-virjiny azy no famantarana ny fînoany “tsy simban’ny fisalasalana na dia kely aza” FF 63. sy ny fanoloran-tenany iray manontolo amin’ny sitrapon’Andriamanitra jer. 1 Kôr 7,34-35.. Ny finoany no nahatonga azy ho renin’ny Mpamonjy : “Sambatra i Maria, ary vao mainka sambatra, satria sady nandray ny finoan’i Kristy izy, no niforonan’ny nofon’i Kristy” Md Augustin, virg. 3..
Sady virjiny no reny i Maria, satria izy no endrika sy lavorary indrindra amin’ny fahatanterahan’ny Fiangonana jer. FF 63.. “Manjary Reny koa ny Fiangonana, noho ny Tenin’Andriamanitra izay raisiny amim-pinoana : satria, amin’ny alalan’ny fitorian-teny, ary amin’ny alalan’ny Batemy no iterahany, amin’ny fiainana vaovao sy maharitra mandrakizay, an’ireo zanaka noforonin’ny Fanahy Masina sy aterak’ Andriamanitra. Virjiny koa ny Fiangonana, amin’ny nanomezany ho an’ilay Vadiny ny finoany marina sy madio tsy misy pentina, izay notahiriziny” FF 64..
Tamin’ny taranak’i Eva Andriamanitra no nifidy an’i Maria Virjiny ho Renin’ny Zanany. Noho izy “feno hasoavana”, dia izy no “ilay vokatra tsara dia tsara indrindra avy amin’ny Fanavotana” L. 103. : hatramin’ny fotoana voalohany namoronana azy tao am-bohoka, dia narovana tanteraka mialoha tsy ho voan’ny lotom-pahotana tamin’ny fototra izy, ary maharitra ho madio tsy misy pentin’ny fahotana rehetra an’ny isam-batan’olona, amin’ny fiainany manontolo.
Tena “Renin’Andriamanitra” tokoa i Maria Virjiny, satria izy no Renin’ ilay Zanaka mandrakizain’Andriamanitra tonga olombelona sady Andriamanitra rahateo koa.
I Maria “dia naharitra ho virjiny tamin’ny niforonan’ny Zanany tao am-bohoka, virjiny tamin’ny niterahany Azy, virjiny tamin’ny nitrotroany Azy, virjiny tamin’ny nampinonoany Azy, Virjiny mandrakizay” Md Augustin, serm. 186,1. : amin’ny fisian-tenany manontolo no maha-“mpanompovavin’ny Tompo” azy (Lk 1,38).
“Ny finoany sy ny fanekeny an-kalalahana no nentin’i Maria Virjiny nifarimbona tamin’ny famonjena ny olombelona” FF 56.. “Tamin’ny anaran’ny olombelona rehetra” no nanononany ny eniny Md Thomas d’A., s. th. 3, 30, 1.. Noho ny fanekeny no nahatonga azy ho Eva vaovao, renin’ny velona.
Paragrafy 3. Ny misterin’ny fiainan’i Kristy
Ireto ihany no lazain’ny Sembolin’ny finoana, raha ny momba ny fiainan’i Kristy : ny misterin’ny Fahatongavana ho nofo (niforonana tao am-bohoka sy nahaterahana) sy ny Paka (fijaliana, famantsihana tamin’ny hazofijaliana, fahafatesana, fandevenana, fidinana tany ambanin’ny tany, fitsanganan-ko velona, fiakarana any an-danitra). Tsy milaza na inona na inona, amin’ny fomba tena mazava, ny misterin’ny fiainana miafin’i Jesoa sy ny fiainany ampahibemaso ny sembolin’ny finoana, fa ny andalan-tenim-pinoana momba ny Fahatongavan’i Jesoa ho nofo sy ny Pakany dia efa manazava ny fiainan’i Kristy manontolo teto an-tany. “Izay rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny, hatramin’ny fanombohana ka hatramin’ny andro izay (…) nampakarana Azy any an-danitra” (Asa 1,1-2) dia tsara tarafina amin’ny fahazavan’ny misterin’ ny Noely sy ny Paka.
Hovelabelarin’ny katesezy, araka ny toe-javatra niseho, ny harena rehetra amin’ny misterin’i Jesoa. Koa ampy aloha ny milaza eto ireo singafototra sasany iombonana amin’ny mistery manontolon’ny fiainan’i Kristy (I), mba hanoritsoritana araka izany ireo zava-dehibe amin’ny misterin’ny fiainana miafin’i Jesoa (II) sy ny fiainany ampahibemaso (III).
I.Mistery avokoa ny fiainan’i Kristy
Betsaka ny zavatra izay mahafinaritra ny fahalianan’ny olombelona momba an’i Jesoa no tsy hita ao amin’ny Evanjely. Saika tsy misy voalaza ny momba ny fiainany tao Nazareta, ary na ny ampahany betsaka amin’ny fiainany ampahibemaso aza dia tsy notantaraina akory jer. Jo 20,30.. Ireo izay voasoratra ao amin’ ny Evanjely, dia natao “mba hinoanareo fa i Jesoa no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny anarany, amin’ny finoana Azy” (Jo 20,31).
Ny Evanjely dia nosoratan’ireo olona izay anisan’ny voalohany nanam-pinoana jer. Mk 1,1; Jo 21,24., ka te hizara izany amin’ny hafa. Nahalala tamin’ny finoana izy ireo hoe iza moa i Jesoa, ka afaka nahita sy nampahita ny mariky ny misteriny nandritra ny fiainany manontolo teto an-tany. Famantarana ny misterin’i Jesoa avokoa ny lamban-jaza namonosana Azy tamin’ny nahaterahany jer. Lk 2,7. ka hatramin’ny vinaingitra natohoka teo am-bavany fony Izy nampijaliana jer. Mt 27,48., sy ny lambamena namonosana Azy, nivalona, nony nitsangan-ko velona Izy jer. Jo 20,7., ary ny zavatra rehetra teo amin’ny fiainany. Tamin’ny fihetsiny sy ny zava-mahagaga nataony ary ny teniny, no manambara fa “ao Aminy araka ny maha-olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan’ny maha-Andriamanitra” (Kôl 2,9). Araka izany, tsapa ho “sakramenta” ny maha-olombelona Azy, izany hoe famantarana amam-pitaovan’ny maha-Andriamanitra Azy sy ny famonjena atolony : izay hita maso tamin’ny fiainany teto an-tany dia mitarika ho amin’ny mistery tsy hita maso amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy sy amin’ny maha-iraka mpanavotra Azy.
Ny soritra iombonan’ny misterin’i Jesoa
Fanambaràna ny Ray ny fiainan’i Kristy manontolo : ny teniny sy ny asany, ny fanginany sy ny fijaliany, ny fomba amam-pihetsiny sy ny fiteniny. Afaka milaza i Jesoa hoe : “Izay mahita Ahy, mahita ny Ray” jer. Jo 14,9., ary ny Ray afaka miteny hoe : “Inty no Zanako malalako, henoy Izy” (Lk 9,35). Noho ny Tompontsika tonga olombelona mba hanatanteraka ny sitrapon’ny Ray jer. Heb 10,5-7., dia maneho amintsika “ny fitiavan’Andriamanitra antsika” (1 Jo 4,9), ny soritry ny misteriny faran’izay kely indrindra.
Misterin’ny Fanavotana ny fiainan’i Kristy manontolo. Avy amin’ny ra nalatsany fony Izy nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana aloha, no nahazoantsika ny Fanavotana jer. Efez 1,7; Kôl 1,13-14 (Volg.); 1 Pi 1,18-19., kanefa, miasa ao amin’ny fiainan’i Kristy manontolo io mistery io : efa tamin’ny Fahatongavany ho Nofo, izay tamin’ izany no nanjary mahantra Izy, mba hampanankarena antsika amin’ny fahantrany jer. 2 Kôr 8,9. ; tamin’ny fiainany miafina, izay nanonerany ny tsy fankatoavantsika, tamin’ny fankatoavany jer. Lk 2,51. ; tamin’ny teniny izay manadio ny mpihaino Azy jer. Jo 15,3. ; tamin’ny fanasitranany sy ny fandroahany demony, izay “nakàny ny rofintsika sy nitondrany ny aretintsika” (Mt 8,17) jer. Iz 53,4.; tamin’ny Fitsanganany ho velona, izay nanamarinany antsika jer. Rôm 4,25..
Misterin’ny Famondronana ny zavatra rehetra ao amin’ny Filoha tokana, ny fiainan’i Kristy manontolo. Izay rehetra nataon’i Jesoa, nolazainy sy niaretany fijaliana, dia nanana tarigetra mba hanarenana ny olombelona lavo, ho amin’ny fiantsoana azy tany am-boalohany :
Rahefa tonga Nofo sy tonga olombelona Izy, dia navondrony ao amin’ny Tenany ihany ny tantara lava nolalovan’ny olombelona, ary nampahazo antsika ny famonjena Izy, raha fintinina, hany ka izay verintsika tao amin’i Adama, izany hoe ny maha-endrik’Andriamanitra sy ny fifanahafana Aminy, dia tafaverina ao amin’i Kristy Jesoa Md Irénée, haer. 3, 18, 1.. Izany indrindra no antony nandalovan’i Kristy tamin’ny ambaratongan’ny taona rehetra teo amin’ny fiainana, mamerina indray avy amin’izany amin’ny olombelona rehetra ny fiombonana amin’Andriamanitra Ibid. 3, 18, 7; jer. koa 2, 22, 4..
Ny fiombonantsika amin’ny misterin’i Jesoa
“Natokana ho an’ny olombelona rehetra ary anisan’ny soa ho an’ny tsirairay” RH 11.ny haren’i Kristy manontolo. Tsy nivelona ny fiainany ho an’ny Tenany ihany i Kristy, fa ho antsika, nanomboka tamin’ny Fahatongavany ho Nofo “ho antsika olombelona sy ny famonjena antsika” Sembolin’i Nicée-Constantinople, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. ka hatramin’ny fahafatesany “noho ny fahotantsika” (1 Kôr 15,3) sy ny Fitsanganany ho velona “ho fanamarinana antsika” (Rôm 4,25). Amin’izao fotoana izao koa, Izy no “mpisolovava antsika eo amin’ny Ray” (1 Jo 2,1), “satria velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika” (Heb 7,25). Miaraka amin’izay rehetra niainany sy nijaliany ho antsika indray mandeha ihany, ny maha-eo mandrakizay Azy, “mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny” (Heb 9,24).
Tamin’ny fiainany manontolo i Jesoa no nisehoany fa môdelintsika jer. Rôm 15,5; Filip 2,5. : Izy no “olombelona lavorary” FAA 38. izay mandrisika antsika mba ho tonga mpianany sy hanaraka Azy : nanome ohatra halaintsika tahaka Izy tamin’ny fanetren-tenany jer. Jo 13,15. ; nitaona antsika ho amin’ny fivavahana Izy tamin’ny vavaka nataony jer. Lk 11,1.; niantso antsika hanaiky amin-kalalahana ny fihafiana sy ny fanenjehana Izy tamin’ny fahantrany jer. Mt 5,11-12..
Izay rehetra niainan’i Kristy, dia nataony mba hahafahantsika miaina izany ao Aminy sy mba hiainany izany ao amintsika. “Noho ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo, dia ny Tenany mihitsy no toa mikambana amin’ny olombelona manontolo” FAA 22, § 2.. Voantso isika tsy hanao afa-tsy ny ho iray miaraka Aminy ; izay niainany tao amin’ny nofony ho antsika sy ho môdelintsika, no ampiraisany antsika ao amin’izany, ho rantsambatan’ny Vatany :
Tsy maintsy manohy sy manatanteraka ao amintsika ny toetra mbamin’ny misterin’i Jesoa isika, sy mitalaho Aminy matetika, mba hampiasany sy hanatanterahany izany ao amintsika sy ao amin’ny Fiangonany manontolo (…). Satria manana fandaharana hametraka fampandraisana anjara, sy hanao fanitarana amam-panohizana ny misteriny ao amintsika sy ao amin’ny Fiangonany manontolo, ny Zanak’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fahasoavana izay tiany hampitaina amintsika, sy amin’ny alalan’ny vokatra izay tiany hatao ao amintsika amin’ny alalan’ireo mistery ireo. Ary avy amin’izany fomba izany no tiany hanatanterahana an’ireo ao amintsika Md Jean Eudes, regn..
II Ny misterin’ny fahazazana sy ny fiainana miafin’i Jesoa
Ny fanomanana
Ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra tety ambonin’ny tany dia zava-niseho lehibe dia lehibe tokoa izay sitrak’Andriamanitra ny nanomana izany nandritra ny taonjato maro. Nataony manatona sy miafara avokoa ao amin’i Kristy na ny fombam-pivavahana sy sorona, na ny tandindona sy fanehoana an’ohatra ny fanekem-pihavanana Voalohany jer. Heb 9,15. ; nolazainy tamin’ny vavan’ny mpaminany izay nifandimby teo amin’i Israely izany. Ankoatra izany, nofohaziny tao am-pon’ny jentily koa ny fiandrasana manjavozavo an’io fahatongavana io.
I Md Joany Batista no mpialoha lalana jer. Asa 13,24. mivantana ny Tompo, nirahina hamboatra lalana ho Azy jer. Mt 3,3.. “Izy no mpaminanin’ny Avo Indrindra” (Lk 1,76), mihoatra ny mpaminany rehetra jer. Lk 7,26., farany amin’izany jer. Mt 11,13., nisantatra ny Vaovao mahafaly jer. Asa 1,22; Lk 16,16. ; vao tao an-kibon-dreniny izy jer. Lk 1,41., dia niarahaba ny fahatongavan’i Kristy, ary nentanin’ny hafaliany ho “sakaizan’ny mpampakatra” (Jo 3,29) izay notondroiny ho “ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao” (Jo 1,29). Tamin’ny nialohavany lalana an’i Jesoa “tamin’ny fanahy sy ny herin’i Elia”(Lk 1,17) no nijoro ho vavolombelony izy, tamin’ny toriteniny, tamin’ny Batemim-pibebahana nataony ary farany tamin’ny nahafatesany martiry jer. Mk 6,17-29..
Amin’ny fankalazana isan-taona ny litorzian’ny Fahatongavan’ny Tompo ny Fiangonana dia mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny izany fiandrasana ny Mesia izany : amin’ny firaisam-po amam-panahy tamin’ny fanomanana nandritra ny fotoana lava ny voalohany nahatongavan’ny Mpamonjy, no anavaozan’ny mpino ny faniriana miredareda amin’ny Fahatongavany fanindroany jer. Apôk 22,17.. Amin’ny fankalazana ny nahaterahan’ilay Mpialoha lalana sy ny nahafatesany martiry, no iombonan’ny Fiangonana amin’ny faniriany manao hoe : ”Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena” (Jo 3,30).
Ny misterin’ny Noely
Tamin’ny fanetren-tena tao an-tranonomby, teo anivon’ny fianakaviana mahantra jer. Lk 2,6-7., no nahaterahan’i Jesoa ; mpiandry ondry tsotra no vavolombelona voalohany nahita maso ny zava-niseho. Tao anatin’izany fahantrana izany no niseho ny voninahitry ny lanitra jer. Lk 2,8-20.. Tsy sasatra ny Fiangonana, mihira ny voninahitr’ilay alina amin’ny hoe :
Nateraky ny Virjiny androany ilay Mandrakizay Ary ny tany nanome lava-bato ho an’ilay Tsihaitakarina. Ny anjely sy ny mpiandry ondry nidera Azy Ary ny majy notarihin’ny kintana, nitsaoka Azy Fa teraka ho anay Ianao, Ry ilay Zazakely, Andriamanitra mandrakizay Kontakion de Romanos le Mélode. !
“Tonga zazakely” amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra no toetra hidirana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra jer. Mt 18,3-4. ; araka izany, tsy maintsy manetry tena jer. Mt 23,12., tonga madinika ; fa indrindra : tsy maintsy “ateraka avy any ambony” (Jo 3,7), aterak’Andriamanitra jer. Jo 1,13. mba “ho tonga zanak’Andriamanitra” ( Jo 1, 12). Tanteraka ao amintsika ny misterin’ny Noely rahefa “voasokitra” ao anatintsika ny endrik’i Kristy jer. Gal 4,19.. Ny Noely no misterin’izany “fifanakalozana mampitolagaga” izany :
Ry fifanakalozana mampitolagaga ! Ilay mpahary ny olombelona manontolo, naka vatana sy fanahy ho an’ny Tenany, dia nanaiky hateraky ny virjiny, ary tamin’ny fahatongavany ho olombelona tsy natera-dehilahy, no nanomezany antsika ny maha-Andriamanitra Azy LH, sasin-kira amin’ny herinandro aorian’ny Noely..
Ny misterin’ny fahazazan’i Jesoa
Ny famoràna an’i Jesoa, havaloana taorian’ny nahaterahany jer. Lk 2,21., dia famantarana ny fampidirana Azy amin’ny taranak’i Abrahama, amin’ny vahoakan’ny fanekem-pihavanana, amin’ny fankatoavany ny Lalàna jer. Gal 4,4., sy amin’ny fanirahana Azy amin’ny fanompoam-pivavahan’i Israely, izay handraisany anjara mandritra ny fiainany manontolo. Io famantarana io no manambara mialoha ny “famoràn’i Kristy”, dia ny Batemy izany jer. Kôl 2,11-13..
Ny Epifania no fisehoan’i Jesoa ho Mesian’i Israely, Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao. Miaraka amin’ny Batemin’i Jesoa teo Jordany sy ny fampakaram-bady tao Kanà jer. LH, sasin-kiran’ny Tonon-kiran’i Maria, Vavaka hariva faharoa amin’ny Epifania., no ankalazana amin’ny epifania ny fitsaohan’ireo “majy” avy any Atsinanana an’i Jesoa jer. Mt 2,1.. Tao amin’ireo “majy” ireo, izay solontenan’ny fivavahan’ny jentily teo amin’ny tany manodidina, no ahitan’ny Evanjely ny santatry ny firenena maro izay mandray ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena tamin’ny alalan’ny Fahatongavana ho nofo. Ny fahatongavan’ireo majy tao Jerosalema, mba hitsaoka ny mpanjakan’ny Jody jer. Mt 2,2., dia mampiseho fa notadiavin’izy ireo tao amin’i Israely, tamin’ny fahazavan’ny Mesia nasehon’ny kintan’i Davida jer. Fan 24,17; Apôk 22,16., Ilay izay ho mpanjakan’ny firenena rehetra jer. Fan 24,17-19.. Ny fahatongavan’izy ireo no midika fa ny mpanompo sampy dia tsy afaka hahita an’i Jesoa sy hitsaoka Azy ho Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao raha tsy mitodika any amin’ny Jody jer. Jo 4,22., sy mandray avy amin’izy ireo ny fampanantenana Mesia ho azy ireo, araka ny voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha jer. Mt 2, 4-6.. Ny Epifania no mampiseho fa ny “hafenoan’ny jentily dia ny miditra ao amin’ny fianakavian’ny patriarka” Md Léon le Grand, serm. 33, 3. sy ny fahazoany ny tombon-tsoa natokana ho an’i Israely (Israelitica dignitas) MR, Vigile Pascale 26: vavaka aorian’ny vakiteny fahatelo..
Ny fanolorana an’i Jesoa tao an-Tempoly jer. Lk 2,22-39., no mampiseho Azy ho ilay Voalohan-Teraka ho an’ny Tompo jer. Eks 13,12-13.. Niaraka tamin’i Simeôna sy i Ana, ny fiandrasana rehetra tao amin’i Israely no tonga nihaona tamin’ny Mpamonjy azy (izany no iantsoan’ny lovam-pampianarana bizantinina an’ity zava-niseho ity). I Jesoa dia fantatra ho ilay Mesia nandrasana fatratra, “ fahazavan’ny firenena” sy “voninahitr’i Israely”, ary koa “famantarana hotoherina”. Ny sabatry ny fahoriana nolazaina mialoha tamin’i Maria dia manambara an’ilay fanoloran-tena hafa, lavorary sy tokana, eo amin’ny Hazofijaliana, izay hanome ny famonjena “nomanin’Andriamanitra teo imason’ny firenena rehetra”.
Ny fandosirana tany Ejipta sy ny famonoana ny zazakely tsy manan-tsiny jer. Mt 2,13-18. no mampiseho ny fanoheran’ny maizina ny mazava : “Tonga tao amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy” (Jo 1,11). Ny fiainan’i Kristy manontolo, dia ho eo ambany famantarana mampiseho fanenjehana. Miombona anjara Aminy amin’izany ny mpanara-dia Azy jer. Jo 15,20.. Ny fiakarany avy tany Ejipta jer. Mt 2,15. dia mampahatsiahy ny Fialana (Eksaody) tany jer. Ôs 11,1. sy mampiseho an’i Jesoa ho ilay mpanafaka tanteraka.
Ny misterin’ny fiainana miafin’i Jesoa
Fomba fiainana niainan’ny ankamaroan’ny olombelona, no niombonan’i Jesoa nandritra ny ampahany be indrindra tamin’ny fiainany : fiainana andavanandro tsy hita nisongadina, fivelomana tamin’ny asa tanana, fiainam-pivavahana jody teo ambany Lalànan’Andriamanitra jer. Gal 4,4., fiainana tao anatin’ny ankohonana. Tao anatin’izany fotoana rehetra izany no nampisehoana tamintsika fa “nanaiky” an’ireo ray aman-dreniny i Jesoa jer. Lk 2,51. sady “nitombo fahendrena sy vatana, ary nandroso nahatehotia teo anatrehan’Andriamanitra sy teo anatrehan’ny olombelona” (Lk 2,51-52).
Ny fankatoavan’i Jesoa ny reniny mbamin’ny ray nanangana sy mpitaiza azy, no nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny didy fahefatra. Izany no endriky ny faneken-janaka tao Aminy, teto an-tany, amin’ny Rainy any an-danitra. Ny fankatoavan’i Jesoa an’i Josefa sy i Maria isan’andro isan’andro, no nilaza sy nampiseho mialoha ny fanekeny ny Alakamisy Masina : “Tsy ny sitrapoko anie…” (Lk 22,42). Ny faneken’i Kristy isan’andro tamin’ny fiainany miafina no nisantatra sahady ny tsanganasam-panarenana izay nopotehin’ny tsy faneken’i Adama jer. Rôm 5,19..
Ny fiainana miafina tao Nazareta no ahafahan’ny olona rehetra miray fo sy miombon-tsaina amin’i Jesoa amin’ny alalan’ireo fomba fiainana mahazatra andavanandro tsotra indrindra :
I Nazareta no sekoly izay anombohan’ny olona hahatakatra an-tsaina ny fiainan’i Jesoa : sekolin’ny Vaovao Mahafaly (…). Fianarana ho amin’ny fanginana aloha. Hitsiry ao amintsika anie ny fitiavana ny fanginana, izay toetra mampitolagaga sy ilaina amin’ny toetran’ny fanahy (…). Fianarana ho amin’ny fiainam-pianakaviana. I Nazareta anie no hampianatra antsika ny atao hoe fianakaviana, ny fiombonam-pitiavany, ny hasoany be fihafiana sy feno fahatsorana, ny toetrany masina sy tsy azo zimbazimbaina (…). Fianarana momba ny asa. Ry Nazareta, tranon’ny “Zanaka Mpandrafitra ô !”, eto no tianay hahatakarana an-tsaina sy hankalazana ny lalàna hentitra sy mpanavotra amin’ny asa mafy ataon’ny olombelona (…) ; farany, eto koa no tianay hiarahabana an’ireo mpiasa rehetra manerana ny tany ary hanehoana amin’izy ireo ny môdely lehibe, dia ny rahalahin’izy ireo izay Andriamanitra Paoly VI, lahateny tamin’ny faha-5 janoary 1964 tao Nazareta..
Ny fahitana indray an’i Jesoa tao an-Tempoly jer. Lk 2,41-52. no zava-niseho tokana izay nampijanona ny fanginan’ny Evanjely ny amin’ny fiainana miafin’i Jesoa tao anatin’ny taona maro. Avelan’i Jesoa ho tsikaritra ao amin’izany ny misterin’ ny fanokanana Azy manontolo ho amin’ny fanirahana maha-Zanak’ Andriamanitra Azy: “Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy manao ny raharahan’ ny Raiko Aho ? ”. “Tsy azon’ny sain’ ” i Maria sy Josefa izany teny izany, nefa noraisin’izy ireo tamim-pinoana, ary i Maria “nitahiry araka ny tena izy izany fahatsiarovana rehetra izany tao am-pony” nandritra ny taona maro nifandimby, izay nijanonan’i Jesoa tao anatin’ny fanginan’ny fahatsoram-piainana.
III.Ny misterin’ny fiainan’i Jesoa ampahibemaso
Ny Batemin’i Jesoa
Ny fiantombohan’ny jer. Lk 3,23. fiainan’i Jesoa ampahibemaso, dia ny nanaovan’i Joany batemy Azy tao Jordany jer. Asa 1,22.. Nitory “batemim-pibebahana ho famelana ny fahotana” (Lk 3,3) i Joany. Mpanota sesehena, poblikanina sy miaramila jer. Lk 3,10-14., Farisianina sy Sadôseanina jer. Mt 3,7. ary mpivaro-tena jer. Mt 21,32., no tonga hataony batemy. “Tamin’izay, niseho i Jesoa.” Ilay Mpanao batemy moa niahotra, i Jesoa kosa nikiry : nandray ny Batemy Izy. Tamin’izay ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala, nidina nankeo ambonin’i Jesoa, ary nisy feo avy an-danitra nanambara hoe : “Izy ity no Zanako malalako” (Mt 3,13-17). Izany no fisehoan’i (“Epifania”) Jesoa ho Mesian’i Israely sy Zanak’Andria-manitra.
Ny Batemin’i Jesoa, ho Azy, no fanekena sy fisantarana ny iraka maha-Mpanompo mijaly Azy. Nanaiky ho anisan’ny mpanota Izy jer. Iz 53,12. ; efa “ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao” Izy (Jo 1,29) ; nataony mialoha sahady ny “batemin’ny” fahafatesany handatsahany ny rany jer. Mk 10,38; Lk 12,50.. Tonga sahady Izy “hanatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Mt 3,15), izany hoe hankato manontolo ny sitrapon’ny Rainy : nekeny amim-pitiavana io batemim-pahafatesana io ho famelana ny fahotantsika jer. Mt 26,39.. Tamin’io fanekena io no namalian’ny feon’ny Ray izay nankasitraka manontolo ny Zanany jer. Lk 3,22; Iz 42,1.. Ny Fanahy, izay ananan’i Jesoa tanteraka hatramin’ny niforonany tao am-bohoka, no tonga “nitoetra” teo amboniny jer. Jo 1,32-33; Iz 11,2.. Izy no ho loharanon’izany ho an’ny olombelona rehetra. Tamin’ ny Bateminy no “nisokatra ny lanitra” (Mt 3,16) izay nohidian’ny fahotan’i Adama ; ary nohamasinin’ny fidinan’i Jesoa sy ny Fanahy ny rano, izay fambara ny fahariana vaovao.
Tamin’ny alalan’ny sakramentan’ny Batemy ny kristianina no mitovy amin’i Jesoa izay nampihatra mialoha ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona, tamin’ny alalan’ny Bateminy ; tsy maintsy miditra ao amin’io misterin’ny fanetrena tena ambany dia ambany sy ny fibebahana io izy, tsy maintsy midina ao anaty rano miaraka amin’i Jesoa, mba hiakatra miaraka Aminy avy ao, ka ateraky ny rano sy ny Fanahy mba ho tonga zanaka malalan’ny Ray sy “hiaina ny fiainam-baovao” (Rôm 6,4), ao amin’ny Zanaka :
Izay rehetra niseho tao amin’i Kristy dia mampahafantatra antsika fa aorian’ny fandroana amin’ny rano, midina eo ambonintsika ny Fanahy Masina avy any an-tampon’ny lanitra ary voatsangana ho zanaka amin’ny Feon’ny Ray isika, ka tonga zanak’Andriamanitra Md Hilaire, Mt. 2,6..
Ny fakam-panahy nosetrain’i Jesoa
Milaza ny fotoana naha-irery an’i Jesoa tany an’efitra teo no eo avy hatrany ny Evanjely, taorian’ny nanaovan’i Joany batemy Azy : “Nasesiky ny Fanahy hankany an’efitra” i Jesoa, ka nitoetra tany efapolo andro, tsy nihinan-kanina; niara-niaina tamin’ny bibidia Izy, ary nanompo Azy ny anjely jer. Mk 1,13.. Tamin’ny faran’io fotoana io dia nalain’i Satana fanahy intelo Izy amin’ny fihantsiana mba hitsapana ny toe-pihetsika asehony amin’ny maha-Zanaka Azy manoloana an’Andriamanitra. Notoherin’i Jesoa ireny famelezana ireny, izay nanambatra ny fakam-panahin’i Adama tao am-Paradisa sy i Israely tany an’efitra, ka nandao Azy ny devoly “mandra-piavin’ny fotoana indray” (Lk 4,13).
Manoro ny hevi-pamonjena amin’izany zava-niseho mifono mistery izany, ny mpanoratra ny Evanjely. I Jesoa no Adama vaovao, naharitra tsy nivadika, fa tsy tahaka an’ilay Adama voalohany, izay resin’ny fakam-panahy. Nanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fiantsoana an’i Israely i Jesoa : ny fanoherana an’ireo izay nihantsy an’Andriamanitra fahiny nandritra ny efapolo taona tany an’efitra jer. Sal 95,10., no nanehoan’i Kristy ny Tenany ho ilay Mpanompon’Andriamanitra manaiky tanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra. Amin’izany i Jesoa no ilay mpandresy ny devoly : “Nafatony ilay mahery” mba handrobàny ny ao an-tranony jer. Mk 3,27.. Ny fandresen’i Jesoa an’ilay mpaka fanahy tany an’efitra no misantatra ny fandresena ny fijaliana, fanekena fara tampon’ny fitiavany ny Ray amin’ny maha-Zanaka Azy.
Mampiseho ny fomban’ny Zanak’Andriamanitra amin’ny maha-Mesia Azy ny fakam-panahy nosetrain’i Jesoa, mifanohitra amin’ny an’izay atolotr’i Satana Azy sy irìn’ny olombelona jer. Mt 16,21-23. hiheverana Azy. Izany no antony nandresen’i Kristy ny Mpaka fanahy antsika : “Satria tsy mpisorombe tsy mahay mangoraka ny fahalementsika no antsika ; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy, fa tsy nanota” (Heb 4,15). Isan-taona ny Fiangonana dia miombona amin’ny misterin’i Jesoa tany an’efitra nandritra ny efapolo andro, amin’ny Karemy Lehibe.
“Efa akaiky tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra”
“Nankany Galilea i Jesoa, taorian’ny nampidirana an-tranomaizina an’i Joany. Izao no antso avo nataony tany momba ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra : "Tonga ny fotoana, ary efa akaiky tokoa ny Fanjakan’ Andriamanitra : mibebaha ianareo ary minoa ny Vaovao Mahafaly"” (Mk 1,14-15). “Mba hanatanterahana ny sitrapon’ny Ray, dia nosantarin’i Kristy teto an-tany ny Fanjakan’ny lanitra” FF 3.. Ary izao no sitrapon’ny Ray : ny “hanandratra ny olombelona hiombona amin’ny ain’ Andriamanitra” FF 2.. Tamin’ny namondronany ny olombelona manodidina an’i Jesoa-Kristy Zanany, no nanaovan’ny Ray izany. Ny Fiangonana, izay “tsiry sy fanombohan’ny Fanjakan’Andriamanitra” FF 5. eto an-tany, io famondronana io.
I Kristy no foiben’io famondronana ny olombelona io ao anatin’ny “fianakavian’Andriamanitra”. Antsoiny hanodidina Azy izy ireo, amin’ny alalan’ny teniny sy ny famantarana nataony izay maneho ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fanirahana ny mpianany. Ny hanatanterahany ny fahatongavan’ny Fanjakany dia amin’ny alalan’ny mistery lehibe momba ny Pakany indrindra : ny fahafatesany teo amin’ny Hazofijaliana sy ny Fitsanganany ho velona. “Ary izaho, rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy” (Jo 12,32). Ho amin’izany firaisana amin’i Kristy izany no iantsoana ny olombelona rehetra jer. FF 3..
Ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra
Ny olona rehetra no antsoina hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Fanjakan’ny Mesia io, izay notorìna tamin’ny zanak’i Israely aloha jer. Mt 10,5-7., dia natao handraisana ny olombelona avy amin’ny firenen-drehetra jer. Mt 8,11; 28,19.. Tsy maintsy raisina ny tenin’i Jesoa, mba hidirana ao :
Oharina indrindra amin’ny voa afafy izay mamoa ao an-tanimboly ny tenin’ny Tompo : mandray ny fanjakan’i Kristy mihitsy, ireo izay mihaino izany amim-pinoana sy miray amin’ny andian’ondry keliny ; manaraka izany, mitombo mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana, ny voa mamoa, noho ny herin’ny tenany ihany FF 5..
An’ny mahantra sy ny madinika ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe an’ireo izay nandray izany tamin’ny fo manetry tena. Nirahina i Jesoa mba “hampita ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra” (Lk 4,18) jer. Lk 7,22.. Nambarany hoe sambatra izy ireo satria “azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 5,3) ; tamin’ireo “madinika” no sitraky ny Ray hanambaràna an’izay nijanona ho zava-miafina amin’ny hendry sy ny kinga saina jer. Mt 11,25.. Niombom-piainana tamin’ ny mahantra i Jesoa, nanomboka tao an-tranonomby ka hatrany amin’ny Hazofijaliana ; fantany ny hanoanana jer. Mk 2,23-26; Mt 21,18., ny hetaheta jer. Jo 4,6-7; 19,28. sy ny fihafiana mbamin’ ny tsy fananana na inona na inona jer. Lk 9,58.. Fa indrindra : naka ny endriky ny mahantra isan-karazany Izy ary nanao ny fitiavana arahina asa izay atao amin’izy ireny ho fepetra hidirana ao amin’ny Fanjakany jer. Mt 25,31-46..
Manasa ny mpanota ho eo amin’ny latabatry ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa : “Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota” (Mk 2,17) jer. 1 Tim 1,15.. Taominy ho amin’ny fibebahana izy ireo, raha tsy izany tsy ho afaka miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa asehony azy ireo amin’ny teny sy amin’ny asa ny famindram-po tsy misy fetran’ny Rainy ho azy ireo jer. Lk 15,11-32sy ny “hafaliam-be any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka” (Lk 15,7). Ny porofo fara tampony mampiseho izany fitiavana izany, dia ny hanaovany sorona ny ainy mihitsy “ho famelana ny fahotana” (Mt 26,28).
Miantso ny olona hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa, amin’ny alalan’ny fanoharana, izay fomba fanehoan-kevitra miavaka amin’ ny fampianarany jer. Mk 4,33-34.. Amin’ny alalan’ireny Izy no manasa ny olona ho amin’ny fanasam-ben’ny Fanjakan’ny lanitra jer. Mt 22,1-14., nefa mitaky safidy hentitra koa : mba hahazoana ny Fanjakan’ny lanitra, tsy maintsy mahafoy ny zavatra rehetra jer. Mt 13,44-45. ; tsy ampy ny teny fotsiny, fa tsy maintsy arahina asa jer. Mt 21,28-32.. Toy ny fitaratra ho an’ny olona ny fanoharana : tahaka ny tany mafy sa sahala amin’ny tany tsara no andraisany ny teny jer. Mt 13,3-9. ? Inona no ataony ny amin’ny talenta noraisiny jer. Mt 25,14-30. ? I Jesoa sy ny fisian’ny Fanjakan’ny lanitra eto amin’ity izao tontolo izao ity, dia miafina eo anivon’ireny fanoharana ireny. Tsy maintsy miditra ao amin’ ny Fanjakan’ny lanitra, izany hoe tsy maintsy tonga mpianatr’i Kristy, mba “hahalala ny misterin’ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 13,11). Mijanona ho saro-pantarina ny zava-drehetra jer. Mt 13,10-15., ho an’ireo izay mitoetra “any ivelany” (Mk 4, 11).
Ireo famantarana ny Fanjakan’Andriamanitra
Ny tenin’i Jesoa dia arahiny “zava-mahagaga, zava-mahatalanjona ary famantarana” (Asa 2,22) maro be, izay mampiseho fa eo Aminy ny Fanjakan’ Andriamanitra. Manamarina izy ireny fa i Jesoa no ilay Mesia nambara jer. Lk 7,18-23..
Porofoin’ireo famantarana notontosain’i Jesoa, fa ny Ray no naniraka Azy jer. Jo 5,36; 10,25.. Mitaona hino Azy ireny jer. Jo 10,38.. Ho an’ireo izay manatona Azy amim-pinoana, omeny izay zavatra angatahin’izy ireo jer. Mk 5,25-34; 10,52; sns.. Amin’izany ireo zava-mahagaga no mampahery ny finoana an’Ilay izay manao ny tsanganasan’ny Rainy : manaporofo ireny fa Izy no Zanak’Andriamanitra jer. Jo 10,31-38.. Kanefa mety koa ho tonga zava-manafintohina ireny jer. Mt 11,6.. Tsy hoe hanome fahafaham-po ny fahalianana sy ny faniriana mahazendana tsy akory ireny. Na marina tsy takona afenina aza ny zava-mahagaga nataon’i Jesoa, dia nolavin’ny olona sasany Izy jer. Jo 11,47-48. ; ampangaina aza Izy hoe manao asa amam-pihetsika amin’ny alalan’ny demony jer. Mk 3,22..
Tamin’ny nanafahana ny olona sasany tamin’ny ratsy misy eto an-tany, toy ny hanoanana jer. Jo 6,5-15., ny tsy fahamarinana jer. Lk 19,8., ny aretina ary ny fahafatesana jer. Mt 11,5., dia nametraka ny famantarana maha-Mesia Azy i Jesoa ; na izany aza, tsy tonga mba hanafoana ny ratsy rehetra eto an-tany Izy jer. Lk 12,13-14; Jo 18,36., fa mba hanafaka ny olona amin’ny fanandevozana faran’izay mahatsiravina, dia ny an’ny fahotana izany jer. Jo 8,34-36., izay manampontsampona amin’ny fiantsoana azy ireo ho zanak’ Andriamanitra sy mahatonga ny fanandevozana rehetra maha-olombelona ny olombelona.
Ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra no faharesen’ny fanjakan’i Satana jer. Mt 12,26. : “Raha amin’ny Fanahin’Andriamanitra no androahako ny demony, dia efa tonga ho anareo tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra” (Mt 12,28). Ny fandroahan’i Jesoa ny demony no manafaka ny olona amin’ny fahefan’ny demony jer. Lk 8,26-39.. Ireny no misantatra mialoha ny fandresena miezinezin’i Jesoa amin’ilay “mpanapaka an’izao tontolo izao” (Jo 12,31). Amin’ny alalan’ny Hazofijalian’i Kristy ny Fanjakan’Andriamanitra no miorina mandrakizay : “Avy eo ambonin’ny hazofijaliana no nanjaka Andriamanitra” Antsa « Vexilla Regis »..
“ Ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra”
Vao nanomboka ny raharaham-pamonjeny ampahibemaso i Jesoa, dia nifidy lehilahy roa ambin’ny folo mba hiaraka Aminy sy mba handray anjara amin’ny fanirahana Azy jer. Mk 3,13-19.. Nomeny anjara amin’ny fahefany izy ireo “ary nirahany hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary” (Lk 9,2). Mijanona ho mpikambana mandrakizay ao amin’ny Fanjakan’i Kristy izy ireo satria amin’ny alalan’i Kristy no hitondran’izy ireo ny Fiangonana :
Izaho hanamboatra Fanjakana ho anareo, tahaka ny nanamboaran’ny Raiko Fanjakana ho Ahy ; mba hihinananareo sy hisotroanareo eo amin’ny latabatra any amin’ny Fanjakako, ary hipetrahanareo amin’ny seza fiandrianana hitsara ny foko roa ambin’ny folon’i Israely (Lk 22,29-30).
Amin’ny fiombonam-piadidian’ny Roa ambin’ny folo, i Simôna Piera no mitana ny toerana voalohany jer. Mk 3,16; 9,2; Lk 24,34; 1 Kôr 15,5.. Nanankinan’i Jesoa andraikitra tsy manam-paharoa izy. Noho ny fanambaràna avy amin’ny Ray no nahatonga an’i Piera niaiky hoe : “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona” jer. Mt 16,16.. Tamin’izay, hoy ny nambaran’ny Tompontsika taminy : “Ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako, ary ny Vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy” (Mt 16,18). I Kristy, “Vato velona” (1 Pi 2,4), no miantoka ho an’ny Fiangonany miorina eo ambonin’i Piera, amin’ny fandresena ny hery amam-pahefan’ny fahafatesana. I Piera, noho ny finoana nekeny ampahibemaso, dia haharitra ho vatolampin’ny Fiangonana tsy voahozongozona. Hanana andraikitra hitahiry izany finoana izany tsy ho lefy izy sy hanamafy ny finoan’ireo rahalahiny jer. Lk 22,32..
Nanankinan’i Jesoa fahefana manokana i Piera : “Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra : na inona na inona hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy any an-danitra, ary na inona na inona hovahanao ety an-tany dia ho voavaha any an-danitra” (Mt 16,19). Ilazana ny fanomezam-pahefana hitondra ny tranon’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny Fiangonana, ny hoe : “fahefan’ny fanalahidy”. Nanamafy izany fiadidiana izany i Jesoa, “ilay Mpiandry ondry Tsara” (Jo 10,11), taorian’ny Fitsanganany ho velona : “Fahano ny ondriko” (Jo 21,15-17). Ny fahazoam-pahefana “hamehy sy hamaha” dia midika fahefana hamela ny fahotana, hamoaka hevitra voalanjalanja amin’ny fitambaram-pampianarana momba ny finoana sy ny lalàna ary handray fanapahan-kevitra momba ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny Fiangonana. Nankinin’i Jesoa amin’ny Fiangonana io fahefana io, amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny apôstôly jer. Mt 18,18., ary indrindra ny an’i Piera manokana, ilay izay hany nanankinany miharihary ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra.
Santa-pahasambarana any amin’ny Fanjakan’ny lanitra : ny Fiovàn-tarehy
Hatramin’ny andro nieken’i Piera fa i Jesoa no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona, no “nanomboka namboraka tamin’ireto mpianany ilay Mpampianatra fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, hijaly any (…) hovonoina, fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo” (Mt 16,21) : nandà izany filazana izany i Piera jer. Mt 16,22-23., tsy nahazo loatra an’izany kosa ireo hafa jer. Mt 17,23; Lk 9,45.. Tao anatin’izany toe-javatra izany no nametrahana ny sombin-tantara mifono mistery momba ny Fiovàn-tarehin’i Jesoa jer. Mt 17,1-8 //; 2 Pi 1,16-18., tany an-tendrombohitra avo iray, teo anatrehan’ireo vavolombelona anankitelo nofidiny : i Piera, i Jakôba ary i Joany. Ny tarehin’i Jesoa sy ny fitafiany nanjary nanjelanjelatry ny fahazavana, i Môizy sy i Elia niseho, sy “nilaza ny hialan’i Jesoa eto an-tany izay tsy maintsy hotanteraka any Jerosalema” (Lk 9,31). Nisy rahona nanarona azy ireo sy feo avy any an-danitra nanambara hoe : “Ity no Zanako, ilay Nofidiko ; henoy Izy” (Lk 9,35).
Nasehon’i Jesoa tao anatin’ny fotoana fohy ny voninahitra maha-Andriamanitra Azy, izay nankaherezany ny fiekem-pinoan’i Piera. Nasehony koa fa mba “hidirana amin’ny voninahiny” (Lk 24,26), dia tsy maintsy mandalo amin’ny Hazofijaliana any Jerosalema Izy. Nahita maso ny Voninahitr’Andriamanitra teo an-Tendrombohitra, i Môizy sy i Elia ; nanambara ny fijalian’ny Mesia ny Lalàna sy ny Mpaminany jer. Lk 24,27.. Sitrapon’ny Ray tokoa ny fijalian’i Jesoa : nanao ny asan’ny Mpanompon’Andriamanitra ny Zanaka jer. Iz 42,1.. Manondro ny fisian’ny Fanahy Masina teo, ny rahona : “Niseho tamin’izany ny Trinite manontolo : ny Ray tamin’ny feo, ny Zanaka tamin’ny maha-Olombelona Azy, ny Fanahy Masina tamin’ny rahona mazava” Md Thomas d’A., s.th. 3,45, 4,ad 2. :
Ry Kristy Andriamanitra, niova tarehy teo an-tendrombohitra Ianao, ary nibanjina ny Voninahitrao araka izay azony natao ny mpianatrao, mba hahazoan’izy ireo an-tsaina, rahefa hahita Anao hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, fa an-tsitrapo no nijalianao, ary mba hitorian’izy ireo amin’izao tontolo izao fa Ianao marina no famirapiratan’ny Ray Litorzia bizantinina, « Kontakion »’ny fetin’ny Fiovan-tarehy..
Ny Batemy no fiandohan’ny fiainana ampahibemaso; ny Fiovàn-tarehy kosa no fiandohan’ny Paka. Tamin’ny Batemin’i Jesoa “no naseho ny misterin’ny fanavaozana voalohany antsika” : ny Batemintsika ; ny Fiovàn-tarehy “no sakramentan’ny fanavaozana faharoa” : ny fananganana ny vatantsika ho velona Md Thomas d’A. s.th. 3,45,4,ad 2.. Manomboka izao isika no mandray anjara amin’ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay miasa ao amin’ny sakramentan’ny Vatan’i Kristy. Ny Fiovàn-tarehy no manome antsika ny santatry ny fahatongavan’i Kristy amim-boninahitra “izay hanova ny vatantsika tsinontsinona mba hampitovy endrika izany amin’ny Vatany be voninahitra” (Filip 3,21). Kanefa mampahatsiaro antsika koa izany fa “amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy idirantsika ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Asa 14,21) :
Tsy mbola fantatr’i Piera izany raha naniry hiara-mitoetra amin’i Kristy teo an-tendrombohitra izy jer. Lk 9,33.. Notahiriziny ho anao izany, ry Piera, ho amin’ny aorian’ny fahafatesana. Fa ankehitriny ny tenany ihany no milaza hoe : Midîna mba hiaritra fijaliana mafy eto an-tany, mba hanompo eto an-tany, mba hoesoina, hofantsihana amin’ny hazofijaliana eto an-tany. Nidina ilay Fiainana mba hovonoina ; nidina ilay Mofo mba ho noana ; nidina ilay Lalana mba ho sasatry ny dia ; nidina ilay Loharano mba hangetaheta ; ka ianao ve handà tsy hijaly Md Augustin, serm. 78,6. ?
Ny fiakaran’i Jesoa any Jerosalema
“Ary nony antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa amin’izao tontolo izao, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy” (Lk 9,51) jer. Jo 13,1.. Nampahafantariny tamin’izany fanapahan-kevitra izany fa niakatra tany Jerosalema Izy, ary vonona ho faty tany. Intelo miantoana Izy no nanambara ny fijaliany sy ny Fitsanganany ho velona jer. Mk 8,31-33; 9,31-32; 10,32-34.. Teny am-pizorana ho any Jerosalema, dia hoy Izy : “Tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema” (Lk 13,33).
Mahatsiaro ny mpaminany natao martiry izay novonoina tao Jerosalema i Jesoa jer. Mt 23,37a.. Kanefa, nikiry niantso an’i Jerosalema Izy mba hiangona manodidina Azy : “Impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan’ ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany (…) fa tsy nety ianao !” (Mt 23,37b). Rahefa nahita an’i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy jer. Lk 19,41., ary mbola naneho indray mandeha ny fanirian’ny fony nanao hoe : “Endre! raha izay ianao no mba nahalala izay hafatra hampiadana anao, na dia amin’ity andro nomena anao ity ihany aza ! Saingy indrisy! takona ny masonao izany ankehitriny” (Lk 19,42).
Ny fidirana maha-Mesia an’i Jesoa tao Jerosalema
Fomba ahoana no andraisan’i Jerosalema ny Mesiany ? Nodifian’i Jesoa hatrany aloha ny fitadiavan’ny vahoaka hanao Azy ho mpanjaka jer. Jo 6,15., fa nifidy ny fotoana Izy ary nanomana tamin’ny an-tsipiriany ny fidirany amin’ny maha-Mesia Azy tao an-tanànan’i “Davida rainy” (Lk 1,32) jer. Mt 21,1-11.. Nohobìna ho zanak’i Davida Izy, ilay mitondra ny famonjena (Hosanna dia midika hoe : “vonjeo re !”, “omeo ny famonjena !”). Ary niditra tao an-Tanànany ilay “Mpanjakan’ny Voninahitra” (Sal 24,7-10), “nitaingina zanak’ampondra” (Zak 9,9) : Tsy tamin’ny hafetsena na herisetra no nandreseny ny Zanakavavin’i Siôna, sary an’ohatra ny Fiangonany, fa tamin’ny fanetren-tena izay mampiseho ny Marina jer. Jo 18,37.. Izany no nahatonga ny ankizy jer. Mt 21,15-16; Sal 8,3. sy ny “mahantran’Andriamanitra” tamin’izany andro izany, ho fototra iorenan’ny Fanjakany, izay nihoby Azy toy ny nanambaràn’ny anjely Azy tamin’ny mpiandry ondry jer. Lk 19,38; 2,14.. Ny fihobian’izy ireo hoe : “Hosoavina anie ilay avy amin’ ny anaran’ny Tompo” (Sal 118,26), dia averin’ny Fiangonana amin’ny “Masina! Masina! Masina!” (Sanctus) amin’ny litorzian’ny Eokaristia, ho fanorenana ny tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’ny Tompo.
Ny fidiran’i Jesoa tao Jerosalema dia mampiseho ny Fahatongavan’ny Fanjakan’ny lanitra izay hotanterahin’ilay Mesia-Mpanjaka amin’ny Pakan’ ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona. Ny fankalazany izany amin’ ny alahadin’ny Sampan-kazo, no anombohan’ny litorzian’ny Fiangonana ny Herinandro Masina lehibe.
“Fampianarana mitohy lalandava ny fiainan’i Kristy manontolo : ny fanginany, ny zava-mahagaga nataony, ny fihetsiny, ny fivavahany, ny fitiavany ny olombelona, ny tombom-pitiavany ny madinika sy ny mahantra, ny fanekeny ho sorona manontolo teo amin’ny Hazofijaliana ho fanavotana an’izao tontolo izao, ny Fitsanganany ho velona, dia fampiharana ny teniny sy fanatanterahana ny Fanambaràna” CT 9..
Tsy maintsy maka tahaka an’i Kristy ny mpianany, mandra-pahary an’i Kristy ao anatin’izy ireo jer.Gal 4,19.. “Noho izany, voakambana ao amin’ny misterin’ ny fiainany isika, mitovy endrika Aminy, tafaray amin’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona, eo am-piandrasana ny fahatanterahan’izany any amin’ny Fanjakany” FF 7..
Tsy afaka hahatratra an’Andriamanitra eto an-tany, na Mpiandry ondry na Majy, raha tsy mandohalika eo anoloan’ny tranonombin’i Betilehema ary mitsaoka Azy voafina ao amin’ny halemen-jazakely.
Tamin’ny fankatoavany an’i Maria sy Josefa, ary koa tamin’ny asany tsotra dia tsotra nandritra ny taona maro tao Nazareta no anomezan’i Jesoa antsika oha-pahamasinana eo amin’ny fiainana andavanandron’ny fianakaviana sy ny asa.
Hatramin’ny fanombohan’ny fiainany ampahibemaso, tamin’ny Bateminy, i Jesoa no ilay "Mpanompo" manokan-tena tanteraka amin’ny tsanganasam-panavotana izay ho tanteraka amin’ny “batemim”-pijaliany.
Ny fakam-panahy tany an’efitra dia mampiseho an’i Jesoa, Mesia manetry tena izay mandresy an’i Satana, noho ny firaiketany manontolo amin’ny fandaharam-pamonjena sitraky ny Ray.
Teto an-tany no nisantarin’i Kristy ny Fanjakan’ny lanitra. “Amin’ny alalan’ny teniny sy ny asany ary ny maha-eo Azy, no amirapiratan’io Fanjakana io eo imason’ny olombelona” FF 5.. Ny Fiangonana no tsiry sy santatr’io Fanjakana io. Nankinina tamin’i Piera ny fanalahidiny.
Ny hampahery ny finoan’ireo apôstôly ho amin’ny fijaliana no kendren’ ny Fiovàn-tarehin’i Kristy : ny fiakarana tany an-"tendrombohitra avo" no manomana ny fiakarana any an-tampon’i Kalvery. Asehon’i Kristy, Lohan’ny Fiangonana, izay raketin’ny Vatany sy mamirapiratra ao amin’ ny sakramenta : "ny fanantenana ny Voninahitra" (Kôl 1,27) Md Léon le Grand, serm. 51,3. .
Niakatra an-tsitrapo tany Jerosalema i Jesoa, na efa fantany tokoa aza fa ho faty amin’ny herisetra any Izy, noho ny fanoheran’ny mpanota Azy jer. Heb 12,3..
Mampiseho ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny fidiran’i Jesoa tao Jerosalema, ka ilay Mesia-Mpanjaka raisin’ny ankizy madinika sy ny manetry tena ao am-po, ao an-tanànany, no hanatanteraka izany amin’ny alalan’ny Pakan’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona.
4.“Nijaly i Jesoa faha-Pôntsy Pilaty, nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana, maty dia nalevina”
Ny misterin’ny Paka namantsihana an’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana sy ny Fitsanganany ho velona no votoatin’ny Vaovao Mahafaly, ka ireo apôstôly sy ny Fiangonana manara-dia azy ireo, no tsy maintsy mitory izany amin’izao tontolo izao. Tamin’ny alalan’ny fahafatesam-panavotan’i Jesoa-Kristy Zanany no nahatanteraka “indray mandeha dia ampy” (Heb 9,26) ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra.
Matoky lalandava ny Fiangonana, amin’ny “fanazavana ny Soratra Masina manontolo” nomen’ny Tenan’i Jesoa mihitsy, na taloha na taorian’ny Pakany jer. Lk 24,27.44-45.: “Moa tsy tokony ho niaritra ireny fijaliana ireny va ny Mesia mba hidirany amin’ny voninahiny ?” (Lk 24,26). Niverina toy ilay tena nitranga ireo fijalian’i Jesoa notantaraina, rahefa tamin’ny filazana ny “nanosehan’ny loholona sy ny lohandohan’ny mpisorona ary ny mpahay lalàna” (Mk 8,31) Azy, izay “nanolotra Azy tamin’ny jentily mba hoesoina, hokapohina ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana” (Mt 20,19).
Koa, azon’ny finoana atao ny miezaka manadihady ireo toe-javatra niseho momba ny nahafatesan’i Jesoa, ampitain’ny Evanjely araka ny tena izy jer. FA 19. ary hazavain’ny loharanon-tantara hafa, mba hahazoan’ny saina tsaratsara kokoa ny hevitra raketin’ny Fanavotana.
Paragrafy 1. Jesoa sy Israely
Vao nanomboka ny raharaham-pamonjena ampahibemaso i Jesoa, dia efa niray tsikombakomba amin’izay hahavoazana Azy ny Farisianina sy ny mpomba an’i Herôda, niaraka tamin’ny mpisorona sy ny mpahay lalàna jer. Mk 3,6.. Tamin’ireo asa sasantsasany nataony (fandroahana demony jer. Mt 12,24., famelana ny fahotana jer. Mk 2,7., fanasitranana amin’ny andro sabata jer. Mk 3,1-6., fanazavana hafahafa momba ireo fitsipiky ny fahadiovana voalazan’ny Lalàna jer. Mk 7,14-23. ; fifankahazoana amin’ny poblikanina sy ny mpanota fanta-poko fanta-pirenena jer. Mk 2,14-17.), dia noheverin’ny sasany ratsy eritreritra, fa misy demony i Jesoa jer. Mk 3,22; Jo 8,48; 10,20.. Fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra jer. Mk 2,7; Jo 5,18; 10,33. sy faminaniana sandoka jer. Jo 7,12; 7,52. no niampangana Azy, izay heloka bevava ara-pivavahana, ka fanamelohana ho faty amin’ny fitoraham-bato no sazy ahatran’ny Lalàna amin’izany jer. Jo 8,59; 10,31..
Betsaka tokoa izany ny asa sy ny tenin’i Jesoa no “famantarana hotoherina” jer. Lk 2,34., ho an’ireo mpitondra ara-pivavahana tao Jerosalema, izay antsoin’ny Evanjelin’i Md Joany matetika hoe “ny Jody” jer. Jo 1,19; 2,18; 5,10; 7,13; 9,22; 18,12; 19,38; 20,19., ary vao mainka ho an’ny fiombonamben’ny Vahoakan’Andriamanitra jer. Jo 7,48-49.. Marina fa ny fifandraisany tamin’ny Farisianina tsy dia hoe fifandiran-kevitra fotsiny akory. Fa Farisianina no nampandre Azy rahefa nisy loza nananontanona jer. Lk 13,31.. Derain’i Jesoa ny sasany tamin’izy ireo, toy ilay mpahay lalàna voalazan’i Mk 12,34, ary imbetsaka nisakafo tany amin’ny Farisianina Izy jer. Lk 7,36; 14,1.. Namarinin’i Jesoa ny tena hevitry ny fitambaram-pampianarana niombonan’ireo sangan’olona ara-pivavahana teo amin’ny Vahoakan’Andriamanitra : ny fitsanganan’ ny maty ho velona jer. Mt 22,23-34; Lk 20,39., ny endriky ny fitiavana aseho an’asa (fiantrana, fifadian-kanina ary fivavahana) jer. Mt 6,2-18. sy ny fahazarana miteny amin’Andriamanitra ho toy ny Ray, ny votoaty mampiavaka ny didim-pitiavana an’Andriamanitra sy ny namana jer. Mk 12,28-34..
I Jesoa, teo imason’ny maro tao Israely, dia toa manao asa amam-pihetsika manohitra ny fototry iorenan’ny Vahoaka voafidy : - ny fankatoavana ny Lalàna mirakitra manontolo ireny didiny voasoratra ireny, ary ho an’ny Farisianina dia ny fankatoavana ny fanazavana ny lovantsofina nampitaina am-bava; - ny maha-ivon-toerana ny Tempolin’i Jerosalema, noho izy toerana masina izay onenan’Andriamanitra amin’ny fomba manokana; - ny finoana an’Andriamanitra tokana izay tsy misy na iza na iza mitovy voninahitra Aminy.
I.I Jesoa sy ny Lalàna
Fampitandremana ampahibemaso no nataon’i Jesoa tamin’ny fanombohana ny Toriteny teo an-Tendrombohitra, izay teo Izy no nanolotra ny Lalàna nomen’Andriamanitra teo Sinaia tamin’ny Fanekem-pihavanana Voalohany, teo ambany fitsilovan’ny fahasoavan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao :
“Aza ataonareo fa tonga Aho hanafoana ny Lalàna na ny Mpaminany ; tsy tonga hanafoana Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko marina aminareo, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy foana akory ny amin’ny Lalàna na dia i iray na tendro amin’ny i iray akory aza, raha tsy tanteraka izy rehetra. Koa amin’izany, ilay izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, dia ho kely indrindra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra; fa ilay izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 5,17-19).
I Jesoa, ilay Mesian’i Israely, ilay lehibe indrindra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra àry, dia tsy maintsy nanatanteraka ny Lalàna manontolo hatramin’ny didy madinika indrindra, araka ny teny naloakan’ny vavany ihany. Izy mihitsy aza no hany afaka nanao izany tamin’ny fomba lavorary jer. Jo 8,46.. Niaiky marimarina moa ny Jody, fa tsy vitan’izy ireo na oviana na oviana izany hanatanteraka ny Lalàna manontolo izany ka hoe tsy handika na dia ny didy faran’izay madinika aza jer. Jo 7,19; Asa 13,38-41; 15,10.. Izany no mahatonga ny zanak’i Israely isan-taona, amin’ny fetin’ny Fanonerana, hangata-pamelana amin’Andriamanitra noho ny fandikan’izy ireo ny Lalàna. Satria, iray tsy mivaky ny Lalàna, araka ny fampahatsiahivan’i Md Jakôba izany, fa “na zovy na zovy mitandrina ny Lalàna manontolo, nefa diso amin’ny anankiray monja, dia meloka amin’izy rehetra” (Jak 2,10) jer. Gal 3,10; 5,3..
Io fitsipika fototra mahakasika manontolo ny fitandremana ny Lalàna io, izay tsy ara-bakiteny ihany fa ara-panahy koa, dia sarobidy ho an’ny Farisianina. Ny fampisongadinana azy ity ho an’i Israely no nitarihan’ny Farisianina ireo Jody maro, tamin’ny andron’i Jesoa, ho an’ny zotom-pom-pivavahana mihoa-pampana jer. Rôm 10,2.. Io zotom-po io, raha tsy mivadika ho fahaiza-manazava kônsiansy “feno fihatsarambelatsihy” jer. Mt 15,3-7; Lk 11,39-54., dia afaka nanomana ny vahoaka amin’ilay firotsahan’ Andriamanitra an-tsehatra amin’ny fomba mahatalanjona, izay tsy inona fa ny fanatanterahana ny Lalàna an-tsakany sy an-davany ataon’Ilay hany Marina, eo amin’ny toeran’ny mpanota rehetra jer. Iz 53,11; Heb 9,15..
Tsy ho tanteraka an-tsakany sy an-davany ny Lalàna, afa-tsy amin’ny asan’ Izy Andriamanitra Mpanao lalàna ihany, ao amin’ny Tenan’ny Zanany izay nateraka teo ambanin’ny Lalàna jer. Gal 4,4.. Ao amin’i Jesoa, tsy voasokitra intsony amin’ny takela-bato ny Lalàna, fa “ao am-po lalin’ilay” (Jer 31,33) Mpanompo, izay manjary “fanekem-pihavanana ho an’ny vahoaka” (Iz 42,6), noho Izy “hamoaka amim-pahamarinana ny lalàna” (Iz 42,3). Nanatanteraka ny Lalàna i Jesoa hatramin’ny nandraisany ho an’ny Tenany “ny ozon’ny Lalàna” (Gal 3,13) setrain’ireo izay “tsy manatanteraka ny didy rehetra raketin’ny Lalàna jer. Gal 3,10., satria “nisy ny fahafatesan’i Kristy mba hanonerana ny fandikan-dalàna tamin’ny Fanekem-pihavanana Voalohany” (Heb 9,15).
Hita fa “Mpampianatra” jer. Jo 11,28; 3,2; Mt 22,23-24.34-36.i Jesoa, teo imason’ny Jody sy ireo filohan’izy ireo ara-panahy. Matetika Izy no mampiasa porofo avy amin’ny fanazavan’ny mpampianatra ny Lalàna jer. Mt 12,5; 9,12; Mk 2,23-27; Lk 6,6-9; Jo 7,22-23.. Miaraka amin’izany koa anefa, tsy afaka ny tsy hifandona tamin’ireo manam-pahaizana momba ny Lalàna Izy, satria tsy nianina fotsiny tamin’ny fanomezany fanazavana izay efa anisan’ny nananan’izy ireo, fa “nampianatra toy ny manana fahefana fa tsy mba tahaka ny mpahay lalàna” (Mt 7,28-29). Ao Aminy dia Tenin’Andriamanitra mitovy ihany ilay nanakoako teo Sinaia nanomezana an’i Môizy ny Lalàna voasoratra, sy ilay natao heno indray teo an-Tendrombohitry ny hasambarana jer. Mt 5,1.. Tsy nanafoana ny Lalàna ny Tenin’Andriamanitra fa manatanteraka izany amin’ny fanomezany ny fanazavana feno tanteraka araka ny fomban’ Andriamanitra : “Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe (…) fa izaho kosa milaza aminareo” (Mt 5,33-34). Dia mbola io fahefan’Andriamanitra io ihany koa no entiny mitsipaka ny sasany amin’ny “fomba amam-panao nampitain’olombelona” jer. Mk 7,8. tandreman’ireo Farisianina izay manafoana ny Tenin’Andriamanitra jer. Mk 7,13..
Lasa lavidavitra kokoa aza i Jesoa, fa nanatanteraka ny Lalàna momba ny fahadiovana ara-tsakafo, izay tena manan-danja tokoa teo amin’ny fiainana andavanandron’ny Jody, ka tamin’ny alalan’ny fanazavan’Andriamanitra no namborahany ny hevitra “ara-panabeazana” jer. Gal 3,24. fonosiny : “Izay avy eo ivelany ka miditra ao anatin’ny olona dia tsy mahaloto azy (…) – izany no nanambaràny fa madio avokoa ny hanina rehetra. Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, izany no mahaloto azy. Satria avy ao anaty, avy ao amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy” (Mk 7,18-21). I Jesoa, amin’ny fanomezana tamin’ny fahefan’Andriamanitra ny fanazavana tanteraka ny Lalàna, dia nifandona tamin’ireo mpahay lalàna sasantsasany izay tsy nandray ny fanazavany momba ny Lalàna, nefa dia azo antoka izany noho ny fisian’ny famantarana avy amin’Andriamanitra nomba azy jer. Jo 5,36; 10,25.37-38; 12,37.. Ny amin’ny sabata indrindra no voakasik’izany manokana : mampahatsiahy i Jesoa, matetika tamin’ny fandresen-dahatra fanaon’ny raby jer. Mk 2,25-27; Jo 7,22-24., fa ny fitsaharana amin’ny sabata, dia tsy voakorontan’ny fanompoana an’Andriamanitra jer. Mt 12,5; Fan 28,9. na ny namana jer. Lk 13,15-16; 14,3-4. izay tontosainy amin’ny fanasitranana.
II.I Jesoa sy ny Tempoly
I Jesoa, toy ireo mpaminany talohany, dia nampianatra ny amin’ny fanajana fatratra ny Tempolin’i Jerosalema. Tao no nanoloran’i Josefa sy i Maria Azy, efapolo andro taorian’ny nahaterahany jer. Lk 2,22-39.. Fony Izy roa ambin’ny folo taona, nanapa-kevitra Izy hijanona ao an-Tempoly mba hampahatsiahy ny ray aman-dreniny fa tsy maintsy manao ny raharahan’ny Rainy Izy jer. Lk 2,46-49.. Niakatra tany Izy, fara fahakeliny isan-taona, mba hamonjy ny fetin’ny Paka, nandritra ny fiainany miafina jer. Lk 2,41. ; tamin’ny raharaham-pamonjeny ampahibemaso ihany koa, niverimberina nanao fivahiniana masina tao Jerosalema Izy, namonjy ireo fety lehibe fanaon’ny Jody jer. Jo 2,13-14; 5,1.14; 7,1.10.14; 8,2; 10,22-23..
Niakatra tao an-Tempoly i Jesoa, satria io no toerana voatokana hihaonana amin’Andriamanitra. Ho Azy, ny Tempoly no fonenan’ny Rainy, trano fivavahana, ka nampisendaotra azy ny fahitana fa nanjary toeram-pivarotana ny kianja teo ivelany jer. Mt 21,13.. Matoa Izy nandroaka an’ireo mpivarotra tao an-Tempoly dia noho ny hasarotam-piarony an-dRainy : “Aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko. Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe : "Ny fitiavako ny tranonao no maharîtra ny aiko" (Sal 69,10)” (Jo 2,16-17). Taorian’ny Fitsanganany ho velona, dia mbola notanan’ny apôstôly ny fanajana ny Tempoly amin’ny maha-trano fivavahana azy jer. Asa 2,46; 3,1; 5,20.21; sns..
Teo an-katoky ny fotoana hijaliany anefa, dia nambaran’i Jesoa ny haharava io trano goavana sady marevaka io, izay tsy hisy vato havela hifanongoa eo aminy jer. Mt 24,1-2.. Hita eto amin’izany ny filazana ny famantarana ny andro farany izay hanomboka miaraka amin’ny Pakany manokana jer. Mt 24,3; Lk 13,35.. Kanefa izany faminaniana izany no notaterin’ny vavolombelona tsy marina tamin’ny fomba niova endrika, rahefa nofotorana tao amin’ny mpisorombe i Jesoa jer. Mk 14,57-58., sy antony nanevatevana Azy nony voafantsika teo amin’ny Hazofijaliana Izy jer. Mt 27,39-40..
Tsy i Jesoa velively no nankahala ny Tempoly jer. Mt 8,4; 23,21; Lk 17,14; Jo 4,22., izay tao no nanomezany ny votoatin’ny fampianarany jer. Jo 18,20., ka an-tsitrapo no nandoavany ny hetran’ny Tempoly nampiarahany tamin’ny an’i Piera jer. Mt 17,24-27. izay vao avy napetrany ho vato fototry ny Fiangonany mbola hoavy jer. Mt 16,18.. Fanampin’izany, nampitovy ny Tenany amin’ny Tempoly Izy, amin’ny fisehoany fa fonenan’Andriamanitra mandrakizay eo anivon’ny olombelona jer. Jo 2,21; Mt 12,6.. Izany no antony nahatonga ny namonoana ny tenany jer. Jo 2,18-22. ho fanambaràna ny faharavan’ny Tempoly izay hampiharihary ny fidirana ao anatin’ny vanim-potoana vaovao ny tantaram-pamonjena : “Tonga ny andro, ka tsy amin’io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin’ny Ray” (Jo 4, 21) jer. Jo 4,23-24; Mt 27,51; Heb 9,11; Apôk 21,22..
III.Jesoa sy ny finoan’i Israely an’Andriamanitra Tokana sady Mpamonjy
Raha ny Lalàna sy ny Tempolin’i Jerosalema no nahatonga ny “fanoherana” jer. Lk 2,34. nataon’i Jesoa tamin’ireo mpitondra ara-pivavahana tany Israely, dia ny anjara asan’i Jesoa ao anatin’ny fanavotana amin’ny fahotana, ambony tokoa amin’ny tsanganasan’Andriamanitra kosa, no tena vato nanafintohina azy ireo jer. Lk 20,17-18; Sal 118,22..
Nanafintohina ny Farisianina i Jesoa izay sady nihinana niaraka tamin’ny poblikanina sy ny mpanota jer. Lk 5,30., no nifankahazo koa tamin’ny tenan’izy ireo jer. Lk 7,36; 11,37; 14,1.. Ho fanoherany an’ireo “izay natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany” (Lk 18,9) jer. Jo 7,49; 9,34. amin’ny samy izy ireo, dia hoy i Jesoa nanamafy : “Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka” (Lk 5,32). Mbola lasa lavidavitra kokoa noho izany Izy tamin’ny fanambaràna teo anatrehan’ny Farisianina fa manenika an’izao tontolo izao ny fahotana jer. Jo 8,33-36., ka izay mihambo ho tsy mila famonjena dia minia mikimpy amin’ny tenan’izy ireo ihany jer. Jo 9,40-41..
Ny nanafintohina indrindra tamin’i Jesoa, dia satria Izy nampitovy ny fihetsiny be indrafo amin’ny mpanota, amin’ny fihetsika ataon’ny Tenan’ Andriamanitra, teo anatrehan’izy ireny jer. Mt 9,13; Ôs 6,6.. Lasa hatramin’ny fampahafantarany an’izany fa ny fiarahany miray latabatra amin’ny mpanota jer. Lk 15,1-2. dia efa fandraisany azy ireo amin’ny fanasam-ben’ny Mesia jer. Lk 15,23-32.. Fa ny niavaka indrindra tamin’ireny dia ny famelan’i Jesoa ny fahotana izay tena nahavàka ny sain’ireo mpitondra ara-pivavahana teo amin’i Israely. Tsy marina ve raha tao anatin’ny fahasosorana no nilazan’izy ireo hoe : “Andriamanitra irery ihany no afaka mamela ny fahotana ?” (Mk 2,7). Amin’ny famelan’i Jesoa ny fahotana, na manevateva Izy satria olombelona tsotr’izao no milaza tena ho mitovy amin’Andriamanitra jer. Jo 5,18; 10,33., na milaza ny marina Izy ka ny Tenany no mampiseho sy manambara ny anaran’Andriananitra jer. Jo 17,6.26..
Ny maha-Andriamanitra ny Tenan’i Jesoa no hany afaka manamarina ny fitakiana sady fandidiana an’ireto lazainy manaraka ireto : “Izay tsy momba Ahy, manohitra Ahy” (Mt 12,30) ; toy izany koa rahefa nilaza Izy fa “lehibe noho i Jônasa, (...) lehibe noho i Salômôna” (Mt 12,41-42), “lehibe noho ny Tempoly” jer. Mt 12,6. ; rahefa nampahatsiahy ny Aminy Izy tamin’ny niantsoan’i Davida ho Tompony ny Mesia jer. Mt 12,36-37., rahefa nanizingizina Izy hoe : “Fony mbola tsy nisy i Abrahama, dia efa Izaho Aho” (Jo 8,58) ; ary hatramin’ny hoe : “Izaho sy ny Ray dia iray ihany” (Jo 10,30).
Niangavian’i Jesoa ireo mpitondra ara-pivavahana tao Jerosalema mba hino Azy noho ny tsanganasan’ny Rainy izay notanterahiny jer. Jo 10,36-38.. Kanefa, tsy maintsy mandalo amin’ny misterin’ny fahafatesan’ny tena mihitsy, ny asam-pinoana toy izany, mba ho amin’ny fahateraham-baovao avy any ambony jer. Jo 3,7. amin’ny fitarihan’ny fahasoavan’Andriamanitra jer. Jo 6,44.. Ny fitakiam-pibebahana toy izany, manoloana ny fomba mahagaga nahatanteraka ny fampanantenana jer. Iz 53,1., dia mety hahazoana an-tsaina ny loza avy amin’ny hadisoan-kevitry ny Sanedrìna izay nilaza fa mendrika ho faty i Jesoa noho Izy mpiteny ratsy an’Andriamanitra jer. Mk 3,6; Mt 26,64-66.. Nanao toy izany koa ireo mpikambana tao aminy, noho ny tsy fahalalana jer. Lk 23,34; Asa 3,17-18. sy noho ny hajambàna jer. Mk 3,5; Rôm 11,25. amin’ny tsy finoana jer. Rôm 11,20..
Tsy nofoanan’i Jesoa ny Lalàna teo Sinaia, fa notanterahiny jer. Mt 5,17-19. tamin’ny fomba tena lavorary jer. Jo 8,46., izay nanambaràny ny hevitra fara tampon’izany jer. Mt 5,33.sy nanavotany ny fandikana izany jer. Heb 9,15..
Nanaja ny Tempoly i Jesoa tamin’ny fiakarany tao namonjy ny fety jody fanaovana fivahiniana masina, ary tiany sady nahasaro-piaro azy fatratra io fonenan’Andriamanitra eo anivon’ny olombelona io. Ny Tempoly no mampiseho mialoha ny misteriny. Raha nanambara ny faharavany Izy, dia ho fampisehoana ny famonoana ny Tenany ho faty sy ny fidirany amin’ny vanim-potoana vaovao ny tantaram-pamonjena, izay ny Vatany no ho Tempoly tena izy mandrakizay.
Nisy asa nataon’i Jesoa, toy ny famelana ny fahotana, izay nampiseho fa Izy mihitsy no ilay Andriamanitra Mpamonjy jer. Jo 5,16-18.. Ny Jody sasany, tsy nankato an’ilay Andriamanitra tonga Olombelona jer. Jo 1,14., izay nihevitra Azy ho olombelona manao ny Tenany ho Andriamanitra jer. Jo 10,33., dia nitsara Azy ho mpiteny ratsy an’Andriamanitra.
Paragrafy 2. Maty nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa
I.Ny fiampangana an’i Jesoa teo amin’ny fitsaràna
Fisarahan-tsaina teo amin’ireo mpitondra jody ny amin’i Jesoa
Teo anivon’ireo mpitondra ara-pivavahana tao Jerosalema, dia tsy i Nikôdema ilay Farisianina jer. Jo 7,50. na i Josefa ilay loholona avy any Arimatia ihany no miafinafina amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa jer. Jo 19,38-39., fa efa nisy fisarahan-tsaina hatry ny ela momba Azy io jer. Jo 9,16-17; 10,19-21. teo amin’izy ireo, hany ka ny andro mialoha ny fijaliany, dia azon’i Md Joany nolazaina, fa “maro tamin’izy ireo no nino Azy”, na dia tamin’ny fomba tsy tena lavorary aza (Jo 12,42). Tsy misy tokony hahagaga izany raha dinihana fa ny ampitson’ny Pantekôty, dia “betsaka ny mpisorona nanaiky ny finoana” (Asa 6,7), ary “ny sasany tamin’ny tariky ny Farisianina dia nanjary mpino” (Asa 15,5) hany ka afaka nilaza tamin’i Md Paoly i Md Jakôba fa “an’arivony maro ny Jody nandray ny finoana, nefa mbola fatra-pitàna ny Lalàna izy rehetra” (Asa 21,20).
Tsy nitovy hevitra ireo mpitondra ara-pivavahana tao Jerosalema ny amin’ny fihetsika tokony hatao eo anatrehan’i Jesoa jer. Jo 9,16; 10,19.. Ireo Farisianina nandrahona fa horoahina hiala ao amin’ny sinagôga ireo izay manaraka Azy jer. Jo 9,22.. Tamin’ireo izay natahotra fa “hino an’i Jesoa ny olona rehetra ka ho avy ny Rômanina handrava ny Toerana Masintsika sy ny firenentsika” (Jo 11,48), no namoahan’i Kaifa mpisorombe hevitra tamin’ny faminaniana hoe : “Tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo” (Jo 11,50). Ny Sanedrìna dia nanambara fa “mendrika ho faty” i Jesoa jer.Mt 26,66. amin’ny maha-mpiteny ratsy an’ Andriamanitra Azy, saingy noho ny tsy fananan’izy ireo fahefana hanameloka ho faty jer. Jo 18,31., dia natolotr’izy ireo ny Rômanina i Jesoa tamin’ny niampangana Azy ho mpikomy ara-pôlitika jer. Lk 23,2., mba hitovy laharana amin’i Barabasy voampanga fa “nitarika fikomiana” (Lk 23,19). Fandrahonana ara-pôlitika ihany koa no nampiasain’ireo lohandohan’ny mpisorona hanerena an’i Pilaty mba hanamelohany an’i Jesoa ho faty jer. Jo 19,12.15.21..
Tsy ny Jody rehetra miaraka no tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’i Jesoa
Raha heverina amin’ny fifangaroana ara-tantara momba ny fiampangana an’i Jesoa izay asehon’ny tantara araka ny Evanjely, ary na inona na inona mety ho fahotan’ny tsirairay tompon’antoka tamin’ny fiampangana (Jodasy, ny Sanedrina, Pilaty), izay Andriamanitra irery no mahalala, dia tsy azo lazaina ho tompon’andraikitra tamin’izany daholo ny Jody rehetra tao Jerosalema, na teo aza ny horakoraky ny vahoaka nanaraka am-bokony jer. Mk 15,11., sy ny fanomezan-tsiny ankapobeny raketin’ny antso avo ho amin’ny fibebahana, taorian’ny Pantekôty jer. Asa 2,23.36; 3,13-14; 4,10; 5,30; 7,52; 10,39; 13,27-28; 1 Tes 2,14-15.. I Jesoa rahateo ihany, tamin’Izy namela heloka teo amin’ny Hazofijaliana jer. Lk 23,34., sy i Piera, taty aoriany, dia nanambara fa tsy fahalalana jer. Asa 3,17. no nanaovan’ireo Jody tao Jerosalema an’izany, sy ny filohan’izy ireo koa. Tsy latsak’izany ny antsoantson’ny vahoaka hoe “Aoka ho aminay sy amin’ny zanakay ny rany” (Mt 27,25), izay midika ho fomba filaza manamafy jer. Asa 5,28; 18,6., dia tsy azo ilazana fa andraikitra mahakasika ireo Jody hafa amin’ny toerana sy ny fotoana rehetra izany :
Nanambara tahaka izany koa ny Fiangonana tamin’ny Kônsily faha-II tao Vatikana : “Izay rehetra natao nandritra ny fijalian’i Jesoa, dia tsy azo anomezan-tsiny ny Jody rehetra tsy an-kanavaka izay velona tamin’izany fotoana izany, na amin’izay Jody velona amin’izao androntsika izao (…). Tsy azo atao hoe narian’Andriamanitra ny Jody, na voaozony, toy ny hoe avy amin’ny Soratra Masina ery izany” FFTK 4..
Ny mpanota rehetra no tompon’antoka tamin’ny fijalian’i Kristy
Tsy hadinon’ny Fiangonana na oviana na oviana, ao amin’ny Toniam-pampianaram-pinoany sy amin’ny filazan’ny Olomasiny, fa “ny tenan’ny mpanota rehetra ihany no tompon’antoka sy toy ny fitaovana nahatonga ny fijaliana rehetra niaretan’ilay Andriamanitra Mpanavotra” Kat. R. 1,5,11; jer. koa Heb 12,3.. Amin’ny fandraisana ny hevitra hoe nihatra tamin’ny Tenan’i Kristy mihitsy ny fahotantsika jer. Mt 25,45; Asa 9,4-5., tsy mihambahamba ny Fiangonana milaza fa ny kristianina dia manana andraikitra faran’izay lehibe indrindra amin’ny fampijaliana an’i Jesoa, andraikitra izay matetika loatra no ailika amin’ny Jody irery ihany :
Fa na dia ny demony aza, tsy namàntsika Azy teo amin’ny Hazofijaliana ; fa ianao niaraka tamin’izy ireo no namàntsika Azy ary mbola mamàntsika Azy amin’ny Hazofijaliana, amin’ny fankafizanao ny faharatsian-toetra sy ny fahotana Md François d’Assise, admon. 5,3..
II.Ny fahafatesam-panavotan’i Kristy ao amin’ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra
“Natolotra araka ny fandaharana tsy miovaova an’Andriamanitra i Jesoa”
Tsy vokatry ny kisendrasendra tamin’ny fifanojoana trangan-javatra ratsy ny fahafatesana mahatsiravina nanjo an’i Jesoa. Anisan’ny misterin’ny fandaharan’Andriamanitra izany, araka ny nanazavan’i Piera azy tamin’ireo Jody tao Jerosalema, tamin’ny fitoriana voalohany nataony ny andron’ny Pantekôty : “Natolotra araka ny fandaharana tsy miovaova sy ny fahalalan’ Andriamanitra mialoha Izy” (Asa 2,23). Tsy midika anefa izany fiteny ara-baiboly izany, fa izay rehetra nanolotra an’i Jesoa jer. Asa 3,13. dia mpanatanteraka tsy araka ny nahim-pony, ny tantara nosoritan’Andriamanitra mialoha.
Amin’Andriamanitra, ny fotoana rehetra amin’ny andro dia miseho amin’ ny ankehitrinin’izy ireny avokoa. Naoriny àry ny fandaharany mandrakizay momba ny “tendry mialoha”, amin’ny fampidirana ao amin’izany ny valin-teny an-kalalahana ny olona tsirairay araka ny sitrany : “Eny tokoa, efa nikaon-doha marina teto amin’ity tanàna ity i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny jentily mbamin’ny vahoaka Israely jer. Sal 2,1-2., hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao, ka tamin’izany no nanatanterahan’izy ireo izay efa notendrenao mialoha rahateo, tamin’ny herinao sy ny fahendrenao” (Asa 4,27-28). Navelan’Andriamanitra ny asa avy amin’ny fahajamban’izy ireo jer. Mt 26,54; Jo 18,36; 19,11., mba hahatontosa ny fandaharam-pamonjeny jer. Asa 3,17-18..
“Maty noho fahotantsika, araka ny Soratra Masina”
Izany fandaharam-pamonjen’Andriamanitra tamin’ny famelana ho faty ny Mpanompo, ilay Marina izany jer. Iz 53,11; Asa 3,14., dia nambara mialoha ao amin’ny Soratra Masina ho misterin’ny fanavotana manenika an’izao tontolo izao, izany hoe fanavotana izay manafaka ny olombelona amin’ny fanandevozan’ny fahotana jer. Iz 53,11-12; Jo 8,34-36.. Nambaran’i Md Paoly tamin’ny fiekem-pinoana, nolazainy ho noraisiny jer. 1 Kôr 15,3., fa “maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina” (1 Kôr 15,3) jer. koa Asa 3,18; 7,52; 13,29; 26,22-23.. Ny fahafatesam-panavotan’i Jesoa dia nanatanteraka manokana ny faminaniana an’ilay Mpanompo nijaly jer. Iz 53,7-8 sy Asa 8,32-35.. Ny Tenan’i Jesoa rahateo ihany no nanome ny dikan’ny fiainany sy ny fahafatesany araka an’ilay Mpanompo nijaly jer. Mt 20,28.. Taorian’ny Fitsanganany ho velona, nomeny an’ireo mpianatra nankany Emaosy izany fanazavan-kevitry ny Soratra Masina izany jer. Lk 24,25-27., avy eo tamin’ny tenan’ireo apôstôly mihitsy koa jer. Lk 24,44-45..
“Nataon’Andriamanitra ho otantsika Izy”
Vokatr’izany, afaka nandrafitra tamin’ny rijan-teny izao finoana apôstôlika momba ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra izao i Piera : “Navotana ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana ianareo, tamin’ny ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, efa voatendry talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao, sy naseho tamin’izao andro farany izao, noho ny aminareo” (1 Pi 1,18-20). Ny tambin’ny fahotana nataon’ny olombelona, avy amin’ny fahotana tamin’ny fototra, dia ny fahafatesana jer. Rôm 5,12; 1 Kôr 15,56.. Tamin’ny nanirahany ny Zanany naka ny fomban’ny mpanompo jer. Filip 2,7., dia ny an’ny olombelona voaongana sy voatokana ho faty noho ny fahotana jer. Rôm 8,3., no “nanaovan’Andriamanitra Azy ho otantsika, Ilay tsy nahalala ota, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy isika” (2 Kôr 5,21).
Tsy nahalala ny fanomezan-tsiny i Jesoa noho ny Tenany mihitsy natao ota jer. Jo 8,46.. Kanefa tao anatin’ny fitiavam-panavotana izay nampiray Azy lalandava tamin’ny Ray jer. Jo 8,29., no nizakany antsika tao Aminy tamin’ny faniasiavana noho ny fahotantsika tamin’Andriamanitra ka nahatonga Azy afaka niteny tamin’ny anarantsika teo amin’ny Hazofijaliana hoe : “Ry Andriamanitro ô ! Ry Andriamanitro ô ! nahoana no dia nilaozanao Aho ?” (Mk 15,34) jer. Sal 22,1.. Toy izany koa, noho Izy tonga miombona amintsika mpanota, dia “tsy nandala ny Zanany Andriamanitra, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra” (Rôm 8,32) mba “ho tafahavana Aminy noho ny nahafatesan’ny Zanany isika” (Rôm 5,10).
Andriamanitra no naneho voalohany ny fitiavam-panavotany ny daholobe
Tamin’ny nanolorany ny Zanany noho ny fahotantsika no nampisehoan’ Andriamanitra, fa ny fandaharany momba antsika dia fandaharam-pitiavana izay mialoha ny fahamendrehana rehetra ahazoantsika valisoa: “Toy izao izany fitiavana izany : tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika noho ny fahotantsika” (1 Jo 4,10) jer. 1 Jo 4,19.. “Ny porofo fa tia antsika Andriamanitra, dia i Kristy maty ho antsika, fony mbola mpanota isika” (Rôm 5,8).
Tsy manavakavaka io fitiavana io ; nampahatsiahivin’i Jesoa izany raha namarana ny fanoharana momba ilay ondry very Izy hoe : “Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza” (Mt 18,14). Hizingizininy ny hoe “mahafoy ny ainy Izy, ho fanavotana ny be sy ny maro” (Mt 20,28) ; tsy misy famerana io teny farany io : ny fitambaran’ny olombelona no ampifanoheriny amin’ny singan’olona Mpanavotra izay nanolotra ny tenany hamonjena azy ireo jer. Rôm 5,18-19.. Ny Fiangonana, eo am-panarahan-dia ny apôstôly jer. 2 Kôr 5,15; 1 Jo 2,2., dia mampianatra fa maty ho an’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka i Kristy. “Tsy nisy, tsy misy ary tsy hisy olona na dia iray aza, izay tsy nijalian’i Kristy mba hanavotana azy” Kôns. Quiercy tamin’ny 853: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
III.Nanolotra ny Tenany tamin-dRainy i Kristy noho ny fahotantsika
Fanatitra ho an’ny Ray ny fiainan’i Kristy manontolo
Ilay Zanak’Andriamanitra, nidina avy tany an-danitra tsy hanao ny sitrapony fa ny an’ny Rainy izay naniraka Azy jer. Jo 6,38., “tamin’ny nidirany teto amin’izao tontolo izao, dia nilaza hoe : (...) Inty aho tonga (...) hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô. (...) Noho ny herin’io sitrapo io no nanamasina antsika tamin’ny fanolorana ny Tenan’i Jesoa-Kristy, indray mandeha monja” (Heb 10,5-10). Hatramin’ny fotoana voalohany Nahatongavany ho nofo, no niandany tamin’ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra amin’ny maha-iraka mpanavotra Azy ny Zanaka : “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy, sy ny manatanteraka ny tsanganasany” (Jo 4,34). Ny soron’i Jesoa “noho ny fahotan’izao tontolo izao” (l Jo 2,2) no fanehoana ny fiombonam-pitiavany amin’ny Ray : “Tia Ahy ny Ray satria mahafoy ny aiko Aho” (Jo 10,17). “Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray ka araka izay nandidian’ny Ray Ahy no ataoko”(Jo 14,31).
Izany faniriana hiandany amin’ny fandaharan’ny Rainy ombam-pitiavana hanavotra izany no manentana ny fiainan’i Jesoa manontolo jer. Lk 12,50; 22,15; Mt 16,21-23., satria ny fijaliam-panavotany no anton’ny Fahatongavany ho nofo : “Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity ! Nefa izao indrindra no nahatongavako ho amin’izao ora izao” (Jo 12,27). “Tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy ?” (Jo 18,11). Ary koa teo amin’ny Hazofijaliana, talohan’ny “hahatanteraka ny zavatra rehetra” (Jo 19,30), dia hoy Izy : “Mangetaheta Aho” (Jo 19,28).
“Ilay Zanak’Ondry izay manala ny fahotan’izao tontolo izao”
Rahefa avy nanaiky hanao Batemy an’i Jesoa taorian’ireo mpanota i Joany-Batista jer. Lk 3,21; Mt 3,14-15., dia nahafantatra sy nanondro Azy ho Zanak’Ondrin’Andriamanitra, izay manala ny fahotan’izao tontolo izao jer. Jo 1,29.36.. Nabaribariny tamin’izany fa i Jesoa dia sady ilay Mpanompo mijaly, tsy miloa-bava, manaiky hoentina amin’ny toeram-pamonoana jer. Iz 53,7; Jer 11,19. ary mivesatra ny fahotan’ny be sy ny maro jer. Iz 53,12., no ilay zanak’ondrin’ny Paka fanehoana an’ohatra ny fanavotana an’i Israely tamin’ny Paka voalohany jer. Eks 12,3-14; Jo 19,36; 1 Kôr 5,7. Ny fiainan’i Kristy manontolo dia manambara ny iraka nampanaovina Azy : hanompo sy hahafoy ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro jer. Mk 10,45..
Miandany an-kalalahana amin’ny fitiavam-panavotan’ny Ray i Jesoa
Tamin’ny fiandanian’i Jesoa tao am-pony maha-olombelona Azy ny fitiavan’ny Ray ny olombelona, no “nitiavany azy ireo hatramin’ny farany” (Jo 13,1) “satria tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ireo izay tiany” (Jo 15,13). Araka izany, tamin’ny fijaliana sy tamin’ny fahafatesana, ny maha-olombelona Azy dia nanjary fitaovana tsy voafatopatotra sy lavorary amin’ny fitiavana maha-Andriamanitra Azy izay mankasitraka ny famonjena ny olombelona jer. Heb 2,10.17-18; 4,15; 5,7-9.. Satria, nanaiky tamin-kalalahana hijaly sy ho faty Izy noho ny fitiavana ny Rainy sy ny olombelona izay sitraky ny Rainy hovonjena : “Tsy misy maka ny aiko Amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy” (Jo 10,18). Avy amin’izany ny fahafahana ambony indrindra ny Zanak’Andriamanitra raha nandroso ho amin’ny fahafatesana ny Tenany jer. Jo 18,4-6; Mt 26,53..
Tamin’ny Sakafo farany i Jesoa no nanolotra mialoha tamin-kalalahana ny ainy
Nasehon’i Jesoa ny fara tampon’ny fanolorany an-kalalahana ny Tenany, teo am-pisakafoana niaraka tamin’ny apôstôly roa ambin’ny folo jer. Mt 26,20., “tamin’ ilay alina nanolorana Azy” (1 Kôr 11,23). Ny andro mialoha ny fijaliany, mbola afaka Izy tamin’izay, no nanaovan’i Jesoa tamin’io Sakafo farany niaraka tamin’ny apôstôliny io ny tsangambato fahatsiarovana ny fanoloran-tenany an-tsitrapo amin’ny Ray jer. 1 Kôr 5,7. ho famonjena ny olombelona : “Ity no Vatako atolotra ho anareo” (Lk 22,19). “Ity no Rako, dia ny ran’ny fanekem-pihavanana, izay halatsaka ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana” (Mt 26,28).
Ny Eokaristia izay naoriny tamin’io fotoana io no ho tsangambato fahatsiarovana jer. 1 Kôr 11,25. ny nanolorany ny Tenany ho sorona. Natsofok’i Jesoa tao anatin’ny fanoloran-tenany ny apôstôly ary nangatahiny izy ireo mba hanohy hatrany izay nataony jer. Lk 22,19.. Tamin’izany i Jesoa no nanangana ny apôstôliny ho mpisoron’ny Fanekem-pihavanana Vaovao : “Manamasina ny tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy ireo” (Jo 17,19) jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1764..
Ny fiadian’aina tao Getsemania
Ny kalisin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay natolotr’i Jesoa mialoha tamin’ny Sakafo farany, nanolorany ny Tenany jer. Lk 22,20., dia noraisiny teo an-tanan’ny Ray, avy eo, tao Getsemania niadiany aina jer. Mt 26,42., ho “fanekeny hatramin’ ny fahafatesana” (Filip 2,8) jer. Heb 5,7-8.. Nivavaka i Jesoa nanao hoe : “Raiko ô, raha azo atao, aoka hesorina amiko ity kapaoka ity...” (Mt 26,39). Izany no nanehoany ny fomba aman-toetra maha-olombelona Azy, nahatahotra ny fahafatesana. Satria, ny fomba aman-toetra maha-olombelona Azy, toy ny antsika, dia natao ho amin’ny fiainana mandrakizay ; fanampin’izany, ny tsy itoviany amin’ny antsika, dia ny Azy lavorary tsy manam-pahotana jer. Ibid. 4,15., dia ny fahotana mahatonga ny fahafatesana jer. Rôm 5,12. ; fa indrindra, nozakainy tao amin’ny maha-Olona-Andriamanitry ny “Tompon’ny Aina” (Asa 3,15), "Ilay Velona" (Apôk 1,17) jer. Jo 1,4; 5,26., ny toetra amam-pomba maha-olombelona Azy. Ny fanekeny tamin-tsitrapo maha-olombelona Azy, mba hahatanteraka ny sitrapon’ny Ray jer. Mt 26,42., no nanekeny ny fahafatesany amin’ny maha-mpanavotra azy, mba “hitondrany ny fahotantsika ao amin’ny Vatany teo amin’ny hazo” (1 Pi 2, 24).
Ny fahafatesan’i Kristy no sorona tokana sady farany
Ny fahafatesan’i Kristy dia sady soron’ny Paka, nahatanteraka ny fanavotana ny olombelona indray mandeha ihany dia ampy jer. 1 Kôr 5,7; Jo 8,34-36., tamin’ny alalan’ ilay Zanak’Ondry izay nizaka ny fahotan’izao tontolo izao jer. Jo 1,29; 1 Pi 1,19., no soron’ny Fanekem-pihavanana Vaovao jer. 1 Kôr 11,25., mampiombona indray ny olombelona amin’ Andriamanitra jer. Eks 24,8., izay tafahavana Taminy, noho ilay ra nalatsaka ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana jer. Mt 26,28; Lev 16,15-16..
Tsy manam-paharoa io soron’i Kristy io, ary manatanteraka sy mihoatra ny sorona rehetra jer. Heb 10,10.. Fanomezan’Andriamanitra Ray rahateo ihany io sorona io : ny Ray no manolotra ny Zanany mba hampihavana antsika Aminy indray jer. 1 Jo 4,10.. Fanatitr’ilay Zanak’Andriamanitra tonga olombelona ihany koa anefa, io sorona io, izay nanolorany ny ainy jer. Jo 10,17-18. an-kalalahana sy am-pitiavana jer. Jo 15,13. tamin-dRainy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina jer. Heb 9,14., mba hanonerana ny tsy fanekentsika.
Soloan’i Jesoa amin’ny fanekeny ny tsy fanekentsika
”Tahaka ny nahatongavan’ny be sy ny maro ho mpanota noho ny tsy faneken’ny olona iray, no hahatongavan’ny be sy ny maro ho marina kosa noho ny faneken’ny olona iray” (Rôm 5,19). Ny fanekeny hatramin’ny fahafatesana no nanatanterahan’i Jesoa ny fisoloana an’ilay Mpanompo mijaly, izay “nanolotra ny ainy ho sorom-panonerana”, tamin’ny nizakàny ny fahotan’ny be sy ny maro izay namarininy tamin’ny nivesaran’ny Tenany ny fahadisoan’izy ireo jer. Iz 53,10-12.. I Jesoa no nanonitra ny fahotantsika ary nampitony ny Ray noho ny fahotantsika jer. Kôns Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Teo amin’ny Hazofijaliana no tanterak’i Jesoa ny soron’ny Tenany
”Ny fitiavana hatramin’ny farany” jer. Jo 13,1. no manome ny hasin’ny fanavotana sy ny fanoneram-panarenana, ny fanoneram-pandiovana sy ny fanoneram-pihavanana amin’ny soron’i Kristy. Nahalala antsika rehetra Izy ary nitia tao anatin’ny fanolorany ny ainy jer. Gal 2,20; Efez 5,2.25.. “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria fantatray fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka maty avokoa izany izy rehetra” (2 Kôr 5,14). Tsy misy olombelona na iray aza, na izy aza no masina indrindra, nahavita nizaka tao aminy ny fahotan’ny olombelona rehetra sy nanolo-tena hatao sorona ho azy rehetra. Ny fisian’ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanaka ao amin’i Kristy, izay sady mihoatra no manambatra ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, ary koa sady mahatonga Azy ho Lohan’ny olombelona rehetra, no mahatonga ny soron’ny Tenany ho mpanavotra ny rehetra.
“Tamin’ny fijaliany masina, teo amin’ny hazon’ny Lakroà, no nanaovany antsika ho mendrika ny fanamarinana”, izany no ampianarin’ny Kônsily tao Trente DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., amin’ny fanoritana ny toetra tsy manam-paharoa ny soron’i Kristy ho “foto-pamonjena mandrakizay” jer. Heb 5,9.. Koa, manaja ny Lakroà ny Fiangonana amin’ny fihiràny hoe : “Arahaba, ry Hazofijaliana, ry hany fanantenanay ! ” Antsa « Vexilla Regis ».
Ny fandraisantsika anjara amin’ny soron’i Kristy
Ny Hazofijaliana no sorona tokan’i Kristy “hany mpanelanelana amin’ Andriamanitra sy ny olombelona” jer. 1 Tim 2,5.. Fa satria, ao amin’ny maha-Olona-Andriamanitra tonga Nofo Azy, dia “mova tsy mikambana amin’ny olona rehetra ny Tenany” FAA 22, §2., ary “nomeny ny olombelona rehetra, amin’ny fomba izay fantatr’Andriamanitra, ny fahazoana mikambana amin’ny misterin’ny Paka” FAA 22, §5.. Miantso ireo mpianany Izy hitondra ny Hazofijalian’izy ireo sy hanaraka Azy jer. Mt 16,24., satria nijaly ho antsika Izy, nanoritra ny lalan-kizorantsika, mba hanarahantsika ny diany jer. 1 Pi 2,21.. Araka izany, tiany hiombona amin’ny sorom-panavotany, ireo izay voalohany mahazo tombon-tsoa amin’izany jer. Mk 10,39; Jo 21,18-19; Kôl 1,24.. Tanteraka tamin’ny fara tampony tokoa izany tamin’ny tenan’ny Reniny, izay nandray anjara akaiky dia akaiky mihoatra noho ny hafa rehetra, tamin’ny misterin’ny fijaliam-panavotany jer. Lk 2,35..
Ivelan’ny Hazofijaliana, tsy misy tohatra hafa izay hiakarana any an-danitra Mb Rose de Lima, vita..
“Maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina”(1 Kôr 15,3).
Avy amin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika mialoha, ny famonjena antsika, satria “Izy no tia antsika mialoha sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika noho ny fahotantsika” (1 Jo 4,10). “Fa Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao Aminy indray ao amin’i Kristy” (2 Kôr 5,19).
Nanolotra ny Tenany tamin-kalalahana ho famonjena antsika i Jesoa. Nampahafantariny sy notanterahiny mialoha tamin’ny sakafo farany io tolotra io : “Vatako ity izay hatolotra ho anareo” (Lk 22,19).
Paragrafy 3 . Nalevina i Jesoa-Kristy
”Noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia niaritra ny fahafatesana Izy mba hamonjy ny olombelona rehetra” (Heb 2,9). Tao anatin’ny fandaharam-pamonjeny Andriamanitra no nandamina fa tsy hoe “ho faty noho ny fahotantsika” (1 Kor 15,3) ihany ny Zanany, fa “hiaritra ny fahafatesana” ihany koa, izany hoe hahalala ny toe-pahafatesana, ny toe-pisarahana eo amin’ny fanahiny sy ny vatany, nandritra ny fotoana anelanelan’ny nialany aina teo amin’ny Hazofijaliana sy ny fotoana nitsanganany ho velona. Io toetran’i Kristy maty io no misterin’ny fasana sy ny fidinana tany ambanin’ ny tany. Io no misterin’ny Sabotsy Masina, fotoana nilevenan’i Kristy tao am-pasana jer. Jo 19,42., nampiseho ny fitsaharan-dehibe nataon’Andriamanitra tamin’ny sabata jer. Heb 4,4-9., aorian’ny fahatanterahan’ny jer. Jo 19,30. famonjena ny olombelona, ka mampisy ny fandriampahaleman’izao tontolon’ny zava-drehetra izao jer. Kôl 1,18-20..
Ny Vatan-tenan’i Kristy tao am-pasana
Ny fitoeran’i Kristy tao am-pasana no maha-fatotra mampiray tokoa ny toetran’i Kristy nijaly talohan’ny Paka, sy ny toetrany be voninahitry ny Fitsanganan-ko velona ankehitriny. Ny tenan’Izy “Velona” ihany no afa-miteny hoe : “Efa maty aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay” (Apôk 1,18) :
Tsy nosakanan’Andriamanitra (Zanaka) ny fahafatesana mampisaraka ny fanahy amin’ny vatana, araka ny lahatra tsy afaka ialan’ny voary miaina, kanefa nampiraisiny indray ireo tamin’ny Fitsanganan-ko velona, mba ho ny Vatan-tenany mihitsy amin’ny maha-Olona Azy no ho toeram-pihaonan’ny fahafatesana sy ny fiainana, tamin’ny nampitsaharany tao Aminy ny faharavan’ny toe-tenan’ny voary miaina ho lo, vokatry ny fahafatesana, sy tamin’ny nahatongavan’ny Tenany mihitsy ho foto-piraisan’ireo ampahany roa nisaraka Md Grégoire de Nysse, or. Catech. 16..
Satria ilay “Tompon’ny aina” izay novonoina ho faty jer. Asa 3,15. ihany no ilay Velona tokoa izay nitsangan-ko velona jer. Lk 24,5-6., ka tsy maintsy tohizin’ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra ny mizaka ny fanahiny sy ny vatany nosarahin’ny fahafatesana :
Noho ny nahafatesan’i Kristy dia tafasaraka tamin’ny nofo ny fanahy, nefa tsy nizara ho olona roa tsy akory ilay olona tokana ; satria ny vatana sy ny fanahin’i Kristy dia fototra iray ihany no nisiany hatrany am-piandohana tao amin’ny tenan’ilay Teny ; ary tamin’ny fahafatesana, na dia nisaraka aza izy roa, samy nijanona tao amin’ny tenan’io Teny io ihany sy tokana izy ireo Md Jean Damascène, f.o. 3,27..
“Tsy havelanao ho tratran’ny fahalòvana ny masinao”
Tena fahafatesana tokoa ny fahafatesan’i Kristy noho io namarana ny fisiana maha-olombelona Azy teto an-tany. Kanefa noho ny firaisana izay voatanan’ ny maha-olona ny Zanaka amin’ny Vatany, dia tsy lasan-ko razana toy ny hafa rehetra Izy, satria “tsy azo atao ny nitanan’ny fahefan’[ny fahafatesana] izany Azy (Asa 2,24). Izany no antony “niarovan’ny herin’Andriamanitra ny Vatan’i Kristy tsy ho tratran’ny fahalòvana” Md Thomas d’A.,s.th. 3,51,3.. Izao avy no azo lazaina ny amin’i Kristy : “Nofongorana teo amin’ny tanin’ny velona Izy” (Iz 53,8) ; sy hoe : “Ny nofoko hiorina amin’ny fanantenana fa tsy hanary ny fanahiko ao amin’ny fonenan’ny maty Ianao ary tsy havelanao ho tratran’ny fahalòvana ny Masinao” (Asa 2,26-27) jer. Sal 16,9-10.. Ny Fitsanganan’i Jesoa ho velona “tamin’ny andro fahatelo” (l Kôr 15,4 ; Lk 24,46) jer. Mt 12,40; Jo 2,1; Ôs 6,2. no famantarana an’izany, ary izany koa satria ny fahalòvana dia noheverina fa miseho manomboka amin’ny andro fahefatra jer. Jo 11,39..
“Niara-nalevina tamin’i Kristy ...”
Ny Batemy, izay ny fanatsobohana no famantarana hatrany am-piandohana sy feno, dia midika amin’ny fomba manan-kery ny fidinan’ny kristianina izay maty amin’ny fahotana, ao am-pasana, miaraka amin’i Kristy, mba ho amin’ ny fiainam-baovao : “Niara-nalevina tamin’i Kristy tamin’ny Batemy amin’ ny fahafatesana isika mba ho tahaka an’i Kristy izay natsangana tamin’ny maty tamin’ny alalan’ny Voninahitry ny Ray, no ivelomantsika koa ao amin’ ny fiainam-baovao” (Rôm 6,4) jer. Kôl 2,12; Efez 5,26..
Niaritra ny fahafatesana i Jesoa mba hamonjy ny olombelona rehetra jer. Heb 2,9.. Koa tena ilay Zanak'Andriamanitra tonga Olombelona tokoa no maty sy nalevina.
Nandritra ny nipetrahan’i Kristy tao am-pasana, ny maha-Olona- Andriamanitra Azy dia nanohy mizaka ny fanahiny sy ny vatany na dia nosarahin’ny fahafatesana aza ireo. Izany no tsy “nahatratran’ny fahalòvana” ny vatan’i Kristy maty (Asa 13,37).
5.“ Nidina tany ambanin’ny tany i Jesoa-Kristy, ary nitsangana tamin’ny maty, tamin’ny andro fahatelo”
“Nidina tany amin’ny faritra ambanin’ny tany i Jesoa. Izy ilay nidina ihany no Ilay niakatra”. (Efez 4,9-10). Ny Sembolin’ny apôstôly dia manambara ampahibemaso amin’andalan-tenim-pinoana iray ihany ny fidinan’i Kristy tany ambanin’ny tany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, satria tamin’ny Pakany, dia avy ao amin’ny fanambanin’ny fahafatesana no nataony miboiboika ny fiainana. I Kristy, Zanakao, rahefa tafakatra avy tao amin’ny Fonenan’ny maty, no nanapariaka tamin’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ny hazavany tony, ary velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen MR, Vigile Pascale 18: Exsultet..
Paragrafy 1. Nidina tany ambanin’ny tany i Kristy
Ireo filazana marina miverimberimberina ao amin’ny Testamenta Vaovao izay anehoana fa “nitsangana tamin’ny maty” i Jesoa (1 Kôr 15,20) jer. Asa 3,15; Rôm 8,11., dia azo heverina marina fa nitoetra tao amin’ny fonenan’ny maty Izy, talohan’ny fitsanganany ho velona jer. Heb 13,20.. Izany no hevi-teny voalohany nomen’ny toritenin’ ny apôstôly, momba ny fidinan’i Jesoa tany ambanin’ny tany : Nahalala ny fahafatesana toy ny olombelona rehetra i Jesoa, ary tamin’ny fanahiny no nihaonany tamin’ireo tao amin’ny fonenan’ny maty. Kanefa amin’ny maha-Mpamonjy Azy no nidinany tany, nitory ny Evanjely tamin’ireo fanahy voatana tao jer. 1 Pi 3,18-19..
Ny fonenan’ny maty izay nidinan’i Kristy maty, dia antsoin’ny Soratra Masina hoe : ambanin’ny tany, Seoly na Hadesy jer. Filip 2,10; Asa 2,24; Apôk 1,18; Efez 4,9., satria izay rehetra mitoetra ao dia tsy afaka mahita an’Andriamanitra jer. Sal 6,6; 88,11-13.. Toy izany, eo am-piandrasana ny Mpanavotra, no toe-javatra misy amin’ireo maty rehetra, na olon-dratsy na olo-marina jer. Sal 89,49; 1 Sam 28,19; Ezek 32,17-32., izay tsy midika fa mitovy anjara izy ireo, araka ny nasehon’i Jesoa tamin’ny fanoharana momba an’i Lazara mahantra noraisina teo “an-tratran’i Abrahama” jer. Lk 16,22-26.. “Soritana mazava izany, fa ireo nanana toe-panahy masina, izay niandry, teo an-tratran’i Abrahama, ny Mpanafaka azy ireo, no nahafahan’i Jesoa-Kristy, fony Izy nidina tany ambanin’ny tany” Kat. R. 1,6,3.. Tsy nidina tany ambanin’ny tany tsy akory i Jesoa, mba hanafaka ao an’ireo olom-bery jer. Kôns. Rôma tamin’ny 745: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., na handrava ny afoben’ny fahaverezana mandrakizay jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1077., fa mba hanafaka ny olo-marina izay nialoha Azy jer. Kôns. Tolède IV tamin’ny 633: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Mt 27,52-53..
“Notorìna tamin’ny maty koa ny Vaovao Mahafaly…” (1 Pi 4,6). Ny fidinana tany ambanin’ny tany no fanatanterahana, hatramin’ny hafenoany, ny fitoriana momba ny evanjelim-pamonjena. Izany no ambaratonga farany amin’ny iraka maha-Mesia an’i Jesoa, ambaratonga voafintina amin’ny fotoana kanefa midadasika tokoa amin’ny tena dikany marina eo amin’ny fiitaran’ny tsanganasam-panavotana ny olombelona rehetra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra, satria izay rehetra voavonjy dia natao hiombona anjara amin’ny Fanavotana.
Nidina tany amin’ny hantsan’ny fahafatesana àry i Kristy jer. Mt 12,40; Rôm 10,7; Efez 4,9., mba “handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka ireo izay handre izany dia ho velona” (Jo 5,25). I Jesoa “ilay Tompon’ny aina” (Asa 3,15), dia “nahatonga ho tsy manan-kery tamin’ny fahafatesany, ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, izany hoe ny devoly, sy nanafaka an’izay rehetra niharan’ny fanandevozana, nandritra ny andro rehetra niainany, noho ny tahotra ny fahafatesana” (Heb 2,14-15). Nanomboka tamin’izay, i Kristy nitsangan-ko velona “no mitana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Hadesy” (Apôk 1,18) ary “handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, ny any an-danitra, ny ety an-tany, ary ny any ambanin’ny tany” (Filip 2,10). Fahanginana lehibe no manjaka eto an-tany anio, fahanginana lehibe sy toera-mangina lehibe. Fahanginana lehibe satria matory ny Mpanjaka. Nihorohoro ny tany ary nitony satria matory ao amin’ny nofo Andriamanitra sy nandeha namoha an’ireo izay natory hatramin’ny taonjato maro (…) Lasa nitady an’i Adama Izy, ilay voalohany Raintsika, ilay ondry very. Tiany ny handeha hamangy an’ireo izay nipetraka tao anatin’ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana. Lasa Izy mba hanafaka ny fahorian’i Adama amin’ny fatorana, sy ny fahorian’i Eva, babo miaraka aminy. Izy Ilay sady Andriamanitr’izy ireo no Zanak’izy ireo (…) “Izaho no Andriamanitrao, ary noho ianao, dia tonga Zanakao Aho. Mifohaza ianao, ianao izay natory, satria Izaho tsy nahary anao mba hitoeranao voafatotra aty amin’ny afobe. Mitsangàna amin’ny maty ianao, fa Izaho no Fiainan’ireo maty” Toriteny fahiny fanao tamin’ny Sabotsy Masina..
Amin’ny fiteny hoe “nidina tany ambanin’ny tany i Jesoa”, no anambaran’ny semboly fa tena maty tokoa i Jesoa, ka ny fahafatesany ho antsika no nandreseny ny fahafatesana sy ny devoly, “ilay manana ny herin’ny fahafatesana” (Heb 2,14).
I Kristy, maty, amin’ny fanahiny miray amin’ny maha-Olona-Andriamanitra Azy, dia nidina tany amin’ny fonenan’ny maty. Namoha ny varavaran’ny lanitra Izy, ho an’ireo olo-marina izay nialoha lalana Azy.
Paragrafy 2. Nitsangana tamin’ny maty Izy, tamin’ny andro fahatelo
“Mitory aminareo ny Vaovao Mahafaly izahay : notanterahin’ Andriamanitra tamintsika zanak’izy ireo ny fampanantenana nataony tamin’ny razantsika : nanangana an’i Jesoa ho velona Izy” (Asa 13,32-33). Ny Fitsanganan’i Jesoa ho velona no tampon’ny fahamarinam-pinoantsika ao amin’i Kristy, ninoan’ny ankohonam-piangonana kristianina voalohany sy nivelomany ho fahamarinana ivon’ny finoana, nampitaina tamin’ny Lovam-pampianarana ho fototry ny fahamarinam-pinoana, naraikitra tamin’ireo tahirin-kevitry ny Testamenta Vaovao, notorìna ho anisan’ny votoatin’ny misterin’ny Paka miaraka amin’ny Hazofijaliana :
Nitsangana tamin’ny maty i Kristy. Tamin’ny nahafatesany no nandreseny ny fahafatesana. Tamin’ireo maty no nanomezany ny fiainana Litorzia bizantinina, Tononkalom-pivavahana amin’ny Paka..
I.Ny zava-niseho ara-tantara mihoatra ny tsapa sy ny hita
Ny misterin’ny fitsanganan’i Kristy ho velona, dia zava-niseho tokoa izay voamarina ara-tantara ny fisehoany, araka ny fanaporofoan’ny Testamenta Vaovao izany. Efa afaka nanoratra toy izao ho an’ireo Kôrintianina i Md Paoly, sahabo ho tamin’ny taona 56 : “Izao no zavatra ampitaiko aminareo, araka ny nandraisako izany koa : maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina, dia nalevina Izy, sy nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina, niseho tamin’i Sefasy Izy, vao tamin’ny Roa ambin’ny folo” (1 Kôr 15,3-4). Eto i Paoly, dia miteny ny lovam-pampianarana velona momba ny Fitsanganan-ko velona izay noraisiny taorian’ny fibebahany teo ambavahadin’i Damasa jer. Asa 9,3-18..
Ny fasana foana
“Nahoana no aty amin’ny maty no itadiavanareo ny Velona ? Tsy eto intsony Izy fa efa nitsangan-ko velona” (Lk 24,5-6). Ao anatin’ny zava-miseho manodidina ny Paka, ny singafototra voalohany tojo dia ny fasana foana. Tsy azo heverina ho porofo mivantana anefa izany, raha amin’izany fotsiny. Ny tsy naha-tao am-pasana ny vatan’i Kristy dia azo hazavaina amin’ny fomba hafa jer. Jo 20,13; Mt 28,11-15.. Na izany aza, ny fasana foana, ho an’ny rehetra, dia famantarana ilaina. Ny fahitan’ireo mpianatra an’izany no dingana voalohany mankamin’ny fanekena ny zava-niseho ny amin’ny Fitsanganan-ko velona. Izany no toe-javatra hitan’ireo vehivavy masina aloha jer. Lk 24,3.22-23., avy eo i Piera jer. Lk 24,12.. “Ilay mpianatra tian’i Jesoa” (Jo 20,2) dia nilaza marina fa tamin’ny nidirany tao am-pasana foana sy tamin’ny nahitana ny “lambam-paty nipetraka tamin’ny tany” (Jo 20,6) dia “nahita izy ary nino” (Jo 20,8). Tsapa amin’izany, araka ny toetran’ny fasana foana jer. Jo 20,5-7., fa ny tsy naha-tao ny vatan’i Jesoa dia tsy mety ho tsanganasan’olombelona, ary i Jesoa tsy hoe niverina fotsiny tamin’ny fahavelomana teto an-tany toy ny an’i Lazara jer. Jo 11,44..
Ny fisehoan’ilay Nitsangan-ko velona
I Maria Madelenina sy ireo vehivavy masina, izay tonga hamita ny fanosorana zava-manitra ny vatan’i Jesoa jer. Mk 16,1; Lk 24,1. nalevina maimaika noho ny fahatongavan’ny Sabata ny harivan’ny Zomà Masina jer. Jo 19,31.42., no voalohany nihaona tamin’ilay Nitsangan-ko velona jer. Mt 28,9-10; Jo 20,11-18.. Araka izany, ny vehivavy no voalohany mpampita ny hafatry ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ho an’ny tenan’ireo apôstôly jer. Lk 24,9-10.. Nanaraka izany, niseho tamin’izy ireo i Jesoa, ka i Piera aloha, avy eo ny Roa ambin’ny folo lahy jer. 1 Kôr 15,5.. I Piera, voantso hanamafy ny finoan’ny rahalahiny jer. Lk 22,31-32. àry, no nahita talohan’izy ireo an’ilay Nitsangan-ko velona, ary tamin’ny fijoroany vavolombelona no nahatonga ny ankohonan’ny mpianatra niantsoantso hoe : “Efa nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simôna Izy” (Lk 24,34).
Izay rehetra niseho tamin’ny tontolo andron’ny Paka, dia mampiditra ny tsirairay amin’ny apôstôly – singanina manokana i Piera - amin’ny fanorenana ny fotoam-baovao izay nanomboka ny marainan’ny Paka. Noho izy ireo vavolombelon’ilay Nitsangan-ko velona, dia nitoetra ho vato fototra iorenan’ny Fiangonany izy ireo. Ny finoan’ireo ankohonam-piangonan’ny mpino voalohany dia miorina amin’ny filazan’ireo olona vavolombelona nahita maso, fantatry ny kristianina, ary ny ankamaroany dia mbola velona teo anivon’izy ireo. Amin’ireo “vavolombelon’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ireo” jer. Asa 1,22. , i Piera no voalohany, ary ireo Roa ambin’ny folo lahy, kanefa tsy izy ireo ihany : i Paoly dia niteny mazava fa olona mihoatra ny dimanjato no indray nisehoan’i Jesoa, ankoatra an’i Jakôba sy ny apôstôly rehetra jer. 1 Kôr 15,4-8..
Manoloana an’ireo filazan’ny vavolombelona ireo, dia tsy mety ho vita ny manazava ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ivelan’ny zavatra ara-batana, sy ny tsy manaiky izany ho zava-niseho marina ara-tantara. Izany antony izany no nahatonga ny finoan’ireo mpianatra ho nandalo fitsapan-toetra mahery vaika tamin’ny fijaliana sy ny fahafatesan’ny mpampianatr’izy ireo teo amin’ny Hazofijaliana voalazan’Izy io mialoha jer. Lk 22,31-32.. Ny fikorontanan-tsaina avy amin’ny fijaliana izay mafy loatra no nahatonga an’ireo mpianatra (na fara faha keliny ny sasantsasany tamin’izy ireo) ho tsy nino avy hatrany ny vaovao momba ny Fitsanganan-ko velona. Ny Evanjely dia tsy mampiseho amintsika velively ankohonana mpianatra entanim-piderana ho miray amin’Andriamanitra, fa ny haneho amintsika ny mpianatra kivy (“endrika maloka” : Lk 24,17) sy raiki-tahotra jer. Jo 20,19.. Izany no antony tsy ninoan’izy ireo an’ireo vehivavy masina niverina avy tany amin’ny fasana sy “niheveran’izy ireo ho arirarira foana ny tenin’iretsy” (Lk 24,11) jer. Mk 16,11.13.. Rahefa nisehoan’i Jesoa izy iraika ambin’ny folo lahy ny harivan’ny Paka, “dia nomeny tsiny noho ny tsy finoan’izy ireo sy ny hamafin’ny fon’izy ireo satria tsy nety nino an’ireo izay nahita maso Azy nitsangan-ko velona” (Mk 16,14).
Na teo anatrehan’ny fisiana tena izy an’i Jesoa nitsangan-ko velona aza, dia mbola azon’ny fisalasalana ihany ireo mpianatra jer. Lk 24,38., satria ny zavatra toy izany ho azy ireo dia toa tsy mety ho tanteraka : noheverin’izy ireo fa matoatoa no hitany jer. Lk 24,39.. “Tao anatin’ny hafaliany izy ireo dia mbola tsy nino ihany, fa talanjona fotsiny” (Lk 24,41) I Tomà dia hahafantatra an’izany fitsapam-pisalasalana izany koa jer. Jo 20,24-27., ary tamin’ny fisehoana farany tany Galilea tantarain’i Matio, “ny sasany mbola nisalasala ihany” (Mt 28,17). Izany no nahatonga ny vinavinan-kevitra hoe ny Fitsanganan-ko velona izay “vokatry” ny finoan’ (na ny finoanoan’) ny apôstôly dia tsy marim-pototra. Tsy izany mihitsy anefa, fa ny finoan’izy ireo ny Fitsanganan-ko velona dia teraka - teo ambany asan’ny fahasoavan’Andriamanitra - avy amin’ny fahalalana azo tamim-pahazarana mivantana ny tena fisian’i Jesoa nitsangan-ko velona tokoa.
Ny toetran’ny maha-olombelona nitsangan-ko velona an’i Kristy
Nampiseho fifandraisana mivantana tamin’ireo mpianany, tamin’ny alalan’ ny fitsapana amin’ny tanana jer. Lk 24,39; Jo 20,27. sy ny fiaraha-misakafo jer. Lk 24,30.41-43; Jo 21,9.13-15. i Jesoa nitsangan-ko velona. Tamin’izany no nanasany azy ireo mba hiaiky fa tsy matoatoa Izy jer. Lk 24,39., fa indrindra hanamarina fa ny vatana tafatsangan-ko velona izay miaraka amin’izany no isehoany amin’izy ireo dia tsy hafa fa ilay vatana nampijaliana sy nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana ihany, satria mbola mitondra ny mariky ny fijaliany Izy jer. Lk 24,40; Jo 20,20.27.. Amin’izany koa anefa io vatana tena izy sy marina io dia manana ny toetra vaovao ny vatana be voninahitra : tsy voafetran’ny elanelana sy ny fotoana intsony Izy, fa afaka miseho na aiza na aiza araka ny nahim-pony sy na rahoviana na rahoviana araka izay tiany jer. Mt 28,9.16-17; Lk 24,15.36; Jo 20,14.19.26; 21,4., satria ny maha-olombelona Azy tsy voasakan’ny eto an-tany intsony fa efa anisan’ny any amin’ny fonenan’Andriamanitra Ray jer. Jo 20,17.. Noho izany antony izany koa, i Jesoa nitsangan-ko velona, dia malalaka tokoa miseho araka izay tiany : maka endriky ny mpiandry saha jer. Jo 20,14-15. na “amin’ny endrika hafa” (Mk 16,12) izay nahazatra ny mpianatra, mba hamelombelona indrindra ny finoan’izy ireo jer. Jo 20,14.16; 21,4.7..
Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia tsy hoe fiverenana indray amin’ny fiainana eto an-tany, tahaka an’ireo fananganan-ko velona notanterahiny talohan’ny Paka : ny zanakavavin’i Zaïra, ilay zatovolahy tao Naïma, i Lazara. Ireo zava-nisy ireo dia zava-niseho mahatalanjona, nefa ireo olona nanaovana zava-mahagaga ireo, dia nahita indray, tamin’ny fahefan’i Jesoa, ny fiainana “mahazatra” eto an-tany. Any andro any volana, mbola ho faty indray izy ireo. Hafa dia hafa noho izany ny Fitsanganan’i Kristy ho velona. Ao amin’ny vatany nitsangan-ko velona, dia mandalo amin’ny toe-pahafatesana ho any amin’ny fiainana hafa any ankoatra ny fotoana sy ny elanelana Izy. Ny vatan’i Jesoa, ao anatin’ny Fitsanganan-ko velona, dia feno ny herin’ny Fanahy Masina ; mandray anjara amin’ny fiainan’Andriamanitra ao amin’ny toetran’ny voninahiny Izy, ka nafahan’i Md Paoly milaza ny amin’i Kristy fa Izy no “olon’ny lanitra” jer. 1 Kôr 15,35-50..
Zava-niseho mihoatra ny tsapa sy ny hita, ny Fitsanganan-ko velona
“Ô Ry alina !, hoy ny Hira fihobiana (“Exultet”) ny Paka, ianao irery no afaka mahalala ny fotoana izay nivoahan’i Kristy velona avy tao amin’ny fonenan’ny maty” Vigilia Paschalis, Praeconium Paschale (« Exsultet »).. Satria, tsy nisy na iray aza vavolombelona nanatri-maso ny zava-niseho tamin’ny Fitsanganan-ko velona ary tsy nisy na iray aza mpanoratra Evanjely nilazalaza momba izany. Tsy misy olona afaka milaza hoe : Ahoana no nahatonga izany ara-batana ? Vao mainka koa tsy ho tsapan’ny fandrenesana samihafa ny foto-pisiana lalina indrindra ao aminy, dia ny fandalovana mankamin’ny fiainan-kafa izany. Ny Fitsanganan-ko velona, amin’ny maha-zava-niseho ara-tantara azo tsapain-tanana avy amin’ ny famantarana ny fasana foana sy ny zava-misy ny amin’ny fihaonan’ireo apôstôly tamin’i Kristy nitsangan-ko velona, dia tsy nijanona amin’izany fotsiny, fa amin’izany no ihoarany ambony dia ambony sy isongonany ny tantara, eo anivon’ny misterin’ny finoana. Izany no antony nahatonga an’i Kristy nitsangan-ko velona ho tsy niseho tamin’izao tontolo izao jer. Jo 14,22. fa tamin’ireo mpianany, “tamin’izy ireo niara-niakatra Taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema, ny tenan’izy ireo ihany izay vavolombelony amin’ny vahoaka ankehitriny”(Asa 13,31).
II.Ny Fitsanganan-ko velona – tsanganasan’ny Trinite Masina
Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia votoatim-pinoana noho izy fidiran’ ny Tenan’Izy Andriamanitra amin’ny fomba mihoatra ny tsapa sy ny hita eo amin’ny fahariana sy eo amin’ny tantara. Ao amin’izany, ireo Olona telo- Andriamanitra dia sady miasa miaraka no maneho ny maha-Izy Azy avy. Tanteraka ny Fitsanganan-ko velona noho ny herin’ny Ray izay “nanangana ho velona” (Asa 2,24) an’i Kristy, Zanany, ary amin’io endrika io no ampidirany amin’ny fomba lavorary ny maha-olombelona Azy – miaraka amin’ny vatany – ao amin’ny Trinite. I Jesoa dia niseho tanteraka ho “Zanak’Andriamanitra omban-kery araka ny Fanahy, tamin’ny Fitsanganany ho velona avy amin’ny maty” (Rôm 1,4). Antitranterin’i Md Paoly ny fisehoan’ny herin’Andriamanitra jer. Rôm 6,4; 2 Kôr 13,4; Filip 3,10; Efez 1,19-22; Heb 7,16. amin’ny tsanganasan’ny Fanahy izay namelona ny maha-olombelona maty an’i Jesoa sy nanendry izany ho amin’ ny toetra be voninahitry ny Tompo.
Raha ny amin’ny Zanaka, Izy ihany no nanatanteraka ny Fitsanganany ho velona noho ny herin’Andriamanitra ananany. Nilaza i Jesoa fa ny Zanak’ olona dia tsy maintsy hijaly mafy, hovonoina ho faty, fa hitsangan-ko velona indray (araka ny hevi-teny manao ny asa jer. Mk 8,31; 9,9.31; 10,34.). Any an-kafa, nilaza marina mazava Izy : “Mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray. (…) Manam-pahefana hahafoy azy Aho ary manam-pahefana handray azy indray” (Jo 10,17-18). “Mino isika (…) fa i Jesoa dia maty, avy eo nitsangan-ko velona” (1 Tes 4,14).
Ny Aban’ny Fiangonana dia mibanjina ny Fitsanganan-ko velona miainga avy amin’ny maha-Olona-Andriamanitra an’i Kristy izay mbola mijanona miray amin’ny fanahiny sy amin’ny vatany nosarahin’ny fahafatesana : “Amin’ny firaisan’ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra izay maharitra misy ao amin’ny fanahy amam-batana maha-olombelona, ireo no mikambana indray. Araka izany, ny fahafatesana dia miseho amin’ny alalan’ny fisarahan’ ny vatana sy ny fanahy maha-olombelona, ary ny Fitsanganan-ko velona dia avy amin’ny firaisan’ireo zavatra roa tafasaraka ireo” Md Grégoire de Nysse, res.1; jer. koa DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 359; 369; 539..
III.Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona
“Raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy, dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo” (1 Kôr 15,14). Ny Fitsanganan-ko velona, alohan’ny zavatra rehetra, no anisan’ny fanamarinana izay rehetra nataon’ny Tenan’Izy Kristy sy nampianariny. Ny marina rehetra, na dia izay tsy takatry ny sain’ olombelona aza, dia voaporofo tanteraka ny fahamarinany tamin’ny nitsanganan’i Kristy ho velona, araka ny nampanantenainy, ary voaporofo tamin’izany koa ny maha-fahefan’Andriamanitra ny fahefany.
Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia fahatanterahan’ny fampanantenana ao amin’ny Testamenta Taloha jer. Lk 24,26-27.44-48. sy avy amin’i Jesoa rahateo ihany nandritra ny fiainany teto an-tany jer. Mt 28,6; Mk 16,7; Lk 24,6-7.. Ny fomba fiteny hoe “araka ny Soratra Masina” jer. 1 Kôr 15,3-4 sy ny Sembolin’i Nicée-Constantinople, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. dia ilazana fa ny Fitsanganan’i Kristy ho velona no manatanteraka an’ireny faminaniana ireny.
Ny fahamarinan’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa no hamafisin’ny Fitsanganany ho velona. Hoy Izy : “Rahefa voasandratrareo ny Zanak’olona vao ho fantatrareo fa Izaho Ilay Misy” (Jo 8,28). Ny Fitsanganan-ko velon’ ilay Nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana dia nampiharihary fa Izy tokoa no “Izaho ilay Misy”, ilay Zanak’Andriamanitra ary Andriamanitra rahateo ihany. Afaka nanambara tamin’ny Jody i Md Paoly hoe : “Ny fampanante-nana natao tamin’ny razantsika, dia notanterahin’Andriamanitra tamintsika (…) ; natsangany tamin’ny maty i Jesoa, araka izay voasoratra ao amin’ny salamo faharoa hoe : Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany” (Asa 13,32-33) jer. Sal 2,7.. Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia mifamatotra mafy amin’ny misterin’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. Ao amin’izany no fahatanterahana araka ny fandaharana mandrakizain’Andriamanitra.
Misy endrika roa sosona ny misterin’ny Pakan’i Jesoa : tamin’ny alalan’ny fahafatesany Izy no manafaka antsika amin’ny fahotana, ary tamin’ny alalan’ny Fitsanganany ho velona Izy no manokatra ho antsika ny fidirana ho amin’ny fiainam-baovao. Io fitsanganan-ko velona io aloha no fanamarinana izay mamerina antsika amin’ny fahasoavan’Andriamanitra jer. Rôm 4,25. “mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty, no hahavelomantsika amin’ny fiainam-baovao koa” (Rôm 6,4). Io no fototry ny fandresena ny fahafatesana vokatry ny fahotana sy amin’ny fandraisana anjara indray amin’ny fahasoavana jer. Efez 2,4-5; 1 Pi 1,3.. Io no manatanteraka ny fananganan-janaka, satria manjary rahalahin’i Kristy ny olombelona rehetra, araka ny iantsoan’ny Tenan’Izy Jesoa ny mpianany taorian’ny Fitsanganany ho velona hoe : “Mandehana milaza amin’ny rahalahiko” (Mt 28,10) jer. Jo 20,17.. Rahalahy tsy hoe noho ny maha-mpiray kibo tsy akory, fa noho ny fanomezam-pahasoavana, satria izany fananganan-janaka izany no mahatonga ny fandraisana anjara marina amin’ ny fiainan’ny Zanaka Lahitokana, izay voaseho miharihary manontolo tamin’ ny Fitsanganany ho velona.
Farany, ny Fitsanganan’i Kristy ho velona – sy i Kristy nitsangan-ko velona mihitsy – no fototra sy loharanon’ny fananganana antsika ho velona rahatrizay : “ Nitsangan-ko velona avy amin’ny maty tokoa i Kristy, ary Izy no santatr’izay efa nodimandry (…), ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama, no hahaveloman’ny olon-drehetra koa ao amin’i Kristy” (1 Kôr 15,20-22). Eo am-piandrasana an’izany fahatanterahana izany, dia monina ao am-pon’ny mpinony i Kristy nitsangan-ko velona. Ao Aminy ny kristianina no “manandrana ny hamamin’ny asa mahagaga any amin’ny fiainan-ko avy” (Heb 6,5) ary ny fiainan’izy ireo dia tarihin’i Kristy ho eo anivon’ny fiainan’Andriamanitra jer. Kôl 3,1-3. “mba tsy ho velona ho an’ny tenany fotsiny intsony izay velona, fa ho an’Ilay izay maty sy nitsangan-ko velona ho azy ireo” (2 Kôr 5,15).
Ny finoana ny Fitsanganan-ko velona dia mifototra amin’ny zava-niseho izay sady ara-tantara nohamarinin’ny mpianatra noho izy ireo tena nihaona tokoa tamin’ilay Nitsangan-ko velona, no mifono mistery mihoatra ny tsapa sy ny hita, noho ny fidiran’ny maha-Olombelona an’i Kristy ao amin’ny Voninahitr’Andriamanitra.
Nampahafantarin’ny fasana foana sy ny lamba nipetraka teo, fa afaka tamin’ny fatoran’ny fahafatesana sy ny fahalòvana ny vatan’i Kristy, noho ny herin’Andriamanitra. Ireo no nanomana ny mpianatra amin’ny fihaonana amin’ilay Nitsangan-ko velona.
6.“Niakatra any an-danitra i Jesoa, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, Ray Mahefa ny zavatra rehetra”
“Ary rahefa avy niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra” (Mk 16,19). Efa nomem-boninahitra avy hatrany ny Vatan’i Kristy, tamin’ny fotoanan’ny Fitsanganany ho velona, ary porofoin’ny toetra manokana vaovao sy mihoatra ny natoraly izay zakain’ny Tenany maharitra tsy tapaka izany, manomboka hatreo jer. Lk 24,31; Jo 20,19.26.. Kanefa nandritra ny efapolo andro izay niarahany nihinana sy nisotro tamin’ny mpianany tamin’ny fomba mahazatra jer. Asa 10,41., ary nampianarany azy ireo ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra jer. Asa 1,3., dia mbola mijanona ho takon’ny toetran’olombelona tsotra ny voninahiny jer. Mk 16,12; Lk 24,15; Jo 20,14-15; 21,4.. Ny fisehoan’i Jesoa farany dia nifarana tamin’ny nahatafidiran’ny maha-olombelona Azy tsy mitampody, ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra, naseho an-tsary amin’ny rahona Jer Asa 1,9; jer. koa Lk 9,34-35; Eks 13,22. sy lanitra jer. Lk 24,51. izay ao Izy no mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra jer. Mk 16,19; Asa 2,33; 7,56; jer. koa Sal 110,1. manomboka hatreo. Amin’ny fomba miavaka tokoa, sady tokana aman-tany no hisehoany amin’i Paoly “izay toy ny tsy tonga volana” (1 Kôr 15,8) amin’ny fisehoana farany izay anendrena azy ho apôstôly jer. 1 Kôr 9,1; Gal 1,16..
Ny voninahitr’ilay Nitsangan-ko velona mbola takona nandritra io fotoana io, dia taratra tamin’ny teniny mifono mistery tamin’i Maria-Madelenina hoe: “Mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray aho. Fa mandehàna mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao izy ireo hoe : Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy ny Andriamanitrareo” (Jo 20, 17). Izany dia milaza fanehoana tsy mitovy eo amin’ny voninahitr’i Kristy nitsangan-ko velona sy ny an’i Kristy tafasandratra eo an-kavanan’ny Ray. Ny zava-miseho sady ara-tantara no mihoatra ny tsapa sy ny hita momba ny Fiakarana any an-danitra dia manamarika ny fifindrana avy amin’ilay voalohany mankany amin’ilay faharoa.
Mifamatotra lalina amin’ilay voalohany ity dingana farany ity, izany hoe tamin’ilay fidinana avy any an-danitra tanteraka tamin’ny Fahatongavana ho nofo. Ilay izay “avy ao amin’ny Ray” irery no afaka “miverina mankany amin’ny Ray”, dia i Kristy izany jer. Jo 16,28.. “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ny Zanak’olona izay nidina avy tany an-danitra” (Jo 3,13) jer. Efez 4,8-10.. Ny olombelona, raha amin’ny herin’ny tenany fotsiny, dia tsy ho tafiditra ao an-Tranon’ny Ray jer. Jo 14,2., sy tsy hahazo ny fiainana mbamin’ny hasambaran’Andriamanitra. I Kristy irery ihany no afaka mamoha izany fidirana izany ho an’ny olombelona, “mba hampatoky antsika, rantsambatany, fa hanaraka Azy Lohantsika sy Fiandohantsika any amin’izay efa niakarany hialoha lalana antsika isika” MR, Prefasin’ny Fiakarana any an-danitra..
“Ary Izaho rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olombelona rehetra hanatona Ahy” (Jo 12,32). Ny fanandratana teo amin’ny Hazofijaliana dia midika sy milaza ny fanandratana amin’ny Fiakarana any an-danitra, izay izany no fanombohany. I Jesoa-Kristy, Mpisorona tokan’ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay, dia tsy “niditra tao amin’ny fitoerana masina nataon-tanan’olombelona (…), fa any an-danitra, mba hiseho ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ” (Heb 9,24). Any an-danitra i Kristy no mampiasa maharitra tsy tapaka ny maha-Mpisorona Azy, “noho Izy velona mandrakizay mba hanao fifonana ho an’ireo izay manatona an’Andriamanitra amin’ny Alalany” (Heb 7,25). Araka ny maha-“Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy” Azy (Heb 9,11), dia Izy no foibe sy mpanao voalohany ny litorzia izay anomezan-kaja ny Ray any an-danitra jer. Apôk 4,6-11..
I Kristy, nanomboka hatreo, dia mipetraka eo an-kavanan’ny Ray : “Ny hoe an-kavanan’ny Ray dia ny voninahitra sy ny haja maha-Andriamanitra, ka ilay Zanak’Andriamanitra izay nisy talohan’ny taonjato rehetra amin’ny maha-Andriamanitra sady iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray Azy, dia ny vatan-tenany mihitsy no mipetraka eo, taorian’ny nahatongavany ho nofo sy ny nanomezam-boninahitra ny nofony” Md Jean Damascène, f.o. 4,2..
Ny fipetrahana eo an-kavanan’ny Ray dia midika fitokanana ny fanjakan’ny Mesia, fahatanterahan’ny fahitan’i Daniela mpaminany ny amin’ilay Zanak’ olona : “Nomena Azy ny fanapahana, ny voninahitra amam-panjakana, ary manompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samy hafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany, ary tsy ho rava na oviana na oviana ny fanjakany” (Dan 7,14). Nanomboka tamin’io fotoana io, nanjary vavolombelon’ny “Fanjakana tsy hanam-pahataperana” ny apôstôly Sembolin’i Nicée-Constantinople..
I Jesoa-Kristy, Lohan’ny Fiangonana, dia mialoha antsika ao amin’ny Fanjakana be voninahitry ny Ray, mba hiainantsika rantsambatan’ny Vatany amin’ny fanantenana fa indray andro any, hiaraka Aminy mandrakizay.
I Jesoa-Kristy, nony tafiditra io indray mandeha io ihany ao amin’ny toerana masina any an-danitra, dia manalalana tsy an-kijanona ho antsika amin’ny maha-Mpanelanelana Azy izay miantoka tsy tapaka ny fandrotsahana ny Fanahy Masina ho antsika.
7.“Avy any Izy mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty”
I.Hiverina amim-boninahitra Izy
Efa manjaka sahady i Kristy amin’ny alalan’ny Fiangonana …
“Maty i Kristy ary velona indray, mba haha-Tompon’ny maty sy ny velona Azy” (Rôm 14,9). Ny Fiakaran’i Kristy any an-danitra dia ilazana ny fandraisan’ny maha-olombelona Azy anjara amin’ny hery sy amin’ny fahefan’Andriamanitra amin’ny maha-Andriamanitra Azy rahateo. I Jesoa-Kristy no Tompo : manana ny fahefana manontolo any an-danitra sy ety an-tany Izy. “Ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra, ny fanapahana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra” Izy, satria “napetraky ny Ray eo an-tongony ny zavatra rehetra” (Efez 1,20-22). I Kristy no Tompon’ izao tontolo izao voarindra jer. Efez 4,10; 1 Kôr 15,24.27-28. sy ny tantara. Ao Aminy, ny tantaran’ny olombelona, toy izany koa ny zavaboary rehetra, no voavondrona ho iray jer. Efez 1,10., no voatomombana mihoatra ny tsapa sy ny hita.
Amin’ny maha-Tompo an’i Kristy, mbola Izy koa no Lohan’ny Fiangonana izay Vatany jer. Efez 1,22.. Nakarina any an-danitra sy nomem-boninahitra Izy, ka araka izany, nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa nanirahana Azy, nefa mitoetra eto an-tany ao amin’ny Fiangonany. Ny Fanavotana no loharanon’ ny fahefana izay iasan’i Kristy ao amin’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina jer. Efez 4,11-13.. “Ny fanjakan’i Kristy dia efa eo amin’ny Fiangonana amin’ny fomba mistery” FF 3., “tsiry sy fanombohan’io Fanjakana io ety an-tany” FF 5..
Tafiditra amin’ny fahatontosany ny fandaharan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny Fiakarana any an-danitra. Efa ao amin’ny “ora farany” isika (1 Jo 2,18) jer. 1 Pi 4,7.. “Efa tonga ho antsika àry izany ny fotoana farany. Efa azo tsy mimpody intsony ny fanavaozana an’izao tontolo izao, ary ny tena marina dia efa atao mialoha sahady ankehitriny : satria, efa eto an-tany ny Fiangonana no miravaka fahamasinana tsy mbola lavorary, nefa tena izy” FF 48.. Ny Fanjakan’i Kristy dia efa mampiseho sahady ny fisiany eto an-tany amin’ny alalan’ireo famantarana mampitolagaga jer. Mk 16,17-18. izay manampy ny fanambaràn’ny Fiangonana momba izany jer. Mk 16,20..
… eo am-piandrasana ny haneken’ny zavatra rehetra Azy
Efa tonga ao amin’ny Fiangonany ny Fanjakan’i Kristy, nefa tsy mbola tontosa “amim-pahefana sy amim-boninahitra lehibe” (Lk 21,27) jer. Mt 25,31. amin’ny fahatongavan’ny Mpanjaka eto ambonin’ny tany. Mbola tafihan’ireo hery amam-pahefan’ny ratsy io Fanjakana io jer. 2 Tes 2,7., na dia efa resy hatrany am-potony tamin’ny Pakan’i Kristy aza izy ireny. Mandra-pahatongan’ny zavatra rehetra hanaiky Azy jer. 1 Kôr 15,28., “mandra-pahatongan’ny fotoana izay hahatanterahan’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao anjakan’ny fahamarinana, ny Fiangonana eo am-pivahiniana dia mitondra ao amin’ireo sakramentany sy ny rafi-pandaminany, izay ao anatin’izao fotoana izao, ny endriky ny fotoana rehetra izay mihelina ihany ; ny Fiangonana dia miaina rahateo eo anivon’ny zavaboary izay mbola mitoreo mandraka ankehitriny anatin’ny hirifirin’ny fiterahana ary miandry ny fampisehoana an’ireo zanak’Andriamanitra” FF 48.. Noho izany antony izany dia mivavaka ny kristianina, indrindra amin’ny fankalazana ny Eokaristia jer. 1 Kôr 11,26., mba hanafaingana ny fiverenan’i Kristy jer. 2 Pi 3,11-12. indray amin’ny fiantsoana Azy hoe : “ Avia, ry Tompo” (Apôk 22,20) jer. 1 Kôr 16,22; Apôk 22,17..
I Kristy, talohan’ny Fiakarany any an-danitra, dia nilaza marina fa tsy mbola izao no fotoanan’ny fananganana amim-boninahitra ny Fanjakan’ny Mesia nandrasan’i Israely jer. Asa 1,6-7., izay tsy maintsy hitondrana ho an’ny olombelona rehetra, araka ny voalazan’ny mpaminany jer. Iz 11,1-9., ny filaminana mandrakizay ao anatin’ny fahamarinana sy ny fitiavana ary ny fiadanana. Ny fotoana anio, araka ny Tompo, no fotoanan’ny Fanahy sy ny fijoroana vavolombelona jer. Asa 1,8., kanefa koa fotoana mbola isehoan’ny “fahasahiranana” (1 Kôr 7,26) sy ny fitsapan’ny ratsy jer. Efez 5,16. izay tsy mitsitsy ny Fiangonana jer. 1 Pi 4,17. ary misantatra an’ireo ady atrehina amin’ny andro faramparany jer. 1 Jo 2,18; 4,3; 1 Tim 4,1.. Koa fotoana fiandrasana sy fiaretan-tory izany jer. Mt 25,1-13; Mk 13,33-37..
Fanantenan’i Israely, ny fahatongavan’ny Tompo amim-boninahitra
Nanomboka tamin’ny Fiakarana any an-danitra, dia antomotra jer. Apôk 22,20. ny fahatongavan’i Kristy amim-boninahitra, na dia “tsy antsika aza ny mahalala ny andro sy ny fotoana izay nalahatry ny Ray amin’ny fahefany irery” (Asa 1,7) jer. Mk 13,32.. Io fahatongavana any am-parany any io dia mety ho tanteraka na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona jer. Mt 24,44; 1 Tes 5,2. na “voasakana” aza izy, dia izy sy ny fitsapan-toetra farany izay hialoha azy jer. 2 Tes 2,3-12..
Mijanona eo amin’ny fotoana rehetra amin’ny tantara ny fahatongavan’ny Mesia enim-boninahitra jer. Rôm 11,31., ho amin’ny fankatoavan’i Israely manontolo izany jer. Rôm 11,26; Mt 23,39., izay “ny sasany manamafy ny fony” jer. Rôm 11,25. amin’ny “tsy finoana” (Rôm 11,20) an’i Jesoa. Izao no tenin’i Md Piera tamin’ireo Jody tao Jerosalema taorian’ny Pantekôty : “Mivaloza sy mibebaha ianareo mba ho voafafa ny fahotanareo ary amin’izany no hampiavian’ny Tompo ny fotoam-pialan-tsasatra. Amin’izay, haniraka an’i Kristy voatendry ho anareo Izy, dia i Jesoa, ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra aloha, mandra-pahatongan’ny andro fanavaozana manenika an’izao tontolo izao izay notenenin’Andriamanitra tamin’ny vavan’ireo mpaminaniny masina” (Asa 3,19-21). Ary hoy i Md Paoly mamerina ny voalazany : “Raha ny fanariana azy ireo àry no fampihavanana an’izao tontolo izao, hanao ahoana ny fandraisana azy ireo, tsy fiainana avy tao amin’ny fahafatesana va ?” (Rôm 11,15). Ny fidiran’ny hafenoan’ny Jody jer. Rôm 11,12. ao amin’ny famonjen’ny Mesia, arahin’ny hafenoan’ny jentily jer. Rôm 11,25; Lk 21,24. no hahatonga ny Vahoakan’Andriamanitra “hahatanteraka ny hafenoan’i Kristy” (Efez 4,13) ka ao amin’izany “Andriamanitra dia ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” (1 Kôr 15,28).
Ny Fitsapan-toetra faran’ny Fiangonana
Alohan’ny fahatongavan’i Kristy, dia tsy maintsy mandalo fitsapan-toetra farany, izay hanozongozona ny finoan’ny mpino maro be, ny Fiangonana jer. Lk 18,8; Mt 24,12.. Ny fanenjehana izay manjohy ny fivahiniany eto ambonin’ny tany jer. Lk 21,12; Jo 15,19-20., no hampiharihary ny “misterim-paharatsiana” amin’ny endriky ny famitahana ara-pivavahana mitondra vahaolana hita maso ho an’ny olona amin’ny olam-piainan’izy ireo, noho ny fivadiham-pinoana amin’ny marina Ny famitahana ara-pivavahana tampony dia ny an’ny Antikristy, izany hoe ny an’ny fampanantenana mesia sandoka izay ny olona ihany no manome voninahitra ny tenany eo amin’ny toeran’Andriamanitra sy ny Mesiany tonga nofo jer. 2 Tes 2,4-12; 1 Tes 5,2-3; 2 Jo 7; 1 Jo 2,18.22..
Izany famitahan’ny antikristy izany dia misoritra sahady eto amin’izao tontolo izao, isaky ny misy mihambo hanatanteraka amin’ny tantara ny fanantenana mesia izay tsy mety ho tontosa raha tsy any ankoatra ny tantara amin’ny alalan’ny fitsaràna any am-parany any : na amin’ny endriny efa somary nalefahana aza, dia tsipahin’ny Fiangonana io fisandohana ny Fanjakana ho avy io, izay mitondra anarana hoe fanjakana arivo taona jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., indrindra amin’ny endrika pôlitikan’ny fampanantenana mesia tsy ara-pivavahana “mirakitra fahavetavetana ao anaty” jer. Pie XI, ansikl. « Divini Redemptoris » nanameloka ny «faux mysticisme » an’io « hala-tahaka ny amin’ny fanavotana ny manetry tena sy ny mahantra » io; FAA 20-21..
Tsy hiditra ao amin’ny voninahitry ny Fanjakan’Andriamanitra ny Fiangonana, raha tsy amin’ilay Paka tampony izay hanarahany ny Tompony ao amin’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona jer. Apôk 19,1-9.. Tsy amin’ny fandresena ara-tantara eo amin’ny Fiangonana araka ny fandrosoana miakatra izany no hahatanterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra jer. Apôk 13,8., fa amin’ny fandresen’ Andriamanitra ny fitroatra faran’ny ratsy jer. Apôk 20,7-10. izay hampidina avy any an-danitra ny Vadiny jer. Apôk 21,2-4.. Ny fandresen-dehiben’Andriamanitra ny amin’ny fikomian’ny ratsy dia haka endriky ny Fitsaràna farany jer. Apôk 20,12., aorian’ny fihovitrovitry ny maha-izao tontolo izao voarindra an’ity tany mandalo ity jer. 2 Pi 3,12-13..
II.Mba hitsara ny velona sy ny maty
Taorian’ireo mpaminany jer. Dan 7,10; Joely 3-4; Mal 3,19. sy i Joany-Batista jer. Mt 3,7-12., no nanambaràn’i Jesoa tamin’ ny toriteniny, ny Fitsaràna amin’ny Farandro. Amin’izay no hiharihary ny fitondran-tenan’ny tsirairay jer. Mk 12,38-40. sy ny tsiambaratelon’ny fo maro jer. Lk 12,1-3; Jo 3,20-21; Rôm 2,16; 1 Kôr 4,5.. Amin’izay no hanamelohana ny tsy finoana mahameloka izay nanao tsinontsinona ny fahasoavana natolotr’Andriamanitra jer. Mt 11,20-24; 12,41-42.. Ny fihetsika natao tamin’ny namana no hampiharihary ny fandraisana na ny fandavana ny fahasoavana sy ny fitiavan’Andriamanitra jer. Mt 5,22; 7,1-5.. Hilaza i Jesoa amin’ny farandro hoe : “Izay rehetra nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto, dia Izaho no nanaovanareo an’izany” (Mt 25,40).
Tompon’ny fiainana mandrakizay i Kristy. Ny zo feno hitsara tanteraka ny tsanganasa sy ny fon’ny olombelona dia anjarany, amin’ny maha-Mpanavotra an’izao tontolo izao Azy. “Azony” tamin’ny Hazofijaliany io zo io. Ny Ray koa moa “nanome ny Zanaka ny fitsaràna manontolo” (Jo 5,22) jer. 5,27; Mt 25,31; Asa 10,42; 17,31; 2 Tim 4,1.. Kanefa, tsy tonga mba hitsara ny Zanaka, fa mba hamonjy jer. Jo 3,17. sy mba hanome ny fiainana izay ao Aminy jer. Jo 5,26.. Amin’ny fandavana ny fahasoavana ao amin’izany fiainana izany no mitsara tena sahady ny tsirairay jer. Jo 3,18; 12,48., raisiny araka ny tsanganasany jer. 1 Kôr 3,12-15. ary mety hamery mandrakizay ny tenany aza amin’ny fandavana ny Fanahin’ ny fitiavana jer. Mt 12,32; Heb 6,4-6; 10,26-31..
Efa manjaka sahady amin’ny alalan’ny Fiangonana, i Kristy Tompo, kanefa tsy mbola eo ambany fahefany avokoa ny zava-drehetra amin’izao tontolo izao. Tsy ho tonga ny fandresen-dehibe ny Fanjakan’i Kristy raha tsy misy aloha famelezana mahery vaika faramparany ataon’ny hery amam-pahefan’ny ratsy.
Amin’ny Andro Fitsaràna, amin’ny faran’izao tontolo izao, no ho avy amim-boninahitra i Kristy, mba hanatontosa ny tena fandresen’ny tsara ny ratsy izay hiara-mitombo tahaka ny voa tsara sy ny ahi-dratsy, mamakivaky ny tantara.
Amin’ny hahatongavany amin’ny farandro hitsara ny velona sy ny maty i Kristy be voninahitra, dia hanambara ny ao am-po tsy miloaka, ary hamaly ny isam-batan’olona araka ny tsanganasany avy, sy araka izay nandraisany na nandavany ny fahasoavana.
“Tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). “Nirahin’Andriamanitra ho ao anatin’ny fontsika ny Fanahin’ny Zanany izay miantso hoe : Aba, Ray!” (Gal 4,6). Tsy ho tanteraka izany fahalalana ara-pinoana izany raha tsy ao amin’ny Fanahy Masina. Mba hifandray amin’i Kristy, dia tsy maintsy notohinin’ny Fanahy Masina aloha. Izy no mialoha antsika ary mahatonga ny finoana ho ao amintsika. Tamin’ny alalan’ny Batemintsika, sakramenta voalohan’ny finoana, no nampitana tamintsika ny Aina ao anaty lalina ao sy ho an’ny isam-batan’olona tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ao amin’ny Fiangonana, ka ny Ray no loharanon’io Aina io, ary ao amin’ny Zanaka no anolorany azy ho antsika :
Ny Batemy no manome antsika ny fahasoavan’ny fahateraham-baovao ao amin’Andriamanitra Ray amin’ny alalan’ny Zanany ao amin’ny Fanahy Masina. Satria ireo izay mitondra ny Fanahin’Andriamanitra dia voatarika ao amin’ny Teny, izany hoe : ao amin’ny Zanaka ; fa ny Zanaka no manolotra azy ireo amin’ny Ray, ary ny Ray no mampahazo azy ireo ny tsy fahalòvana. Noho izany, raha tsy ny Fanahy, tsy ho azo atao ny mahita ny Zanak’ Andriamanitra, ary raha tsy ny Zanaka, tsy misy olona afa-manatona ny Ray, satria ny fahalalana ny Ray, dia ny Zanaka, ary ny fahalalana ny Zanak’ Andriamanitra dia manjary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Md Irénée, dem. 7..
Ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’ny fahasoavany, no mampahatsiaro voalohany ny finoantsika sy ny fiainam-baovao izay mifantoka amin’ ny fahalalana ny Ray sy Ilay izay nirahiny, dia i Jesoa-Kristy jer. Jo 17,3.. Izy anefa no farany amin’ny fanambaràna ireo Olon’ny Trinite Masina. Nazavain’i Md. Grégoire de Nazianze, “ilay Teôlôjianina”, izany fandrosoana amin’ny alalan’ny fanabeazan’ny “fiambonian-tenan’ ”Andriamanitra izany :
Nanambara miharihary ny Ray ny Testamenta Taloha, fa somambisamby ihany ny Zanaka. Nampiseho mazava ny Zanaka ny Testamenta Vaovao, fa tsikaritra koa ny maha-Andriamanitra ny Fanahy. Ankehitriny, zon’ny Fanahy ny miaraka amintsika sy mampahazo antsika ny fahitana mazavazava kokoa ny amin’ny Tenany. Noho izany, tsy mety raha tsy manaiky ny maha-Andriamanitra ny Ray, kanefa manambara ampahibemaso ny Zanaka, ary raha tsy manaiky ny maha-Andriamanitra ny Zanaka, hanampy ny Fanahy Masina ho enta-mavesatra famenony indray ve, raha lazaina amin’ny fiteny somary hafahafa … Amin’ny fandrosoana sy fivoaran’ny “laza amam-boninahitra” hatrany no hibaliaka bebe kokoa ny fahazavan’ny saina momba ny Trinite Md Grégoire de Naz., or. Theol. 5,26..
Ny mino ny Fanahy Masina àry dia ny miaiky fa anankiray amin’ny Olon’ ny Trinite Masina ny Fanahy Masina, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy ny Zanaka, “tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka” Sembolin’i Nicée-Constantinople, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Izany no antony nahatonga ny resaka momba ny mistery maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina ho ao amin’ny “teôlôjia” momba ny Trinite. Ny resaka Fanahy Masina eto àry, dia izay mikasika ihany ny “fitantanam-pamonjen’ ”Andriamanitra.
Ny Fanahy Masina dia miara-niasa amin’ny Ray sy ny Zanaka hatrany am-piandohana ka hatrany amin’ny fahatanterahan’ny fandaharam-pamonjena antsika. Kanefa tamin’ny “fotoana farany” nosantarina niaraka tamin’ny Fahatongavan’ny Zanaka Mpanavotra ho nofo, no voambara sy nomena, nekena sy noraisina ho Olona Izy. Noho izany, io fandaharan’Andriamanitra, tomombana tao amin’i Kristy, “Voalohan-Teraka” sy Lohan’ny voary vaovao io, dia ho tanteraka ao amin’ny maha-olombelona amin’ny alalan’ny Fanahy voarotsaka : ny Fiangonana, ny fiombonan’ny olomasina, ny fanalana ny ota, ny fitsanganan’ny vatana ho velona, ny fiainana mandrakizay.
8.“Izaho mino ny Fanahy Masina”
“Tsy misy mahalala ny momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra”(1 Kôr 2,11). Ary, ny Fanahiny izay manambara Azy no mampahafantatra antsika an’i Kristy, Teniny, Teniny velona, fa tsy milaza ny Tenany Izy. Ilay izay “niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany” Ibid. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum no ahafahantsika mandre ny Tenin’ny Ray. Fa isika tsy mandre Azy. Tsy mahalala Azy isika afa-tsy amin’ny fihetsika izay anambaràny amintsika an’ ilay Teny sy andrisihany antsika handray Azy amin’ny finoana. Ny Fanahin’ ny Fahamarinana izay “mampiharihary” an’i Kristy amintsika dia “tsy miteny avy amin’ny Tenany” jer. Jo 16,13.. Ny toetra mipetrapetraka toy izany, izay tena toetran’ Andriamanitra mihitsy, no manazava ny antony “tsy ahazoan’izao tontolo izao mandray Azy, satria tsy hitany Izy ka tsy fantany”, fa ireo izay mino an’i Kristy kosa dia mahafantatra Azy satria mitoetra ao amin’izy ireo Izy (Jo 14,17).
Ny Fiangonana, fiombonana velona ao amin’ny finoan’ny apôstôly izay nampitainy, no toeran’ny fahalalantsika ny Fanahy Masina : - ao amin’ny Soratra Masina izay avy amin’ny fitsilovany ; - ao amin’ny Lovam-pampianarana, izay ny Aban’ny Fiangonana no vavolombelona tsy tontan’ny ela ; - ao amin’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana izay ampiany ; - ao amin’ny litorzia ara-tsakramenta, izay amin’ny alalan’ireo teniny sy ireo fanehoany an’ohatra no ampiombonan’ny Fanahy Masina antsika amin’i Kristy ; - ao amin’ny fivavahana izay amin’izany Izy no manelanelana ho antsika ; - ao amin’ireo fanomezam-pahasoavana sy andraiki-panompoana izay amin’izany no andrafetana ny Fiangonana ; - ao amin’ireo famantarana ny fiainana maha-apôstôly sy maha-misiônera ; - ao amin’ny fijoroana vavolombelon’ireo olomasina izay amin’izany Izy no mampiseho ny fahamasinany sy manohy ny tsanganasam-pamonjena.
I.Ny iraka iraisan’ny Zanaka sy ny Fanahy
Ilay izay nirahin’ny Ray ao am-pontsika, ny Fanahin’ny Zanany jer. Gal 4,6., dia Andriamanitra marina tokoa. Noho Izy iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy amin’ny Zanaka, dia tsy azo sarahina amin’izany Izy, na ao amin’ny Fiainana lalin’ny Trinite izany na amin’ny fanomezam-pitiavany an’izao tontolo izao. Kanefa amin’ny fitsaohana ny Trinite Masina, mamelombelon’ aina, iray fombam-pisia-maha-izy sy iray tsy mivaky, dia manambara ampahibemaso ny fiavahan’ny Olona Telo koa ny finoan’ny Fiangonana Rahefa maniraka ny Teniny ny Ray, dia mandefa lalandava ny Fofon’ainy : iraka iraisana izay mampiavaka ny Zanaka sy ny Fanahy Masina kanefa tsy azo sarahina. Marina fa i Kristy no miseho, Izy, ilay Endrika hita maso maneho an’Andriamanitra tsy hita maso, nefa ny Fanahy Masina no manambara Azy.
I Jesoa no Kristy, “voahosotra”, satria ny Fanahy no nanosotra Azy, ary izay rehetra tonga nanomboka tamin’ny Fahatongavana ho nofo dia avy amin’io hafenoana io avokoa jer. Jo 3,34.. Rahefa nomem-boninahitra i Kristy tamin’ny farany jer. Jo 7,39., dia azony atao koa, avy eo anilan’ny Ray, ny maniraka ny Fanahy amin’ireo izay mino Azy : Izy no mampita amin’izy ireo ny Voninahiny jer. Jo 17,22., izany hoe ny Fanahy Masina izay manome Voninahitra Azy jer. Jo 16,14.. Amin’izany ny iraka iraisana dia hiseho ao amin’ireo zanaka natsangan’ny Ray ao amin’ny Vatan-tenan’ny Zanany : ny fanirahana ny Fanahim-pananganan-janaka, dia ny hampiray azy ireo amin’i Kristy sy hahavelona azy ireo ao Aminy. Ny fahalalana ny atao hoe fanosorana dia hahitana hevitra (…) fa tsy misy elanelana mihitsy eo amin’ny Zanaka sy ny Fanahy. Satria, toy ny eo amin’ny faritry ny vatana sy ny fanosorana menaka azy, izay samy tsy mahatsapa ny elanelana amin’izany na ny saina na ny fandrenesana, dia mivantana tahaka izany koa ny fifandraisan’ny Zanaka amin’ny Fanahy, hany ka ho an’ilay izay te hanatona ny Zanaka amin’ny alalan’ny finoana, dia ilaina aloha ny fanosorana amin’ny menaka. Satria, tsy misy faritra na kely aza izay mety tsy hisy ny Fanahy Masina. Izany no mahatonga ny fiekena ny maha-Tompo ny Zanaka, hatao ao amin’ny Fanahy Masina, ho an’ireo izay mandray fanosora-menaka, dia ny Fanahy tonga hatraiza hatraiza eo anoloan’ireo izay manatona amin’ny alalan’ny finoana Md Grégoire de Nysse, Spir. 16..
II.Ny anaran-tsamirery sy ny anaram-piantsoana ary ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina
Ny anaran-tsamirerin’ny Fanahy Masina
“Fanahy Masina”, izany no anaran-tsamirerin’Ilay tsaohintsika sy omentsika voninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. Noraisin’ny Fiangonana avy amin’ny Tompo io anarana io, ary ambarany ampahibemaso ao amin’ny Batemin’ ireo zanany vaovao jer. Mt 28,19.. Ny teny hoe “Fanahy” no andikana ny teny hebrio hoe : Ruah, izay araka ny heviny voalohany, dia midika hoe fofon’aina, rivotra, tsio-drivotra. Nampiasa indrindra ny sary an’ohatra azo tsapain-tanana momba ny rivotra i Jesoa, mba hanome hevitra an’i Nikôdema ny maha zava-baovao mihoatra ny tsapa sy ny hita an’Ilay izay tenan’ny Fofon’Ain’Andriamanitra mihitsy, dia ny Fanahin’Andriamanitra jer. Jo 3,5-8.. Etsy an-kilany ny hoe Fanahy sy Masina, dia toetran’Andriamanitra manokana iombonan’ireo Olona Telo-Andriamanitra. Kanefa amin’ny fanakambanana an’ireo teny roa ireo, ny Soratra Masina, ny litorzia ary ny fiteny ara-teôlôjia, dia manondro ny Olona tsy hay ambara amin’ny teny momba ny Fanahy Masina, tsy manana hevi-droa mety hitranga amin’ny fampiasana hafa ny teny hoe “fanahy” sy “masina”.
Ny anaram-piantsoana ny Fanahy Masina
I Jesoa, fony Izy nanambara sy nampanantena ny fahatongavan’ny Fanahy Masina, dia niantso Azy hoe “Parakleto”, ara-bakiteny dia hoe : “Ilay voantso ho eo akaiky”, ad-vocatus (Jo14,16.26 ; 15,26 ; 16,7). “Mpisolo vava” no mahazatra andikana ny “Parakleto”, ka i Jesoa no mpisolo vava voalohany jer. 1 Jo 2,1.. Ny Tenan’Izy Tompo koa dia miantso ny Fanahy Masina hoe “Fanahin’ny Fahamarinana” (Jo 16,13).
Afa-tsy ny anaran-tsamireriny, izay ampiasaina be indrindra ao amin’ny Asan’ny apôstôly sy ireo Taratasy, dia hita ao amin’i Md Paoly ny anaram-piantsoana hoe : Fanahin’ny fampanantenana (Gal 3,14 ; Efez 1,13), Fanahim-pananganan-janaka (Rôm 8,15 ; Gal 4,6), Fanahin’i Kristy (Rôm 8,11), Fanahin’ny Tompo (2 Kôr 3,17), Fanahin’Andriamanitra (Rôm 8,9.14 ; 15,19 ; 1 Kôr 6,11 ; 7,40), ary ao amin’i Md Piera, Fanahin’ny voninahitra (1 Pi 4,14).
Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina
Ny rano. Fanehoana an’ohatra mampibaribary ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny Batemy ny rano, satria, aorian’ny fitalahoana ny Fanahy Masina, dia manjary famantarana ara-tsakramenta mandaitra amin’ny fahateraham-baovao ny rano : toy ny naha-tao am-bohoka antsika tamin’ny fahaterahantsika voalohany izay tanteraka tao anaty rano, ny asan’ny rano fanaovana batemy izay midika marina tokoa fa ny fahaterahantsika amin’ny ain’Andriamanitra dia nomena antsika tamin’ny Fanahy Masina. Fa “natao batemy tao amin’ny Fanahy iray ihany” isika, ary “Fanahy iray ihany koa no nampisotroana” antsika (1 Kôr 12,13) : ny Tenan’ny Fanahy mihitsy koa àry no ilay Rano velona izay miboiboika avy ao amin’i Kristy nofantsihana jer. Jo 19,34; 1 Jo 5,8. satria loharano ipoirany, sy izay miboiboika ao amintsika ho Fiainana mandrakizay jer. Jo 4,10-14; 7,38; Eks 17,1-6; Iz 55,1; Zak 14,8; 1 Kôr 10,4; Apôk 21,6; 22,17..
Ny fanosora-menaka. Ny fanosora-menaka dia fanehoana an’ohatra mampibaribary koa ny Fanahy Masina, ka tonga hatramin’ny fitovian’ny hevitra raketiny Aminy mihitsy aza jer. 1 Jo 2,20.27; 2 Kôr 1,21.. Amin’ny firosoana ho kristianina, izany no famantarana ara-tsakramentan’ny Fankaherezana, antsoina ara-drariny any amin’ny Fiangonana Tatsinanana hoe “Fanosorana masina” (“Chrismation”). Kanefa mba hahatsapana ny heriny manontolo, tokony hiverenana ilay fanosorana voalohany notanterahin’ny Fanahy Masina : ny an’i Jesoa. Ny Kristy (“Mesia” amin’ny teny hebrio) dia midika hoe “voahosotry” ny Fanahin’Andriamanitra. Nisy ireo “voahosotry” ny Tompo ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha jer. Eks 30,22-32., ny ambony dia ambony amin’izany dia i Davida mpanjaka jer. 1 Sam 16,13.. Kanefa i Jesoa no Ilay voahosotr’Andriamanitra tamin’ny fomba tsy manam-paharoa : ny maha-olombelona izay zakain’ny Zanaka ao Aminy dia “voahosotry ny Fanahy Masina”manontolo. Natokan’ny Fanahy Masina ho “Kristy” i Jesoa jer. Lk 4,18-19; Iz 61,1.. Nanana anaka an’i Kristy tamin’ny Fanahy Masina i Maria Virjiny izay nolazain’ny anjely hoe i Kristy amin’ny fotoana hahaterahany jer. Lk 2,11. ary nanosika an’i Simeôna ho tonga tao an-Tempoly mba hahita ny Kristin’ny Tompo jer. Lk 2,26-27.; Izy no nameno an’i Kristy jer. Lk 4,1. ary ny heriny no nivoaka avy tao amin’i Kristy tamin’ny asam-panasitranany amam-pamonjeny jer. Lk 6,19; 8,46.. Farany, Izy no nanangan-ko velona an’i Jesoa tamin’ny maty jer. Rôm 1,4; 8,11.. Koa noho izany, noho i Jesoa voatokana tanteraka ho “Kristy” ao amin’ny maha-olombelona mpandresy ny fahafatesana Azy jer. Asa 2,36., dia mandefa ny Fanahy Masina Izy mandra-pahatongan’ny “olomasina” hitambatra ao anatin’ny firaisan’izy ireo amin’ny maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra, “ilay Olonalavorary ( …) izay manatanteraka ny hafenoan’i Kristy” (Efez 4,13) : “i Kristy manontolo ”, araka ny fomba fitenin’i Md Augustin Md Augustin, serm. 341,1,1; ibid. 9,11..
Ny afo. Raha midika ho fahaterahana sy fahavokaran’ny Aina nomena tao amin’ny Fanahy Masina ny rano, ny afo kosa dia maneho an’ohatra ny hery manovan’ny asan’ny Fanahy Masina. I Elia mpaminany, izay “nitsangana toy ny afo, ary nirehitra toy ny fanilo ny teniny” (Ekl 48,1), noho ny vavaka nataony, no nisintona afo avy any an-danitra handoro ny sorona teo an-tendrombohitr’i Karmela jer. 1 Mpanj 18,38-39., sarin’ny afon’ny Fanahy Masina manova izay kasihiny. I Joany-Batista, “izay nandeha teo anoloan’ny Tompo tamin’ny “fanahy” sy ny “herin’i Elia” (Lk 1,17), dia nanambara an’i Kristy ho ilay izay “hanao batemy amin’ny Fanahy Masina sy ny afo” (Lk 3,16), io Fanahy io izay holazain’i Jesoa hoe : “Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany Aho, ka akory ity faniriako mba hirehetan’izany sahady !” (Lk 12,49). Endrika lela “nolazaina hoe mitarehin’afo” no nisehoan’ny Fanahy Masina izay nipetraka teny ambonin’ny mpianatra tamin’ny marainan’ny Pantekôty ary nameno azy rehetra jer. Asa 2,3-4.. Ny lovantsofina ara-panahy dia hitàna io fanehoana an’ohatra momba ny afo io ho iray amin’ireo mampiseho mazava indrindra ny asan’ny Fanahy Masina jer. Md Jean de la Croix, Ilama. : “Aza mamono ny Fanahy” (1 Tes 5,19).
Ny rahona sy ny hazavana. Tsy azo sarahina ireo fanehoana an’ohatra roa ireo amin’ny fisehoan’ny Fanahy Masina. Hatramin’ny fisehoan’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha, ny Rahona, izay mbetika maizina, mbetika mazava, no nanehoana an’Andriamanitra velona sady mpamonjy, amin’ny fanaronana ny voninahiny ambony tsy taka-polopolorina : tamin’i Môizy tany an-tendrombohitr’i Sinaia jer. Eks 24,15-18., tao amin’ny Tranolay Fihaonana jer. Eks 33,9-10. ary nandritra ny dia tany an-tany efitra jer. Eks 40,36-38; 1 Kôr 10,1-2. ; niaraka tamin’i Salômônina nandritra ny fitokanana ny Tempoly jer. 1 Mpanj 8,10-12.. Ary dia notanterahin’i Kristy tao amin’ny Fanahy Masina ireny tandindona ireny. Ity farany ity izay tonga tao amin’i Maria Virjiny sy “nanaloka azy” mba hampitoe-jaza azy sy hiterahany an’i Jesoa jer. Lk 1,35.. Tany an-tendrombohitry ny Fiovàn-tarehy, Izy no “avy tampoka tao amin’ny rahona ka nanarona” an’i Jesoa, Môizy ary Elia, Piera, Jakôba ary Joany, ary “nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe : “Ity no Zanako malalako, henoy Izy” (Lk 9,34-35). Farany, dia mbola io Rahona io ihany no “nanakona an’i Jesoa, ka tsy hitan’ny mason’ny” mpianatra, tamin’ny andron’ny Fiakarana any an-danitra jer. Asa 1,9., sy haneho Azy ho Zanak’Olona ao amin’ny voninahiny, amin’ny Andron’ny Fahatongavany jer. Lk 21,27..
Ny fitomboka no fanehoana an’ohatra manakaiky ny an’ny fanosorana. Ary satria i Kristy no “nasian’Andriamanitra ny tombo-kaseny” (Jo 6,27) ka dia ao Aminy no anamarihan’ny Ray antsika koa amin’ny tombo-kaseny jer. 2 Kôr 1,22; Efez 1,13; 4,30.. Satria ny sarin’ny fitomboka (sphragis) no anondroana ny vokatra tsy maty vonoina avy amin’ny fanosoran’ny Fanahy Masina amin’ny sakramentan’ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Filaharana, dia nampiasaina tamin’ny lovantsofina ara-teôlôjia sasany izany mba hanehoana ny “marika” tsy maty vonoina naraikitr’ireo sakramenta telo ireo izay tsy azo averina intsony.
Ny tanana. Amin’ny fametrahan-tanana no anasitranan’i Jesoa ny marary jer. Mk 6,5; 8,23. sy itsofany rano ny ankizy madinika jer. Mk 10,16.. Amin’ny anarany, hanao toraka izany koa ny apôstôly jer. Mk 16,18; Asa 5,12; 14,3.. Mbola tsaratsara kokoa, fa tamin’ny fametrahan-tanan’ny apôstôly no nanomezana ny Fanahy Masina Asa 8,17-19; 13,3; 19,6.. Ny Taratasy ho an’ny Hebrio dia manao ny fametrahan-tanana ho anisan’ny “andalana fototry” ny fampianarany jer. Heb 6,2.. Izany famantaram-pandrotsahana ny Fanahy Masina manan-kery tsy hay tohaina izany dia mbola tanan’ny Fiangonana amin’ny epikilezin’ireo sakramenta.
Ny rantsantanana. “Amin’ny rantsantanan’Andriamanitra no androahan’ [ i Jesoa] ny demony” jer. Lk 11, 20.. Raha voasoratra tamin’ny takela-bato nosoratan’ny “rantsantanan’ Andriamanitra” (Eks 31,18) ny Lalànan’Andriamanitra, “ny taratasin’i Kristy”, napetraka teo ambany fiahian’ny apôstôly, “dia voasoratra tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra velona, tsy tamin’ny takela-bato, fa tamin’ny takela-nofo, tamin’ny fo” (2 Kôr 3,3). Ny antsa “Avia, ry Fanahy Mpahary” (“Veni, Creator Spiritus”)no italahoana ny Fanahy Masina ho “ny rantsantanan’ny tanan-kavanan’ny Ray” In Dominica Pentecostes, hymnus éd. I et II Vesperas..
Ny voromahailala. Tamin’ny fiafaran’ny safo-drano (izay fanehoana an’ohatra ny Batemy), dia niverina ny voromahailala nalefan’i Nôe, nitondra sampahon’ôliva maitso teny am-bavany, famantarana fa azo onenana indray ny tany jer. Jen 8,8-12.. Rahefa niakatra avy ao anaty rano nanaovana batemy Azy i Kristy, dia nidina teo amboniny sy nipetraka teo ny Fanahy Masina, niendri-batana toy ny an’ny voromahailala jer. Mt 3,16 //.. Midina sy miorina ao am-po voadio an’ny vita batemy ny Fanahy. Any amin’ny trano fiangonana sasany, tahirizina ao amin’ny toerana iray vita amin’ny metaly miendrika voromahailala (columbarium) mihantona eo ambonin’ny ôtely ny Tahirin’ny Eokaristia masina. Ny fanehoana an’ohatra ny voromahailala mba hoenti-manambara ny Fanahy Masina dia efa nampitain’ny lovam-panahy ao amin’ny haisarimasina kristianina.
III.Ny Fanahy sy ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny andron’ny fampanantenana
Hatrany am-piandohana ka hatramin’ny “Hafenoan’ny Andro” (Gal 4,4), ny iraka iraisan’ny Teny sy ny Fanahin’ny Ray dia mijanona ho niafina, nefa miasa. Tamin’izany no nanomanan’ny Fanahin’Andriamanitra ny fotoanan’ ny Mesia, ary na ny andaniny na ny ankilany, izay samy tsy mbola nambara manontolo, dia efa nampanantenaina tao amin’izany mba handrasana sy horaisina amin’ny fotoanan’ny fisehoan’izy ireo. Izany no antony mahatonga ny Fiangonana rahefa mamaky ny Testamenta Taloha jer. 2 Kôr 3,14., handinika lalina ao jer. Jo 5,39.46. ny tian’ny Fanahy, “izay niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany” Sembolin’i Nicée-Constantinople, DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., holazaina amintsika ny amin’i Kristy. Ny hoe “mpaminany” eto, araka ny finoan’ny Fiangonana, dia ireo rehetra izay notsilovin’ny Fanahy Masina tamin’ny fitoriana velona sy tamin’ny fanoratana ny Boky Masina, na ny Testamenta Taloha izany na ny Testamenta Vaovao. Avahan’ny lovantsofina jody hoe ny Lalàna (ny boky dimy voalohany na Pentateoka), ny Mpaminany (ny antsointsika hoe bokin’ny tantara sy ny faminaniana) ary ny Soratra (indrindra ny ara-pahendrena, singanina manokana ny Salamo) jer. Lk 24,44..
Tamin’ny fahariana
Ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fofon’ainy no fiandohan’ny fisian-tena sy ny ain’ny voary manontolo jer. Sal 33,6; 104,30; Jen 1,2; 2,7; Mpitor 3,20-21; Ezek 37,10. :
“Sahaza ny Fanahy Masina ny manjaka, ny manamasina ary ny mamelon’aina ny voary, satria Andriamanitra iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy ny Zanaka Izy (…). Ananany ny fahefana momba ny aina, satria amin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia mitahiry ny asa fahariana ao amin’ny Ray amin’ny alalan’ny Zanaka Izy” Litorzia bizantinina, Tononkalom-pivavahana amin’ny vavaka marainan’ireo alahady amin’ny fomba faharoa..
“Fa ny amin’ny olombelona, dia tamin’ny tanan’Andriamanitra ihany [izany hoe ny Zanaka sy ny Fanahy Masina] no nanamboarany azy (…) ary ny endriny ihany no nosoritany teo amin’ilay nofo namboarin’ny tanany, ka na izay hita maso aza, dia mitondra ny endrik’Izy Andriamanitra” Md Irénée, dem.11..
Ny Fanahin’ny fampanantenana
Ny olombelona, simban’ny fahotana sy ny fahafatesana, dia mbola “mitovy endrika amin’Andriamanitra”, amin’ny endriky ny Zanaka, saingy tsy manana ny Voninahitr’Andriamanitra izy jer. Rôm 3,23., tsy manana ny “fifanahafana”. Ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama no misantatra ny fitantanam-pamonjena, ka amin’ny faran’izany, Izy Zanaka rahateo no hizaka ao Aminy ny “endrik’olombelona” jer. Jo 1,14; Filip 2,7., hamerina izany amin’ny “fifanahafana” amin’ny Ray ary hanome ho azy indray ny Voninahitra, dia ny Fanahy “loharanon’ Aina” izany.
Na tsy araka ny fanantenana maha-olombelona aza, dia nampanantena taranaka an’i Abrahama Andriamanitra, ho vokatry ny finoana sy ny herin’ ny Fanahy Masina jer. Jen 18,1-15; Lk 1,26-38.54-55; Jo 1,12-13; Rôm 4,16-21.. Amin’io taranany io no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany jer. Jen 12,3.. I Kristy io taranany io jer. Gal 3,16., izay ny fandrotsahana ny Fanahy Masina avy ao Aminy no “hamory ho antokony iray ny zanak’Andriamanitra izay efa niparitaka” jer. Jo 11,52.. Tamin’ny fampanantenana natao tamim-pianianana jer. Lk 1,73., no efa nampanantenan’Andriamanitra ny fanomezana ny Zanany malalany jer. Jen 22,17-18; Rôm 8,32; Jo 3,16. sy ny fanomezana ny “Fanahin’ny Fampanantenana (…) izay (…) manomana ny fanavotana ny Vahoaka nofidin’Andriamanitra ho Azy” (Efez 1,13-14) jer. Gal 3,14; Efez 1,13-14..
Tamin’ireo Teôfania sy Lalàna
Ireo Teôfania (fisehoan’Andriamanitra) no manazava ny lalan’ny fampanantenana, tamin’ireo patriarka hatramin’i Môizy ary tamin’i Jôsôe hatramin’ireo fahitana izay nisantatra ny fanirahana an’ireo mpaminany lehibe. Mankato lalandava ny lovam-panahy kristianina, fa ao amin’ireny Fisehoan’Andriamanitra ireny dia ny Tenin’Andriamanitra no namela ny Tenany ho hita sy ho heno, izay sady ambara no “alofana” ao amin’ny Rahon’ny Fanahy Masina.
Miseho manokana amin’ny fanomezana ny Lalàna, izany fomba fanabeazan’Andriamanitra izany jer. Eks 19-20; Det 1-11; 29-30.. Nomena ho “mpitaiza sy mpanabe”, mba hitarika ny Vahoaka mankany amin’i Kristy, ny Lalàna jer. Gal 3,24.. Kanefa noho ny tsy fahampian’ny herin’ny Lalàna hamonjy ny olombelona tsy manana intsony ny “fifanahafana” amin’Andriamanitra sy ny fampahalalany mazava tsara ny fahotana jer. Rôm 3,20., no nampitsiry ny faniriana ny Fanahy Masina. Ny toloko aman-toreo ao amin’ny Salamo no vavolombelona manamarina izany.
Tamin’ny Fanjakana sy ny Sesitany
Ny Lalàna, famantarana ny fampanantenana sy ny fanekem-pihavanana, no tokony hibaiko ny fo sy ny lalàna fototry ny Vahoaka teraka avy amin’ny finoan’i Abrahama. “Raha mihaino ny feoko ianareo, sy mitandrina ny fanekem-pihavanako, dia hataoko fanjakam-pisorona, firenena masina” (Eks 19,5-6) jer. 1 Pi 2,9.. Kanefa, taorian’i Davida, resin’ny fakam-panahy mba ho tonga fanjakana tahaka an’ireo firenen-kafa i Israely. Ary ilay Fanjakana, fototry ny fampanantenana natao tamin’i Davida jer. 2 Sam 7; Sal 89; Lk 1,32-33., dia ho tsanganasan’ny Fanahy Masina ; ho an’ny mahantra izay araka ny Fanahy izany.
Ny fanadinoana ny Lalàna sy ny fivadihana amin’ny fanekem-pihavanana dia miafara amin’ny fahafatesana : ny Sesitany izany, izay araka ny hita, dia tsy fahombiazan’ny fampanantenana, nefa ny tena marina, dia tsy fivadihana mifono misterin’ilay Andriamanitra mpamonjy sy fanombohan’ny fano-renana nampanantenaina, saingy araka ny Fanahy. Tsy maintsy mijaly ny Vahoakan’Andriamanitra amin’izany fanadiovana izany jer. Lk 24,26. ; ny Sesitany dia efa mitondra sahady ny aloky ny Hazofijaliana tao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra, ary ny Sisa kelin’ireo mahantra izay hiverina avy any no anisan’ny tandindona tena miharihary tokoa maneho ny Fiangonana.
Ny fiandrasana ny Mesia sy ny Fanahiny
“Fa indro Aho, hanao zava-baovao” (Iz 43,19) : andalan-tenim-pamina-niana anankiroa no ho voasoritra amin’izany, ka ny iray momba ny fiandrasana ny Mesia, ary ny iray momba ny filazana ny Fanahy vaovao ; samy hahakasika an’ilay Sisa kely, ilay vahoaka Mahantra jer. Sôf 2,3. izany, izay miandry amim-panantenana ny “fanalana alahelo an’i Israely” sy ny “fanafahana an’i Jerosalema”(Lk 2,25.38). Hita tetsy ambony ny hoe manao ahoana ny nanatanterahan’i Jesoa ny faminaniana momba Azy. Ny ho faritana eto, dia ny faminaniana izay mampiseho bebe kokoa ny fifandraisan’ny Mesia sy ny Fanahiny.
Ny toetran’ny endrik’ilay Mesia andrasana dia manomboka miseho ao amin’ny Bokin’i Emanoela jer. Iz 6-12. (“fony i Izaia nahazo fahitana ny Voninahitr’i” Kristy : Jo 12,41), indrindra ao amin’i Izaia 11,1-2 :
Misy rantsana hipoitra avy amin’ny fototr’i Jese, ary misy solofo haniry avy amin’ny fakany : hitoetra eo Aminy ny Fanahin’ny Tompo, dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana amam-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana ny Tompo.
Voambara indrindra ao amin’ireo hiran’ny Mpanompo jer. Iz 42,1-9; Mt 12,18-21; Jo 1,32-34; manaraka, Iz 49,1-6; jer. koa Mt 3,17; Lk 2,32; farany, Iz 50,4-10 sy Iz 52,13-15; 53,12., ny soritsoritry ny toetran’ilay Mesia. Ireo hira ireo no milaza ny hevitry ny fijalian’i Jesoa, sy manondro araka izany ny fomba handrotsahany ny Fanahy Masina hamelon’ aina ny be sy ny maro : tsy avy ety ivelany, fa amin’ny fiandaniana “ny fomban’ny maha-mpanompo” antsika (Filip 2,7). Amin’ny itondrany ao Aminy ny fahafatesantsika, no ahafahany mampita amintsika ny Fanahin’ny fiainan’ny tenany.
Izany no nahatonga an’i Kristy nisantatra ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin’ny nampiharany amin’ny Tenany ity andalan-tsoratr’i Izaia (Lk 4,18-19) jer. Iz 61,1-2. ity :
Ato Amiko ny Fanahin’ny Tompo,fa nanosotra Ahy ny Tompo. Nirahiny Aho hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra, hankahery ny torotoro fo ; hilaza famotsoran-keloka amin’ny voababo sy fahafahana amin’ny voafonja ; hitory ny taom-pahasoavana avy amin’ny Tompo.
Teny-marina avy amin’Andriamanitra, ireo lahatsora-paminaniana mikasika mivantana ny fanirahana ny Fanahy Masina; teny-marina izay itenenany ao am-pon’ny Vahoakany amin’ny teny fampanantenana, miaraka amin’ny fanantitranterana ny “fitiavana sy ny tsy fivadihana” jer. Ezek 11,19; 36,25-28; 37,1-14; Jer 31,31-34 sy Joely 3,1-5. , ka i Md Piera, amin’ ny marainan’ny Pantekôty, no hanambara ny fahatanterahany jer. Asa 2,17-21.. Araka ireny fampanantenana ireny, dia any amin’ny “fotoana farany” anyny Fanahin’ny Tompo no hanavao ny fon’ny olombelona amin’ny fandraiketana ao amin’izy ireo ny Lalàna vaovao ; Izy no hamory sy hampihavana ny vahoaka niparitaka sy nisara-bazana ; Izy no hanova endrika ny fahariana voalohany ary honina ao Andriamanitra miaraka amin’ny olombelona ao anatin’ny fiadanana.
Ny fanomanana an’ireo vahoaka “mahantra” jer. Sôf 2,3; Sal 22,27; 34,3; Iz 49,13; 61,1; sns., ireo manetry tena sy ireo malemy fanahy, tena nailikilika tamin’ny fandaharana mifono mistery an’ Andriamanitr’izy ireo, ireo izay miandry ny rariny, tsy avy amin’ny olombelona fa avy amin’ny Mesia, tamin’ny farany, no vain-dohan-draharahan’ny Fanahy Masina amin’ny iraka miafina nataony nandritra ny fotoanan’ny fampanantenana, mialohan’ny fahatongavan’i Kristy. Ny hatsaran’ny toe-pon’izy ireo, voadio sy voazavan’ny Fanahy, no voateny ao amin’ny Salamo. Ao amin’ireo mahantra ireo ny Fanahy no manomana “vahoaka voavonona tokoa” ho an’ny Tompo jer. Lk 1,17..
IV.Ny Fanahin’i Kristy ao amin’ny hafenoan’ny fotoana
Joany, Mpialoha làlana, Mpaminany sy Mpanao batemy
“Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra. Joany no anarany” (Jo 1,6). “ Fenon’ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny”i Joany (Lk 1, 15) jer. Lk 1,41., tamin’ny alalan’ny Tenan’i Kristy ihany izay vao noforonin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’i Maria Virjiny. Ny “famangian’ ” i Maria an’i Elizabeta araka izany no nanjary famangian’Andriamanitra ny vahoakany jer. Lk 1,68..
I Joany no Elia izay tsy maintsy ho avy jer. Mt 17,10-13. : ny Afon’ny Fanahy Masina no mitoetra ao aminy sy “mampandeha azy [“amin’ny maha-mpialoha làlana”] eo alohan’ny”Tompo izay tamy. Ao amin’i Joany Mpialoha làlana, dia ny Fanahy Masina no mamarana ny “fanomanana ny vahoaka voavonona tokoa ho an’ny Tompo” (Lk 1,17).
“Mihoatra noho ny mpaminany” i Joany (Lk 7,26). Ao aminy ny Fanahy Masina no manatanteraka ny “tenin’ny mpaminany”. I Joany no namarana ny vanim-potoanan’ny mpaminany nosantarin’i Elia jer. Mt 11,13-14.. Izy no manambara fa antomotra tokoa ny fanalana alahelo an’i Israely, izy no “feon’ ” ilay mpampionona izay tonga jer. Jo 1,23; Iz 40,1-3.. Tahaka izay ho ataon’ny Fanahin’ny Fahamarinana,dia “tonga izy ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana” (Jo 1,7) jer. Jo 15,26; 5,33.. Raha miohatra amin’i Joany, ny Fanahy no manatanteraka araka izany, “ny fikatsahan’ny mpaminany” sy ny “fanirian’” ny anjely jer. 1 Pi 1,10-12. : “Ilay izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina sy hitoerany eo amboniny, Izy no Ilay manao batemy amin’ny Fanahy (…). Eny, nahita aho ka milaza marina fa Izy no Zanak’Andriamanitra. (…) Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra” (Jo 1,33-36).
Farany, miaraka amin’i Joany mpanao batemy ny Fanahy Masina no misantatra, amin’ny fanambaràny izany mialoha, izay hotanterahiny miaraka amin’i Kristy sy ao amin’i Kristy : hamerina indray amin’ny olombelona, ny “fifanahafana” amin’Andriamanitra. Ny an’i Joany dia batemy ho amin’ny fibebahana, fa ny an’Ilay hanao batemy amin’ny rano sy ny Fanahy kosa no ho fahateraham-baovao jer. Jo 3,5..
“Mifalia ianao, ry ilay feno hasoavana”
I Maria, ilay Tena Reny Masin’Andriamanitra, Virjiny mandrakizay, no sangan’asa amin’ny fanirahana ny Zanaka sy ny Fanahy ao anatin’ny hafenoan’ny fotoana. Sambany ao anatin’ny fandaharam-pamonjena, satria ny Fanahiny no nanomana izany, no mahita Fonenana ahafahan’ny Zanany sy ny Fanahiny monina eo anivon’ny olombelona, ny Ray. Amin’izany hevitra izany ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana no mamaky matetika ny lahatsoratra kanto indrindra momba ny Fahendrena misy ifandraisana amin’i Maria jer. Ohab 8,1-9,6; Ekl 24. : I Maria dia hiraina sy aseho ao amin’ny litorzia ho toy ny “Fiketrahan’ny Fahendrena”. Ao amin’i Maria no manomboka miseho ny “zava-mahagaga ataon’ Andriamanitra”, izay hotanterahin’ny Fanahy ao amin’i Kristy sy ao amin’ ny Fiangonana :
Ny Fanahy Masina no nanomana an’i Maria tamin’ny fahasoavany. Mety ny maha-“feno hasoavana” ny Renin’Ilay izay “itoeran’ny Hafenoan’ny fomban’Andriamanitra ao amin’ny vatana” (Kôl 2,9). Tamin’ny fahasoavana tsy misy fahony Izy no notorontoronina tsy azon-keloka, ho ilay manetry tena indrindra amin’ny zavaboary, ho ilay afaka mandray indrindra ny Fanomezana tsy hay ambara avy amin’Ilay Mahefa ny zavatra rehetra. Rariny ny niarahaban’ny Anjely Gabriely azy ho toy “Ilay Zanakavavin’i Siôna” hoe: “Mifalia ianao” jer. Sôf 3,14; Zak 2,14.. Ny fisaoran’ny Fiangonana Vahoakan’Andriamanitra manontolo no asandrany any amin’ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina amin’ ny tonon-kirany jer. Lk 1,46-55., tamin’izy nitondra ao aminy ilay Zanaka mandrakizay.
Ao amin’i Maria no anatanterahan’ny Fanahy Masina ny fandaharana feno fitiavan’ny Ray. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ilay Virjiny no hitoe-jaza sy hiteraka ny Zanak’Andriamanitra. Manjary fahalonahana tokana aman-tany ny fahavirjiniany, noho ny herin’ny Fanahy sy ny finoana jer. Lk 1,26-38; Rôm 4,18-21; Gal 4,26-28..
Ao amin’i Maria no ampisehoan’ny Fanahy Masina ny Zanaky ny Ray manjary Zanaky ny Virjiny. Izy no ilay Kirihitra nirehitra manambara ny Fisehoan’Andriamanitra tanteraka : feno ny Fanahy Masina izy, dia nampiseho ilay Teny tao anatin’ny fanetren-tenan’ny nofony, sy nampahalala Azy tamin’ireo Mahantra jer. Lk 2,15-19. sy tamin’ireo santatry ny firenena jer. Mt 2,11..
Farany, amin’i Maria no anombohan’ny Fanahy Masina mampiombona amin’i Kristy ny olombelona rehetra “fototry ny fitiavana maneho ny hatsaram-pon’Andriamanitra” jer. Lk 2,14., aryireo manetry tena no loha laharana lalandava mandray izany : ireo mpiandry ondry, ireo majy, i Simeôna sy i Ana, izy mivady tao Kanà ary ireo mpianatra voalohany.
Amin’ny fiafaran’io fanirahana ny Fanahy io, manjary “Ravehivavy”, Eva vaovao “renin’ny velona rehetra”, Renin’i “Kristy manontolo” jer. Jo 19,25-27. i Maria. Tahaka ny maha-eo azy miaraka amin’ny Roa ambin’ny folo lahy, “niray fo, naharitra nivavaka” (Asa 1,14), amin’ny mazava atsinanan’ny “fotoana farany”, no hisantaran’ny Fanahy izany ny marainan’ny Pantekôty miaraka amin’ny fampisehoana ny Fiangonana.
I Kristy Jesoa
Ny fanirahana manontolo ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ao amin’ny hafenoan’ny fotoana dia mirakitra hevitra hoe ny Zanaka no ilay voahosotry ny Fanahin’ny Ray nanomboka tamin’ny Fahatongavany ho Nofo : i Jesoa no Kristy, ilay Mesia. Ny toko faharoa manontolo ny Sembolin’ny finoana dia hovakina amin’ izany fitsilovana izany. Ny tsanganasan’i Kristy manontolo dia fanirahana iraisan’ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Eto, ny homarihina fotsiny dia izay momba ny fampanantenan’i Jesoa ny Fanahy Masina sy ny fanomezany amin’ny alalan’ny Tompo henim-boninahitra.
Tsy nanambara manontolo ny Fanahy Masina i Jesoa raha tsy efa nomem-boninahitra tamin’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona Izy. Kanefa, nasiany tsipy teny tsikelikely izany, na dia tamin’ny fampianarany ny vahoaka aza, rahefa nanambara Izy fa ho fihinana ny Nofony ho fiainan’ izao tontolo izao jer. Jo 6,27.52.62-63.. Nasiany tsipy teny koa izany tamin’i Nikôdema jer. Jo 3,5-8., tamin’ ilay Vehivavy samaritanina jer. Jo 4,10.14.23-24. ary tamin’ireo izay nandray anjara tamin’ny fetin’ny Tranolay jer. Jo 7,37-39.. Tamin’ny mpianany Izy no niteny izany miharihary tamin’ny resaka momba ny fivavahana jer. Lk 11,13. sy ny fijoroana vavolombelona izay hataon’izy ireo jer. Mt 10,19-20..
Tamin’ny nahatongavan’ny Ora izay hanomezam-boninahitra Azy ihany i Jesoa no nampanantena ny fahatongavan’ny Fanahy Masina, satria ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona no ho fahatanterahan’ny fampanantenana natao tamin’ireo Razambe jer. Jo 14,16-17.26; 15,26; 16,7-15; 17,26. : ny Fanahin’ny Fahamarinana, ny Parakleto hafa, dia homen’ny Ray amin’ny vavak’i Jesoa ; hirahin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa Izy ; hirahin’i Jesoa avy amin’ny Ray Izy satria ny Ray no niaviany. Ho avy ny Fanahy Masina, ho fantatsika Izy, hiaraka amintsika mandrakizay Izy, honina hiaraka amintsika Izy ; hampianatra antsika ny zavatra rehetra Izy sy hampahatsiaro antsika izay rehetra nolazain’i Kristy antsika ary ho vavolombelona hanambara Azy ; hitondra antsika amin’ny marina rehetra Izy sady hanome voninahitra an’i Kristy. Raha ny amin’izao tontolo izao kosa, handresy lahatra ny amin’ny fahotana, ny amin’ny fahamarinana ary ny amin’ny fitsaràna Izy.
Farany, tonga ny Oran’i Jesoa jer. Jo 13,1; 17,1. : mametraka ny fanahiny eo am-pelatanan’ ny Ray jer. Lk 23,46; Jo 19,30. i Jesoa amin’ny fotoana izay mahatonga Azy ho mpandresy ny fahafatesana amin’ny Fahafatesany, hany ka “ny fitsanganany ho velona avy amin’ny maty, tamin’ny Voninahitry ny Ray” (Rôm 6,4), no anomezany avy hatrany ny Fanahy Masina amin’ny “fitsofana”eo amin’ireo mpianany jer. Jo 20,22.. Manomboka hatramin’io Ora io, tonga fanirahana ny Fiangonana ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy : “Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo koa” (Jo 20,21) jer. Mt 28,19; Lk 24,47-48; Asa 1,8..
V.Ny Fanahy sy ny Fiangonana amin’ny fotoana farany
Ny Pantekôty
Ny andro Pantekôty (faran’ny herinandro fito ny Paka) no tanteraka ny Pakan’i Kristy, tamin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina izay naseho, nomena, nampitaina amin’ny maha-Olona-Andriamanitra : avy amin’ny Hafenoany, i Kristy, Tompo, no mandrotsaka be dia be ny Fanahy jer. Asa 2,33-36..
Tamin’io andro io no nambara manontolo ny Trinite Masina. Hatramin’io andro io, ny Fanjakana nolazain’i Kristy dia misokatra ho an’ireo izay mino Azy : amin’ny fanetren-tenan’ny nofo sy amin’ny finoana no efa andraisan’ izy ireo anjara sahady amin’ny fiombonana amin’ny Trinite Masina. Amin’ ny fahatongavany, ary tsy mitsahatra izany, no ampidiran’ny Fanahy Masina an’izao tontolo izao ao amin’ny “fotoana farany”, ny fotoanan’ny Fiangonana, ilay Fanjakana efa nolovàna, nefa tsy mbola tomombana :
Nahita ny Fahazavana tena izy izahay, nandray ny Fanahy avy any an-danitra izahay, nahita ny finoana marina izahay : mitsaoka ny Trinite tsy azo sarahina izahay satria Izy no namonjy anay Litorzia bizantinina, Tononkalom-pivavahana fanao amin’ny vavaka harivan’ny Pantekôty: noraisina izy ity amin’ny fankalazana ny Eokaristia, aorian’ny kômonio..
Ny Fanahy Masina – Fanomezan’Andriamanitra
“Andriamanitra dia Fitiavana” (1 Jo 4,8.16), ary ny Fitiavana no fanomezana voalohany, ao aminy ny hafa rehetra. Io Fitiavana io no “narotsak’Andriamanitra ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina izay nomena antsika” (Rôm 5,5).
Satria maty isika, na, fara fahakeliny, naratran’ny fahotana, ny vokatra voalohany amin’ny fanomezana ny Fitiavana dia ny famelana ny fahotantsika. Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina (2 Kôr 13,13), ao amin’ny Fiangonana, no mamerina amin’ireo vita batemy ny fifanahafana amin’ Andriamanitra, very noho ny fahotana.
Nomeny tamin’izay ny “antoka” na “voaloham-bokatry” ny Lovantsika jer. Rôm 8,23; 2 Kôr 1,22. : ny Fiainana sahala amin’ny an’ny Trinite Masina izay mitia “tahaka ny itiavany antsika” jer. 1 Jo 4,11-12.. Io Fitiavana io (fitiavana araka ny 1 Kôr 13) no fototry ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy, azo tanterahina noho isika “nahazo hery, dia ny an’ny Fanahy Masina” (Asa 1,8).
Amin’izany herin’ny Fanahy Masina izany ny zanak’Andriamanitra no afaka mamokatra. Ilay izay nanao grefy antsika tamin’ny Voaloboka tena izy, no hampitondra antsika ny “vokatry ny Fanahy dia : fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, fitokiana ny hafa, fahalemem-panahy, fifehezan-tena” (Gal 5,22-23). “Ny Fanahy no Fiainantsika”; arakaraka ny ahafoizantsika ny tenantsika jer. Mt 16,24-26. no “ampiasan’ny Fanahy koa antsika jer. Gal 5,25. :
Amin’ny fiombonana Aminy isika no ataon’ny Fanahy Masina tonga ara-panahy, averiny ao am-Paradisa, ampodiany any amin’ny Fanjakan’ny lanitra sy amin’ny fananganan-janaka, omeny fitokiana hiantso an’Andriamanitra Ray sy handray anjara amin’ny fahasoavan’i Kristy, mba ho antsoina hoe zanaky ny fahazavana sy hanana anjara amin’ny voninahitra mandrakizay Md Basile, Spir. 15,36..
Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana
Ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy Masina dia tanteraka ao amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy sy Tempolin’ny Fanahy Masina. Manomboka hatreo io fanirahana miaraka io, dia mampikambana ny mpinon’i Kristy miray amin’ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina : ny Fanahy no manomana ny olona, mampahalala mialoha azy ireo amin’ny fahasoavany, mba hitaona azy ireo mankany amin’i Kristy. Izy no mampiseho amin’izy ireo ny Tompo nitsangan-ko velona, Izy no mampahatsiaro azy ireo ny teniny sy manokatra ny sain’izy ireo hahatakatra ny dikan’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona. Izy no mahatonga eo amin’izy ireo ny misterin’i Kristy, misongadina amin’ny Eokaristia, mba hampihavana azy ireo, hampiombona azy ireo amin’ Andriamanitra, mba hampamokatra azy ireo “vokatra be dia be” (Jo 15,5.8. 16).
Ny fanirahana ny Fiangonana akory tsy manampy ny an’i Kristy sy ny Fanahy Masina, fa izy no sakramenta amin’izany : amin’ny fisian-tenany manontolo sy ao amin’ireo rantsambatany rehetra no anirahany azy hitory sy hijoro vavolombelona, hampihatra amin’ny fiainana ankehitriny sy hampiely ny misterin’ny firaisan’ny Trinite Masina (izany no ho fototry ny andalana manaraka) :
Isika rehetra izay nahazo fanahy tokana sy mitovy, izany hoe : ny Fanahy Masina, dia voakambana ho iray miaraka amin’Andriamanitra isika samy isika. Satria na dia maro be misaratsaraka aza isika, ary hampitoetra ny Fanahin’ny Ray sy ny Azy ao amin’ny tsirairay amintsika i Kristy, dia io Fanahy tokana tsy azo zaraina io, amin’ny alalan’ny Tenany ihany, no mamerina an’ireo izay mampiavaka amin’izy ireo samy izy ireo amin’ny firaisana (…) ka amin’izany no hisehoan’ny rehetra ho zavatra iray ihany ao amin’ny Tenan’Izy Fanahy. Ary heveriko fa tahaka ny herin’ny fahamasinan’ ny maha-olombelona an’i Kristy izay ao Aminy no mahatonga azy rehetra ireny hiforona ho vatana iray, no itovian’ny fomba fonenan’ny Fanahin’ Andriamanitra ao amin’ny rehetra, tokana sy tsy azo sarahina, mitarika azy rehetra ho amin’ny firaisana ara-panahy Md Cyrille d’Alexandrie, Jo 11,11..
Satria ny Fanahy Masina no fanosorana an’i Kristy, dia i Kristy, Lohan’ny Vatana, no mandrotsaka Azy ao amin’ireo rantsambatany mba hamahana azy ireo, hanasitrana azy ireo, handamina azy ireo amin’ny anjara raharaha ifanampian’izy ireo, hamelona azy ireo, haniraka azy ireo hijoro ho vavolombelona, hanakambana azy ireo amin’ny fanatiny amin’ny Ray sy amin’ny fanelanelanany ho an’izao tontolo rehetra izao. Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fiangonana i Kristy no mampita amin’ireo rantsambatan’ny Vatany ny Fanahiny Masina sy Mpanamasina (izany no ho fototry ny fizarana faharoa amin’ity Katesizy ity).
Ireo “zava-mahagaga nataon’Andriamanitra”, atolotra ny mpino ao amin’ ireo sakramentan’ny Fiangonana, dia mitondra ny vokatr’izy ireo ao amin’ny fiainam-baovao, ao amin’i Kristy, araka ny Fanahy Masina (izany no ho fototry ny fizarana fahatelo amin’ity Katesizy ity).
”Ny Fanahy no manohana ny fahalementsika, satria na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika ; fa ny Tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay hambara amin-teny” (Rôm 8,26). Ny Fanahy Masina, mpanao ny tsanganasan’ Andriamanitra, no Tompon’ny fivavahana (izany no ho fototry ny fizarana fahefatra amin’ity Katesizy ity).
“Ny porofo fa zanaka ianareo, dia ny nanirahan’Andriamanitra ao am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany izay miantso hoe : Aba, Ray !”(Gal 4,6).
Hatramin’ny fanombohana ka hatramin’ny fahataperan’ny fotoana, rahefa maniraka ny Zanany Andriamanitra, dia maniraka lalandava ny Fanahiny koa : iraisana sy tsy azo sarahina ny fanirahana Azy ireo.
Tamin’ny hafenoan’ny fotoana, no notanterahin’ny Fanahy Masina tao amin’i Maria ny fanomanana rehetra amin’ny fahatongavan’i Kristy ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina tao aminy, no nanomezan’ny Ray ho an’izao tontolo izao an’i Emanoela, “Andriamanitra miaraka amintsika” (Mt 1,23).
Natokana ho Kristy (Mesia) tamin’ny fanosoran’ny Fanahy Masina tao amin’ny Fahatongavany ho Nofo, ny Zanak’Andriamanitra jer. Sal 2,6-7..
Tamin’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona i Jesoa no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy ao amin’ny voninahitra jer. Asa 2,36.. Avy amin’ny Hafenoany no androtsahany ny Fanahy Masina ao amin’ny Apôstôly sy ny Fiangonana.
Ny Fanahy Masina izay arotsak’i Kristy, Loha, ao amin’ny rantsambatany, no manorina, mamelon’aina ary manamasina ny Fiangonana. Ny Fiangonana no sakramentan’ny firaisan’ny Trinite Masina sy ny olombelona.
9.“Izaho mino ny Fiangonana Masina katôlika”
“I Kristy no fahazavan’ny firenena rehetra : ny Kônsily masina, mivory ao amin’ny Fanahy Masina izany, dia mirary fatratra, eo am-pitoriana ny Vaovao Mahafalin’ny Evanjely amin’ny voary manontolo, hanapariaka eo amin’ny olombelona rehetra ny hazavan’i Kristy izay mamirapiratra eo amin’ny endriky ny Fiangonana” FF 1.. Ireo teny ireo no nanokafan’ny Kônsily faharoa tao Vatikana ny “foto-pampianarana momba ny Fiangonana”. Amin’ izany ny Kônsily no mampiseho, fa ny andalan-tenim-pinoana momba ny Fiangonana dia miankina manontolo amin’ireo an-dalan-teny momba an’i Kristy Jesoa. Tsy manana fahazavana hafa ny Fiangonana, afa-tsy ny an’i Kristy ; izy, araka ny sary an’ohatra mamin’ireo Aban’ny Fiangonana, dia azo oharina amin’ny volana izay ny fahazavany rehetra dia avy amin’ny taratry ny masoandro.
Ny andalana momba ny Fiangonana dia miankina tanteraka koa amin’ny an’ny Fanahy Masina izay mialoha azy. “Satria, rahefa voaseho fa ny Fanahy Masina no loharano sy mpanome ny fahamasinana manontolo, dia ambaranay ampahibemaso izao fa Izy no manome fahamasinana ny Fiangonana” Kat. R. 1,10,1.. Ny Fiangonana, araka ny fomba fitenin’ireo Aban’ny Fiangonana, no toerana “izay iroboroboan’ny Fanahy” Md Hyppolyte, trad. ap. 35..
Ny mino fa ny Fiangonana dia “Masina” sy “Katôlika” ary izy dia “Iray” sy “Apôstôlika” (araka ny nanampian’ny Sembolin’i Nicée-Constantinople izany) dia tsy azo sarahina amin’ny finoana an’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina. Ao amin’ny Sembolin’ny Apôstôly no anaovantsika fiekena ampahibemaso ny finoana ny Fiangonana Masina (“Credo [ …] Ecclesiam”), fa tsy finoana amin’ny Fiangonana, mba tsy hampifangaro an’Andriamanitra sy ireo tsanganasany sy mba hanondroana mazava fa avy amin’ny hatsaran’Andriamanitra ny fanomezana rehetra izay napetrany ao amin’ny Fiangonany jer. Kat. R. 1,10,22..
Paragrafy 1. Ny Fiangonana ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra
I.Ny anarana sy ny sary an’ohatra ny Fiangonana
Ny teny hoe “Eglizy (Fiangonana)” [ ekklèsia, avy amin’ny teny grika hoe ek-kalein, “miantso ny any ivelany”], dia midika hoe “fiantsoana hivory”. Teny ilazana ny famoriam-bahoaka jer. Asa 19,39., izay ankapobeny amin’ny endrika ara-pivavahana. Io no fiteny nampiasaina matetika tao amin’ny Testamenta Taloha amin’ny teny grika amin’ny famoriana eo anatrehan’Andriamanitra ny vahoaka voafidy, indrindra ny famoriana teo Sinaia izay teo no nandraisan’i Israely ny Lalàna sy nanorenan’Andriamanitra azy ho vahoakany masina jer. Eks 19.. Amin’ny fiantsoana hoe “Fiangonana” ireo ankohonana mpino voalohany izay nino an’i Kristy dia mahatsiaro tena ho mpandova an’ io fiangonana io. Ao amin’izany, Andriamanitra no “miantso” ny Vahoakany avy amin’ny lafy valon’ny tany. Ny teny hoe Kyriakè izay church, Kirche no sampan-teniny, dia midika hoe “izay an’ny Tompo”.
Amin’ny fiteny kristianina, ny teny hoe “Fiangonana” dia ilazana ny fiaraha-miangon’ireo mpino amin’ny litorzia jer. 1 Kôr 11,18; 14,19.28.34-35., nefa ilazana koa ny ankohonam-piangonan’ireo mpino eo an-toerana jer. 1 Kôr 1,2; 16,1. na ny ankohonam-piangonan’ireo mpino manerana ny tany tontolo jer. 1 Kôr 15,9; Gal 1,13; Filip 3,6.. Ireo hevi-teny telo ireo, raha ny tena marina, dia tsy azo sarahina. Ny Vahoaka izay angonin’ Andriamanitra eo amin’ny tany tontolo, “ny Fiangonana”. Misy ao anatin’ ireny ankohonam-piangonana eo an-toerana ireny ny Fiangonana, ary tanteraka ho mpiangona izy amin’ny litorzia, indrindra amin’ny Eokaristia. Mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Vatan’i Kristy ny Fiangonana, ary izy mihitsy amin’izay no tonga Vatan’i Kristy.
Ny fanehoana an’ohatra ny Fiangonana
Ahitantsika sary an’ohatra sy tandindona maro be mifandray amin’izy samy izy, ao amin’ny Soratra Masina, izay amin’ny alalan’ireny ny fanambaràna no miteny ny mistery tovozin-tsy ritra momba ny Fiangonana. Ireo sary an’ohatra noraisin’ny Testamenta Taloha dia misy fiovaovàna amin’ny votoatin-kevitra iray, dia ny an’ny “Vahoakan’Andriamanitra”. Ao amin’ny Testamenta Vaovao jer. Efez 1,22; Kôl 1,18., mahita foiben-kevitra anankiray vaovao ireny sary an’ohatra rehetra ireny dia ny amin’i Kristy manjary “Lohan’ ”io vahoaka io jer. FF 9.ka noho izany dia Vatany. Manodidina izany foiben-kevitra izany no ivondronan’ireo sary an’ohatra “nalaina tamin’ny fiainan’ny mpiandry ondry, na tamin’ny fiainan’ny eny an-tsaha, na tamin’ny asa fanorenan-trano, na tamin’ny fiainan’ny fianakaviana sy ny fanambadiana” FF 6..
Ny Fiangonana, araka izany, dia valan’ondry, ka i Kristy no vavahady tokana sy tsy maintsy hidirana jer. Jo 10,1-10.. Ny Fiangonana koa dia andian’ondry izay Andriamanitra ihany no nanambara mialoha fa Izy no ho mpiandry jer. Iz 40,11; Ezek 34,11-31., ary ny ondry, na olombelona aza no ho filoha mpiandry azy ireo, dia ny Tenan’i Kristy ihany, Ilay Mpiandry ondry Tsara sy Mpanjakan’ny mpiandry ondry jer. Jo 10,11; 1 Pi 5,4. izay nahafoy ny ainy ho an’ny ondriny jer. FF 6. Jo 10,11-15., no hitarika sy hamahana azy ireo lalandava.
Ny Fiangonana dia tany fambolena, sahan’Andriamanitra (1 Kôr 3,9). Ao amin’io saha io no anirian’ny fototr’oliva tranainy izay ny patriarka no fakany masina ary amin’izany no miseho sy hiseho ny fampihavanana eo amin’ny Jody sy ny Jentily jer. Rôm 11,13-26.. Ny Mpamboly voaloboka avy any an-danitra no namboly izany tahaka ny tanim-boaloboka voafantina jer. Mt 21,33-43 //; Iz 5,1-7.. I Kristy no Voaloboka tena izy : Izy no manome aina sy mampamokatra ny sampana, izay tsy iza fa isika : amin’ny alalan’ny Fiangonana isika no mitoetra ao Aminy, izay raha Izy dia tsy mahefa na inona na inona isika FF 6. jer. Jo 15, 1-5..
Matetika ihany koa, ny Fiangonana dia lazaina hoe trano aorin’Andriamanitra jer. 1 Kôr 3,9.. Izy Tompo ihany no nampitaha ny Tenany tamin’ny vato narian’ny mpanorin-trano fa tonga vato fehizoro (Mt 21,42 // ; Asa 4,11 ; 1 Pi 2,7 ; Sal 118,22). Eo ambonin’io fototra io no nanorenan’ireo apôstôly ny Fiangonana jer. 1 Kôr 3,11. ary avy amin’io fototra io no ananany fahamafisana sy firaisan-kina. Noravahana anarana samihafa io fanorenana io : tranon’Andriamanitra jer. 1 Tim 3,15., izay ao amin’izany no onenan’ny fianakaviany, trano fonenan’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy jer. Efez 2,19-22., fonenan’Andriamanitra eo amin’ny olombelona jer. Apôk 21,3., ary indrindra ilay tempoly masina, aseho amin’ny toerana masina naorina tamin’ny vato, izay anton’ny fideran’ireo Ray masina, ary rariny, ao amin’ ny litorzia, raha ampitahaina amin’ny Tanàna masina, ilay Jerosalema vaovao izany. Satria, ao amin’izany isika ety an-tany no toy ny vato velona izay mirafitra eo amboniny jer. 1 Pi 2,5.. Banjinin’i Joany io Tanàna masina io izay midina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra amin’ny fotoana izay hihavaozan’izao tontolo izao, vonona tahaka ny vehivavy voahaingo ampakarina ho an’ny vadiny (Apôk 21, 1-2) FF 6..
Ny Fiangonana dia mbola antsoina hoe “ilay Jerosalema avy any ambony” sy “renintsika” (Gal 4,26) jer. Apôk 12,17. ; nosoritsoritana fa izy dia toy ny vady madio tsy misy pentina an’ny Zanak’Ondry madio tsy misy pentina jer. Apôk 19,7; 21,2.9; 22,17. izay “notiavin’i Kristy, ka nahafoizany ny Tenany mba hanamasina azy’’ (Efez 5,25-26), izay nakambany Taminy tamin’ny fifanekena tsy azo ravana, izay tsy mitsahatra "velominy sy karakarainy" (Efez 5,29)” FF 6..
II.Fiandohana, fanorenana ary fanirahana ny Fiangonana
Mba hamakafakana lalina ny misterin’ny Fiangonana, dia mety aloha ny mandinika ny fiandohany ao amin’ny fandaharan’ny Trinite Masina Indrindra sy ny fahatanterahany miandalana teo amin’ny tantara.
Fandaharana teraka tao am-pon’ny Ray
“Ny Ray Mandrakizay, tamin’ny alalan’ny fampiasana tanteraka an-kalalahana sy mifono mistery ny fahendreny sy ny hatsarany, dia nahary an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao ; nanapa-kevitra Izy ny hanandratra ny olombelona ho amin’ny fiombonana amin’ny fiainan’Izy Andriamanitra”, izay ho amin’izany no iantsoany ny olombelona rehetra ao amin’ny Zanany : “Izay rehetra mino an’i Kristy, dia sitraky ny Ray ny miantso azy ireo hamorona ny Fiangonana Masina”. Io “fianakavian’Andriamanitra” io dia miorina sy tanteraka tsikelikely eny am-pamakivakiana ny dingana maro amin’ny tantaran’ny olombelona, arakaraka ny fandaminan’ny Ray : satria, ny Fiangonana dia : "nambara an-tsary mialoha hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao ; nomanina tamin’ny fomba mampitolagaga tao amin’ny tantaran’ny vahoaka Israely sy tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha ; nony ela ny ela, voaorina tao amin’ireo fotoana izay antsoina hoe “farany” ; niseho miharihary tamin’ny firotsahan’ny Fanahy Masina, ary amin’ny faran’ny taonjato rehetra, ho fanaperana ao amin’ny voninahitra” FF 2..
Ny Fiangonana – nambara an-tsary mialoha hatramin’ny fiandohan’ izao tontolo izao
“Noarìna izao tontolo izao mba ho an’ny Fiangonana”, hoy ny kristianina tany am-boalohany Hermas, vis. 2,4,1; jer. Aristide, apol. 16,7; Justin, apol. 2,7.. Nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra mba ho amin’ny fiombonana amin’ny fiainan’Izy Andriamanitra, fiombonana izay tanteraka amin’ny alalan’ny “fiantsoana” ny olombelona ao amin’i Kristy, ary io “fiantsoana” io, dia ny Fiangonana. Ny Fiangonana no tanjona faran’ ny zavatra rehetra jer. Md Epiphane, haer. 1,1,5., ary ny fivadibadiky ny zava-miseho mampangirifiry, toy ny fahalavoan’ny anjely sy ny fahotan’ny olombelona, dia navelan’ Andriamanitra hisy mba ho toy ny fotoana tsara sy fitaovana hampiseho ny hery manontolo ny sandriny, ny fatra manontolo ny fitiavana izay sitrany homena an’izao tontolo izao :
Tahaka ny sitrapon’Andriamanitra izay asa, ary antsoina hoe izao tontolo izao, ny faniriany koa, izay famonjena ny olombelona, ary antsoina hoe Fiangonana Clément d’Alexandrie, paed. 1,6..
Ny Fiangonana – nomanina tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha
Ny fanangonana ny Vahoakan’Andriamanitra dia nanomboka tamin’ny fotoana izay nandravan’ny fahotana ny fiombonan’ny olombelona tamin’ Andriamanitra sy ny an’ny olombelona samy olombelona. Ny famoriana ny Fiangonana izany dia azo lazaina hoe valy ataon’Andriamanitra amin’ny fikorontanan’ny tontolo rehetra nateraky ny fahotana. Io fampiraisana indray io dia tanteraka mangingina eo anivon’ny vahoaka rehetra : “Amin’ny firenena rehetra, dia ankasitrahan’Andriamanitra na iza na iza matahotra Azy sy manao ny marina” (Asa 10, 35) jer. FF 9; 13; 16..
Ny fanomanana lavitr’ezaka amin’ny fanangonana ny Vahoakan’ Andriamanitra dia nanomboka tamin’ny fiantsoana an’i Abrahama izay nampanantenain’Andriamanitra fa ho tonga rain’ny firenena lehibe iray izy jer. Jen 12,2; 15,5-6.. Ny fanomanana antomotra dia nanomboka tamin’ny fifidianana an’i Israely ho Vahoakan’Andriamanitra jer. Eks 19,5-6; Det 7,6.. Tamin’ny fifidianana azy, i Israely no tokony ho famantarana ny fanangonana ny firenen-drehetra rahatrizay jer. Iz 2,2-5; Mi 4,1-4.. Kanefa dia efa nampangain’ireo mpaminany sahady i Israely fa nandrava ny fanekem-pihavanana sy nitondra tena toy ny vehivavy mpivaro-tena jer. Ôs 1; Iz 1,2-4; Jer 2; sns.. Nanambara Fanekem-pihavanana Vaovao sy Mandrakizay izy ireo jer. Jer 31,31-34; Iz 55,3.. “Io Fanekem-pihavanana Vaovao io, i Kristy no nanorina izany” FF 9..
Ny Fiangonana – naorin’i Kristy Jesoa
Anjaran’ny Zanaka, tamin’ny hafenoan’ny fotoana, no nanatanteraka ny drafi-pamonjena nosoritan’ny Rainy ; izay no anton’ny “fanirahana” jer. FF 3; FAA 3. Azy. “Ny Tompo Jesoa dia nanorina ny fanombohan’ny Fiangonany tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra nampanantenaina tao amin’ny Soratra hatramin’ny taonjato maro” FF 5.. Mba hahatanteraka ny sitrapon’ny Ray, dia hisantatra ny Fanjakan’ny lanitra eto an-tany i Kristy. Ny Fiangonana “no Fanjakan’i Kristy izay efa eo sahady amin’ny fomba mistery” FF 3..
“Mamirapiratra eo imason’ny olombelona amin’ny teny, ny tsanganasa ary ny maha-eo an’i Kristy, io Fanjakana io” FF 5.. Ny mandray ny tenin’i Jesoa dia “ny mandray ny Fanjakana mihitsy” Ibid.. Ny tsiry sy fanombohan’ny Fanjakana dia ireo “andian’ondry vitsy” (Lk 12,32) izay nantsoin’i Jesoa hanodidina Azy ary dia Izy Tenany ihany no mpiandry jer. Mt 10,16; 26,31; Jo 10,1-21.. Izy ireo no mamorona ny tena fianakavian’i Jesoa tokoa jer. Mt 12,49.. Ho an’ireo izay nantsoiny hiangona tahaka izany hanodidina Azy, dia nampianariny ny “fomba fiasa amam-pitondran-tena” vaovao, nefa koa fomba fivavaka sahaza izany jer. Mt 5-6..
Nasian’i Jesoa Tompo rafitra izay haharitra mandra-pahatanteraka manontolo ny Fanjakan’ny lanitra ny ankohonam-piangonany. Ny fifidianana ny Roa ambin’ny folo, izay i Piera no ho filohan’izy ireo, no voalohany amin’izany jer. Mk 3,14-15.. Noho izy ireo solontenan’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely jer. Mt 19,28; Lk 22,30.dia izy ireo no vato fototr’ilay Jerosalema vaovao jer. Apôk 21,12-14.. Ny Roa ambin’ny folo jer. Mk 6,7. sy ny mpianatra hafa jer. Lk 10,1-2. dia mandray anjara amin’ny fanirahana an’i Kristy, amin’ny fahefany, nefa koa amin’ny anjara hihatra aminy jer. Mt 10,25; Jo 15,20.. Amin’ny alalan’ ireny asa rehetra ireny no anomanan’i Kristy sy anorenany ny Fiangonany.
Ny Fiangonana anefa, dia teraka indrindra tamin’ny fanoloran-tenan’i Kristy manontolo ho amin’ny famonjena antsika, nataony mialoha tamin’ny fanorenana ny Eokaristia ary tanteraka teo amin’ny Hazofijaliana. “Ny fanombohana sy ny fitomboan’ny Fiangonana dia voambara amin’ny ra sy ny rano nivoaka avy tao amin’ny lanivoan’i Jesoa nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana” FF 3.. “Satria tao amin’ny lanivoan’i Kristy nodimandry teo amin’ ny Hazofijaliana no teraka ny sakramenta mahatalanjon’ny Fiangonana manontolo” L 5.. Tahaka ny namoronana an’i Eva tamin’ny taolan-tehezan’i Adama rendrika tao anatin’ny torimaso, no nahateraka koa ny Fiangonana tao amin’ny fon’i Kristy voalefona, fony Izy maty teo amin’ny Hazofijaliana jer. Md Ambroise, Luc. 2,85-89..
Ny Fiangonana – nahariharin’ny Fanahy Masina
“Vantany vao tontosa ny tsanganasa izay nankinin’ny Ray tamin’ny Zanany hotanterahina eto an-tany, ny andro Pantekôty, dia nirahina ny Fanahy Masina mba hanamasina maharitra tsy tapaka ny Fiangonana” FF 4.. Tamin’izany no “nisehoan’ny Fiangonana ampahibemaso teo anatrehan’ny vahoaka be dia be sy nanombohan’ny fampielezana ny Evanjely niaraka tamin’ny fitorian-teny” AFF 4.. Noho izy “fiantsoana” ny olombelona rehetra ho amin’ny famonjena, dia misiônera irahin’i Kristy ho any amin’ny firenena rehetra ny Fiangonana, amin’ny fomba aman-toetra maha-izy azy, mba hahatonga ny olona rehetra ho mpianatra jer. Mt 28,19-20; AFF 2; 5-6..
Mba hahatanteraka ny fanirahana ny Fiangonana, dia ny Fanahy Masina no “mampitao sy mitari-dalana azy amin’ny alalan’ny fanomezana samihafa na araka ny ambaratongam-pitondrana na ara-pahasoavana manokana” FF 4.. “Koa ny Fiangonana, voavatsy amin’ny fanomezan’ny mpanorina azy, sy mampihatra amim-pitokiana ny fitandremana ny didim-pifankatiavana, amin’ ny fanetren-tena sy amin’ny fandavan-tena, dia mahazo iraka hitory ny Fanjakan’i Kristy sy ny an’Andriamanitra ary hanangana izany eo amin’ny firenena rehetra ; izy no manjary tsiry sy fanombohana eto an-tany avy amin’io fanjakana io” FF 5..
Ny Fiangonana – fanaperana ao amin’ny voninahitra
“Ny Fiangonana (…) dia tsy hanana ny fahalavorariany raha tsy ao amin’ ny voninahitra any an-danitra” FF 48., amin’ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra. Mandra-pahatonga an’io andro io, “mizotra amin’ny fivahiniany eny am-pamakivakiana ny fanenjehan’izao tontolo izao sy ny fanalana alahelo avy amin’Andriamanitra, ny Fiangonana” Md Augustin, civ. 18,51; jer. koa FF 8.. Eto an-tany, dia fantany fa sesitany izy, lavitra ny Tompo jer. 2 Kôr 5,6; FF 6., “ka maniry ny fotoana hahatongavan’ny Fanjakana tena lavorary, izay amin’izany no hiangonany eo amin’ny Mpanjakany, ao amin’ny voninahitra” FF 5.. Ny fahalavorarian’ny Fiangonana, ary amin’ny alalany, ny an’izao tontolo izao, ao amin’ny voninahitra, dia tsy hanjary raha tsy misy fitsapan-toetra lehibe. Koa “ny olo-marina rehetra ihany hatramin’i Adama, hatramin’i Abela ilay marina ka hatramin’ny olom-pinidy farany no ho tafangona ao amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo eo anilan’ny Ray” FF 2..
III.Ny misterin’ny Fiangonana
Sady ao anatin’ny tantara no mihoatra ambony dia ambony ivelan’ny tantaran ny Fiangonana. Amin’ny “masom-pinoana” Kat. R. 1,10,20. irery no ahafahana mahita eo aminy ny fisiany hita maso sady amin’ny fisiana ara-panahy koa, mpitondra ny ain’Andriamanitra.
Ny Fiangonana – sady hita maso no ara-panahy
“I Kristy, hany Mpanelanelana, no manorina sy manohana tsy an-kijanona ny Fiangonany masina, izay fiombonam-pinoana, fanantenana ary fitiavana, eto an-tany, mova tsy zavatra hita maso ka amin’ny alalan’izany Izy no mampiely ho an’ny rehetra, ny fahamarinana sy ny fahasoavana”. Ny Fiangonana dia sady : - “fikambanana manana rafitra misy ambaratongam-pitondrana no Vatana-Mistikan’i Kristy ; - fivondronana hita maso no ankohonana ara-panahy ; - Fiangonana eto an-tany no Fiangonana miravaka ny fanomezana avy any an-danitra”. Ireo lafiny ireo dia mitambatra ho “fisiana iray ihany amin’ny zavatra maro loha, miforona avy amin’ny singafototra roa dia ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra” FF 8. :
“Ny toetra manokana an’ny Fiangonana, dia izy sady manana ny an’ olombelona no manana ny an’Andriamanitra, sady hita maso no mirakitra zavatra maro tsy hita maso, sady mafana fo amin’ny atrik’asa no revo amin’ny fibanjinana, sady eto amin’izao tontolo izao nefa koa vahiny. Amin’izany anefa, izay maha-olombelona ao aminy dia alaminy sy ankininy amin’ Andriamanitra; izay hita maso dia alaminy sy ankininy amin’ny tsy hita maso; izay momba ny atrik’asa dia alaminy sy ankininy amin’ny fibanjinana ; ary izay misy amin’ny ankehitriny dia alaminy sy ankininy amin’ilay fonenana ho avy izay katsahintsika L 2.. Fanetren-tena re izany ! Fahamboniana re izany ! Tranolain’i Sedara sy toera-masin’Andriamanitra ; fonenana eto an-tany sy lapan’ny lanitra ; trano tanimanga sy lapan’ny mpanjaka ; vatana mety maty sy tempolin’ny fahazavana ; farany, zavatra faneso ho an’ny mpiavonavona fa vadin’i Kristy ! Mainty izy nefa tsara tarehy, dia ilay zanakavavin’i Jerosalema, izay na hatsatry ny harerahana sy ny fahoriana tany an-tsesitany naharitra aza, dia manana ny ravaky ny lanitra ho haingony Md Bernard, Cant. 27,7,14..
Ny Fiangonana – misterin’ny firaisan’ny olombelona amin’ Andriamanitra
Ao amin’ny Fiangonana i Kristy no manatanteraka sy manambara ny misterin’ny Tenany ho tarigetran’ny fandaharan’Andriamanitra : “ny hamondrona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy” (Efez 1,10). Antsoin’i Md Paoly hoe: “mistery lehibe” (Efez 5,32) ny firaisana toy an’ny mpivady an’Izy Kristy sy ny Fiangonana. Satria miray amin’i Kristy Mpampakatra azy ny Fiangonana jer. Efez 5,25-27., ka manjary mistery torak’izany koa ny tenany jer. Efez 3,9-11.. Amin’ny fibanjinana ao aminy ny mistery, dia hoy i Md Paoly miantso hoe : “I Kristy ao aminareo, no fanantenana ny voninahitra” (Kôl 1,27).
Ao amin’ny Fiangonana, io fiombonan’ny olombelona amin’ Andriamanitra amin’ny “fitiavana izay tsy hanam-pahataperana” (1 Kôr 13,8) io no tanjom-piafaràna mibaiko an’izay rehetra fitaovana ara-tsakramenta ao aminy, mifandray amin’izao tontolo izao mora levona jer. FF 48.. “Narindra manontolo amin’ny fahamasinan’ireo rantsambatan’i Kristy ny firafiny. Ary ny fahamasinana no anombanana ny fiasan’ “ilay mistery lehibe” izay amalian’ ny Ampakarina amin’ny alalan’ny fanomezam-pitiavana ny fanomezan’ny Mpampakatra” MD 27.. Nialoha lalana antsika rehetra i Maria, amin’ny fahamasinana izay misterin’ny Fiangonana tahaka ilay Ampakarina tsy misy panda na ketrona jer. Efez 5,27.. Izany no mahatonga “ny halehiben’ny toerana momba an’i Maria ao amin’ny Fiangonana ho mialoha ny halehiben’ny toerana momba an’i Piera” jer. MD 27..
Ny Fiangonana – sakramentam-pamonjena ny daholobe
Ny teny grika hoe mysterion dia nadika ho teny latinina tamin’ireto teny anankiroa ireto : mysterium sy sacramentum. Amin’ny fanazavan-teny taty aoriana, ny teny hoe sacramentum dia ilazana bebe kokoa ny famantarana hita maso amin’ny zava-misy takona momba ny famonjena, tondroina amin’ny teny hoe mysterium. Amin’io hevitra io, dia ny Tenan’Izy Kristy ihany no misterim-pamonjena : Tsy misy mistery hafa afa-tsy i Kristy Md Augustin, ep. 187,11,34.. Ny tsanganasam-pamonjen’ny maha-olombelona masina sy manamasina Azy no sakramentam-pamonjena izay miseho sy miasa ao amin’ireo sakramentan’ny Fiangonana (izay antsoin’ireo Fiangonana Tatsinanana koa hoe : “ireo mistery masina”). Ny sakramenta fito no famantarana sy fitaovana izay amin’ny alalan’ireo ny Fanahy Masina no mandrotsaka ny fahasoavan’i Kristy, ilay Loha, ao amin’ny Fiangonana Vatany. Ny Fiangonana àry no mirakitra sy mampita ny fahasoavana tsy hita maso ambarany. Amin’izany fifanahafan-kevitra izany no iantsoana azy hoe “sakramenta”.
Ny Fiangonana, ao amin’i Kristy, dia toy ny sakramenta, izany hoe sady famantarana no fitaovan’ny firaisana lalina amin’Andriamanitra sy ny firaisan’ny taranak’olombelona rehetra” FF 1. : Ho sakramentan’ny firaisana lalin’ny olombelona amin’Andriamanitra : izany no tarigetra voalohany kendren’ny Fiangonana. Noho ny fiombonan’ny olombelona samy olombelona, miorim-paka ao amin’ny firaisana amin’Andriamanitra, dia sakramentan’ny firaisan’ny taranak’olombelona rehetra koa ny Fiangonana. Efa nanomboka sahady, ao aminy, io firaisana io, noho izy manangona ny olombelona “avy amin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena rehetra, ny vahoaka mbamin’ny samihafa fiteny rehetra” (Apôk 7,9) ; amin’izany koa, ny Fiangonana no “famantarana sy fitaovana” amin’ny fanatanterahana manontolo an’io firaisana izay tsy maintsy mbola ho avy io.
Fitaovan’i Kristy ny Fiangonana, amin’ny maha-sakramenta azy. “Izy no fitaovam-Panavotana ny olombelona rehetra, eo am-pelatanan’i Kristy” FF 9., “sakramentam-pamonjena ny daholobe” FF 48., izay amin’izany no “ampisehoan’i Kristy sy ampiharany amin’ny ankehitriny ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona” FAA 45, §1.. Izy “no tetik’asa hita maso amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona manontolo” Paul VI, lahateny tamin’ny 22 jona 1973., izay te “hahatonga ny taranak’olombelona manontolo hitambatra ho Vahoaka tokan’Andriamanitra, hiangona ao amin’ ny Vatana tokan’i Kristy, mba hirafitra ho tempoly tokan’ny Fanahy Masina” AFF 7; jer. koa FF 17..
Ny teny hoe “Eglizy” (Fiangonana) dia midika hoe “fiantsoana hivory”. Teny ilazana ny famoriana an’ireo izay antsoin’ny Tenin’Andriamanitra mba hanjary Vahoakan’Andriamanitra, sy velomin’ny Vatan’i Kristy ka manjary Vatan’i Kristy mihitsy.
Ny Fiangonana dia sady lalana no tanjon’ny fandaharan’ Andriamanitra : nambara an-tsary mialoha tamin’ny fahariana, nomanina tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, naorina tamin’ny teny sy ny asan’i Jesoa-Kristy, notanterahina tamin’ny Hazofijaliam-panavotany sy ny Fitsanganany ho velona, naseho miharihary ho misterim-pamonjena tamin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina. Ho fanaperana izy ao amin’ny voninahitra any an-danitra, amin’ny maha-famondronana ny olom-boavonjy rehetra eran-tany azy jer. Apôk 14,4..
Ny Fiangonana dia sady hita maso no ara-panahy, sady fikambanana mirafitra amin’ny ambaratongam-pitondrana no Vatana-Mistikan’i Kristy. Tokana izy, noforonina amin’ny singafototra roa, dia ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra. Izany no misteriny, izay ny finoana irery no ahafahana mandray izany.
Ny Fiangonana, eto amin’ity tontolo ity, no sakramentam-pamonjena, famantarana sy fitaovana amin’ny fiombonan’Andriamanitra sy ny olombelona.
Paragrafy 2. Ny Fiangonana – Vahoakan’Andriamanitra, Vatan’i Kristy, Tempolin’ny Fanahy Masina
I.Ny Fiangonana – Vahoakan’Andriamanitra
“Marina fa, amin’ny fotoana rehetra, sy amin’ny firenena rehetra, na iza na iza matahotra an’Andriamanitra sy manao ny marina dia ankasitrahany. Kanefa, tsy ny samy maka ho azy, ivelan’ny fifamatorana rehetra, no sitrak’ Andriamanitra andraisan’ny olombelona ny fanamasinana sy ny famonjena ; ny mifanohitra amin’izany aza, ny sitrany dia ny hahatonga ho Vahoaka tokana izay hahalala Azy araka ny marina sy hanompo Azy ao anatin’ny fahamasinana. Izany no antony nifidianany ny Vahoaka Israely mba ho tonga Vahoakany izay nanaovany fanekem-pihavanana ary nampianariny miandalana (…). Izany rehetra izany anefa, tsy inona fa mba hanomanana sy hampisehoana ny endriky ny Fanekem-pihavanana Vaovao sady lavorary izay horaiketina ao amin’i Kristy (…). Dia ilay Fanekem-pihavanana Vaovao tamin’ny rany, iantsoana ny Vahoaka avy amin’ny Jody sy ny jentily, mba hiangona ho iray, tsy araka ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy” FF 9..
Ny toetra mampiavaka ny Vahoakan’Andriamanitra
Ny Vahoakan’Andriamanitra dia manana toetra mampiavaka azy mazava tsara amin’ireo fikambanana rehetra ara-pivavahana, ara-poko, ara-pôlitika na ara-kolontsaina eo amin’ny tantara : - Vahoakan’Andriamanitra izy : tsy misy vahoaka na iray aza, manana an’ Andriamanitra ho azy manokana. Kanefa naka vahoaka ho Azy Andriamanitra, avy amin’ireo izay tsy vahoaka akory taloha : “ho taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina” (1 Pi 2,9). - Ny mahatonga ho mpikambana amin’io Vahoaka io dia tsy amin’ny alalan’ny fiterahana ara-batana, fa amin’ny alalan’ny “fahaterahana avy any ambony”, “amin’ny rano sy ny Fanahy” (Jo 3,3-5), izany hoe amin’ ny finoana an’i Kristy sy ny Batemy. - Io Vahoaka io dia manana an’i Jesoa ilay Kristy (voahosotra, Mesia) ho Filoha (Loha) : satria fanosorana mitovy, dia ny Fanahy Masina, no nararaka avy amin’ny Loha mankao amin’ny Vatana, ka tonga “Vahoakan’ny Mesia” izy. - “Ny toe-piainan’io Vahoaka io, dia ny fahamboniana amin’ny fahafahan’ ny zanak’Andriamanitra : ao am-pon’izy ireo, toy ny ao an-tempoly, no monina ny Fanahy Masina”. - Ny Lalànany, dia ny didy vaovao ho tia tahaka ny itiavan’ny Tenan’Izy Kristy mihitsy antsika FF 9; jer. koa Jo 13,34.”. Izany no lalàna “vaovao” ny Fanahy Masina jer. Rôm 8,2; Gal 5,25.. - Ny asa anirahana azy, dia ny ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao jer. Mt 5,13-16.. “Izy no manorina ho an’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ny fototra mafy indrindra amin’ny firaisana, ny fanantenana ary ny famonjena” FF 9.. - Farany, ny anjara iafaràny, dia ny “Fanjakan’Andriamanitra, natomboky ny Tenan’Izy Andriamanitra ihany, teto an-tany, Fanjakana izay tsy maintsy hiitatra hatrany hatrany, mandra-pahatongan’ny farandro, izay hahatanteraka azy amin’ny alalan’ny Tenan’Izy Andriamanitra ihany Ibid..
Vahoaka mpisorona, mpaminany ary mpanjaka.
I Jesoa-Kristy no Ilay nohosoran’ny Ray tamin’ny Fanahy Masina sy nataony ho “Mpisorona, Mpaminany ary Mpanjaka”. Mandray anjara amin’ ireo raharaha telo an’i Kristy ireo, ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo, ary mizaka ny fiandraiketana ny fanirahana sy ny fanompoana avy amin’ izany jer. RH 18-21..
Rahefa miditra ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana sy ny Batemy ny olona, dia mandray anjara amin’ny fiantsoana tokan’io Vahoaka io : amin’ny fiantsoana azy ho mpisorona : “I Kristy Tompo, Mpisorombe nalaina avy amin’ny olombelona, dia nanao an’ilay Vahoaka vaovao "ho fanjakana, mpisorona ho an’Andriamaniny sady Rainy". Satria, ireo vita batemy, amin’ny alalan’ny fahateraham-baovao sy ny fanosorana amin’ny Fanahy Masina, dia voatokana ho fonenana ara-panahy sy ho mpisorona masina” FF 10..
“Mandray anjara koa amin’ny asa maha-mpaminany an’i Kristy ny Vahoaka masin’Andriamanitra”. Manjary izany izy, indrindra amin’ny hevi-pinoana mihoatra ny fahalalan’ny sain’olombelona izay an’ny Vahoaka manontolo, lahika sy mpitondra isan’ambaratonga, rahefa “mifikitra maharitra amin’ny finoana nampitaina indray mandeha ihany tamin’ny olomasina” FF 12., sy mandalina fahalalana amin’izany ary mijoro vavolombelon’i Kristy eo anivon’izao tontolo izao.
Farany, mandray anjara amin’ny asa maha-mpanjaka an’i Kristy, ny Vahoakan’Andriamanitra. Mampiasa ny fiandrianana maha-mpanjaka Azy i Kristy amin’ny fanintonana ny olona rehetra ho ao Aminy amin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona jer. Jo 12,32.. I Kristy, Mpanjaka sy Tompon’ izao tontolon’ny zava-drehetra izao, dia nanolo-tena ho mpanompon’ny rehetra, “tsy tonga mba ho tompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro” (Mt 20,28). Ho an’ny kristianina, “ny hoe manjaka, dia ny manompo Azy” FF 36., indrindra “amin’ny mahantra sy ny mijaly, izay ao amin’izy ireo no ahitan’ny Fiangonana ny endrik’ilay Mpanorina azy mahantra sy mijaly” FF 8.. Manatanteraka ny “fahamboniana maha-mpanjaka” azy ny Vahoakan’Andriamanitra, amin’ny fiainana izany fiantsoana hanompo miaraka amin’i Kristy izany. Amin’ireo rehetra nohavaozina tao amin’i Kristy, ny famantaran’ny Hazofijaliana no mahatonga azy ireo ho mpanjaka, ny fanosorana amin’ny Fanahy Masina no manamasina azy ireo ho mpisorona, ka mba hiavaka amin’ny asa fanompoan’ny tsirairay amin’ny andraiki-panompoana sahanintsika, dia aoka ny kristianina rehetra manam-panahy sy mampiasa ny sainy, mba hahatsiaro tena ho mpikambana amin’io taranaka mpanjaka io sy mpandray anjara amin’ny asa maha-mpisorona. Koa inona moa, araka izany, no maha-mpanjaka ny olona iray afa-tsy ny mitondra ny tenany amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra ? Ary inona koa no maha-mpisorona afa-tsy ny manokana ny kônsiansy madio tsy misy pentina amin’ny Tompo sy manolotra eo ambony ôtelin’ny fony ny sorom-pitiavam-bavaka tsy misy pentina Md Léon le Grand, serm. 4.1. ?
II.Ny Fiangonana – Vatan’i Kristy
Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana
Efa hatrany am-boalohany i Jesoa no nampandray anjara an’ireo mpianany tamin’ny fiainany jer. Mk 1,16-20; 3,13-19. ; nambarany azy ireo ny misterin’ny Fanjakan’ny lanitra jer. Mt 13,10-17. ; nomeny anjara tamin’ny fanirahana Azy, tamin’ny hafaliany jer. Lk 10,17-20. ary tamin’ny fijaliany jer. Lk 22,28-30. izy ireo. Niresaka momba ny fiombonana mbola lalina kokoa ao Aminy sy ireo izay hanaraka Azy i Jesoa : “Mitomoera ao amiko, tahaka Ahy ao aminareo (…). Izaho no Voaloboka, ianareo no sampana” (Jo 15,4-5). Ary nanambara ny fiombonana mifono mistery sy tena izy eo amin’ny Tenany sy ny antsika Izy : “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia mitoetra ao anatiko ary Izaho ao anatiny” (Jo 6,57).
Nony nesorina teo amin’ireo mpianany ny fahitana maso an’i Jesoa, dia tsy namela azy ireo ho kamboty Izy jer. Jo 14,18.. Nampanantena azy ireo Izy fa hitoetra miaraka amin’izy ireo ambara-pahatonga ny farandro jer. Mt 28,20., ary naniraka ny Fanahiny ho ao amin’izy ireo jer. Jo 20,22; Asa 2,33.. Azo lazaina fa mihamafy kokoa amin’izay ny fiombonana amin’i Jesoa : “Amin’ny fampitàny ny Fanahiny tamin’ireo rahalahiny, mba hamoriany ny firenena rehetra, no nanatambarany azy ireo ho Vatany amim-pomba mistika” FF 7..
Ny fampitahana ny Fiangonana amin’ny vatana dia mamoaka hazavana ny amin’ny fifamatorana mafy misy eo amin’ny Fiangonana sy i Kristy. Tsy miangona fotsiny manodidina Azy ny Fiangonana ; nampiraisiny Aminy, ao amin’ny Vatany izy. Toy izao ireo endrika telo an’ny Fiangonana - Vatan’i Kristy, soritana manokana kokoa : ny firaisan’ny rantsambatana rehetra amin’ny samy izy ireo amin’ny alalan’ny fiombonan’izy ireo amin’i Kristy ; i Kristy Lohan’ny Vatana ; ny Fiangonana, Vadin’i Kristy.
“Vatana iray ihany”
Ny mpino izay manoina ny Tenin’Andriamanitra sy tonga rantsambatan’i Vatan’i Kristy, dia manjary miray tanteraka amin’i Kristy : “Ao amin’izany vatana izany ny ain’i Kristy no mikoriana ao amin’ny mpino izay ampiraisin’ny sakramenta amin’i Kristy nijaly sy nomem-boninahitra, amin’ ny fomba mistery sy tena izy” FF 7.. Marina indrindra izany amin’ny Batemy izay mampiray antsika amin’ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona jer. Rôm 6,4-5; 1 Kôr 12,13., sy amin’ny Eokaristia, izay “amin’ny fandraisana anjara marina tokoa ny Vatan’i Kristy”, no “anandratana antsika amin’ny fiombonana Aminy sy amintsika samy isika” FF 7..
Tsy manafoana ny maha-samihafa ny rantsambatana, ny maha-iray ny vatana : “Amin’ny fandrafetana ny Vatan’i Kristy dia misy ny maha-samihafa ny rantsambatana sy ny anjara raharahany. Tokana ny Fanahy izay mizarazara ny fanomezana samihafa ho fanasoavana ny Fiangonana, arakaraka ny hareny sy ny fitakian’ny fanompoana” Ibid.. Ny maha-iray ny Vatana-mistika dia miteraka sy mampirisika ny samy mpino amin’ny fifankatiavana : “Araka izany, raha mijaly ny rantsambatana iray, dia miara-mijaly aminy ny rantsambatana rehetra, ary raha mahazo voninahitra ny rantsambatana iray, dia miara-mifaly aminy ny rantsambatana rehetra” Ibid.. Farany, ny maha-iray ny Vatana-mistika no mpandresy ny fisaraham-bazana rehetra eo amin’ny olombelona : “Satria, ianareo rehetra natao batemy tao amin’i Kristy, dia mitafy an’i Kristy avokoa ; tsy misy Jody na Jentily, tsy misy mpanompo na olona afaka, tsy misy lehilahy na vehivavy intsony ; satria ianareo rehetra dia iray ihany ao amin’i Kristy Jesoa” (Gal 3,27-28).
“Amin’io Vatana io, iKristy no Loha”
I Kristy “no Lohan’ny Vatana izay ny Fiangonana” (Kôl 1,18). Izy no Fototry ny fahariana sy ny fanavotana. Nasandratra ao amin’ny Voninahitry ny Ray, “Izy no Loha amin’ny zavatra rehetra” (Kôl 1,18), indrindra eo amin’ny Fiangonana izay amin’ny alalany no anitarany ny fanjakany amin’ ny zavatra rehetra :
Izy no mampiray antsika amin’ny Pakany : tsy maintsy miezaka hanahaka Azy ny rantsambatana rehetra “mandra-pahary an’i Kristy” ao amin’izy ireo (Gal 4,19). “Amin’izany tarigetra izany no ahatafidirantsika ao amin’ny misterin’ny fiainany, (…) iombonantsika amin’ny fahoriany, tahaka ny iombonan’ny vatana sy ny loha, iraisantsika amin’ny fijaliany mba iraisantsika amin’ny voninahiny” FF 7..
Izy no mitsinjo ny fitomboantsika jer. Kôl 2,19.: Mba hampitombo antsika mankany Aminy, Lohantsika jer. Efez 4,11-16., dia nalamin’i Kristy ao amin’ny Fiangonana - Vatany, ireo fanomezana sy ireo fanompoana ifanampiantsika eny an-dàlam-pamonjena.
I Kristy sy ny Fiangonana àry no “Kristy manontolo” (Christus totus). Iray ny Fiangonana miaraka amin’i Kristy. Tena tsapan’ny olomasina ao an’ eritreriny ao tokoa io firaisana io :
Mifalia àry isika sy misaora noho ny nahatonga antsika, tsy hoe kristianina fotsiny, fa Tenan’Izy Kristy mihitsy. Azonareo ve, ry rahalahy, ny fahasoavana izay narotsak’Andriamanitra tamintsika tamin’ny nanomezana antsika an’i Kristy ho Loha ? Aoka ianareo hitolagaga ary mifalia ianareo, manjary i Kristy isika. Vokatr’izany, satria Izy no Loha ary isika no rantsambatana, ny olombelona manontolo izany, dia Izy sy isika (…). Ny Hafenoan’i Kristy, dia tsy inona fa ny Loha sy ny rantsambatana ; inona no tian-kolazaina amin’ny hoe : Loha sy rantsambatana ? I Kristy sy ny Fiangonana Md Augustin, ev. Jo. 21,8.. Ny Mpanavotra antsika dia nampiseho ny tenany ho olona iray sy mitovy ihany amin’ny Fiangonana izay zakainy ao Aminy Md Grégoire le Grand, mor. Praef. 6,14.. Teny indraim-bava nolazain’i Mb Jeanne d’Arc tamin’ny mpitsara azy no mamintina ny finoan’ireo Mpampianatra masina sy manambara ny hevitra mitombina ananan’ny mpino : “Amin’i Jesoa-Kristy sy ny Fiangonana, araka ny fiheverako, dia iray tokoa, ka tsy misy tokony hohasarotina izany” Jeanne d’Arc, proc..
Vady ampakarin’i Kristy ny Fiangonana
Ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana, Loha sy rantsambatan’ny Vatana, dia milaza tsy mivantana koa ny fiavahan’ny roa tonta eo amin’ny fifandraisan’ ny tsirairay. Izany endrika izany matetika dia aseho amin’ny sary an’ohatra momba ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny lohahevitra hoe Kristy Mpampakatra ny Fiangonana dia nomanin’ny mpaminany sy nolazain’i Joany-Batista jer. Jo 3,29.. Izy Tompo ihany no manondro ny Tenany ho “ilay Mpampakatra” (Mk 2,19) jer. Mt 22,1-14; 25,1-13.. Ny apôstôly dia mampiseho ny Fiangonana sy ny mpino tsirairay, rantsambatan’ny Vatany, ho ilay Ampakarina “nofofoin’i ” Kristy Tompo, mba tsy hisy hiaraka Aminy afa-tsy ny Fanahy iray ihany jer. 1 Kôr 6,15-17; 2 Kôr 11,2.. Izy no Vady madio tsy misy pentina an’ilay Zanak’Ondry madio tsy misy pentina jer. Apôk 22,17; Efez 1,4; 5,27. notiavin’i Kristy, izay ho an’izany no nanoloran’i Kristy ny Tenany “mba hanamasina azy” (Efez 5,26), ka nampiraisiny Taminy tamin’ny alalan’ ny fanekem-pihavanana mandrakizay, ary tsy mitsahatra mikarakara azy ho toy ny Tenany manokana Izy jer. Efez 5,29. :
Izany i Kristy manontolo, Loha sy Vatana, tokana mirafitra ho maro (…). Na ny Loha no miteny, na ny rantsambatana, dia i Kristy no miteny. Miteny Izy amin’ny anjara asan’ny Loha (ex persona capitis) na koa amin’ny anjara asan’ny Vatana (ex persona corporis). Araka ny voasoratra hoe : “Ho nofo iray ihany izy roroa”. Misy mistery lehibe amin’io, dia ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana no tiako ho lazaina” (Efez 5,31-32). Ary izao no nolazain’ny Tenan’Izy Tompo ao amin’ny Evanjely : “Tsy roa intsony izy ireo fa nofo iray ihany” (Mt 19,6). Araka ny hitanareo, dia misy olona roa miavaka tsara, nefa iray ihany izy ireo ao amin’ny firaisan’ny mpivady. ( …) Amin’ny maha-Loha dia mitonon-tena ho “Mpampakatra” Izy, ary amin’ny maha-Vatana dia mitonon-tena ho “Ampakarina” Izy Md Augustin, Psal. 74,4..
III.Ny Fiangonana – Tempolin’ny Fanahy Masina
“Toy ny maha-ao amin’ny rantsambatantsika ny fanahintsika, izany hoe ny aintsika no tiako hambara, no maha-ao amin’ny rantsambatan’i Kristy, ao amin’ny Vatan’i Kristy, izany hoe ny Fiangonana no tiako hambara, ny Fanahy Masina” Md Augustin, serm. 268,2.. “Ny Fanahin’i Kristy izany amin’ny maha-fototra miafina Azy no tsy maintsy hiheverana fa ny faritra rehetra ao amin’ny Vatana dia mifandray, na amin’izy samy izy na amin’ny fara tampon’ny Lohan’izy ireo, satria monina manontolo ao amin’ny Loha, manontolo ao amin’ny Vatana, manontolo ao amin’ny tsirairay amin’ny rantsambatany, Izy” Pie XII, enc. « Mystici Corporis »: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny Fanahy Masina no mahatonga ny Fiangonana ho “Tempolin’Andriamanitra velona” (2 Kôr 6,16) jer. 1 Kôr 3,16-17; Efez 2,21. :
Ao amin’ny tenan’ny Fiangonana ihany, araka izany, no nanankinana ny Fanomezan’Andriamanitra. (…) Ao aminy no nametrahana ny fiombonana amin’i Kristy, izany hoe ny Fanahy Masina, antoky ny tsy fahalòvana, fanamafisana ny finoantsika ary tohatra fiakarantsika mankany amin’ Andriamanitra (…). Satria izay misy ny Fiangonana, dia misy koa ny Fanahin’Andriamanitra ; ary izay misy ny Fanahin’Andriamanitra, dia misy ny Fiangonana sy ny fahasoavana rehetra Md Irénée, haer. 3,24,1..
Ny Fanahy Masina no “Fototry ny asa manontolo iankinan’ny aina sy tena mahavonjy tokoa ny tsirairay amin’ny faritra samihafa amin’ny Vatana” Pie XII, enc. « Mystici Corporis »: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Fomba maro no andrafetany ny Vatana manontolo ao anatin’ny fitiavana jer. Efez 4,16. : amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra “izay manana hery hanorina ny trano” (Asa 20,32), amin’ny alalan’ny Batemy izay andrafetany ny Vatan’i Kristy jer. 1 Kôr 12,13. ; amin’ny alalan’ny sakramenta izay mampitombo sy manasitrana ny rantsambatan’i Kristy ; amin’ny alalan’ny “fahasoavana nomena ny apôstôly ka mitana toerana voalohany amin’izany ireo fanomezany” FF 7., amin’ny herim-panahy izay mahatonga hanao ny tsara, ary farany, amin’ny alalan’ny fahasoavana manokana maro be (antsoina hoe “fanomezam-pahasoavana”) izay mahatonga ny mpino ho “afaka sy vonona hizaka ao Aminy ny fiadidiana sy ny raharaha samihafa, manampy hanavao sy hanorina bebe kokoa hatrany ny Fiangonana” FF 12; jer. koa APL 3..
Ireo fanomezam-pahasoavana
Na mampitolagaga na tsotsotra sy ambanimbany, ireo fanomezam-pahasoavana dia fahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina, ka na mivantana na tsy mivantana, dia natao hahasoa ny Fiangonana, sy narindra amin’ny fandrafetana ny Fiangonana, amin’ny fanasoavana ny olombelona ary amin’ izay ilain’izao tontolo izao.
Ireo fanomezam-pahasoavana dia raisina miaraka amin’ny faneken’izay mandray izany, nefa koa amin’ny rantsambatan’ny Fiangonana rehetra. Araka izany, harem-pahasoavana mahatalanjona tokoa izy ireny ho an’ny hery amam-paharisihina maha-apôstôly sy ho an’ny fahamasinan’ny Vatan’i Kristy manontolo, raha toa ka tena fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina tokoa izy ireny, sy ho ampiasaina amin’ny fomba mifanaraka manontolo amin’ny tosi-kerim-pamporisika marina avy amin’io Fanahy io ihany, izany hoe ho ampiasaina araka ny fitiavana, izay fandrefesana marina ny fanomezam-pahasoavana jer. 1 Kôr 13..
Asehon’izany lafin-kevitra izany fa ilaina lalandava ny fahaiza-mandanjalanja momba ny fanomezam-pahasoavana. Tsy misy fanomezam-pahasoavana na iray aza afaka tsy mandalo eo ambany filan-kevitry ny manam-pahefana sy ny fankatoavan’ny Mpitondra Fiangonana. “Izy ireo no manana anjara manokana, tsy hamono ny Fanahy, fa hizaha toetra ny zavatra rehetra ka hitana izay tsara” FF 12., mba hiara-miasa ny fanomezam-pahasoavana rehetra, amin’ny faha-samihafa azy ireo sy ny fifamenoan’izy ireo, mba “hahasoa ny be sy ny maro” (1 Kôr 12,7) jer. FF 30; CL 24..
“Nanolo-tena ho antsika i Jesoa-Kristy, mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra sy hanadio ny Vahoaka izay natao ho Azy tokoa” (Tito 2,14).
“Ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, Vahoaka navotana” (1 Pi 2,9).
Vatan’i Kristy ny Fiangonana. Noho ny Fanahy Masina sy ny asany ao amin’ny sakramenta, fa indrindra ny Eokaristia, dia manorina ny fiombonan’ny mpino ho Vatany i Kristy maty sy nitsangan-ko velona.
Ao amin’ny maha-iray io Vatana io, dia maro samihafa ny rantsambatana sy ny anjara asa. Mifamatotra amin’ny rantsambatana ny samy rantsambatana rehetra, indrindra amin’ireo izay mijaly, ireo mahantra ary ireo enjehina.
Ny Fiangonana io Vatana io, izay i Kristy no Loha : avy Aminy sy ao Aminy ary ho Azy no ahaveloman’ny Fiangonana ; Izy kosa miaina miaraka amin’ny Fiangonana sy ao amin’ny Fiangonana.
Vadin’i Kristy ny Fiangonana : tia azy Izy ary nanolo-tena mba ho azy. Nodioviny tamin’ny rany izy. Nataony Reny niteraka ny zanak’ Andriamanitra rehetra izy.
Tempolin’ny Fanahy Masina ny Fiangonana. Ny Fanahy Masina no toy ny fanahin’ny Vatana-Mistika, fototry ny ainy sy ny firaisany ao anatin’ny faha-samihafa ary fototry ny habetsahan’ny fanomezany mbamin’ny fanomezam-pahasoavany.
“Araka izany, ny Fiangonana manerana ny tany tontolo dia hita fa "ilay Vahoaka izay misintona ny maha-iray azy avy amin’ny maha-iray an’ Andriamanitra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina" FF 4, milaza ny tenin’i Md Cyprien..”
Paragrafy 3. Iray, masina, katôlika ary apôstôlika ny Fiangonana
“Izany no hany Fiangonan’i Kristy, izay ambarantsika ampahibemaso ao amin’ny semboly fa hoe iray, masina, katôlika ary apôstôlika” FF 8.. Manondro ny soritsoritry ny toetra lehibe indrindra maha-Fiangonana ny Fiangonana sy ny fanirahana azy, ireo marika efatra manokana ireo, izay mifamatotra tsy azo sarahina amin’izy ireo samy izy ireo jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Tsy avy amin’ny tenan’izy Fiangonana no ananany an’ireo ; i Kristy, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, no mahatonga ny Fiangonany, ho iray, masina, katôlika ary apôstôlika, ary mbola Izy ihany koa no miantso azy hanatanteraka ny tsirairay amin’ireo toetra ireo.
Ny finoana irery ihany no ahafahana mankato fa avy amin’Andriamanitra ny loharano nahazoan’ny Fiangonana an’ireo toetra manokana ireo. Kanefa ny fisehoan’ireo teo amin’ny tantara dia famantarana miharihary koa ho an’ny sain’olombelona. “Ny Fiangonana, tsiahivin’ny Kônsily voalohany tao Vatikana, noho ny fahamasinany, ny firaisany katôlika, ny faharetam-piorenany tsy hay arodana, dia ny tenan’izy Fiangonana ihany no antony lehibe sy maharitra ahazoana mino, sy porofo tsy hay toherina amin’ny fanirahan’Andriamanitra azy” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
I.Iray ny Fiangonana
Iray ny Fiangonana, avy amin’ny loharano iandohany : “Avy amin’io mistery io, ny môdely tapitr’ohatra sy fototra dia ny maha-tokana an’ Andriamanitra ao amin’ny firaisan’ireo Olona telo : Ray sy Zanaka, ao amin’ ny Fanahy Masina” EK 2.. Iray ny Fiangonana avy amin’ny Mpanorina azy : “Satria Izy Tenan’ny Zanaka tonga Nofo no nampihavana tamin’ny alalan’ ny Hazofijaliany, ny olombelona rehetra tamin’Andriamanitra, ka namerina ny firaisan’ny olona rehetra ho Vahoaka tokana sy ho Vatana tokana.” FAA 78, § 3. Iray ny Fiangonana avy amin’ny “fanahiny”: “Ny Fanahy Masina izay monina ao amin’ny mpino, izay mameno sy mitondra ny Fiangonana manontolo, no manatanteraka io fiombonan’ny mpino amin’ny fomba mampitolagaga io, sy mampiray azy rehetra amin’ny fomba lalina dia lalina ao amin’i Kristy, izay Izy no fototry ny Maha-iray ny Fiangonana” EK 2.. Avy amin’ny foto-pisiany ihany izany no maha-iray ny Fiangonana :
Mistery mampitolagaga re izany ! Iray ihany ny Rain’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, iray ihany ny Tenin’izao tontolon’ny zava-drehetra izao ary koa iray ihany ny Fanahy Masina, mitovy na aiza na aiza ; fa misy koa virjiny iray ihany tonga reny, ary tiako ny miantso azy hoe : Fiangonana Md Clément d’Alexandrie, paed. 1,6,42..
Hatrany am-piandohana anefa, io Fiangonana iray io dia miseho amin’ny faha-samihafa lehibe izay sady avy amin’ny fanomezana maro karazana avy amin’Andriamanitra no avy amin’ny hamaroan’ny olona izay mandray izany. Mikambana ao amin’ny maha-iray ny Vahoakan’Andriamanitra, ny faha-samihafa an’ireo firenena sy ny kolontsaina. Misy ny faha-samihafa amin’ny fanomezana, sy ny adidy aman’andraikitra, ary ny toetra amam-pomba fiainana, eo amin’ny samy rantsambatan’ny Fiangonana ; “ara-dalàna ny fisian’ny Fiangonana eo an-toerana, manana ny lovam-panahiny mampiavaka azy, eo anivon’ny fiombonan’ny Fiangonana” FF 13.. Tsy mifanohitra amin’ny maha-iray ny Fiangonana, ny harem-ben’io faha-samihafa io. Kanefa, loza mitatao lalandava ho an’ny fanomezana maha-iray ny Fiangonana, ny fahotana sy ny vesatry ny voka-dratsiny. Izany no mahatonga ny apôstôly mampirisika mba “hitana ny maha-iray ny Fanahy amin’ny alalan’ny fifamatoram-pihavanana” (Efez 4,3).
Inona avy ireo fifamatoram-piraisana ireo ? “Ambonin’ny zavatra rehetra [dia] ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy” (Kôl 3,14). Kanefa ny firaisan’ny Fiangonana mivahiny ety an-tany dia iantohan’ireo fifamatoram-piombonana hita maso koa : - ny fiekena ny finoana tokana noraisina avy amin’ny apôstôly; - ny fankalazana iombonana amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ Andriamanitra, indrindra amin’ireo sakramenta; - ny fifandimbiasana maha-apôstôly amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Filaharana, mitana ny fihavanana maha-mpiray tam-po ny fianakavian’ Andriamanitra jer. EK 2; FF 14; CIC, can. 205..
“Ny Fiangonana tokan’i Kristy, (…) dia izay napetraky ny Mpamonjintsika, taorian’ny Fitsanganany ho velona, tamin’i Piera, mba izy no ho mpiandry ondry ao aminy, izay nankininy taminy, dia taminy sy tamin’ireo apôstôly hafa, mba hampiely azy sy hitantana azy (…). Io Fiangonana toy ny fikambanana naorina sy narindra eto an-tany io, dia misy sady maharitra ao (subsistit in) amin’ny Fiangonana katôlika fehezin’ny dimbin’i Piera sy ireo Eveka miombona aminy” FF 8. :
Manazava miharihary ny sori-dalana momba ny Ekiomenisma navoakan’ny Kônsily faharoa tao Vatikana, fa : “Avy amin’ny Fiangonana katôlikan’i Kristy irery ihany, izay izy no “fitaovana ankapobeny ahazoana famonjena”, no ahafahana mahazo ny hafenoan’ny fitaovam-pamonjena rehetra. Avy amin’ny fiombonam-piadidian’ny apôstôly irery, izay i Piera no filoha, no nanankinan’ny Tompo, araka ny finoantsika, ny harem-pahasoavana rehetra tamin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, mba hanorenana eto an-tany ny Vatan’i Kristy tokana, izay Aminy no tsy maintsy ho voakambana manontolo, amin’ny endrika iray, izay rehetra efa anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra” EK 3..
Ny ratran’ny firaisana
Raha ny marina, “efa hatrany am-piandohana no nisy fisaratsarahana tao amin’io Fiangonana tokana tsy manam-paharoa an’Andriamanitra io, fisaratsarahana izay nolavin’ny apôstôly mafy tokoa sy nomelohiny ; teny am-pamakivakiana ny taona teny dia nipoitra ny fisarahan-kevitra lehibe kokoa, ka nampisy ireo vondrom-piangonana be dia be niendaka tanteraka tao amin’ny fiombonan’ny Fiangonana katôlika, izay indraindray nipoitra avy amin’ny fahadisoan’ny olon’ny an-daniny sy ny olon’ny an-kilany” EK 3.. Ny fisaraham-bazana izay mandratra ny firaisan’ny Vatan’i Kristy (avahana amin’izany ny hevi-diso momba ny foto-pinoana, ny fivadiham-pinoana sy ny fisaraham-pinoana jer. CIC, can. 751.) dia tsy nisy raha tsy noho ny fahotan’ny olombelona:
Izay ahitana ny fahotana, dia eo koa ny fitsitokotokoana maro be, eo ny fisaraham-pinoana, eo ny fampianaran-diso momba ny foto-pinoana, eo ny fifanoherana ; fa izay ahitana ny hatsaram-panahy, dia eo koa ny firaisana, ny fiombonana izay nahatonga ny mpino rehetra tsy hanana afa-tsy vatana iray sy fanahy iray Origène, hom. In Ezech. 9,1..
Ireo izay teraka amin’izao fotoana izao ao anatin’ireny vondrom-piangonana avy amin’ny fisarahana ireny “sy izay mivelona amin’ny finoana an’i Kristy, dia tsy azo anilihana ny fahotan’ny fisaraham-bazana, ary ny Fiangonana katôlika dia miaraka amin’izy ireo amim-panajana feno firahalahiana sy fifankatiavana (…). Nohamarinina tamin’ny finoana noraisina tamin’ny Batemy, voakambana amin’i Kristy, dia mitondra ara-drariny ny anarana hoe kristianina izy ireo, ary ny zanaky ny Fiangonana katôlika dia mahatsiaro azy ireo marina tokoa ho havana ao amin’ny Tompo” EK 3..
Fanampin’izany, “maro amin’ireo singafototry ny fahamasinana sy ny fahamarinana” FF 8. no misy ivelan’ny fetra hita maso ao amin’ny Fiangonana katôlika : “ny Tenin’Andriamanitra voarakitra an-tsoratra, ny fiainam-pahasoavana, ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, ny fanomezana anaty hafa avy amin’ny Fanahy Masina ary ny singafototra hita maso hafa koa” EK 3; jer. koa FF 15.. Mampiasa ireny Fiangonana sy ankohonam-piangonana ireny ho fitaovam-pamonjena ny Fanahin’i Kristy, ka ny heriny dia avy amin’ny hafenoan’ny fahasoavana sy ny fahamarinana nankinin’i Kristy tamin’ny Fiangonana katôlika. Ireny soa rehetra ireny dia avy amin’i Kristy sy mitondra mankany Aminy jer. EK 3., ary amin’ireny ihany no mitaky ny “firaisana katôlika” FF 8..
Miroso ho amin’ny firaisana
Ny firaisana, “izany no eken’i Kristy ho an’ny Fiangonany hatrany am-piandohana. Mino isika fa maharitra amin’ny fomba tsy mety very izany, ao amin’ny Fiangonana katôlika, ary manantena isika fa hitombo isan’andro isan’andro izany mandra-pahatapitry ny taona rehetra” EK 4.. Omen’i Kristy lalandava ny Fiangonany ny fanomezana ho amin’ny firaisana, nefa tsy maintsy mivavaka sy miasa lalandava ny Fiangonana mba hitazonana, hanamafisana ary handavorariana ny firaisana izay sitrak’i Kristy ho azy. Izany no nahatonga ny Tenan’i Jesoa nivavaka tamin’ny oran’ny fijaliany, ary tsy mitsahatra mitalaho amin’ny Ray Izy mba ho an’ny firaisan’ny mpianany : “… Mba ho iray izy rehetra, Tahaka Anao, Ray, ao Amiko, ary Izaho ao Aminao, izy ireo koa anie mba ho iray ao Amintsika, mba hinoan’ izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy” (Jo 17,21). Ny faniriana hahita indray ny firaisan’ny kristianina rehetra dia fanomezana avy amin’i Kristy sy antson’ny Fanahy Masina jer. EK 1..
Mba hamaliana izany araka ny sahaza azy, dia takìna : - ny fihavaozana tsy tapaka ao amin’ny Fiangonana, ao anatin’ny tsy fivadihana lehibe indrindra amin’ny fiantsoana azy. Izany fanavaozana izany no herin’ny hetsika mankamin’ny firaisana jer. EK 6.; - ny fibebahan’ny fo “mba hiaina ao anatin’ny fahadiovana kokoa araka ny Evanjely” jer. EK 7., satria ny fivadihan’ireo rantsambatana amin’ny fanomezan’i Kristy no miteraka ny fisaraham-bazana; - ny fiaraha-mivavaka, satria “ny fibebahan’ny fo sy ny fahamasinam-piainana, atambatra amin’ny vavaky ny daholobe sy ny an’ny tsirairay ho amin’ny firaisan’ny kristianina, dia tsy maintsy heverina ho aina mamelona ny ekiomenisma manontolo, ary azo antsoina ara-drariny hoe ekiomenisma ara-panahy” EK 8.; - ny fifankahalalana maha-mpiray tam-po ara-pinoana jer. EK 9.; - ny fanofanana momba ny ekiomenisma ho an’ny mpino, fa indrindra ho an’ny Pretra jer. EK 10.; - ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny samy teôlôjianina sy ny fihaonan’ny samy kristianina avy amin’ny Fiangonana samihafa sy ny fikambanana samy hafa jer. EK 4; 9;11.; - ny fiaraha-miasan’ny samy kristianina eo amin’ny sehatr’asa samihafa amin’ny asan’olombelona jer. EK 12..
“Mahakasika ny Fiangonana manontolo : ny mpino sy ny mpiandry ondry” EK 5.,ny mameno ny saina hahatanteraka ny firaisana. Kanefa koa tsy maintsy “mahatsiaro tena fa izany fikasana masina izany, izany hoe ny fampihavanana ny kristianina rehetra ho anatin’ny firaisana maha-tokana sy itambaran’ny Fiangonan’i Kristy, dia mihoatra ny tanjaky ny olombelona sy ny herim-pahaizany”. Izany indrindra no hametrahantsika ny fanantenantsika manontolo “amin’ny vavak’i Kristy ho an’ny Fiangonana, ao amin’ny fitiavan’ny Ray ny amintsika, ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina” EK 24..
II.Masina ny Fiangonana
“Ny Fiangonana (…) dia masina amin’ny fomba maharitra lalandava eo imason’ny finoana. Satria i Kristy, Zanak’Andriamanitra, izay ankalazaina, miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, ho “hany Masina”, dia tia ny Fiangonana ho vadiny, ka nanolo-tena ho azy mba hanamasina azy, sy nampiray azy ho Vatany, ary nameno soa azy tamin’ny fanomezana ny Fanahy Masina, ho Voninahitr’Andriamanitra” FF 39.. Noho izany, ny Fiangonana no “Vahoaka masin’Andriamanitra” FF 12., ary antsoina hoe “masina” jer. Asa 9,13; 1 Kôr 6,1; 16,1. ny mpikambana ao aminy.
Ny Fiangonana, miray amin’i Kristy, dia nohamasinin’ny Tenany ; amin’ny alalany sy ao Aminy dia manjary mahamasina koa izy. “Ny tanjona iafaran’ny tsanganasa rehetra ataon’ny Fiangonana dia ny fanamasinana ny olombelona ao amin’i Kristy sy ho amin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra” L 10.. Ao amin’ny Fiangonana no itahirizana ny “hafenoan’ny fitaovam-pamonjena rehetra” EK 3.. Ao aminy no “andraisantsika ny fahamasinana amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra” FF 48..
“ Efa miravaka fahamasinana tena izy, ny Fiangonana, eto an-tany, na mbola tsy lavorary aza” FF 48.. Mbola ezahina ho azo, ao amin’ireo rantsambatany, ny fahamasinana lavorary : “Manoloana ny habetsahana sy ny halehiben’ny fitaovam-pamonjena, izay rehetra mino an’i Kristy na manao ahoana na manao ahoana ny fomban’izy ireo sy ny lalam-piainana arahin’izy ireo, dia samy antsoin’Andriamanitra tsirairay amin’ izany lalam-piainany izany ho amin’ny fahamasinana, ka ny fahalavorarian’ny Ray ihany no fahalavorariany” FF 11..
Ny fifankatiavana no aina mamelona ny fahamasinana izay iantsoana ny olon-drehetra : “Izy no mitarika ny fitaovam-panamasinana rehetra, manome an’ireo ny ain’izy ireo sy mitondra an’ireo amin’ny tanjom-piafaràn’izy ireo” FF 42. : Azoko an-tsaina fa raha nanana vatana ny Fiangonana, itambaran’ny rantsambatana samy hafa, ny ilaina indrindra, ny mendrika indrindra amin’izy rehetra dia tsy maintsy ho tao, azoko an-tsaina fa manana Fo ny Fiangonana ary io Fo io dia MIREHI-PITIAVANA. Azoko an-tsaina fa ny Fitiavana irery no nampiasa ny rantsambatan’ny Fiangonana, fa raha ny Fitiavana no manjary maty, tsy ho nanambara ny Vaovao Mahafaly intsony ny apôstôly, ho nandà handatsaka ny rany ireo Martiry (…). Azoko an-tsaina fa NY FITIAVANA NO MIRAKITRA NY FIANTSOANA MANONTOLO, NY FITIAVANA NO ZAVA-DREHETRA, IZY NO MANENIKA NY FOTOANA REHETRA SY NY TOERANA REHETRA (…) RAHA ATAO INDRAY MILAZA, HO MANDRAKIZAY IZY Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, ms. Autob. B 3v.!
“Noho i Kristy masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, tsy tonga afa-tsy mba hanonitra ny fahotan’ny vahoaka, dia tsy nahalala ota; ny Fiangonana kosa, izay misy mpanota ao aminy, dia sady masina no antsoina hidio, ary manohy tsy an-kijanona ny ezaka ataony ho amin’ny fivalozana sy ny fanavaozana” FF 8; jer. koa EK 3; 6.. Ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana, ao anatin’izany ny mpandraharaha masiny, dia tsy maintsy miaiky ho mpanota jer. 1 Jo 1,8-10.. Ao amin’izy rehetra, ny ahi-dratsin’ny fahotana, dia mbola hita mifangaro amin’ny voa tsaran’ny Vaovao Mahafaly, mandra-pahatongan’ny farandro jer. Mt 13,24-30.. Ny Fiangonana àry no mamondrona ny mpanota nahazo ny famonjen’i Kristy, nefa mbola eo an-dalan’ny fanamasinan-tena lalandava :
Masina ny Fiangonana na dia misy mpanota aza ao anatiny, satria tsy manana aina hafa ny tenany afa-tsy ny an’ny fahasoavana : amin’ny fivelomana ny fiainany no hanamasinan’ny mpikambana ao aminy ny tenany; amin’ny tsy fivelomana ny fiainany no mahatonga azy ireo ho latsaka ao anatin’ny fahotana sy ny korontana izay misakana ny famirapiratry ny fahamasinany. Izany no mahatonga azy hijaly sy hanao asa fivalozana amin’ireny fahadisoana ireny, izay izy no manana ny fahafahana hanasitrana ny zanany amin’ny alalan’ny ran’i Kristy sy ny fanomezana ny Fanahy Masina SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
Amin’ny fananganana ho olomasina ireo mpino sasantsasany, izany hoe amin’ny fanambaràna manetriketrika fa ireny mpino ireny dia nampiasa ny hatsaram-panahy tamin-kerim-po sy niaina tamim-pitokiana ny fahasoavan’Andriamanitra, no ahatsapan’ny Fiangonana ny herin’ny Fanahin’ny fahamasinana ao aminy, ary manohana ny fanantenan’ny mpino izy amin’ny fanomezana azy ireo olomasina ho môdely sy mpitalaho jer. FF 40; 48-51.. “Loharano sy fiandoham-panavaozana lalandava tao anatin’ ny fotoana sarotra indrindra nodiavin’ny tantaran’ny Fiangonana, ny olomasina lehilahy sy vehivavy” CL 16,3.. Satria,“ny fahamasinana no loharano miafina sy fandrefesana tsy mety mandiso amin’ny raharaha maha-apôstôly azy sy amin’ny ezaka maha-misiônera azy” CL 17,3..
“Ao amin’ny tenan’ilay Virjiny sambatra ny Fiangonana no efa mahatratra sahady ny fahalavorariana izay mahatonga azy ho tsy misy panda na kentrona. Ireo mpinon’i Kristy, dia mbola mikely aina mba hitombo fahamasinana, amin’ny alalan’ny fandresena ny fahotana : izany no antony mahatonga azy ireo hiandrandra an’i Maria” FF 65. : efa masina tanteraka ny Fiangonana, ao aminy.
III.Katôlika ny Fiangonana
Inona no dikan’ny hoe “katôlika” ?
Ny teny hoe “katôlika dia midika hoe “manerana ny tany tontolo” amin’ny hevitra hoe “maha-fitambarana manontolo” na “maha-fahafenoana manontolo”. Katôlika ny Fiangonana amin’ireto hevitra anankiroa ireto : Katôlika izy satria ao aminy lalandava i Kristy : “Izay misy an’i Kristy Jesoa dia misy ny Fiangonana Katôlika” Md Ignace d’Antioche, Smyrn. 8,2.. Ao aminy no aharetan’ny hafenoan’ny Vatan’i Kristy miray amin’ny Lohany jer. Efez 1,22-23., izay milaza tsy mivantana fa raisin’ny Fiangonana avy amin’i Kristy “ny hafenoan’ny fitaovam-pamonjena” AFF 6 izay ankasitrahany : fiekem-pinoana mahitsy sy feno, fiainana ara-tsakramenta tsy misy tomika ary andraiki-panompoana masina avy amin’ny fifandimbiasana maha-apôstôly. Ny Fiangonana, amin’izany votoatin-kevitra izany, dia katôlika tamin’ny andron’ny Pantekôty jer. AFF 4., ary ho izany lalandava izy mandra-pahatongan’ny Andro hiverenan’ny Tompo amim-boninahitra.
Katôlika izy satria nirahin’i Kristy hampiely ny finoana manerana ny tontolom-piainan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka jer. Mt 28,19. :
Voantso ho anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra ny olombelona rehetra. Noho izany io Vahoaka io , izay maharitra ho iray sy itambarana hatrany, dia natao hiitatra amin’ny sehatra maro manerana ny tontolon’ny zavatra rehetra sy hanenika ny taonjato rehetra mifandimby, mba ho tanteraka izay nalahatry ny sitrapon’Andriamanitra nahary hatrany am-piandohana ny olombelona ho amin’ny firaisana, sy tamin’ny fanapahan-kevitra hanangona, nony farany, ireo zanany niparitaka mba ho anatin’ny firaisana (…). Io toetra manerana ny tontolom-piainana rehetra io, izay mamiratra eo amin’ny Vahoakan’ Andriamanitra, dia fanomezana avy amin’ny Tenan’Izy Tompo, ka mahatonga ny Fiangonana katôlika, amin’ny fomba mandaitra sy maharitra, hiezaka hamondrona ny olombelona manontolo miaraka amin’izay soa rehetra ananany eo ambany fahefan’i Kristy filoha, ao amin’ny firaisana amin’ny Fanahiny FF 13..
“Katôlika” ny Fiangonana tsirairay eo an-toerana
“Ny Fiangonan’i Kristy dia hita marina tokoa ao amin’ireo vondron’ny mpino rehetra ara-dalàna eo an-toerana, miray amin’ireo mpitondra azy, izay nandray ny anarana hoe Fiangonana, ao amin’ny Testamenta Vaovao (…). Ao amin’izy ireny : angonin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafalin’i Kristy ny mpino ; ankalazaina ny misterin’ny Sakafo farany nataon’ny Tompo (…). Ao amin’ireny ankohonam-piangonana ireny, na bitika sy mahantra toy inona aza izy ireny matetika na koa miparitaka, dia ao i Kristy amin’ny hery izay manambatra ny Fiangonana ho iray, masina, katôlika ary apôstôlika” FF 26..
Ny antsoina hoe Fiangonana eo an-toerana, izay tsy inona fa ny diôsezy (na faritanim-piangonana), dia ankohonan’ireo mpino kristianina miombona ao amin’ny finoana sy ny sakramenta miaraka amin’ny Evekan’izy ireo nohamasinina tao anatin’ny fifandimbiasana maha-apôstôly jer. AE 11; CIC, can. 368-369; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 177 § 1; 178; 311 § 1; 312.. Ireny Fiangonana eo an-toerana ireny “dia voaorina hitovy endrika amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo; ao amin’izy ireny sy miainga avy amin’izy ireny no isian’ny Fiangonana katôlika iray sy iraisana” FF 23..
Ny Fiangonana eo an-toerana dia katôlika manontolo amin’ny alalan’ny fiombonana amin’ilay anankiray amin’ny samy izy ireo, dia ny Fiangonan’i Rôma “ izay mitondra ho amin’ny fifankatiavana” Md Ignace d’Antioche, Rom. 1,1.. “Satria, miaraka amin’io Fiangonana io, noho ny fiandohany ambony tokoa, no tsy maintsy hifanarahan’ny Fiangonana manontolo, izany hoe ny mpino na avy aiza na avy aiza” Md Irénée, haer. 3,3,2: noraisin’ny Kôns. Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. “Noho izany, raha vao nidina tety amintsika ny Teny tonga nofo, ny Fiangonana kristianina rehetra na aiza na aiza dia nitana sy mitana an’ilay Fiangonana lehibe izay eto (Rôma) ho fototra tokana sy fanorenana, satria, araka ny fampanantenana avy amin’ny Mpamonjy ihany, ny vavahadin’ny afobe dia tsy maharesy azy na oviana na oviana” Md Maxime le Confesseur, opusc..
“Ny Fiangonana manerana ny tany tontolo dia tsy tokony hoferana ho toy ny fitambarana tsotra na vondrom-Piangonana eo an-toerana. Fa ambonin’izany ny Fiangonana, manerana ny tany tontolo noho ny fiantsoana sy ny fanirahana, izay miorim-paka eo amin’ny sehatra samihafa ara-kolontsaina, ara-tsôsialy ary maha-olona, amin’ny fakana ny endrika sy ny fomba fanehoana isan-karazany eo amin’ny faritra tsirairay an’izao tontolo izao” EN 62.. Ny fahamaroan’ny sampam-pahalalana ao amin’ny Fiangonana, ny fombam-pivavahana ara-litorzia, ary ny lovam-pahalalana ara-teôlôjia sy ara-panahy manokana ho an’ny Fiangonana eo an-toerana, dia “ mampiseho miharihary, amin’ny alalan’ny fifanojoan’izy ireny ao anatin’ny firaisana, ny maha-katôlika ny Fiangonana iray tsy mivaky” FF 23..
Iza no anisan’ny Fiangonana katôlika ?
“Ho amin’ny firaisana katôlikan’ny Vahoakan’Andriamanitra (…) no iantsoana ny olombelona rehetra ; ao amin’io firaisana amin’ny endrika samihafa na andaminany azy io, ny mpino katôlika, sy ireo hafa izay manana finoana ao amin’i Kristy, ary farany ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, no antsoin’ny fahasoavan’ Andriamanitra ho amin’ny famonjena” FF 13. :
“Ny tafiditra ho mpikambana manontolo ao amin’ny fikambanana, izay tsy inona fa ny Fiangonana, dia ireo izay manana ny Fanahin’i Kristy, ka manaiky manontolo ny rafi-pandaminany sy ny fitaovam-pamonjena rehetra naorina ao aminy, ary ankoatra izany, noho ny fifamatorana naorin’ny fiekem-pinoana, ny sakramenta sy ny fitondram-piangonana ary ny fiombonana, dia tafaray, ao anatin’ny fitambaran’ny Fiangonana hita maso, amin’i Kristy izay mitarika azy amin’ny alalan’ny Papa Ray Masina sy ireo Eveka. Ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana anefa tsy miantoka ny famonjena, noho ny tsy fitozoana amin’ny fitiavana, ho an’izay mijanona ho ny “vatany” ihany no ao amin’ny Fiangonana, fa ny “fony” FF 14. tsy ao velively.
“Miaraka amin’ireo izay mitondra ny anarana mendrika hoe kristianina, amin’ny fahavitany batemy, kanefa tsy manaiky manontolo ny finoana na tsy mitandrina ny firaisam-piombonana amin’ny dimbin’i Piera, no ahaizan’ny Fiangonana miray amin’izy ireny amin’ny antony maro” FF 15.. “ Ireo izay mino an’i Kristy sy izay nandray ara-dalàna ny Batemy, dia manana fiombonana ihany amin’ny Fiangonana katôlika EK 3., na dia tsy lavorary aza izany.” Miaraka amin’ny Fiangonana ôrtôdôksa, io fiombonana io dia lalina tokoa “izay zavatra bitika sisa tsy ampy aminy mba hahatratrarany tanteraka amin’ny fanomezan-dalana azy hiara-mankalaza ny Eokaristian’ny Tompo” Paul VI, lahateny tamin’ny 14 desambra 1975; jer. koa EK 13-18..
Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina
“Ireo tsy mbola nandray ny Vaovao Mahafaly, amin’ny endriny maro samihafa, dia natao koa ho anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra” FF 16. : Ny fifandraisan’ny Fiangonana amin’ny Vahoaka Jody. Ny Fiangonana, Vahoakan’ Andriamanitra ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, dia mahatsapa, amin’ny fanadihadiana ny mistery momba azy, ny fifamatorany amin’ny Vahoaka Jody jer. FFTK 4., “izay taminy no voalohany nitenenan’Andriamanitra” MR, Zomà Masina 13: ranombavaky ny mpino VI.. Ny tsy itoviany amin’ny fivavahana hafa tsy kristianina, ny finoana jody dia efa valin-teny rahateo amin’ny fanambaràn’Andriamanitra ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha. Ny Vahoaka Jody “no nanana ny fananganan-janaka, ny voninahitra, ny fanekem-pihavanana, ny didy aman-dalàna, ny fanompoam-pivavahana, ny fampanantenana ary ireo patriarka, izy izay avy aminy no teraka, araka ny nofo, i Kristy” (Rôm 9,4-5) satria “tsy misy anenenana ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra” (Rôm 11,29).
Ankoatr’izany, rahefa dinihina ny hoavy, ny Vahoakan’Andriamanitra tao amin’ ny Fanekem-pihavanana Taloha sy ny Vahoaka vaovao an’Andriamanitra dia mikendry tanjona mitovy : ny fiandrasana ny fahatongavan’ny Mesia (na ny fiverenany indray). Ny andrasana anefa, etsy an-daniny, dia ny fiverenan’ny Mesia, maty sy nitsangan-ko velona, nekena ho Tompo sy Zanak’Andriamanitra, ary etsy an-kilany ny fahatongavan’ny Mesia, izay mbola takona ny ho endriny, amin’ny farandro, dia fiandrasana arahina fitaintainana amin’ny tsy fahalalana na tsy fahazoana an-tsaina an’i Kristy Jesoa.
Ny fifandraisan’ny Fiangonana amin’ny Silamo. “Ny fandaharam-pamonjena, dia natao hiarovana ihany koa ireo izay miaiky ny Mpahary, ka voalohany amin’izany ny silamo izay manambara ampahibemaso fa mitana ny finoan’i Abrahama, mitsaoka miaraka amintsika an’Ilay Andriamanitra tokana, mpamindra fo, mpitsara ny olombelona amin’ny farandro” FF 16; jer koa FFTK 3..
Ny fifamatoran’ny Fiangonana amin’ireo antokom-pinoana tsy kristianina dia voalohany, ny an’ny fiandohana sy ny fiafarana iombonan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka :
Satria, ny firenena rehetra dia mitambatra ho fiombonana tokana ihany ; fiandohana iray ihany ny azy ireo, satria nataon’Andriamanitra honina eto ambonin’ny tany ny taranak’olombelona rehetra ; manana tanjom-piafaràna tokana koa izy ireo, dia Andriamanitra, izay ny fitahiana, ny fanehoana hatsaram-panahy ary ny fandaharam-pamonjena, dia mivelatra amin’ny rehetra, mandra-pahatongan’ny olom-pinidy ho tafangona ao amin’ilay tanàna masina FFTK 1..
Fantatry ny Fiangonana ao amin’ireo antokom-pinoana hafa ny fikatsahana, “mbola manjavozavo sy amin’ny sary an’ohatra”, an’Andriamanitra tsy fantatra nefa akaiky noho Izy manome ho an’ny rehetra ny aina, ny fofon’ aina ary ny zavatra rehetra, sy noho Izy tia ny hahavoavonjy ny olombelona rehetra. Araka izany, asian’ny Fiangonana lanjany izay rehetra mety ho hita fa tsara sy marina ao amin’ny antokom-pinoana rehetra “ho toy ny fanomanana amin’ny evanjely sy ho toy ny fanomezana avy amin’Ilay izay manazava ny olombelona manontolo, mba hananany ny fiainana, amin’ny farany” FF 16; jer. koa FFTK 2; EN 53..
Kanefa amin’ny fihetsika amam-pitondran-tena ara-pivavahan’izy ireo, ny olombelona dia mampiseho koa ny fetra sy ny fahadisoana izay manimba ao amin’izy ireo ny endrik’Andriamanitra :
Matetika tokoa, noho izy voafitak’ilay mpisompatra, dia nivaona tamin’ny fisainany izy ireo, fa natakalon’izy ireo lainga ny fahamarinan’ Andriamanitra, tamin’ny fanompoana ny zavaboary toy izay ny Mpahary, na koa noho izy velona sy maty tsy misy Andriamanitra amin’ity tany ity, dia mitolo-tena eo amin’ny toeran’ny famoizam-po tanteraka izy ireo FF 16..
Mba hanangona indray ny zanany rehetra izay naparitaky ny fahotana sy naniasia no nahatonga ny Ray hiantso ny olombelona rehetra ho ao amin’ny Fiangonan’ny Zanany. Ny Fiangonana no toerana tokony hahitan’ny olombelona ny maha-iray azy sy ny famonjena azy. Izy no “izao tontolo izao tafahavana indray” Md Augustin, serm. 96,7,9.. Izy no ilay sambo izay “namakivaky tokoa an’izao tontolo izao amin’ny fitsofan’ny Fanahy Masina eo ambanin’ny lain’ny Hazofijalian’ny Tompo” Md Ambroise, virg. 18,119. araka ny sary an’ohatra hafa mamin’ny Aban’ny Fiangonana, izy no naseho an-tsarin’ny Sambofiaran’i Nôe izay hany mahavonjy amin’ny safo-drano jer. 1 Pi 3,20-21..
“Ivelan’ny Fiangonana, tsy misy famonjena”
Ahoana no tokony handraisana io filazana marina miverimberina matetika teo am-bavan’ny Aban’ny Fiangonana io ? Raha lazaina mazava amin’ny fomba tsy misy isalasalana, dia midika fa ny famonjena rehetra ataon’ny Fiangonana izay Vatan’i Kristy, dia avy amin’i Kristy-Loha avokoa :
Ny Kônsily, miankina amin’ny Soratra Masina sy ny Lovam-pampianarana, dia mampianatra fa ity Fiangonana mivahiny eto an-tany ity dia ilaina amin’ny famonjena. Satria, i Kristy irery ihany no mpanalalana sy lalam-pamonjena ; ary manjary tonga eo amintsika Izy ao amin’ny Vatany dia ny Fiangonana izany ; sady samy namafisiny tamintsika, raha nampianatra antsika tamin’ny fomba mazava Izy, fa izay ilana ny finoana sy ny Batemy, dia ilana ny Fiangonana ihany koa, izay ao aminy ny olombelona no miditra amin’ny alalan’ny varavaran’ny Batemy. Noho izany, ireo izay mandà na ny tsy hiditra ao amin’ny Fiangonana katôlika, na ny tsy haharitra ao, nefa mahalala fa naorin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa-Kristy ho tsy maintsy ilaina ny Fiangonana katôlika, dia mety tsy ho voavonjy izy ireny FF 14..
Io filazana marina io dia tsy mahakasika an’ireo izay tsy mahalala an’i Kristy sy ny Fiangonany, noho ny fahadisoana tsy avy amin’izy ireo :
Satria, ireo izay tsy mahalala ny Vaovao Mahafalin’i Kristy sy ny Fiangonany, izay tsy fahadisoana ho azy ireo ny tsy fahalalana izany, kanefa mitady an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy miezaka hiasa, eo ambany fanampian’ny fahasoavany, mba hanatanteraka ny sitrapony araka ny kônsiansin’izy ireo izay manambara izany amin’izy ireo sy manoro izany amin’izy ireo, dia mety hahatafita azy ireo any amin’ny famonjena mandrakizay FF 16; jer. koa DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
“Na dia afaka aza Andriamanitra, amin’ny lalana fantatr’Izy irery ihany, mitondra ireo olona tsy mahalala ny Vaovao Mahafaly, izay tsy fahadisoana ho azy ireo ny tsy fahalalana izany, ho amin’ny finoana izay raha tsy misy izany tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra jer. Heb 11,6., dia manana adidy sady zo masina ny Fiangonana, hitory ny Evanjely” AFF 7. amin’ny olombelona rehetra.
Ny fanirahana – adidy iray takìn’ny maha-katôlika ny Fiangonana
Ny fahefana maha-misiônera. “Ny Fiangonana, noho izy nirahin’ Andriamanitra ho amin’ny firenena rehetra mba ho sakramentam-pamonjena ny daholobe, sy noho ireo adidy manokana takìn’ny maha-katôlika azy sy amin’ny fanekena ny didin’ny mpanorina azy, dia miezaka amin’ny heriny manontolo ho amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny olombelona rehetra” AFF 1. : “Koa mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary ampianaro izy ireny hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo lalandava ambara-pahatongan’ny faran’ izao tontolo izao” (Mt 28,19-20).
Ny fiandohana sy ny tanjon’ny fanirahana. Ny fara loharanon’ny fahefana maha-misiôneran’ny Tompo dia ao amin’ny fitiavana mandrakizain’ny Trinite Masina Indrindra : “Amin’ny fomba aman-toetra maha-izy azy, ny Fiangonana, mandritra ny fivahiniany ety an-tany, dia misiônera, satria na ny fiandohan’ny tenany aza dia avy amin’ny fanirahana ny Zanaka sy ny fanirahana ny Fanahy Masina, araka ny fandaharan’Andriamanitra Ray” AFF 2.. Ary ny tanjona faran’ny fanirahana dia tsy hafa fa ny mampandray anjara ny olombelona amin’ny fiombonana izay misy eo amin’ny Ray sy ny Zanaka ao amin’ny Fanahim-pitiavan’izy ireo jer. Joany Paoly II, RM 23..
Ny anton’ny fanirahana. Avy amin’ny fitiavan’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra no nandraisan’ny Fiangonana lalandava ny adidy aman’ andraikitra sy ny herin’ny ezaka ataony amin’ny maha-misiônera : “Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay….”(2 Kôr 5,14) jer. APL 6; RM 11.. Satria, “tian’ Andriamanitra ny hahavoavonjy ny olombelona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina” (1 Tim 2,4). Sitrak’Andriamanitra ny famonjena ny olona rehetra amin’ny fahalalana ny fahamarinana. Ao amin’ ny marina no misy ny famonjena. Ireo izay mankato ny fanentanan’ny Fanahin’ny fahamarinana dia efa eny an-dalam-pamonjena sahady ; kanefa ny Fiangonana, izay taminy no nanankinana izany fahamarinana izany, dia tsy maintsy mihaona amin’ireo maniry izany mba hanomezany ho azy ireo izany. Satria noho izy mino ny fandaharam-pamonjena manenika an’izao tontolo izao, dia tsy maintsy ho misiônera izy.
Ny lalan-kizorana amin’ny fanirahana. “Ny Fanahy Masina no tompon-draharaha voalohany amin’ny fanirahana rehetra sahanin’ny Fiangonana” RM 21.. Izy no mitondra ny Fiangonana amin’ny lalan-kizorana amin’ny fanirahana. Ny Fiangonana “no manohy sy manitatra eny am-pamakivakiana ny tantara eny ny fanirahana ny Tenan’i Kristy, izay nirahina hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo ; koa ny lalana izay nizoran’ny Tenan’i Kristy ihany àry, eo ambany fandrisihan’ny Fanahin’i Kristy, no tsy maintsy hizoran’ny Fiangonana, izany hoe mandalo amin’ny lalan’ny fahantrana, ny fanekena, ny fanompoana ary ny fanoloran-tena ho sorona hatramin’ny fahafatesana, izay nivoahan’i Kristy ho mpandresy tamin’ny alalan’ny fitsanganany ho velona” AFF 5.. Izany no mahatonga “ny ran’ny martiry ho voa nafafy mahavokatra kristianina” Tertullien, apol. 50,13..
Kanefaamin’ny fivahiniany ny Fiangonana dia mahalala tamim-pahazarana koa ny “elanelana izay mampisaraka ny hafatra ambarany sy ny halemen’olombelona amin’ireo izay anankinana izany Vaovao Mahafaly izany” FAA 43, § 6.. Koa tsy misy afa-tsy ny firosoana amin’ny lalan’ “ny fivalozana sy ny fihavaozana” FF 8; jer koa 15. ary “amin’ny varavarana tery izakana ny Hazofijaliana” FAA 1. no ahafahan’ny Vahoakan’ Andriamanitra manitatra ny Fanjakan’i Kristy jer. RM 12-20.. Satria, “tahaka ny naha tao anatin’ny fahantrana sy ny fanenjehana izay nanatanterahan’i Kristy ny Fanavotana, no iantsoana koa ny Fiangonana hiditra ao amin’io lalana io ihany mba hampitana amin’ny olombelona ny vokatry ny famonjena” FF 8..
Amin’ny fanirahana azy ihany “ny Fiangonana no miara-dalana amin’ny olombelona manontolo sy miara-mizaka ny anjara fiainana ara-nofon’izao tontolo izao ; toy ny lalivay izy, ary mova tsy aina mamelona ny fikambanan’ny olombelona antsoina hihavao ao amin’i Kristy sy hiova ho fianakavian’Andriamanitra” FAA 40, § 2.. Ny ezaka amin’ny maha-misiônera izany, dia mitaky faharetana. Manomboka amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny vahoaka sy amin’ireo vondron’olona izay tsy mbola mino an’i Kristy izany jer. RM 42-47. ; avy eo mitohy amin’ny fananganana ankohonana kristianina, izay tokony ho “famantarana ny maha-eo amin’izao tontolo izao an’ Andriamanitra” FAA 15., sy amin’ny fanorenana ny Fiangonana eo an-toerana jer. RM 48-49. ; mampiditra ny fizotran’ny fampanaraham-bolon-tany ny kolontsaina, mba hahatonga nofo ny Vaovao Mahafaly ao amin’ireo kolontsaim-pirenena jer. RM 52-54. ; tsy tokony ho hadinoina ny mahatsapa koa ny tsy fahombiazana. “Ny amin’izay mikasika ny olombelona, ny vondron’olona ary ny vahoaka, dia miandalana no ahatratran’ny Fiangonana azy ireo sy ahatafidirany ao amin’izy ireo, ary izakany ao aminy azy ireo araka izany, ho katôlika tanteraka” FAA 6..
Ny fanirahana ny Fiangonana dia mila ezaka ho amin’ny firaisan’ny kristianina jer. RM 50.. Satria, “ny fisaraham-bazana eo amin’ny samy kristianina dia misakana ny Fiangonana tsy hahatanteraka ny hafenoan’ny maha-katôlika, izay toetrany manokana ao amin’ireo zanany, izay marina fa azy tamin’ny alalan’ny Batemy, nefa tafasaraka amin’ny fiombonana tanteraka aminy. Ary na ho an’ny tenan’ny Fiangonana ihany aza, manjary sarotra kokoa ny maneho amin’ny endriny rehetra ny hafenoan’ny maha-katôlika eo amin’ny tena fiainany marina” EK 4..
Ny lahasa maha-misiônera dia mila fifanakalozan-kevitra amim-panajana eo amin’ireo izay tsy mbola manaiky ny Vaovao Mahafaly jer. RM — Redemptoris Mater.. Ny mpino dia afaka maka tombon-tsoa ho an’ny tenan’izy ireo ihany avy amin’io fifanakalozan-kevitra io amin’ny fianarana hahalala tsaratsara kokoa “izay rehetra efa misy ny fahamarinana sy ny fahasoavana ao amin’ireo firenena ho porofon’ny maha-eo an’Andriamanitra amin’ny fomba miafina” FAA 9.. Raha mitory ny Vaovao Mahafaly amin’ireo izay tsy mahalala izany izy ireo, dia ny mba hanamafy, hameno ary hanandratra ny marina sy ny soa izay afafin’Andriamanitra eo anivon’ny olombelona sy ny vahoaka, ary mba handiovana azy ireo amin’ny fahadisoan-kevitra sy ny faharatsiana “ho voninahitr’ Andriamanitra, ho henatry ny demony ary ho fahasambaran’ny olombelona” FAA 9..
IV.Apôstôlika ny Fiangonana
Apôstôlika ny Fiangonana satria naorina eo ambonin’ny apôstôly, ary mirakitra hevitra telo izany : - naorina ary mbola miorina hatrany eo “ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly” izy (Efez 2,20) jer. Apôk 21,14., dia ireo vavolombelona nofidin’ny Tenan’i Kristy ihany sy nirahiny hanatanteraka ny iraka jer. Mt 28,16-20; Asa 1,8; 1 Kôr 9,1; 15,7-8; Gal 1,1; sns. ; - izy no mitahiry sy mampita, miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy izay monina ao aminy, ny fampianarana jer. Asa 2,42., ny tahiry tsara, ny teny marina heno tamin’ny apôstôly jer. 2 Tim 1,13-14. ; - tsy mitsahatra ampianarina, amasinina ary tantanan’ny apôstôly izy mandra-piverin’i Kristy, noho ireo izay mandimby azy ireo amin’ny fiadidiana pastôraly sahanin’izy ireo : ny fiombonam-piadidian’ireo Eveka “ampian’ireo Pretra, miombona amin’ny dimbin’i Piera, mpiandry ondry fara tampon’ny Fiangonana” FAA 5.: Ry Ray mandrakizay ô, tsy mandao ny andian’ondrinao Ianao fa miandry azy Ianao amin’ny alalan’ny apôstôlinao sambatra eo ambany fiarovanao maharitra. Mbola mitarika azy Ianao amin’ny alalan’ireo mpiandry ondry ireo ihany izay manohy ny asan’ny Zanakao ankehitriny MR, Prefasin’ny apôstôly..
Ny fanirahana ny apôstôly
Iraky ny Ray i Jesoa. Hatrany am-piandohan’ny raharaham-pamonjeny Izy no “niantso ireo izay tiany hantsoina hankeo Aminy, ary nanendry Roa ambin’ny folo lahy tamin’izany hiara-kitoetra Aminy sy hirahiny hitory teny” (Mk 3,13-14). Koa noho izany, izy ireo no “iraka” irahiny (izay dikan’ny teny grika hoe apostoloi). Ao amin’izy ireo no mitohy ny asa nanirahana ny Tenan’i Jesoa : “Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo koa” (Jo 20,21) jer. Jo 13,20; 17,18.. Koa ny andraiki-panompoan’izy ireo àry dia ny fanohizana ny asa nanirahana ny Tenan’i Jesoa : “Izay mandray anareo, mandray Ahy”, hoy Izy tamin’ny Roa ambin’ny folo lahy (Mt 10,40) jer. Lk 10,16..
Nampiraisin’i Jesoa amin’ny fanirahana Azy noraisiny avy amin’ny Ray izy ireo : satria “tsy mahazo manao na inona na inona ho an’ny Tenany ihany ny Zanaka” (Jo 5,19.30) fa mandray ny zavatra rehetra avy amin’ny Ray izay naniraka Azy, tahaka izany ireo izay irahin’i Jesoa dia tsy afa-manao na inona na inona raha tsy Izy jer. Jo 15,5. izay andraisan’izy ireo ny fahefana amin’ny fanirahana sy ny fahefana hanatanteraka izany. Koa fantatry ny apôstôlin’i Kristy àry fa izy ireo dia voahosotr’Andriamanitra ho “mpandraharaha masin’ny fanekem-pihavanana vaovao” (2 Kôr 3,6), “mpandraharaha masin’Andriamanitra”( 2 Kôr 6,4), “masoivohon’i Kristy” (2 Kôr 5,20) “mpanompon’i Kristy sy mpizara ny misterin’Andriamanitra” (1 Kôr 4,1).
Amin’ireo fiadidian’ny apôstôly, dia misy sehon-javatra iray tsy mety ampitaina : ny nifidianana azy ireo ho vavolombelon’ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona sy ho vato fototry ny Fiangonana. Kanefa misy koa ny sehon-javatra maharitra eo amin’ny fiadidian’izy ireo. Nampanantena azy ireo i Kristy fa ho eo amin’izy ireo ambara-pahatongan’ny farandro jer. Mt 28,20.. “Ny fanirahan’Andriamanitra nankinin’i Jesoa tamin’ny apôstôly dia natao haharitra hatramin’ny faran’ny taonjato rehetra, satria ny Evanjely izay tsy maintsy ampitain’izy ireo, ho an’ny Fiangonana, no fototry ny fiainany manontolo, mandritra ny faharetan’ny fotoana rehetra. Izany no nahatonga ny apôstôly nikarakara ny fananganana (…) mpandimby azy ireo” FF 20..
Ny Eveka dimbin’ny apôstôly
”Mba hitohizan’ny fanirahana nankinina tamin’ny apôstôly aorian’ny fahafatesan’ izy ireo, dia nanome fahefana toy ny fara hafatra tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky izy ireo, mba hamita ny lahasan’izy ireo sy hanamafy ny tsanganasa natombok’izy ireo, tamin’ny nanafarana azy ireo hiahy ny andian’ondry izay amin’izany no nanendren’ny Fanahy Masina azy ireo hamahana ny Fiangonan’ Andriamanitra. Koa noho izany nanangana olona ho amin’ity sokajy ity izy ireo, ary taty aoriana, nanapaka fa aorian’ny fahafatesan’izy ireo, dia olona hafa voazaha toetra no handray ny andraiki-panompoan’izy ireo” FF 20; jer. koa Md Clément de Rome, Cor. 42; 44..
”Tahaka ilay adidy aman’andraikitra nankinin’ny Tenan’ny Tompo tamin’i Piera, ilay voalohany amin’ny apôstôly, sy natokana hampitaina amin’ireo mpandimby azy, natao ho adidy aman’andraikitra maharitra, no mampaharitra toy izany koa ny adidy aman’andraikitra nankinina tamin’ny apôstôly ho mpitondra Fiangonana, adidy aman’andraikitra izay ny filaharana masin’ny Eveka no tsy maintsy miantoka ny faharetany lalandava.” Izany no antony ampianaran’ny Fiangonana fa “ny Eveka, noho ny lalàna fototra naorin’Andriamanitra, no mandimby ny apôstôly ho mpitondra Fiangonana, hany ka ireo izay mihaino azy ireo, mihaino an’i Kristy, izay mandà azy ireo, mandà an’i Kristy sy Ilay izay naniraka an’i Kristy” FF 20..
Ny apôstôlà
Apôstôlika ny Fiangonana manontolo noho izy maharitra ao anatin’ny fiombonam-pinoana amam-piainana hatramin’ny fiandohany, amin’ny alalan’ny dimbin’i Md Piera sy ny apôstôly. Apôstôlika ny Fiangonana manontolo noho izy “irahina” manerana an’izao tontolo izao ; ny rantsambatana rehetra ao amin’ny Fiangonana, na dia samihafa aza ny fomba, dia mandray anjara amin’izany fanirahana izany. “Ny fiantsoana kristianina dia midika koa amin’ny fomba aman-toetra maha-izy azy fa fiantsoana ho amin’ny apôstôlà.” Ny antsoina hoe “apôstôlà”, dia “ny raharaha rehetra ataon’ny Vatana mistika” izay miezaka “hanitatra ny fanjakan’i Kristy manerana ny tany” APL 2..
“I Kristy nirahin’ny Ray no loharano sy fiandohan’ny apôstôlà rehetra ataon’ny Fiangonana”, koa miharihary fa ny fahavokaran’ny apôstôlà, na ny an’ny mpandraharaha voahosotra na ny an’ny lahika, dia miankina amin’ny fiombonan’izy ireo aina amin’i Kristy jer. Jo 15,5; APL 4.. Arakaraka ny fiantsoana, ny antso takìn’ny vaninandro, ny fanomezan-tsamihafa avy amin’ny Fanahy Masina, no ahazoan’ny apôstôlà endrika samihafa indrindra. Kanefa ny fitiavana lalandava, tovozina indrindra ao amin’ny Eokaristia, no “toy ny ain’ny apôstôlà rehetra” APL 3..
Iray, masina, katôlika ary apôstôlika ny Fiangonana, ao amin’ny maha-izy azy lalina sy farany, satria ao aminy no efa misy rahateo sy ho tanteraka amin’ny farandro “ ny Fanjakan’ny lanitra”, “ny Fahefan’Andriamanitra manjaka” jer. Apôk 19,6., tonga ao amin’ny Tenan’i Kristy sy mitombo amin’ny fomba mistery ao am-pon’ireo izay voakambana Aminy, ambara-piharihariny tanteraka any am-parany any. Koa noho izany, ny olombelona rehetra navotany, voaverina ao Aminy ho “masina sy madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehan’Andriamanitra anatin’ny Fitiavana” jer. Efez 1,4., dia hangonina ho Vahoaka tokan’Andriamanitra, “ho Vadin’ny Zanak’Ondry” (Apôk 21,9) “ho Tanàna masina nidina avy any an-Danitra, avy amin’Andriamanitra, mitondra ao aminy ny Voninahitr’Andriamanitra” jer. Apôk 21,10-11.; ary “ny mandan’ny tanàna dia miorina eo ambonin’ny vato fanorenana roa ambin’ny folo samy mitondra ny anarana tsirairay an’ireo apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’Ondry” (Apôk 21,14).
Iray ny Fiangonana : tsy manana afa-tsy Tompo iray izy, tsy miaiky afa-tsy finoana iray izy, tsy nateraka afa-tsy tamin’ny Batemy iray izy, tsy mamorona afa-tsy Vatana iray izy, velomin’ny Fanahy iray, ho amin’ny fanantenana iray jer. Efez 4,3-5. ka amin’izany fiteny izany no ho resy ny fitsitokotokoana rehetra.
Masina ny Fiangonana : ilay Andriamanitra masina indrindra no mpamorona azy; i Kristy, Vadiny, no nanolo-tena ho azy mba hanamasina azy; ny Fanahin’ny fahamasinana no mamelon’aina azy. Na dia mbola misy mpanota aza ao aminy, dia izy no “ilay tsy misy fahotana natao ho an’ny mpanota”. Ao amin’ireo olomasina no mamirapiratra ny fahamasinany ; ao amin’i Maria izy no efa masina manontolo rahateo.
Katôlika ny Fiangonana : mitory ny finoana manontolo izy ; mitondra ao aminy sy mizarazara ny hafenoan’ny fitaovam-pamonjena izy ; irahina ho amin’ny firenena rehetra izy ; manatona ny olombelona rehetra izy ; manerana ny fotoana rehetra izy ; “misiônera AFF 2. no fomba aman-toetra tena maha-izy azy”.
Apôstôlika ny Fiangonana : naorina eo ambonin’ny fototra maharitra izy : “ny apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’Ondry” jer. Apôk 21,14. ; tsy mety rava izy jer. Mt 16,18.; maharitra amin’ny fahamarinana amin’ny tsy feteza-mandiso izy; i Kristy no mitondra azy amin’ny alalan’i Piera sy ireo apôstôly hafa, ary eo amin’ny dimbin’izy ireo, dia ny Papa sy ny fiombonam-piadidian’ireo Eveka.
“Ny Fiangonana tokan’i Kristy izay ambarantsika ampahibemaso ao amin’ny Semboly fa iray, masina, katôlika ary apôstôlika (…), dia ao amin’ny Fiangonana katôlika no misy azy, tantanan’ny dimbin’i Piera sy ireo Eveka miombona aminy, na dia maro be aza ireo singafototry ny fahamasinana sy ny fahamarinana mitoetra any ivelan’ny rafitra ijoroany” FF 8..
Paragrafy 4. Ny mpinon’i Kristy Ambaratongam-pitondrana, lahika, fanokanam-piainana
“Ny mpinon’i Kristy, noho izy ireo voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy, dia ireo izay mitambatra ho Vahoakan’Andriamanitra, ary noho io antony io, mandray anjara araka ny fomban’izy ireo amin’ny raharaha maha-mpisorona, maha-mpaminany ary maha-mpanjaka an’i Kristy, dia voantso, samy araka ny fomba fiainany manokana avy, hisahana ny fanirahana nankinin’Andriamanitra tamin’ny Fiangonana mba hanatontosany izany eo amin’izao tontolo izao” CIC, can. 204, § 1; jer. koa FF 31..
“Eo amin’ireo mpinon’i Kristy, noho ny fihavaozan’izy ireo ao amin’i Kristy, raha ny amin’ny fahamendrehana sy amin’ny asa fanao, dia misy fitoviana marina tokoa, izay amin’izany no ifarimbonan’izy rehetra amin’ny fandrafetana ny Vatan’i Kristy, araka ny fomba fiainana sy ny anjara raharahan’ny tsirairay manokana” CIC, can. 208; jer. koa FF 32..
Ny tsy fitoviana izay sitraky ny Tompo mihitsy ny nametraka izany teo amin’ny rantsambatan’ny Vatany dia manampy amin’ny firaisany sy ny fanirahana azy. Satria, “maro ny andraiki-panompoana misy ao amin’ny Fiangonana, nefa tokana ny fanirahana. Nankinin’i Kristy tamin’ny apôstôly sy amin’ny dimbin’izy ireo ny fiadidiana hampianatra sy hanamasina ary hitondra amin’ny anarany sy amin’ny alalan’ny fahefany. Fa ny lahika nomena anjara adidy aman’andraikitra amin’ny maha-mpisorona, maha-mpaminany ary maha-mpanjaka an’i Kristy, dia mizaka ao amin’ny tenany ny anjara tandrify azy amin’izay fanirahana ny Vahoakan’ Andriamanitra manontolo, ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’izao tontolo izao” APL 2.. Farany, misy “mpino izay ao amin’ny sokajin’ny an-daniny sy ny an-kilany [ambaratongam-pitondrana sy lahika], izay noho ny fanaovana voady hanaraka ny torohevitry ny Evanjely (…), dia manokam-piainana ho an’Andriamanitra sy miara-miasa amin’ny asam-pamonjena anirahana ny Fiangonana araka ny fomban’izy ireo manokana avy” CIC, can. 207, § 2..
I.Fanorenana ny ambaratongam-pitondrana ny Fiangonana
Inona no anton’ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana ?
Izy Kristy ihany no loharano ipoiran’ny andraiki-panompoana ao amin’ny Fiangonana. Izy no nanorina azy, nanome azy fahefana sy fanirahana, torolalana sy tanjom-piafaràna :
I Kristy Tompo, mba hiantoka ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny mpiandry ondry sy ny fomba fitomboany, dia nanorina ao amin’ny Fiangonany ny andraiki-panompoana samihafa izay mikendry ny soa ho an’ny vatana manontolo. Satria, ireo mpandraharaha masina izay afaka mampiasa ny fahefana masina, dia milatsa-tenany hanompo ny rahalahiny, ka izay rehetra anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra (…) dia mba ho tody any amin’ny famonjena FF 18..
“Atao ahoana no fino izay tsy mbola re aloha ? Atao ahoana no fandre raha tsy misy mpitoriteny ? Ary atao ahoana no fitory teny raha tsy misy irahina aloha ?” (Rôm 10,14-15). Tsy misy na iza na iza, na singan’olona na vondrom-piangonana, afaka hitory amin’ny tenany ihany ny Evanjely. “Avy amin’ny toriteny ny finoana” (Rôm 10,17). Tsy misy na iza na iza afaka manome ho an’ny tenany ihany ny fahefana sy ny fanirahana hitory ny Evanjely. Miteny sy miasa ny iraky ny Tompo, tsy avy amin’ny fahefan’ny tenany manokana, fa noho ny fahefana avy amin’i Kristy; tsy amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny vondrom-piangonana, fa amin’ny fitenenana azy amin’ny anaran’i Kristy. Tsy misy na iza na iza afaka manolotra ho an’ny tenany ihany ny fahasoavana, fa tsy maintsy ampahafantarina sy atolotra izany. Mila mpandraharahan’ny fahasoavana, nahazo lalana sy nahazo fahefana ara-dalàna avy amin’i Kristy izany. Avy Aminy no andraisan’ireo Eveka sy ireo Pretra ny fanirahana sy ny fahazoana (ny “fahefana masina”) miasa in persona Christi Capitis (ao amin’ny Tenan’i Kristy Loha), andraisan’ireo Diakra ny hery enti-manompo ny vahoakan’Andriamanitra ao amin’ny “fanompoana” amin’ny litorzia, ny teny sy ny fifankatiavana, miombona amin’ny Eveka sy ny fivondronan’ny Pretrany. Io andraiki-panompoana io izay anaovan’ny irak’i Kristy sy anomezany ny fanomezan’Andriamanitra izay tsy azon’izy ireo atao sy omena avy amin’ny tenan’izy ireo fotsiny, no antsoin’ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana hoe “sakramenta”. Ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana dia omena amin’ny alalan’ny sakramenta manokana.
Ny fifamatorana anaty amin’ny toetra maha-sakramenta ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana no endrika mampiavaka ny asa fanompoany. Satria, amin’ny fiankinana tanteraka amin’i Kristy izay manome iraka sy fahefana no tena mpanompon’i Kristy tokoa ny mpandraharaha masina jer. Rôm 1, 1., amin’ny endrik’i Kristy izay naka tamin-kalalahana ho antsika “ny fomban’ ny mpanompo” (Filip 2,7). Satria ny teny sy ny fahasoavana izay izy ireo no mpandraharaha masina amin’izany, dia tsy azy ireo, fa an’i Kristy izay nanankina izany tamin’izy ireo mba ho an’ny hafa, ka manjary mpanompon’ ny rehetra amin-kalalahana izy ireo jer. 1 Kôr 9,19..
Torak’izany, misy manana endrika fiombonam-piadidiana, ny toetra maha-sakramenta ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana. Satria, hatrany am-piandohan’ny raharaham-pamonjeny i Jesoa Tompo no nanendry ny Roa ambin’ny folo lahy, “tsirin’i Israely Vaovao sady koa fiandohan’ny ambaratongam-pitondrana masina” AFF 5.. Nofidìna miaraka izy ireo, ka nirahiny miaraka koa, ary ny firaisana maha-mpiray tam-po ara-pinoana azy ireo dia ho amin’ny asa fampiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana ny mpino rehetra; ho toy ny taratra sy porofon’ny fiombonan’ireo Olona-Andriamanitra izany firaisan’izy ireo izany jer. Jo 17,21-23.. Araka izany, ny Eveka rehetra dia manao ny andraiki-panompoany eo anivon’ny fiombonam-piadidiana maha-eveka, miombona amin’ny Evekan’i Rôma, dimbin’i Md Piera sy filohan’ny fiombonam-piadidiana ; ny Pretra dia manao ny andraiki-panompoan’izy ireo eo anivon’ny fivondronan’ny maha-pretra eo amin’ny diôsezy, eo ambany fitondran’ny Evekan’izy ireo.
Farany, misy manana endrika an’ny tsirairay, ny toetra maha-sakramenta ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana. Raha miasa amin’ny fiombonana ny mpandraharahan’i Kristy, dia miasa lalandava koa amin’ny tsirairay. Ny isam-batan’olona dia voantso tsirairay hoe : “Ianao, manaraha Ahy” (Jo 21, 22) jer. Mt 4,19.21; Jo 1,43., mba ho vavolombelona tsirairay, eo amin’ny asa fanirahana iombonana, amin’ny fiantsorohan’ny isam-batan’olona ny andraikitra eo anoloan’Ilay izay manome ny fanirahana, sy amin’ny fiasany “ao amin’ny tenany” sy ho an’ny olona : “Izaho manao batemy anao amin’ny anaran’ny Ray …”; “Izaho mamela ny fahotanao …”
Koa ny andraiki-panompoana ara-tsakramenta ao amin’ny Fiangonana àry dia raharaha atao amin’ny anaran’i Kristy. Manana toetra an’ny tsirairay izy sady manana endrika fiombonam-piadidiana. Voamarina izany amin’ny fifamatorana misy eo amin’ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny dimbin’i Md Piera, ary amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny andraikitra maha-mpiandry ondry ny Eveka ho an’ny Fiangonany eo an-toerana sy amin’ny fiahiana iombonana amin’ny fiombonam-piadidiana maha-eveka ho an’ny Fiangonana Manerana ny tany tontolo.
Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa
I Kristy, tamin’ny nanendreny ny Roa ambin’ny folo, dia “nanangana azy ireo ho fiombonam-piadidiana, izany hoe ho vondrona maharitra, ary nametraka an’i Piera izay nofidiny teo anivon’izy ireo ho filohan’izy ireo” FF 19.. “Tahaka ny nanendren’ny Tompo an’i Md Piera sy ireo Apôstôly sisa, hitambatra ho fiombonam-piadidiana maha-apôstôly tokana ihany, no ifampiraisan’ny Evekan’i Rôma, dimbin’i Md Piera, sy ny Eveka rehetra, dimbin’ny apôstôly, amin’izy ireo samy izy ireo” FF 22; jer. koa CIC, can. 330..
Ny Tompo no nanao an’i Simôna irery, izay nomeny anarana hoe Piera, ho vatolampin’ny Fiangonany. Tamin’izany no nanomezany azy ny fanalahidy jer. Mt 16,18-19.; Izy no nametraka azy ho mpiandry ny andian’ondry manontolo jer. Jo 21,15-17.. “Kanefa ilay adidy aman’andraikitra hamehy sy hamaha izay nomena an’i Piera, dia nomena koa, tsy misy isalasalana, ny fiombonam-piadidian’ireo apôstôly miray amin’ny filohan’izy ireo” FF 22.. Io adidy aman’andraikitra maha-mpiandry ondry an’i Piera sy ireo apôstôly hafa io, dia anisan’ny fototra iorenan’ny Fiangonana. Tohizin’ny Eveka izany eo ambany fahefan’ny Papa amin’ny Fiangonana manontolo.
Ny Papa, Evekan’i Rôma sy dimbin’i Md Piera, “no fototra maharitra sy hita maso ary fanorenana ny firaisana izay manakambana azy ireo amin’ny samy izy ireo, na Eveka, na ny mpino maro be” FF 23.. “Satria, ny Evekan’i Rôma, ao amin’ny Fiangonana, noho ny adidy aman’andraikitra ny maha-Vikeran’i Kristy sy ny maha-Mpitondra Fiangonana manontolo azy, dia manana fahefana feno, ambony indrindra ary manerana ny tany tontolo izay azony ampiasaina lalandava amin-kalalahana” FF 22; jer. koa AE 2; 9..
“Ny fiombonam-piadidiana na vondron’ny maha-eveka, dia tsy manana fahefana raha tsy fantatra fa tena mikambana amin’ny Evekan’i Rôma, amin’ny maha-filohany azy. Tahaka izany, io fiombonam-piadidiana io, no “fototry ny fahefana fara tampony sy feno koa eo amin’ny Fiangonana manontolo, fahefana izay tsy azo ampiasaina anefa, raha tsy miaraka amin’ny fankatoavan’ny Evekan’i Roma” FF 22; jer. koa CIC, can. 336..
“Ny Fiombonam-piadidian’ireo Eveka dia mampiasa ny fahefana eo amin’ny Fiangonana manontolo amin’ny fomba manetriketrika ao amin’ny Kônsily Ekiomenika” CIC, can. 337, § 1.. “Tsy misy ny Kônsily Ekiomenika raha toa ka tsy nohamafisin’ny dimbin’i Piera izany, na fara fahakeliny nekeny” FF 22..
“Amin’ny maha-fitambaran’olona maro karazana azy, io fiombonam-piadidiana io no mampiseho ny maha-samihafa sy ny maha-manerana ny tany tontolo ny Vahoakan’Andriamanitra ; izy no mampiseho, amin’ny alalan’ny famoriany ho eo ambanin’ny filoha iray ihany, ny maha-tokana ny andian’ondrin’i Kristy” FF 22..
“Ireo Eveka, araka ny anjara asany avy, no fototra sy fanorenana ny firaisana ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana iandraiketan’izy ireo” FF 23.. Araka izany no “ampiasan’izy ireo ny fahefana maha-mpiandry ondry azy eo amin’ny ampahan’ny Vahoakan’Andriamanitra izay ankinina amin’izy ireo” FF 23., ampian’ny Pretra sy ny Diakra. Kanefa, amin’ny maha-mpikambana azy ao anatin’ny fiombonam-piadidiana maha-eveka, ny tsirairay amin’izy ireo dia manana anjara fiahiana ny Fiangonana manontolo jer. AE 3., izay ampiasainy aloha “amin’ny fitondrana tsara ny Fiangonany manokana izay ampahany amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo”, amin’izany no andraisany anjara “amin’ny fanasoavana ny Vatana mistika manontolo izay Vatan’ny Fiangonana koa” FF 23.. Io fiahiana io dia hampitomboina manokana amin’ireo mahantra jer. Gal 2,10., amin’ireo enjehina noho ny finoana, ary koa amin’ireo misiônera izay miasa manerana ny tany.
Ny Fiangonana eo an-toerana mifanakaiky sy mitovy kolontsaina no mitambatra ho fari-piadidiam-piangonana na vondrom-paritra midadasika antsoina hoe patriarkà na faritany jer. Canon des apôtres 34.. Ny Eveka amin’ireo vondrom-paritra ireo dia afaka mivory amin’ny sinôda na amin’ny kônsilim-paritany. “Tahaka izany, ny Fivondronan’ny Eveka, ankehitriny, dia afaka manampy amin’ny fomba maro sy mahavokatra mba ho hita mivaingana ny toe-tsaina amam-panahin’ny fiombonam-piadidiana” FF 23..
Ny adidy aman’andraikitra hampianatra
Ny Eveka, miaraka amin’ny Pretra, mpiara-miasa aminy, “dia manana ho voalohan-dahasa hitory ny Evanjelin’Andriamanitra amin’ny olombelona rehetra” RFP 4., araka ny baikon’ny Tompo jer. Mk 16,15.. Izy ireo no “mpanao antso avo ny finoana, izay mitondra mpianatra vaovao eo amin’i Kristy, izy ireo no mpampianatra marina” ny finoana apôstôlika, “manana ny fahefan’i Kristy” FF 25..
Mba hitazonana ny Fiangonana ao anatin’ny finoana madio tsy misy fahony nampitain’ny apôstôly, dia sitrak’i Kristy ny nanome ny Fiangonany ny fandraisana anjara amin’ny tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana ananan’ny tenany, Izy ilay Fahamarinana. Amin’ny “hevi-pinoana mihoatra ny fahalalan’ny sain’ olombelona”, ny Vahoakan’Andriamanitra dia “miraiki-po maharitra amin’ny finoana”, eo ambany fitarihan’ny Toniam-pampianarana velon’ny Fiangonana jer. FF 12; FA 10..
Ny anton-draharaha ny Toniam-pampianarana dia mifamatotra amin’ny toetra raikitry ny fanekem-pihavanana naorin’Andriamanitra ao amin’i Kristy miaraka amin’ny Vahoakany ; izy no tsy maintsy miaro azy amin’ny fivaonan-kevitra sy amin’ny faharerahan-tsaina, ary miantoka azy amin’ny fahazoana, tsapa ety ivelany, manambara tsy misy diso ny finoana marina. Ny adidy aman’andraikitra pastôralin’ ny Toniam-pampianarana, araka izany, dia nalamina mba hitandremana amin’ny tsy hialan’ny Vahoakan’Andriamanitra ao anatin’ny fahamarinana izay manafaka. Mba hanatanterahana io asa io, dia nomen’i Kristy ny mpiandry ondry ny fanomezam-pahasoavana amin’ny tsy feteza-mandiso momba ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena. Ny fampiasana io fanomezam-pahasoavana io dia mety maka endrika amin’ny fombafomba maro :
“Izany tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana izany, dia ananan’ny Evekan’i Rôma, filohan’ny fiombonam-piadidian’ireo Eveka, ary ampiasainy rahefa manambara, amin’ny raki-tsoratra raikitra, lafim-pitambaram-pampianarana iray mahakasika ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena izy, noho ny fiadidiana maha-mpiandry ondry sy maha-mpampianatra fara tampony ny mpino rehetra azy, sy noho izy nampandraiketana ny fanamafisana ny rahalahiny amin’ny finoana (…). Ny tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana izay nampanantenaina ny Fiangonana dia miorina koa ao amin’ny vondron’ireo Eveka, rahefa ampiasainy ny Fahefana maha-mpampianatra fara tampony azy miombona amin’ny dimbin’i Piera”, indrindra amin’ny Kônsily Ekiomenika FF 25; jer. koa Vatikana I: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny Fiangonana, amin’ny Toniam-pampianarany fara tampony, rahefa manolotra zavatra “inoana ho nambaran’ Andriamanitra” FA 10. sy araka ny fampianaran’i Kristy, dia “tsy maintsy araikitra ao anatin’ny fanekem-pinoana amin’ny famaritana toy izany” FF 25.. Io tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana io dia miitatra lavitra toy ny tahirin’ny Fanambaràn’ Andriamanitra ihany koa jer. FF 25.
Ny fanampian’Andriamanitra dia mbola nomena koa an’ireo dimbin’ny apôstôly, miaraka amin’ny dimbin’i Piera, rahefa mampianatra izy ireo, sy, amin’ny fomba manokana ho an’ny Evekan’i Rôma, Mpitondra ny Fiangonana manontolo, raha manolotra fampianarana izay mitondra ho amin’ny fahalalana tsaratsara kokoa ny Fanambaràna ny amin’ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena izy ireo, amin’ny fampiasana ny Fahefa-mampiana-pinoana andavanandro, na dia tsy tonga amin’ny fanoritana ny tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana aza, sy tsy manapa-kevitra “amin’ny fomba raikitra”. Tokony “hanome ny fankatoavam-pivavahana avy amin’ny fisainany, amin’io fampianarana tsotra io ny mpino” FF 25., ka na miavaka amin’ny fankatoavam-pinoana aza izany, dia manohy azy kosa.
Ny adidy aman’andraikitra hanamasina
Ny Eveka dia miantsoroka koa “ny fiandraiketana hizara ny fahasoavana amin’ny maha-mpisorona fara tampony” FF 26., indrindra amin’ny Eokaristia izay atolotry ny tenany na izay iantohany amin’ny fanatitry ny Pretra, mpiara-miasa aminy. Satria ny Eokaristia no votoatin’ny fiainan’ny Fiangonana eo an-toerana. Ny Eveka sy ny Pretra dia manamasina ny Fiangonana amin’ny alalan’ny vavak’izy ireo sy ny asan’izy ireo, amin’ny alalan’ny andraiki-panompoana ny teny sy ny sakramenta. Manamasina azy izy ireo amin’ny oha-piainan’izy ireo, “tsy amim-pizakazakana amin’ny anjara fiandrasana, fa amim-pisehoana ho môdelin’ny andian’ondry” (1 Pi 5,3). Amin’izany “ izy ireo no ho tody, miaraka amin’ny andian’ondry nankinina tamin’izy ireo, any amin’ny fiainana mandrakizay” FF 26..
Ny adidy aman’andraikitra hitondra
“Ireo Eveka no mitantana ny Fiangonan’izy ireo eo an-toerana toy ny vikera sy masoivohon’i Kristy amin’ny alalan’ny torohevitr’izy ireo, ny fandrisihan’izy ireo, ny oha-piainan’izy ireo, nefa koa amin’ny alalan’ny fahefan’izy ireo sy amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahefana masin’izy ireo” FF 27., izay tokony ho ampiasain’izy ireo ho amin’ny hatsaram-pitondran-tena, ao anatin’ny toe-tsaim-panompoana izay an’ny Tompon’izy ireo jer. Lk 22,26-27..
“Io fahefana izay iantsorohan’ny tenan’izy ireo mihitsy amin’ny anaran’i Kristy io dia fahefana azy manokana, ara-dalàna ary eo no eo mivantana : na izany aza, ny fampiharany izany dia miankina amin’ny fandaminana faran’ny fahefana fara tampony ao amin’ny Fiangonana” FF 27.. Kanefa, tsy azo atao hoe vikeran’ny Papa ireo Eveka, satria ny fahefana ifehezan’ny Papa andavanandro sy eo no eo mivantana ny Fiangonana manontolo, dia tsy manafoana fa manamafy sy miaro ny fahefan’izy ireo. Io fahefana io dia tsy maintsy atao mivelatra ao anatin’ny fiombonana miaraka amin’ny Fiangonana manontolo eo ambany fitondran’ny Papa.
Ny Mpiandry ondry tsara no ho môdely sy “endriky” ny fiadidian’ny maha-mpiandry ondry ny Eveka. Amin’ny fahatsapany ny fahalemeny “ny Eveka no afaka miseho ho be indrafo manoloana ireo tsy mahalala sy mania. Aoka tsy hadikidiky azy ny mihaino ireo izay miankina aminy, amin’ny fambombàna azy ireo ho toy ny tena zanaka tokoa (…). Raha ny amin’ny mpino, dia tokony hiraiki-po amin’ny Evekany izy ireo tahaka ny Fiangonana amin’i Jesoa-Kristy ary tahaka an’i Jesoa-Kristy amin’ny Rainy” FF 27. :
Arahonareo rehetra ny Eveka, tahaka an’i Jesoa-Kristy [manaraka] ny Rainy, sy ny fivondronan’ny maha-pretra tahaka ny apôstôly; raha ny amin’ireo Diakra, hajaonareo izy toy ny lalànan’Andriamanitra. Aoka tsy hisy olona, raha tsy nahazo lalana avy amin’ny Eveka, hanao na inona na inona amin’izay mikasika ny Fiangonana Md Ignace d’Antioche, Smyrn. 8,1..
II.Ny mpino lahika
“Ny antsoina hoe lahika eto, dia ny kristianina ankapobeny afa-tsy ireo mpikambana ao amin’ny filaharana masina sy ny fiainan-drelijiozy ankatoavin’ny Fiangonana, izany hoe ny kristianina, izay voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy, tafiditra ho anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo, natao ho mpandray anjara araka ny fomban’izy ireo amin’ny raharaha maha-mpisorona, maha-mpaminany ary maha-mpanjaka an’i Kristy, ka misahana araka ny anjaran’izy ireo, ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’izao tontolo izao, ny fanirahana izay an’ny vahoaka kristianina manontolo” FF 31..
Ny fiantsoana ny lahika
“Ny fiantsoana manokana ny lahika dia mifototra amin’ny fikatsahana ny fanjakan’ Andriamanitra, indrindra amin’ny fiandraiketam-pitantanana ny zavatra ara-nofo eto tany izay alamin’izy ireo araka an’Andriamanitra (…). Anjaran’izy ireo, amin’ny fomba manokana, ny manazava sy ny mampitodika ireny zava-misy rehetra ara-nofo eto an-tany ireny izay ifandraisany lalina, hany ka hihatsara sy hiroborobo lalandava araka an’i Kristy izy ireny sy mba ho fiderana ny Mpahary sy Mpanavotra” FF 31..
Ny fahaiza-misanta-javatra eo amin’ny kristianina lahika dia ilaina manokana raha hahitana zava-baovao, hamoronana fomba hoenti-mamonto ny zava-misy ara-tsôsialy, ara-pôlitika, ara-piharian-karena, araka izay fitakian’ny fitambaram-pampianarana sy ny fiainana kristianina. Izany fahaiza-misanta-javatra izany dia singafototra ara-dalàna eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana :
Ny mpino lahika no eo amin’ny loha laharana kokoa amin’ny fiainan’ny Fiangonana ; amin’ny alalan’izy ireo, ny Fiangonana no foto-pahaveloman’ny fiaraha-monina. Noho izany, izy ireo indrindra no tsy maintsy manana kônsiansy mazava kokoa lalandava, tsy hoe amin’ny maha-anisan’ny Fiangonana fotsiny, fa tena Fiangonana mihitsy, izany hoe ny fiombonan’ireo mpino eto an-tany eo ambany fitondran’ny Filoha iombonana, dia ny Papa sy ny Eveka miombona aminy. Ireo no Fiangonana Pie XII, lahateny tamin’ny 20 febroary 1946: nolazain’i Joany Paoly II, CL 9..
Satria, toy ny mpino rehetra, ireo lahika nampiandraiketin’Andriamanitra apôstôlà noho ny Batemy sy ny Fankaherezana, dia manana adidy sy manana zo, mandeha tsirairay na mivondrona amin’ny fikambanana, hiasa mba ho fantatra sy ho voarain’ny olombelona rehetra sy ny tany tontolo ny hafa-pamonjen’Andriamanitra ; mbola maika kokoa izany adidy izany raha toa ka tsy misy afa-tsy amin’ny alalan’izy ireo no ahafahan’ny olona mahaheno ny Vaovao Mahafaly sy mahalala an’i Kristy. Ao amin’ny ankohonam-piangonana, ilaina tokoa ny asan’izy ireo, fa raha tsy misy izany, dia matetika tsy afaka hitondra vokatra feno ny apôstôlà ataon’ny mpiandry ondry jer. FF 33..
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpisorona an’i Kristy
“Ny lahika, noho ny fanokanana azy ireo amin’i Kristy sy noho ny fanosoran’ny Fanahy Masina, dia nandray ny antso mampitolagaga sy ny fomba izay mamela ny Fanahy hitera-bokatra bebe kokoa hatrany ao amin’izy ireo. Satria, izay rehetra raharahan’izy ireo, fivavahan’izy ireo sy asan’apôstôly ataon’izy ireo, fiainan’izy ireo ao an-tokantrano sy ao amin’ny fianakaviana, asa mafy ataon’izy ireo isan’ andro, fialam-bolin’izy ireo ara-tsaina sy ara-batana, raha iainan’izy ireo amin’ny Fanahin’Andriamanitra, ary na dia ireo sedra-piainana aza, raha toa ka zakaina amim-paharetana, dia manjary “fanati-panahy ankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy” (1 Pi 2,5) izany rehetra izany ; ary amin’ny fankalazana ny Eokaristia, ireny fanatitra ireny dia akambana amin’ny fanolorana ny Vatan’ny Tompo mba hatolotra amim-pitiavam-bavaka manontolo amin’ny Ray. Dia toy izany no anokanan’ny lahika an’izao tontolo izao ho an’Andriamanitra, amin’ny fanaovana vavaka fitsaohana an’Andriamanitra, na aiza na aiza, ao anatin’ny fahamasinam-piainan’izy ireo” FF 34; jer. koa FF 10..
Amin’ny fomba manokana, mandray anjara amin’ny adidy aman’andraikitra amin’ny fanamasinam-piainana ny ray aman-dreny “rahefa miaina ny maha-mpivady araka ny toe-tsaina amam-panahy kristianina sy manome ho an’ny zanany ny fanabeazana kristianina” CIC, can. 835, § 4..
Ny lahika, raha toa izy ireo ka manana ny toetra mendrika ilaina, dia mety azo raisina amin’ny fomba maharitra ho amin’ny andraiki-panompoan’ny mpamaky teny sy ny akôlita jer. CIC, can. 230, § 1.. “Eo amin’ny zavatra ilain’ny Fiangonana izay mitaky izany noho ny tsy fahampian’ireo mpandraharaha masina, ny lahika dia afaka koa, na tsy mpamaky teny sy tsy akôlita aza izy ireo, misolo toerana amin’ny anjara raharaha sasantsasany sahanin’iretsy, dia ireto avy izany : mampiasa ny andraiki-panompoana ny teny, mitarika ny fivavahana litorzika, manao batemy sy mizara ny kômonio masina, araka ny fandaminana voafaritry ny lalànan’ny Fiangonana” CIC, can. 230, § 3..
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpaminany an’i Kristy
“I Kristy (…) dia nanatontosa ny anjara raharaha maha-mpaminany Azy, tsy amin’ny alalan’ny ambaratongam-pitondrana irery ihany (…), fa koa amin’ny alalan’ny lahika izay ajorony ho vavolombelon’izany amin’ny namatsiana azy ireo ny fahalalana ny dikan’ny finoana sy ny fahasoavan’ny teny” FF 35.:
Ny mampianatra olona iray mba hitarika azy ho amin’ny finoana no lahasan’ny mpitory teny tsirairay ary na dia ny mpino tsirairay koa aza Md Thomas d’A., s.th. 3 71,4 ad 3..
Ny iraka maha-mpaminany ny lahika dia tanterahin’izy ireo koa amin’ny alalan’ny fitoriana ny Evanjely, “izany hoe ny fanambaràna an’i Kristy atao amin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelon’ny fiainana sy amin’ny alalan’ny teny”. Eo amin’ny lahika, “izany asam-pitoriana ny Evanjely izany (…) dia ahitana toetra miavaka sy fandairana manokana noho izy tontosaina amin’ny kojakojam-piainana iombonana mandavantaona” FF 35. :
Tsy mifototra amin’ny fijoroana vavolombelon’ny fiainana fotsiny, io apôstôlà io : ny tena apôstôly marina dia mitady ny fotoana azo araraotina hanambaràna an’i Kristy amin’ny alalan’ny teny, na amin’ny tsy mpino (…) na amin’ny mpino APL 6; jer. koa AFF 15..
Amin’ireo samy mpino lahika izay afaka mahavita izany sy mianatra an’izany, dia afaka mitondra ny anjara birikin’izy ireo koa amin’ny fampiofanana ara-katesezy jer. CIC, can. 774; 776; 780., amin’ny fampianarana taranjam-pahalalana masina jer. CIC, can. 229., amin’ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona jer. CIC, can. 822, § 3..
“Araka ny adidy, ny fahaizana manokana ary ny laza izay ananan’izy ireo, dia manana zo izy ireo ary indraindray aza manana adidy hanome ny hevitr’izy ireo amin’ny Mpiandry ondry voahosotra, ny amin’izay mahakasika ny soa ho an’ny Fiangonana sy ny mampahalala izany amin’ny mpino hafa, amin’ny faharetana miaro ny fahamarinana tsy misy tomika ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena ary ny fanajana tokony hatao amin’ireo mpiandry ondry, sy amin’ny fiheverana ny tombon-tsoa iombonana sy ny fahamendrehan’ny olona” CIC, can. 212, § 3..
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpanjaka an’i Kristy
Tamin’ny fanekeny hatramin’ny fahafatesana jer. Filip 2,8-9. i Kristy no nampita tamin’ ny mpianany ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fahafahana maha-mpanjaka, “mba hamongoran’izy ireo ny fahotana sy ny fanjakany ao amin’ ny tenan’izy ireo, amin’ny alalan’ny fahafoizan-tenan’izy ireo sy ny fahamasinam-piainan’izy ireo” FF 36. :
Izay mampanaiky ny vatan-tenany sy mitantana ny fanahiny, tsy mamela azy ho revon’ny firehetam-paniriana no tompon’ny tenany : azo antsoina hoe mpanjaka izy satria afaka mitondra ny tenany ihany ; sady afaka no mahaleo tena izy ary tsy manaiky ho baboin’ny fanandevozana mahameloka Md Ambroise, Psal. 118, 14, 30: PL — Patrologia latina (J.P. Migne)..
“Fanampin’izany, aoka ny lahika, amin’ny fanatambarana ny heriny, hitondra fanatsarana sahaza ireo rafi-pitondrana sy ireo fomba fiainana eto amin’izao tontolo izao, rahefa mandrisika ho amin’ny fahotana ireo, mba hahatongavan’ireo hifanaraka amin’ny fitsipi-pahamarinana sy hampandroso amin’ny fampiasana ny hatsaram-panahy toy izay ho vato misakana izany. Amin’ny fanaovana izany no amontosan’izy ireo amin’ny soatoavina ara-môraly ny kolontsaina sy ny tsanganasan’olombelona” FF 36..
“Ny lahika dia mety koa hahatsiaro tena fa voantso na tena voantso hiara-miasa amin’ireo mpiandry ondry amin’ny fanompoana ny ankohonam-piangonana tiana hitombo vahana sy aina, amin’ny fisahanana ny andraiki-panompoana maro karazana, araka ny fahasoavana sy ny fanomezam-pahasoavana tian’Izy Tompo hapetraka tsara ao amin’izy ireo” EN 73..
Ao amin’ny Fiangonana, “ny mpino lahika dia afaka mifarimbona araka ny lalàna manan-kery amin’ny fampiasana ny fahefam-pitondrana” CIC, can. 129, § 2.. Tahaka izany ny fisian’izy ireo ao amin’ny Filan-kevitra manokana jer. CIC, can. 443, § 4., ny Sinôdan’ny diôsezy jer. CIC, can. 463, §§ 1-2., ny Filan-kevitra pastôraly jer. CIC, can. 511-512; 536.; amin’ny fampiasana ny fiandraiketana pastôralin’ny paroasy jer. CIC, can. 517, § 2.; ny fiaraha-miasa amin’ny Filan-kevitra momba ny raharaha ara-piharian-karena jer. CIC, can. 492, § 1; 537.; ny fandraisana anjara amin’ny tribonalim-piangonana jer. CIC, can. 1421, § 2., sns.
Ny mpino dia tokony “hanavaka amim-pitandremana ny zo amin’ny adidy izay iantsorohan’izy ireo amin’ny maha-rantsambatan’ny Fiangonana azy ireo, sy izay tandrifin’izy ireo araka ny maha-olon’ny fiaraha-monina azy ireo. Aoka izy ireo hiezaka hampifandrindra an’ireny amin’ny samy izy ireny, amin’ny fahatsiarovan-tena fa ny kônsiansy kristianina no tokony ho mpitari-dalana azy ireo amin’ny sehatra rehetra misy amin’izao fiainana ara-nofo eto an-tany izao, satria tsy misy na iray aza asa fanaon’olombelona, amin’ny maha-ara-nofo izany, ho azo esorina amin’ny fahefan’ Andriamanitra” FF 36..
III.Ny fanokanam-piainana
“Ny lalam-piainana miorina amin’ny fanaovana voady araka ny torohevitry ny Evanjely, na tsy mikasika ny rafitr’ambaratongam-pitondrana ny Fiangonana aza, dia tsy azo lavina fa anisan’ny fiainany sy ny fahamasinany” FF 44..
Torohevitry ny Evanjely, fanokanam-piainana
Ny torohevitry ny Evanjely, amin’ny hamaroan’izy ireo, dia atolotra ho an’izay rehetra mpianatr’i Kristy. Ny fahalavorariana amin’ny fitiavana izay iantsoana ny mpino rehetra, no ananan’ireo izay manolo-tena an-kalalahana amin’ny famaliana ny antso ho amin’ny fanokanam-piainana, adidy mampihatra ny fahadiovam-pitiavana amin’ny fijanonana ho mpitovo noho ny Fanjakan’Andriamanitra, ny fahantrana ary ny fanekena. Ny fanaovana voady araka ireo torohevitra ireo, ao anatin’ny toe-piainana mafy orina ankatoavin’ny Fiangonana, no mampiavaka ny toeran’ny “fanokanam-piainana” jer. FF 42-43; FFR 1. ho an’Andriamanitra.
Amin’izany ny toetran’ny fanokanam-piainana no hita fa iray amin’ireo fomba ahalalana ny fanokanana “lalina indrindra”, izay miorim-paka amin’ ny Batemy sy atokana manontolo ho an’Andriamanitra jer. FFR 5.. Ny kendren’ny mpinon’i Kristy amin’ny fanokanam-piainana, eo ambany fanentanan’ny Fanahy Masina, dia ny hanaraka an’i Kristy akaikikaiky kokoa, ny hanolo-tena amin’Andriamanitra tiany mihoatra noho ny zavatra rehetra, ary eo am-pikatsahana ny fahalavorariam-pitiavana hanompo ny Fanjakan’ Andriamanitra, dia ny hampahafantatra sy hitory ao amin’ny Fiangonana ny voninahitry ny tontolo ho avy jer. CIC, can. 573..
Hazo lehibe iray, maro sampana
“Tahaka ny hazo iray izay misampantsampana amin’ny fomba mampitolagaga sy maro ao amin’ny sahan’ny Tompo, niainga avy amin’ny tsirin’ny voa nafafin’ Andriamanitra, dia tahaka izany no itomboan’ny endrika samihafa ny fiainana manirery na mivondrona, ny fianakaviana samihafa izay ny loharanon-karena ara-panahy dia sady mahasoa ny mpikambana amin’ireny fianakaviana ireny no mahasoa ny Vatan’i Kristy manontolo” FF 43..
“Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana, nisy lehilahy sy vehivavy izay naniry, amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Evanjely, hanaraka an-kalalahana an’i Kristy sy haka tahaka Azy araka ny tena izy kokoa ary, araka ny fombany avy, miaina ny fanokanam-piainana amin’Andriamanitra. Maro tamin’izy ireny, teo ambany tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina, no niaina tao anatin’ny fitoka-monina, na koa nanorina fianakavian-drelijiozy izay noraisin’ny Fiangonana tamim-pifaliana sy nankatoaviny tamin’ny fahefany” FFR 1..
Ny Eveka dia miezaka lalandava handanjalanja ny fanomezam-pahasoavana momba ny fanokanam-piainana vaovao nankinin’ny Fanahy Masina amin’ny Fiangonany ; ny fankatoavana ny endrika vaovao ny fanokanam-piainana dia natokana ho an’ny Foibem-pitondrana apôstôlika jer. CIC, can. 605..
Fiainan’ny mpitoka-monina irery
Na tsy manao voady ampahibemaso lalandava araka ny torohevitra telo ny Evanjely aza ny mpitoka-monina irery, dia “ao anatin’ny fiesorana mafimafy kokoa amin’izao tontolo izao, ao anatin’ny fahanginan’ny fitoka-monina, ao anatin’ny fahazotoana mivavaka sy ny fivalozana, no anokanany ny fiainany amin’ny fiderana an’Andriamanitra sy amin’ny famonjena an’izao tontolo izao” CIC, can. 603, § 1..
Asehon’izy ireo amin’ny tsirairay io endrika anatin’ny misterin’ny Fiangonana io, izay tsy inona fa fisakaizana lalin’ny tsirairay amin’i Kristy. Ny fiainan’ny mpitoka-monina irery, takona eo imason’ny olombelona, dia fitoriana mangina an’Ilay izay nanolorany ny fiainany, satria Izy no zavatra rehetra ho azy. Izany no antso manokana hahitana any an’efitra, ao anatin’ny adim-panahy ihany koa, ny voninahitr’Ilay Nofantsihana.
Ny virjiny sy ny maty vady manokan-tena
Hatramin’ny andron’ny apôstôly, nisy virjiny jer. 1 Kôr 7,34-35. kristianina sy maty vady Joany Paoly II, exh. ap « Vita consecrata », 7., nantsoin’ny Tompo hifikitra Aminy manontolo ao anatin’ny fahafahana tanteraky ny fo sy ny vatana ary ny fanahy, izay nandray fanapahan-kevitra, nankatoavin’ny Fiangonana, hiaina ao anatin’ny toe-piainan’ny virjiny mandra-pahafaty ireo nanokan-tena ho virjiny, ary hiaina ao anatin’ny fahadiovam-pitiavana mandra-pahafaty ireo maty vady manokan-tena, “noho ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 19,12).
“Amin’ny fanambaràna ny tenim-pikasana masina hanaraka an’i Kristy akaikikaiky kokoa, [ny virjiny] no manokan-tena ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Eveka mitondra diôsezy araka ny fombam-pivavahana litorzika ankatoavina, no manambady amin’ny fomba mistika an’i Kristy Zanak’ Andriamanitra, ary manolo-tena ho amin’ny fanompoana ny Fiangonana” CIC, can. 604, § 1.. Amin’ny alalan’io fombam-pivavahana manetriketrika io (Consecratio virginum) “ilay virjiny no tonga anisan’ny olona manokan-tena, famantarana mihoatra ny tsapa sy ny hita ny fitiavan’ny Fiangonana mankamin’i Kristy, sary eskatôlôzikan’io Vady io any an-Danitra sy ny ny fiainan-ko avy” OCV praenotanda 1..
Noho ny fikambanan’ny virjiny, “mitovitovy fomba amin’ireo fikambanan’ny manokam-piainana ho an’Andriamanitra” CIC, can. 604, § 1., dia mametraka ny vehivavy miaina eto amin’izao tontolo izao (na ny relijiozy vavy mihiboka) ho amin’ny fivavahana, fivalozana, fanompoana ny anadahiny ary asa maha-apôstôly, araka ny toetra sy ny fanomezam-pahasoavana mifanandrify amin’izany nomena ny tsirairay OCV praenotanda 2.. Ny manokan-tena ho virjiny dia afaka mivondrona mba hitandremana araka ny tena izy ny teny naloakan’ny vavan’izy ireo jer. CIC, can. 604, § 2..
Ny fiainan-drelijiozy
Ny fiainan-drelijiozy, teraka tany Atsinanana tamin’ny taonjato voalohandohan’ny fivavahana kristianina jer. EK 15. ary niainana tao anatin’ireo fikambanana natsangan’ny Fiangonana ara-dalàna jer. CIC, can. 573., dia miavaka amin’ireo fanokanam-piainana amin’ny endriny hafa araka ny fanompoam-pivavahana, araka ny fanononana voady ampahibemaso an’ireo torohevitry ny Evanjely, araka ny fiainana maha-mpiray tam-po ara-pinoana mitondra amin’ny fiombonana, araka ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana jer. CIC, can. 607..
Ny fiainan-drelijiozy dia miankina amin’ny misterin’ny Fiangonana. Fanomezana noraisin’ny Fiangonana tamin’ny Tompony izany, ary atolony ho toy ny lalam-piainana mafy orina eo amin’ny mpino nantsoin’Andriamanitra amin’ny fanaovana voady araka ny torohevitry ny Evanjely. Amin’izany, azon’ny Fiangonana atao ny sady maneho an’i Kristy no mahatsiaro tena ho Vadin’ny Mpamonjy. Ny fiainan-drelijiozy dia asaina mampahafantatra, amin’ireo endriny samihafa, ny fitiavana avy amin’Andriamanitra ihany, amin’ny fitenin’izao andro iainantsika izao.
Ny relijiozy rehetra, na afaka amin’ny fandidian’ny mpitondra eo an-toerana na tsy afaka jer. CIC, can. 591., dia mahazo toerana ho anisan’ny mpiara-miasa amin’ny Eveka mitondra diôsezy amin’ny fiadidiana maha-mpiandry ondry azy jer. AE 33-35.. Ny fampijoroana sy fanitarana ny maha-misiônera ny Fiangonana dia mila ny fisian’ny fiainan-drelijiozy amin’ny endriny rehetra, hatrany am-panombohana ny fitoriana ny Evanjely jer. AFF 18; 40.. “Ny tantara dia manamarina ny halehiben’ny fahamendrehan’ireo fianakavian-drelijiozy tamin’ny fampielezana ny finoana sy tamin’ny fanorenana Fiangonana vaovao, nanomboka tamin’ny Fikambanan’ny mpitoka-monina fahiny sy ny Fikambanan-drelijiozy tamin’ny taonjato antenatenany ka hatramin’ny Fikambanan-drelijiozy amin’ny androm-piainana ankehitriny” Joany Paoly II, RM — Redemptoris Mater..
Ny fikambanana tsy relijiozy
“Ny fikambanana tsy relijiozy dia fikambanan’ny fanokanam-piainana izay ao ny mpino miaina eo amin’izao tontolo izao no miezaka ho amin’ny fahalavorariam-pitiavana sy mikely aina handray anjara indrindra avy ao anaty amin’ny fanamasinana an’izao tontolo izao” CIC, can. 710..
Amin’ny alalan’ny “fanokanam-piainana tanteraka sy manontolo amin’[izany] fanamasinana [izany] ” Pie XII, const. ap. « Provida Mater »., ny mpikambana amin’ireny fikambanana ireny no mandray anjara amin’ny asam-pitoriana ny Evanjely sahanin’ny Fiangonana, “eo amin’izao tontolo izao sy miainga avy amin’izao tontolo izao” CIC, can. 713, § 2., izay ny fisian’izy ireo ao dia miasa “araka ny fomban’ny lalivay” FFR 11.. Ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelon’ny fiainana kristianina dia mikendry ny handaminana araka an’Andriamanitra izao zava-misy ara-nofo eto an-tany izao sy haninteraka an’izao tontolo izao amin’ny herin’ny Evanjely”. Zakain’izy ireo ao aminy amin’ny alalan’ny fifamatorana masina ny torohevitry ny Evanjely ary tandrovin’izy ireo amin’ny samy izy ireo ny fiombonana sy ny firahalahiana sahaza ny fombam-piainana tsy maha-relijiozy azy ireo jer. CIC, can. 713..
Ny fikambanam-piainana apôstôlika
Eo anilan’ny endrika samihafa ny fanokanam-piainana no “maka toerana ny fikambanam-piainana apôstôlika ka ny mpikambana ao aminy, na tsy manao voadin-drelijiozy aza, dia mikatsaka ny tanjona hotratrarina amin’ny maha-apôstôly sahaza ny fikambanany, ary amin’ny fiombonam-piainana maha-mpiray tam-po ara-pinoana no mikendry, araka ny fombam-piainany manokana, ny fahalavorariam-pitiavana amin’ny fitandremana ny lalàm-panorenana. Misy fikambanana ao amin’izy ireo izay ny mpikambana no mizaka ao aminy ny torohevitry ny Evanjely”, araka ny lalàm-panorenan’izy ireo CIC, can. 731, §§ 1.2..
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Noho izy nanolo-tena amin’Andriamanitra tiana indrindra, ilay izay efa natokan’ny Batemy ho Azy, dia mahatsiaro tena araka izany, ho voatokana lalindalina kokoa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, sy voatolotra ho amin’ny fanasoavana ny Fiangonana. Amin’ny lalan’ny fanokanam-piainana ho an’Andriamanitra no anehoan’ny Fiangonana an’i Kristy sy ampisehoany ny fiasan’ny Fanahy Masina ao aminy, amin’ny fomba mahatalanjona. Koa ireo izay manao voady araka ny torohevitry ny Evanjely àry dia manao ho vaindohan-draharaha hiaina ny fanokanam-piainan’izy ireo. “Fa satria izy ireo manokam-piainana hanompo ny Fiangonana, ka noho izany, voatery izy ireo hanao amin’ny fomba miavaka ny tsanganasa misiônera, araka ny fomba manokana an’ny Fikambanan’izy ireo” CIC, can. 783; jer. koa RM — Redemptoris Mater..
Ao amin’ny Fiangonana izay toy ny sakramenta, izany hoe famantarana sy fitaovan’ny ain’Andriamanitra, ny fanokanam-piainana no miseho ho famantarana manokana ny misterin’ny Fanavotana. Ny manara-dia sy ny maka tahaka an’i Kristy “akaikikaiky kokoa”, ny mampiseho “mazavazava kokoa” ny maha-tsinontsinona ny tena, dia ny miditra “lalindalina kokoa” ao am-pon’i Kristy, amin’ireo mpiara-belona amin’ny tena. Satria ireo izay ao amin’io lalana “teritery kokoa” io dia mandrisika ny rahalahiny amin’ny oha-piainan’izy ireo, ijoroan’izy ireo ho vavolombelona mampitolagaga fa hoe : “izao tontolo izao dia tsy mety ho voaova endrika sy ho voatolotra ho an’Andriamanitra, raha tsy misy ny toe-panahin’ny hasambarana” FF 31..
Na ampahibemaso io fijoroana ho vavolombelona io, toy ny amin’ny fiainan-drelijiozy, na tsy misehoseho firy, na miafina mihitsy, ny fahatongavan’i Kristy dia mitoetra ho fiandohana sy Kintana fitarik’andron’ny fiainan’ireo manokan-tena rehetra :
Satria ny Vahoakan’Andriamanitra tsy manana fonenana maharitra ety an-tany, [izany toetra izany] (…) no mampiseho amin’ny mpino rehetra ny fisiana, efa eto amin’ity fotoana iainana ity rahateo, ireo haren-tsoan’ny lanitra; izy no maneho ny fiainana vaovao sy mandrakizay azo tamin’ny Fanavotan’i Kristy, izy no mitory ny fitsanganan-ko velona ho avy sy ny voninahitry ny lanitra FF 44..
“Avy amin’ny fanorenan’Andriamanitra, dia misy amin’ireo mpino, ao amin’ny Fiangonana, no voatokana ho mpandraharaha masina, izay ara-dalàna ny iantsoana azy koa hoe olom-boahosotra ; ny an’ny hafa dia antsoina hoe lahika”. Farany, misy mpino ao amin’ny sokajin’ny andaniny sy ny ankilany izay manokam-piainana ho an’Andriamanitra, amin’ny fanaovana voady hanaraka ny torohevitry ny Evanjely, ary mampiasa izany amin’ny fanirahana ny Fiangonana CIC, can.207, § 1.2..
Mba hitory ny finoana sy hanorina ny Fanjakany, no nanirahan’i Kristy ny apôstôliny sy ny dimbin’izy ireo. Nomeny anjara amin’ny fanirahana Azy izy ireo. Avy Aminy no andraisan'izy ireo ny fahefana hiasa amin’ny anaran’ny Tenany.
Ny Tompo no nanao an’i Md Piera ho fanorenana hita maso ny Fiangonany. Nomeny azy tamin’izany ny fanalahidy. Ny Evekan’ny Fiangonan’i Rôma, dimbin’i Md Piera, no “filohan’ny Fiombonam-piadidian’ireo Eveka, Vikeran’i Kristy ary Mpitondra ny Fiangonana manontolo eto amin’ity tany ity” CIC, can.331..
Ny Papa, “araka ny fanorenan’Andriamanitra, no manana ny fahefana fara tampony, feno, eo no eo mivantana ary manerana ny tany tontolo ho amin’ny fiadidiana ny olona” AE 2..
Ny Eveka rehetra, napetraky ny Fanahy Masina, no mandimby ny apôstôly. Izy ireo “tsirairay araka ny anjara asany, no fototra hita maso sy fanorenana ny firaisana ao amin’ny Fiangonan’izy ireo eo an-toerana” FF 23..
Ampian’ny Pretra, mpiara-miasa aminy, sy ny Diakra, ny Eveka dia manana adidy aman’andraikitra hampianatra tsy misy diso ny finoana, hankalaza amin’ny fanompoam-pivavahana, indrindra ny Eokaristia, ary hitondra ny Fiangonany amin’ny tena maha-mpiandry ondry tokoa. Anisan’ny fiadidiany koa ny fiahiana ny Fiangonana manontolo, miaraka amin’ny Papa sy eo ambany fahefany.
“Ny maha-lahika ny lahika manokana, dia ny miaina eo anivon’izao tontolo izao sy ny manao ny raharahan’izao tontolo izao, antsoin’ Andriamanitra izy ireo hanao ny apôstôlàn’izy ireo eo amin’izao tontolo izao araka ny fiasan’ny lalivay, noho ny herin’ny fanahy maha-kristianina” APL 2..
Ny lahika dia mandray anjara amin’ny maha-Mpisorona an’i Kristy : arakaraka ny iraisany Aminy, no ampivelaran’izy ireo ny fahasoavan’ny Batemy sy ny Fankaherezana, eo amin’ny sehatra rehetra mikasika ny fiainan’ny olona manokana, ny fianakaviana, ny fiaraha-monina ary ny Fiangonana, sy anatanterahany tahaka izany ny antso ho amin’ny fahamasinana miantefa amin’ny vita batemy rehetra.
Noho ny iraka maha-mpaminany azy ireo, ny lahika “dia voantso koa hijoro ho vavolombelon’i Kristy, amin’ny fisehon-javatra rehetra sy eo anivon’ny fiombonam-ben’ny olombelona mihitsy” FAA 43, §4..
Noho ny iraka maha-mpanjaka azy ireo, ny lahika dia manana fahefana hamongotra ny fahotana sy ny fanjakany ao amin’ny tenan’izy ireo sy eo amin’izao tontolo izao, amin’ny alalan’ny fahafoizan-tenan’izy ireo sy ny fahamasinam-piainan’izy ireo jer. FF 36..
Ny fanokanam-piainana ho an’Andriamanitra dia hita miharihary amin’ ny fanaovana voady ampahibemaso araka ny torohevitry ny Evanjely momba ny fahantrana, ny fahadiovam-pitiavana ary ny fanekena ao anatin’ny toe-piainana mafy orina ankatoavin’ny Fiangonana.
Ilay efa natokan’ny Batemy ho an’Andriamanitra, noho izy nanolo-tena Aminy izay tiany indrindra, dia mahatsiaro tena, ao amin’ny lalan’ny fanokanam-piainana, fa tafiditra lalindalina kokoa amin’ny fanokanan-tena hanompo an’Andriamanitra sy amin’ny fanoloran-tena hanasoa ny Fiangonana manontolo.
Paragrafy 5. Ny fiombonan’ny olomasina
Ny Sembolin’ny apôstôly, rahefa avy niaiky ny finoana “ny Fiangonana Masina katôlika”, dia manampy hoe “ny fiombonan’ny olomasina”. Io andalana io, dia tsy misy isalasalana fa fanazavana miharihary ny teo aloha : “Inona moa ny Fiangonana fa tsy ny fitambaran’ny olomasina rehetra ve Nicétas, symb. 10. ?” Ny fiombonan’ny olomasina raha soritana mazava, dia ny Fiangonana.
“Satria mirafitra ho vatana iray ihany ny mpino rehetra, ka ampitaina amin’ny hafa ny haren-tsoan’ny tsirairay (…).Tsy maintsy hinoana, araka izany, fa misy fiombonana haren-tsoa ao amin’ny Fiangonana. Ny rantsambatana ambony indrindra anefa dia i Kristy, satria Izy no loha (…). Araka izany, ny haren-tsoan’i Kristy dia ampitaina amin’ny rantsambatana rehetra, ary izany fampitana izany dia atao amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fiangonana” Md Thomas d’A., symb.13.. “Noho io Fiangonana io entin’ny Fanahy tokana ihany, ny haren-tsoa rehetra izay noraisiny dia manjary ilaina ho tahiry iombonana” Catech. R. 1,10,24..
Ka noho izany ny teny hoe “fiombonan’ny olomasina”, dia manana dikany roa mifamatotra mafy : “fiombonana amin’ny zavatra masina, sancta” sy “fiombonana eo amin’ny samy olona masina, sancti”. “Sancta sanctis ! (Izay zava-masina ho an’ireo izay olomasina)”, no ambaran’ny mpitarika fankalazana amin’ny ankamaroan’ny litorzia tatsinanana, rahefa amin’ny fanandratana ny Tolotra masina mialoha ny fizarana kômonio. Ny mpino (sancti) dia velomin’ny Vatana aman-dRan’i Kristy (sancta) mba hitombo ao amin’ny fiombonana amin’ny Fanahy Masina (Koinônia) sy hampita izany amin’izao tontolo izao.
I.Ny fiombonana amin’ny harem-panahy
Tao amin’ny ankohonam-piangonana voalohany tao Jerosalema, dia “nazoto tamin’ny fampianaran’ny apôstôly, nahatoky tamin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, tamin’ny famakiana ny mofo ary tamin’ny fivavahana” (Asa 2,42) ny mpianatra : Ny fiombonana amin’ny finoana. Ny finoan’ny mpino no finoan’ny Fiangonana noraisina avy tamin’ny apôstôly, raki-piainana izay mitombo amin’ny fizarana izany.
Ny fiombonana amin’ny sakramenta. “Ny vokatry ny sakramenta rehetra dia ho an’ny rehetra. Satria ny sakramenta, fa indrindra ny Batemy izay toy ny varavarana ka aminy no idiran’ny olombelona ao amin’ny Fiangonana, no tahaka ny fatorana masina izay mampiray ny rehetra sy mamehy azy ireo amin’i Jesoa-Kristy. Ny fiombonan’ny olomasina, dia fiombonana amin’ireo sakramenta (…). Ny anarana hoe fiombonana dia azo iantsoana ny tsirairay amin’ireo, satria ny tsirairay amin’ireo dia mampiray antsika amin’ Andriamanitra (…). Kanefa io anarana io dia sahaza tsara ny Eokaristia raha miohatra amin’ny hafa rehetra, satria ny Eokaristia indrindra no mahatanteraka an’io fiombonana io” Catech. R. 1,10,24..
Ny fiombonana amin’ny fanomezam-pahasoavana : ao amin’ny fiombonan’ ny Fiangonana, ny Fanahy Masina “dia mizara koa amin’ireo mpino araka ny ambaratonga rehetra (…) ny fahasoavana manokana”, ho amin’ny fandrafetana ny Fiangonana FF 12.. Ary “samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro” (1 Kôr 12,7).
“Niombonan’izy ireo daholo ny zavatra rehetra” (Asa 4,32) : “Izay rehetra ananan’ny tena kristianina tokoa, dia tokony heveriny ho tahaka ny haren-tsoa izay iombonany amin’ny rehetra, ary lalandava, tokony ho vonona sy dodona izy hamonjy amin’ny fahantrana sy amin’ny fahorian’ny namana” Catech. R. 1,10,27.. Ny kristianina no mpitantana ireo haren-tsoan’ny Tompo. jer. Lk 16,1.3.
Ny fiombonana amin’ny fitiavana : ao amin’ny fiombonana masina (sanctorum communio) “tsy misy amintsika, velona ho an’ny tenany, ary tsy misy maty, ho an’ny tenany” (Rôm 14,7).“Mijaly ve ny rantsambatana iray ? miara-mijaly aminy daholo ny rantsambatana rehetra. Mahazo voninahitra ve ny rantsambatana iray ? miombona hafaliana aminy ny rantsambatana rehetra. Ary ianareo no Vatan’i Kristy, ka samy rantsambatany manaraka ny laharany tsirairay avy” (1 Kôr 12,26-27). “Ny fitiavana dia tsy mitady ny ho azy” (1 Kôr 13,5) jer. 10,24.. Ny kely indrindra amin’ny asantsika atao amim-pitiavana dia misy akony amin’ny tombon-tsoan’ny rehetra, ao anatin’izany firaisan-kina amin’ny olona rehetra izany, na velona na maty, izay miorina ao amin’ ny fiombonan’ny olomasina. Ny fahotana rehetra no manimba an’izany fiombonana izany.
II.Ny fiombonan’ny Fiangonan’ny lanitra sy ny tany
Ny toetra telo ny Fiangonana. “Amin’ny fiandrasana fa ho avy amin’ny fiandrianany ny Tompo arahin’ny anjely rehetra, sy amin’ny fiandrasana ny haharava ny fahafatesana, ka hanaiky ny Tompo ny zavatra rehetra, ny sasany amin’ireo mpianany dia manohy ny fivahinian’izy ireo ety an-tany ; ny hafa, rahefa tapitra ny fiainany tety, dia mbola midio ; farany, ny hafa dia ao anatin’ny voninahitra amin’ny fibanjinana “an’ilay Andriamanitra tokana Olona telo, amin’ny maha-Izy Azy, ao anatin’ny fahazavana tanteraka” FF 49.” :
Kanefa isika rehetra, amin’ny ambaratonga samihafa sy amin’ny endrika samihafa, dia miombona ao amin’ny fitiavana iray ihany, mankamin’ Andriamanitra sy mankamin’ny namana, amin’ny fihirana ny antsa fanomezam-boninahitra iray ihany an’ilay Andriamanitsika. Satria, izay rehetra an’i Kristy sy manana ny Fanahiny, no mitambatra ho Fiangonana iray ihany sy mifanohana amin’ny maha-iray tsy mivaky ao amin’i Kristy FF 49..
“Ny fiombonan’ireo izay mbola eny an-dalana miaraka amin’ny rahalahiny izay efa nodimandry ao amin’ny fiadanan’i Kristy, dia tsy mahita fahatapatapahana kely akory; ny mifanohitra amin’izany aza, fa araka ny finoana tsy miova sy maharitra ao amin’ny Fiangonana, dia hamafisin’ny fifanakalozana an’ireo harem-panahy izany fiombonana izany” FF 49..
Ny fanalalan’ireo olomasina. “Satria, noho ny firaisana lalindalina kokoa amin’i Kristy, ny mponin’ny lanitra dia mandray anjara mba hahamafy fototra kokoa ny Fiangonana amin’ny fahamasinana (…). Tsy mitsahatra izy ireo manalalana antsika eo anilan’ny Ray, amin’ny fanolorany ireo anjara valisoam-pahamendrehana azon’izy ireo tety an-tany tamin’ny alalan’Ilay hany Mpanalalana an’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa (…). Amin’izany ny fiahiam-pirahalahian’izy ireo no vonjy lehibe indrindra amin’ny kilemantsika” FF 49. :
Aza mitomany ianareo, fa ho ilainareo bebe kokoa aho aorian’ny fahafatesako ary hanampy anareo amin’ny fomba mandaitra kokoa noho izao mahavelona ahy izao Md Dominique, maty, ho an’ireo rahalahiny, jer. Jourdain de Saxe, lib. 93..
Ho laniako amin’ny fanaovana ny tsara eto an-tany ny lanitro Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, verba..
Ny fiombonana amin’ireo olomasina. “Tsy noho ny oha-piainan’izy ireo fotsiny no anajantsika amin’ny alalan’ny fahatsiarovana ny mponin’ny lanitra; ny katsahintsika bebe kokoa amin’izany dia ny hanamafisana ny firaisan’ny Fiangonana manontolo ao amin’ny Fanahy noho ny fampiasana ny fifankatiavana maha-mpiray tam-po ara-pinoana. Satria ny fiombonan’ ireo samy kristianina eto an-tany no mampanakaikikaiky antsika kokoa amin’i Kristy, dia tahaka izany koa ny fiombonana amin’ireo olomasina no mampiray antsika amin’i Kristy, izay avy Aminy, amin’ny maha-filohan’izy ireo Azy, no ipoiran’ny fahasoavana rehetra sy ny ain’ny tenan’izy Vahoakan’Andriamanitra” FF 50. :
I Kristy no itsaohantsika, satria Izy no Zanak’Andriamanitra ; fa ny amin’ ireo martiry, dia tiavintsika izy ireo amin’ny maha-mpianatra sy mpaka tahaka ny Tompo azy ireo, ary rariny izany, noho ny fanompoana tsy manan-tsahala ataon’izy ireo amin’ny mpanjaka sy tompon’izy ireo ; enga anie isika koa, ho naman’izy ireo sy ho mpiara-mianatra amin’izy ireo Md Polycarpe, mart. 17..
Ny fiombonana amin’ireo nodimandry. “Amin’ny fiekena izany avy hatrany an’io fiombonana izay misy ao anatin’ny vatana mistikan’i Jesoa-Kristy manontolo io, ny Fiangonana ao amin’ireo rantsambatany izay mizotra ety an-tany dia nanamarika tamin’ny fitiavam-bavaka betsaka ny fahatsiarovana an’ireo nodimandry hatramin’ny fotoana niandohan’ny fivavahana kristianina, amin’ny fanolorana koa ny vavaka ho azy ireo ; satria “ny mihevitra hivavaka ho an’ny maty, mba hahafahan’izy ireo amin’ny fahotany, dia hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka” (2 Mak 12,45)” FF 50.. Ny vavaka ataontsika ho azy ireo dia tsy natao fotsiny hanampy azy ireo, fa koa hampandaitra ny fanalalan’izy ireo amin’ny soa ho antsika.
Ao amin’ny fianakaviana tokan’Andriamanitra. “Raha ny fifankatiavana sy ny fiaraha-midera ny Trinite Masina Indrindra no mampiombona antsika samy isika, isika rehetra, zanak’Andriamanitra izay tsy hafa fa fianakaviana iray ihany ao amin’i Kristy, dia aoka isika hiara-manoina ny fiantsoana manako lalina ao amin’ny Fiangonana” FF 51..
“Fiombonan’ny Olomasina” ny Fiangonana : izany fombam-piteny izany dia manondro ny “zava-masina” (sancta) aloha, ka voalohany indrindra amin’izany ny Eokaristia, izay amin’izany “no anehoana sy anatontosana ny firaisan’ny mpino izay miforona ho Vatana iray ihany ao amin’i Kristy” FF3..
Io fombam-piteny io dia manondro koa ny fiombonan’ireo “olona masina”(sancti) ao amin’i Kristy izay “maty ho an’ny olona rehetra”, hany ka izay ataon’ny tsirairay na iaretany fijaliana ao amin’i Kristy sy ho an’i Kristy, dia mitondra vokatra ho an’ny rehetra.
“Inoantsika ny fiombonan’ny mpino rehetra an’i Kristy, dia ireo izay mpivahiny eto an-tany, ireo nodimandry izay manapitra ny fidiovany, ireo olontsambatra any an-danitra, ka ireo rehetra ireo mitambatra no mamorona ny Fiangonana iray ihany, ary inoantsika fa amin’io fiombonana io ny fitiavana be indrafon’Andriamanitra sy ny olomasiny dia mihaino lalandava ny fivavahantsika” SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
Paragrafy 6. I Maria – Renin’i Kristy, Renin’ny Fiangonana
Rahefa voaresaka ny anjara asan’i Maria Virjiny ao amin’ny misterin’i Kristy sy ny Fanahy, dia mety amin’izay ny mandinika ny toerany ao amin’ny misterin’ny Fiangonana. “Araka izany, i Maria Virjiny (…) dia ekena sy hajaina fa tena Renin’Andriamanitra sy Renin’ny Mpanavotra tokoa (…). Izy koa dia tena "Renin’ny rantsambatan’ [i Kristy] tokoa (…) noho izy niara-niasa tamin’ny fitiavany tamin’ny fiterahana tao amin’ny Fiangonana ny mpino izay rantsambatan’io Filoha io FF 53, lazain’i Md Augustin, virg. 6.".” “… I Maria Renin’i Kristy dia Renin’ny Fiangonana” Paoly VI, lahateny tamin’ny 21 nôvambra 1964..
I.Ny maha-Renin’ny Fiangonana an’i Maria
Miray fiainana tanteraka amin’ny Zanany…
Ny anjara asan’i Maria amin’ny Fiangonana dia tsy azo sarahina amin’ny firaisam-piainany amin’i Kristy, avy aminy mivantana izany. “Io firaisam-piainan’i Maria amin’ny Zanany ao amin’ny tsanganasam-pamonjena io dia niharihary nanomboka tamin’ny fotoana nahatorontoronina an’i Kristy tao an-kibo virjiny tsy voakasi-pahotana, hatramin’ny nahafatesany” FF 57.. Niharihary manokana izany tamin’ny oran’ny fijaliany:
Nandroso tamin’ny zotram-pinoana ilay Virjiny sambatra, tamin’ny nitandrovana marina ny firaisana amin’ny Zanany hatreo amin’ny Hazofijaliana izay nijoroany, araka ny fandaharan’Andriamanitra, tamin’ny niaretany fijaliana mangirifiry niaraka tamin’ny Zanany Lahitokana, tamin’ny nandraisany anjara tamin’ny fon-dreny ny sorony, tamin’ny nanomezany ny fanekem-pitiavany amin’ny fisoronana an’ilay sorona, teraka avy amin’ny nofony, ary amin’ny farany, tamin’ny alalan’io Kristy Jesoa maty teo amin’ny Hazofijaliana io ihany, nomena ho Renin’ilay mpianatra, tamin’ireto teny ireto : “Ravehivavy, indro ny zanakao” (Jo. 19,26) FF 58..
Taorian’ny Fiakaran’ny Zanany any an-danitra, i Maria dia “nanotrona tamin’ny fivavahany ny Fiangonana vao teraka” FF 69.. Nivory niaraka tamin’ny apôstôly sy vehivavy sasantsasany, “dia hita i Maria niantso koa tamin’ny fivavahany ny fanomezana ny Fanahy izay, tamin’ny Filazana, no efa azon’ny tenany teo ambany alony” FF 59..
… ary koa tamin’ny Fampiakarana azy any an-danitra.
“Farany, ilay Virjiny madio tsy voakasi-pahotana, narovan’Andriamanitra mialoha tsy ho voan’ny fahotana tamin’ny fototra mihitsy, nony tapitra ny fiainany teto an-tany, dia nakarina vatana sy fanahy any amin’ny voninahitry ny lanitra, ary nasandratry ny Tompo ho Mpanjakavavin’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, mba hitovy tanteraka araka izany amin’ny Zanany, Tompon’ny tompo, mpandresy ny fahotana sy ny fahafatesana” FF 59; jer. koa Fanambaràna nataon’ny Papa Pie XII, tamin’ny taona 1950, ny foto-pinoana momba ny Fampiakarana any an-danitra an’i Maria Virjiny Sambatra: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny Fampiakarana any an-danitra ny Virjiny Masina dia fandraisana anjara miavaka amin’ny Fitsanganan’ny Zanany ho velona sy fananganan-ko velona mialoha an’ireo kristianina hafa :
Tao amin’ny fiterahanao dia voatahirinao ny maha-virjiny, tao amin’ny torimasom-pahafatesanao, tsy nandao an’izao tontolo izao ianao, ry Renin’Andriamanitra : nikambana tamin’ilay loharanon’Aina ianao, ianao izay niteraka an’ilay Andriamanitra velona ary, tamin’ny vavaka nataonao, no hanafahanao ny fanahinay amin’ny fahafatesana Litorzia bizantinina, Tononkalom-pivavahana amin’ny fetin’ny Dormition (15 aogositra)..
… izy no Renintsika ao amin’ny fandaharam-pahasoavana.
Noho ny firaiketany tanteraka amin’ny sitrapon’ny Ray, amin’ny tsanganasam-panavotan’ny Zanany, amin’ny fanentanana manontolo ny Fanahy Masina, i Maria Virjiny ho an’ny Fiangonana no môdely amin’ny finoana sy ny fitiavana. Amin’izany, izy no “rantsambatana ambony indrindra sy tokana aman-tany tanteraka ao amin’ny Fiangonana” FF 53., izy mihitsy no nanorina “ny fanatanterahana môdelin’ny ”, typus, Fiangonana FF 63..
Kanefa ny anjara asany raha oharina amin’ny Fiangonana sy amin’ny olombelona manontolo, dia mbola lasa lavidavitra kokoa. “Izy no nitondra teo amin’ny tsanganasan’ny Mpamonjy, ny fiaraha-miasa tanteraka tsy manan-tsahala, tamin’ny alalan’ny fanekeny, ny finoany, ny fanantenany, ny fitiavany miredareda, mba himpody ao amin’ny olombelona ny aina mihoatra ny natoraly. Izany no antony mahatonga azy ho Renintsika, ao amin’ny fandaharam-pahasoavana” FF 61..
“Izany maha-reny an’i Maria ao anatin’ny fitantanam-pahasoavana izany, nanomboka tamin’ny fankatoavana izay nasehony tamin’ny alalan’ny finoany, ny andron’ny Filazana, ary mbola notanany tao anatin’ny herim-po teo am-pototry ny Hazofijaliana, dia mitohy tsy tapaka mandra-pahafeno tanteraka ny olom-pinidy rehetra. Satria, taorian’ny Fampiakarana azy any an-danitra, tsy nitsahatra ny anjara asany amin’ny famonjena : amin’ny alalan’ny fitalahoany miverimberina, ataony tsy tapaka ny hahazoantsika ny fanomezana izay miantoka ny famonjena antsika mandrakizay (…). Izany no antony iantsoana ao amin’ny Fiangonana ny Virjiny sambatra amin’ireto anarana ireto hoe : mpisolovava, mpanampy, mpanome vonjy, mpanelanelana” FF 62..
“Ny anjara asa maha-Reny an’iMaria eo anatrehan’ny olombelona anefa, tsy manakona ary tsy mampihena kely akory ny maha-mpanelanelana tokana an’i Kristy: vao mainka aza mampiseho ny heriny izany. Satria ny fihatran’ny hery rehetra mahavonjy avy amin’ny Virjiny sambatra (…), dia avy amin’ny soa mihoa-pampana nataon’i Kristy ; miankina amin’ny fanelanelanan’i Kristy izany ny herim-pamonjen’i Maria, fanelanelanana izay iankinany manontolo ary avy amin’izany no isintonany ny heriny rehetra” FF 60.. “Tsy misy zavaboary na dia iray aza araka izany na rahoviana na rahoviana azo apetraka hitovy laharana amin’ny Teny tonga nofo sy mpanavotra. Kanefa sahala amin’ny andraisana anjara amin’ny endrika samihafa ny maha-mpisorona an’i Kristy, na ho an’ny mpandraharaha masina na ho an’ny vahoaka mpino, sy sahala amin’ny tena irotsahan’ny hatsaram-po tokan’ Andriamanitra tokoa amin’ny endrika samihafa eo amin’ny zavaboary, dia tahaka izany ny fanelanelanana tokan’ilay Mpanavotra, tsy manafoana, fa vao mainka aza mahatonga fiaraha-miasa isan-karazany avy amin’ny zavaboary, miankina amin’ny loharano tokana” FF 62..
II.Ny fanajana am-bavaka an’i Virjiny Masina
“Antsoin’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho” (Lk 1,48) : “Ny fitiavan-kanaja am-bavaka ataon’ny Fiangonana amin’ny Virjiny Masina, dia tafiditra ao anatin’ny fanompoam-pivavahana kristianina” MC 56.. Ny Virjiny Masina dia “omen’ny Fiangonana voninahitra ara-drariny amin’ny alalan’ny fanajana am-bavaka manokana. Izany tokoa, fa efa hatramin’ny fahagolan-tany, ny Virjiny sambatra no nomem-boninahitra tamin’ny anarana hoe : “Renin’Andriamanitra” ; ny mpino dia mialoka eo ambany fiarovany, amin’ny fitalahoam-bonjy aminy amin’ny loza rehetra manjo azy ireo sy ny zavatra rehetra ilain’izy ireo (…). Io fanajana am-bavaka io (…) na dia mampiseho endrika tsy manam-paharoa tanteraka aza, (…) dia tsy misy itoviana mihitsy na kely aza amin’ny fivavahana fitsaohana atao amin’ny Teny tonga nofo ary koa amin’ny Ray sy amin’ny Fanahy Masina ; afaka manampy amin’ny fomba ambony dia ambony ny fitsaohana an’Andriamanitra ny fanajana am-bavaka an’i Maria” FF 66. ; hita ny fampisehoana an’io fanajana io, ao amin’ireo fety litorzika natokana ho an’ny Renin’Andriamanitra jer. L 103. sy ao amin’ny vavaka momba an’i Masina Maria toy ny Raozery Masina, izay “famintinana ny Evanjely manontolo” jer. MC 42..
III.Maria – sarimasina maneho ny Fiangonana any am-parany any
Rahefa avy niresaka ny amin’ny Fiangonana, ny amin’ny fiandohany, ny amin’ny fanirahana azy ary ny amin’ny anjara fiafarany, dia tsy ho haintsika ny tsy hamarana metimety kokoa raha tsy manopy maso any amin’i Maria, mba hibanjina ao aminy ny atao hoe Fiangonana ao amin’ny misteriny, ao amin’ny “fivahiniany ara-pinoana” sy izay ho toetrany any an-tanindrazana amin’ny faran’ny diany, izay iandrasana izany “ao amin’ny voninahitry ny Trinite Masina Indrindra sy tsy azo sarahina”, “ao amin’ny fiombonan’ny olomasina rehetra” FF 69., ilay izay hajain’ny Fiangonana ho Renin’ny Tompony sy ho Renin’ny tenany :
Ny Renin’i Jesoa, sahala amin’ny any an-danitra izay efa anomezam-boninahitra azy vatana sy fanahy, no mampiseho sy misantatra ny Fiangonana amin’ny fahatanterahany ao anatin’ny fotoan-ko avy, torak’ izany koa ety an-tany, eo am-piandrasana ny fahatongavan’ny andron’ny Tompo, dia efa mamirapiratra sahady toy ny famantaram-panantenana azo antoka izy, sy fiononana eo anatrehan’ny Vahoakan’Andriamanitra eny an-dalam-pivahiniana FF 68..
Teo am-panononana ny “Aoka anie ho tanteraka amiko” tamin’ny Filazana sy teo am-panolorana ny fanekeny ny misterin’ny Fahatongavana ho Nofo i Maria dia efa niara-niasa sahady tamin’ny tsanganasa manontolo izay tsy maintsy hotanterahin’ny Zanany. Reny izy ao amin’izay rehetra maha-Mpamonjy sy Lohan’ny Vatana mistikan’ny Zanany.
I Maria Virjiny Masina Indrindra, nony tapitra ny androm-piainany teto an-tany, dia nakarina vatana sy fanahy ao amin’ny voninahitra any an-danitra, izay any Izy no efa mandray anjara sahady amin’ny voninahitry ny Fitsanganan’ny Zanany ho velona, misantatra ny fitsanganan-ko velon’ny rantsambatana rehetra an’ny Vatany.
“Mino isika fa ny Reny Masin’Andriamanitra Indrindra, Eva vaovao, Renin’ny Fiangonana, dia manohy any an-danitra ny anjara asa maha-Reny azy eo anatrehan’ny rantsambatan’i Kristy” SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
10.“Izaho mino ny famelana ny fahotana”
Mampifamatotra ny finoana ny famelana ny fahotana amin’ny finoana ny Fanahy Masina ny Sembolin’ny apôstôly, ary koa amin’ny finoana ny Fiangonana sy amin’ny fiombonan’ny olomasina. Tamin’ny nanomezany ny Fanahy Masina ny apôstôliny i Kristy tafatsangan-ko velona no nanome azy ireo ny fahefana maha-Andriamanitra ny Tenany mamela ny fahotana : “Raiso ny Fanahy Masina. Ireo izay havelanareo ny fahotany dia ho voavela amin’izany izy ireo ; ireo izay hotananareo izany, dia ho voatana amin’izany izy ireo” (Jo 20, 22-23). (Ny fizarana faharoa amin’ny Katesizy no hamelabelatra mazava tsara ny amin’ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny Batemy, amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fivalozana ary amin’ny alalan’ny sakramenta hafa, indrindra ny Eokaristia. Ampy àry ny mampahatsiahy fohifohy eto, ny foto-kevitra vitsivitsy iaingana).
I.Batemy tokana ho amin’ny famelana ny fahotana
Ny Tompontsika dia mampifamatotra ny famelana ny fahotana amin’ny finoana sy amin’ny Batemy : “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Vaovao Mahafaly amin’ny voary manontolo. Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy” (Mk 16,15-16). Ny Batemy no voalohany sy lehibe indrindra amin’ny sakramentan’ny famelana ny fahotana, satria izy no mampiray antsika amin’i Kristy maty noho ny fahotantsika, nitsangan-ko velona ho fanamarinana antsika jer. Rôm 4,25., mba “hivelomantsika ihany koa amin’ny fiainam-baovao” (Rôm 6, 4).
“Tamin’ny fotoana nanaovantsika ny fiekem-pinoantsika voalohany, rahefa nandray ny Batemy masina izay nanadio antsika isika, dia feno sy manontolo tokoa ny famelana ny fahotantsika, hany ka tsy misy na inona na inona hofafana intsony ao amintsika, na ny avy amin’ny fahotana tamin’ny fototra, na ny avy amin’ny fahotana niniantsika natao, ary tsy misy sazy na iray aza hiaretana mba hanonerana izany (…). Kanefa na izany aza, tsy manafaka ny kileman’ny maha-olona ny fahasoavan’ny Batemy. Vao mainka aza isika mbola miady amin’ny fitaoman’ny fanirian-dratsy izay tsy mitsahatra mandrisika antsika ho amin’ny ratsy” Catech. R. 1,11,3..
Amin’izany adin’ny fironana amin’ny ratsy izany, iza no ampy herim-po sy fitandremana mba ho afaka amin’ny ratram-pahotana rehetra ? “Araka izany, raha ilaina ny hananan’ny Fiangonana ny fahefana hamela ny fahotana, dia tsy tokony ho ny Batemy koa ho azy no hany fitaovana ampiasaina amin’ireo fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra izay noraisiny tamin’i Jesoa-Kristy ; tokony ho afaka mamela ny fahadisoan’ireo mpibebaka rehetra izy, na dia hanota aza izy ireo hatramin’ny faran’ny androm-piainan’izy ireo” Catech. R. 1,11,4..
Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fivalozana no ahafahan’ny vita batemy mihavana indray amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana : Marina ny an’ireo Aba miantso ny fivalozana hoe “Batemy miasa mafy” Md Grégoire de Naz., or. 39,17.. Io sakramentan’ ny Fivalozana io, ho an’ireo izay lavo indray taorian’ny Batemy, dia ilaina ho amin’ny famonjena, tahaka ny ilana ny Batemy ho amin’izany koa, ho an’ireo izay tsy mbola nateraka indray Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
II.Ny fahefan’ny fanalahidy
I Kristy taorian’ny nitsanganany ho velona dia naniraka ny apôstôliny “hitory amin’ny firenena rehetra ny fibebahana amin’ny anarany ho famelana ny fahotana” (Lk 24,47). Tsy ny fanambaràna amin’ny olombelona ny famelan’Andriamanitra mendrika ho antsika amin’ny alalan’i Kristy, sy ny fiantsoana azy ireo hibebaka sy hino, no hany nanatanterahan’ny apôstôly sy ny dimbin’izy ireo izany “andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana” (2 Kôr 5,18) izany, fa koa ny fampitana amin’izy ireo ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny Batemy sy ny fampihavanana azy ireo amin’Andriamanitra sy ny Fiangonana, noho ny fahefan’ny fanalahidy noraisina avy amin’i Kristy :
Nandray ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra ny Fiangonana, mba ho ao aminy no hamelana ny fahotana amin’ny alalan’ny ran’i Kristy sy ny asan’ny Fanahy Masina. Ao amin’io Fiangonana io no hahaveloman’ny fanahy indray, izay matin’ny fahotana, mba ho velona miaraka amin’i Kristy, izay ny fahasoavany no nahavonjy antsika Md Augustin, serm. 214,11..
Tsy misy hadisoana na dia iray aza, na toy inona halehibeny, ka tsy ho azon’ny Fiangonana Masina havela. “Tsy misy olona, na dia ratsy fanahy sy meloka toy inona tokoa aza izy, izay tsy tokony hanantena intsony ny famelana azy, raha toa ka avy ao am-po tokoa ny fanenenany” Catech. R. 1,11, 5.. Sitrak’i Kristy izay maty ho an’ny olombelona rehetra, ny hisokafan’ny varavaran’ny famelana lalandava ao amin’ny Fiangonany, ho an’izay miala amin’ny fahotana na iza na iza jer. Mt 18,21-22..
Hiezaka ny katesezy hamohafoha sy hamelona ny finoan’ireo mpino, noho ny halehiben’ny fanomezana izay nataon’i Kristy nitsangan-ko velona ho an’ny Fiangonany : ny fanirahana sy ny fahefana hamela marina tokoa ny fahotana, amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny apôstôly sy ny dimbin’izy ireo :
Nandray ny fahefana izay tsy nomen’Andriamanitra na tamin’ny anjely na tamin’ny arkanjely ny Pretra. (…) Ataon’Andriamanitra any ambony any manan-kery izay rehetra ataon’ny Pretra eto an-tany Md Jean Chrysostome, sac. 3,5.. Raha tsy nisy ny famelana ny fahotana ao amin’ny Fiangonana, tsy hisy fanantenana na kely aza, ary tsinontsinona ny fanantenana ny fiainana mandrakizay sy ny fanafahana mandrakizay. Isaorantsika Andriamanitra izay nanome ho an’ny Fiangonany ny fanomezana toy izany Md Augustin, serm. 213,8..
Ny Izaho mino dia mampifandray “ny famelana ny fahotana” sy ny fiekem-pinoana momba ny Fanahy Masina. Satria, nankinin’i Kristy nitsangan-ko velona tamin’ny apôstôly ny fahefana hamela ny fahotana tamin’ny nanomezany azy ireo ny Fanahy Masina.
Ny Batemy no sakramenta voalohany sady fototra amin’ny famelana ny fahotana : mampiray antsika amin’i Kristy maty sy nitsangan-ko velona izany, ary manome antsika ny Fanahy Masina.
Avy amin’ny sitrapon’i Kristy no ananan’ny Fiangonana ny fahefana hamela ny fahotan’ny vita batemy, ary amin’ny alalan’ny Eveka sy ny Pretra no fomba mahazatra anatanterahany izany amin’ny sakramentan’ ny fivalozana.
“Ny Pretra sy ny sakramenta, amin’ny famelana ny fahotana, no fitaovana mangarangarana izay tena sitrak’i Jesoa-Kristy Tompontsika, ilay hany Tompon’antoka sy Mpizarazara ny famonjena ho antsika, ampiasaina mba hamafana ny tsy fahamarinantsika sy hanomezana antsika ny fahasoavam-panamarinana” Catech. R. 1,11,6..
11.“Izaho mino ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty”
Ny Izaho mino kristianina – fiekena ny finoantsika an’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, sy ny asany mahary, mamonjy ary manamasina – dia tonga amin’ny fara tampony amin’ny fanambaràna ny fitsanganan’ny maty ho velona amin’ny farandro, ary ny fiainana mandrakizay.
Mino mafy isika, ary manantena amin’izany, fa tahaka an’i Kristy nitsangan-ko velona marina tokoa avy amin’ny maty, ary velona mandrakizay, dia tahaka izany, ireo olo-marina aorian’ny fahafatesan’izy ireo dia ho velona mandrakizay miaraka amin’i Kristy nitsangan-ko velona ary Izy hanangana azy ireo ho velona amin’ny farandro jer. Jo 6,39-40.. Tahaka ny Azy, ny fitsanganantsika ho velona dia ho tsanganasan’ny Trinite Masina Indrindra :
Ary raha ny Fanahin’Ilay izay nanangana an’i Jesoa avy amin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Ilay izay nanangana an’i Kristy Jesoa avy amin’ny maty no hamelona koa ny vatanareo mety maty, amin’ny alalan’ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo” (Rôm 8,11) jer. 1 Tes 4,14; 1 Kôr 6,14; 2 Kôr 4,14; Filip 3,10-11..
Ny teny hoe “nofo” dia enti-milaza ny olombelona amin’ny toetra maha-osa sy mahamety maty azy jer. Jen 6,3; Sal 56,5; Iz 40,6.. Ny “fitsanganan’ny nofo ho velona”, dia midika fa, aorian’ny fahafatesana, tsy ny ain’ny fanahy tsy mety maty ihany no hisy, fa koa ny “vatantsika mety maty” (Rôm 8,11) dia ho velona indray.
Ny mino ny fitsanganan’ny maty ho velona dia singafototra iray tsy azo avela amin’ny finoana kristianina hatrany am-piandohany. “Finoam-pahamarinana kristianina ny fitsanganan’ny maty ho velona ; izany finoana izany no mamelona antsika” Tertullien res. 1,1. :
Ahoana ity ilazan’ny sasany aminareo hoe tsy misy ny fitsanganan’ny maty ho velona ? Raha tsy misy ny fitsanganan’ny maty ho velona, tsy nitsangan-ko velona tokoa i Kristy. Kanefa raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy, dia foana izany ny toriteninay, foana koa ny finoanareo (…). Tsy izany anefa, fa efa nitsangana-ko velona avy amin’ny maty i Kristy, ary Izy no santatr’ireo izay nodimandry (1 Kôr 15,12-14.20).
I.Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona sy ny antsika
Fanambaràna miandalana ny Fitsanganan-ko velona
Ny fitsanganan’ny maty ho velona dia nambaran’Andriamanitra miandalana tamin’ny Vahoakany. Ny fanantenana ny amin’ny fitsanganan’ ny vatan’ny maty ho velona, dia mampanaiky ho vokatry ny finoana avy ao anaty an’ilay Andriamanitra mpahary ny olombelona manontolo, fanahy sy vatana. Ilay mpahary ny lanitra sy ny tany no Ilay izay mitana marina ny fanekem-pihavanany tamin’i Abrahama sy ny taranany koa. Avy amin’izany fijery anankiroa izany no hanomboka hazava ny finoana ny amin’ny fitsanganan-ko velona. Tao anatin’ny fitsapan-toetra azy ireo, ry Makabeo martiry no nanambara ampahibemaso fa :
Ilay Mpanjakan’izao tontolo izao dia hanangana anay ho amin’ny fiainana mandrakizay, izahay izay maty amin’ny lalànany (2 Mak 7,9). Sambatra izay matin’ny tanan’olombelona amin’ny fifikirana ny fanantenana avy amin’Andriamanitra fa ho hatsangany amin’ny maty ! ( 2 Mak 7,14) jer. 2 Mak 7,29; Dan 12,1-13..
Ny Farisianina jer. Asa 23,6. sy ny olona betsaka niara-niaina tamin’ny Tompo jer. Jo 11,24. dia nanantena ny fitsanganan-ko velona. Nampianatra izany tamin’ny fomba hentitra i Jesoa. Izao no navaliny an’ireo Sadoseanina izay nandà izany : “Tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra, ka diso hevitra ianareo” (Mk 12,24). Ny finoana ny fitsanganan-ko velona dia miompana amin’ny finoana an’Andriamanitra izay “tsy Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona” (Mk 12,27).
Fa fanampin’izany : Ampiraisin’i Jesoa amin’ny Tenany mihitsy ny finoana ny fitsanganan-ko velona : “Izaho no Fananganan-ko velona sy fiainana” (Jo 11,25). Ny Tenan’i Jesoa ihany no hanangana ho velona amin’ny farandro an’ireo izay hino Azy jer. Jo 5,24-25; 6,40. sy izay hihinana ny nofony sy hisotro ny rany jer. Jo 6,54.. Nanomboka hatreo, nanome famantarana sy antoka amin’izany Izy tamin’ny famelomana ny maty sasantsasany jer. Mk 5,21-43; Lk 7,11-17; Jo 11., ilazana avy amin’izany ny Fitsanganan’ ny tenany ho velona izay ho amin’ny fomba hafa anefa. Ho amin’io zava-niseho tokana aman-tany io, no nitenenany ny famantarana ny amin’i Jônasa jer. Mt 12,39., ny famantarana ny amin’ny Tempoly jer. Jo 2,19-22. : Manambara ny Fitsanganany ho velona amin’ny andro fahatelo, aorian’ny famonoana Azy ho faty Izy jer. Mk 10,34..
Ny hoe vavolombelon’i Kristy, dia “vavolombelon’ny Fitsanganany ho velona” (Asa 1,22) jer. 4,33., “nihinana sy nisotro niaraka Taminy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty” (Asa 10,41). Ny fanantenana kristianina ny amin’ny fitsanganan-ko velona dia voamarika indrindra tamin’ireo fihaonana tamin’i Kristy nitsangan-ko velona. Hitsangan-ko velona toa Azy, miaraka Aminy, amin’ny Alalany, isika.
Hatrany am-piandohana, ny finoana kristianina ny amin’ny fitsanganan-ko velona dia tojon’ny tsy fahatakarana an-tsaina sy fanoherana jer. Asa 17,32; 1 Kôr 15,12-13.. “Tsy misy na iray aza eo amin’ny lafiny finoana kristianina tojon’ny fanoheran-kevitra afa-tsy ny amin’ny fitsanganan’ny nofo ho velona” Md Augustin, Psal. 88,2,5.. Ekena tokoa amin’ny ankapobeny fa aorian’ny fahafatesana, ny fiainan’ny olombelona dia mitohy amin’ny endrika ara-panahy. Kanefa ahoana no inoana fa ity vatana miharihary fa mety maty ity dia ho afaka hitsangan-ko velona ho amin’ny fiainana mandrakizay ?
Ahoana no hitsanganan’ny maty ho velona indray ?
Inona ny hoe “mitsangan-ko velona” ? Amin’ny fahafatesana, fisarahan’ny fanahy sy ny vatana, ny vatan’ny olombelona no tratran’ny fahalovana, fa ny fanahiny dia lasa mihaona amin’Andriamanitra, eo am-piandrasana ny iraisany indray amin’ny vatany nomem-boninahitra. Andriamanitra amin’ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy dia hamerina tanteraka ny aina tsy mety lo amin’ny vatantsika amin’ny fampiraisana azy amin’ny fanahintsika, noho ny herin’ny Fitsanganan’i Jesoa ho velona.
Amin’ny fomba ahoana ? I Kristy dia nitsangan-ko velona niaraka tamin’ny vatany mihitsy : “Zahao ny tanako sy ny tongotro : Izaho mihitsy ity” (Lk 24,39) ; kanefa tsy niverina tamin’ny fiainana teto an-tany Izy. Torak’izany koa, ao Aminy “ny olona rehetra no hatsangan-ko velona miaraka amin’ny vatan’izy ireo, izay ananan’izy ireo ankehitriny” Kôns. Latran IV: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., kanefa izany vatana izany dia hiova endrika ho vatana be voninahitra jer. Filip 3,21., “ho vatana mitoe-panahy” (1 Kôr 15,44) :
“Fa hisy hanao hoe : fomba ahoana no hitsanganan’ny maty ho velona ? Amin’ny vatana toy inona no hiverenany ? Ry adala ! Izay afafinao, tsy ho velona, raha tsy maty. Ary izay afafinao, tsy ny tenan’izay ho avy, fa ny voa ihany (…). Mety lo izy no afafy, fa tsy mety lo no atsangana ; (…) ny maty dia ho hatsangana amin’ny tsy fahalovana (…). Noho izany, ity mety lo ity hitafy ny tsy fahalovana, ary ity mety maty ity hitafy ny tsy fahafatesana” (1 Kôr 15,35-37. 42.52-53).
Io amin’ny “fomba ahoana” io dia mihoatra ny eritreritsika sy ny saintsika ; tsy mety ho azo afa-tsy amin’ny finoana izany. Kanefa ny fandraisantsika anjara amin’ny Eokaristia no isantarantsika sahady ny fanovàna endrika ny vatantsika amin’ny alalan’i Kristy :
Toy ny mofo izay avy amin’ny tany, rahefa avy nandray ny valim-pitalahoana avy amin’Andriamanitra, dia tsy mofo tsotra intsony, fa Eokaristia, izay itambaran-javatra roa : ny iray avy amin’ny tany ary ny iray avy amin’ny lanitra, dia toy izany koa ny vatantsika izay mandray anjara amin’ny Eokaristia, tsy mety lo intsony, satria manana ny fanantenana ny fitsanganan-ko velona Md Irénée, haer. 4,18,5..
Rahoviana ? Tsy miova intsony fa “amin’ny farandro” (Jo 6,39-40.44.55 ; 11,24) ; “amin’ny faran’izao tontolo izao” FF 48.. Noho izany, ny fitsanganan’ny maty ho velona dia mifamatotra lalina amin’ny Fahatongavan’i Kristy indray :
Satria ny Tenan’Izy Tompo ihany, amin’ny baiko homena amin’ny alalan’ny feon’arkanjely sy ny feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra, ka izay maty tao amin’i Kristy no hatsangana aloha (I Tes 4,16).
Mitsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy
Raha marina fa i Kristy no hanangana antsika ho velona “amin’ny farandro”, dia marina koa, amin’ny endrika iray, fa efa natsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy isika. Satria, noho ny Fanahy Masina, ny fiainana kristianina, amin’izao mbola eto an-tany izao, dia fandraisana anjara amin’ny fahafatesana sy amin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona :
Fa niara-nalevina tamin’i Kristy ianareo tamin’ny Batemy, ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin’Andriamanitra izay nanangan-ko velona Azy avy amin’ny maty ianareo (…). Koa raha niara-natsangan-ko velona tamin’i Kristy àry ianareo, ny zavatra any ambony any amin’ izay misy an’i Kristy, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, no katsaho (Kôl 2,12 ; 3,1).
Ny mpino, nampiraisina tamin’i Kristy tamin’ny Batemy, dia efa mandray anjara marina amin’ny fiainana any an-danitra misy an’i Kristy nitsangan-ko velona jer. Filip 3,20., kanefa io fiainana io dia mijanona ho “miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’ Andriamanitra” (Kôl 3,3). “Miaraka Aminy, natsangany ho velona sy napetrany any an-danitra, ao amin’i Kristy Jesoa, isika” (Efez 2,6). Mivelona amin’ny Vatany amin’ny Eokaristia isika, ka efa anisan’ny ao amin’ny Vatan’i Kristy sahady. Rahefa hatsangan-ko velona isika amin’ny farandro dia “haseho miaraka Aminy henim- boninahitra” koa (Kôl 3,4).
Eo am-piandrasana izany andro izany, ny vatana sy ny fanahin’ny mpino dia efa mandray anjara sahady amin’ny fahamendrehana ho “an’i Kristy” ; koa avy amin’izany no ilana ny fanajana ny vatan-tenantsika, ary koa ny an’ny hafa, indrindra raha mijaly izy :
Ny vatana ho an’ny Tompo, ary ny Tompo ho an’ny vatana. Ary Andriamanitra, izay nanangana ny Tompo ho velona, hanangana antsika koa, amin’ny heriny. Tsy fantatrareo va fa rantsambatan’i Kristy ny vatanareo ? (…) Tsy anareo ny vatanareo (…). Andriamanitra àry no omeo voninahitra ao amin’ny vatanareo (1 Kôr 6,13-15.19-20).
II.Maty ao amin’i Kristy Jesoa
Mba hitsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy, tsy maintsy maty miaraka amin’i Kristy, tsy maintsy “miala amin’ity vatana ity, mba handeha hitoetra eo akaikin’ny Tompo” (2 Kôr 5,8). Ao amin’io fialana jer. Filip 1,23. io, izay tsy inona fa ny fahafatesana, dia misaraka amin’ny vatana ny fanahy. Hakambana indray amin’ny vatany izy amin’ny andron’ny fitsanganan’ny maty ho velona jer. SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
Ny fahafatesana
“Eo anoloan’ny fahafatesana no tonga amin’ny fara tampony ny zavatra saro-pantarina momba ny toe-piainan’olombelona” FAA 18.. Amin’ny lafiny iray, dia ara-pomban’ny zavaboary ny fahafatesan’ny vatana, nefa ho an’ny finoana dia “tambin’ny ota” izany (Rôm 6,23) jer. Jen 2,17., raha ny tena marina. Fa ho an’ireo izay maty ao amin’ny fahasoavan’i Kristy, dia fandraisana anjara amin’ny fahafatesan’ny Tompo izany, mba hahafahana mandray anjara koa amin’ny Fitsanganany ho velona jer. Rôm 6,3-9; Filip 3,10-11..
Fiafaran’ny fiainana eto an-tany ny fahafatesana. Voarefin’ny fotoana ny fiainantsika, ary mandritra izany dia miova isika, mihaantitra, ary toy ny ao amin’ireo zavamananaina rehetra eto an-tany no itrangan’ny fahafatesana ho toy ny fiafaran’ny fiainana tsotra izao fotsiny. Io endriky ny fahafatesana io dia mampiseho fahamehana amin’ny fiainantsika : ny fieritreretana ny fahafatesantsika dia manampy koa hampahatsiaro antsika fa tsy manana afa-tsy fotoana voafetra ihany isika mba hanatanterahana ny fiainantsika :
Tsarovy ny Mpahary anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, (…) dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fofon’aina kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy (Mpitor 12,1.7).
Vokatry ny fahotana ny fahafatesana. Amin’ny maha-mpivaofy marina ny voalazan’ny Soratra Masina jer. Jen 2,17; 3,3; 3,19; Fah 1,13; Rôm 5,12; 6,23. sy ny Lovam-pampianarana ny Toniam-pampianaran’ ny Fiangonana, dia mampianatra izy fa tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny fahafatesana noho ny fahotan’ny olombelona jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Na dia manana toetra mety maty aza ny olombelona, Andriamanitra kosa nandahatra azy tsy ho faty. Koa noho izany, ny fahafatesana dia mifanohitra amin’ny fandaharan’Andriamanitra Mpahary, fa noho izy vokatry ny fahotana no nidirany teto amin’izao tontolo izao jer. Fah 2,23-24.. “Ny fahafatesan’ny vatana, izay tsy tokony nihatra tamin’ny olombelona raha tsy nanota izy” FAA 18., araka izany, no “fahavalo faran’ ” ny olombelona tsy maintsy resena (1 Kôr 15,26).
Novàn’i Kristy ny fahafatesana. I Jesoa, ilay Zanak’Andriamanitra, dia niaritra koa ny fahafatesana, izay tandra vadin-koditry ny toe-piainan’olombelona. Kanefa, na teo aza ny horohoro aman-tahotra nanjo Azy nanoloana izany jer. Mk 14,33-34; Heb 5,7-8., dia nozakainy tao anatin’ny asa fankatoavana tanteraka sy an-kalalahana ny sitrapon’ny Rainy izany. Ny faneken’i Jesoa no nanova ny ozon’ny fahafatesana ho tsodrano jer. Rôm 5,19-21..
Ny dikan’ny fahafatesana kristianina
Noho i Kristy, misy dikany marina ny fahafatesana kristianina. “Raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako ary ny fahafatesana no ahazoako tombony” (Filip 1,21). “ Teny mahatoky tokoa izao : raha miara-maty Aminy isika, hiara-belona Aminy koa” (2 Tim 2,11). Eo amin’izany ny zava-baovao ilaina amin’ny fahafatesana kristianina : amin’ny Batemy, ny kristianina dia efa “maty miaraka amin’i Kristy” ara-tsakramenta, mba hivelona amin’ny aim-baovao ; ary raha maty ao anatin’ny fahasoavan’i Kristy isika, ny fahafatesana ara-batana no manapitra io “maty miaraka amin’i Kristy” io sy mamarana, araka izany, ny fanakambanana antsika Aminy amin’ny asam-panavotany :
Tsara ho ahy ny maty ao amin’i (eis) Kristy Jesoa, mihoatra noho ny manjaka hatrany amin’ny faran’ny tany. Izy no katsahiko, izay maty ho antsika. Izy no ilaiko, izay nitsangan-ko velona ho antsika. Manakaiky ny fahaterahako (…). Avelao aho handray ny fahazavana madio mangarangarana ; rahefa ho tonga eo aho, dia izay aho no ho olona Md Ignace d’Antioche, Rom. 6,1-2..
Amin’ny fahafatesana no miantso ny olombelona hankany Aminy Andriamanitra. Izany no ahafahan’ny kristianina mahatsapa, manoloana ny fahafatesana, ny faniriana mitovy amin’ny an’i Md Paoly hoe : “Iriko ny handeha ho any amin’i Kristy sy hiaraka Aminy” (Filip 1,23) ; ary afaka hanova ny fahafatesan’ny tenany ho asam-panekena sy fitiavana ny Ray izy, amin’ny oha-piainan’i Kristy jer. Lk 23,46. :
Nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana ny faniriako teto an-tany ; (…) ato amiko ato misy rano velona izay mizozozozo malefaka sy miteny ao anatiko hoe : “Andao ho any amin’ny Ray” Md Ignace d’Antioche, Rom. 7,2.. Maniry hahita maso an’Andriamanitra aho, ary mba hahitana Azy dia tsy maintsy maty Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, poe 7.. Tsy maty aho akory, miditra any amin’ny fiainana aho Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, lettre..
Ny fahitan’ny kristianina ny fahafatesana jer. 1 Tes 4,13-14. dia voambara amin’ny fomba manan-tombo sy manokana ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana :
Ho an’ireo izay mino Anao ry Tompo, miofo ny aina fa tsy levona ; ary rahefa tapitra ny fonenan’izy ireo eto an-tany, dia efa manana fonenana mandrakizay any an-danitra sahady izy ireo MR, Prefasy ho an’ny nodimandry..
Ny fahafatesana no fiafaran’ny fivahinian’ny olombelona eto an-tany, fiafaran’ny fotoanan’ny fahasoavana sy ny famindram-po izay natolotr’Andriamanitra azy mba hanatontosany ny fiainany teto an-tany araka ny fandaharan’Andriamanitra sy mba hanapahany hevitra ny amin’ny anjarany farany. Rahefa nifarana “ilay hany zotram-piainantsika teto an-tany” FF 48., tsy hiverina intsony amin’ny fiainana hafa eto an-tany isika. “Tsy maty afa-tsy indray mandeha ihany ny olombelona”(Heb 9,27). Tsy misy “fiverenan-ko nofo indray” aorian’ny fahafatesana.
Mamporisika antsika ny Fiangonana mba hiomanantsika amin’ny andron’ny fahafatesantsika (“Afaho izahay, ry Tompo, amin’ny fahafatesana tampoka sy tsy ampoizina” : Litania tranain’ny olomasina), hangataka amin’ny Renin’ Andriamanitra hitalaho ho antsika “amin’ny fotoana hahafatesantsika” (Vavaka Arahaba, ry Maria), ary mba hanankinantsika izany amin’i masindahy Josefa, mpiaro ny tsara fahafatesana :
Amin’ny asanao amam-pihetsikao rehetra, amin’ny eritreritrao rehetra, tokony hahay hitondra tena ianao sahala amin’ny hoe tsy maintsy ho faty anio ihany ianao. Raha tsara toetra ny kônsiansinao, tsy hatahotra loatra ny fahafatesana ianao. Tsaratsara kokoa ny mitandrin-tena tsy hanota noho ny mandositra ny fahafatesana. Raha anio ianao tsy vonona, ahoana moa no hahavonona anao rahampitso Imitation du Christ, 1,23,5-8. ? Ho deraina anie Ianao ry Tompoko, noho ranabavy fahafatesanay ara-batana, izay tsy azon’ny olo-miaina na iza na iza andosirana. Loza ho an’ireo izay ho faty ao anatin’ny fahotana mahafaty, fa sambatra sy tretrika kosa ireo izay ho hitan-drafahafatesana ao anatin’ny sitrapony masina indrindra, satria tsy hanisy ratsy azy ireo ny fahafatesana faharoa Md François d’Assise, cant..
“Ny nofo no iompanan’ny famonjena” Tertullien, res. 8,2.. Mino an’Andriamanitra izay mpahary ny nofo isika; mino ny Teny tonga nofo mba hanavotra ny nofo isika ; mino ny fitsanganan’ny nofo ho velona, fahavitan’ny fahariana sy ny fanavotana ny nofo isika.
Amin’ny fahafatesana no misaraka amin’ny vatana ny fanahy, fa amin’ny fitsanganan-ko velona Andriamanitra no hamerina ny aina tsy mety levona ao amin’ny vatantsika voaova amin’ny fampiraisana azy amin’ny fanahintsika. Tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona sy mahavelona Azy mandrakizay, no hananganana antsika rehetra koa amin’ny farandro.
“Mino ny tena fitsanganan-ko velon’ity nofo ananantsika ankehitriny ity tokoa isika” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Kanefa, vatana mety lo no asitrika ao am-pasana, ary vatana tsy mety lo jer. 1 Kôr 15,42., “vatana mitoe-panahy”, no atsangana avy ao” (1 Kôr 15,44).
Vokatry ny fahotana tamin’ny fototra, tsy maintsy iharan’ny “fahafatesam-batana ny olombelona, izay tsy ho nihatra taminy izany raha tsy nanota izy ” FAA18..
I Jesoa, Zanak’Andriamanitra, dia niaritra an-tsitrapo ny fahafatesana ho antsika, tao anatin’ny fankatoavana tanteraka sy an-kalalahana ny sitrapon’Andriamanitra, Rainy. Tamin’ny fahafatesany no nandreseny ny fahafatesana, ka amin’izany no anokafany ho an’ny olombelona rehetra ny fahazoam-pamonjena.
12.“Izaho mino ny fiainana mandrakizay”
Ny kristianina izay mampiray ny fahafatesan’ny tenany amin’ny an’i Jesoa dia mahita ny fahafatesana ho fandehanana ho any Aminy sy fidirana any amin’ny fiainana mandrakizay. Ny Fiangonana, rahefa avy nilaza farany ny teny famelana sy famotsoran’i Kristy ny heloka tamin’ilay kristianina niala aina, nanosotra azy farany tamin’ny fanosorana mampatanjaka ary nanome azy an’i Kristy amin’ny sakramentan’ny Eokaristia ho vatsin-dalana, dia miteny aminy amim-pitokiana mahavelom-bolo hoe :
Ilaozy izao tontolo izao, ry fanahy kristianina, amin’ny anaran’ny Ray Mahefa ny zavatra rehetra izay nahary anao, amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy, Zanak’Andriamanitra velona, izay nijaly ho anao, amin’ny anaran’ny Fanahy Masina izay narotsaka tao aminao. Ankehitriny, raiso ny toeranao ao anatin’ny fiadanana, ary araiketo ny fonenanao miaraka amin’Andriamanitra ao Siôna masina, miaraka amin’i Maria Virjiny, Renin’Andriamanitra, miaraka amin’ny masindahy Josefa, ny anjely sy ny olomasina rehetra an’Andriamanitra (…). Miverena eo anilan’ny Mpahary anao izay namorona anao tamin’ny vovoky ny tany. Amin’ny ora izay hivoahan’ny fanahinao avy ao amin’ny vatanao, hidodododo hitsena anao anie i Maria, ny anjely sy ny olomasina rehetra (…). Enga anie hahita ny Mpanavotra anao mifanatri-tava aminao ianao OEx « Commendatio animae ».….
I.Ny fitsaràna ny tsirairay manokana
Ny fahafatesana no mamarana ny fiainan’ny olombelona izay ho fanomboham-potoana andraisana na andavana ny fahasoavan’ Andriamanitra naseho tao amin’i Kristy jer. 2 Tim 1,9-10.. Ny tena resahin’ny Testamenta Vaovao indrindra dia ny fitsaràna amin’ny endriky ny fihaonana farany amin’i Kristy amin’ny fiverenany fanindroany, nefa manantitrantitra imbetsaka koa izy ny amin’ny valin’ny natao omena eo no eo avy hatrany aorian’ny fahafatesan’ny tsirairay, arakaraka ny tsanganasany sy ny finoany. Ny fanoharana momba an’i Lazara mahantra jer. Lk 16,22. sy ny tenin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana tamin’ilay jiolahy nivalo jer. Lk 23,43., toy izany koa ny lahatsoratra maro hafa ao amin’ny Testamenta Vaovao jer. 2 Kôr 5,8; Filip 1,23; Heb 9,27; 12,23., dia miteny ny amin’ny anjara farany ho an’ny fanahy jer. Mt 16,26., izay mety tsy hitovy amin’ny an’ny sasany ny an’ny hafa.
Ny olombelona tsirairay, raha vantany vao maty izy, dia mandray ao amin’ny fanahiny tsy mety maty, ny valy mandrakizay amin’ny nataony, manoloana ny fitsaràna manokana izay hijerena ny fiainany araka an’i Kristy, na amin’ny alalan’ny fandiovana jer. Kôns. Lyon: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Kôns. Florence: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., na hiditra eo no eo avy hatrany any amin’ny fahasambaran’ny lanitra jer. Kôns. Lyon: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Jean XXII: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Benoît XII: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Kôns. Florence: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., na mamery ny tenany eo no eo avy hatrany any amin’ny fahoriana mandrakizay jer. Kôns. Lyon: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Benoît XII: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; Kôns. Florence: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Amin’ny faran’ny fiainantsika, ny fitiavana no hitsaràna antsika Md Jean de la Croix, avisos 57..
II.Ny lanitra
Ireo izay maty ao anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, ary voadio tanteraka, no velona mandrakizay miaraka amin’i Kristy. Mifanahaka mandrakizay amin’Andriamanitra izy ireo, satria mahita Azy “araka ny tena maha-Izy Azy” (1 Jo 3,2), “mifanatri-tava Aminy” (1 Kôr 13,12) jer. Apôk 22,4. :
Avy amin’ny fahefana apôstôlika anananay no amariparitanay fa, araka ny fandaminan’Andriamanitra ankapobeny, ny fanahin’ny olomasina rehetra (…) sy ny mpino hafa rehetra maty taorian’ny nandraisany ny Batemy masin’i Kristy, ka tsy nisy na inona na inona hodiovina intsony ao aminy nony maty izy ireo, (…) na koa, raha nisy na misy zavatra sasany mila hodiovina, rahefa nofaranan’izy ireo ny fanaovana izany taorian’ny fahafatesany, (…) na dia mialoha ny fananganana ny vatan’izy ireo ho velona sy ny Fitsaràna mitamba-be aza, ary izany dia nanomboka hatramin’ny Fiakaran’ny Tompo sady Jesoa-Kristy Mpamonjy any an-danitra, dia efa tany an-danitra, any an-danitra ary ho any an-danitra, any amin’ny Fanjakan’ny lanitra sy any amin’ny Paradisan’ny lanitra miaraka amin’i Kristy, voaray ao amin’ny fikambanan’ny anjely masina izy ireo. Nanomboka hatramin’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa-Kristy Tompontsika, dia nahita ary mahita ny foto-pisian’Andriamanitra izy ireo, amin’ny fomba fahitana tonga fotsiny amin’izao sy mifanatrika mivantana mihitsy, tsy mila ny fanelanelanan’ny zavaboary na dia iray aza Benoît XII: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. koa FF 49..
Izany fiainana lavorary miaraka amin’ny Trinite Masina Indrindra izany, izany fiombonan’aina amam-pitiavana Aminy, miaraka amin’i Maria Virjiny sy ny anjely ary ny olon-tsambatra rehetra izany, no antsoina hoe “lanitra”. Ny lanitra no tanjom-piafaràna sady fahatanterahan’ny faniriana lalina indrindra ao am-pon’ny olombelona, toe-pahasambarana fara tampony sady mandrakizay.
Ny hoe miaina any an-danitra dia ny “mitoetra miaraka amin’i Kristy” jer. Jo 14,3; Filip 1,23; 1 Tes 4,17.. Mivelona “ao Aminy” ny olom-pinidy, fa ao izy ireo no mitahiry sy mahita tsara tokoa ny tena maha-izy Azy, sy ny anarany manokana avy jer. Apôk 2,17. :
Satria ny fiainana dia ny mitoetra miaraka amin’i Kristy : izay misy an’i Kristy, misy ny fiainana, misy ny fanjakan’ny lanitra Md Ambroise, Luc 10,121..
Tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona i Jesoa-Kristy no “nanokatra” ny lanitra ho antsika. Ny fiainan’ny olon-tsambatra dia mifototra amin’ny fananana ny hafenoan’ny vokatry ny fanavotana notontosain’i Kristy izay manakambana an’ireo izay nino Azy sy izay tsy nivadika mihitsy tamin’ny sitrapony, amin’ny fanomezam-boninahitra Azy any an-danitra. Ny lanitra no fiombonam-pahasambaran’izay rehetra voakambana tanteraka Aminy.
Izany misterin’ny fiombonam-pahasambarana miaraka amin’ Andriamanitra sy miaraka amin’izay rehetra ao amin’i Kristy izany, dia mihoatra noho izay rehetra azo heverina sy izay rehetra azo aseho. Sary an’ohatra maro no itenenan’ny Soratra an’izany amintsika : fiainana, fahazavana, fiadanana, fanasam-be amin’ny fampakaram-bady, divain’ny fanjakan’Andriamanitra, tranon’ny Ray, Jerosalema any an-danitra, paradisa : “Zavatra tsy mbola hitan’ny maso, tsy mbola ren’ny sofina, tsy mbola tafiditra ao am-pon’ny olona velively, no namboarin’Andriamanitra ho an’ireo izay tia Azy”(1 Kôr 2,9).
Noho ny fahamboniana tsy taka-polopolorina an’Andriamanitra, dia tsy mety ho hitan’ny maso amin’ny tena maha-Izy Azy Izy, raha tsy ny Tenany mihitsy no manokatra ny misteriny amin’ny fibanjinan’ny olombelona eo no eo mivantana, ary Izy no manome azy ny herim-pahazoana manao izany. Io fibanjinana an’Andriamanitra ao amin’ny voninahiny any an-danitra io no antsoin’ny Fiangonana hoe : “fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra” :
Hanao ahoana re izany voninahitrao sy hasambaranao ! : rahefa voaray ho anisan’ny mahita maso an’Andriamanitra, manana ny haja amam-boninahitra handray anjara amin’ny hafaliam-pamonjena sy ny fahazavana mandrakizay amin’ny fiarahana amin’i Kristy ilay Tompo Andriamanitrao, (…) miadam-pinaritra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra amin’ny fiarahana amin’ny olo-marina sy ny sakaizan’Andriamanitra, amin’ny hafaliam-pananana ny tsy fahafatesana Md Cyprien, ep. 58,10..
Ao amin’ny voninahitry ny lanitra, manohy manatanteraka amin-kafaliana ny sitrapon’Andriamanitra ny olon-tsambatra, raha ampitahaina amin’ny olombelona hafa sy amin’ny zavaboary manontolo. Efa manjaka miaraka amin’i Kristy izy ireo ; miaraka Aminy, “hanjaka mandrakizay mandrakizay izy ireo” (Apôk 22,5) jer. Mt 25,21.23..
III.Ny fandiovana farany na Afofandiovana
Ireo izay maty ao anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, kanefa tsy voadio tanteraka, na azo antoka aza ny famonjena mandrakizay ho azy ireo, dia mijaly amin’ny fandiovana aorian’ny fahafatesany izy ireo, mba hahazoana ny fahamasinana ilaina hidirana ao amin’ny hafalian’ny lanitra.
Antsoin’ny Fiangonana hoe Afofandiovana izany fandiovana farany ireo olom-pinidy izany, izay tsy mitovy velively amin’ny famaizana ny olom-bery any amin’ny afobe. Nandrafitra tamin’ny rijan-teny ny fitambaram-pampianaram-pinoana momba ny Afofandiovana ny Fiangonana, indrindra tamin’ny Kônsily tao Florence jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. sy tao Trente jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1580.. Ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana, izay manovo hevitra avy amin’ny lahatsoratra sasany ao amin’ ny Soratra Masina Ohatra 1 Kôr 3,15; 1 Pi 1,7., dia miteny afo mpandio :
Noho ny fisian’ny fahadisoana kely sasantsasany, tsy maintsy mino fa misy afo mpandio alohan’ny fitsaràna, araka ny nolazain’Ilay Fahamarinana, amin’ny fitenenana fa ny olona izay hanao teny faniratsirana ny Fanahy Masina, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy (Mt 12,32). Ao amin’ izany tenim-pitsaràna izany no ahafahantsika mahafantatra fa ny fahadisoana sasantsasany dia mety ho voavela eto amin’ity fiainana ity, fa ny hafa sasantsasany dia any amin’ny fiainana ho avy Md Grégoire le Grand, dial. 4,41,3..
Miankina koa amin’ny fanaovana vavaka ho an’ireo nodimandry izay efa nolazain’ny Soratra Masina, izany fampianarana izany : “Izany no nanaovany (i Jodasa Makabeo) an’izany sorona fanonerana izany ho an’ny maty, mba ho afaka amin’ny fahotany izy ireo” (2 Mak 12,46). Hatrany am-boalohany ny Fiangonana no nanaja ny fahatsiarovana ireo nodimandry sy nanolotra vavaka ho azy ireo, indrindra ny soron’ny Eokaristia jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., mba ho afaka ho tonga amin’ny fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra izy ireo, rahefa voadio. Ny Fiangonana dia manafatrafatra koa amin’ny fiantrana, ny endolzansy ary ny tsanganasa fivalozana ho an’ireo nodimandry :
Mitondrà isika vonjy ho azy ireo ary manaova isika fahatsiarovana azy ireo mandritra ny fivavahana. Raha ny zanak’i Jôba aza voadion’ny sorona nataon-drainy jer. Jôba 1,5., koa aza misalasala isika fa ny fanatitsika ho an’ireo nodimandry dia mitondra fiononana ho azy ireo ? Aza mihambahamba isika mitondra vonjy ho an’ireo izay nialoha lalana sy manolotra ny fivavahantsika ho azy ireo Md Jean Chrysostome, in 1 Cor, hom. 41,5..
IV.Ny afobe
Tsy afaka ho tafaray amin’Andriamanitra isika raha tsy misafidy amin-kalalahana ny ho tia Azy. Kanefa tsy afaka ho tia an’Andriamanitra isika raha manao fahotana lehibe Aminy, amin’ny namantsika na amin’ny tenantsika : “Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana. Na iza na iza mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona ; ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny” (1 Jo 3,14-15). Mampitandrina antsika ny Tompontsika fa ho tafasaraka Aminy isika raha tsy miraharaha hanampy amin’ny zavatra lehibe ilain’ny mahantra sy ny madinika izay rahalahiny jer. Mt 25,31-46.. Ny maty amin’ny fahotana mahafaty tsy nanenina tamin’izany sy tsy nandray ny fitiavana feno famindram-pon’ Andriamanitra, dia midika fa mijanona ho tafasaraka Aminy mandrakizay noho ny safidy malalaka nataon’ny tenantsika. Ary izany toetra fanesoran-tena raikitra ho any ivelan’ny fiombonana amin’Andriamanitra sy amin’ireo olon-tsambatra izany, no lazaina amin’ny teny hoe “afobe”.
Miteny matetika momba ny “gehen’afo tsy mety maty” i Jesoa jer. Mt 5,22.29; 13,42.50; Mk 9,43-48., natokana ho an’ireo izay mandà hatramin’ny fara fiainan’izy ireo tsy hino sy tsy hibebaka, ary izay no mety hahavery ny fanahy sy ny vatana miaraka jer. Mt 10,28.. Tamin’ny teny henjana no nambaran’i Jesoa fa “haniraka ny anjeliny Izy, izay hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra (…), sy hanipy azy ireo ao amin’ny memy mirehitra” (Mt 13,41-42), ary hamoaka ny teny fanamelohany Izy hoe : “Mialà Amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay ! “(Mt 25,41).
Ny fampianaran’ny Fiangonana dia manantitrantitra ny fisian’ny afobe sy ny maha-mandrakizay izany. Ny fanahin’ireo izay maty ao amin’ny toe-pahotana mahafaty dia midina eo no eo avy hatrany any amin’ny afobe aorian’ny fahafatesana, izay ao izy no mijaly amin’ny sazìn’ny afobe, “ilay afo mandrakizay” jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 409; 411; 801; 858; 1002; 1351; 1575; SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God).. Ny sazy lehibe indrindra ao amin’ny afobe dia ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra, satria ao amin’Andriamanitra irery ny olombelona no afaka mahazo ny fiainana sy ny fahasambarana izay ho amin’izany no nahariana azy ary izany rahateo no iriny.
Ny fanantitranteran’ny Soratra Masina sy ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny afobe, dia antso ho amin’ny adidy aman’andraikitra izay tsy maintsy ampiasan’ny olombelona ny fahafahany eo am-piatrehana ny anjara fiainany mandrakizay. Anisan’ny antso maika ho amin’ny fibebahana koa izany : “Midira amin’ny vavahady ety. Fa lehibe ary malalaka ny làlana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mizotra any ; fa tery ny vavahady ary ety ny làlana mankany amin’ny Fiainana, ka vitsy no mahita izany”(Mt 7, 13-14) :
Noho ny tsy fahalalana ny andro sy ny ora, araka ny fampitandreman’ny Tompo, dia tsy maintsy miambina lalandava isika, mba ho mendrika, rahefa hifarana ity fiainantsika tokana eto an-tany ity, ho voaray miaraka Aminy ao amin’ny fampakaram-bady sy horaisina ho anisan’ireo nosoavin’ Andriamanitra, fa tsy ho mpanompo ratsy sy kamo, nodidìn’Andriamanitra hihataka any amin’ny afo mandrakizay, any amin’ireo maizina any ivelany izay any izy ireo no hitomany sy hikitro-nify FF 48..
Andriamanitra tsy nandahatra mialoha na iza na iza ho any amin’ny afobe jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1567. ; ny fankahalana an’Andriamanitra iniana atao (fahotana mahafaty), sy ny mikiry tsy hiala amin’izany hatramin’ny farany no mahatonga izany. Ny Fiangonana, amin’ny litorzian’ny Eokaristia sy amin’ny vavaka isan’ andro ataon’ny mpinony, dia mitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra, izay tsy tia “ny hahavery na iza na iza, fa ny hahatonga ny olona rehetra hibebaka daholo” (2 Pi 3, 9) :
Indro atolotray Aminao ry Tompo ny fanatitra avy aminay mpanomponao sy ny fianakavianao manontolo , ka mba raiso amin’ny fo antra. Aoreno ao amin’ny fiadananao ny andro iainanay rehetra, afaho amin’ny fanamelohana mandrakizay izahay, ary raiso ho anisan’ny olom-pinidinao MR, Canon Romain 88..
V.Ny Fitsaràna farany
Ny fananganan-ko velona ny maty rehetra, “ny marina sy ny mpanota” (Asa 24,15), no hialoha ny Fitsaràna farany. Amin’izany no ho “fotoana handrenesan’izay rehetra ao am-pasana ny feon’ny Zanak’olona, ka hivoaka tao izy ireo ; ireo izay nanao soa dia hatsangan-ko velona ho amin’ny fiainana, fa ireo izay nanao ratsy dia hatsangan-ko velona ho amin’ny fahaverezana mandrakizay” (Jo 5,28-29). Amin’izay i Kristy “ho avy amim-boninahitra, hotronin’ny anjely rehetra (…). Ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary Izy hanavaka ny olona tsirairay avy sahala amin’ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Ny ondry moa hapetrany eo an-kavanany, ary ny osy kosa eo an-kaviany (…). Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireto, fa ny marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay” (Mt 25,31-33.46).
Eo anatrehan’i Kristy Fahamarinana no hibaribary tanteraka ny marina momba ny fifandraisan’ny olombelona tsirairay amin’Andriamanitra jer. Jo 12,48.. Ny Fitsaràna farany no hampiseho, hatrany amin’ny vokany farany indrindra, amin’izay tsara nataon’ny tsirairay na tsy noraharahainy ny nanao izany nandritra ny fiainany tety an-tany :
Voarakitra an-tsoratra daholo ny ratsy rehetra nataon’ny ratsy fanahy – ary tsy fantatr’izy ireo izany. Amin’ny Andro izay “tsy hanginan’ Andriamanitra” (Sal 50,3) (…) hitodika amin’ireo olon-dratsy Izy hiteny hoe : “Ho anareo no nametrahako ny mahantra keliko teny an-tany. Izaho, filohan’izy ireo, nisonanina tany an-danitra teo an-kavanan’ny Raiko – nefa tety an-tany kosa ny rantsambatako noana. Raha mba nanome ho an’ireny rantsambatako ireny ianareo, dia ho nipaka hatrany amin’ny Loha izay nomenareo. Raha nametraka tety ambonin’ny tany ireny mahantra keliko ireny Aho, dia izy ireny no notendreko ho irakirakareo hitondra ny asa soa vitanareo ho ao amin’ny vatan-drakitro : tsy nametraka na inona inona teo an-tanan’izy ireo ianareo, izany no antony tsy anananareo na inona na inona eto anilako” Md Augustin, serm. 18,4,4..
Amin’ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra no hiseho ny Fitsaràna farany. Ny Ray ihany no mahalala ny ora sy ny andron’izany, Izy irery ihany no manapa-kevitra ny amin’ny fahatongavany. Amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Zanany no hanononany amin’izay ny teniny farany momba ny tantara manontolo. Ho fantatsika ny hevitra farany raketin’ny tsanganasam-pahariana manontolo sy ny fitantanam-pamonjena manontolo, ary ho azontsika an-tsaina ny lalana mahagaga izay hitarihan’ny Fitahian’Andriamanitra ny zavatra rehetra ho amin’ny tanjom-piafaràny. Ny Fitsaràna farany no hampiseho fa ny fahamarinan’Andriamanitra no mandresy ny tsy fahamarinana rehetra nataon’ny zavaboariny ary ny fitiavany no mahery kokoa noho ny fahafatesana jer. Ton 8,6..
Miantso ho amin’ny fibebahana, ny hafatry ny Fitsaràna farany, dieny mbola omen’Andriamanitra ny olombelona “ny fotoana tsara, ny androm-pamonjena” (2 Kôr 6,2). Izany no miteraka tahotra masina an’Andriamanitra, sy mandrisika hanao ny fahamarinan’ny Fanjakany, ary manambara ny “fanantenana mahavelom-bolo” (Tito 2,13) amin’ny fiverenan’ny Tompo, izay “ho tonga mba homem-boninahitra ao amin’ireo olomasiny, sy higagana ao amin’izay rehetra hino” (2 Tes 1,10).
VI.Ny fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao
Amin’ny farandro, ho tonga amin’ny hafenoany ny Fanjakan’ Andriamanitra. Aorian’ny fitsaràna ny daholobe, hanjaka mandrakizay miaraka amin’i Kristy ny olo-marina, hohenim-boninahitra amin’ny vatana sy amin’ny fanahy, ary izao tontolon’ny zava-drehetra izao mihitsy koa hohavaozina :
Amin’izany ny Fiangonana no “ho fanaperana ao anatin’ny voninahitry ny lanitra, rahefa hahita ny fahalavorariany tanteraka ao amin’i Kristy izy, miaraka amin’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, izao tontolon’ny zava-drehetra izao mihitsy, tafaray lalina amin’ny olombelona ary mahatratra amin’ny alalany ny anjara fiainany” FF 48..
Izany fanavaozana amin’ny fomba mistery izany, izay hanova ny olombelona sy izao tontolo izao, no antsoin’ny Soratra Masina hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao” (2 Pi 3,13) jer. Apôk 21,1.. Izany no ho fanatontosana raikitra ny fandaharan’Andriamanitra “hamerenana ny zavatra rehetra ho eo ambany Filoha tokana, i Kristy, na ny any an-danitra na ny ety an-tany” (Efez 1,10).
Ao amin’io “tontolon’ny zava-drehetra vaovao” (Apôk 21,5), ilay Jerosalema any an-danitra io, dia hanana ny fonenany eo anivon’ny olombelona rehetra Andriamanitra. “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo ; ny fahafatesana, tsy hisy intsony izany ; ny tomany, ny kiakiaka sy ny fahoriana, tsy hisy intsony izany, satria efa lasa izao tontolo izao tranainy” (Apôk 21,4) jer. Apôk 21,27..
Ho an’ny olombelona, izany fanaperana izany no ho fanatontosana farany ny firaisan’ny taranak’olombelona rehetra, sitrak’Andriamanitra hatramin’ ny fahariana, ka ny Fiangonana mivahiny no “toy ny sakramentan’izany” FF 1.. Ireo izay tafaray amin’i Kristy no hamorona ny fiombonamben’ny olona voavotra, ilay Tanàna Masin’Andriamanitra (Apôk 21,2), “ilay Vadin’ny Zanak’ Ondry” (Apôk 21,9). Izy io dia tsy ho voaratra intsony amin’ny fahotana, ny loto jer. Apôk 21,27., ny fihamboana, izay mandrava na mandratra ny fiombonan’ny olombelona ety an-tany. Ny fahitana mivantana an’ Andriamanitra any an-danitra, izay amin’izany Izy no hiharihary amim-pomba tsy manam-petra amin’ny olom-pinidy, no ho loharano tsy mety ritra amin’ny fahasambarana, ny fiadanana ary ny fiombonana ifanomezana.
Raha ny amin’izao tontolo izao voarindra, dia milaza marina ny Fanambaràna fa misy fiombonana lalina eo amin’ny anjara fiainan’ny tontolon’ny manam-batana sy ny an’ny olombelona :
Fa indrakindrafana be ihany ny zavaboary maniry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra (…) miaraka amin’ny fanantenana fa ho ahafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana koa izy. (…) Satria, fantatsika izany fa ny zavaboary manontolo hatramin’izao andro izao dia mitaraina toy ny mihetsi-jaza. Ary tsy izy irery ihany, fa ny tenantsika koa izay manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy, dia mitaraina ao anaty amin’ny fiandrasana ny fanavotana ny vatantsika (Rôm 8,19-23).
Ny tontolon’ny zava-drehetra hita maso izany dia natokana hiova endrika ihany koa, “mba izao tontolo izao mihitsy, naverina amin’ny toetrany tany am-boalohany, no ho ampiasain’ireo olo-marina, tsy misy zava-misakana intsony na iray aza”, amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanomezam-boninahitra azy ireo ao amin’i Jesoa-Kristy nitsangan-ko velona Md Irénée, haer. 5,32,1..
“Tsy haintsika ny fotoana hahataperan’ny tany sy ny olombelona rehetra, tsy fantatsika ny fomba fanovàna ny endrik’izao tontolo izao voarindra. Marina fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao, nosimban’ny fahotana ; kanefa nampahafantarina antsika, fa Andriamanitra dia manomana ho antsika fonenana vaovao sy tany vaovao izay hanjakan’ny fahamarinana, ary ny fahasambarana no hameno sy hahasafononoka ny hetahetam-piadanana rehetra izay mipololotra avy ao am-pon’ny olombelona” FAA 39, § 1..
“Kanefa ny fiandrasana ny tany vaovao, tsy tokony hahaketraka antsika velively ny amin’ny fiahiana hanajary ity tany ity, fa vao mainka aza tokony hanaitaitra izany : ao no itomboan’ny vondrom-pianakavian’olombelona vaovao, izay manolotra sahady ny soritsoritra sasantsasany ny taonjato ho avy. Noho izany, raha tsy maintsy havahana amim-pitandremana ny fandrosoam-pitomboan’ny fanjakan’i Kristy eto an-tany, dia manan-danja lehibe ho an’ny fanjakan’Andriamanitra io fandrosoana io, raha toa izany ka afaka hanampy amin’ny fandrindrana tsaratsara kokoa ny fianakaviamben’ ny olombelona” FAA 39, § 2..
“Satria ny vokatra tsara rehetra avy amin’ny voarintsika sy ny orinasantska, izay aelintsika eran-tany araka ny baikon’ny Tompo sy ao amin’ny Fanahiny, dia ho hitantsika indray ireny any aoriana any, saingy voadio amin’ny loto rehetra, voazava, voaova endrika, rahefa hatolotr’i Kristy amin’ny Rainy ny fanjakana mandrakizay sy manenika an’izao tontolon’ny zavatra rehetra izao” FAA 39, § 3; jer. koa FF 2.. Amin’izay Andriamanitra dia “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” (1 Kôr 15,28) ao amin’ny fiainana mandrakizay :
Ny Ray no fiainana maharitra sy tena izy, ka amin’ny alalan’ny Zanaka sy ao amin’ny Fanahy Masina no androtsahany ny fanomezan’ny lanitra amin’ny rehetra tsy misy avahana. Isika olombelona koa,noho ny famindram-pony, dia nandray ny fampanantenana maharitra lalandava hahazo ny fiainana mandrakizay Md Cyrille de Jérusalem, catech. ill. 18,29..
Raha vao maty ny olombelona tsirairay, dia mandray ny valy mandrakizay amin’ny nataony, ao amin’ny fanahiny tsy mety maty, amin’ ny fitsaràna ny tsirairay manokana ataon’i Kristy, Mpitsara ny velona sy ny maty.
“Mino isika fa ny fanahin’izay rehetra maty ao amin’ny fahasoavan’i Kristy (…), no ilay Vahoakan’Andriamanitra any ankoatra ny fahafatesana, izay ho resy tanteraka amin’ny andron’ny fananganan-ko velona ka amin’izany ireo fanahy ireo no hakambana indray amin’ny vatan’izy ireo” SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
“Mino isika fa ny vahoaka maro be avy amin’ireo izay tafangona manodidina an’i Jesoa sy i Maria any am-Paradisa, no mamorona ny Fiangonan’ny lanitra, izay ao anatin’ny hasambarana mandrakizay no ahitan’izy ireo an’Andriamanitra araka ny tena maha-Izy Azy, ary ao amin’izany koa izy ireo, amin’ny ambaratonga samihafa, no voakambana amin’ny anjely masina ao amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra iandraiketan’i Kristy ao amin’ny voninahitra, amin’ny fanelanelanana ho antsika sy amin’ny fanampiana ny fahalementsika amin’ny alalan’ny fiahiana maha-mpiray tam-po azy ireo amin’ny finoana” SPF — Sollemnis Professio fidei (Credo of the People of God)..
Ireo izay maty anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, kanefa tsy voadio tanteraka, na azo antoka aza ny famonjena mandrakizay ho azy ireo, dia mijaly amin’ny fandiovana izy ireo aorian’ny fahafatesany, mba hahazo ny fahamasinana ilaina hidirana ao amin’ny hafalian’Andriamanitra.
Noho ny “fiombonan’ny olomasina”, ankinin’ny Fiangonana amin’ny famindram-pon’Andriamanitra ireo nodimandry ary anolorany vavaka ho azy ireo, indrindra ny sorona masin’ny Eokaristia.
Amin’ny fanarahana ny oha-piainan’i Kristy ny Fiangonana no mampitandrina ny mpino ny amin’ny “fisian’ny fahafatesana mandrakizay DCG 69. izay sady mampalahelo no mampahonena”, antsoina koa hoe “afobe”.
Ny fahoriana voalohany indrindra any amin’ny afobe dia ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra izay ao Aminy irery no afahan’ny olombelona manana ny fiainana sy ny fahasambarana, ary ho amin’izany no nahariana azy sy iriny.
Mivavaka ny Fiangonana mba tsy hisy olombelona ho very : “Tompo ô, aza avela ho tafasaraka Aminao na oviana na oviana aho” Oratio ante communionem, 132.. Raha marina fa tsy afaka mahavonjy tena amin’ny herin’ny tenany ihany ny olombelona, dia marina koa fa “tian’Andriamanitra ny hahavoavonjy ny olona rehetra” (1 Tim 2,4) ary ho Azy “vitany avokoa ny zavatra rehetra” (Mt 19,26).
“Ny Fiangonana rômanina Masina Indrindra dia mino sy miaiky marina, fa amin’ny andron’ny Fitsaràna, hiseho vatana eo anoloan’ny tribonalin’i Kristy ny olombelona rehetra mba hanao tatitra ny asa rehetra nataony avy” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. koa DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Amin’ny farandro, ho tonga amin’ny hafenoany ny Fanjakan’ Andriamanitra. Amin’izay ny olo-marina hanjaka miaraka amin’i Kristy mandrakizay, henim-boninahitra vatana sy fanahy, ary ny tontolon’ny zava-drehetra manam-batana koa hovàna endrika. Amin’izay Andriamanitra “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra”( 1 Kôr 15,28) ao amin’ny fiainana mandrakizay.
“Amen”
Ny Izaho mino, tahaka ny boky faran’ny Soratra Masina jer. Apôk 22,21. koa, dia miafara amin’ny teny hebrio hoe Amen. Ahitana izany matetika amin’ny faran’ireo vavaka ao amin’ny Testamenta Vaovao. Toy izany koa, faranan’ny Fiangonana amin’ny “Amen” ny fivavahany rehetra.
Amin’ny fiteny hebrio, ny hoe Amen dia mifandray amin’ny fototeny iray ihany izay niavian’ny teny hoe “mino”. Io fototeny io dia manambara ny fahamafisana, ny fahazoana antoka, ny tsy fivadihana. Araka izany, fantatra ny antony mahatonga ny “Amen” ho azo ilazana ny tsy fivadihan’ Andriamanitra amintsika sy ny fitokiantsika Aminy.
Ao amin’i Izaia mpaminany dia ahitana ny fomba fiteny hoe “Andriamanitry ny fahamarinana”, ara-bakiteny dia hoe “Andriamanitry ny Amen”, izany hoe Andriamanitra tsy mivadika amin’ny fampanantenany : “Na iza na iza te hotahìna eto an-tany, dia te hotahìn’ny Andriamanitry ny Amen” (Iz 65,16). Mampiasa matetika ny teny hoe “Amen” jer. Mt 6,2.5.16. ny Tompontsika, indraindray amin’ny endrika averina indroa jer. Jo 5,19., mba hanamafisana ny maha-azo antoka ny fampianarany, ny Fahefany miorina amin’ny Fahamarinan’Andriamanitra.
Ny “Amen” famaranana ny Izaho mino izany dia mamerina sy manamafy ireo teniny anankiroa voalohany hoe : “Izaho mino”. Ny mino, dia ny milaza hoe “Amen” amin’ny teny, amin’ny fampanantenana, amin’ny didin’ Andriamanitra, dia ny matoky tanteraka an’Ilay izay “Amen’ ” ny fitiavana tsy manam-petra sy tsy fivadihana tanteraka. Ny fiainana kristianina isan’ andro izany dia ho “Amen” amin’ny “Izaho minon’ny” Fiekem-pinoana tamin’ny Batemintsika :
Aoka ny Sembolinao ho toy ny fitaratra ho anao. Jereo ao aminy ny tenanao : mba hahitana raha inoanao izay rehetra ambaranao fa inoana. Ary mifalia ianao isan’andro amin’ny finoanao Md Augustin, serm. 58, 11,13..
Ny Tenan’i Jesoa-Kristy mihitsy no “ilay Amen” (Apôk 3,14). Izy no “Amen” tsy miovan’ny fitiavan’ny Ray antsika ; Izy no mizaka ao Aminy sy manatomombana ny “Amen’ ” antsika amin’ny Ray : “Ny fampanantenana rehetra avy amin’Andriamanitra, araka izany, dia ny "eny" azy ireo tao Aminy ; ka moa tsy amin’ny Alalany rahateo no ilazantsika ny "Amen" antsika amin’ny Voninahitr’Andriamanitra !” (2 Kôr 1,20) :
Amin’ny alalany sy miaraka Aminy ary ao Aminy, ry Andriamanitra Ray Mahefa ny zavatra rehetra, dia Anao avokoa, ao amin’ny Fanahy Masina, ny haja amam-boninahitra, amin’ny taona rehetra mandrakizay. AMEN Doxologio post precem eucharisticam..
* * * * * * * * * *