2. Ny fankalazana ny mistery kristianina
¶1066–1690
Ao amin’ny Famintinana: F218–356
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Inona no anton’ny litorzia ?
Ao amin’ny Sembolin’ny finoana no anambàran’ny Fiangonana ampahibemaso ny misterin’ny Trinite Masina sy ny “fandaharana lalin’ny safidim-pony” (Efez 1,9) amin’ny voary manontolo : notanterahin’ny Ray ny “misterin’ny sitrapony” tamin’ny nanomezany ny Zanany Malalany sy ny Fanahiny Masina ho famonjena an’izao tontolo izao sy ho voninahitry ny anarany. Izany no misterin’i Kristy . jer. Efez 3,4., nambara sy notanterahina teo amin’ny tantara araka ny drafitra, ny “fandaharana” voalamina tamim-pahendrena izay antsoin’i Md Paoly hoe “filaharan’ilay hevitra lalina miafina hatrizay hatrizay” (Efez 3,9), ary hantsoin’ny lovam-pampianaran’ ny Aba hoe “fitantanan’ny Teny tonga nofo”, na hoe “fitantanam-pamonjena”.
“Izany tsanganasam-panavotana ny olombelona sy ny fanomezam-boninahitra lavorary an’Andriamanitra izany, izay nosantarina mialoha tamin’ireo tsanganasa lehibe nataon’Andriamanitra teo amin’ny vahoakan’ ny Testamenta Taloha, dia i Kristy Tompo no nanatanteraka indrindra izany tamin’ny misterin’ny Pakan’ny fijaliany mahasambatra, ny fitsanganany ho velona avy tao amin’ny toeran’ny maty ary ny fiakarany amim-boninahitra any an-danitra ; misterin’ny Paka izay tamin’izany no "nandravany ny fahafatesantsika tamin’ny nahafatesany, sy nanavaozany ny fiainana tamin’ ny nitsanganany ho velona". Satria tao amin’ny lanivoan’i Kristy maty teo amin’ny Hazofijaliana no teraka "ny sakramenta mahatalanjon’ny Fiangonana manontolo" . L 5..” Izany no mahatonga ny Fiangonana mankalaza mialoha, amin’ny litorzia, ny misterin’ny Paka izay amin’ny alalany no anatanterahan’i Kristy ny tsanganasam-pamonjena antsika.
Koa io misterin’i Kristy io no ambaran’ny Fiangonana sy ankalazainy amin’ny litorziany, mba hivelona amin’izany ny mpino sy hijoro ho vavolombelon’izany eo amin’izao tontolo izao :
Satria, ny litorzia, izay aminy, indrindra amin’ny sorona masin’ny Eokaristia, no “iasan’ny tsanganasa fanavotana antsika”, dia manampy amin’ny fomba ambony indrindra amin’izay asehon’ny mpino sy aharihariny amin’ny hafa, amin’ny alalan’ny fiainan’izy ireo, ny misterin’i Kristy sy ny fomba aman-toetra tena izy ny Fiangonana marina tokoa L 2..
Inona no dikan’ny teny hoe litorzia ?
“Tsanganasam-bahoaka”, “asa fanompoan’ny vahoaka / ho tombon-tsoam-bahoaka” no dikan’ny teny hoe “litorzia” tany am-piandohana. Amin’ny lovam-pampianarana kristianina kosa, dia ny fandraisan’ny Vahoakan’ Andriamanitra anjara amin’ny “tsanganasan’Andriamanitra” jer. Jo 17,4., no tiana hampahafantarina amin’io teny io. Amin’ny alalan’ny litorzia, i Kristy Mpamonjintsika sy Mpisorombe no manohy ao amin’ny Fiangonany, miaraka aminy sy amin’ny alalany, ny tsanganasam-panavotana antsika :
Ny teny hoe “litorzia” ao amin’ny Testamenta Vaovao dia ampiasaina tsy hoe hanondroana fotsiny ny fankalazana amin’ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra jer. Asa 13,2; Lk 1,23., fa koa ny fitoriana ny Evanjely jer. Rôm 15,16; Filip 2,14-17 sy Filip 2,30.sy ny fifankatiavana arahin’asa jer. Rôm 15,27; 2 Kôr 9,12; Filip 2,25.. Ny fototr’ireo toe-draharaha rehetra ireo, dia ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny olombelona. Amin’ny fankalazana litorzika, ny Fiangonana dia mpanompo, amin’ny endriky ny Tompony, ilay “Mpilitorzia” jer. Heb 8,2 sy 6.tsy manam-paharoa, amin’ny fandraisany anjara ny maha-mpisorona Azy (asam-panompoana an’Andriamanitra), maha-mpaminany Azy (asam-pitoriana), ary maha-mpanjaka Azy (asam-pitiavana ny hafa) :
Noho izany, ara-drariny raha heverina fa ny litorzia dia fampiasana ny anjara raharaha maha-mpisorona an’i Jesoa-Kristy, fampiasana izay amin’izany ny fanamasinana ny olombelona no ampahafantarina amin’ny alalan’ireo famantarana ren’ny fandrenesana sy tanterahina amin’ny fomba sahaza ny tsirairay avy amin’izy ireo, izay amin’izany ny fanompoam-pivavahan’ny vahoaka manontolo no ampiasain’ny Vatana mistikan’i Jesoa-Kristy, izany hoe amin’ny alalan’ny Filoha sy amin’ny alalan’ny rantsambatany. Koa noho izany, ny fankalazana litorzika rehetra, amin’ny maha-tsanganasan’i Kristy mpisorona sy ny Vatany, izay ny Fiangonany, dia asa masina ambony indrindra ka tsy misy asa hafa na dia iray aza ataon’ny Fiangonana mety hahatratra ny vokatra mitovy fiamboniana sy mitovy ambaratonga aminy L 7..
Loharanon’aina ny litorzia
Ny litorzia, noho izy tsanganasan’i Kristy, dia asan’ny Fiangonany koa. Izy no manatanteraka sy mampiseho ny Fiangonana ho famantarana hita maso amin’ny fiombonan’Andriamanitra sy ny olombelona amin’ny alalan’ i Kristy. Izy no mampirotsaka ny mpino ao amin’ny Fiainam-baovao ny ankohonam-piangonana. Izy no mampisy ny fandraisana anjaran’ny rehetra “amim-pahatsiarovan-tena, amim-pahavitrihana ary amim-pahavokarana” L 11..
“Tsy mahatapitra ny asa rehetra sahanin’ny Fiangonana akory ny litorzia” L 9.: tokony hialohavan’ny fitoriana ny Evanjely, ny finoana ary ny fibebahana izy ; koa noho izany, afaka mitondra ny vokany ao amin’ny fiainan’ny mpino izy : ny Fiainam-baovao araka ny Fanahy, ny firotsahana eo amin’ ny fanirahana ny Fiangonana ary ny fanompoana ho amin’ny Firaisany.
Vavaka sy litorzia
Fandraisana anjara koa amin’ny vavak’i Kristy ny litorzia, avantana amin’ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina. Ao aminy no ahitan’ny vavaka kristianina manontolo ny fiandohany sy ny fiafarany. Amin’ny alalan’ny litorzia, ny olona anaty no mamahatra sy miorina jer. Efez 3,16-17. amin’ny “fitiavana lehibe izay itiavan’ny Ray antsika” (Efez 2,4) ao amin’ny Zanany Malalany. Izany dia iray ihany amin’ny “zava-mahagaga ataon’ Andriamanitra” izay iainana sy ampidirina ao anaty amin’ny alalan’ny vavaka rehetra “atao lalandava, ao amin’ny Fanahy” (Efez 6,18).
Katesezy sy litorzia
“Ny litorzia no fara tampony amin’izay kendrena amin’ny asan’ny Fiangonana, sady koa loharano ipoiran’ny heriny manontolo” L.10.. Izy izany no toerana fanovozan-tsoa manokana amin’ny katesezin’ny Vahoakan’ Andriamanitra. “Mifamatotra anaty amin’ny asa rehetra ara-litorzia sy ara-tsakramenta ny katesezy, satria amin’ny sakramenta, fa indrindra amin’ny Eokaristia i Jesoa-Kristy no manao asa feno fatra ho amin’ny fanovàna ny olombelona” Joany Paoly II, CT 23..
Ny katesezy litorzika dia mikendry ny hampiditra ao amin’ny misterin’i Kristy (“mystagogie" no iantsoana izany), avy amin’ny hita maso no mankamin’ny tsy hita maso, avy amin’izay manambara mankamin’izay ambara, avy amin’ny “sakramenta” mankamin’ny “mistery”. Ny katesezy toy izany no andraikitry ny katesizy eo an-toerana sy amin’ny faritany. Ity Katesizy ity, izay te-hanampy ny Fiangonana manontolo, ao anatin’ny faha-samy hafa ny fombam-pivavahany sy ny kolontsainy jer. L 3-4., no hanolotra izay fototra sy iombonan’ny Fiangonana manontolo mikasika ny litorzia amin’ny maha-mistery sy maha-fankalazana azy (sampana voalohany) manaraka izany ny sakramenta fito sy ny sakramentaly (sampana faharoa).
Ny andron’ny Pantekôty, tamin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina, no naseho tamin’izao tontolo izao ny Fiangonana jer. L 6; FF 2.. Ny fanomezana ny Fanahy no nisantatra ny vanim-potoana vaovao tamin’ny “fizarazarana ny mistery”: ny vanim-potoanan’ny Fiangonana, izay mandritra izany i Kristy no maneho, tonga eo ary mampita ny tsanganasam-pamonjeny amin’ny alalan’ ny litorzian’ny Fiangonany, “mandra-piaviny” (1 Kôr 11,26). Mandritra izany vanim-potoanan’ny Fiangonana izany, dia miaina sy miasa ao amin’ ny Fiangonany i Kristy hatramin’izao ary miaraka aminy amin’ny fomba vaovao, sahaza izany vanim-potoana vaovao izany. Miasa amin’ny alalan’ ny sakramenta Izy; izany no iantsoan’ny Lovam-pampianarana iombonan’ ny Tatsinanana sy ny Tandrefana hoe : “fitantanam-pamonjena ara-tsakramenta”; ny maha-izy azy ity dia ny fampitana (na “fizarazarana”) ny vokatry ny misterin’ny Pakan’i Kristy amin’ny fankalazana ny litorzia “ara-tsakramentan’ ” ny Fiangonana. Noho izany, zava-dehibe ny manazava mialoha io “fizarazarana ny sakramenta” io (toko voalohany). Amin’izany no hahitana mazava tsara kokoa ny toetra sy ny tena endriky ny fankalazana litorzika (toko faharoa).
1.Ny litorzia – tsanganasan’ny Trinite Masina
I.Ny Ray, loharano ipoirana sy tanjona iafaran’ny litorzia
”Hisaorana anie Andriamanitra sady Rain’i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay nitsodrano antsika tamin’ny tsodrano rehetra ara-panahy, any an-danitra, ao amin’i Kristy. Tamin’izany Izy no nifidy antsika tao Aminy, talohan’ny fanorenana an’izao tontolo izao, mba ho masina sy madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehany, ao amin’ny fitiavana, tamin’ny nanendreny antsika mialoha, mba ho zanaka hatsangana ho Azy amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy isika. Izany no safidin’ny sitrapony, amin’ny fiderana ny voninahitry ny fahasoavany izay nanomezany ny soa ho antsika ao amin’Ilay Malalany” (Efez 1,3-6).
Ny mitsodrano dia asan’Andriamanitra izay manome ny fiainana ka ny Ray no loharano ipoiran’izany. Ny tsodranony dia sady teny no fanomezana (bene-dictio, eu-logia). Io teny io, rahefa ampiharina amin’ ny olombelona, dia hanana dikany hoe fitsaohana sy fanolorana ao anatin’ny fisaorana ny Mpahary azy.
Hatramin’ny fiandohana ka mandra-pahatapitra ny fotoana rehetra, ny tsanganasan’Andriamanitra manontolo dia tsodrano. Manomboka amin’ny tononkalo litorzikan’ny fahariana voalohany ka hatramin’ny tonon-kiran’i Jerosalema any an-danitra, ny mpanoratra nahazo fitsilovan-tsaina dia manambara ny fandaharam-pamonjena ho tsodrano tsy misy fetra avy amin’Andriamanitra.
Nanomboka tany am-piandohana Andriamanitra no nitsodrano ireo zavamananaina, singanina manokana ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe sy tamin’ireo zavamananaina no nanavaozana izany tsodranom-piterahana amam-pahavokarana izany, na dia teo aza ny fahotan’ny olombelona izay nahatonga ny tany ho “voaozona”. Kanefa, nanomboka tamin’i Abrahama ny tsodranon’ Andriamanitra no naninteraka ny tantaran’ny olombelona, izay mandeha ho any amin’ny fahafatesana, mba hamerina azy hiakatra ho amin’ny fiainana, any amin’ny loharano nipoirany : amin’ny alalan’ny finoan’ilay “rain’ny mpino” izay nandray ny tsodrano no nisantarana ny tantaram-pamonjena.
Ny tsodranon’Andriamanitra dia miharihary amin’ny zava-dehibe tsy fahita andavanandro mampitolagaga sy mahavonjy : ny nahaterahan’i Isaaka, ny fialana tao Ejipta (Paka sy Eksaody), ny fanomezana ny Tany nampanantenaina, ny fifidianana an’i Davida, ny maha-ao an-tempoly an’ Andriamanitra, ny sesitany mpanadio ary ny fiverenan’ny “Sisa kely”. Ny Lalàna, ny Mpaminany ary ny Salamo izay mandrafitra ny litorzian’ny Vahoaka voafidy, dia sady mampahatsiaro ireny tsodranon’Andriamanitra ireny no mamaly izany amin’ny tsodranom-piderana sy fisaorana.
Ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana ny tsodranon’Andriamanitra no ambara sy ampitaina manontolo : ny Ray no ekena marina sy tsaohina ho Loharano ipoirana sy Tanjona iafaran’ny tsodrano rehetra amin’ny fahariana sy ny famonjena; ao amin’ny Teniny, tonga nofo, maty sy nitsangan-ko velona ho antsika, no amenoany ao amintsika ny tsodranony mitafotafo, ary amin’ny Alalany no androtsahany ao am-pontsika ny Fanomezana izay misy ny fanomezana rehetra : ny Fanahy Masina.
Mazava àry izany ny lafin-kevitra roa amin’ny litorzia kristianina ho valim-pinoana sy fitiavana amin’ireo “tsodrano ara-panahy” izay anomezan’ny Ray ny soa ho antsika. Etsy an-daniny, ny Fiangonana, miray amin’ny Tompony sy “entanin’ny Fanahy Masina” (Lk 10,21), dia mankalaza ny Ray “noho ny Fanomezany tsy hay ambara” (2 Kôr 9,15) amin’ny alalan’ny fitsaohana, ny fiderana ary ny fisaorana. Etsy an-kilany, mandra-pahatontosa ny fandaharan’Andriamanitra, tsy mitsahatra ny Fiangonana manolotra amin’ny Ray “ny fanatitra avy amin’ny fanomezany manokana” ary mitalaho Aminy mba handrotsaka ny Fanahy Masina eo amin’ilay fanatitra, eo amin’ny tenan’izy Fiangonana, eo amin’ny mpino ary eo amin’izao tontolo rehetra izao, ka noho ny fiombonana amin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy-Mpisorona ho velona sy noho ny herin’ny Fanahy, dia hisy vokany amin’ny fiainana ireny tsodranon’ Andriamanitra ireny, “amin’ny fiderana ny voninahitry ny fahasoavany” (Efez 1,6).
II.Ny tsanganasan’i Kristy ao amin’ny litorzia
I Kristy nomem-boninahitra …
“Amin’ny fipetrahan’i Kristy eo an-kavanan’ny Ray” sy amin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina ao amin’ny Vatany, izay ny Fiangonana izany, dia miasa Izy hatramin’izao amin’ny alalan’ireo sakramenta, noforonin’ny Tenany mba hampitana ny fahasoavany. Ny sakramenta dia famantarana ren’ny fandrenesana (teny sy asa), mora azon’ny maha-olona antsika izao. Ireo sakramenta ireo no manatanteraka amim-pomba mandaitra ny fahasoavana izay ampahafantariny, noho ny asan’i Kristy sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.
Ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana, i Kristy no mampahafantatra sy manatanteraka voalohany indrindra ny misterin’ny Pakany. Nandritra ny fiainany teto an-tany, nambaran’i Jesoa tamin’ny alalan’ny fampianarany sy nataony mialoha tamin’ny alalan’ny asany ny misterin’ny Pakany. Nony tonga ny Orany jer. Jo 13,1; 17,1., dia niainany ny zava-miseho tokana aman-tany teo amin’ny tantara izay tsy mihelina fotsiny : maty i Jesoa, dia nalevina, nitsangana tamin’ny maty ary mipetraka eo an-kavanan’ny Ray “indray mandeha monja dia ampy” (Rôm 6,10; Heb 7,27; 9,12). Tena zava-niseho marina izany, tonga tsy nampoizina teo amin’ny tantarantsika, nefa dia tokana aman-tany : ny zava-miseho hafa rehetra eo amin’ny tantara dia miseho indray mandeha, dia miserana, ary dia atelin’ny lasa. Ny misterin’ny Pakan’i Kristy kosa tsy mety hivalona fotsiny ho lasa, satria tamin’ny alalan’ny Fahafatesany no nandravany ny fahafatesana, ary izay rehetra maha-Kristy an’i Kristy, sy izay rehetra nataony ary niaretany fijaliana ho an’ny olombelona rehetra, dia miombona anjara amin’ny mandrakizain’Andriamanitra sy mihoatra ny fotoana rehetra amin’izany, ary eo lalandava. Ny Zava-niseho teo amin’ny Hazofijaliana sy ny Fitsanganan-ko velona dia maharitra ary manintona ny rehetra ho any amin’ny Fiainana.
… nanomboka tamin’ny Fiangonan’ny apôstôly …
”Tahaka ny nanirahan’ny Ray an’i Kristy no nanirahan’ny Tenan’Izy Kristy koa ny apôstôliny, fenon’ny Fanahy Masina, tsy hoe mba hanambaràn’izy ireo fotsiny, amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny voary rehetra, fa ny Zanak’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona, no nanafaka antsika tamin’ny fahefan’i Satana sy tamin’ny fahafatesana, ary namindra antsika ho ao amin’ny Fanjakan’ny Rainy, fa koa mba hampiasan’izy ireo izany tsanganasam-pamonjena nambarany izany, amin’ny alalan’ny Sorona sy ny sakramenta izay ifantohan’ny fiainana litorzika manontolo” L.6..
Araka izany, i Kristy nitsangan-ko velona, tamin’ny nanomezany ny Fanahy Masina ny apôstôly, dia nanankina tamin’izy ireo ny fahefam-panamasinany jer. Jo 20,21-23. : manjary famantarana ara-tsakramentan’i Kristy izy ireo. Tamin’ny alalan’ny herin’io Fanahy Masina io ihany, nankinin’izy ireo tamin’ny dimbiny io fahefana io. Izany “fifandimbiasana maha-apôstôly” izany no mandrafitra ny fiainana litorzika manontolo iainan’ny Fiangonana; ara-tsakramenta rahateo izany, ampitaina amin’ny alalan’ny sakramentan’ ny Filaharana.
… dia eo amin’ny litorzia eto an-tany …
“Ho fanatanterahana izany tsanganasa lehibe loatra izany” - ny fizarazarana na fampitana ny tsanganasam-pamonjen’i Kristy -, “dia eo amin’ny Fiangonany lalandava Izy, indrindra amin’ny asa litorzika. Eo Izy amin’ny Soron’ny Lamesa, sy ao amin’ny tenan’ny mpandraharaha masina, “ka amin’ny fisoronany ihany no nataony maharitra amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, ny nanolorany ny Tenany mihitsy teo amin’ ny Hazofijaliana”, ary eo Izy, amin’ny fara tampony indrindra, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia. Eo Izy amin’ny alalan’ny hasiny ao amin’ny sakramenta, hany ka rahefa misy olona iray manao batemy, dia ny Tenan’Izy Kristy mihitsy no manao batemy. Eo Izy ao amin’ny teniny, satria Izy no miteny rahefa vakìna ao amin’ny Fiangonana ny Soratra Masina. Farany, eo Izy rahefa mivavaka sy mihira ny salamo ny Fiangonana, Izy izay nampanantena hoe: “Na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo Aho, eo afovoan’izy ireo” (Mt 18,20)” L.7..
”Ho fanatanterahana io tsanganasa lehibe io izay ankalazana tanteraka an’Andriamanitra sy anamasinana ny olombelona, dia miara-miasa lalandava i Kristy sy ny Fiangonana Vady malalany, izay miantso Azy ho Tompony sy mampanolotra amin’ny Alalany ny fivavahany amin’ny Ray mandrakizay” L.7..
… izay mandray anjara amin’ny litorzia any an-danitra
“Amin’ny litorzia eto an-tany no andraisantsika anjara amin’ny santatry ny litorzia any an-danitra ankalazaina ao an-tanàna masin’i Jerosalema izay mankany aminy no izorantsika mpivahiny, izay any no ipetrahan’i Kristy eo an-kavanan’Andriamanitra, amin’ny maha-mpandraharaha Azy ny toerana masina sy ny tabernakla tena izy ; miaraka amin’ny tafiky ny lanitra tontolo no ihirantsika ny antsa fanomezam-boninahitra ny Tompo ; amin’ny fanajam-pahatsiarovana ny olomasina no anantenantsika ny fiombonana anjara amin’ny fikambanan’izy ireo ; andrasantsika amin’ny maha-Mpamonjy Azy i Jesoa-Kristy Tompontsika, mandra-pahatongan’ny fisehoan’ny Tenany mihitsy, Izy izay fiainantsika, ary amin’izay isika no hiseho miaraka Aminy ao amin’ny voninahitra” L.8; jer. FF 50..
III.Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana ao amin’ny litorzia
Ny Fanahy Masina, amin’ny litorzia, no mpanabe ny Vahoakan’ Andriamanitra amin’ny finoana, mpiasa tanan’ny “sangan’asan’ Andriamanitra”, dia ny sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao izany. Ny faniriana sy ny tsanganasan’ny Fanahy eo anivon’ny Fiangonana, dia ny hivelomantsika amin’ny ain’i Kristy nitsangan-ko velona. Rahefa mifanojo Aminy ao anatintsika ny valim-pinoana izay Izy no nahatonga izany, dia tanteraka ny tena farimbon’asa marina. Amin’ny alalan’izany, manjary tsanganasa iombonan’ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana ny litorzia.
Ny Fanahy Masina, amin’ity fizarazarana ara-tsakramenta ny misterin’i Kristy ity, dia miasa amin’ny fomba mitovy ao amin’ny fotoan-tsamihafa ny fitantanam-pamonjena : Izy no manomana ny Fiangonana hihaona amin’ny Tompony; Izy no mampahatsiahy sy mampiseho an’i Kristy amin’ny finoan’ny mpiangona; Izy no mahatonga eo sy mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ny misterin’i Kristy amin’ny alalan’ny heriny manova ; farany, ny Fanahin’ny fiombonana no mampiray ny Fiangonana amin’ny fiainana sy amin’ny fanirahana an’i Kristy.
Ny Fanahy Masina no manomana ny handraisana an’i Kristy
Ny Fanahy Masina no manatanteraka ao amin’ny fitantanam-pamonjena ara-tsakramenta ny tandindona ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha. Noho ny Fiangonan’i Kristy “nomanina tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny tantaran’ny vahoaka Israely sy tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha” FF2., dia notahirizin’ny litorzian’ny Fiangonana ho ampahany tsy azo esorina sy tsy azo soloana, amin’ny fanaovana ireny ho an’ny tenany, ireo singafototry ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha : - alohan’ny rehetra, ny famakiana ny Testamenta Taloha ; - ny vavaka Salamo ; - ary indrindra ny fahatsiarovana ireo zava-niseho lehibe nahavonjy sy ireo zava-nisy miharihary izay ao amin’ny misterin’i Kristy no ahitana ny fahatanterahan’izy ireny (ny fampanantenana sy ny fanekem-pihavanana, ny Eksaody sy ny Paka, ny Fanjakana sy ny Tempoly, ny Sesitany sy ny Fiverenana).
Amin’izany firindran’ny Testamenta roa izany jer. FA 14-16.no itohizan’ny katesezin’ ny Pakan’ny Tompo jer. Lk 24,13-49., manaraka izany ny an’ny apôstôly sy ny Aban’ny Fiangonana. Izany katesezy izany dia mampiseho an’izay niafina tao amin’ ny soratry ny Testamenta Taloha : ny misterin’i Kristy. Nantsoina hoe “ara-pisantaram-panehoana” (“typologique”) izany satria mampiseho ny zava-baovaon’i Kristy niainga avy amin’ireo “tandindona” (soritr’ endrika) izay nanambara izany tamin’ny zava-niseho, ny teny ary ny fanehoana an’ohatra tao amin’ny fanekem-pihavanana voalohany. Amin’ny alalan’ny famakiana izany indray ao amin’ny Fanahin’ny Fahamarinana manomboka amin’i Kristy, no voala sarona ny tandindona jer. 2 Kôr 3,14-16.. Araka izany, ny safo-drano sy ny Sambofiaran’i Nôe no nanambara mialoha ny famonjena amin’ny alalan’ny Batemy jer. 1 Pi 3,21., torak’izany ny Andry rahona sy ny fiampitàna ny ranomasina Mena, ary ny rano avy ao amin’ny vatolampy no tandindon’ny fanomezana ara-panahy avy amin’i Kristy jer. 1 Kôr 10,1-6. ; ny mana tany an’efitra no nanambara mialoha ny Eokaristia, “ilay Mofo tena izy avy any an-danitra” (Jo 6,32).
Izany no mahatonga ny Fiangonana, singanina manokana ny amin’ny fotoanan’ny Fahatongavan’ny Tompo, ny Karemy ary indrindra amin’ny alin’ny Paka, mamaky indray sy miaina indray ireo zava-dehibe rehetra niseho teo amin’ny tantaram-pamonjena ao amin’ny “anio ” ny litorziany. Izany anefa dia mitaky koa ny mba hanampian’ny katesezy ny mpino hisokatra amin’io fahalalana “ara-panahy” ny fitantanam-pamonjena io, araka izay ampisehoan’ny litorzian’ny Fiangonana izany sy amelomany antsika amin’izany.
Litorzia Jody sy litorzia kristianina. Ny fahalalana tsara indrindra ny finoana sy ny fiainam-pivavahan’ny vahoaka jody, araka ny mbola iekena sy iainana azy ankehitriny, dia afaka manampy hahazoana tsaratsara kokoa ny endrika sasantsasany amin’ny litorzia kristianina. Ho an’ny jody sy ho an’ny kristianina ny Soratra Masina dia ampahany tsy azo avela amin’ny litorzian’izy ireo : amin’ny fanaovana antso avo ny tenin’Andriamanitra, ny valy amin’izany Teny izany, ny vavaka fiderana sy fitalahoana ho an’ny velona sy ny maty, ny fangataham-bonjy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra. Ny litorzian’ny Teny, amin’ny firafiny manokana, dia niandoha avy amin’ny fivavahana jody. Ny Vavaka isan’Andro sy ny lahatsoratra hafa ary ny rijan-teny ara-litorzia dia misy mifandrindra amin’ny azy ireo, tahaka izany koa ny rijan-tenin’ny tena fivavahantsika manan-kasina indrindra, izay ny “Rainay any an-danitra”. Ny vavaka fisaorana amin’ny Eokaristia dia notakarina koa avy amin’ny môdelin’ny lovam-panahy jody. Ny fitoviana misy eo amin’ny litorzia jody sy ny litorzia kristianina, nefa koa ny tsy fitovian’ny votoatin’izy ireo, dia hita indrindra ao amin’ireo fety lehibe amin’ny taona litorzika, toy ny Paka. Ny kristianina sy ny jody dia mankalaza ny Paka : Pakan’ny tantara, mandroso mankamin’ny hoavy, ho an’ny jody ; Paka tanteraka tamin’ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona, ho an’ny kristianina, na dia eo am-piandrasana lalandava ny fahataperan’izany tanteraka aza.
Amin’ny litorzian’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, ny asa litorzika rehetra, singanina manokana ny fankalazana ny Eokaristia sy ireo sakramenta, dia fihaonan’i Kristy sy ny Fiangonana. Ny fiaraha-miangona amin’ny litorzia dia mitana ny firaisany amin’ny “fiombonana amin’ny Fanahy Masina” izay mamory ny zanak’Andriamanitra ao amin’ny Vatana tokan’i Kristy. Mihoatra ny fifandraisana maha-olombelona, ara-poko, ara-kolontsaina ary ara-piaraha-monina izany.
Tsy maintsy miomana hihaona amin’ny Tompony ny mpiangona, ho “vahoaka vonona tsara” (Lk 1,17). Izany fanomanana ny fo izany dia tsanganasa iombonan’ny Fanahy Masina sy ny mpiangona, singanina manokana ny mpandraharahany masina. Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina no manetsika ny finoana, ny fiovàn’ny fo ary ny firaiketana amin’ny sitrapon’ny Ray. Ireo toe-panahy ireo dia heverina ho mialohan’ ny fandraisana ny fahasoavana hafa atolotra ao amin’ilay fankalazana ihany sy ny vokatry ny Aim-baovao izay natao hamokatra ao aoriana.
Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro ny misterin’i Kristy
Ny Fanahy sy ny Fiangonana no mifarimbona hampiseho an’i Kristy sy ny tsanganasam-pamonjeny ao amin’ny litorzia. Amin’ny Eokaristia indrindra aloha, ary tahaka izany ny amin’ireo sakramenta hafa, ny litorzia dia Tsangambato fahatsiarovana ny misterim-pamonjena. Ny Fanahy Masina no fitadidiana velon’ny Fiangonana jer. Jo 14,26..
Ny Tenin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro mialoha ny mpiangona amin’ny litorzia ny dikan’ny zava-niseho tamin’ny famonjena amin’ny fanomezana aina amin’ny Tenin’Andriamanitra izay torìna mba ho raisina sy hivelomana :
Ny Soratra Masina, ao anatin’ny fankalazana amin’ny litorzia, dia manan-danja aoka izany. Avy aminy no akana ireo lahatsoratra izay ho vakìna sy ho hazavaina amin’ny toriteny, tahaka izany ireo salamo izay ho hiraina ; avy amin’ny fitarihan-keviny sy ny fihetseham-po avy aminy, ny fitalahoana, ny vavaka am-po sy ny antsa litorzika no mipoitra, ary avy aminy koa ny asa sy ny fanehoana an’ohatra no mandray ny hevitra raketin’izy ireo L.24..
Ny Fanahy Masina no manome ny mpamaky teny sy ny mpihaino, araka ny toe-pon’izy ireo, ny fahatakarana ara-panahy ny Tenin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny teny, ny asa ary ny fanehoana an’ohatra izay mamorona ny soritsoritry ny fankalazana, Izy no mampisy fifandraisana velona eo amin’ny mpino sy ny mpandraharaha masina amin’i Kristy, Teny sy Endriky ny Ray, mba hahafahan’izy ireo mampita ao amin’ny fiainan’izy ireo ny dikan’izay zavatra henon’izy ireo, banjininy ary ataony ao amin’ny fankalazana.
“Ny Tenim-pamonjena no mamelona ny finoana ao am-pon’ny kristianina : izy no miteraka sy mampitombo ny fiombonan’ny kristianina” RFP 4.. Tsy mijanona amin’ny fampianarana ny fitoriana ny Tenin’ Andriamanitra : mila valy amin’ny finoana izany, ho fankatoavana sy firotsahana, eo anatrehan’ny fanekem-pihavanana ifanaovan’Andriamanitra sy ny vahoakany. Mbola ny Fanahy Masina no manome ny fahasoavan’ny finoana, manamafy izany sy mampitombo izany ao amin’ny ankohonam-piangonana. Ny fiaraha-miangona amin’ny litorzia izany dia fiombonana amin’ny finoana.
Ny “Anaminezy”. Miankina lalandava amin’ny firotsaham-pamonjen’ Andriamanitra eo amin’ny tantara ny fankalazana litorzika. “Atao amin’ny alalan’ny asa sy ny teny, mifamatotra lalina amin’izy samy izy, ny fitantanam-panambaràna (…). Ny teny no manambara ny tsanganasa sy manala sarona ny mistery izay raketiny ao amin’izany” FA 2.. Amin’ny litorzian’ ny Teny ny Fanahy Masina no “mampahatsiaro” ny mpiangona amin’izay rehetra nataon’i Kristy ho antsika. Araka ny toetran’ny asa litorzika sy ny lovam-panahy amin’ny fombam-pivavahan’ny Fiangonana, ny fankalazana no “mampahatsiaro” ao amin’ny Anaminezy somary novelabelarina, ireo zava-mahagaga nataon’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina, izay mamoha-foha tahaka izany ny fahatsiarovan’ny Fiangonana, no mahatonga amin’ izay ny fisaorana sy ny fiderana (Tenim-boninahitra; Doxologie).
Ny Fanahy Masina no mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ny misterin’i Kristy
Ny litorzia kristianina dia tsy mampahatsiaro fotsiny ny zava-niseho izay namonjena antsika, fa mampihatra azy ireny amin’ny fiainana ankehitriny, mahatonga ny fisian’izy ireny ho eo. Ankalazaina ny misterin’ny Pakan’i Kristy fa tsy hoe averimberina ; ny fankalazana no miverimberina ; ao amin’ny litorzia tsirairay no tonga tsy ampoizina ny firotsahan’ny Fanahy Masina, izay mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ny mistery tokana.
Ny “Epikilezy” (“fiantsoana an’ny”) no vavaka fitalahoana izay italahoan’ ny Pretra amin’ny Ray handefa ny Fanahy Mpanamasina mba ho zary vatana sy ran’i Kristy ny fanatitra ary amin’ny fandraisana izany ireo mpino mihitsy no manjary fanatitra velona amin’Andriamanitra.
Ny votoatin’ny fankalazana atao amin’ny sakramenta tsirairay, indrindra ny Eokaristia, dia ny “Epikilezy”, miaraka amin’ny “Anaminezy” :
Manontany ianao hoe : ahoana no ahatongavan’ny mofo ho Vatan’i Kristy, sy ny divay (…) ho Ran’i Kristy ? Izaho, milaza aminao hoe : ny Fanahy Masina no mirotsaka sy manatanteraka izany, izay mihoatra ny teny rehetra sy ny hevitra rehetra (…). Aoka ho ampy ho anao ny mandre fa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, toy ny avy amin’ilay Virjiny Masina sy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no nahatonga ny Tompo ho nofo amin’ny alalan’ ny Tenany ihany sy ao amin’ny Tenany ihany Md Jean Damascène, f.o. 4,13..
Manafaingana ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahatanterahan’ny misterim-pamonjena, ny herim-panavaozan’ny Fanahy Masina amin’ny litorzia. Eo am-piandrasana sy ao anatin’ny fanantenana no mahatonga antsika manatanteraka mialoha marina tokoa ny fiombonana manontolo amin’ny Trinite Masina. Ny Fanahy izay irahin’ny Ray manaiky ny Epikilezin’ny Fiangonana no manome ny aina an’ireo izay mandray izany, ary mamboatra ho azy ireo, manomboka izao, ny “antoky” ny lovan’izy ireo jer. Efez 1,14; 2 Kôr 1,22..
Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina
Ny fiafaran’ny fanirahana ny Fanahy Masina ao amin’ny asa litorzika manontolo dia ny mampiray antsika amin’i Kristy mba handrafitra ny Vatany. Ny Fanahy Masina no toy ny ranon-kazon’ny Foto-boaloboky ny Ray izay mitondra ny voany ao amin’ny sampana jer. Jo 15,1-17; Gal 5,22.. Ao amin’ny litorzia no tanteraka ny farimbon’asa lalina indrindra eo amin’ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana. Izy, Fanahy mampiray, dia mitoetra amin’ny fomba maharitra ao amin’ny Fiangonana, ka noho izany ny Fiangonana no sakramenta lehibe mampiombona amin’Andriamanitra, izay anangonana ny zanany niparitaka. Ny vokatry ny asan’ny Fanahy ao amin’ny litorzia dia tsy azo sarahina amin’ny firaisana amin’ny Trinite Masina sy ny firaisana maha-mpiray tam-po ara-pinoana jer. 1 Jo 1,3-7..
Ny “Epikilezy” koa dia vavaka ho amin’ny vokatra feno fatra amin’ny firaisan’ny mpiangona ao amin’ny misterin’i Kristy. “Ny fahasoavan’i Jesoa-Kristy Tompontsika, ny fitiavan’Andriamanitra Ray ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina” (2 Kôr 13,13) dia tokony hitoetra lalandava ao amintsika sy hamokatra aorian’ny fankalazana ny Eokaristia. Mitalaho amin’ny Ray àry ny Fiangonana haniraka ny Fanahy Masina mba hampanjariany ho sorona velona ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanovàna ara-panahy hitovy endrika amin’i Kristy, ao amin’ny fiainan’ny mpino, ny fiahiam-piraisan’ny Fiangonana, sy ny fandraisana anjara amin’ny fanirahana azy amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona, ary ny asam-pitiavana ny hafa.
Amin’ny litorzian’ny Fiangonana, Andriamanitra Ray no isaorana sy tsaohina ho loharanon’ny tsodrano rehetra amin’ny fahariana sy ny famonjena, izay anasoavany antsika ao amin’ny Zanany, mba hanomezana antsika ny Fanahim-pananganan-janaka.
Ny tsanganasan’i Kristy amin’ny litorzia dia ara-tsakramenta satria ny misterim-pamonjeny dia misy ao amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny Masina; satria ny Vatany, izay tsy inona fa ny Fiangonana, dia toy ny sakramenta (famantarana sy fitaovana) izay ao amin’izany no izarazaran’ny Fanahy Masina ny misterim-pamonjena; satria amin’ny alalan’ireo asany litorzika, ny Fiangonana mivahiny ety an-tany dia efa mandray anjara sahady, amin’ny fisantarana, ny litorzia any an-danitra.
Ny andraikitry ny Fanahy Masina ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana dia ny manomana ny mpiangona hihaona amin’i Kristy ; ny mampahatsiaro ny momba an’i Kristy sy ny maneho Azy amin’ny finoan’ ny mpiangona ; ny mahatonga ho eo sy ny mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ny tsanganasam-pamonjen’i Kristy amin’ny heriny manova, ary ny mampamokatra ny fanomezam-pahasoavana mampiray ao amin’ny Fiangonana.
2.Ny misterin’ny Paka ao amin’ny sakramentan’ny Fiangonana
Ny fiainana litorzika rehetra iainan’ny Fiangonana dia miompana amin’ny Soron’ny Eokaristia sy ireo sakramenta jer. L.6.. Misy fito ny sakramenta ao amin’ny Fiangonana : ny Batemy, ny Fankaherezana na Fanosorana masina, ny Eokaristia, ny Fivalozana, ny Fanosorana ny marary, ny Filaharana, ny Fanambadiana jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1310; 1601.. Amin’ity andalana ity no iresahana an’izay iombonan’ny sakramenta fito an’ny Fiangonana, ny amin’ny lafin’ny fitambaram-pampianarana. Izay iombonan’izy ireo amin’ny endriky ny fankalazana no hovelabelarina amin’ny toko faha-II, ary izay manokana an’ny tsirairay amin’ireo no ho fototry ny sampana faha-II.
I.Ny sakramentan’i Kristy
“Miraiki-po amin’ny fitambaram-pampianaran’ny Soratra Masina, amin’ ny lovam-panahy apôstôlika (…) ary amin’ny hevitra iraisan’ny Aba” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.isika, ka manambara ampahibemaso fa “ireo sakramentan’ny Lalàna vaovao dia naorin’i Jesoa-Kristy Tompontsika daholo” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny teny sy ny asan’i Jesoa nandritra ny fiainany miafina sy ny raharaham-pamonjeny ampahibemaso dia efa ahazoam-pamonjena sahady. Nialoha ny herin’ny misterin’ny Pakany izy ireny. Nilaza sy nanomana izay homeny ny Fiangonana izy ireny rahefa ho tanteraka ny zavatra rehetra. Ny misterin’ny fiainan’i Kristy no fototr’izay zarazarain’i Kristy ao amin’ny sakramenta, hatramin’ izao, amin’ny alalan’ny mpandraharaha masin’ny Fiangonany, satria “izay hita maso tao amin’ny Mpamonjy antsika dia miampita ao amin’ny misteriny” Md Léon le Grand, serm. 74,2..
II.Ireo sakramentan’ny Fiangonana
Amin’ny alalan’ny Fanahy izay mitari-dalana azy “amin’ny marina rehetra” (Jo 16,13), ny Fiangonana dia nahafantatra tsikelikely io harena sarobidy noraisina avy amin’i Kristy io ary nanoritra mazava ny “fizarazarana” ny amin’izany, toy ny nataony mikasika ny fitsipika namerana ny Soratra Masina sy ny fitambaram-pampianaram-pinoana, amin’ny maha-mpiandraiki-draharaha mahatoky momba ny misterin’ Andriamanitra azy jer. Mt 13,52; 1 Kôr 4,1.. Araka izany, nandritra ny taonjato mifandimby no nandanjalanjan’ny Fiangonana, fa amin’ireo fankalazana litorzika ataony, ny fito amin’izany, araka ny hevitra fototry ny teny, dia ireo sakramenta naorin’ny Tompo.
“An’ny Fiangonana” ireo sakramenta ireo, araka izao heviny mandray roa maha-izy azy izao : “amin’ny alalany” sy “ho azy”. “Amin’ny alalan’ny Fiangonana”, satria ny Fiangonana no sakramentan’ny asan’i Kristy miasa ao aminy noho ny fanirahana ny Fanahy Masina. Ary “ho an’ny Fiangonana”, satria ireo no “sakramenta mamorona ny Fiangonana” Md Augustin, civ. 22,17; jer. Md Thomas d’A., s.th.3,64,2,ad 3., ary ireo, fa indrindra ny Eokaristia, no mampiseho sy mampita amin’ny olombelona ny misterin’ny firaisan’Andriamanitra Fitiavana, Tokana Olona telo.
Amin’ny fiforonana miaraka amin’i Kristy-Loha “ho olona mistika tokana aman-tany” Pie XII, enc. "Mystici Corporis"., ny Fiangonana dia miasa ao amin’ireo sakramenta ho “ankohonana mpisorona”, “voarindra ara-drafitra” FF 11. : amin’ny alalan’ny Batemy sy ny Fankaherezana, afaka mahavita mankalaza ny litorzia ny vahoaka mpisorona ; etsy ankilany, ny mpino sasany, “misalotra ny Filaharana masina, dia natsangana amin’ny anaran’i Kristy mba hamahana ny Fiangonana amin’ny teny sy ny fahasoavan’ Andriamanitra” FF 11..
Ny andraiki-panompoana masina na ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra FF 10. dia fanompoana avy amin’ny maha-mpisorona tamin’ny Batemy. Izy no miantoka, ao amin’ny sakramenta, fa i Kristy mihitsy no miasa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ho an’ny Fiangonana. Ny fanirahana hamonjy nankinin’ny Ray tamin’ny Zanany tonga nofo dia nankinina tamin’ny apôstôly ary tamin’ny alalan’izy ireo no nanankinany izany kosa tamin’ny dimbin’izy ireo : mandray ny Fanahin’i Jesoa izy ireo mba hiasana amin’ny anarany sy amin’ny tenany mihitsy jer. Jo 20,21-23; Lk 24,47; Mt 28,18-20.. Araka izany, ny mpandraharaha voahosotra no fifamatorana ara-tsakramenta izay itohizan’ ny asa litorzika amin’izay nolazain’ny apôstôly sy nataony, ary, amin’ny alalan’izy ireo, amin’izay nolazain’i Kristy sy nataony, loharano sy fototry ny sakramenta.
Ireo sakramenta telo : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Filaharana masina, ampian’ny fahasoavana, dia mampisy marika manokana ara-tsakramenta na “fitomboka” izay andraisan’ny kristianina anjara amin’ny maha-mpisorona an’i Kristy sy mahatonga azy ho anisan’ny Fiangonana araka ny lalam-piainana arahina sy ny anjara asa samihafa. Izany fanahafana eo amin’i Kristy sy ny Fiangonana izany, izay tontosain’ny Fanahy, dia tsy maty vonoina Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. sy tsy miala mandrakizay ao amin’ny kristianina mba ho fepetra azo antoka amin’ny fahasoavana, ho fampanantenana sy fiantohana amin’ny fiarovan’Andriamanitra ary ho fiantsoana hanompo an’Andriamanitra sy hanompo ny Fiangonana. Koa, izay efa nandray ireo sakramenta ireo dia tsy azo omena izany intsony.
III.Ny sakramentan’ny finoana
Naniraka ny apôstôliny i Kristy mba ho “amin’ny anarany no hitorian’izy ireo amin’ny firenen-drehetra ny fibebahana ho famelana ny fahotana” (Lk 24,47). “Ataovy tonga mpianatro ny firenen-drehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28, 19). Ny fanirahana hanao batemy, izay fanirahana ara-tsakramenta izany, dia ao anatin’ny fanirahana hitory ny Evanjely, satria ny sakramenta dia omanina amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny finoana izay fankatoavana io Teny io :
Ny amoriana ny Vahoakan’Andriamanitra aloha, dia ny Tenin’ilay Andriamanitra velona. (...) Ny amin’ny raharaha ara-tsakramenta kosa, ilaina ny fanambaràna ny Teny, satria mikasika ny sakramentan’ny finoana izany, ary ny finoana rahateo mila mitsiry sy mivelona amin’ny Teny RFP 4..
“Ny zava-kendrena amin’ny sakramenta dia ny hanamasina ny olombelona, ny handrafitra ny Vatan’i Kristy, ary farany, ny hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fivavahana ; kanefa, amin’ny maha-famantarana azy ireny, dia manana anjara asa amin’ny fampianarana koa izy ireny. Tsy hoe finoana fotsiny no takìn’izy ireny, fa mbola mamelona sy mankahery ary maneho izany finoana izany, amin’ny alalan’ny teny sy amin’ny alalan’ny zavatra izy ireny ; izany no antony ilazana azy ireny hoe sakramentan’ny finoana” L.59..
Ny finoan’ny Fiangonana no alohan’ny finoan’ny mpino, ka ny finoan’ ny Fiangonana no asaina ifikiran’ny mpino. Rahefa mankalaza ny sakramenta ny Fiangonana, dia manambara ampahibemaso ny finoana noraisina tamin’ny apôstôly. Avy amin’izany ilay ohabolana tranainy hoe: “Lex orandi, lex credendi” (na: “Legem credendi lex statuat supplicandi”, araka ny voalazan’i Prosper d’Aquitaine Ind. c8: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. [taonjato faha-5]). Ny lalànan’ny fivavahana no lalànan’ny finoana, mino ny Fiangonana tahaka azy mivavaka. Ny litorzia dia singafototra iray maha-izy ny Lovam-pampianarana masina sy velona jer. FA 8..
Noho izany, tsy misy fombam-pivavahana ara-tsakramenta na dia iray aza azo ovàna na amboarina araka izay tian’ny mpandraharaha masina na ny ankohonam-piangonana. Na dia ny manam-pahefana fara tampony ao amin’ny Fiangonana aza dia tsy mahazo manova ny litorzia araka izay tiany, raha tsy ao anatin’ny fanekem-pinoana sy ao anatin’ny fanajana ara-pivavahana ny misterin’ny litorzia ihany.
Ankoatra izany, satria ny sakramenta no maneho sy mamelabelatra ny fiombonam-pinoana ao amin’ny Fiangonana, dia iray amin’ireo mari-pitsaràna ilaina amin’ny fifanakalozan-kevitra izay itadiavana ny famerenana ny firaisan’ny kristianina, ny lex orandi jer. EK 2 sy 15. (lalànan’ny fivavahana).
IV.Ny sakramentam-pamonjena
Manome ny fahasoavana izay ambarany ireo sakramenta ankalazaina amim-pahamendrehana amin’ny finoana jer. Kôns.Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum sy 1606.. Mandaitra ireo satria ao amin’ ireo ny Tenan’i Kristy mihitsy no miasa : Izy no manao batemy, Izy no miasa ao amin’ireo sakramentany mba hampita ny fahasoavana izay ambaran’ny sakramenta. Ny Ray dia mankato lalandava ny vavaky ny Fiangonan’ny Zanany izay maneho ny finoany amin’ny herin’ny Fanahy, amin’ny epikilezin’ny sakramenta tsirairay. Tahaka ny anovàn’ny afo ao aminy an’izay rehetra mikasika azy, no anovàn’ny Fanahy Masina amin’ny Ain’Andriamanitra an’izay mankato ny heriny.
Ao amin’izany ny dikan’ny teny fanamafisan’ny Fiangonana jer. Kôns.Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. hoe : ny sakramenta dia miasa ex opere operato (ara-bakiteny : “avy amin’ny asa natao dia tanteraka izany”), izany hoe tanteraka indray mandeha ihany, noho ny tsanganasam-pamonjen’i Kristy. Koa, “tsy noho ny fahamarinan’ ny olona manome na mandray ny sakramenta no mahatanteraka ilay sakramenta, fa noho ny herin’Andriamanitra” Md Thomas d'A., s. th. 3,68,8.. Manomboka amin’ny fotoana ankalazana ny sakramenta iray mifanaraka amin’ny hevitry ny Fiangonana, dia ny herin’i Kristy sy ny Fanahiny no miasa ao aminy sy amin’ny alalany, fa tsy miankina amin’ny fahamasinan’ny tenan’ny mpandraharaha masina. Kanefa, ny vokatry ny sakramenta dia miankina kosa amin’ny toe-po amam-toe-panahin’ilay izay mandray azy.
Milaza marina ny Fiangonana fa ny sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, ho an’ny mpino, dia ilaina amin’ny famonjena jer. Kôns.Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ny “fahasoavana ara-tsakramenta” dia ny fahasoavan’ny Fanahy Masina omen’i Kristy sy araka ny hasina manokana ananan’ny sakramenta tsirairay. Ny Fanahy no manasitrana sy manova ireo izay mandray ny sakramenta amin’ny fampitoviana azy ireo amin’ny Zanak’ Andriamanitra. Ny vokatry ny fiainana ara-tsakramenta dia ny fanandratan’ny Fanahim-pananganan-janaka ny mpino ho Andriamanitra jer. 2 Pi 1,4.amin’ny fampiraisan’aina azy ireo amin’ny Zanaka Lahitokana, ilay Mpamonjy.
V.Ny sakramentan’ny fiainana mandrakizay
Ny Fiangonana dia mankalaza ny misterin’ny Tompony “mandra-piaviny” (1 Kôr 11,26) sy mandra-pahatonga “an’Andriamanitra ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” (1 Kôr 15,28). Nanomboka tamin’ny andron’ny apôstôly ny litorzia no notarihana mankany amin’ny fiafarany amin’ny alalan’ny fitarainan’ny Fanahy ao amin’ny Fiangonana hoe : “Marana tha !” (Avia, ry Tomponay !) (1 Kôr 16,22). Mandray anjara amin’ny fanirian’i Jesoa toy izao ny litorzia : “Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo Aho (…) mandra-pahatanterany any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra” (Lk 22,15-16). Ao amin’ireo sakramentan’i Kristy, ny Fiangonana dia efa mandray sahady ny antoky ny lovany, efa mandray anjara sahady amin’ny fiainana mandrakizay, “eo am-piandrasana ny hasambarana antenaina sy ny andro isehoan’ny voninahitry ny Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Kristy Jesoa” (Tito 2,13). “Hoy ny Fanahy sy ny Ampakarina : Avia! (…) Avia, ry Jesoa Tompo! ” (Apôk 22,17.20). Fintinin’i Md Thomas toy izao ny lafiny samihafa amin’ny famantarana ara-tsakramenta : “Ny sakramenta no famantarana mampahatsiaro an’izay teo aloha, izany hoe ny fijalian’i Kristy ; mampiharihary an’izay tanteraka ao amintsika noho ny fijalian’i Kristy, izany hoe ny fahasoavana ; maminavina, izany hoe milaza mialoha, ny Voninahitra hoavy” S. th. 3,60,3..
Ny sakramenta dia famantarana mandaitra andraisam-pahasoavana, naorin’i Kristy sy nankininy amin’ny Fiangonana, izay izarazarana amintsika ny ain’Andriamanitra. Ny fombam-pivavahana hita maso izay ankalazana ny sakramenta, no mampahafantatra sy mampahazo ny fahasoavana manokana an’ny sakramenta tsirairay. Mamokatra ao amin’ ireo izay mandray amin’ny toe-panahy ilaina handraisana azy ny sakramenta.
Manao fankalazana ara-tsakramenta ny Fiangonana noho izy ankohonana mpisorona mirafitra amin’ny maha-mpisorona avy amin’ny Batemy sy ny an’ny mpandraharaha voahosotra.
Ny Fanahy Masina no manomana ny olona hiroso amin’ny sakramenta, amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny finoana, ho an’izay mandray ny Teny amin’ny fo vonona tsara. Noho izany, sady manamafy no manambara ny finoana ny sakramenta.
Ny vokatry ny fiainana ara-tsakramenta dia sady ao amin’ny isam-batan’olona no ao amin’ny Fiangonana manontolo. Etsy an-daniny, io vokatra io dia fiainana ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa, ho an’ny mpino rehetra ; etsy an-kilany, io vokatra io, ho an’ny Fiangonana, dia fitomboana ao anatin’ny fifankatiavana sy amin’ny iraka fijoroany ho vavolombelona.
Ny fahazoana an-tsaina momba ny fitantanam-pamonjena ara-tsakramenta aloha no nampahafantarin’ny katesezy momba ny litorzia (tao amin’ny toko voalohany). Tamin’izany fahaizana izany no nihariharian’ny zava-baovaon’ny fankalazana azy. Ny horesahina amin’ity toko ity àry izao, dia ny fankalazana ny sakramentan’ny Fiangonana. Hodinihina aloha, amin’ny alalan’ny hamaroan’ny lovam-panahy amin’ny litorzia, izay iombonana amin’ny fankalazana ireo sakramenta fito ; fa izay toetra manokana an’ny tsirairay amin’izy ireo dia haseho any aoriana. Ity katesezy fototra amin’ny fankalazana ara-tsakramenta ity no hamaly ireo fanontaniana voalohany izay apetraky ny mpino amin’ireto foto-dresaka ireto : - Iza no mankalaza ? - Atao ahoana ny fankalaza ? - Rahoviana no mankalaza ? - Aiza no mankalaza ?
1.Mankalaza ny litorzian’ny Fiangonana.
I.Iza no mankalaza ?
“Asan’ ” i “Kristy manontolo” (Christus Totus) ny litorzia. Ireo izay mankalaza izany ankehitriny tsy amin’ny famantarana, dia efa ao amin’ny litorzian’ny lanitra sahady, izay tena fiombonana sy Fety tanteraka ny fankalazana atao any.
Ireo mankalaza amin’ny litorzia any an-danitra
Ny Apôkalipsan’i Md Joany, vakìna ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana, dia mampiseho amintsika aloha, ny seza fiandrianana iray miorina any an-danitra, ary Olona iray mipetraka eo ambonin’io seza fiandrianana io jer. Apôk 4,2. : “ny Tompo Andriamanitra” (Iz 6,1) Jer. Ezek 1,26-28.. Manaraka izany, ny Zanak’ Ondry, “tahaka ny voavono sy nitsangana” (Apôk 5,6) jer. Jo 1,29.: i Kristy voafantsika sy nitsangan-ko velona, Mpisorombe tokana ny tena toerana masina tokoa jer. Heb 4,14-15; 10,19-21 sns., sady “ilay manolotra no ilay atolotra, ilay manome no ilay nomena” Litorzian’i Md Jean Chrysostome, Anaphore.. Farany, “ilay onin-dranon’ny Fiainana izay miboiboika avy ao amin’ilay seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’Ondry” (Apôk 22,1), iray amin’ireo fanehoana an’ohatra kanto indrindra ilazana ny Fanahy Masina jer. Jo 4,10-14; Apôk 21,6..
Ireto avy “ireo navondrona” ao amin’i Kristy, mandray anjara amin’ny fanompoam-piderana an’Andriamanitra sy amin’ny fanatanterahana ny fandaharany : ny Herin’ny lanitra jer. Apôk 4-5; Iz 6,2-3., ny voary manontolo (ny Zavamananaina efatra), ireo mpanompon’ny Fanekem-pihavanana Taloha sy ny Vaovao (ireo Anti-dahy efatra amby roapolo), ny vahoaka vaovao an’Andriamanitra (ireo efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy jer. Apôk 7,1-8; 14,1.), singanina manokana ireo martiry “novonoina noho ny Tenin’ Andriamanitra” (Apôk 6,9), ary ilay hany Reny Masin’Andriamanitra (ilay Vehivavy jer. Apôk 12.; ilay Vadin’ny Zanak’ Ondry jer. Apôk 21,9.), ary farany, “vahoaka maro dia maro, tsy tambo isaina, avy amin’ ny firenena rehetra, fokom-pirenena, vahoaka mbamin’ny olona samihafa fiteny rehetra” (Apôk 7,9).
Amin’izany litorzia maharitra mandrakizay izany no ampandraisan’ny Fanahy sy ny Fiangonana anjara antsika rahefa mankalaza ny misterim-pamonjena ao amin’ireo sakramenta isika.
Ireo mankalaza amin’ny litorzia ara-tsakramenta.
Ny Ankohonam-piangonana manontolo, dia ny Vatan’i Kristy miray amin’ ny Filohany, no mankalaza. “Ny asa litorzika rehetra dia tsy asan’olon-drery, fa fankalazan’ny Fiangonana, izay "sakramentan’ny firaisana", izany hoe ny vahoaka masina voavory sy voalamina eo ambany fahefan’ny Eveka. Noho izany, ny asa litorzika rehetra dia asan’ ny Fiangonana-Vatana iray manontolo, sady manambara azy manontolo sy manokana azy manontolo ; kanefa mahakasika ny tsirairay amin’ny rantsambatany ireny, amin’ny fomba samihafa, araka ny faha-samihafa ny laharana, ny anjara raharaha ary ny fandraisana anjara an’asa” L 26.. Noho izany koa, “rahefa misy fankalazana iombonana, izay mazava ho azy fa samy manana ny maha-izy azy manokana avy ny fombam-pivavahana atao amin’izany, fanao matetika sy andraisan’ny mpino anjara amim-pahavitrihana, dia hamafisina fa io fankalazana iombonana io, araka izay azo atao, no tokony hihoatra ny fankalazana ataon’izy ireo tsirairay sy ny saika ataony manokana” L 27..
Ny mpiangona izay mankalaza dia fiombonan’ireo vita batemy, izay “tamin’ny alalan’ny fanavaozana sy ny fanosorana tamin’ny Fanahy Masina izy ireo no voatokana mba ho tempoly ara-panahy sy ho mpisorona masina, mba hanolotra fanatitra ara-panahy, amin’ny tsanganasa rehetra ataon’ny kristianina” FF 10.. Izany “fisoronana iombonana” izany dia ilay an’i Kristy, Mpisorona tokana, andraisan’ny rantsambatany rehetra anjara jer. FF 10; 34; RFP 2.:
Maniry fatratra ny Fiangonana Reny mba ny mpino rehetra no ho voatarika amin’izany fandraisana anjara feno, amim-pahatsiarovan-tena sy amim-pahavitrihana amin’ny fankalazana litorzika izany, izay angatahin’ ny fomban’ny litorzia rahateo, ary noho ny Bateminy, dia zo sy adidy izany ho an’ny vahoaka kristianina “taranaka voafidy, vahoaka manjaka, firenena masina, vahoaka navotana (1 Pi 2,9) ” jer. 1 Pi 2,4-5. . L 14..
Kanefa “tsy mitovy raharaha ny rantsambatana rehetra” (Rôm 12,4). Ny rantsambatana sasany dia antsoin’Andriamanitra, ao amin’ny Fiangonana sy amin’ny alalany, ho amin’ny fanompoana manokana ny fiombonan’ny mpino. Ireo mpanompo ireo dia voafidy sy voatokana tamin’ny alalan’ny sakramentan’ny Filaharana, izay amin’izany no ataon’ny Fanahy Masina manjary afaka miasa amin’ny Tenan’i Kristy-Loha mihitsy izy ireo, ho fanompoana ny rantsambatan’ny Fiangonana manontolo jer. RFP 2 sy 15.. Ny mpandraha-raha voahosotra dia mova tsy “sarimasin’ ” i Kristy Mpisorona. Satria ao amin’ny Eokaristia no miharihary manontolo ny sakramentan’ny Fiangonana, ka dia amin’ny fitarihana ny Eokaristia no miseho aloha ny andraiki-panompoan’ny Eveka, ary amin’ny fiombonana aminy, ny an’ny Pretra sy ny Diakra.
Mba hampiasana ny anjara asam-pisoronana iombonan’ny mpino, misy koa ny andraiki-panompoana hafa manokana, tsy nohamasinana tamin’ny alalan’ny sakramentan’ny Filaharana, ka ny Eveka no mamaritra ny anjara asa manandrify izany araka ny lovam-pampianarana litorzika sy araka izay ilaina amin’ny pastôraly. “Koa ny mpiservy, ny mpamaky teny, ny mpivaofy ary ireo antoko-mpihira dia samy manatontosa andraiki-panompoana litorzika marina tokoa” L 29..
Araka izany, amin’ny fankalazana ny sakramenta, ny mpiangona manontolo no “mpilitorzia”, ny tsirairay araka ny anjara raharaha manandrify azy, nefa ao amin’ny “firaisana amin’ny Fanahy” izay miasa ao amin’ny rehetra. “Amin’ny fankalazana litorzika, ny tsirairay, mpandraharaha masina na mpino, amin’ny fanatontosana ny anjara raharahany avy, ny hany hataony ary hataony manontolo, dia izay anjara natao ho azy ihany araka ny toetran’ny zavatra sy ny fitsipika litorzika” L 28..
II.Atao ahoana ny fankalaza ?
Famantarana sy fanehoana an’ohatra
Narafitra amin’ny famantarana sy fanehoana an’ohatra maro ny fankalazana ara-tsakramenta iray. Araka ny fanabeazan’Andriamanitra eo amin’ny famonjena, ny hevitra raketin’izy ireny dia miorim-paka ao anatin’ny tsanganasa fahariana sy ao amin’ny kolontsain’ny olombelona, mihamazava eo amin’ireo zava-niseho tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha ary miharihary manontolo ao amin’ny Tenan’i Kristy sy ny tsanganasany.
Famantarana amin’ny tontolon’ny olombelona. Mitana toerana lehibe ny famantarana sy fanehoana an’ohatra, eo amin’ny fiainan’ny olombelona. Ny olombelona, noho izy natao ho manana vatana sady manana fanahy, dia maneho sy mahatsapa ny zava-misy ara-panahy amin’ny alalan’ny famantarana sy ny fanehoana an’ohatra amin’ny zavatra hita maso, tsapan’ny tanana. Noho ny olombelona natao hiara-monina, dia mila famantarana sy fanehoana an’ohatra izy mba hifandray amin’ny hafa, amin’ny alalan’ny teny, amin’ny alalan’ny fihetsika, amin’ny alalan’ny asa. Torak’izany koa ny fifandraisany amin’Andriamanitra.
Miteny amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny zavaboary hita maso Andriamanitra. Ny tontolon’ny zavaboary voarindra hita maso, tsapan’ny tanana, no miseho ao an-tsain’ny olombelona mba hahafahany mamaky ao ireo mariky ny Mpahary azy jer. Fah 13,1; Rôm 1,19-20; Asa 14,17.. Ny hazavana sy ny alina, ny rivotra sy ny afo, ny rano sy ny tany, ny hazo sy ny voankazo dia miteny an’ Andriamanitra, sy maneho an’ohatra ny maha-ambony Azy sady maha-akaiky Azy.
Amin’ny maha-zavaboary ireny zava-misy tsapan’ny fandrenesana ireny, dia mety ho zary fototra fanehoana ny asan’Andriamanitra izay manamasina ny olombelona, sy ny asan’olombelona izay hanomezan’ izy ireo voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fivavahana ireny. Toy izany koa ireo famantarana sy fanehoana an’ohatra eo amin’ny fiainam-piaraha-monin’ny olombelona : manasa amin’ny rano sy manosotra amin’ny menaka, manapatapaka ny mofo sy mizara ny kalisy izay mety manambara ny fisiam-panamasinan’Andriamanitra sy ny fankasitrahan’ny olona eo anatrehan’ny Mpahary azy.
Ny antokom-pivavahana lehibe arahin’ny olona dia manaporofo amin’ny fombam-pivavahany, matetika amin’ny fomba mampitolagaga, io hevitra araka ny tontolon’ny zavaboary voarindra sy ara-panehoana an’ohatra io. Ny litorzian’ny Fiangonana dia mandray rahateo sy mampiditra ary manamasina ireo singafototry ny zavaboary sy ny kolontsain’ny olombelona amin’ny fanomezana azy ireo ny hasin’ny famantaram-pahasoavana sy ny fahariana vaovao, ao amin’i Jesoa-Kristy.
Famantarana ny fanekem-pihavanana. Ny vahoaka voafidy dia nandray tamin’Andriamanitra ny famantarana sy ny fanehoana an’ohatra miavaka izay manamarika ny fiainany ara-litorzia : tsy fankalazana fotsiny intsony amin’ny fihodinan’ny tontolon’ny zavaboary voarindra sy ny fihetsika ara-piaraha-monina izany, fa famantarana ny fanekem-pihavanana, sy fanehoana an’ohatra ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra ho an’ny vahoakany. Azo singanina amin’ireny famantarana litorzikan’ny Fanekem-pihavanana Taloha ireny ny famoràna, ny fanosorana sy ny fanamasinana mpanjaka sy mpisorona, ny fametrahan-tanana, ny sorona, ary indrindra ny Paka. Hitan’ny Fiangonana ao amin’ireny famantarana ireny ny tandindon’ny sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao.
Famantarana nampiasain’i Kristy. Matetika, nampiasa famantarana maro avy amin’ny zavaboary i Jesoa Tompo, tamin’ny toriteniny, mba hampahafantarana ny misterin’ny Fanjakan’Andriamanitra jer. Lk 8,10.. Tamin’ny famantarana hita maso sy tsapan’ny tanana, na tamin’ny fihetsika an’ ohatra no nanatanterahany ny fanasitranany na nanamafisany ny toriteniny jer. Jo 9,6; Mk 7,33-35; 8,22-25.. Nomeny hevitra vaovao ireo zava-niseho sy ireo famantarana tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, indrindra ny tamin’ny Eksaody sy ny tamin’ny Paka jer. Lk 9,31; 22,7-20., satria Izy Tenany mihitsy no ambaran’ireny famantarana rehetra ireny.
Famantarana ara-tsakramenta. Nanomboka tamin’ny Pantekôty, dia amin’ ny alalan’ny famantarana ara-tsakramentan’ny Fiangonany no anaovan’ny Fanahy Masina ny tsanganasa fanamasinana. Ny sakramentan’ny Fiangonana dia tsy manafoana, fa manadio sy mampiditra manontolo ao aminy ny harena rehetra amin’ny famantarana sy ny fanehoana an’ohatra ny tontolon’ny zavaboary voarindra sy ny fiainam-piaraha-monina. Afa-tsy izany, ny sakramentan’ny Fiangonana no manatanteraka ireo tandindona sy ireo sary an’ohatra tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, mampahafantatra sy manatontosa ny famonjena nataon’i Kristy, ary manambara mialoha sy mampisantatra ny voninahitry ny lanitra.
Teny sy asa
Ny fankalazana ara-tsakramenta dia fihaonan’ny zanak’Andriamanitra amin’ny Rain’izy ireo, ao amin’i Kristy sy ny Fanahy Masina, ary io fihaonana io dia zary resaka ifanaovana, amin’ny alalan’ny asa sy ny teny. Marina fa ny asa an’ohatra dia efa fitenenana rahateo, kanefa tsy maintsy manampy sy mamelombelon’aina ireny asa ireny ny Tenin’Andriamanitra sy ny valim-pinoana, mba hamokatra ao amin’ny tany tsara ny voa mamoa ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny asa litorzika no mampahafantatra an’izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra : etsy an-andaniny, ny fanomboham-panambaràna ataon’Andriamanitra maimaim-poana, ary etsy an-kilany, ny valim-pinoana ataon’ny vahoakany.
Ampahany tsy azo esorina amin’ireo fankalazana ara-tsakramenta, ny litorzian’ny Teny. Mba hampitombo ny finoan’ny mpino, tokony hasongadina ireo mari-pamantarana ny Tenin’Andriamanitra : ny boky mirakitra ny Teny (boky litorzika mirakitra ny vakiteny masina na boky litorzika mirakitra ny evanjely), ny fanajana azy (prôsesiô, emboka, jiro), ny toerana fanambaràna azy (polipitra), ny famakiana azy ho heno tsara sy ho mora azo an-tsaina, ny toritenin’ny mpandraharaha masina izay manohy ny fanambaràna azy, ny valy ataon’ny mpiangona (fihobiana, salamo fandinihana, litania, fiekem-pinoana).
Tsy azo saratsarahina ny teny sy ny asa litorzika amin’ny maha-famantarana sy fampianarana azy, dia toy izany koa, amin’ny maha-mpanatanteraka azy ny zavatra izay ampahafantariny. Tsy ny manome fotsiny ny fahafaha-mahazo ao an-tsaina ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fampitsiriana ny finoana no ataon’ny Fanahy Masina, fa Izy koa no manatanteraka amin’ny alalan’ny sakramenta ireo “zava-mahagaga” ataon’ Andriamanitra ambaran’ny Teny : Izy no mahatonga ny fisiana eo sy mampita ny tsanganasan’ny Ray notontosain’ny Zanaka malala.
Hira sy mozika
“Ny lovam-panahy momba ny mozika teo amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo dia nihary raki-tsoa tsy voavidy vola izay mampisongadina azy amin’ireo zavakanto hafa, indrindra, fa amin’ny maha-hira masina azy miaraka amin’ny tonony, dia manjary ampahany tena ilaina na ampahany tsy azo esorina amin’ny litorzia manetriketrika izy” L 112.. Ny famoronana sy ny fihirana ny Salamo masina, matetika narahina zavamaneno, dia efa nifamatotra mafy tamin’ireo fankalazana ara-litorzian’ny Fanekem-pihavanana Taloha. Tohizin’ny Fiangonana sy ampiroboroboiny izany lovam-panahy izany : “Salamo, antsa ary tonon-kira masina no ifampitanisaonareo ; hirao sy ankalazao amin’ny fonareo manontolo ny Tompo” (Efez 5,19) jer. Kôl 3,16-17.. “Izay mihira dia mivavaka indroa” jer. Md Augustin, Psal. 72,1..
Ny hira sy ny mozika dia manao ny anjara asa maha-famantarana azy, sady amin’ny fomba miharihary izay “ifandraisan’izy ireny bebe kokoa amin’ny asa litorzika” L 112., araka ireto mari-pitsaràna lehibe telo ireto : ny fanehoam-pankafizana fivavahana, ny firaisam-pon’ny mpiangona mandray anjara amin’ireo fotoana voalamina ary ny toetra manetriketriky ny fankalazana. Ny hira sy ny mozika, araka izany, dia manampy tosika ho amin’ny tanjom-piafaran’ny teny sy ny asa litorzika : ny Voninahitr’Andriamanitra sy ny fanamasinana ny mpino jer. L 112. :
Endre ! izany izaho nitomany raha nandre ny antsanareo, ny tonon-kiranareo, ny fireondreony mahafinaritra izay nampanakoako ny Fiangonanareo ! Fiontanam-po manao ahoana no nahazo ahy tamin’izany ! Nikoriana tato an-tsofiko izy ireny, nampiely ny fahamarinana tato am-poko. Hetsi-panahy lehibe ho amin’ny fitiavam-bavaka no nanainga ahy, ary nijoy namonto ny takolako ny ranomaso, nefa nahasoa ahy izy ireny Md Augustin, conf. 9,6,14..
Ny firindran’ireo famantarana (hira, mozika, teny ary asa) eto dia sady maneho mazava sy mamokatra, no manazava ny ao anatin’ny harena ara-kolontsaina manokana an’ny Vahoakan’Andriamanitra izay mankalaza jer. L 119.. Noho izany, “hamporisihana sy hotohanana amim-pahendrena ny famoronan-kiram-pivavahana mora hain’ny vahoaka, mba hahafahan’ny mpino miara-manandra-peo, amin’ny fanazaran-tena ho tia vavaka sy ho masina, sy amin’ny asa litorzika rahateo, araka ny fitsipiky ny Fiangonana” L 118.. Kanefa, “ny tonony natokana ho an’ny hira masina dia hifanaraka amin’ny fitambaram-pampianarana katôlika ary tsaratsara kokoa aza raha halaina avy amin’ny Soratra Masina sy avy amin’ny loharano litorzika izy ireny” L 121..
Ny sary masina
I Kristy no asehon’ny sary masina, ny Sarimasina litorzika, ambonin’ny rehetra. Ny sary anefa tsy afaka hampiseho an’ilay Andriamanitra tsy hita maso sy tsy takatry ny saina ; ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo no nisantarana ny “fitantanana” vaovao mikasika izany :
Fahiny Andriamanitra izay tsy hita vatana, tsy hita bika, dia tsy azo naseho an-tsary mihitsy. Kanefa ankehitriny, rahefa naseho teo amin’ny nofo Izy sy niara-niaina tamin’ny olombelona, dia afaka manao sary an’izay hitako teo amin’Andriamanitra aho. (…) Miharihary ny endrika, ka afaka mibanjina ny voninahitry ny Tompo isika Md Jean Damascène, imag. 1,16..
Ny angontsarimasina kristianina no mandika amin’ny alalan’ny sary ny hafatry ny Evanjely izay ampitain’ny Soratra Masina amin’ny alalan’ny teny. Mifanazava ny sary sy ny teny :
Mba hilazana amin’ny teny fohy ny fiekem-pinoantsika, dia tahirizintsika ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana rehetra voasoratra na tsy voasoratra izay nampitaina tamintsika tsy misy fanovàna. Anankiray amin’ireny ny fampisehoana amin’ny sary hoso-doko, izay mifanaraka amin’ny fitoriana ny tantara momba ny Evanjely, amin’ny finoana fa ilay Andriamanitra Teny dia tonga olombelona marina tokoa fa tsy araka ny hita ety ivelany, izay ilaina koa sy mampahazo tombon-tsoa koa, satria ny zavatra izay mifanazava dia manana hevitra mitovy tsy misy mampisalasala mihitsy Kôns. Nicée II, tamin’ny 787: COD — Conciliorum Oecumenicorum Decreta..
Misy ifandraisana amin’i Kristy avokoa ny famantarana rehetra amin’ny fankalazana litorzika ; toy izany koa ny sary masin’ny Reny masin’ Andriamanitra sy ireo olomasina. Satria, izy ireny no mampahafantatra an’i Kristy izay omem-boninahitra ao amin’izy ireny. Izy ireny no mampiseho “ny vavolombelona zavon-tany ” (Heb 12,1) izay manohy mandray anjara amin’ny famonjena izao tontolo izao, ary miombona amin’izy ireo isika, indrindra amin’ny fankalazana ara-tsakramenta. Amin’ny alalan’ny sarimasin’izy ireo, dia ny olombelona “natao mitovy endrika amin’ Andriamanitra”, ary tamin’ny farany voaova endrika “hifanahaka Aminy” jer.Rôm 8,29; 1 Jo 3,2., no miseho amin’ny finoantsika, ary na ireo anjely aza dia navondrona koa ao amin’i Kristy :
Araka ny fampianarana nitsilovan’Andriamanitra ny sain’ireo Abantsika masina sy ny lovam-panahin’ny Fiangonana katôlika, izay fantatsika fa lova nampitain’ny Fanahy Masina izay monina ao aminy, dia soritanay tsy amim-pisalasalana sy amim-pahamarinana tanteraka fa ny sary mendri-kaja sy masina, tahaka ireo sary mampiseho ny Hazofijaliana sarobidy sy mamelombelon’aina, na natao hoso-doko izany, na natao rafi-bato madinika samihafa volo, na natao tamin’ny foto-javatra hafa sahaza azy, dia tokony homena toerana ao am-piangonana masin’Andriamanitra, eo amin’ny fitaovana ampiasaina sy ny fanamiana masina, eo amin’ny rindrina sy ny tabilao fametahan-tsary, ao an-trano sy eny an-dalana ; tahaka izany koa ny sarin’ny Tompontsika, Andriamanitra sy Mpamonjy, dia i Jesoa-Kristy, na ny an’ny Tompovavintsika, ilay Reny madio indrindra sy masin’ Andriamanitra, ny an’ny anjely masina, ny olomasina sy ny olo-marina rehetra Kôns. Nicée II: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
“ Manaitaitra ny fivavahako ny hakanto sy ny lokon’ny sary. Fety ho an’ny masoko izany, tahaka ny zavatra hita eny an-tsaha mandrisika ny foko hanome voninahitra an’Andriamanitra” Md Jean Damascène, imag. 1,47.. Ny fibanjinana ny sarimasina, ampiraisina amin’ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fihirana ny antsa litorzika, dia tonga mampirindra ny famantarana amin’ny fankalazana, mba horaiki-tadidy ao am-po ny mistery ankalazaina, ary aorian’izay hanazava ny heviny eo amin’ny fiainam-baovaon’ny mpino.
III.Rahoviana no mankalaza ?
Ny fotoana litorzika
“Mihevitra tokoa ny Fiangonana Masina Renintsika fa adidiny ny mankalaza ny tsanganasam-pamonjen’ilay Andriamanitra Vadiny, amin’ ny alalan’ny fahatsiarovana masina, atao andro raikitra, mandavantaona. Isan-kerinandro, ny andro antsoina hoe "Andron’ny Tompo", dia atao ho fahatsiarovana ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona, izay mbola ankalazaina indray mandeha isan-taona, miaraka amin’ny fijaliany mahasambatra, amin’ny alalan’ny fankalazana manetriketrika ny Paka. Ary asehony mandritra ny fihodinan’ny taona ny misterin’i Kristy manontolo. (…) Eo am-pankalazany araka izany ireo misterin’ny fanavotana ny Fiangonana, dia manokatra ho an’ny mpino ireo haren’ny hatsaram-panahy sy ny soa avy amin’ny Tompony ; amin’ny fomba toy izany, ireny mistery ireny dia toy ny hoe hita eo mandritra ny fotoana manontolo, ka ifampikasohan’ny mpino amin’izy ireny sy hameno azy ny fahasoavam-pamonjena” L 102..
Ny Vahoakan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny lalànan’i Môizy, dia nahalala ireo fety raikitra nanomboka tamin’ny Paka, mba hahatsiarovana ny asa mahagaga nataon’Andriamanitra Mpamonjy, hisaorana Azy amin’ izany, hampaharitra ny fahatsiarovana sy hampianarana ny taranaka vaovao mba hampifanarahan’izy ireo ny fitondran-tenany amin’izany. Amin’ny vanim-potoanan’ny Fiangonana, eo anelanelan’ny Pakan’i Kristy, izay efa tanteraka indray mandeha ihany, sy ny fahataperany ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny litorzia ankalazaina amin’ny andro raikitra dia manamarika manontolo ny zava-baovaon’ny misterin’i Kristy.
Rahefa mankalaza ny misterin’i Kristy ny Fiangonana, misy teny iray izay manoritra ny fivavahany: “Anio!”, avy amin’ny akon’ny vavaka izay nampianarin’ny Tompony jer. Mt 6,11. azy sy ny antson’ny Fanahy Masina jer. Heb 3,7- 4,11; Sal 95,8.. Io “ anio” an’Andriamanitra velona io izay iantsoana ny olombelona hiditra ao no “Oran’ ”ny Pakan’i Jesoa izay mamakivaky sy mitondra ny tantara manontolo :
Voavelatra eo amin’ny fisiana manontolo ny fiainana ary heniky ny hazavana lehibe ny rehetra ; ilay Fahazavana avy any atsinanana dia manenika an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, ary Ilay izay “talohan’ny kintana fitarik’ andro” sy talohan'ny zava-misy rehetra eny an’habakabaka, tsy mety maty sy tsy manam-petra, ilay Kristy Lehibe dia mamirapiratra eo amin’ny zavatra rehetra mihoatra noho ny masoandro. Izany no antony, ho antsika mino Azy, ipoiran’ny andron’ny fahazavana, lava, mandrakizay, izay tsy mety maty : ny Paka mistika Pseudo-Hippolyte, in sanctum Pasche 1,1-2..
Ny Andron’ny Tompo
“Mankalaza ny misterin’ny Paka ny Fiangonana, araka ny lovam-pampianaran’ny apôstôly efa hatramin’ny andro nitsanganan’i Kristy ho velona mihitsy, isaky ny andro fahavalo, izay tena antsoina marina hoe Andron’ny Tompo, na alahady” L 106.. Ny andro Nitsanganan’i Kristy ho velona dia sady ilay “andro voalohany amin’ny herinandro”, tsangambato fahatsiarovana ny andro voalohan’ny fahariana, no “andro fahavalo” izay nisantaran’i Kristy, taorian’ny “fitsaharany” tamin’ny Sabata lehibe, ilay Andro “izay nataon’ny Tompo”, ho andro “tsy mahalala hariva” Litorzia bizantinina.. Ny “sakafon’ny Tompo” no foibeny, satria eo ny ankohonana manontolo ny mpino no mihaona amin’ ny Tompo nitsangan-ko velona izay manasa azy ireo amin’ny fanasam-beny jer. Jo 21,12; Lk 24,30. :
Ny Andron’ny Tompo, andron’ny Fitsanganan-ko velona, andron’ny kristianina, no androntsika. Ho amin’izany no niantsoana azy hoe andron’ny Tompo : satria tamin’izany andro izany ny Tompo no niakatra tamin’ny maha-mpandresy Azy eo anilan’ny Ray. Raha antsoin’ny jentily hoe andron’ny masoandro izany, isika koa, miaiky izany an-tsitrapo : fa androany no niposahan’ny fahazavan’izao tontolo izao, androany no nisehoan’ny masoandron’ny fahamarinana izay mitondra famonjena ny tarany Md Jérôme, pasch..
Ny alahady no andro ambony indrindra amin’ny fiaraha-miangona amin’ny litorzia, izay hiangonan’ny mpino “ka amin’ny fihainoana ny Tenin’ Andriamanitra sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny Eokaristia, no hanaovan’izy ireo ny fahatsiarovana ny fijaliana, ny Fitsanganan-ko velona ary ny Voninahitr’i Jesoa Tompo, amin’ny fisaorana an’ Andriamanitra izay nanavao azy ireo ho amin’ny fanantenana velona amin’ny alalan’ny Fitsanganan’i Jesoa-Kristy tamin’ny maty” L 106. :
Ry Kristy ô ! rahefa mandinika izahay, ny zava-mahagaga izay tanteraka tamin’ity andro alahadin’ny Fitsanganan-ko velonao masina ity, dia hoy izahay hoe : Voahasina ny andro alahady, satria taminy no nanombohan’ ny fahariana (…) ny famonjena an’izao tontolo izao (…) ny fanavaozana ny taranak’olombelona (…). Taminy ny lanitra sy ny tany no nifaly ary nahafeno fahazavana ny tontolon’ny zava-drehetra. Voahasina ny andro alahady, satria taminy no nisokafan’ny varavaran’ ny paradisa mba tsy hatahotra hiditra ao i Adama sy ny voasesitany rehetra Fanqîth, Office syriaque d'Antioche, Vol 6, La partie de l'été, p. 193b..
Ny taona litorzika
Manomboka amin’ny Hateloan’andron’ny Paka, araka ny maha-loharanom-pahazavany azy, ny andro vaovao ny Fitsanganan-ko velona no mameno ny taona litorzika manontolo amin’ny famirapiratany. Tsikelikely, avy amin’ny andaniny sy ny ankilan’io loharano io, no nanovàn’ny litorzia endrika ny taona. Tena “taom-pahasoavan’ny Tompo” jer. Lk 4,19. tokoa izany. Miasa ao anatin’ny fe-potoana ny fitantanam-pamonjena, kanefa hatramin’ny fahatanterahany tamin’ny Pakan’i Jesoa sy ny firotsahan’ny Fanahy Masina, ny fahataperan’ny tantara dia niroso mialohan’ny fotoana, “nosantarina mialoha”, ary miditra ao amin’ny fotoanantsika ny Fanjakan’ Andriamanitra.
Noho izany, tsy fety fotsiny eo anivon’ny hafa ny Paka : izy no “Fety fara tampon’ny fety rehetra”, “Manetriketrika indrindra amin’ny manetri-ketrika”, tahaka ny Eokaristia izay sakramentan’ireo sakramenta (ilay Sakramenta lehibe). “Ilay alahady Lehibe” Ep. Fest I (tamin’ny 329), 10. no iantsoan’i Md Athanase azy, tahaka ny Herinandro Masina antsoin’ny any Atsinanana hoe “Herinandro lehibe”. Ny misterin’ny Fitsanganan-ko velona, izay tamin’izany no nandravan’i Kristy ny fahafatesana, no maninteraka ny fotoana tranainintsika tamin’ny fahefany mahery, mandra-pahatonga ny zavatra rehetra ho eo ambany fahefany.
Tamin’ny Kônsilin’i Nicée (taona 325) ny Fiangonana rehetra dia nifanara-kevitra fa ny Paka kristianina dia ho ankalazaina ny alahady izay manaraka ny volana fenomanana (14 Nisan), aorian’ny andro itovian’ny halavan’ny andro sy alina amin’ny lohataona. Noho ny tsy fitovian’ny fomba fikajiana ny 14 Nisan, tsy mifanojo lalandava ny datin’ny Paka ao amin’ny Fiangonana Tandrefana sy ny Tatsinanana. Izany no mahatonga ireo Fiangonana ireo ankehitriny, mikaroka fifanarahana, mba hahatongavana indray amin’ny fankalazana ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona amin’ny daty iraisana.
Ny taona litorzika no famelarana ny endrika maro samihafa ny mistery tokan’ny Paka. Torak’izany indrindra koa ny momba ireo fety manodidina ny misterin’ny Fahatongavana ho nofo (Filazana, Noely, Epifania) izay ankalazana ny fahatsiarovana ny fiandohan’ny famonjena antsika sy ampitana amintsika ny santatra ny misterin’ny Paka.
Ny fanajana ny Olomasina ao amin’ny taona litorzika
“Ny Fiangonana Masina, amin’ny fankalazana ny misterin’i Kristy mandritra ny fihodinan’ny taona, dia manaja amim-pitiavana manokana an’i Maria sambatra, Renin’Andriamanitra, izay niombona tamin-Janany teo amin’ny tsanganasam-pamonjena tamin’ny alalan’ny fifamatorana tsy azo sarahina. Ao amin’i Maria ny Fiangonana dia migaga sy midera ny vokatry ny tsara indrindra avy amin’ny fanavotana, ary, toy ny ao amin’ny sary iray madio dia madio izy no mibanjina amin-kafaliana, izay irìn’ny tenany rahateo sy antenainy ho izy manontolo” L 103..
Rahefa mahatsiaro ny martiry sy ny olomasina sasany ny Fiangonana, ao anatin’ny fihodinan’ny taona, dia “manambara ny misterin’ny Paka” ao amin’izy ireo na lehilahy na vehivavy “izay nijaly niaraka tamin’i Kristy sy nomem-boninahitra niaraka Taminy, ary manolotra ho an’ny mpino ny oha-piainan’izy ireo izay nitarika azy rehetra ho any amin’ny Ray amin’ny alalan’i Kristy, ary amin’ny mahamendri-balisoa azy ireo, no ahazoan’ny Fiangonana ny soa avy amin’Andriamanitra” L 104; jer. L 108 sy 111..
Ny Vavaka isan’Andro
Ny misterin’i Kristy, ny Fahatongavany ho nofo sy ny Pakany, izay ankalazaintsika amin’ny Eokaristia, singanina manokana ny amin’ny fiangonana alahady, dia maninteraka sy manova endrika ny fotoana isan’andro amin’ny alalan’ny fankalazana amin’ny Vavaka isan’Andro, “Fankalazana an’Andriamanitra isan’andro” jer. L IV, 83-101.. Izany fankalazana izany, tsy mivaona amin’ny hafatrafatry ny apôstôly ny amin’ny hivavahana lalandava jer. 1 Tes 5,17; Efez 6,18., “no natambatra mba hanamasinana ny fisosan’ny andro sy ny alina amin’ny fiderana an’Andriamanitra” L 84.. Izy no “vavaky ny daholobe ao amin’ny Fiangonana” L 98. izay amin’izany ny mpino (mpandraharaha voahosotra, relijiozy ary lahika) no manatanteraka ny maha-mpisorona manjaka ny vita batemy. Rahefa ankalazaina “araka ny fomba ankatoavin’ ”ny Fiangonana ny Vavaka isan’Andro, “dia tena feon’ilay Ampakarina mihitsy izay miantefa amin’ilay Mpampakatra azy ; ary azo lazaina koa hoe vavaka amin’ny Ray ataon’i Kristy miaraka amin’ny Vatany” L 84..
Voatokana hanjary ho vavaky ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo ny Vavaka isan’Andro. “Ny Tenan’i Kristy mihitsy no manohy ny anjara raharaha maha-mpisorona Azy amin’ny alalan’ny Fiangonany” L 83., amin’ny Vavaka isan’andro ; mandray anjara amin’izany ny tsirairay, arakaraka ny toerana misy azy eo amin’ny Fiangonana sy ny toe-java-miseho eo amin’ny fiainany : ny Pretra, araka ny fanoloran-tenany amin’ny andraiki-panompoana ara-pastôraly, satria voantso izy hazoto amin’ny fivavahana sy amin’ny asa fanompoana ny Teny jer. L 86; 96; RFP 5.; ny relijiozy lehilahy sy vehivavy, araka ny fanomezam-pahasoavan’ny fanokanam-piainan’izy ireo jer. L 98.; ny kristianina rehetra, araka izay fahafahan’izy ireo manao izany : “Ny mpitondra ny Vahoakan’Andriamanitra dia hitandrina, mba hankalazaina miaraka ao am-piangonana, ireo Fotoam-bavaka lehibe, indrindra ny Vavaka hariva, ny alahady ary ny andro fety manetriketrika. Amporisihana ny samy lahika hanao vavaka fankalazana an’Andriamanitra isan’andro, na miaraka amin’ny Pretra, na rahefa izy samy izy miara-mivory, na izy irery aza” L 100..
Tsy ny mampirindra ny feo miaraka amin’ny fo izay mivavaka ihany no takìna amin’ny mankalaza ny Vavaka isan’Andro, fa koa “ny manao izay ahazoana fahalalana be dia be momba ny litorzia sy ny Baiboly, indrindra ny salamo” L 90..
Ny antsa sy ny litanian’ny Vavaka isan’Andro dia manatsofoka ny vavaka salamo ao anatin’ny fotoanan’ny Fiangonana, amin’ny fanambaràna ara-panehoana an’ohatra ny fotoana ao anatin’ny iray andro, ny taona litorzika na ny fety ankalazaina. Fanampin’izany, ny famakiana ny Tenin’ Andriamanitra isaky ny Fotoam-bavaka (miaraka amin’ny valin-kira na ny sasin-kira izay manaraka izany), ary, amin’ny Fotoam-bavaka sasany, ny famakiana ny bokin’ny Aba sy ny mpampianatra ara-panahy, no manambara lalindalina kokoa ny dikan’ny mistery ankalazaina, manampy amin’ny fahalalana ny salamo sy manomana amin’ny vavaka am-po tsy miloa-bava. Ny famakiana ny tenin’Andriamanitra (lectio divina), izay ao no vakina sy dinihina ny Tenin’Andriamanitra mba ho zary vavaka, dia miorim-paka araka izany amin’ny fankalazana litorzika.
Ny Vavaka isan’Andro, izay toy ny fitohizan’ny fankalazana ny Eokaristia, dia tsy manavaka fa mitaky amin’ny fomba mifameno ny fitiavam-bavaka samihafa ataon’ny Vahoakan’Andriamanitra, singanina manokana ny fitsaohana sy ny fanajana am-bavaka ny Sakramenta Masina.
IV.Aiza no mankalaza ?
Tsy voafehy amin’ny toerana iray manokana, ny fivavahana amin’ny “fanahy sy ny fahamarinana” (Jo 4,24), araka ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Masina ny tany tontolo ary nankinina amin’ny zanak’olombelona. Ny voalohany, raha miangona amin’ny toerana iray ny mpino, dia izy ireo no “vato velona”, miangona mba “hanangana trano ara-panahy” (1 Pi 2,5). Ny Vatan’i Kristy nitsangan-ko velona no tempoly ara-panahy izay ao no ipoiran’ny loharano velona miboiboika. Noho isika voakambana amin’i Kristy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia “isika no tempolin’ Andriamanitra velona” (2 Kôr 6,16).
Rahefa tsy voasakantsakana ny fampiasana ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana jer. DH 4., dia afaka manorina trano lehibe natokana hanompoana an’ Andriamanitra amin’ny vavaka, ny kristianina. Tsy toeram-pivoriana tsotra fotsiny ireny fiangonana hita maso ireny, fa mampahafantatra sy mampiseho ny Fiangonana velona eo amin’io toerana io, izay fonenan’ Andriamanitra miaraka amin’ny olombelona tafahavana sy tafaray ao amin’i Kristy.
“Ny trano fivavahana izay ao ny Eokaristia no ankalazaina sy tahirizina, izay ao ny mpino no miangona, izay ao ny Zanak’Andriamanitra Mpamonjintsika no atolotra ho antsika eo amin’ny ôtely fanaovan-tsorona, dia hajaina mba ho fanohanana sy ho fankaherezana ny kristianina; tokony ho tsara tarehy sy sahaza ny fivavahana mbamin’ny fankalazana ny Eokaristia io trano io” RFP 5; jer L 122-127.. Ao amin’io “tranon’ Andriamanitra io”, ny fahamarinana sy ny firindran’ny famantarana izay manorina azy dia tsy maintsy maneho an’i Kristy izay eo sy miasa ao amin’io toerana io jer. L 7. :
Ny ôtelin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao dia ny Hazofijalian’ny Tompo jer. Heb 13,10. izay avy eo no ipoiran’ny sakramentan’ny misterin’ny Paka. Eo ambonin’ny ôtely izay ivon’ny trano fiangonana, no mahatonga ny fisiana eo ny soron’ny Hazofijaliana amin’ny alalan’ny famantarana ara-tsakramenta. Ny ôtely koa no Latabatry ny Tompo, izay eo amin’izany no anasana ny Vahoakan’ Andriamanitra hihinana jer. IGMR 259.. Ao amin’ny litorzia sasantsasany Tatsinanana, ny ôtely koa no fanehoana an’ohatra ny Fasana (maty tokoa sy nitsangan-ko velona tokoa i Kristy).
Ny tabernakla dia tsy maintsy apetraka “ao am-piangonana eo amin’ny toerana mendrika indrindra, ombam-panajana lehibe indrindra” MF — Mysterium fidei.. Ny fahamboniana, ny fahazoana mampiasa ary ny fahazoana antoka ny tabernakla misy ny Eokaristia jer. L 128. dia tokony hampirisika sy hampandroso ny fitsaohana ny Tompo izay tena eo tokoa ao amin’ny Sakramenta Masin’ny ôtely. Ny diloilo masina (myron), izay ny fanosorana no famantarana ara-tsakramenta amin’ny fitomboky ny fanomezana ny Fanahy Masina, araka ny lovam-panahy, dia tahirizina sy hajaina eo amin’ny toerana azo antoka misy ny toerana masina. Azo ampiarahina ao ny diloilon’ny katekomena sy ny an’ny marary.
Ny seza fiketrahan’ny Eveka (cathèdre) na ny fitoeran’ny Pretra dia “tokony hampiseho ny anjara raharahan’ilay izay miandraikitra ny fiangonana sy mitarika ny fivavahana” IGMR 271.. Ny polipitra : “Ny fahambonian’ny Tenin’Andriamanitra dia ilana toerana manokana ao am-piangonana izay manampy amin’ny fitoriana izany Teny izany, ka eny no itodihan’ny mason’ny mpino sy ifantohan’ny saina aman’eritreriny, mandritra ny Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra” IGMR 272..
Manomboka amin’ny Batemy ny famoriana ny Vahoakan’Andriamanitra ; noho izany, ny fiangonana dia tokony hanana toerana fankalazana ny Batemy (toerana fanaovana batemy) sy hanampy amin’ny fahatsiarovana ny toky nomena tamin’ny Batemy (rano voahasina). Mitaky fivalozana ny fanavaozam-piainana ny Batemy. Noho izany, ny trano fiangonana dia tokony ho sahaza ny fanehoam-panenenana sy ny fandraisana ny famelan-keloka, ka mila toerana sahaza amin’ny fandraisana ny mpivalo. Ny fiangonana koa dia tokony ho toerana malalaka izay mahasarika ho amin’ny fanombenan-tsaina sy ho amin’ny vavaka tsy miloa-bava izay manohy sy mampiditra ao anaty ny vavaka Fisaorana lehibe.
Farany, mirakitra hevitra momba ny any am-parany any ny fiangonana. Mba hidirana ao an-tranon’Andriamanitra, tsy maintsy mandingana ny tokonana, izay fanehoana an’ohatra ny fandalovan’ny tontolo voaratran’ny fahotana ho amin’ny tontolon’ny Fiainam-baovao iantsoana ny olombelona rehetra hankao. Ny fiangonana hita maso no maneho an’ ohatra ny tranon’ny Ray izay mankany no izoran’ny Vahoakan’ Andriamanitra ary ao ny Ray no “hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo” (Apôk 21,4). Noho izany koa no maha-tranon’ny zanak’Andriamanitra rehetra ny fiangonana, mivoha midanadana sy mpandray olona.
Tsanganasan’i Kristy manontolo, Loha sy Vatana, ny litorzia. Mankalaza izany tsy an-kijanona amin’ny litorzia any an-danitra ny Mpisorombe-ntsika, miaraka amin’ny Reny Masin’Andriamanitra, ny apôstôly, ny olomasina rehetra ary ireo olona tsy tambo isaina izay efa tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Amin’ny fankalazana litorzika, ny Mpiangona manontolo no “mpilitorzia”, ny tsirairay arakaraka ny anjara asa manandrify azy. Ny maha-mpisorona avy amin’ny Batemy dia an’ny Vatan’i Kristy manontolo. Misy anefa mpino sasantsasany nohamasinina tamin’ny sakramentan’ny Filaharana mba hisolo tena an’i Kristy ho Lohan’ny Vatana.
Ny fankalazana litorzika dia mirakitra famantarana sy fanehoana an’ohatra izay misy avy amin’ny zavaboary (hazavana, rano, afo), misy avy amin’ny fiainan’ny olombelona (manasa amin’ny rano, manosotra menaka, manapatapaka mofo) ary misy avy amin’ny tantaram-pamonjena (ny fombam-pivavahana amin’ny Paka). Natsofoka ao anatin’ny tontolon’ny finoana sy tohanan’ny herin’ny Fanahy Masina ireny singafototra momba ny tontolon’ny zavaboary voarindra ireny, ireny fombam-pivavahan’ny olombelona ireny, ireny fihetsika ahatsiarovana an’Andriamanitra ireny, dia manjary mpitondra ny asam-pamonjena amam-panamasinan’i Kristy.
Ny litorzian’ny Teny dia ampahany tsy azo esorina ao anatin’ny fankalazana manontolo. Ny hevitra raketin’ny fankalazana dia ambara amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra izay torìna sy amin’ny alalan’ny firotsahana amin’ny finoana izay amaliana izany.
Misy fifandraisana mafy amin’ny asa litorzika ny hira sy ny mozika. Toy izao ny mari-pitsaràna amin’ny fampiasana tsara azy ireny : ny fanehoam-pankafizana ny fivavahana, ny firaisam-pon’ny mpiangona mandray anjara, ary ny fanehoana ny toetra masin’ny fankalazana.
Ny sary masina, fahita ao am-piangonantsika sy ao an-tranontsika, dia natao hamohafoha sy hamelombelon’aina ny finoantsika ao amin’ny misterin’i Kristy. Amin’ny alalan’ny Sarimasin’i Kristy sy ny tsanganasam-pamonjeny, dia Izy no tsaohintsika. Amin’ny alalan’ny sary masin’ny Reny masin’Andriamanitra, ny Anjely sy ny Olomasina, dia ilay tena olona izay asehon’ny sary no hajaintsika.
Ny alahady, “Andron’ny Tompo”, no andro lehibe indrindra fankalazana ny Eokaristia, satria io no andron’ny Fitsanganan-ko velona. Andro soa indrindra amin’ny andro iangonan’ny mpino amin’ny fankalazana litorzika, andron’ny fianakaviana kristianina, androm-pifaliana sy fialan-tsasatra amin’ny asa. Io no “fototra sy votoatin’ny taona litorzika manontolo” L 106..
“Asehon’ny Fiangonana mandritra ny fihodin’ny taona ny misterin’i Kristy manontolo, manomboka amin’ny Fahatongavany ho nofo sy ny Fahaterahany ka hatramin’ny Fiakarany any an-danitra sy ny Pantekôty sy ny fiandrasana ny hasambarana nampanantenaina ary ny Fahatongavan’ ny Tompo amim-boninahitra amin’ny farandro” L 102..
Amin’ny fahatsiarovana ny Olomasina, loha laharana amin’izany ny Reny masin’Andriamanitra, manaraka izany ireo apôstôly, ireo martiry ary ireo Olomasina hafa, amin’ny andro noraiketina amin’ny taona litorzika, no ampisehoan’ny Fiangonana eto an-tany fa miombona amin’ny litorzia any an-danitra izy ; manome voninahitra an’i Kristy nahatontosa ny famonjeny an’ireo rantsambatany efa enim-boninahitra izy ; ny oha-piainan’izy ireo no mandrisika azy eny an-dalany mizotra mankany amin’ny Ray.
Ireo mpino izay mankalaza ny Vavaka isan’Andro dia miombona amin’i Kristy, Mpisorombentsika be fiandrianana, amin’ny alalan’ny vavaka salamo, ny fandinihana masina ny Tenin’Andriamanitra, ny tonon-kira ary ny tsodrano, mba hikambanan’izy ireo amin’ny fivavahany tsy an-kijanona sy ho an’ny rehetra, izay anomezam-boninahitra ny Ray sy italahoana ny fanomezan’ny Fanahy Masina ho an’izao tontolo rehetra izao.
I Kristy no tena Tempolin’Andriamanitra tokoa, “toerana izay ao no onenan’ny voninahiny”; noho ny fahasoavan’Andriamanitra, manjary Tempolin’ny Fanahy Masina koa ny kristianina, vato velona izay iorenan’ny Fiangonana.
Amin’ny maha-eto an-tany ny Fiangonana, mila toerana izy, izay ao no ahazoan’ny ankohonan’ny mpino miangona : ny fiangonantsika hita maso, toerana masina, sarin’ny Tanàna masina, ilay Jerosalema any an-danitra izay mankany no izorantsika mpivahiny ety.
Any amin’ireny trano fiangonana ireny no ankalazan’ny Fiangonana ny fivavahana ampahibemaso ho voninahitry ny Trinite Masina, ihainoany ny Tenin’Andriamanitra sy ihiràny ny fiderana Azy, anandratany ny fivavahany, ary anolorany ny Soron’i Kristy, eo anivon’ny mpiangona amin’ny alalan’ny sakramenta. Ireny trano fiangonana ireny koa no toerana anaovana fieritreretana sy vavaka irery.
2.Ny faha-samihafa litorzika sy ny maha-iray ny mistery
Lovam-panahy litorzika sy maha-katôlika ny Fiangonana
Nanomboka tamin’ny Ankohonam-piangonana voalohany tao Jerosalema ka mandra-pahatongan’ny Fiverenan’i Kristy amim-boninahitra amin’ny farandro, na aiza na aiza, dia ny misterin’ny Paka iray ihany no ankalazain’ ireo Fiangonan’Andriamanitra tsy mivadika amin’ny finoana apôstôlika. Iray ihany ny mistery ankalazaina amin’ny litorzia, fa ny endriky ny fankalazana azy no maro samihafa.
Tsy hita noanoa ny haren’ny misterin’i Kristy, hany ka tsy misy lovam-panahy litorzika na dia iray aza afaka hahatapitra ny fanehoana izany. Ny tantaran’ny fisehoana amam-pivelaran’ireny fombam-pivavahana ireny dia manaporofo fifamenoana mampitolagaga. Rahefa niaina ireny lovam-panahy litorzika ao anatin’ny fiombonana amin’ny finoana sy ny sakramentan’ny finoana iombonana ireny ny Fiangonana samihafa, dia nanjary nitombo harem-panahy tao amin’izy ireo samy izy ireo izany ary nitombo tao anatin’ny tsy fivadihana amin’ny Lovam-pampianarana sy amin’ny fanirahana iombonan’ny Fiangonana manontolo jer. EN 63-64..
Ny lovam-panahy samihafa ara-litorzia dia nipoitra arakaraka ny fanirahana ny Fiangonana ihany. Ireo Fiangonana iray faritra ara-jeôgrafia sy ara-kolontsaina dia tonga mankalaza ny misterin’i Kristy amin’ny alalan’ny fanehoan-tandindona hafa kely, nasiana endrika ara-kolontsaina : ao amin’ny lovam-panahin’ny tahirim-pinoana jer. 2 Tim 1,14., eo amin’ny fanehoana an’ ohatra litorzika, eo amin’ny fandaminana ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, eo amin’ny fahaizana amam-pahalalana ara-teôlôjian’ny mistery ary eo amin’ny môdelim-pahamasinana. Amin’izany, i Kristy, Fahazavana sy Vonjin’ny firenen-drehetra, no asehon’ny fiainana litorzikan’ny Fiangonana iray, amin’ny vahoaka sy amin’ny kolontsaina izay amin’izany no anirahana azy ary ao amin’izany izy no miorim-paka. Katôlika ny Fiangonana, ka vitany ny mampiditra manontolo ao anatin’ny maha-iray azy, ny harena ara-kolontsaina rehetra tena izy, amin’ny fanadiovana an’ireny jer. FF 23; EK 4..
Ny lovam-panahy litorzika, na fombam-pivavahana, ampiasaina ankehitriny ao amin’ny Fiangonana, dia ny fombam-pivavahana latinina (voalohany indrindra ny fombam-pivavahana rômanina, fa eo koa ireo fombam-pivavahan’ny Fiangonana sasany eo an-toerana toy ny fombam-pivavahana ambrôzianina, na ny fombam-pivavahan’ireo fikambanan-drelijiozy sasany) sy ny fombam-pivavahana bizantinina, aleksandrinina na kôpta, siriàka, armenianina, marônita ary kaldeanina. “Amin’ny fankatoavana amim-pitokiana ny lovam-panahy, ambaran’ny Kônsily masina fa ny Fiangonana Reny masina dia mihevitra ny satam-pivavahana rehetra nankatoavina ara-dalàna ho mitovy zo aman-kasina, ary tiany, ho an’ny hoavy, ny mitahiry ireny sy mampiroborobo ireny amin’ny fomba rehetra” L 4..
Litorzia sy kolontsaina
Noho izany, tokony hifanandrify amin’ny toetra mampiavaka ny firenena samihafa sy ny kolontsainy, ny fankalazana amin’ny litorzia jer. L 37-40.. Mba “hahafantaran’ny firenena rehetra” ny misterin’i Kristy, “ka hitarihana azy ireo hanaiky ny finoana” (Rôm 16,26), dia tokony hotorìna, hankalazaina ary hivelomana ao amin’ny kolontsaina rehetra io misteriny io, saingy tsy foanana akory ireny kolontsaina ireny fa havotana sy hotanterahina amin’ny alalany jer. CT 53.. Miaraka sy amin’ny alalan’ny kolontsaina maha-olombelona an’ireo vahoaka be zanak’Andriamanitra, kolontsaina nozakain’i Kristy ao Aminy sy novàny endrika, no hanatonan’izy ireo eo akaikin’ny Ray, mba hankalaza Azy, ao amin’ny Fanahy iray ihany.
“Amin’ny litorzia, indrindra ny an’ny Sakramenta, dia misy ampahany tsy azo ovàna - satria fanorenana avy amin’Andriamanitra izany –, izay ny Fiangonana no mpitahiry, sy ampahany maro azo ovàna, izay ananan’ny Fiangonana fahefana, ary indraindray aza ananany adidy, ny mampisahaza azy amin’ny kolontsain’ny firenena nitorìna ny Evanjely tsy ela” Joany Paoly II, l. ap."Vicesimus quintus annus" 16; jer. L 21..
“Ny faha-samihafa ara-litorzia dia mety ho loharanon-karem-panahy, mety koa hahatonga fifanolanana, na tsy fifankahazoan’ny andaniny sy ny ankilany, na ho fisaraham-bazana mihitsy aza. Ao amin’ity sehatra ity, dia mazava fa tsy tokony hanimba ny maha-iray ny faha-samihafa. Tsy mety ho voazava izy raha tsy ao anatin’ny fifikirana amin’ny finoana iombonana, amin’ireo famantarana ara-tsakramenta izay noraisin’ny Fiangonana tamin’i Kristy, ary amin’ny fiombonana amin’ny ambaratongam-pitondrana. Ny fampisahaza amin’ireo kolontsaina dia mitaky fiovàn’ny fo, ary, raha ilaina, fialana amin’ny fomban-drazana tsy afa-miaraka amin’ny finoana katôlika” Joany Paoly II, l. ap. "Vicesimus quintus annus" 16..
Tokony ho ezahina ny mampiseho ny fankalazana ny litorzia amin’ny kolontsain’ny vahoaka izay misy ny Fiangonana ; tsy tokony hilefitra anefa izy, eo anatrehan’ilay kolontsaina. Ankoatra izany, ny litorzia dia miteraka kolontsaina sy mamolavola izany.
Ny lovam-panahy samihafa ara-litorzia, na fombam-pivavahana, nekena fa ara-dalàna, satria mampahalala sy mampita ny misterin’i Kristy rahateo ihany, no maneho ny maha-katôlika ny Fiangonana.
Ny mari-pitsaràna izay miantoka ny firaisana ao anatin’ny fahamaroan’ endriky ny lovam-panahy litorzika, dia ny tsy fivadihana amin’ny Lovam-panahy avy amin’ny apôstôly, izany hoe : ny fiombonana amin’ny finoana sy ireo sakramenta noraisina tamin’ny apôstôly, fiombonana izay ambara sy iantohan’ny fifandimbiasana maha- apôstôly.
I Kristy no nanorina ireo sakramentan’ny Lalàna vaovao, ary fito no isany, ka ireto avy izany : ny Batemy, ny Fankaherezana, ny Eokaristia, ny Fivalozana, ny Fanosorana ny marary, ny Filaharana ary ny Fanambadiana. Mahakasika ny dingana rehetra sy ny fotoan-dehibe rehetra amin’ny fiainan’ny kristianina ireo sakramenta fito ireo : ny fiterahana sy ny fitomboana, ny fanasitranana sy ny fanirahana eo amin’ny fiainam-pinoan’ny kristianina. Amin’izany, misy fifanahafana marina eo amin’ny dingam-piainana voa-Janahary sy ny dingam-piainana ara-panahy jer. Md. Thomas d’A., s. th. 3, 65, 1.
Amin’ny fanarahana io fifanahafana io, dia hovelabelarina aloha ny sakramenta telo firosoana ho kristianina (toko voalohany), manaraka izany ny sakramenta fanasitranana (toko faharoa), farany ny sakramenta izay fiandraiketana ny fiombonana sy ny fanirahana ny mpino (toko fahatelo). Marina, fa tsy io fandaminana io ihany tsy akory no hany azo atao, kanefa ahafahana mahita io fa ny sakramenta dia mirafitra ho lamina iray miara-miasa, izay ao aminy ny sakramenta tsirairay manokana no manana ny anjara toerany maha-fototry ny aina azy. Ao amin’io lamina io, ny Eokaristia no mitana toerana tsy manam-paharoa amin’ny maha-“sakramentan’ny sakramenta” azy : “Ny sakramenta hafa rehetra dia alamina amin’izy io, araka ny zava-kinendrin’izy ireo avy” S. Thomas d’A., s. th. 3, 65, 3..
Amin’ireo sakramenta firosoana ho kristianina : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia, no iorenan’ny fototry ny fiainana kristianina manontolo. “Ny fandraisana anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra, omena ny olombelona amin’ny alalan’ny faha-soavan’i Kristy, dia misy fifanahafana marina amin’ny fiandohana, ny fitomboana ary ny fiahiana ny fiainana voa-Janahary. Nateraka amin’ny fiainam-baovao tamin’ny Batemy ny mpino, noho izany, dia ankaherezina amin’ny sakramentan’ny Fankaherezana ary mandray amin’ny Eokaristia ny mofon’ny fiainana mandrakizay. Araka izany, amin’ireo sakramenta firosoana ho kristianina ireo, no andraisan’izy ireo bebe kokoa hatrany ny harem-piainan’Andriamanitra sy irosoany ho amin’ny fahalavorarian’ny fifankatiavana” Paul VI, const. Ap. « Divinae consortium naturae »; jer. OICA praenotanda 1-2..
1.Ny sakramentan’ny Batemy
Ny Batemy masina no fototry ny fiainana kristianina manontolo, tokonam-baravaran’ny fiainana ao amin’ny Fanahy (vitae spiritualis ianua), sy varavarana izay manokatra ny fidirana amin’ireo sakramenta hafa. Tamin’ny Batemy isika no nafahana tamin’ny fahotana sy nateraka indray ho zanak’Andriamanitra, manjary rantsambatan’i Kristy sy voakambana ho vatana iray amin’ny Fiangonana ary natao ho mpandray anjara amin’ny fanirahana azy jer. Kôns. Florence: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; CIC, can. 204, § 1; 849; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 675, § 1. : “Ny Batemy no sakramentan’ny fahateraham-baovao amin’ny alalan’ny rano sy amin’ny teny” Catech. R. 2, 2, 5..
I.Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ?
Antsoina hoe Batemy izy araka ny fombam-pivavahana fototra izay anatanterahana azy : ny manao batemy (baptizein amin’ny teny grika), dia midika hoe “ mandentika ao anaty rano”, “manatsoboka ao anaty rano” ; ny “fanatsobohana ao anaty rano”, dia maneho an’ohatra ny fandevenana ny katekomena ao amin’ny fahafatesan’i Kristy, izay avy ao izy no mivoaka amin’ny fitsanganan-ko velona miaraka Aminy jer. Rôm 6,3-4; Kôl 2,12., ho “zavaboary vaovao” (2 Kôr 5,17 ; Gal 6,15).
Ity sakramenta ity dia antsoina koa hoe : “fampandroana ho amin’ny fahateraham-baovao sy ho amin’ny fanavaozana ao amin’ny Fanahy Masina” (Tito 3,5), satria izy no mampahafantatra sy manatanteraka io fiterahana amin’ny rano sy amin’ny Fanahy io, ka raha tsy misy azy “tsy misy na iray aza afa-miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra” (Jo 3,5).
“Antsoina hoe fanazavana io fandroana io, satria ireo izay mandray ity fampianarana [momba ny katesezy] ity, dia manana fanahy voazava…” Md Justin, apol. 1, 61.. Ny vita batemy, noho izy nandray tamin’ny Batemy an’ilay Teny “izay fahazavana marina, manazava ny olona rehetra” (Jo 1,9), nony efa nohazavaina izy jer. Heb 10,32. dia manjary zanaky ny mazava jer. 1 Tes 5,5., ary “fahazavana” mihitsy (Efez 5,8) :
Ny Batemy no tsara indrindra sy mahafinaritra indrindra amin’ireo fanomezan’Andriamanitra (…). Antsointsika izy hoe : fanomezana, famelan-keloka, fanosorana, fanazavana, fitafiana ny tsy fahalovana, fampandroana amin’ny fahateraham-baovao, fitomboka, ary izay rehetra misy ny sarobidy indrindra. Fanomezana, satria omena ho an’ireo izay tsy mitondra na inona na inona izy ; famelan-keloka, satria omena azy na dia ireo meloka aza ; Batemy, satria alevina ao anaty rano ny fahotana ; fanosorana, satria masina izy sy maha-mpanjaka (manjary toy ireo izay voahosotra) ; fanazavana, satria fahazavana mamirapiratra izy ; fitafiana, satria manarona ny henatrantsika izy ; fandroana, satria manasa izy ; fitomboka, satria miaro antsika izy ary famantarana ny maha-tompom-pahefana an’Andriamanitra Md Grégoire de Naz., or. 40, 3-4..
II.Ny Batemy ao amin’ny fitantanam-pamonjena
Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha
Ny Fiangonana, amin’ny litorzian’ny Alin’ny Paka, rahefa manao ny fanamasinana ny rano fanaovana Batemy, dia mampahatsiaro amin’ny fomba manetriketrika ireo zava-dehibe niseho teo amin’ny tantaram-pamonjena izay efa nanambara mialoha sahady ny misterin’ny Batemy :
Tamin’ny herinao, ry Tompo, no nanaovanao zava-mahagaga tao amin’ny sakramentanao, ary nandritra ny tantaram-pamonjena no nampiasanao ny rano, zavaboarinao, mba hampahalala anay ny fahasoavan’ny Batemy MR, Fiaretan-tory amin’ny fankalazana ny Paka 42: fanamasinana ny rano fanaovana Batemy..
Hatrany am-piandohan’izao tontolo izao, ny rano, izay zavaboary tsotra sy mahagaga, no loharanon’ny aina sy ny fiterahana amam-pahavokarana. Ny Soratra Masina dia mahita azy ho toy ny “fikotrehana” amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra jer. Jen 1,2. :
Tamin’ny fiandohan’izao tontolo izao, ny Fanahinao no nisonenika teo ambonin’ny rano mba handraisan’ny rano ny foto-piandohan’ny hery izay hanamasinana MR, Fiaretan-tory amin’ny fankalazana ny Paka 42: fanamasinana ny rano fanaovana Batemy..
Hitan’ny Fiangonana tao amin’ny Sambofiaran’i Nôe ny tandindon’ny famonjena amin’ny Batemy. Satria, tamin’ny alalany ny “olona vitsy, valo monja ny fitambarany, no voavonjy tamin’ny rano” (1 Pi 3,20).
Tamin’ny fisondrotry ny safo-drano, no nanambarànao ny Batemy izay mahatonga ho velona indray, satria ny rano tamin’ny safo-drano dia sady nanambara mialoha ny fahafatesana amin’ny fahotana no nanambara mialoha koa ny fahaterahan’ny fahamarinana rehetra Ibid..
Raha ny ranon’ny loharano no maneho an’ohatra ny fiainana, ny ranon’ny ranomasina kosa no maneho an’ohatra ny fahafatesana. Izany no antony ahafahan’ny fanehoana an’ohatra mampiseho an-tsary ny misterin’ny Hazofijaliana. Avy amin’io fanehoana an’ohatra io, ny Batemy dia midika hoe fiombonana amin’ny fahafatesan’i Kristy.
Fa indrindra tamin’ny fiampitàna ny ranomasina mena, fanafahana marina an’i Israely tamin’ny fanandevozana tao Ejipta, no manambara ny fanafahana ataon’ny Batemy :
Nampitainao teo amin’ny ranomasina Mena nandia tany maina ny zanak’i Abrahama, mba ho tandindon’ny vahoakan’ny vita batemy ilay vahoaka nafahanao tamin’ny fanandevozana Ibid..
Farany, nambara mialoha teo amin’ny fiampitàna ny onin’i Jordany ny Batemy, izay tamin’ny alalan’izany ny Vahoakan’Andriamanitra no nahazo ny fanomezana ny Tany nampanantenaina tamin’ny taranak’i Abrahama, sarin’ny fiainana mandrakizay. Ny fampanantenana io lovam-paha-sambarana io dia tanteraka ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao.
Ny Batemin’i Kristy
Ny tandindona rehetra ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, dia ao amin’i Kristy Jesoa no ahitana ny fahatanterahany. Nanomboka ny fiainany ampahibemaso Izy taorian’ny nanaovan’i Joany-Batista batemy Azy tao amin’ny onin’i Jordany jer. Mt 3,13., ary, taorian’ny fitsanganany ho velona, izao no iraka nomeny ny apôstôly : “Koa mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary ampianaro izy ireo hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo” (Mt 28,19-20) jer. Mk 16,15-16..
Nanaiky an-tsitrapo ny Tompontsika handray ny Batemin’i Md Joany-Batista, izay voatokana ho an’ny mpanota, mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Mt 3,15). Io fihetsik’i Jesoa io dia fanehoana ny fanetren-tenany jer. Filip 2,7.. Ny Fanahy izay nisonenika teo ambonin’ny ranon’ny fahariana voalohany no nidina teo ambonin’i Kristy tamin’izay, ho fambara mialoha ny fahariana vaovao, ary ny Ray no nampiseho an’i Jesoa fa “Zanany malalany” (Mt 3,16-17).
Tamin’ny Pakany i Kristy no nanokatra ho an’ny olona rehetra ny loharanon’ny Batemy. Satria, efa niteny Izy ny amin’ny fijaliany izay hiaretany any Jerosalema ho toy ny “Batemy” izay tsy maintsy hanaovana batemy Azy jer. Mk 10,38; Lk 12,50.. Ny Ra sy ny rano izay nikoriana teo amin’ny lanivoan’i Jesoa nolefonina fony Izy nifantsika teo amin’ny Hazofijaliana jer. Jo 19,34. no tandindon’ny Batemy sy ny Eokaristia, sakramentan’ny fiainam-baovao jer. 1 Jo 5,6-8. : nanomboka tamin’izay, azo atao “ny ateraky ny rano sy ny Fanahy” mba hidirana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra (Jo 3,5).
Diniho hoe : taiza ianao no natao batemy, avy aiza ny Batemy, raha tsy avy amin’ny Hazofijalian’i Kristy, avy amin’ny fahafatesan’i Kristy. Ao amin’izany ny mistery manontolo : Nijaly ho anao Izy. Tao Aminy no voavotra ianao, tao Aminy no voavonjy ianao Md Ambroise, sacr. 2,2,6..
Ny Batemy ao amin’ny Fiangonana
Nanomboka tamin’ny andro Pantekôty no nankalaza sy nanome ny Batemy masina ny Fiangonana. Satria, hoy i Md Piera nanambara tamin’ny vahoaka voatohin’ny toriteniny : “Mibebaha ianareo, ary aoka ianareo samy hatao batemy amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy mba hahazo ny famelana ny fahotana, dia handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianareo” (Asa 2,38). Ny apôstôly sy ireo mpiara-miasa amin’izy ireo dia nanome ny Batemy na tamin’iza na tamin’iza nino an’i Jesoa : jody, matahotra an’Andriamanitra, mpanompo sampy jer. Asa 2,41; 8,12-13; 10,48; 16,15.. Hita lalandava fa mifamatotra amin’ny finoana ny Batemy : “Minoa an’i Jesoa Tompo ; ho voavonjy ianao amin’izay, dia ianao sy ny ao an-tranonao rehetra”, hoy ny nambaran’i Md Paoly tamin’ny mpiambina azy tao an-tranomaizina tao Filipy. Hoy ny tohin’ny tantara : “Nandray ny Batemy ilay mpiambina ny tranomaizina, tamin’ izay ora izay ihany, dia izy sy ny tao an-tranony rehetra” (Asa 16,31-33).
Araka an’i Md Paoly apôstôly, amin’ny alalan’ny Batemy ny mpino no miombona amin’ny fahafatesan’i Kristy ; nalevina miaraka Aminy ilay mpino ary nitsangan-ko velona miaraka Aminy koa :
Isika rehetra natao batemy ao amin’i Kristy Jesoa, dia natao batemy tao amin’ny fahafatesany. Koa niara-nalevina Taminy tamin’ny Batemy tao amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona avy amin’ny maty, tamin’ny voninahitry ny Ray, no hivelomantsika koa amin’ny fiainam-baovao (Rôm 6,3-4) jer. Kôl 2,12..
“Mitafy an’i Kristy” (Gal 3,27) ny vita batemy. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ny Batemy dia fandroana izay manadio, manamasina ary manamarina jer. 1 Kôr 6,11; 12,13..
Noho izany, fandroana amin’ny rano ny Batemy, izay amin’izany “ny voa mamoa tsy mety lo ” dia ny Tenin’Andriamanitra no miteraka ny vokany mpamelon’aina jer. 1 Pi 1,23; Efez 5,26.. Hoy i Md Augustin taty aoriana ny amin’ny Batemy : “Mikambana amin’ny singafototry ny zavatra manam-batana ny teny ka manjary sakramenta izany” Augustin in Ev. Jo. 80,3..
III.Ahoana ny fomba ankalazana ny sakramentan’ny Batemy ?
Ny firosoana ho kristianina
Manjary kristianina, tanteraka izany nanomboka tamin’ny andron’ny apôstôly, amin’ny alalan’ny fizotra sy ny firosoana misy dingana maromaro. Mety ho haingana na mety ho miadana no izorana amin’io lalana io. Tsy maintsy misy lalandava anefa ireto singafototra sasany tena ilaina ireto : ny fitoriana ny Teny, ny fandraisana ny Evanjely izay mitarika ho amin’ny fibebahana, ny fiekem-pinoana, ny Batemy, ny fandrotsahana ny Fanahy Masina, ny fandraisana ny kômonion’ny Eokaristia.
Niovaova be ihany ity firosoana ity nandritra ny taonjato nifandimby sy araka ny toe-javatra niseho. Tany amin’ny taonjato voalohandohan’ny Fiangonana, nisy fivelarana be tokoa ny firosoana ho kristianina, tamin’ny fotoana lava fiomanana amin’ny Batemy (katekomenà) sy ny filahatry ny fombam-pivavahana sava ranonando izay nanoritra ara-litorzia ny lalam-piomanana amin’ny Batemy sy niafara tamin’ny fankalazana ny sakramenta firosoana ho kristianina.
Tany amin’ny toerana izay ny Batemin-jaza no nanjary betsaka ny endrika mahazatra fankalazana an’ity sakramenta ity, dia nanjary asa tokana izany fankalazana izany, izay nampidirana manontolo ny dingana rehetra mialoha ny firosoana ho kristianina, amin’ny fomba tena mifintina. Araka ny fombany mihitsy, ny Batemin-jaza dia mitaky katekomenà aorian’ny Batemy. Tsy hoe filana fampianarana aorian’ny Batemy ihany tsy akory izany, fa filana ny fivelaran’ny fahasoavan’ny Batemy araka ny fitomboan’ny olona koa. Izany no sehatra sahaza indrindra ny fampianarana katesizy.
Ny Kônsily faharoa tao Vatikana dia nanavao, ho an’ny Fiangonana latinina, “ny fiomanana amin’ny Batemin’olon-dehibe, notsinjaraina ho dingana maromaro” L 64.. Ao amin’ny Ordo initiationis christianae adultorum (Boky fandaharana ny fombam-pivavahana rehetra amin’ny firosoan’ny olon-dehibe ho kristianina) (1972) no ahitana ny fombam-pivavahana amin’izany. Ankoatra izany, nanome lalana ny Kônsily fa “ankoatra ireo singafototry ny firosoana nomen’ny lovam-panahy kristianina”, dia azo raisina, any amin’ny tanin’ny misiôna, “ireo singafototra hafa amin’ny firosoana izay voamarina ny fampiasana azy any amin’ny firenena tsirairay any, raha hita fa azo ampifanarahina amin’ny fombam-pivavahana kristianina” L 65; jer. L 37-40..
Ankehitriny àry, amin’ny fombam-pivavahana rehetra latinina sy tatsinanana, ny firosoan’ny olon-dehibe ho kristianina dia manomboka raha vantany vao miditra amin’ny katekomenà izy ireo, mba hahatratra ny fara tampony amin’ny fankalazana iray ihany ny sakramenta telo : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia jer. AFF 14; CIC, can. 851; 865; 866.. Amin’ny fombam-pivavahana tatsinanana, ny firosoan’ny ankizy ho kristianina dia manomboka amin’ny Batemy arahin’ny Fankaherezana sy ny Eokaristia eo no ho eo avy hatrany, fa amin’ny fombam-pivavahana rômanina kosa, dia mitohy izany mandritra ny taona maro ianarana ny katesezy, mba ho vita aty aoriana amin’ny Fankaherezana sy ny Eokaristia, fara tampony amin’ny firosoan’izy ireo ho kristianina jer. CIC, can. 851, 2°; 868..
Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana
Amin’ny fombam-pivavahana ankalazana azy no hita mazava tsara ny hevitra sy ny fahasoavana amin’ny sakramentan’ny Batemy. Amin’ny fanarahana ireo fihetsika sy ireo teny mandritra ny fankalazana izany, omban’ny fandraisana anjara amim-pifantohana, no andraisan’ny mpino ny harem-pahalalana izay ampahafantarin’io sakramenta io sy tanterahiny ao amin’ny vao vita batemy tsirairay.
Ny famantarana ny Hazofijaliana, eo am-panombohana ny fankalazana, no ampisehoana ny marik’i Kristy eo amin’ny tenan’izay mpianany sy ampahafantarana ny fahasoavam-panavotana izay nampahazoan’i Kristy antsika tamin’ny alalan’ny Hazofijaliany.
Ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra no manazava ny fahamarinana nambara amin’ny mpangataka batemy sy ny mpiangona, ary mahatonga ny valim-pinoana, tsy azo sarahina amin’ny Batemy. Satria, ny Batemy, amin’ ny fomba manokana, no “sakramentan’ny finoana” noho izy fidirana ara-tsakramenta ao amin’ny fiainam-pinoana.
Satria ny Batemy midika fanafahana amin’ny fahotana sy ny mpandrisika amin’izany, ny devoly, dia anaovana tonom-bavaka iray (na maro) fandroahana demony ilay mpangataka batemy. Hosorana ny menaky ny katekomena izy na koa mametra-tanana aminy ny mpitarika ny fanompoam-pivavahana, ary izy kosa mandà an-kitsirano an’i Satana. Vita izany, dia azony atao ny manambara ny finoan’ny Fiangonana, izay amin’izany no “hanankinana” azy amin’ny Batemy jer. Rôm 6,17..
Hamasinina amin’izay ny rano fanaovana batemy, amin’ny alalan’ny vavaka epikilezy (na amin’io fotoana io ihany, na amin’ny alin’ny Paka). Angatahin’ny Fiangonana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Zanany, ny hirotsahan’ny herin’ny Fanahy Masina ao amin’io rano io, mba “hateraky ny rano sy ny Fanahy” (Jo 3,5) ireo izay hatao batemy ao.
Manaraka izany, ny votoatin’ny fombam-pivavahana amin’ny sakramenta : ny tena Batemy, izay mampahafantatra sy manatanteraka ny fahafatesana noho ny fahotana sy ny fidirana ao amin’ny fiainan’ny Trinite Masina Indrindra, amin’ny alalan’ny fanahafana ny misterin’ny Pakan’i Kristy. Amin’ny fanatsobohana intelo ao anaty rano an’ilay atao batemy no tanteraka amin’ny fomba miharihary ny Batemy. Kanefa, hatry ny fahagola, dia mety koa ny anomezana izany, amin’ny fandrotsahana intelo ny rano eo an-dohan’ilay atao batemy.
Amin’ny Fiangonana latinina, io fanatsobohana intelo io, dia arahin’ny tenin’ny mpandraharaha masina hoe : “R… izaho manao batemy anao amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka, sy ny Fanahy Masina”. Amin’ny litorzia tatsinanana, rahefa voatodika any Atsinanana ny katekomena, dia hoy ny Pretra : “Ny mpanompon’ Andriamanitra, R…, dia atao batemy amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka, sy ny Fanahy Masina”. Ary amin’ny fiantsoana ny anaran’ny olona tsirairay ny Trinite Masina Indrindra, dia alentiny ao anaty rano ilay atao batemy sy atsangany avy ao.
Ny fanosorana diloilo masina, diloilo nasiana zava-manitra sy nohamasinin’ny Eveka, dia midika ny fanomezana ny Fanahy Masina an’ilay vao vita batemy. Tonga kristianina izy, izany hoe : “voahosotry” ny Fanahy Masina, voakambana amin’i Kristy, izay voahosotra ho mpisorona, mpaminany ary mpanjaka jer. OBP 62..
Amin’ny litorzian’ireo Fiangonana Tatsinanana, ny fanosorana aorian’ny Batemy no sakramentan’ny Fanosorana masina (Kônfirmasiôna). Amin’ny litorzia rômanina, io no manambara ny fanosorana fanindroany amin’ny diloilo masina izay homen’ny Eveka : ny sakramentan’ny Fankaherezana, izay azo lazaina hoe “manamafy” ary mamarana ny fanosorana amin’ny Batemy.
Ny akanjo fotsy no ampisehoana an’ohatra, fa ny vita batemy dia “mitafy an’i Kristy” (Gal 3,27) : natsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy. Ny jiro, arehitra amin’ny jiron’ny Paka, dia midika fa i Kristy no manazava ny zazavao amin’ny finoana. Ao amin’i Kristy, ireo vita batemy, no “fahazavan’izao tontolo izao” (Mt 5,14) jer. Filip 2,15.. Tonga zanak’Andriamanitra ao amin’ny Zanany Lahitokana amin’izay ilay vao vita batemy. Afaka manambara ilay vavaky ny zanak’ Andriamanitra izy : ny “Rainay”.
Ny fandraisana kômonio voalohany amin’ny Eokaristia. Noho ilay zazavao amin’ny finoana tonga zanak’Andriamanitra, mitafy ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady, dia voaray “ao amin’ny fanasam-be amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry” izy, ary mandray ny sakafon’ ny fiainam-baovao, dia ny Vatana aman-dRan’i Kristy. Ireo Fiangonana tatsinanana dia mitana amim-pahamalinana tokoa ny firaisan’ny firosoana ho kristianina, amin’ny fanomezana ny kômonio masina an’ izay rehetra vao vita batemy sy fankaherezana, na dia amin’ny ankizy madinika aza, amin’ny fahatsiarovana ny tenin’ny Tompo hoe : “Avelao ny ankizy madinika hanatona Ahy, fa aza rarànareo” (Mk 10,14). Ny Fiangonana latinina, izay manokana ny fahazoana mandray ny kômonio masina ho an’ireo izay tonga amin’ny taona maha-vory saina, dia mampiseho ny fivelaran’ny Batemy ao amin’ny Eokaristia, amin’ny fampanatonana eo amin’ny ôtely ny ankizy vao vita batemy amin’ny vavaka Rainay.
Ny tsodrano manetriketrika no mamarana ny fankalazana ny Batemy. Amin’ny fotoana fanaovana Batemin-jaza vao teraka, dia mitana toerana manokana ny fitsofan-drano ny reny.
IV.Iza no mahazo mandray ny Batemy ?
“Ny olombelona rehetra tsy mbola vita batemy, ary izy ihany, no mahazo mandray ny Batemy” CIC, can. 864; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 679..
Ny Batemin’olon-dehibe
Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana, ny Batemin’olon-dehibe dia toe-javatra mahazatra indrindra teo amin’ny toerana izay mbola vao haingana no nitorìna ny Evanjely. Koa ny katekomenà (fiomanana amin’ny Batemy) no nitana toerana lehibe tamin’izay. Amin’ny maha-fampahalalana ny finoana sy ny fiainana kristianina azy, dia tsy maintsy nalamina izany amin’ny fandraisana ny fanomezan’Andriamanitra ao amin’ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia.
Ny katekomenà, na fampianarana amam-panabeazana ny katekomena, dia mikendry ny hahafahan’ireo katekomena mitondra ny fibebahan’izy ireo sy ny finoan’izy ireo ho amin’ny fahamatorana, ho valin’ny fanaovan’ Andriamanitra dingana mialoha sy ho firaisana amin’ny ankohonam-piangonana. Ny atao amin’izany dia “fampianarana amam-panabeazana ho amin’ny fiainana kristianina tsy misy tomika (…) izay amin’ny alalan’izany no iraisan’ny mpianatra amin’i Kristy Mpampianany. Noho izany, ny katekomena dia tsy maintsy tarihina hahalala (…) ny misterim-pamonjena sy ny fampiharana eo amin’ny fiainana ny Vaovao Mahafaly, sy hampidirina amin’ny fiainana ny finoana, ny litorzia ary ny fitiavana ny Vahoakan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fombam-pivavahana masina, ankalazaina amin’ny fotoana mifandimbidimby” AFF 14; jer. OICA 19 sy 98..
Ny katekomena “dia efa tafaray amin’ny Fiangonana, efa anisan’ny ao an-tranon’i Kristy, ka tsy mahagaga raha miaina ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana izy ireo” AFF 14.. “Efa mambomba azy ireo ho toy ny ankohonany ao anatin’ny fitiavany amin’ny fikarakarana azy ireo, ny Fiangonana Reny” FF 14; jer. CIC, can. 206; 788..
Ny Batemin-jaza
Ny zaza, noho izy teraka miaraka amin’ny fomba aman-toetra maha-olombelona lavo sy voaloton’ny fahotana tamin’ny fototra, dia mila koa ny fahateraham-baovao amin’ny Batemy jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., mba ho afaka amin’ny herin’ ny maizina sy ho afindra ao amin’ny toeram-pahafahan’ny zanak’ Andriamanitra jer. Kôl 1,12-14., izay ho amin’izany no iantsoana ny olombelona rehetra. Ny fanomezana tena maimaim-poana tokoa ny fahasoavam-pamonjena dia miseho manokana ao amin’ny Batemin-jaza. Koa noho izany, ny Fiangonana sy ny ray aman-dreny dia manesotra ny zaza amin’ny fahasoavana tsy voavidim-bola hahatongavana ho zanak’Andriamanitra, raha tsy manome ny Batemy azy ao aoriana kely ny nahaterahany jer. CIC, can. 867; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 686, §1..
Ho fantatry ny ray aman-dreny kristianina fa io fomba fanao io dia mifanaraka koa amin’ny andraikitra maha-mpamelona azy ireo amin’ny fiainana izay nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo jer. FF 11; 41; AFF — Ad gentes; CIC, can. 774, § 2; 1136..
Lovam-panahin’ny Fiangonana efa fahagola ny fanaovana Batemin-jaza. Voamarina mazava tsara izany hatramin’ny taonjato faharoa. Kanefa, azo inoana fa nanomboka tany am-piandohan’ny fitorian-tenin’ny apôstôly, rahefa nandray ny Batemy ny “iray trano” manontolo jer. Asa 16,15.33; 18,8; 1 Kôr 1,16., dia natao batemy koa ny zaza jer. CDF, instr. "Pastoralis actio"..
Finoana sy Batemy
Sakramentan’ny finoana ny Batemy jer. Mk 16,16.. Mila ankohonan’ny mpino anefa ny finoana. Tsy misy afa-tsy amin’ny finoan’ny Fiangonana ihany ny mpino tsirairay no afaka mino. Ny finoana izay ilaina amin’ny Batemy dia finoana tsy lavorary sy tsy matotra, fa fanombohana ihany izay ilaina hitombo. Ny katekomena na ny mpiantoka azy dia anontaniana hoe : “Inona no angatahinareo amin’ny Fiangonan’Andriamanitra ? Dia valiany hoe : Ny finoana !”
Eo amin’ny vita batemy rehetra, na ankizy na olon-dehibe, tokony hitombo hery ny finoana aorian’ny Batemy. Izany indrindra no ankalazan’ny Fiangonana isan-taona, amin’ny Alin’ny Paka, ny fanavaozana ny toky tamin’ny Batemy. Ny fanomanana amin’ny Batemy dia tsy mitondra afa-tsy eo amin’ny tokonam-baravaran’ny fiainam-baovao. Ny Batemy no loharanon’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy izay avy amin’izany no ipoiran’ny fiainana kristianina manontolo.
Mba hahafahan’ny fahasoavan’ny Batemy mivelatra, zava-dehibe ny fanampian’ireo ray aman-dreny. Eo koa ny anjara toeran’ny ray na ny reny mpiantoka, izay tsy maintsy ho mpino marim-pototra, afaka sy vonona hanampy ny vao vita Batemy, na ankizy na olon-dehibe, eny an-dalany amin’ny fiainana kristianina jer. CIC, can. 872-874.. Tena asam-piangonana tokoa (officium) jer. L 67. ny lahasan’izy ireo. Ny ankohonam-piangonana manontolo dia samy miantso-roka ny anjara andraikitra amin’ny fampivelarana sy ny fitahirizana ny fahasoavana noraisina tamin’ny Batemy.
V.Iza no mahazo manao batemy ?
Ny mpandraharaha masina manam-pahefana andavanandro hanao batemy dia ny Eveka sy ny Pretra, ary, ao amin’ny Fiangonana latinina, ny Diakra koa jer. CIC, can. 861, § 1; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 677, § 1.. Raha toa ka an-kamehana, ny olona rehetra, na dia tsy vita batemy aza, raha manana ny fikasana ilaina, dia afaka manao batemy, amin’ny fampiasana ny rijan-teny fanaovana batemy amin’ny anaran’ny Trinite jer. CIC, can. 861, § 2.. Ny fikasana ilaina, dia ny finiavana hanao izay ataon’ny Fiangonana amin’ny fanaovana batemy, sy mampiasa ny rijan-teny fanaovana batemy amin’ny Anaran’ny Trinite. Tsapan’ny Fiangonana ny anton’io fahazoan’ ny olona rehetra manao batemy io amin’ny sitrapon’Andriamanitra hamonjy ny daholobe jer. 1 Tim 2,4. sy amin’ny ilana ny Batemy ho amin’ny famonjena jer. Mk 16,16..
VI.Ny ilana ny Batemy
Ny Tenan’Izy Tompo mihitsy no manamafy fa ilaina ho amin’ny famonjena ny Batemy jer. Jo 3,5.. Koa nandidy ny mpianany Izy hitory ny Evanjely sy hanao batemy ny firenen-drehetra jer. Mt 28,20; jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; FF 14; AFF 5.. Ilaina amin’ny famonjena ny Batemy ho an’ireo izay nitorìna ny Evanjely sy izay afaka mangataka io sakramenta io jer. Mk 16,16.. Tsy mahafantatra fomba hafa afa-tsy ny Batemy ny Fiangonana mba hiantohana ny fidirana any amin’ny hasambarana mandrakizay ; izany no antony itandremany tsy hanao an-tsirambina ny iraka noraisiny avy amin’ny Tompo mba hahatonga izay rehetra mety hatao batemy ho “ateraka amin’ny rano sy ny Fanahy”. Nakamban’Andriamanitra amin’ny sakramentan’ny Batemy ny famonjena, nefa ny Tenan’Izy Andriamanitra tsy voafatotry ny sakramentany.
Hatramin’ny ela ny Fiangonana no mitana ny finoana tsy voahozongozona fa ireo izay niharan’ny fahafatesana noho ny finoana, tsy nandray akory ny Batemy, dia vita batemy tamin’ny alalan’ny fahafatesan’izy ireo ho an’i Kristy sy miaraka Aminy. Io Batemy amin’ny ra io, toy ny faniriana ny Batemy, dia mitondra ny vokatry ny Batemy, na dia tsy sakramenta aza.
Ho an’ny katekomena izay maty alohan’ny Batemin’izy ireo, ny fanirian’izy ireo miharihary mazava handray izany miaraka amin’ny nenina noho ny fahotan’izy ireo sy amin’ny fifankatiavana, no miantoka ny famonjena ho azy ireo izay tsy afaka noraisiny tamin’ny alalan’ny sakramenta.
“Satria maty ho an’ny olona rehetra i Kristy, ary tena tokana tokoa ny fiantsoana farany ny olombelona, izany hoe ny fiantsoan’Andriamanitra, dia tsy maintsy heverintsika fa ny Fanahy Masina no manolotra ho an’ny olona rehetra, araka izay fomba fantatr’Andriamanitra, ny fahazoan’izy ireo miombona amin’ny misterin’ny Paka” FAA 22; jer. FF 16; AFF 7.. Ny olona rehetra mikatsaka ny fahamarinana sy manao ny sitrapon’Andriamanitra araka izay fantany amin’izany, na dia tsy mahalala ny Evanjelin’i Kristy sy ny Fiangonany aza, dia mety ho voavonjy. Azo heverina fa ny olona toy izany dia ho naniry ny Batemy tamin’ny fomba mazava tsara raha toa ka fantatr’izy ireo ny ilana izany.
Raha ny amin’ny zaza maty tsy vita batemy, tsy misy azon’ny Fiangonana atao afa-tsy ny manankina azy ireo amin’ny famindram-pon’ Andriamanitra, tahaka ny anaovany izany amin’ny fombam-pivavahana fandevenana azy ireo. Satria, ny halehiben’ny famindram-pon’ Andriamanitra “izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra” (1 Tim 2,4), sy ny fanehoam-pitiavan’i Jesoa ny zaza, izay nahatonga Azy niteny hoe : “Avelao ny zaza hanatona Ahy, fa aza rarànareo” (Mk 10,14), no ahafahantsika manantena fa mety hisy ny lalam-pamonjena ho an’ny zaza maty tsy vita batemy. Izany indrindra koa no manery mafy ny Fiangonana hanao antso avo mba tsy hanakana ny zaza hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanomezana ny Batemy masina.
VII.Ny fahasoavana amin’ny Batemy
Ny vokatra samihafa amin’ny Batemy dia ampahafantarina amin’ny alalan’ireo singafototry ny zavatra tsapan’ny fandrenesana amin’ny fombam-pivavahana ara-tsakramenta. Ny fandentehana ao anaty rano dia ilazana ny fanehoana an’ohatra ny fahafatesana sy ny fanadiovana, nefa koa ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana. Ny vokatra roa lehibe indrindra amin’ny Batemy àry dia ny fanadiovana ny fahotana sy ny fahateraham-baovao ao amin’ny Fanahy Masina jer. Asa 2,38; Jo 3,5..
Ho famelana ny fahotana …
Amin’ny alalan’ny Batemy, voavela avokoa ny fahotana rehetra, ny fahotana tamin’ny fototra sy ny fahotana rehetra nataon’ny isam-batan’ olona ary koa ny sazy rehetra vokatry ny fahotana jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Satria, eo amin’ireo izay nateraka indray, tsy misy mihitsy antony izay misakana azy ireo tsy hiditra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, na ny fahotan’i Adama, na ny fahotan’ny olona tsirairay, na ny vokatry ny fahotana, izay ny fisarahana amin’Andriamanitra no mamohehatra indrindra.
Mitoetra ihany anefa, ao amin’ny vita batemy, ny vokatra misy fetra sasantsasany tamin’ny fahotana, toy ny fijaliana izany, ny aretina, ny fahafatesana, na ny faharefo zary raiki-tampisaka amin’ny fiainana, toy ny fahalemen-toetra, sns., tahaka izany koa ny fironana amin’ny fahotana izay antsoin’ny Lovam-pampianarana hoe fanirian-dratsy, na, ara-panoharana, “foibem-pahotana” (fomes peccati). “Ny fanirian-dratsy, na tavela ho an’ny ady ataontsika aza, dia tsy afaka hanimba ireo izay tsy mankato izany, amin’ny fanoherana azy amin-kerim-po amin’ny alalan’ ny fahasoavan’i Kristy. Fanampin’izany, “izay hiady araka ny fitsipika no hosatroham-boninahitra (2 Tim 2,5) ” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
“Zavaboary vaovao”
Tsy hoe manadio fotsiny ny fahotana rehetra ny Batemy, fa mahatonga koa ny zazavao amin’ny finoana ho “zavaboary vaovao” (2 Kôr 5,17), ho zanaka atsangan’Andriamanitra jer. Gal 4,5-7. izay tonga mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra jer. 2 Pi 1,4., rantsambatan’i Kristy jer. 1 Kôr 6,15; 12,27. sy mpiray lova Aminy jer. Rôm 8,17., tempolin’ny Fanahy Masina jer. 1 Kôr 6,19..
Omen’ny Trinite Masina Indrindra an’ilay vita batemy ny fahasoavana mahamasina, ny fahasoavam-panamarinana izay : - mahatonga azy ho afaka mino an’Andriamanitra, manantena Azy ary tia Azy amin’ny alalan’ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra ; - manome azy ny fahazoa-mivelona sy fahafaha-miasa eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fanomezan’ny Fanahy Masina ; - ahafahany mitombo amin’ny hatsarana amin’ny alalan’ny herim-panahy enti-mitondra tena. Araka izany, ao amin’ny Batemy masina no misy ny fakan’ny foto-javatra rehetra momba ny fiainana mihoatra ny natoraly eo amin’ny kristianina.
Voakambana amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy
Mahatonga antsika ho rantsambatan’ny Vatan’i Kristy ny Batemy. “Koa noho izany, (…) moa va tsy mifampirantsambatana avokoa isika rehetra?” (Efez 4,25). Mampikambana amin’ny Fiangonana ny Batemy. Avy ao amin’ny dobo fanaovana batemy no teraka ilay Vahoaka tokan’ Andriamanitry ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay mihoatra ny fetra rehetra voa-Janahary na maha-olon’ny firenena, ny kolontsaina, ny firazanana ary ny maha-lahy sy maha-vavy : “Moa tsy Fanahy iray ihany va no nanaovana batemy antsika rehetra, mba hirafitra ho vatana iray ihany isika ?” (1 Kôr 12,13).
Manjary “vato velona” mba ho “fananganana ny tempoly fanahy, ho mpisorona masina” (1 Pi 2,5) ireo vita batemy. Amin’ny alalan’ny Batemy no mandray anjaran’ny maha-mpisorona an’i Kristy, amin’ny fanirahana maha-mpaminany sy maha-mpanjaka Azy izy ireo, ka manjary “taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitory ny hatsaran’Ilay izay niantso azy (ireo) hiala amin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga” (1 Pi 2,9). Manome anjara amin’ny fisoronana iombonan’ny mpino ny Batemy.
Ny vita batemy, noho izy manjary rantsambatan’ny Fiangonana, dia tsy azy intsony ny tenany jer 1 Kôr 6,19., fa an’Ilay izay maty sy nitsangan-ko velona ho antsika jer. 2 Kôr 5,15.. Koa noho izany, voantso izy hankato ny hafa jer. Efez 5,21; 1 Kôr 16,15-16., hanompo azy ireo jer. Jo 13,12-15. ao anatin’ny fiombonana amin’ny Fiangonana, sy ho olona “fatra-panaiky sy mora anarin’ ” ireo filoha mpitondran’ny Fiangonana jer. Heb 13,17. ary mandray azy ireo amim-panajana sy amim-pitiavana jer. 1 Tes 5,12-13.. Tahaka ny maha-loharanon’ andraikitra sy adidy ny Batemy, dia tahaka izany koa no ananan’ny vita batemy zo eo anivon’ny Fiangonana : mandray ireo sakramenta, velomina amin’ny tenin’Andriamanitra ary tohanana amin’ ny fanampiana hafa ara-panahy avy amin’ny Fiangonana jer. FF 37; CIC, can. 208-223; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 675,2..
“Noho izy ireo manjary zanak’Andriamanitra tamin’ny fiterahana indray [tamin’ny Batemy], (ireo vita batemy) dia tsy maintsy manambara eo anatrehan’ny olona, ny finoana izay noraisiny avy amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fiangonana” FF 11., ary mandray anjara amin’ny raharaha maha-apôstôly sy maha-misiônera ny Vahoakan’Andriamanitra jer. FF 17; AFF 7; 23..
Ny fatotra ara-tsakramenta mahairay ny kristianina
Ny Batemy no iorenan’ny fototry ny fiombonana eo amin’ny kristianina rehetra, ary koa amin’ireo izay tsy mbola miombona tanteraka amin’ny Fiangonana katôlika : “Satria, ireo izay mino an’i Kristy sy izay nandray ara-dalàna ny Batemy dia misy fiombonana ihany, na dia tsy lavorary aza, amin’ny Fiangonana katôlika. (…) Noho izy ireo nohamarinina tamin’ny finoana noraisina tamin’ny Batemy, voakambana amin’i Kristy, dia ara-drariny no itondran’izy ireo ny anarana hoe kristianina, ary ny zanaky ny Fiangonana katôlika dia tena manaiky marina azy ireo ho havana ao amin’ny Tompo” EK 3.. “Noho izany, ny Batemy no fatotra ara-tsakramenta mahairay, misy ao amin’ireo izay nateraka indray taminy” EK 22..
Marika ara-panahy tsy maty vonoina …
Mitovy endrika amin’i Kristy jer. Rôm 8,29. ny vita batemy, noho izy voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy. Mampisy marika ara-panahy tsy maty vonoina (character) ao amin’ny kristianina ny Batemy, avy amin’ny maha-an’i Kristy azy. Tsy voafafan’ny fahotana na oviana na oviana io marika io, na dia ny fahotana aza no manakana ny Batemy tsy hitondra ny vokatry ny famonjena jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Araka izany, izay vita batemy dia tsy azo atao intsony.
Noho ireo mpino nakamban’ny Batemy amin’ny Fiangonana, dia mahazo marika ara-tsakramenta izy ireo, izay manokana azy ireo ho amin’ny fanompoam-pivavahana kristianina jer. FF 11.. Ny fitomboky ny Batemy no mahatonga ny kristianina ho afaka sy hirotsaka hanompo an’Andriamanitra amin’ny fandraisana anjara maharitra amin’ny litorzia masin’ny Fiangonana, sy hampiasa ny maha-mpisorona azy ireo avy amin’ny Batemy, amin’ny fanehoam-piainana masina sy fifankatiavana mahomby jer. FF 10..
Ny “fitomboky ny Tompo” (“Dominicus character” Md Augustin, ep. 98,5.) dia ny fitomboka izay nanamarihan’ny Fanahy Masina antsika “ho amin’ny andron’ny fanavotana” (Efez 4,30) jer. Efez 1,13-14; 2 Kôr 1, 21-22.. “Ny Batemy, araka izany, no fitomboky ny fiainana mandrakizay” Md Irénée, dem. 3.. Ny mpino izay “hahatahiry ny fitomboka” hatramin’ny farany, izany hoe izay haharitra tsy mivadika amin’ny zavatra takìn’ny Bateminy, no afaka “homarihina amin’ny famantaram-pinoana” MR, Canon Romain., miaraka amin’ny finoana tamin’ny Bateminy, eo am-piandrasana ny fahitana amim-pahasambarana an’Andriamanitra – fahatontosan’ny finoana - sy amin’ny fanantenana ny fitsanganan-ko velona.
Tanteraka amin’ny fitambaran’ny sakramenta telo ny firosoana ho kristianina : ny Batemy izay fiantombohan’ny fiainam-baovao ; ny Fankaherezana izay fanamafisana orina an’izany ; ary ny Eokaristia izay mamelona ny mpianatra amin’ny Vatana aman-dRan’i Kristy mba hanova ny fiainany ho fiainan’i Kristy.
“Koa mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary ampianaro izy ireo hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo” (Mt 28,19-20).
Ny Batemy no iorenan’ny fahaterahana amin’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy. Araka ny sitrapon’ny Tompo, ilaina amin’ny famonjena ny Batemy, ilaina tahaka ny Fiangonana ihany, izay ao aminy no idirana amin’ny Batemy.
Ny fombam-pivavahana tsy azo avela amin’ny Batemy dia ny manatsoboka ao anaty rano ilay mpangataka batemy na mandraraka ny rano eo amin’ny lohany sady manonona ny anaran’ny Trinite Masina Indrindra, izany hoe ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.
Ny vokatry ny Batemy na fahasoavan’ny Batemy dia tena fisiana sarobidy tokoa izay ahazoana an’ ireto : ny famelana ny fahotana tamin’ny fototra sy ny fahotana rehetra nataon’ny isam-batan’olona ; ny fahaterahana amin’ny fiainam-baovao, izay mahatonga ny olona ho zanaka atsangan’ ny Ray, rantsambatan’i Kristy, tempolin’ny Fanahy Masina. Araka izany, ny vita batemy dia voakambana amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy, ary manjary mpandray anjara amin’ny maha-mpisorona an’i Kristy.
Mampisy famantarana ara-panahy tsy maty vonoina ao amin’ny fanahy ny Batemy, marika izay manokana ny vita batemy ho amin’ny fanompoam-pivavahana kristianina. Noho io marika io dia tsy azo averina intsony ny Batemy, amin’izay efa vita batemy jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum sy 1624..
Ireo izay niharan’ny fahafatesana noho ny finoana, ireo katekomena ary ny olona rehetra izay mitady an’Andriamanitra amin-kitsim-po sy miezaka hanatanteraka ny sitrapony, noho ny tosi-kerim-pamporisikin’ny fahasoavana, nefa tsy mahalala ny Fiangonana, dia mety ho voavonjy na dia tsy nandray ny Batemy aza izy ireo jer. FF 16..
Hatramin’ny ela no efa nanomezana Batemy ny zaza, satria fahasoavana sy fanomezan’Andriamanitra izany, izay tsy mifono hevitra ny mahamendri-balisoa ny olombelona ; atao batemy amin’ny finoan’ny Fiangonana ny zaza. Mitondra ho amin’ny lalan’ny tena fahafahana marina ny fidirana ao amin’ny fiainana kristianina.
Raha ny amin’ny zaza maty tsy vita batemy, dia manainga antsika hanam-pitokiana ny famindram-pon’Andriamanitra ny litorzian’ny Fiangonana, sy hivavaka ho amin’ny famonjena azy ireo.
Raha an-kamehana, dia mahazo manao batemy ny olona rehetra, raha toa ka mihevitra ny hanao izay fanaon’ny Fiangonana izy, ary mandrotsaka ny rano eo amin’ny lohan’ilay hatao batemy sady miteny hoe : “Izaho manao batemy anao amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina”.
2.Ny sakramentan’ny Fankaherezana
Miaraka amin’ny Batemy sy ny Eokaristia, no mitambatra ho vondron’ “ireo sakramenta firosoana ho kristianina” ny sakramentan’ny Fanka-herezana, izay tokony harovana ny mahairay azy. Noho izany, tsy maintsy hazavaina amin’ireo mpino, fa ny fandraisana ity sakramenta ity dia ilaina amin’ny fahatanterahan’ny fahasoavan’ny Batemy jer. OCf praenotanda 1.. Satria, “amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fankaherezana, mihalavorary kokoa ny fatotra mampiray an’ireo vita batemy amin’ny Fiangonana ; nampitomboina hery manokana avy amin’ny Fanahy Masina izy ireo, ary voadidy araka izany amin’ny fomba hentitra kokoa hampiely sy hiaro ny finoana amin’ny teny sy amin’ny asa tena fijoroana ho vavolombelon’i Kristy tokoa” FF 11; jer. OCf praenotanda 2..
I.Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena
Ao amin’ny Testamenta Taloha, nambaran’ireo mpaminany fa ny Fanahin’ny Tompo dia hitoetra ao amin’ilay Mesia antenaina jer. Iz 11,2., ho amin’ny fanirahana maha-mpamonjy Azy jer. Lk 4,16-22; Iz 61,1.. Ny fidinan’ny Fanahy Masina teo ambonin’i Jesoa tamin’ny fotoana nanaovan’i Joany batemy Azy no famantarana fa Izy no Ilay tsy maintsy ho avy, Izy no ilay Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra jer. Mt 3,13-17; Jo 1,33-34.. Noforonin’ny Fanahy Masina Izy ka ny fiainany manontolo sy ny iraka manontolo nampanaovina Azy, dia tontosa tamin’ny firaisana feno amin’ny Fanahy Masina, izay omen’ny Ray Azy “tsy misy fetrany” (Jo 3,34).
Ary izany hafenoan’ny Fanahy izany dia tsy tokony hijanona fotsiny ho an’ny Mesia irery ihany, fa tokony hampitaina amin’ny Vahoakan’ny Mesia manontolo jer. Ezek 36,25-27; Joely 3,1-2.. Imbetsaka i Kristy no nampanantena an’io firotsahan’ny Fanahy io jer. Lk 12,12; Jo 3,5-8; 7,37-39; 16,7-15; Asa 1,8., fampanantenana izay notanterahiny tamin’ny andron’ny Paka aloha jer. Jo 20,22., ary tato aoriana, tamin’ny fomba manetriketrika ny andron’ny Pantekôty jer. Asa 2,1-4.. Fenon’ny Fanahy Masina ny apôstôly ka nanomboka nitory “ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra” (Asa 2,11), ary i Piera koa nanambara fa io firotsahan’ny Fanahy io no famantarana ny fotoanan’ny Mesia jer. Asa 2,17-18.. Tamin’izany, ireo izay nino tamin’ny toritenin’ny apôstôly sy natao batemy, dia nandray koa ny fanomezana ny Fanahy Masina jer. Asa 2,38..
“Ny apôstôly, hatramin’io fotoana io, mba hanatanterahana ny sitrapon’i Kristy, dia nampita tamin’ireo zazavao amin’ny finoana, tamin’ny alalan’ ny fametrahan-tanana, ny fanomezana ny Fanahy izay mitondra any amin’ny fanaperan’ny fahasoavan’ny Batemy jer. Asa 8,15-17; 19,5-6.. Izany no antony anomezan’ ny Taratasy ho an’ny Hebrio anjara toerana ny fitambaram-pampianarana momba ny Batemy ary koa momba ny fametrahan-tanana, ho anisan’ireo singafototry ny fampianarana voalohany ho an’ny kristianina jer. Heb 6,2.. Ara-drariny ny fankatoavan’ny lovam-pampianarana katôlika fa ny fametrahan-tanana no fiandohan’ny sakramentan’ny Fankaherezana izay mampaharitra, amin’ ny fomba toy izany, ao amin’ny Fiangonana, ny fahasoavana amin’ny Pantekôty” Paoly VI, const. Ap. "Divinae consortium naturae"..
Tsy ela taty aoriana, mba hahafantarana tsaratsara kokoa ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia nampiana fanosorana diloilo manitra (chrême) ny fametrahan-tanana. Manazava ny anarana hoe “kristianina” ity fanosorana ity, izay midika hoe “voahosotra” ary ny fiandohany dia avy amin’ny an’ny Tenan’Izy Kristy ihany, Izy izay “nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina” (Asa 10,38). Ary io fombam-pivavahana fanosorana io dia misy hatramin’izao androntsika izao, na any amin’ny Fiangonana Tatsinanana na any amin’ny Fiangonana Tandrefana. Izany no antony iantsoan’ny Tatsinanana ity sakramenta ity hoe fanosorana masina, fanosorana diloilo, na myron, izay midika hoe “diloilo masina”. Amin’ny Tandrefana ny anarana hoe Fankaherezana no manome hevitra fa io sakramenta io dia sady manamafy ny finoana tamin’ny Batemy no manamafy orina ny fahasoavan’ny Batemy.
Lovam-pampianarana anankiroa : ny Tatsinanana sy ny Tandrefana
Tamin’ny taonjato voalohandohany, mazàna ny Fankaherezana dia natambatra tamin’ny fankalazana tokana niaraka tamin’ny Batemy, ka nahatonga miaraka amin’ity ho “sakramenta roa sosona” jer. Md Cyprien, ep. 73,21., araka ny fomba fitenin’i Md Cyprien. Anisan’ireo antony hafa, ny fitomboan’ny Batemin-jaza, ary mandavantaona izany, sy ny fitomboan’ny paroasy (ambanivohitra) izay nampiitatra ny diôsezy, tsy nahafahan’ny Eveka ho tonga intsony tamin’ny fankalazana ny Batemy rehetra. Tany amin’ny Tandrefana, satria nirina atokana ho an’ny Eveka ny fanatontosana ny Batemy, dia nasiana fanasarahana ara-potoana ny sakramenta roa. Ny Tatsinanana dia nitana ho iray ny sakramenta anankiroa, hany ka ny Pretra izay manao ny batemy ihany no manome koa ny Fankaherezana. Tsy azon’ilay Pretra atao anefa izany afa-tsy amin’ny “myron” (“diloilo masina”) nohamasinin’ny Eveka jer. CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, cann. 695,1; 696,1..
Nisy fomba iray nahazatra tao amin’ny Fiangonan’i Rôma nanamora ny fiitaran’ny fanao tandrefana, noho ny fanosorana indroa miantoana amin’ny diloilo masina aorian’ny Batemy : izay efa nataon’ny Pretra tamin’ilay zazavao amin’ny finoana, tamin’ny famoahana azy avy tao amin’ny fandroana amin’ny Batemy, dia tanterahin’ny Eveka amin’ny fanosorana fanindroany eo amin’ny handrin’ny tsirairay amin’ireo vao natao batemy jer. Md Hippolyte, trad. ap. 21.. Ny fanosorana voalohany amin’ny diloilo masina, ilay izay omen’ny Pretra, dia mijanona ho mikambana amin’ny fombam-pivavahana fanaovana batemy ; midika ho fandraisan’ anjaran’ny vita batemy izany, amin’ny anjara raharaha maha-mpaminany, maha-mpisorona ary maha-mpanjaka an’i Kristy. Raha olon-dehibe no omena ny Batemy, tsy misy afa-tsy fanosorana iray ihany aorian’ny Batemy : ny an’ny Fankaherezana.
Ny fanaon’ny Fiangonana Tatsinanana dia manamafy bebe kokoa ny mahairay ny firosoana ho kristianina. Ny an’ny Fiangonana latinina kosa, dia mampiseho mazavazava kokoa ny fiombonan’ilay vao tonga kristianina amin’ny Evekany, izay antoka sy mpanompon’ny maha-iray ny Fiangonany, ny maha-katôlika azy sy ny maha-apôstôlika azy, ary amin’ny alalan’izany, ny fifamatorana amin’ny fiandohan’ny Fiangonan’i Kristy avy amin’ny apôstôly.
II.Ireo famantarana sy ny fombam-pivavahana amin’ny Fankaherezana
Ao amin’ny fombam-pivavahan’ity sakramenta ity, tsara ny mamakafaka ny famantarana amin’ny fanosorana sy izay ambaran’ny fanosorana sy araikiny : ny fitomboka ara-panahy. Ny fanosorana, ao amin’ny fanehoana an’ohatra ara-baiboly sy fahagola, dia manana dikany maro : ny menaka dia famantarana ny fahavokaram-be jer. Det 11,14, ets. sy ny hafaliana jer. Sal 23,5; 104,15.; manadio izy (fanosorana aloha sy aorian’ny fandroana) sy manalefaka (fanosorana ny mpanao fanatanjahan-tena sy ny mpitolona); famantarana ny fanasitranana izy, satria manalefaka ny ratra sy ny fery jer. Iz 1,6; Lk 10,34., ary mampamirapiratra amin’ny hatsaran-tarehy, mahamiramirana amin’ny fahasalamana, mampisandrahaka ny hery.
Hita eo amin’ny fiainana ara-tsakramenta daholo ny dikan’ireo fanosorana diloilo rehetra ireo. Ny fanosorana alohan’ny Batemy amin’ny menaky ny katekomena dia midika fanadiovana sy fampatanjahana; ny fanosorana ny marary dia maneho fanasitranana sy fampaherezana. Ny fanosorana amin’ny diloilo masina aorian’ny Batemy, amin’ny Fankaherezana ary amin’ny Filaharana, dia famantarana ny fanamasinana. Amin’ny Fankaherezana, ny kristianina, izany hoe ireo izay voahosotra, dia mandray anjara bebe kokoa amin’ny fanirahana an’i Jesoa-Kristy sy amin’ny hafenoan’ny Fanahy Masina izay manenika Azy, mba ho ny fiainan’izy ireo manontolo no hamoaka “ny hanitra mameroveron’i Kristy” jer. 2 Kôr 2,15..
Amin’io fanosorana io no andraisan’ilay ankaherezina “ny marika”, ny fitomboky ny Fanahy Masina. Ny fitomboka dia fanehoana an’ohatra ny olona jer. Jen 38,18; Ton 8,6., famantarana ny fahefany jer. Jen 41,42., ny maha-tompon’ny zavatra iray azy jer. Det 32,34. - tahaka izany no nanamarihana an’ireo miaramila tamin’ny fitomboky ny lehiben’izy ireo ary koa ireo andevo tamin’ny an’ny tompon’izy ireo - ; ny fitomboka no manamarina ny taratasy iray momba ny fitsaràna jer. 1 Mpanj 21,8. na taratasy fanamarinana iray jer. Jer 32,10. ary mety mahatonga izany ho tsiambaratelo jer. Iz 29,11..
Ny Tenan’i Kristy mihitsy no manambara fa voamariky ny fitomboky ny Rainy Izy jer. Jo 6,27.. Ny kristianina koa dia nasiana fitomboka : “Ilay izay manamafy anay miaraka aminareo ao amin’i Kristy sy izay nanome anay ny fanosorana, dia Andriamanitra izany, Izy no nanisy ny fitombokany tao amintsika, ary nametraka ao am-pontsika ny antoky ny Fanahy” (2 Kôr 1,21-22) jer. Efez 1,13; 4,30.. Io fitomboky ny Fanahy Masina io no manamarika ny maha-an’i Kristy manontolo, ny fametrahana amin’ny fanompoany mandrakizay, nefa koa ny fampanantenana ny fiarovan’Andriamanitra amin’ny fitsapan-dehibe any amin’ny andro farany any jer. Apôk 7,2-3; 9,4; Ezek 9,4-6..
Ny fankalazana amin’ny Fankaherezana
Ny fotoan-dehibe izay mialoha ny fankalazana ny Fankaherezana, nefa raha ny marina, anisany ihany, dia ny fanamasinana ny diloilo. Ny Eveka no manamasina ny diloilo ho an’ny diôseziny manontolo, ny Alakamisy Masina, mandritra ny Lamesa fanamasinana diloilo. Any amin’ny Fiangonana Tatsinanana, io fanamasinana io dia natokana ihany ho an’ny Patriarka :
Toy izao no ambaran’ny litorzia tao Antiôkia amin’ny epikilezy fanamasinana ny diloilo (myron) : “[Ry Ray ô (…), iraho ny Fanahinao Masina] ho eto aminay sy ho eto amin’ity diloilo izay manoloana anay ity ary hamasino izy, ho an’ireo rehetra izay hohosorana sy homarihina amin’izany, mba ho : diloilo masina, diloilo maha-mpisorona, diloilo maha-mpanjaka, fanosoram-pifaliana, fitafiam-pahazavana, akanjom-pamonjena, fanomezana ara-panahy, fanamasinana ny fanahy amam-batana, hasambarana maharitra lalandava, fitomboka tsy maty vonoina, ampingan’ny finoana ary fiarovan-doha mahery dia mahery hanoherana ny tsanganasa rehetra ataon’ilay Mpanohitra” Pontificale iuxta ritum Ecclesiae Syrorum Occidentalium id est Antochiae, pars I..
Rahefa ankalazaina misaraka amin’ny Batemy ny Fankaherezana, toy ny fanao amin’ny fombam-pivavahana rômanina, dia ny fanavaozana ny toky tamin’ny Batemy sy ny fiekem-pinoan’ireo mpiomana handray ny Fankaherezana no anombohana ny litorzian’ny sakramenta. Hita mazava amin’izany fa milahatra manaraka ny Batemy ny Fankaherezana jer. L 71.. Raha olon-dehibe no atao batemy, dia mandray eo no eo avy hatrany ny Fankaherezana izy, ary mandray anjara amin’ny Eokaristia jer. CIC, can. 866..
Amin’ny fombam-pivavahana rômanina, manatsotra ny tanana eo amin’ ireo rehetra atao Fankaherezana ny Eveka, fihetsika izay, hatramin’ny andron’ny apôstôly no famantarana ny fanomezana ny Fanahy. Ary hoy ny Eveka mitalaho ny firotsahan’ny Fanahy :
Ry Andriamanitra tsara fo indrindra, Rain’i Jesoa-Kristy Tomponay ô, topazo maso ireto vita batemy izay ametrahanay tanana ireto : tamin’ny Batemy no nanafahanao azy ireo tamin’ny fahotana, niterahanao azy ireo indray tamin’ny rano sy ny Fanahy. Araka ny nampanantenainao, arotsahy eo amin’izy ireo ankehitriny ny Fanahinao Masina; omeo azy ireo feno ny Fanahy izay mitoetra ao amin’i Jesoa Zanakao : fanahy fahendrena sy fahazavan-tsaina, fanahy fifidianana sy faherezana, fanahy fahalalana sy fitiavana maha-zanaka; fenoy fanahy fahatahorana an’Andriamanitra izy ireo. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay OCF 25..
Manaraka izany ny votoatin’ny fombam-pivavahan’ity sakramenta ity Amin’ny fombam-pivavahana latinina, “ny sakramenta Fankaherezana dia omena amin’ny alalan’ny fanosorana diloilo masina eo amin’ny handrina, atao amin’ny fametrahan-tanana, sy amin’ny alalan’ireto teny ireto : "Accipe signaculum doni Spiritus Sancti" ("Raiso ny fitomboka anomezana anao ny Fanahy Masina" jer. Paul VI: Divinae consortium naturae..)” Any amin’ny Fiangonana tatsinanana, atao aorian’ny vavaka epikilezy ny fanosorana diloilo, amin’ny faritra mibaribary indrindra eo amin’ny vatana : ny handrina, ny maso, ny orona, ny sofina, ny molotra, ny tratra, ny lamosina, ny tanana ary ny tongotra, isaky ny fanosorona dia arahina amin’izao rijan-teny izao : “Sfragiz dwreaz Pneumatoz Agiou” (“Signaculum doni Spiritus Sancti”, “Fitomboky ny fanomezana ny Fanahy Masina” Rituale per le chiese orientali di rito bizantino in lingua greco, pars I a.).
Ny oroka fanomezam-piadanana izay mamarana ny fombam-pivavahan’ ity sakramenta ity dia mampahafantatra sy maneho ny fiombonan’ny Fiangonana amin’ny Eveka sy amin’ny mpino rehetra jer. Md Hippolyte, trad. ap. 21..
III.Ny vokatry ny Fankaherezana
Hita amin’ny fankalazana fa ny vokatry ny sakramenta Fankaherezana dia ny firotsahan’ny Fanahy Masina manokana, tahaka ny nanomezana izany fahiny tamin’ny apôstôly ny andron’ny Pantekôty.
Araka izany, ny Fankaherezana no mampitombo sy mandalina ny fahasoavan’ny Batemy : - izy no mampiorim-paka antsika lalindalina kokoa amin’ny maha-zanak’Andriamanitra izay mahatonga antsika hiantso hoe : “Aba, Ray” (Rôm 8,15) ; - izy no mampiray antsika mafimafy kokoa amin’i Kristy ; - izy no mampitombo ao amintsika ny fanomezan’ny Fanahy Masina ; - izy no mahatonga ny fifamatorantsika amin’ny Fiangonana ho lavorary kokoa jer. FF 11. ; - izy no manome antsika ny hery manokana avy amin’ny Fanahy Masina mba hampielezana sy hiarovana ny finoana amin’ny alalan’ny teny sy amin’ny alalan’ny asa ho tena vavolombelon’i Kristy tokoa, mba hanambaràna ampahibemaso amin-kerim-po ny anaran’i Kristy ary mba tsy hahatsiaro henatra na oviana na oviana ny amin’ny Hazofijaliana jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; FF 11; 12. : Tsarovinao àry fa nandray ny famantarana ara-panahy ianao, ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny Fanahin’ny fifidianana sy ny faherezana, ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fitiavam-bavaka, ny Fanahin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, ary tano izay noraisinao. Andriamanitra Ray no nanamarika anao tamin’ny famantarany, i Kristy Tompo no nankahery anao ary Izy no nametraka ao am-ponao ny antoky ny Fanahy Md Ambroise, myst. 7,42..
Tahaka ny Batemy izay ny Fankaherezana no manatomombana azy, dia indray mandeha ihany no omena ny Fankaherezana. Satria, mampisy marika ara-panahy tsy maty vonoina ao amin’ny fanahy ny Fankaherezana, “marika” jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., izay famantarana nanamarihan’i Jesoa-Kristy ny kristianina iray amin’ny fitombokan’ny Fanahiny, amin’ny fanafiana azy ny hery avy any ambony mba hijoroany ho vavolombelona jer. Lk 24,48-49..
Ny “marika” no mandavorary ny fisoronana iombonan’ny mpino, noraisina tamin’ny Batemy, ary “ny vita Fankaherezana dia mandray ny hery hanambaràna ampahibemaso ny finoana an’i Kristy, sy mba hizakana adidy aman’andraikitra (quasi ex officio)” Md Thomas d’A., s. th. 3,72,5, ad 2.
IV.Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ?
Ny vita batemy rehetra tsy mbola nankaherezina no mahazo ary tokony handray ny sakramentan’ny Fankaherezana jer. CIC, can. 889,§ 1.. Satria ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia dia mirafitra ho tokana ihany, koa “manana adidy ny mpino handray io sakramenta io amin’ny fotoana mahamety izany” CIC, can. 890., satria raha tsy misy ny Fankaherezana sy ny Eokaristia, dia marina fa manan-kery sy mandaitra ny sakramentan’ny Batemy, kanefa mijanona ho tsy tomombana ny firosoana ho kristianina.
Ny fomba mahazatra ny latinina, hatramin’ny taonjato maro nifandimby, dia manondro ny “taona mahavory saina” ho taona azo handraisana ny Fankaherezana. Eo ambavahoanan’ny fahafatesana anefa, dia adidy ny manome ny Fankaherezana ny zaza na mbola tsy tonga amin’ny taona mahavory saina aza izy jer. CIC, can. 891; 883,3..
Ny firesahana indraindray ny Fankaherezana ho “sakramentan’ny fahamatorana kristianina”, dia tsy tokony hampifangaro ny taona maha-lehibe ara-pinoana sy ny taona maha-lehibe ara-pitomboana voa-Janahary, na hanadino fa ny fahasoavana amin’ny Batemy, dia fahasoavana avy amin’ny safidy maimaim-poana sy tsy miankina amin’ ny mahamendri-balisoa, izay tsy mila “fanamafisana” mba hanjary hitera-bokatra. Mampahatsiaro izany i Md Tômà hoe :
“Tsy mampisy fahavoazana ny fanahy maha-olona ny taonan’ny vatana”. Araka izany, na amin’ny fahazazana aza, mety hahazo ny fahalavorariana amin’ny taona ara-panahy ny olona, izay lazain’ny Fahendrena (4,8) hoe : “Ny fahanterana manan-kaja, tsy dia izay avy amin’ny andro lava iainana, na izay lanjaina araka ny hamaroan’ny taona.” Avy amin’izany no mahamaro ny ankizy, noho ny herin’ny Fanahy Masina noraisin’izy ireo, mitolona amin-kerim-po, ary hatramin’ny fandatsahany ny rany ho an’i Kristy Md. Thomas d’A., s. th. 3, 72, 8, ad 2..
Ny fanomanana amin’ny Fankaherezana, dia tsy maintsy mikendry hitondra ny kristianina mankamin’ny firaisana lalindalina kokoa amin’i Kristy, mankamin’ny fifankahazarana miaina bebe kokoa amin’ny Fanahy Masina, ny asany, ireo fanomezany ary ireo antsony, mba hahafahana miantsoroka tsaratsara kokoa ny andraikitra maha-apôstôlin’ny fiainana kristianina. Amin’izany, hezahin’ny katesezin’ny Fankaherezana ny manaitaitra ny fahatsiarovan-tenan’ny maha-anisan’ny Fiangonan’i Jesoa-Kristy, na amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo izany na amin’ny ankohonan’ny mpino eo amin’ny paroasy. Ity farany moa no miantsoroka ny andraikitra manokana amin’ny fanomanana ireo hankaherezina jer. OCf praenotanda 3..
Mba handraisana ny Fankaherezana, tsy maintsy ao anatin’ny toe-panahy voavela heloka ny kristianina. Tokony hidodododo izy hanatona ny sakramentan’ny Fivalozana, mba hodiovina ho amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ny vavaka mafimafy kokoa no tokony hanomanana ny fandraisana amim-pankatoavana sy amim-kahalalahana ny hery sy ireo fahasoavan’ny Fanahy Masina jer. Asa 1, 14..
Amin’ny Fankaherezana, toy ny amin’ny Batemy, tokony hitady fanampiana ara-panahy amin’ny ray na reny mpiantoka ny mpirotsaka ho amin’ny Fankaherezana. Mety raha ny mpiantoka azy tamin’ny Batemy ihany izany, mba hanamarika tokoa ny firaisan’ireo sakramenta roa ireo jer. OCf praenotanda 5; 6; CIC, can. 893, § 1. 2..
V.Ny mpandraharaha masin’ny Fankaherezana
Ny mpandraharaha masina hatrany am-piandohan’ny Fankaherezana dia ny Eveka jer. FF 26. Any amin’ny Tatsinanana, mazàna ny Pretra izay manao ny batemy no manome eo no eo avy hatrany koa ny Fankaherezana, ao anatin’io fankalazana iray io ihany. Ny anaovany izany anefa, dia amin’ny diloilo masina nohamasinin’ny Patriarka na ny Eveka, izay maneho ny firaisan’ ny Fiangonana amin’ny apôstôly, izay ny sakramentan’ny Fankaherezana no manamafy ny fifamatorana amin’izany. Ao amin’ny Fiangonana latinina, io fitsipika io ihany no ampiharina amin’ny Batemin’olon-dehibe, na rahefa raisina ho amin’ny fiombonana feno ao amin’ny Fiangonana ny vita batemy iray tao amin’ny fiangonana kristianina hafa izay tsy manan-kery aminy ny sakramentan’ny Fankaherezana jer. CIC, can. 883, § 2..
Amin’ny fombam-pivavahana latinina, ny Eveka no mpandraharaha masina andavanandro manam-pahefana manome ny Fankaherezana jer. CIC, can. 882.. Raha amin’ny toe-javatra tsy ahafahan’ny Eveka mihitsy, na azony atao aza ny manome fahefana ara-dalàna ny Pretra hanome ny Fankaherezana jer. CIC, can. 884, § 2., dia mety raha izy tenany ihany no manome izany, amin’ny tsy fanadinoana fa ho amin’izany antony izany no nanasarahana ara-potoana ny fankalazana ny Fankaherezana amin’ny Batemy. Ireo Eveka no dimbin’ny apôstôly, izy ireo no nandray ny hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana. Ny fanome-zana ity sakramentan’ny Fankaherezana ity amin’ny alalan’izy ireo no manamarika tokoa fa manan-kery izy ity hampiray mafimafy kokoa ireo izay nandray azy amin’ny Fiangonana, amin’ny fiandohany tamin’ny apôstôly ary amin’ny fanirahana azy hijoro ho vavolombelon’i Kristy.
Raha misy kristianina iray eo ambavahoanan’ny fahafatesana, rahefa Pretra dia afaka manome azy ny Fankaherezana jer. CIC, can. 883, § 3.. Satria, irin’ny Fiangonana mba tsy hisy na iray aza amin’ireo zanany, na mbola zaza bitika aza, hiala amin’ity tany ity tsy nolavorarian’ny Fanahy Masina miaraka amin’ny fanomezana ny hafenoan’i Kristy.
“Henon’ny apôstôly tao Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tao Samaria, dia nirahiny hankany i Piera sy i Joany. Nony tonga tao amin’ireo Samaritanina izy roa lahy, dia nivavaka ho azy ireo mba handraisany ny Fanahy Masina ; satria vita batemy tamin’ny anaran’i Jesoa Tompo ihany izy ireo, fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza. Dia nametrahan’i Piera sy i Joany tanana izy ireo, ka nandray ny Fanahy Masina” (Asa 8,14-17).
Manatomombana ny fahasoavana tamin’ny Batemy ny Fankaherezana ; izy no sakramenta izay manome ny Fanahy Masina mba hampiorim-paka antsika lalindalina kokoa amin’ny maha-zanak’Andriamanitra, hampi-kambana antsika mafimafy kokoa amin’i Kristy, hanamafy bebe kokoa ny fifamatorantsika amin’ny Fiangonana, hampiombona antsika bebe kokoa amin’ny fanirahana azy ary hanampy antsika hijoro ho vavolombelon’ny finoana kristianina amin’ny alalan’ny teny arahina tsanganasa.
Ny Fankaherezana, tahaka ny Batemy, dia mampisy famantarana ara-panahy na marika tsy maty vonoina, ao amin’ny fanahin’ny kristianina ; izany no tsy ahazoana mandray ity sakramenta ity afa-tsy indray maka eo amin’ny fiainana.
Any amin’ny Tatsinanana, omena eo no eo avy hatrany aorian’ny Batemy ity sakramenta ity ; arahin’ny fandraisana anjara amin’ny Eokaristia, lovam-panahy izay mampisongadina ny firaisan’ny sakramenta telo firosoana ho kristianina. Ao amin’ny Fiangonana latinina, omena ity sakramenta ity rahefa mahatratra ny taona mahavory saina, ary mazàna atokana ho an’ny Eveka ny fanomezana azy, ho fampahafantarana araka izany fa ity sakramenta ity no manamafy ny fifamatorana amin’ny Fiangonana.
Ny mpirotsaka ho amin’ny Fankaherezana izay mahatratra ny taona mahavory saina dia tsy maintsy manambara ampahibemaso ny finoana, ao anatin’ny toe-panahy voavela heloka, manana fikasana handray ny sakramenta ary vonona hizaka ny anjara asa maha-mpianatra azy sy maha-vavolombelon’i Kristy azy, ao amin’ny ankohonam-piangonana sy eo amin’ny raharaha andavanandro.
Ny fombam-pivavahana tsy azo avela amin’ny Fankaherezana dia ny fanosorana amin’ny diloilo masina eo amin’ny handrin’ny vita batemy, (sady eo amin’ny taovam-pandrenesana hafa koa ny any amin’ny Tatsinanana), miaraka amin’ny fametrahan-tanan’ny mpandraharaha masina sy ny teny hoe : “Accipe signaculum doni Spiritus Sancti” (“Raiso ny fitomboka anomezana anao ny Fanahy Masina”), araka ny fombam-pivavahana rômanina ; “Signaculum doni Spiritus Sancti” (“Fitomboky ny fanomezana ny Fanahy Masina”), araka ny fombam-pivavahana bizantinina.
Raha ankalazaina misaraka amin’ny Batemy ny Fankaherezana, dia ny fanavaozana ny toky tamin’ny Batemy no anehoana amin’ny fomba manokana ny fifamatorany amin’ny Batemy. Ny fankalazana ny Fankaherezana mandritra ny Eokaristia dia manasongadina ny mahairay ny sakramenta firosoana ho kristianina.
3.Ny sakramentan’ny Eokaristia
Ny Eokaristia Masina no manatomombana ny firosoana ho kristianina. Ireo izay nasandratry ny Batemy amin’ny fahambonian’ny maha-mpisorona manjaka, sy nataon’ny Fankaherezana mifanahaka amin’i Kristy, no ampandraisan’ny Eokaristia anjara amin’izay, miaraka amin’ny anko-honam-piangonana manontolo, amin’ny soron’ny Tompo ihany koa.
“Ny Tompontsika, tamin’ny Sakafo farany, ny alina izay nanolorana Azy, no nanorina ny soron’ny Eokaristia tamin’ny Vatana aman-dRany, mba hampaharitra ny sorona teo amin’ny Hazofijaliana mandritra ny taona rehetra mifandimby, mandra-piveriny, ary mba hanankinana amin’ny Fiangonana Vady malalany, ny tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona : sakramentam-pitiavana, famantaram-piraisana, fatoram-pifankatiavana, fanasam-ben’ny Paka izay ao amin’izany i Kristy no raisina ho sakafo, ny fanahy no heni-pahasoavana ary ny antoky ny voninahitra hoavy no omena antsika” L. 47..
I.Ny Eokaristia – loharano sy tampon’ny fiainan’ny Fiangonana
“Loharano sy tampon’ny fiainana kristianina manontolo” ny Eokaristia FF 11.. “Ireo sakramenta hafa ary koa ireo andraiki-panompoana rehetra ao amin’ ny Fiangonana sy ny lahasa maha-apôstôly dia voafehy avokoa ao amin’ny Eokaristia sy voahasina aminy. Satria ny Eokaristia masina no misy ny rakitra rehetra ara-panahin’ny Fiangonana, izany hoe ny Tenan’Izy Kristy mihitsy, ilay Pakantsika” RFP 5..
“Ny fiombonam-piainana amin’Andriamanitra sy ny firaisan’ny Vahoakan’Andriamanitra, izay amin’izany no maha-izy ny Fiangonana, dia ny Eokaristia no mampahafantatra izany sy manatanteraka izany. Ao aminy no hita ny tampon’ny asa, izay amin’izany no anamasinan’ Andriamanitra an’izao tontolo izao, ao amin’i Kristy, no sady tampon’ny fanompoam-pivavahana izay ao amin’ny Fanahy Masina no anoloran’ny olombelona izany amin’i Kristy, ary amin’ny Alalany, amin’ny Ray” CdR, instr. "Eucharisticum mysterium" 6.
Farany, amin’ny alalan’ny fankalazana ny Eokaristia no efa iraisantsika sahady amin’ny litorzia any an-danitra sy isantarantsika ny fiainana mandrakizay, rahefa “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” Andriamanitra (1 Kôr 15,28).
Amin’ny teny fohy, ny Eokaristia no famintinana sy fitambaran’ny finoantsika : “Mifanaraka amin’ny Eokaristia ny fomba fihevitsika, ary ho valin’izany manamafy ny fomba fihevitsika ny Eokarisita” Md Irénée, haer. 4,18,5..
II.Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ?
Ny harena tovozin-tsy ritra avy amin’ity sakramenta ity, dia ambara amin’ny anarana samihafa izay omena azy. Samy milaza ny lafiny sasantsasany ny tsirairay amin’ireo anarana ireo. Antsoina izy hoe : Eokaristia satria fisaorana an’Andriamanitra izy. Ny teny hoe eucharistein (Lk 22,19 ; 1 Kôr 11,24) sy ny hoe eulogein (Mt 26,26 ; Mk 14,22) dia mampahatsiaro ny vavaka fisaorana jody izay manambara – indrindra mandritra ny sakafo – ny tsanganasan’Andriamanitra : ny fahariana, ny fanavotana ary ny fanamasinana.
Sakafon’ny Tompo jer. 1 Kôr 11,20., satria mahakasika ny Sakafo farany izay niarahan’ny Tompo tamin’ireo mpianany ny andro mialohan’ny fijaliany, sy fanaovana mialoha ny sakafo amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ Ondry jer. Apôk 19,9. ao amin’ilay Jerosalema any an-danitra. Famakiana ny mofo, satria ity fombam-pivavahana ity, izay fanao manokana amin’ny sakafo jody, dia nampiasain’i Jesoa rahefa nitsodrano sy nizarazara ny mofo amin’ny maha-tompon’ny fanasana Azy Izy jer. Mt 14,19; 15,36; Mk 8,6.19., indrindra tamin’ny Sakafo farany jer. Mt 26,26; 1 Kôr 11,24.. Amin’izany fihetsika izany no hahalalan’ny mpianatra Azy aorian’ny fitsanganany ho velona jer. Lk 24,13-35., ary avy amin’io fombam-pitenenana io no hanondroan’ny kristianina voalohany ny fiaraha-miangona ataon’izy ireo amin’ny Eokaristia jer. Asa 2,42.46; 20,7.11.. Ny ambaran’izy ireo amin’izany dia hoe : ireo rehetra izay mihinana ny mofo tokana novakìna, i Kristy, dia miditra amin’ny fiombonana Aminy ary tsy mamorona afa-tsy vatana iray ihany ao Aminy jer. 1 Kôr 10,16-17.. Fiaraha-miangona amin’ny Eokaristia (synaxis) satria ny Eokaristia dia ankalazaina amin’ny fiaraha-miangona ataon’ny mpino, fanehoana hita maso ny Fiangonana jer. 1 Kôr 11,17-34..
Tsangambato fahatsiarovana ny fijaliana sy ny fitsanganan’ny Tompo ho velona. Sorona Masina, satria izy no mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ny sorona tokan’i Kristy Mpamonjy sy manatsofoka ny fanatitry ny Fiangonana ; na koa hoe : sorona masin’ny lamesa, “sorom-piderana” (Heb 13,15) jer. Sal 116,13.17., sorona ara-panahy jer. 1 Pi 2,5., sorona madio jer. Mal 1,11. sady masina, satria izy no manatontosa sy mihoatra noho ny sorona rehetra tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha. Litorzia masina sy mahagaga, satria ao amin’ny fankalazana ity sakramenta ity no mahita ny foibeny sy ny fanehoany mafonja indrindra ny litorzia manontolo ny Fiangonana ; mbola amin’izany hevitra izany no iantsoana azy koa hoe fankalazana ny mistery Masina. Lazaina koa hoe Sakramenta Masina Indrindra, satria izy no sakramentan’ny sakramenta. Izany no anarana ilazana ny endriky ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia tahirizina ao amin’ny tabernakla.
Kômonio, satria amin’ny alalan’ity sakramenta ity no iraisantsika amin’i Kristy, izay mahatonga antsika ho mpandray anjara amin’ny Vatany sy ny Rany, mba hirafitra ho vatana iray jer. 1 Kôr 10,16-17. ; mbola antsoina hoe zava-masina izy: ta hagia ; sancta jer. Const. Ap. 8,13,12; Didaché 9,5; 10,6. – izany no dikany voalohany amin’ny hoe “fiombonan’ny olomasina” izay lazain’ny Sembolin’ny apôstôly - , mofon’ny anjely, mofo avy any an-danitra, fanafodin’ny tsy fahafatesana Md Ignace d’Antioche, Eph.20,2., vatsy masina …
Lamesa Masina, satria ny litorzia izay tanteraka amin’izany ny misterim-pamonjena, dia miafara amin’ny fanirahana ny mpino (missio) mba hanatanterahan’izy ireo ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany andavanandro.
III.Ny Eokaristia ao amin’ny fitantanam-pamonjena
Ny famantarana ny mofo sy ny divay
Eo anivon’ny fankalazana ny Eokaristia, dia misy ny mofo sy ny divay, izay nanjary Vatana sy Ran’i Kristy, amin’ny alalan’ny tenin’i Kristy sy amin’ny alalan’ny fiantsoana ny Fanahy Masina. Manaraka ny didin’ny Tompo ny Fiangonana ka manohy amin’ny fanaovana hatrany izay nataony ny andro mialohan’ny fijaliany, ho fahatsiarovana Azy, mandra-piveriny amim-boninahitra : “Nandray mofo Izy … ” “Nandray ny kalisy feno divay Izy…” Amin’ny fahatongavana amim-pomba mistery ho Vatana sy ho Ran’ i Kristy, ny famantaran’ny mofo sy ny divay dia manohy maneho koa ny hatsaran’ny zavaboary. Araka izany, amin’ny Fanolorana no isaorantsika ny Mpahary, noho ny mofo sy ny divay jer. Sal 104,13-15. vokatry “ny asa tanan’ny olombelona”, nefa “vokatry ny tany” sy “ny voaloboka” aloha, fanomezan’ ny Mpahary. Hitan’ny Fiangonana amin’ny fihetsik’i Melkisedeka, Mpanjaka sady mpisorona, izay “nitondra mofo sy divay” (Jen 14,18), ny tandindon’ny fanatitra natolotry ny tenany jer. MR, Canon Romain 95: "Supra quae"..
Tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, anisan’ireo santa-bokatry ny tany natolotra ho sorona ny mofo sy ny divay, ho mari-pankasitrahana ny Mpahary. Kanefa nahazo dikany vaovao koa izy ireny ao amin’ny hevitra manodidina ny Eksaody : Ny mofo tsy misy lalivay, izay hanin’i Israely isan-taona amin’ny Paka no ankalazana ny fahatsiarovana ny hamaikan’ ny fiaingam-panafahana tao Ejipta ; ny fahatsiarovana ny mana tany an’efitra no hampahatsiahy lalandava an’i Israely fa mivelona amin’ny mofon’ny Tenin’Andriamanitra izy jer. Det 8,3.. Farany, ny mofo hanina isan’andro dia vokatry ny Tany nampanantenaina, antoky ny tsy fivadihan’ Andriamanitra amin’ny fampanantenany. Ny “kalisim-pisaorana” (1 Kôr 10,16), amin’ny faran’ny sakafo Pakan’ny Jody, dia manampy fivelaran-kevitra momba ny any am-parany any amin’ny hafalian’ny fety avy amin’ny divay, dia ny an’ny fiandrasana ny Mesia ho amin’ny fanarenana indray an’i Jerosalema. Nanorina ny Eokaristiany i Jesoa tamin’ny nanomezana azy hevitra vaovao sy raikitra, tamin’ny fitsofan-drano ny mofo sy ny kalisy.
Ny zava-mahagaga tamin’ny fampitomboana ny mofo, rahefa nitsodrano ny Tompo, namaky ny mofo sy nizara izany tamin’ny mpianany mba hamahanana ny vahoaka maro be, dia maneho mialoha ny fahabetsahana mihoa-pampana avy amin’ity mofo tokan’ny Eokaristiany ity jer. Mt 14,13-21; 15,32-39.. Ny famantarana momba ny rano voaova ho divay tao Kanà jer. Jo 2,11. dia manambara sahady ny Oran’ny fanomezam-boninahitra an’i Jesoa. Maneho ny fahatanterahan’ny sakafon’ny fampakaram-bady any amin’ny Fanjakan’ny Ray izany, izay any ny mpino no hisotro ny divay vaovao jer. Mk 14,25. tonga Ran’i Kristy.
Nampisara-kevitra ny mpianatra ny fanambaràna voalohany momba ny Eokaristia, tahaka ny fanambaràna ny fijaliana izay nanafintohina azy ireo : “Sarotra izany teny izany ! Iza no mahahaino izany ? ” (Jo 6,61). Ny Eokaristia sy ny Hazofijaliana dia vato mahatafintohina. Mistery iray ihany izany, ary tsy mitsahatra miteraka fisaraham-bazana izy. “Ianareo koa va mba te hiala ?” (Jo 6,68) : manako eny am-pamakivakiana ny taona maro mifandimby eny io fanontanian’ny Tompo io, fiangaviam-pitiavany hamborahana fa Izy irery ihany no manana “ny tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jo 6,69) ary ny mandray amim-pinoana ny fanomezana ny Eokaristiany, dia mandray Azy Tenany ihany.
Ny fanorenana ny Eokaristia
Ny Tompo, rahefa tia ny azy, dia tia azy ireo hatramin’ny farany. Fantany fa tonga ny ora hialany amin’izao tontolo izao mba hiverenany any amin’ny Rainy, ka teo am-pisakafoana, dia nanasa ny tongotr’izy ireo Izy sy nanome azy ireo ny didim-pitiavana jer. Jo 13,1-17.. Mba hamelany ho azy ireo ny antok’io fitiavana io, mba tsy hanalavirany na oviana na oviana ireo azy ary mba hanaovany azy ireo ho mpandray anjara amin’ny Pakany, dia nanorina ny Eokaristia Izy ho tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona, ary nibaiko ny apôstôliny Izy mba hankalaza izany ambara-piveriny, “koa noho izany natsangany ho mpisoron’ny Testamenta Vaovao izy ireo” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny Evanjely telo sinôptika sy i Md Paoly no nampita amintsika ny tantaran’ny fanorenana ny Eokaristia ; etsy an-kilany, i Md Joany dia mamerina milaza ny tenin’i Jesoa tao amin’ny sinagôgan’i Kafarnaoma, teny izay manomana ny fanorenana ny Eokaristia : manondro ny Tenany ho ny mofon’ny fiainana, nidina avy any an-danitra i Kristy jer. Jo 6..
Nifidy ny fotoanan’ny Paka i Jesoa mba hanatanterahana izay nambarany tao Kafarnaoma : manome ny Vatany sy ny Rany ho an’ny mpianany :
Dia tonga ny andron’ny Azima izay tsy maintsy hamonoana ny zanak’ondrin’ny Paka. Koa naniraka an’i Piera sy Joany [i Jesoa] nanao hoe : “Mandehàna, hoy Izy, mamboatra ny Paka hohanintsika.” (…) Dia lasa àry izy ireo (…) ary nanomana ny Paka. Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy niaraka tamin’ny apôstôliny ary hoy Izy tamin’izy ireo : “Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo Aho alohan’ny hijaliako ; satria lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana azy intsony Aho mandra-pahatanterany any amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra.” (…) Rahefa izany, dia nandray ny mofo Izy, ka nony efa nisaotra, dia namaky azy sy nanome azy ho azy ireo, nanao hoe : “Ity no Vatako, izay atolotra ho anareo ; ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy.” Dia nataony toy izany koa ny kalisy taorian’ny sakafo, ka hoy Izy : “Ity kalisy ity no Fanekem-pihavanana Vaovao amin’ny Rako, izay alatsaka ho anareo” (Lk 22,7-20) jer. Mt 26,17-29; Mk 14,12-25; 1 Kôr 11,23-25..
Tamin’ny fankalazana ny Sakafo farany niarahany tamin’ny apôstôliny nandritra ny sakafon’ny Paka no nanomezan’i Jesoa ny tena dikany raikitra ny Paka jody. Satria, ny fandalovan’i Jesoa tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona ho any amin’ny Rainy, dia ny Paka vaovao izany, no natao mialoha tamin’ny Sakafo farany sy nankalazaina tamin’ny Eokaristia izay manatontosa ny Paka jody sy manao mialoha ny Paka faran’ny Fiangonana any amin’ny voninahitry ny Fanjakan’Andriamanitra.
“Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy”
Ny didin’i Jesoa mba hamerina ny fihetsiny sy ny teniny “mandra-piveriny” dia tsy mitaky fotsiny ny hahatsiarovana an’i Jesoa sy izay nataony. Ny kendreny dia ny fankalazana litorzika, amin’ny alalan’ny apôstôly sy ny dimbin’izy ireo, ny tsangambato fahatsiarovana an’i Kristy, ny fiainany, ny fahafatesany, ny fitsanganany ho velona ary ny fanalalana ataony eo akaikin’ny Ray.
Hatrany am-piandohana ny Fiangonana no tsy nivadika tamin’ny baikon’ny Tompo. Izao no voalaza ny amin’ny Fiangonan’i Jerosalema :
Nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny apôstôly, naharitra tamin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, tamin’ny famakiana ny mofo ary tamin’ny fivavahana. (…) Isan’andro isan’andro, tamin’ny fo iray, nazoto niara-nankao an-Tempoly izy ireo sy namaky ny mofo tao an-tranony, ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po (Asa 2,42.46).
“Tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro” indrindra, izany hoe andro alahady, andron’ny nitsanganan’ i Jesoa ho velona, no nivorian’ ny kristianina “mba hamaky ny mofo” (Asa 20,7). Nanomboka tamin’izany fotoana izany ka hatramin’izao androntsika izao, mitohy maharitra ny fankalazana ny Eokaristia, hany ka ankehitriny, hitantsika hatraiza hatraiza ao amin’ny Fiangonana izany, mbola araka ny firafitra fototra tsy miova. Ny fankalazana ny Eokaristia no ivon’ny fiainan’ny Fiangonana.
Arak’izany, ny Vahoakan’Andriamanitra ety am-pivahiniana, amin’ny fankalazana mifandimby, anambaràna ny misterin’ny Pakan’i Jesoa “mandra-piaviny” (1 Kôr 11,26), dia “mandroso amin’ny vavahady ety ny Hazofijaliana” AFF 1., mankany amin’ny fanasam-be any an-danitra, fa any ny olom-boafidy rehetra no hipetraka hihinana eo amin’ny latabatry ny Fanjakan’Andriamanitra.
IV.Ny fankalazana ara-litorzia ny Eokaristia
Ny lamesan’ny taonjato nifandimby
Hatrany amin’ny taonjato faharoa, no nananantsika ny soratra vavolombelon’i Md Justin le Martyr ny amin’ireo soritsoritra vaventy amin’ny fizotran’ny fankalazana ny Eokaristia. Maharitra tsy niova amin’ny maha-izy azy ireo soritsoritra ireo hatramin’izao androntsika izao, ho an’ny fianakaviamben’ny litorzia manontolo. Toy izao no nosoratany, sahabo ho tamin’ny taona 155, mba hanazavana amin’i Antonin le Pieux amperora mpanompo sampy (138-161), ny amin’izay ataon’ny kristianina :
“Amin’ny andro antsoina hoe andron’ny masoandro, no anaovana amin’ny toerana iray tsy miova, ny fivorian’ireo rehetra monina an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Vakìna ny tahirim-pampianaran’ny apôstôly sy ny bokin’ny mpaminany, araka ny fisian’ny fotoana. Rahefa nitsahatra ny mpamaky teny, ilay izay mitarika no mandray ny fitenenana, mba hitaona sy hamporisika haka tahaka an’ireny zavatra tsara ireny. Avy eo, miara-mitsangana izahay rehetra ary manao vavaka” Md Justin, apol. 1, 67. “ho an’ny tenanay (…) sy ho an’ny hafa rehetra, na aiza na aiza misy azy, mba ho hita fa olo-marina izahay amin’ny fiainanay sy ny asanay, ary olo-mahatoky amin’ny didy, mba hahazoana amin’izany ny famonjena mandrakizay. Rahefa vita ny fivavahana dia mifanoroka izahay rehetra. Avy eo, entina atolotra amin’izay mitarika ny mpiray tam-po ara-pinoana ny mofo sy ny kalisy misy rano sy divay mifangaro. Raisiny ireo, dia manondrotra vavaka fiderana sy fanomezam-boninahitra any amin’ilay Rain’izao tontolon’ny zava-drehetra izao izy, amin’ny anaran’ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary misaotra (eucharistian, amin’ny teny grika) maharitra ela izy amin’izay heverinay fa mendrika an’ireo fanomezana ireo. Rahefa namarana ny vavaka sy ny fisaorana izy, miredon-kafaliana ny vahoaka rehetra manatrika eo manao hoe : Amen. Rahefa nahavita ny fisaorana ilay izay nitarika ary nahavaly izany ny vahoaka, dia ireo izay antsoina hoe Diakra eo aminay no mizara ny mofo, ny divay ary ny rano "nanjary Eokaristia" amin’izay rehetra manatrika eo sy mitondra izany koa any amin’ireo tsy tonga teo” Md Justin, apol. 1,65..
Ny litorzian’ny Eokaristia dia mizotra araka ny rafitra fototra izay voatahiry nandritry ny taonjato maro hatramin’ny androntsika izao. Mivelatra ho fizaram-potoana anankiroa lehibe izy, nefa mirafitra ho tokana ihany ny votoatiny : - ny famoriana, ny litorzian’ny Teny, miaraka amin’ny vakiteny, ny toriteny ary ny ranombavaky ny mpino ; - ny litorzian’ny Eokaristia, miaraka amin’ny fanolorana ny mofo sy ny divay, ny vavaka fisaorana fankamasinana ary ny kômonio. Mitambatra ho “asa fanompoam-pivavahana iray tsy mivaky” L 56. ny litorzian’ ny Teny sy ny litorzian’ny Eokaristia miaraka ; satria, ny latabatra voa-omana ho antsika ao amin’ny Eokaristia dia sady an’ny Tenin’ Andriamanitra no an’ny Vatan’ny Tompo jer. FA 21..
Moa tsy io ihany no fizotran’ny sakafon’ny Pakan’i Jesoa nitsangan-ko velona niarahany tamin’ny mpianany ? Niaraka teny an-dalana sy nanazava ny Soratra Masina tamin’izy ireo Izy, avy eo, nony nipetraka hiara-misakafo tamin’izy ireo, dia nandray ny mofo Izy, notsofiny rano, nozarazarainy ary nomeny azy ireo jer. Lk 24,13-35..
Ny fizotran’ny fankalazana
Mivory izy rehetra. Midodododo mankeo amin’ny toerana iray ny kristianina hamonjy ny fiaraha-miangona amin’ny Eokaristia. Ny Tenan’ i Kristy mihitsy no Loha mitarika, izay Izy no mpanao voalohany indrindra ny Eokaristia. Izy no mpisoromben’ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Ny Tenany mihitsy no mitarika amin’ny fomba tsy hita maso ny fankalazana manontolo ny Eokaristia. Amin’ny fanoloana tena Azy no mahatonga ny Eveka na ny Pretra (manao ny asa ao amin’ny Tenan’i Kristy Loha) hitarika ny mpiangona, handray ny teny aorian’ny vakiteny, handray ny fanatitra sy hanonona ny vavaka fisaorana. Samy manao ny anjarany amim-pahavitrihana avokoa ny rehetra amin’ny fankalazana, araka ny fanaony avy : mpamaky teny, mpanatitra ny tolotra, mpizara kômonio, ary ny vahoaka manontolo, ka ny valy hoe : Amen, no anehoany ny fandraisany anjara.
Ny litorzian’ny Teny dia misy “ny bokin’ny mpaminany”, izany hoe ny Testamenta Taloha, sy “ny tahirim-pampianaran’ny apôstôly”, izany hoe ny Taratasin’izy ireo sy ireo Evanjely ; aorian’ny toriteny izay fampirisihana handray izany Teny izany ho tena Tenin’Andriamanitra tokoa jer. 1 Tes 2,13., sy hanatanteraka izany an’asa, no aroso ny fangatahana ho an’ny olona rehetra, araka ny tenin’ny apôstôly hoe : “Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fangatahana, fivavahana, fitalahoana, fisaorana ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka ary ho an’ireo rehetra nametrahana ny fahefana” (1 Tim 2,1-2).
Ny fanolorana ny fanatitra (fanolorana) : entina amin’izay, indraindray entina amim-pilaharana, eo amin’ny ôtely ny mofo sy ny divay izay ho atolotry ny Pretra amin’ny anaran’i Kristy ao amin’ny sorona Eokaristika, izay eo ireo no hanjary Vatana aman-dRan’i Kristy. Mitovy amin’ny fihetsik’i Kristy tamin’ny sakafo farany ihany no anaovana izany, dia “amin’ny fandraisana ny mofo sy ny kalisy”. “Ny Fiangonana irery ihany no manolotra io fanatitra madio io, amin’ny Mpahary, amin’ny fanolorana azy amim-pisaorana an’izay avy amin’ny zavaboariny” Md Irénée, haer. 4,18,4; jer. Mal 1,11.. Ny fanolorana ireo fanatitra ireo eo amin’ny ôtely no anaovana ny fihetsik’i Melkisedeka sy anankinana eo am-pelatanan’i Kristy ny fanomezana avy amin’ny mpahary. Izy, amin’ny soron’ny Tenany no mahatonga ho amin’ny fahalavorarian’ny fiezahana rehetra ataon’ny olombelona manolotra sorona.
Hatrany am-piandohana, ny kristianina no manolotra, miaraka amin’ny mofo sy ny divay ho an’ny Eokaristia, ny fanomezan’izy ireo mba hozaraina amin’ireo izay ao anatin’ny tsy fahampiana. Ity fomba fanangonana (rakitra) jer. 1 Kôr 16,1.ity, mitohy hatramin’izao, dia nalaina avy amin’ny ohatra nomen’i Kristy izay nanjary mahantra mba hampanankarena antsika jer. 2 Kôr 8,9. :
Ireo izay manankarena sy izay te hanao, dia nanome araka izay noeritreretin’ny tenany avy ; izay voangona dia napetraka teo amin’ izay nitarika, ka izy io no nanampy ny kamboty sy ny mananotena, ireo izay tsy manana antom-pivelomanana noho ny aretina na antony hafa, ny voafonja, ny mpifindra monina, ary amin’ny teny indraim-bava dia hoe : novonjeny daholo ireo izay tao anatin’ny tsy fahampiana Md Justin, apol. 1,67..
Ny vavaka fisaorana : amin’ny vavaka Eokaristika, vavaka fisaorana sy fankamasinana, no tonga eo amin’ny ivo sy tampon’ny fankalazana isika:
Amin’ny prefasy ny Fiangonana no misaotra ny Ray, amin’ny alalan’i Kristy, ao amin’ny Fanahy Masina, noho ny tsanganasany rehetra, noho ny fahariana, ny fanavotana ary ny fanamasinana. Ny mpiara-miangona manontolo no manakambana amin’izay ilay fiderana sesilany izay hirain’ny Fiangonana any an-danitra, ny anjely ary ny olomasina rehetra, an’Andriamanitra : Masina, Masina, Masina.
Amin’ny epikilezy, mangataka amin’ny Ray ny Fiangonana handrotsaka ny Fanahiny Masina (na ny herin’ny tsodranony jer. MR, Canon Romain 90.) eo amin’ny mofo sy ny divay, mba ho zary Vatana sy Ran’i Jesoa-Kristy ireo, amin’ny alalan’ny heriny, ary ireo izay mandray anjara amin’ny Eokaristia dia mba ho vatana iray sy fanahy iray ihany (ny lovam-panahy litorzika sasantsasany dia mametraka ny epikilezy aorian’ny anaminezy). Ao amin’ny tantaran’ny namoronana ny Eokaristia, ny herin’ny teny sy ny asan’i Kristy, ary ny herin’ny Fanahy Masina, no maha-misy eo ara-tsakramenta, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, ny Vatany sy ny Rany, ny sorona natolony indray mandeha monja teo amin’ny Hazofijaliana.
Manaraka izany, amin’ny anaminezy, mahatsiaro ny fijalian’i Jesoa-Kristy, ny fitsanganany ho velona ary ny fiverenany amim-boninahitra ny Fiangonana ; atolony amin’ny Ray ny fanatitry ny Zanany izay mampihavana antsika Aminy indray. Amin’ny vavaka fitalahoana (intercessions), asehon’ny Fiangonana fa ny Eokaristia dia ankalazaina amin’ny fiombonana miaraka amin’ny Fiangonana manontolo any an-danitra sy eto an-tany, ny velona sy ny nodimandry, ary amin’ny fiombonana miaraka amin’ny mpitondra ny Fiangonana, dia ny Papa, ny Evekan’ny diôsezy, ny fivondronan’ny Pretrany sy ny Diakrany, ary ny Eveka rehetra manerana ny tany miaraka amin’ny Fiangonan’izy ireo.
Amin’ny kômonio, ialohavan’ny vavaky ny Tompo sy ny famakiana ny mofo, mandray ny “mofon’ny lanitra” sy “ny kalisim-pamonjena” ny mpino, dia ny Vatana sy ny Ran’i Kristy, izay nanolo-tena “ho fiainan’ izao tontolo izao” (Jo 6,52) :
Satria io mofo io sy io divay io dia “nanjary Eokaristia” jer. Md Justin, apol. 1,65. araka ny fiteny tranainy, dia “antsointsika hoe : Eokaristia io sakafo io ary tsy misy olona mahazo mandray anjara aminy, raha tsy mino ny fahamarinan’izay ampianarina aty aminay izy, raha tsy nandray ny fandroana ho famelana ny fahotana sy ny fahateraham-baovao izy, ary raha tsy miaina araka ny didin’i Kristy izy” Md Justin, apol. 1,66..
V.Ny sorona ara-tsakramenta : fisaorana, tsangambato fahatsiarovana, fisiana maha-eo
Raha mankalaza ny Eokaristia hatrany am-piandohana ny kristianina, sy amin’ny endrika izay tsy niova, tao anatin’ny fisia-maha-izy azy, teo am-pamakivakiana ny faha-samihafa lehibe ny taona sy ny litorzia dia satria fantatsika fa voafehin’ny baikon’ny Tompo, nomena ny andro mialohan’ ny fijaliany izy ireo : “Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy” (1 Kôr 11,24-25).
Ity baikon’ny Tompo ity, dia tanterahintsika amin’ny fankalazana ny tsangambato fahatsiarovana ny sorona natolony. Izany no atao dia ny anolorantsika amin’ny Ray izay ny Tenan’Izy ihany no nanome azy antsika : ny fanomezana avy amin’ny zavaboariny, dia ny mofo sy ny divay izay manjary Vatana sy Ran’i Kristy noho ny herin’ny Fanahy Masina sy noho ny tenin’i Kristy : amin’izany no maha-misy eo marina sy amin’ny fomba mistery an’i Kristy.
Noho izany, tsy maintsy hodinihintsika ny Eokaristia : - amin’ny maha-fisaorana sy fiderana ny Ray azy ; - amin’ny maha-tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Vatany azy ; - amin’ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahiny.
Ny fisaorana sy ny fiderana ny Ray
Ny Eokaristia, sakramentam-pamonjena antsika notanterahin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana, dia sorom-piderana amin’ny fisaorana noho ny asa fahariana koa. Amin’ny sorona Eokaristika, ny zavaboary manontolo tian’Andriamanitra dia natolotra ny Ray tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany ho velona. Amin’ny alalan’i Kristy, azon’ny Fiangonana atao ny manolotra sorom-piderana amin’ny fisaorana noho ny soa, ny kanto ary ny marina nataon’Andriamanitra tao amin’ny zavaboary sy tao amin’ny olombelona.
Sorom-pisaorana ny Ray ny Eokaristia, fisaorana izay anehoan’ny Fiangonana ny fankasitrahany an’Andriamanitra noho ny soa rehetra avy Aminy, noho izay rehetra notanterahiny tamin’ny alalan’ny fahariana, ny fanavotana, ary ny fanamasinana. Ny Eokaristia rahateo dia midika hoe : “fisaorana”.
Sorom-piderana koa ny Eokaristia, izay hihiran’ny Fiangonana ny Voninahitr’Andriamanitra amin’ny anaran’ny voary manontolo. Amin’ny alalan’i Kristy ihany no azo atao izany sorom-piderana izany : Izy no mampiray ny mpino amin’ny Tenany, amin’ny fiderany sy amin’ny fitalahoany, hany ka ny sorom-piderana ny Ray dia atolotra amin’ny alalan’i Kristy sy miaraka Aminy mba hankatoavina ao Aminy.
Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana – Vatany
Ny Eokaristia no tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy, fampiharana amin’ny fiainana ankehitriny ary fanatitra ara-tsakramentan’ ny sorona tokana aman-tany nataony, ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana izay Vatany. Ao amin’ny vavaka fisaorana rehetra no ahitantsika, aorian’ ireo teny famoronana, ny vavaka antsoina hoe anaminezy na tsangambato fahatsiarovana.
Araka ny hevi-tenin’ny Soratra Masina, ny hoe tsangambato fahatsiarovana dia tsy fahatsiarovana fotsiny ny zava-niseho tamin’ny lasa, fa fanaovana antso avo ny zava-mahagaga izay notanterahin’Andriamanitra ho an’ny olombelona jer. Eks 13,3.. Amin’ny fankalazana ara-litorzian’ireny zava-niseho ireny, dia manjary eo sy ankehitriny amin’ny fomba tsy isalasalana izy ireny. Avy amin’izany fomba izany no ahatakaran’i Israely ny fanafahana azy tany Ejipta : isaky ny ankalazaina ny Paka, dia mitamberina ao an-tsain’ny mpino ireo zava-niseho tamin’ny Eksaody mba hampifanarahan’ izy ireo ny fiainany amin’izany.
Mahazo hevitra vaovao ny tsangambato fahatsiarovana ao amin’ny Testamenta Vaovao. Rahefa mankalaza ny Eokaristia ny Fiangonana, dia mampahatsiaro ny Pakan’i Kristy, ary mahatonga azy ity ho eo : ny sorona izay natolotr’i Kristy indray mandeha monja teo amin’ny Hazofijaliana dia mijanona lalandava ho ankehitriny jer. Heb 7,25-27. : “Isaky ny ankalazaina eo ambony ôtely ny soron’ny Hazofijaliana izay tamin’izany no nanaovana sorona an’i Kristy Pakantsika, dia tanterahina ny tsanganasam-panavotana antsika” FF 3..
Noho izy tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy, ny Eokaristia dia sorona koa. Ny toetra manokana maha-sorona ny Eokaristia dia miseho amin’ireo teny nanorenana azy ihany : “Ity no Vatako izay atolotra ho anareo” sy “Ity kalisy ity no Fanekem-pihavanana Vaovao amin’ny Rako, izay alatsaka ho anareo” (Lk 22,19-20). Amin’ny Eokaristia i Kristy no manome io vatana iray io ihany amin’izay natolony ho antsika teo amin’ny Hazofijaliana, io ra iray io ihany amin’izay “nalatsany ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana” (Mt 26,28).
Noho izany, sorona ny Eokaristia, satria izy no mampiseho (maha-misy eo) ny soron’ny Hazofijaliana, satria izy no tsangambato fahatsiarovana an’izany, satria izy no mampihatra ny vokatra avy amin’izany :
[I Kristy] Andriamanitsika sady Tompo, dia nanolotra indray mandeha monja ny Tenany mihitsy tamin’Andriamanitra Ray, tamin’ny nahafatesany ho mpanalalana eo amin’ny ôtelin’ny Hazofijaliana, mba hanatontosa ho azy ireo (ny olombelona) ny fanavotana mandrakizay. Kanefa, noho ny fahafatesany tsy naha-tapitra ny maha-mpisorona Azy (Heb 7,24.27), tamin’ny Sakafo farany, “ny alina izay nanolorana Azy” (1 Kôr 11,23), dia sitrany ny mamela ao amin’ny Fiangonana, vady malalany, ny sorona hita maso (araka ny takìn’ny fomba maha-olombelona), izay isehoan’ny sorona alatsa-dra tanteraka indray mandeha monja teo amin’ny Hazofijaliana, izay hitohy hatramin’ny faran’ny taonjato mifandimby ny fahatsiarovana izany (1 Kôr 11,23) ary hihatra amin’ny fanavotana noho ny fahotana ataontsika isan’andro vaky ny herim-pamonjena avy aminy Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Sorona tokana ihany ny soron’i Kristy sy ny soron’ny Eokaristia : “Tokana sady mitovy ihany Ilay atao sorona, iray ihany Ilay manolotra sorona ankehitriny amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, Ilay nano-lotra ny Tenany mihitsy tamin’izay teo amin’ny Hazofijaliana. Ny fomba fanolotra fotsiny no tsy mitovy” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. : “Ary satria ao amin’izany sorona lavorary sady masina izay tanteraka amin’ny lamesa izany, io Kristy io ihany, izay nanolotra ny Tenany indray mandeha monja tamin’ny fomba nalatsa-dra teo ambony ôtelin’ny Hazofijaliana, no votoaty sy atolotra amin’ny fomba tsy alatsa-dra, koa tena sorom-panonerana marina io sorona io” Ibid..
Soron’ny Fiangonana koa ny Eokaristia. Ny Fiangonana, izay Vatan’i Kristy, dia mandray anjara amin’ny fanatitry ny Filohany. Miaraka Aminy, ny tenany mihitsy no atolony manontolo. Miray amin’ny fanalalana ataon’i Kristy eo akaikin’ny Ray ho an’ny olombelona rehetra ny Fiangonana. Amin’ny Eokaristia, manjary soron’ny rantsambatan’ny Vatany koa ny soron’i Kristy. Ny fiainan’ny mpino, ny fideran’izy ireo, ny fijalian’izy ireo, ny fivavahan’izy ireo, ny asan’izy ireo, dia voakambana amin’ny an’i Kristy sy amin’ny fanatitra manontolony, ary mahazo soatoavina vaovao amin’izany. Ny soron’i Kristy eo ambony ôtely no manome amin’ny taranaky ny kristianina rehetra ny fahazoana miray amin’ny fanatitra atolony. Any anatin’ireo zohim-pasana, matetika ny Fiangonana dia aseho ho toy ny vehivavy mivavaka, ny sandry mivelatra be araka ny fihetsika atao hoenti-mivavaka. Tahaka an’i Kristy izay naninjitra ny sandriny teo amin’ny Hazofijaliana, amin’ny Alalany sy miaraka Aminy ary ao Aminy, ny Fiangonana no manolo-tena sy mitalaho ho an’ny olombelona rehetra.
Ny Fiangonana manontolo dia miray amin’ny fanatitra sy amin’ny fanalalan’i Kristy. Noho ny Papa miantsoroka ny andraiki-panompoan’i Piera ao amin’ny Fiangonana, dia akambana amin’ny fankalazana manontolo ny Eokaristia izy, izay amin’izany no anononana ny anarany ho famantarana sy mpanompon’ny firaisan’ny Fiangonana Manerana ny tany tontolo. Ny Eveka eo an-toerana no mpiandraikitra lalandava ny Eokaristia, na dia ny Pretra aza no mitarika izany ; tononina ao ny anarany mba hampahafantarana ny fiadidiany ny Fiangonana eo an-toerana, eo anivon’ny fivondronan’ny maha-pretra sy miaraka amin’ny fanampian’ny Diakra. Ny mpiara-miangona dia mitalaho koa ho an’ny mpandraharaha masina rehetra izay manolotra ny soron’ny Eokaristia, ho azy sy miaraka aminy :
Mba ho ity Eokaristia ity ihany anie no heverina ho ara-dalàna, izay atao eo ambany fiadidian’ny Eveka na izay nampiandraiketiny izany Md Ignace d’Antioche, Smyrn. 8,1.. Amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra no tanteraka ny sorona ara-panahin’ny kristianina, mikambana amin’ny soron’i Kristy, hany Mpanalalana, atolotra amin’ny anaran’nyFiangonana manontolo ao amin’ny Eokaristia amin’ny alalan’ny tanan’ny Pretra, amin’ny fomba tsy alatsa-dra sy ara-tsakramenta, mandra-piavin’ny Tenan’Izy Tompo RFP 2..
Amin’ny fanatitr’i Kristy, tsy ny rantsambatana mbola ety an-tany ihany no mikambana ao, fa koa ireo izay efa any amin’ny voninahitry ny lanitra : amin’ny fiombonana amin’i Maria Virjiny Masina Indrindra sy amin’ny fahatsiarovana azy, ary koa amin’ny olomasina rehetra lehilahy sy vehivavy, no anoloran’ny Fiangonana ny soron’ny Eokaristia. Amin’ny Eokaristia ny Fiangonana, miaraka amin’i Maria, dia toy ny eo am-pototry ny Hazofijaliana, miombona amin’ny fanatitra sy amin’ny fanalalana ataon’i Kristy.
Ny sorona Eokaristika dia atolotra koa ho an’ny mpino efa nodimandry “izay maty tao amin’i Kristy ary tsy mbola voadio manontolo” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., mba hahazoan’izy ireo miditra any amin’ny fahazavana sy ny fiadanan’i Kristy :
Aleveno any amin’izay toerana tianareo handevenana azy ity vatana ity ! Aza mikorontan-tsaina na manana ahiahy kely akory ny aminy ianareo ! Ny hany angatahiko aminareo, dia ny hahatsiarovanareo ahy eo amin’ny ôtelin’ny Tompo na aiza na aiza misy anareo Tenin’i Mb Monique, talohan’ny nahafatesany, tamin’i Md Augustin sy ny rahalahiny: conf. 9,11,27.. Manaraka izany, mivavaka isika [ao amin’ny vavaka fisaorana (anaphore)] ho an’ireo Ray masina sy Eveka nodimandry, ary ankapobeny ho an’ireo rehetra izay nodimandry talohantsika, amim-pinoana fa hisy tombon-tsoa lehibe dia lehibe ho an’ny fanahy, ho an’ireo izay anolorana ny fitalahoana, raha mbola tsaroana eo ilay sorona masina sy mahatahotra tokoa. (…) Amin’ny fanolorana amin’Andriamanitra ny fitalahoantsika ho an’ireo izay nodimandry, na dia mpanota aza izy ireo, (…) manolotra an’i Kristy natao sorona noho ny fahotantsika isika, ka mahatonga fitahiana, ho azy ireo sy ho antsika, ilay Andriamanitra sakaizan’ny olombelona Md Cyrille de Jérusalem, catech. myst. 5,9.10..
Tamim-pomba mampitolagaga no namintinan’i Md Augustin ity fitambaram-pampianarana ity izay mandrisika antsika amin’ny fandraisana anjara feno mitombo hatrany hatrany amin’ny soron’ny Mpanavotra antsika izay ankalazaintsika amin’ny Eokaristia :
Ity tanàna navotana manontolo ity, izany hoe ny fiangonana sy ny fikambanan’ny olomasina, dia atolotra an’Andriamanitra ho sorona manenika an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny Mpisorombe, naka ny endriky ny mpanompo, izay nandeha hatramin’ny nanolorany tena ho antsika tamin’ny fijaliany, mba hahatonga antsika ho vatan’ilay Filoha lehibe aok’izany. (…) Toy izao ny soron’ny kristianina : “Na maro aza, tsy misy afa-tsy vatana tokana ihany ao amin’i Kristy” (Rôm 12,5). Ary io sorona io, tsy mitsahatra mamerina izany ny Fiangonana ao amin’ny sakramentan’ny ôtely fantatry ny mpino tsara, izay eo no ampisehoany azy fa ao amin’izay atolony, dia ny tenany mihitsy no atolotra Md Augustin in Civ. 10,6..
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina
“I Kristy Jesoa izay maty, nitsangan-ko velona, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, manalalana ho antsika” (Rôm 8,34), dia eo amin’ny Fiangonany amin’ny fomba maro jer. FF 48. : ao amin’ny Teniny, ao amin’ny vavaky ny Fiangonany, eo amin’izay “iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarako” (Mt 18,20), ao amin’ny mahantra, ny marary, ny voafonja jer. Mt 25,31-46., ao amin’ny sakramentany izay Izy no mpamorona, ao amin’ny soron’ny lamesa sy ao amin’ny tenan’ny mpandraharaha masina. Nefa “amin’ny fara tampony indrindra, eo Izy, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia” L 7..
Tokana aman-tany ny fomba fisiana maha-eo an’i Kristy, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia. Asandrany ho ambonin’ny sakramenta rehetra ny Eokaristia ary ataony “ho fandavorariana ny fiainana ara-panahy sy ho tanjom-piafarana izay amin’izany no iompanan’ny sakramenta rehetra” Md Thomas d’A., s.th. 3,73,3.. Amin’ny sakramenta masina indrindra ny Eokaristia no “misy marina tokoa, tena izy tokoa ary ara-pisia-maha-izy tokoa ny Vatana sy ny Ra miaraka amin’ny fanahy sy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa-Kristy Tompontsika, koa noho izany, i Kristy iray manontolo” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. “Antsoina hoe "tena misy marina " io fisiana maha-eo io, tsy hoe fiantsoana manokana, tahaka ny hoe tsy "tena misy marina" ny maha-eo hafa, fa amin’ny fomba ambony dia ambony satria fisia-maha-izy manontolo izany, ary amin’ny alalan’izany i Kristy, Andriamanitra sady olombelona, no eo manontolo tanteraka” MF — Mysterium fidei..
Amin’ny fiovàn’ny mofo sy divay ho Vatana sy ho Ran’i Kristy no manjary amin’io sakramenta io ny fisiana maha-eo an’i Kristy. Nanantitrantitra mafy ny finoan’ny Fiangonana ny Aban’ny Fiangonana ny amin’ny fandairan’ny Tenin’i Kristy sy ny asan’ny Fanahy Masina mba hanatanteraka io fiovàna io. Izany no anambaràn’i Md Jean Chrysostome hoe :
Tsy ny olombelona no mahatonga ireo zavatra atolotra ho zary Vatana sy Ran’i Kristy, fa Izy Kristy mihitsy izay nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana ho antsika. Ny Pretra, endrik’i Kristy, no manonona ireo teniny, fa ny fandairany sy ny fahasoavana dia avy amin’ Andriamanitra. Ity no Vatako, hoy Izy. Io teny io no manova ireo zavatra atolotra Md Jean Chrysostome in Prod. Jud. 1,6..
Ary izao no nolazain’i Md Ambroise ny amin’io fiovàna io :
Aoka isika hiaiky “fa tsy toy ny namoronana ny zavaboary izy ity, fa izay nohamasinin’ny vavaka fisaorana, ary ny herin’ny vavaka fisaorana no mandresy ny an’ny zavaboary, satria amin’ny alalan’ny vavaka fisaorana no miova ny tenan’ny zavaboary (…)” Md Ambroise in Myst. 9,50.. Moa ve ny tenin’i Kristy izay afaka namorona avy amin’ny tsy misy an’izay tsy nisy akory, tsy ho afaka koa manova ny zavatra misy amin’izay tsy mbola misy ao aminy ? Satria tsy lehibe noho ny mampisy amin’ny zavatra ny toetrany voalohany ny manova azy Md Ambroise in Myst 9,52..
Mamintina ny finoana katôlika ny Kônsily tao Trente amin’ny fanambaràna hoe : “Satria i Kristy, Mpanavotra antsika, nilaza fa izay natolony tamin’ny endriky ny mofo dia Vatany marina tokoa, ka tanana lalandava ao amin’ny Fiangonana izany fiekena izany, izay ambaran’ny Kônsily masina indray fa : amin’ny alalan’ny fanamasinana ny mofo sy ny divay no tanteraka ny fiovàn’ny fisia-maha-izy manontolo ny mofo ho amin’ny fisia-maha-izy ny Vatan’i Kristy Tompontsika, ary ny fisia-maha-izy manontolo ny divay ho amin’ny fisia-maha-izy ny Rany ; io fiovàna io no antsoin’ny Fiangonana katôlika ara-drariny sy tena marina hoe : fiovàm-pisia-maha-izy” DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny Eokaristia dia manomboka amin’ny fotoanan’ny fankamasinana, ary maharitra ela izany raha mbola maharitra koa ny fisia-maha-izy ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia. I Kristy dia amin’ny fisia-maha-izy manontolo ny tsirairay amin’ny mofo sy ny divay, sy amin’ny fisia-maha-izy manontolo ny tsirairay amin’ny sombiny avy, hany ka tsy manasaraka an’i Kristy ny famakiana ny mofo jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny fanajana am-bavaka ny Eokaristia. Ao amin’ny litorzian’ny lamesa no anehoantsika ny finoantsika ny fisiana maha-eo marina tokoa an’i Kristy amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, ohatra amin’izany, amin’ny fandohalihana, na amin’ny fiondrehana ambany dia ambany ho famantarana ny fitsaohana ny Tompo. “Naverin’ny Fiangonana katôlika ary tohizany averina io fomba fitsaohana izay tsy maintsy ataony amin’ny sakramentan’ ny Eokaristia io, tsy mandritra ny lamesa ihany fa koa ivelan’ny fankalazana azy : amin’ny fitahirizana amim-pitandremana fatratra ny hôstia voahasina, amin’ny fampisehoana azy amin’ny mpino mba hanajan’ izy ireo azy amin’ny fomba manetriketrika, amin’ny fitondrana azy amin’ny vavaka eny am-pandehanana” MF — Mysterium fidei..
Ny fitahirizana masina (tabernakla) dia voalohany indrindra natao hitahirizana amim-panajana ny Eokaristia mba hahafahana mitondra azy ivelan’ny lamesa ho an’ireo marary sy ireo tsy tonga. Noho ny fandalinana ny finoana ny amin’ny fisiana maha-eo marina tokoa an’i Kristy amin’ny Eokaristiany, no nahalalan’ny Fiangonana ny hevitry ny fitsaohana mangina ny Tompo ao amin’ny endrika Eokaristika. Izany no tokony hametrahana ny tabernakla eo amin’ny toerana manokana mendrika ao am-piangonana ; tokony haorina izy mba hitarika ny saina sy hampiseho ny fahamarinan’ny fisiana maha-eo marina tokoa an’i Kristy amin’ny sakramenta masina.
Mendrika mihitsy ny nanirian’i Kristy hitoetra ao amin’ny Fiangonany amin’ity fomba tokana aman-tany ity. Noho i Kristy nandao ireo mpianany amin’ny endrika hita maso, dia sitrany ny nanome antsika ny fisiana maha-eo Azy ara-tsakramenta ; noho Izy nanolo-tena teo amin’ny Hazofijaliana mba hamonjy antsika, dia sitrany ny hananantsika ny tsangambato fahatsiarovana ny fitiavana izay nitiavany antsika “hatramin’ny farany” (Jo 13,1), hatramin’ny fahafoizany ny ainy. Noho izany, amin’ny fisiana maha-eo Azy amin’ny Eokaristia, dia mitoetra amin’ny fomba mistery eo anivontsika Izy, tahaka ilay izay nitia antsika sy nanolo-tena ho antsika jer. Gal 2,20., ary mitoetra amin’izany ao amin’ireo famantarana, izay mampiseho sy mampita izany fitiavana izany Izy :
Ny Fiangonana sy izao tontolo izao dia mila tokoa ny fanajana am-bavaka ny Eokaristia. Miandry antsika ao amin’izany sakramentan’ny fitiavana izany i Jesoa. Aza lavintsika ny fotoana mba handehanana hihaona Aminy amin’ny fitsaohana, amin’ny fibanjinana feno finoana sy mivelatra hanonitra ny fahotana lehibe sy ny fandikan-dalànan’izao tontolo izao. Enga anie ka tsy hitsahatra na oviana na oviana ny fitsaohantsika Azy Joany Paoly II, 1. "Dominicae cenae" 3..
“Ny fisian’ny Vatana marin’i Kristy sy ny Ra marin’i Kristy amin’ity sakramenta ity, dia "tsy amin’ny fandrenesana velively no ahafatarana izany, hoy i Md Thomas, fa amin’ny alalan’ny finoana irery, izay miankina amin’ny fahefan’Andriamanitra". Noho izany, amin’ny fanazavana ny lahatsoratr’i Md Lioka 22,19 hoe : "Ity no vatako izay hatolotra ho anareo", dia manambara i Md Cyrille hoe : "Aza manontany tena raha marina izany, fa aleo mandray amim-pinoana ireo tenin’ny Tompo ireo, satria Izy, ilay Fahamarinana, tsy mba mandainga" Paoly VI, MF — Mysterium fidei; jer. Thomas d’A., s. th. 3,75,1; Md Cyrille d’Alexandrie, Luc 22,19.” :
Mitsaoka Anao fatratra aho, ry Andriamanitra miafina, misy eo marina tokoa amin’ireo endri-javatra ireo ; Aminao no itokian’ny foko manontolo satria amin’ny fibanjinana Anao, reraka manontolo izy. Ny fahitana, ny fandrenesan-tsiro, ny fahatsapana, tsy mahatratra Anao : amin’izay teny heno ihany no tsy maintsy hitokiana ; mino izay rehetra nolazain’ny Zanak’Andriamanitra aho ; tsy misy marina tokoa na iray aza noho io tenin’ny Fahamarinana io.
VI.Ny fanasam-be momba ny Paka
Ny lamesa dia sady tsangambato fahatsiarovana ny sorona izay ao amin’izany no hitohizan’ny sorona teo amin’ny Hazofijaliana, sy ny fanasam-be masin’ny fiombonana amin’ny Vatana sy amin’ny Ran’ny Tompo ; tsy azo sarahina ireo. Kanefa ny fankalazana amin’ny sorona Eokaristika dia mitodika manontolo any amin’ny firaisana lalin’ny mpino amin’i Kristy amin’ny alalan’ny kômonio. Ny mandray kômonio dia ny mandray ny Tenan’i Kristy mihitsy izay nanolo-tena ho antsika.
Ny ôtely, izay manodidina izany ny Fiangonana no miara-miangona amin’ny fankalazana ny Eokaristia, dia maneho ireo endrika roa an’ny mistery iray ihany : ny ôtelin-tsorona sy ny latabatry ny Tompo, sady izao indrindra, ny ôtely kristianina dia fanehoana an’ohatra ny Tenan’i Kristy mihitsy, eo anivon’ny fiaraha-miangona ataon’ny mpino Azy, ka sady tena sorona atolotra ho an’ny fampihavanana antsika no tena sakafo any an-danitra izay manolo-tena ho antsika. “Koa inona izany fa tsy sarin’ny Vatan’i Kristy ny ôtelin’i Kristy ?”, hoy i Md Ambroise Md Augustin in Sacr. 5,7., ary ankoatra izany : “Mampiseho an-tsary ny Vatan’ [i Kristy] ny ôtely, ary ny Vatan’i Kristy no eo ambony ôtely” Md Augustin in Sacr. 4,7.. Mampiseho io firaisan’ny sorona sy ny kômonio io ao amin’ny vavaka maro be ny litorzia. Ny Fiangonan’i Rôma dia mivavaka toy izao ao amin’ny vavaka fisaorany :
Mitalaho an-tanan-droa Aminao izahay, ry Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra : [ity fanatitra ity] anie hoentin’ny anjelinao eo anatrehan’ny voninahitrao, eo amin’ny ôtelinao any an-danitra, ka amin’ny fandraisana eto, amin’ny alalan’ny kômonio eo amin’ny ôtely, ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, dia hoheniky ny fahasoavanao sy ny tsodranonao izahay Prex eucharistica I seu Canon Romanus, 96..
“Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny kômonio
Miangavy antsika amin’ny fanasana maika ny Tompo mba handray Azy amin’ny sakramentan’ny Eokaristia: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy hanana ny fiainana ao aminareo” (Jo 6,54).
Mba hamaliana io fanasana io, dia tsy maintsy miomana isika amin’izany fotoan-dehibe tokoa sy masina indrindra izany. Mamporisika antsika handinin-tena i Md Paoly : “Na zovy na zovy mihinana ity mofo ity na misotro ity kalisin’ny Tompo ity tsy amim-pahamendrehana, dia meloka amin’ny Vatana sy ny Ran’ny Tompo. Aoka àry handinin-tena ny olona, izay vao hihinana ity mofo ity sy hisotro ity kalisy ity ; fa izay mihinana sy misotro tsy amim-pamantarana ny Vatan’ny Tompo, dia mihinana sy misotro fanamelohana ny tenany” (1 Kôr 11,27-29). Koa izay mahatsiaro tena fa manam-pahotana lehibe, dia tsy maintsy mandray ny sakramentan’ ny Fampihavanana alohan’ny hirosoana amin’ny kômonio.
Eo anatrehan’ny fiambonian’ity sakramenta ity, ny mpino dia tsy afa-manao na inona na inona afa-tsy ny mamerina amim-panetren-tena sy miaraka amin’ny finoana mirehidrehitra ny tenin’ilay Tomponjato jer. Mt 8,8. hoe : “Domine, non sum dignus, ut intres sub tectum meum, sed tantum dic verbum, et sanabitur anima mea” (“Tompo ô, tsy mendrika hidiranao Anao ato amiko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny fanahiko” Ritus communionis, 133.). Ary ao amin’ny litorzia Masin’i Md Jean Chrysostome, mivavaka ao anatin’ny fiombonam-panahy ny mpino hoe :
Ry Zanak’Andriamanitra ô ! ataovy miombona anjara amin’ny sakafonao mistika aho anio ! Satria tsy hanambara ny Tsiambaratelo amin’ny fahavalonao aho, na hanome Anao ny orok’i Jodasy. Fa tahaka ilay jiolahy, dia miteny Aminao aho hoe : Tompoko, tsarovy aho, any amin’ny fanjakanao Liturgia byzantina Anaphora Iohannis chrysostomi..
Mba hiomanana amin’ny fomba mendrika handray ity sakramenta ity, ny mpino dia hitandrina ny fifadian-kanina voadidy ao amin’ny Fiangonan’izy ireo jer. CIC, can. 916-917.. Ny fihetsika aseho (fihetsiky ny tena, fitafiana) no haneho ny fanajana, ny fanetriketrehana, ny hafaliana amin’io fotoana izay i Kristy no tonga mpampiantrano antsika io.
Mifanaraka amin’ny hevitra raketin’ny Eokaristia rahateo, ireo mpino, raha manana ny toe-panahy ilaina, mandray kômonio rahefa mandray anjara amin’ny lamesa izy ireo "Ao anatin’ny iray andro, afaka mandray indroa ny Kômonio Masina indrindra ny mpino, ary indroa ihany" (Pontificia Commissio Codicis Iuris Canonici Anthentiae interpretando. Responsa ed proposite dubio 1). : “Hafarana mafy ny mpino mba handray anjara amin’ny Lamesa amin’ny fomba lavorary kokoa, amin’ny fandraisana koa ny Vatan’ny Tompo amin’io sorona io ihany, aorian’ny kômonion’ny Pretra” L 55..
Didian’ny Fiangonana ny mpino handray anjara amin’ny litorzia masina, ny alahady sy ny andro fety jer. FTK 15. ary handray ny Eokaristia fara fahakeliny indray maka isan-taona, ary raha azo atao, amin’ny fotoanan’ny Paka jer. CIC, can. 920., rahefa voaomana tamin’ny fandraisana ny sakramentan’ny Fampihavanana. Kanefa amporisihan’ny Fiangonana mafy ny mpino mba handray ny Eokaristia masina ny alahady sy ny andro fety, na mbola matetika kokoa, na isan’andro aza.
Noho ny fisiana maha-eo ara-tsakramenta an’i Kristy, amin’ny iray amin’ireo endrika, ny fandraisana kômonio amin’ny endriky ny mofo ihany dia ahafahana mandray ny vokatra manontolo ny fahasoavan’ny Eokaristia. Noho ny antony ara-pastôraly, ity fomba fandraisana kômonio ity, dia efa noraiketina ho ara-dalàna, ho ny fomba mahazatra ao amin’ny fombam-pivavahana latinina. “Ny kômonio masina dia manatanteraka amin’ny fomba feno fatra ny endrika maha-famantarana azy, rahefa raisina amin’ny endriny roa izy. Satria amin’io endrika io, ny famantarana ny fanasam-be amin’ny Eokaristia dia mihamazava manontolo kokoa” IGMR 240.. Izany no fomba mahazatra handraisana ny kômonio any amin’ny fombam-pivavahana tatsinanana.
Ny vokatry ny kômonio
Mampitombo mafy ny firaisantsika amin’i Kristy ny kômonio. Ny mandray ny Eokaristia amin’ny kômonio, no mampamokatra be ny firaisana lalina amin’i Kristy Jesoa. Satria hoy ny Tompo : “Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ato Anatiko ary Izaho ao anatiny” (Jo 6,57). Ao amin’ny fanasam-be Eokaristika no ahitana ny fototra iorenan’ ny fiainana ao amin’i Kristy : “Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray ; toy izany koa no hahavelona Amiko izay mihinana Ahy” (Jo 6,58).
Rahefa mandray ny Vatan’ny Zanaka amin’ny fetin’ny Tompo ny mpino, dia mifampilaza ny Vaovao Mahafaly izy ireo, izay ny antoky ny fiainana no nomena, tahaka ny rahefa nilaza tamin’i Maria Madelenina ny anjely hoe : “Nitsangan-ko velona i Kristy !” Indro fa ankehitriny koa ny fiainana sy ny fitsanganan-ko velona no omena an’ilay izay mandray an’i Kristy Fanqîth, Office syriaque d’Antioche, volume 1. Commun, 237a-b..
Tahaka ny hamokaran’ny ventin-tsakafo eo amin’ny fiainantsika ara-batana, no hanatanterahan’ny kômonio izany amin’ny fomba mahagaga ao amin’ny fiainantsika ara-panahy. Ny fiombonana amin’ny Nofon’i Kristy nitsangan-ko velona, “velomin’ny Fanahy Masina sy mamelon’aina” RFP 5. no mitahiry tsy ho simba, mampitombo hery ary manavao ny aim-pahasoavana noraisina tamin’ny Batemy. Izany fitombon’ny fiainana kristianina izany dia mila hovelomina amin’ny alalan’ny kômonion’ny Eokaristia, mofon’ny fivahiniantsika, mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny fahafatesana, izay homena antsika ho vatsy masina eny an-dalana.
Ny kômonio manasaraka antsika amin’ny fahotana. Ny Vatan’i Kristy izay raisintsika amin’ny kômonio dia “natolotra ho antsika”, ary ny Ra izay sotrointsika dia “nalatsaka ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana”. Noho izany, ny Eokaristia tsy afaka hampiray antsika ao amin’i Kristy raha tsy sady manadio antsika amin’ny fahotana natao no miaro antsika amin’ny fahotana ho avy :
“Isaky ny mandray Azy isika, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo” jer. 1 Kôr 11,26.. Raha manambara ny fahafatesan’ny Tompo isika, dia manambara ny famelana ny fahotana. Raha, isaky ny latsaka ny Rany, latsaka izy ho famelana ny fahotana, tokony handray azy lalandava aho, mba hamelany lalandava ny fahotako. Izaho izay manota lalandava, dia tokony hanana fanafody lalandava Md Ambroise, sacr. 4,28..
Tahaka ny sakafom-batana ilaina mba hamerina ny fahaverezan-kery, dia toy izany koa, ny Eokaristia no manamafy ny fifankatiavana izay mitady hihaosa, eo amin’ny fiainana andavanandro ; ary izany fifankatiavana mamelon’aina izany no mamafa ny fahotana madinika jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Tamin’ny nanomezany ny Tenany ho antsika i Kristy no mamelombelona ny fitiavantsika sy mahatonga antsika ho afaka mandrava ny firaiketam-po tsy mandeha amin’ny laoniny amin’ny zavaboary ary hampiorim-paka antsika ao Aminy :
Satria maty ho antsika noho ny fitiavana i Kristy, rahefa mahatsiaro ny fahafatesany isika amin’ny fotoanan’ny sorona dia mangataka mba homena antsika amin’ny alalan’ny fahatongavan’ny Fanahy Masina ny fitiavana ; mangataka amin’ny alalan’ny fivavahana isika mba hananantsika ilay fitiavana izay nahatonga an’i Kristy nanaiky hofantsihana ho antsika. Isika koa, noho ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, dia afaka mihevitra fa ny tenantsika mihitsy no voafantsika ho an’izao tontolo izao, ary ny an’izao tontolo izao ho toy ny voafantsika ho antsika. (…) Noho isika nandray ny fanomezam-pitiavana, aoka isika ho faty ny amin’ny fahotana ary ho velona ho an’Andriamanitra Md Fulgence de Ruspe, Fab. 28,17..
Amin’izany fifankatiavana izany ihany izay ampirehetiny ao amintsika no iarovan’ny Eokaristia antsika amin’ny fahotana mahafaty ho avy. Arakaraka ny andraisantsika anjara amin’ny fiainan’i Kristy sy arakaraka ny androsoantsika amin’ny fisakaizana Aminy, no mahasarotra ho antsika ny misaraka Aminy amin’ny fanaovana fahotana mahafaty. Tsy natokana ho famelana ny fahotana mahafaty tsy akory ny Eokaristia. Natokana ho an’ny sakramentan’ny Fampihavanana izany. Ny toetra manokana an’ny Eokaristia dia ny maha-sakramentan’ireo izay ao anatin’ny fiombonana tanteraka amin’ny Fiangonana.
Ny maha-iray ny Vatana mistika : maha-Fiangonana ny Eokaristia. Ireo izay mandray ny Eokaristia dia miray bebe kokoa amin’i Kristy. Amin’ izany koa, i Kristy no mampiray azy ireo amin’ny mpino rehetra ho vatana iray ihany : ny Fiangonana. Ny kômonio no manavao, manamafy, mandalina izany fampikambanana amin’ny Fiangonana izany izay efa tanteraka tamin’ny Batemy. Tamin’ny Batemy isika no voantso hiforona ho vatana iray ihany jer. 1 Kôr 12,13.. Ny Eokaristia no manatanteraka io antso io : “Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va ? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny Vatan’i Kristy va ? Satria tsy misy afa-tsy iray ihany ny mofo, ka dia vatana iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra” (1 Kôr 10,16-17) :
Raha ianareo no Vatan’i Kristy sy rantsambatany, dia ny sakramentanareo izany no ilay apetraka eo ambonin’ny latabatry ny Tompo, ny sakramentanareo no raisinareo. “Amen” (“Eny, marina izany !”) no avalinareo an’izay raisinareo, ary izany no ekenareo amin’ny fanomezana valin-teny. Maheno ity teny ity ianao hoe : “Ny Vatan’i Kristy” ary mamaly ianao hoe : “Amen.” Aoka àry ho rantsambatan’i Kristy ianao mba ho marina ny Amen avalinao Md Augustin, serm. 272..
Miteraka adidy aman’andraikitra manoloana ny mahantra ny Eokaristia. Mba handraisana amim-pahamarinana ny Vatana aman-dRan’i Kristy natolotra ho antsika, tsy maintsy mamantatra an’i Kristy eo amin’ireny mahantra indrindra rahalahiny ireny isika jer. Mt 25,40. :
Nankafy ny Ran’ny Tompo ianao fa tsy mahafantatra akory na dia ny rahalahinao aza. Manala baraka io latabatra io mihitsy ianao, amin’ny fiheveranao fa tsy mendrika hiombona sakafo aminao ilay izay heverina ho mendrika handray anjara amin’io latabatra io. Nanafaka anao tamin’ny fahotanao rehetra Andriamanitra sy nanasa anao hankao. Nefa izato ianao kosa, tsy mba niezaka akory ho antra olona Md Jean Chrysostome, hom. In 1 Cor 27,5..
Ny Eokaristia sy ny firaisan’ny kristianina. Manoloana ny halehiben’izany mistery izany, loa-bava i Md Augustin hoe : “Ry sakramentan’ny fitiavam-bavaka ô ! Ry famantarana ny firaisana ô ! ry fehin’ny fitiava-namana ô !” Md Augustin in Ev. Jo 26,13; jer. L 47. Mampandre mangirifiry indrindra ny fisaraham-bazana misy eo amin’ny Fiangonana izay mandrava ny fandraisana anjara iombonana amin’ny latabatry ny Tompo, ka maika dia maika indrindra koa ny vavaka amin’ny Tompo mba hiverenan’ny androm-piraisana tanteraka iraisan’ireo rehetra izay mino Azy.
Ny Fiangonana tatsinanana izay tsy dia miombona tanteraka amin’ny Fiangonana katôlika dia mankalaza ny Eokaristia amim-pitiavana lehibe tokoa. “Ireny Fiangonana ireny, na dia tafasaraka aza, dia manana sakramenta marina tokoa, - indrindra indrindra, noho ny fifandimbiasana maha-apôstôly : ny maha-Mpisorona sy ny Eokaristia, - izay mampiray lalina azy ireo amintsika” EK 15.. Izay iombonana marina amin’ny zava-masina (in sacris), ao amin’ny Eokaristia izany, dia “tsy hoe azo tanterahina fotsiny, fa amporisihana mihitsy, amin’ny toe-javatra manamora izany, miaraka amin’ny fankatoavan’ny manam-pahefan’ ny Fiangonana” EK 15; jer. CIC, can. 844, § 3..
Ny vondrom-piangonana nipoitra avy amin’ny Fanavaozana, tafasaraka tamin’ny Fiangonana katôlika, “indrindra noho ny tsy fisian’ny sakramentan’ny Filaharana, dia tsy mitahiry ny fisia-maha-izy manokana sy manontolo ny mistery Eokaristika” EK 22.. Noho izany antony izany, ho an’ny Fiangonana katôlika, tsy mety ny fiombonana kômonio amin’ny Eokaristia miaraka amin’ireny vondrom-piangonana ireny. Kanefa, ireny vondrom-piangonana ireny, “rahefa manao fahatsiarovana ao amin’ny Sakafo masin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’ny Tompo ho velona, dia manambara ampahibemaso fa mifototra amin’ny fiombonana amin’i Kristy ny fiainana ary miandry ny fiverenany amim-boninahitra” EK 22..
Raha misy anton-javatra lehibe manery dia manery, araka ny fahaiza-mandanjalanjan’ny manam-pahefana andavanandro eo an-toerana, ny mpandraharaha masina katôlika dia mahazo manome ny sakramenta (Eokaristia, Fivalozana, Fanosorana ny marary) ho an’ny kristianina hafa izay tsy miombona tanteraka amin’ny Fiangonana katôlika, nefa mangataka izany araka ny nahim-pony izy ireo : raha izany, tsy maintsy maneho ny finoana katôlika mikasika ireo sakramenta ireo izy ireo ary tsy maintsy mahatsiaro tena hanatanteraka ny fepetra ilaina jer. CIC, can. 844, § 4..
VII.Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy”
Ao amin’ny vavaka tranainy iray, manambara an-kafaliana ny misterin’ny Eokaristia ny Fiangonana hoe : “Ry fanasam-be masina ô, ianao no misy an’i Kristy sakafonay, ianao no mamelombelona ny fahatsiarovana ny fijaliany, ianao no mameno ny fahasoavana ny fanahinay, ianao no manome anay ny antoky ny fiainan-ko avy” In solemnitite SS. mi corporis et sanguinis christi.. Raha tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’ny Tompo ny Eokaristia, raha noho ny fiombonantsika eo amin’ny ôtely no mahahenika antsika ny “tsodrano rehetra any an-danitra sy ny fahasoavana” MR, Canon Romain 96: "Supplices te rogamus"., dia fisantarana koa ny voninahitry ny lanitra ny Eokaristia.
Tamin’ny Sakafo farany, ny Tenan’Izy Tompo mihitsy no nampitodika ny fijerin’ny mpianany ho amin’ny fahatanterahan’ny Paka any amin’ny fanjakan’Andriamanitra : “Lazaiko aminareo, tsy hisotro intsony avy amin’ity vokatry ny voaloboka ity Aho mandra-pahatongan’ny andro izay hisotroako miaraka aminareo ny divay vaovao any amin’ny Fanjakan’ny Raiko” (Mt 26,29) jer. Lk 22,18; Mk 14,25.. Isaky ny mankalaza ny Eokaristia ny Fiangonana, dia mahatsiaro izany fampanantenana izany ary mampitodika ny fijeriny any amin’Ilay “izay ho avy” (Apôk 1,4). Amin’ny fivavahany, miantso ny fahatongavany izy : “Marana tha” (1 Kôr 16,22), “Tongava, ry Jesoa Tompo” (Apôk 22,10), “Ho tonga anie ny fahasoavanao ary handalo anie izao tontolo izao!” Didaché 10,6.
Mahafantatra ny Fiangonana, hatramin’izao, fa tonga amin’ny Eokaristiany ny Tompo, ary ao Izy sy eo anivontsika. Kanefa, takona io fisiana maha-eo io. Izany no ankalazantsika ny Eokaristia eo “am-piandrasana ny hasambarana nampanantenaina sy ny fiavian’i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika” Tohim-bavaka aorian’ny Rainay; jer. Tito 2,13., sy eo am-pangatahana “mba ho heniky ny voninahitrao, any amin’ny Fanjakanao, miaraka avokoa sy ho mandrakizay, rahefa hofaohanao avokoa ny ranomaso rehetra amin’ny tavanay ; eo am-pahitana Anao, Ianao Andriamanitray, araka ny maha-Ianao Anao, dia hitovy endrika Aminao mandrakizay izahay, ary tsy hitsahatra izahay hihira ny fiderana Anao, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay” MR, vavaka fisaorana III, 116: vavaka ho an’ny nodimandry..
Avy amin’izany fanantenana lehibe izany, fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao izay hanjakan’ny fahamarinana jer. 2 Pi 3,13., dia tsy manana antoka tena marina sy famantarana tena miharihary, afa-tsy ny Eokaristia isika. Noho izany, isaky ny ankalazaina io mistery io, dia “mamokatra ny tsanganasam-panavotana antsika” FF 3., ary isika “no mamaky ny mofo iray ihany izay fanafodin’ny tsy fahafatesana, fanefitra mba tsy ho faty, fa mba ho velona ao amin’i Jesoa-Kristy mandrakizay” Md Ignace d’Antioche, Eph. 20,2..
Hoy i Jesoa : “Izaho no mofo velona, nidina avy any an-danitra. Izay hihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay (…). Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay (…) mitoetra ao Anatiko izy, ary Izaho ao anatiny” (Jo 6,51.52.55.57).
Ny Eokaristia no foibe sy tampon’ny fiainan’ny Fiangonana, satria ao aminy i Kristy no mamondrona ny Fiangonany sy ny rantsambatany rehetra amin’ny sorom-piderany sy fisaorana natolony indray mandeha monja teo amin’ny Hazofijaliana tamin’ny Rainy ; amin’ny alalan’io sorona io no androtsahany ny fahasoavam-pamonjena eo amin’ny Vatany, dia ny Fiangonana izany.
Ny fankalazana ny Eokaristia dia mirakitra lalandava : ny fanambaràna ny Tenin’Andriamanitra, ny fisaorana an’Andriamanitra Ray noho ny soa maro be nataony, indrindra noho ny fanomezany ny Zanany, ny fanamasinana ny mofo sy ny divay ary ny fandraisana anjara amin’ny fanasam-be ara-litorzia amin’ny fandraisana ny Vatana aman-dRan’ny Tompo. Ireo singafototra ireo no manorina asam-pivavahana tokana sy mitovy ihany.
Tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy ny Eokaristia : izany hoe ny tsanganasam-pamonjena notontosaina tamin’ny fiainan’i Kristy, ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona, tsanganasam-pamonjena manjary eo amin’ny asa litorzika.
Ny Tenan’i Kristy mihitsy, Mpisorombe mandrakizay amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay miasa amin’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, no manolotra ny sorona eokaristika. Ary mbola io Kristy io ihany izay tena misy eo marina tokoa amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, no fanatitry ny sorona eokaristika.
Ny Pretra nohamasinina ara-dalàna no hany mahazo mitarika ny fankalazana ny Eokaristia sy manamasina ny mofo sy ny divay mba hanjary Vatana sy Ran’ny Tompo ireo.
Ny famantarana tena ilaina amin’ny sakramentan’ny Eokaristia, dia ny mofo vita amin’ny varimbazaha sy ny divay avy amin’ny voaloboka, izay amin’ireo no iantsoana ny tsodranon’ny Fanahy Masina ary tononin’ny Pretra ny teny fankamasinana nolazain’i Jesoa nandritra ny sakafo farany : “Ity no Vatako hatolotra ho anareo … Ity no kalisy misy ny Rako …”
Amin’ny fankamasinana no tanteraka ny fiovam-pisia-maha-izy ny mofo sy ny divay ho Vatana aman-dRan’i Kristy. Izy Kristy mihitsy, velona sy be voninahitra, tsy hita mivantana amin’ny endriky ny mofo sy ny divay voahasina, no misy eo amin’ny fomba marina tokoa, tena izy tokoa ary ara-pisia-maha-izy tokoa ny Vatany sy ny Rany, miaraka amin’ny fanahiny sy ny maha-Andriamanitra Azy jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1651..
Amin’ny maha-sorona ny Eokaristia, dia atolotra koa izy ho fanonerana ny fahotan’ny velona sy ny nodimandry, ary mba hahazoana avy amin’Andriamanitra ny soa ara-panahy na ara-nofo.
Izay te handray an’i Kristy amin’ny kômonion’ny Eokaristia, dia tsy maintsy ao anatin’ny toe-panahy voavela heloka. Izay olona mahatsiaro tena fa manana fahotana mahafaty, dia tsy mahazo miroso amin’ny Eokaristia izy raha tsy efa nahazo mialoha ny famotsoran-keloka tamin’ny sakramentan’ny Fivalozana.
Ny fiombonana masina amin’ny Vatana aman-dRan’i Kristy dia mampitombo ny firaisan’ny mpandray amin’ny Tompo, manafaka azy amin’ny fahotana madinika sy miaro azy amin’ny fahotana lehibe. Noho ny fatoram-pifankatiavana mihamafy hery eo amin’ny mpandray sy i Kristy, ny fandraisana an’ity sakramenta ity dia manamafy ny firaisan’ny Fiangonana, Vatana-mistikan’i Kristy.
Ampirisihan’ny Fiangonana fatratra ny mpino mba handray ny kômonio masina rahefa mandray anjara amin’ny fankalazana ny Eokaristia izy ireo ; didiany izy ireo hanao izany fara fahakeliny indray maka isan-taona.
Satria ny Tenan’i Kristy mihitsy no misy eo amin’ny sakramentan’ny ôtely, tsy maintsy hajaina amin’ny fombam-pivavahana fitsaohana Izy. “Ny famangiana ny Sakramenta Masina Indrindra no porofom-pankasitrahana, famantaram-pitiavana ary adidim-pitsaohana amin’i Kristy Tompontsika” MF — Mysterium fidei..
I Kristy, tamin’ny fialany teto amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, no nanome antsika ao amin’ny Eokaristia ny antoky ny voninahitra eo Akaikiny : ny fandraisana anjara amin’ny Sorona Masina no mampitovy antsika amin’ny Fony, manohana ny herintsika mandritra ny fivahiniana eto amin’ity fiainana ity, mahatonga antsika haniry ny Fiainana mandrakizay ary efa mampiray antsika amin’ny Fiangonan’ny Lanitra, amin’i Masina Maria Virjiny ary amin’ny Olomasina rehetra.
Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny firosoana ho kristianina ny olona no mandray ny fiainam-baovaon’i Kristy. Nefa, entintsika “ao amin’ny siny tanimanga” (2 Kôr 4,7) io fiainana io. Ankehitriny, mbola “tsy hita maso miaraka amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra” (Kôl 3,3) izany. Isika dia mbola eto amin’ny fonenantsika eto an-tany ianjadian’ny fahoriana, ny aretina ary ny fahafatesana jer. 2 Kôr 5,1.. Io fiainam-baovaon’ny zanak’Andriamanitra io dia mety hihaosa ary ho very mihitsy aza noho ny fahotana.
Sitrak’i Jesoa-Kristy Tompo, mpitsabo ny fanahintsika sy ny vatantsika, Izy izay namela ny fahotan’ilay malemy sy namerina taminy ny fahasalamam-batana jer. Mk 2,1-12., ny hanohizan’ny Fiangonany, amin’ny herin’ny Fanahy Masina, ny tsanganasa fanasitranany sy famonjeny, na dia amin’ ireo rantsambatan’ny tenany aza. Izany no zava-kendren’ireo sakramenta roa fanasitranana, dia ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny Fanosorana ny marary.
4.Ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny Fampihavanana
“Ireo izay manatona ny sakramentan’ny Fivalozana dia mahazo ny famindram-pon’Andriamanitra ao amin’izany, ny famelana ny fahotana izay nataon’izy ireo Taminy, ka avy hatrany dia tafahavana amin’ny Fiangonana izay noratrain’ny fahotan’izy ireo, sy manampy ho amin’ny fibebahan’izy ireo amin’ny alalan’ny fitiavana, ny oha-piainana, ny vavaka” FF 11..
I.Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ?
Antsoina hoe sakramentan’ny fibebahana izy, satria manatanteraka ara-tsakramenta ny antson’i Jesoa ho amin’ny fibebahana jer. Mk 1,15. sy ny finiavana hiverina amin’ny Ray jer. Lk 15,18.izay nohalavirina tamin’ny fahotana. Antsoina hoe sakramentan’ny Fivalozana izy, satria manamasina ny finiavan’ny kristianina mpanota, an’ny tsirairay sy miaraka amin’ny Fiangonana, hibebaka, hanenina ary hanonitra ny fahotany.
Antsoina hoe sakramentan’ny fibabohana izy, satria ny fiekena sy ny fibabohana ny fahotana eo anatrehan’ny Pretra no singafototra tsy azo avela amin’ity sakramenta ity. Amin’ny heviny lalina, dia “kônfesy” koa ity sakramenta ity, fiekena sy fiderana ny fahamasinan’Andriamanitra sy ny famindram-pony amin’ny olombelona mpanota. Antsoina hoe sakramentan’ny famelan-keloka izy, satria amin’ny alalan’ny famotsoran-keloka ara-tsakramenta ataon’ny Pretra, no anomezan’ Andriamanitra “ny famelan-keloka sy ny fiadanana” ho an’ny mpivalo OP, rijan-teny famotsoran-keloka.. Antsoina hoe sakramentan’ny Fampihavanana izy, satria izy no manome ho an’ny mpanota ny fitiavan’Andriamanitra izay mampihavana : “Mihavàna re ianareo amin’Andriamanitra” (2 Kôr 5,20). Ilay izay mivelona ny fitiavana be indrafon’Andriamanitra no vonona hamaly ny antson’ny Tompo hoe : “Mandehàna aloha ianao, mihavana amin’ny rahalahinao” (Mt 5,24).
II.Nahoana no misy sakramentan’ny Fampihavanana aorian’ny Batemy ?
“Nosasàna sy nohamasinina ary nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo sy tamin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitsika” (1 Kôr 6,11). Tsy maintsy fantatra mazava ny halehiben’ny fanomezan’ Andriamanitra izay natao ho antsika ao amin’ny sakramentan’ny firosoana ho kristianina mba hahazoana hoe amin’ny lafiny inona ny fahotana no zavatra voaesotra ho an’izay “nitafy an’i Kristy” Gal 3,27.. Kanefa milaza koa i Md Joany apôstôly hoe : “Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena isika, ary tsy mitoetra velively ao anatintsika ny marina” (1 Jo 1,8). Ary ny Tenan’ny Tompo mihitsy no nampianatra antsika hivavaka hoe : “Avelao ny fahotanay” (Lk 11,4) amin’ny fanakambanana ny fifamelantsika ny fahotantsika amin’ny famelana izay omen’Andriamanitra amin’ny fahotantsika.
Ny fiverenana amin’i Kristy, ny fahateraham-baovaon’ny Batemy, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny Vatana aman-dRan’i Kristy raisina ho sakafo, no mahatonga antsika “ho masina sy madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehany” (Efez 1,4), tahaka ny Tenan’ny Fiangonana mihitsy, vadin’i Kristy, izay “masina sy madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehany” (Efez 5,27). Kanefa, ny aim-baovao noraisina tamin’ny firosoana ho kristianina dia tsy manafoana ny fahosana sy ny fahalemen’ny toetra maha-olombelona, na ny fironana amin’ny fahotana izay antsoin’ny lovam-panahy hoe fanirian-dratsy (concupiscence), izay tsy miala ao amin’ny vita batemy mba hisedran’izy ireo amin’ny adim-piainana kristianina ampian’ny fahasoavan’i Kristy jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Io ady io dia ny an’ny fibebahana mba ho amin’ny fahamasinana sy ny fiainana mandrakizay izay ho amin’izany no tsy itsaharan’ny Tompo miantso antsika jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; FF 40..
III.Ny fibebahan’ny vita batemy
Miantso ho amin’ny fibebahana i Jesoa. Io antso io dia ampahany tsy azo avela amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra : “Tonga ny fotoana ary akaiky tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Vaovao Mahafaly” (Mk 1,15). Amin’ny fitorian-tenin’ny Fiangonana io antso io dia miantefa aloha amin’ireo izay tsy mbola mahalala an’i Kristy sy ny Evanjeliny. Koa moa tsy ny Batemy ve no fotoan-dehibe amin’ny fibebahana voalohany sy ifotony ? Amin’ny alalan’ny finoana ny Vaovao Mahafaly sy amin’ny alalan’ny Batemy jer. Asa 2,38. no handavana ny ratsy sy hahazoana ny famonjena, izany hoe ny famelana ny fahotana rehetra sy fanomezana ny fiainam-baovao.
Ny antson’i Kristy ho amin’ny fibebahana àry dia mitohy manako eo amin’ny fiainan’ny kristianina. Izany fibebahana fanindroany izany dia lahasa mitohy ho an’ny Fiangonana manontolo izay “misy mpanota ao anatiny” sy izay “sady masina no voantso hidio, ary manohy tsy an-kijanona ny ezaka ataony amin’ny fivalozana sy ny fanavaozana” FF 8.. Tsy tsanganasan’olombelona fotsiny izany ezaka ho amin’ny fibebahana izany. Fihetsiky ny fo manenina marina jer. Sal 51,19. voasintona sy voahetsiky ny fahasoavana jer. Jo 6,44; 12,32. hamaly ny fitiavana be famindram-pon’Andriamanitra izay tia antsika mialoha izany jer. 1 Jo 4,10..
Manaporofo izany ny fibebahan’i Md Piera taorian’ny fandavany intelo miantoana ny Mpampianany. Ny fijery tsy manam-petran’ny famindram-pon’i Jesoa no nahatonga ny ranomasom-panenenana jer. Lk 22,61-62., ary, taorian’ny fitsanganan’ny Tompo ho velona, ny fankatoavana ny fitiavana Azy intelo miantoana jer. Jo 21,15-17.. Manana lafiny iombonana koa ny fibebahana faharoa. Miseho izany ao amin’ny antson’ny Tompo ho an’ny Fiangonana iray manontolo : “Mibebaha ianao !” (Apôk 2,5.16).
I Md Ambroise dia nilaza ny amin’ny fibebahana roa, fa ao amin’ny Fiangonana, “misy rano sy ranomaso : ny ranon’ny Batemy sy ranomason’ny Fivalozana” Md Ambroise in Ep. 41,12..
IV.Ny fivalozana anaty
Toy ny efa teo amin’ny mpaminany, ny antson’i Jesoa ho amin’ny fibebahana sy ho amin’ny fivalozana dia tsy mikendry ny tsanganasa ivelany aloha, “ny lasaka sy ny lavenona”, ny fifadian-kanina sy ny fampijalian-tena, fa ny fiovàn’ny fo, ny fivalozana anaty. Raha tsy misy azy, mijanona ho tsy mamokatra sy mamitaka ny tsanganasa fivalozana ; kanefa, ny fibebahana anaty no manosika amin’ny fanehoana io fihetsika atao io amin’ny famantarana hita maso, amin’ny fihetsiky ny tena ary amin’ny tsanganasa fivalozana jer. Joely 2,12-13; Iz 1,16-17; Mt 6,1-6.16-18..
Ny fivalozana anaty dia fampitodihana indray hatrany ifotony ny fiainana manontolo, fiverenana, fiovàna mankany amin’Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo, fampitsaharana ny fahotana, fankahalana ny ratsy, miaraka amin’ny rikorikon’ny asa ratsy izay nataontsika. Miaraka amin’ny fivalozana anaty koa, ny faniriana sy fanapahan-kevitra hanova fiainana, omban’ny fanantenana ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fitokiana amin’ny fanampian’ny fahasoavany. Io fiovàn’ny fo io dia arahin’ny hirifiry sy alahelom-pamonjena izay antsoin’ireo Aba hoe : animi cruciatus (hirifirim-panahy), compunctio cordis (nenim-po) jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1705; Catech. R. 2,5,4..
Donto sy mihamafy ny fon’ny olombelona. Ilaina ny hanomezan’ Andriamanitra fo vaovao ny olombelona jer. Ezek 36,26-27.. Ny fibebahana aloha dia tsanganasan’ny fahasoavan’Andriamanitra izay mamerina ny fontsika ao Aminy : “Ampivereno Aminao izahay, ry Tompo, mba hiverenanay Aminao tokoa” (Fitom 5,21). Omen’Andriamanitra hery hanombohana indray isika. Amin’ny fahitana ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra, no voahozongozon’ny fihoron-koditra sy ny vesatry ny fahotana ny fontsika, ka hanomboka matahotra ny hanevateva an’Andriamanitra amin’ny fahotana sy ny ho tafasaraka Aminy izy. Mibebaka ny fon’ny olombelona amin’ny fijerena mankany amin’Ilay izay nolefonin’ny fahotantsika jer. Jo 19,37; Zak 12,10. :
Manàna isika maso mifantoka eo amin’ny ran’i Kristy ary fantarontsika hoe : fa toy inona ny hasarobidiny ao amin’ny Ray, satria, tamin’izy nararaka ho famonjena antsika, no nanomezany ny fahasoavam-panenenana ho an’ny olo-miaina rehetra Md Clément de Rome, Cor. 7,4..
Nanomboka tamin’ny Paka, dia ny Fanahy Masina no mampisafotofoto an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana jer. Jo 16,8-9., izany hoe tsy nino an’Ilay izay nirahin’ny Ray izao tontolo izao. Kanefa io Fanahy io ihany, izay mampiseho ny fahotana, no ilay Mpanafaka alahelo jer. Jo 15,26. izay manome ao am-pon’ny olona ny fahasoavana amin’ny fanenenana sy ny fibebahana jer. Asa 2,36-38; jer. Joany Paoly II, FA — Dei Verbum..
V.Ireo fomba maro fivalozana eo amin’ny fiainana kristianina
Misy fanehoana ety ivelany amin’ny fomba maro karazana tokoa ny fivalozana anaty ny kristianina. Fomba telo no tena antitranterin’ny Soratra Masina sy ny Aban’ny Fiangonana amin’izany : ny fifadian-kanina, ny fivavahana, ny fiantrana jer. Tob 12,8; Mt 6,1-18., izay manambara ny fibebahana eo amin’ny fifandraisana amin’ny tena ihany, amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ary amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Manoloana ny fanadiovana hatrany ifotony notanterahin’ny Batemy na ny fanaovana martiry, dia tanisain’izy ireo ho fitaovana hahazoam-pamelana ny fahotana, ny ezaka natao mba hihavanana amin’ny namana, ny ranomasom-pivalozana, ny fiahiam-pamonjena ny namana jer. Jak 5,20., ny fanelanelanan’ny olomasina ary ny fanaovana asa fitiava-namana izay “manarona fahotana maro”(1 Pi 4,8).
Eo amin’ny fiainana andavanandro no hisehoan’ny fanatanterahana ny fibebahana, amin’ny alalan’ny fihetsika mampihavana, amin’ny alalan’ny fiahiana ny mahantra, ny fanaovana sy ny fiarovana ny rariny sy ny hitsiny jer. Am 5,24; Iz 1,17. amin’ny alalan’ny fiekem-pahadisoana amin’ny mpiray tam-po ara-pinoana, ny fanitsiana ny hadisoan’ny mpiray tam-po ara-pinoana, ny jery todika ny fiainana, ny fandinihan-tena, ny fitantanam-panahy, ny fanekena ny fijaliana, ny fiaretana fanenjehana noho ny fahamarinana. Ny mitondra ny Hazofijaliany isan’andro sy ny manaraka an’i Jesoa no lalana azo antoka indrindra amin’ny fivalozana jer. Lk 9,23..
Eokaristia sy fivalozana. Ao amin’ny Eokaristia no ahitan’ny fibebahana sy ny fivalozana isan’andro ny loharanon’izy ireo sy ny sakafon’izy ireo, satria ao aminy no maha-misy eo ny soron’i Kristy izay mampihavana antsika amin’ Andriamanitra ; amin’ny alalany no velomina sy atanjahina ireo izay miaina ny fiainan’i Kristy ; “izy no fanefitra manafaka antsika amin’ny fahadisoantsika isan’andro sy miaro antsika tsy ho azon’ny fahotana mahafaty” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny famakiana ny Soratra Masina, ny fanaovana ny Vavaka isan’Andro sy ny Rainay, ny asa marina rehetra amin’ny fanompoam-pivavahana na ny fitiavam-bavaka, no mamelombelona ao amintsika ny toe-tsaim-pibebahana mbamin’ny fivalozana sy manampy amin’ny famelana ny fahotantsika.
Ny fotoana sy ny andron’ny fivalozana mandritra ny taona litorzika (ny fotoanan’ny karemy, isaky ny zomà ho fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo) no fotoan-dehibe anaovan’ny Fiangonana ny fivalozana jer. L 109-110; CIC, can. 1249-1253; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 880-883.. Ireny fotoana ireny no sahaza indrindra ho an’ny fampiasam-panahy, ny litorzia momba ny fivalozana, ny fivahiniana masina ho mariky ny fivalozana, ny fihafiana an-tsitrapo toy ny fifadian-kanina mbamin’ny asa fiantrana, ny fifampizaràna maha-mpiray tam-po ara-pinoana (asa fitiava-namana sy asa misiônera).
Nolazain’i Jesoa tamin’ny fomba mampitolagaga ao amin’ilay fanoharana antsoina hoe zanaka mpandany izay ny ray be famindram-po no ivo, ny fihetsi-pibebahana sy fivalozana jer. Lk 15,11-24. : ny faharenohana teo anoloan’ny fahafahana manodoka, ny fandaozana ny tranon-dray ; ny fahoriana mafy dia mafy izay nianjady tamin’ilay zanaka rahefa avy nandanilany foana ny fananany izy ; ny fahafaham-baraka lalina teo am-pahitany ny tenany voatery hiandry kisoa, ary ny tena ratsy aza, dia ny fahafaham-baraka raha naniry hivoky ny hodi-boan-javatra nohanin’ny kisoa ; ny fandinihana ny fananana very ; ny nenina sy ny fahatapahan-kevitra hampahafantatra fa meloka teo anatrehan’ny rainy ; ny fiverenan-dalana ; ny fandraisana tamin-kalalaham-po nataon’ilay ray ; ny hafalian’ilay ray : izany rehetra izany no toetra manokana amin’ny fizotran’ny fibebahana. Ny akanjo tsara indrindra, ny peratra ary ny fanasam-be amin’ny fety dia fanehoana an’ohatra an’ilay fiainam-baovao, madio, mendrika, feno hafaliana, dia ny fiainan’ny olona izay miverina amin’Andriamanitra sy eo anivon’ny fianakaviany, dia ny Fiangonana izany. Ny fon’i Kristy irery ihany, izay mahalala ny halalin’ny fitiavan’ny Rainy, no afaka nanambara tamintsika ny famindram-pony tsy taka-polopolorina tamin’ny fomba tena feno fahatsorana sy hatsarana.
VI.Ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny Fampihavanana
Ny fahotana aloha dia fanalam-baraka an’Andriamanitra, fahatapahan’ny fiombonana Aminy, ary koa mitera-pahavoazana eo amin’ny fiombonana amin’ny Fiangonana. Izany no antony mahatonga ny fibebahana hanolotra indray miaraka ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra sy ny fampihavanana amin’ny Fiangonana, izay ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny Fampihavanana no maneho sy manatanteraka izany ara-litorzia jer. FF 11..
Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana
Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana rehetra jer. Mk 2,7.. Satria i Jesoa dia Zanak’Andriamanitra, koa dia Izy ihany no milaza ny amin’ny Tenany : “Ny Zanak’Olona manana fahefana ety an-tany hanafaka ny fahotana” (Mk 2,10) ary mampiasa izany fahefan’Andriamanitra izany Izy : “Voavela ny helokao !” (Mk 2,5) jer. Lk 7,48.. Fa indrindra : noho ny fahefana maha-Andriamanitra Azy, dia omeny ny olona io fahefana io jer. Jo 20,21-23. mba hampiasan’izy ireo izany amin’ny anarany.
Sitrak’i Kristy raha ny Fiangonany manontolo, ao amin’ny fivavahany sy ny fiainany ary ny asa amam-pitondran-tenany, no ho famantarana sy fitaovan’ny famelan-keloka sy fampihavanana izay nampahazoany antsika noho ny rany. Nankininy tamin’ny andraiki-panompoana apôstôlika anefa ny fampiasana ny fahefana amin’ny famotsoran-keloka. Izy io no nampiandraiketina ny “andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana” (2 Kôr 5,18). Nirahina “amin’ny anaran’i Kristy” ny apôstôly, ary ny Tenan’ Izy Andriamanitra mihitsy, amin’ny alalany, no mamporisika sy mitalaho hoe : “Meteza ianareo hihavana amin’ Andriamanitra” (2 Kôr 5,20).
Fampihavanana amin’ny Fiangonana
Nandritra ny fiainany ampahibemaso, tsy namela ny fahotana fotsiny i Jesoa, fa nampiseho koa ny vokatr’io famelana io : nampiditra indray ny mpanota voavela heloka ho ao amin’ny fiombonan’ny Vahoakan’ Andriamanitra Izy, izay ny fahotana no nampanalavitra azy ireo na nandroaka azy ireo tao mihitsy aza. Famantarana mampitolagaga ny nataon’i Jesoa tamin’ny nandraisany ny mpanota ho teo amin’ny latabany, vao mainka koa, ny niarahan’ny Tenany mihitsy nisakafo tamin’izy ireo, fihetsika izay maneho indray miaraka amin’ny fomba mampangitakitaka ny famindram-pon’Andriamanitra jer. Lk 15. sy ny fiverenana eo anivon’ny Vahoakan’ Andriamanitra jer. Lk 19,9..
Tamin’ny nanomezan’ny Tompo ny anjara fahefan’ny Tenany manokana hamela ny fahotana, ho an’ny apôstôly, no nanomezany azy ireo koa ny fahefana hampihavana ny mpanota amin’ny Fiangonana. Izany halehiben’ ny lahasan’izy ireo momba ny Fiangonana izany dia voambara indrindra tamin’ny teny manetriketrika nataon’i Kristy tamin’i Simôna Piera hoe : “Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra ; izay rehetra hofehezinao eto an-tany dia ho voafehy any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao eto an-tany dia ho voavaha any an-danitra” (Mt 16,19). “Izany adidy aman’andraikitra iray ihany hamehy sy hamaha izay nomena an’i Piera izany dia nomena koa ho an’ny fiombonam-piadidian’ireo apôstôly miray amin’ny filohan’izy ireo (Mt 18,18 ; 28,16-20)” FF 22..
Ny teny hoe mamehy sy mamaha dia midika hoe : ilay izay horoahinareo tsy ho ao amin’ny fiombonanareo, dia ho voaroaka tsy ho ao amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra ; ilay izay horaisinareo indray ho ao amin’ny fiombonanareo, dia horaisin’Andriamanitra koa ho ao amin’ny Azy. Tsy azo sarahina amin’ny fampihavanana amin’Andriamanitra ny fampihavanana amin’ny Fiangonana.
Ny sakramentan’ny famelan-keloka
Nanorina ny sakramentan’ny Fivalozana i Kristy ho an’ny rantsambatany rehetra mpanota, rantsambatan’ny Fiangonany, indrindra moa ho an’ireo izay latsaka tao anatin’ny fahotana lehibe sy namery ny fahasoavan’ny Batemy tamin’izany ary nandratra ny fiombonam-piangonana, taorian’ny Batemy. Ho azy ireo no anoloran’ny sakramentan’ny Fivalozana ny fahafahana vaovao hibebaka sy hahazo indray ny fahasoavam-panamarinana. Ny Aban’ny Fiangonana dia mampiseho ity sakramenta ity ho “ody faty faharoa [mahavonjy] taorian’ny faharendrehana, izay tsy inona fa ny fahaverezan’ny fahasoavana” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. Tertullien, paen. 4,2..
Nandritra ny taonjato nifandimby, ny endrika azo tsapain-tanana, araka ny nampiasan’ny Fiangonana io fahefana noraisina avy amin’ny Tompo io, dia niovaova be ihany. Nandritra ny taonjato voalohandohany, ny fampihavanana ny kristianina izay nanao fahotana, indrindra ny fahotana lehibe taorian’ny Batemin’izy ireo (ohatra : ny fanompoan-tsampy, ny famonoan’olona na ny fanitsakitsaham-bady), dia nifamatotra tamin’ny fitsipi-pifehezana henjana dia henjana, izay tamin’izany no tsy maintsy nanaovan’ny mpivalo fivalozana ampahibemaso noho ny fahotan’izy ireo, matetika nandritra ny taona maro, talohan’ny nandraisana ny fampihavanana. Amin’izany “laharan’ny mpivalo” izany (izay tsy nahakasika afa-tsy ny fahotana lehibe sasany), indraindray tadiavina vao voaray, ary tany amin’ny faritra sasany, indray maka teo amin’ny fiainany. Tamin’ny taonjato faha-7, nisintona tsirin-kevitra avy tamin’ ny lovam-panahin’ny mpitoka-monina tany Atsinanana, ireo misiônera tany Irlande, ka nentin’izy ireo tany amin’ny kôntinanta eorôpeanina ny fanao “voatokana” momba ny fivalozana izay tsy mitaky ny tsanganasa fivalozana tanterahina ampahibemaso sy mitohy maharitra, alohan’ny handraisana ny fampihavanana amin’ny Fiangonana. Nanomboka tamin’izay, tanteraka tamin’ny fomba miafina kokoa teo amin’ny mpivalo sy ny Pretra ny sakramenta. Io fanao vaovao io dia nitsinjo ny fahazoa-mamerimberina ary nanokatra tamin’izany ny lalana ho amin’ny fifaneraserana mitohy amin’io sakramenta io. Nahafahana nampiditra manontolo ao anatin’ny fankalazana ara-tsakramenta tokana ihany ny famelana ny fahotana lehibe sy ny fahotana madinika izany. Amin’ny fanarahana ny sori-dalana lehibe no anatanterahan’ny Fiangonana io endri-pivalozana io hatramin’izao androntsika izao.
Tamin’ny alalan’ny fiovaovàna izay nodiavin’ny fitsipika sy ny fankalazana an’ity sakramenta ity nandritra ny taonjato nifandimby, no nanavahana ny rafitra fototra iray ihany tsy miova. Manana singafototra anankiroa samy ilaina izy ; etsy an-daniny, ny asan’ny olona izay mibebaka eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina : izany hoe ny fanenenana, ny fiekena ary ny fanonerana ; etsy an-kilany, ny asan’Andriamanitra amin’ny fanelanelanan’ny Fiangonana. Ny Fiangonana izay amin’ny alalan’ny Eveka sy ny Pretrany no manome amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy ny famelana ny fahotana sy mamaritra ny fombafomban’ny asa fanonerana, dia mivavaka koa ho an’ny mpanota ary mivalo miaraka aminy. Amin’izany ilay mpanota no sitrana sy tafaverina indray ao amin’ny fiombonam-piangonana.
Maneho ny singafototra tsy azo avela amin’ity sakramenta ity, ny rijan-teny famotsoran-keloka fampiasa ao amin’ny Fiangonana latinina : ny Rain’ny famindram-po no loharanon’ny famelana rehetra. Izy no manatanteraka ny fampihavanana ny mpanota amin’ny alalan’ny Pakan’ ny Zanany sy ny fanomezana ny Fanahiny, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana :
Enga anie Andriamanitra Ray be indrafo namitram-pihavanana tamin’izao tontolo izao noho ny Zanany maty sy nitsangan-ko velona, ary nandrotsaka ny Fanahy Masina ho famelana ny fahotana, mba hamindra fo aminao sy hanome fiadanana ho anao amin’ny alalan’ny Eglizy, ary izaho mamela ny fahotanao amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina OP 46-55..
VII.Ny asan’ny mpivalo
“Ny Fivalozana no manery ny mpanota hanaiky an-tsitrapo ny singafototra rehetra amin’izany : ao am-pony, ny fanenenana ; amin’ny vavany, ny fiekena ny fahotana ; amin’ny fihetsiny, ny fanetren-tena feno tanteraka na fanonerana mitera-boka-tsoa” Catech. R. 2,5,21; jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny fanenenana
Ny fanenenana no loha laharana, amin’ireo asan’ny mpivalo. Ny fanenenana dia “alahelon’ny fo sy fankahalana ny fahotana natao, omban’ny fikasana mafy tsy hanota intsony amin’ny hoavy” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Raha avy amin’ny fitiavana an’Andriamanitra tiana mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fanenenana, dia antsoina hoe “lavorary” izy (fanenenana avy amin’ny fitiavana). Ny fanenenana toy izany dia mahafaka ny fahotana madinika ; ahazoana koa ny famelana ny fahotana mahafaty izy, raha manana fikasana mafy hidodododo araka izay azo atao amin’ny fikônfesena ara-tsakramenta jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny fanenenana lazaina hoe “tsy lavorary” (na “fanenenana tsara antoniny”), dia fanomezan’Andriamanitra koa, tosi-kerim-pamporisikin’ ny Fanahy Masina. Mipoitra avy amin’ny fiheverana ny haratsian’ny fahotana izy io, na avy amin’ny fahatahorana ny ho very mandrakizay sy ny sazy hafa izay mandrahona ny mpanota (fanenenana noho ny tahotra). Ny fikorontanan’ny kônsiansy toy izany dia mety manampy ny fivoarana ao anaty izay ho tontosa eo ambany asan’ny fahasoavana, amin’ny alalan’ny famotsoran-keloka ara-tsakramenta. Raha amin’ny tenany ihany anefa, ny fanenenana tsy lavorary dia tsy hahazoana ny famelana ny fahotana lehibe, fa manomana ny hahazoana izany amin’ny sakramentan’ ny Fivalozana jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1705..
Tsara ny manomana ny fandraisana an’ity sakramenta ity amin’ny fandinihana ny kônsiansy atao eo ambany fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Ny lahatsoratra sahaza indrindra amin’izany dia tadiavina ao amin’ny Didy folo sy ao amin’ny katesezy môraly araka ireo Evanjely sy ireo Taratasin’ny apôstôly : ny toriteny teo an-Tendrombohitra, ny fampianaran’ny apôstôly jer. Rôm 12-15; 1 Kôr 12-13; Gal 5; Efez 4-6..
Fikônfesena ny fahotana
Ny fikônfesena ny fahotana (fiekena), na amin’ny fomba fijery maha-olona tsotra fotsiny izao aza, dia manafaka antsika sy manamora ny fihavanantsika amin’ny hafa. Amin’ny alalan’ny fiekena no ijeren’ny olona eo anoloany ny fahotana izay nahameloka azy ; izy no mizaka ny andraikitra amin’izany, ary amin’izany izy no misokatra indray amin’ Andriamanitra sy amin’ny fiombonam-piangonana mba hahatanteraka ny hoavy vaovao.
Ny fikônfesena ny fahotana amin’ny Pretra dia anisan’ny ampahany tsy azo avela amin’ny sakramentan’ny Fivalozana : “Ny mpivalo, amin’ny alalan’ny kônfesy, dia tsy maintsy mitanisa ny fahotana mahafaty rehetra izay tsaroany rahefa avy nandinin-tena tamim-pahamatorana izy, na dia miafina tokoa azy ireny fahotana ireny, ary na dia tamin’ireo fitsipika anankiroa farany amin’ny Didy folo ihany aza no nanaovana izany jer. Eks 20,17; Mt 5,28., satria indraindray ireo fahotana ireo no mandratra mafy kokoa ny fanahy sy mampidi-doza kokoa amin’ny fanaovana an’ireo ka fanta-bahoaka” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. :
Rahefa miezaka mikônfesy ny fahotana rehetra tadidiny ny mpinon’i Kristy, dia tsy isalasalana fa ho atolony daholo amin’ny famelan’ny famindram-pon’Andriamanitra ireny. Ireo izay manao hafa noho izany sy izay minia manafina ny sasantsasany amin’ ireny, dia tsy manolotra na inona na inona amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra izay afaka mamela amin’ny alalan’ny Pretra. Satria “raha menatra ny hampiseho ny feriny amin’ny mpitsabo ny marary, dia tsy afaka hitsabo izay tsy fantany ny fitsaboana” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. Md Jérôme, Eccl. 10,11..
Araka ny didin’ny Fiangonana, “ny mpino rehetra tonga amin’ny taona mahavory saina, dia tsy maintsy mikônfesy ny fahotana lehibe izay tsaroany, fara fahakeliny indray maka isan-taona” Can. 989; jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Ilay izay mahatsiaro tena fa nanao fahotana mahafaty dia tsy mahazo mandray ny kômonio Masina, raha tsy efa nahazo ny famotsoran-keloka ara-tsakramenta, na dia latsa-panenenana lalina aza izy jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1661., raha tsy hoe misy antony lehibe ny handraisany kômonio sy raha tsy mahita mpampikônfesy ho hatonina izy jer. CIC, can. 916; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 711.. Ny ankizy dia tsy maintsy mandray ny sakramentan’ny Fivalozana alohan’ny handraisany voalohany ny kômonio Masina jer. CIC, can. 914..
Na tsy hentitra aza ny ilana ny fikônfesena ny hadisoana isan’andro (fahotana madinika), dia hafatrafaran’ny Fiangonana tokoa ny hanaovana izany jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; CIC, can. 988, § 2.. Satria, ny mikônfesy matetika ny fahotana madinika no manampy antsika hanabe ny kônsiansintsika, hiady amin’ny fitongilanantsika amin’ny ratsy, hamela antsika hositranin’i Kristy, handroso ao amin’ny fiainan’ny Fanahy. Ny fandraisana matetika kokoa ny fanomezan’ny Ray ny famindram-pony, amin’ny alalan’ity sakramenta ity, no mandrisika antsika ho mpamindra fo tahaka Azy jer. Lk 6,36. :
Izay mikônfesy ny fahotany dia efa miasa miaraka amin’ Andriamanitra. Miampanga ny fahotanao Andriamanitra ; ianao koa raha miampanga ireny fahotana nataonao ireny dia miray amin’ Andriamanitra ianao. Moa va tsy toy ny fisiana anankiroa ny hoe olombelona sy ny hoe mpanota : rahefa maheno resaka momba ny olombelona ianao, dia Andriamanitra no nanao azy ; rahefa maheno resaka momba ny mpanota ianao, dia ny tenan’izy olombelona ihany no nanao izany. Ravao izay nataonao mba hamonjen’Andriamanitra izay nataony (…). Raha manomboka mankahala izay nataonao ianao, amin’izay no manomboka ny asa tsaranao, satria ianao miampanga ny asa ratsinao. Ny fiantombohan’ny asa tsara, dia ny fibabohana ny asa ratsy. Manao ny marina ianao ka manatona ny Fahazavana Md Augustin, ev. Jo. 12,13..
Ny fanonerana
Maro ny fahotana mitera-pahavoazana ho an’ny namana. Tsy maintsy manao izay azao atao mba hanonerana izany (ohatra : mamerina ny zavatra nangalarina, manarina ny lazan’izay nendrikendrehina, mitsabo ny ratra). Mitaky izany ny fahamarinana tsotra. Kanefa ambonin’izany, ny fahotana dia mandratra sy mandreraka ny tenan’izy mpanota ihany, tahaka izany koa ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy amin’ny namana. Manala ny fahotana ny famotsoran-keloka, saingy tsy ho voaveriny amin’ny laoniny daholo kosa ny korontana rehetra nateraky ny fahotana jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Rahefa tafarina tamin’ny fahotana ny mpanota dia mahazo indray ny fahasalamam-panahy tanteraka. Koa tsy maintsy manao zavatra mihoatra noho izany izy, mba hanonerana ny fahotany : tsy maintsy “manonitra” amin’ny fomba sahaza na “manarina” ny fahotany izy. Antsoina koa hoe “fivalozana” io fanonerana io.
Ny fivalozana izay andidian’ny mpampikônfesy dia tokony hoheverina amin’ny toerana manokana misy ny mpivalo ary tokony hikendry ny soa ho an’ny fanahiny. Tokony hifanentana araka izay azo atao amin’ny halehibe sy amin’ny karazan’ny fahotana natao izany. Mety ho fanatitra ao anatin’ny vavaka no anaovana izany, mety ho fanampiana ny namana amin’ny asa fiantrana, na fahafoizan-tena amin’ny fihafiana an-tsitrapo, ary indrindra amin’ny fanekena amim-paharetana ny Hazofijaliana izay tsy maintsy hoentintsika. Manampy antsika hitovy endrika amin’i Kristy izay hany nanonitra indray mandeha monja ny fahotantsika jer. Rôm 3,25; 1 Jo 2,1-2.ny fivalozana tahaka izany. Manampy antsika koa ho tonga mpiara-mandova amin’i Kristy nitsangan-ko velona, “satria mijaly miaraka Aminy isika” (Rôm 8,17) jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum. :
Kanefa ny fanonerana ataontsika dia izay efaintsika ho an’ny fahotantsika, izay tsy misy afa-tsy avy amin’i Jesoa : isika, raha ny tenantsika amin’izao fotsiny, dia tsy mahefa na inona na inona, fa raha miaraka amin’ny fanampian’ “Ilay izay mankahery antsika isika, dia mahavita ny zavatra rehetra” jer. Filip 4,13.. Araka izany, tsy misy na inona na inona hahafahan’ny olombelona manome voninahi-tena, fa ny “voninahitsika” rehetra dia ao amin’i Kristy (…) ao Aminy isika no manonitra, “amin’ny fanaovana asa mendrika vokatry ny fibebahana” jer. Lk 3,8., izay ao Aminy no anovozan’izy ireny ny heriny, amin’ ny Alalany no anolorana azy ireny amin’ny Ray ary noho Izy no aneken’ny Ray azy ireny Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
VIII.Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity
Satria nankinin’i Kristy tamin’ireo apôstôliny ny andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana jer. Jo 20,23; 2 Kôr 5,18., noho izany, ireo Eveka dimbin’izy ireo, sy ny Pretra mpiara-miasa amin’ny Eveka no manohy ny fampiasana io andraiki-panompoana io. Araka izany, ny Eveka sy ny Pretra, noho ny sakramentan’ny Filaharana, no manana ny fahefana hamela ny fahotana rehetra “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina”.
Mampihavana amin’Andriamanitra ny famelana ny fahotana, nefa koa mampihavana amin’ny Fiangonana. Noho izany, rariny ny fiheverana hatramin’ny ela, ny Eveka, filoha hita maso eo amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ho manana voalohany indrindra ny fahefana sy ny andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana : izy no mpanalefaka ny fitsipi-pifehezana momba ny fivalozana FF 26.. Ny Pretra, mpiara-miasa aminy, dia mampiasa izany araka izay nandraisan’izy ireo ny adidy aman’andraikitra momba izany na avy amin’ny Evekany (na avy amin’ny lehibem-pikambanan-drelijiozy), na avy amin’ny Papa, amin’ny alalan’ny lalànan’ny Fiangonana jer. CIC, can. 844; 967-969; 972; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 722; §§ 3-4..
Misy ny fahotana sasany, indrindra ny heloka bevava, ampiharana ny sazy fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana, ilay famaizany amin’ny fomba henjana tokoa, izay misakana ny fandraisana sakramenta sy ny fanaovana asa sasantsasany ao amin’ny Fiangonana jer. CIC, can. 1331; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 1431; 1434., ka ny famotsoran-keloka amin’izany, araka ny lalànan’ny Fiangonana, dia tsy azo omena afa-tsy avy amin’ny Papa, ny Eveka eo an-toerana na ny Pretra nahazo lalana avy amin’izy ireo jer. CIC, can. 1354-1357; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 1420.. Saingy raha ambavahoanan’ny fahafatesana kosa, ny Pretra rehetra, na dia tsy manana ny fahazoana mampikônfesy aza, dia afaka mamela ny fahotana rehetra jer. CIC, can. 976; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can.725. sy izay rehetra fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana.
Tokony hamporisika ny mpino ny Pretra handray ny sakramentan’ny Fivalozana ary tokony hampiseho fahavononana hankalaza io sakramenta io izy ireo isaky ny mangataka izany amin’ny fomba ara-drariny ny kristianina jer. CIC, can. 986; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 735; RFP 13..
Amin’ny fankalazana ny sakramentan’ny Fivalozana, dia tanterahin’ny Pretra ny andraiki-panompoan’ilay Mpiandry ondry Tsara izay mitady ny ondry very, ny an’ilay Samaritanina Tsara fanahy izay mitsabo ny fery, ny an’ilay Ray miandry ny Zanaka mpandany sy mandray azy amin’ny fiverenany, ny an’ilay mpitsara marina izay tsy mizaha tavan’olona, ka sady marina no feno indrafo ny fitsaràny. Raha fintinina, ny Pretra no famantarana sy fitaovan’ny fitiavana be famindram-pon’Andriamanitra ny mpanota.
Tsy tompony ny mpampikônfesy fa mpanompo ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Mila miray saina sy miray fo amin’i Kristy ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity jer. RFP 13.. Mila manana fahalalana voasedra momba ny fihetsika amam-pitondran-tena kristianina izy, mila fahatsapana ny zavatra momba ny olombelona, mila mahay manaja sy manana fahalemem-panahy amin’izay lavo ; tsy maintsy tia ny marina izy, tsy hivaona amin’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana ary hitarika ny mpivalo amim-paharetana ho amin’ny fanasitranana sy ny fahamatorana feno. Tsy maintsy mivavaka izy ary manao asa fivalozana ho azy amin’ny fanankinana ny tenany amin’ny famindram-pon’ny Tompo.
Amin’ny mahasaro-pady sy mahalehibe ity andraiki-panompoana ity sy ho fanajana atao amin’ny olona, dia ambaran’ny Fiangonana fa ny Pretra rehetra izay mampikônfesy dia voadidy tsy hamoaka ny tsiambaratelo rehetra mikasika ny fahotana izay nolazain’ny mpivalo taminy, raha tsy izany dia hiharan’ny sazy faran’izay henjana izy CIC, can. 983-984; 1388, § 1; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 1456.. Tsy azony atao mihitsy koa ny mampahalala ny olona, fa ny kônfesy no nahafantarana ny amin’ny fiainan’ilay mpivalo. Izany tsiambaratelo izany, izay tsy misy fanavahana, dia antsoina hoe “fitomboka ara-tsakramenta”, satria izay nahariharin’ny mpivalo tamin’ny Pretra dia mijanona ho “mihidy amin’ny fitomboka” amin’ny alalan’ny sakramenta.
IX.Ny vokatr’ity sakramenta ity
“Ny vokatra rehetra amin’ny Fivalozana dia mifototra amin’ny fanarenana antsika ho ao anatin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy amin’ny fampiraisana antsika Aminy ao anatin’ny fihavanana tsara tokoa” Catech. R. 2,5,18.. Ny fampihavanana amin’Andriamanitra izany, no tarigetra sy ny vokatr’ity sakramenta ity. Eo amin’ireo izay mandray ny sakramentan’ny Fivalozana amin’ny fo latsa-panenenana sy ao anatin’ny toe-panahin’ny mpivavaka, dia “arahin’ny fiadanana sy ny filaminan’ny kônsiansy izany, sady ampian’ny fiononam-panahy feno hery” Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Vokatra ateraky ny sakramentan’ny fampihavanana amin’Andriamanitra koa ny “fitsanganan-ko velona ara-panahy” marina tokoa, ny famerenana ny hasina sy ny hasoam-piainan’ny zanak’Andria-manitra, ka ny sarobidy indrindra amin’izany dia ny fihavanana amin’ Andriamanitra jer. Lk 15,32..
Mampihavana antsika amin’ny Fiangonana ity sakramenta ity. Ny fahotana no manambanga na manapaka ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana. Ny sakramentan’ny Fivalozana no manonitra izany na manarina izany. Amin’io lafiny io, tsy manasitrana fotsiny an’ilay izay voaverina ao anatin’ny fiombonam-piangonana izy, fa mahazo koa ny vokatra mampody aina eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana izay nijaly noho ny fahotan’ny anankiray amin’ny rantsambatany jer. 1 Kôr 12,26.. Ny mpanota, voaverina na nohamafisina ao anatin’ny fiombonan’ny olomasina, dia atanjahin’ny fifanakalozana harem-panahy eo amin’ny rantsambatana velona rehetra an’ny Vatan’i Kristy, na mbola eny an-dalam-pivahiniana izy ireo na efa any amin’ny tanindrazana any an-danitra jer. FF 48-50. :
Ilaina ny mampahatsiahy fa ny fampihavanana amin’Andriamanitra, dia azo lazaina ho toy ny vokatry ny fampihavanana hafa izay hitondra fanafody amin’ny fahatapahana hafa nateraky ny fahotana : ny mpivalo voavela heloka dia mihavana amin’ny tenany ihany ao amin’ny halalin’ny maha-olona azy, izay ao amin’izany izy no mahatafaverina ny fahamarinana anaty avy amin’ny tenany ; mihavana amin’ny havana izay nalany baraka sy noratrainy tamin’ny fomba samihafa ; mihavana amin’ny Fiangonana ; mihavana amin’ny voary manontolo RP 31..
Amin’ity sakramenta ity, ny fametrahan’ny mpanota ny tenany amin’ny fitsaràna be indrafon’Andriamanitra, dia manatanteraka mialoha, amin’ ny fomba azo antoka, ny fitsaràna izay hihatra aminy amin’ny faran’ity fiainana eto an-tany ity. Satria ankehitriny, amin’izao fiainana eto izao, no anolorana antsika ny safidy eo amin’ny fiainana sy ny fahafatesana, ary tsy misy afa-tsy amin’ny alalan’ny lalam-pibebahana no ahafahantsika miditra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay tsy hidiran’ny manam-pahotana lehibe jer. 1 Kôr 5,11; Gal 5,19-21; Apôk 22,15.. Ny fiverenana amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fivalozana sy ny finoana, no hiampitan’ny mpanota avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana ary “tsy hohelohina amin’ny fitsaràna” izy (Jo 5,24).
X.Ny endolzansy
Ny fitambaram-pampianarana sy ny fampiasana ny endolzansy ao amin’ny Fiangonana dia mifamatotra mafy amin’ny vokatry ny sakramentan’ny Fivalozana. “Ny endolzansy dia ny famelana eo anatrehan’Andriamanitra ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana izay efa voafafa ny fahadisoana, famelana izay azon’ny mpino tsara toe-panahy araka ny fepetra maromaro voafaritra, amin’ny alalan’ny asan’ny Fiangonana, izay amin’ny maha-mpizarazara ny fanavotana azy, dia mizara sy mampihatra amin’ny alalan’ny fahefany ny raki-panoneran’i Kristy sy ny olomasina” Paoly VI, const. ap. "Indulgentiarum doctrina", Normae 1.. “Ampahany na manontolo ny endolzansy, arakaraka ny anafahany ampahany na manontolo ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana” Ibid., Normae 2.. “Ny mpino rehetra dia afaka mahazo ny endolzansy ho an’ny tenany ihany na manome izany ho an’ireo nodimandry” CIC, can. 994..
Ny sazy noho ny fahotana
Mba hahazoana ity fitambaram-pampianarana ity sy ity fanaon’ny Fiangonana ity, tsy maintsy fantarina fa manana vokatra roa sosona ny fahotana. Ny fahotana lehibe no manafoana ao amintsika ny fiombonana amin’Andriamanitra, ary amin’izany izy no mahatonga antsika tsy hahazo ny fiainana mandrakizay, ka izany fanafoanana izany no antsoina hoe “sazy mandrakizay ” vokatry ny fahotana. Etsy an-kilany, ny fahotana rehetra, na madinika aza, dia mitarika firaiketam-po tsy mahasoa mampifikitra amin’ny zavaboary, izay ilàna fanadiovana, na eto an-tany, na aorian’ny fahafatesana, ao amin’ny toetra izay antsoina hoe Afofandiovana. Io fanadiovana io no manafaka ny amin’ilay antsoina hoe “sazy misy fetra ” vokatry ny fahotana. Ireo sazy roa ireo dia tsy tokony hoheverina ho karazana valifaty, famaizana ataon’Andriamanitra, fa tena avy amin’ny toetra maha-fahotana ny fahotana mihitsy. Ny fibebahana izay miandoha amin’ny fitiava-namana atao amin-kafanam-po dia mety ho tonga amin’ny fanadiovana tanteraka ny mpanota, hany ka tsy misy sazy haharitra na dia iray aza jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1820..
Ny famelana ny fahotana sy ny famerenana ny fiombonana amin’Andriamanitra no mitarika ny famelana ny sazy mandrakizay vokatry ny fahotana. Saingy mitoetra ihany ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana. Tsy maintsy mikely aina ny kristianina, amin’ny fizakana amim-paharetana ny fijaliana sy ny fitsapan-toetra isan-karazany, ary, raha tonga ny andro, eo am-piatrehana amim-pitoniana ny fahafatesana, dia manaiky ireny sazy misy fetra vokatry ny fahotana ireny ho toy ny fahasoavana ; tsy maintsy milofo izy, amin’ny alalan’ny tsanganasa fiantrana sy fitiava-namana, ary koa amin’ny alalan’ny vavaka sy ny asa fivalozana samihafa, hiendaka manontolo amin’ny “olona tranainy” ary mitafy “ny olom-baovao” jer. Efez 4,24..
Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina
Tsy manirery tsy akory ny kristianina izay miezaka hihamadio amin’ny fahotany sy hihamasina miaraka amin’ny fanampian’ny fahasoavan’Andriamanitra. “Ny fiainan’ny tsirairay amin’ny zanak’Andriamanitra dia mifamatotra amin’ny fomba mampitolagaga, ao amin’i Kristy sy amin’ny alalan’i Kristy, miaraka amin’ny fiainan’ny havana kristianina hafa rehetra, ao anatin’ny firaisana mihoatra ny natoraly amin’ny Vatana mistikan’i Kristy, toy ny ao amin’ny olona mistika iray” Paoly VI, const. ap. "Indulgentiarum doctrina" 5..
Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina, “misy àry eo amin’ny samy mpino – ireo izay manana ny tanindrazana any an-danitra, ireo izay voaray hanonitra ao amin’ny afofandiovana na ireo izay mbola mivahiny eto an-tany – fatoram-pitiavana maharitra sy fifanakalozana be dia be amin’ny haren-tsoa rehetra” Ibid.. Amin’ izany fifanakalozana mampitolagaga izany, ny fahamasinan’ny anankiray dia mahasoa ireo hafa, mihoatra lavitra noho ny fahavoazana izay ny fahotan’ny anankiray no nahatonga izany tamin’ny hafa. Amin’izany, ny fangataham-bonjy amin’ny fiombonan’ny olomasina no ahafahan’ny mpanota latsa-panenenana ho voadio haingana kokoa sy amim-pomba mandaitra kokoa amin’ny sazim-pahotana.
Ireny harem-panahy amin’ny fiombonan’ny olomasina ireny, antsointsika koa hoe raki-tsarobidin’ny Fiangonana, “izay tsy hoe fitambaran-karena tsy akory, araka izany ka hoe harena mivaingana, nangonina nandritra ny taonjato nifandimby, fa ny vidy tsy manam-petra sy tsy mety ritra ananan’ny fanonerana sy ny fahamendrehan’i Kristy Tompontsika, eo akaikin’Andriamanitra, atolotra mba hanafahana ny olombelona amin’ny fahotana sy mba hampiombona azy amin’ny Ray. Ao amin’i Kristy Mpanavotra antsika izany no ahitana be dia be ny fanonerana sy ny fahamendrehana avy amin’ny fanavotany” Ibid..
“Anisan’izany raki-tsarobidy izany koa ny valisoa tena tsy hita noanoa, tsy hita fetra sy vaovao lalandava, eo amin’Andriamanitra, ananan’ny vavaka sy ny asa soa ataon’i Maria Virjiny sambatra sy ny olomasina rehetra izay nanamasina ny tenan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy teny am-panarahana ny diany, sy nanatanteraka ny tsanganasa mahafaly ny Ray, hany ka tamin’ny fiezahan’izy ireo hahazo ny famonjena, dia nifarimbona tamin’izany koa izy ireo mba hahazoan’ny mpiray tam-po ara-pinoana amin’izy ireo ny famonjena, ao amin’ny firaisan’ny Vatana mistika” Ibid..
Mahazo ny endolzansin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fiangonana
Ny endolzansy dia azo amin’ny alalan’ny Fiangonana, izay noho ny fahefana mamehy sy mamaha nomen’i Kristy Jesoa azy, dia izy no manelanelana ho amin’ny tombon-tsoan’ny kristianina iray sy manokatra ho azy ny rakitry ny soa nataon’i Kristy sy ny olomasina, mba hahazoana avy amin’ny Rain’ny famindram-po ny famelana ny sazy misy fetra vokatry ny fahotany. Amin’izany, ny Fiangonana, tsy hoe te hanampy fotsiny an’io kristianina io, fa handrisika azy koa amin’ny tsanganasa fitiavam-bavaka, fivalozana ary fitiava-namana jer. Paoly VI, loc. cit. 8; Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Satria ireo mpino nodimandry eo an-dalam-pandiovana dia anisan’io fiombonan’ ny olomasina io ihany koa, ka afaka manampy azy ireo isika, singanina amin’ izany ny fahazoana ho azy ireo ny endolzansy, hany ka ho afaka amin’ny sazy misy fetra vokatry ny fahotany izy ireo.
XI.Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana
Toy ny sakramenta rehetra, ny Fivalozana dia asa litorzika. Toy izao avy araka ny mahazatra ny singafototry ny fankalazana : fiarahabana sy tsodranon’ny Pretra, famakiana ny Tenin’Andriamanitra mba hanazava ny kônsiansy sy hahatonga fanenenana, sy fampirisihana ho amin’ny fibebahana ; fikônfesena izay iekena ny fahotana sy anambaràna izany amin’ny Pretra ; fanomezana sy fandraisana ny asa fivalozana ; famotsoran-keloka omen’ny Pretra ; teny fisaorana an’Andriamanitra sy fanirahana miaraka amin’ny tsodranon’ny Pretra.
Ny litorzia bizantinina dia manana rijan-teny maro famotsoran-keloka, amin’ny endrika fitalahoana, izay mampiseho amin’ny fomba mampitolagaga ny misterin’ny famelana : “Enga anie Andriamanitra, izay tamin’ny alalan’i Natàna mpaminany, namela an’i Davida fony izy niaiky ny fahotan’ny tenany, sy tamin’i Piera fony izy nitomany tamin’alahelo, sy tamin’ilay vehivavy janga fony izy nandrotsaka ny ranomasony teo an-tongony, sy tamin’ilay Poblikanina, sy tamin’ilay zaza mpandany, dia io Andriamanitra io ihany no hamela anao amin’ny alalan’ny tenako mpanota, amin’ity fiainana ity sy any an-koatra, ary Izy anie hampanatrika anao amin’ny fitsaràna nefa tsy hanameloka anao amin’ny tribonaly mampatahotra. Izy izay ankalazaina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen” Euxologie tò mèga..
Ny sakramentan’ny Fivalozana dia azo atao koa ao anatin’ny sehatry ny fankalazana iombonana izay amin’izany no iarahana miomana amin’ny kônfesy sy iarahana misaotra noho ny famelana azo. Eto, ny fieken’ny olona tsirairay ny fahotany sy ny famotsoran-keloka ho an’ny isam-batan’olona dia tafiditra ao anatin’ny litorzian’ny Tenin’Andriamanitra, miaraka amin’ny vakiteny sy ny toriteny, ny fandinihana ny kônsiansy atao miaraka, ny fangatahana iombonana ho amin’ny famelana, ny vavaka Rainay ary ny fisaorana iombonana. Ity fankalazana iombonana ity dia mampiseho mazavazava kokoa ny toetra manokana an’ny fivalozana araka ny Fiangonana. Kanefa na manao ahoana na manao ahoana ny fomba fankalazana azy, ny sakramentan’ny Fivalozana, araka ny fombany, dia asa litorzika lalandava, ka noho izany asan’ny Fiangonana sy asan’ny vahoaka jer. L 26-27..
Amin’ny toe-javatra mahalatsaka an-katerena dia azo atao ny midodododo ho amin’ny fankalazana iombonana amin’ny fampihavanana miaraka amin’ny kônfesy mitamba-be sy ny famotsorana mitamba-be. Mety hiseho ny mahalatsaka an-katerena raha misy loza mananontanona mety mahafaty, kanefa tsy manana fotoana ampy hihainoana ny fikônfesen’ny mpivalo tsirairay ny Pretra iray na Pretra maro. Mety ho toy izao koa ny mahalatsaka an-katerena, raha heverina amin’ny isan’ny mpivalo ka tsy ampy ny mpampikônfesy mba hihainoana ara-dalàna ny fikônfesen’ny olona tsirairay ao anatin’ny fotoana sahaza izany, hany ka ny mpivalo dia ho hita fa tsy hanana ny fahasoavana ara-tsakramenta na ny kômonio masina mandritra ny fotoana lava, izay tsy fahadisoana avy amin’izy ireo no nahatonga izany. Amin’io toe-javatra io, ny mpino, mba hampanan-kery ny famotsoran-keloka, dia tsy maintsy manana fikasana hikônfesy mitokana ny fahotany lehibe amin’ny fotoana mahamety izany jer. CIC, can. 962, § 1.. Anjaran’ny Eveka mitondra ny diôsezy no manapaka raha mitombina ny fepetra ilaina ho amin’ny famotsoran-keloka mitamba-be jer. CIC, can. 961, § 2.. Ny fahabetsahan’ny mpino tonga hamonjy ny fety lehibe na ny fivahiniana masina, dia tsy anisan’ny toe-javatra mahalatsaka an-katerena jer. CIC, can. 961, § 1,2..
“Ny fikônfesen’ny tsirairay ny fahotana manontolo arahina famotsoran-keloka dia maharitra ho hany fomba fanao andavanandro izay amin’izany no ihavanan’ny mpino amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana, afa-tsy raha misy tsy fahazoa-manatanteraka ara-batana na ara-tsaina manafaka amin’ny fikônfesena toy izany” OP 31.. Antony lalina no azo anafahana amin’ izany. Miasa ao amin’ny tsirairay amin’ny sakramenta i Kristy. Miteny manokana amin’ny tsirairay amin’ny mpanota Izy hoe : “Anaka, voavela ny helokao” (Mk 2,5) ; Izy no mpitsabo izay miondrika eo amin’ny tsirairay amin’ireo marary izay mila Azy jer. Mk 2,17. mba hanasitrana azy ireo ; Izy no manarina azy ireo sy mamerina manontolo azy ireo indray ao anatin’ny fiombonam-pirahalahiana. Ny fikônfesen’ny olona manokana àry izany no endrika mampibaribary indrindra ny fampihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana.
“Ny harivan’ny Paka, niseho tamin’ny apôstôliny i Jesoa Tompo, ary nilaza tamin’izy ireo hoe : "Raiso ny Fanahy Masina. Ireo izay havelanareo fahotana, dia ho voavela. Ireo izay ho tananareo amin’ izany, dia ho voatana" ” (Jo 20,22-23).
Ny famelana ny fahotana natao taorian’ny Batemy dia omena amin’ny alalan’ny sakramenta manokana antsoina hoe : sakramentan’ny fibeba-hana, fibabohana, Fivalozana na Fampihavanana.
Izay manota dia manala baraka an’Andriamanitra sy ny fitiavany, manimba ny hasina maha-olona azy voantso ho zanak’ Andriamanitra sy ny fiadanam-panahin’ny Fiangonana izay ny kristianina tsirairay no tsy maintsy ho vato velona.
Amin’ny maso ara-pinoana, tsy misy zava-doza na iray aza mihoatra noho ny fahotana ary tsy misy voka-dratsy mahatsiravina noho izay aterany amin’ny tenan’izy mpanota ihany, amin’ny Fiangonana, ary amin’izao tontolo rehetra izao.
Ny miverina indray amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra taorian’ny nahaverezan’izany noho ny fahotana, dia fihetsika ateraky ny fahasoavan’ Andriamanitra feno indrafo sy miahy ny famonjena ny olombelona. Tokony hangatahina ho an’ny tena ihany tahaka ny ho an’ny hafa izany fanomezana sarobidy izany.
Ny fandehanana miverina amin’Andriamanitra, antsoina hoe fibebahana sy fanenenana, dia mirakitra alahelo mafy sy rikoriko noho ny fahotana natao, ary fikasana mafy tsy hanota intsony amin’ny hoavy. Mahakasika ny lasa sy ny hoavy àry izany ny fibebahana ; ny fanantenana ny famindram-pon’Andriamanitra no ivelomany.
Ny sakramentan’ny Fivalozana dia miorina amin’ny asa telo ataon’ny mpivalo, sy amin’ny famelan-keloka omen’ny Pretra. Ny asa ataon’ny mpivalo dia : ny fanenenana, ny fikônfesena na filazana ny fahotana amin’ny Pretra ary ny fikasana hanatanteraka ny fanonerana sy ny tsanganasam-panonerana.
Ny fanenenana (antsoina koa hoe alahelon’ny fo noho ny ratsy natao tamin’Andriamanitra) dia tsy maintsy ho avy amin’ny antony ara-pinoana. Raha noho ny fitiavana an’Andriamanitra no ahatsapana ilay fanenenana, dia atao hoe “lavorary” izany ; raha noho ny antony hafa kosa no iorenany, dia antsoina hoe “tsy lavorary” izany.
Ilay izay maniry hahazo ny fampihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ ny Fiangonana, dia tsy maintsy mikônfesy amin’ny Pretra ny fahotana lehibe rehetra izay tsy mbola nikônfeseny ka tsaroany amin’ny fandinihany amim-pitandremana ny kônsiasiny. Na dia tsy ilaina loatra aza ny fikônfesena ny fahotana madinika, dia ampirisihan’ny Fiangonana ny fanaovana izany.
Manome hevitra ny mpivalo ny mpampikônfesy amin’ny fanatanterahana ny sasantsasany amin’ny asa “fanonerana” na “fivalozana” mba hanonerana ny voka-dratsy nafitsoky ny fahotana sy mba hanarenana indray ny fanao tsara mahazatra ny mpianatr’i Kristy.
Ny Pretra izay hany nahazo tamin’ny manam-pahefan’ny Fiangonana ny fahefana hamotsotra heloka no afaka mamela ny fahotana amin’ny Anaran’i Kristy.
Ny vokatra ara-panahy azo avy amin’ny sakramentan’ny Fivalozana, dia : - ny fihavanana amin’Andriamanitra izay amin’ny alalan’izany no ahazoan’ny mpivalo indray ny fahasoavana ; - ny fihavanana amin’ny Fiangonana ; - ny famelana ny sazy mandrakizay vokatry ny fahotana mahafaty ; - ny famelana, na dia ampahany ihany aza, ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana ; - ny fiadanana sy ny fahatonian’ny kônsiansy, ary ny fiononam-panahy ; - ny fitombon’ny herin’ny fanahy hiatrehana ny adim-piainana kristianina.
Ny fikônfesen’ny tsirairay ny fahotana lehibe manontolo, arahin’ny famotsoran-keloka, dia maharitra ho hany fomba fanao andavanandro amin’ny fampihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana.
Amin’ny alalan’ny endolzansy no ahafahan’ny mpino mahazo ho an’ny tenany ihany, ary koa ho an’ny fanahy ao amin’ny Afofandiovana, ny famelana ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana.
5.Ny fanosorana ny marary
“Amin’ny fanosorana diloilo masina ny marary sy ny vavaky ny Pretra no anankinan’ny Fiangonana manontolo amin’ny Tompo nijaly sy nomem-boninahitra ireo marary, mba hanamaivana ny aretin’izy ireo sy hamonjy azy ireo ny Tompo ; vao mainka tsara koa aza ny amporisihin’ny Fiangonana azy ireo, hanakambana amin-kalalahana ny fijalian’izy ireo amin’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy ho fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fanasoavana ny Vahoakan’Andriamanitra” FF 11..
I.Fiorenany ao amin’ny fitantanam-pamonjena
Ny aretina eo amin’ny fiainan’olombelona.
Anisan’ireo olana lehibe indrindra mandrakariva, izay mampijaly ny fiainan’olombelona, ny aretina sy ny fijaliana. Amin’ny aretina no hahatsapan’ny olombelona ny tsy fahampian’ny heriny, ny fetrany ary ny maha-misy farany azy. Mety ahatarafantsika ny fahafatesana ny aretina rehetra.
Mety hitondra amin’ny tebiteby mafy, amin’ny fiforetana ao amin’ny tena ihany, indraindray aza amin’ny famoizam-po sy amin’ny fikomiana amin’ Andriamanitra ny aretina. Mety koa hahatonga ny olona ho matomatotra kokoa ny aretina, hanampy azy handanjalanja eo amin’ny fiainany amin’izay tsy ilaina, mba hitodihany mankany amin’izay ilaina. Matetika tokoa, mahatonga hitady an’Andriamanitra sy hiverina Aminy ny aretina.
Ny marary eo anoloan’Andriamanitra
Niaina ny aretina teo anatrehan’Andriamanitra ny olon’ny Testamenta Taloha. Eo anoloan’Andriamanitra no atosany ny fitarainany noho ny aretina jer. Sal 38., ary Aminy, ilay Tompon’ny fiainana sy ny fahafatesana no italahoany ny fahasitranana jer. Sal 6,3; Iz 38.. Tonga lalam-pibebahana ny aretina jer. Sal 38,5; 39,9.12. ary ny famelan’Andriamanitra no misantatra ny fahasitranana jer. Sal 32,5; 107,20; Mk 2,5-12.. Nahatsapa tamim-pahazarana i Israely fa ny aretina, amin’ny fomba mistery, dia mifandray amin’ny fahotana sy ny ratsy, ary ny tsy fivadihana amin’ Andriamanitra, araka ny lalànany, no mamerina ny fiainana : “Satria Izaho Tompo, no mpitsabonao” (Eks 15,26). Tsinjon’ny mpaminany fa ny fijaliana dia mety koa hanana hevi-panavotana amin’ny fahotany hafa jer. Iz 53,11.. Farany, lazain’i Izaia fa Andriamanitra hanome fotoana ho an’i Siôna, izay hamelany ny fahadisoana rehetra sy hanasitranany ny aretina rehetra jer. Iz 33,24..
I Kristy-mpitsabo
Ny fangorahan’i Kristy ny marary sy ny fanasitranany ny rofy maro isan-karazany jer. Mt 4,24. no famantarana mampitolagaga ny amin’ny “namangian’ Andriamanitra ny vahoakany” (Lk 7,16) ary efa akaiky tokoa ny Fanjakan’ Andriamanitra. Tsy hoe manana fahefana hanasitrana fotsiny i Jesoa, fa hamela ny fahotana koa jer. Mk 2,5-12. : tonga Izy hanasitrana ny olona manontolo, fanahy sy vatana ; Izy no ilay mpitsabo ilain’ny marary jer. Mk 2,17.. Lasa lavitra kokoa ny fangorahany an’ireo mijaly izay nakany ny endrik’izy ireo: “Narary Aho, novangianareo” (Mt 25,36). Ny tombom-pitiavany an’ireo farofy dia tsy mitsahatra, mandritra ny taonjato mifandimby, manaitaitra ny kristianina amin’ny fikarakarana manokana an’ireo izay mijaly amin’ny vatan’izy ireo sy amin’ny fanahin’izy ireo. Ny fangorahan’i Kristy no niandohan’ny ezaka tsy mety sasatra mba hanamaivana azy ireny.
Matetika i Jesoa no mangataka amin’ireo marary mba hino jer. Mk 5,34.36; 9,23.. Mampiasa famantarana Izy mba hanasitranana : rora sy fametrahan-tanana jer. Mk 7,32-36; 8,22-25., fotaka sy fanasana jer. Jo 9,6-15.. Mitady hanendry Azy ny marary jer. Mk 1,41; 3,10; 6,56. satria “nisy hery niala Taminy ka nahasitrana azy rehetra” (Lk 6,19). Araka izany, amin’ny sakramenta, manohy “mikasika” antsika i Kristy mba hanasitrana antsika.
Tohina noho ny fijaliana maro i Kristy, ka tsy nanaiky fotsiny hokasihin’ ny marary, fa noraisiny ho Azy ny fahorian’izy ireo : “Naka ny rofintsika Izy sy nitondra ny aretintsika” (Mt 8,17) jer. Iz 53,4.. Tsy izay marary rehetra dia nositraniny avokoa. Ireo fanasitranany dia famantarana ny fahatongavan’ ny Fanjakan’Andriamanitra. Manambara fanasitranana hatrany ifotony ireny : ny fandresena ny fahotana sy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Pakany. Teo amin’ny Hazofijaliana no nandraisan’i Kristy tao Aminy ny vesatra manontolo ny ratsy jer. Iz 53,4-6. sy nanalany “ny fahotan’izao tontolo izao” (Jo 1,29), ka ny aretina dia tsy inona fa vokany ihany. Tamin’ny alalan’ ny fijaliany sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazofijaliana i Kristy no nanome dikany vaovao ny fijaliana : nanomboka teo afaka mampifanahaka antsika Aminy sy manakambana antsika amin’ny fijaliam-panavotany izany.
“Sitrano ny marary…”
Asain’i Kristy hanaraka Azy ny mpianany amin’ny fitondran’izy ireo ny Hazofijalian’izy ireo jer. Mt 10,38.. Amin’ny fanarahana Azy, nahazo fijery vaovao momba ny aretina sy ny marary izy ireo. Nampiraisin’i Jesoa tamin’ny fiainany mahantra sy mpanompo izy ireo. Nampandraisany anjara amin’ny andraiki-panompoan’ny fangorahany sy ny fanasitranany izy ireo : “Nandeha izy ireo ka nitory fa tsy maintsy mibebaka ny olona ; ary nandroaka demony maro izy ireo, sy nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy ireo” (Mk 6,12-13).
Havaozin’ny Tompo nitsangan-ko velona izany fanirahana izany (“Amin’ ny anarako” […] hametra-tanana amin’ny marary izy ireo, dia ho sitrana ireny” : Mk 16,17-18) ary hamafisiny izany amin’ny alalan’ny famantarana izay tanterahin’ny Fiangonana amin’ny fiantsoana ny anarany jer. Asa 9,34; 14,3.. Ireny famantarana ireny no mampiseho amin’ny fomba manokana fa “Andriamanitra mamonjy” jer. Mt 1,21; Asa 4,12. marina tokoa i Jesoa.
Omen’ny Fanahy Masina amin’ny olona sasany ny fanomezam-pahasoavana manokana hanasitrana jer. 1 Kôr 12,9.28.30., mba hanehoana ny herin’ny fahasoavan’Ilay nitsangan-ko velona. Na dia ny vavaka mafy indrindra aza anefa tsy voatery hahazoana ny fanasitranana ny aretina. Arak’izany, voatery nianatra tamin’ny Tompo i Md Paoly fa “ampy ho anao ny fahasoavako : satria ao amin’ny halemeko no isehoan’ny heriko” (2 Kôr 12,9), sady amin’ny fijaliana iaretana no mety ahazoana ny dikan’ny hoe : “fenoiko ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny Tenany izay ny Fiangonana” (Kôl 1,24).
“Sitrano ny marary ! ” (Mt 10,8). Noraisin’ny Fiangonana tamin’ny Tompo io fiadidiana io, ary ezahiny tanterahina, na amin’ny alalan’ny fitsaboana ataony amin’ny marary, na amin’ny alalan’ny vavaka fitalahoana izay anotronany azy ireo. Inoany ny fisiana maha-eo an’i Kristy mamelombelon’aina, mpitsabo ny fanahy sy ny vatana, amin’io fiadidiana io. Io fisiana maha-eo io dia miasa indrindra amin’ny alalan’ny sakramenta, sy amin’ny fomba tena manokana amin’ny alalan’ny Eokaristia, mofo izay manome ny fiainana mandrakizay jer. Jo 6,55.59., ary i Md Paoly dia nanisika ny fifamatorany amin’ny fahasalamam-batana jer. 1 Kôr 11,30..
Kanefa, fantatry ny Fiangonana apôstôlika fa nisy ny fombam-pivavahana manokana ho an’ny marary, izay noporofoin’i Md Jakôba : “Misy marary ve ao aminareo ? Aoka izy hampiantso ny Pretran’ny Fiangonana ary aoka ireo no hivavaka ho azy, rahefa voahosotra diloilo amin’ny anaran’ny Tompo izy. Ny vavaka atao amim-pinoana, hamonjy ny marary, ary hanamaivana ny rofiny ny Tompo. Raha nanota izy, dia havelan’ny Tompo” (Jak 5,14-15). Ny Lovam-pampianarana dia manaiky marina an’io fombam-pivavahana io, ho anisan’ny iray amin’ireo sakramenta fito ao amin’ny Fiangonana jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1324-1325; 1695-1696; 1716-1717..
Ny sakramentan’ny marary
Mino sy miaiky ny Fiangonana fa amin’ireo sakramenta fito, misy sakramenta natokana indrindra hankaherezana ireo izay sedrain’ny aretina : ny fanosorana ny marary :
Ity fanosorana masina ny marary ity dia naorin’i Kristy Tompontsika ho sakramentan’ny Testamenta Vaovao, nolazaina marina sy araka ny tena izy, nasisik’i Md Marka jer. Mk 6,13., nefa nohafatrafarana ho ataon’ny mpino ary nampiharin’i Jakôba apôstôly sy rahalahin’ny Tompo Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; jer. Jak 5,14-15..
Amin’ny lovam-panahy litorzika, na any amin’ny Tatsinanana izany na any amin’ny Tandrefana, dia ananana hatramin’ny fahagola ny filazan’ny vavolombelona momba ny fanosorana ny marary notanterahina tamin’ny diloilo voahasina. Nandritra ny taonjato nifandimby, nomena indrindra indrindra an’ireo izay nadiva ho faty ihany ny fanosorana ny marary. Noho izany antony izany no nahazoany ny anarana hoe “Fanosorana Farany”. Na teo aza io fivoarana io, tsy hadinon’ny litorzia na oviana na oviana ny mivavaka amin’ny Tompo mba hahazoan’ny marary fahasalamana indray raha sahaza ny famonjena azy izany jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Ny lalàm-panorenana apôstôlika hoe : “Sacram unctionem infirmorum” (“Fanosorana masina ny marary”) tamin’ny 30 nôvambra 1972, taorian’ny Kônsilin’i Vatikana faharoa jer. L 73., dia nandraikitra, hatramin’ izao, ao amin’ny fombam-pivavahana rômanina, fa tanterahina ity manaraka ity :
Ny sakramenta fanosorana ny marary dia omena an’ireo olona marary mafy efa ambavahoana, amin’ny fanosorana azy ireo eo amin’ny handrina sy eo amin’ny tanana amin’ny diloilo voahasina araka ny didy – menaka ôliva na menaka hafa avy amin’ny zavamaniry - amin’ny fitenenana indray maka hoe : “Noho izao fanosorana masina izao ary noho ny famindram-pon’Andriamanitra be fitiavana dia enga anie Izy Tompo hanampy anao amin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina. Amin’izay, rahefa afa-pahotana ianao, dia hovonjen’ny Tompo sy hohamaivaniny fa mora fo Izy” jer. CIC, can. 847, § 1..
II.Iza no mandray ary iza no manome ity sakramenta ity ?
Raha misy marary mafy …
Ny fanosorana ny marary “dia tsy sakramentan’ireo izay efa ambavahoanan’ny fahafatesana ihany. Koa ny fotoana mety handraisana izany, dia tonga tokoa rahefa manomboka ho tandindomin-dozan’ny fahafatesana ny mpino noho ny aretina avy amin’ny fahosam-batana na ny fahanterana” L 73; jer. CIC, can. 1004, § 1; 1005; 1007; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can.738..
Raha mahazo fahasitranana ny marary iray izay nandray ny fanosorana, azony atao ny mandray indray ity sakramenta ity, raha toa ka voan’ny aretina mafy indray. Mandritra io aretina iray io ihany, azo averina ity sakramenta ity raha mihombo ny aretina. Sahaza horaisina ny fanosorana ny marary, mialoha ny fandidiana lehibe. Tahaka izany koa ho an’ireo olona be taona izay mihamitombo ny faharefo.
“…aoka izy hampiantso ny Pretran’ny Fiangonana”
Ny mpisorona ihany (Eveka sy Pretra) no mpandraharaha masina ny fanosorana ny marary jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 1719; CIC, can. 1003; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 739, § 1.. Adidin’ny mpiandry ondry ny mampahalala ny mpino ny voka-tsoa azo amin’ity sakramenta ity. Aoka ny mpino handrisika ny marary hampiantso Pretra, mba handray ity sakramenta ity. Aoka ny marary hanoman-tena mba handray izany ao anatin’ny toe-panahy tsara, miaraka amin’ny fanampian’ny mpitondra azy ireo sy ny ankohonam-piangonana manontolo izay nasaina hanotrona manokana ny marary amin’ny fivavahany sy amin’ny fikarakarany ny maha-mpiray tam-po ara-pinoana.
III.Ahoana ny fomba ankalazana ity sakramenta ity ?
Toy ny sakramenta rehetra, ny fanosorana ny marary dia fankalazana litorzika sy iombonana jer. L 27., na ao an-tokantrano, na ao amin’ny hôpitaly na ao am-piangonana, no anaovana izany, ho an’ny marary iray monja na ho an’ny vondrona marary iray manontolo. Tsara tokoa raha eo anivon’ny Eokaristia, tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’ny Tompo, no ankalazana ity sakramenta ity. Tokony hialohavan’ny sakramentan’ ny Fivalozana sy harahin’ny sakramentan’ny Eokaristia ny fankalazana azy, raha mitaky izany ny toe-javatra miseho. Ny Eokaristia, amin’ny maha-sakramentan’ny Pakan’i Kristy azy, no tokony ho sakramenta farany lalandava amin’ny fivahiniana eto an-tany, ho “vatsy masina” amin’ny “fiampitana” mankany amin’ny fiainana mandrakizay.
Mirafitra ho iray tsy azo sarahina ny teny sy ny sakramenta. Ny litorzian’ ny Teny, ialohavan’ny asa fivalozana, no manokatra ny fankalazana. Ny tenin’i Kristy sy ny teny vavolombelon’ny apôstôly, no mamohafoha ny finoan’ny marary sy ny ankohonam-piangonana mba hangataka amin’ny Tompo ny herin’ny Fanahiny.
Ireto singafototra manaraka ireto no voalohany indrindra iompanan’ny fankalazana ity sakramenta ity : mametra-tanana – amim-panginana – amin’ilay marary ny Pretran’ny Fiangonana jer. Jak 5,14. ; mivavaka eo amin’ilay marary izy, amin’ny finoan’ny Fiangonana jer. Jak 5,15. ; izany no epikilezy manokana amin’ity sakramenta ity ; ataony amin’izay ny fanosorana amin’ny diloilo voahasina, raha azo atao, voahasin’ny Eveka. Ireo asa litorzika ireo dia mampiseho fa fahasoavana manao ahoana no omen’ity sakramenta ity ny marary.
IV.Ny vokatry ny fankalazana amin’ity sakramenta ity
Fanomezana manokana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny fahasoavana voalohany amin’ity sakramenta ity dia fahasoavam-piononana, fiadanana ary herim-po mba handresena ny fahasahiranana mifanandrify amin’ny toetr’aretina mafy atahorana na ny faharefom-pahanterana. Izany fahasoavana izany dia fanomezan’ny Fanahy Masina izay manavao ny fitokiana sy ny finoana an’Andriamanitra ary manome hery hanoherana ny fakam-panahin’ilay ratsy, fakam-panahim-pahakiviana sy tebitebim-pahafatesana jer. Heb 2,15.. Izany fanampian’ny Tompo amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny izany dia te hitondra ny marary ho amin’ny fahasitranam-panahy, nefa koa ho amin’ny fahasitranam-batana, raha izany no sitrapon’ Andriamanitra jer. Kôns. Florence: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Afa-tsy izany, “raha nanota izy, dia havela ny fahotany” (Jak 5,15) jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Fiombonana amin’ny fijalian’i Kristy. Mahazo ny hery sy ny fanomezana hiombona lalindalina kokoa amin’ny fijalian’i Kristy ny marary, amin’ ny fahasoavan’ity sakramenta ity : azo lazaina tsy amim-pisalasalana fa voamasina izy mba hamokatra noho ny fanahafana ny fijaliam-panavotan’ny Mpamonjy. Mahazo hevitra vaovao ny fijaliana, izay takaitra navelan’ny fahotana tamin’ny fototra : manjary fandraisana anjara amin’ny tsanganasam-pamonjen’i Jesoa izany.
Fahasoavam-piangonana. Ny marary izay mandray ity sakramenta ity, “ka manakambana izany an-tsitrapo amin’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy”, dia manolotra “ny anjaran’izy ireo amin’ny fanasoavana ny Vahoakan’Andriamanitra” FF 11.. Rahefa mankalaza ity sakramenta ity ny Fiangonana, amin’ny fiombonan’ny olomasina, dia mitalaho ny soa ho an’ny marary. Ny anjaran’ny marary kosa, noho ny fahasoavan’ity sakramenta ity, dia ny manampy amin’ny fanamasinana ny Fiangonana sy amin’ny soa ho an’ny olombelona rehetra izay ho an’izany no ijalian’ny Fiangonana sy anolorany tena amin’Andriamanitra Ray, amin’ ny alalan’i Kristy.
Fanomanana amin’ny fiampitana farany. Raha omena an’ireo rehetra izay mijaly amin’ny aretina sy ny rofy mahery ny sakramenta Fanosorana ny marary, vao mainka homena an’ireo izay eo an-dalan’ny handao ity fiainana ity izy " In exitu vitae constituti": Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., hany ka izany koa no iantsoana azy hoe sacramentum exeuntium Ibid.(sakramentan’ny miala aina). Ny fanosorana ny marary no mamarana ny fanahafantsika amin’ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona, tahaka ny nanombohan’ny Batemy nanao izany. Izy no manapitra ny fanosorana masina izay manoritra ny fiainana kristianina manontolo ; ny an’ny Batemy no nanisy fitombo-kase ny fiainam-baovao ao amintsika ; ny an’ny Fankaherezana no mankahery antsika amin’ny ady amin’ity fiainana ity. Ity fanosorana farany ity no mamonona ny fiafaran’ny fiainantsika eto an-tany ho toy ny manda mafy orina hiatrehana ny tolona farany alohan’ny fidirana ao an-Tranon’ny Ray Ibid.: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
V.Ny Vatsy masina, sakramenta farany ho an’ny kristianina
Ho an’ireo izay handao ity fiainana ity, dia atolotry ny Fiangonana ho fanampin’ny fanosorana ny marary, ny Eokaristia ho vatsy masina. Raha raisina amin’io fotoana hiampitana mankany amin’ny Ray io, ny kômonion’ny Vatana aman-dRan’i Kristy dia manana hevitra sy lanja manokana. Izy no voa mamoa ny fiainana mandrakizay sy herin’ny fitsanganan-ko velona, araka ny tenin’ny Tompo hoe : “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy ho velona amin’ny farandro” (Jo 6,55). Amin’ny maha-sakramentan’i Kristy maty sy nitsangan-ko velona azy, ny Eokaristia eto dia sakramentan’ny fiampitana avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, avy eto amin’izao tontolo izao mankany amin’ny Ray jer. Jo 13,1..
Amin’izany, tahaka ny sakramentan’ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia mitambatra ho iray antsoina hoe “sakramentan’ny firosoana ho kristianina”, dia azo lazaina fa ny Fivalozana, ny Fanosorana Masina ary ny Eokaristia, amin’ny maha-vatsy masina an’ireo, dia mitambatra ho “sakramenta izay manomana ho any an-Tanindrazana” na sakramenta izay mamarana ny fivahiniana, rahefa antomotra ho amin’ny fiafarany ny fiainana kristianina.
“Misy marary ve eo aminareo ? Aoka izy hampiantso ireo Pretran’ny Fiangonana, ary aoka izy ireo no hivavaka eo aminy sy hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo. Ny vavaka amim-pinoana dia hamonjy ny marary, ary hanasitrana azy ny Tompo. Raha nanota izy, dia havela ny fahotany” (Jak 5 ,14-15).
Ny sakramenta Fanosorana ny marary dia nokendrena hanome fahasoavana manokana ny kristianina misedra fahasahiranana izay tandra vadin-koditra noho ny aretina mafy na noho ny fahanterana.
Tonga tokoa ny fotoana tsara andraisan’ny mpino ny Fanosorana Masina, rahefa manomboka hita fa mandindona azy ny fahafatesana, noho ny aretina na noho ny fahanterana.
Raha vao misy kristianina marary mafy, dia mahazo mandray ny Fanosorana Masina izy ; ary na efa nahazo aza izy, nefa mihombo ny aretina, dia mbola azo omena indray.
Ny mpisorona irery ihany (Pretra sy Eveka) no mahazo manome ny sakramenta Fanosorana ny marary ; mba hanomezana izany, ny diloilo nohamasinin’ ny Eveka no ampiasain’izy ireo, na, raha ilaina, ny diloilo nohamasinin’ny tenan’ilay Pretra mitarika ny fankalazana.
Ny votoatin’ny fankalazana amin’ity sakramenta ity, dia ny fanosorana eo amin’ny handrina sy ny tanan’ny marary (amin’ny fombam-pivavahana rômanina) na eo amin’ny faritra hafa amin’ny vatana (any Atsinanana), fanosorana arahim-bavaka litorzika ataon’ny Pretra mitarika ny fankalazana izay mangataka ny fahasoavana manokana amin’ity sakramenta ity.
Toy izao ny vokatry ny fahasoavana manokana amin’ny sakramenta Fanosorana ny marary : - ny fiombonan’ny marary amin’ny fijalian’i Kristy, mba hahazoany soa ho an’ny tenany sy ho an’ny Fiangonana manontolo ; - ny fiononam-po, ny fiadanam-po ary ny herim-po mba hizakana amim-pomba kristianina ny fangirifiriana noho ny aretina na ny fahanterana ; - ny famelana ny fahotana raha toa ka tsy afa-nandray izany tamin’ny sakramentan’ny Fivalozana ilay marary ; - ny fiverenan’ny fahasalamana amin’ny laoniny, raha mifanaraka amin’ ny famonjena ara-panahy izany ; - ny fanomanana ny fiampitana ho any amin’ny fiainana mandrakizay.
Ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia no sakramentan’ny firosoana ho kristianina. Ireo no manorina ny fiantsoana iombonan’ny mpianatr’i Kristy rehetra, fiantsoana ho amin’ny fahamasinana sy ho amin’ny fanirahana hitory ny Evanjely amin’izao tontolo izao. Ireo no manome ny fahasoavana ilaina ho amin’ny fiainana araka ny Fanahy amin’ity fiainan’ny mpivahiny mizotra mankany an-tanindrazana ity.
Ireo sakramenta anankiroa hafa, ny Filaharana sy ny Fanambadiana, dia nalahatra ho amin’ny famonjena ny hafa. Na manampy koa amin’ny famonjena ny tsirairay aza ireo, dia amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa no anaovany izany. Manome iraka manokana ao amin’ny Fiangonana ireo, ary manampy amin’ny fanorenana ny Vahoakan’ Andriamanitra.
Amin’ireo sakramenta ireo, ireo izay efa nohamasinina tamin’ny alalan’ny Batemy sy ny Fankaherezana jer. FF 10. ho amin’ny fisoronana iombonan’ny mpino rehetra dia afaka mandray ny fanamasinana manokana. Ireo izay mandray ny sakramentan’ny Filaharana dia nohamasinina, amin’ny anaran’i Kristy, “amin’ny alalan’ny teny sy ny fahasoavan’Andriamanitra mba ho mpitondra ny Fiangonana” FF 11.. Eo anilan’izy ireo, “ny mpivady kristianina, mba hanatontosa amim-pahamendrehana ny adidy amin’ny lalam-piainana arahin’izy ireo, dia nankaherezina sy nohamasinina tokoa amin’ny sakramenta manokana” FAA 48,2..
6.Ny Sakramentan’ny Filaharana.
Ny Filaharana dia sakramenta izay mahatonga ny fanirahana nankinin’i Kristy tamin’ireo apôstôliny hitohy ka ho ampiasaina ao amin’ny Fiangonana mandra-pahatongan’ny farandro : ny Filaharana izany no sakramentan’ny andraiki-panompoana maha-apôstôly. Misy ambaratonga telo izy : ny maha-eveka, ny maha-pretra ary ny maha-diakra. [ Raha ny fampianarana momba ny nanorenan’i Kristy ny andraiki-panompoana maha-apôstôly sy ny nanirahany ho amin’izany, dia efa hita ao amin’ny n° 874-896. Koa ny hany ho resahina eto, dia ny momba ny lalana ara-tsakramenta izay ampitana ity andraiki-panompoana ity.]
I.Nahoana no antsoina hoe Filaharana ity sakramenta ity ?
Ny teny hoe Ordre (Filaharana), tamin’ny andron’ny rômanina fahiny, dia nanondroana ny sampan-draharaham-panjakana amin’ny lafiny sivily, indrindra ireo mpitondra fanjakana. Dia natao hoe ordinatio (fanokanana) ny teny ilazana ny fampidirana ho mpikambana tanteraka ao amin’ny ordo (Laharam-pitondrana). Ao amin’ny Fiangonana koa, misy ny sampan-draharaham-pitondrana, sady araka ny fototra ao amin’ny Soratra Masina jer. Heb 5,6; 7,11; Sal 110,4., izay antsoin’ny Lovam-pampianarana hatramin’ny andro taloha tamin’ny anarana hoe taxeis (amin’ny teny grika), na hoe ordines (fanamasinana araka ny laharam-pitondrana) : amin’izany no itenenan’ ny litorzia hoe : ordo episcoporum (fanamasinana ho amin’ny laharana maha-eveka), ordo presbyterorum (fanamasinana ho amin’ny laharana maha-pretra), ordo diaconorum (fanamasinana ho amin’ny laharana maha-diakra). Ny vondron’olona hafa dia mandray koa ity anarana hoe ordo ity : ny katekomena, ny virjiny, ny mpivady, ny mananotena …
Ny fampidirana ho mpikambana feno ao amin’ny iray amin’ireo vondron’ olon’ny Fiangonana ireo dia natao tamin’ny fombam-pivavahana nantsoina hoe ordinatio, asa ara-pivavahana sy ara-litorzia, izay fanamasinana, fitsofan-drano na sakramenta. Ankehitriny ny teny hoe ordinatio dia natokana ho amin’ny asa ara-tsakramenta izay ampidirana ho mpikambana feno ao amin’ny laharan’ny Eveka, laharan’ny Pretra, ary laharan’ny Diakra, ka izany dia ambony noho ny fifidianana tsotra, fanendrena, fisoloan-tena na fananganana ataon’ny ankohonam-piangonana, satria ny ordinatio dia omena amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina ahafahana mampiasa ny “fahefana masina” (sacra potestas jer. FF 10.) izay tsy mety ho azo afa-tsy avy amin’ny Tenan’i Kristy ihany, amin’ny alalan’ny Fiangonany. Ny "ordination" dia antsoina koa hoe consecratio (fanamasinana) satria izany no fanokanana sy fanomezam-pahefana avy amin’ny Tenan’i Kristy ihany, ho an’ny Fiangonany. Ny fametrahan-tanana ataon’ny Eveka, miaraka amin’ny vavaka fanamasinana, no mitambatra ho famantarana hita maso amin’ity fanamasinana ity.
II.Ny sakramentan’ny Filaharana ao amin’ny fitantanam-pamonjena
Ny fisoronana tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha
Natsangan’Andriamanitra ho “fanjaka-mpisorona sy firenena masina” (Eks 19,6) jer. Iz 61,6. ny vahoaka voafidy. Kanefa tao anatin’ny vahoaka Israely, dia nifidy foko iray amin’ireo foko roa ambin’ny folo Andriamanitra, dia ny fokon’i Levì izany, izay natokana ho amin’ny fanompoana ara-litorzia jer. Fan 1,48-53.. Izy Andriamanitra mihitsy no anjara lovany jer. Jôs 13,33.. Nisy fombam-pivavahana manokana nanamasinana ny fiandohan’ny fisoronana tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha jer. Eks 29,1-30; Lev 8.. Ny mpisorona no “notendrena mba ho solontena manelanelana ny olona amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra, ka hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota” jer. Heb 5,1..
Naorina io fisoronana io, mba hitoriana ny Tenin’Andriamanitra jer. Mal 2,7-9. sy mba hamerenana ny fiombonana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorona sy ny fivavahana, saingy tsy manan-kery hahazoana famonjena, hany ka mila famerimberenana tsy an-kijanona ny sorona, ary tsy afaka hipaka amin’ny fanamasinana tanteraka jer. Heb 5,3; 7,27; 10,1-4., izay ny soron’i Kristy no hany mahavita izany.
Kanefa, hitan’ny litorzian’ny Fiangonana fa ny fisoronan’i Aarôna sy ny fanompoan’ny levita, tahaka izany koa ny fanorenana ny vondrona “Loholona” jer. Fan 11,24-25. fitopolo lahy, dia tandindona mampiseho ny andraiki-panompoana masina ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Araka izany, amin’ny fombam-pivavahana latinina, ao amin’ny prefasy fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Eveka, ny Fiangonana dia mivavaka hoe :
Ry Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy Tomponay ô, (...) nandritra ny Fanekem-pihavanana Taloha Ianao no nanomboka namolavola ny Fiangonanao ; hatramin'ny voalohany Ianao no nanokana ireo taranak' i Abrahama ho vahoaka masina ; ary Ianao no nanangana ireo filoha sy mpisorona, izay nataonao ho mpandraharaha mandrakariva ny tempolinao Pontificale Romanum. De Ordinatione Episcopi, presbyterorum et diaconorum,47.…
Amin’ny fotoana fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Pretra, mivavaka toy izao ny Fiangonana :
Ry Tompo, Ray Masina ô, (…) efa tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, sy ho fanambaràna ny sakramenta ho avy, no nametrahanao ireo mpisorombe ho filoha mpitondra ny vahoakanao ; nefa nifidy olona hafa koa Ianao, nampandraisinao anjara tamin’ny fanompoan’ izy ireo sy nanampy azy ireo tamin’ny lahasany. Ho toy izany no nampitanao tao amin’ireo loholona fitopolo lahy, feno fahendrena, ny fanahy nomenao an’i Môizy, sy nampandraisanao anjara ny zanak’i Aarôna, amin’ny fanamasinana noraisin’ny rain’izy ireo Ibid. 159..
Ary amin’ny vavaka fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Diakra, izao no ambaran’ny Fiangonana :
Ry Ray Masina indrindra ô (…), ho fananganana an’izao tempoly vaovao izao (ny Fiangonana) no nanorenanao ny andraiki-panompoana amin’ny filaharana telo samihafa, dia ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra, izay nanomezanao azy ireo avy andraikitra hanompo Anao, toy ny nataonao fahiny tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, izay nanokananao ireo zanaky ny fokon’i Levì, mba hikarakara ny fonenanao, ary Ianao no lovan’izy ireo Ibid. 207..
Ny fisoronana tokan’i Kristy
Tanteraka ao amin’i Kristy Jesoa “mpanalalana tokana amin’Andria-manitra sy ny olombelona” (1 Tim 2,5) ny tandindona rehetra momba ny fisoronana teo amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha. I Melkisedeka, “mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra” (Jen 14,18), no noheverin’ny Lovam-pampianarana kristianina ho tandindon’ny maha-mpisorona an’i Kristy, “Mpisorombe tokana, araka ny fomban’i Melkisedeka” (Heb 5,10 ; 6,20), “masina, tsy manan-tsiny, madio tsy misy pentim-pahotana” (Heb 7,26), izay “fanatitra iray monja dia mahalavorary mandrakizay ireo izay hamasininy” (Heb 10,14), izany hoe tamin’ny alalan’ny sorona tokan’ny Hazofijaliany.
Tokana ny sorom-panavotan’i Kristy, notanterahina indray mandeha ihany. Kanefa, manjary eo io sorom-panavotana io amin’ny sorona Eokaristikan’ ny Fiangonana. Torak’izany koa amin’ny fisoronana tokan’i Kristy : manjary eo Izy amin’ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra, izay tsy mampihen-kasina ny maha-tokana ny fisoronan’i Kristy : “Koa i Kristy irery no hany tena mpisorona, ny hafa kosa dia mpandraharahany masina fotsiny” Md Thomas d’A., Heb 7,4..
Fandraisana anjara anankiroa amin’ny fisoronana tokan’i Kristy
I Kristy, mpisorombe sy hany mpanalalana, no nanao ny Fiangonana ho “Fanjaka-mpisorona ho an’Andriamaniny sy Ray” (Apôk 1,6) jer. Apôk 5,9-10; 1 Pi 2,5.9.. Ny ankohonana mpino manontolo, araka izany, dia mpisorona. Ampiasain’ny mpino ny maha-mpisorona azy ireo avy amin’ny Batemy, amin’ny alalan’ ny fandraisan’izy ireo anjara, araka ny fiantsoana ny tsirairay manokana, amin’ny fanirahana an’i Kristy, Mpisorona, Mpaminany ary Mpanjaka. Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Batemy sy ny Fankaherezana “no nanokanana ny mpino mba ho (…) mpisorona masina” FF 10..
Ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra na araka ny ambara-tongam-pitondran’ny Eveka sy ny Pretra, sy ny fisoronana iombonan’ny mpino rehetra, na dia “samy manana ny fomba manokana avy aza, ny andaniny sy ny ankilany, dia mandray anjara amin’ny fisoronana tokan’i Kristy” FF 10., kanefa sady miavaka araka ny maha-izy azy, no “nalamina hifameno” FF 10.ireo. Amin’ny lafiny inona ? Ny fisoronana iombonan’ny mpino moa dia tanteraka eo amin’ny fivelaran’ny fahasoavan’ny Batemy, fiainana ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, fiainana araka ny Fanahy, ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra kosa, dia manampy amin’ny fisoronana iombonana, mifandray amin’ny fivelaran’ny fahasoavan’ny Batemin’ny kristianina rehetra. Koa anisan’ny iray amin’ireo fomba amam-pitaovana izay anorenan’i Kristy ny Fiangonany sy itarihany azy tsy an-kijanona io fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra io. Izany no antony namindrany azy amin’ny alalan’ny sakramenta manokana, dia ny sakramentan’ny Filaharana.
Ao amin’ny Tenan’i Kristy-Loha …
Amin’ny fanompoam-piangonana iandraiketan’ny mpandraharaha voa-hosotra, ny Tenan’i Kristy mihitsy no eo amin’ny Fiangonany amin’ny maha-Lohan’ny Vatany Azy, maha-Mpiandry ny andian’ondriny Azy, maha-Mpisoromben’ny sorom-panavotana Azy, maha-Mpampianatra ny Fahamarinana Azy. Izany no ambaran’ny Fiangonana amin’ny filazana fa ny Pretra, noho ny sakramentan’ny Filaharana, dia miasa ao amin’ny Tenan’i Kristy-Loha jer. FF 10; 28; L 33; AE 11; RFP 2;6. (in persona Christi Capitis) :
I Kristy Jesoa ihany no Mpisorona, ka marina tokoa fa io maha-Mpisorona Azy io no ampiasain’ny mpandraharaha masina. Eny, marina tokoa, fa mitovy zo amin’ilay Mpisorona Ambony indrindra ny mpandraharaha masina, noho ny fanamasinana ho mpisorona izay noraisiny, ka mizaka ny fahefana hiasa amin’ny alalan’ny herin’Izy Kristy mihitsy izay soloiny tena izy (virtute ac persona ipsius Christi) Pie XII, enc. "Mediator Dei".. I Kristy no loharano ipoiran’ny fisoronana rehetra: satria tandindon’i Kristy ny mpisoron’ny lalàna taloha, ary miasa amin’ny tenan’i Kristy ny mpisoron’ny lalàna vaovao Md Thomas d’A., s. th. 3,22,4.
Amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny mpandraharaha voahosotra, singanina manokana ny Eveka sy ny Pretra, dia manjary hita maso eo anivon’ny ankohonan’ny mpino ny maha-misy eo an’i Kristy amin’ny maha-filohan’ny Fiangonana Azy jer. FF 21.. Araka ny fomba fiteny mahafinaritr’i Md Ignace d’Antioche, ny Eveka dia typos tou Patros, izy no toy ny sary velon’Andriamanitra Ray Trall. 3,1; jer. Magn. 6,1..
Izany maha-misy an’i Kristy ao amin’ny mpandraharaha masina izany, dia tsy azo ampifandraisina amin’ny hoe : voaro amin’ny fahosana rehetra maha-olombelona, amin’ny fisainana te-handidy manapaka, amin’ny fahadisoana, na koa amin’ny fahotana ilay mpandraharaha masina. Araka izany, tsy mitovy ny fomba fiarovan’ny herin’ny Fanahy Masina ny asa rehetra ataon’ny mpandraharaha masina. Kanefa nomena ao amin’ny sakramenta rehetra io fiarovana io, hany ka na ny fahotan’ny mpandraha-raha masina aza tsy afaka misakana ny vokatry ny fahasoavana, saingy misy asa hafa maromaro maneho ny maha-olombelona ny mpandraharaha masina, mamela marika izay tsy dia famantarana mandrakariva ny tsy fivadihana amin’ny Evanjely, koa noho izany mety hanimba ny fahavokaran’ny maha-apôstôly ny Fiangonana.
Momba ny maha-mpandraharaha voahosotra izany fisoronana izany. “Fanompoana marina tokoa io adidy aman’andraikitra nankinin’ny Tompo tamin’ny mpitondra ny vahoakany io” FF 24.. Miompana manontolo amin’i Kristy sy amin’ny olombelona izany. Miankina manontolo amin’i Kristy sy amin’ny maha-mpisorona tokana aman-tany Azy izany, ary naorina ho an’ny olombelona sy ho an’ny fiombonamben’ny Fiangonana. Mampita “fahefana masina”, izay tsy hafa fa ny an’i Kristy, ny sakramentan’ny Filaharana. Ny fampiasana izany fahefana izany àry dia tsy maintsy refesina avy amin’ny môdely nomen’i Kristy izay nilatsa-tenany ho faraidiny sy ho mpanompon’ny rehetra, noho ny fitiavana jer. Mk 10,43-45; 1 Pi 5,3.. “Nilaza mazava ny Tompo fa ny fikarakarana ny andian’ondriny no porofom-pitiavana Azy” Md Jean Chrysostome, sac. 2,4; jer. Jo 21,15-17..
… “Amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo”
Tsy ny mampiseho an’i Kristy – Lohan’ny Fiangonana – manoloana ny mpino miangona ihany tsy akory no lahasa amin’ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra, fa miasa amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo koa izy rahefa manolotra ny vavaky ny Fiangonana amin’ Andriamanitra jer. L 33. ary indrindra rahefa manolotra ny soron’ny Eokaristia jer. FF 10..
Ny hoe “amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo”, tsy milaza fa hoe ny Pretra no solontenan’ny ankohonam-piangonana. Tsy azo sarahina amin’ny vavaka sy ny fanatitr’i Kristy Filohany ny vavaka sy ny fanatitry ny Fiangonana. Fa fanompoam-pivavahan’i Kristy lalandava ao amin’ny Fiangonany sy amin’ny alalan’ny Fiangonany izany. Ny Fiangonana manontolo, Vatan’i Kristy, no mivavaka sy manolo-tena, “amin’ny Alalany sy miaraka Aminy ary ao Aminy”, ao amin’ny firaisana amin’ny Fanahy Masina, amin’Andriamanitra Ray. Ny Vatana manontolo, caput et membra (loha sy rantsambatana) no mivavaka sy manolo-tena, ary noho izany, ao amin’ny Vatana, ireo izay mpandraharaha masina manokana amin’izany, dia antsoina hoe mpandraharaha masina, tsy an’i Kristy ihany, fa an’ny Fiangonana koa. Satria ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra no misolo tena an’i Kristy sy afaka misolo tena ny Fiangonana.
III.Ny ambaratonga telo amin’ny sakramentan’ny Filaharana
“Ny fandraharaham-piangonana, naorin’Andriamanitra, dia ampiasaina ao anatin’ny hamaroan’ambaratonga amin’ny alalan’ireo izay efa hatramin’ny ela no antsoina hoe Eveka, Pretra, Diakra” FF 28. Ny fitambaram-pampianarana katôlika, voambara ao amin’ny litorzia, ny Toniam-pampianarana ary ny fomba tsy miova fanaon’ny Fiangonana, dia manaiky marina fa misy ambaratonga roa ny fandraisana anjara maha-mpandraharaha voahosotra amin’ny fisoronan’i Kristy : ny maha-eveka sy ny maha-pretra. Ny maha-diakra dia natokana hanampy azy ireo sy hanompo azy ireo. Noho izany, ny teny hoe sacerdos (mpisorona) dia manondro, amin’ny fampiasana ankehitriny, ny Eveka sy ny Pretra, fa tsy ny Diakra. Kanefa, ny fitambaram-pampianarana katôlika dia mampianatra fa ny ambaratongan’ny fandraisana anjara amin’ny fisoronana (maha-eveka sy maha-pretra) sy ny ambaratongam-panompoana (maha-diakra) dia samy omena amin’ny alalan’ny asa ara-tsakramenta antsoina hoe “fanamasinana” avokoa izy telo, izany hoe amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Filaharana :
Aoka ny olon-drehetra hanaja ny Diakra ho tahaka an’i Jesoa-Kristy, toy izany koa ny Eveka, izay endriky ny Ray, sy ny Pretra ho tahaka ny antenimieran-doholon’Andriamanitra sy ho tahaka ny antenimieran’ny apôstôly : raha tsy misy azy ireo, tsy afaka miresaka hoe Fiangonana Md Ignace d’Antioche, Trall. 3,1..
Ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-eveka – hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana
“Ny mitana ny toerana voalohany, amin’ireo andraiki-panompoana samihafa izay nosahanina tao amin’ny Fiangonana nanomboka tany am-piandohana, araka ny porofon’ny Lovam-pampianarana, dia ny anjara raharahan’ireo izay napetraka ao amin’ny laharana maha-eveka, amin’ny alalan’ny fifandimbiasana mitohy hatrany am-piandohana, ka izy ireo no sampam-boaloboka izay iampitan’ny voa mamoa avy amin’ny apôstôly” FF 20..
Mba hanatontosana ny iraka ambony ampanaovina azy ireo, dia “ny fandrotsahana manokana ny Fanahy Masina, natsororoka teo ambonin’izy ireo no namenoan’i Kristy ireo apôstôly ; izy ireo kosa, tamin’ny alalan’ ny fametrahan-tanana, no nampita tamin’ny mpiara-miasa amin’izy ireo ny fanomezana ara-panahy izay tafita hatraty amintsika amin’ny alalan’ ny fanamasinana Eveka” FF 21..
Ny Kônsily Vatikana faharoa dia “mampianatra, fa amin’ny alalan’ny fanamasinana Eveka no omena ny hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana, izay antsoin’ny fomba mahazatra ara-litorzian’ny Fiangonana sy ny feon’ny Ray masina, araka izany, amin’ny anarana hoe mpisorona fara tampony, feno manontolo mihitsy (summa) amin’ny andraiki-panompoana masina” Ibid..
“Ny fanamasinana Eveka, miaraka amin’ny fiadidiana hanamasina, dia manome koa ny fiadidiana hampianatra sy hitondra. (…) Araka izany (…) amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana sy amin’ny alalan’ny teny fanamasinana no omena ny fahasoavan’ny Fanahy Masina ary voaraikitra ao anaty ny marika masina, hany ka ny Eveka, amin’ny fomba ambony dia ambony sy hita maso, no mitana ny toeran’ny Tenan’Izy Kristy, Mpampianatra, Mpiandry ondry sy Mpisorona fara tampony, sy manao ny anjara asany (in Eius personna agant)” Ibid.. “Koa, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena azy ireo no voatsangana ho tena mpampianatra ny finoana, tena mpisorona ary tena mpiandry ondry marina sy izy tokoa ireo Eveka” AE 2..
“Noho ny fanamasinana ara-tsakramenta sy amin’ny fiombonana araka ny ambaratongam-pitondrana amin’ny filohan’ny fiombonam-piadidiana sy ireo mpikambana aminy, no hahatongavan’ny olona iray ho anisan’ny vondron’ny maha-eveka” FF 22.. Ny toetra manokana sy ny toetra maha-fiombonam-piadidiana ny laharan’ny maha-eveka dia niseho tamin’ny fomba manokana tamin’ny fanaon’ny Fiangonana fahiny, izay mitaky fa mba hanamasinana Eveka vaovao iray, Eveka maromaro no mandray anjara amin’ny fanamasinana jer. FF 22.. Amin’ny fanamasinana ara-dalàna ho amin’ny laharana maha-eveka iray, dia ilaina ankehitriny ny firotsahana manokana ataon’ny Evekan’i Rôma, noho izy mpampifandray fara tampony hita maso ny fiombonan’ny Fiangonana eo an-toerana sy ny Fiangonana iray, sy mpiantoka ny fahalalahan’izy ireo.
Ny Eveka tsirairay, amin’ny maha-vikeran’i Kristy azy, dia manana fiadidiana ara-pastôraly ny Fiangonana eo an-toerana izay nankinina aminy, nefa koa sady mizaka ao anatin’ny fiombonam-piadidiana miaraka amin’ny rahalahiny rehetra ao amin’ny laharan’ny maha-eveka amin’ny fiahiana ny Fiangonana manontolo izy : “Raha ampahany ihany amin’ny andian’ondry nankinina amin’ny fikarakarany no maha-mpiandry ondry manokana ny Eveka tsirairay, ny mahatonga azy ho miara-tompon’andraikitra amin’ny fanirahana apôstôlikan’ny Fiangonana kosa dia ny maha-voahosotra azy ho dimbin’ny apôstôly ara-dalàna araka ny fanorenan’Andriamanitra” Pie XII, enc. "Fidei donum"; jer. FF 23; AE 4; 36; 37; AFF 5; 6; 38..
Izay rehetra vao avy nolazaina teo dia manazava ny antony mahatonga ny Eokaristia ankalazain’ny Eveka ho manana hevitra manokana tokoa, satria fanehoana ny Fiangonana mivory manodidina ny ôtely eo ambany fitondran’ilay izay misolo tena hita maso an’i Kristy Mpiandry ondry Tsara sy Lohan’ny Fiangonany jer. L 41; FF 26..
Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Pretra – mpiara-miasa amin’ny Eveka
“I Kristy, izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny ho amin’izao tontolo izao, no nanao, tamin’ny alalan’ny apôstôly, ny dimbin’izy ireo, izany hoe ny Eveka, ho mpiombona anjara amin’ny fanamasinany sy amin’ny fanirahany. Anjaran’ireo Eveka kosa, no mamindra ara-dalàna, amin’ireo rantsambatana samihafa ao amin’ny Fiangonana, sy manaraka ny ambaratonga samihafa, ny fiadidiana amin’ny andraiki-panompoan’izy ireo” FF 28.. “Ny anjara raharaha maha-mpandraharaha masina azy ireo dia nafindra tamin’ny Pretra eo amin’ny ambaratongan’ny olom-pehezina : ireto dia naorina tamin’ny Laharan’ny maha-pretra mba ho mpiara-miasa amin’ny Laharan’ny maha-eveka amin’ny fanatontosana ny fanirahana maha-apôstôly nankinin’i Kristy” RFP 2..
“Ny anjara raharahan’ny Pretra, noho io miray amin’ny Laharan’ny maha-eveka, dia mahazo anjara amin’ny fahefana izay ny Tenan’i Kristy mihitsy no manorina, manamasina ary mitondra ny Vatany, amin’ny alalan’izany. Noho izany, na miorina amin’ireo sakramenta firosoana ho kristianina aza ny maha-mpisorona ny Pretra, dia misy sakramenta hafa mampisy marika manokana azy ireo sy mampitovy endrika azy ireo amin’i Kristy-Mpisorona, amin’ny fanosoran’ny Fanahy Masina, mba hahatonga azy ireo ho afaka miasa amin’ny anaran’ny Tenan’Izy Kristy-Filoha mihitsy” RFP 2..
“Ny Pretra, na tsy manana ny fiadidiana fara tampony an’ny Papa aza ary na miankina amin’ny Eveka aza ny fampiasana ny fahefan’izy ireo, dia iombonana amin’izy ireo kosa ny fiambonian’ny maha-mpisorona azy rehetra ; ary noho ny hasin’ny sakramentan’ny Filaharana, amin’ny endrik’i Kristy mpisorona fara tampony sy mandrakizay jer. Heb 5,1-10; 7,24; 9,11-28., dia nohamasinina izy ireo mba hitory ny Evanjely, mba ho mpitondra ny mpino ary mba hankalaza ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny maha-mpisoron’ny Fanekem-pihavanana Vaovao azy ireo marina tokoa” FF 28..
Noho ny sakramentan’ny Filaharana no andraisan’ny Pretra anjara eo amin'ny sehatra manerana ny tany tontolo amin’ny iraka nankinin’i Kristy tamin’ny apôstôly. Ny fanomezana ara-panahy izay noraisin’izy ireo tamin’ny fanamasinana no manomana azy ireo, tsy ho amin’ny iraka noferana sy nahena, “fa ho amin’ny iraka mitondra famonjena mahenika ny tontolom-piainana, “hatrany amin’ny faran’ny tany” RFP 10., “vonona amin’ ny fo tokoa hitory ny Evanjely na amin’ny toerana aiza na amin’ny toerana aiza” FP 20..
“Amin’ny fotoam-pivavahana na fiaraha-miangona amin’ny Eokaristia izy ireo no mampiasa amin’ny fomba tsara indrindra ny fiadidiana masina azy ireo : amin’io fotoana io, izay andraisan’izy ireo ny toeran’i Kristy sy anaovany antso avo ny misteriny, no anakambanan’izy ireo ny fangatahan’ny mpino rehetra amin’ny soron’ilay Filohan’izy ireo, amin’ny fampisiana eo sy amin’ny fampiharana ao amin’ny soron’ny lamesa, mandra-piverin’ny Tompo, ilay sorona tokan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, dia ny an’i Kristy nanolo-Tena indray mandeha monja tamin’ny Rainy ho sorona madio tsy misy pentina” FF 28.. Ao amin’io sorona tokana aman-tany io ny andraiki-panompoana rehetra maha-mpisorona azy ireo no manovo ny heriny jer. RFP 2..
“Noho ny maha-mpiara-miasa kinga saina amin’ny laharan’ny maha-Eveka ireo Pretra, izay izy ireo no mpanampy sy fitaovana, nantsoina hanompo ny Vahoakan’Andriamanitra, dia mitambatra, miaraka amin’ny Evekany izy ireo, ho fivondronana tokan’ny maha-pretra amin’ny anjara raharaha samihafa. Any amin’ny toerana tsirairay izay ahitana ankohonan’ ny mpino, dia izy ireo no toy ny famantarana maha-eo ny Eveka amin’ny fomba azo antoka izay aminy izy ireo no miombona amin’ny fo mahatoky sy malalaka, amin’ny fizakana ny adidy aman’andraikitry ny Eveka sy ny fiahiany araka ny anjara tandrify azy ireo, ary amin’ny fampiasana izany amin’ny fiahian’izy ireo isan’andro ny mpino” FF 28.. Ireo Pretra dia tsy afaka mampiasa ny andraiki-panompoan’izy ireo raha tsy miankina amin’ny Eveka sy amin’ny fiombonana aminy. Ny tokim-panekena izay ataon’izy ireo amin’ny Eveka amin’ny fotoana fanamasinana sy ny fanoroham-pihavanana ataon’ny Eveka amin’ny faran’ny litorzian’ny fanamasinana, dia midika fa mihevitra azy ireo ho mpiara-miasa aminy, ho zanany, ho rahalahiny ary ho sakaizany ny Eveka, ary ho valin’izany, adidin’izy ireo ny mitia sy mankato azy.
“Ny Pretra, noho ny fanamasinana azy ireo, izay nampiditra azy ireo ao amin’ny laharan’ny maha-pretra, dia samy mifandray am-po lalina amin’izy samy izy amin’ny alalan’ny firahalahiana ara-tsakramenta ; kanefa, amin’ny famindran-toerana azy ireo hiasa amin’ny diôsezy iray izay miankina amin’ny Eveka eo an-toerana, dia mitambatra amin’ny fomba manokana ho fivondronana tokan’ny maha-pretra izy ireo amin’io ambaratonga io” RFP 8.. Hita ao amin’ny fanehoana litorzika ny maha-tokana ny fivondronan’ny maha-pretra, amin’ny fanao izay mitaky ny hametrahan’ny Pretra ny tanan’izy ireo rahefa tonga ny anjarany, aorian’ny an’ny Eveka, mandritra ny fombam-pivavahana fanamasinana.
Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Diakra- “mba ho an’ny fanompoana”
“Amin’ny laharana zandriny eo amin’ny ambaratongam-pitondrana no misy ny Diakra izay "tsy ho an’ny maha-mpisorona tsy akory, fa ho an’ny fanompoana" no ametrahan-tanana aminy” FF 29; jer. AE 15.. Amin’ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-diakra, ny Eveka irery no mametra-tanana, izay midika araka izany fa ny Diakra dia miankina manokana amin’ny Eveka eo amin’ny lahasan’ny “maha-mpanompo azy” jer. Md Hippolyte, trad. ap. 8..
Mandray anjara amin’ny fomba manokana ny Diakra, amin’ny fanirahana an’i Kristy sy amin’ny fahasoavany jer. FF 41; AFF 16.. Ny sakramentan’ny Filaharana no mampisy marika azy ireo amin’ny fitomboka (“marika”) izay tsy misy afaka manafoana izany, sy mampitovy endrika azy ireo amin’i Kristy izay nanao ny Tenany ho “Diakra”, izany hoe mpanompon’ny rehetra jer. Mk 10,45; Lk 22,27; Md Polycarpe, ep. 5,2.. Azo singanina manokana amin’izany ireto asan’ny Diakra ireto : manampy ny Eveka sy ny Pretra amin’ny fankalazana ny misterin’Andriamanitra, indrindra ny Eokaristia, mizara izany, manatrika ny fanambadiana sy mitsodrano izany, manao antso avo ny Evanjely sy mitory teny, mitarika ny fanompoam-pivavahana fandevenana ary mahafoy tena amin’ny asam-pitiava-namana isan-karazany jer. FF 29; L 35, § 4; AFF 16..
Nanomboka tamin’ny Kônsily faharoa tao Vatikana, ny Fiangonana latinina dia namerina indray ny maha-diakra amin’ny “maha-ambaratonga manokana sy maharitra azy eo amin’ny ambaratongam-pitondrana” FF 29., fa ny Fiangonana Tatsinanana kosa dia nitahiry azy lalandava. Ilay maha-diakra maharitra, izay azo omena ny lehilahy manambady, dia anisan’ny fampitomboan-danja be tokoa ho an’ny fanirahana ny Fiangonana. Satria, sahaza sy ilaina raha ireo lehilahy izay manatanteraka ao amin’ny Fiangonana ny andraiki-panompoana maha-diakra marina tokoa, na eo amin’ny fiainana litorzika sy pastôraly, na eo amin’ny tsanganasa sôsialy sy fitiava-namana, no “hankaherezina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana nampitaina nanomboka hatramin’ny apôstôly sy hampiraisana bebe kokoa amin’ny ôtely, mba hanefany ny andraiki-panompoan’izy ireo amin’ny fomba mamokatra kokoa, amin’ny alalan’ny fahasoavana ara-tsakramentan’ny maha-diakra” AFF 16..
IV.Ny fankalazana amin’ity sakramenta ity
Ny fankalazana amin’ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Eveka, ny Pretra na ny Diakra, noho izy manana ny lanjany lehibe ho an’ny fiainan’ny Fiangonana eo an-toerana, dia mila ny fahatongavan’ny mpino faran’izay betsaka hiombom-bavaka amin’izany. Tsaratsara kokoa raha andro alahady sy ao amin’ny katedraly no anaovana izany, miaraka amin’ny fankalazana manetriketrika mifanaraka amin’ny toe-javatra miseho. Mitovy ihany kosa ny fizotran’ny fanamasinana telo : ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra. Eo anivon’ny litorzia Eokaristika ny toerana anatanterahana izany.
Ny fombam-pivavahana tsy azo avela amin’ny sakramentan’ny Filaharana, ho an’ireo ambaratonga telo, dia ny fametrahan-tanan’ny Eveka eo amin’ny lohan’ilay hamasinina, omban’ny vavaka fanamasinana manokana izay angatahina amin’Andriamanitra ny fandrotsahana ny Fanahy Masina sy ny fanomezany sahaza amin’ny andraiki-panompoana izay ho amin’izany no anamasinana an’ilay hamasinina jer. Pie XII, const. Ap. "Sacramentum ordinis": DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Toy ny ao amin’ny sakramenta rehetra, misy ny fombam-pivavahana fanampiny manodidina ny fankalazana. Na miovaova be noho ny faha-samihafa ny lovam-pampianarana litorzika aza ireo, dia manana zavatra iombonana hanehoana ny lafiny maro amin’ny fahasoavana ara-tsakramenta. Tahaka izany ny fombam-pivavahana fanombohana, tamin’ny fombam-pivavahana latinina – fanolorana sy fifidianana ilay hamasinina, lahateny ataon’ny Eveka, famotopotorana an’ilay hamasinina, litanian’ny olomasina – izay anamarinana fa vita araka ny fomban’ ny Fiangonana ny fifidianana ilay hamasinina, sady anomanana ny asa manetriketriky ny tena fanamasinana ; aorian’ny tena fanamasinana kosa dia asesy ireo fombam-pivavahana manambara sy manatanteraka amin’ny fomba fanehoana an’ohatra ny mistery izay notontosaina : ny an’ny fanamasinana Eveka sy ny Pretra : fanosorana azy diloilo masina, izay famantarana ny fanosorana manokana amin’ny Fanahy Masina, no mampamokatra ny andraiki-panompoan’izy ireo ; ny an’ny fanamasinana Eveka : fanolorana aminy ny boky Evanjely, ny peratra, ny satrok’eveka ary ny tehina maha-mpiandry ondry, izay famantarana ny fanirahana maha-apôstôly azy amin’ny fitoriana ny Tenin’ Andriamanitra, amin’ny tsy fivadihany amin’ny Fiangonana vadin’i Kristy, amin’ny fiadidiana maha-mpiandry ny andian’ondrin’ ny Tompo azy ; ny an’ny fanamasinana pretra : fanolorana aminy ny patena sy ny kalisy, “ilay fanatitry ny vahoaka masina” Pontificale Romanum. De ordinatione Episcopi, presbyterorum et diaconorum, 163., izay iantsoana azy hanolotra izany amin’Andriamanitra ; ny an’ny fanamasinana Diakra : fanolorana aminy ny boky Evanjely, izay vao nandraisany ny iraka hitory ny Evanjelin’i Kristy.
V.Iza no mahazo manome ity sakramenta ity ?
I Kristy no nifidy ny apôstôly sy nanome azy ireo anjara amin’ny fanirahana azy sy amin’ny fahefany. Nony tafasandratra eo an-kavanan’ ny Ray Izy, dia tsy mandao ny andian’ondriny, fa miandry azy amin’ny alalan’ny apôstôly, eo ambany fiarovany maharitra, sy mbola mitarika azy amin’ny alalan’ireo mpiandry ondry ireo ihany, izay manohy ny tsanganasany ankehitriny jer. MR, Preface des Apôtres I.. Koa i Kristy àry, “no manome” ny sasany ho apôstôly, ny sasany ho mpiandry ondry jer. Efez 4,11.. Manohy miasa amin’ny alalan’ ny Eveka Izy jer. FF 21..
Satria ny sakramentan’ny Filaharana no sakramentan’ny andraiki-panompoana maha-apôstôly, ka anjaran’ny Eveka amin’ny maha-dimbin’ ny apôstôly azy ireo, ny mampita ny “fanomezana ara-panahy” FF 21., “ny voa mamoa avy amin’ny apôstôly” FF 20.. Ny Eveka voahasina ara-dalàna, izany hoe izay ao amin’ny laharan’ny fifandimbiasana maha-apôstôly, no manome ara-dalàna ny ambaratonga telo amin’ny sakramentan’ny Filaharana jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum sy 802; CIC, can. 1012; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 744; 747..
VI.Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ?
“Ny lehilahy (vir) vita batemy ihany no mahazo mandray ara-dalàna ny fanamasinana amin’ny filaharana masina” CIC, can. 1024.. Nifidy lehilahy maro (viri) i Jesoa Tompo mba hamorona ny fiombonam-piadidian’ny apôstôly roa ambin’ny folo jer. Mk 3,14-19; Lk 6,12-16., ary izany koa no nataon’ny apôstôly, rahefa nifidy ny mpiara-miasa taminy izy ireo jer. 1 Tim 3,1-13; 2 Tim 1,6; Tito 1,5-9., izay nandimby azy ireo teo amin’ny lahasany Md Clément de Rome, Cor 42,4; 44,3.. Ny fiombonam-piadidian’ny Eveka, izay miaraka aminy ny Pretra no mikambana amin’ny maha-mpisorona, no mahatonga ho eo sy ahitana ankehitriny ny fiombonam-piadidian’ny roa ambin’ny folo lahy, mandra-piverin’i Kristy. Mahatsiaro tena ho voafehin’izany safidin’ny Tenan’Izy Tompo izany ny Fiangonana. Izany no antony tsy mahamety ny fanamasinana ny vehivavy ho amin’ny sakramentan’ny Filaharana jer. MD 26-27; Ordinatio sacerdotalis; CDF, décl. "Inter insigniores" Responsum ad dubium cired doctrinam in Epist. Ap. "Ordinatio Sacerdotalis" traditam..
Tsy misy olona manana zo handray ny sakramentan’ny Filaharana. Satria, tsy misy afaka hibodo an’izany fiadidiana izany ho an’ny tenany ihany. Andriamanitra no miantso ho amin’izany jer. Heb 5,4.. Izay mino fa mahalala ny famantaran’ny fiantsoan’Andriamanitra ho amin’ny andraiki-panompoana masina, dia tokony hanankina amim-panetren-tena ny faniriany amin’ny manam-pahefan’ny Fiangonana, izay manana andraikitra sy zo hiantso olona iray handray ny Filaharana. Toy ny fahasoavana rehetra, ity sakramenta ity dia tsy mety ho azo afa-tsy amin’ny maha-fanomezana azy izay tsy miankina amin’ny mahamendri-balisoa.
Ny mpandraharaha voahosotra rehetra ao amin’ny Fiangonana latinina, afa-tsy ny Diakra maharitra, dia nofidìna ara-pomba mahazatra teo anivon’ireo olona mpino izay miaina ho mpitovo ary manana ny sitrapo hitandrina ny fitovoana “noho ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 19,12). Voantso hanokam-piainana manontolo ho an’ny Tompo sy amin’ny “raharahany” jer. 1 Kôr 7,32.izy ireo, ka manolo-tena tanteraka amin’Andriamanitra sy amin’ny olombelona. Ny fitovoana no famantarana io fiainam-baovao io izay anokanana ny mpandraharaha masin’ny Fiangonana ho amin’ny fanompoana ; ny fankasitrahany izany amin’ny fo henin-kafaliana, dia efa fitoriany amin’ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra jer. RFP 16..
Ao amin’ny Fiangonana tatsinanana, hatramin’ny taonjato maro mifandimby, dia misy fitsipi-pifehezana samy hafa mbola manan-kery : ny Eveka no hany notsongaina teo anivon’ny mpitovo, fa ny olona manambady kosa dia azo hamasinina ho Diakra sy Pretra. Izany fanao mahazatra izany dia efa hatramin’ny elabe no noheverina ho ara-dalàna ; ireo Pretra no misahana ny andraiki-panompoana mitera-boka-tsoa eo anivon’ny ankohonam-piangonan’izy ireo jer. RFP 16.. Tsy izany ihany, ny tsy fitovoan’ny Pretra dia nanan-daza tokoa tany amin’ny Fiangonana tatsinanana ary maro be ny Pretra izay nifidy izany tamin-kalalahana, ho an’ny Fanjakan’ Andriamanitra. Ny tany Atsinanana toy ny tany Andrefana, ilay izay nandray ny sakramentan’ny Filaharana, dia tsy mahazo manambady intsony.
VII.Ny vokatry ny sakramentan’ny Filaharana
Ny marika tsy maty vonoina
Ity sakramenta ity dia mampitovy endrika amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fahasoavana manokana avy amin’ny Fanahy Masina, mba hampiasaina ho fitaovan’i Kristy ho an’ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny fanamasinana ho amin’ny filaharana masina no ahazoana ny fahefana ara-dalàna hiasa ho toy ny solontenan’i Kristy, Lohan’ny Fiangonana, amin’ny anjara raharahany intelo miantoana dia ny maha-mpisorona, ny maha-mpaminany ary ny maha-mpanjaka.
Tahaka ny amin’ny Batemy sy ny amin’ny Fankaherezana, izany fandraisana anjara amin’ny raharahan’i Kristy izany dia ankatoavina indray mandeha ihany. Ny sakramentan’ny Filaharana dia mampisy koa marika ara-panahy tsy maty vonoina ary tsy azo averina intsony na omena amin’ny fotoana voafetra jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; FF 21; 28; 29; RFP 2..
Ny olona iray voahosotra ara-dalàna ho mpandraharaha masina dia azo esorina, mazava loatra, raha misy antony lehibe, amin’ny adidy aman’andraikitra sy amin’ny anjara raharaha mifandray amin’ny fanamasinana azy, na sakanana tsy hampiasa izany jer. CIC, can. 290-293; 1336, § 1, 3°, 5°; 1338, §2., nefa tsy afaka hanjary ho lahika indray izy araka ny hevi-teny hentitra jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., satria ny marika naraikitry ny fanamasinana azy dia natao ho mandrakizay ao aminy. Ny fiantsoana sy ny fanirahana noraisiny tamin’ny andro nanamasinana azy dia mampisy marika azy amin’ny fomba maharitra.
Satria fantatra fa i Kristy no miasa sy manatanteraka ny famonjena amin’ ny alalan’ny mpandraharaha voahosotra, noho izany tsy hahasakana an’i Kristy hiasa ny mpandraharaha voahosotra ratsy toetra jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum.. Izao no hizingizinin’i Md Augustin mafy amin’izany :
Ho an’ireo mpandraharaha masina miavonavona, dia ampilaharina amin’ny demony izy. Ny fanomezan’i Kristy dia tsy natao ho zimbazimbaina mihitsy, satria izay mikoriana ao Aminy dia mitana ny fahadiovany tsy misy fahony, izay mandalo ao Aminy dia mijanona ho madio mangarangarana ary mipaka hatrany amin’ny tany lonaka (…) Satria, ny hasina ara-panahin’ny sakramenta dia mitovy amin’ny fahazavana : ireo izay tsy maintsy hazavaina dia mandray izany ao anatin’ny fahadiovana mangarangarana ary, na mamakivaky ny zavatra mandoto aza, tsy ho voaloto izy Md Augustin in Ev Jo 5,15..
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina manokana amin’ity sakramenta ity dia ny fanahafana amin’i Kristy Mpisorona, Mpampianatra ary Mpiandry ondry, izay nanokanana an’ilay nohamasinina ho mpandraharaha voahosotra.
Ho an’ny Eveka, ny fahasoavana ahazoana hery aloha (“Ny Fanahy izay mahatonga ho filoha” : vavaka fanamasinana ny Eveka amin’ny fombam-pivavahana latinina Pontificale Romanum. De ordinatione episcopi, presbyterorum et diaconorum 47.) dia ny fahasoavana hitantanana sy hiarovana amin-kery sy amim-pahamalinana ny Fiangonany, toy ny ray sy mpiandry ondry, ombam-pitiavana maimaim-poana ny rehetra sy tombom-pitiavana ny mahantra, ny marary ary ny sahirana jer. AE 13 sy 16.. Izany fahasoavana izany no manosika azy hitory ny Evanjely amin’ny rehetra, ho môdelin’ny andian’ ondriny, hialoha lalana azy eny an-dalan’ny fanamasinana amin’ny fampitoviana azy ao amin’ny Eokaristia amin’i Kristy Mpisorona sy Sorona, tsy matahotra ny hahafoy ny ainy ho an’ny ondriny :
Ekeo, ry Ray izay mahalala ny fo, ity mpanomponao izay nofidinao ho amin’ny laharan’ny maha-eveka, enga anie izy mba hamahana ny andian’ondrinao masina, sy mba hampiasa amin’ny fanajana Anao ny maha-mpisorona ambony indrindra tsy misy tsiny na kilema, amin’ny fanompoana Anao andro aman’alina ; enga anie izy haneho tsy an-kijanona ny endrikao mitahy ary hanolotra ny fanomezan’ny Fiangonanao masina ; enga anie izy, noho ny fanahin’ny maha-mpisorona ambony indrindra, hanana ny fahefana hamela ny fahotana araka ny didinao, hizara ny andraikitra araka ny baikonao, ary hamaha ny fatotra rehetra noho ny fahefana nomenao ny apôstôly ; enga anie izy hamalifaly Anao amin’ny alalan’ny fahalemem-panahiny sy ny hadiovam-pony, amin’ny fanolorana Aminao ny fanatitra manim-pofona, amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Zanakao Md Hippolyte, trad. ap. 3.…
Ny fanomezana ara-panahy izay omen’ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-pretra dia voambara amin’ity vavaka manokana amin’ny fombam-pivavahana bizantinina ity. Anisan’ny lazain’ny Eveka amin’ izany, eo am-pametrahan-tanana, ny hoe :
Tompo ô, fenoy ny fanomezan’ny Fanahy Masina ity nankasitrahanao hasandratra eo amin’ny ambaratongan’ny maha-mpisorona ity, mba ho mendrika izy hijoro tsy manan-tsiny eo anoloan’ny ôtelinao, hitory ny Vaovao Mahafalin’ny Fanjakanao, hanatanteraka ny andraiki-panompoana ny tenim-pahamarinanao, hanolotra Aminao ny fanomezana sy ny sorona ara-panahy, hanavao ny vahoakanao amin’ ny alalan’ny fandroana amin’ny fahateraham-baovao ; hany ka ny tenany ihany no ‘ndeha hihaona amin’ilay Andriamanitray lehibe sady Mpamonjy, dia i Jesoa-Kristy, Zanakao Lahitokana, amin’ny andron’ ny fiverenany fanindroany, ary Izy anie no handray avy amin’ny hatsaram-ponao tsy taka-polopolorina ny valisoan’ny fitantanana mahatoky amin’ny baikony Euchologion.
Raha ny amin’ny Diakra, “ny fahasoavana ara-tsakramenta no manome azy ireo ny hery ilaina hanompoana ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny "asa fanompoana" amin’ny litorzia, ny teny ary ny fifankatiavana, amin’ny fiombonana amin’ny Eveka sy ny fivondronan’ny Pretrany” FF 29..
Manoloana ny halehiben’ny fahasoavana sy ny fiadidiana maha-mpisorona, dia mahatsapa ao aminy ny antso maika ho amin’ny fibebahana ireo mpampianatra masina, mba hampifanaraka ny fiainan’izy ireo manontolo amin’ny an’Ilay izay nanangana azy ireo ho mpandraharaha masina tamin’ny alalan’ny sakramenta. Araka izany, i Md Grégoire de Nazianze, mbola Pretra vao erotrerony tamin’izany fotoana izany, dia nanandra-peo hoe :
Ary hoy i Md Curé d’Ars : “Ny Pretra no manohy ny tsanganasam-panavotana eto ambonin’ny tany ….” “Raha mahalala tsara ny Pretra eto an-tany ny olona, tsy ho fatin’ny horohoro, fa ho fatin’ny fitiavana …” “Ny maha-Mpisorona, dia ny fitiavan’ny fon’i Jesoa” Nodet, Jean-Marie Vianney p.98..
Hoy i Md Paoly tamin’i Timôte mpianany : “Mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezana izay napetrak’Andriamanitra ao anatinao tamin’ny fametrahako tanana taminao” (2 Tim 1,6), ary “izay maniry ny raharahan’ny Pretra dia maniry raharaha tsara indrindra izy” (1 Tim 3,1). Hoy izy tamin’i Tito : “Raha namela anao tao Kreta aho, dia ny mba hamitanao tao ny fandaminana ny zavatra rehetra, sy ny mba hanangananao Pretra isan-tanàna, araka ny nandidiako anao” (Tito 1,5).
Vahoaka mpisorona ny Fiangonana manontolo. Noho ny Batemy, mandray anjara amin’ny fisoronan’i Kristy ny mpino rehetra. Antsoina hoe “fisoronana iombonan’ny mpino” izany fandraisana anjara izany. Ao amin’ny fotony sy amin’ny asa fanompoany, dia misy fandraisana anjara hafa amin’ny fanirahana an’i Kristy ; ny an’ny andraiki-panompoana omena amin’ny sakramentan’ny Filaharana, izay ny lahasany dia ny manompo amin’ny anarana sy amin’ny Tenan’i Kristy-Loha mihitsy eo anivon’ny ankohonam-piangonana.
Samy hafa mihitsy amin’ny fisoronana iombonan’ny mpino ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra satria manome fahefana masina ho an’ny fanompoana ny mpino ity. Ny mpandraharaha voahosotra dia manao ny asany eo anatrehan’ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fampianarana (munus docendi), ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny vavaka (munus liturgicum) ary ny fitondrana amin’ny maha-mpiandry ondry (munus regendi).
Efa hatrany am-piandohana no nanomezana sy nampiasana tamin’ny ambaratonga telo ny andraiki-panompoana masina : ny an’ny Eveka, ny an’ny Pretra ary ny an’ny Diakra. Ny andraiki-panompoana nomena tamin’ny alalan’ny fanamasinana dia tsy azo soloina eo amin’ny rafitra voarindra ao amin’ny Fiangonana : raha tsy misy ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra, tsy afaka miresaka hoe Fiangonana jer. Md Ignace d’Antioche, Trall. 3,1..
Mandray ny hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana ny Eveka, izay mampiditra azy ao amin’ny Fiombonam-piadidian’ny maha-eveka sy mahatonga azy ho filoha hita maso ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana izay ankinina aminy. Ireo Eveka, amin’ny maha-dimbin’ny apôstôly sy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiombonam-piadidiana, dia mahazo anjara amin’ny fiandraiketana maha-apôstôly sy amin’ny fanirahana ny Fiangonana manontolo, eo ambany fifehezan’ny Papa, dimbin’i Md Piera.
Miray amin’ny Eveka ireo Pretra amin’ny fahambonian’ny maha-mpisorona sady miankina aminy koa amin’ny fanaovana ny anjara raharaha maha-mpiandry ondry azy ireo ; voantso ho mpiara-miasa kinga saina amin’ny Eveka izy ireo ; manotrona ny Evekany izy ireo amin’ny alalan’ny fivondronan’ny maha-pretra izay miantsoroka miaraka aminy ny fiandraiketana ny Fiangonana eo an-toerana. Ny Eveka no andraisan’izy ireo ny fiadidiana ny ankohonana kristianina eo amin’ny paroasy iray na ny fisahanana anjara raharaha iray voafaritra ao amin’ny Fiangonana.
Mpandraharaha voahosotra ho amin’ny lahasa fanompoana ny Fiangonana ny Diakra ; tsy mandray ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra izy, kanefa ny fanamasinana dia manome azy anjara raharaha mavesa-danja amin’ny andraiki-panompoana ny Teny, amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, amin’ny fitantanana pastôraly ary amin’ ny asa fanompoana am-pitiavana ny hafa, lahasa izay tsy maintsy tanterahiny eo ambany fahefana maha-mpiandry ondry ny Evekany.
Ny sakramentan’ny Filaharana dia omena amin’ny fametrahan-tanana arahin’ny vavaka fanamasinana manetriketrika izay angatahina amin’ Andriamanitra ny fahasoavan’ny Fanahy Masina ilain’ilay hamasinina amin’ny andraiki-panompoany. Mampisy marika ara-tsakramenta tsy maty vonoina ny fanamasinana ho mpandraharaha voahosotra.
Ny lehilahy (viris) vita batemy no hany azon’ny Fiangonana omena ny sakramentan’ny Filaharana, ka fantatra sy hita araka ny voadidy fa manana ny fahafahana mampiasa ny andraiki-panompoana. Anjaran’ny manam-pahefan’ny Fiangonana ny adidy sy ny zo hiantso olona iray handray ny sakramentan’ny Filaharana.
Ao amin’ny Fiangonana latinina, ny sakramentan’ny Filaharana ho amin’ny maha-pretra dia tsy omena araka ny fomba mahazatra afa-tsy amin’izay olona vonona hisafidy an-kalalahana ny ho mpitovo, ary maneho ampahibemaso ny sitrapony hitandrina izany mba ho fitiavana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanompoana ny olombelona.
Anjaran’ny Eveka no manome ny sakramentan’ny Filaharana amin’ny ambaratonga telo.
7.Ny sakramentan’ny Fanambadiana
“Ny fifanekena ara-panambadiana, izay anorenan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray eo amin’izy samy izy tokantrano iray ho amin’ny fiainana manontolo, nalahatra araka ny toetrany voa-Janahary amin’ny soa ho an’ny mpivady ary koa ho an’ny taranaka sy ho an’ny fanabeazana ny zanaka, dia nasandratr’i Kristy Tompo eo amin’ny samy vita batemy, ho amin’ny hasin’ny sakramenta” CIC, can. 1055, § 1..
I.Ny fanambadiana ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra
Ny fitoviana endrika sy ny fifanahafana amin’Andriamanitra no anombohan’ny Soratra Masina ny fahariana ny lehilahy sy ny vehivavy jer. Jen 1,26-27., ary ny fahitana ny “fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry” (Apôk 19,9) no amaranany izany jer. Apôk 19,7.. Ny Soratra Masina, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia miresaka momba ny fanambadiana sy ny “misteriny”, ny fanorenana azy sy ny hevitra izay nomen’Andriamanitra azy, ny fiandohany sy ny fiafarany, ny fanatanterahana azy amin’ny fomba samihafa teo amin’ny tantaram-pamonjena manontolo, ny fahasahiranany nateraky ny fahotana sy ny fanavaozana azy “ao amin’ny Tompo” (1 Kôr 7,39), amin’ny fanekem-pihavanana vaovao an’i Kristy sy ny Fiangonana jer. Efez 5,31-32..
Ny fanambadiana ao amin’ny filaminan’ny zavaboary
“Naorin’ny Mpahary sy nasiany ny lalànany manokana, ny fiombonam-piainana amam-pifankatiavana lalina izay noforonin’ny mpivady. Ny Tenan’Izy Andriamanitra no mpamorona ny fanambadiana” FAA 48, § 1.. Ny fiantsoana ho amin’ny fanambadiana dia voasokitra ao amin’ny toetra voa-Janahary maha-lehilahy sy maha-vehivavy, raha vao navoaka avy tao amin’ny tanan’ny Mpahary izy ireo. Tsy fanorenan’ny olombelona tokantrano fotsiny ny fanambadiana, na dia maro aza ny fiovaovàna izay mety natrehany teny am-pamakivakiana ny taona maro teny, tao anatin’ ny tsy fitoviana kolontsaina, rafi-piaraha-monina ary fihetsika aseho ara-pivavahana. Tsy tokony hanadinoana ny toetra iombonana sy maharitra ireny tsy fitoviana ireny. Na tsy miseho eny rehetra eny amin’ny hazavana mitovy aza ny hasin’io fanorenan-tokantrano io jer. FAA 47, § 2., dia misy kosa ao amin’ny kolontsaina rehetra ny hevitra marina maneho ny halehiben’ ny firaisam-panambadiana. “Satria ny hafinaretan’ny olona sy ny fiaraha-monina dia mifamatotra mafy amin’ny fahavanonan’ny ankohonan’ny mpivady sy ny fianakaviana” FAA 47, § 1..
Andriamanitra, izay nahary ny olombelona tamin’ny fitiavana, dia niantso azy koa ho amin’ny fitiavana, fiantsoana fototra sy hatrany am-bohoka ho an’ny olona rehetra. Satria ny olombelona dia noarìna mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra jer. Jen 1,27. izay Izy Tenany mihitsy no Fitiavana jer. 1 Jo 4,8.16.. Tamin’ny naharian’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy, ny fifankatiavan’izy ireo dia manjary endriky ny fitiavana tanteraka sy tsy mety levona izay itiavan’Andriamanitra ny olombelona. Tsara izany, tena tsara dia tsara, eo imason’ny Mpahary jer. Jen 1,31.. Ary io fitiavana izay notsofin’ Andriamanitra rano io dia natao hiterahana sy hotanterahina amin’ny tsanganasa iombonana amin’ny fiarovana ny zavaboary : “Ary Andriamanitra nitsodrano azy ireo ka hoy Izy tamin’izy ireo : "Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy"” (Jen 1,28).
Noarìna mba hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, ka hoy ny Soratra Masina manamafy izany : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Jen 2,18). Ny vehivavy, “nofo avy amin’ny nofony” jer. Jen 2,23., mitovy aminy, akaiky azy tokoa, dia nomen’Andriamanitra azy ho mpanampy jer. Jen 2,18., amin’ny fanehoana araka izany an’Andriamanitra izay vonjintsika jer. Sal 121,2.. “Noho izany handao ny ray aman-dreniny ralehilahy ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roa” (Jen 2,24). Izany no hanambara ny firaisana maharitra lalandava eo amin’ny fiainan’izy roa, ary ny Tenan’ny Tompo mihitsy no mampiseho izany tamin’ny fampahatsiahivana fa izany, “tany am-piandohana”, no fandaharan’ny Mpahary jer. Mt 19,4. : “Noho izany, tsy roa intsony izy ireo, fa nofo iray ihany” (Mt 19,6).
Ny fanambadiana eo ambany fahefan’ny fahotana
Ny olona rehetra dia samy mahatsapa ny fisian’ny ratsy, manodidina azy sy ao amin’ny tenany ihany koa. Io fahatsapana io dia miseho koa eo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Amin’ny fotoana rehetra, manjary loza mitatao amin’ny firaisam-piainan’izy ireo, ny fisaraham-bazana, ny fisainana te-handidy manapaka, ny fivadihana, ny hasarotam-piaro ary amin’ireo fifanoherana izay mety hiafara amin’ny fankahalana sy fahatapaham-pihavanana. Mety hiseho amin’ny fomba mahery vaika kokoa izany korontana izany, ary mety ho azo resena na tsy ho azo resena, arakaraka ny kolontsaina, ny vanim-potoana, ny olona tsirairay, saingy hita fa toa toetra mpahazo ny daholobe izany.
Araka ny finoana, io korontana io, izay tsapantsika mankarary, dia tsy avy amin’ny toetra voa-Janahary ny lehilahy sy ny vehivavy, na avy amin’ ny toetra voa-Janahary ny fifandraisan’izy ireo, fa avy amin’ny fahotana. Fahatapaham-pihavanana amin’Andriamanitra ny fahotana voalohany ka ny vokany voalohany dia ny faharavan’ny fiombonana tany am-piandohana nisy teo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Notapatapahin’ny fifanomezan-tsiny ny fifandraisan’izy ireo jer. Jen 3,12.; niova ho fifandraisam-panjakazakana amam-pitsiriritana jer. Jen 3,16 b. ny fifanintonan’izy ireo, izay fanomezana manokana avy amin’ny mpahary jer. Jen 2,22.; novesaran’ny fijaliana amam-panaintainam-piterahana sy ny fitadiavam-pivelomana jer. Jen 3,16-19., ny fiantsoana tsara ny lehilahy sy ny vehivavy mba hiteraka, hitombo sy hizaka ny tany jer. Jen 1,28..
Kanefa, maharitra ny filaminan’ny zavaboary, na dia voakorontana mafy aza izany. Mba hanasitranana ny ratram-pahotana, ilain’ny lehilahy sy ny vehivavy ny fanampian’ny fahasoavana izay tsy ho lavin’Andriamanitra na oviana na oviana, noho ny famindram-pony tsy misy fetra jer. Jen 3,21.. Raha tsy misy io fanampiana io ny lehilahy sy ny vehivavy, tsy afaka ho tonga hanatanteraka ny firaisam-piainan’izy ireo izay naharian’Andriamanitra azy ireo “tany am-piandohana”.
Ny fanambadiana eo ambany fanabeazan’ny Lalàna
Amin’ny famindram-pony, tsy nandao ny olombelona mpanota Andriamanitra. Ny sazy izay manjohy ny fahotana, ny fanaintainam-piterahana jer. Jen 3,16., ny asa “amin’ny hatsembohan’ny tavanao” (Jen 3,19), dia mitambatra koa ho fanafody izay mametra ny vokatry ny fahotana. Taorian’ny fahalavoana, ny fanambadiana dia manampy handresy ny fiforetana ao amin’ny tena ihany, ny fitiavan-tena tafahoatra, ny fitadiavana fahafinaretan’ny tena irery, ka hisokatra amin’ny hafa, amin’ny fifanampiana, amin’ny fanoloran-tena.
Ny kônsiansy môraly momba ny maha-tokana sy tsy azo ravana ny fanambadiana, dia nivelatra teo ambany fanabeazan’ny lalàna taloha. Tsy mbola notoherina tamin’ny fomba tena mazava tsara, ny fampirafesan’ ireo razambe sy ireo mpanjaka. Kanefa, ny lalàna nomena an’i Môizy dia mikendry hiaro ny vehivavy amin’ny jadon’ny fanjakazakan’ny lehilahy, na dia mampiseho koa aza izy, araka ny tenin’ny Tompo, ny mariky ny “hamafin’ny fon’ ” ny lehilahy izay nahatonga an’i Môizy nanome lalana hisao-bady jer. Mt 19,8; Det 24,1..
Ny fandinihana ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra tamin’i Israely, izay naseho an-tsary tamin’ny fifankatiavan’ny mpivady, tokana sy tsy mivadika jer. Ôs 1-3; Iz 54; 62; Jer 2-3; 31; Ezek 16;23., no nanomanan’ny mpaminany ny kônsiansin’ny vahoaka voafidy amin’ny fahatakarana lalina ny maha-tokana sy tsy azo ravana ny fanambadiana jer. Mal 2,13-17.. Nanome porofo mampihetsi-po ny dikany avo ny fanambadiana, ny tsy fivadihana ary ny fanehoam-pitiavan’ny mpivady, ny bokin’i Rota sy Tobia. Mandrakariva, ao amin’ny Tonon-kira dia Tonon-kira no ahitan’ny Lovam-pampianarana ny fomba fanehoana manokana ny fitiavan’olombelona amin’ny maha-taratry ny fitiavan’ Andriamanitra azy, “fitiavana mahery noho ny fahafatesana” izay “tsy mety ho safotry ny ranobe” (Ton 8,6-7).
Ny fanambadiana ao amin’ny Tompo
Ny fifanekem-panambadiana teo amin’Andriamanitra sy i Israely vahoakany no nanomanana ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay ; amin’io Fanekem-pihavanana io no toa nampiray ny Tenany tamin’ny olombelona rehetra novonjeny ny Zanak’Andriamanitra jer. FAA 22., fony Izy tonga nofo sy nanolotra ny ainy, ka nanomana ho amin’izany ny “fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry” (Apôk 19,7.9).
Tamin’ny fiandohan’ny fiainany ampahibemaso no nanaovan’i Jesoa ny famantarana voalohany – noho ny fangatahan’ny Reniny – tamin’ny fety fampakaram-bady iray jer. Jo 2,1-11.. Manome lanjany lehibe tamin’ny fanatrehan’i Jesoa ny fampakaram-bady tao Kanà ny Fiangonana. Hitany ao ny fanamafisana ny hatsaran’ny fanambadiana sy ny fanambaràna fa hatramin’izao ny fanambadiana dia ho famantarana mahomby amin’ny fisiana maha-eo an’i Kristy.
Tamin’ny fitorian-teniny, nampianatra mivantana tsy misy olakolaka ny hevitra ifotony ny amin’ny firaisan’ny lehilahy sy ny vehivavy i Jesoa, araka izay sitraky ny Mpahary azy hatrany am-piandohana : ny fahazoan-dalana nomen’i Môizy, hisarahan’ny lehilahy amin’ny vadiny, dia fanomezana noho ny hamafin’ny fo jer. Mt 19,8. ; tsy azo ravana ny firaisam-panambadian’ny lehilahy sy ny vehivavy : Izy Andriamanitra mihitsy no namoaka fehin-kevitra hoe : “Aoka àry tsy ho sarahin’olombelona izay nakamban’Andriamanitra” (Mt 19,6).
Izany fanantitranterana tsy misy olakolaka ny amin’ny maha-tsy azo ravana ny fifamatorana ara-panambadiana izany dia mety hanjary mahasanganehana sy miseho ho toy ny fitakiana tsy azo tanterahina jer. Mt 19,10.. Kanefa i Jesoa tsy nampitondra entana tsy zakan’ny mpivady entina sy mavesatra loatra jer. Mt 11,29-30., raha miohatra amin’ny Lalànan’i Môizy. Tamin’ny fahatongavany hamerina ny filaminan’ny zavaboary tany am-boalohany voakorontan’ny fahotana, Izy Tenany mihitsy no manome ny hery sy ny fahasoavana hiainana ny fanambadiana amin’ny toetra vaovao ao amin’ ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny fanarahana an’i Kristy, amin’ny fandavana ny tenan’izy ireo ihany, amin’ny fitondrana ny Hazofijalian’ izy ireo eo amin’izy ireo jer. Mk 8,34., no hahafahan’ny mpivady “mahatakatra an-tsaina” jer. Mt 19,11. ny hevitra ifotony amin’ny fanambadiana sy ny hiainana izany miaraka amin’ny fanampian’i Kristy. Vokatry ny Hazofijalian’i Kristy, izay loharanon’ny fiainana kristianina manontolo, izany fahasoavan’ny fanambadiana kristianina izany.
Izany no mahatonga an’i Md Paoly apôstôly nampahafantatra tamin’ny filazana hoe : “Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana ; nanolo-Tena ho azy Izy, mba hanamasina azy” (Efez 5,25-26), ary nampiana avy hatrany hoe : “ "Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa" : misy mistery lehibe amin’io ; miantefa amin’i Kristy sy ny Fiangonana no tiako lazaina” (Efez 5,31-32).
Ny fiainana kristianina manontolo no mitondra ny mariky ny fifankatiavan’ny maha-mpivady ao amin’i Kristy sy ny Fiangonana. Amin’ny Batemy, izay fidirana ao amin’ny vahoakan’Andriamanitra, dia efa misy misterim-panambadiana : izy, raha azo lazaina, no fandroam-panambadiana jer. Efez 5,26-27. izay mialohan’ny sakafom-panambadiana, dia ny Eokaristia izany. Ny fanambadiana kristianina kosa avy eo dia manjary famantarana mandaitra, sakramentan’ny fifaneken’i Kristy sy ny Fiangonana. Satria ny fanambadiana kristianina no manambara sy mampahazo ny fahasoavana, koa tena sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao marina tokoa ny fanambadian’ny samy vita batemy jer. DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; CIC, can. 1055, § 1..
Ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’ny lanitra
I Kristy no foiben’ny fiainana kristianina manontolo. Ny fifamatorana Aminy no mitana toerana voalohany eo anatrehan’ny fifamatorana hafa rehetra, na ara-pianakaviana na ara-piaraha-monina jer. Lk 14,26; Mk 10,28-31.. Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana, nisy lehilahy sy vehivavy izay nahafoy ny soa lehibe amin’ny fanambadiana mba hanara-dia ny Zanak’Ondry na aiza na aiza alehany jer. Apôk 14,4., mba hiahy ny zavatry ny Tompo, mba hikatsaka izay sitrany jer. 1 Kôr 7,32., ary mba handeha eo anoloan’ilay Mpampakatra izay tamy jer. Mt 25,6.. Izy Kristy mihitsy no nitaona ny sasantsasany hanaraka Azy amin’izany fomba fiainany izany, ka Izy hatrany no môdelin’izany :
Misy ny eonoka izay hatrany amin’ny fahaterahana izy no izany, hatrany an-kibon-dreniny ; misy koa ny eonoka izay nataon’ny olona no nahatonga azy ho izany ; ary misy amin’ireny izay ny tenany ihany no nanao azy ho eonoka noho ny Fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray (Mt 19,12).
Ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’ny lanitra dia fivelaran’ ny fahasoavan’ny Batemy, famantarana mahery izay maneho ny fahambonian’ny fifamatorana amin’i Kristy, amin’ny fiandrasana amin-kafanam-po ny fiverenany, famantarana izay mampahatsiaro koa fa zava-misy eo amin’ny fiainana mandalo ny fanambadiana jer. Mk 12,25; 1 Kôr 7,31..
Ireo roa ireo, izany hoe ny sakramentan’ny Fanambadiana sy ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia avy amin’ny Tenan’Izy Tompo mihitsy. Izy no mampisy heviny an’ireo sy manome an’ireo ny fahasoavana ilaina mba hivelomana izany araka ny sitrapony jer. Mt 19,3-12.. Tsy azo sarahina sady mifanampy ny fankamamiana ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra jer. FF 42; FFR 12; FP 10. sy ny hevitra kristianina momba ny fanambadiana :
Ny manazimba ny fanambadiana, dia mampihena miaraka amin’izay koa ny haja amam-boninahitry ny fanokanan-tena ho virjiny ; ny midera azy kosa, dia mampitombo ny haja amam-boninahitra izay sahaza ny fanokanan-tena ho virjiny. (…) Fa rahefa ela ny ela, izay hita fa tsy tsara raha tsy ampitahaina amin’ny ratsy, dia mety ho tsy ny tena tsara ; izay hita kosa fa mbola tsara kokoa raha ampitahaina amin’ny efa tsara tsy azo lavina, izay no tena tsara indrindra Md Jean Chrysostome, virg. 10,1; jer. FM 16..
II.Ny fankalazana amin’ny fanambadiana
Amin’ny fombam-pivavahana latinina, ny fankalazana amin’ny fanamba-dian’ny samy mpino katôlika, dia tanterahina ara-pomba mahazatra, mandritra ny Lamesa Masina, noho ny fifamatoran’ny sakramenta rehetra amin’ny misterin’ny Pakan’i Kristy jer. L 61.. Amin’ny Eokaristia no tanteraka ny tsangambato fahatsiarovana ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay amin’ izany no iraisan’i Kristy mandrakizay amin’ny Fiangonana, vady malalany izay ho azy no nanolorany ny Tenany jer. FF 6.. Koa mety raha mandraikitra ny faneken’izy ireo hifanolo-tena ny mpivady, amin’ny alalan’ny fanolorana ny fiainan’izy ireo avy, amin’ny fanakambanana izany amin’ny fanatitr’i Kristy ho an’ny Fiangonany, izay manjary eo amin’ny soron’ny Eokaristia, sy amin’ny fandraisana ny Eokaristia, mba “ho tonga tena iray” ao amin’i Kristy izy ireo rahefa mihinana ny Vatana sy misotro ny Ran’i Kristy iray ihany jer. 1 Kôr 10,17..
“Ny fankalazana ara-litorzian’ny fanambadiana, amin’ny maha-fihetsika ara-tsakramentam-panamasinana azy (…), dia tokony ho manan-kery, ho mendrika ary ho mahavokatra amin’ny alalan’ny tenany ihany” FM 67.. Noho izany, mahasoa ny mpifamofo ny miomana amin’ny fandraisana ny sakramentan’ny fivalozana, alohan’ny fankalazana ny fanambadiany.
Araka ny lovam-panahy latinina, dia ny mpivady, izay izy ireo no mpandraharahan’ny fahasoavan’i Kristy, no mifanome ny sakramentan’ ny Fanambadiana amin’ny fanambaràna ny faneken’izy ireo eo anatrehan’ny Fiangonana. Amin’ny lovam-panahin’ny Fiangonana tatsinanana, ny Pretra na ny Eveka izay mitarika ny fanompoam-pivavahana no vavolombelon’ny fifanekena ifanaovan’ny mpivady jer. CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 817., nefa ilaina koa ny tsodranon’izy ireo mba hahavanona ny sakramenta jer. CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 828..
Ny litorzia samihafa dia manankarena vavaka fitsofan-drano sy epikilezy angatahina amin’Andriamanitra ny fahasoavany sy ny tsodrano ho an’ny mpivady vao, indrindra ho an-dravehivavy. Amin’ny epikilezin’ity sakramenta ity no andraisan’izy mivady ny Fanahy Masina mampiray amin’ny fiombonam-pitiavan’i Kristy sy ny Fiangonana jer. Efez 5,32.. Ny Fanahy Masina no fitomboky ny fifaneken’izy ireo, loharanom-pitiavan’izy ireo ifanolorany lalandava, hery izay hihavaozan’ny tsy fivadihan’izy ireo.
III.Ny fanekena hivady
Ny tompon-draharaha voalohan’ny fifanekena ara-panambadiana dia lehilahy iray sy vehivavy iray samy vita batemy, afaka mifanambady ary manambara amin-kalalahana ny faneken’izy ireo. Ny hoe “malalaka” dia midika hoe : - tsy iharan’ny faneriterena ; - tsy misy sampona araka ny lalàna voa-Janahary na lalàm-piangonana.
Heverin’ny Fiangonana fa ny fanekena ifanaovan’ny mpivady no singafototra tsy azo avela “izay maha-fanambadiana ny fanambadiana” CIC, can. 1057, § 1.. Raha tsy misy ny fanekena, tsy misy ny fanambadiana.
Ny fanekena dia mifototra amin’“ilay asan’olombelona izay ifanoloran’ ny mpivady ny tenany sy ifandraisany” FAA 48, § 1; jer. CIC, can. 1057, § 2. : “Izaho R… dia mandray anao R… ho vadiko” OcM 62.. Io fanekena izay mamatotra ny mpivady amin’izy samy izy io dia tanteraka rahefa “tonga nofo iray ihany” izy roa jer. Jen 2,24; Mk 10,8; Efez 5,31..
Ny fanekena dia tsy maintsy ho asan’ny sitrapon’ny tsirairay amin’ny mpifanaiky, afaka amin’ny fanerena na tahotra lehibe avy any ivelany jer. CIC, can. 1103.. Tsy misy fahefan’olombelona na dia iray aza afaka misolo an’io fanekena io CIC, can. 1057, § 1.. Raha tsy misy io fahafahana io, tsy vanona ny fanambadiana.
Noho io antony io (na antony maro hafa koa mahatonga ny fanambadiana hoheverina ho toy ny tsy misy jer. CIC, can. 1083-1108.), ny Fiangonana, aorian’ny fandinihana ny toe-javatra amin’ny alalan’ny tribonalim-piangonana afa-manapaka, dia afaka manambara “ny maha-foana ny fanambadiana”, izany hoe tsy misy na oviana na oviana ilay fanambadiana. Raha izany no toe-javatra misy dia samy afaka manambady ireo nanao fifanekena, satria samy afaka tamin’ny adidy voa-Janahary nampikambana azy ireo taloha jer. CIC, can. 1071, § 1.3..
Ny Pretra (na ny Diakra) izay manatrika ny fankalazana amin’ny fanambadiana, no mandray ny faneken’ny mpivady amin’ny anaran’ny Fiangonana sy manome ny tsodranon’ny Fiangonana. Ny fanatrehan’ny mpandraharaha masin’ny Fiangonana (ary koa ireo vavolombelona), no mampiseho miharihary fa ny fanambadiana dia zava-misy mahakasika ny Fiangonana.
Noho izany antony izany no angatahin’ny Fiangonana araka ny fanao mahazatra amin’ireo mpinony ny fomba ara-dalànan’ny Fiangonana amin’ny fanatanterahana ny fanambadiana jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; CIC, can. 1108.. Antony maro no manampy amin’ny fanazavana izany famerana izany : - asa litorzika ny fanambadiana ara-tsakramenta. Koa noho izany, tsara raha ankalazaina amin’ny litorzia atao ampahibemaso eo amin’ny Fiangonana izy ; - tafiditra ao amin’ny fitsipika ara-pombam-pivavahan’ny Fiangonana ny fanambadiana, ka miteraka zo sy adidy izy ao amin’ny Fiangonana, eo amin’ny samy mpivady ary amin’ireo zanaka ; - satria lalam-piainana iray ao amin’ny Fiangonana ny fanambadiana, ka tsy maintsy misy antoka marina amin’ny fanambadiana (izany no tsy maintsy ananana vavolombelona) ; - ny maha-ampahibemaso ny fanekena no miaro ny “Eny” nomena indray mandeha ihany sy manampy tsy hivadika amin’izany.
Mba ho asa an-kalalahana sy izakana andraikitra ny “Eny ” ifaneken’ny mpivady, ary mba hanana fototra maha-olombelona sy maha-kristianina mafy sy maharitra ny fifanekem-panambadiana, dia ny fiomanana ho amin’ny fanambadiana no manan-danja voalohany. Mijanona ho lalana ahazoan-tsoa amin’io fanomanana io ny oha-piainana sy ny fampianarana omen’ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana. Ny anjara asan’ny mpiandry ondry sy ny ankohonana kristianina amin’ny maha-“fianakavian’Andriamanitra” azy, dia ilaina ho amin’ny fampitana ny soatoavina maha-olombelona sy maha-kristianina momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana jer. CIC, can. 1063., ary ity, indrindra amin’izao androntsika izao, betsaka ny tanora no mahatsapa ny fisian’ireo tokantrano rava izay tsy ampy hanamafy orina intsony ity fanoroan-dalana ity :
Tsy maintsy ampahafantarina ara-potoana ny tanora, ary amin’ny fomba sahaza azy, izay mety kokoa raha eo anivon’ny fianakaviana, ny mikasika ny hasin’ny fifankatiavan’ny mpivady, ny anjara raharahany, ny fampiasana azy : ary rahefa voabe amin’ny fahadiovam-pitiavana amin’izany izy ireo, dia afaka, rahefa tonga ny fotoana, hirotsaka amin’ny fanambadiana aorian’ny fifamofoana niainana tao anatin’ny fahamendrehana FAA 49, § 3..
Ny fanambadiana eo amin’ny samy kristianina samihafa finoana, sy eo amin’ny kristianina sy tsy kristianina
Any amin'ny firenena maro, miseho matetitetika ny toeran’ny fanambadian’ny samy kristianina samihafa finoana (eo amin’ny katôlika sy ny vita batemy tsy katôlika). Mitaky fitandremana manokana amin’ny mpivady sy ny mpitondra fiangonana izany ; ny amin’ny fanambadian’ny “tsy mitovy fivavahana” (eo amin’ny katôlika sy ny tsy vita batemy) dia mbola mitaky fahamaliana bebe kokoa.
Ny tsy fitovian’ny finoana arahina eo amin’ny mpivady dia tsy mampisy vato misakana tsy azo ihoarana ho an’ny fanambadiana, raha vitan’izy ireo ny manakambana an’izay noraisin’ny tsirairay tamin’izy ireo tao amin’ny fiangonany, sy mampianatra ny andaniny sy ny ankilany ny fomba izay niainan’ny tsirairay ny fifikirana amin’i Kristy. Kanefa ny zava-manahirana amin’ny fanambadian’ny samy kristianina samihafa finoana dia tsy tokony hamaivanina velively. Izany dia avy amin’ny toe-javatra izay milaza fa tsy mbola ahitam-panafana ny fisarahan’ny kristianina. Mety hahatsapa ny loza avy amin’ny tsy firaisan’ny kristianina ny mpivady eo anivon’ny tokantranon’izy ireo ihany. Mbola mety hanampy trotraka ireny zava-manahirana ireny ny tsy fitovian’ny fivavahana. Ny fifanoherana mikasika ny finoana, ny fahazoana mihitsy ny hoe fanambadiana, ary koa ny tsy fitovian’ny toe-tsaina enti-mivavaka, dia mety hitambatra ho fototry ny fifanenjanana eo amin’ny fanambadiana, indrindra ny amin’ny fanabeazana ny zanaka. Ny fakam-panahy mety hiseho amin’izany dia ny tsy firaharahana fivavahana.
Araka ny lalàna manan-kery ao amin’ny Fiangonana latinina, ny fanambadian’ny samy kristianina samihafa finoana, mba ho ara-dalàna izy, dia mila ny fahazoan-dalana mazava avy amin’ny manam-pahefan’ny Fiangonana jer. CIC, can. 1124.. Eo amin’ny an’ny tsy mitovy fivavahana dia takìna ny fanomezan-dalana manokana mazava amin’ny fanalana sampona mba hanan-kery ara-dalàna ny fanambadiana jer. CIC, can. 1086.. Io fahazoan-dalana io na io fanomezan-dalana manokana io, no mitaky fa ny andaniny sy ny ankilany dia mahalala sy tsy manohitra ny tanjona sy ny toetra manokana maha-izy ny fanambadiana ary koa anamafisan’ilay an-daniny katôlika ny fampanantenana nataony, sy entina koa ho amin’ny fampahalalana mazava ny an-kilany tsy katôlika, itahirizana ny finoany ary iantohana ny fanaovana batemy sy ny fanabeazana ny zanaka ao amin’ny Fiangonana katôlika jer. CIC, can. 1125..
Amin’ny faritany maro, noho ny fifanakalozan-kevitra momba ny firaisam-pinoana, ireo ankohonana kristianina voakasika izany dia afaka nanangana ny pastôraly iombonana ho an’ny fanambadian’ny samy kristianina samihafa finoana. Ny lahasa sahaniny dia ny manampy ireny mpivady ireny hiaina ny toerana manokana misy azy ireo eo ambany fitsilovan’ny finoana. Tokony hanampy ny mpivady koa izany mba handresena ny fifanolanana eo amin’ny adidin’ny mpivady amin’ny andaniny sy amin’ny ankilany ary amin’ny fiangonan’izy ireo. Tokony handrisika amin’ny fivelarana amin’ izay iraisan’izy ireo eo amin’ny finoana izany, sy amin’ny fanajana an’izay mampisaraka azy ireo.
Amin’ny fanambadian’ny tsy mitovy fivavahana, manana lahasa manokana ilay vady katôlika : “Satria ny lehilahy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny vadiny, ary ny vehivavy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny vadiny mpino” (1 Kôr 7,14). Hafaliana lehibe ho an’ilay vady kristianina sy ho an’ny Fiangonana izany raha mitondra ho amin’ny fibebahana amin-kalalahana an’ilay vady tsy mpino ho amin’ny finoana kristianina io “fanamasinana” io jer. 1 Kôr 7,16.. Ny fifankatiavan’ny mpivady amin’ny fo tokoa, ny fizàrana miaina ny hatsaram-panahy ao amin’ny fianakaviana, amim-panetren-tena sy amim-paharetana, ary ny fitozoana amin’ny fivavahana, dia afaka manomana ilay vady tsy mpino handray ny fahasoavana amin’ny fibebahana.
IV.Ny vokatry ny sakramentan’ny Fanambadiana
“Avy amin’ny fanambadiana vanona no teraka eo amin’ny mpivady ny fifamatorana araka ny toetrany voa-Janahary maha-mandrapahafaty sy maha-tokana azy ; afa-tsy izany, amin’ny fanambadiana kristianina, ankaherezina sy tena hamasinin’ny sakramenta manokana ho amin’ny adidy sy ny fahamendrehan’ny toe-piainan’izy ireo, ny mpivady” CIC, can. 1134..
Ny fifamatorana ara-panambadiana
Ny fanekena izay ifanoloran’ny mpivady ny tenan’izy ireo sy ifandraisan’ izy ireo dia nasian’ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy tombo-kase jer. Mk 10,9..Avy amin’ny fifaneken’izy ireo “no mipoitra ilay tokantrano, izay amafisin’ny lalànan’Andriamanitra, ary koa ankatoavin’ ny tany ama-monina” FAA 48, § 1.. Ny fifaneken’ny mpivady dia tafiditra ho anisan’ny fanekem-pihavanan’ Andriamanitra sy ny olombelona : “Ny fifankatiavana tena izy eo amin’ny mpivady dia azony avy ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra” FAA 48, § 2..
Noho izany, ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy no nanorina ny fifamatorana ara-panambadiana, hany ka ny fanambadiana nifanarahana sy notontosaina eo amin’ny samy vita batemy dia tsy azo ravana na oviana na oviana. Izany fifamatorana izany, izay vokatry ny asan’ olombelona malalaka eo amin’ny mpivady sy ny fanatanterahana ny fanambadiana, dia zava-misy tsy azo ovàna hatramin’izao sy iandohan’ny fanekem-pihavanana iantohan’ny tsy fivadihan’Andriamanitra. Tsy anjaran’ny fahefan’ny Fiangonana ny manapa-kevitra hanohitra izany fandaminan’ny fahendren’Andriamanitra izany jer. CIC, can. 1141..
Ny fahasoavana amin’ny sakramentan’ny Fanambadiana
“Eo amin’ny lalam-piainan’izy ireo sy eo amin’ny laharana tandrify azy ireo, [ny mpivady kristianina] dia manana ny anjara fanomezana manokana ho azy ireo ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra” FF 11. Izany fahasoavana manokana amin’ny sakramentan’ny fanambadiana izany, dia natokana handavorariana ny fitiavan’ny mpivady, hanamafy ny firaisan’izy ireo tsy azo ravana. Avy amin’izany fahasoavana izany “no mifanampy izy ireo hifanamasina eo amin’ny fiainan’ny mpivady, amin’ny fandraisana sy fanabeazana ny zanaka” FF 11; jer. FF 41..
I Kristy no loharanon’io fahasoavana io. “Tahaka ny nanombohan’ Andriamanitra fahiny ny fanekem-pitiavana sy ny tsy fivadihana tamin’ny vahoakany, dia tahaka izany koa, ankehitriny, no ihaonan’ny Mpamonjy ny olombelona, Vadin’ny Fiangonana, amin’ny mpivady kristianina amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fanambadiana” FAA 48, § 2.. Mijanona miaraka amin’izy ireo Izy, manome hery azy ireo Izy hanaraka Azy amin’ny fandraisan’izy ireo an-tanana ny Hazofijalian’izy ireo, hiarina aorian’ny fahalavoan’izy ireo, hifamela heloka, hifampiantsoroka enta-mavesatry ny andaniny sy ny ankilany jer. Gal 6,2., “hifanoa amin’ny fahatahorana an’i Kristy” (Efez 5,21) ary hifankatia amin’ny fifankatiavana mihoatra ny natoraly, saro-pady sy mamokatra. Ao anatin’ny hafalian’ny fitiavan’ izy ireo sy ny fiainam-pianakavian’izy ireo, no ampisehoan’izy ireo, manomboka ety an-tany, ny santatry ny fanasana amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry :
Aiza no hanovozako hery ilazalazana amin’ny fomba mahafa-po ny fahasambaram-panambadiana izay tsimbinin’ny Fiangonana, izay hamafisin’ny tolotra, izay marihin’ny tsodrano amin’ny tombo-kase ; ny anjely mankalaza azy, ny Ray any an-danitra mankato azy. (…) Akory ity fanambadian’ny olon-droa kristianina, ampiraisin’ny fanantenana iray, ny faniriana iray, ny fitsipi-pifehezana iray, ny fanompoana iray ihany ! Samy zanaky ny Ray tokana ihany izy roa, mpanompon’ny Tompo iray ihany ; tsy misy na inona na inona manasaraka azy ireo, na ao amin’ny fanahy na ao amin’ny nofo ; ny mifanohitra amin’izany aza, tena nofo iray ihany izy roa. Amin’izany maha-iray ny nofo izany, iray koa ny fanahy Tertullien, ux. 2,8,6-7; jer. FM 13..
V.Ny soa sy ny takìn’ny fitiavan’ny mpivady
“Ny fitiavan’ny mpivady dia ahitana ny fitambarana izay ao no iantombohan’ny singafototra rehetra maha-olona ny olona – antson’ny vatana sy ny tosi-kerim-panentana ao anaty, herin’ny fihetseham-po sy ny fiontanam-po, hetahetan’ny fanahy sy ny sitrapo - ; mikendry ny firaisana lalina maha-olona izy, ka, ankoatra ny firaisana ho nofo iray ihany, dia mitondra ho amin’ny fo iray sy fanahy iray ; mitaky ny tsy maha-azo ravana sy ny tsy fivadihana amin’ny fifanoloran-tena varo-maty izy ; ary misokatra ho amin’ny fiterahana. Ireo moa dia momba ny toetra manokana ara-dalàna amin’ny fitiavana voa-Janahary eo amin’ny mpivady rehetra, nefa koa misy heviny vaovao, izay tsy hoe manadio an’ireo na manamafy an’ireo fotsiny, fa manondrotra an’ireo mba hanjary fanehoana ny soatoavina tena kristianina” FM 13..
Ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny fanambadiana
Takìn’ny fitiavan’ny mpivady, araka ny toetrany voa-Janahary rahateo, ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny fiombonan’ny maha-olona azy ireo, izay manambatra ny fiainan’izy ireo manontolo : “Noho izany, tsy roa intsony izy ireo, fa nofo iray ihany ” (Mt 19,6) jer. Jen 2,24.. “Voantso izy ireo hampitombo tsy an-kijanona ny fiombonan’izy ireo amin’ny alalan’ny tsy fivadihana isan’andro, sy hanamafy ny fanomezan-toky amin’ny fifano-loran-tena manontolo izay raketin’ny fanambadiana” FM 19.. Ny fiombonana amin’i Jesoa-Kristy nomena tamin’ny sakramentan’ny fanambadiana no manamafy sy mandio ary manatontosa izany fiombonana maha-olona izany. Mihalalina izany amin’ny alalan’ny fiainana ny finoana iombonana sy amin’ny alalan’ny Eokaristia iarahana mandray.
“Ny fitovian’ny fahamendrehan’ny olona tsirairay izay tsy maintsy fantarina eo amin’ny vehivavy sy eo amin’ny lehilahy ao anatin’ny fitiavana feno fatra izay ifanoloran’izy roa ny tenany dia mampiseho mazava ny maha-tokana ny fanambadiana, nohamafisin’i Jesoa Tompo” FAA 49, § 2.. Ny fampirafesana dia manohitra izany fitoviana haja aman-kasina izany sy amin’ny fitiavan’ny mpivady izay tokana sy tsy ananan-droa jer. FM 19..
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Takìn’ny fitiavan’ny mpivady amin’izy mpivady, araka ny toetrany voa-Janahary rahateo, ny tsy fivadihana tsy azo dikaina. Vokatry ny fanomezana ny tenan’izy ireo ihany izay ifanoloran’ny mpivady, io tsy fivadihana io. Tokony ho varo-maty ny fitiavana. Tsy mety hoe “hatramin’izao baiko vaovao izao” izy. “Izany firaisana lalina, ifanoloran’izy roa ny tenany izany, tsy latsaka izany koa ny soa ho an’ny zanaka, dia mitaky ny tsy fivadihana tanteraka eo amin’ny mpivady sy mila ny maha-tokana tsy azo ravana ny fanambadian’izy ireo” FAA 48, § 1..
Ny antony lalina indrindra dia hita eo amin’ny tsy fivadihan’ Andriamanitra amin’ny fanekem-pihavanany, sy tsy fivadihan’i Kristy amin’ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny fanambadiana ny mpivady dia nahazo fahefana ara-dalàna hampiseho izany tsy fivadihana izany sy hijoro ho vavolombelon’izany. Amin’ny alalan’ny sakramenta, ny maha-tsy azo ravana ny fanambadiana dia mahazo hevitra vaovao sy lalina kokoa.
Mety heverina fa sarotra, na tsy azo atao, ny mifatotra amin’ny olona iray mandritra ny fiainana manontolo. Tsy vitan’izany koa fa zava-dehibe ny mitory ny Evanjely fa tia antsika amin’ny fitia varo-maty sy tsy miova Andriamanitra, ka mandray anjara amin’io fitiavana io ny mpivady, izay mitondra azy ireo sy manohana azy ireo, ary amin’ny tsy fivadihan’izy ireo no ahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika. Ny mpivady izay, omban’ny fahasoavan’Andriamanitra, mampiseho izany fijoroana vavolombelona izany, matetika amin’ny toe-draharaha sarotra tokoa, dia mendrika ny fankasitrahana sy ny fanohanan’ ny ankohonam-piangonana jer. FM 20..
Misy anefa ny toe-javatra izay mahatonga ny firaisan-tranon’ny mpivady ho tsy azo atao noho ny antony maro samihafa. Amin’ny toe-javatra toy izany, eken’ny Fiangonana ny fisarahan-toeran’ny mpivady sy ny fampitsaharana ny firaisan-trano. Mitohy tsy mijanona anefa ny maha-mpivady azy mivady eo anatrehan’ Andriamanitra ; tsy afaka ny haka vady vaovao izy ireo. Amin’ity toe-javatra sarotra ity, ny vahaolana tsara indrindra, raha azo atao, dia ny fampihavanana. Antsoina ny ankohonana kristianina hanampy ireny olona ireny hiaina araka ny maha-kristianina ny toe-javatra mihatra amin’izy ireo, ao anatin’ny tsy fivadihana amin’ny fifamatoran’ny fanambadian’izy ireo izay mijanona ho tsy azo ravana jer. FM 83; CIC, can. 1151-1155..
Betsaka ankehitriny, any amin’ny firenena maro, ny katôlika izay mangataka fisaraham-panambadiana araka ny didy aman-dalàna sivily sy manao fifanekena eo anatrehan’ny lalàna sivily ho amin’ny fanambadiana vaovao. Manantitrantitra ny Fiangonana, noho ny tsy fivadihana amin’ny tenin’i Jesoa-Kristy (“Na iza na iza lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia manitsakitsaka ny vadiny voalohany ; ary raha ny vavy koa no manary ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga izy” : Mk 10,11-12), fa tsy azony ekena ho vanona ny fanambadiana vaovao, raha mbola vanona ny fisian’ilay fanambadiana voalohany. Raha manambady indray araka ny fomba sivily ireo nisara-panambadiana, dia miditra ao anatin’ny toe-piainana izay mandika tsotr’ izao ny lalànan’Andriamanitra izy ireo. Koa noho izany, tsy mahazo mandray kômonio amin’ny Eokaristia izy ireo mandritra ny fotoana aharetan’io toe-piainana io. Noho io antony io koa, tsy afaka misahana andraikitra sasantsasany ao amin’ny Fiangonana izy ireo. Ny fampihavanana amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fivalozana dia tsy azo omena afa-tsy ho an’ireo izay manenina fa nandika ny famantarana ny fifanekem-panambadiana sy ny tsy fivadihana amin’i Kristy, ary mampanantena fa hiaina ao anatin’ny fifadiam-pahafinaretan’ ny nofo tanteraka.
Ny amin’ireo kristianina izay miaina ao anatin’izany toe-piainana izany sy izay mitazona matetika ny finoana ary maniry hitaiza amin’ny fomba kristianina ny zanak’izy ireo, dia adidin’ny Pretra sy ny ankohonan’ny mpino manontolo ny mikarakara azy ireo ombam-pitandremana, amin’ny fiainana izay ahafahan’izy ireo sy tsy maintsy andraisany anjara amin’ny maha-vita batemy azy ireo, mba tsy hiheveran’izy ireo fa tafasaraka amin’ny Fiangonana izy ireo :
Hasaina izy ireo hihaino ny Tenin’Andriamanitra, hanatrika ny Soron’ ny lamesa, hitozo amin’ny fivavahana, hitondra ny anjara birikin’izy ireo amin’ny asam-pitiava-namana sy amin’ny ezaky ny ankohonan’ ny mpino ho amin’ny fahamarinana, hitaiza ny zanak’izy ireo amin’ ny finoana kristianina, hamolavola toe-tsaim-pibebahana sy hanatanteraka izany amin’ny asa, mba hitalahoana isan’andro mihiratra ny fahasoavan’ Andriamanitra FM 84..
Ny famosahan-kevitra amin’ny fiterahana
“Avy amin’ny toetrany voa-Janahary mihitsy no nandaharana ny fanorenan-tokantrano amin’ny fanambadiana sy ny fifankatiavan’ny mpivady ho amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana, izay izany no tampony manamarika ny fahatontosany” FAA 48, § 1. :
Ny zanaka no fanomezana tsara indrindra avy amin’ny fanambadiana sy manampy be tokoa amin’ny soa ho an’ny tenan’izy ray aman-dreny. Sitraky ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy izay niteny hoe : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Jen 2,18) sy izay “[nanao ny olombelona] ho lehilahy sy vehivavy hatrany am-piandohana” (Mt 19,4), ny hanome azy ny fandraisana anjara manokana amin’ny tsanganasa fahariany ; koa nitsodrano ny lehilahy sy ny vehivavy Izy nanao hoe : “Miteraha maro ianareo ary mitomboa” (Jen 1,28). Koa noho izany, ny fifankatiavan’ny mpivady marina tokoa sy mazava tsara, mbamin’ny lamin-drafitra manontolo ny fiainam-pianakaviana avy amin’izany, kanefa tsy manambany ny tanjon’ny fanambadiana hafa rehetra, dia samy mikendry hahatonga ny mpivady hanam-pahalalahana mba hiara-miasa amin-kerim-po amin’ny fitiavan’ny Mpahary sy Mpamonjy izay, amin’ny alalan’izy ireo, no sitrany hanondrotra sy hampitomboana tsy an-kijanona ny fianakavian’ny tenany FAA 50, § 1..
Ny fahavokaran’ny fifankatiavan’ny mpivady dia mivelatra amin’ny vokatry ny fiainana ara-môraly, ara-panahy sy mihoatra ny natoraly, izay ampitain’ny ray aman-dreny amin’ny zanak’izy ireo amin’ny alalan’ny fanabeazana. Ny ray aman-dreny no mpanabe voalohany sady lehibe indrindra ny zanak’izy ireo jer. FK 3.. Araka izany lafin-kevitra izany, ny lahasa fototry ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia ny ho fanompoana amin’ny fiainana jer. FM 28..
Ireo mpivady izay tsy nomen’Andriamanitra zanaka kosa anefa dia afaka hanana fiainam-panambadiana feno, amin’ny lafiny toe-po sy fomba kristianina. Afaka hamirapiratan’ny fahavokaran’ny fitiava-namana, ny fandraisana olona ary ny fahafoizan-tena ny fanambadian’izy ireo.
VI.Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Sitrak’i Kristy ny ho teraka sy hitombo teo anivon’ny Fianakaviana Masin’i Josefa sy Maria. Tsy hafa tsy akory ny Fiangonana fa ny “fianakavian’Andriamanitra”. Hatrany am-piandohany, ny antokon’olona tao amin’ny Fiangonana, dia matetika niorina avy amin’ireo izay nanjary mpino “niaraka tamin’ny ankohonany manontolo” jer. Asa 18,8.. Rahefa nibebaka izy ireo, dia nirin’izy ireo koa ny hahavoavonjy “ny ankohonany manontolo” jer. Asa 16,31 sy 11,14.. Ireny fianakaviana nanjary mpino ireny no vondron-trano voafaritry ny fiainana kristianina eo amin’ny tontolo tsy mpino.
Amin’izao androntsika izao, eo amin’ny tontolo izay matetika miavaka sy manohitra ny finoana mihitsy aza, manana ny lanjany lehibe tokoa ny fianakaviana mpino, zary akanin’ny finoana velona sy misandrahaka. Izany no mahatonga ny Kônsily Vatikana faharoa hiantso ny fianakaviana amin’ilay fomba fiteny tranainy hoe Ecclesia domestica FF 11; jer. FM 21. (Fiangonana ao an-tokantrano). Eo anivon’ny fianakaviana izany, dia ny ray aman-dreny, “amin’ny alalan’ny teny sy amin’ny alalan’ny oha-piainana (…) no mpitory voalohany ny finoana ho an’ny zanak’izy ireo, amin’ny fanampiana ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra tandrify ny tsirairay ary indrindra ny fiantsoana masina” FF 11..
Ao amin’ny fianakaviana izany, amin’ny fomba ahazoan-tsoa manokana, no iasan’ny maha-mpisorona avy amin’ny Batemy ny raim-pianakaviana, ny reny, ny zanaka, ny mpianakavy manontolo, “amin’ny alalan’ny fandraisana sakramenta, ny vavaka sy ny fisaorana, ny fanehoana fiainam-pahamasinana, sy amin’ny alalan’ny fandavan-tenan’izy ireo sy ny fifanka-tiavan’izy ireo azo tsapain-tanana” FF 10.. Ny tokantrano amin’izany no sekolim-piainana kristianina voalohany sy “sekolim-pampivoarana ny maha-olona” FAA 52, § 1.. Ao koa no ianarana ny fihafiana sy ny hafaliana avy amin’ny asa, ny fitiavan’ny maha-mpiray tam-po, ny famelan-keloka amin-kalalaham-po, na dia miverimberina aza ny fahadisoana, ary indrindra ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny vavaka sy ny fanoloram-piainana Aminy.
Mbola tokony hotsarovana koa ireo olona sasantsasany izay, noho ny toe-piainana tsy takona afenina tsy maintsy iainan’izy ireo – ary matetika tsy fidiny ho azy izany – manakaiky indrindra ny fon’i Jesoa ka noho izany mendrika fitiavana sy fiahiana fatratra avy amin’ny Fiangonana, indrindra ny mpitondra : ireo olona mpitovo maro be. Ny ankamaroan’izy ireny dia tsy misy fianakaviana fa honjohonjony irery, matetika noho ny antony avy amin’ny fahantrana. Misy ireo izay miaina izany toerana misy azy izany ao anaty toe-panahin’ny hasambarana nambaran’i Jesoa, amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny namana amin’ny fomba azo alain-tahaka. Ho azy rehetra àry, tokony hovohaina midanadana ho azy ireo ny varavaran’ny ankohanana, “Fiangonana ao an-tokantrano”, ary ny fianakaviambe izay tsy inona fa ny Fiangonana. “Tsy misy olona tsy tokony hanana fianakaviana eto amin’izao tontolo izao : ny Fiangonana no trano sy fianakavian’ny rehetra, indrindra ho an’ireo izay "misasatra sy itambesaran’ny enta-mavesatra" (Mt 11,28)” FM 85..
Hoy i Md Paoly : “Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana. (…) Misy mistery lehibe amin’io ; miantefa amin’i Kristy sy ny Fiangonana no tiako lazaina” (Efez 5,25.32).
Ny fifanekem-panambadiana, izay anorenan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray fiombonam-piainana amam-pifankatiavana lalina eo amin’izy roa, dia naorin’ny Mpahary sy nasiany ny lalànany manokana. Araka ny toetra voa-Janahary momba ny fifanekem-panambadiana dia nalahatra ho amin’ny soa ho an’ny mpivady ary koa ho amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana ny zanaka izany. Nasandratr’i Kristy Tompo ho amin’ny hasin’ny sakramenta izany eo amin’ireo vita batemy jer. FAA 48, § 1; CIC Can. 1055, &1..
Manambara ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana ny sakramentan’ny Fanambadiana. Manome ny mpivady ny fahasoavana hifankatia amin’ny fitiavana izay nitiavan’i Kristy ny Fiangonany izy ; araka izany, ny fahasoavan’ny sakramenta no mandavorary ny fitiavana maha-olombelona ny mpivady, manamafy orina ny firaisan’izy ireo tsy azo ravana ary manamasina azy ireo eny an-dalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay jer. Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum..
Miorina amin’ny fanekena ifanaovan’ny mpivady ny fanambadiana, izany hoe vokatry ny safidim-po hifanolo-tena sy ho varo-maty ao anatin’ny tarigetra hiaina ny fifanekem-pitiavana tsy mivadika sy hiteraka.
Noho ny fanambadiana mametraka ny mpivady amin’ny toe-piainana ampahibemaso ao amin’ny Fiangonana, dia tsara raha atao ampahibemaso ny fankalazana azy, ao anatin’ny fankalazana litorzika, eo anatrehan’ny Pretra (na vavolombelona notendren’ny Fiangonana), sy ny vavolombelona ary ny mpino tafangona eo.
Ny maha-tokana, ny maha-tsy azo ravana ary ny fahalalahana hiteraka dia foto-javatra ilaina amin’ny fanambadiana. Ny fampirafesana dia tsy afa-miaraka amin’ny maha-tokana ny fanambadiana ; ny fisaraham-panambadiana dia mandrava ny nakamban’Andriamanitra ; ny fandavana hiteraka dia mampivaona ny fiainan’ny mpivady amin’ny “fanomezany tsara indrindra”, dia ny zanaka izany FAA 50, § 1..
Ny fanambadiana olon-kafa ataon’izay nisaraka tamin’ny vadiny ara-dalàna mbola velona dia mandika ny fandaharana sy ny lalànan’ Andriamanitra nampianarin’i Kristy. Tsy tafasaraka amin’ny Fiangonana izy ireo, nefa tsy afaka mandray ny kômonion’ny Eokaristia. Hitondran-tena amin’ny maha-kristianina izy ireo, indrindra amin’ny fanabeazana ny zanany amin’ny finoana.
Ny tokantrano kristianina no toerana andraisan’ny zanaka ny fanambaràna voalohany ny finoana. Izany no antony iantsoana marina ny tranom-pianakaviana hoe “Fiangonana ao an-tokantrano”, ankohonam-pahasoavana amam-bavaka, sekolin’ny hatsaram-panahy maha-olona sy ny fifankatiavana kristianina.
1.Ny sakramentaly
“Ny Fiangonana Reny Masina dia nanorina ny sakramentaly, izay famantarana masina manahatahaka ny sakramenta ihany, ka ny vokany, indrindra ny ara-panahy, no ambarany, ary azo amin’ny vavaky ny Fiangonana. Mandrisika ny olona handray ny voka-dehibe amin’ny sakramenta izy ireny, ary manamasina ireo toe-java-miseho samihafa eo amin’ny fiainana” L 60; jer. CIC, can. 1166; CCEO — Codex Canonum Ecclesiarum Orientalium, can. 867..
Ireo soritsori-toetra mampiavaka ny sakramentaly
Naorin’ny Fiangonana izy ireny mba ho fanamasinana ny andraiki-panompoana sasantsasany ao amin’ny Fiangonana, ny lalam-piainana sasantsasany, ny toe-java-miseho maro karazana tokoa eo amin’ny fiainana kristianina, ary koa ny fampiasana ny zavatra mahasoa ny olombelona. Araka ny fanapahan-kevitra pastôralin’ny Eveka, izy ireny dia azo hamaliana koa ny filana, ny kolontsaina ary ny tantara manokana momba ny vahoaka kristianina eo amin’ny faritra iray na ny vanim-potoana iray. Misy vavaka lalandava izy ireny, matetika arahina famantarana voafaritra, toy ny fametrahan-tanana, ny famantarana ny Hazofijaliana, ny famafazana rano voahasina (izay mampahatsiaro ny Batemy).
Miankina amin’ny fisoronana avy amin’ny Batemy izany : ny vita batemy rehetra dia antsoina ho “fanasoavana” jer. Jen 12,2. sy hanasoa jer. Lk 6,28; Rôm 12,14; 1 Pi 3,9.. Izany no antony hahazoan’ny lahika misahana ny tsodrano sasantsasany jer. L 79; CIC, can. 1168.; arakaraka ny iompanan’ny tsodrano bebe kokoa amin’ny fiainam-piangonana sy ara-tsakramenta no anokanana ny fisahanana azy ho an’ny mpandraharaha voahosotra (Eveka, Pretra na Diakra jer. Ben. 16;18.).
Tsy manome ny fahasoavan’ny Fanahy Masina araka ny fomban’ny sakramenta ny sakramentaly, nefa amin’ny alalan’ny vavaky ny Fiangonana no anomanan’izy ireny handray ny fahasoavana sy andrisihany hifarimbona amin’izany. “Amin’ny mpino voaomana tsara, saika ny fisehon-javatra rehetra eo amin’ny fiainana no hamasinin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay avy amin’ny misterin’ny Pakan’ny fijaliana, ny fahafatesana ary ny Fitsanganan’i Kristy ho velona, satria avy Aminy ny sakramenta sy ny sakramentaly rehetra no manovo ny herin’izy ireo ; ary saika tsy misy na iray aza ny fampiasana mendrika ny zavatra tsapan’ny tanana izay tsy mety hotarihina mankamin’izao tanjom-piafarana izao : ny fanamasinana ny olombelona sy ny fiderana an’Andriamanitra” L 61..
Ny endrika samihafa amin’ny sakramentaly
Anisan’ny mampiseho voalohany indrindra ireo endriky ny sakramentaly ny tsodrano (ny olona, ny sakafo, ny zavatra, ny toerana). Ny tsodrano rehetra dia fiderana an’Andriamanitra sy fivavahana mba hahazoana ny fanomezany. Ao amin’i Kristy no mitsodrano ny kristianina Andriamanitra Ray “amin’ny tsodrano rehetra ara-panahy” (Efez 1,3). Izany no antony anomezan’ny Fiangonana ny tsodrano amin’ny fiantsoana ny Anaran’i Jesoa sy amin’ny fanaovana matetika ny famantarana masina ny Hazofijalian’i Kristy.
Misy manan-kery maharitra ny tsodrano sasantsasany : ny vokany dia ny manamasina ny olona ho an’Andriamanitra sy ny manokana ny zavatra sy ny toerana ho ampiasana amin’ny litorzia. Anisany amin’ireo izay natokana ho an’ny olona – tsy hafangaro amin’ny fanamasinana ara-tsakramentan’ny filaharana masina – ny tsodrano ho an’ny lehiben’ny tranon-drelijiozy mpitoka-monina lehilahy na vehivavy, ho an’ny manokan-tena ho virjiny sy ho mananotena, ho an’ny fombam-pivavahana amin’ny voadin-drelijiozy sy ny tsodrano ho amin’ny andraiki-panompoana sasantsasany ao amin’ny Fiangonana (mpamaky teny, akôlita, Katesista, sns.). Ny ohatra amin’ny an’ireo izay momba ny zavatra, dia tsara ho fantatra ny fitokanana na fitsofan-drano ny trano fiangonana na ny ôtely, ny fitsofan-drano ny diloilo masina, ny fitaovana ampiasaina sy ny fanamiana masina, ny lakôlôsy, sns.
Rahefa mangataka ampahibemaso sy amim-pahefana ny Fiangonana, amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy, mba ho voaro ny olona na ny zavatra, tsy ho eo ambany fahefan’ilay Ratsy sy ho voaesotra ao amin’ny fanjakany, dia fandroahana demony no ilazana izany. Nanatanteraka izany i Jesoa jer. Mk 1,25-26., ary avy Aminy no nahazoan’ny Fiangonana ny fahefana sy ny fiadidiana handroaka demony jer. Mk 3,15; 6,7.13; 16,17.. Ny fandroahana demony amin’ny fomba tsotra, dia tanterahina amin’ny fotoana fankalazana ny Batemy. Ny fandroahana demony amin’ny fomba manetriketrika antsoina hoe “fandroahana demony amin-kery”, dia tsy azo ampiasaina afa-tsy amin’ny alalan’ny Pretra ary miaraka amin’ny fahazoan-dalana avy amin’ny Eveka. Tsy maintsy atao amim-pahamalinana izany, amin’ny fanatanterahana hentitra ny fitsipika naorin’ny Fiangonana jer. CIC, can. 1172.. Ny fandroahana demony dia mikendry ny hamoaka ny demony na hanafaka ny eo ambany fahefan’ny demony, ary izany dia amin’ny alalan’ny manam-pahefana ara-panahy izay nanankinan’i Jesoa ny Fiangonany. Tena hafa ny an’ny toe-javatra momba ny marary, indrindra ny marary saina, izay miankina amin’ny fahaizana ara-pitsaboana ny fikarakarana izany. Koa zava-dehibe àry ny maka antoka, alohan’ ny fankalazana atao amin’ny fandroahana demony, na ny fisian’ilay Ratsy tokoa no ao, fa tsy aretina.
Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka.
Ivelan’ny litorzia ara-tsakramenta sy ny sakramentaly, ny katesezy dia tokony hihevitra ny endriky ny fitiavam-bavaky ny mpino sy ny hetsipom-pivavaham-bahoaka. Ny hevitra ara-pivavahan’ny vahoaka kristianina, hatrizay hatrizay, dia nahita ny fanehoany amin’ny endrika samihafa amin’ny fitiavam-bavaka izay manamarika ny fiainana ara-tsakramentan’ ny Fiangonana, toy ny fanajana ny sisan-taolan’ny olomasina, ny famangiana ny trano fiangonam-pivahiniana masina, ny fivahiniana masina, ny vavaka am-pandehanana, ny lalan’ny Hazofijaliana, ny dihy ara-pivavahana, ny raozery, ny meday jer. Kôns. Nicée II: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum; 603; Kôns. Trente: DS — Denzinger–Schönmetzer, Enchiridion Symbolorum definitionum et declarationum de rebus fidei et morum., sns.
Ireny fanehoana ireny dia manohy ny fiainana ara-litorzian’ny Fiangonana, fa tsy misolo azy : “Tsy maintsy hahitsy [ireny] amin’ny fandraisana hevitra avy amin’ ny taona litorzika sy harindra amin’ny litorzia, mba hanohizana izany amin’ny fomba azo antoka, ary hampiditra ny vahoaka ao amin’izany, satria ny litorzia, araka ny fombany, dia ambony lavitra noho ireny” L 13..
Ilaina ny fandanjalanjana ara-pastôraly mba hanamafisana sy hanohanana ny hetsipom-pivavaham-bahoaka sy, raha toa ka miseho izany, mba hanadiovana sy hanitsiana ny hevitra ara-pivavahana izay manokatra an’ ireny fitiavam-bavaka ireny ary mba hampandrosoana ny fahalalana ny misterin’i Kristy. Ny fampiasana azy ireny dia ankatoavina amin’ny fitandremana sy amin’ny fandanjalanjan’ny Eveka ary amin’ny fitsipika ankapoben’ny Fiangonana jer. CT 54.. Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka, raha ny votoatiny, dia ny fitambaran’ny soatoavina izay mamaly, amin’ny fahendrena kristianina, ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana. Ny hevitra marim-pototry ny vahoaka katôlika dia mampahay mamintina ny amin’ny fiainana. Araka izany no mahatonga azy mampifanindran-dalana, amin’ny fomba mahay mamorona, ny momba an’ Andriamanitra sy ny momba ny olombelona, i Kristy sy i Maria, ny fanahy sy ny vatana, ny fiombonana sy ny fanorenana, ny isam-batan’olona sy ny ankohonana, ny finoana sy ny tanindrazana, ny fahaizana ara-tsaina sy ny fihetseham-po. Izany fahendrena izany no fampivelarana ny maha-olona kristianina izay manamafy tanteraka ny hasin’ny maha-izy manontolo ny maha-zanak’Andriamanitra, manorina fihavanana hatrany ifotony, mampianatra hihaona amin’ny zavaboary tahaka ny hahalalana ny asa, ary manoro hevitra hiaina ao anatin’ny hafaliana sy ny fiadanam-po, na dia eo anivon’ny hamafin’ ny fiainana aza. Izany fahendrena izany koa ho an’ny vahoaka no fototry ny fandanjalanjana, no tosi-kerim-panentana ao anaty avy amin’ny evanjely izay mahatonga azy hahatsapa fotsiny amin’izao hoe : rahoviana ny Evanjely no voalohany tompoina ao amin’ny Fiangonana, na rahoviana no voaesotra amin’ny votoatiny izy sy sempotry ny tombon-tsoa hafa Document de Puebla; jer. EN 48..
Ny antsoina hoe sakramentaly dia ireo famantarana masina naorin’ny Fiangonana, ka ny kendreny amin’izany dia ny mba hanomana ny olona handray ny vokatry ny sakramenta sy hanamasinana ny toe-javatra miseho samihafa eo amin’ny fiainana.
Ny tsodrano no mitana toerana lehibe amin’ireo sakramentaly. Sady mirakitra fiderana an’Andriamanitra noho ny tsanganasany sy ny fanomezany ireny, no mitondra ny fitalahoan’ny Fiangonana, mba hahafahan’ny olona mampiasa ny fanomezan’Andriamanitra araka ny toe-panahy takìn’ny Vaovao Mahafaly.
Ankoatra ny litorzia, ny fiainana kristianina dia mivelona amin’ny fomba maro karazana amin’ny fanehoam-pitiavam-bavaky ny vahoaka, latsa-paka ao amin’ny kolontsaina samihafa. Sady miezaka hanazava ireny amin’ny fahazavan’ny finoana ny Fiangonana, no mampandroso ireo endriky ny hetsipom-pivavaham-bahoaka izay maneho ny tosi-kerim-panentana ao anaty avy amin’ny Evanjely sy ny fahendren’olombelona, sy mampitombo ny harem-piainana kristianina.
2.Ny fandevenana kristianina
Ny sakramenta rehetra, voalohany indrindra ny an’ireo firosoana ho kristianina, dia mikendry ny Paka faran’ny zanak’Andriamanitra, ilay Paka izay mampiditra azy, amin’ny alalan’ny fahafatesana, ao amin’ny Fiainan’ ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’izany no tontosa izay nambarany tamim-pinoana sy tamim-panantenana hoe : “Izaho miandry ny Fitsanganan’ny maty ho velona sy ny Fiainan-ko avy” Sembolin’i Nicée-Constantinople..
I.Ny Paka faran’ny kristianina
Ny hevitra kristianina momba ny fahafatesana dia voambara ao amin’ny fahazavan’ny misterin’ny Pakan’ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany ho velona, izay iorenan’ny hany fanantenantsika. Ny kristianina izay maty ao amin’i Kristy Jesoa dia mandao ity vatana ity mba handeha honina eo akaikin’ny Tompo jer. 2 Kôr 5,8..
Ny andron’ny fahafatesana no misantatra ho an’ny kristianina, amin’ny faran’ny fiainany ara-tsakramenta, ny fahatanterahan’ny fahateraham-baovaony natomboka tamin’ny Batemy, ny “fitoviana” tsy miova intsony amin’ny “endriky ny Zanaka” nomena tamin’ny fanosorana amin’ny Fanahy Masina ary ny fandraisana anjara amin’ny Fanasam-be any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay nosantarina mialoha tamin’ny Eokaristia, na dia mbola ilaina aza ny fanadiovana farany mba hitafy ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady.
Ny Fiangonana, amin’ny maha-Reny azy, izay nitondra ara-tsakramenta tao am-bohokany ny kristianina nandritra ny fivahiniany tety an-tany, dia mambomba azy eo am-pamaranana ny diany mba hametraka azy “eo am-pelatanan’ny Ray”. Atolony amin’ny Ray, ao amin’i Kristy, ny zanaky ny fahasoavany, ary apetrany amin’ny tany, ao anatin’ny fanantenana, ny tsirin’ny vatana izay hitsangan-ko velona amim-boninahitra jer. 1 Kôr 15,42-44.. Izany fanolorana izany dia ankalazaina manontolo amin’ny alalan’ny Sorona Eokaristika ; ny fitsofan-drano izay mialoha sy manaraka dia sakramentaly.
II.Ny fankalazana amin’ny fandevenana
Fankalazana iray ara-litorzian’ny Fiangonana ny fandevenana kristianina. Amin’ny alalany, ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana, amin’ity toe-javatra ity, dia sady mba hanehoana ny fiombonana bebe kokoa amin’ny maty, no hampandraisana anjara amin’izany ny mpiara-miangona tafavory ho amin’ny fandevenana ary hanaovana antso avo aminy ny fiainana mandrakizay.
Ny fombam-pivavahana fandevenana samihafa dia maneho ny toetra manokana momba ny Pakan’ny fahafatesana kristianina sy mamaly ny toe-piainana sy ny lovantsofin’ny faritra tsirairay, na dia izay mahakasika ny loko litorzika aza jer. L 81..
Ny Boky momba ny fandevenana (Ordo exsequiarum) (OEx)) amin’ny litorzia rômanina dia manolotra karazana fankalazana telo amin’ny fandevenana, mifanaraka amin’ny toerana telo ny fizotrany (ao an-trano, ao am-piangonana, eny am-pasana), sy arakaraka ny lanja hanompanan’ny fianakaviana, ny fomba amam-panao eo an-toerana, ny kolontsaina ary ny fanehoam-pitiavam-bavaky ny vahoaka, amin’ireo toerana ireo. Afa-tsy izany io fizotra io dia iombonan’ny lovam-panahy litorzika rehetra rahateo, ary mitsinjara ho fotoan-dehibe efatra :
Ny fandraisana ny mpiara-miangona. Ny fiarahabana amim-pinoana no manokatra ny fankalazana. Ny havan’ny maty no raisina amin’ny alalan’ny teny “fampiononana” (amin’ny hevitry ny Testamenta Vaovao : ny herin’ny Fanahy Masina ao amin’ny fanantenana jer. 1 Tes 4,18.). Ny mpivavaka izay mivory dia miandry koa ny “tenin’ny fiainana mandrakizay”. Ny fahafatesan’ny rantsambatana iray amin’ny mpiray fiangonana (na ny andro tsingerin-taona, ny andro fahafito na ny andro fahatelopolo) dia fisehoan-javatra izay manery hampihoatra ny fomba fijery any ankoatra “ity fiainana an-tany ity” sy mitarika ny mpino ho amin’ny tena fomba fijery marina ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona.
Ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fotoam-pandevenana, dia mitaky fanomanana voatandrina tsara tokoa satria ny mpiangona tonga eo dia mety hisy mpino tsy dia mazoto loatra amin’ny litorzia, mety hisy tsy kristianina namana aman-tsakaizan’ny maty. Ny toriteny indrindra moa, dia tokony “hanalavitra ny karazana kabary am-pandevenana fandokafana ny maty” OEx 41.,fa hanazava ny misterin’ny fahafatesana kristianina amin’ny fahazavan’i Kristy nitsangan-ko velona.
Ny Sorona Eokaristika. Raha ao am-piangonana no atao ny fankalazana, dia ny Eokaristia no votoatin’ny fisian’ny Pakan’ny fahafatesana kristianina jer. OEx 1.. Amin’ izany no anambaràn’ny Fiangonana ny fiombonana bebe kokoa amin’ilay nodimandry : eo am-panolorana amin’ny Ray, ao amin’ny Fanahy Masina, ny soron’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy ho velona, no angatahan’ny Fiangonana Aminy mba ho voadio amin’ny fahotany sy ny vokatr’ izany ity zanany nodimandry ary mba ho voaray ao amin’ny hafenoan’ny Paka amin’ny fanasana any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra jer. OEx 56.. Amin’ny alalan’ny Eokaristia ankalazaina amin’izany no ianaran’ireo ankohonan’ny mpino, singanina manokana ny fianakavian’ny maty, miaina amin’ny fiombonana amin’ilay izay “nodimandry ao amin’ny Tompo”, amin’ny firaisana amin’ny Vatan’i Kristy izay izy no rantsambatana velona, ary avy eo, amin’ny fivavahana ho azy sy miaraka aminy.
Ny veloma farany (“any amin’Andriamanitra”) atao amin’ny maty no “fanankinana azy amin’Andriamanitra” ataon’ny Fiangonana. Izany no “fara veloma izay anaovan’ny ankohonana kristianina veloma an’ilay anisan’ny rantsambatany, alohan’ny itondrana ny vatan’ilay maty any amin’ny fasany” jer. OEx 10.. Ny lovam-panahy bizantinina dia maneho izany amin’ny alalan’ny oroka fanaovam-beloma ny maty :
Amin’ny alalan’izao fanaovam-beloma farany izao “no hihiràna amin’ny fialany amin’ity fiainana ity sy amin’ny fisarahana aminy, nefa koa mbola misy ny fiombonana sy ny fihaonana. Koa, na maty aza isika, dia tsy tafasaraka velively amin’ny samy isika, satria isika rehetra dia hizotra amin’io lalana iray io ihany, ary ao amin’ny toerana iray ihany isika no hihaona indray. Tsy ho tafasaraka na oviana na oviana isika, satria mivelona ao amin’i Kristy, ary ankehitriny tafaray ao amin’i Kristy isika, mizotra mankany Aminy (…) ary samy ho ao amin’i Kristy avokoa isika rehetra” Md Syméon de Thessalonique, sep..
* * * * * * * * * *